6
NY RENALAN’I MADAGASIKARA (Les Baobabs de Madagascar) Ny renala na reniala dia teny Malagasy entina iantsoana hazo mankadiry iray fantatra amin’ny anarana koa hoe “baobab”. Ny teny hoe baobab dia teny senegaly nalaina avy amin’ny teny arabo hoe “bu hibab” izay midika hoe voankazo maro vihy, an-jatony mantsy ny isan’ny vihy ao anatin’ny voan’ny renala iray. Ny Malagasy kosa niantso azy hoe renala na reniala satria toy ny izy no renin’ireo hazo rehetra izay misy noho izy tena lehibe tokoa. Ao anatin’ny fianakaviamben-ny andasonia no misy ny renala. Miisa valo ny karazana reniala eran-tany ary toerana telo ihany no ahitana izany dia Afrika, Aostralia ary Madagasikara. Ny fito amin’izany dia eto Madagasikara avokoa. Ny ankapobeny momba ny renalan’I Madagasikara no andeha horesahina voalohany. Ho hitantsika ao amin’ny tapany faharoa kosa ireo soa azo avy amin’ny reniala. I. Ireo renialan’I Madagasikara. Fito no isan’ny sokajin’ny renala eto Madagasikara ka ny enina amin’ireo dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara irery ihany. 1. Adansonia grandidieri: 30 ka hatramin’ny 40m ny haavony(hauteur),ary 3m ny savaivony(diametre).Any Morondava faritra andrefan’ny nosy no misy azy. Fotsy miendrika lakolosy ny voniny, ary boribory ny voany. 2. Adansonia suarezensis, araka ny anarany dia any Diego Suarez, faritanin’Antsiranana, no ahitana azy. Mitovy amin’ny grandidieri ny voniny saingy lehibebe kokoa.

Ny Renala ( Les Baobab)

  • Upload
    nyantsa

  • View
    50

  • Download
    0

Embed Size (px)

DESCRIPTION

Madagascar, un pays riche en biodiversité. Le renala (baobab) est un des arbres qui symbolise ce pays. Il est écrit en langue malgache afin de cibler les peuples malgaches, spécialement les élèves et les étudiants, qui ignore les vertus de cette richesse à leur portée.

Citation preview

Page 1: Ny Renala ( Les Baobab)

NY RENALAN’I MADAGASIKARA

(Les Baobabs de Madagascar)

Ny renala na reniala dia teny Malagasy entina iantsoana hazo mankadiry iray fantatra amin’ny

anarana koa hoe “baobab”. Ny teny hoe baobab dia teny senegaly nalaina avy amin’ny teny arabo

hoe “bu hibab” izay midika hoe voankazo maro vihy, an-jatony mantsy ny isan’ny vihy ao anatin’ny

voan’ny renala iray. Ny Malagasy kosa niantso azy hoe renala na reniala satria toy ny izy no renin’ireo

hazo rehetra izay misy noho izy tena lehibe tokoa. Ao anatin’ny fianakaviamben-ny andasonia no

misy ny renala. Miisa valo ny karazana reniala eran-tany ary toerana telo ihany no ahitana izany dia

Afrika, Aostralia ary Madagasikara. Ny fito amin’izany dia eto Madagasikara avokoa. Ny ankapobeny

momba ny renalan’I Madagasikara no andeha horesahina voalohany. Ho hitantsika ao amin’ny

tapany faharoa kosa ireo soa azo avy amin’ny reniala.

I. Ireo renialan’I Madagasikara.

Fito no isan’ny sokajin’ny renala eto Madagasikara ka ny enina amin’ireo dia tsy hita afa-tsy eto

Madagasikara irery ihany.

1. Adansonia grandidieri: 30 ka hatramin’ny 40m ny haavony(hauteur),ary 3m ny

savaivony(diametre).Any Morondava faritra andrefan’ny nosy no misy azy. Fotsy

miendrika lakolosy ny voniny, ary boribory ny voany.

2. Adansonia suarezensis, araka ny anarany dia any Diego Suarez, faritanin’Antsiranana, no

ahitana azy. Mitovy amin’ny grandidieri ny voniny saingy lehibebe kokoa.

Page 2: Ny Renala ( Les Baobab)

3. Adansonia perrieri: mety hahatratra 30m ny haavony, hita any amin’ny faritra avaratr’I

Madagasikara. Lavalava ny voa avoakany.

4. Adansonia rubrostipa na koa hoe fony : izy no anisan’ny reniala kely indrindra satria tsy

mihoatra ny 5m ny haavony. Miendrika tavohangy ny fotony. Mivonimboasary(orange)

ny felany(pétale) sy ny lahimboniny(hétamine), manopy volomparasy kosa ny

vavimbony(pistil). Boribory ny voany. Ny « baobab amoureux »ao Belo-sur-Tsiribihina

dia anisan’ny rubrostipa.

Page 3: Ny Renala ( Les Baobab)

5. Adansonia madagascariensis iizay hita any amin’ny faritanin’i Mahajanga dia mamelana

mena matsoraka mitovy halava amin’ny lahimbony vonimboasary sy vavimbony mena.

Boribory kosa ny voany.

6. Adansonia za: mety ho tonga 30m ny haavony, ny sasany koa nefa tsy mihoatra ny

5m.Sahala aminn’ny an’ny rubrostipa ny voniny, lavalava kosa ny voany. Ny renala lehibe

indrindra eto Madagasikara izay hita any Ampanihy (Faritany Toliara) dia karazany za,

23,38m ny manodidina ny fotony(circonférence), ary mananika ny 2000 ny taonany.

Page 4: Ny Renala ( Les Baobab)

7. Adansonia digitata : izy ty dia mitovy amin’ireo karazany hita any Afrika. Somary lavalava

ny voany. Ilay hitantsika ao amin’ny renivohitr’i Maahajanga izay 21,70m ny manodidina

azy, ary efa hahatratra 800 taona.

8. Adansonia gibbosa no tokana tsy hita eto Madagasikara fa any Astralia no misy azy.

Page 5: Ny Renala ( Les Baobab)

Marihina fa mitombo ny haben’ny foton’ny renala rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny orana. Telo ka

hatramin’ny enim-bolana isan-taona ihany no ahitana raviny, ary tsy misy afa-tsy iray volana

amin’izay no mamelana izy. Mamoa mandritra ny volana maro kosa nefa izy, maitso ny lokon’ny voa

tanora ary miha-volontany(marron) izany rehefa mihamatoy, voloina ny hodiny. Volana novambra na

janoary no mamony ny renala eto Madaagasikara. Miovaova araka ny endriky ny voniny ny fomba

fitsirian’ny renala(reproduction), raha mihoaka toy ny an’ny digitata ny voniny dia ny fanihy(chauve-

souris) no mampitsiry azy, raha mitraka kosa ny voniny dia ny gidro(lémurien) na ny lolo mpivoaka

amin’ny alina(papillon nocturne) no miantoka ny fitsiriany. Mandritra ny alina mantsy ny famonin’ny

renala, manomboka misokatra ny voninkazony amin’ ny faran’ny tolakandro ary mihintsana rehefa

ho tonga ny maraina.

Mety ho velona hatramin’ny 5000 taona ny renala iray.

II. Ny soa azo avy amin’ny reniala.

Azo ampiasaina avokoa ny faritra rehetra amin’ny renala. Mety hahazoana sakafo toy ny tantely,

holatra(champignon), ravintoto. Na koa akàna akora fanaovana fanaka sy fitaovana isan-karazany na

atao fanafody koa. Santionany ammin’izany ihany no andeha hotanisaintsika.

1. Ny fotony(tronc): ny hodi-kazo nototoina dia mahatsara hoditra rehefa ahosotra. Ataon’ny

olona tafo koa izany na kikisana hanjary tady. Ny any amin’ny faritra maina toy ny any atsimo

dia misy ny mandoaka ny fotony mba hahazoana rano. Mitahiry rano 300 hatramin’ny 500

taonina ny fototra renala lehibe iray. Rehefa kikisana ny hodin-kazo dia hahazoana seva(sève)

hanaovana rihitra(pâte) fanamboarana taratasy.

2. Ny raviny(feuille) dia misy manao ravintoto. Ao koa ny mampangotraka azy mba hahazoana

tambavy noho ny ravinybe vitamina A, prôteina, sira mineraly toy ny kalisiôma, maneziôma,

Page 6: Ny Renala ( Les Baobab)

vy, pôtasiôma, manganezy, fôsfôro, zinc. Azo atao sakafo ho an’ny omby koa amin’ny

fotoanan’ny hain-tany. Any afrika dia afangaron’ny olona amin’ny lasaosy isan-karazany na

koa amin’ny “cereales” ny raviny nohamainina.

3. Ny voniny(fleur), fakàn’ny tantely maminy hahazoana tantely tena tsara karazana.

4. Ny voany(fruit), azo hanaovana ranom-boankazo sady manala hetaheta no mahasalama. Ny

nofony dia be kira(fibre) sy vitamin ary sira mineral sy fôsifôro, ary mitahiry kalisiôma in-telo

avo heny noho ny ronononomby. Misy manao menaka koa ny voany.

5. Ny vihiny(graine) izay betsaka vitamina E dia azo hanina maina toy ny voanjo na atono atao

solon-kafe. Misy koa ny manodina (transformer) azy ho savony. Ary tena zezika tsara ho

an’ny zava-maniry koa ny vihiny.

Mety tsy dia heverintsika koa nefa tena zava-dehibe ho an’ny hafa ny fialokalofana eo ambaniny sy

ny finoan’ny sasany ny vintana ateraky ny “baobab amoureux” ho an’ireo mpifankatia.

Eto am-pamaranana dia tsaara ny mampatsiahy fa noho ny fiovan’ny tontolo iainana eran-

tany ary indrindra ny fanimbana ny ala misy eto Madagasikara dia anisan’ny zava-maniry miha-lany

tamingana ny reniala. Raha ny voka-pikarohana nataon’ny manam-pahaizana dia tsy nisy zanaka

reniala naniry intsony ny faritra maro eto Madagasikara tao anatin’ny 300 na 400 taona. Adidintsika

tanora Malagasy ankehitriny no mitady vahaolana iarovantsika ity harem-pirenentsika ity.