RMDM Manome ireo teboka momba ny fanadihadian’ny Banky ......Manome ireo teboka momba ny...

Preview:

Citation preview

4Lah 1042 Alakamisy 16 jolay 2020Samihafawww.gvalosoa.com

Ny Pasitora Dr Rabenorolahy Benjamin.

Nalevina omaly tany Ambohija-naka Antananarivo Atsimon-drano ny nofo mangatsiakan’nyPasitora Dr Rabenorolahy Ben-jamin, nodimandry noho ny va-lanaretina coronavirus. Nodi-mandry ny talata 14 jolay 2020,maraina teo tao amin'ny Hopi-taly Loterana Ambohibao ity Fi-lohan'ny FLM nisotro ronono ity.Filohan'ny Fiangonana Lote-rana Malagasy na FLM teo ane-lanelan’ny 1989 sy 2004 izy. Efa

Senateran'i Madagasikara, isan’ireo notendren’ny filoha MarcRavalomanana ihany koa ny te-nany. 80 taona i Pasitora Dr Ra-benorolahy Benjamin, izaonindaosin’ny fahafatesana izao.Noho ny hamehana dia tsy todytany Toliara ny vatana mangat-siakany fa ny Foibe FLM no na-nondro ny toerana nandeve-nana azy, ka notanterahanateny Ambohijanaka izany.

Stefa

Pasitora Rabenorolahy Benjamin

Nalevina tany Ambohijanaka, nodimandry noho ny coronavirus

Faritra maro eto amin’ny Nosy no nanomboka omaly15 jolay ny taom-piotazana ny vokatra fanondrana la-vanila. Nisokatra omaly tokoa ny taom-piotazana saikamanerana ny Nosy. Faritra miisa 9 no mamokatra la-vanila eto Madagasikara. Saika omaly 15 jolay avokoano nisokatra ny taom-piotazana tamin’ireo faritra ireoaraka ny voafaritra amin’ny Didim-pitondrana iraisan’nyministera laharana faha-9734/2020 nivoaka ny 20 mey2020, niarahan’ny ministeran’ny Fambolena sy fiom-piana ary ny jono niaraka tamin’ny ministeran’ny indos-tria sy ny varotra ary ny fanjifana. Voakasik’io Didim-pitondrana io ny Faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo(littoral), Atsimo Atsinanana, Atsinanana, DIANA (hautSambirano), SAVA (littoral), Vatovavy Fitovinany arySofia (Befandriana/Bealanana/Mandritsara) zonebasse. Marihina fa mbola ny taom-piotazana lavanilamanta io nisokatra io.

Aly

Voly fanondrana

Faritra maro no nanomboka omalyny taom-piotazana lavanila

Entana maro samy hafa hita amin’ny Tranombarotra Baolai.

Vokatra lavanila, anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara.

Amin' izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao,ireo orinasa lehibe eo amin' ny sehatra tsy miankinaeto amintsika , dia miezaka ny manohy hatrany ny asa-ny arak ' izay azony atao. Anisan' izany ny Tranomba-rotra « Baolai », izay vao nanao fanavaozana goa-vambe eo amin' ny sehatra asa misy azy. « Nandritraizay 23 taona nitsanganan' ny tranombarotra izay,noho ny toedraharaha iainanan' ny firenena malagasyamin' izao fotoana izao, sambany ny nametratrahanayvao andro vitsy monja izay ny « vente en ligne », ha-hazoana ireo entana loha-laharana amin' ny kalitao atoaminay miaraka amin' ny « service de livraison ». Izanymoa dia atao ao anatin' ny fanajana tanteraka ny fihet-sika fiarovana amin'ny valanaretina coronavirus toy nyfanaovana ny maska, gel désinfectant, ny fanajana nyelanelana 1 metatra ao anatin' izany livraisons hataoizany. Maro ny entana vao tonga izay natao nifanan-drify hatrany amin' ny filana sy ny fahefana mividy nydaholobe. Toy ny fahitalavitra fisaka marika Jeyoo misymanomboka 32" hatramin ny 65" ( misy antoka 1 taona), ao ohatra ny télé Led 42" izay 689 000 Ariary. Ao koany panneaux solaires mono sy polychristalline, ampli-ficateur, subwoofer, machine à laver, réfrigérateur, syn-thétiseur, caméra de surveillance à distance… Nyantsipirian' izany rehetra izany dia ho hita ao amin' nypejy facebook « Baolai » (contact 033 37 968 88 amin'ny ora fiasana ) » hoy ny tompon ' andraikitra. Ny fa-navaozana toy izao dia mifanandrify indrindra amin' nyfilan' ny malagasy, mba hanatsarana ny endriky ny aoan-tokantrano ao, amin' ny alalalan' ny entana vaovaoamin' ny vidiny mirary, tsara kalitao sady mibika.

Aly

Tranombarotra Baolai

Miala any ny « vente en ligne »RMDM

Manome ireo teboka momba ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena

Tamin’ny alahady 12jolay dia nanambara iAndry Rajoelina, fa

misy “rapport” nataon’nyBanky iraisam-pirenena, fanisy vola 193 tapitrisa do-lara tamin’ny fanampiananataon’ny Banky iraisam-pirenena teo anelanelan’ny 2002-2010, lasa anyamin’ny “paradis fiscaux”.Mazava ho azy fa fanenje-hana ny fitondrana Rava-lomanana tamin’izany fo-toana izany no nataony.Anisan’izany ihany koa nyresaka nataony momban’ny orinasa Tiko any Vohi-diala sy ao amin’ny PortToamasina. Ireto misy fa-namarihana vitsivitsy hoyny RMDM:•Tsapa fa tsy manana iza-ny toetra maha “ hommed’Etat” izany izy satria tsymanana ilay atao hoe “honnêteté intellectuelle”,ary hita avy hatrany fa fa-nenjehana manokana an’iPrésident Ravalomananano natao.•Ny mpitondra manana ny“ honnêteté intellectuelle”,dia milaza ny marina mom-ba ilay dossier nambaran’ny Banque Mon- diale fatsy mandainga. Voalohanydia vokatry ny étude nataoiny fa tsy rapport araky nyfilazany. •Faharoa, étude tamin’ireodonnées teo anelanelan’ny taona 1990-2010 no

nanaovana ilay étude, fatsy araky ny voalazany fa2002-2010. Maninona nonesorina ny teo anelane-lan’ny 1990-2002 ? Satriave ny olona nitondra tamin’izany manohana ity fiton-drana ity, ka natao fanahi-niana nesorina sao mana-hirana ? Aza disoana nymarina fa efa zatra man-dainga loatra ianareo. •Tsy misy ny porofo fa nyfitondran’i Président Rava-lomanana no nanao ny fa-nodinkodinana ireo volaireo tany amin’ny “paradisfiscaux”. Vakio tsara ilayétude fa tsy misy anaran’olona ao na iray aza. Tsymisy ihany koa ny étudemanokana mikasika ny2002-2008 nitondrany.•Efa fahazarana ve nymanao manipulation nyvahoaka dia omena datydiso sy tsy ilazana ny ma-rina izy ireo?•Nametraka fitokisana an’ny fitondran’i PrésidentRavalomanana ny mpa-matsy vola tamin’iza-nyandro izany, ary porofon’izany ireo fotodrafitr’ asamaro vita, làlana, fampidi-rana ny zaza Malagasynianatra, ny CSB izay tenailain’ny vahoaka any am-banivohitra lavitra, sns...•Mbola ny fitondrana Rava-lomanana no nanombokaniady tamin’ny kolikoly arynametraka ny Bianco sy ny

Samifin ary nahazo famat-siam-bola ho an’ny PGDI.•Mbola manamafy izahay,fa tsy “homme d’Etat” iza-ny Andry Rajoelina, ary tsymanana “ honnêteté intel-lectuelle”, ary tsy mananahambom-po, fa mpanaomanipulation vahoaka. Izano nilaza ren-tany ren-da-nitra fa tsy hiankina amin’ny mpamatsy vola maha-zatra, indrindra ny BanqueMondiale sy ny FMI. Rahatena “homme d’Etat” izydia tokony nitazona izanyteny izany ary nandà tsynandray ireo fanampianaavy any amin’ ireo mpa-matsy vola izay lazainy famahatoky azy. •Momba ireo orinasan’nyTiko any Vohidiala na ilayany amin’ny Port Toama-sina, dia misy con-trat nifa-naovana daholo ireo, fa tsyfaly ny hanenjika fotsiny.•Ny fitondrana tetezamitaihany koa no nangalatra nyfananan’ny Tiko toy nyvary tany amin’ny PortToamasina, nandoro ireoMagro manerana ny Nosy,nangalatra ireo fiara sy ca-mions samihafa. Manain-ga ny olona rehetra izaymanana porofo na ihanykoa nahita ireo mba hit-sangana ary hanatonaanay hoy ny RMDM.•Ianareo izay simba fana-nana nandritry ny fanonga-nam-panjakana sy ny

tetezamita ihany koa diamitsangàna miaro ny fa-nana- nareo.•Satria milaza fa tsy nano-dinkodina vola izy, dia ma-nao antso avo amin’ nyolona rehetra izay potikafananana tamin’ny “lundinoir 2009”, satria maro ireoolona very asa, very fana-nana ary hatramin’izaombola tsy nandoavanadommage et intérêts izyireo nohon’ny famporisi-hana nataon’i Rajoelinanandritry ny fanonganam-panjakana.•Avoahay ny marina mom-ban’ny vola namarotanany harem-pirenena tanySoalala, ny fanondrananabois de rose izay misy vidéomihitsy mikasika an’io boisde rose io, fa Rajoelina diaanisan’ny nanao an’io, aryny vidin’ny avion “force one1” izay namidinareo. Vo-lam-bahoaka daholo ireny.•Avoahay ny nampiasanaireo fanampiana 500 tapi-trisa dolara amerikana ma-hery iadiana amin’ny coro-navirus ity. Ataovy ny man-garahara fa inona no hafe-ninareo kanefa ny vaho-aka Malagasy nomena ireovola ireo tena sahirana.Aza zatra manao diversionloatra rehefa tsy mahaymitantana sy mifehy ityaretina coronavirus ity, hoyihany ny fanambarana.

Helisoa

Ady amin’ny covid-19

Tsy ho hitan’ny vahoaka intsony izay ilaharana ny farany

Tamin’ity herinandro ity dia ma-nomboka milahatra eny amin’nytobim-pahasalamana fototra naCSB ny vahoaka. Eo ireo mihe-vitra efa ho misy soritr’aretinaamin’ity valanaretina covid-19ity, ny hafa kosa manahy sao hovoa dia mankany hanao fitilianana haka fanafody fisorohana,na ho amin’ny aretina hafaihany koa no mahazo azy. Vaomaraina be dia efa misy ireo mi-lahatra eny amin’ireny tobim-pahasalamana ireny. Eny akai-kin’ny fonenan’ireo mponinaihany rahateo no misy azy ireny,ao amin’ny fokontany na kao-mina misy azy. Ny hita anefa araka ny fanadi-hadiana, dia misy tsy fahato-mombanana hatrany eny amin’ireo tobim-pahasalamana. Misyny mpitsabo, fa mety tsy ampyny isany, misy tena miady irerymisahana ireo olona manatonaao. Na manao izay vitany aza

ny mpitsabo sy mpiara-miasaaminy amin’ny fandraisana ireoolona tonga ao aminy, ny olanaindray dia eo amin’ny resaka fi-taovana ampiasaina. Misy ireomilaza fa tsy mbola tonga aoaminy na tsy feno ny fitaovanaiatrehana ny fitsaboana ireomararin’ny valanaretina ary diatsy mandray izy ireo, fa man-defa avy hatrany ny misy so-ritr’aretina any amin’ny toeran-kafa voatondron’ny fanjakana.Ankoatra ny fitaovana dia eoihany koa ny olana ara-pana-fody. Tsy tomombana na tsyampy ny fanafody eny amin’ireny toeram-pitsaboana fototraireny, ka sahirana araka izanyny mpitsabo. Ho an’ny marokoa anefa raha ny fahalalanyhatreto, dia tsy ny CSB rehetrano afaka mandray azy amin’nyfitsaboana ity valanaretina ity.Ohatra, nolazain’ny filohan’nyRepoblika fa efatra (4) ny CSB

afaka mandray any amin’ny dis-trikan’Antananarivo Atsimon-drano. Mazava loatra fa tsyizany no misy any, fa ho an’nyvohitr’Ambohidrapeto sy Itaosyfotsiny dia efa feno ireo isa ireo.Dia ahoana ny any amin’ireo ta-nàna hafa ao anatin’ity distrikaity?Ny hita aloha hatreto, dia marony olona no tsy mihevitra int-sony hankeny amin’ireo toerananotondroin’ny fitondrana ho fa-naovana fitiliana sy fitsaboana.Anisany mahatonga izay nyvaovao henony toy ny hoe: fenona tsy mandray afa-tsy ireomisy soritr’aretina, na ihany koaeo amin’ny lafiny fandraisana,ny fitiliana sy ny fitsaboana nymarary. Hitany sy reny ireozava-nitranga samihafa na tetoAntananarivo na tany Toama-sina ireny. Izay no mitarika azyhamonjy tobim-pahasalamanafototra na any amin’ireo mpit-

sabo tsy miankina. Any amin’ityfarany koa izao dia efa miha-to-totra asa. Miha-maro ihany koaireo olona manatona azy ireoamin’izao fotoana izao. Koa rehefa be olona milahatraeny amin’ireo toerana noton-droin’ny fitondrana toy ny enyAndohatapenaka, be ireo olonamamonjy ny CSB sy ireo mpit-sabo tsy miankina, ho aiza nyolona amin’ny farany? Ny “pic”ity lazaina fa mbola any amin’nyfaran’ny volana aogositra. Nyisan’ireo olona voa amin’nytranga vaovao tsy latsaky ny200 intsony ary hita ho mihaza-kazaka isan’andro izany. Namisy aza lazaina ho olona si-trana, tsy maharesy tosika ha-trany ny fitomboan’ny isan’ireovoa. Amin’arivony no mbola ta-zonina tsaboina sy arahi-maso.Mbola ho tantara be izy ity.

Radafy

Recommended