Ny fiangonana sy ny teknolojia vaovao

Preview:

Citation preview

Ny fiangonana sy ny Teknolojia vaovao

Fampahafantarana mombany Teknolojia vaovaon’ny fifandraisana

sy ny fanampariaham-baovao (NTIC)

Ny NTIC dia mampitambatrany teknika ilaina @fikirakirana sy ny fampitànany vaovao, indrindra ireoizay mikasika ny« informatique », ny« internet » ary nyfifandraisan-davitra

Ny NTIC manodidina ny fiainam-panahy

• Ny fitaovam-pifandraisana ve tena manampyamin’ny Fitoriana ny Filazantsara?

• Maharaka tsara ny fivoaran’ny Teknikam-pifandraisana ve isika?

• Mampiasa ny fitaovana ary fomba ve isikahitoriana ny Filazantsara maneran-tany?

Manoloana ny fanatontoloana dia mampametra-panontaniana ny zava-tsoa sy ny zava-dratsy aterakyny NTIC eo amin’ny fiainam-panahy: fomba ahoanano ataon’ny kristiana hisarihana ny hafa eoamin’izao tontolo izao?

• Ho sakanana ve sa hotezaina ny olonahampiasa ny fitaovam-pifandraisana? Tsyazon’ny Kristiana ampiasaina ve nytambazotran’ny Facebook, ohatra, mbahampitana ny hafatry ny Filazantsara?

• Inona ny lafitsara sy lafiratsy entin’ny NTIC eoamin’ny fiaraha-monina?

• Tsy efa fotoanan’ny firosoana sy fiampitanaamin’ny kolontsaina vaovao ve izao kahianarana, hirotsahana eo amin’izao tontoloizao, ary hanekena an’izany AM-PAHENDRENALALINA mba hahafahan’ny Fiangonanamamaly ny antso nanirahana Azy?

• Amin’ny maha-olomboafidy antsikahikirakira ireo fitaovana ireo,ahoana no ataontsika hitehirizanany vaovao sy ny hanolorana azyamin’ny manodidina mbahisian’ny firindrana eo amin’nyfiainantsika eo anivon’ny fiaraha-monin’ny fanjifana?

• Ahoana ny hisehoantsikamandrakariva eo amin’nytranonkala sy hihazonana nyfiombonana eo amin’ny finoana?

Ny voka-dratsin’ny NTIC

• Fanadinoana ny tena sy ny hafa

• Fitiavan-tena

• Ny fahaverezan’ny maha-izy anao ary nyfiroboana amin’ny fahavetavetana, nyfanandevozana sy ny fahagejana

• Tsy fahampiam-pitiavana

• Ny lainga, ny halatra

• Tsy fahafantarana ny toeranao eo anivon’nyfiainam-pinoana

• Tsy fisian’ny arofanina eo amin’ny toetra ara-moralin’ny fiaraha-monina

• Fironana amin’ny zavatra hita maso

• Fisarahana amin’ny fiainam-piaraha-monina

• Manelingelina ny fiainam-bavaka

Ny lafitsaran’ny NTIC

• Mampitombo ny talentan’ny famoronana

• Fahazoana mitrandraka vaovao mora sy haingana

• Fanamorana sy fanafainganana ny asa

• Fisokafana amin’izao tontolo izao (fampianarana, fahalalana)

• Firaisan-tsaina (fiantrana, fiombonana…)

• Fitsimbinana vola sy fotoana

• Fifanakalozana mora sy amin’ny sandany mirary

Ny tontolon’ny Fiangonana

• Fampianarana ny fikirakirana ny NTIC: solosaina, finday, projecteurs, Tablettes, sns…

• Famokarana fandaharana amin’ny haino aman-jery

• Fampitaovana fahitalavitra ho an’ny vondron’olona tsyafaka hanana izany

• Fanofanana ny tanora momba ny kolontsain’ny NTIC sy ho liana amin’izany

• Fampahafantarana amin’ny vahoaka ny vokadratsin’nyNTIC

• Fananan’ny Fiangonana isan-tokony tranonkala aryhandraisan’ny tanora andraikitra amin’izany

• Fampiasana ny NTIC amim-pahendrena lalina

Manodidina ny ara-panahy

• Fandalinana ny fifandraisana manokanaamin’Andriamanitra

• Fampianarana ny tanora hikolokolo ny fahafahanaanaty

• Fampiasana ny NTIC handalinana ny fiainam-panahin’ny tsirairay sy ny an’ny vondrom-bavaka

• Mampivelatra ny fisokafana amin’izao tontolo izao(gazety, tranonkala…)

• Mitory an’i Kristy amin’ny alalan’ny tranonkala• Mandamina ny fihaonana amin’ny alalan’ny

tranonkala• Mampiasa ny fitaovan’ny tranonkala (mozika, feo,

sary…)

Ny fijoroana vavolombelona ao amin’nytranonkala dia hanefena ny hafa (misy fihaonanaateraky ny fitiavana an’Andriamanitra)

Ny tranonkala dia ho fampitaovana sy hofamporisihana ny fitsanganan’ny vondrom-bavaka

Fehiny

• Ny NTIC ampiasaina am-pahendrena diafitaovana sarobidy iray hamonjena Fanahymaro.

• Ny Fiangonana sy ny rafitra misy eo aminy diatokony havitrika mandrakariva ao amin’iosehatra io, ka hisaina ny fiatraikan’izany eoamin’ny fiaraha-monina ankehitriny sy nyfifandraisan’ny samy kristiana.

• Ireo teknolojia ireo dia fitaovana matanjaka hofanapariahana ny hevitra sy ny soa-toavina arytokony ho ampiasaina hampanjakana fiaraha-monina marina ao anaty firaisan-kina.

Ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona iray diamahakasika ny kolontsainy koa.

Noho izany:

- Tokony hifankazatra amin’ny kolontsaim-pifandraisana(culture de la communication) isika, ary hanana toetramahay manadihady sy mahay mandravona am-pitandremana, am-pahamalinana, ka ho tonga raiki-tapisaka ao anaty izany.

Fanambin’ny Fiangonana sy ny kristiana

- Tokony hahay hitory ny Filazantsara amin’ny fombafitenin’ny teknolojia vaovao sy ny serasera vaovao isika.

Ny tranonkala dia sehatra iray ahafahan’ny tanoraindrindra mandray ny hafatra kristiana.

Izany anefa dia tokony hamafisiny amin’ny traikefaiainany manokana eo anivon’ny mpiara-manompo

Ny fahafahana lehibe ahazoana mifandrayamin’ny alalan’ny tranokala dia mitaky toetramahay milefitra sy misokatra mba hahafahanamiroso am-pahatokiana ao amin’ny sehatry nyfahalalana sy ny vaovao tsy hita lany azorantovina avy aminy.

Noho izany ilaina ny fanavaozana ny andraikitryny Mpitory Filazantsara mba tsy hiantehatraamin’ny fahefana ananany fa amin’ny fahaizanamifandray, mamporisika, manoro ny lalanasamihafa entina hamahana ny olana.

Ho famaranana, dia ambara fa tokony hiovatanteraka isika ka ho tonga manam-pahaizanamanokana (experts) amin’ny fampitam-baovaosy ny fampiofanana maharitra. Fampiofananamifantoka amin’ny ara-teknika, teolojika aryamin’ny fahamatoran’ny tena amam-panahy.

Ho an’Andriamanitra irery anieny voninahitra!

Recommended