Upload
others
View
88
Download
0
Embed Size (px)
Citation preview
UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
ECOLE NORMALE SUPERIEURE
DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE
CER LANGUE ET LETTRES MALGACHES
____________________________________
MEMOIRE DE FIN D’ETUDES POUR L’OBTENTION DE C.A.P.E.N.
(CERTIFICAT D’APTITUDE PEDAGOGIQUE DE L’ECOLE NORMALE)
HAIFAMPIANARANA NY FANABEAZANA
MOMBA NY TONTOLO IAINANA AO
AMIN’NY TARANJA MALAGASY
Présenté par Herinandrasana Harinivo RASOAFARANIAINA
Directeur de mémoire : Suzette Malalatiana RATIARAY
Maître de conférences
Antananarivo
Février 2016 Date de soutenance : 10 Février 2016
UNIVERSITE D’ANTANANARIVO
ECOLE NORMALE SUPERIEURE
DEPARTEMENT DE LA FORMATION INITIALE
CER LANGUE ET LETTRES MALGACHES
____________________________________
MEMOIRE DE FIN D’ETUDES POUR L’OBTENTION DE C.A.P.E.N.
(CERTIFICAT D’APTITUDE PEDAGOGIQUE DE L’ECOLE NORMALE)
HAIFAMPIANARANA NY FANABEAZANA
MOMBA NY TONTOLO IAINANA AO
AMIN’NY TARANJA MALAGASY
Présenté par Herinandrasana Harinivo RASOAFARANIAINA
Directeur de mémoire : Suzette Malalatiana RATIARAY
Maître de conférences
Antananarivo
Février 2016 Date de soutenance : 10 Février 2016
i
TENY FISAORANA
Ny asa fikarohana toy itony dia toy ny “Tao-trano tsy efan’ny irery.” Nisy
herim-po, herin-tsaina natambatambatra tao. Koa izany indrindra no mahatonga anay
hanolotra fisaorana ho an’ireo izay nanam-piniavana hiara-misalahy aminay, ka
nahatonga anay ho tonga amin’izao fiafaran’ny asa izao.
Misaotra an’Andriamatoa Talen’ny Ecole Normale Supérieure Ampefiloha sy ny
mpandraharaha rehetra ao aminy. Singanina manokana koa Andriamatoa
RANDRIAMAHAZO Jean Claude, mpiandraikitra ny Sampana Teny sy Soratra
Malagasy ; Andriamatoa RAHARIJAONA Alphonse, ray mpiahy ny andiany SOLOFO
misy anay. Tsy hadinoina ireo mpampianatra rehetra izany namolavola anay nandritra
ny fotoana niofananay.
Fisaorana feno mitafotafo kosa no atolotra ho anao Ramatoa RATIARAY
Suzette Malalatiana, nitarika anay nandritra ny fotoana rehetra nanaovana izao
fikarohana izao. Tsy mba nataonao ambanin-javatra, tsy nitandroanao hasasarana ny
nanoro hevitra sy nitari-dalana anay, ny nizara ny fahalalana sy fahaiza-manao
anananao hahalavorary izao asa izao. Hotahiana hatrany anie ny harin’ny tananao.
Tolorana fisaorana etoana Ramatoa RAMANAMBELINA Henriette, nanaiky ho
filoha mpitarika izao asa fanohanana izao. Fa na dia teo aza ireo adidy amana
andraikitra maro sahaninao dia tsy nandà ny fiangavianay ianao, fa nandray am-
pitiavana izany. Misondrota voninahitra hatrany, tompoko.
Tolorana fisaorana manokana ihany koa Ramatoa RAKOTOSON Sahondra
Olivia, nanaiky hitsara izao asa izao. Mankasitraka indrindra amin’ireo torohevitra sy
ny fanitsiana natolotrao ho fanatsarana izao asa fikarohana izao. Ho ambinin-java-
manasatra anie ianao, tompoko.
Isaorana koa ny Fondation Tany Meva izay nanampy anay tamin’ny
fanatanterahana ny fitsidihana tany amin’ny faritra Ranomafana Ifanadiana ny taona
2008 sy ireo izay rehetra nanampy anay tany an-toerana tamin’ny fandavorariana ny
fanadihadiana natao tany.
Isaorana toy izany ny mpiandraikitra ny sekoly vitsivitsy nohatoninay sy ny
mpampianatra malagasy sasantsasany tao aminy (CEG sy Lycée Ambatolampy
Ambonivohitra, Lycée Antsampandrano Ambatolampy, Lycée Chetien AGORA
Talatamaty, Lycée Privé Espoir Ambohimangakely, Lycée Jules Ferry Antananarivo)
izay nanaiky ny hanaovanay fanadihadiana mba hahafaha-manatontosa izao asa izao.
ii
Mankasitraka ihany koa ny vady aman-janaka, ny Ray aman-dreny, ny mpiray
tampo ary ny fianakaviana, ny tapaka sy namana nanohana anay hatramin’ny farany.
Tsy hadinoina ny mpiara-mianatra nifanampy sy nifanohana taminay. Hambinina
amin’izay atao anie ianareo ary tsy ho diso ny sambatra.
RASOAFARANIAINA Herinandrasana Harinivo
iii
FANOROAM-PEJY Teny fanolorana…………………………………………………………………………..i
Fanoroam-pejy………………………………………………………………………….iii
Dikateny...……………………………………………………………………………...vii
Lisitry ny lahatsoratra…………………………………………………………………...ix
Lisitry ny sary…………………………………………………………………………...xi
Lisitry ny fafana………………………………………………………………………..xii
Lisitry ny kisary……………………………………………………………………….xiii
Lisitry ny tantara an-tsary sy takela-by………………………………………………..xiii
0 TENY FAMPIDIRANA
0.1 Olana…………………………………………………………………………………1
0.1.2 Olana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena………………………………1
0.1.2 Olana eo amin’ny fampianarana taranja malagasy………………………2
0.1.3 Olana eo amin’ny haifampianarana……………………………………...3
0.2 Lohatenin’ny asa fikarohana………………………………………………………...3
0.3 Zava-kendrena……………………………………………………………………….3
0.4 Hevitra fototra ilafihan’ny asa……………………………………………………….5
0.5 Fomba fiasa…………………………………………………………………………..6
0.6 Fetran’ny asa.………………………………………………………………………...7
0.7 Olana teo am-panatanterahana ny asa..……………………………………………...8
0.8 Drafitra……………………………………………………………………………….8
1. NY ANJARA TOERAN’NY TONTOLO IAINANA AO AMIN’NY
TARANJA MALAGASY
1.1 Ny tontolo iainana sy ny filôzôfia malagasy ………………………...…………….10
1.1.1 Ny Malagasy sy ny fiheverany ny tontolo………………………………..11
1.1.1.1 Famaritana ny tontolo iainana…………………………………..11
1.1.1.2 Ny singa mandrafitra ny tontolo………………………………..12
1.1.1.2 Ny fifandraisana eo amin’ireo tontolo ireo……………………..14
1.1.2 Ny rafi-piainan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana………………………15
1.1.2.1 Ny fiainan-tsosialin’ny Malagasy sy ny tontolo iainana………16
1.1.2.2 Ny fiainam-pitantanan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana……18
1.1.2.3 Ny fiainan-toe-karen’ny Malagasy sy ny tontolo iainana……...20
iv
1.1.2.4 Ny fiainam-panabeazan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana…..20
1.1.2.5 Ny kolon-tsaina amam-pivavahan’ny Malagasy sy ny tontolo
iainana………………………………………………………………….21
1.1.3 Ny kolontsaina amam-panao malagasy manimba ny tontolo iainana…….27
1.2 Ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy ……………………………….…30
1.2.1 Araka ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny MEN…………………30
1. 2.1.1 Ny tontolo iainana ao amin’ny fampianarana literatiora………30
1.2.1.2 Ny tontolo iainana amin’ny fampianarana riba ……..………….32
1.2.1.3 Ny tontolo iainana ao amin’ny fampianarana haiteny …………………………35
1.2.2 Eny anivon’ny sekoly.……………………………………………………36
1.2.3 Fanamarihana……………………………………………………………..37
1.3 Ny fantsom-pampitam-pahalalana ao amin’ny taranja malagasy…………………..38
1.3.1 Ny fitaovana enti-mampianatra araka ny fandaharam-pianarana
novolavolain’ ny MEN………………………………………………………...38
1.3.2 Ny fitaovana enti-mampianatra eny anivon’ny sekoly…………………...39
1.3.3 Tsikera eo amin’ny lafiny fitaovana enti-mampianatra…………………..39
2. HAIFAMPIANARANA TARANJA MALAGASY MIRINDRA AMIN’NY
TONTOLO IAINANA AFOTOTRA AMIN’NY LAHATSORATRA
2.1 Fampianarana sokajin-dahatsoratra mirindra amin’ny tontolo iainana…………….44
2.1.1 Ny lahatsoratra manoritsoritra……………………………………………45
2.1.1.1 Enti-mampahalala………………………………………………47
2.1.1.2 Natao ianohana ny kanto……………………………………….51
2.1.1.3 Manamarika fiarahamonina…………………………………….54
3.1.1.4 Enti-mandresy lahatra…………………………………………..57
2.1.2 Ny lahatsoratra mitantara…………………………………………………59
2.1.2.1 Ny tontolo iainana enti-mamefy tantara………………………...59
2.1.2.2 Ny lovantsofina mifaningotra amin’ny tontolo iainana………...65
2.1.2.3 Ny tantara mifono anatra miorina amin’ny tontolo iainana…….67
2.1.3 Ny lahatsoratra manazava………………………………………………...72
2.1.3.1 Manome lanja ny tombontsoa azo avy amin’ny tontolo iainana.72
2.1.3.2 Miorina amin’ny fahalalana ny tontolo iainana………………...74
2.1.3.3 Maneho ny voka-dratsin’ny asan’ny olombelona eo amin’ny
tontolo iainana…………………………………………………………..77
v
2.1.3.4 Maneho ny atao ho fikajiana ny tontolo iainana………………..80
2.1.4 Ny lahatsoratra mandresy lahatra………………………………………...82
2.1.4.1 Aorina amin’ny lafin-javatra azon’ny olona isitrahana ao amin’ny
tontolo iainana………………………………………………..................83
2.1.4.2 Aorina amin’ny famotsipotsirana ireo asan’ny olona manimba ny
tontolo iainana…………………………………………………………..87
2.1.4.3 Aorina amin’ny fahalalana ny tontolo iainana……………….....88
2.1.4.4 Mitaona ny olona hikajy ny tontolo iainana…………………….89
2.2 Fampianarana riba mirindra amin’ny tontolo iainana……………………………...90
2.2.1 Riba mirakitra fombafomba………………………………………………91
2.2.2 Riba mirakitra finoana……………………………………………………94
2.2.3 Riba maneho tsangan-kevitra……………………………………………..97
3. HAIFAMPIANARANA TARANJA MALAGASY MIRINDRA AMIN’NY
TONTOLO IAINANA AFOTOTRA AMIN’NY TSILONTSAIN’NY BEAZINA
3.1 Fampianarana miainga amina sary na sary arahin-tsoratra………………………...99
3.1.1 Ny sary…………………………………………………………………..100
3.1.2 Ny tantara an-tsary.……………………………………………………...101
3.1.2.1 Ny vontoatin’ny sary…………………………………………101
3.1.2.2 Ny fomba entina maneho ny sary……………………………102
a) Fanehoana ankapobeny ny sary…………………………….102
b) Ny fitodiky ny sary…………………………………………104
3.1.2.3 Ny lafiny akana ny sary ……………….…………………………105
3.1.2.4 Ny endriky ny fefin’ny sary …………………………………..106
3.1.2.5 Ny fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara.………………….107
3.1.2.6 Ny azo ikirakirana ny tantara an-tsary ao amin’ny taranja
malagasy……………………………………………………………...108
3.1.3 Ny takela-by ………………..…………………………………………...117
3.1.3.1 Ny fandrafetana lohateny.…………………………………….118
3.1.3.2 Ny fandrafetana ny vontoatiny………..………………………118
3.1.3.3 Eo amin’ny famoronana ny sary………………………………120
a) Ny fandaminana ny sary mba hanamora ny famakiana azy..120
b) Ny fomba entina maneho ny sary…..………………………121
3.1.3.4 Ny fampiasana loko……….………………………………….121
vi
3.1.3.5 Ny azo ikirakirana ny takela-by ao amin’ny taranja malagasy.124
3.2 Fampianarana miainga amin’ny kisary mandranitra saina na mind-mapping…….128
3.2.1 Ny tanjon’ny kisary mandranitra saina………………………………….128
3.2.2 Ny paikam-pamoronana kisary mandranitra saina……………………...129
3.2.3 Ny maha-zava-dehibe ny kisary mandranitra saina…………………….131
3.2.4 Ny ampiasana ny kisary mandranitra saina ao amin’ny taranja malagasy
………………………………………………………………………………..132
3.2.3.1 Famintinana lesona……………………………………………132
3.2.3.2 Famelabelaran-kevitra………………………………………....132
3.2.3.3 Tatitra………………………………………………………….133
3.2.3.4 Fizakan-tenan’ny beazina amin’ny fianarany…………………133
3.3 Fampianarana eny anivon’ny tontolo……………………………………………..133
3.3.1 Ny anarana samihafa iantsoana ny fampianarana eny anivon’ny tontolo133
3.3.2 Ny endrika isehoan’ny fampianarana eny anivon’ny tontolo…………..134
3.3.3 Ny maha-zava-dehibe ny fampianarana eny anivon’ny tontolo………...136
3.3.3.1 Eo amin’ny fandrantoam-pahalalana………………………….137
3.3.3.2 Eo amin’ny fampivelarana ny maha-olona……………………138
3.3.3.3 Eo amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana………….140
3.3.3.4 Eo amin’ny haifampianarana………………………………….140
3.3.3.5 Eo amin’ny fampianarana teny………………………………..141
3.3.4 Ny fahaiza-manao isitrahan’ny beazina…………………………………142
3.3.4.1 Ny fahaiza-mametraka fanontaninana………………………...143
3.3.4.2 Ny fahaiza-mandray naoty……………………………………145
3.3.4. 3 Ny fahaiza-miaina…………………………………………….147
3.3.4.4 Ny fahaiza-manao tatitra………………………………………148
TENY FAMARANANA……………………………………………………………..153
Boky nanovozan-kevitra……...……………………………………………………….157
Rakibolana…………………………………………………………………………….160
Boky aman-gazety nakana ohatra……………………………………………………..160
Tranonkala nanovozana hevitra……………………………………………………….162
Tovana I- Ny karazana rohivoaary mirakitra ny karazana faritra…………………….163
Tovana II - Ny takela-by azo ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampianatra………………….168
Tovana III- Fanontaniana nanaovana fanadihadiana mpampianatra teny anivon’ny sekoly….170
vii
DIKATENY
Angle de vue : ny lafiny akana ny sary
Bande dessinée : tantara an-tsary
Biocénose : faritra onenan’ny zava-manana aina
Biodiversité : fahasamihafana ara-boajanahary
Biotope : andian-java-manana aina miara-monina amina faritra iray
Cadrage : fefin’ny sary
Cadre horizontal : fefin-tsary mivelatra amin’ny lafiny marindrano
Cadre rectangulaire ou carré : fefin-tsary miendrika mahitsizoro na efamira
Cadre rond ou oval : fefin-tsary boribory na miendrika atody
Cadre vertical : fefin-tsary mivelatra amin’ny lafiny mitsangana na mijidina
Cadre : fefin-tsary
Chaîne alimentaire : fifandrohizana ara-tsakafo
Charbon de terre : arin-tany
Complexe : saro-draisina
Consommateur primaire : mpihinana andiany voalohany (mivelona amin’ny
fihinanana zavamaniry: herbivore)
Consommateur secondaire : mpihinana andiany faharoa (mivelona amin’ny fihinana
nofon-javatra : carnivore)
Consommateur tertiaire : mpihinana adiany fahatelo (tsy mifidy sakafo fa mihinana
azy rehetra : omnivore)
Consommateur : mpihinana
Décomposeur : mpamotika
Défriché(e) : notevena
Dessin : sary natao tanana
Développement durable : fampandrosoana maharitra
Développement humain durable : fampandrosoana ny maha-olona maharitra
Eco-gestion : fitantanana ireo harena voajanahary
Ecosystème : rohivoaary
Education par l’environnement : fanabeazana mifototra amin’ny tontolo iainana
Education pour l’environnement : fanabeazana mitsinjo ny tontolo iainana
Education relative à l’environnement : fanabeazana momba ny tontomo iainana
Environnement : tontolo iainana
Equilibre écologique : fifandanjana eo anivon’ny tontolo
viii
Exploité(e) : notrandrahana
Frugivore : biby mivelona amin’ny voankazo
Géstion durable : fitantanana maharitra
Gros plan : drafi-tsary manakaiky
Incendié(e) : may
Intelligence multiple : tsilontsaina marolafy
Intelligence : tsilontsaina
Interdisciplinarité : fifanohinan-taranja
Mots clefs : teny fototra
Personnage de trois quart : sary maneho ny telo am-pahefatry ny mpandray anjara
Personnage en face : sary manatrika
Personnage de profil : sary mihorirana
Photo : sary pihina
Plan américain : drafi-tsary amerikana
Plan d’ensemble : drafi-tsary ankapobeny
Plan moyen : drafi-tsary amin’ny antonony
Plan rapproché : drafi-tsary ampanakaikezina
Plan : drafi-tsary
Point de vue : ivom-pijery
Potentiel de cerveau : vaikan’ny atidoha
Producteur : mpamokatra ( izay zavamaniry)
Question ouverte : fanontaniana misokatra
Question miroir : fanontaniana mitaratra
Question fermée : fanontaniana mikatona
Question suggestive : fanontaniana mitaky soso-kevitra
Question piège : fanontaniana misy fandrika
Récit en touché : tantara mifampitohy miandalana
Récit en trame : tantara miorina amina lafin-javatra marosamihafa mifampiankina na
mifamaly na mifanindran-dalana
Récit linéaire : tantara mitomandavana
Relation trophique : fifampilana ara-boajanahary
Ressource naturelle : tahirin-javaboary
Très gros plan : drafi-tsary tomorina akaiky
Vue contre plongée : sary pihina avy aty ambany
Vue horizontale ou normale : sary pihina manatrika na anoloana
ix
Vue oblique : sary pihina mihorirana
Vue plongée : sary pihina avy any ambony
FANAZAVANA FANAMPINY
1- Lisitry ny lahatsoratra
N° Lahatsoratra Pejy 1 Ny tontolo araka ny filôzôfia malagasy, Antoine RAHAJARIZAFY, Ohabolana
malagasy : fisavasavana, p.14
11
2 L’office du livre malgache, Deux mondes en présence, p.15 16
3 “Kitay telo an-dalana”, DHALE, Anganon‟ny Ntaolo, p.176 17
4 “Ny famantaran-taona malagasy”, Rev. COUSINS, Fomba Malagasy, p. 20-21 18
5 “Isa ny amontana: ny fahendrena notsoahina avy amin’ny zavamaniry”,
RANDRIAMIADANARIVO, Isa ny amontana, p.11
19
6 “Ny nofin’izy telo mirahalahy”, Anganon‟ny Ntaolo, p.158-159 19
7 “Sarobidy ny tanindrazana”, RAKOTOHOVA Clet, Fokonlona sy fivoarana 23
8 “Ala faditra”, Rev. COUSINS, Fomba Malagasy, p.88 25
9 “Ny fody”, narindra avy amin’ny lahatsoratra nosoratan’i Jaennot RAROJO,
“Guides des oiseaux de Madagascar ” in Vintsy n°15, p.25
47
10 “Ny komanga”, Malagasy tokana, p.50 48-49
11 “Ny ala honko”, BAKKE J.E., Madagasikara: ilay Nosy mbola nahatahiry ireo
lovany mandraka ankehitriny, p.11
50
12 “ Ny ala tsy misy aloka”, BAKKE J.E., Madagasikara: ilay Nosy mbola
nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny, p.13
51
13 “Sôva momba ny omby”, Dikan-teny malalaka avy tamin’ny Sôva Tsimihety
nangonin’i DANDOUAU, Tohana fanomanana fanadinana SFEPCES
52
14 “ Lohataona” ,RAFANOHARANA , Ilay veromanitra, tak.5 53
15 Ikelimahery”, Ny Avana RAMANANTOANINA 54
16 Mitaraina ny tany, Andry ANDRAINA, tak.27 55
6 Ilay savony gasin’ny mahantra, DONDAVITRA in Takelaka notsongaina, p.
182
56
17 Zazavavindrano, Emilsona Daniel ANDRIAMALALA, p. 88-89 58
18 “Fialan-tsiny amin’ny kabary am-panambadiana”, Job Rakotojaona, Mahay
mikabary, p.11
58
19 “Ririnina sy lohataona”, Auguste RAJON in Takelaka notsongaina II, p. 231 60
20 “Efa lasa ny zavatra taloha”, Harioley in Takelaka notsongaina II, p.224 62
21 “Ny havesatry ny harena”, Auguste RAJON in Takelaka notsongaina II, p. 161 62
22 “Ilay adalako”, Hectorine B. in Takelaka notsongaina, p.254 64
23 “Ilay adalako”, Hectorine B. in Takelaka notsongaina, p.254 65
24 “I Langaina sy ny fody”, Hery Manantsoa RAROJOSON in Vintsy n° 2, p.25 66
25 “Ny goaika”, MAKSIM Lucien in Vintsy n°22-23, p.50 66
26 “Ilay Fihamy ao Miary”, Collège Français de Tuléar, Guide touristique et
culturel de Tuléar et sa région, p.11
67
27 “Analamaitso, Analaringitra”, MAKSIM Lucien in Vintsy n° 26, p.18 68
28 “Marofia”, MAKSIM Lucien in Vintsy n°32, p.15 68
29 “Ilay voninkazo kely”, Myriam KRAFT, Vintsy n°50, p.66 69-70
30 “Iza no zokiny?”, RABENANDRASANA Lalao François, Angano vakina boky
faharoa, p.15
70-71
31 “Ny masoandro sy ny zavona”, RABENANDRASANA Lalao François, Angano
vakina, boky faharoa, p.21,
71
x
N° Lahatsoratra Pejy 32 “Ny ala mikitroka”, Anja RABARISON sy Hans RAJAONERA in Vintsy n°29,
p. 20-21
72-73
33 “Ny talapetraka”, RASOLONORO Jeannette, Documentation CNRP in Vintsy
n°22-23, p.16
73
34 Alaotra sy ny zetra, Anja RABARISON sy Hans RAJAONERA, “Durrell
Wildlife Conservation Trust”, Vintsy n°28, p.20-21,
74
35 “Isa ny amontana”: ny fahendrena notsoahina avy amin’ny zavamaniry,
Randriamiadanarivo, Isa ny amontana, p11 74
36 “Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy”, RAINANDRIAMAMPANDRY,
Lahatsoratra voafantina, p.134-135
76
37 Mitaraina Rabekirany”, BEKIRANY in Vintsy n°25, p.23 78
38 “Ala : omaly, anio, ampitso”, Jeanot RAROJO in Vintsy n°26, p.23, 79
39 “Ny zaridaina kely fambolena na microjardin” in Vintsy n°68, p. 19-21 80-81
40 “Ireo faritra andrian’ny rano”, notsoahina tao amin’ny resadresaka nataon-
dRAFANOMEZANTSOA Simon, mpikambana ao amin’ny W.W.F.,
tompon’andraikitry ny tetikasa “Faritra andrian’ny rano” tamin’i Maksim Lucien
in Vintsy n°48, p.20
83
41 “Ny hazo”, Rojo in Vintsy n° 12, p.27 84
42 “Vavaky ny ala”, Radioela RAHAMALIVONY, Dika teny malalaky ny
tononkalo mikasika ny tetikasa angovo azo havaozina tany Kenya
8 5
43 “Tany: renin’ny olombelona”, Rakotohova Clet, Ny filôzôfia: ny zo sy ny
saranga
86-87
44 “Mpamosavy”, Rojo in Vintsy n°7, p.27 87
45 “Vahindrano : fahalalana”,“Songosongomaitso : fahamoram-po”, “Tsiafakomby
vony : fahaiza-miaina”, RAJAONAH Tselatra, Sangan’asan-DRAJAONAH
Tselatra, p.200, 202, 204
88-89
46 “Mandehana“, Jeannot RAROJO in Vintsy n°27, p. 2 89
47 “Ny famorana“, François RAKOTONAIVO, Riba malagasy, p. 188-201 92
48 “Ny amin’ny fati-dra”, W.E.COUSINS, Fomba malagasy, p.91 93
49 “Ny ala faditra” , W.E. COUSINS, Fomba malagasy, p.88 94
1- Lisitry ny sary
N° Lohateny Pejy 1 Zaridaina kely na micro-jardin 80-81
2 Fary 100
3 Drafi-ankapobeny 102
4 Drafi-tsary amin’ny antonony 102
5 Drafi-tsary Amerikana 103
6 Drafi-tsary ampanakaikezina 103
7 Drafi-tsary akaiky 103
8 Sary pihina manatrika 105
9 Sary pihina avy any ambony 105
10 Sary pihina avy any ambany 105
11 Sary pihina mihorirana 106
12 Fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara 107
13 Fihetseham-po amin’ny alalan’ny teny 108
14 Mamafy ketsa 109
15 Miasa tany
16 Manetsa
17 Mitaona amboara
xi
N° Lohateny Pejy
18 Mitoto vary 109
19 Mivoaka itany
20-21 Ala maina 164
22-23 Ala mando
24 Doro tanety
25-26-27 Ala savoka
28-29 Bozaka
30 Kirihitra
31 Fambolena
32 Alahonko 165
33 Tora-pasika
34 Ahi-dranomasina
35 Vatohara
36 Haran-dranomasina
37 Nosy kely
38 Helo-dranomasina
39 Ranomafana 167
40 Loharano
41 Farihy
42 Heniheny
43 Ony
44 Arin-tany na fompotra
2- Lisitry ny fafana
N° Ny lohateniny Pejy 1 Raokandro malagasy (Ranomafana) 26
2 Ny tandindona amin’ny alalan’ny zavamaniry 26-27
3 Ny tontolo iainana sy ny fampianarana literatiora 31
4 Ny tontolo iainana sy ny fampianarana riba 32-33-34
5 Paikam-panoritsoritana ny fody 48
6 Paikam-panoritsoritana ny komanga 49-50
7 Paikam-panoritsoritana ny omby 53
8 Tontolo iainana enti-mamefy tantara 61
9 Paikam-panazavana ao amin’ny Isa ny amontana 75-76
10 Paikam-panazavana : fizarana hena araka ny lahatsoratra
Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy
77
11 Famintinana ny riba fiampitana 91
12 Ny famorana sy ny dikany 92-93
13 Ny fati-dra sy ny dikany 93-94
14 Ny ala faditra sy ny fombafombany 914
15 Lisitry ny tantara an-tsary ao amin’ny gazety boky vintsy :
fitaovana enti-mampianatra
116
16 Ny hevitra raketin’ny loko 122-123
17 Ny karazana fitsidihana azo atao (tolo-kevitra) 136
18 Fanafohezan-teny : tolo-kevitra 146
19 Vokatry ny fanadihadiana : ny tontolo iainana ao amin’ny
taranja malagasy
170
20 Valin’ny fanadihadiana : ny fitaovana enti-mampianatra 171
xii
3- Lisitry ny kisary
N° Ny lohateniny Pejy 1 Ny singa mandrafitra ny tontolo iainana 12
2 Ny fifandrohizana ara-tsakafo 15
3 Ny an-tanan-tohatry ny fananan-kasina 22
4 Ny velaran-tany may teto Madagasikara ny taona 1992-2007 28
5 Modelim-pifandraisana araka ny tontolon’ny EMEREC, arak’i
Edgar MORIN
38
6 Ny tsilontsaina marolafy arak’i Howard GARDNER 40
7 Ny ati-doha sy ny fomba fiasany arak’i Tony BUZAN 41
8 Ny anjara asan’ny ala 85
9 Ny malagasy sy ny fiheverany ny tontolony : an-tanan-tohatra
misy eo amin’ny tontolon’ny velona sy ny maty
95
10 Fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara 108
11 Ny fitaovam-pitaterana aseho an-kisary mandranitra saina 129
12 Paika enti-mandray naoty 143
13 Olana mipetraka eo amin’ny harena an-dranomasina 151
14 Ny faritra an-tanety 163
15 Ny faritra amorontsiraka sy an-dranomasina 165
16 Ny faritra an-dranomamy 167
4- Lisitry ny tantara an-tsary sy ny takela-by
N° Ny lohateniny Pejy Ny tantara an-tsary
1 Ny fantsiliotse 111-112
2 Izay mamafy éolienne, mijinja rivotra 113-114
Takela-by (Faritra arovana ao Ranomafana) 1 Tsy hamono vorona intsony aho 168
2 Tifitra filesy : aoka izay! Lovasoa ny vorona
3 Fantatrao moa fa… 169
4 Arovantsika ny vorona satria…
TENY FAMPIDIRANA
1
Ho famaranana ny fiofanana eto amin’ny sekoly fanofanana mpampianatra no
anaovana izao asa fikarohana izao. Maro ny sehatra azo irotsahana amin’izany, fa ny
mikasika ny haifampianarana no nosafidianay, vokatry ny fahitana fa ilaina amin’izao
vaninandro izao ny fampirindrana ny fampianarana amin’ny fanabeazana momba ny
tontolo iainana sy ny fanatevenana ny fantsom-pampitana fahalalana any amin’ny
beazina. Amin’ity asa fikarohana ity dia ny taranja malagasy mirindra amin’ny tontolo
iainana no asongadina.
0.1 Olana
Raha nisafidy ny hanao izao fikarohana izao izahay dia olana fototra telo lehibe
no nanosika anay hanao izany : ny fahitana ny olana iraisam-pirenena, izay tsy
ahafahan’i Madagasikara miala (olana eo amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana), sy
ny olana mahakasika manokana ny fampianarana ny taranja malagasy, izay mbola azo
sokajiana ho roa : olana anatiny eo amin’ny taranja malagasy sy ny olana eo amin’ny
haifampianarana.
0.1.1 Olana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
Isan’ny tanjona amin’izao taona arivo fahatelo izao ny hisian’ny
fampandrosoana maharitra. Ny fampandrosoana maharitra dia mifaningotra akaiky
amin’ny fitantanana maharitra, ka tafiditra amin’izany ny fitantanana ireo harena
voajanahary. Ny hoe fitantanana maharitra dia ny fomba entina mampiasa ireo harena,
« harena voajanahary », mba hamaly ny filana ankehitrinin’ny olona nefa mitsinjo ihany
koa ny filan’ny taranaka any aoriana.1Araka izany, mifaningotra betsaka amin’ny
tontolo iainana io fampandrosoana maharitra io.
Iaraha-mahalala anefa fa olana iraisam-pirenana izany fahasimban’ny tontolo
iainana izany. Tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara, izay Nosy maitso fahiny,
saingy lasa Nosy mena ankehitriny, noho ny faharavan’ny tontolo iainana ; raha tsy
hiresaka afa-tsy ny ala izay miharingana manaraka ny fotoana. Izany indrindra, no
mampisy ireo karazana fikambana mpiaro ny tontolo iainana. Ao koa ireo fifanarahana
iraisam-pirenena mahakasika ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana ka
1 Razafindramihanta Hanitriniaina, Ralaimihoatra Solofoniaina, 2008, Gestion des écosystèmes terrestres,
p.2 : « gestion durable : c’est une manière d’utilisation des ressources pour répondre aux besoins actuels
sans compromettre la capacité de satisfaire aux besoins des générations futures. »
2
mifanindra-dalana amin’izany ny fananganana karazana faritra voaaro, araka ny
rohivoaary misy sy ny karazan-javaboary arovana. Tsy diso anjara amin’izany i
Madagasikara. Ambonin’izany, ny fanjakana malagasy dia efa nanangana volavolan-
dalana manokana mikasika ny tontolo iainana ny taona 1990 izay nahitana
fandaharan’asa manokana nitanterahana tanaty dingana telo. Tsy hadinoina ny vina
Madagasikara voajanahary tao amin’ny Repôblika fahatelo voarakitra tao amin’ny
MAP.
Na dia eo aza anefa izany rehetra izany, dia tsapa ary tsikaritra fa mbola
mihamikorosy fahana hatrany ny kalitaon’ny tontolo iainana, izay vokatry ny asan’ny
olona: ny loto miparitraka, ny fitrandrahana ireo harena voajanahary tsy ara-drariny / tsy
manara-penitra, arahin’ny fanondranana an-tsokosoko. Izany dia maneho fa na eo aza
ny ezaka ataon’ny iraisam-pirenana, ny fanjakana ary ireo fikambanana mpiaro ny
tontolo iainana, dia tsy mipaka na tsy tafita any amin’ny isam-batan’olona ny ezaka sy
ny foto-kevitra ijoroan’izy ireny.
Vokatr’izany, mila atao mahakasika ny isam-batan’olona ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana. Ka raha fanabeazana no resahina dia mitana anjara toerana
lehibe amin’izany ny fanabeazana an-tsekoly, indrindra ny fampianarana teny ibeazana,
dia ny teny malagasy ho an’ny Malagasy. Izany indrindra no nahatonga anay hanao izao
asa fikarohana izao mba hahafahana manabe momba ny tontolo iainana ny zaza
malagasy hirindra amin’ny fampianarana teny ibeazana. Olana voalohany hovahana
amin’izao asa fikarohana izao izany ny hoe : ahoana ny fomba atao hoentina
mampifanindran-dalana ny fampianarana taranja malagasy amin‟ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana?
0.1.2 Olana eo amin’ny fampianarana ny taranja malagasy
Tsikaritra fa ny fampianarana taranja malagasy dia toa mikombona, izany hoe
mitoka-monina amin’ny taranja rehetra, ka mitrandraka ny teny amin’ny lafiny azo
ikirakirana izany amin’ireo zana-taranja misy ao aminy : literatiora, riba, haiteny.
Manamarina izany ilay asa fikarohana nataon-dRAHARISOA Tiana Fazila
namahavahany ny lohahevitra hoe : “Fampianarana teny ibeazana sy fampivelarana
amina kolontsaina samihafa : taranja malagasy”. Tamin’izany no niezahanany
nampifandray ny zana-taranja malagasy amin’ny taranja hafa mampianatra teny,
indrindra ny teny frantsay. Amin’izao asa fikarohanay izao kosa, ny hoezahina dia ny
3
fampivelarana ny taranja malagasy amin’ny taranja hafa. Raha vao miresaka ny tontolo
iainana dia ny taranja siansa sy jeogirafia no mby an-doha, ka raha ao anaty anaty
taranja malagasy kosa no atsofoka izany, dia tsy maintsy misy ny fifanohinan-taranja.
Olana hovahana manaraka àry ny hoe : ahoana ny fomba entina mampivelatra ny
taranja malagasy amin‟ny taranja hafa?
0.1.3 Olana eo amin’ny haifampianarana
Farany, mifameno ao amin’ny tontolom-pampianarana, ny mpianatra sy ny
mpampianatra ary ny fitaovana enti-mampianatra. Isan’ny olana goavana eo amin’ny
fampianarana ny taranja malagasy ny fahavitsian’io fitaovana enti-mampianatra io
(lahatsoratra sy angon-kevitra amin’ny ankapobeny). Vokatr’izany, somary mandringa
ny fampitam-pahalalana any amin’ireo beazina, ka tsy voatrandraka miaraka amin’izany
koa ireo tsilontsaina ananan’ny mpianatra hahafahany mivelatra sy mampahomby ny
fianarana nataony. Araka ny fandinihana nataon’i Howard Gardner, dia mila
trandrahana ireo tsilontsaina maro lafy ananan’ny beazina, mba hampahomby ny
fianarana ataony. Araka izany, olana hovahana ato koa ny hoe : fitaovana manao
ahoana no azon‟ny mpanabe ampiasaina mba hipaka tsara any amin‟ny beazina ny
fianarana rantoviny?
0.2 Lohatenin’ny asa fikarohana
Heverinay fa hamaly ireo olana telo notanisaina teo aloha ireo ny lohatenin’izao
asa fikarohana izao : “Haifampianarana ny fanabeazana momba ny tontolo iainana ao
amin‟ny taranja malagasy”. Amin’izany, hevitra telo loha no hojerenay, dia ny
mikasika ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, ny taranja malagasy ary ny
haifampianarana mifanaraka amin’izany.
0.3 Zava-kendrena
Ny fampifanindranan-dalana ny taranja malagasy amin’ny fanabeazana momba
ny tontolo iainana no tanjona fototra amin’izao asa fikarohana izao, izany hoe ny
hampifandray ny fampianarana amin’ny tontolo iainana, araka izay azo atao.
4
Ny atao hoe fanabeazana momba ny tontolo iainana, dia hetsika izay
mampahatsiaro tena ny tsirairay na vondron’olona ny amin’ny havesa-danjan’ny tontolo
iainana avy amin’ny fahalalana ny sandany, ny fahaiza-manao sy traikefa omeny ka
hiteraka ny fahavononan’ny beazina hanao hetsika samirery na anaty vondrona
hamahana ny olana ankehitriny sy ny ho avy, mahakasika ny tontolo iainana. 2
Endrika roa no mety isehoan’izany :
ny fanabeazana mitsinjo ny tontolo iainana : ny hetsika atao amin’ny
fanabeazana dia mikolo sy mamerina ny hasin’ny tontolo iainana
ny fanabeazana mifototra amin‟ny tontolo iainana : izany hoe ny tontolo iainana
no sehatra itrandraham-pahalalana, fahaiza-manao ary toetra amam-pihetsika.3
Misy hevitra vitsivitsy kendrena amin’izany izay tokony ho tsapa sy fantatry ny
beazina sy ny mpanabe :
misy fifandraisana miako eo amin’ny olombelona sy ny tontolo iainana izay
miantoka ny fiainany
tompona andraikitra amin’ny fiainany sy ny tontolo iainany ny olona tsirairay
mba hampahomby ny fanabeazana, tokony hanana toe-tsaina mandinika, tia
karokaroka ny tsirairay mba handaminany ny hetsika ataony hampirindra ny
fiainany sy hanatsara ny tontolo iainany
misy fifandraisana akaiky eo amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana,
ny fitsipi-pitondran-tenan’ny tsirairay sy ny fiarahamonina.
mila ampiarahina amin’ny tontolo iainana ny fanabeazana omena mba
hampahomby ny fanabeazana momba ny tontolo iainana
Raha fehezina, mamolavola ny beazina ho olom-pirenena tompona andraikitra,
mahalanjalanja ny ataony no tanjona, manoloana ny fiainany, ny fiainam-
piarahamonina, izay tsy azo sarahina amin’ny tontolo iainana. Izany dia mifanindran-
dalana amin’ny famolavolana ny fampandrosoana ny maha-olona maharitra, izay
mifaningotra amin’ny fampandrosoana maharitra, araka ny fihaonam-be iraisam-
pirenena notanterahina tao Rio ny 1992 izay notohizana tao Johanesbourg ny 2002.
2 UNESCO-PNUE (1978) Rapport final : « Définition de l’éducation relative à l’environnement par l’
durant la conférence intergouvernementale sur l’éducation relative à l’environnement » 3 UNECSO-PNUE, op. cit. : « L’éducation pour l’environnement est considérée comme un moyen pour
responsabiliser les acteurs sociaux afin qu’ils se transforment en éco-citoyens pour que le développement
soutenable de notre planète soit réalisable ; tandis que “l’éducation par l’environnement” considère que
l’environnement est avant tout un moyen éducatif qui, par son intérêt et la richesse qu’il suscite, permet
de travailler sur de nombreuses thématiques. »
5
Fanampin’izany, fampianarana taranja malagasy no sehatra fototra iorenan’ny
asa fikarohana eto. Noho izany, isan’ny tanjona manokana hoentina manatanteraka ny
lafiny fampianarana taranja malagasy :
manome vahaolana mahakasika ny lesoka eo amin’ny fampianarana taranja mba
hirindran’izany amin’ny tontolo iainana
manome tahirin-kevitra tekinika mikasika ny fanatontosana ny taranja malagasy
mba hahafahana mitrandraka sy mampivelatra ny tsilontsain’ny beazina mba
hampahomby kokoa hatrany ny fianarany.
0.4 Hevitra fototra ilafihan’ny asa
Mba hahafahana manatontosa ny fikarohana dia tsy maintsy misy fijerena ny
hevitr’ireo mpikaroka samihafa momba ny zavatra kendrena. Noraisinay manokana
tamin’izany ny teorian’i Edward Sapir izay maneho ny fifanohinan’ny teny sy ny
kolontsaina ary ny tontolo iainana araka ny teniny hoe : “ ny teny sy ny kolontsaina dia
tsy afa-misaraka ; tsy fitaovam-pifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina izy fa
maneho ny fomba fijerin’ny olona iray ombom-pitenenana ny zava-misy, toy ny
fitaratra maneho ny fomba fijery izao tontolo izao.”4 Mifameno amin’izany ny teorian’i
Mackey izay manao hoe : “Ny teny ibeazana no mamaritra ny fiheveran’ny olombelona
izao tontolo izao sy ny fiainany manontolo ary manefy ny fisainany sy ny fihetseham-po
lalina ao anatiny ka ireo no mitambatra sy mamorona maha izy azy na ny fanahin’ny
firenena.”5 Araka izany, azo atao tsara ny manatanteraka ny fampianarana taranja
malagasy hirindra amin’ny tontolo iainana.
Manaraka izany, mba hahafahana manatsara ny fampianarana hifanaraka
amin’ny tanjona kendrena dia ilaina tokoa ny mandinika sy mitrandraka ary mitsikera
ny fandaharam-pianarana. Izany indrindra no nindramanay ny teorian’i Arieh Lewy6
izay mametraka fa misy lojika tsy maintsy arahina ao amin’ny fanatontosana io
fandaharam-pianarana io na eo amin’ny lafiny tanjona izany, na eo amin’ny vontoatiny,
indrindra fa eo amin’ny fitaovana hoenti-mampianatra sy ny tombana azo atao.
4 Encarta 2008 / langue et culture : « Edward Sapir »« La langue et la culture forme un tout indivisible ;
plus qu’un simple instrument de communication, la langue conditionne la vision qu’une communauté
linguistique se fait de réalité ; elle agit comme une sorte de prisme qui prédispose l’être humain à un
certain type d’interprétation du monde. » 5W.F. Mackey, Perspectives 81, Revue trimestrielle de l‟Education, 1992, p.49 : « La langue maternelle
a déterminé leur vision du monde, toute leur vie durant et modelé leur psyché par association avec leurs
plus profond émotions, et tout formant collectivement l’âme de la nation. » 6 Arieh Lewy, L‟élaboration des programmes scolaires à l‟échelon central et à l‟échelon des écoles,
UNESCO (institution nationale de planification de l’éducation), 1992
6
Satria fiarahamonina no resahina amin’ny ankapobeny. Vokatr’izany,
nampiasanay ny teorian’ i Levistrauss momba ny structuralisme izay milaza ny
fifampiankinan’ny kasinga tsirairay eo amin’ny toe-javatra iray. Ny fiarahamonina dia
fitambarana olona maromaro miara-miaina, ary heverina fa mifampiankina sy
mifampila hatrany ireo. Ambonin’izany, tontolo iainana koa no resaka eto, ary tsy afa-
miala amin’izany ny olombelona. Rafitra lehibe iray koa ny tontolo iainana ary
mifampiankina avokoa ny kasinga ao anatiny.
Farany, teny sy fampianarana teny no ifotoran’ny fampianarana taranja
malagasy. Mazava ho azy, araka izany, fa ilaina dia ilaina tokoa ny mampiasa ny
teorian’i Vigotsky momba ny fandalinana ny fomba fivoaran’ny fahalalan’ny beazina
ao amin’ny sainy. Izany no trandrahana aty amin’ny fampianarana mba hahafahana
mampiakatra ny tahan’ny fahombiazan’ny beazina.
Miara-dalana amin’izany ny teorin’i Howard Gardner7 izay mametraka fa mila
trandrahana ireo tsilontsaina samihafa ananan’ny beazina, mba hampivelatra ny maha-
olona azy, sy hampitombo koa miaraka amin’izay ny taham-pahombiazana.
0.5 Fomba fiasa
Na dia eo aza ireo hevitra fototra ilafihan’ny asa fikarohana dia tsy maintsy misy
fomba fiasa ampiarahina amin’izany, mba hahalavorary ny asa. Vokatr’izany, tsy
maintsy mamaky ireo tahirin-kevitra isan-karazany miresaka momba ny tontolo iainana
sy ny fanabeazana momba ny tontolo iainana izahay, mba hahafahana mandanjalanja
hoe ny inona ao amin’ny tontolo iainana ny azo atsofoka aty amin’ny taranja malagasy?
Inona marina izany fanabeazana momba ny tontolo iainana izany sy ny tanjony? Ary
ahoana no fomba entina manatanteraka na manatsofoka izany ao amin’ny taranja
malagasy?
Nodinihinay manaraka izany ny anjara toerana nomena ny tontolo iainana ao
amin’ny fandaharam-pianarana, sy ireo lafiny azo itrandrahana ny tontolo iainana
amin’izany mba hahafahana manatsara izany sy manatratra ny tanjona napetraka.
Farany, nataonay izay hanadihadiana mpampianatra taranja malagasy tamina
toeram-pampianarana vitsivitsy, mba hahalalana hoe hatraiza ny anjara toerana nomena
ny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny fampianarana taranja malagasy, miresaka
7 Howard Gardner, Intelligences multiples, Revue « Educational Leadership », 1997
7
izany tontolo iainana izany ve izy ireo rehefa mampianatra? Isan’ny sekoly nanaovana
fanadihadiana tamina mpampianatra taranja malagasy ireto tanisaina manaraka ireto:
Sekolim-panjakana : CEG Ambatolampy ambonivohitra, Lycée Ambatolampy
ambonivohitra, Lycée Antsampandrano (Ambatolampy ambanivohitra), Lycée
Jules Ferry Antananarivo
Sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana (kilasy fahenina hatramin’ny
famaranana) : Lycée Chretien AGORA Talatamaty, miankina amin’ny finoana
FJKM, Lycée Espoir Ambohimangakely
Tsy hadinoina koa ny fitsidihana natao tany amin’ny faritra Ranomafana
Ifanadiana izay nijerena ifotony ny fiainan’ny olona manodidina ny faritra arovana ; ny
fanadihadiana ny fanabezana omena ny mpianatra an-tsekoly amin’ny fiarovana ny
tontolo iainana.
0.6 Fetran’ny asa
Raha ny marina, ny fanatsofohana izany fanabeazana momba ny tontolo iainana
izany dia tokony hahasahana ny ambaratonga rehetra. Sarotra nefa ny hanatanteraka
izany amina asa fikarohana iray, sady izao asa fikarohana izao dia fanombohana ihany.
Vokatr’izany, ny mpianatra voakasik’izao asa fikarohana izao dia ireo ao
amin’ny ambaratonga faharoa sy faharoa manokana (kolejy sy lisea), satria
mifampiankina kokoa ny vontoatim-pampianarana amin’ireo dingana ireo: ny kolejy no
fanomezana ireo fahalalana fototra ary eny amin’ny lisea dia fampiharana sy
fandalinana no betsaka.
Raha mikasika ny fandaharam-pianarana indray dia tsy nanova na inona na
inona tao amin’ny vontoatin’izany izahay, fa ny nandinika sy nitsikera ireo lafiny
ahafahana mitrandraka ny tontolo iainana ao anatin’izany no nimasoana. Izany hoe : ny
efa voavolavola tao no niaingana fa nasiam-panatsarana hifanaraka amin’ny tanjona
napetraka.
Farany, izao asa fikarohana izao dia mijanona ho tolo-kevitra hoenti-
mampianatra ihany, azon’ny mpampianatra namana kirakiraina sy ampiasaina
amin’izay ilana azy.
8
0.7 Olana teo am-panatontosana ny asa
Ny manao zavatra, hono, tsy mora. Izao asa fikarohana ataonay izao dia mbola
azo lazaina ho vaovao ihany, raha teo amin’ny sehatry ny fampianarana taranja
malagasy no jerena, ka somary nanahirana ny nisantatra izany. Nisy ihany anefa ny
nanao izany toy ny tetikasan’ny W.W.F. mikasika ny ekopedagojia saingy nijanona teny
amin’ny ambaratonga fototra ihany izany. Isan’ny nampanano sarotra izao fikarohana
izao ny fidadasiky ny lohahevitra notrandrahana, izay siantifika kokoa.
Vokatr’izany, nanahirana ny namaritra hoe : ny inona momba ny tontolo iainana
no horesahina ao amin’ny taranja malagasy? Nanahirana ihany koa, ny fisafidianana
ireo tahirin-kevitra izay tena maro tokoa. Tsy maintsy nodinihina ireny mba hisian’ny
jery iombonana ifotoran’ny asa. Nanahirana nanaraka izany, ny fikarohana ireo tahirin-
kevitra samihafa momba ny haifampianarana, ilaina sy takina amin’ny fanatrarana ny
tanjona napetraka. Tsy hadinoina ny fotoana lany teo amin’ny fanaovana fanadihadiana
mpampianatra teny anivona sekoly samihafa.
0.8 Drafitra
Hozaraina ho telo lehibe ny asa. Ao amin’ny fizarana voalohany no andinihanay
ny anjara toeran’ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy, izay ahitana
dingana roa : ny fijerena izany ao amin’ny fandaharam-pianarana sy ny famantarana
izany eo anivon’ny fampianarana an-dakilasy, araka ny mpampianatra nosafidiana.
Ao amin’ny fizarana faharoa kosa no anomezanay tolo-kevitra hoenti-
manatanteraka sy manatsara ireo fomba enti-mampianatra mahazatra sy iombonan’ny
ankamaroan’ny mpampianatra sady mibahana ao amin’ny fandaharam-pianarana.. Koa
nezahinay ny nanolotra ireo paika hoenti-manome vahana ny tontolo iainana amin’ireo
karazana fitaovana hoenti-mampianatra miainga amin’ny lahatsoratra. Izany no
nahatonga ny fizarana faharoa haompana amin’ny hoe : haifampianarana taranja
malagasy mirindra amin’ny tontolo iainana afototra amin’ny lahatsoratra.
Ao amin’ny fizarana fahatelo farany kosa, no anolorana ireo fanatsarana azo
atao manodidina ny haifampianarana, izay itrandrahana ireo lesoka hita sy itondrana ny
fanatsarana. Raha lahatsoratra no fitaovana mahazatra, fampiasan’ny ankamaroan’ny
mpampianatra, dia ambaran’ny mpikaroka8 fa ampahana ati-doha ihany no miasa
8 Howard Gardner, Tony Buzan, Théories de l‟intelligence multiple, 2008
9
amin’izany, ka tsy ahafaha-mitrandraka ny tsilontsaina ananan’ny beazina sy
mampivelatra izany, hampahomby ny fianarany. Ny fizarana fahatelo, araka izany, dia
mifototra indrindra amin’ny haifampianarana taranja malagasy mirindra amin’ny
tontolo iainana afototra amin’ny tsilon-tsain’ny beazina.
FIZARANA VOALOHANY
NY ANJARA TOERAN’NY TONTOLO
IAINANA AO AMIN’NY TARANJA
MALAGASY
10
Teny? … Tsy afa-misaraka amin’ny fiarahamonin’ny olombelona izany, dia ny
olombelona miaina anivon’ny tontolo iainany. Ny olombelona ihany, amin’ny
ankapobeny, no mahay mampiasa ny teny sy mamorona izany ho fitaovam-
pifandraisana. Araka ny hita ao amin’ny Dictionaire de lingustique, “ny teny dia
fitaovana entin’ny olona iray ombona mifanerasera amin’ny alalan’ny famantatra
ifanarahana ifanaovan’izy ireo (aseho amin’ny alalan’ny feo).” 9
Tsy vitan’ny hoe fitaovam-pifandraisana fotsiny anefa izy, fa fitaovam-
panabeazana ihany koa, amolavolana ny saina sy ny toe-tsaina amam-panahin’ny olona
mandritra ny androm-pahavelomany. Ambonin’izany, mirakitra ny kolontsain’ny
mpiteny izy, maneho ny maha izy azy ny firenena, araka ny tenin’i Mackey : “ny teny
ibeazana no mamaritra ny fiheveran’ny olombelona izao tontolo izao sy ny fiainany
manontolo, ary manefy ny fisainany sy ny fihetseham-po lalina ao anatiny ka ireo no
mitambatra sy mamorona maha izy azy na ny soatoavin’ny firenena.”10
Araka izany, azo ambara fa mifaningotra betsaka amin’ny fahalalana ny tontolo
iainana ny fahafolahana ny teny sy ny kolontsaina raketiny. Ny fampifaningorana ny
fampianarana ny taranja malagasy amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana no
vontoatin’izao fikarohana izao, izany hoe ny fanomezana anjara toerana ny tontolo
iainana ao amin’ny fianarana teny malagasy, mba hahafahana manabe ny mpianatra
hahay hanome lanja sy hiaro ny tontolo iainany.
Vokatr’izany, tsara hofantarina ny atao hoe tontolo iainana sy ny filôzôfia
malagasy mifaningotra aminy. Hodinihina manaraka izany ny anjara toeran’ny tontolo
iainana ao amin’ny taranja malagasy, araka ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny
minisitera sy ny fomba fanatanterahana ny fampianarana an-dakilasy, ary ny fantsom-
pahalalana ampiasaina, mba hahafahana manatsara izany sy hanatrarana ny tanjona.
1.1 Ny tontolo iainana sy ny filôzôfia malagasy
Nosy i Madagasikara. Na izany aza, tsy mitoka-monina eo anivon’ny riaka akory
izy, fa mifanerasera amin’ny firenena hafa manodidina azy. Samy manana ny fomba
amam-panaony, ny kolontsainy, ny maha izy azy ny tsirairay avy, izay iavahany
9 DUBOIS, Dictionnaire de linguistique / langue: « une langue est un instrument de communication, un
système de signe vocaux spécifique aux membres d’une même communauté. » 10
W.F. MACKEY, Perspective 81, 1992, p.49 : « La langue maternelle a déterminé leur vision du
monde, toute leur vie durant et modelé leur psyché par association avec leurs plus profond émotions, et
tout formant collectivement l’âme de la nation. »
11
amin’ny hafa ny firenena rehetra eran-tany, eny, na dia misy fifanahafana ihany aza
izany vokatry ny serasera ateraky ny fandrosoana sy ny fanatontoloana.
Ny singa fototra maneho io fahasamihafana eo amin’ny samy firenena io dia ny
filôzôfia ananany, izany hoe ny fomba fahitany sy / na ny fiheverany ny tontolo. Miditra
an-tsehatra amin’izany avokoa na ny momba ny olombelona sy ny tontolo manodidina
azy, eny, ny fiainana amin’ny ankapobeny. Manana ny fomba fijeriny ny Malagasy.
1.1.1 Ny Malagasy sy ny fiheverany ny tontolo
Eo amin’ny Malagasy, mizara roa mazava tsara ny tontolo dia ny tontolon’ny
velona sy ny tontolon’ny maty. Heverina ho tontolo mifampitohy tsy azo
ampifamadihana ireo, izany hoe avy ao amin’ny tontolon’ny velona mankany amin’ny
tontolon’ny maty. Ny tontolo iriariavan’ny olombelona miaraka amin’ny zavaboary
manodidina azy no tontolon’ny velona ; ny tontolon’ny maty kosa dia ny tontolo misy
ireo olona efa nodimandry, tontolo tsy hita maso mirakitra ny fiainana any ankoatra. Io
tontolon’ny velona io no hodinihina manokana amin’ity fizarana ity.
1.1.1.1 Famaritana ny tontolo iainana
Toy izao no namintinan-dRAHAJARIZAFY Antoine ny tontolo iainana, araka
ny fiheveranana malagasy :
“Izao zava-tsy manana aina rehetra izao”,
“Izao zavamaniry rehetra izao” ,
“Izao biby amam-borona rehetra izao”,
“Izao olombelona rehetra izao”,
“Andriamanitra sy ny tsy hita maso”. 11
Tsy mifanalavitra amin’izany ny famaritana nomen’i Roger Edmond,
mpandinika ny tontolo iainana : “ny tontolo iainana dia fitambarana tontolo tsy miaina
(fizika na simika) sy tontolo miaina, amina fotoana voafaritra mazava tsara, miampy
ireo fepetram-piarahamonina izay misy fiantraikany mivantana na tsia, eo no ho eo na
lavitra ezaka, amin’ireo zava-manana aina sy ny fiainan’ny olombelona mbamin’ny
11
R.P. Antoine RAHAJARIZAFY, Ny ohabolana malagasy : fisavasavana, 1998, p.14
12
hetsika ataony. Raha tsorina, izay rehetra manodidina ny olombelona no atao hoe
tontolo iainana.” 12
Mameno izany ny famaritana hita tao amin’ny Wikipedia izay hentitra ary
manazava misimisy kokoa : “Ny tontolo iainana dia fitambarana tontolo voajanahary sy
tontolo ara-kolontsaina izay misy ny zava-manana aina. Ny tontolon’ny miaina izay
mifaningotra amin’ny tontolon’ny tsy miaina no mandrafitra ny tontolo voajanahary ;
ny tontolon’ny olombelona kosa no maneho ny tontolo ara-kolontsaina, izay fihaonana
fepetra ara-ekolojika, fifandraisan’ny tontolo miaina sy tsy miaina ary ny fifandanjana
eo anivon’izany ; ny fepetra ara-piarahamonina dia noforonin’ny olombelona mba
hampirindra sy hampilamina ny fiarahamonina najorony sy misy azy. Io tontolo iainana
io no miantoka ireo fepetra samihafa mitazona ny fahaveloman’ireo zava-manana aina
sy ny fisiany.” 13
Ireo famaritana ireo dia manasongadina fa misy rohy mifaningotra eo amin’ny
zavaboary rehetra.
1.1.1.2 Ny singa mandrafitra ny tontolo iainana
Raha ireo famaritana ireo no iaingana, ny tontolo iainana dia fitambarana tontolo
telo lehibe dia ny tontolon’ny miaina (biby sy zavamaniry), ny tontolon’ny tsy miaina
ary ny tontolon’ny olombelona. Ireo tontolo ireo anefa dia misy fifandraisana miako.
Kisary n°1 : Ny mpiadina, ny singa mandrafitra ny tontolo iainana
12
Roger EDMOND, Manuel d‟écologie appliqué à l‟usage des formateurs, 2008, p.2 : « Ensemble à un
moment donné des agents physiques, chimiques ou biologiques et des facteurs sociaux susceptibles
d’avoir un effet direct ou indirect, immédiat ou à terme, sur les êtres vivants et les activités humaines. » 13
http://wikipedia.org/environnement : « L’environnement est l’ensemble des éléments naturels et
culturels dans lesquels les être vivants se trouvent. L’environnement biophysique (biologique et
physique) des espèces représente l’environnement naturel, tandis que l’environnement humain représente
un environnement culturel composé de conditions écologiques et sociologique. L’environnement
détermine la présence et l’existence des organismes vivants. »
Tontolo iainana
Tontolon’ny miaina
(zava- manana aina)
Tontolon’ny tsy miaina
(zava-tsy manana aina)
Biby Zavamaniry Zava-tsy manana
aina
Singa avy amin’ireo
zava-manana aina
Tontolon’ny
olombelona
13
Anisan’ny singa fototra eo amin’ny tontolo iainana ny tontolon’ny miaina noho
izy miova sy mety maty. Ny tafiditra ao anatin’io tontolo io dia izay rehetra afaka
mitombo sy manaranaka, izany hoe teraka na mitsiry, mitombo ary maty. Misokajy ho
roa lehibe izany dia ny vondron’ny zavamaniry sy ny vondron’ny biby. Ireo no
mandrafitra ny atao hoe fahasamihafana ara-boajanahary na biodiversité.
Ny tontolon’ny tsy miaina kosa, dia anondroana ireo singa mandrafitra ny
tontolo iainana, izay tsy manana fahafahana hitombo, toy ny rano, ny vato, ny rivotra,
ny tany. Tafiditra ao anatin’izany tontolon’ny tsy miaina izany ireo singa avy amin’ny
zava-manana aina sy ny asa tanan’olombelona.
Azo ambara fa manana ny tontolony manokana ny olombelona, fa tsy mitovy
amin’ny zavaboary hafa. Anisan’ny manavaka azy amin’izany ny fananany fahefana
hifehy izany tontolo manodidina azy izany.
Manana izay fomba fiheverany ny atao hoe olona izy, io fomba fiheverana io no
manavaka azy amin’ny firenena hafa, ary mamaritra ihany koa ny endri-piarahamonina
filamatra najorony sy nezahiny niainana.
Ny fomba fijerin’ny Malagasy ny olombelona :
→ “Ladim-boatavo ny olona ka raha fotorana iray ihany.” Izany hoe ny Malagasy dia
mametraka, fa iray fiaviana ny olombelona, iray fototra. Raha ambara amin’ny fomba
hafa: mpihavana. Mifanohitra amin’ny fiheveran’ny tandrefana hoe : “Amboadia ho
an‟ny olona ny olona. ”
→ “Ny olombelona toy ny molo-bilany ka indray mihodidina ihany.” Izany hoe
mifandray ny fiainan’ny olombelona, ka ny ataon’ny tsirairay dia misy fiantraikany any
amin’ny hafa, ary tsy maintsy miverina any amin’izay nanao azy, na ny taranany, na ho
ela na ho haingana. Lalàn’ny tody izany, araka ny finoana malagasy.
→ “ Aza tsy tia olona fa ny olona no harena” , mametraka ny olona hafa ho ilaina, tsy
azo atao tsinontsinona na ambanin-javatra fa fananana: manampy ny tena amin’ny
fiainana izany, na ara-pitaovana (hery ara-batana), na ara-kevitra (ara-tsaina), na ara-
moraly (hery ara-panahy).
Ny endri-piarahamonina filamatra amin’ny Malagasy :
Mifanaraka amin’ireo fomba fijery ireo ny toe-tsain’ny Malagasy sy ny endri-
piarahamonina tratrariny hajoro, ary mifanandrify amin’ireo ny fanabeazana sy ny
fomba amam-panao ao aminy :
14
fiarahamonina ao anatin’ny fihavanana sy fiheverana ny hafa ho toy ny
tapaky ny tena ihany, hita taratra amin’ny fifanajana, ny fifanomezan-
kasina, ny fifanampiana, ny fifampitsimbinana, ny fanajana ireo fepetra
amam-pitsipika mifehy ny fiarahamonina iankinan’ny fahamafisan’ny
fihavanana sy ny fitohizany,
Ny isam-batan’olona mametraka ny rindran-damina ho alohan’ny
zavatra rehetra eo amin’ny fiarahamonina, ka io fiarahamonina io no
tandremana tsy hisy raorao. Hatrany hatrany ny fanabeazana dia itaizana
ny isam-batan’olona hanatsara ny fifandraisana eo anivon’izany
fiarahamonina izany, satria ao anatin’ny fiarahamonina mirindra sy
milamina no isian’ny fahatomombanan’ny fiainana sy ny fandrosoana
amin’ny lafiny rehetra.
Ireo ohabolana mirakitra ny filôzôfia malagasy voatanisa teo aloha dia
ahatsapana fa fatra-pandinika ny tontolo iainana manodidina azy ny Malagasy ary ireny
no mandrafitra ny fahendreny.
1.1.1.3 Ny fifandraisana misy eo amin’ny tontolon’ny miaina sy ny
tsy miaina ary ny tontolon’ny olombelona
Ny tontolon’ny miaina sy ny tsy miaina mitambatra no manome ny atao hoe
rohivoaary. Ny rohivoaary dia fitambarana andiam-biby sy zava-maniry miara-miaina
amina toerana voafaritra iray. 14
Tsy maintsy manana toerana ivelomana sy onenana ny
zava-manana aina, ary misy fifandraisana miako ao aminy. Ireo zava-manana aina (biby
sy zavamaniry), ohatra, dia tsy maintsy monina anaty faritra iray mba hahafahany
mivelona sy miaina ara-dalana, izany hoe mitombo sy manaranaka. Tsy misy hafa
amin’izay, mba hahafahan’ireo tontolo tsy miaina (faritra onenan’ireo zavamaniry tany,
rano, rivotra, vato...) mihavao hatrany, dia mila ireo zava-manana aina izy (ny fisian’ny
orana dia mila ny fisian’ny ala, ny nofon-tany dia mila ireo singa avy amin’ny biby na
zavamaniry, ny zavamaniry dia miaro ny nofon-tany tsy hokaohin’ny riaka).
Ankoatra izany, mba hisian’ny fifandanjana eo amin’ny tontolo iainana dia tsy
maintsy misy ny fifandraisana eo amin’ireo tontolo telo lehibe ireo dia ny tontolon’ny
tsy miaina, ny tontolon’ny biby sy ny zavamaniry ary ny tontolon’ny olombelona.
Lalàna voajanahary ao amin’ny tontolo iainana izany.
14
Encarta 2008 / écosystème : « Un écosystème désigne l’ensemble formé par une communauté animale
et végétale (biocénose) et le milieu que cette communauté occupe (biotope). »
15
Ohatra iray maneho izany ny fifampilana na ny fifandrohizana ara-tsakafo. Ireo
zava-manana aina ireo dia mivelona amin’ny fifampihinanana manaraka izao an-tana-
tohatra izao : Mpamotika : mpamotika ireo faikan-javatra (fatim-biby na zavamaniry) mba ho lasa raha
mineraly
[maty] Mpihinana andiany fahatelo : ireo biby mihinana (ny mpihinana andiany faharoa tondroina
amin’ny anarana izay mihinana ny zavatra rehetra
Mpihinana andiany faharoa : ireo biby na zavamaniry mivelona amin’ny nofon-javatra
Mpihinana andiany voalohany : tsy mihinana afa -tsy zavamaniry
Mpamokatra : ny zavamaniry afaka mamboatra ny taharony amin’ny alalan’ny famaitso
ataony amin’ny herin’ny masoandro sy ny raha mineraly trohin’ny fakany.
Kisary n° 2 : Ny mpiadina, ny fifandrohizana ara-tsakafo, araka ny hevitra notakarina
tao amin’ny boky novokarin’ny MENRES15
Azo ambara, araka izany, fa amin’ny alalan’ny fifampihinanana no isehoan’ny
fifameloman’ny zava-manana aina. Hita taratra koa izany eo amin’ny fifampitsinjovana
eo amin’ny fitohizan’ny taranaka. Ny zavamaniry sasantsasany, ohatra, dia mila ireo
bibikely manidina samihafa toy ny lolo na angidina na tantely na voronkely … vao
afaka mitsaika ka mamoa. Io fiantohana ny fitohizan’ny taranaka io koa dia mety hiseho
amin’ny endriky ny fanapariaham-boa. Eto Madagasikara, ohatra, mpikaroka maro no
maneho fa ny gidro, ny lambo, ny ramanavy mivelona amin’ny voankazo dia manana
anjara asa lehibe amin’ny fanapariaham-boa. 16
Ny ankapobem-piainan’ny olombelona
eo amin’ny tontolo iainany dia miankina amin’ny fifandrohizana.
1.1.2 Ny rafi-piainan’ny Malagasy mifaningotra amin’ny tontolo iainana
Amin’ny ankapobeny, ny fiainan’ny olona dia miankina tanteraka amin’ny
tontolo iainany, izany hoe ny zava-manana aina (biby sy zavamaniry), ny tontolon’ny
tsy miaina (tany, rivotra, rano ...). Ahatarafana izany ny fiainana ara-tsosialin’ny olona,
ny fiainana ara-toe-karena, ny tontolom-panabeazana ary ny tontolon’ny kolontsaina
amam-pivavahany mbamin’ ny fandaminam-piainana amin’ny ankapobeny. Ireo zavatra
rehetra ireo dia mamolavola ny kolontsain’ny olona.
15
MENRES UAT / EPT, Ny olombelona, ny zavaboary, ny tany: takela-tsary, p.20-21 16
LAVERTY (M.), STERLING (J.), JOHNSON (A.), Pourquoi la biodiversité est-elle importante?
2005, p.31
16
1.1.2.1 Ny fiainana ara-tsosialin’ny olona sy ny tontolo iainana
Tsy mba manao ambanin-javatra ny fiainam-piarahamonina na sosialy ny
Malagasy. Zava-dehibe aminy, ary isan’ny omeny lanja ireo zo fototra maha-olona : zo
ho velona sy hivelona, zo hisakafo, zo hanana fonenana… Amin’ny maha olona azy,
izay iavahany amin’ny zavaboary hafa, dia manana zo hiasa izy, ka ny harin’ny tanany
no ahafahany mivelona sy manatsara ny fiainany.
Ny sakafo sy ny fanafody
Manana zo hivelona sy hisakafo ny olona tsirairay. Manaja sy mandala izany
tanteraka ny Malagasy. Ny sakafo rehetra izay foto-piveloman’ny olona, ohatra, dia avy
amin’ireo tontolo manodidina azy avokoa. Mety halaina mivantana amin’ny alalan’ny
fiotazana sy ny fihazana ary ny fanjonoana izany, nefa mety ho azo avy amin’ny fomba
hafa koa, dia ny fambolena sy ny fiompiana.
Ny fanafody ihany koa dia tovozin’ny olona ao amin’ny tontolo iainana.
Ahatarafana izany ny fitenenana hoe : “sery vitan‟anamalaho ve hamonoana
vantotr‟akoho. ” Ny zavaboary sy ny fahafantarana ny hasina ananany (mahasitrana,
mahavelona) no miantoka izany. Ny ombiasy, ohatra, teo amin’ny fiaraha-monina
malagasy dia nanana ny anjara toerany tokoa.
“Voadiniky ny ombiasy fa mitango ny ravin‟itsy ny gidro rehefa maratra ;
tsakotsakoiny ilay ravin-kazo ary apetrany amin‟ny fery. Ireny fandinika ireny no
nanoso-kevitra avy hatrany ny ombiasy, hirotsaka avy hatrany amin‟ny fampiharana,
ka ilazany fa manasitrana angatra iroa ravin-kazo iroa, fa mampivalana izatsy ravin-
kazo izatsy, fa mampivoaka kankana irony voankazo irony …”
L’office du livre malgache, Deux mondes en présence, p.15
Kolontsaina mihodidina amin’ny zavaboary sy ny fandinihana azy avokoa
izany, natao hanasoavana ny fiainan-janak’olombelona. Ny kolontsaina malagasy dia
miafitra any anatin’ireny sakafo haniny na fanafody ampiasainy ireny, indrindra ny
raokandro Ny vary izao no foto-tsakafon’ny Malagasy ka mahatsiaro tena ho faraidiny
tokoa izy raha toa ka izany vary izany no tsy ampy na tsy misy. Ary na dia misy sakafo
hafa mety hasolo ny vary aza, raha tsy mihinam-bary ny Malagasy tsy mahatsiaro tena
ho voky. Koa amin’ny asa rehetra izay ataony, ny fambolem-bary no voalohan-
daharana. Fomba fitenin’ny Malagasy ny hoe : “Milaza ho be raharaha ka ny voly vary
indray no tsy vita.”
17
Ny angovo
Ny sakafo hanin’ny olona anefa dia tsy voatery ho azo hanina manta avokoa.
Vokatr’izany, tsy maintsy mila angovo samihafa izy mba hahafahany mahandro ny
sakafony. Tsy natao ho fandrehitra fotsiny anefa ireny angovo ireny fa natao indrindra
koa mba hanodinana foto-drafitrasa isan-karazany. Ny loharanon’ireny angovo ireny
anefa dia tsy avy aiza tsy akory fa avy amin’ny famolahan’ny olona ireo tahirin-
javaboary ao aminy. Misy amin’izy ireny afaka mihavao mandrakariva toy rano, ny ala
(atao kitay na arina), ny rivotra, ny masoandro… Misy kosa ireo tsy azo havaozina toy
ireo akora mineraly samihafa (ny solika fandrehitra, ny arin-tany).
Ny trano fonenana
Fa amin’ny maha-olona ny olona, mba hahalavorary ny fiainany sy
hahatomombana ny fahasalamany dia mila manana trano fonenana izy. Efa hatry ny
fahagola ny olombelona no nikatsaka mandrakariva ny hanana fonenana tsaratsara
kokoa hatrany. Taratra ao anatin’ny angano, izay isan’ny mitahiry ny teny sy ny
kolontsaina ary ahatarafana ny maha- zava-dehibe ny tontolo iainana izany. Ny angano
“kitay telo an-dalana”17
dia maneho fa singa avy amin’ny tontolo iainana avokoa ny
akora nanorenana ny trano ireo ka toy izao ny fivoarany :
Lava-bato trano vita tamin’ny tsihy trano bongo vita amin’ny bainga.
Hatramin’izao, ny akora entina manangana trano dia isitrahana avy amin’ny
tontolo iainana avokoa.
Ny kojakoja isan-karazany
Ireo kojakoja ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro mikasika ny fonenana dia
mila hatsaraina hatrany : ny fitafiana, ny fanaka ao an-trano, ny foto-drafitrasa
manamora ny fiainana. Miantoka ny kojakoja isan-karazany ampiasain’ny olombelona
andavanandro ny tontolo iainany. Ny resaka fitafiana, ohatra, ny akora ampiasaina
amin’izany dia avy amin’ny zavamaniry sy / na ny biby avokoa. Tsy misy hafa
amin’izay ny kojakoja fanao ao an-tokantrano, ary ny fitaovana entina manorina ny
trano sy izay mety ho foto-drafitrasa mifaningotra amin’ny fiainan’ny olombelona
(lalana, tetezana, fitaovam-pitaterana).
17
DHALES, Anganon‟ny Ntaolo, 1984, p. 176
18
Ny fandaminana ny fiainana andavanandro
Ny tontolo iainan’ny olona dia manampy azy amin’ny fiainana sy ny
fahafantarana ny izao tontolo izaony, izany hoe ny tontolo manodidina azy no
mandrindra ny fiainana andavanandrony ka manamora ny fiatrehany izany. Ho an’ny
Malagasy, ny tontolo manodidina azy no akany famantatra mba handrindrany ny
fotoam-pambolena, na hanamboarany ny fandaharam-potoanany. Ohatra maneho izany
ny famantaran-taona malagasy :
“RIRININA : Mikorintsana ny amberivatry amin‟izay, ka efa miala ny tazo, ary sahy
midina amorontsiraka ny mpanao “be ririnina” izay tsy mbola efan‟ny tazo. Tapi-
kintsana ny ravi-mangahazo ka efa famboly ny tahony. Afafy ny ketsam-barialoha.
LOHATAONA : Misy orana mampisara-taona; maneno ny kankafotra ; vaky vony ny
ambiaty, ary afafy ny ketsan‟ny vary vaky ambiaty, mamontsina ny aviavy, vaky vony ny
paiso ; “maniry” ny tany ka tsy tsara atao feta ; vaky vony ny vero ; miantomboka ny
tazo any ambany ; mandefa anaka ny goaika ; mikakakaka ny androngo ; mamaky loha
sola ny taninadro.
FAHAVARATRA (tafiditra ao ny FARARANO) : Midona ny orana, manao oran-
kateloana sy oran-kerinandro aloha vao mamporèny ny ranonorana. Tonga ny
fararanom-barialoha. Mando mololo ny orana ; mandrara-boanjo am-bavahady ;
mandavo katsaka, manao “ilaifito”. Tonga ny fararanon‟ny vaky ambiaty. Mihintsana
ny ravin-kazo, mivalan-drahona ny lanitra ; miandoha ny filatsahan‟ny fanala, ary
tafahodina indray ny RIRININA.”
COUSINS, Fomba malagasy, p.20-21
Tsy lisitra voafetra akory ireo fa natao anehoana ny anjara toeran’ny tontolo
iainana eo amin’ny sosialin’ny olombelona.
1.1.2.2 Ny fiainam-pitantanan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana
Tsy mba nandehandeha ho azy ny fiainam-pitantanana teo amin’ny
fiarahamonina malagasy, fa misy lamina mazava tsara. Izany hoe, misy fomba fijery,
misy mason-tsivana itsinjaran-toerana na zara adidy aman’andraikitra miantoka ny
fananan-kasina eo anivon’ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ny fanjakana.
Ny fizokiana teo amin’ny Malagasy, ohatra, dia tsy voatery ho laharam-
pianahana ihany (fizokiana voajanahary) fa misy koa fepetra hafa azo amaritana izany
toy ny toe-tsaina, ny fahaiza-manao, ny fitondran-tena… “Izay hendry no atao
andriana”, hoy ny fitenenana. Izany hoe, ny fahendrena no mizana enti-mamaritra ny
fizokiana. Ny andriana, teo amin’ny Ntaolo Malagasy, no natao hitondra ny tany sy ny
fanjakana fahizany.
19
Tany am-piandohana, tamin’ny vanim-potoana faha-foko, ny zokiolona teo
amin’ny tanàna hatrany no nomem-pahefana hitondra sy hifehy ny vahoaka. 18
Araka ny
fiheverana malagasy, ny zokiolona, antsoina koa hoe olona voky andro, dia inoana ary
azo antoka fa efa nandia karazam-piainana maro, manana traikefa amin’izany fiainana
izany. Noho izany, afaka mitondra tsara : miahy ny vahoakany, manoro hevitra,
manitsy. Nandritra ny vanim-potoana faha-mpanjaka, ny andriana no nomena fahefana
hitondra ny tany sy ny fanjakana, taranak’ireo olona nitondra faha-foko ihany.
Nanomboka teo, tsy ny fizokiana ara-bakiteny intsony no nanomezam-pahefana fa ny
fahaiza-mitondra, ny fomba fitondrana vahoaka ; raha tsorina, ny fahaiza-manao eo
amin’ny fitondram-bahoaka.19
Izany fahaiza-manao izany, dia nasehon’ny Ntaolo
amin’ny alalan’ny fanoharana izany amin’ny zava-maniry na ny biby. Ny andriana, na
ny natao ho mpitondra, ohatra, dia noharina tamin’ny amontana, araka izao tanisaina
manaraka izao :
“Isa ny amontana” : ny fahendrena notsoahina avy amin‟ny zavamaniry”
Ny amontana dia hazo lehibe, pelapela-dravina, sady lasa avo izy no
midoroboka fatratra. Maitso lalandava izy, ary tsy mba mety ringi-dravina na
dia amin‟ny andro ririnina aza. Mandrakariva dia nambolena teo amin‟ny
toerana nisy andriana izy ireny. Koa sady mampiavaka ny tanàna misy ny
andriana izy tamin‟izany no fanambarana rahateo koa ny toetr‟andriana. Ny
andriana dia noharina tamin‟ny hazo lehibe midoroboka ho fialokalofan‟ny
vahoaka, sy ho fidodododoan‟ny valalabemandry. Ny andriam-pivelomana hoy
ny fitenenana Ntaolo. Ary ny mahatsiaro mijaly noho ny fitondrana tsy ara-
drariny ataon‟ny mpitondra tsy tena andrian-toetra, dia loa-bolana hoe“Fa ny
aty aminay kosa e… tany lavitr‟andriana! ... Koa ny amontana no ambaran‟ny
Ntaolo hoe “isa”, izany hoe ho andriana (olon-kendry) no zavatra voalohany
ilain‟ny olona rehetra te ho velona finaritra amin‟ny maha-olombelona azy”.
RANDRIAMIADANARIVO, Isa ny amontana, p.11
Araka ny Angano mitondra ny lohateny hoe “Ny nofin’izy telo mirahalahy”,
vokatry ny fahaizana mitsinjo ny ho avy hita taratra amin’ny fomba fisaina sy fiaina, fa
tsy niankina tamin’ny fizokiana ny zara toerana mifanandrify amin’ny zara fananana.
Noho ny fanehoan’Ifaralahy ny fahambonian-tsainy, ny fahaizany mitsinjo ny tenany sy
ny hafa dia nomen-dRainy fitokisana izy mba handimby azy amin’ny fitondrana. Toy
izao no nanambarana izany :
“Ary Ifaralahy no tolorako be kosa, fantatro fa izy nanonofy nandrary herana
sy vondrona, dia tsy hanao soa am-po samy irery izy, fa hiera sy handinidinika tsara
vao manao izay raharaha tiany hatao, ka izy no hahatondra ny anarako sy hamelo-
maso ny tanindrazako ; tsy hanary loloha izy, fa hahafehy vody tatatra.”
Dhale, Anganon‟ny Ntaolo, p.158-159
18
R.P.Victorin MALZAC, Histoire du royaume hova in Lovako T11, 2001, p. 200
20
Ambonin’izany, eo amin’ny fiarahamonina malagasy, isan’ny biby omen-kasina
manokana ny tantely, noho ny izy mahay mitsinjo ny ho aviny sy ny fiainan’ny andiany.
“Fahafatesan-drenitantely”, hoy ny fitenenana, “maty mamela mamy”. Izany hoe, eo
amin’ny fiainana, ny tena olom-banona, ka mendrika ho mpitondra, dia ireo izay
mitsinjo ny ho aviny sy ny taranany ary ny manodidina azy. Izay mamy (toy ny tantely)
hoditra amin’ny vahoaka no mendrika ho mpitondra.
Raha fehezina, ny fahazoam-pahefana hitondra dia mety hiankina amin’ny
fizokiana amin’ny lafiny iray satria ny filôzôfia milafika ao an-damosin’izany dia ny
hoe ny voky andro no ela nandiavana fiainana ka azo antoka hahafehy fitondrana ; mety
ho avy amin’ny fahaiza-miaina koa anefa izany, fahaiza-miaina faritan’ny foto-
pisainana malagasy dia ny fandalana fiarahamonina, fihavanana, firaisan-kina,
fifampitsinjovana, fifampierana amin’izay heverina ho soa iraisana.
1.1.2.3 Ny fiainan-toe-karen’ny Malagasy sy ny tontolo iainana
Manan-jo hihary koa ny olona, hanatsara ny fiainan-toe-kareny. Amin’ny
ankapobeny, ny fiainam-piharian’ny Malagasy dia mifototra amin’ny fitrandrahana ireo
zava-manana aina. Fahagola, ohatra, ny fitrandrahana ny tontolo manodidina, indrindra
ny zava-manana aina no foto-piveloman’ny Malagasy dia ny fihazana sy ny fiotazana.
Ny takalo no nandrafitra ny lafiny toe-karena tamin’izany. Nandroso ny fotoana,
nisy ireo fisokafana tamin’ny firenena hafa, avy amin’ny alalan’ireo mpiantsambo
niandraikitra varotra. Efa nanomboka niova endrika ny takalo, ka ny harena voajanahary
nananan’ny Malagasy no natakalo izay zavatra hafa nilainy tamin’izany (fitafiana,
fitaovam-piadiana…).
Rehefa niditra ny Frantsay, ka nampidiriny tao anatin’ny rafitry ny vola ny toe-
karena Malagasy, dia mbola ny fitrandrahana ny tontolo manodidina hatrany no
nifotoran’izany toe-karena malagasy izany : fanodinana ireo akora voajanahary ho azo
ampiasaina hanamorana ny fiainana, fanondranana ireo harena voajanahary, biby na
zavamaniry (biby fakana nofo na volo, hazandrano, hazo, zavamaniry fakana hanitra).
1.1.2.4 Ny fiainam-panabeazan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana
Ny kolontsain’ny olona, mahafaoka ny fahalalana, ny finoana, ny kanto, ny
fitsipi-pitondran-tena (moraly), ny lalàna, ny fomba amam-panao, ary izay rehetra
21
fihetsika amam-pahazarana noraisina na nolovain’ny olona amin’ny maha-olon’ny
fiarahamonina azy19
, dia mifaningotra betsaka amin’ny tontolo iainany. Ny fitsipi-
pitondran-tenan’ny olona, amin’ny fiarahamonina malagasy, ohatra, dia notsoahina avy
amin’ny avy amin’ny zava-manana aina sy ny tontolo manodidina azy.
Ohatra1 : Raha misy olona feno fahalainana, tsy mety miasa, tsy mahaira-tena, fa
miandry baikoina lava dia asaina mandinika ny fanaon’ny vitsika sy ny tantely izy na
ampahafantarina izany.
Ohatra2 : Rehefa mamboly ny Ntaolo malagasy dia ny zavaboary manodidina azy no
nakany famantatra ary ireny no mibaiko ny hetsika amam-panaony.20
Ahatarafana io fifampikasohana akaiky teo amin’ny Malagasy sy ny tontolo
iainana ihany koa ny lalao sy ny fialam-boly Malagasy, izay isan’ny fitaovam-
panabeazana ny zaza sy ny tanora malagasy fahiny. Isan’izany ny ankamantatra, ny
ankifidy (kilalaon-tsaina mamolavola ny sain’ny ankizy hamantatra ny tontolo
manodidina azy sy hahalala ny lanjan’ireny), ny fampiadiana ravin-kazo
(nampahafantarana ny ankizy fahiny ny karazan-javamaniry sy ny ilana izany amin’ny
fiainana andavanandro, ny kivarivary (kilalao enti-maneho ny fiainan-tokantrano ka ireo
fitaovana ampiasaina dia namboarina sy notovozina avy amin’ny tontolo manodidina).
1.1.2.5 Ny kolontsaina amam-pivavahan’ny Malagasy sy ny tontolo
iainany
“Fandinihana ny zavaboary manodidina azy no nakan‟ny razantsika
fampianarana”, hoy Randriamiadanarivo. Ny endrik’ireny zavaboary ireny, ny toetrany,
ny fombany no nisintonana ny ankamaroan’ny fahendrena malagasy, izany hoe ireo
fitsipi-pitondran-tena amolavolana ny taranaka malagasy. Ny tontolo rehetra eran-tany
eran-danitra dia misy dikany ary misy lanjany eo imason’ny Malagasy avokoa, na
miaina izy na tsia. Izany fananan-kasina izany anefa dia misy an-tanan-tohatra anehoany
izany, arakaraka ny hery ananany sy ny fahefany.
19
Encarta 2008/culture, Edward TYLOR SAPIR : «Culture (anthropologie) : comme un tout complexe
qui englobe les connaissances les croyances, l’art, la morale, la loi, la tradition et toutes autres aptitudes et
habitudes acquises par l’homme en tant qua membre d’une société. » 20
Jereo : 1.1.2.1 Ny fiainan-tsosialin’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p.17
22
Toy izao manaraka izao izany :
1- Zanahary na Andriamanitra Andriananahary
2- Andriamanitra : razan’Andriana (mpanjaka efa maty na niamboho) + zavaboary
ambony (manan-kasina manokana noho izy inoana fa itoerana fanahy na manana
hery tsy voafaritry ny olombelona)
3- Razana : olon-tsotra sy mpanompo
4- Zavaboary ambany : zavaboary ampiasain’ny olona andavanandro, azony
fehezina
Kisary n°3 : Ny mpiadina, ny an-tanan-tohatry ny fananan-kasina
Ny kolontsaina malagasy sy ny zava-tsy manana aina
Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ireo zava-tsy
manana aina. Izy ireny dia mirakitra kolontsaina samihafa, ankoatra ny maha-fitaovana
enti-mandavorary ny fiainana andavanandro azy. Indreto ohatra vitsivitsy maneho
izany.
Ohatra1 : Ny rano
Amin’ny Malagasy, ny rano dia midika ho aina na mirakitra fiainana.
“Matsabory tsy ritra, tranon-tsingala”, hoy ny ohabolana, izay midika hoe ny toerana
ahitana rano dia tsy maintsy mitahiry zava-manana aina.
Ankoatra ny maha fototry ny fiainana ny rano, manana ny hasiny manokana ny
rano ho an’ny fiarahamonina malagasy. Misy kolontsaina malagasy maromaro
mifaningotra amin’ny rano, isan’izany ireto tanisaina manaraka ireto :
▬ Ny rano dia singa fototra enti-mandavorary fomba ao amin’ny fahafatesana: raha
misy olona nodimandry, alohan’ny hanatanterahana ny fampiakanjoana sy famonosan-
damba farany azy dia diovina ny faty, ampandroina. Mariky ny fanalana izay tsy nety
nataony sy famelana ny helony fahavelony izany, ambonin’ny fanalana ny loto ara-
nofo. Tsy maintsy tanterahina izany mba hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny
fandrazanana azy, hiovany tontolo vaovao.
Aorian’ny fandevenana koa dia tsy maintsy misasa ny fianakaviana mba ho
fialana amin’ny loza (manodidina ny fahafatesana).
23
Mba ho fanomezan-kasina ireo razan’andriana (olona mpitondra faha-mpanjaka)
dia misy ny fampandroana ny Dady (ampahan’ny momba ny fatin’ny mpanjaka).21
▬ Ny rano koa dia manana sanda manokana amin’ny finoana Malagasy : ny rano dia
manana fahafahana mamelona amin’ny Malagasy, araka ny fomba fiantso ny vehivavy
bevohoka hoe mitondra rano.
Mirakitra hevitra fandiovana koa izy. Ankoatra ny hita ao amin’ny fombafomba
raha misy fahafatesana, voalaza etsy ambony, misy fomba malagasy maromaro maneho
ny rano ho akora fandiovana.
Any amin’ny famorana, ohatra, ny ranomahery natao hanasana ny ferin’ny zaza
ampitaina dia natao indrindra koa ho isan’ny tandindona irariana ny zaza mba hahery
amin’ny androm-piainany.
Any amin’ny fanalana ondrana, ampiasaina ny rano mba hanalana faditra
(fanadiovana) ireo olona roa tsy nifankaheny hivady na nifamototra.
▬ Ny rano dia manana hasina manokana handavorary ny zavatra kasaina hatao :
amin’ny Malagasy, raha misy zavatra atao, mba hahatontosa izany an-tsakany sy an-
davany, dia mila mangata-tso-drano amin’Andriamanitra, Zanahary ary ny Razana, ny
zoky, ny Ray aman-dReny / raiamandreny.22
“Ny tso-drano zava-mahery”, hoy ny
fitenenana.
Ohatra2 : Ny tany
Manan-kasina tokoa ny tany eo amin’ny tontolon’ny Malagasy, mitovy hasina
amin’ny reny niteraka. Toy izao no nanambaran-dRAKOTOHOVA Clet izany :
“Raha vao teraka ny zaza malagasy dia amim-pomba manetriketrika no anitrihana ny
tavoniny ao anaty tany : fifamatorana ara-nofo, izany no tanterahin‟ity zaza amin‟ilay
reny vaovao. […] hitondra azy mandrakizay ny tany, na velona na maty izy. Hamelona
azy amin‟ny tsirony sy ny vokany, toy izay nataon‟ilay reny nahitana masoandro,
nitondra azy folo volana am-bohoka ; namelona azy tamin‟ny rany sy ny tenany
nandritra ny nahatorontoronina azy tao anatin‟ny haizin‟ny kibo nifonosana.” Raha
tsorina, ny tany no miantoka ny fiveloman‟ny olona mandritra ny androm-piainany :
amboleny, iompiany, anorenany fonenana… ary mitahiry ny nofony rahatrizay
modimandry izy. Izany no ilazana fa tandindon‟ny fahavelomana ny tany.”
RAKOTOHOVA Clet, Fokonolona sy fivoarana in Lovako T11, p.192-193
Ambonin’izany, misy karazana tany omen’ny Malagasy hasina na anaovany
fanamarihana manokana noho ny antony maro samihafa :
▬ ny tany vokaka (tany anaovana fanasinana eny amin’ny Doany) hita eny amin’ny
fasana, indrindra amin’ny fasan’Andriana, ninoan’ny Malagasy fa manana hery
mahavita zavatra (manasitrana, mampanambina, mahalavorary ny zava-kasaina)
21
RANDRIAMAMONJY Frédéric, Tantaran‟i Madagasikara isam-paritra, 2006, p.148-150 22
Ray aman-dReny : iantsoana ireo olona niteraka ; raiamandreny : iantsoana ireo zokiolona
24
▬ ny tany ravo, tany miloko fotsy manopy mavo, manam-pahefana hanasitrana
(ohatra : donika)
▬ ny tany mena, nataon’ny Malagasy fanoharana raha misy toe-javatra tsy azony
anoharana : “Tany mena tsy mirehitra”. Ny tany mena dia tsy mahavokatra, tsy azo
ambolena zavatra, izany hoe tsy azo anantenana vokatra, mifanohitra amin’ny tany roka
na lonaka.23
▬ ny tanindrazana, anondroana ireo tany nonenan’ny razana ka napetrany ho lovan’ny
taranany, mitahiry ny tranon-drazana, ny fasan-drazana, ny harena sy kolontsaina
amam-bakoka nananany24
; iantsoana ny toerana nahalatsahan’ny tavony, raha ny foto-
kevitra maintimolaly no jerena satria fahiny, rehefa miandry ny fotoana ahavelomany
ny vehivavy bevohoka, dia mody any amin’ny ray aman-dreniny miteraka izy.
Ny kolontsaina malagasy sy ny zava-manana aina
Ho an’ny Malagasy, ny zavaboary rehetra, na manana aina izy na tsia, dia
manana hasina avokoa. Vokatr’izany, ny foto-pisainana malagasy dia mametraka fa ny
zavaboary tsirairay, matoa noforonina, dia misy antony avokoa ka tsy tokony
hozimbazimbaina na hopotipotehina tsy amin’antony. Misy zavaboary omena hasina
manokana, noho izy ireny heverina fa manana hery mahavita zavatra. Maneho izany,
ohatra, ny hasina manokana omeny ny omby, ireo zavamaniry manam-pahefana
hanasitrana (tranga manokana hita ao amin’ny faritra arovana Ranomafana, tanin-
janakazo ambolena zavamaniry fanao fanafody, iandraiketan’ny fikambanan’ireo
tangalamena amin’izany faritra izany). 25
Ohatra1 : Biby manan-kasina manokana
Isan’ny biby manan-kasina eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny omby.
Kolontsaina samihafa no miafitra ao ambadik’izany teny izany. Ny aloalo fahita eny
ambony fasana Mahafaly sy / na Antandroy, ohatra, vita sikotra amin’ny hazo, maneho
ireo zavatra manan-danja eo amin’ny fiainana andavanandron’ireo foko roa ireo, dia
manasongadina manokana ny hasin’ny omby. 26
Ny omby, teo amin’ny fiaraha-monina Malagasy, dia manana ny anjara toerany:
ankoatra ny maha-harena azy, manampy amin’ny fiainana andavanandro (sakafo,
23
Régis RALEMISA RAOLISON, Rakibolana malagasy / Tany lonaka : «tany mahavokatra » 24
Régis RAJEMISA RAOLISON, Mbà olom-banona, 2005, p.14 25
Araka ny fanazavana nomen’Andriamatoa talen’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ranomafana,
nandritra ny fitsidihana nataon’ny mpiadina tany ny 13-19 Septambra 2008 26
Lars VIGS, Ny fireham-pinoan‟ny Ntaolo malagasy, 2001, p.81
25
firavaka, ampiasaina…). Ampiasaina koa izy, amin’ny fanatanterahana fomba isan-
karazany, na an-kafaliana izany na an-karatsiana.
Raha manala faditra ny Malagasy dia tsy maintsy misy omby ao hanatanterahana
izany. Ny ala faditra moa dia fisakanana ny loza atahorana hanjo olona iray. Raha misy
olona iray atahorana ho faty, noho ny aretina manjo azy dia toy izao no ranom-bavaka
atao aminy, ao amin’ny Fomba Malagasy :
“Io ianao Andriamanitra, io ianao Zanahary. Avia manatrika ianao
Andriamanitra, izay nanao tongotra aman-tanana. Zanahary nahary ny olombelona,
avia manoloana, raha notanana ny sikidy, notanana ny alanana, naseho io omby
halàna. Ary dia angalana io omby io izany : ny ilany havanana, hatao sorona
hiantsoana anao, Andriamanitra ; ka io sorona io, hahasoa anie io. Ary rehefa vita ny
sorona, io ilany ankavia io kosa, atakalo ny ain‟ny marary.
Io no atakalo mahatakalo, asolo mahasolo ; leon‟ny marary fa tsy mahaleo azy
ny ratsy ; io no fadi-jato, faditra arivo, hahafaka ny ratsy rehetra amin‟ny marary, fa ny
marary, ombalahy am-panjondrinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
[…].Ombay io hialan‟ny ratsy, ny tsy soa, Andriamanitra Andriananahary.
Cousins, Fomba malagasy, p.88
Raha misy fifaliana koa dia tsy maintsy misy famonoana omby. Ny famorana,
ohatra, izay isan’ny tebom-piainana lehibe sy ankalazaina indrindra eo amin’ny
fiarahamonina malagasy, noho izy riba fiampitana, fampitana ny zazalahy ho amin’ny
lafin-dray, midika ho fisian’ny fitohizan’ny taranaka, miantoka ny fameloma-maso ny
anaran-dray. Koa satria fifaliam-be ny famorana, izay notononina koa hoe hasoavan-
jaza na fanaovana hasoavana, dia mamono omby ny fianakaviana ho nofon-kena mitam-
pihavanana sy ho fangataham-pitahiana ho an’ny zaza. Raha misy fahoriana kosa, toy
ny fahafatesana, dia misy ihany koa ny famonoana omby saingy ny hena hanina
nazaraina amin’izany dia antsoina hoe hena ratsy, avy amin’ny omby lofo.27
Izany rehetra izany dia maneho fa manan-kasina manokana tokoa ny omby,
mirakitra kolontsaina maro isan-karazany arakaraka ny fomba entina ampiasana azy.
Tsy ny omby ihany anefa no manana hasina manokana fa manana ny hasiny ny vorona
na biby hafa izay misy ifandraisany betsaka amin’ny fiainan’ny tsirairay, ny
fianakaviana, ny fiarahamonina, ny firenena mihitsy aza araka ireto ohatra roa ireto :
manan-kasina ka tsy azo vonoina na zimbazimbaina ny goaika tamin’ny
andron’Andrianampoinimerina satria nanavotra azy tamin’ny fahavalo saika
hanafika azy,28
27
Régis RAJEMISA RAOLISON, Rakibolana malagasy / omby lofo : « omby lofo : omby novonoina
taloha raha misy maty mba hanomezam-bonovahitra ny maty. » 28
MAKSIM Lucien, Vintsy n°22-23, p.50
26
tsy azo vonoina koa ny sorohitra na ny fody any amin’ny faritra sasantsasany
eto Madagasikara satria nanavotra ny vahoaka tamin’ny andron’ny
fanjanahan-tany nanenjehan’ny Frantsay sy ny Senegaly.29
Ohatra2 : Zavamaniry manan-kasina manokana
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny zavamaniry.
Sady miantoka ny sakafo izy no loharanom-panafody miantoka ny fahalavorariam-
pahasalaman’ny olona. Ny Tangalamena monina amin’ny faritra sy manodidina ny
faritra arovana Ranomafana Ifanadina, ohatra, dia manana tanin-janakazo manokana
amboleny ireo zavamaniry fanao fanafody na raokandro amin’iny faritra iny30
. Izany
zavamaniry izany, amin’ny maha-fanafody azy dia manana ny hasiny manokana, ary ny
anarana omena azy ireny indraindray dia misy ifandraisany amin’ny toetrany na ny
ilana azy amin’ny fiainana andavanandro. Izany rehetra izany, dia manamafy hatrany fa
mandinika lalina ny zavaboary manodidina azy ny Malagasy.
Anarany Ny ilana azy Antony namoronana ny anarany Kalafana Ody kohaka Rehefa mikohaka ny olona dia mikatraina be ihany
ny tratrany. Mba hisorohana izany no isotroana
kalafana, manafana tratra.
Famelondahy Fanaitra ho an’ny
lehilahy
Famelona+lahy>famelondahy : zavamaniry
mamelona hozatra, manetsika ny filahiana.
Ravintsara Fakana hanitra, atao
tambavy
Ravina+ tsara> ravintsara : ravina tsara satria natao
fakana hanitra, hanome tsiro ny fiainana, natao ihany
koa ho tambavy manasitrana aretina.
Vintanina Fanarenana na
fanamboaram-
bintana
Zavamaniry natao hanamboarana na hanarenam-
bintana.
Senasena Ody kohaka
Ny olona, indrindra fa ny zaza rehefa mikohaka, dia
sempotsempotra tsy mahazo aina na misenasena ka
ny senasena no fanafana amin’izany.
Fafana n°1 : Ny mpiadina, araka ny fanazavana nataon’ Andriamatoa
RAKOTOARIVELO Emilson, mpiandraikitra ny saha
Ambonin’izany, ny zavamaniry koa dia isan’ny tandindona ampiasain’ny olona
anehoany ny fiheverany ny zava-misy, ny fiainany sy ny tontolony.
Anaran’ny zavamaniry
Tandindona ampiasan’
ny olona azy Fanazavana
Bozaka
aman’ahitra
Anondroana ireo olona
ambany saranga, tsy
omen’ny fiarahamonina
hasina firy
Ny bozaka sy ny ahitra dia ambany toerana,
voahitsakitsaka mazàna, izany hoe tsy omen’ny
olona hasina mihitsy
29
RAROJOSON Hery Manantsoa, Vintsy n° 2, p.25 30
Fanazavana nomen’ny mpiandraikitra ny tanin-janakazo fanao fanafody, iandraiketan’ny Tangalamena
amin’ny faritra Ranomafana
27
Anaran’ny
zavamaniry Tandindona ampiasan’
ny olona azy Fanazavana
Voninkazo Anondroana ireo
tovovavy tsara tarehy
Ny vehivavy dia noraisin’ny Malagasy ho toy ny
voninkazo noho izy mitana ny andraikitry ny
voninkazo ravaky ny tokantrano sy ny lalana,
manome fahafinaretana ny manodidina amin’ny
lafiny endrika sy fihetsika …
Hazo
miavona na
orchidée
Iantsoana ireo olona
manana fahasembanana
ara-batana sy/na ara-
tsaina
Ny hazo miavona dia mivelona amin’ny
zavamaniry hafa izany hoe izy dia miankin-doha
amin’ny hafa mandrakariva. Tsy misy hafa
amin’izany ireo olona manana fahasembanana, mila
olona hiankinana sy hikarakara mandrakariva.
Voahirana Anondroana tovovavy
manan-kambo, sarotra
alaina ho namana na tsy
azon’ny tsy te
hisahirana
Ny voahirana dia isan’ny zavamaniry anaty rano.
Tsara tarehy ny voahirana, be mpaniry saingy
sarotra alaina. Izany toetran’ny voahirana izany no
atafy ireo
Fandrotrarana Iantsoana ny zanaka
lahy
Amin’ny Malagasy, ny zanaka lahy dia manana ny
maha izy azy ao amin’ny fianakaviana, satria izy no
nandimby ny ray sy hamelo-maso ny anaran-dray,
raha toa ka manara-bady na tendrombohitr’olona ny
zazavavy. Izany indrindra no anoharana azy
amin’ny fandrotrarana araka ny fitenenana hoe :
« Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray
tsy satry. »
Fafana n°2 : Ny mpiadina
Izay rehetra voalaza izay dia ahafaha-milaza fa ny fiainan’ny Malagasy dia
milomano ao anatin’ny tontolo iainany. Tsy vitan’ny hoe miantoka ny andavanandrom-
piainany io tontolo iainany io, fa voarakitry ny andavanandrom-piainany, voarakitry ny
teny teneniny, angolainy any anaty lahabolana sy lahatsoratra samihafa ifaneraserany.
Raha dinihina, ny kolontsaina malagasy dia mifaningotra betsaka amin’ny tontolo
iainany. Azo ambara, araka izany, fa mahalala tsara ny tontolo manodidina azy ny
Malagasy fahiny, mahafantatra ny hasoany na ny haratsiny, ny ilana azy na tsia.
Ny olana anefa, miharatsy hatrany ny tontolo iainan’ny Malagasy. Midika izany
fa mihasimba koa ilay kolontsaina mifaningo-paka amin’ny tontolo iainana, hany ka
tafasaraka amin’ny tontolo iainany ny Malagasy. Fa inona avy tokoa moa ireo tsindry
mihatra amin’ny tontolo iainana ka idiran’ny asa-tanan’olombelona an-tsehatra? Inona
avy koa ireo voka-dratsy aterak’izany?
1.1.3 Ny kolontsaina amam-panao malagasy manimba ny tontolo iainana
Misetra olana goavana ny tontolo iainana maneran-tany, amin’izao vaninandro
iainantsika izao, tsy afa-miala amin’izany i Madagasikara. Hita teo aloha, fa manana
28
anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny tontolo iainany. Ny olona rahateo
dia azo ambara ho manana fahefana amin’izany tontolony izany, mba hanatsarany ny
fiainany. Tsapa anefa, fa vokatry ny asan’ny olombelona, amin’ny ankapobeny, no
mahatonga ny fahasimban’ny tontolo, ka ilay noheveriny hitondra fandrosoana eo
amin’ny fiainany no indro fa lasa manapoizina ny fisiany sy ny ho aviny.
I Safalsky sy ny namany dia nanamafy izany raha nilaza fa ireo olana miantraika
amin’ny tontolo iainana dia azo ambara ho vokatry ny hetsika rehetra ataon’ny
olombelona, misy fiantraikany mivantana na an-kolaka, eo no ho eo na lavitra ezaka,
mitarika fahapotehana eo amin’ny zava-manana aina na ny zavaboary sy ny fepetra
voajanahary mifehy ny natiora. 31
Indreto misy teboka manan-danja ahatarafana izany :
Ny fitrandrahana ny ala : ny ala no avokavoky ny tany, mandrindra ny orana
sy ny rivotra. Fototra iray manimba ny ala aloha ny fitrandrahana azy, saingy ho
an’i Madagasikara dia ny fahamaizan’izany ala izany no tena fototry ny
fahasimbany, araka ny tahirin-kevitra novolavolain-dRatsirarison. Mety ho
vokatry ny fanaovana tavy izany na doro tanety na afon-kijana.
Kisary n°4 : Ratsirarison, REPC, 2008
Ny fitrandrahana tsy ara-drariny ireo harena voajanahary : ankoatra ny
fanimbana na fandringanana ny ala, izay mitahiry harena voajanahary isan-
karazany, miteraka ny fahavitsiana na fahaverezana karazan-javaboary ny
31
SAFALSKY sy ny namany, Apperçu sur les menaces directes sur la biodiversité, 2006, p.6 : « Les
menaces sont définies comme toute activité humaine ou processus causant ou en train de causer ou qui
causera dans le futur la destruction ou la dégradation de la biodiversité et des processus naturels. »
Velaran-tany may teto Madagasikara (1992-2007)
Notrandrahana
May
Notevena
29
fitrandrahana tsy manara-penitra. Miteraka fiokorontanana eo anivon’ny tontolo
iainana izany rehetra izany : tsy misy intsony ny fifandanjana ara-ekolojia.
Ny fahalotoana isan-karazany : ireo rehetra ireo dia miteraka tsy
fahatomombana eo amin’ny tontolo iainana, indrindra ny tsy fisian’ny ala. Lasa
maloto ny rivotra, mihantona na lasa be loatra ny orana, simba satria kaohin’ny
riaka ny tany ka lasa tsy mahavokatra. Manampy trotraka izany ny fahantrana sy
ny toe-tsaina raiki-tampisaka aminy, dia ny fahalotoana. Raha ambara amin’ny
teny fohy, loza avokoa no ateraky ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Rehefa dinihina, araka izany, dia mandrora mitsilany ihany ny olona ka mahavoa
tena, toy ny namafy rivotra ka nijinja tadio. Ny ankamaroan’ireo loza mananontanona
na miantraika amin’ny tontolo iainana rehetra ireo dia avy amin’ny olombelona avokoa.
Ny fanimbana ala, ny fitrandrahana ireo harena voajanahary tsy ombam-
pandanjalanjana, ny fahalotoana samihafa vokatry ny fandrosoana eo amin’ny lafiny
siansa sy tekinolojia izay miteraka voka-dratsy eo amin’ny tontolo iainana avokoa.
Mety ho tsy fahalalana no mahatonga izany, nefa mety ho ny fahazaram-
piainana ihany koa, izany hoe ny fahazaran-dratsy raiki-tampisaka ao amin’ny olona ;
azo heverina ho ny tsy fahatakarana na ny tsy fahafantarana eo no ho eo ny vokatry ny
natao any aoriana. Ny hita mibaribary aloha dia miharatsy hatrany ny tontolo iainana
ary samy mahatsapa izany ny rehetra. Izany indrindra no mampihazakazaka ny firenena
maro amin’ny fanarenana sy ny fikoloana azy, mba ho lovan’ny taranaka any aoriana.
Amin’ny ankapobeny, ny firenena mahantra na an-dalam-pandrosoana (tafiditra
ao anatin’izany i Madagasikara) no manimba amin’ny ampahany betsaka amin’ny
tontolo iainana. Ny toe-karena sy ny fiainan-tsosialin’ireny firenena ireny dia miankina
betsaka amin’ny tontolo iainany. Raha tsorina, miankina tanteraka amin’ny
fitrandrahana ny tontolo voajanahary ny foto-piveloman’ny olona.
Ilaina indray, araka izany, ny famerenana ny foto-pisainana malagasy hifototra
amin’ny tontolo iainana, izany hoe mila mamitra-pihavanana amin’ny zavaboary indray
ny Malagasy. Raha ambara amin’ny fomba hafa, mila fanabeazana momba ny tontolo
iainana ny taranaka malagasy. Manana anjara biriky goavana amin’izany ny
fampianarana taranja Malagasy. Mba hahafahana mahatratra ny tanjona napetraka anefa
dia mila jerena hoe aiza ny anjara toerana misy ny tontolo iainana ao amin’ny taranja
malagasy?
30
1.2 Ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy
Ny tanjona dia ny hijerena ny anjara toerana nametrahana ny tontolo iainana ao
anaty taranja malagasy. Mazava ho azy, araka izany, fa ilaina dia ilaina tokoa ny
mitsikera ny fandaharam-pianarana, mba hahafahana manamora ny fanatsarana ny
fampianarana hifandrindra amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Tena ilaina
tokoa ny mandinika ny vontoatim-pampianarana, mba hahafahana mijery ny lafiny
ahafaha-mampifandray izany amin’ny tontolo iainana. Saingy mila jerena manaraka
izany koa ny anjara toeran’izany ao amin’ny fampianarana an-tsekoly.
1.2.1 Araka ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny MEN
Misy zana-taranja telo ao amin’ny taranja malagasy dia ny literatiora, ny riba ary
ny haiteny. ny tiana hasongadina, eto, dia ny hoe : azo atao tsara ve ny
mampifaningotra ny vontoatim-pampianarana amin’ny tontolo iainana? Tokony
hampifaningorina amin’ny tontolo iainana izany ny fampianarana taranja malagsy raha
tiana hahomby tsara ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Isan’ny manana anjara
toerana betsaka amin’izany fanabeazana izany sy ny fampiatam-pahalalana ny
famerimberenana izany na fandetehana any an-tsain’ny beazina ny tiana hahatongavana:
sarobidy ny tontolo iainana ka mila arovana.
1.2.1.1 Ny tontolo iainana ao amin’ny fampianarana literatiora
Fototra iray maha-kanto ny asa soratra ny fandrindrana ny loko sy ny sary
vimbinin’ny fitanisana ny zavaboahary. Loko sy sary mirindra amin’ny teny sy hevitra
mifanaraka amin’ny fifantenana ny zavaboary tian-kanehoana hafatra no aina iray
mamelona ny haisoratra, ka mahatonga azy hifaka amin’ny tany hatrany. Rakotra
zavaboahary ny haisoratra malagasy, izay tsy vitan’ny hoe loko na sary fotsiny fa tena
saina mamelona azy mihitsy. 32
Araka izany, mifaningotra amin’ny zavaboary ny asa
famoronana literera.
32
Lala-RAKOTOSON RAOLISOA, Lovako T12, 2003, p. 252
31
Kilasy Ny lohahevitra ao amin’ny
fandaharam-pianarana Ny lafiny ahafaha-mitrandraka ny tontolo iainana
Fahenina Ny literatiora mitantara sy
manoritsoritra
- ireo karazana zavaboary tsy manam-
paharoa ananan‟i Madagasikara
-Azo soritsoritina koa ireo karazana
rohivoaary isan-karazany, ny ilana azy,
ny fivoarany mankany amin‟ny
fahasimbana…
- Ireo lahatsoratra mitantara maneho
fahariana, mifandray amin’ny tontolo
iainana Fahafito Ny literatiora mitantara :
-Ny angano sy ny sombin-tantara
Famaritana
Ny rafitry ny tantara
Ny mpandray anjara
Ny hevitra raketiny
Ny maha-zava-kanto sy
fampivoarana azy
-Ny tononkalo manara-drafitra
- Ny anjara toeran‟ny zavaboary eo
anivon‟ny angano (tandindona eo
amin‟ny fiarahamonina- fototry ny anatra
na lesona)
- Ny anjara toeran‟ny tontolo iainana ao
amin‟ny sombin-tantara ka tsy ny
mampihomehy ihany no dinihina fa ny
sokajy manontolo mba hahafahana
manao fampitahana.
- Ny tononkalo sy ny tontolo iainana Fahavalo -Ny literatiora manazava
-Ny kanto ao amin’ny literatiora : ny
tamberina
- Ny fanazavana miorina amin’ny
lanjan’ny tontolo iainana eo amin’ireo
riba fiampitana Fahasivy -Famerenana ireo sokajina literatiora
tany amin’ny kilasy ambany
-Ny literatiora mandresy lahatra
- Ny anjara toeran’ny tontolo iainana any
anaty ohabolana isan-karazany any, na
any anaty lahabolana…
- Ny fandresen-dahatra miorina amin’ny
tontolo iainana fahita any amin’ny
ohabolana, hainteny, kabary… Fahafolo -Ny literatiora amin’ny ankapobeny
Famaritana
Ny sokajiny sy ny karazana isan-
tsokajy
Ny kanto ao aminy
-Ny tantaran’ny literatiora :
talohan’ny 1818-1929
- Ny literatiora sy ny zavaboary
- Ny anjara toeran’ny zavaboary amin’ny
famoronana ny kanto any amin’ny
literatiora
-Averina ao ny tekinikan‟ny famoronana
sombin-tantara araka ny sokajiny avy ka
asongadina amin‟izany ny anjara
toeran‟ny tontolo iainana ao
anatin‟izany.
-Halalinina ny anjara toeran‟ny
zavaboary amin‟ny famoronana ny kanto
hita tany amin‟ny kolejy Voalohany 1-Ny literatiora amin’ny ankapobeny
: ireo singa 3 mamorona azy
2-Ny tantara foronina
-Famaritana
-Ny firafitry ny tantara
-Ny mpandray anjara
-Ny hevitra raketiny
-Ny hakantony
3-Ny tantaran’ny literatiora : 1929-
1972
-Azo atsidika ato amin‟ny fampitahana ny
sombin-tantara sy ny tantara foronina ny
anjara toeran‟ny tontolo iainana amin‟ny
fandrafetana izany
-Azo dinihina koa ny mikasika ny
fanoharana enti-maneho ny sokajin‟olona
eo anivon‟ny fiarahamonina amin‟ny
tontolo iainana (jereo 1.1.2.5)
Famaranana Ny singa mandrafitra ny literatiora
Ny tantaran’ny literatiora : ny vanim-
potoana ankehitriny (+1960)
Fafana n°3 : Ny mpiadina, araka ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny MEN, 1997
32
1.2.1.2 Ny tontolo iainana ao amin’ny fampianarana riba
Isan’ny zana-taranja manana anjara toerana lehibe amin’ny fampianarana taranja
Malagasy ny riba. Ao no itrandrahana ireo kolontsaina sy fomba amam-panao maneho
ny maha izy azy ny Malagasy. Araka ny natsidika teo aloha, izany kolontsaina sy fomba
amam-panao izany dia mifaningotra betsaka amin’ny tontolo iainana33
ka ny
hitrandraka izany ao anaty fandaharam-pianarana no imasoana eto.
Eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra (kolejy)
Kilasy Ny lohahevitra ao amin’ny
fandaharam-pianarana Ny lafiny ahafaha-mitrandraka ny tontolo iainana
Fahenina 1-Ny fianakaviana
-Famaritana ny ankohonana sy ny
fianakaviana, ny rohim-pianakaviana
-Ireo toetra amam-pihetsika
mampirindra ny fifandraisana eo
anivon’ny ankohonana
2- Ny tanindrazana sy ny firenena
3- Ny asa
4-Ny olombelona sy ny tontolo iainana
-Famaritana
-Ny anjara toeran’ny biby, ny
zavamaniry, eo amin’ny fiainan’ny
olombelona / ny Malagasy :
ny voka-tsoa azo avy aminy
ny fomban-drazana
1-Ny fianakaviana : ny fihariany
2-Ny tanindrazana sy ny firenena
-Ny filazana ny harem-pirenena :
tahirin-javaboary izay isan‟ny
mampanan-karena an‟i Madagasikara
sy iavahany amin‟ny firenen-kafa
-Ny fiarovana ny tontolo iainana izay
miantoka ny fampandrosoana maharitra
3-Ny asa
- Ny fiveloman‟ny tantsaha izay maro
an‟isa eto Madagasikara, mifototra
amin‟ny tontolo iainana, amin‟ny
ankapobeny
- Ny fandrindram-piainan‟ny Malagasy
fahiny : eo amin‟ny fambolena, ny
fiainana andavanadro…mifaningotra
amin‟ny tontolo iainana 34
- Ireo karazan‟asa manimba ny tontolo
iainana
4-Ny olombelona sy ny tontolo iainana
-Ireo singa mandrafitra ny tontolo
iainana sy ny fifampiankinany
- Ireo harena voajanahary malagasy izay
azo anorenana fanoritsoritana
Ny fiarovana ny zavaboary
-Fitanisana ireo fomba aman-
kolontsaina manimba ny tontolo iainana
-Fanoritsoritrana ireo harena
voajanahary
Fahafito 1-Ny Malagasy sy ny fiarahamoniny
-Ny fihavanana
-Ny fifanajana
-Ny fifampitsimbinana
2-Ny Malagasy sy ny fialam-boliny
1-Ny Malagasy sy ny fiarahamoniny
- Ny fihavanan‟ny olona amin‟ny
tontolo iainana
-Ny fanajan’ny olona ny tontolo iainana
-Ny fifampitsimbinan‟ny olona sy ny
zavaboary
2-Ny Malagasy sy ny fialam-boliny
- Ireo kilalao manome lanja ny tontolo
iainana sy ny anton‟izany35
33
Jereo : 1.1.2.1 Ny fiainan-tsosialin’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p. 15 34
Jereo : ibid note 35 35
Jereo : 1.1.2.4 Ny fiainam-panabeazan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p. 20
33
Kilasy Ny lohahevitra ao amin’ny
fandaharam-pianarana Ny lafiny ahafaha-mitrandraka ny
tontolo iainana Fahavalo Ny fotoana lehibe lalovan’ny olona eo
amin’ny fahavelomany :
1-Ny fahaterahana
2- Ny mivoaka itany
3-Ny ala volon-jaza
4-Ny famorana
5-Ny fanambadiana
-Azo dinihina ny anjara toeran’ny
tontolo iainana amin’ny maha-
tandindona azy any anatin’ireny riba
fiampitana ireny, mila itarina any
amin’ny lanjan’ireny eo amin’ny
fikajiana ny tontolo iainana
Fahasivy 1-Ny fifandraisan’ny Malagasy eo
amin’ny tontolon’ny velona sy ny
razana
-Ny fahafatesana
-Ny famadihana
-Ny fifandraisan’ny velona sy ny
razana araka ny fiheveran’ny Malagasy
2-Ny fifandraisan’ny Malagasy
amin’ny lafa-pamokarana
-Ny endri-pamokarana mifototra
amin’ny valin-tanana
-Ny endri-pamokarana mifototra
amin’ny fahaleovan-tena
-Fampitahana ireo endri-pamokarana
ireo sy ny fepetra mampahomby eo
amin’ny fiharian-karena ankehitriny
-Azo dinihina amin’izany ny hasin’ny
razana sy ny tontolo iainana: ny
hazo/ala faly (fady) ; ny fanadiovana
fasana angatahana alalana amin’ny
razana, ny fitevana ala fahiny…
-Azo halalinina ireo fombafomba
manodidina ny fahafatesana: ny tatao
mariky ny firaisan-kina, ny fanipazana
vato ao am-pasana, ho solon’ny tena ho
an’ny maty , ny vatan’akondro :
solon’olona (kambana maty , fasam-
bao) …
-Avoitra tsara ireo ohabolana amam-
pitenenana maneho ny firaisan-kina, ny
fihavanana, ny fifampitsimbinana…
Eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa manokana (lisea)
Kilasy Ny lohahevitra ao amin’ny
fandaharam-pianarana Ny lafiny ahafaha-mitrandraka ny
tontolo iainana Fahafolo 1-Ny fandrosoana : famaritana
-Ny tanora sy ny fandrosoana
-Ny fifandraisana eo amin’ny
fiarahamonina
Ny adidy sy ny andraikitry ny
tsirairay eo amin’ny
fampandrosoana
Ny fankafizana, ny fifehezana
ary ny fanajana ny tena Ny
fanekena ny fahasamihafana,
endrika iray isehoan’ny
fandrosoana
Tanora mitsinjo ny ho aviny,
fanoitra iray mahomby
amin’ny fampandrosoana
2-Ny fahafahana
- Ny momba ny tontolo iainana sy ny
fandrosoana / fampandrosoana
Tontolo iainana : fanoitra ho
an‟ny fampandrosoana
Ny fandrosoana fototry ny
fahasimban‟ny tontolo iainana
Ny tontolo iainana mamolavola
ny olona sy ny fitondran-tenany
ho an‟ny Malagasy
Ny tontolo iainana sy ny
fahaiza-mitantana azy antoky
ny fampandrosoana
Ny andrikitry ny tanora
amin‟ny fiarovana ny tontolo
iainana
Ny momba ireo lovan-tsofina
mifaningotra amin‟ny tolom-
panafahana :
ny fady manodidina ny fiarovana
ny tontolo iainana (nanavotra tamin‟ny
fahavalo toy ny tamin‟ny fanjanahan-
tany, nanavotra tamin‟ny loza…)
34
Kilasy Ny lohahevitra ao amin’ny
fandaharam-pianarana Ny lafiny ahafaha-mitrandraka ny
tontolo iainana Voalohany 1-Ny rafi-pisainana malagasy tarafina
amin’ny fomba fiainany
-Ny marina, ny rariny, ny hitsiny
Famaritana
Ny endrika isehoany
Ny lanjany
Ny olo-marina sy ny fampandrosoana
-Ny fahalalana sy fahendrena
Ny olon-kendry sy ny manam-panahy
Ny anjara toerany eo amin’ny
fiarahamonina
Ny manam-pahaizana sy ny
fampandrosoana ny firenena
2-Ny hasina
-Ankapobeny momba ny hasina
-Ny hasin‟ny tsirairay
-Ny toerana sy ny zavatra manan-
kasina
-Ny hasin‟ny tanindrazana
-Ny hasin‟ny tompom-pahefana
1-Azo velarina ho any amin‟ny tontolo
iainana ireo lohahevitra ireo noho ny
fiainan‟ny olona sy zavaboary
mitambatra ho rohivoaary iray: misy ny
marina tsy azo lavina, ny rariny ary ny
hitsiny.
Ohatra : marina fa manana fahefana ny
olona isitraka ny zavaboary manodidina
azy, rariny izany saingy mazana tsy
rariny ny ataon‟ny olona amin‟ny
fitrandrahana izany zavaboary izany
mazana, ka ny hitsin‟izany, tontolo
iainana simba, fahantrana…
-Azo dinihina manokana ny fahendrena
notsoahina avy amin‟ny zavaboary, ny
fahalalana atolony…
-Ny manam-pahaizana mitrandraka ny
tontolo iainana hampadroso ny firenena
na ny mifanohitra amin‟izany
2-Jerena mitokana ny hasin’ny
zavaboary eo amin’ny fiarahamonina
malagasy sy/na fiarahamonina hafa ; ny
tany sy toerana manan-kasina
-Tokony havoitra tsara ny fa isan‟ny
maha firenena ny firenena ny harena
voajanahary ao aminy
-Azo asongadina ato ireo fototra
nahazoam-pitondrana fahiny tarafina
amin‟ny lahabolana na lahateny36
Famaranana -Ny Malagasy sy ny fiheverany ny
tontolony
-Ny fanahy
-Ny tsiny sy ny tody
-Ny finoana ny hery tsy hita : ny
anjara, ny lahatra, ny tendry, ny
vintana ; Andriamanitra, Zanahary,
Razana
-Ny fitsimbinana ny aina sy ny
faharetan’ny taranaka
Azo jerena ny fototra iorenan’ny
filôzôfia Malagasy mifaningotra
amin’ny tontolo iainana ; ny finoany, ny
anjara toeran’ny tontolo iainana eo
amin’ny fitsimbinna ny aina sy ny
fitohizan’ny taranaka (ireo eva maneho
izany)
Fafana n° 4 : Ny mpiadina, arak any fandaharam-pianarana novolavolain’ny MEN,
1997
Fanamarihana : Ny sora-mandry dia tolo-kevitra mikasika ireo lohahevitra mbola azo
trandrahana avy amin’ny mpiadina
36
Jereo : 1.1.2.2 Ny fiainam-pitantanan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p.32
35
1.2.1.3 Ny tontolo iainana ao amin’ ny fampianarana haiteny
Amin’ny ankapobeny, somary sarotra ny mampiditra ny tontolo iainana any
anaty fampianarana haiteny noho izy mandinika ny teny amin’ny maha teny azy toy ny
fandrasana teny, fandrasana fehezanteny, fikirakirana lahateny. Azo atao ihany anefa ny
mitrandraka ireo teny manam-pifandraisana amin’ny tontolo iainana toy ireto tanisaina
manaraka ireto :
Raha vao miresaka rafitra ao anaty haiteny dia zavamaniry toy ny hazo no
anoharana izany. Ny sampan-teny dia ahitana ny fototeny ary samy manana ny
fakan-teniny avy. Ny zavamaniry, amin’ny ankapobeny, no misy fakany sy
fotony ary sampany. Mba hanamora ny fandrasana teny dia izany voambolana
izany no nampiasaina hihasinkasinan’ny hasin-teny tsirairay avy.
Ny voambolana fampiasa amin’ny karazana fikirakirana teny sy lahateny dia
maneho ny fifandraisan’ny olombelona amin’ny tontolo iainana koa. Azo raisina
ohatra amin’izany :
● Ny fanadihadiana lahatsoratra : ny teny hoe fanadihadiana dia avy amin’ny
matoanteny hoe manadihady, izay manana ny fototeny hoe hady. Ny teny hoe
manadihady dia mamoaka na mitady ny fototra ipoirana zavatra iray(oha tra : mihady
ovy na vomanga). Tsy misy hafa amin’izany, raha hevitra no hadiana dia jerena ireo
lafin-kevitra nahatonga ny mpanoratra hanoratra ny lahatsoratra, ka ijerena ny mety ho
antony manamarina izany sy ny antony mety ho nahatonga izany. Raha tsorina, ny
manadihady dia manazava ihany.
● Ny famakafakan-kevitra : ny teny hoe famakafakana indray dia avy amin’ny
matoanteny hoe mamakafaka, izay azo adika malalaka ho mamotopototra, izany hoe
mandinika ny fakany, mijery ny fototra nipoirana zavamaniry iray sy ny manodidina
azy. Koa raha hevitra no fakafakaina dia nindramina izany teny izany, mba hanamora
ny fahazoana ny asa takina dia ny fijerena ny fototra na ny faka izay loharano
nanovozan’ny mpanoratra ny heviny. Ny literatiora dia voka-javatra, vokatry ny zava-
misy,37
ka ny famakafakan-kevitra dia tsy inona akory fa fanakarana ireo zava-misy tao
an-tsain’ny mpanoratra ka nanosika azy hamoaka ilay hevitra narosony. Raha ambara
amin’ny fomba hafa, ny famakafakana dia fanazavana tenina mpandinika.
● Ny famoaboasan-kevitra : ny teny hoe famoaboasana kosa dia avy amin’ny
matoanten’ny mpanao hoe mamaofy izay manana endrika iharana hoe voasana. Ny
37
Lala RAKOTOSON RAOLISOA, Lovako T10, 2000, p. 6 : «Ny literatiora dia taratry ny zava-misy fa
tsy tongatonga ho azy. » arak’i Charles RALOELISOLO
36
zavatra voasana dia mety ho zavatra mifono toy ny tsaramaso na voanjobory, nefa mety
ho fanalana ihany koa hodi-javatra, singa tsy dia ilaina loatra manarona ny tena ilaina
toy ny hodi-boanjo na saonjo na ovy. Matoa voasana izany ny zavatra iray, dia tiana ny
haseho miharihary kokoa ny tena maha izy azy na ny ilana azy. Koa raha hevitra no
voaboasana dia esorina ireo sarin-teny na ohatrohatra manasarotra ny fanakarana ny
hevitra raketiny ka manamora ny fanazavana sy ny fahazoana azy.
● Ny endrika anehoana ny lafin-kevitra samihafa anaty lahatsoratra (fanadihadiana na
famoronana na famakafakana) : azo atao tsara ny maneho ireny amin’ny endriky ny
hazo ka amin’izany mitombina tsara ilay fitenenana hoe : “Ny isavasavana ny raviny
ahitana ny fotony.”
Fakany : ny foto-dresaka
Vatany : foto-kevitra
Sampany lehibe 3 : renihevitra na hevi-dehibe
Rantsany 2-3-4 : zana-kevitra
Raviny ombam-boany : lahatsoratra isintonana ny porofon-kevitra
miampy ny fanehoan-kevitra.
Hita, araka izany, fa azo atao ny mampiditra ny resaka tontolo iainana ao
amin’ny taranja malagasy. Koa anjaran’ny mpampianatra tsirairay no miezaka
manatanteraka izany, miainga avy amin’ireo tolo-kevitra vitsivitsy ireo. Asa
fanombohana ihany izao asa izao, fa ny tsirairay no manovona izany mba hahafeno
tsara ny fanabeazana omena ny mpianatra.
1.2. 2 Eny anivon’ny sekoly
Raha nanao fanadihadiana fohy tamina mpampianatra vitsivitsy amina sekoly
samihafa izahay, dia tsikaritra fa misy ihany ireo mpampianatra miresaka momba ny
tontolo iainana, saingy ireo lohahevitra tena miresaka izany ihany no tena trandrahana.
Azo raisina ohatra amin’izany ny ao amin’ny kilasy fahenina sy fahafolo, izay tena
mifaningotra mivantana amin’ny tontolo iainana.
Tsikaritra ihany koa fa na miresaka momba ny tontolo iainana aza any an-
dakilasy dia fomba fijery mitsipotipotika ihany no itrandrahana izany. Izany hoe ireo
singa amin’ny tontolo iainana no raisina, tsy ampifandraisina amina singa hafa izany, ka
tsy tena hita ny lanjany. Azo raisina ohatra amin’izany, ny fitaovana entina maneho
tandindona any anatin’ireny riba fiampitana na fombafomba ireny. Raha ny marina,
37
nitrandraka ny tontolo iainana ihany ny ankamaroan’ny mpampianatra saingy ny
tanjona tao anatin’izany no tsy mitovy satria tsy nampifandraisina amin’ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana. Fahalalana fotsiny no trandrahana sy ampitaina fa tsy jerena
ny mety ho akon’izany eo amin’ny fanatsarana na fanimbana ny tontolo iainana.
Tsy mitovy ihany koa ny firesahana ny tontolo iainana any anaty taranja
malagasy ho an’ny sekoly ambanivohitra sy an-tanan-dehibe. Ny any ambanivohitra,
mbola tafiditra ao amin’ny tontolom-piainany ny resaka zavaboary sy ny fifaningoram-
piainana amin’izany, amin’ny maha-tantsaha azy, toy ny fotoam-pambolena, ny fomba
amam-panao mbola hita sy iainana mivantana, ohatra. Somary mifanohitra amin’izany
ny aty an-tanan-dehibe : lasa fahalalana teorika be ihany no omena ny mpianatra fa tsy
misy sehatra ahafahana miaina izany mivantana.
Araka izany, raha tiana ho tomombana tsara ny fanabeazana momba ny tontolo
iainana, amin’ny alalan’ny fampianarana taranja malagasy, dia mila tovonana ny
tanjona ary mila omen-danja any anaty fampianarana ny hasarobidin’ny tontolo iainana
sy ny fifaningoran’izany amin’ny fiainan’ny olona sy ny fiarahamonina. Azo ambara fa
efa misy ihany ny fitrandrahana ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy, saingy
mila anterina kokoa izany.
1.2.3 Fanamarihana
Raha izay rehetra izay no dinihina dia azo atao tsara ny mitrandraka ny tontolo
iainana ao amin’ny taranja malagasy, raha ny lohahevitra dinihina ao amin’ny
fandaharam-pianarana no iaingana. Anisan’ny olana amin’ny fampifandrindrana ny
taranja malagasy sy ny fanabeazana momba momba ny tontolo iainana ny tanjona izay
napetraky ny mininsitera. Tsy ny fahafehezan’ny mpianatra ny tontolo iainana sy ny
manodidina azy no iresahana azy ao amin’ny taranja fa noho izy mifaningotra amin’ny
lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pianarana. Vokatr’izany, ny tanjona napetraka
hotratrarina no mila hatsaraina hifanaraka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ambonin’izany, ny mpampianatra, izay mikirakira ny taranja malagasy, dia tsy
manana fahalalana feno mahakasika ny tontolo iainana sy ny fampifandraisana izany
amin’ny taranja ampianariny. Manampy izany ny tsy fahampian’ny fitaovana hoenti-
manana eo amin’ireo izay manana finiavana.
38
1.3 Ny fantsom-pampitam-pahalalana ao amin’ny taranja malagasy
Na dia eo aza ireo vontoatim-pampianarana, tsy tonga na tafita ho azy any
amin’ny beazina izany, fa tsy maintsy misy ny fantsona enti-mampita izany. Manana
anjara toerana lehibe amin’izany ny fitaovana enti-mampianatra, izay enti-mampita ny
fahalalana any amin’ny beazina.
Ny fampianarana, arak’i Edgar Morin, dia toy ny serasera ihany ka toy izao ny
teoriany mikasika izany :
Mpampianatra Taranja Fitaovana eti-mampianatra Mpianatra
Vokatra Karazana tombana azo atao
Kisary n°5 : Edgar Morin, modelim-pifandraisana, araka ny tontolon’ny EMEREC38
Zava-dehibe amin’ny fampianarana ny fitaovana hoenti-mampita fahalalana. Ny
fanontaniana : amin‟ny fomba ahoana? no iandrasana valiny , eto, ka raha vao diso
fisafidy izany ny mpampianatra dia tsy hipaka tsara any amin’ny mpianatra ny
fahalalana tokony ho azony. Hojerena ireo fitaovana enti-mampianatra, araka ny
fandaharam-pianarana novolavolain’ny minisitera. Hotaterina manaraka izany kosa ireo
fitaovana enti-mampianatra eny anivon’ny sekoly, araka ny fanadihadiana natao. Farany
hojerena ireo tsikera azo atao hoenti-manatsara hatrany ny fampianarana taranja
malagasy sy mba hifanarahan’izany amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana.
1.3.1 Ny fitaovana enti-mampianatra, araka ny fandaharam-pianarana
novolavolain’ny MEN
Raha fintinina dia ireto manaraka ireto ireo fitaovana enti-mampianatra
voarakitra ao amin’ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny minisitera :
Tahirin-kevitra an-tsoratra
Angon-kevitra
38 Jean CLOUTIER, L‟ère d‟EMEREC ou la communication audio-scripto-visuell à l‟heure des selfs-
média : « le mécanisme de la communication selon Edgar Morin », 1975, p.236
Iza no niteny ?
Inona ?
Amin’ny fomba
ahoana ?
Amin’iza ?
Ny akon’izany ?
Do-miverina
39
Fanadihadiana ataon’ny mpianatra mikasika ny lohahevitra ianarana
Firotsahana an-tsehatra
Trangam-piarahamonina volavolain’ny mpampianatra na nohadihadian’ny
mpianatra
Fanasana olona hanao famelabelarana
Horonan-tsary
Fanehoana an-tsehatra ny zavatra nianarana (kabary, riba fiampitana…)
Famelabelaran-kevitra ataon’ny mpianatra
Azo ambara fa ny fitaovana mifototra amin’ny teny na an-tsoratra no mibahana
amin’izany fitaovana enti-mampianatra izany, izany hoe tahirin-kevitra an-tsoratra
hatrany mazàna no iaingana.
1.3.2 Ny fitaovana enti-mampianatra fampiasa eny anivon’ny sekoly
Raha ny fanadihadiana nataonay tamina mpampianatra vitsivitsy dia azo ambara
ho samihafa ihany izany, arakaraka ny toerana misy ny sekoly : ambonivohitra na
ambanivohitra. Ny iombonan’izy ireo kosa anefa dia izy ireo izay mazàna samy
mampiasa ny tahirin-kevitra an-tsoratra ho fitaovana enti-mampianatra. Samy
mampanao famelabelarana ny mpianatra, na miainga amina angon-kevitra, na miainga
amina trangam-piarahamonina.
Ireto kosa no tsikaritra ho maha-samihafa azy : ny any an-drenivohitra dia
mitrandraka kokoa ireo haino aman-jery : horonan-tsary (ny sekolim-panjakana sy tsy
miankina vitsivitsy). Ny any ambanivohitra kosa dia ny manatrika fomba na ny midina
an-tsehatra no tena fanaony, satria any ireny mbola velona sy iainana. Ny tsy fahita
matetika dia ny fanehoana an-tsehatra ny zavatra nianarana (kabary, riba fiampitana…)
na fanasana olona avy any ivelany manao famelabealaran-kevitra.
1.3.3 Tsikera eo amin’ny lafiny fitaovana enti-mampianatra
Isan’ny zava-dehibe amin’ny fampianarana tokoa ireny fitaovana enti-
mampianatra ireny satria ankoatra ny maha-fitaovana fampitam-pahalalana azy dia
isan’ny manaitra ny tsilontsain’ny beazina koa ireny. Araka ny fandinihana nataon’i
Howard Gardner dia misy tsilontsaina valo azo trandrahana ao amin’ny beazina, mba
40
hampahomby ny fianarana ataony. Samy manana ny azony itrandrahana azy ireo
nytaranja tsirairay. Misy kosa ireo azo trandrahina amin’ny taranja rehetra. Ireto avy
izany :
Kisary n°6 : Howard Gardner, ny tsilontsaina marolafy39
Ambonin’ireo, samy manana ny anjara asany amin’ny fandrantoam-pahalalana
ny atidoha havia sy havanan’ny olona. Amin’ny ankapobeny, araka ny fandinihana
nataon’i Tony Buzan dia ny atidoha ankavian’ny olona no tena miasa fa ny ankavanana
tsy dia miasa firy. Izany no antony namoronany ny kisary mandranitra saina na mind
mapping izay natao indrindra itrandrahana ireo tsilontsaina ao amin’ny beazina,
manaraka ny fomba fiasan’ny atidoha manontolo. Toy izao ny kisary maneho izany :
39
http://w.w.w.intelligences-multiples.org
Tsilontsaina maro lafy
Tsilontsaina mifototra amin’ny mozika :
mitrandraka ny fahaiza-mihaino feo sy
ngadona
Tsilontsaina mifototra amin‟ny fahafantarana
ny tena
Tsilontsaina mifototra amin‟ny teny :
mampiasa mba haanehoana hevitra sy
hahazoana ny hafa
Tsilontsaina mifototra amin‟ny lojika sy ny
marika : mitrandraka ny lojika, ny
famakafakana, ny fandinihana, famahana
olana izany hoe mampifandray ny antony sy
ny vokany
Tsilontsaina mifototra amin‟ny fahafehezan-
tena amin‟ny fandrindrana ny fifandraisana
amin‟ny hafa : mitrandraka ny fahaiza-
miara-monina, miasa…
Tsilontsaina mifototra amin‟ny fahafahana
mampiasa ny vatana na ny ampahany amin‟ny
vatana : ny hetsika ataon’ny vatana no
anehoana hevitra na ifandraisana amin’ny
hafa, na koa famehezana ny vatana fotsiny
tsotra izao, toy any amin’ny fanatanjahan-tena
Tsilontsaina mifototra amin‟ny habaka :
mitrandraka ny fahafehezana ny habaka
amin’ny alalan’ny maso
Tsilontsaina mifototra amin‟ny fahafehezana
ny tontolo voajanahary : mitrandraka ny
fahalalana sy ny fahafehezana ny tontolo,
fampiasan’ireo siantifika : mpandinika ny
tontolo, ny ranomasina ; ny mpanjono…
41
Kisary n°7 : Tony Buzan, ny atidohan’ny olona sy ny fomba fiasany
Araka io kisary io dia dia hita tokoa fa mazana ny atidoha havian’ny olona no
miasa any am-pianarana, mifototra amin’ny teny amin’ny ankapobeny. Ny atidoha
havanana kosa dia tsy voatrandraka firy. Marihina fa ny atidoha havanan’ny olona no
misahana ny asa famoronana ataon’ny olona, amin’ny alalan’ny fanehoana ho hita maso
ny zavatra saininy, ary manamora ny fanehoana an-kisary na an-tsary ny lafin-javatra
saro-draisina.
Misy banga, araka izany, ny fitaovana enti-mampivelatra ny tsilontsain’ny
beazina an-dakilasy. Mila miezaka mampiasa fitaovana enti-mampianatra samihafa ny
mpampianatra, araka ny tsilontsaina izay tiana hotrandrahana amin’ny beazina. Miara-
dalana amin’izany, ezahina hatrany ny hampiara-dalana ny atidoha manontolo: havia sy
havanana.
Mba hahatrarana izany indrindra no nahatonga anay hanolo-kevitra amin’ny
ampiasana ny sary ho fitaovana enti-mampianatra ao amin’ny taranja malagasy (sary
fotsiny na sary omban-tsoratra na kisary), ankoatra ny fivoahana eny anivon’ny tontolo.
Tsy azo hadinoina fa ny fampianarana taranja malagasy, eto, dia ampiarahan-dalana
mandrakariva amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana.
Raha ambara amin’ny fomba hafa, tokony hotrandrahana amin’ny fomba rehetra
ireo tsilontsaina ananan’ny beazina, ka tsy voatery ho ireo taranja siantifika na tantara
sy jeogirafia ihany no hampiasa ny sary ho fitaovana enti-mampianatra, fa ny taranja
mampianatra teny toy ny taranja malagasy koa. Tsy misy hafa amin’izany, azo atao
tsara ny manao fidinana an-tsehatra (fampianarana eny anivon’ny tontolo), ka
amin’izany, misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny taranja vitsivitsy. Mazàna ny taranja
siantifika, ny tantara sy jeogirafia no tena manatanteraka izany. Amin’izany fivoahana
Havia Havananana
Teny
Resaka
Famakafakana
Lôjika
Isa
Fitanjozorana
n
42
izany anefa, dia teny no ivon’ny fifandraisana amin’ny ankapobeny, fiarahamonina
malagasy no jerena. Araka izany, misy anjara toerana tokony hisy ny taranja
mampianatra ny teny ao toy ny taranja Malagasy. Ny taranja malagasy, araka izany, no
tokony ho ivon’ireny fivoahana ireny. Amin’izany rehetra izany, toy ny rafitra iray ny
asa fianarana ka miara-miasa ny taranja vitsivitsy na maromaro. Miara-miasa toy izany
koa ny ila atidoha havia sy havanan’ny beazina, mampivelatra ny maha-olona azy
manontolo, ka hitombo koa ny taham-pahombiazany.
FEHINY
Raha izay voalaza izay no fintinina, dia hita fa nifaningotra ary tsy afa-nisaraka
tamin’ny tontolo iainana ny fiainan’ny Malagasy fahiny. Araka ny nandrosoan’ny
fotoana sy ny firoboroboan’ny fandrosoana ary ny fitomboan’ny filan’ny mponina no
naharava tsikelikely ny tontolo iainana. Izany no antony mahatonga ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana hapariaka hahenika ny firenena, ny fiarahamonina, ny
ankohonana ary ny isam-batan’olona mihitsy. Mba hahatafita izany, mila ampitaina eny
anivon’ny sekoly izany fanabeazana momba ny tontolo iainana izany, ary manana
anjara biriky lehibe amin’izany ny mpampianatra ny taranja malagasy, mampianatra
teny ibeazana azy.
Nojerena aloha ny anjara toerana azo itrandrahana ny tontolo ao amin’ny
fandaharam-pianarana novolavolain’ny Minisitera, ka tamin’izany no nahitana fa azo
atao tsara ny mitrandraka ny tontolo iainana ao anaty fandaharam-pianarana, saingy ny
tanjona apetraka sy ny vontoatin’ny lesona no mila tovonana mba hifanaraka amin’ny
tanjona napetraka.
Ny fanadihadiana natao teny anivona sekoly kosa no nahitana ny mikasika ny
anjara toerana nomen’ny mpampianatra ny tontolo iainana. Hita fa misy ihany ireo
mpampianatra miresaka izany tontolo iainana izany ankoatra ny fandaharam-pianarana
natao hitrandrahana izany mivantana. Miankina indrindra amin’ny toerana misy ilay
sekoly, na ambanivohitra na an-tanandehibe, koa izany. Misimisy kokoa izany any
ambanivohitra noho ny fiainan’ny olona any mbola mifototra kokoa amin’ny tontolo
iainana, raha to aka mifanohitra amin’izany no hita ao an-denivohitra.
Farany, isan’ny zava-dehibe eo amin’ny fampianarana ny fitaovana enti-
mampianatra, izay hita fa mahaosaosa ny taranja malagasy. Tsikaritra indrindra
tamin’izany, fa raha ny fandaharam-pianarana no jerena, dia azo lazaina ho
43
misandrahaka ihany izany fitaovana enti-mampianatra izany. Saingy rehefa midina
ifotony eny amin’ny fampianarana an-dakilasy, dia hita, fa toa enti-pahazarana ny
ankamaroan’ny mpampianatra ka miainga amina tahirin-kevitra an-tsoratra na angon-
kevitra na famelabelaran-kevitra ataon’ny mpianatra izany, amin’ny ankapobeny.
Vokatr’izany, misy lesoka eo amin’izany fantsom-pampitana fahalalana izany, satria
sady tsy ahafaha-mitrandraka manontolo ny tsilontsaina ao amin’ny beazina, no tsy
ahafahan’ny beazina mampivelatra ny maha izy azy. Koa raha lahatsoratra no
fampiasan’ny maro, lahatsoratra manao ahoana àry no tokony hotrandrahana raha
hanabe ara-tontolo iainana ny beazina?
FIZARANA FAHAROA
FAMPIANARANA TARANJA
MALAGASY MIRINDRA AMIN’NY
TONTOLO IAINANA AFOTOTRA
AMIN’NY LAHATSORATRA
44
Fanabeazana momba ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy no
ivon’izao asa fikarohana izao. Raha ambara amin’ny fomba hafa, izany dia
fampianarana taranja malagasy mirindra amin‟ny tontolo iainana, izany hoe ny
vontoatim-pampianarana ao amin’ny taranja malagasy no atao mifaningom-paka
amin’ny tontolo iainana. Araka izany, tsara raha hita misongadina ao anaty vontoatim-
pampianarana mihitsy izany tontolo iainana izany. Ezahina mandrakariva ny
hampifaningotra ny vontoatim-pampianarana, ny lafin-javatra tsy afa-misaraka amin’ny
fampianarana (ny fitarihan-desona, ny fampivainganana ny fampianarana), hifandray
amin’ny tontolo iainana, araka izay azo atao. Hodinihina manokana amin’izao fizarana
izao ny fampianarana miainga amin’ny lahatsoratra. Koa hoezahanany manokana ny
hanolotra karazan-dahatsoratra mirindra amin’ny tontolo iainana na amin’ny
fampianarana literatiora izany na amin’ny fampianarana riba. Azo atao tsara ny
mitrandraka ireo lahatsoratra izay voalahatra ao amin’ny fandaharam-pianarana, raha
misy mifandraika amin’ny lohahevitra mitovy amin’ny voizinay amin’izao asa
fikarohana izao, satria ireny dia efa any am-pelatanan’ny mpanabe. Ny lahatsoratra
atolotray etoana dia nosafidiana indrindra avy amin’ireo boky aman-gazety mivoy ny
tontolo iainana sy ny fiarovana izany na ireo lahatsoratra fahita any amin’ny taranja
hafa, hisian’ny fampifandraisan-taranja.
Fanamarihana : nifidy ny voanteny hoe lahatsoratra izahay satria amin’ny ankapobeny
dia an-tsoratra ireo tahirin-kevitra ampiasaina sy kirakiraina an-dakilasy.
2.1 Fampianarana sokajin-dahatsoratra mirindra amin’ny tontolo iainana
Isan’ny fototra ao amin’ny fampianarana teny ny fampianarana sokajin-
dahatsoratra, satria izany no fototra ahafahan’ny beazina mamantatra ny paika enti-
manangana ny lahatsoratra isan-tsokajiny. Manamora ihany koa ny fikirakirana ny
lahatsoratra, ary manampy ny beazina amin’ny famokarana lahatsoratra / lahatsoratra.
Tsy omena fahalalana fotsiny ny beazina, izany hoe ampahalalaina ny paika enti-
manangana ny lahatsoratra, fa indrindra koa volavolaina mba hamokatra karazan-
dahatsoratra sy hahay hampiasa ireny amin’ny serasera ataony ao an-dakilasy (amin’ny
alalan’ny famoronan-dahatsoratra, ny fanadihadiana lahatsoratra, ny famakafakan-
kevitra, ny famelabelaran-kevitra ...), ary mipaka any amin’ny fiainana andavanandro.
Vokatr’izany, mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampianarana ny fisafidianana ireo
45
lahatsoratra hokirakiraina na amin’ny fampianarana literatiora izany na amin’ny
fampianarana riba.
Azo sokajiana ho efatra lehibe izany, dia ny lahatsoratra manoritsoritra, ny
lahatsoratra mitantara, ny lahatsoratra manazava ary ny lahatsoratra mandresy lahatra.
Tsy handinika manokana ny paikam-pananganana ireny karazan-dahatsoratra ireny no
imasoana amin’izao asa fikarohana izao, satria tsy vitsy ireo beazina nahavita
fikarohana manokana momba izany, fa fampianarana lahatsoratra mirindra amin’ny
tontolo iainana. Araka izany, tolo-kevitra momba ireo karazan-dahatsoratra azo
kirakiraina izay manome vahana ny tontolo iainana no atolotra eto. Ny lahatsoratra
mifandraika amin’ny tontolo voajanahary, izay ivon’ny tontolo iainana, no tena
asongadina.
Na izany aza anefa dia nezahina hatrany ny hampifandray ireo lahatsoratra
isan-karazany amin’ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny minisiteran’ny
fanabeazana ampiasaina hatramin’izao. Avoitra indrindra amin’izany ny hasarobidin’ny
tontolo iainana, ny tsindry mihatra aminy, na voajanahary izany na vokatry ny
asan’olombelona, ny vahaolana hoenti-mamerina izany amin’ny laoniny, satria iaraha-
mahalala ny fahasimban’izany tontolo iainana izany amin’izao vanin’andro iainantsika
izao.
Isan’ny fitaovana enti-mampianatra fototra ny lahatsoratra, noho izy hita
mivaingana sy azo kirakiraina, na amin’ny lafiny endrika na amin’ny lafiny hevitra. Ny
fananan’ny beazina lahatsoratra eo ambany masony dia mitazona ny fifantohany
amin’ny asa ataony. Indreto àry santionana lahatsoratra azo kirakiraina
2.1.1 Ny lahatsoratra manoritsoritra
Ny lahatsoratra manoritsoritra dia milazalaza sy mampahafantatra olona na
biby na toerana na zavatra. Ny tanjona amin’izany dia ny mba hampahazo sary an-
tsaina sy hahalalana amin’ny antsipirihany ilay zavatra soritsoritina.40
Raha ambara
amin’ny fomba hafa, ny tanjon’ny lahatsoratra manoritsoritra dia maneho ho toy ny
hita maso sy azo tsapain-tanana ilay zavatra soritsoritina amin’ny alalan’ny teny.
Izany tanjon’ny lahatsoratra manoritsoritra izany indrindra no hararaotina
hanairana ny mason-tsain’ny beazina ho liana amin’ny fahafantarana ny manodididina
azy, sy hahafantatra ny hatsaran’izany tontolo iainany izany ary hankafy ny zavaboary,
40
Evelyne Amon, Yves Bomati, Méthodes et pratique du Français au Lycée, 2000, p.46
46
na miaina izany na tsia, indrindra ireo zavaboary tsy manam-paharoa manavaka an’i
Madagasikara.
Azo atao tsara, ohatra, ny misafidy ireo lahatsoratra manoritsoritra ny tontolo
iainana : ny zava-manana aina na tsia, ireo karazana rohivoaary misy, ny fahatsarany na
ny fahasimbany. Azo atao tsara ny miara-miasa amin’ny taranja hafa toy ny siansa na
jeogirafia ny momba ny antsipirihan-javatra mikasika izany. Ny fifampikasohana
amin’ireny karazana lahatsoratra ireny dia tsy manome fahalalana ny beazina fotsiny,
fa manolotra ho azy ireo tohan-kevitra mivaingana hoentiny manome lanja ny tontolo
iainany, mandrisika azy hankafy sy ho tia ary ho saro-piaro amin’ny tontolo iainany.
Araka izany, ny fampianarana lahatsoratra manoritsoritra dia fitaovana lehibe entina
manabe momba ny tontolo iainana, manome lanja ny fampifandraisan-taranja ihany
koa.
Raha ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny minisitera no iaingana, dia azo
tanterahina tsara ny fampianarana lahatsoratra manoritsoritra mirindra amin’ny tontolo
iainana sy ny manitatra izany amina lohahevitra hafa. Ao amin’ny kilasy fahenina no
ianarana ny lahatsoratra manoritsoritra: ny paikam-pamoronana ahafaha-mikirakira,
manavaka ary mamorona izany. Tafiditra ao amin’izany fandaharam-pianarana izany
ihany koa ny lohahevitra hoe : “ny olombelona sy ny tontolo iainany”, miaraka amin’ny
lohahevitra mikasika ny ankohonana sy ny fianakaviana ary ny tanindrazana.
Tsy ny paika enti-manangana ny lahatsoratra ihany anefa no tokony ho fantatry
ny beazina, fa mila ampahafantarina azy ireny koa ny lanjan’ireny lahatsoratra ireny.
Tsy azo hadinoina fa tsy voatery handeha irery ny sokajin-dahatsoratra tsirairay, fa
mifameno sy mifampiditra. Mety hisy lahatsoratra manoritsoritra, ohatra, any anaty
lahatsoratra mitantara na manazava na mandresy lahatra. Fantarina, araka izany, ny
anjara asan’ireny lahatsoratra mitsofoka anaty lahatsoratra hafa ireny, mba
hahafahana mahalala sy mampiasa izany araka ny tokony ho izy, amin’ny sehatra ilana
izany.
Azo sokajiana ho maromaro ny anjara asan’ny fanoritsoritana any anaty
lahatsoratra : ny fanoritsoritana enti-mampahalala, ny fanoritsoritana natao ianohana ny
kanto, ny fanoritsoritana manamarika fiarahamonina ary ny fanoritsoritana enti-
mandresy lahatra. 41
Marihina fa ny fanoritsoritana manome vahana ny tontolo iainana
no tena hotrandrahana eto izay tsy misakana ny firesahana ireo karazana fanoritsoritana
hafa.
41
Evelyne Amon, Yves Bomati, op.cit. , p.63
47
2.1.1.1 Enti-mampahalala
Anjara asa fototry ao amin’ny lahatsoratra manoritsoritra ny manome
fahalalana, izany hoe mampahafantatra olona na biby na zavatra na toerana na fomba,
ka amin’izany ny tanjona dia ny haneho ho toy ny hita maso ilay zavatra nosoritsoritina
amin’ny fitanisana ireo antsipirihan-javatra mikasika ilay soritsoritina, araka ny
nambara teo aloha. 42
Indreto ohatra vitsivitsy maneho izany :
Ohatra1 : “Ny fody”
Samy mahalala ny fody isika rehetra. Izy ilay voronkely mpihinana vary eny
ambanivohitra. Raha ny mombamomba ny fody indray dia mirefy telo ambin‟ny folo
hatramin‟ny efatra ambin‟ny folo santimetatra ny halavan‟ny fody. Tsy mitovy loko ny
lahy sy ny vavy. Manopy mena midorehitra ny lokon‟ny fody lahy ary izany no
nahatonga ny anarany hoe Fodilahimena. Ny vavy kosa somary maitso mivolon-
davenona ary kelikely kokoa ny vatany. Vonin-javatra, indrindra ny vary, no foto-
tsakafon‟ny fody. Mihinana bibikely toy ny valala sy hala koa izy. Madagasikara irery
ihany no nahitana ny fody fahiny. Izany no nahatonga ny anarany hoe Foudi de
madagascar (teny frantsay), Foudia madagascariensis (anarana siantifika).
Jeannot RAROJO, Vintsy n°25, p.15
Ity lahatsoratra ity dia lahatsoratra manoritsoritra vorona dia ny fody. Tsy
mampahafantatra ny fody fotsiny anefa izany, fa maneho koa ny fifandraisana eo
amin’ny tontolo iainana toy ny fifandrohizana ara-tsakafo, ahatarafana fa mifampila ny
zavaboary. Maneho ihany koa fa na dia isan’ny voronkely mpanimba ny voly, raisin’ny
olombelona ho fahavalony aza ny fody, dia isan’ny voronkely tsy manam-paharoa eto
Madagasikara, manavaka an’i Madagasikara, ary isan’ny harena voajanahary ho an’ny
Malagasy izay azo trandrahana hitera-boka-tsoa amin’ny lafiny toe-karena (fizahan-
tany).
Azo trandrahana amin’ny karazan-dahatsoratra toy itony ny paika nenti-
nanangana ny lahatsoratra manoritsoritra : ny fikirakirana ireo fitaovana atolotry ny
teny sy ireo fandrindrana ny hevitra, maneho ireo fomba nentina nampahafantatra ny
fody. Toy izao no fisehon’izany raha arafitra anaty fafana :
42
Jereo : 2.1.1 Ny lahatsoratra manoritsoritra, p.43
48
Lahatsoratra Fitaovana atolotry ny teny
Fandrindrana ny hevitra
Samy mahalala ny fody isika
rehetra
Samy : mpanampy maneho
fifampizaran-kevitra
Isika : mpisolo tena
maningotra ny itenenana
hiombon-kevitra amin’ny
mpiteny
Rehetra : mpamaritra
malala-kevitra midika ho
manontolo, tsy misy
avakavaka
Fampidiran-dresaka,
fampahalalana ny zavatra
hosoritsoritina : ny fody
Izy ilay voronkely mpihinana
vary eny Ambanivohitra
Izy : mpisolo tena
mpamerin-dresaka misolo
ny fody
Ilay : mpanoritra
mpamerin-dresaka,
manoka-miavaka ny
zavatra ambara
Filazana ankapobeny ireo
toe-javatra ahalalan’ny
besinimaro ny fody
Raha ny mombamomba ny fody
indray dia mirefy telo ambin’ny
folo hatramin’ny efatra ambin’ny
folo santimetatra ny halavany
Raha : mpampiankina
manosoka hevitra vaovao
Indray : tambin-teny
manovon-kevitra vaovao
Fanolorana ireo an-
tsipirihan-javatra momba
ny fody : ny halavany
Tsy mitovy loko ny lahy sy ny
vavy. Manopy mena midorehitra
ny lokon’ny fody lahy ary izany
no nahatonga ny anarany hoe
Fodilahimena. Ny vavy kosa
somary maitso mivolon-davenona
ary kelikely kokoa ny vatany.
Ary izany no : mampiditra
fanazavana
Kosa : tambin-teny
mampiditra hevitra vaovao
Ny loko sy ny habe
manavaka ny fody lahy sy
vavy
Vonin-javatra, indrindra ny vary,
no foto-tsakafon’ny fody.
Mihinana bibikely toy ny valala
sy hala koa izy.
No : kianteny
manasongadina ny lazaina:
ny sakafon’ny fody
Koa : tambin-teny
manovona hevitra
Ny sakafony
Madagasikara irery ihany no
nahitana ny fody fahiny. Izany no
nahatonga ny anarany hoe Foudi
de madagascar (teny frantsay),
Foudia madagascariensis
(siantifika).
No : kianteny
manasongadina ny lazaina:
ny toerana onenany
Ihany : tambin-teny
manokana hevitra
Izany no : mandravon-
kevitra
Ny maha zavaboary tsy
manam-paharoa azy
Fafana n° 5 : Ny mpiadina, ny paikam-panoritsoritana ny fody
Azo raisina ho modely amin’ny famoronana sokajin-dahatsoratra manoritsoritra
enti-mampahalala ny biby amam-borona izany.
Ohatra2 : “Ny komanga”
Ny komanga dia hazo lehibe maniry any an‟ala, misy hatramin‟ny roapolo na
telopolo santimetatra ny haavony, mahitsy dia mahitsy ny vatany ary ny raviny dia
mitapelapelaka boribory lavalava, misy voany mitovy amin‟ny voantsaramaso, mirefy
roa ambin‟ny folo hatramin‟ny enina ambin‟ny folo santimetatra ny halavany.
Toy izao no fitantaran‟ny olona ity hazo ity :
Misy poizina mampidi-doza avokoa ny tenan‟ity hazo ity. Ny fofon‟io
zavamaniry io aza, hono, dia mankarary ; ny setroky ny komanga dorana aza, hono, dia
49
mampidi-doza. Samy poizina daholo na ny hodiny na ny tahony, kanefa kosa azo atao
fanafody fanasitranana koa, hono, izy, araka ny aretina tandrify azy : fampivalanana
raha sotroina, ody fery raha tenehina ny hodiny.
Malagasy tokana, p.50
Ity lahatsoratra ity koa dia azo raisina ho modely amin’ny fananganana
lahatsoratra manoritsoritra enti-mampahalala zavamaniry. Ambonin’izany, ahatarafana
ny fahaizan’ny Malagasy mandinika sy manodina ny manodidina azy hoenti-manasoa
ny fiainany.
Tsy azo hadinoina, fa tsy mbola nahalala izany siansa izany ny Malagasy fahiny,
fa niezaka kosa ny hahalala ny manodidina azy amin’ny fandinihana izany43
. Ny
fahafantarana izany dia mandresy lahatra ny beazina tsy hanimbasimba foana ny
tontolo, noho izy mirakitra zava-tsoa sarobidy, tsy andaniam-bola aman-karena, afaka
misitraka izany daholo ny ambany masoandro. Tokony hikolo sy hiaro ary ho saro-piaro
amin’ny tontolo iainany ny isam-batan’olona.
Toy izao kosa no paika nenti-nanangana ny lahatsoratra, raha toa ka raisina ho
fitaovana hoenti-mampianatra ny paikam-pananganana ny lahatsoratra manoritsoritra
enti-mampahalala :
Lahatsoratra Fitaovana atolotry ny teny Fampahalalana Ny komanga dia hazo lehibe
maniry any an’ala,
Dia : kianteny mampivadi-
drafitra manasongadina ny
L(komanga) nefa manavaka
ny EM
Fampidirana ny zavatra
hosoritsoritina :
ankapobeny momba ny
komanga
Misy hatramin’ny roapolo na
telopolo santimetatra ny haavony,
mahitsy dia mahitsy ny vatany
ary ny raviny dia mitapelapelaka
boribory lavalava, misy voany
mitovy amin’ny voan-tsaramaso
mirefy roa ambin’ny folo
hatramin’ny enina ambin’ny folo
santimetatra ny halavany.
Ary, [,] misolo toerana ny
mpampitohy : entina
mitanisa zavatra
Fanomezana ireo
antsipirihan-javatra
momba ny komanga : ny
haavony, ny bikan’ny
raviny sy ny voany
Toy izao no fitantaran’ny olona
ity hazo ity :
Toy izao no : kianteny enti-
mitatitra zavatra
Fampidirana hevitra hafa
mikasika ny komanga
Misy poizina mampidi-doza
avokoa ny tenan’ity hazo ity. Ny
fofon’io zavamaniry io aza, hono,
dia mankarary ; ny setroky ny
komanga dorana aza, hono, dia
mampidi-doza.
Avokoa : mpanampy mitovy
hevitra amin’ny daholo izay
mamaoka hevitra
Dia : kianteny mampivadi-
drafitra manasongadina ny L
nefa manavaka ny EM
Fitanisana ny loza mety
hateraky ny komanga
43
W.W.F, Vintsy n°31, 1999, p.8-9, 20-21 : “Ny mpanao raokandro, ohatra, dia mamboatra fanafody avy
amin’ny zavamaniry raha tsy hiresaka afa-tsy ny Profesora Rakoto Ratsimamanga. Araka ny notaterina
tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny profesora dia ny fandinihany ny fanaon’ny gidro rehefa mitsabo
fery amin’ny talapetraka no nahazoana ny madécassol sy ny pomade meva izay samy manakatona fery.
Hatramin’izao dia mbola misy hatrany ny raokandro malagasy manerana ny nosy. Any amin’ny faritra
ranomafana aza dia misy fikambanan’ireo ampanjaka izay manajary toerana manokana hambolena ireo
zavamaniry manasitrana fanao raokandro.”
50
Lahatsoratra Fitaovana atolotry ny teny Fampahalalana Samy poizina daholo na ny
hodiny na ny tahony kanefa kosa
azo atao fanafody fanasitranana
koa, hono, izy, araka ny aretina
tandrify azy : fampivalanana raha
sotroina, ody fery raha tenehina
ny hodiny.
[,] misolo toerana ny
mpampitohy : entina mitanisa
zavatra
Samy…daholo : mpanampy
arahina tambin-teny sy enti-
mandravon-kevitra
Na…na… : mpampitohy enti-
mitanisa
Kanefa kosa : mpampiankina
mampiditra hevitra vaovao
mifanohitra amin’ny voalaza
teo aloha
…raha…raha… :
mpampiankina mampiditra
fepetra
Famintinana ny hevitra
naroso teo aloha arahina
fampidirana hevitra
vaovao : ny voka-tsoa azo
avy amin’ny komanga
Fafana n° 6 : Ny mpiadina, paikam-panoritsoritana ny komanga
Ohatra3 : “Ny ala honko”
Ny ala honko dia karazan-kazo fahita eny amoron-dranomasina. Hazo iva ny
ala honko saingy mora hita noho ny fakany izay miseho aty ivelan‟ny tany. Izany
endriny izany no iantsoana azy koa hoe hazo manan-tongotra. Rehefa iva ny
ranomasina dia hita misandrahaka toy ny elo eo amin‟ny iray metatra ambonin‟ny rano
ny faka mitondra ny vataben‟ny hazo. Mitahiry sy mamelona zava-manana aina maro
ny ala honko. Feno akorandriaka maro loko sy tsara jerena ny morontsiraka misy azy,
ka alain‟ny olona atao haingon-javatra. Karazam-poza madinika an‟arivony maro no
mameno ny faritra rehetra manamorona ny sisin‟ny ala honko. Ny drakaka izay foza
lehibe hazain‟ny olona, noho ny tsiron‟ny nofony, dia mivoaka rehefa miakatra avo ny
ranomasina. Toerana tsara fiafenan‟ny zana-trondro sy ny fakan‟ny honko mandritra
ny fotoana itomboany
Jon Erik BAKKE, Madagasikara : Ilay Nosy mbola nahatahiry ireo
lovany mandraka ankehitriny, p.11.
Ny fanoritsoritana rohivoaary dia tafiditra ao amin’ny sokajin’ny lahatsoratra
manoritsoritra enti-mampahalala toerana. Ny fahaiza-manoritsoritra toerana dia tsy
vitan’ny mampahazo sary an-tsaina ilay toerana soritsoritina, fa miteraka
fahafinaretan’ny saina ambonin’ny fahalalana entiny. Ity lahatsoratra ity dia
manasongadina indrindra ny fifandrohizana eo amin’ny zavaboary, sady maneho ihany
koa ireo anton-javatra sasantsasany mety hanimba ny tontolo iainana (toy ny fakana ireo
akorandriaka hatao haingon-javatra ; raha itarina, ny fakana ny honko ho angovo
fandrehitra amin’ny maha-hazo azy…).
Ny fanomezana lahatsoratra toy itony dia manampy ny beazina hahatsapa fa
mifampiankina na ny fiainanan’ny samy zavaboary na ny fiainan’ny olombelona sy ny
zavaboary, ary mitarika azy haka sinton-kevitra toy ny hoe : “Raha ripaka izany ny ala
honko dia hiara-foana aminy ihany koa ireo zava-manana aina maro mivelona sy
mialokaloka aminy. Ho foana miaraka amin’izay ihany koa ny antoky ny fiveloman’ny
51
olona.” Ambonin’izany, i Madagasikara dia isan’ny firenena manana faritr’ala honko
lehibe faharoa manerana izao tontolo izao.44
Ohatra4 : “ Ny ala tsy misy aloka”
Alao sary an-tsaina kely izany miaina amin‟ny toerana tsy misy aloka, arahin-
kafanana be mahavaky loha sola ka miantefa avy hatrany amin‟ny tena sy amin‟ny tany
sola. Ny karazan-kazo feno tsilo antsoina hoe « hazo horita » dia hazo tsy manam-
paharoa. Somary hafa kely ny fotony izay mibontsina ary ambony kely amin‟ny fotony
dia rantsana misandrahaka toy ny horita sahady no hita. Misy ravina mitsiry milahatra
tsara mihodidina manaraka an‟io vatany io, rehefa misy ny orana kely milatsaka.
Misy koa karazan-kazo tsy manan-dravina sy tsilo antsoina koa hoe hazo
saosisy, misy tonony sy vaniny ka mifampitohy lavalava toy ny saosisy.Ny ala toy itony
dia fahita any amin‟ny faritra Atsimo Andrefan‟i Madagasikara. Mitsitapitapy ny orana
amin‟ny faritra maina toy itony. Indraindray aza tsy misy orana mihitsy mandritra ny
taona ary rehefa izay no miseho dia ny ando sy ny rano voatahiry any anaty hazo sisa
azon‟ny olona sy ny biby ampiasaina sy ivelomana.
Jon Erik BAKKE, Madagasikara : ilay Nosy mbola nahatahiry ireo lovany
mandraka ankehitriny, p.13
Ity lahatsoratra ity dia maneho ny fifampiankinan’ny zavaboary, maneho
mivaingana, fa mifaningotra amin’ny fisian’ny ala sy ny zavamaniry ny fisian’ny rano,
ary mifaningotra amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny biby ihany koa, satria manampy
azy ireo amin’ny fahavelomany. Ho an’ny beazina monina anivon-tany dia manome
fahalalana tokoa ny lahatsoratra toy itony. Maneho ihany koa ny harena voajanahary
eto amintsika izany, izay isan’ny trandrahana hampiroboroboana ny lafiny fizahan-tany,
evan’ny harena ara-kolontsaina, izay manavaka ny faritra tsirairay, manavaka ny
firenena amin’ny hafa.
2.1.1.2 Natao ianohana ny kanto
Misy fanoritsoritana manome vahana ny lafiny kanto, tsy eo amin’ny
fanomezana endrika kanto ny sary azo an-tsaina ihany, fa indrindra koa ny kanto eo
amin’ny lafiny fanehoan-kevitra. Ny lahatsoratra literera no tena ivelaran’ny karazan-
dahatsoratra toy itony. Miditra an-tsehatra betsaka amin’izany ny sarin-teny. Isan’ny
manome vahana izany ny sôva, ny hainteny, ny kabary…
44 W.W.F, Vintsy n° 46, 2003, p.22 : «Ny tohizam-batohara ao Toliara no faharoa lehibe indrindra eran-
tany satria mirefy 18 km eo ho eo ny halavany ary 3 hatramin’ny 5km ny sakany. Ny any Aostralia no
lehibe indrindra ka 100 km no halavany. »
52
Ohatra1 : “Sôva momba ny omby”
Hanomboka izao ny sôva momba ny omby :
Ny masony mitovy amin‟ny voana babonga ;
Ny orony sahala amin‟ny taforana ;
Ny handriny sahala amin‟ny rakiboho ;
Ny tandrony mitovy amin‟ny kaniaga ;
Ny trafony sahala amin‟ny tranom-bitsika ;
Ny tehezany mitovy amin‟ny farafara ;
Ny vodiny mitovy amin‟ny tapenaka ;
Ny volon-drambony mitovy amin‟ny kifafa ;
Ny foto-drambony tahaka ny kamonga ;
Ny kitroben‟omby vaky tsy misaraka ;
Ny kitrokelin‟omby maniry ny tany ;
Ny atiny toy ny vatoafo ;
Ny atiny sahala amin‟ny vilia hazo ;
Ny tsinainy hoatra ny tady nahorongorona ;
Ny tsivakindraiandrony mitovy amin‟ny gony ;
Ny nonon‟ny omby tahaka ny sarotro ;
Ny tain‟omby tahaka ny ravitoto ;
Ny amaniny tahaka ny ron‟angivy ;
Ny voany tahaka ny akondro handatra ;
Ny lelany marokoroko hoatra ny fandroatra ;
Ny fianakavian‟ny omby tsy mba mana-nify ambony.
Régis RAJEMISA RAOLISON, Rakibolana malagasy : «sôva momba ny
omby »
Teny sarotra
Babonga : karazan-kazo madinika, fantatra koa amin’ny anarana hoe voamasonomby
Rakiboho : karazana hazo mena fisaka amonosana ny andrin’ny sompitra voaorina eo
ambonina tsato-kazo, mba ho fiarovana amin’ny voalavo
Kanianga : fantaka, tsato-kazo kely itazonana ny rofia na kofehy rehefa manenona,
tsatoka famatoran’omby
Kamonga : karazana fivelifandraka, kanonta na tantanana
Tsivakindraiandrony : roroha, vorivoriny
Ity sôva momba ny omby ity izao, dia manoritsoritra ny momba ny omby, izay
manana ny lanjany tokoa eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Drafitra mazava tsara no
arahina amin’ny fanoritsoritana ny omby : ny endrika ivelany sy ny endrika anatiny izay
anehoana amin’ny beazina fa ny fanoritsoritana dia tsy mandeha ho azy fa manaraka
drafitra mazava. Ambonin’izany, ny paika nenti-nanangana ny lahatsoratra izay
naorina amin’ny fanoharana dia manome vahana ny tontolo iainana, izay mitarika ny
beazina handinika sy hahafantatra ny tontolo manodidina azy sy ny zava-misy iainana
andavanandro.
53
Toy izao kosa indray ny rafitra nitondran’ny mpisôva ny fanoritsoritana ny ny
omby :
Fampahalalana Paika nenti-nampahalala NY ENDRIKA IVELAN’NY OMBY
Ny lohan’ny omby : ny masony, ny orony,
ny handriny, ny sofiny
Fanoharana miorina amin’ny zavaboary hafa
Ny vatan’ny omby : ny trafony, ny
tehezany, ny vodiny, ny rambony, ny foto-
drambony
Fanoharana miainga amin’ny zavatra
fampiasan’ny olona andavanandro
Ny tongony : ny ny kitrobeny, ny
kitrokeliny
Filazana tsotra fotsiny ny zava-misy
NY ENDRIKA ANATIN’NY OMBY
Ny aty kibony : ny atiny, ny tsinainy, ny
rorohany, ny nonony, ny tainy, ny amaniny
Filazana ny toetoetr’ireo faritra isan-karazany
tanisaina amin’ny alalan’ny fampitahana miorina
amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainana
andavanadro Ny aty vavany : ny lelany, ny nifiny
Fafana n°7 : Ny mpiadina, paikam-panoritsoritana ny omby
Azo atao tsara ihany koa ny mitrandraka voambolana ato amin’ity sôva ity,
ankoatra ny paikam-panoritsoritana ianohana ny kanto omeny. Ny karazan-dahatsoratra
toy ny sôva dia manome vahana ny lafiny kanto eo amin’ny fomba filazan-javatra, nefa
manome vahana ny fanoritsoritana, izay miorina amin’ny fampahafantarana ilay zavatra
soritsoritina amin’ny fanomezana ireo antsipirihan-javatra momba azy. Ny sôva dia
isan’ny lahatsoratra manome vahana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanoharana
mifototra amin’ny tontolo manodidina hita sy iainan’ny mpisôva. Ny lahatsoratra toy
itony dia miteraka fankafizana eo amin’ny mpihaino na ny mpamaky. Izany fankafizana
izany dia mitarika ny olona ho tia mandinika ny tontolo manodidina azy, ary hiaro izany
tontolo iainana izany. Amin’izany, sady mandinika sy mahalala ny tontolo iainany izy,
no mahay mamorona zava-kanto vita amin’ny teny miainga amin’izany, dia ny sôva.
Ohatra2 : “Lohataona”
Mitsidi-doha ny lohataona. Miara-miverina aminy indray ny aina efa nanaovan‟ny
ririnina angovy, nandritra ny telo volana. Mibontsimbontsina eny amin‟ny rantsan-kazo
ny tsimoka vonton-drano mampanantena vony tsara tarehy, na ravina maitso mavana
tsy mbola voakasi-doto ; ny voandelaka aza efa manao fefiloha volomparasy. Izay
topazan‟ny maso dia maneho aina sy fifaliana koa, ny lanitra manga madio
mangalahala, ny tanety mirakotra ahitra maitso elanelanim-bony maro loko, ka
mahatonga endrika kanto tsy hain‟ny borosin‟ny mpanao sary kinga alain-tahaka, ny
tanimbary efa androbonan‟ny ketsa hafindra atsy ho atsy kokoa. RAFANOHARANA , Ilay veromanitra, p.5
Ity lahatsoratra ity dia manoritsoritra ny tontolo manodidina, maneho ny
hakanton’ny zavaboary rehefa tonga ny lohataona. Tanisain-dRafanoharana ao avokoa
ny toetoetry ny zavaboary manodidina rehefa lohataona, izay manome fahafinaretana ny
maso, manosika ny fo hankafy, ary mitarika ny saina hikolo sy ho saro-piaro.
54
Ny karazan-dahatsoratra toy itony indray dia natao hankafizina. Tsy eo amin’ny
lafiny hevitra voizina ihany, fa ny endrika azo sary an-tsaina raketiny. Voalaza amin’ny
antsipirihany toy ny hita maso ny tontolo manodidina, ka manome fahafinaretana ny
saina sy ny maso, eny, na dia an’eritreritra fotsiny aza. Avy amin’ny fanoritsoritana toy
izany no hitarihana ny mason-tsain’ny beazina hanana faniriana ny hahita sy hiaina
izany mivantana. Ampahatsiahivina amin’izany, fa raha mitohy ny fahasimban’ny
tontolo iainana, dia ho toy ny angano sisa izany, ka tontolo ringitra sy karakaina sisa ho
tazana.
Ohatra3 : “Ikelimahery”
Nandalo tsena iray izahay, natao ampy ny fitaovana. Raha efa izany, ny dia sisa
natrehina. Ilay zokiny indrindra, nitarika ny dia halaky no tao an-tsainy. Ity faharoa
kosa variana mijery ny tampon-tanety manodidina, manonontonona ny fiovana hitany.
Izaho kosa sondriana mitandrina ny endri-tany sy ny dongon‟ala madinika, ny tanàna
haolo nolalovana sady velom-panontaniana matetika amin‟izy roalahy hoe : “Io no
Aninona? Aiza no Ananona?”
Trano telo aman‟efatra no eo. Io no tanànan‟Ikelimahery. Alohan‟ny
handraisana io vohitra io dia io misy renirano soa, ka lasa aho nametra-damba. Dia
indreny fa roso niroboka teny. Soa loatra ilay harambato. Misolampy malefaka ny
fandehany. Ery ambony ery, tanimbary miolikolika manaraka vody tanety no indreny
feno vary milonjehitra salohy. Alohan‟ny hirotsahan‟ilay rano dia indro misy rano
miandrona, dobo tenany, hodidinin‟ahitra maitso, ka eny afovoan‟ireny no milefidefi-
tsy folaka ny volotara. Ary ny morony kosa, itapelapelahan‟ny saonjorano. Dia nisosa
moramora ny riana. Misavorovoro fotsy izy, ary eny amin‟ny vato lomorina eny
afovoany eny, no ipoiran‟ny karazan-javamaniry sasany : toa miavona tsy te hatonin-
tanan‟olombelona na tsy faly horaofim-bavam-biby akory.
Ny Avana RAMANANTOANINA
Ity lahatsoratra ity koa dia mitory fahatsarana tontolo toy ny hita teo aloha
saingy manasongadina kokoa ny hakanton’ny tontolo ambanivohitra, mbola miaina
anatina tontolo voajanahary. Eo am-pamakiana ny lahatsoratra dia toa entiny misosa
any anaty tontolo hafa, mahavariana, miavaka amin’ny fahita andavanandro, fa tsy
fahita firy ny mpamaky. Izany dia toa misintona ny masom-panahin’ny mpamaky mba
hianoka izany mivantana na hanonofy izany an’eritreritra.
2.1.1.3 Manamarika fiarahamonina
Ny literatiora dia taratry ny zava-misy sy ny vanim-potoana nipoirany. 45
Isan’ny
mampivaingana izany indrindra ity endri-panoritsoritana ity. Ny fanoritsoritana atao no
ahatarafana olona, na fiarahamonina na vanim-potoana. Mifaningotra amina tontolo
hatrany izany. Indreto ohatra vitsivitsy ahatarafana izany :
45
Lala-RAKOTOSON RAOLISOA, op.cit., p.6 : « Ny literatiora dia vokatry ny zava-misy fa tsy
tongatonga ho azy.» arak’i Charles RAJOELISOLO
55
Ohatra1 : Mitaraina ny tany
“Rehefa ambolena moa ny voanjo, madiodio ny tanimboly satria vao navadika
tamin‟ny angadin‟omby. Rehefa maniry kosa ny voanjo, miara-maniry aminy koa ny
ahitra. Ilaina avaina ny voly noho izany. Tsy zava-mora ny miava : maninginingina ny
manao azy, angady kely no ampiasaina fa ilaina fikendrena fatratra ny atao mba ho ny
ahitra ihany no ho voasoroka, fa tsy ny tahom-boanjo mandady, izay efa manomboka
mamantsika amin‟izany fotoana izany.
Amin‟ny fotoana fiavana, izahay telo mianaka no midina isa-maraina mankeny
an-tsaha. Miava manariva andro i Dada sy i Neny, ny ahitra avy eo atsitokotoko
eran‟ny tanim-boanjo eny. Rehefa mirava avy mianatra izy mianadahy, izy ireo indray
no manary eny an-tsisin-tanimboly ny ahitra voasoroka sy miangonangona eny rehetra
eny.
Vao vita ny ava voanjo voalohany ary eo am-piandrasana ny ava voanjo
faharoa dia ny fiandrasana ny voanjo amin‟ny goaika indray ny nimasoan‟izy efa-
mianaka : manapaka bararata eny amoron-drano, manatsatoka izany eran‟ny
tanimboly ary mampifandray izany amin‟ny tady fandrotrarana natohitohy. Afa-tsy
izany, nambenana ihany koa ny tanim-boanjo, indrindra ny maraina mipoaka
masoandro sy ny hariva alohan‟ny hilentehany, fa ireo no fotoana mampasiaka ny
goaika.
Rehefa mavo kingory ny ravim-boanjo ary manomboka mihintsana, antitra izy
izay. Tonga ny fotoana hiadina azy. Izy efa mianaka no milahatra : miondrika,
manongotra, manifika ny foto-boanjo hanintsana ny tany manaraka dia mampandry azy
amin‟ny tany. Tsy misy mitraka raha tsy tsindraindray manatsotra ny andilana vizaka
sy miforitra.
Andry Andraina, Mitaraina ny tany, p.27
Ao amin’ny boky Mitaraina ny tany, mba hahafahan’ny mpanoratra maneho ny
fahasahiranan’ny mpamboly, dia soritsoritiny ao amin’ny boky ny dingana arahin’ny
mpamboly (soloiny ilay fianakaviana fototry ny tantara) amin’ny fambolena voanjo:
fianakaviana tambanivohitra mivelona amin’ny fambolena.
Ambonin’izany, ny fambolena voanjo dia isan’ny manamarika ny vanim-
potoanan’ny fanjanahan-tany nampalaza ny fambolena voanjo (ny anaran’ny
mpanjanaka tamin’izany aza dia voanjo).46
Ity lahatsoratra ity izany dia milazalaza ny fiainan’ireo mpamboly, nefa azo
ambara ho manorotsoritra ihany koa ireo dingana arahina amin’ny fambolena sy
fikarakarana ny voanjo toy ny hoe : mamboly, miava izany indroa miantoana, miaro azy
amin’ny goaika, mihady azy rehefa matoy, mihintsan-dravina. Ireo dingana ireo dia
mbola novahavahana tamin’ny antsipirihany.
Azo sintonina avy amin’izany fa ny fanoritsoritana fomba dia mifototra
indrindra amin’ny fitanisana ireo dingana arahina. Raha eo amin’ny lafiny fanehoan-
kevitra indray dia ampahalalaina ny beazina, fa raha ny famoronana ny kanto no jerena
46
Lala RAKOTOSON RAOLISOA, op.cit., p.215 : « Aty amin’ny zanatany no nanarenan’ny
mpanjanaka ny fitambotsoran’ny toe-kareny noho ny ady. Nanao izay hahazoany vokatra be ireo voanjo ka nanitatra ny velaran-tany azo volena tamin’ny fakany ny tanin’olona manodidina. »
56
dia miditra an-tsehatra amin’ny fanoritsoritana ny filazana an-tanan-tohatra ny zava-
dazaina na gradation, izay hitanisana ireo dingana arahina amin’ny fanatanterahana ireo
hetsika atao, eto, ny fambolem-boanjo. Azo raisina ohatra mivaingana amin’izany ny
fihadiana voanjo izay maneho ho toy ny hita maso ny fihetsika atao rehefa mihady
voanjo :
1- Matoy ny voanjo
2- Hadiana ny voanjo
3- Milahatra izy efa-mianaka
4- Miondrika
5- Manongotra
6- Manifika ny foto-boanjo
7- Mampandry azy amin‟ny tany
8- Mitraka tsindraindray manatsotra andilana
Ity lahatsoratra ity koa dia azo itarafana ny fiaimpiainan’ny fianakaviana iray:
ny fivelomany, ny fifanampiany sy fifanohanany amin’ny fiainany izay taratry ny
soatoavina malagasy. Raha eo amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana kosa, dia
hita taratra ao anaty lahatsoratra ny fifampiankinan’ny zavaboary, ny fiankinan’ny
fiainan’ny olona amin’ny tontolo iainany : ny tany, ny voanjo, ny omby, izay mamerina
ao an-tsain’ny beazina fa tsy afaka miala amin’ny tontolo iainana ny fiainan’ny olona.
Araka izany, azo atao tsara ny mitrandraka ny karazan-dahatsoratra toy itony ao
amin’ny kilasy fahenina, izay mandinika manokana ny lahatsoratra manoritsoritra, ary
mitrandraka ny lohahevitra mikasika ny ankohonana sy ny fianakaviana, ny olombelona
sy ny tontolo iainana.
Ohatra2 : “Ilay savony gasin‟ny mahantra”
“Indray Alakamisy, toa nifamotoana hanasa lamba tao Andohatanimena izy
roa tonta. Nahazo mialoha ilay fanasan-damba tsara tao ry Rakoto mivady, ary
handeha hiondrika hanasa lamba Razanany no indreny ny fianakavian‟ingahy Naivo
hitany ningodongodona nankeo. […] Kaodikaody Rakoto sy Razanany nahita ireto
olona mamirapiratra. Nifampijery dia nangoron-damba […] Lasa namonjy ilay riam-
bato takona ao ambany atsimo izy roa.”
Dondavitra in Takelaka notsongaina, p. 182
Eto amin’ity sombin-tantara ity dia nindramin’ny mpanoratra hanehoana ny
fahasamihafan-tsaranga ny filazana ny toerana fanasan-damba mifanao ambony
ambany. Tamin’izany, ny fanasan-damba tsara, taza-maso dia taratry ny fiainan’ny
manana, avo toerana, tazan’ny rehetra ary tia misehoseho, tsy azo afenina. Asehon’ny
mpanoratra amin’ny fihetsik’ingahy Naivo mianakavy izany : migodongodona fandeha.
Ilay riam-bato takona ao ambany atsimo kosa dia tandidon’ireo mahantra soloin-
dRakoto sy Razanany tena. Takona, maneho ny fiainan’ny mahantra miafiafy,
menamenatra ; ambany, maneho ny saranga ambany misy azy ireo ary amin’ny lafiny
57
atsimo satria, amin’ny fiheverana malagasy, ny lafiny atsimo dia tsy misy hasiny loatra
(hita taratra amin’ny ati-trano malagasy : ny zorony atsimo dia fitoeran’akoho na
zoron’akoho ; ny atsimo dia mifanohitra amin’ny lafiny avaratra izay inoana fa
itoeran’ny Zanahary sy ny razana ary ireo hery tsy hita inoana fa mifaningo-piainana
amin’ny velona).
Noho izany, ny zava-misy eo amin’ny tontolo voajanahary no nindramina mba
hanehoana ny zava-misy iainan’ny olona. Mbola hita taratra eto izany, fa tsy afa-
misaraka fa mifandafatra amin’ny fiainan’ny zavaboary ny fiainan’ny olona. Azo
ambara ho fototra enti-manangana sy manazava tranga sy tantara izany. Raha itarina,
tsikaritra tokoa, fa eo amin’ny fiainana andavanandro, ny olona sahirana dia mazàna
mitoetra eny amin’ny faritra iva ary tsizarizary ny fiainany. Mifanaraka sy toa vadin-
koditra amin’ny mponina eny koa ny fahasahiranana, ny fahalotoana izay miara-dalana
mandrakariva amina toetra somary menamenatra, miafiafy manoloana ny olona ambony
na tsy iray saranga aminy. Ireny no aseho anaty sombin-tantara na tantara foronina,
satria ireny tantara ireny dia natao indrindra, mba hanakaiky ny fiainana
andavanandro47
, ho taratra sy haneho izany na haminavinana ny nofinofy na ny zavatra
mety hisy na tiana hisy.
Ilaina dia ilaina tokoa izany ny mampahafantatra ny beazina izany, mba
hahatonga azy ireo hahalala ny zava-misy manodidina azy, na tsy iainany aza, ka
hitarika azy ireo handray andraikitra hanatsara sy hanampy ny manodidina azy. Ny
tontolo, izay hita taratra any anaty tantara, no mamolavola azy ho tompona andraikitra,
mety hanova ny fiainany sy / na ny fiainan’ny hafa.
2.1.1.4 Enti-mandresy lahatra
Mety ho fitaovana enti-mandresy lahatra ihany koa ny fanoritsoritana, ka
tafiditra amin’izany ny fanoritsoritana ny tontolo iainana. Ny Ntaolo malagasy dia fatra-
pandinika ny zavaboary, ka avy amin’ny fandinihany ireny zavaboary sy ny tontolo
ireny mazàna no akany lesona eo amin’ny fiainana. Ny lalam-piainana, izany hoe ny
lamina voajanahary eo amin’ny tontolo, dia taratra eny amin’ny tontolo daholo. Azo
raisina ohatra amin’izany ny fiainan’ny zava-manana aina : ny zava-manana aina na
olona izy na biby na zavamaniry dia teraka / mitsiry, mitombo ary maty. Lalàna
47
Lala-RAKOTOSON RAOLISOA, Lovako T11, 2001, p. 9 : « Ny tantara foronina dia sarim-piainana
nisy na mety ho nisy atsangan’ny mpanoratra, arafiny sy arindrany hanana ny endriky ny fiainana tena
nisy ary anasongadinana ny kanto sy ny marina. » arak'i Esther RANDRIAMAMONJY
58
voajanahary, araka izany, ny fivoarana / fandrosoana eo amin’ny fiainana. Ho an’ny
olombelona manokana: mitombo ny vatany, mitombo ny filany, mivelatra ny sainy…
ary mikatsaka ny tsara kokoa hatrany izy, araka ny fomba fiteny hoe : “Lanja miakatra
ny fiainana” ; “Raha efa nisondrotra ho rahona, aza mietry ho zavona” ; “Aleo joko
mihasolanga toy izay solanga mihajoko”.
Vokatr’izany, rehefa ny zava-misy eo amin’ny tontolo no atao tohan-kevitra
enti-mandresy lahatra dia mahomby. Indreto àry ohatra vitsivitsy maneho izany :
Ohatra1 : “Zazavavindrano”
- Tsy misy antony intsony ny hasambarako!
- Nahoana?
- Satria efa akondro mamoa aho… Ny akondro mantsy, ry Noro, rehefa mamoa
indray mandeha dia tsy maintsy maty. Hijoro eo ho alokaloky ny solofony
mbola marefo izy. Hitsangana ho aron‟ny dimbiny amin‟ny rivo-mahery sy ny
tafiotra saingy efa voafetra ny fahavelomany ary ho zezika ihany no
hiafarany!.. Toy izany koa no fiheveran‟ny Ntaolo ny tenany raha vao miteraka izy:
nariany mbamin‟ny anarany fa nosoloany ny anaran-janany mba hanambara fa
tsy izy intsony no voly fototry ny saha.
Emilson Daniel ANDRIAMALALA, Zazavavindrano, p.88-89
Eto izao, mba handresen’i Rija lahatra an’i Noro, fa rehefa miteraka ny olona,
dia tsy mijery intsony ny tenany izy, fa mifantoka tanteraka amin’ny zanany, dia ny
fombafombam-piainan’ny akondro no nataony tohan-kevitra. Ny akondro dia indray
mandeha ihany no mamoa, ary araka filôzôfia malagasy, dia tandindon’ny
fitohizan’aina, satria ny akondro efa misy solofo mandimby azy eo am-potony, ka ilay
reniakondro no miantoka ny fahavelomana sy fahatanjaha’ilay zanaka akondro :
manalokaloka azy, miaro azy amin’ny rivotra, lasa zezika ivelomany rehefa maty izy.
Ohatra2 : “Fialan-tsiny amin‟ny kabary am-panambadiana”
Miala tsiny aho fa ny ombalahy raha hitrena, miala saro-tandroka ; ny
akoholahy raha haneno, miala kopakopaka ; ny reniakoho raha hanatody, miala faditra
ahitra ; izaho kosa hiloa-bava ka manao azafady.
Ny tendrom-bohitra fandrian‟ny zavona, ny renirano fandrian‟ny moka, ny
sakeli-drano fonenan‟ny voay fa ny miteny fandrian‟ny tsiny. Fa tahaka ny mamoaka
omby arivo sy miandry omby zato ka tsy ilaozan‟izay hivily, tsy ilaozan‟izay hania ; tory
hisatr‟Imamo, tsy ilaozan‟izay hanjilatra ; atody akotrika, tsy ilaozan‟izay handamoka ;
tany raofina, tsy ary ho ao an-karona ; ny didiana tsy ho ary mitovy ; ny kapaina tsy ho
ary simaka ; tanàna maro, tsy ilaozana adala ; teny maro, tsy ilaozana ota ; kabary tsy
ilaozan-diso ; mihinam-bary aza misy latsaka ; toko tapaka, vilany mitongilana ka izay
tsy mety arenina.
Job RAKOTOJAONA, Mahay mikabary, p.11
Amin’ity kabary fialan-tsiny ity, ny filazalazana ny zava-misy eo amin’ny
tontolo, izay toa miendrika lalàna mifehy ny tany, no nentiny nandresy lahatra ny
mpihaino azy, fa tsy maintsy misy ny tsy fahatomombanana eo amin’ny zava-drehetra.
59
Tohan-kevitra mitomandavana mifono hevitra mitovy, saingy amin’ny endriny
samihafa no ampiasaina : fifamalian-drafitra araka ny fanasokajiana ny sarin-teny.
Paikam-pananganana ny kabary izany ary tohan-kevitra isan’ny mahomby amin’ny
fandresen-dahatra. Amin’izany ny mpikabary dia tokony handinika sy hahalala ny
tontolo manodidina azy, hahalala izay mitranga ao aminy, mba hahafahany mampiasa
izany any anatin’ny kabariny. Volena ao amin’ny mpianatra, araka izany, ny fitiavana
mandinika ny tontolo sy ny famorona kanto miainga amin’izany.
2.1.2 Ny lahatsoratra mitantara
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny kilasy fahafito ny lahatsoratra
mitantara. Na izany aza anefa, azo atao hatrany ny mitrandraka izany karazan-
dahatsoratra izany na dia any amin’ny kilasy ambony aza. Ny lahatsoratra mitantara
moa dia lahatsoratra maneho tantara marina na foronin’ny mpitantara. 48
Io tantara io dia maneho zava-nisy na hetsika nitranga teo amin’ny toerana iray,
tamin’ny fotoana voafaritra. Araka izany , misy fepetra tsy maintsy takina eo amin’ny
fananganana lahatsoratra mitantara : ny toe-javatra tantaraina ; ny mpandray anjara
manome aina ilay tantara, mpanao ny hetsika ; ny fampirosoana ny tantara eo amin’ny
lafiny fotoana sy habaka.
Manana ny anjara toerany manokana ny tontolo iainana ao amin’ny lahatsoratra
mitantara ka anisan’izany ny tontolo iainana enti-mamefy ny tantara, ny lovan-tsofina
mifaningotra amin’ny tontolo iainana, ny tontolo iainana enti-mananatra.
2.1.2.1 Ny tontolo iainana enti- mamefy ny tantara
Isan’ny manana anjara toerana lehibe any amin’ny literatiora mitantara ny
fanoritsoritana ny tontolo. Avy amin’ny fanoritsoritana ireny tontolo ireny no anehoana
ny rivotra iainan’ny tantara, izany hoe ilay mpanetsika fihetseham-po asehon’ny tantara,
tiana hipaka any amin’ny mpamaky ka mitarika azy halahelo na ho faly na
hangitakitaka. Isan’ny tekinika fototra iorenan’ireny fihetseham-po ireny ny
volon’andro sy ny endriky ny tontolo araka ny paikam-pananganana ny sombin-tantara
amin’ny famolavolana ny rivotra ianana ao amin’ny vontoatin’ny tantatra, arak any
48
Evelyne Amon, Yves Bomati, op.cit. , p.135
60
fikarohana nataon’i Siméon RAJAONA ao amin’ny Takelaka notsongaina, boky
faharoa.
Tsy ny rivotra iainan’ny tantara ihany anefa no volavolain’ny fanoritsoritana ny
tontolo ao amin’ny tantara, fa mitaratra ihany koa ny vontoatin’ny tantara, izany hoe toa
miara-mirafitra amin’ilay fanoritsoritana ny fihetseham-po sy ny vontoatin’ny tantara,
izay efa vinavinain’ny mpamaky sahady. Azo ambara ho manome endrika sy fefin’ny
tantara ny fanoritsoritana amin’izany.
Ity karazana fanoritsoritana ity dia miorina indrindra amin’ny fandokoana ny
zavaboary sy ny zava-miseho ho toa manana fo ahetsiky ny zava-mianjady amin’ny
olona aseho tantara : toa miray alahelo sy miray aina amin’ireny olona toa voaozona
hijaly ireny ny zavaboary, ary ny teny, ny sarin-teny sy ny rafi-pehezanteny
ampiasain’ny mpanoratra dia manana endrika mampahatsiahy zava-mampalahelo, toa
mamohafoha hevitra sy fihetseham-po maro loko.49
Tsy misy hafa amin’izany ny
tantara maneho hafaliana na mahatsikaiky. Indreto àry ohatra vitsivitsy anehoana izany :
Ohatra1 : “Ririnina sy lohataona”
“Nilondolondo ny andro. Matroka ny lanitra. Mamirifiry ery ny hatsiaka. Ny
rivotra nifofofofo avy any atsinanana dia nampihintsana ny ravinkazo efa nivolom-
barahina mbola nifikitra teny amin‟ny rantsan-kazo efa maina ary nampitambolona
ireo niavovona teny amin‟ny ahitra ringitry ny fanala. Andro mampahoriory ny andro
toy ireny, andro manorisory! Tena misaona izay rehetra tazana, oriory izay rehetra
tsinjo. Ny voronkely miampify any anatin‟ny ravina mbola tsy mihintsana ; ny biby
fiompy kosa sady miraoka ahitra no toa lasa vinany mijery ity ahitra efa manopy mena”
Eo amin‟ny tany karakaina amoron-dalana anirian‟ny rambiazina ringitra dia
misy fasam-poana anankiray ijoroan‟ny tsangam-bato tsy voapaika tsara. […] Na dia
nangatsiaka toy izany aza iny takariva iny, dia indro nisy zazavavy anankiray sy ny
zanany lahy kely tokony ho dimy taona, mitanondrika sy mandohalika ary nandrotsa-
dranomaso teo, ka tsy niala raha tsy efa nilentika elaela any an-koatra ny masoandro.”
[…] Nifofofo mafy ny rivotra ny alin‟iny […] Misasaka indrindra ny alina. Toa
vao mainka nifofofofo ny rivotra, ny erika nifafy tsy an-kijanona. […]Hariva mena
masoandro tamin‟izay…
Auguste RAJON in Takelaka notsongaina II, p.231
Ity sombin-tantara mampalahelo ity dia mitantara fiainan-jazavavy iray izay
nanan-janaka lahy kely, efa kamboty, satria maty an’ady ny rainy, izay milevina ao
anatin’ny fasana anirotra ambaran’ny tantara. Ny lafim-piainana mampalahelo no
asehon’ny tantara, ka ny fanoritsoritana ny volon’andro sy ny zavaboary no nentin’ny
mpanoratra handrotsaka toa karazan’andom-pihetseham-po ao amin’ny mpamaky, ka
hahatonga ny fony ho hontsahontsa ambony ihany.
49
Siméon RAJAONA, Takelaka notsongaina II, 2000, p.23
61
Fefin’ny tantara : tontolo iainana
Ny vontoatin’ny tantara
Nilondolondo ny andro.
Matroka ny lanitra.
Ny volon’andro maloka dia maneho ny fiainan-dRambahy
mianaka nilaozan-dRafaly tiraera izay milevina ao
amin’ilay fasa-poana : folaka andry niankinana, nilaozan-
dray mpiahy…
Mamirifiry ery ny hatsiaka. Taratry ny fiainan’izay mianaka nilaozana hafanana ka
mangatsiaka satria efa lavo ilay ray natao iankinana,
mpiahy ny fiainan’ny ankohonany sy manome hafanana :
fitiavana, fitafy, sakafo…
Ny rivotra nifofofofo avy any
atsinanana dia nampihintsana
ny ravinkazo efa nivolom-
barahina mbola nifikitra teny
amin‟ny rantsan-kazo efa maina
ary nampitambolona ireo
niavovona teny amin‟ny ahitra
ringitry ny fanala.
Taratry ny fiainan’izy mianaka misafotofoto: miady irery
amin’ny fiainana, diso fanantenana, nidifian’ny hafaliana,
milomano anaty olana samihafa toy ny alahelo, adin-tsaina,
adim-piainana… toa mahatonga ny saina tsy ho tafapetraka
fa mivezivezy mandrakariva, sorisorena
Ny fitanisana ireo dia efa ahatarafana sahady fa mampalahelo ny tantara, ary asehon‟ny
mpanoratra mivaingana izany fihetseham-po izany amin‟ny filazany hoe : Andro
mampahoriory ny andro toy ireny, andro manorisory
Ny voronkely miampify any
anatin‟ny ravina mbola tsy
mihintsana ; ny biby fiompy
kosa miraoka ahitra no toa lasa
vinany mijery ity ahitra efa
manopy mena”
Taratry ny fiainan’izy mianaka ahanjahanjan’ny alahelo sy
ny fahaverezam-panantenana noho ny fandaozan-dRafaly
azy mandrakizay : tsy misy mpiahy na mpamelona na tsy
mahita ivelomana toy ny omby tsy manan-kohanina noho
ny vilona main’ny ririnina, tsy misy mpiaro toy ireo
voronkely tsy manana akany noho ny ravin-kazo mihintsana
Na ny volon’andro na ny toetry ny zavaboary dia mitory fisaonana avokoa : andro maloka
(alahelo saona) ; tontolo maina toa tsy misy aina (maty saona). Abaribarin’ny
mpanoratra izany amin’ny hoe : Tena misaona izay rehetra tazana, oriory izay rehetra tsinjo
Eo amin‟ny tany karakaina
amoron-dalana anirian‟ny
rambiazina ringitra dia misy
fasam-poana anankiray
ijoroan‟ny tsangam-bato tsy
voapaika tsara.
Ny tany karakaina sy ny rambiazina ringitra dia taratry ny
taolambalon-dRafaly milevina ao ambany rangolahy :
maina, mitrakitraky rehefa mihintsa-nofo. Ny tsangam-bato
tsy voapaika kosa dia maneho ny fandevenana vonjy maika
an-dRafaly, noho izy maty an’ady ka nalevina amin’izay
toerana hita.
Na dia nangatsiaka toy izany
aza iny takariva iny, dia indro
nisy zazavavy anankiray sy ny
zanany lahy kely tokony ho dimy
taona, mitanondrika sy
mandohalika ary nandrotsa-
dranomaso teo,
Eto vao tena asehon’ny mpanoratra ireo olona fototry ny
tantara vonton’alahelo : zazavavy maty vady sy ny zanany
lahikely kamboty sahady
[…] tsy niala raha tsy efa
nilentika elaela any an-koatra
ny masoandro. […] Nifofofo
mafy ny rivotra ny alin‟iny […]
Misasaka indrindra ny alina.
Toa vao mainka nifofofofo ny
rivotra, ny erika nifafy tsy an-
kijanona
Ny fanoritsoritana ny firoson’ny fotoana sy ny firoson’ny
faharatsian’ny andro eto dia efa taratry ny aretin’Ilay zana-
dRambahy sy ny firoson’ny faharatsiany aretina ho any
amin’ny fahafatesana.
Ny alina dia taratry ny tahotra sy ny zavatra tsy fantatra
izay mampangitakitaka. Eto, ny fanoritsoritana dia toa
mitarika ny sain’ny mpamaky hieritreritra loza na zavatra
ratsy.
[…]Hariva mena masoandro
tamin‟izay
Toa efa haminavinana sahady fa hody any amin’ny
mandrakizay koa Ilay. Araka ny fiheverana malagasy, ny
masoandro mody dia tandindon’ny fahafatesana.
Fafana n°8 : Ny mpiadina, ny tontolo iainana enti-mamefy tantara
62
Ny tantara dia natomboky ny mpanoratra tamin’ny fanoritsoritana ny
volon‟andro ririnina : andro milondolondo, lanitra maloka, rivotra mifofofo… izay
samy taratry ny fiainana mampalahelo, fiainana toa tsy misy aina, nilaozana hafanana.
Amin’ny fiafaran’ny tantara, ny andro lohataona no nosafidian’ny mpanoratra
hanehoana ny fiainam-baovao iainan-dRambahy amin-dRazozefa, mpiara-niady
tamin’ny vadiny fahiny, saingy nanam-pitiavana azy, ka nilaza taminy ny hiara-
hanorina fiainana vaovao aminy indray, araka ny hafatry ny maty an-taratasy, mba hiala
saona afaka herintaona, ka hanohy ny fiainany indray.
Ohatra 2 : “Efa lasa ny zavatra taloha”
Misasaka ny alina.Miraraka ny orana. Mirefodrefotra ny varatra.Marary mafy
i Vao kely. Mandrotsirotsy azy aho amin‟izany ora manjombona izany. Inay mitsahatra
ny orana. Manomboka maneno ny sahona. Nahita tory ilay marariko ka nampandriako
moramora.
HARIOLEY in Takelaka notsongaina II, p. 224
Ity sombin-tantrara ity dia mampalahelo, izay mitantara ny fiainan-dRakoto,
lehilahy kamboty, nanambady an-dRavololona ary nanan-janaka vavy, Vaonirina no
anarany. Sahirana ara-pivelomana izy ireo hany ka nanaraka olon-kafa ny vadiny. Noho
ny alahelon’i Vao ny reniny dia lasa manavy foana izy isan-kariva. Sady malahelo no
sahiran-tsaina fatratra Rakoto tamin’izany, ary izany alahelo sy fahasahiranan-tsainy
izany, no asehon’ny mpanoratra amin’ny volon’androm-pahavaratra : misasaka ny alina
(taratry ny aizina mirakitra zavatra saro-pantarina, tahotra, ahiahy…) ; miraraka ny
orana (volon’andro malahelo, toa mitomany taratry ny alahelo ateraky ny aretin’i Vao
kely sy ny fahasahiranan-drainy) ; mirefotra ny varatra (taratry ny fo triatran’alahelo ao
amin’i Vao kely, malahelo ny tsy fahitany an-dreniny, sy ny fahatsiarovany fa reraky ny
mitrotro azy ny rainy ; ny fon-dRakoto vaky noho ny alahelony an-janany sy ny
toetram-badiny izay nandao azy, izay tsy mba nitsetra na nisaina an-janany akory na dia
teo aza ny tsy fitiavany an-dRakoto noho ny tsy fahazakany ny fahasahirana.
Ohatra3 : “Ny havesatry ny harena”
“Nigaingaina aoka izany ny andro. Andro mampatory, andro mavesatra. Efa
lasa ela ny mitatao vovonana, nefa ny herin‟ny masoandro vao mainka koa avo sasaka.
Ny ravinkazo maitso toa reraka sy oriory ; ny voninkazo mivelatra kosa milofika sady
matory. Mangentana ny tany na dia vao haingana aza no vonto sy kotsan‟ny
ranonoram-baratra.
Aera mahamay no fohin‟ny miaina ka indreny ny biby fiompy valabalaka
mamonjy alokaloka ; ny voro-manidina maka aina any anatin‟ny lobolobo. Ny
zanak‟olombelona kosa voaterin‟ny fitadiavana, poretin‟ny tsy fahampiana samihafa sy
ny ady lalandava amin‟ny fahoriana isan-karazany ka indreny mirezareza tsy sazoka
eny amin‟ny arabe sy ny sakeli-dalana.
Eo ambonin‟ny takelaka amin‟ity trano kelikely ity kosa, dia indro Rainiboto
mivady miala sasatra sy miantso torimaso ho avy, nefa mivadibadika fotsiny tsy mahita
tory.”
Auguste RAJON in Takelaka notsongaina II, p.16
63
Ity sombin-tantara ity dia mahatsikaiky izay mitantara fiainan’olon-dehibe
mpivady izay mivelona amin’ny pasoka. Ny lafiny fifandisoana eo amin’ny toe-javatra
no nanorenan’ny mpanoratra ny lafiny mahatsikaiky ao amin’ny tantara. Natombony
tamin’ny filazalazana ny toetr’andro izany : “Nigaingaina aoka izany ny andro. Andro
mampatory, andro mavesatra. Efa lasa ela ny mitatao vovonana, nefa ny herin‟ny
masoandro vao mainka koa avo sasaka.” Ny andro migaingaina, mafana loatra no
asehon’ny mpanoratra, ka asehony ao sahady ny fifandisoana eo: rehefa tolaka ny andro
dia tokony hihalefy ny masoandro, nefa ao amin’ny tantara vao mainka mandoro ny
hafanan’ny masoandro.
Izany dia efa taratry ny vontoatin’ny tantara izay maneho ny fiainan’izy mivady
lehibe, mivoatra mihatsara saingy toa manempotra azy izany, fa tsy mba mampivoatra
ny fiainany ho tsara. Rehefa mandroso ny tantara dia nanana taiza natsoina hoe Faralahy
izy mivady, izay nonina tany an-tsiraka, nanafatra azy mivady handimby azy satria
narary mafy izy, ka izy mivady no notendreny handimby azy. Lasa nanan-karena tokoa
izy ireo tamin’izany, saingy niova fomba fiaina koa, ka nahatsiaro ho sahirana sy sorena
fatratra nony farany. Toe-javatra mahatsikaiky toy izany no asehon’ny tantara. Ny olona
raha manan-karena, mahatsiaro miadana, fa izy mivady kosa vao mainka sahirana, hany
ka naleony niverina tamin’ny pasoka.
Fanampin’izany mbola mahatsikaiky koa ny fihetsika hita taratra ao anatin’ny
fiandohan’ny tantara. Izany anefa dia asehon’ny mpanoratra amin’ny fanoritsoritana ny
toetry ny zavaboary sy ny fihetsiky ny olona sasany izay toa mifanipaka be ihany
amin’ny fihetsik’izy mivady :
“Ny ravinkazo maitso toa reraka sy oriory ; ny voninkazo mivelatra kosa
milofika sady matory. Mangentana ny tany na dia vao haingana aza no vonto sy
kotsan‟ny ranonoram-baratra.
Aera mahamay no fohin‟ny miaina ka indreny ny biby fiompy valabalaka
mamonjy alokaloka ; ny voro-manidina maka aina any anatin‟ny lobolobo. Ny
zanak‟olombelona kosa voaterin‟ny fitadiavana, poretin‟ny tsy fahampiana samihafa sy
ny ady lalandava amin‟ny fahoriana isan-karazany ka indreny mirezareza tsy sazoka
eny amin‟ny arabe sy ny sakeli-dalana.”
Noho ny andro migaingaina dia tsy mahazo aina daholo ny zavaboary
manontolo. Izy mivady kosa anefa dia maka aina, nefa rehefa dinihina toa tsy mahazo
aina fa lasa vinany, misy lafin-javatra mampieritreritra, izany hoe jerena toa miadana
nefa miady saina, be eritreritra. Asehon’ny mpanoratra izany amin’ny hoe : “Eo
ambonin‟ny takelaka amin‟ity trano kelikely ity kosa, dia indro Rainiboto mivady miala
sasatra sy miantso torimaso ho avy, nefa mivadibadika fotsiny tsy mahita tory.”
64
Araka izany, mifaningotra hatrany ny fiainan’ny tontolo sy ny mpandray anjara
ao amin’ny tantara.
Ohatra4 : “Ilay adalako”
“Rivotra mitsoka malefadefaka? Lanitra manga. Rivotra mitsoka malefadefaka?
Lanitra manga mihaigo galona fotsy mipentipentina. Tara-bolana manjavozavo,
manangasanga eo amin‟ny lohan‟ny vohitra kely ery an-dafy atsinanana. Toy izany,
sady ao anatin‟ireo no miorina ny tanan‟Andoharano, ampofoin‟ny hentrina sy
tanimbary somary midadasika mitsotra mianavaratra. Ny voronkely misioka eny
ambony hazo mijoalajoala dia tandindon‟ny mpifankatia vao vaky vony. Mamimamy
kokoa noho ny rano nihavian‟ny anaran-tanàna ny indray takarivan-dohataona
amakivakiana ilay lalan-tokana misafeloka ao amoron-tanimbary, dia vao somary
mideza ho eo ampovoan‟ny trano tsy latsaky ny roapolo. Zazavavikely toa gazela
mifalihavanja tanora, mioty goavy eo amorom-patsakana… Io no Fenomanana ao an-
tanàna. Iny kosa zazalahy vao erotrerony mioty goavy eo amorom-patsakana, nandalo
azy.”
HECTORINE B. in Takelaka notsongaina II, p.254
Ity sombin-tantara ity dia maneho ny lafy tsaran’ny fiainana, maneho
tantarana mpifankatia vao erotrerony, miano-pahasambarana eo am-pizarana ny fitia
vao mitsiry. Ny fanoritsoritana ny zavaboary nomen’ny lohataona aina indray, rehefa
avy nandia ny ririnina mangatsiaka, no nentin’ny mpanoratra naneho izany. Ny rivotra
mitsoka malefadefaka, ny lanitra manga mihaingo galona fotsy mipentipentina dia
mitory toetr’andro tsara, manome aina sy mampahazo aina ny zava-manana aina
rehetra, ary mitory hafaliana. Ny takariva ahatarafana tara-bolana manjavozavo,
manangasanga eo amin‟ny lohan‟ny vohitra kely ery an-dafy atsinanana dia
mampirongatra ny fitia sy mampalai-misaraka ny mpifankatia entanin’ny fitia vao
misandratra.
Manampy izany ny fampiasan’ny mpanoratra ny voambolana avaratra, izay
tandindon’ny fahatsarana eo amin’ny filôzôfia malagasy, araka ny fomba fiteny hoe :
avara-patana (toerana fandraisam-bahiny), avara-pianarana (olona nahita fianarana). Ny
siokam-boronkely dia vao mainka manamafy ny rivo-pifaliana izay ifampizaran’ny
tontolo nohariana rehetra : taratry ny hafalian’ireo mpifankatia. Ny hatanoran’ilay
zazavavy sy ny fihetseham-po faly ananany, dia nasehon’ny mpanoratra tamin’ny
gazela mifalihavanja tanora. Ny hatanorany vao misandratra na ny fanahin-jaza miha-
tanora ao aminy, dia hita taratra tamin’ny hetsika nataony : mioty goavy eo amorom-
patsakana. Toy izany ihany koa ny an-drazazalahy.
Araka izany, ny fahaizan’ny mpanoratra mampifandray sy manoritsoritra ny
tontolo manodidina no manome aina sy manome endrika ny tantara, ary manoritra ny
fihetseham-pon’ny mpandray anjara izay mipaka ho azy any amin’ny mpamaky.
65
Ohatra5 : “Ilay adalako”
“Amin‟ny fito alina. Ny taratry ny volana mbola tsy feno tsara dia nitsofotsofoka teny
anelakelaky ny alan-kininina teny ho eny. Eo am-baravarankely voabara vy, nisy
tovolahy tsara tarehy, toa manao tanisa, toa miresaka irery. Vetivety izy mihomehy,
nefa mitomany koa matetika.
Maty jiro, tandindona kely sisa hany hahafantarana azy. Indro izy mandohalika.
“Arovy ilay namitaka ahy” hoy izy. Dia voasaron-drahona mainty tampoka ny volana
ka maizina tsy nampoizina tety an-tany. Io no Rafaly, nefa tsy Rafalin‟andoharano
intsony fa Rafaly adala.”
HECTORINE B. in Takelaka notsongaina II, p.255
Ity sombin-tantara ity dia mampangitakitaka, maneho ampahana tantara izay
sady mampatebiteby no mampalahelo, satria maneho ny tantaram-piainan-dRafaly izay
tsaboina eny amin’ny fitsaboana adala. Adala izy noho ny fiheverany fa namadika azy
ilay olon-tiany ary nanambady olon-kafa. Mba hanehoan’ny mpanoratra izany toerana
misy an-dRafaly izany no nilazany mialoha ny taratry ny volana mbola tsy feno tsara,
nitsofotsofoka teny anelakelaky ny alan-kininina teny ho eny dia ny tara-bolana [izay
tandindon-dRafaly] : tovolahy tsara tarehy, miezaka ny ho tafavoaka amin’ny
fahadisoam-panantenana niainany ara-pitiavana, nefa tsy afaka ka lasa adala : toa
manao tanisa, toa miresaka irery ; vetivety izy mihomehy, nefa mitomany koa matetika.
Ny fintsontsorihan’ny fiainan-dRafaly ho any amin’ny fahadalana koa dia nasehon’ny
mpanoratra tamin’ny filazalazana ny toetry ny lanitra mipaka ety an-tany. Alina ny
andro : amin‟ny fito, nefa manampy ny aizin’ny andro dia mbola nohamaizinina
hatrany izany satria maty jiro, tandindon’ny fiainana tsy misy masoandro mihiratra
iainan-dRafaly. Mbola manampy trotraka izany ny voary : dia voasaron-drahona
mainty tampoka ny volana ka maizina tsy nampoizina tety an-tany.
Ny aizina dia taratry ny lafim-piainana ratsy, tsy mahomby ka ny filalaovana
amin’izany sarin-teny izany no anomezan’ny mpanoratra aina ny tantara ho sady
mampalahelo no mampangitakitaka. Ny aizina tokoa no tsy ahita-mitsinjo, ka tsy
hahalalana akory izay hodiavin’ny tongotra, ary rako-java-misitery mampatahotra tsy
ampoizina, fototry ny fangitakitahana ao amin’ny tantara.
2.1.2.2 Ny lovantsofina mifaningotra amin’ny tontolo iainana
Misy lahatsoratra mitantara entina mitantara toe-javatra. Ny tanjon’ny
fitantarana amin’izany dia ny hanome fampahalalana. Amin’izany, ny fahalalana omena
dia mety ho tantara nitranga teo amin’ny firenena, mety ho lovantsofina mitantara ny
niandohana zavatra iray, na manazava tranga iray. Ezahina ny hitrandraka ireo tantara
66
manome vahana ny tontolo iainana. Mibahan-toerana amin’izany ny resaka fady sy ny
tontolo iainana. Indreto ohatra vitsivitsy maneho izany.
Ohatra1 : “I Langaina sy ny fody”
Tamin‟ny andro tabataban‟ny 1947 ireny, hono, dia tonga teo Langaina ny
vazaha sy ny sônegaly handripaka ny mponina. Be mpitolona mantsy io faritra io
fahiny. Efa voahodidina miaramila daholo ny tanàna ka tsy nisy hirika azon‟ny olona
nitsoahana. Hany hery dia niafina tao anaty alam-bero. Tonga ny vazaha sy ny
sônegaly nanao sava hao ny tanàna nefa tsy nahita na inona na inona. Saika hisava ilay
alam-bero izy ireo nefa rehefa mby teo akaikiny dia lasa niverina.
Gaga ilay lehibeny nahita izany ka nanery ny miaramilany hisava io alam-bero
io. Namaly ireo miaramila mpisava ka nilaza fa raha nisy olona tao tsy ho nisy teo ireo
fody ireo. Nisy andiam-pody mantsy teo ambonin‟ilay alam-bero tamin‟io fotoana io.
Izany hoe raha tsy teo ireo fody ireo, nipetraka teo, dia nety ho tapitra ringana avokoa
ny mponin‟i Langaina. Iraky ny Zanahary hitahy azy ireo no niheverany ny fody, ka dia
nanafarany faramandimby tsy ho vonovonoina na hokasikasihina.
Ankehitriny, rehefa mandalo ny tanimbary eny Langaina ianao dia mahita hazo
mitsatoka amin‟ny sisiny roa manenjana tady feno kapoaka miraviravy. Izany no
nataony dia mba handroahana ireo fody misodisody hihinam-bary eo, amin‟ny fomba
tsotra mba tsy hamonoana azy ireo noho ny hafatry ny razana.
RAMANANTSOA RAROJOSON Hery in Vintsy n° 2, p.25
Ity lahatsoratra ity izao dia mitantara ny niandohan’ny fiarovana ny fody, noho
izy nanavotra ny mponina tamin’ny fahavalo, tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany.
Nanomboka tamin’izany fotoana izany no lasa fady ny mamono ny fody, mba ho
fanajana sy fankasitrahana ny soa vitany tamin’ny vahoakan’i Langaina. Ny tantara sy
ny kolontsaina eto dia mifaningotra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy misy
hafa amin’izany koa ny tranga niseho ka notantaraina momba ny goaika nanavotra
an’Andrianampoinimerina, raha notafihin’ny Sakalava izy.
Ohatra2 : “Ny goaika”
Fahiny dia fomba fanao hatrizay teto Madagasikara ny fifanafihana teo
amin‟ny samy fanjakana madinika. Indray andro, hono, azafady… indray alina, hono,
dia efa tafandry tory avokoa ny olon-drehetra tao amin‟ity tanàna kely iray. Tony sy
gina tokoa ny alina hany ka na ireo mpiambina aza dia nisy sondrian-tory.
Kinanjo tsy naharitra izany fahanginana sy fitoniana izany satria injany tsy
nifandrenesana ny kiakiakan‟andian-goaika maro.
Taitra hatramin‟ny mpanjaka ka nampizaha ireo mpiambina ny anton‟izany
tabataba izany. Nitangorona ireo andian-goaika sady nikotaba, nahatazana andia-
miaramila saika hanafika ity tanàna kely nandritra ny alina.
Avotra ny tanàna ary ho fisaorana ny goaika dia namoaka didy ny mpanjaka fa
na zovy na zovy avy ao amin‟ny fanjakany dia tsy mahazo mamono goaika.
Tsia, tsy angano, tsy arira ity fa tantara marina niseho tany afovoantany izay
zaraiko aminareo.
MAKSIM Lucien in Vintsy n°22-23, p.50
Ity lahatsoratra fahatelo ity kosa dia mitantara ny niandohan’ilay hazo masina
antsoina hoe Fihamy ao Toliara, izay maneho ny finoan’ny Malagasy mikasika ny
hasin’ny zavaboary sy ny fototr’izany.
67
Ohatra3 : “Ilay Fihamy ao Miary”
Dimy ambin‟ny folo kilometatra atsinanan‟i Toliara, amin‟ny lalana
mivoaka an‟i Miary no ahitana ilay fihamy lehibe, ilay hazo misandrahaka mitondra ny
anarana siantifika hoe Ficus Bengalensis. Isan‟ny toerana be mpizaha tany any
amin‟iny faritra iny sady masina noho ny tantarany.
Tany amin‟ny taonjato fahafito ambin‟ny folo, vokatry ny loza nateraky ny ony
Fiherena dia nangataka tamin‟ny mpanjaka Andriantompoerivo ny vahoakany mba
hanampy azy. Nanatona ombiasy avy any atsimo atsinanan‟i Madagasikara àry ny
mpanjaka, tany amin‟ny faritra Antemoro. Araka ny filazan‟izy ireo dia mila tovovavy
hatao sorona mba hanesorana io loza io.
Novorian‟ny mpanjaka àry ny vahoakanymba hilazana ny zavatra nolazain‟ny
ombiasy. Raha misy olona manolotra ny zanany hatao sorona dia honerana omby zato
izany, andevo zato ary fivelomana. Ambonin‟izany, hatao ho isan‟ny fianakavian‟ny
mpanjaka izy.
Zazavavy kely iray, zanaky Ndriampototsoko, avy amin‟ny foko Ntsatsake,
antsoina hoe Revola, no natolotra hatao sorona. […] Dia novonoina natao sorona
Revola, nalevim-belona. Nanomboka tamin‟izany dia tsy nitondra loza intsony tao
Miary ny ony. Fa teo amin‟ny toerana nandevenana an‟ilay zazavavy kosa dia nisy
hazo misandrahaka, izay inoan‟ny olona fa fiverenan-dRevola indray ao amin‟ny
tontolon‟ny velona. Izany no mahatonga ity hazo sy toerana ity ho masina. Koa rehefa
navily lalana ilay ony dia nampitondraina ny anarana hoe Fiherenana ary ny fasan‟ny
mpanjaka dia arovana. Hatramin‟izao dia mbola mangatam-pitahiana sy manao
sorona eo am-pototr‟ilay hazo misandrahaka ny ankamaroan‟ny mponin‟i Toliara.
Collège Français de Tuléar, Guide touristique et culturel de Tuléar et sa région,
p.11 (Dikateny malalaka nataon’ny mpiadina)
Ireo lahatsoratra telo ireo dia samy maneho ny fifaningoran’ny fiainan’ny
Malagasy sasany tamin’ny tontolo iainana, mamorona ny tantarany. Ny karazan-
dahatsoratra toy itony dia maneho mivantana ny maha-taratry ny zava-misy ny
literatiora.
2.1.2.3 Ny tantara mifono anatra miorina amin’ny tontolo iainana
Tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny kilasy fahafito ny fandinihana ny
lahatsoratra mitantara. Izany indrindra no hararaotina mba hampianarana ny
karazan’angano na arira mifono anatra, mitovy lenta amin’ny fable50
, izay manome
lanja ny tontolo iainana, amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa, tsy voatery ny
kilasy fahafito ihany no hitradraka ireny karazan-dahatsoratra ireny, fa azo ampiasaina
amin’ny kilasy rehetra izany. Efa maro ny boky mirakitra ireny karazan’angano ireny
amin’ny teny malagasy, saingy azo atao ihany koa ny mindrana ireo hita amin’ny teny
vahiny (ohatra : fables de la Fontaine).
50
Larousse, Petit dictionnaire de français / Fables : " récit allégorique, d’où l’on tire une moralité »
68
Azo atao tsara ny mitrandraka ireny rehefa hanome lesona ara-pitondran-tena ny
beazina. Amin’izany dia sady miala voly eo am-pianarana izy ireo no mbola mahazo
anatra hoenti-miaina koa.
Ohatra1 : “Analamaitso, Analaringitra”
Fahiny elabe, toy ny olon-drehetra, dia nivelona tamin‟ny vokatry ny voaary ny
mponina tao amin‟ity faritra iray antsoina hoa Analamaitso. Analamaitso izay ala
maitso matevina mifanila amin‟Analaringitra, izay tsy mba ahitana loko maitso fa
maina. Noho izy tsy mba sompitra nitahiry sakafo maro karazana dia tsy nisy
niraharaha firy Analaringitra. Analamaitso foana no nanintona ny olona tao an-
tanàna.
Niadam-pinaritra ny mponina satria voky hatrany tamin‟ireo sakafo be
natolotr‟Analamaitso ho azy. Indray andro anefa… ritra ireo voankazo izay noheverina
fa tsy lany laniana tao Analamaitso ary tonga tokoa ny mosary.
Very hevitra ny tao an-tanàna, tsy kely tsy lehibe…
Raha mbola vaka teo ny iray tanàna dia tonga ity voronkely iray nilaza
tamin‟ireo olona fa “raha tena noana ianareo, maninona no tsy mitady sakafo ao
Analaringitra?”
Tao ireo tezitra satria toa nandatsa, hono, izany teny izany. Voankazo iray aza
tsy hita ao Analaringitra nefa nohadian‟ilay voronkely ny tany tao Analaringitra ka dia
nivoaka tao ny fakan-javamaniry azo hanina toy ny oviala. Ary dia nangady avokoa ny
iray tanàna ka nahazo izay nilaina.
Nanomboka teo dia tsapan‟ny mponina tao an-tanàna, fa na dia ny ala izay
noheverina ho ringitra aza dia ala nataon-Janahary ihany koa, ka mitahiry hani-
mahavelona, ka tokony hotiavina, hokajiana ary harovana. Na ala maitso na ala
ringitra dia mifameno ny andraikiny, ka tokony tsy misy hiangarana.
Angano, angano, mpitantara fotsiny ah,o fa ianao no mandinika ireo ala
mirahavavy.
MAKSIM Lucien in Vintsy n°26, p.15
Ohatra2 : « Marofia »,
Akory tokoa moa izany fiadanan‟ireo mponina tao Marofia. Marofia tanàna
kely iray nalaza tamin‟ny famokarana fia na trondro, avy ao amin‟ny farihin‟i Marofia
taloha. Maro tokoa mantsy ny fia tao.
Saingy fahiny izany fa tsy ankehitriny intsony. Lany ireo nampalaza an‟i
Marofia satria tsy nasiana fotoana mihitsy ny jono tao hany ka na ny fotoana
hanatodizan‟ny trondro aza tsy nisy akory. Ary noho ny hakamoana angamba dia
mbola tao anatin‟ity farihy ity avokoa no nanariana ireo fako rehetra tao an-tanàna.
Ny loza anefa dia tsy mba nieritreritra fitadiavam-bola hafa mihitsy ny mponina
tao afa-tsy ny jono. Ny jono avokoa no nivelomana. Vary, menaka siramamy, sira, eny
hatramin‟ny fitafiana aza dia azo avy amin‟ny fanakalozana trondro avokoa.
Ankehitriny, tonga ny mosary, narahin‟ny fahantrana. Raha mba tsy nariana
tao anatin‟ity farihy ity avokoa mantsy ireo fako…
MAKSIM Lucien in Vintsy n°32, p.15
Ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fifampitsimbinana dia lohahevitra dinihina
ao amin’ny kilasy fahafito. Raha ny mahazatra dia ny fiarahamonin’ny olombelona no
tena resahina amin’izany. Mazàna no toa hadino fa io fiarahamonin’ny olombelona io
dia tsy misaraka mandrakariva amin’ny tontolo iainany. Noho iza ny, tokony hodinihina
ao amin’ireo lohahevitra ireo koa ny ny mikasika ny tontolo iainana : ny fihavanan’ny
olombelona aminy, ny fanajany azy, ny fitsimbinany azy na koa ny fifanajana sy ny
69
fifampitsimbinana misy eo amin’izy roroa. Tsy tokony hijanona amin’ny kilasy fahafito
izany fa hotohizana hatramin’ny kilasy ambony.
Ity angano ity izao, dia azo itarafana ireo soatoavina malagasy ireo, ka azo
trandrahana aminy daholo na ny mikasika ny olombelona na ny tontolo iainana, saingy
ny tena misongadina dia ny fitsimbinan’ny zavaboary ny olombelona sy ny tsy
fanajan’ny olombelona ny zavaboary.
Hita soritra ao amin’ny angano fa ny fiainan’ny olona sy ny fahavelomany dia
miankina betsaka amin’ny tontolo iainany. Mitana toerana lehibe indrindra amin’izany
ny sakafo. Amin’izany filana ara-tsakafo izany anefa, dia tsy mba mitsinjo izay ho
farany ny olombelona fa mitrandraka tsy ara-drariny izany harena voajanahary izany,
hany ka mety ho ritra izany, toy ny voankazon‟Analamaitso ao amin‟ny angano.
Taratry ny fiainana andavanandron’ny Malagasy izay mitrandraka tsy am-
piheverana ny tontolo izany, mba hanasoavany ny fiainany, kanjo lasa mivadika loza ho
azy izany any aoriana. Ny fahapotehan’ny tontolo iainana dia tsy vitan’ny loza mihatra
amin’ny tontolo iainana tenany ihany, fa miantraika amin’ny bolantany tontolo, ary tsy
afa-miala amin’izany ny olombelona. Raha tsorina, mandrora mitsilany ny olona, ka tsy
ny tenany ihany no voa, fa ny tontolo iainany indrindra koa. Koa raha tsy tonga saina
amin’izany ny olona dia ho potika sy ho rava ny fiainany sy ny tontolo iainany. Izany
no antony tokony handinihana itony angano itony mba hanairana ny mason-tsain’ny
beazina dieny mbola zaza izy, mba tsy hanaotao foana.
Isan’ny anatra azo tsoahina ao koa dia ny hoe samy manana ny maha izy azy ny
zavatra rehetra ka tsy tokony hatao tsinontsinona. Ambonin’izany, alentika ao amin’ny
sain’ny beazina, fa ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny tontolo iainana dia mety
hahalany ringana azy, noho izany, ilana fiheverana ny fikajiana sy ny fanonerana ny
lany, toy ny fambolen-kazo, ny fanaovana voly avotra…
Ohatra3 : “Ilay voninkazo kely”,
Indray andro, hono, nandalo ity vehivavy tsara fanahy antsoina hoe Tanisa, dia
nitaraina tamin‟io, hono, ilay voninkazo kely, ka hoy i Tanisa : “Raha tianao dia haiko
tokoa ny hamindra anao ho any an‟ala, nefa eritrereto tsara aloha.” “Tsy maninona”,
hoy ilay voninkazo kely, “fa efa izay no faniriako!”
Ny androtr‟iny ihany dia nentin‟i Tanisa nifindra tany an‟ala izy, teo akikin‟ny
vololon-kazo sy ny ampanga. Kinanjo tsy nety taminy ny toerana, satria maloka tsy
mahazo masoandro.
Nony afaka andro vitsivitsy dia nandalo i Tanisa hamangy ilay voninkazo kely,
ka nahita azy nitanondrika, ka nanontany hoe : “Angaha tsy afa-po amin‟ny toerana
misy anao ianao?” “Eny, indrisy!” hoy ilay voninkazo kely, “raha sitrakao dia ento ery
an-tendrombohitra ery aho, fa eny no toerana sahaza ho ahy!” Dia nesorin‟i Tanisa
tamin‟ny tany izy ka nentiny teny an-tendrombohitra, ary napetrany teo ambony
harambato misy tany. “Eto aho mahazo masoandro tsara” hoy ilay voninkazo kely afa-
po.
70
Afaka andro vitsivitsy anefa dia lany ireo tahirin-tsakafo ilain‟ny voninkazo avy
amin‟ny tany, ka nihareraka sy nihaosa foana izy. Soa ihany fa nandalo i Tanisa, mba
hamangy azy. Nesoriny hiala teo ilay voninkazo kely, ka nentiny tany amoron-drano ary
natsatony teo am-povoan‟ny zozoro. Tsara dia tsara tokoa ny tany nanirian‟ilay
voninkazo saingy petsapetsan-drano mandrakariva ka tsy nahazo aina firy izy ary saika
maty mihitsy aza, raha tsy nesorin‟i Tanisa teo.
Dia niangavy an‟i Tanisa indray ilay voninkazo kely mba hamindra azy any
amin‟ny tany efitra satria tsy ho safotry ny rano, hono, izy any. Tsy nisy rano
nivelomany anefa ny tany ka tonga indray i Tanisa namonjy azy ary namerina azy tany
amin‟ny toerana nisy azy tany an-tsaha.
Faly avokoa ireo voninkazo namany marobe tao an-tsaha, raha nahita azy
niverina, ary liana dia liana ery hihaino ny tantarany.
Myriam KRAFT in Vintsy n°50, p.45 (dikateny nataon-dRAKOTOVOLA Estelle)
Raha ity angano ity indray no jerena dia maneho, ara-bakiteny, fa misy
rohivoaary isan-karazany izay samy manana ny maha izy azy. Eto, ilay voninkazo dia te
hifindra amina rohivoaary tsy mahazatra azy, saingy tsiriritiny, nefa tsy nisy nety
taminy ireny. Hafa ihany ny mahazatra sy ny mifanaraka amin’ny maha izy azy ny tena.
Ny anatra azo tsoahina, eto, dia mifaningotra indrindra amin’ny hoe : “Aza mitomany
randrana manendrika ny sasany”, mionona amin’izay efa ananana fa aza mitsiriritra ny
an’ny hafa tsy hifanentana amin’ny tena.
Fa rehefa afindra ao amin’ny tontolon’ny fiarahamonina io dia ny fiainan’ny
olombelona no ambarany ao. Amin’ny angano dia tandindona olona ao anaty
fiarahamonina ireny mpandray anjara ireny, na dia tsy olona aza izany. Taomina, araka
izany ny olona mba hahay hankasitraka ny anjara nomena azy.
Ohatra4 : “Iza no zokiny?”
Indray andro, hono, niady izay ho zokiny ny dobo sy ny farihy. Efa nifandresy
lahatra ela ry zareo fa tsy nisy nanaiky ho zandriny. Nony ela, niaka-peo ny farihy fa
tsy nahavita niteny milamina intsony.
-Mangina fa izaho no zokiny! Hoy ny farihy.
-Porofoy àry ny maha-zokiny anao, hoy ny dobo.
-Izaho no noharian-Janahary fa ianao namboarin‟olombelona hoy ny farihy.
-Fa izaho ilain‟ny olombelona isan‟andro fa ianao zara raha misy mpitsidika
indraindray, hoy ny dobo.
-Izaho feno trondro tsy lany laniana fa ianao ampidirana trondro vao mba misy aina,
hoy ny farihy.
-Fa ny anay trondro voafantina no arotsaka ato aminay, fa ny anareo kosa io trondro
tsy fanta-piaviana rehetra io no tonga ao aminareo. Zokiny aho matoa karakaraina
manokana tahaka izany, hoy ny dobo.
-Fa taiza no nisy zokiny kely e! Ny velarako, midadasika ; ny halaliko, toy ny hady
lalina mangitsokitsoka ; ny ranoko, tsy lany ritraina. Izaho ny zokiny satria ny amiko
rehetra lehibe avokoa.
Sorena, hono, ny ranomasina nandre izany fifamalian-dresaky ny farihy sy ny
dobo izany ka nivoaka sy niseho tamin‟ny fahanginany ka hoy izy :
-“Mangina fa tsy misy zokiny ianareo roalahy! Iza no mahazaka sambo? Iza no
mahasafotra ny tany? Iza no lehibe mahasarona ny tany?” Tsy nisy nahateny, hono, na
ny farihy na ny dobo. Ngonongonona sisa no azon‟izy ireo natao. Ny dobo nilaza hoe :
-“Hay na mihevi-tena ho lehibe aza mbola misy lehibe noho ny tena any ambadika
any! Tena tsy tokony hihambohambo velively. Ny farihy kosa indray, hono, nahateny
71
hoe : -“Na lehibe sy zokiny aza aho, mbola misy kay ny lehibe noho izaho sy mbola
zokiko. Tena tsy tokony hieboebo!” Dia tsy niady ny ho zokiny intsony, hono, ny farihy
sy ny dobo.
RABENANDRASANA Lalao François, Angano vakina : boky faharoa, p.15
Ity angano ity kosa dia miresaka indrindra mikasika ny fifandirana vokatry ny
fieboeboana sy ny fifampialonana. Asehon’ny angano anefa, fa eo amin’ny fiainana dia
tsy dia ilaina loatra izany, satria misy hatrany ny lehibe noho ny tena, ary samy manana
ny maha izy azy ny zavatra rehetra.
Ohatra5 : “Ny masoandro sy ny zavona”
Ririnina ny andro. Ririnina mamirifiry tokoa satria tsy mitsahatra mirotsaka ny
fanala, hany ka nisavoana ho zavona izany, rehefa hadiva haraina. Dia faly tokoa ny
zavona, fa manjaka tokana ety an-tany. Rako-javona ny rehetra, ka tsy hifankahitana
lavitra. Nibitaka tokoa ny zavona, fa azy izao rehetra izao. Rehefa nifaly havanja teo ny
zavona dia nahaliana ny masoandro, ka nahatonga azy hitafa :
-Izaho no atao hoe fiadanana Ramasoandro a! hoy ny zavona.
-Fiadanana ahoana? Hoy ny masoandro taitra.
-Izaho no mandrindra ny fiainan‟izao tontolo izao. Rehefa eo aho dia mitandritandrina
amin‟izany ataony avokoa ny olombelona. Ny masinina sy ny motera isan-karazany aza
moa dia ataoko mikatso mihitsy, hoy ny zavona.
-Tena mba ratsy fanahy koa ianao izany, hoy ny masoandro.
-Izany haben‟ny fahefako Ramasoandro a! Ataoko mangovitra hatramin‟ny olombelona
mihitsy aza ange e! Ary ataoko mivaingana mbamin‟ny rano sasany, hoy ny zavona
nidehaka.
-Tsy mety mihitsy izany ataonao izany Razavona, hoy ny masonandro.
- Ha! Ha! Ha! Hoy ny zavona nikakakaka. Mialona ny fahefako indray Ramasoandro
dia manao be filaza eo.
-Ataoko inona koa izay fahefanao? Hoy ny masoandro tezitra. Ny fahefanao tsy lehibe
noho ny fahefako.
-Ka asehoy àry hoe izany fahefanao izany, hoy ny zavona ;
-Misy orany ny ampisehoako aminao ny fahefako, fa ity mampijaly ny hafa sy
fireharehanao ity no tsy mety sy tsy tokony hataonao, hoy ny masoandro.
Tsy noraharahian‟ny zavona anefa izany tenin‟ny masoandro izany fa vao
mainka izy nirehareha fatratra. Kanjo nikisaka tsimoramora ny ora. Amin‟ny dimy,
amin‟ny enina, amin‟ny fito, nisandratra ny masoandro tamin‟ny folo. Nitondra ny
hafanana izy tamin‟izany ka levona tao anatin‟ny indray mipi-maso ny zavona be
rehareha.
RABENANDRASANA Lalao François, Angano vakina : boky faharoa,p.21
Ity agano ity dia miresaka momba ny fieboeboana, noho ny fananana fahefana
kely hifehy ny zavatra hafa, ka mampijaly ny hafa eo ambany fahefan’ny tena. Maneho
ihany koa ny fahefana ananan’ny tsirairay izay misy fetrany avokoa, ka tsy tokony
hanjakazaka ny manana azy. Manabe ny olona hahay hanetry tena sy tsy hanampa-
pahefana izany.
Azo atao ihany koa ny mitrandraka ireny lahatsoratra vahiny ireny na ireny
fables ireny mba hivelaran’ny fahalalana sy ny kolontsain’ny beazina: fampiharana ny
fampifandraisan-taranja izany.
72
2.1.3 Ny lahatsoratra manazava
Ny lahatsoratra manazava dia tsy manome fampahalalana ny mpamaky fotsiny,
fa mamelabelatra izany fahalalana naroso izany, ka ny fanontaniana izay valiana
amin’izany dia ny hoe : Inona? Maninona? (N)ahoana? 51
Ny lahatsoratra manazava
dia manala izay rehetra fahasarotana amin’ny fahazoana ny tontolo manodidina, ny
hevitry ny teny, ny sary, ny lahatsoratra, ny zava-nitranga na ny zava-misy…
Amin’ny fampianarana izany lahatsoratra manazava izany, dia ezahina
trandrahina ireo lahatsoratra mirakitra ny tontolo iainana sy ny manodidina azy, toy ny
fifandraisany, ny tombontsoa azo avy aminy, ny kolontsaina miaro na manimba izany…
Indreto ohatra vitsivitsy maneho izany : lahatsoratra manazava manome lanja ny soa
azo avy amin’ny tontolo iainana, miorina amin’ny fahalalana ny tontolo iainana,
maneho ny voka-dratsin’ny asan’olombelona amin’ny tontolo iainana ary maneho ny
atao ho fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana.
2.1.3.1 Manome lanja ny soa azo avy amin’ny tontolo iainana
Indreto misy ohatra vitsivitsy manome ny soa azo avy amin’ny tontolo iainana,
azon’ny olona isitrahana :
Ohatra1 : “Ny ala mikitroka”
Havokavoky ny tany, hono, ny ala hoy ny manam-pahaizana. Amin‟ny
kasingan‟ny tontolo iainana dia ny zavamaniry irery ihany no afaka manadio ara-
boajanahary ny loto rehetra eny amin‟ny rivotra. Mihena anefa ny velarana ahitana ala
mikitroka any Amerika afovoany sy atsimo, any Afrika afovoany andrefana, any Azia
atsimo atsinanana sy Oseania ary indrindra eto Madagasikara.
Miavaka tsara ao amin‟ny ala mando ny hazo avo, ny kirihitra ary ny bozaka sy
ny lomotra. Matevina ny atiala ka maro ny bibikely tokana aman-tany miaina ao. Tsy
izy ihany anefa no mahita ny filana fototra ao amin‟ny ala mando fa ao koa ny
karazana biby maro mandady, mampinono, vorona… Antony mahamaro ny zava-
manana aina ihany koa ao amin‟ny ala mikitroka ny hatevin‟ny roka manazina ny tany
ao aminy.
“Ranomasina maitso” ny ala mikitroka. Mandrafitra ny vondron-drahona
mitondra orana ny hatsembohan‟ny zavamaniry. Misy akony eo amin‟ny toetr‟andro
amin‟ny faritra manodidina ny fisian‟ny ala mikitroka.
Ny fitsihifana ataon‟ny fakan-javamaniry ihany koa dia mamehy ny tondra-
drano ateraky ny renirano. Ny rotsak‟orana amin‟ny ala mando no mampatevina ny
tobin-drano milevina anaty tany ka miteraka loharano.
51
Evelyn Amon, Yves Bomati, op.cit., p.173 : « Le discours explicatif devellope des informations en
réponse à des questions qui sont parfois sous entendue : « Qu’est-ce que ? », « Pourquoi ? »,
« Comment ? ». Le discours explicatif lève une difficulté de compréhension, s’attache à rendre intelligible
le monde qui nous entoure, fait comprendre le sens d’un mot, d’une image, d’un texte, d’une notion, d’un
evenement ou d’un phénomène. [...] L’explication est, en principe, objective et neutre.»
73
Ny toerana misy ala dia tsy ahitana fikaohan‟ny riaka ny tany. Mamelona ny
zava-manana aina ny ala, indrindra fa isika olombelona.
RASOLONORO Jeannette in Vintsy n°22-23, p.16
Amin’ity karazan-dahatsoratra ity, ny tanjona dia ny hamerina ao an-tsain’ny
beazina ny hasarobidin’ny ala, tsy eo anivon’ny tontolo iainana ihany, fa eo amin’ny
fiainan’ny olona manontolo mihitsy. Maro ny tombon-tsoa entin’ny ala : mitahiry
karazan-java-manana aina, manadio ny rivotra, mitondra orana, manavao ny tahirin-
drano miantoka ny loharano, miaro ny nofon-tany tsy hokaohin’ny riaka. Ireo no tiana
hipetraka ao an-tsain’ny beazina.
Koa rehefa simba ny ala dia mikorontana manaraka izany koa ny tontolo iainana.
Voafangitr’izany fahasimbana izany ny toetr’andro (fiovaovana sy fikorontanan’ny
toetr’andro), ny fotoam-pambolena miampy ireo fahalotoana isan-karazany izay samy
loza mananontanona ny olombelona sy ny zava-manana aina rehetra.
Ohatra 2 : “Ny talapetraka”
Manan-karena tokoa ny Malagasy raha zavamaniry fanao fanafody no
resahina. Isan‟izany ny talapetraka izay mandady amin‟ny tany. Toy ny sila-bolana ny
raviny ary amin‟ny toerana mando sy mafana no ahitana azy matetika. Maro ny fomba
fampiasana azy :
- Ampiasaina amin‟ny fitsaboana ny aty ny talapetraka, ka eran‟ny tanana no
tanehana ao anaty rano iray litatra, ka io no sotroina
- Ho an‟ny fery indray kosa dia tanehana anaty rano ny raviny, ka anasana ny
fery. Manamaina ny tako-pery izany.
- Ampiasaina koa izy amin‟ny fitsaboana ny habokana. Manamaina ny fery
hanonitra izy. Mampatanjaka ihany koa izy ary manamaina ny fery na anatiny
na ivelany vokatry ny tety.
- Tsy isika olombelona fa ny biby koa dia mila azy. Mampitombo ny
rononon‟omby izy raha atao sakafony.
Anja RABARISON sy Hans RAJAONERA in Vintsy n°29, p. 20-21
“Be ny te ho Rasalama fa tsy avelan‟ny aretina”, hoy ny fitenenana. Toe-javatra
tsy azon’ny olona ialana ny aretina. Ny ankabeazan’ny fanefitra amin’izany dia avy
amin’ny zavaboary, antsoina ho raokandro, raha toa ka zavamaniry ampiasaina
mivantana.52
Mety hanasitrana koa anefa ny biby sy ny zavaboary hafa. Na ireo
fanafody jifaina eny amin’ny farimasia koa aza, dia ireny tontolo voajanahary ireny
ihany no nakana azy saingy, efa nasiana fandinihana manokana ny fatrany. Araka izany,
tokony hampahalalaina na hampahatsiahivina ny beazina, fa ny zavaboary no miantoka
ny fahavelomana sy ny fahasalaman’ny olona, amin’ny ankapobeny, ka mila tandrovina
sy kajiana. Santionany fotsiny ny talapetraka fa mbola maro ireo fanafody mifototra
amin’ny zavaboary.
52
Jereo : 1.1.2.1 Ny fiainan-tsosialin’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p. 15
74
Ohatra3 : “Alaotra sy ny zetra”
Ny fambolem-bary no mampalaza an‟Alaotra hoe sompitr‟i Madagasikara.
“Zetra” no anarana iantsoana ny alan-jozoro izay mandrakotra ny heniheny
manodidina ny farihin‟Alaotra. Mihapotika sy ringana anefa io alan-jozoro io tato
anatin‟ny roapolo taona. Maro anefa ny asan‟ny zetra :
-fanatodizan‟ny hazandrano sy fikotrehan‟ny vorona isan-karazany
-mpanamasaka ny tany amin‟ny zezika voajanahary avy amin‟ny poti-javamaniry
-mpiaro ny tanimbary sy ny farihy tsy ho tototry ny fasika sy ny bedana (ranom-potaka)
-mpitahiry ny hamandoana tsy ho ritra ho an‟ireo tanimbary misy vary teraka, mila
rano mandra-pahamasaka azy eny am-potony
-mpanome fitaovana ilaina amin‟ny asa tanana (rary) sy ny tao-trano ary ny sakafom-
biby
-mpanome zava-pihinana ny olombelona sy fanafody fitsaboana nenti-paharazana
-mpitahiry ny voaary mampiavaka an‟Alaotra toy ny bandro (karazan-gidro)
Noho ireo rehetra ireo dia sady antoky ny aina ny zetra no aron‟Alaotra ka
tokony hokajiana sy harovana.
Anja RABARISON sy Hans RAJAONERA in Vintsy n°28, p.20-21
Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Isan’ny sompitr’i Madagasikara Alaotra
ary ny zetra no miaro ny tanimbarin’Alaotra amin’ny atsanga sy ny loza maro isan-
karazany. Ambonin’izany, mbola mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny
olona sy ny tontolo iainana koa izy : miantoka ny sakafo, loharanom-panafody
voajanahary, miaro ny bandro… Tsy izany ihany fa mbola ao anatin’io tontolo iainana
io ihany koa, no anorenan’ny olona ny fahalalany sy ny fandrindrana ny fiainany.
2.1.3.2 Miorina amin’ny fahalalana ny tontolo iainana
Isan’ny fototra nanorenan’ny Malagasy ny fahendreny ny tontolo iainana sy ny
fahalalana izany. Manamarina izany ity lahatsoratra miresaka ny amontana sy ny
fifandraisan’izany amin’ny tompom-pahefana ity.
Ohatra1 : “Isa ny amontana : ny fahendrena notsoahina avy amin‟ny zavamaniry”
Ny amontana dia hazo lehibe, pelapela-dravina, sady lasa avo izy no
midoroboka fatratra. Maitso lalandava izy, ary tsy mba mety ringi-dravina na dia
amin‟ny andro ririnina aza. Mandrakariva dia nambolena teo amin‟ny toerana nisy
andriana izy ireny. Koa sady mampiavaka ny tanàna misy ny andriana izy tamin‟izany
no fanambarana rahateo koa ny toetr‟andriana. Ny andriana mantsy dia noharina
tamin‟ny hazo lehibe midoroboka ho fialokalofan‟ny vahoaka, sy ho fidodododoan‟ny
valalabemandry. Ny andriam-pivelomana hoy ny fitenenana Ntaolo. Ary ny mahatsiaro
mijaly noho ny fitondrana tsy ara-drariny ataon‟ny mpitondra tsy tena andrian-toetra,
dia loa-bolana hoe : “Fa ny aty aminay kosa e… tany lavitr‟andriana! ... Koa ny
amontana no ambaran‟ny Ntaolo hoe “isa”, izany hoe ho andriana (olon-kendry) no
zavatra voalohany ilain‟ny olona rehetra te ho velona finaritra amin‟ny maha-
olombelona azy. RANDRIAMIADANARIVO, Isa ny amontana, p.11
Ny sokajin-dahatsoratra manazava miorina amin’ny fahalalana ny tontolo
iainana dia sady azo itrandrahana hevitra no azo itrandrahana paikam-pananganana
lahatsoratra ihany koa. Raha ny lafiny hevitra no jerena dia manazava ny tokony ho
75
toetry ny andriana ny lahatsoratra, ka amin’ny voalohany dia oharina amin’ny
amontana izy, izay hazo vaventy, midoroboka, ela velona, fialokalofan’ny biby sy
zavamaniry isan-karazany. Izany hoe ny andriana na ny mpitondra fahiny dia tokony
hiahy ny vahoakany, ho olona efa manana traikefa amin’ny fiainana, satria efa
zokiolona. Izany andriana izany koa, dia noharina tamin’ny andrin-trano izay miantoka
ny fipetrahan’ny tapenaka sy ny tafo izay miaro ny trano manontolo amin’ny orana sy
ny rivotra… Koa ny andriana, araka izany, no andrin’ny vahoaka, miaro sy miahy ny
vahoaka. Toy izao izany raha arafitra anaty fafana ny paika- nenti-namorona azy :
Lahatsoratra Paikam-pananganana lahatsoratra araka ny teny
mpandamina
Paikam-pananganana lahatsoratra ara-
kevitra Ny amontana dia hazo lehibe,
pelapela-dravina, sady lasa
avo izy no midoroboka
fatratra. Maitso lalandava izy,
ary tsy mba mety ringi-
dravina na dia amin’ny andro
ririnina aza.
Dia : kianteny mampivadi-drafitra
ahitana EM voasoritra manoma
lanja ny L (ny amontana) izay
hofaritana
Sady…no…: mpampitohy
mampifanosona hevitra.
Ary : mpampitohy manampy ny
hevitra teo aloha.
Na dia … aza … : mpampiankina
maneho fifanoheran-kevitra.
Famaritana ny atao hoe
amontana, zavamaniry
noraisin’ny Ntaolo
hakana fahendrena
Mandrakariva dia nambolena
teo amin’ny toerana nisy ny
andriana izy ireny.
Izy ireny : mpisolo tena arahina
mpisolo manondro, manana sanda
mpamerin-dresaka nefa
mampiditra hevitra vaovao
Fampidirana hevitra
vaovao amin’ny
alalan’ny
fampifandraisana ny
amontana amin’ny
andriana
Koa sady mampiavaka ny
tanànan’andriana izy
tamin’izany no fanambarana
rahateo ny toetr’andriana.
Koa : mpanampy manampy sady
mandravon-kevitra, mampiditra
hevitra vaovao miainga amin’ny
teo aloha
Sady … no … : mpampitohy
mampifanosona hevitra
Fampidirana hevitra
vaovao miainga amin’ny
teo aloha : ambolena
amin’ny toerana misy
ny andriana
+ mampiavaka ny
tanànan’andriana
+ fanambarana ny
toetr’andriana
Ny andriana mantsy dia
noharina tamin’ny hazo lehibe
midoroboka ho
fialokalofan’ny vahoaka sy ho
fidodododoan’ny
valalabemandry. Ny andriam-
pivelomana hoy ny fitenenana
Ntaolo.
Mantsy : tambin-teny
ampifandraisana ny hevitra
voalaza teo aloha
Sy : mpampitohy manampy
hevitra
Fampifandraisana ny
hevitra voalaza teo aloha
Ary izay mahatsiaro mijaly
noho ny fitondrana tsy ara-
drariny ataon’ny mpitondra
tsy tena andrian-toetra, dia
loa-bolana hoe : “Fa aty
aminay kosa e… tany
lavitr’andriana! …”
Ary : mpampitohy manampy
hevitra, mampiditra hevitra
vaovao
Noho ny : mpampiankina manome
lanja anton-javatra
Hoe : kianteny mampiditra teny
taterina
Fampidirana hevitra
vaovao : fanazavana
mifototra amina
fampifanoherana hevitra
76
Lahatsoratra Paikam-pananganana lahatsoratra araka ny teny
mpandamina
Paikam-pananganana lahatsoratra ara-
kevitra Koa ny amontana no
ambaran’ny ntaolo hoe “isa”,
izany hoe ny ho andriana
(olon-kendry) no zavatra
ilain’izay rehetra te ho velona
finaritra amin’ny maha
olombelona azy.
Koa : mpanampy mampiditra
tsoa-kevitra mamintina ny
fanazavana efa naroso
Tsoa-kevitra mamintina
ny fanazavana ny antony
itenenan’ny Ntaolo hoe
“isa ny amontana” sy ny
fahendrena
raketin’izany.
Fafana n° 9 : Ny mpiadina, paikam-panazavana ao amin’ny “Isa ny amontana”
Ohatra2 : “Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy
Nanambady roa, hono, Andrianarisaina ka Rafotsiarifanahy no fanintelony.
Dia hoy Andrianarisaina : “Hamono omby telo aho, ka ianareo telo mirahavavy no
hitantana azy : ny lohany omena ny kiady ; ny feny omeo ny “atero ka alao” ; ny
tsinainy avalano rano ; ny tongony sy ny fadiny omeo ny bozaka aman‟ahitra ; ny
trafony omeo ny masoandro amam-bolana ; ny tratrany omeo ny havam-bao ; ny
mananetiny omeo ny hazo mamoa soa ; ny iliny omeo ny hazo tapaky ny sampy ; ny
lelany omeo ny havan-draha soa ; ny atiny omeo ny tsy manary am-pahoriana ; ny
havokavony omeo ny zanak‟andriana amorom-patana ; ny vodiny an‟andriamanitra
hita maso.
Dia lasa Andrianarisaina ka hoy ireo vadiny roa vavy : “Tsy fantatray ireo izay
omena izany, fa aleo hiandry an‟Andrianarisaina.” Ary ny an-drafotsiarifanahy dia
nozarainy ka ny lohany dia nomeny ny loholona, fa izy no kiadin’ny fanjakana ; ny feny
dia nomeny an’ny mpanan-karena, fa ny aterina amin’izany no “atero ka alao” satria
mbola hovaliany soa ; ny tsinainy dia nomeny ny malahelo, fa ny lasan’ireny sahala
amin’ny avalan-drano fa tsy misy valiny ; ny tongony sy ny fadiny no nomeny ny
mpanompo, fa izany no toy ny bozaka aman’ahitra ; ny trafony nomeny ny ray aman-
dreny, fa izy no toy ny masoandro sy volana ; ny tratrany nohazoniny ho azy vady
aman-janany, fa izy no havam-bao ; ny mananetiny nomeny ny rafozany, fa izy no hazo
mamoa soa satria nahitany ny vadiny ; ny iliny dia nomeny ny zaodahiny sy ny
zaobaviny, fa ireo no hazo tapaky ny sampy fa nifanapa-tsinay tamin’ny vadiny ; ny
lelany nomeny ny ankabeazan-tsakaiza, fa izany no havan-draha soa ; ny atiny nomeny
ny atin-kavana sy ny sakaiza tia,fa izany no tsy manary am-pahoriana ; ny havokavony
nomeny ny vinanto, fa izany no zanaka fandriana amorom-patana ; ny vodiny nomeny
ny andriamanjaka ,fa izy no ataony ho andriamanitra hita maso.
Nony tonga Andrianarisaina ka nandre ny nitantanan-dRafotsiarifanahy ny
omby dia nisaorany izy mirahavavy vadibeny, fa Rafotsiarifanahy no novadiany :
“Hendry mahalala ny atao”, hoy izy.
Ary izany no nanaovan‟ny Ntaolo hoe : “Ny tarehy tsy mahaleo ny fanahy.” ary
“Zaza fito tsy mahafehy trano fa fanahy fito no mahafehy trano.”
RAINANDRIAMAMPANDRY, lahatsoratra voafantina, p.134-135
Ny fanazavana, eto, dia naorina amin’ny fampitahana, fahaiza-mampifandray ny
zavatra oharina amin’ny anoharana, izay mifaningotra betsaka amin’ny tontolo iainana
sy ny kolontsaina iainan’ny fiarahamonina taratra amin’ity angano ity. Koa ny fomba
nentin-dRafotsiarifanahy nanazava ny momba ny olona hotolorany ny anjara henany,
dia ny fahalalany izany tontolo manodidina azy izany sy ny kolontsain’ny
fiarahamonina misy azy.
77
Araka izany, tsy anehoana ny tekinika sasany enti-manazava hevitra fotsiny ny
fa manampy ny beazina ihany koa hahay hanazava zavatra amin’ny alalan’ny
fandinihana ny tontolo iainany mamolavola ny kolontsain’ny fiarahamoniny na
fiarahamonina hafa ny angano. Toy izao no fanazavana ny fizarana:
Zara hena Ny omena azy Ny antony (fanazavana) Ny lohany loholona Fa izy no kiadin’ny fanjakana (mpiaro sy rehareha ka
hajaina)
Ny feny Ny mpanan-karena Fa ny aterina amin’izany no “atero ka alao” (fifamaliana soa
ka izay nataon’ny olona iray dia avaly aminy) satria mbola
hovaliany soa
Ny tsinainy Ny malahelo Fa ny lasan’ireny sahala amin’ny avalan-drano (zavatra tsy
dia tsara na ilaina loatra) fa tsy misy valiny
Ny tongony sy ny
fadiny
Ny mpanompo Fa ireny no toy ny bozaka aman’ahitra (tsy manan-kasina
loatra)
ny tratrany Ny vady aman-
janany
Fa izy no havam-bao (havana noho ny fanambadiana)
Ny trafony Ny ray aman-dreny Fa izy no toy ny masoandro amam-bolana (fototry ny
fahavelomana)
Ny mananetiny Ny rafozany Fa izy no hazo mamoa soa satria nahitana ny vady
Ny iliny Ny zaodahiny sy ny
zaobaviny
Fa ireo no tapaky ny sampy fa nifanapa-tsinay tamin’ny
vady
Ny lelany Ny sakaiza Fa izany no havan-draha soa (miara-mikorana sy
mifampiriaria amin’ny fiainana)
Ny atiny Ny atin-kavana Fa izany no tsy manary an-kahoriana (“Velona iray trano,
maty iray fasana.”
Ny havokavony Ny vinanto Fa izany no zanaka handriana amorom-patana
Ny vodiny Ny Andriamanjaka Fa izy no ataony ho (toy ny) andriamanitra hita maso
(mpiahy ny olony)
Fafana n° 10 : Ny mpiadina, paikam-panazavana : fizarana hena, araka ny lahatsoratra
“Andrianarisaina sy Rafotsiarifanahy”
2.1.2.3 Maneho ny voka-dratsin’ny asan’olombelona amin’ny tontolo
iainana
Mihasimba manaraka ny fotoana ny tontolo iainana, ary mihasimba manaraka
izany koa ny foto-piveloman’ny olona sy ny fiainan’ny zavaboary ao aminy, na dia
sarobidy toy izany aza ny tontolo iainana. Raha itarina, tandindomin-doza ny fiainan’ny
olona, ary efa iharan’ny loza aza ny tontolo. Vokatr’izany, ilaina dia ilaina tokoa ny
manabe ny olona tsirairay sy ny olona manontolo, mba hikajy sy hamerina amin’ny
laoniny indray ny kalitaon’ny tontolo iainana fa raha tsy izany dia ho lany tamingana na
ny olona na ny biby na ny zavamaniry. Ho karakaina ny tany tontolo, satria mihasimba
na nosimbain’ny olona miandalana ny tontolo iainana, ka miteraka voka-dratsy, tsy eo
aminy ihany fa hatramin’ny fiainan’ny olona mihitsy aza. Indreto ohatra vitsivitsy
ahatarafana izany izay tokony hotrandrahana hoenti-manabe ara-tontolo iainana.
78
Ohatra 1 : “Mitaraina Rabekirany”
Nataonay ihany ny hangina
Sy ny tsy ho be taraina
Saingy ela nijaliana
Ka mba manan-kolazaina.
Aiza ve r‟ilay Nahary
K‟ato anaty babandrano
Tsy ahitana rohivoaary
Mendrika ho tokantrano!
Angamba tery ny any an-tany
Na tsy misy tonga saina
Ka ato an-tranonay hatrany
No anariany ireo tsy ilaina :
Tavoahangy vaky sy kapoaka
Sy kodiarana fiara,
Kiraro rovitra sy goaka,
Vera vaky sy sigara,
Hatramin‟ny silaka fitaratra,
Tahon-kazo fatim-by,
Taolana sy vatoaratra
Indray arodana aty!
Fanafody lany hery
Barika menaka maotera,
Marary kibo sendra tery :
Aty daholo no azera.
Indray mandeha tsaroako tsara
Ilay vadiko nitondra vohoka
Nahita kaly, tsy nizara
Fa avy dia niteli-moka
Sempotra izy sy nihika
Naloa anefa fa tsy lasa
K‟hay papier hygienique
Matevina no efa niasa.
Raha izao indray aloha
Hoe hikaly izay avy any?
Azafady ry Tsitoha
Aleoko noana eto ihany
Hafatrafatro hatrany :
“Raha te ho velona,
Fadio ny kaly avy any an-tany
Izay omen-draolombelona.
RABEKIRANY, Vintsy n°25, p.23
Nosy i Madagasikara, nosy voahodidina ranomasina. Vokatr’izany, manana
anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina sy ny toe-karen’ny firenena ny
ranomasina sy ny harena ao aminy. Ny tononkalo anefa, eto, dia manazava ny antony
manimba ireo harena voajanahary an-dranomasina, izay tsy inona fa asa-
tanan’olombelona : avarin’ny olona any daholo ireo fako sy ireo zavatra tsy ilainy
rehetra dia ireto avy izany : tavoahangy vaky, kapoaka, kiraro rovitra, vera vaky,
sigara, silaka fitaratra, tahon-kazo, fatim-by, taolana sy vatoaratra, fanafody lany hery,
barika menaka maotera, fivalanan‟olona marary, papier hygienique. Misy amin’izy
79
ireny no mivadika poizina ho an’ny hazandranomasina, misy ny saro-doavina, misy ny
tsy mety levona.
Ny sokajin-dahatsoratra toy itony dia natao hampieritreretana ny olona amin’ny
fahazaram-piainana ananany, izay efa toa mahazatra loatra, na entin’ny tsy
fahafantarana vokatry, na ny tsy fahatakarana ny voka-dratsin’ny hetsika ataony. Koa
rehefa ampifaneraserana amin’ny karazan-dahatsoratra toy itony ny beazina dia
hahatsiaro tena miandalana na eo no ho eo, ka hikajy sy hikolo ny tontolo izay miantoka
ny fiainany, amin’ny ankapobeny. Amin’izany, mifameno ny fampianarana taranja
malagasy sy ny taranja zavaboary.
Ohatra2 : “Ala : omaly, anio, ampitso”
Fahagola i Gasikara
Rakotr‟ala feno hazo
Fa nizotra ny tantara
Dia indrisy fa nalazo
Ireo maitso samihafa sarobidy tena lafo,
Nokapaina sy nazera, dia natolotra ny afo.
Amin‟izao fotoana izao, loko mena sisa tazana
Lavadavaka sy bozaka mameno tany ngazana
Toy ny tanàna maratra, simba sy mangirifiry
Ka misaona ny tanety ts‟isy zavatra maniry.
Dia tsy tonga koa ny orana mirotsaka, mandena
Mampiseho fa ny olombelona hay ka dia mamono tena
Tsy mitsapa izay ho avy fa ny anio ny anio ihany
Ka ho fatin‟ny hafanana sy kere no hiafarany.
Atsy ho atsy dia ho avy ny kilonga hanontany
Hoe : “fa inona ry dada izay atao hoe ala izany?”
Dia ho vaka ianao hamaly ka voatery ny hilaza
Hoe : “ny ala anie ry Koto, ts‟isy fa anganon-jaza!”
Jeannot RAROJO in Vintsy n°26, p.23
Ireo ohatra roa teo ambony dia maneho fa ny olombelona ihany no fahavalon’ny
olombelona amin’ny alalan’ny fanimbany ny tontolo iainana. Mbola manamafy izany
ity tontonkalo ity izay maneho, fa misy kolontsaina mpanimba ny tontolo iainana ao
amin’ny olona. Hita taratra ao anaty tontokalo daholo na ny anton’ny fahasimban’ny
tontolo iainana (fahapotehan’ny ala) na ny vokatr’izany sy ny fiantraikany eo amin’ny
fiainan’ny olona. Fanazavana mampibaribary ny vokatry ny asa tanan’ny olona no
aseho eto, ka mampisaina ny olona izay mamaky sy mandray ny hafatra, na kely izy na
lehibe.
Vokatr’izany, ilaina dia ilaina tokoa ny manolotra ireo vahaolana hoenti-
manarina ny fahavoazana dia ny fahasimban’ny tontolo iainana. Raha tomorina akaiky,
ny antony fototra mahatonga ny olona hanimba ny tontolo iainana, fanahy iniana na tsia,
dia voalohany ny hanatsarana ny fiainana andavanandrony, izay vao ny
80
hampiroboroboana io fiainana io, mba ho tsara kokoa hatrany. Araka izany, ny
vahaolana fototra dia ny fijerena ny vahaolana mifaningotra akaiky amin’ny fiainan’ny
olona andavanandro. Ny fanorenana tontolo maitso no isan’ny vahaolana fototra
amin’ny fanarenana ny tontolo iainana. Indreto àry ohatra vitsivitsy azo ampiharina
mivantana sady tsy mifidy sehatra ampiharana azy.
2.1.3.4 Maneho ny atao ho fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana
Amin’ity karazana spkajin-dahatsoratra manazava, maneho ny atao ho fikajiana
ny tontolo iainana ity dia iniana asongadina ny famerenana ny tontolo ho maitso.
Ohatra1 : “Ny zaridaina kely fambolena na micro-jardin”
Ny zaridaina kely fambolena na microjardin dia natao indrindra
hitrandrahana ny velaran-tany rehetra azontsika ankizy ampiasaina amin‟ny
fambolena legioma na hazo fihinam-boa isan-karazany. Manampy antsika
amin‟ny fanjarian-tsakafo sady manome endrika mahafinaritra, no manamafy ny
fianarana ao an-dakilasy ny zaridainan-tsekoly. Azo atao koa ny mampihatra
izany any amin‟ny fonenan‟ny tsirairay. Toy izao no ilaintsika ho an‟ireo izay
tsy manana velaran-tany be :
Ny TAHOM-BOLO na BARARATA, noho izy
tsy maka toerana be sy lavalava, no tsara
indrindra hambolentsika ireny zavanamaniry
mandady ireny toy ny tsaramaso na ny ana-
madinika toy ny persil na kotomila
Tombony :
-tsy maka toerana lehibe fa afaka
ampanarahana ny sisin-drindrina na tamboho
-mitazona rano ka tsy mila fikarakarana firy
ireo zavamaniry ao aminy
-azo ahantona, azo atao mifampitaingina, tsy
mora lo sy simba no sady natoraly
Tahom-bolo na bararata
Ao anatin’ireny SIO (efa simba na tsia),
TAVIM-BONINKAZO, DABA sy izay azo
ambolena rehetra dia azontsika ambolena
ireo voa somary lalim-paka na ireo mamody
toy ny tongolo, ny voanjobory, ny karaoty...
Tombony :
-raha efa misy fahasimbana ny fitoeran-
javatra ampiasaintsika dia manampy
amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany
-averintsika ampiasaina ny zavatra efa simba ka tsy ho lasa fako mandoto ny tontolo
iainana fotsiny izy fa manampy amin’ny
fambolena.
SIO/TAVIM-BONINKAZO/ DABA
81
Sary n°2 : Ny zaridaina kely in Vintsy n° 68, p.19-20
Ny lahatsoratra toy itony dia tsy vitan’ny hoe fanomezam-pahalalana mikasika
ny lahatsoratra manazava, fa manampy ny beazina amin’ny fiainana mihitsy ary
manolotra fahaiza-manao hoenti-miatrika ny fiainana sy manatsara izany, ary mitsinjo
ny tontolo iainana ihany koa. Aseho amin’ny beazina amin’izany, fa tsy voatery manana
velaran-tany goavana vao afaka manatsara ny fihariana hanjariana ara-tsakafo, fa azo
atao tsara ny mitrandraka ny kely ananan’ny tena. Amin’izany dia sady toy ny milalao
no miandry vokatra sy mitsinjo ny tontolo iainana ny beazina na ny olona rehetra
mihitsy aza, satria ny soa fianatra, ka rehefa ampiharin’ny beazina any amin’ny faritra
misy azy ny zaridaina kely fambolena, dia hahasarika ny manodidina azy izany, ka
hihamaitso hatrany ny tontolo.
Ny KESIKA AHANTONA : raha
manana kesika tsy miasa intsony isika
dia azo atao tsara ny mampiasa izany
amin’ny zaridaina fambolentsika
Tombony :
-raha azontsika ambolena izay tiantsika
ao anatiny dia tsara kokoa raha ireny
voly mila maloka ireny no afafy ao
ambany, mba hahafahany misitraka ny
maloka avy amin’ilay kesika
-tsy takatry ny biby fiompy toy ny akoho
Kesika ahantona
…Gony… Atsangana ny GONY ary ao anatiny no
asiana ny tany. Tsaratsara kokoa raha
tonga dia afangaro amin’ny zezi-pako
nohatsaraina na compost ny tany mba
sady ho lonaka no hamokatra
Tombony :
-fenoina lavaka kely ny gony, ambolena
ao ny tsaramaso, ohatra. Avy
amin’ireny lavaka kely ireny no
mivoaka ireo zavamaniry rehefa mitsiry
-manamora ny fiotazana izany ary
manaparitaka tsara ny rano rehefa
manondraka
82
Raha fehezina izay voalaza izay, ny fampianarana lahatsoratra manazava dia
azo velarina amin’ny sehatra maro samihafa. Raha miverina amin’ny famaritanan ny
tontolo iainana tany aloha isika, dia tsy mijanona eo amin’ny tontolo voajahary ihany ny
tontolo iainana, fa miitatra hatrany amin’ny tontolon’ny kolontsaina amam-
piarahamonin’ny olombelona, izay tsy azo lavina fa mifaningotra amin’io tontolo
voajanahary io ihany. Araka izany, azo atao hatrany ny mandray ny tontolo iainana ho
fitaovana enti-mampianatra.
Mbola azo trandrahana ihany koa ireo lahatsoratra manazava ny mikasika ireo
angovo azo havaozina mba hitsinjovana ny faharinganan’ny ala. Azo raisina amin’izany
ny angovo azo avy amin’ny rivotra na ny rano na ny herin’ny masoandro…53
2.1.4 Ny lahatsoratra mandresy lahatra
Ny lahatsoratra mandresy lahatra dia maneho hevitra, mitsara, manohana na
manamarina hevitra, mandresy lahatra, misarika amin’ny alalan’ny fanolorana tohan-
kevitra izay mety havoitra amin’ny alalan’ny ohatra.54
Roa no mety ho endrika
isehoany: na izy manolotra hevitra mazava tohanana amina hevitra mifanjohy, na
mikaona sy voamarina, mitombina ; na manolotra hevitra somary takarina, ka miezaka
ny handresy lahatra amin’ny fomba an-kolaka, tsy maintsy takarina.
Ny tanjon’ny lahatsoratra mandresy lahatra dia ny mitady paika mahomby,
mikendry ny hahazoan’ny hafa ny hevitry ny tena na koa entina manaparitaka ny
tsangan-kevitra, mba hanarahan’ny hafa55
izany. Araka izany, ao amin’ny fandresen-
dahatra dia mety hisy ady hevitra, hisy fandrodanana na fanakianana na fananganana
hevitra, fanoroana hevitra, fifampiraharahana, fiangaviana. 56
53
Jereo : 1.1.2.1 Ny fiainana ara-tsosialin’ny olona sy ny tontolo iainana, p. 16 54
Evelyne Amon, Yves Bomati, op.cit., p.162 : « Le discours argumentatif exprime une opinion, un
jugement, cherche à prouver une idée, à convaincre, à séduire,à l’aide d’arguments qui peuvent être
illustrés d’exemples. » 55
Georges Vignaux, L‟argumentation, p.9 : « L’argumentation a pour objet d’étude discursive visant à
gagner ou à renforcer l’adhésion des esprits aux thèses que l’on présente à leur assentiment. » 56
Evelyne Amon, Yves Bomati, op. cit., p.165 : « Le discours argumentatif obeit à différents objectifs :
convaincre, critiquer, discuter, conseiller, combattre, negocier, prier. »
83
Araka ny hita tao amin’ny fizarana voalohany dia isan’ny fatra-pandinika ny
tontolo manodidina azy ny Malagasy. Fahiny dia mifaningotra tanteraka amin’ny
fiainan’ny Ntaolo Malagasy ny tontolo iainany. Ahatarafana izany ny fiainana an-
davanandrony, ny kolontsainy, ny filôzôfiany ary raha hananatra sy handresy lahatra izy
dia mbola io tontolo manodidina azy io ihany no nandrafetany izany. 57
Ny ankamaroan’ireny fandresen-dahatra ireny dia miorina indrindra amin’ireo
mety ho tombon-tsoa azon’ny olona isitrahana na ny voka-dratsy ateraky ny
asan’olombelona eo amin’ny tontolo iainana. Tsy hadinonoina ireo lahatsoratra
maneho ny fifaningoran’ny fisainan’ny olona sy ny filôzôfiany amin’ny tontolo iainana.
Indreto àry ventin-kevitra vitsivitsy maneho izany, izay azo kirakiraina hatao fitaovana
enti-mampianatra.
2.1.4.1 Aorina amin’ny lafin-javatra azon’ny olona isitrahana ao
amin’ny tontolo iainana
Maro ireo lafin-javatra azon’ny olona isistrahana ao amin’ny tontolo iainana :
Ohatra1 : “Ireo faritra andrian‟ny rano”
Mitahiry karazan‟aina maro samihafa ny faritra andrian‟ny rano, na
zavamaniry io na biby. Maro karazana ireo singan‟aina ireo, ary betsaka ireo tsy fahita
raha tsy eto Madagasikara ihany: ny ankoay, ny bandro, ny onjy, ny zetra…
Mampivelatra ny zahavoary ny fiarovana ireny singan‟aina mampiavaka ny faritra
andrian‟ny rano ireny. Anisan‟ny tombontsoa koa ny fisian‟ny rano izay ilaina amin‟ny
fiainana andavanandro, indrindra eo amin‟ny seha-pamokarana maro toy ny jono, ny
fiompiana, ny fambolena ary ny taozavatra.
Any Alaotra, ohatra, dia rano avy amin‟ny loharano, ary miorina any amin‟ny
sahan-driaka midadasika, no manondraka ny tanimbary. Ny zetra indray dia mitahiry
ny zava-manan‟aina toy ny bandro sy ny vorondrano toy ny vivin‟Alaotra. Ary faritra
maro eo amin‟ny farihin‟Alaotra no fanatodizan‟ny besisika sy ny tilapia. Koa arovy sy
ampiasao ara-drariny ireo faritra andrian‟ny rano. Raha tsy nisy izy ireny dia mba
nanao ahoana re ny fiainan‟ny zanak‟olombelona e?
Notsoahina tao amin’ny resadresaka nataon-dRAFANOMEZANTSOA Simon,
mpikambana ao amin’ny W.W.F., tompon’andraikitry ny tetikasa “Faritra andrian’ny
rano” tamin’i Maksim Lucien, in Vintsy n°48, p.20
Ity lahatsoratra ity dia mandresy lahatra ny olona mba hitrandraka ara-drariny
sy hikajy ny faritra mando any Alaotra. Marobe tokoa mantsy ireo tombon-tsoa azon’ny
olona sy ny voaary isitrahana any amin’iny faritra iny. Amin’ny maha-rohivoaary azy
dia tsikaritra mivantana ireo fifampiankinan’ny zavaboary. Ambonin’izany, isan’ny
tohan-kevitra nampiasaina koa ny tombon-tsoa manokana omen’ny zavaboary an’i
57
Jereo : 1.1.2 Ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p.15
84
Madagasikara, dia ny fananany ireo zavaboary tsy manam-paharoa, toy ny bandro sy ny
vorondrano (ny vivin’Alaotra).
Raha voakajy sy voatrandrahana an-drariny ireny, dia hampivelatra ny toe-
karena malagasy, ankoatra ny fivelarana eo amin’ny lafiny serasera mampivelatra ny
kolontsaina sy ny fahaiza-manaon’ny mponina vokatry ny fisian’ny fizahan-tany. Tsy
hadino, fa ireny faritra mando ireny dia miantoka ny fiainana andavanandron’ny
mponina manodidina azy sy ny fihariany. Ankoatra ireo, mba hampafonja hatrany ny
fandresen-dahatra nataon’ny mpanoratra, dia nanome ohatra mazava izy, dia ny
mikasika manokana an’Alaotra. Izany rehetra izany no nentin-
dRAFANOMEZANTSOA Simon nandresy lahatra izay rehetra mandray ny hafany,
mba hiaro sy hitandro ny faritra mando, ka hitrandraka izany an-drariny ary samy
hisitraka izany na ny tontolo voajanahary na ny olombelona.
Ny fampifaneraserana ny lahatsoratra toy itony dia mampisokatra ny mason-
tsain’ny beazina, mba hahatsapa ny hasarobidin’ny tontolo iainana, ny fifampiankinana
misy eo amin’ny samy zavaboary, ny fiainan’ny olombelona ary ny zavaboary, ka
hahatonga azy ireo hitandrina sy hisaina tsara ny hetsika ataony, mba tsy hahatonga ny
fiainany sy ny tontolo iainany ho tandindomin-doza, na efa iharan’ny loza mihitsy aza.
Ny namaranany ny lahateniny rahateo dia fanontaniana tsy mila valiny izay toa
manery an-kolaka ny olona hikajy ny faritra mando, raha itarina dia ny tontolo iainana,
mba tsy hiharan-doza ny fiainany eo no ho eo na any aoriana.
Ohatra 2 : “Ny hazo”,
Matetika ny hazo rehefa kapaina,
Vao tonga ao an-trano dia izy no ataina.
Ny rano raha tondraka zary misakana,
Ny hazo no arafitra anaovana lakana.
Rehefa ririnina ny any an-tanàna,
Hazo no arehitra mba hanafana.
Raha toa ka hamboly dia hazo no adaboka,
Izany no atao hoe manao savoka.
Trano isan‟isany lasa tanàna,
Hazo no heriny, natao tolàna ;
Mba hiadanan‟ny vady aman-janaka,
Tsofaina ny hazo hanamboarana fanaka.
Raha tonga ny andro, ny ora, ny daty,
Hazo no atambatra ho vatam-paty.
Izay mahalala dia aoka hanoro
fa ny hazo “fikolo fa tsy mba fandoro”
Rojo in Vintsy n°12, p.27
85
Ohatra3 : “Vavaky ny ala”
Raolombelona ô!
„zaho no hafanana tsy miala am-patanao
mandritra ny ririnina ;
„zaho no aloka sakaiza, rehefa injao mandoro
anaty fahavaratra ny afon‟ny masoandro ;
„zaho no vangovango anananao ny trano,
fafana manjary latabatra ho anao ;
„zaho no farafara andrianao raha alina
sy antoky ny hazo arafitrao ho sambo ;
„zaho no taho na zara itananao ny angady,
sy varavaran-trano na vala onenanao ;
„zaho ange no hazo anaovanao birao,
sy vonona hatrany ho vatam-patinao.
Henoy ny fivavako : AZA LEVONINA AHO!
Dikateny malalaka nataon-dRadioela RAHAMALIVONY in Vintsy n°14, p.27
Toy izao ny anjara asa’ny ala izay fototra entin’ny mpanoratra mandresy lahatra
ny olona hikolo ny ala, raha aseho an-kisary
Atao angovo fandrehitra
Anamboaran-dakana/sambo (fitaovam-pitaterana)
Akana hafanana / ialokalofana (fahasalamana)
Ny ala Ny anjara asan’ny ala Miantoka ny fivelomana (fambolena)
Fitaovana anorenana trano (fonenana)
Anamboarana kojakojan-tokantrano / fitaovam-piasana
Anamboarana vatam-paty (fiafarana)
Kisary n°8 : Ny mpiadina : ny anjara asan’ny ala eo amin’ny fiainan’ny olona
Ireto lahatsoratra roa ireto kosa dia samy mandresy lahatra ny olona mba hiaro
sy hikajy ny ala, amin’ny alalan’ny fanomezana ireo soa azon’ny olona avy aminy,
saingy ny fomba fijery nenti-nandresy lahatra no tsy mitovy.
Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “hazo” dia mandresy lahatra ny olona
hikolo ala (avokavoky ny tontolo) amin’ny alalan’ny fanazavana ny anjara asan’ny ala
eo amin’ny fiainan’ny olona, saingy ny fomba fijery tsy miandany no nampiasain’ny
mpanoratra. Izany hoe ny mpanoratra dia mianina fotsiny amin’ny fampahalalana ny
anjara toeran’ny ala eo amin’ny fiainan’ny olona. Na dia fampahalalana tsotra aza anefa
no nataon’ny mpanoratra dia fampahalalana mitarika fampahatsiarovan-tena ihany koa,
mba hahatonga ny olona hikolo ny ala, noho izy ilaina eo amin’ny fiainana manontolo.
Ny lahatsoratra “Vavaky ny ala” kosa dia mifantoka amin’ny ala, ary ny lafiny
jerena amin’izany dia ny anjara asany eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ny
fandresen-dahatra dia miorina indrindra amin’ny fitanisana ny ilana ny ala eo amin’ny
fiainana andavanandro, izay misarika ny mason-tsaina hijery sy hamakafaka, ka ho resy
lahatra amin’ny hasarobidin’ny ala. Manosika an-kolaka ny olona tsy hanimba izany
86
befahatany fa hikolo azy. Ny fandresen-dahatra àry, eto, dia miendrika
fifampiraharahana ombam-piangaviana.
Fomba fijery miandany, noho izany, no nampiasain’ny mpanoratra amin’ny
nananganany ny tononkalo. Hita soritra amin’ny fampiasany ny mpisolo tena laharana
voalohany izaho/aho/-ko izany, misolo toerana ny ala. Misolo toerana ny ala ny
mpanoratra mba hahatonga ny fanazavany hiteraka fihetseham-po any amin’ny
mpamaky : fangorahana na alahelo, ka ho resy lahatra ary hanova ny toe-tsaina amam-
pihetsika manoloana ny ala.
Raha bangoina amin’ny teny fohy ny hafatra tian’ny mpanoratra hampitaina dia
hoe : “Ry olombelona o! Marobe ny toe-javatra ilanao ahy amin’ny fiainanao, ka aza
simbana tsy ara-drariny aho!”
Mazàna tokoa entin’ny fahazaram-piainana loatra ny olona, ka tsy mahadinika
intsony ny ataony sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainany sy ny manodidina
azy. Mety ihany koa hoe matin’ny “sitrany ahay” sy ny tombon-tsoa manokana, na
jamban’ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola. Hita taratra izany amin’ny fitrandrahana tsy
ara-drariny ny ala eto Madagasikara.58
Miely eran’ny haino aman-jery eny ny
fanondranana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy, raha tsy hiteny afa-tsy ny andramena.
Ireny karazan’ala ireny anefa dia hazo ela fitombo, ka raha manapaka an-tsokosoko
izany ny olona dia ho ringana tsikelikely izany. Ho lasa ngazana ny tany ary mety tsy ho
azo iainana intsony atsy ho atsy, ilay avokavoky ny tany mpandrindra ny tontolo iainana
amin’ny ankapobeny no indro ringana, satria tsy mba nohavaozina. Amin’izany, tsy
mety fa mandrora mitsilany ihany ny olona ka mila fanabeazana hialana amin’izany.
Fitaovana iray azo ampiasaina amin’izany ireo tononkalo voatanisa teo ambony ireo.
Na ny rano na ny ala dia tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olombelona.
Mitovy tsy misy hafa amin’izany koa ny tany. Mifandafatra tokoa ny fiainan’ny
olombelona sy ny tany izay ambaran’ny mpanoratra ho renin’ny olombelona.
Ohatra4 : “Tany : renin‟ny olombelona”
Tsy azo atao ambanin-javatra ny tany raha te ho velona sy ho finaritra.
Nahatsikaritra izany ireo razana ka indro nifofotra namolaka ny tany, nitrandraka sy
nanamaintimolaly azy. Izay tany maintimolaly dia azy ny lovan‟ny taranany. Velona soa
aman-tsara tamin‟io tokoa ny razana. Nahavita fonenana kanto, nohajariany ho
tanimboly sy tanimbary mahavokatra. Rehefa haintsika olombelona manko ny mifehy
azy dia tonga mpanompo mahafatra-po antsika olombelona ny tany. Tsy hoe mpanompo
fotsiny aza fa reny mpamelona sy mpiahy. Reny mamelona ny zanany avy amin‟ny
tenany ny tany. Ny fahavokarany dia antoky ny aintsika zanany.
Tsy mitady zavatra betsaka amintsika izy? Lelam-pangady no mba tadiaviny
hamadibadika azy. Zezika sy rano no mba solon-tsakafony. Ary maimaim-poana ny
rivotra sy ny rano fa sao dia manahirana antsika zanany. Raha vatrantsika ny
58
Jereo : 1.1.3 Ny kolontsaina amam-panao malagasy manimba ny tontolo iainana, p.26-27
87
mokolokolo io tany io dia ho foana ho azy ny mosary, ary tsy ny mosary ihany, fa ny
aretina sy ny fahantrana isan-karazany. Hiadam-pinaritra ny vady aman-janaka
mihinana ny mitobaka eny an-tsaha sy eny an-tanimbary. Hihinana izay laniny ny biby
fiompy . Noho izany, mila fanajariana sy fikolokoloana koa ny tany, toy ny fanao
amin‟ny vatantsika mba ho salama sy tomady.
RAKOTOHOVA Clet, Ny filôzôfia: ny zo sy ny saranga
Hita, araka izany, fa ny tany tokoa no fototry ny ain’ny olona sy ny fihariana
ataony. Raha tsorina, miantoka ny fiainan’ny olona ny tany ka tokony hokarakaraina,
araka izay azony atao.
2.1.4.2 Aorina amin’ny famotsipotsirana ireo asan’ny olombelona
manimba ny tontolo iainana
Tsy ny soa azo avy amin’ny tontolo iainana eo amin’ny fiainan’ny olona ihany
anefa no tokony hokirakiraina hoenti-mandresy lahatra ny olona hikajy ny tontolo
iainana, fa ao dia ao koa ny famotsipotsirana ireo voka-dratsin’ny asan’olombelona
amin’ny tontolo iainana. Tsy voatery ho lahatsoratra miresaka manokana izany anefa
no raisina, fa azo atao tsara ny manao sinton-kevitra miainga amin’ireo lahatsoratra
mirakitra ny soa entin’ny tontolo iainana eo amin’ny olombelona.
Ohatra : “Mpamosavy” Ianareo mpandrehitra afo ka mandoro ny tanety
Tsy misaina ny ho avy,
Ianareo no mpamosavy,
Fa ho ringana ny ala ka ho foana vetivety
Ireo zava-tsoa sarobidy sady vitsy mpahalala
Sy ny toerana voarara
Tsy hidiran‟ny mpanimba sy ireo mpitevy ala
Hotsarain‟ny tantara.
Dia handositra ny vorona fa simba ny tontolo
Ka hanjavona ny hazo
Vintsy, goaika, sarivazo
Lasana nifindra lasy miaraka amin‟ny vorondolo
Sokatra, tanalahy, lolo maro, bibilava
Dia naondrana daholo
Eny Ivato no mazàna ny mpandalo tsy voasava
Fa ny mpiasa maty lolo.
Izany rehetra izany
Samy heloka avokoa
Ny manao ny mety ihany
No mitera-boka-tsoa.
Rojo in Vintsy n°7, p.27
Ity tononkalo ity izao dia maneho ireo asan’ny olombelona sy ny voka-
dratsin’izany eo amin’ny tontolo iainana. Voalaza ao ny ankamaroan’ireo fahavalon’ny
ala toy ny doro tanety, ny fitevena ala, ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko
ireo harena voajanahary, hatrany amin’ny faritra arovana. Ireny rehetra ireny dia
88
madringana tsikelikely ireo harena voajanahary. Hita misongadina ao amin’ny
tononkalo fa mifampiankina ny fiainan’ny zavaboary manontolo, ka ny ala no ivon’ny
tontolo. Noho izany, mila kajiana voalohany ny ala dia ho voakajy koa ireo zavaboary
miankina aminy.
2.1.4.3 Aorina amin’ny fahalalana ny tontolo iainana
Fa ambonin’ireo rehetra ireo dia fantatra fa fatra-piankina amin’ny tontolo
iainana tokoa ny Ntaolo fahiny. Ahatarafana izany tontolo iainana izany tokoa, na ny
fiainana andavanandrony, na ny fombany, na ny fiteniny. Ny fahendreny aza moa dia
notsoahiny avy amin’ireny tontolo manodidina azy ireny. Fatra-pandininika ny tontolo
tokoa ny Ntaolo, ka ireny tontolo manodidina azy ireny no mampianatra sy mamolavola
ny fiainany, ny toetrany. Amin’ny fiainana dia misy ireo toetra fototra tokony
hananan’ny tsirairay, mba hahatonga azy ho olon’ny fiaraha-monina feno, ka tsy ho
mena-milahatra sy ho tsara fifandraisana amin’ny hafa
Santionany amin’izany ny fananam-pahalalana, mba tsy hotsarain’ny olona ho
tsy mahalala na inona na inona ; ny fahamoram-po, mba ho olona mora ifandraisana ;
ny fahaiza-miaina, mba ho olona tsy miolonolona fa miray amin’ny besinimaro. Indreto
ohatra vitsivitsy ahatarafana izany sady mandresy lahatra ny olona hanana izany toetra
voalaza izany. Samy notsongaina avy ao amin’ny boky Sangan‟asan-dRajaonah
Tselatra I ireo ohatra hotanisaina eto ambany ireo :
Ohatra1 : “Vahindrano: FAHALALANA”
Vahy nandadina ka nisandrahaka tsy hita fara: manendro kintana ny laingony ;
mandrindrina any amin‟ny tany hendry ny vatany ; mitatao eny amin‟ny nosy madinika
ny raviny ; ny fakany dia milentika any ankoatry ny voa arivo taona ka mbola
mandadina manenjika ny masoandro. Ny voany dia tazako mampitelin-drora eny
amin‟ny fitoeram-boky mifanongoa, fa ny voniny no mbola nokatsahin‟ny masoko.
Kanjo raha vao nibanjina ireo olom-banona teo anoloako aho dia hitako fa indreo eo
amin‟ny lohany ny vonin‟ny vahindrano fotsy manopy mena, dia ilay fahalalana
voninahitra ka tsy laitry ny alan‟ny tany hotakonana. Io no iray tabihan‟ny olombelona.
Ny fisian‟ny fahalalana no ahafantarana fa misy olombelona tokoa eto an-tany.
Ny manam-pahalalana no tena tompon‟izao tontolo izao – tsy mba nindrana ny tany izy
fa nampiasa azy sy nandraoka ny tsirony. Raha mbola velona izy dia reharehan‟ny
fireneny ary raha maty izy dia manatroka voninahitra ny taranany.
Ohatra2 : “Songosongomaitso : FAHAMORAM-PO”
Tsy ambany ny songosongomaitso fa manetry tena. Ny fahamboniany dia tsy
amin‟ny maso fa amin‟ny ilana azy. Izy no fefin‟ny voly tohan‟aina sy ankotso
voninkazo mandravaka ny sakelidalana. Tsy mba hita eny an-databatra izy nefa
miandriana eny amin‟ny rovany, ka arovan‟ny lahin-defony arivo eny amin‟ny tahony.
Banga ny fehilohan‟ny voninahitra raha tsy misy io songosongomaitson‟ny fahamoram-
po io.
89
Ny hasiahana dia varatra ho an‟izao tontolo izao ; ny avonavona dia sabatra ;
ny teny mahery sy ny hasomparana dia lefona ; fa ny hamoram-po dia rivotry ny saha
feno hanitra mamelombelona ny aina ; feo mozika mamelovelon‟ny habakabaka ho
fiadanan‟ny saina ; ary taretra volamena mamitrana ny fon‟ny iray firenena sy ny
vohitra ary ny fianakaviana sy ny tokantrano.
Ohatra3 : “Tsiafakomby vony : FAHAIZA-MIAINA”
Mipetraka eny an-tendron‟ny taho feno hery ny vonin-tsiafakomby fa rakotra
fito ny tenany – ny omby aza tsy afaka ao aminy. Sady vony izy no an-tsalohiny ka
manan-toetra azony ireharehana, ary miaiky azy hatramin‟ny tantelisiaka izay mihira
lavareny eny am-pantsakana ny rano maminy. Nefa na izany aza, mbola voninahiny
mihoatra noho ireo ny mampiasa ny anjarany - dia ny manoa ho fefin‟ny vohitra ka
tonga manda mihaingo ao anatin‟ny hadivory.
Mendrika ho tabihan‟ny fehiloham-boninahitry ny olombelona indrindra io. Ny
olombelona dia manana ny tanjaka sy ny saina ho heriny, nefa hery ialan‟ny aina izany
na vatan-kazo akaikin‟ny fatana raha tsy misy ny fanaovana ho voniny. Tsy ny hery no
voninahitra fa ny asa tsara ateraky ny hery ; tsy ny mahay miavona fa ny mahay manoa.
Sangan‟asan-Drajaonah Tselatra I : vary amin‟anana, p.200-202
Mbola azo dinihina manokana koa ny mikasika ireo fandresen-dahatra any
amin’ny kabary izay miorina amin’ny fampiasana ny ohabolana sy ny fahaizany
mampiasa ny tontolo iainana ho tohan-kevitra enti-mandresy lahatra.
Araka izany, adidin’ny olona tsy ankanavaka ny miaro ny tontolo iainana, satria
rehefa tomorina akaiky, ny fihetsika sy ny asa tsy am-piheverana ataon’ny olona, no
mahatonga ny fahasimban’ny tontolo iainana, ary tsy mijanona fotsiny eo amin’izany
tontolo iainana izany, fa mipaka hatrany amin’ny fiainan’ny olona mihitsy. Ny
olombelona ihany, araka izany, no mila mamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainany
mba hananany ho avy milamina sy mamiratra.
2.1.4.4 Mitaona ny olona hikajy ny tontolo iainana
Ity tononkalo ity dia isan’ny mitaona sy mandresy lahatra ny olona hikajy sy
hamerina indray ny kalitaon’ny tontolo iainana.
Ohatra : “Mandehana”
Mandehana ianareo ilazao ny mponina any
Mba hamboly zanakazo hiarovana ny tany.
Atoroy ny rehetra, indrindra ireo tsy mahalala
Fa mamelona ny biby sy ny olona ny ALA.
Mandehana ilazao ny mpitondra fanjakana
Haka andraikitra mazava, hampihatra ny lalàna
Efa ela no nanjaka, ampy izay ny goragora
Mampalaza antsika hoe miasa moramora.
Atoroy ny mpiara-monina, ilazao ny manontolo
Na zatovo na mpitondra, aoka samy handre daholo
Fa raha marina fa misy ny fitiavan-tanindrazana
Dia anaro dieny izao ka tolory fanabeazana.
90
Ilazao ny havantsika na an-tsaha na an-tsekoly.
Ampianaro ireo kilonga, mba toroy ireo mpamboly
Fa raha dorana ny tany dia hijanona ny fony
Ka ho maina karakaina tsy hamokatra intsony.
Mandehana ianareo horaiketin‟ny tantara
Milofosa isan‟andro, manoroa, mampianara!
Ilazao ny eran-tany, mainty, fotsy sy ny sisa
Mba hikajy ny natiora hahitana paradisa.
Jeannot RAROJO in Vintsy n°27, p. 2
Hita taratra ao amin’ny tononkalo fa ny fiarovana sy ny famerenana indray ny
tontolo iainana amin’ny laoniny dia adidin’ny besinimaro tsy ankanavaka, tsy mifidy
sokajin-taona na saranga na fahefana. Tafiditra amin’izany, ohatra, na ny ankizy
(kilonga) na ny tanora na ny olon-dehibe, ny mpitondra fanjakana sy ny entina,ny
vahoaka manontonlo mihitsy tondroina ao amin’ny tononkalo hoe mponina sy mpiara-
monina.
Izany indrindra no mahatonga anay hanolo-kevitra hoe, mila atomboka any
amin’ny sekoly fanabeazana fototra ny fanabeazana momba ny tontolo iainana mba ho
voavolavola ho olom-banona, hanam-pahaizana, mpikolo ny tontolo iainana, ho
fitaratry ny manodidina azy ny beazina. Miainga avy amin’ireny karazan-dahatsoratra
ireny dia azo atao tsara ny mampamorona lahatsoratra na teny ny beazina rehefa
nomena fahalalana fototra mikasika ny paikam-pamoronana ireny karazan-dahatsoratra
ireny izy ireo.
Fa raha miresaka riba kosa isika, lahatsoratra manao ahoana no manome
vahana sy azo itrandrahana ny tontolo iainana?
2.2 Ny fampianarana riba
Zana-taranja fototra ao amin’ny fampianarana taranja malagasy ny riba. Sehatra
iray ahafahana mitrandraka ny kolontsaina, ny fomba amam-panao malagasy izany.
Avy amin’ny alalan’izany no ahafahana mampahafantatra na mamerina ao an-tsain’ny
beazina ny fototra maha-Malagasy sy ny fivoaran’izany manaraka ny fotoana. Saingy
amin’izany, tsy tokony hohadinoina mandrakariva ny manasongadina ny
fifaningoran’ireny singan-driba ireny amin’ny tontolo iainana. Araka ny efa natsidika
teo amin’ny fizarana faharoa dia fatra-pandinika sy mifaningo–piainana amin’ny tontolo
iainana ny Ntaolo malagasy, ka ahatarafana izany ny andavanandrom-piainany. Hita
amin’ireo karazan-driba mirakitra fombafomba, ny finoany ary ireo tsangan-kevitra
najorony hampirindra ny fiarahamoniny izany.
91
2.2.1 Ny riba mirakitra fombafomba
Ny riba mirakitra fombafomba resahina, eto, dia ireo fombafomba atao enti-
manamarika trangan-javatra iray lehibe teo amin’ny fiainana. Isan’izany ny riba
fiampitana izay fombafomba atao entina manamarika dingam-piainana nolalovana,
amin’ny ankapobeny, dinihina manokana ao amin’ny kilasy fahavalo sy fahasivy. Raha
fintinina fohy izany dia toy izao manaraka izao :
Ny taona Ny dingam-piainana
Ny toe-javatra marihina manokana
0 andro Fahaterahana Fidirana ao amin’ny tontolon’ny velona
Herinandro Mivoaka itany Fifampikasohana voalohany amin’ny tontolo manodidina
3 volana Ala volon-jaza Fidirana tanteraka ao amin’ny tontolon’ny velona sy ny
ankohonana
“Mandeha” Famorana Fidiran’ny zaza ao amin’ny ankolafin-dray mba ho tena
lehilahy
“Maoty” Fanambadiana Fidiran’ny zatovo ao amin’ny tontolon’ny fanambadiana
[ ?] Fahafatesana Fidirana ao amin’ny tontolon’ny maty
Fafana n° 11 : Ny mpiadina, famintinana ny riba fiampitana
Misy koa ny fomba fidiovana izay fombafomba atao raha misy fady na fomban-
tany voadika ; ny riba fampiraisana fomba entina mandrary na mamitram-
pihavanana...59
Ny fiarahamonin’ny olombelona, mba hitandroana ny hasin-javatra iray
(hita maso na tsia) sy hirindran’ny fiarahamonina, dia mamorona ny atao hoe fady na
zavatra tsy azo atao. Misy koa fombafomba atao raha sanatria ka mahadika ireny fady
ireny, eny, na dia tsy niniana aza izany.
Tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny beazina eny amin’ny kolejy sy
lisea izany. Amin’ireny dingam-piainana lalovana marihina manokana ireny, dia misy
fombafomba izay mazàna mifaningotra amin’ny tontolo iainana. Any anatin’ireny
fombafomba ireny dia misy tandindona ampiasaina, ka ny hevitra fonosin’izy ireny dia
mifandray mandrakariva amin’ny fomba fiheveran’ny olona ny tontolo. Kolontsaina
mifaingo-paka amin’ny fahafehezana ny tontolo izany, ka ireny dia isan’ny ezahina
asongadina amin’ny fampianarana, mba ho tsapan’ny beazina fa mifaningo-piainana
amin’ny tontolo ny Malagasy fahiny mandraka ankehitriny. Ny fitaovana ampiasaina,
ny hetsika ny atao, ny teny ambara amin’ireny fomba ireny dia misy dikany avokoa.
Tandindona no iantsoana ireny. Indreto àry santionany vitsivitsy maneho izany :
59
fr.wikipédia.org/wiki/rites
92
Ohatra1 : Mikasika ny riba fiampitana
Ny famorana: andro lehibe sy malaza amin‟ny Malagasy ny famorana. […]
Fehezina fandrotrarana telo miantoana ny voatavo monta atao hoe
“voatavoarivolahy”, vao tsy mbola nampiasaina. Asiana fehiny iray eo amin‟ny vodiny,
fehiny iray eo amin‟ny tendany, fehiny iray eo amin‟ny lohany. Ny voatavo monta dia
zava-mangidy, tombotombohina intelo amin‟ny lefona ny voatavo mba hisy lavaka ny
vavany, io no hakana ranomahery.
Ny maraina vao maneno sahona na maneno akoho tokana no mivoaka ny
tovolahy matanjaka haka ranomahery. Ny toerana hakana azy dia amin‟ny riana na
sampan-dranomasina na ranomody. [Misy koa ny hala-pary ataon‟ny fianakaviana,
fary raiki-bololona no iantsoana izany.]
Ny maraina vao mangiran-dratsy no anaovana ny famorana. Tapahin‟ny rain-
jaza ny tsitsy. Bosasahany ranomahery ny fery ho sitrana haingana. Aseraserany
amin‟ny afom-bararata ny fery satria noheverina ho afo masina ny afom-bararata, ka
rariana ho masina ny zaza. Ataon‟ny rain‟ny zaza teli-moka ny tsitsy. Ny mpanotrona
kosa dia manolotra hasin-jaza.
François Rakotonaivo, Riba malagasy, p. 18-20
Raha atao ny fandinihana ireny hevitra fonosin’ireny tandindona isan-karazany
amin’ity fombafomba ity dia toy izao izany :
Ny tandindona Ny ilana azy amin’ny fomba Ny hevitra raketiny
Akondro velon-
dreny, akondro
handitra, akondro
masaka
Tandindona anehoana ny zaza
hoforaina, hanehoana ny “maha-
lehilahy” (virilité), hitelemana ny
tsitsy
Hirariana ny fiainan’ny zaza
hiroborobo sy hanan-taranaka (ny
akondro dia tsy mety maty sady
mora maniry, ka maty ny reniny
rehefa misy solofo maniry eo am-
potony)
Voatavo monta
Hasiana ny ranomahery, mangidy
ka afaka hiaro ny ferin’ny zaza
rehefa atondraka amin’ny fery ilay
ranomahery
Hirariana ny fiainan’ny zaza ho
lavitry ny loza : hangidy lavitry ny
faty sy ny loza rehetra toy ny
kaikitry ny biby mety
hahasarotim-pery ny zaza (monta
= mangidy),
Vao tsy mbola
nampiasaina
hanehoana ny fahadiovan’ny zaza
Fary raiki-bololona Fandrasinan’ny fiaraha- monina
anjara amin’ny fomba
Hirariana ny zaza mba hiroborobo
fiainana, mba hanana fiainana
mamy, mba hanan-taranaka
Ranomahery Rano anasana ny ferin’ny zaza
voafora, madio mangatsiaka ka
mampikainkona ny lalan-dran’ny
zaza tsy hisian’ny fahaverezan-dra
sy manadio ny feriny, mba ho mora
sitrana izany
Hirariana ny zaza mba hahery
Vao maraina
maneno sahona /
maneno akoho
tokana
Vao mangiran-
dratsy
Amin’ny 2-3 maraina, mbola tsy
mivoaka ireo biby amam-borona ka
mbola madio be ny rano (izany no
mahatonga ny ranomahery
hantsoina koa hoe rano tsy dikaim-
borona). Mbola mangatsiaka tsara
koa ny rano ka hanamora ny
fikatonan’ny lalan-dran’ny zaza,
mba tsy hisian’ny fahaverezan-dra
Hanehoana ny fiainan’ny zaza vao
misandratra ka hitombo sy
hihamazava hatrany
93
Ny tandindona Ny ilana azy amin’ny fomba Ny hevitra raketiny
Afom-bararata Ny afo dia miaro amin’ny
mikiraoba, manana fahefana
“hanadio”, ary ny bararata dia
malefaka afo ka tsy hatahorana
handoro ny zaza na hahamay loatra
ny lelafo avoakany
Hirariana ny zaza ho masina
Riana, sampan-
dranomasina,
ranomody
Toerana akana ny ranomahery :
toerana sarotra aleha na
mampanano sarotra ny mankeny
Hirariana ny zaza mba hahery ka
hahavakivaky ny sarotra amin’ny
fiainana
Fafana n° 12 : Ny mpiadina, ny famorana sy ny dikany
Ohatra2 : Mikasika ny fomba fampiraisana : “Ny amin‟ny fati-dra”
[…] “Samy andididana kely ny am-bavafon‟ny olona roa mifamati-dra ary rehefa misy
ra mandeha dia faohina amin‟ny silak‟atin‟akoho natono avy izany. Alohan‟ny
hihinanana ilay atin‟akoho nohosenana ny ra anefa dia mbola misy fanozonana mafy
ataon‟ny mpitsitsika araka izao voalaza eto ambany izao :
Alaina ny tsoak‟ahitra fito sy ny valala miolan-katoka sy ny tain‟omby very reny sy ny
loharano ritra sy ny taolana ela sy basy tokana ka atao ao anaty sahafa, ary tsatohana
lefona mantsim-body (lefona tsy misy antsetra) dia tokavina.”
W.E.Cousins, Fomba malagasy, p.91
Toy izao no hevitra raketin’ny riba raha aseho am-pafana :
Tandindona Ny hevitra raketiny
Atin’akoho
natono
Nofidina manokana ny atin’akoho noho izy tandindona anehoana fa ny
fifandraisana ao amin’ny fati-dra dia latsaka anaty fa tsy endrika ivelany,
azo ialana.
Tsoak’ahitra Ny tsoak’ahitra moa dia ny solofo mitsimoka eo afovoan’ny ahitra,
miantoka ny fitomboany sy ny fivelarany, izany hoe ny fahavelomany.
Raha ambara amin’ny fomba hafa, ny tsoak’ahitra dia ny atin’ny ahitra,
tandindona mbola anehoana ihany koa fa ny mpifati-dra dia lasa iray aina,
manana fifandraisana tsy azo ivadihana fa mety haningotra aina noho izy
latsaka anaty.
fito Fito kosa no natao ho isany satria ny isa fito dia mitory fahafenoana, mariky
ny andro fito amin’ny herinandro ary midika fa tsy voafetran’ny fotoana ny
fihavanana ateraky ny fati-dra.
Valala miolan-
katoka
Ny valala, teo amin’ny fiarahamonina malagasy dia mitory fahatsorana
(tsotra toy ny tsinaim-balala). Isan’ny mampiavaka ny valala ny
fitohizan’ny lohany sy ny vatany amin’ny alalan’ny tsinainy. Kolontsaina
mirafitra ao ambadik’izany ny hoe fihavanana akaiky, tsy azo tapahina fa
mety haningotra aina ny fihavanana amin’ny fati-dra.
Valala miolan-katoka, eto, no ampiasaina mba ho tandindona anehoana fa
izay mivadika amin’ny velirano na ny fifanarahana ny amin’ny hanaovana
fati-dra dia hiolan-katoka toy ny valala, izany hoe hitondra takaitra na mety
ho faty mihitsy aza.
Tain’omby very
reny
Ny omby dia isan’ny biby omen’ny fiarahamonina malagasy hasina
manokana satria sady harena izy no manampy amin’ny fiainana
andavanandro (sakafo, zezika ambolena, ampiasaina amin’ny asa…)60
Omby very reny no ampiasaina eto mba hanehoana fa izay manapaka ny
fihavanana dia toy ny omby very reny tsy misy mpiahy. Mba hanamafisana
izany fahaverezana izany na ny fahatapaham-pihavanana tanteraka dia ny
tain’izany omby very reny izany mihitsy no noraisina ho tandindona.
60
Jereo 1.1.2.5 Ny kolontsaina amam-pivavahan’ny Malagasy sy ny tontolo iainana, p.23
94
Tandindona Ny hevitra raketiny
Loharano ritra Ny loharano dia isan’ny miantoka ny fahavelomana sady tandindona
anehoana izany. koa raha misy mivadika amin’ireo mpivadi-dra dia ozonina
ho faty, ho lany tamingana.
Basy tokana Ny basy dia fitaovam-piadiana mahafaty anatin’ny fotoana fohy. Koa ny
olona mivadika amin’ny dina natao dia ozonina mba ho fatim-basy tokana.
Ny sahafa Ny sahafa dia isan’ny kojakoja fampiasa andavanandro ahafaha-
mampivondrona zavatra maromaro. Ampiasaina izy eto mba ho tandindona
anehoana fampiraisana, fihavanana ateraky ny fati-dra.
Lefona
mantsim-body
Ny lefona koa dia fitaovam-piadiana mahafaty. Koa ny olona mivadika
amin’ny dina natao dia ozonina mba ho fatin-defona.
Fafana n° 13 : Ny mpiadina, ny fati-dra sy ny dikany
Ohatra3 : “Mikasika ny fomba fidiovana”
Ny ala faditra : Raha misy loza atahorana hanjo dia anaovana faditra mba hisakanana
izany. Izany no atao hoe “manala faditra” ; ary ny zavatra atao faditra amin‟izany dia
mazàna ny zavatra mitovitovy endrika na mifandraidraika amin‟ny anaran‟ny loza
tiana hosorohina. Ireto no zavatra sasany fanao faditra
Loza hosorohina Ny fanalana faditra
Ny faty hahazo Alana amin‟ny zava-maty
Ny loza hihatra Alana amin‟ny tany ilatsaham-baratra
Aretina Alana amin‟ny hazo marary
Mosavy Alana amin‟ny ody
Very tampoka Alana amin‟ny valala notangosana
Resy an‟ady Alana amin‟ny ombilahy resy eo am-piadiana
Famorovoroana Alana amin‟ny fakofako
W.E.COUSINS, Fomba malagasy, p.88
Fafana n°14 : Ny mpiadina, arak any hevitra ao amin’ny lahatsoratra
Raha ireo ohatra telo ireo no jerena, dia hita tokoa fa ny fombafomba ataon’ny
Malagasy dia mifaningotra mandrakariva amin’ny tontolo voajanahary, ka raha sanatria
ka ho potika ny tontolo dia ho toy ny angano sisa ireny fomba manavaka ny Malagasy
ireny, izany hoe rava ny tontolo ary rava miaraka amin’izany koa ny kolontsaina sy
fomba maha- izay azy ny fiarahamonina.
2.2.2 Ny riba mirakitra finoana
Nahatsapa ny Malagasy fahiny fa eo amin’ny fiainany dia misy ireo toe-javatra
tsy hainy faritana na takarina, ka izany no mahatonga azy hino ireo hery tsy hita isan-
karazany, izay inoany fa mifaningotra amin’ny zotram-piainany. Isan’izany
Andriamanitra Andriananahary na Zanahary / Andriamanitra / razana, ny vintana /
lahatra / tendry / anjara, ny tsiny sy ny tody, izay samy tafiditra ao amin’ny fandaharam-
pianaran’ny kilasy famaranana. Mifototra betsaka amin’ny filôzôfia malagasy ireo,
izany hoe ny fomba fijerin’ny Ntaolo malagasy ny tontolony.
95
Ohatra1 : Ny fomba fiheveran’ny Malagasy ny tontolo
Mizara roa mazava tsara ny tontolon’ny olombelona araka ny fiheverana
malagasy. Tontolo roa tsy afaka mifamadika ireo fa mifanohy ary mbola misy
fifandraisana hatrany.61
Raha aseho an-tsary dia toy izao manaraka izao ny an-tanan-
tohatra fahiny (talohan’ny nidiran’ny fivavahana kristiana izay nanova ny foto-pinoana
malagasy) :
Kisary n°9 : Ny Malagasy sy ny fiheverany ny tontolony
Araka ny finoana dia izay natao sy ny zara toerana tety an-tany ihany no mbola
hita sy mitohy any an-koatra. Andriamanitra no mahenika ny tontolo roa. Ny
olombelona tsy afaka mankany amin’ny tontolon’ny maty, saingy afaka mifandray
amin’ireo razana amin’ny alalan’ireo mpanelanelana samihafa, manana fahefana
hifandray amin’ny razana. Ny razana kosa dia afaka mankety amin’ny tontolon’ny
velona ary ambonin’ny velona satria, araka ny finoana, ny olona rehefa maty, ka vita
fombafomba na fandrazanana ara-dalàna, dia mankany amin’ny Zanahary ary
mpanelanelana sy mpitondra ny hafatry ny velona any amin’ny Zanahary. Koa raha
nivavaka ny Malagasy fahiny dia nampitainy ao amin’ny havany akaiky izany, ireo
havany efa lasan-ko razana ireo indray no mampita izany any amin’ny mpitondra azy
fahavelony ary ity farany no mitondra izany any amin’i Zanahary.62
Araka izany, ho
an’ny Ntaolo Malagasy dia misy lamina voajanahary eo amin’ny tontolo izay tsy azony
anoharana na hazavaina, ka ny finoany no mandrindra ny fisainany amin’izany.
Mifaningotra akaiky amin’izany ny finoana ny vintana / lahatra / tendry / anjara.
Ohatra2 : Ny finoana ny tsiny sy ny tody
Isan’ny finoana latsa-paka teo amin’ny Malagasy fahiny ny finoana ny tsiny sy
ny tody. Samy arofanina miaro ny olona tsy hanao ny ratsy sy tsy hanao zavatra tsy am-
piheverana ireo.
61
Jereo : 1.1.1 Ny Malagasy sy ny fiheverany ny tontolo, p.10 62
BEP.OTEP, Fiaraha-monina aman-toekarena, haifomba, p.95-97 in Lovako T.12, 2003, p.95
Zanahary na Andriamanitra Andriananahary
(mpamorona izao rehetra izao)
Andriana mpitondra Andriamanitra
Vahoaka tsotra (hova) Razana
Tontolon’ny velona Tontolon’ny maty
Andevo (foko babo fahiny) Razana
96
Azo ambara fa samy fiverenan’ny natao izy ireo: ny tsiny dia vokatry ny tsy
nety na ny ratsy natao, ny tody kosa dia fiverenan’ny natao na ratsy na tsara.63
Izany no
mahatonga ny Malagasy hiala tsiny mandrakariva araka ny fomba fiteny hoe “Ny tsiny
fanalan‟ny vava” ; “Ny tsiny no azo ialana fa ny tody tsy misy fanafana”. Natahoran’ny
Malagasy fahiny, eny mandraka ankehitriny, izany tsiny sy ny tody izany, satria inoana
fa hery ratsy manimba izay tratrany. Tsy misy hafa amin’izany, olona faran’izay tsy
mifaditra ovana, tsy matahotra an’Andriamanitra ny olona tsy mataho-tody, noho izy tsy
mba mahalanjalanja ny zavatra ataony.64
Izany finoana ny tsiny sy ny tody izany anefa dia tsy mandeha ho azy, fa misy
fototra iorenany mazava tsara. Rehefa nandinika ny tontolo manodidina azy ny Ntaolo
malagasy dia nahita fa lalàn’ny zavaboary ny fiverenana ka na tsy miverina feno aza
izany dia miverina amin’ny ampahany hatrany.
Ny masoandro, ohatra, raha hita miposaka avy any atsinanana ny maraina, ka
milentika any andrefana ny hariva, dia mihodina toy izany foana mandritra ny taona.
Tsy misy hafa amin’izany, miverina mandrakariva isam-bolana ny volan-tsinanana, ny
volam-penomanana ary ny maizim-bolana. Farany, ny zava-manana aina rehetra dia
teraka / mitsiry, mitombo ary maty, saingy ny endriky ny fiverenana dia amin’ny
ampahany ihany. Ny olona, ny biby ary ny vorona, ohatra, dia tsy mety maty fa velona
ao amin’ny taranany.
Ambonin’izany, hita taratra any anaty ohabolana any izany fiheverana
mifaningotra amin’ny finoana ny tody izany toy ny hoe : “Ny olombelona toy ny molo-
bilany ka indray mihodidina ihany”, izany hoe mifandray daholo ny olombelona ka ny
ataon’ny tsirairay dia miantraika amin’ny hafa, ary ny farany dia miverina amin’izay
nanao azy ihany ; “Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona” ; “ Ny
tody tsy misy fa ny atao no miverina”. Araka izany, ny tontolo manodidina azy no
mamolavola ny toe-tsain’ny olona.
63
FETY Michel, Fanabeazana sy fiainam-pirenena, p.16 : “Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra
ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hodira, fa ny atao no mahasoa na maharatsy (…). Na inona na inona
ataon’ny olona, na tsara na ratsy dia tsy maintsy miverina aminy ihany ny valin’ny nataony. “Ny tody tsy
misy, hoy izy, fa ny atao no miverina”, ka na dia tsy ny tenany aza no handray ny valiny dia mbola ao ny
taranany hijinja azy”. 64
R.P Antoine RAHAJARIZAFY, Filôzôfia malagasy, 1970, p. 71-72 : “Raha misy olona mpankahatran
ny tody, dia mampihoron-koditra azy fa toy ny biby ka notondroiny hoe “ilay tsy mataho-tody!” Tsy misy
anaran-dratsy mihoatra an’izany”.
97
2.2.3 Ny riba maneho tsangan-kevitra
Ankoatra ny finoana sy ny fombafomba izay entin’ny Malagasy mandrindra ny
fiainany sy ny fiainam-piarahamoniny dia mbola namorona ireo tsangan-kevitra
samihafa izy. Ireny tsangan-kevitra najoro ireny dia natao indrindra mba hanamora sy
hanatsara ny fifandraisan’ny mpiara-monina. Isan’ny soatoavina manavaka ny
Malagasy izao ny fihavanana. Ny fihavanana moa dia tsy inona akory fa ny
fifandraisana-fifampitondrana ho toy ny mpihavana akaiky (mpiray tampo na ray aman-
dreny sy zanaka).65
Ny hevitra fototra nananganana izany dia ny mba hisian’ny
fifanajana, ny fifanampiana, ny fifampitsimbinana… eo amin’ny samy mpiara-monina.
Ny ohabolana manamarina izany dia ilay hoe : “Ladim-boatavo ny olombelona ka raha
fotorana iray ihany”, izany hoe misy rohim-pihavanana eo amin’ny samy Malagasy, tsy
mifanao ratsy satria samy mpihavana : “Mafanafana toy ny ratsy atao an-kavana.”
Tsy mifanalavitra amin’izany ny rariny izay tsy inona akory fa fametrahana ny
tsirairay amin’ny toerana tokony hisy, araka ny lamina napetraky ny fiarahamonina,
ankoatra ny lamina voajanahary izay tsy azon’ny olona ialana.
Azo trandrahana koa ireo tolo-kevitra naroso tao amin’ny fizarana voalohany.
FEHINY
Araka izany, azo atao ny mampiditra ny lahatsoratra maneho ny tontolo iainana
ho fitaovana enti-mampianatra ao amin’ny taranja malagasy. Azo itrandrahana izany
daholo ny kilasy rehetra saingy ny vontoatim-pampianarana no mila ampiana kely mba
hifanaraka amin’ny tanjon’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Koa anjaran’ny
mpanabe, araka izany, no miezaka hampifandray ny fampianarany amin’ny tontolo
iainana mba hampitsiry indray ao amin’ny beaziny ny fahalalana ny lanjan’ny tontolo
iainana eo amin’ny fiainana, ka hitarika azy hiaro sy hikolo ny lentan’izany tontolo
iainana izany, mba hisian’ny fampandrosoana maharitra sy hampivelarana ny maha-
olona.
Saingy tsindriana manokana amin’izany ny paikam-pananganana sombin-tantara
izay mifaningotra betsaka amin’ny tontolo iainana ny endrika ivelany sy ny votoatiny
mba hakafizan’ny beazina ny tontolony, hahalalany izany sy hahatakariny ny
65
RANDRIAMBOLOLONA André, RABENANDRASANA Alfred, Ny loharano T9, 1997, p. 7
98
lanjan’izany eo amin’ny fandrafetana ny kanto. Amin’izany sady volavolaina hikirakira
izy no amporisihina ihany koa hamorona.
Raha fintinina fohy izany dia toy izao manaraka izao izany, arak any hevitra
notakarina tamin’ny fandinihana nataon’i Siméon RAJAONA ao amin’ny Takelaka
notsongaina II :
Raha sombin-tantara mampalahelo no iaingana dia volon’andro fahavaratra
mazana no fampiasa ho fefin’ny tantara na volon’andro maloka na manjombona
ka ny toetry ny zavaboary amin’izany no taratry ny fiainana sy ny toe-pon’ny
mpandray anjara : malahelo, mitomany, vaky tratra…
Raha sombin-tantara mahatsikaiky kosa dia ny fifandisoana hita eo amin’ny
tontolo na ireo tontolo enti-mitaratra ny toetry ny mpandray anjara no aseho,
izay maneho ihany fifandisoana eo amin’ny lafiny fihetsika na fiteny na
fihevitra…
Raha sombin-tantara mampangitakitaka dia volon’andro ririnina no ampiasaina
na koa tantara niseho tamina somambisamby na maizina, mety ho anaty kotro-
baratra arahin-drivotra mifofofo… ireny toetr’andro ireny no miteraka ny
fangitangitahana ao amin’ny tantara eo amin’ny hetsika mety hitranga na ny
fihetsiha na ny teny avoaka…
Raha sombin-tantara maneho ny lafy tsaran’ny fiainana dia ny volon’andro
lohataona no mazana fitanisa ho fefin’ny tantara. Volon’andro tsara mitory
hafaliana, fahasambarana, fiainana milamina….
Raha eo amin’ny fampianarana riba kosa dia ireo lafim-pomba mifandraika
amin’ny tontolo iainana no mazana trandrahina ka asongadina amin’izany ny anjara
toeran’ny tontolo iainana amin’ny fanatanterahana izany fomba izany, mba hanairana
ny masontsain’ny beazina fa raha simba ny tontolo iainana dia ho simba miaraka aminy
koa ny kolontsaina sy fomba amam-panao mirafitra aminy.
Fa azo atao ihany koa ny mampiasa fitaovana hoenti-mampianatra hafa, ankoatra
ny lahatsoratra mba hitrandrahana ny tsilontsain’ny beazina sady mba hanabeazana
azy ara-tontolo iainana ihany koa. Hojerena manokana ao amin’ny fizarana fahatelo
sady farany ny fampianarana miainga amin’ny sary na kisary (omban-tsoratra na tsia),
ny kisary mandranitra saina ary ny fampianarana eny anivon’ny tontolo.
FIZARANA FAHATELO
HAIFAMPIANARANA TARANJA
MALAGASY MIRINDRA AMIN’NY
TONTOLO IAINANA AFOTOTRA
AMIN’NY TSILONTSAIN’NY BEAZINA
99
Marina fa fitaovana enti-mampianatra azo trandrahana tsara ny lahatsoratra,
noho izy azo kirakiraina mivantana amin’ny lafiny rehetra : na endrika na hevitra,
saingy mba hampisy fahafinaretana sy hampitombo ny fahalianana amam-paharisihana
eo amin’ny beazina, dia azo atao ny mitrandraka fitaovana enti-mampianatra hafa.
Araka ny natsidika tany amin’ny fizarana voalohany dia misy tsilontsaina marolafy
ananan’ny mpianatra izay azo trandrahana mba hampahomby ny fianarana ataony sy
mba hampivelatra ny maha-olona azy. 66
Mety ho samy manana ny manandrify aza ny taranja tsirairay, fa misy koa ireo
azon’ny taranja rehetra trandrahana. Ambonin’izany, raha lahatsoratra foana no
iaingana dia ny ila atidohan’ny beazina hatrany no miasa, nefa raha ny tokony ho izy
dia tokony hiara-hiasa ny atidoha manontolo, mba hiorina sy hipetraka tsara ny
fahalalana rantovina.
Izany indrindra no nahatonga anay hitrandraka ato amin’ity fizarana fahatelo ity
ireo fitaovana enti-mampianatra hafa azo trandrahina, mba hanome vahana ny
tsilontsaina ao amin’ny beazina sy hampiasany ny atidohany manontolo. Lafin-javatra
telo no nitondranay izany soso-kevitra izany dia ny fampianarana miainga amin’ny sary
na sary omban-tsoratra, ny fampianarana miainga amin’ny kisary mandranitra saina na
mind mapping ary ny fampianarana eny anivon’ny tontolo.
3.1 Ny fampianarana miainga amin’ny sary na sary omban-tsoratra
Isan’ny fitaovana azo trandrahana tsara aty amin’ny taranja malagasy ny sary na
sary omban-tsoratra, toy ny any amin’ny taranja mampianatra teny rehetra (toy ny teny
frantsay, angilisy, alemana…). Ohatra azo raisina amin’izany ny sary pihina na sary
natao tanana, ny tantara an-tsary, ny takela-by... Azo atao ho fitaovana enti-
mampianatra, ho fitaovana hanorenam-pahalalana ihany koa izany. Amin’izany, tokony
ho fantatra aloha ny paika enti-mamorona ireny, mba hanamora ny fikirakirana izany sy
mba hahafahan’ny beazina mamorona ihany koa, azo jerena manaraka izany koa ny
fomba azo itrandrahana ireny ao amin’ny taranja malagasy.
66
Jereo : 1.3.2 Tsikera eo amin’ny lafiny fitaovana enti-mampianatra (tsilontsaina marolafy), p.38
100
3.1.1 Ny sary
Anarana mahafaobe ny sary amin’ny teny malagasy, izay enti-mandika na ny
sary pihina na ny sary natao tanana na ny sary miendrika taratra na aloka (aloka anaty
rano na taratra anaty fitaratra). Fa ny ho trandrahana ho fitaovana enti-mampianatra aty
amin’ny taranja malagasy dia ny sary pihina na sary natao tanana.
Mazana ny taranja siansa, tantara sy jeogirafia ary ny teny vahiny no mampiasa
sary. Azo ampiasaina koa anefa izany sary izany aty amin’ny taranja malagasy, mba
hanehoana an-tsary ny fahalalana omena, hahazoan’ny mpianatra sary an-tsaina ny
zavatra resahana sy hazavaina. Azo raisina ohatra amin’izany ireny tandindona any
anaty fombafomba ireny.
Ohatra : fary raiki-bololona any amin’ny famorana izany tandindon’ny fitohizan’ny
taranaka sy ny firariana ny zaza mba hiroborobo fiainana.
Sary n°2 : Encarta 2008
Azo atao koa ny mampiasa sary amin’ny fampianarana ireny lahateny
manoritsoritra ireny, mba hanehoana ho toy ny hita maso ny zavatra soritsoritina.
Amin’izany, azo atao tsara ny miara-miasa amin’ny taranja hafa toy ny siansa, rehefa
hanorotsoritra ireo zavaboary misy eto Madagasikara, ireo zavaboary tsy manam-
paharoan’i Madagasikara, manavaka azy amin’ny firenena hafa, ka tokony hokoloina sy
harovana. Toraka izany koa ny fiaraha-miasa amin’ny tantara sy jeogirafia, ohatra,
momba ireo vohontany sy rohivoaary isan-karazany. Ireny no maneho ny fifanohinan-
taranja mba tsy hahatonga ny taranja malagasy hitoka-monina.
Azo atao ihany koa ny mamadika ireny lahatsoratra manoritsoritra ireny ho sary.
Ny sary dia isan’ny fitaovana hita maso, azo kirakiraina tsara sady anehoana ny zava-
misy. Tsy dia mifanalavitra amin’izany ny tantara an-tsary.
Vaniny
Tonony
Fitohizana
Mora maniry, maro fototra Tandindon’ny firoboroboana
101
3.1.2 Ny tantara an-tsary
Isan’ny mahaliana ny ankizy, ny olona rehetra ny tantara na an-tsoratra izany na
henoina, indrindra ny an-tsary. Ambonin’izany, isan’ny mahafinaritra ny ankizy koa ny
manao sary. Vokatr’izany, mila kolokoloina ao amin’ny beazina ny fahaiza-manao sary.
Mba hahafahana manatanteraka izany anefa dia mila hay ireo paika fototra enti-
manangana ny tantara an-tsary na bande dessinée.
Alohan’ny hanombohana ny fanaovana ny sary dia tsy maintsy mieritreritra ny
momba ireo antsipirihan-javatra enti-mamorona ny tantara. Misy lafin-javatra
maromaro àry tokony homen-danja sy hodinihina raha hamorona tantara an-tsary dia :
ny vontoatin’ny tantara,
ny drafi-tsary (plan)
ny lafiny akana ny sary (angles de vue)
ny fefin’ny sary (cadrage na forme pour les cases),
ny fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara.
3.1.2.1 Ny vontoatin’ny tantara
Ny famolavolana ny vontoatin’ny tantara dia miainga amin’ny fahafolahana ny
paikam-pamoronana tantara toy ny tantara rehetra. Mbola vao any amin’ny kilasy
fahafito ny mpianatra dia efa mianatra ny firafitry ny lahatsoratra mitantara (ny angano,
ny sombin-tantara) ary ny tantara foronina ao amin’ny kilasy fahavalo sy fahasivy.
Mbola halalinina ao amin’ny lisea izany. Ny fahaiza-manao efa azony avy amin’ny
fikirakirana ireny tantara an-tsoratra ireny no ampiasaina aty amin’ny famoronana ny
tantara an-tsary. Raha ny marina mantsy, fanehoana an-tsary ireny tantara an-tsoratra
ireny ny tantara an-tsary mba hanome aina kokoa ny tantara. Ny fizotry ny tantara
amin’ny ankapobeny no tena ilaina : ny toe-javatra manomboka, ny fivoaran’ny tantara
ary ny fiafaran’ny tantara. Izany ilay antsoina hoe scénario. Azo sokajiana ho telo ny
endriky ny tantara amin’izany :
102
1- Ny récit linéaire : tantara mitomandavana, mifampitohy ary mifanesy araka ny
fisehony,
2- Ny récit en touché : ny tantara dia mifampitohy miandalana amin’ny alalan’ny
ampahana tantara, izay mety tsy tena ho hita mivantana ny fifandraisana eo
aminy. Ny hevitra miafina any anatin’ireny ampahan-tantara ireny no mirafitra
tsimoramora mamorona ny hevitry ny tantara. Mifameno ireny dia feno ihany ny
tantara,
3- Ny récit en trame : ny tantara dia miorina amina lafin-javatra maro samihafa
izay mifampiankina na mifamaly na koa mifanindran-dalana.
Mila volavolaina miaraka amin’izany sahady ny fanamian’ny mpandray anjara
sy ny toerana sy ny endrika isehoan’ny tantara.
3.1.2.2 Ny fomba entina maneho ny sary
Miankina amin’ny fomba entina maneho ny sary ny endrika ivelan’ny sary.
Miankina amina lafin-javatra roa izany dia ny fanehoanana ankapobeny ny sary sy ny
fitodiky ny sary.
a) Ny fanehoana ankapobeny ny sary
Misy karazany ny fito drafi-tsary na ny fanehoana ankapobeny ny sary, izay
samy misy dikany avokoa :
1- Ny drafi-tsary ankapobeny : anehoana ireo antsipirihan-javatra rehetra ao
amin’ny ny sary, manana sanda manoritsoritra.
Sary n°3 : Drafi-tsary ankapobeny Sary n°4 : Drafi-tsary amin’ny antonony
103
2- Ny drafi-tsary amin‟ny antonony : maneho ny mpandray anjara amin’ny endriny
feno, mba hampisongadinana ny maha izy azy ilay mpandray anjara eo amin’ny
lafiny endrika (hita daholo ny vatany manontolo : eny an-tongony hatrany an-
dohany). Manavaka ny ivon’ny sary (mpandray anjara fototra) amin-javatra hafa
izany, mba hisintonana ny sain’ny mpamaky hamantatra azy sy izay ho fizotry
ny hetsika ao amin’ny tantara.
3- Ny drafi-tsary amerikana : ny mpandray anjara dia aseho an-tsary manomboka
eo amin’ny feny no miakatra. Fampiasa amin’ireny tantarana western ireny ity
fomba ity, mba hahafahana maneho ny basy eny am-balahany, fa ankehitriny
kosa dia ampiasaina hoenti-manelanelana ny drafi-tsary ankapobeny sy ny drafi-
tsary antomorina izany. Mampifandray hetsika roa mifanaraka izy amin’izany.
Sary n°5 : Drafi-tsary amerikana
4- Ny drafi-tsary ampanakaikezina : ny tapany ambonin’ny mpandray anjara ihany
no aseho : eo amin’ny tratrany no miakatra. Misy lafin-javatra tiana hasongadina
eo amin’ireo mpandray anjara.
Sary n° 6 : Drafi-tsary ampanakaikezina Sary n° 7 : Drafi-tsary atomorina
5- Ny drafi-tsary atomorina : fanasongadinana ny endriky ny mpandray anjara ivon’ny
sary amin’ny endrika lehibe, mba hisintionana ny mason’ny mpamaky hijery izany,
mba hanehoana ny toe-pony : tahotra, alahelo, hatezerana, fankahalana… Ny tanjona
104
amin’izany dia ny hampivoitra ny lafiny mampitaintaina na mampihomehy na
mampalahelo ao amin’ny tantara.
Tsy endrika ihany no mety aseho amin’ny endriny lehibe na gros plan fa mety
ho zavatra hafa koa toy ny fitaovana, ny tanana na ny ampaham-batana hafa, saingy
amin’izany, ny hisintona ny maso sy ny fifantohan’ny mpamaky amin’ny tantara no
tanjona. Mety hanodinana ny sain’ny mpamaky koa izany haminavina zavatra tsy
ampoizina.
5- Ny Drafi-tsary tomorina akaiky : fanasongadinana zavatra iray (ny fijery, ny
antsipirihan-javatra mikasika ny ravaka amin’ny tantara), amin’ny jery akaiky
indrindra na zoom, mba hampafonja kokoa ny fotoana mampihetsi-po ao
amin’ny tantara na manazava ny hetsiky ny mpandray anjara.
b) Ny fitodiky ny sary
Miara-dalana amin’izany ny fitodiky ny sary, izay manana ny heviny manokana
koa eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra. Azo sokajiana ho telo kosa izany, arak’i
Pininou dia ny sary manatrika, ny sary mihorirana ary ny sary maneho ny telo am-
pahefatry ny mpandray anjara: 67
1- Ny sary manatrika : mirakitra hevitra hoe “miresaka” na “mitantara” na
“manadina / manontany”. Toy ny miresaka mivantana amin’ny mpamaky izy
amin’izany, ka manintona ny fifantohan’ny olona amin’ny sary
2- Ny sary mihorirana : mpanatrika ny mpamaky, vavolombelon’ny hetsika
izay efa niseho talohany
3- Ny sary maneho ny telo ampahefatry ny mpandray anjara : maneho ny toe-
tsaina amam-panahin’ny mpandray anjara, izany hoe ny tontolon’ny miafina
na ny misiteriny, ny faniriany, ny hambony, ny nofinofiny .
67
G. Pininou, Intelligence de la publicité, 1972, p. 188-189 : « on distingue trois situations
caractéristiques par la position du personnage : celle où le personnage est de face, celle où il se présente
de profil et celle où il est placé de trois quart. »
105
3.1.2.3 Ny lafiny akana ny sary
Ny lafiny akana ny sary dia fomba anehoana ny sary miainga avy amin’ny
fomba nakana azy sy ny halaviran’ny sary. Ny fisafidianana io lafiny akana ny sary io
no ahafahana manovaova sy mandrindra ny hetsika manome aina ny tantara. Miankina
indrindra amin’ny fahaizan’ny mpanao sary mitrandraka ny lafiny akany ny sary no
mahatonga ny mpamaky ny tantara hiaina ny tantara.
Misy karazany efatra izany :
1- Ny sary pihina manatrika : ny mpaka na mpanao sary dia mijery manatrika ny
mpandray anjara sy ny manodidina azy na izay alaina sary. Ny sary dia
miendrika efajoro .
Sary n°8 : Ny sary pihina manatrika
2- Ny sary pihina avy any ambony : avy any ambony no akan’ny mpaka sary ny
sary na anehoany ny sary foroniny, ka amin’izany ny sary aseho dia kely kokoa
ny ambany fa lehibe ny ambony , miendrika telozoro mitsongoloka . Izany
fomba fanehoana sary izany dia anehoana habaka mitomandavana na anehoana
mpandray anjara ao anatin’ny faharesena, fahambaniana, tahotra, loza. Mety
hanehoana antsipirihan-javatra manan-danja ao amin’ny tantara koa izany.
Sary n°9 : Ny sary pihina avy any ambony Sary n° 10 : Ny sary pihina avy any ambany
106
3- Ny sary pihina avy any ambany : avy any ambany no maka ny sary ny mpaka
sary ka ny sary aseho dia lehibe ny ambany fa kely ny ambony, miendrika
telozoro mitsangana . Izany fomba fanehoana sary izany indray, dia
anehoana mpandray anjara manana toetra masiaka, mandrahona izany hoe
manjaka amin’ny hery ; anehoana olona feno fankahalana na fieboeboana ;
anehoana olona afa-doza na faly afaka tamina toe-javatra iray. Fahamboniana
ara-kery, fandresena no hevitra fototra iorenany.
4- Ny sary pihina mihorirana : ny mpaka sary dia misompirana, ka sary toa
mihilana na mirona no azo rehefa jerena. Maneho tsy fahamarinan-toerana eo
amin’ny mpandray anjara, taratry ny tahotra, ny horohoro, ny fahatairana ao
anatiny, ny fanaintainana ao aminy ara-batana na ara-tsaina.
Sary n° 11 : Ny sary pihina mihorirana
3.1.2.4 Ny endriky ny fefin’ ny sary
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny tantara an-tsary ny fefin’ny sary, satria izy
no mamefy ny sary tsirairay mamorona ny tantara, sady mirakitra hevitra manazava ny
tantara. Amin’ny ankapobeny ny fefin’ny sary dia efajoro, fa ny habeny sy ny fipetrany
no manavaka azy68
, araka ny filazan’i Dupont. Safidiana araka ny fomba entina maneho
ny sary ny fefin’ny sary :
Ny fefin-tsary mivelatra amin’ny lafiny marindrano : fampiasa amin’ny
drafi-tsary ankapobeny ahafahan’ny mpamorona maneho antsipirihan-javatra
amin’ny sary iray (ahafaha-manoritsoritra ny toerana, ny fotoana ary ny
mpandray anjara ao aminy) na anehoana olona na zavatra manirery na mitoka-
68
Luc DUPONT, 1001 trucs publicitaires, 1993, p. 149 : « Les recherches indiquent que les
photographies rectangulaires attirent plus d’attention et sont plus crédibles que les photographies de
toutes les autres formes. »
107
monina na vondron’olona na zavatra. Mety hanehoana hetsika mivelatra
manaraka ny fotoana koa izany.
ny fefin-tsary miendrika mahitsizoro na efamira : fampiasa amin’ny
sary atomorina na ampanakaikezina.
ny fefin-tsary mivelatra amin’ny lafiny mitsangana : fampiasa amin’ny
drafi-tsary antonony ka maneho hetsika mitomandavana (olona mizotra amin’ny
lala-mahitsy, ohatra)
ny fefin-tsary miendrika boribory na atody : tsy dia fampiasa matetika,
entina anasongadinana mpandray anjara na zavatra iray ao anatin’ny maro.
Mazàna mitsofoka ao anaty fefin-tsary hafa izany.
3.1.2.5 Ny fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara
Amin’ny maha-tantara azy dia mandray fitenenana ny mpandray anjara. Noho
izany, misafidy endrika entina ametrahana ny tenin’ny mpandray anjara ny mpanoratra.
Amin’ny ankapobeny, miankina amin’ny safidin’ny mpanoratra ny endrik’izany, nefa
misy ihany ireo fomba fijery iraisana toy ireto tanisaina manaraka ireto :
Kisary n° 10 : Bulles et legends, fanehoana ny tenin’ny mpandray anjara
Mety hisy fomba manokana anehoana ny endriky ny soratra maneho ny tenin’ny
mpandray anjara, raha ohatra ka misy zavatra tiana homarihina manokana, toy ny
fihetseham-po na ny toetry ny mpandray anjara.69
69
K. Roman, J. Maas, How to advertise? 1976, p.34 : “Le score de lecture s’est révélé meilleur pour les
caractères imprimés à l’horizontale”
Resaka mahazatra Tezitra Tia Eritreritra
108
Sary n°11 : Fanehoana manokana ny tenin’ny mpandray anjara
3.1.2.6 Ny azo ikirakirana ny tantara an-tsary ao amin’ny taranja
malagasy
Na dia tafiditra ho isan’ny lahatsoratra mitantara aza ny tantara an-tsary dia azo
itrandrahana lafin-javatra maro. Marina fa ny fikirakirana lahatsoratra (fahazoan-
dahatsoratra) sy famoronan-dahatsoratra no tena amolavolana ny beazina mba
hahafahany miatrika ny fanadinana. Na izany aza anefa, azo atao tsara ny mitrandraka
ny fitaovana enti-mampianatra toy itony mba hahazoam-pahalalana (solon-dahatsoratra
tsotra) na fitaovana enti-mandentika ny fahalalana efa azo. Ohatra azo raisina
amin’izany izao ity ampahana sary maneho ny dingana arahina amin’ny fambolem-bary
ity, izay mampahany amin’ny asa ataon’ireo tantsaha. Ho an’ny mponina
andrenivohitra, izay tsy mamboly vary, dia ireny no manampy azy hahazo ny lesona
omena (ny fihariana ao amin’ny kilasy fahafito: tafiditra amin’izany ny fambolem-bary
izay foto-tsakafon’ny Malagasy). Amin’izany, ankoatra ireo dingana dia azo atao koa
ny mitrandraka ireo voambolana manodidina ny fambolem-bary (ny fitaovana
ampiasaina, ny hetsika amam-pihetsika atao…).
Saro-kenatra
Mahery fihetsika
na liana ady
109
Ohatra : Ampahany maneho ny fikarakarana ny vary mandra-pahatonga azy am-bilany
Sary n°13 : Mamafy ketsa Sary n°14 : Miasa tany
Sary n°15 : Manetsa Sary n°16 : Mitaona sy mively vary
Sary n°17 : Mitoto vary Sary n°18 : Manofa vary
Sary : Elysé RANARIVELO, Gasy ka tiako : Manuel de Malgache à l‟intention des
professeurs des lycées français de Madagascar, p.100
Isan’ny mahaliana ny mpianatra ny mijery sy manao sary. Izany indrindra no
antony ampiasana ny karazan-dahatsoratra omban-tsary toy itony. Raha ho an’ny
mpianatra any amin’ny kolejy dia azo atao tsara ny mpampiasa izany, indrindra
amin’ireo karazan-driba fiampitana. Azo atao miendrika tantara an-tsary ho hita maso
sy ho mora azo ireo dingana arahina amin’ireny, miaraka amin’ireo sary maneho ireo
tandindona amin’izany. Raha any amin’ny lisea indray, raisina ho fitaovana enti-
mampianatra ihany izany, mifaningotra amin’ny lohahevitra dinihina.
110
Ohatra : RIBA FIAMPITANA : “ny mivoaka itany”
Sary n° 19 : Mivoaka itany an-tsary, ny mpiadina
Sary tsotsotra ohatra izao no avoaka avy amin’ny alalan’ny lahatsoratra
niaingana hanehoana ny fahazoan-dahatsoratra dia ampiana fanazavana miandalana,
araka ny fanontanin’ny beazina na ny fitarihana ataon’ny mpampianatra na koa sary
mihitsy no ampiasaina ho fitaovana enti-mampianatra.
Ny ohatra horaisina eto kosa dia ireo tantara an-tsary manome lanja ny tontolo
iainana, saingy azo ampiasaina amina lohahevitra trandrahana an-tsekoly. Sady azo atao
fitaovana enti-mampianatra no azo atao ohatra halain’ny mpianatra tahaka ireto.
Santionany ihany no azo aroso eto satria raha tontolo iainana no resahina dia
midadasika ny hevitra azo resahina.
111
Ohatra1 : “Ny fantsiliotse”, Vintsy n°26, p.12-13
112
Azo trandrahana ao amin’ny kilasy fahenina tsara ity izay miresaka momba ny
tontolo iainana. Voaresaka ao daholo mantsy ny mikasika ny ala, ny famaritana azy, ny
karazany, ny tombontsoa azo avy aminy.
113
Ohatra2 : “Izay mamafy éolienne dia mijinja rivotra, Vintsy n°58, p. 17-18
114
115
Raha ity tantara an-tsary ity indray izao dia azo trandrahana ao amin’ny kilasy
fahafolo izay miresaka ny fampandrosoana miainga avy amin’ny fahaiza-mitrandraka
ny tontolo iainana : fampiasana ny angovo azo havaozina hampiodinana ny fiainana
andavanandro sady manome fanazavana ny manodidina izany.
116
Maro ireo tahirin-kevitra azo trandrahana amin’izany tantara an-tsary izany raha
tsy haka afa-tsy ireo voarakitra ao amin’ny gazety boky vintsy isika, izay tantara
mifaningotra amin’ny tontolo iainana avokoa ny ankamaroany raha tsy hilaza afa-tsy
ireto tanisaina manaraka ireto isika :
Ny tahirin-kevitra Ny hevitra voiziny
Ny tontolo iainana sy ny tombontsoa avy aminy
Vintsy n°26, p.12-13 “Ny fantsiolotse” : ny ala maina any atsimo sy ny tombontsoa azo avy
aminy na amin’ny fiainana andavanandron’ny olona na eo amin’ny tontolo
iainana
Vintsy n°28, p. 26-27 Ny faritra mando sy ny tombontsoa azo avy aminy sy ny karazany
Ny asan‟olombelona fototry ny fahasimban‟ny tontolo iainana
Vintsy n°31
p. 16-17
Ny tsy fanajana ny fahadiovana izay sady manimba ny tontolo iainana no
manimba ihany koa ny fiainan’ny olona
(voalavo mpanimba voly, aretina fahafatesana)
Vintsy n°27, p.12-13 “Io fahazarana io e!” : misy fahazaram-piainan’ny olona manimba ny
tontolo iainana saingy tsy dia noheveriny loatra toy ny fanariana fako eny
rehetra eny rehefa mitsangantsangana, ny fitifirana vorona, ny
fampirehetana afo mety hitera-doza tsy ampoizina, ny fampiasana kitay sy
arina (izay tsy azon’ny olona ialana) mandrora mitsilany ny olona ka ny
ataony ihany no manimba azy
Vintsy n°37, p. 16-17 “DaDaToa a! Tandremo fa mampidi-doza!” : ny fampiasana ireo akora
simika dia tsy vitan’ny hoe manimba ny tontolo iainana (tany sy rivotra) fa
manimba ihany koa ny fahasalaman’ny olona sy ny zava-manana aina na
dia isan’ny mahomby amin’ny fiarovana ny voly sy ampiasaina amin’ireo
orinasa lehibe aza
Vintsy n°72, p. 14-16 Ny ala any atsimo sy ny antony mahasimba azy :
-fitrandrahana tsy manara-penitra (tevy ala)
-tsy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro
-ny fiompiana osy mihinana ny maitso izay tandrify azy hatramin’ny
voan’ny baobaba
Azo trandrahana ao koa ny fivoaran’ny fahasimban’ny faritra maina sy ny
tokony hatao manoloana izany.
Vintsy n° 34-35,
p. 26-27
“Tsemboka ny tany” : vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana dia
miovaova ny toetr’andro ary miteraka loza voajanahary : rivo-doza, tondra-
drano, haintany
mihena na tsy misy mihitsy ny vokatra
mosary + aretina
fahafatesana
Ny tokony hatao manoloana izany
Vintsy n°40, p. 17-18 Ny fampandrosoana ifotony tanterahin’ny vondron’olona ifotony : mba ho
fampandrosoana ny faritra dia omena hotantanin’ny vondron’olona ifotony
ny harena voajanahary ao aminy. Miditra an-tsehatra amin’izany ny
fampandrosoana ny faritra sy ny fiharian’ny mponina
Vintsy n°41, p. 16-17 Ny valan-javaboary arovana : ny karazany sy antony nampisiana azy
Vintsy n°58, p. 18-19 “Izay mamafy eolienne mijinja rivotra” : ny angovo azo havaozina sy ny
tombontsoa azo avy aminy. Tsy ny angovo azo avy amin’ny rivotra ihany
fa mety ho masondro, rano koa
Fafana n° 15 : lisitry ny tantara an-tsary azo ampiasaina ho fitaovana enti-mampianatra
ao amin’ny taranja malagasy
117
3.1.3 Ny takela-by
Ny asa fampianarana dia toy ny dokam-barotra, izany hoe fisarihana ny sain’ny
mpianatra mba hanjifa ny fahalalana omena azy. Araka izany, zava-dehibe ny fitaovana
enti-mampianatra sy ny fisafidianana izany mba hampahomby ny asa.
I Victor Schwab, manam-pahaizana manokana momba ny famokarana dokam-
barotra, dia manambara fa ny dokam-barotra iray dia sarotra amidy raha toa ka tsy hay
na sarotra vakina ; sarotra koa ny hamaky azy raha toa ka tsy hita ; ary mety tsy ho hita
raha toa ka tsy mahasarika na mahasintona. 70
Raha tsorina, misy fomba amam-paika
entina mamorona ireny dokam-barotra ireny mba ho tafita tsara ny hafatra. Raha sary no
iaingana, mety hiditra an-tsehatra amin’izany koa ny soratra (endriny, fipetrany…) sy
ny loko ampiasaina.
Mila ovana hifanaraka amin’ny filan’ny beazina koa, araka izany, ny fitaovana
enti-mampianatra. Ohatra iray azo raisina amin’izany ny takela-by. Ny
ankamaroan’ireny takela-by ireny mantsy dia sady misy sary no misy soratra no mety
ho miloko ka manamora hatrany ny fandraisana ny hafatra raketiny. Koa amin’ny maha-
dokam-barotra azy izay dia mila manana paika ny mpandefa hafatra mba hanintona ny
mpanjifa azy.
Fitaovana fampiasa any amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana ny
takela-by noho izany tokony ho azo trandrahana tsara aty amin’ny fampianarana taranja
malagasy mirindra amin’ny tontolo iainana. Miendrika dokam-barotra izy ireny noho
izy tsy maintsy volavolaina hahasintona ny mason’ny olona. Tsy ataotao foana izy
ireny, araka izany, fa misy fandalinana sy fenitra arahina na eo amin’ny lafiny
famoronana lahatsoratra izany, na eo amin’ny fanehoana ny sary, na eo amin’ny loko
ampiasaina (raha miloko izy) saingy ireo singa telo lehibe ireo dia mifameno mba
hahalavorary ny hafatra tiana hampitaina, izay tsy maintsy fehezina.
Mba hanamora ny asan’ny mpampianatra sy hanampy ny mpianatra amin’ny
fahazoana sy famoronana dia indreto misy fahalalana fototra tokony ho fantatra arahina
ohatra mampivaingana izany.
Ny takela-by hita tany amin’ny faritra arovana any Ranomafana no iaingana. Ny
mpandinika ireo dokam-barotra mahomby dia milaza fa raha tiana hahomby na ho tafita
ny hafatra dia ilaina iangaliana tsara na ny lohateny na ny vontoatin’ny hevitra.71
70
Luc DUPONT, 1001 trucs publicitaires, p.153 : « Une publicité ne peut se vendre si elle n’est pas lue ;
elle ne peut pas être lue si elle n’est pas vue ; et elle ne peut pas être vue si elle n’attire pas l’attention. » 71
Luc DUPONT, op. cit. , p. 55-68 « Quels genres de titres donnent les meilleurs résultats »
118
3.1.3.1 Ny fandrafetana ny lohateny
Amin’ny lohateny dia mila dinihina manokana na ny vontoatin’ny hevitra na ny
endrika anehoana izany sy ny halavany. Raha tiana hahomby, izany hoe hahasarika ny
mason-tsain’ny olona ny hafatra iray manontolo, dia tokony haneho ny iray amin’ireto
tanisaina manaraka ireto ny vontoatin’ny hevitra aroso.
1- Lohateny manome tombony ny mpanjifa : amin’ny fandraisana ny hevitra aroso
ao amin’ny takela-by na peta-drindrina dia afaka misitraka ny tombon-tsoa avy
amin’izany izy ireo.
2- Lohateny manolotra fahaiza-manao ho an‟ny mpanjifa : ny olona amin’ny
maha-olona azy dia liana mandrakariva amin’ny zavatra mety mahasoa na
mahakasika ny fiainany, indrindra ireo torohevitra mahasoa.
3- Lohateny manolotra zavatra vaovao : isan’ny toetra maha-olona koa ny tia vao
sy mankafy izay mety ho zava-baovao. Mety mamoha ny masom-pilana ao
aminy izany, izany hoe avy amin’ny lohatenin-dahatsoratra iray no misarika azy
hamaky ny vontoatin’ny lahatsoratra izay inoany fa mety hirakitra zava-tsoa ho
azy
4- Lohateny maneho mivantana izay tiany : fomba roa no azo itrandrahana izany
dia ny filazana mivantana ny sokajin’olona andefasana hafatra (sokajin-taona,
saranga, fari-pahalalana, sokajy (lahy na vavy)…), sy / na ny fanomezana ny
tombontsoa iraisan’ireo vondron’olona iantefan’ny hafatra
5- Lohateny misintona ny fahalianan‟ny olona amin’ny alalan’ny fanontaniana,
fitsapana, fehezanteny tsy feno mamametra-panontaniana na mampite-hanohy
an’eritreritra ka misarika ny olona hanohy ny famakiana ny hafatra manontolo.
Ambonin’izany, tsy dia azo atao lava loatra koa ny lohateny fa atao
farafahabetsany manodidina ny teny 7 eo ny mamorona azy amin’ny
ankapobeny. Raha sanatria ka lasa lava dia aleo mampiasa zana-dohateny.
3.1.3.2 Ny fandrafetana ny vontoatiny
Mifameno ny lohateny sy ny vontoatiny. Vokatr’izany, mila dinihina tsara koa ny
vontoatin’ny hevitra aroso sy ny fomba fanehoana azy. Indreto misy santionany
manamora ny fananganana izany : 72
72
Luc Dupont, « Comment écrire des textes efficaces » in 1001 trucs publicitaires, 1993, p.88-101
119
1- Ny fanehoana ny maha izy azy ny tena amin‟ny fomba fanoratra
2- Ny fampiasana filaza mandidy : ny filaza mandidy dia mety manolotra soso-
kevitra na toro hevitra na baiko harahina
3- Ny fahaiza-milalao eo amin‟ny lafiny fanehoan-kevitra sy fihetseham-po
4- Ny fanaovana fohy araka izay azo atao ny fizaran‟ny lahatsoratra :
arakaraka ny mahalava ny teny ampiasaina no mampalaina ny olona hamaky
azy
5- Ny fandrosoana mialoha ny hevitra mafonja : izany no misintona ny mason-
tsain’ny mpamaky hanohy hamaky
6- Ny fanatsorana ny filazan-javatra : ny tanjona mantsy dia mba ho mora
azon’ny rehetra ny lahatsoratra
7- Fampiasana ny fiteny fampiasan‟ny olona andavanandro mba tsy hahatonga
ny olona hanakatra hevitra indray ka hisakana ny fahalianana ao aminy satria
ireny dia azon’ny rehetra
8- Fampiasana am-pahamalinana ny “ vazivazy ” (Ny tsy fiolakolahana fa
tonga dia izay tiana hambara no aseho
9- Ny fampiasaina fehezanteny fohy
10- Ny fananana fomba fijery miabo hatrany
11- Ny fanajana ny firafitry ny fehezanteny mba tsy hahatonga ny olona hanana
fisalasalana amin’ny fahazoana azy
12- Ny fanombohana ny fehezanteny amin‟ny zavatra tiana hasongadina :
dinihina tsara ny fitodiky ny fehezanteny ampiasaina
13- Ny fampisongadinana ny fifandraisana eo amin‟ny antony sy ny vokany
14- Tsy fampiasana loatra ny teboka telo : mandreraka ny sain’ny mpamaky
hanakatra ireo mbola tsy voalaza
15- Ny fampiasana ny tsoraka amin‟ny tokony hilana azy Ny fisorohana ny
fanehoan-kevitra malalaka loatra
16- Ny fitrandrahana ireo zava-mahafaly sy mahaliana ny besinimaro
17- Ny fahaizana misokatra sy maneho fitiavana amin‟ny rehetra Ny fanehoana
ny lafy tsaran‟ny zavatra hatrany (Ny fahaiza-mitrandraka ny fahombiazana
teo aloha
18- Fanambarana ny zavatra azo inoana
120
Ny fahaiza-mitrandraka sy mampiasa ireo any amin’ny lahatsoratra foronina dia
hampahomby izany, ka hampitombo ny tahan’ireo mandray azy. Rehefa sady mora
vakina na mora azo ny soratra dia manintona ny mpamaky, araka ny hevitr’i C.R.
Haas.73
3.1.3.3 Ny famoronana sary
Ny sary dia isan’ny fitaovan-tserasera. Mety ho endrika roa no isehoan’izany,
dia ny sary pihina na ny sary atao Tanana. Misy hevitra volavolain’ny mpandefa hafatra
ka asehony amin’ny alalan’ny sary. Mazàna anefa ireny sary ireny dia ampiarahina
amin’ny soratra mandrakariva, mba hanampy ny mpandray ny hafatra amin’ny
fanakarana ny hevitra tiana haseho na habaribary. Marihina fa miendrika dokam-barotra
ny serasera toy itony.
Azo ambara, amin’ny ankapobeny, fa mitovy ihany ny fototra iaingana
ananganana izany sary izany, dia ny haneho ny zava-misy na toe-javatra iray. Tombony
fotsiny, raha atao tanana izy dia afaka mamorona ny mpanao sary (araka izay hevitra
tiany hampitaina sy hasongadina) fa raha pihina kosa izy dia maneho ambony fitaovana
ilay zava-misy marina fotsiny ihany no atao. Tsy ataotao foana anefa ireny fa misy
tetika amam-paika tsy maintsy folahina sy arahina mba hampahomby izany: eo amin’ny
fandaminana ny sary izay manamora ny famakiana azy sy eo amin’ny fefin’ny sary
(cadrage).
a) Ny fandaminana ny sary izay manamora ny famakiana
azy
Misy fepetra sivy entina mampahomby ny famakiana ny sary, araka ny
fikarohana nataon’i Victor Schwab ihany :
1- Zavatra tokana na tanjona tokana no aseho.
2- Ferana ho sary enina na fito no hita eo amin’ny takelaka. 3- Atao tsotra ny fanehoana izany.
4- Ezahina ho maivana ny lafiky ny sary.
5- Aseho hiavaka ny zavatra fototra resahina. 6- Tsy azo atao ivo ny zavatra fototra resahina.
7-Tokony ho azo jerena amina fomba samihafa ny sary.74
73
HAAS (C.R.), Pratique de la publicité, 1970, p. 280 : « Tout ce qui peut contribuer à accéder la lecture
en la rendant plus facile contribue à retenir le lecteur sur le texte. » 74
Luc DUPONT, op. cit. : « Quels genres de photographies attirent le plus l’attention ? » et « 9 trucs pour
réaliser des illustrations réussies » p161-162
121
Misy fomba efatra azo amakiana ny sary :
A- Maso mandinika amin’ny lafiny efatra miendrika 1Z4
B- Maso mandinika ny sary araka ny fihodin’ny famantaranandro.
D- Maso mandinika ny antsasaky ny ambony havian’ny sary.
E- Maso mijery mialoha ny sary olona ao amin’ny sary, avy eo ireo zavatra
afaka mihetsika toy ny rahona, ny fiarakodia ary izay vao ireo tsy mihetsika. 75
8- Apetraka eny amin’ny fanambonin’ny sary ny zava-madinika tsy dia mila
asongadina loatra fa mameno hevitra ny sary, ary eny amin’ny ilany ambany ny
zava-dehibe tiana havoitra. 9- Atao manaraka fomba matihanina ny sary avoaka.
b) Ny fomba entina maneho ny sary
Ny fanehoana ny sary dia miankina amin’ny drafi-tsary na ny fomba entin’ny
mpamorona maka sy manao ny sary. Ireo drafi-tsary ireo sy ny hevitra raketiny dia
mitovy amin’ny voalaza teo aloha, dia ny fahita any amin’ny tantara an-tsary. Ny maha
samy hafa azy ireo fotsiny, ny takela-by dia mety ho sary iray ihany, tsy natao hirakitra
tantara. Noho izany, miankina amin’ny zavatra tian’ny mpamorona no asehony.
3.1.3.4 Ny fampiasana loko
Ny loko dia isan’ny fitaovan-tserasera eo anivon’ny fiarahamonina. Ny loko
rehetra ampiasaina amin’ny sary dia tsy mandehandeha ho azy, fa misy tetika amam-
paika tsy maintsy arahina vao mety ho tafita tsara ny hafatra tiana hampitaina. Ny loko
tsirairay dia samy manana ny hasiny sy ny hevitra raketiny avokoa.76
Azo raisina ho eva
na tandindona ireny loko ireny, anehoan’ny olona ny heviny, ny fihetseham-pony, ny
fiainany sy ny fahitany izany…toy ny fanehoana ny hatsaran’ny haitao, ny
fahamaivanana, ny fahalefahana, ny hamafisana, ny tanjaka, ny toetra manintona, ny
sanda, ny hafanana, ny fahamasinana, ny tsiro, ny fofona, ny maha lahy na maha-
vavy.77
Indreto ohatra vitsivitsy maneho izany:
75
Luc DUPONT, op.cit., « Comment regardons-nous une illustration », p160-161
76
Luc Dupont, op. cit., p.200 : « Si vous décidez de faire la publicité en couleur, vous devez savoir que
chaque couleur a une signification cachée. » 77
Luc Dupont, op.cit., p.201 : « vous augmentez vos chances de réussites si vous comprenez que la
couleur provoque, par un effet de synesthésie, la perception suggestive d’un degré de qualité, de légèreté,
de douceur, de dureté, de force, de prestige, de prix, de température, de pureté, de gout, d’odeur, de
féminité ou de masculinité. »
122
Loko
Hevitra raketiny : lafin-kevitra miabo / miiba Fiheverana tandefana Fiheverana Malagasy
ME
NA
Ny loko mena dia maneho ny afo sy ny ra,
tandindon’ny fitiavana, ny hafanana, ny
filàna ara-nofo, faniriana fatratra ; Ny mena
no loko mahery setra indrindra, matanjaka
indrindra ary manana taham-pahombiazana
be indrindra. Lokom-piandrianana na
fandresena. Tandindon'ny fikomiana izy
ary ampiasaina koa amin‟ireo toe-javatra
voarara sy ny fampitandremana
Mariky ny fikomiana, ny lokon‟ny devoly ary
ny afo mpanimba.
Sora-javatra volon-doko
manahatahaka ny an’ny ra na ny afo
: ady na tolona, hafanam-po
(lokon’ny ra latsaka)
Mariky ny fahefana : mena
ambanin’ny mena, ny lokon’ny
fitafian’ny mpanjaka
Fahatezerana : mena ny anao lahy
raha vao nahare izany teny izany…
MA
VO
Ny loko mavo dia maneho ny masoandro,
mariky ny hamiranana, ny fahaiza-miara-
monina amin’ny hafa (sympathie), lokon’ny
hafaliana sy ny hamamin’ny fiainana. Mitory
hafanana sy hazavana koa izy.
Ny loko mavo dia tandindon‟ny fitiavan-tena,
ny lainga na fitaka, ny fialonana, ny hambo,
ny hakanosana, halemena, ny fahatsorana
loatra (naïveté)
Vony vasobasoka
-Malotoloto: mavo ery izany
ranjonao izany
-Mavo teny : tsy arahina na ekena ny
teniny
-Mavo vava : ilazana ireo mahantra
sy sahirana ara-pivelomana :
MA
ITS
O
Ny loko maitso dia maneho ny lokon’ny
tontolo voajanahary. Mihantsy ny
fahatoniana, ny filaminana, ny fialan-tsasatra
izy. Manalefaka ny fisedrana olana ho
an’ireo olona mafana ra. Tandindon’ny
fandeferana, ny fahatsorana, ny fahasalamana
; lokon’ny fanantenana.
Enti-milaza zavatra mitovy vony
amin’ny ravin-kazo : tandindron’ny
voajanahary
-Maitso volo : ilazana ny tanora
fahatanorana
-Maitso lafika : ilazana zaza mipipy
am-pandriana
-Maitso akalo: enti-milaza taona
mahamosarena
MA
NG
A
Manambara ny lanitra ny loko manga, ny
ranomasina, ny habaka, ny rivotra ary ny
fandehandehanana (voyage). Mifanigon-
kevitra amin’ny fahafinaretana, ny
fahafahana / fahalalahana,, ny nofy, ny
hatanorana. Lokon’ny fahatoniana ny loko
manga, ny fialan-tsasatra, ary ny
fangaraharana izay mampisy ny filaminana,
fahalefahana…
Sora-javatra fitambaran’ny maitso sy
ny vony
-Volon-dokon’ny lanitra tsy misy
rahona
Fahatsarana
-Manga feo / manga ny dia : tsara,
mahafinaritra
-Ambony, malaza : olo-mangan’ny
firenena
FO
TS
Y
Taratry ny famirapiratana na fahazavana ny
loko fotsy, tandindon’ny tsy fananam-
pahataperana izay mitana ny fanantenana ny
amin’ny fahavitan-javatra. Tandindon’ny
fahadiovana ihany koa, ny tsy fananan-tsiny,
ny fahalavorariana (perfection), ny hatsaram-
bika na fihajana (chic), ny fitoniana ary ny
filaminana. Mitory fahanginana,
fangatsiahana, fahatsapan-tena ho irery.
Mitory hafoanana indraindray
Teny milaza ny loko mifanohitra
amin’ny mainty, toy ny lokon’ny
taniravo na ny ronono
-Fotsy mangatsakatsaka :
fahadiovana
-
-Fotsy tsinay : olona mandry fotsy
Fahafoanana na tsy fisiana
fotsifotsy fanahy (tsy manam-
panahy) : ilazana fahafoanana na
tsy fisiana
-Fotsy varavarana : ilazana olona
tsy mahatombina an-trano
-Fotsy feo : tsy mahay mihira
faharatsiana
123
Loko Hevitra raketiny : lafin-kevitra miabo / miiba
Fiheverana tandrefana Fiheverana Malagasy
MA
INT
Y
Mariky ny fiandrianana, ny fiavahana,
ny fihajana
Mirakitra ny hevitra hoe : maty,
fisaonana, alahelo, ny tahotra, ny
fahatsapan-tena ho irery
Maneho ny tsy fananana fanantenana
intsony, tsy misy ho avy mangirana
Enti-milaza loko mitovy amin’ny arim-
bilany, mifanohitra amin’ny fotsy
-Mainty molaly : ilazana ireo efa ela
niainana fananana traikefa,
fahamatorana
-Tandindon’ny fasana sy ny fahafatesana :
maizina, any amin’ny lalina
-Mainty piripiso : maintin‟ny tsikoko, tsy
mahava-tena fa be tseroka havoretrana
-Mainty ngerona : mainty maloto
fahalotoana
-Mainty : lokon‟ny alina feno misitery,
zavatra saro-pantarina, tahotra…
VO
LO
NT
AN
Y
Ny loko volontany dia maneho ny
lokon’ny tany, ny hazo, ny hafanana sy
ny fiadanana (confort). Mitory ny
filana ny ho an’ny tena, ny fikatsahana
izay hahasoa ny tena ara-materialy.
Taratry ny maha-lehilahy koa ny loko
volontany. Mitory fahalotoana ny loko
volontany.
Loko mifandraika amin’ny volon’ny tany
-Manaraka volon-tany : manaraka izay
fanaon’ny olona mitory fahaiza-miaina
-Mirefarefa amin‟ny tany : ilazana toetra
na fisainana ratsy ratsy saina
Fafana n°16 : Ny hevitra raketin’ny loko arak’i Luc Dupont sy ny fiheverana malagasy
notakarina tamin’ny fomba fiteniny sy ny voarakitra anaty Rakibolana malagasy
Araka izany, tsy ataotao foana, araka izay itiavana azy sy mahafinaritra ny maso
ireny loko ireny, fa ilana fitandremana sy eritreretina tsara ny fampiasana azy, fandrao
mifanipaka ny hevitra sy ny loko ampiasaina ka tsy ho tafita ny hafatra. Marihina fa
mifameno ny hevitra raketin’ny loko rehefa ampiarahana izy.
Araka ny voalaza teo aloha, tsy ny teny tenenina mivantana ihany no azo
ampitana hafatra, fa misy karazam-pantsona hafa koa. Na ireny serasera am-bava ireny
aza mazàna, mba hampazava azy tsara dia ampiarahina amin’ny sary sy soratra, ka
samy mandray ny tandrify azy avy ny andefasana hafatra: sady afaka mihaino no
mampifandray izany amin’ny soratra sy sary, mazàna miloko. Raha miresaka serasera
an-tsoratra fotsiny, mba hampazava izany tsara, hahamora ny fampitan-kafatra, dia
ampiarahina amin’ny sary sy loko izany. Samy tsy mandeha ho azy izany fa misy tetika
amam-paika enti-mandrindra izany.
124
3.1.3.5 Ny azo itrandrahana ny takela-by ao amin’ny taranja
malagasy
Isan’ny fitaovana enti-manabe ara-tontolo ao anatin’ny faritra arovana ao
Ranomafana ny takela-by. Azo raisina ho fitaovana enti-mampianatra ao amin’ny
taranja malagasy izany takela-by izay ka ny horaisina ohatra eto dia ilay takela-by
mandrara ny olona tsy hamono vorona. Amin’izany sady azo atao fitaovana enti-
mampianatra izany no azo atao modely halain-tahaka ho an’ny beazina.
Takela-by n° 1 : Takela-by ao amin’ny faritra arovana Ranomafana
Ny fikirakirana ity takela-by manentana ny olona tsy hamono vorona ity no
ampivainganana izany ary fomba efatra no entina mandinika izany : fandinihna
manokana ny soratra, fampitenenana koa ny sary ary fandikana ny hevitra raketin’ny
loko, mba hahafahana misintona hevitra faobe tian’ny mpamorona hampitaina.
▬FANDINIHANA MIAINGA AMIN’NY SORATRA
Satria, eto, fanabeazana ara-tontolo iainana no tanjona, noho izany, ilaina dia
ilaina ny manana tetika amam-paika hisintonana ny mpandray hafatra mba hamaky ny
hafatra ampitaina. Raha ambara amin’ny fomba hafa, miendrika dokam-barotra ilay
fampitan-kafatra ka ny tanjona dia hanjifa izany ny mpandalo (samy manana ny tandrify
azy : soratra ho an’ny mahay mamaky teny, sary ampitenenina ho an’ny mifanohitra
amin’izany), handray izany araka izay tandrify azy.
125
■ Raha dinihina ny lohateny dia hita fa manaitra avy hatrany :
1- “TSY HAMONO VORONA INTSONY!” : toa lohateny tsy feno, tsy misy mpilaza
na anambarana (Iza no niteny izany ary iza no tsy hamono vorona intsony?) izay
misintona sahady ny mpandray hafatra ho voafaraingo amin’ny zava-dazaina, sady
maningotra ihany koa ny mpandefa hafatra. Ambonin’izany, ny fampiasana tsoraka [!]
mitory fientanam-po dia mampibaribary avy hatrany ny fiezahan’ny mpandefa hafatra
handona ny fo aman-tsain’ny andefasany hafatra. Fanampin’izany, ny fampiasany ny
mpanampy filaza mandidy tsy…intsony dia maneho avy hatrany ny anjara asa miantso
ananan’ny serasera ataony. Sady mitana ny fifandraisana eo amin’ny iseraserany ny
mpanoratra no mitaona sy mitana azy handinika, ka hanaraka izay zava-dazainy vokatry
ny fanontaniana teraka ho azy ao an-tsainy hoe : nahoana?
2- “INAY AHO VORONA!” : lohateny misarika avy hatrany ny faniriana ao amin’ny
mpamaky, haminavina sahady ny ho vontoatin-kafatra na ny antony aniriany ny ho
tonga ho vorona.
ny lohateny eto dia manery an-kolaka ny mpamaky, mandresy lahatra azy
hamantatra ny vontoatin-kafatra toy ny any amin’ny dokam-barotra.
■ Raha jerena indray ny vontoatin-kafatra dia hita mivaingana ao ireo antony
nisafidianana ny lohateny : ny tokony tsy hamonoana vorona sy ny antony haniriana
hitovy aminy. Mampahalala ny mpanoratra eto (maneho ny anjara asa mampahalala
ananan’ny serasera). Fomba manintona no anehoany izany satria atombony amin’ny
fametrahana fanontaniana fohy, tsy manara-drafitra “VORONA?” : fohy, mora tadidy
nefa manintona. Vahany amin’ireo tohan-kevitra maromaro izany :
─ manamaivana ny andavanandrom-piainan’ny olona ( ny vorona)
─ manana anjara biriky sy anjara toerana eo amin’ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny
firenena (ny vorona) : antony roa tsy tokony hanimbazimbana azy.
■ Raha fakafakaina ny teny namaranany azy dia hita fa nezahin’ny mpanoratra ny
handresy lahatra ny mpamaky mba hanatanteraka ny voalazan‟ny lohateny, ka mba
hiaro tokoa ny vorona amin’ny alalan’ny fitaomany ny olona hanaraka ny diany
(fampiasana ny mpisolo tena laharana voalohany –ko), mitory fa tompona andraikitra
voalohany izy ary manentana ny mpiara-belona aminy (ny mpiray tanàna sy ny mpara-
milalao) hanara-dia azy.78
78
Luc DUPONT, op.cit., « Comment écrire des textes qui se vendent », p87 : « Racontez une histoire
autour de votre produit. Au lieu d’écrire un texte démonstratif (reason why), écrivez un texte de type
engagement personnel (human interest). »
126
▬FANDINIHANA MIAINGA AMIN’NY SARY
Ny ankabeazan’ireo paika enti-mamokatra sary ireo dia hita ao amin’ity sary
natao ohatra ity :
1- Ny tanjona tokana dia ny “tsy hamono vorona intsony”
2- Sary enina no tena misongadina ao : ny ala (1), ny vorona (2), ny sary famantatry ny
mpikolo tontolo iainana (3-4), zazalahy mitifitra vorona amin’ny filesy (5), ny renirano
ilomanosan’ny vorona (6).
3- Tsotra sady azo raisina ny sary amin’ny ankapobeny.
4- Ny lafiky ny sary dia ala maitso mavana, tontolo voajanahary mirindra iriariavana
zava-manana aina ankalalahana.
5- Ny zavatra fototra resahina ka asongadina dia vorona miaina malalaka hita eo
amin’ny ilany havia ambany sy ilany havanana ambony, somary lehibe miohatra
amin’ny sary hafa, eo an-jorony havanana ambany zatovolahy mitifitra vorona amin’ny
filesy nasiana tanambokovoko mena.
6- Io fototra resahina io dia tsy ivon’ny sary.
7- Fomba maromaro no azo amakiana ny sary, arakaraka ny mpijery sy ny fomba
manavanana azy na ny zavatra manaitra ny masony sy tiany hasongadina.
8- Eo amin’ny ilany ambony, zavatra tsy dia lehibe loatra fa lafiky ny sary : lanitra
manga eo ambonin’ny ala maitso mavana ; eo amin’ny fanambanin’ny sary amin’ny
ilany havanana, zatovolahy mitifi-borona amin’ny filesy nampiana tsipika mena,
mirakitra ny hafatra fototra hoe : rarana ny ankizy tsy hitifi-borona.
9- Rehefa dinihina, mora azo na ny sary na ny soratra ka azo antoka fa ho tafita ny
hafatra ampitaina, azon’ny besinimaro takarina na ny ankizy na ny tanora na ny
lehibe, na nahita fianarana na tsia.
▬ FANDINIHANA MIAINGA AMIN’NY LOKO
Raha jerena ny loko ampiasaina ao amin’ity takela-by manentana ny olona hiaro
ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny tsy famonoana ny vorona ity dia ireto no azo
ambara :
■ Ny loko mena : “TSY HAMONO VORONA!” - “INAY AHO VORONA!” - X
Ireo no zava-dehibe voarara, ampitandremana ny mpandray hafatra ; sady maninto-
maso ny loko mena noho izy loko mahery.
■ Ny loko maitso : mibahan-toerana ao amin’ny sary ; mitory ny natiora azo
itarihana ny hevitra famerenana amin’ny laoniny ny hamaitso sy ny hatsaran’ny
127
zavaboary, lokon’ny fanantenana izay mamelona indray ao am-po aman-tsaina ny
hatsara sy ny hakanton’ny tontolo iainana fototry ny fahasalamana.
■ Ny loko fotsy : nanoratana ireo andininy roa voalohany ao amin’ny tononkalo,
maneho ny fahazavana, ny tsy fananam-pahataperana izay azo itarafana ny fanantenana
fa ho tanteraka, ho takatra ny vontoatin’ny zava-dazain’ny tononkalo, manazava ny
sain’ny mpamaky ny amin’ny vontoatin-dresaka.
■ Ny loko mavo : nanoratana ny andininy farany ao amin’ny tononkalo izay
mirakitra ny hafatra tena tiana hampitaina: fandraisana andraikitra hiaro ny vorona,
tandindon’ny hafaliana rehefa miaina, ny fananana hamiranana, ny fahaiza-miaina satria
rehefa samy mandray andraikitra ny tsirairay, tsy ho simba ny tontolo ary samy hiaina
am-pilaminana sy amim-pahasambarana ny zavaboary manontolo.
▬ FANDINIHANA FAOBE : matoa nampiarahina ao anaty takela-by tokana ny sary
sy soratra nomena endrika tamin’ny loko, dia azo atao tsara ny manambatra ireo mba
hahazoana ny hafatra amin’ny ankapobeny. Ny sary dia ampy hahazoana ny hafatra,
manampy ny fanazavana ny soratra ao anatiny ary ny loko manintona ny maso hijery,
hamaky ary handinika ny voarakitra ao amin’ny takela-by
Koa mba hahatafita ny fampianarana àry dia dia mila manana fahalalana fototra
momba ny famoronan-dahatsoratra, ny famoronana sary, ary ny hevitra raketin’ny loko
ny mpianatra. Ny tekinikan’ny fananganan-dahatsoratra ampianarina azy dia ilay
voalaza teo ambony. Ampiorenim-paka indrindra amin’izany ny fikaonan-dahatsoratra
eo amin’ny lafiny hevitra sy eo amin’ny endrika ivelany anehoana izany, dia tsy inona
fa ny fitaovana atolotry ny teny.
Rehefa fantatra amin’ny ankapobeny izany tetika amam-paika notanisaina teo
aloha ireo dia azo atao tsara ny mampiasa izany ho fitaovam-pampianarana. Marihina
anefa fa tsy ampianarina manokana ireo fa ampahalalaina ny mpianatra amin’ny fotoana
ampiasana azy, izany hoe amin’ny fotoana ampiasana ny sary na takela-by na loko any
amin’ny asa fampianarana. Miainga avy amin’izany koa no ahafahany mamorona ka toy
ny modely izy amin’izany. Fahalalana sady ilaina amin’ny fiainana andavanandro,
amin’ny maha fahalalana ankapobeny azy, no ampiasaina koa amin’ny fanakaran-
kevitra, ny famoronana karazan-dahatsoratra samihafa na manoritsoritra izany na
manazava na mandresy lahatra na mitantara.
128
Azo atao tsara koa ny mampamorona takela-by ny mpianatra mikasika ny
fiarovana ny tontolo iainana na mifandraika amin’ny lohahevitra trandrahana an-
dakilasy.
3.2 Fampianarana miainga amin’ny kisary mandranitra saina na mind mapping
Ny kisary mandranitra saina na ny mind mapping, antsoina koa hoe carte
mentale, dia fanehoana ho hita maso ny zavatra ao an-tsaina, noforonin’i Tony Buzan,
psikôlôjia britanika fanta-daza amin’ny fikarohana mikasika ny vaikan’ny ati-doha
Araka ny fikarohana nataony dia hita amin’ity fomba fiasa ity dia mihetsika daholo ny
ankabeazan’ny fahaiza-manao ao amin’ny ati-doha sy ny fampifandraisana izany, ny
fahitana isan-karazany, ny fahazoana, ny fandravonana ary ny fitadidiana, izay samy
voatrandraka ao avokoa.79
Tany amin’ny taona fitopolo tany no namoronany izany
kisary mandranitra saina izany ary voadika tamin’ny teny roa amby roapolo (22). Fa
inona marina moa no tanjon’ny kisary mandranitra saina, ahoana ny fomba
fanatanterahana izany ary inona kosa no azo ampiasana izany ao amin’ny taranja
malagasy?
3.2.1 Ny tanjon’ny kisary mandranitra saina
Zava-droa loha no kendrena amin’ny fampiasana ny kisary mandranitra saina :
ny fitrandrahana ny fahafaha-manao eo amin’ny atidoha manontolo, izany hoe
fampiaraha-miasan’ny atidoha havia sy havanana, izay samy manana ny
fahaiza-manao manandrify ny tsilontsain’ny tsirairay avy,
ny fanehoana indray mijery amin’ny endrika mifintina fa mazava ny lohahevitra
lehibe iray, ka amin’izany miara-miasa ao amin’ny kisary na ny soratra na ny
sary na zavatra hafa enti-maneho ilay hevitra toy ny eva na loko…
79
Tony BUZAN, The mind-map book : how to use radiant thinking to maximize your brain‟s untapped
potential, 2008 : « On mobilise les facultés majeures du cerveau et l’on se donne la possibilité de libérer
et développer des capacités d’association, de visualisation, de compréhension, de synthèse et de
mémorisation »
129
Indro ohatra iray maneho izany mikasika ny fitaovam-pitaterana sy ny
manodidina azy :
Kisary n°12: Tony Buzan, fitaovam-pitaterana aseho an-kisary mandranitra saina
Fanamarihana : Niniana notazomina ny teny frantsay mba hampazava kokoa ny ohatra.
Ity ohatra noraisina ity izao dia maneho ny karazam-pitaterana misy ka
amin’izany dia hita indray mijery anaty takelaka iray izany fitaovam-pitaterana izany sy
ny mombamomba azy, miaraka amin’ny sary sy soratra manazava azy.
3.2.2 Ny paikam-pananganana kisary mandranitra saina
Araka ny hita amin’ny ohatra eo ambony, ny kisary mandranitra saina dia
miendrika hazo lehibe iray misandrahaka, izay mbola maneho mandrakariva fa manana
anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny ala (hazo). Amin’izany, misy toro
marika vitsivitsy tokony harahina mba hahomby tsara ny fanehoana, araka ny
namolavolan’ny mpamorona azy ihany dia Tony BUZAN :
Maka pejy iray (atsivalana raha kahie tsotra)
Atao eo afovoan’ny pejy ny lohahevitra hofakafakaina
Miainga avy amin’izay no amoronana ireo sampana mirakitra ireo lafin-kevitra
samihafa mifandraika amin’ny lohahevitra
130
Atao mazava tsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo lafin-kevitra aroso
Mila mampiasa teny fototra manan-danja sy mora tadidy
Soratana mazava tsara eo amin’ny sampana ny hevitra tsirairay, arindra tsara
mba tsy hibahana
Manaraka an-tanan-tohatra mazava tsara, asiana laharana mazava tsara ary
marihina manokana izay ilana izany (atao anaty boribory na mahitsizoro…)
Mampiasa sary na loko samihafa hoenti-manaitra ny masontsaina, mba
hahamora ny fijerena sy ny fitadidiana izany
Mampiasa famantatra mifanaraka amin’ny hevitry ny tsirairay na famantatra
iombonana
Raha ny marina izany, ny kisary mandranitra saina, dia toy ny fanehoana an-
tsary mifintina lohahevitra iray, miampy ireo teny manan-danja mifanaraka sy
manazava izany, mba hahamora ny fahazoana azy.
Raha ny ohatra natolotra etsy ambony izao no jerena dia hita ao daholo na ny
soratra na ny sary na ny loko mifandraika amin’ny hevitra voizina. Azo raisina ohatra
amin’izany ny loko manga, nenti-naneho ny rano misy trondro kely tsirairay amin’ny
fitaterana an-dranomasina ; ny loko maitso maneho ny lokon’ny zavaboary ety
ambonin’ny tany miampy ireo voninkazo kely tsirairay ; ny loko mavo enti-maneho ny
habaka ho an’ny fitaterana an’habakabaka, miampy sarin-drahona.
Mifameno ireo mba hahazoana sy hitadidiana ny vontoatin’ny lohahevitra
hampitaina, sady vita seho anaty pejy iray, izay mifintina nefa hita ao daholo ireo lafin-
kevitra tokony ho hita isaky ny lohahevitra, raha toa ka atao seho maromaro izany raha
jerena tsirairay.
3.2.3 Ny maha-zava-dehibe ny fampiasana kisary mandranitra saina
amin’ny fampianarana
131
Toy ny fitaovana enti-mampianatra rehetra dia manana ny maha izy azy
manokana ny kisary mandranitra saina na eo amin’ny fototra iaingana izany, na eo
amin’ny lafiny fanomanana, na amin’ny lafiny fanehoana, na eo amin’ny lafiny
haifampianarana.
Raha eo amin’ny fototra iaingana, ny kisary mandranitra saina dia natao
indrindra, araka ny voalaza teo aloha, mba hampiasana ny atidoha havia sy
havanan’ny beazina, mba hampiakatra ny taham-pahombiazany eo amin’ny
fandrantoam-pahalalana. Ambonin’izany, ny kisary mandranitra saina dia
fitaovana iray ahafahana manatanteraka ireto lafin-javatra vitsivitsy ireto :
Mamorona
Mandrindra sy mitadidy hevitra
Mamakafaka sy mifantoka amin’ny lohahevitra dinihina
Mijery sy maneho ireo lafin-kevitra fototra
Mahita ireo fifandraisana eo amin’ireo lafin-kevitra samihafa mamorona
ny lohahevitra
Raha eo amin’ny fomba fanehoana indray, dia hita fa mifintina ny asa nefa
afaka misandrahaka amina hevitra maro : azo atao anaty takelaka iray ny
vontoantin-desona mikasika lohahevitra iray. Amin’izany, mivoatra hatrany ny
asa famoronana ao an-tsain’ny beazina, ary mampiitatra hatrany ny fomba fijery
sy ny fananana toe-tsaina lojika izany.
Raha eo amin’ny fanatanterahana kosa dia hita fa mihena ny seho
anatanterahana ny lesona, fa mety ho vita anaty seho iray na seho vitsivitsy
izany. Vokatr’izany, manamora ny fampitam-pahalalana izany sady mitsitsy
fotoana kokoa.
Raha eo amin’ny lafiny haifampianarana, ity endri-pampitam-pahalalana ity dia
isan’ny manome vahana ny beazina amin’ny lafiny rehetra, satria mampivelatra
ny maha-olona azy amin’ny fitrandrahana ireo tsilontsaina ao aminy. Tafiditra
ao amin’ny haimampita mavitrika izany. Amin’izany, ny mpampianatra dia
mpitarika fotsiny ihany, fa ny beazina no manatanteraka ny asa fianarana
amin’ny ampahany betsaka. Raha ny marina aza, misy fotoana amelana ny
132
mpianatra hanangana samy irery ny kisary mandrainitra saina. Isan’ny paikam-
pampianarana mamolavola ny beazina hahaleo tena ity fomba fiasa ity.
3.2.4 Ny ampiasana ny kisary mandranitra saina ao amin’ny taranja malagasy
Azo trandrahana tsara ao amin’ny taranja malagasy ity fitaovana enti-
mampianatra ity. Ary lafiny misandrahaka no mety ampiasana izany toy ireto tanisaina
manaraka ireto : ny famintinan-desona, ny famelabelaran-kevitra, ny tatitra ary ny
fizakan-tenan’ny beazina amin’ny fianarany.
3.2.4.1 Famintinana lesona
Azo atao fitaovana enti-mampianatra hampitana lesona izany, ka amin’izany azo
atao tsara ny mampanao fikarohana ny beazina ny lohahevitra hotrandrahana, ary atao
isan-tsokajy isaky ny zana-dohahevitra. Mety haseho amina famelabelaran-kevitra izany
dia fintinina amina takila iray miendrika kisary mandranitra saina izy rehetra, izany hoe
ny kisary mandranitra saina dia entina mamintina ny lesona rehetra ho hita anaty
takelaka iray.
Mety ho angon-kevitra koa no iaingana hoenti-manangana ny lesona ka ny
hevitra avy any amin’ny tsirairay no mandrafitra ny fahalalana rantoviny. Tompona
andraikitra feno izy amin’izany amin’ny asa fianarana ataony ary ny anjaran’ny
mpampianatra dia ny manitsy sy / na manovona izay tsy hitan’ny beazina fotsiny.
3.2.4.2 Famelabelaran-kevitra
Rehefa manao famelabelaran-kevitra, dia azo atao tsara ny mitrandraka ity
fomba fiasa ity. Amin’izany hita anaty takelaka lehibe iray avokoa ny fintin’ny zavatra
holazaina, ka anjaran’ny mpamelabelatra ny manazava izany, araka ny nanomanany
azy. Amin’izany, hita mivantana sy mivaingana eo anoloan’ny maso ny vontoatim-
pahalalana sy ny fifandraisan’izany, manamora ny fandraisana sy ny fitadidiana izany.
3.2.4.3 Tatitra
133
Tsy misy hafa amin’izany, azo aseho amin’ity kisary mandranitra saina ity koa
ny tatitra. Amin’izany, mila misafidy tsara ny tohana (support) entina manao ny tatitra
mba hahafahana maneho tsara ny fifandraisana eo amin’ireo lafin-kevitra isan-karazany
novahavahana.
3.2.4.4 Fizakan-tenan’ny beazina amin’ny fianarany
Raha ny tena marina, ny kisary mandranitra saina dia natao indrindra hanampy
ny beazina hananany fizakan-tena amin’ny fianarana ataony : na eo amin’ny fikarohana
ataony izany na eo amin’ny famintinana ny fahalalana azony. Araka ny natsidika teo
aloha, izy beazina ihany no tokony hampiafanaraka ny kisary sy ny hevitra mifandraika
amin’izany mba hampahomby ny fitadidiana sy ny fikirakirany izany.
3.3 Fampianarana eny anivon’ny tontolo
Ny sekoly dia sehatra iray natao handrantoam-pahalalana amam-pahaizana. Ny
fahalalana rantovina an-tsekoly anefa, dia mahenika ny andavanandrom-piainan’ny
olona sy ny fiarahamonina, araka ny hita teo amin’ny fizarana voalohany. Izany
indrindra no antony anatanterahana fampianarana ivelan’ny rindrina efatry ny sekoly na
ny fampianarana eny anivon’ny tontolo, mba hahafaha-mampifandafatra ny fahalalana
teorika sy ny zava-misy, hahazoana fahalalana sy fahaiza-manao vaovao.
3.3.1 Ny anarana samihafa iantsoana ny fampianarana eny anivon’ny
tontolo
Izany fampianarana eny anivon’ny tontolo izany dia notsoahina avy amin’ireo
voambolan-tsehatra enti-manondro ny fampianarana ivelan’ny rindrina efatra, navahana
araka ny tontolo ivelaran’ny fampianarana dia ny classe verte, ny classe de découverte
ary ny classe transplantée, samy taratry ny haimampita mavitrika mifototra amin’ny
mpianatra.
Ny classe verte na kilasy maitso dia fampianarana atao eny anivon’ny tontolo
voajanahary, izany hoe ny fampianarana dia nafototra indrindra amin’ny
fandinihana sy ny fikirakirana ny tontolo. Ity ilay endri-panabeazana mifototra
amin’ny tontolo iainana.
134
Ny classe de découverte na kilasim-pizahana dia fampianarana manome vahana
ny fandinihana amam-piandalinana ataon’ny mpianatra eny anivon’ny tontolo
izay mety ho voajanahary nefa mety ho ny tontolom-piarahamonina koa.
Ny classe transplantée na kilasy afindra toerana dia fampianarana tanterahina
ivelan’ny rindrina efatry ny sekoly.
Izany fampianarana eny anivon’ny tontolo izany dia manome aina sy endrika
hafa ny fampianarana, amin’ny fanomezany lanja ny fifampikasohan’ny mpianatra
mivantana amin’ny tontolo manodidina azy, na voajanahary izany na ara-
piarahamonina. Na dia eo aza ireo fitaovana enti-mampianatra fampiasa sy manara-
penitra toy ny lahatsoratra notsoahina avy amin’ny boky aman-gazety, ny angon-
kevitra, ny haino aman-jery isan-karazany, dia samy hafa ny fiontanam-po sy ny
fahalalana azo entin’ny fahitana sy fiatrehana mivantana ilay toe-javatra.
3.3.2 Ny endrika isehoan’ny fampianarana eny anivon’ny tontolo
Misy endrika maromaro mety hisehoan’izany fampianarana eny anivon’ny
tontolo izany. Ireny karazam-pivoahana ireny dia manome vahana hatrany ny
fifampikasohana mivantana amin’ny tontolo sy manome sehatra ny beazina ho ivon’ny
fampianarana. Indreto santionany vitsivitsy azo tanterahina :
Ny fitsidihana toerana manan-tantara : isan’ny fitsidihana azo atao ny
fandehanana eny amin’ireny toerana manan-tantara ireny, ka raha eto
Antananarivo manokana no jerena dia azo atao, ohatra, ny mandeha amin’ireny
toerana nisy ny mpanjaka ireny na ireo tendrombohitra roa ambin’ny folo (12)
ka isan’izany Ambohimanga, Antsahadinta, Ilafy, Ambohitrabiby… Ambara ho
toeran’andriana mantsy izy ireny, izay manana ny hasiny sy ny mampiavaka azy
manokana ara-tantara sy ara-boajanahary… Azo atao tsara ny mitrandraka
tantaram-pirenena amin’ny alalan’ny fitsidihana ireny toerana ireny. Nefa azo
trandrahana ihany koa lohahevitra toy ny HASINA, izay tafiditra ao anatin’ny
fandaharam-pianaran’ny kilasy voalohany: ny hasin’ny zavaboary, ny hasin’ny
toerana, ny hasin’ny tompom-pahefana…
Ny fitsidihana toerana manan-kasina : na eto anivon-tany na any anindrana dia
ahitana toerana manan-kasina avokoa. Tafiditra ao anatin’ireny ireo doany na
toerana ilevenan’ireo mpanjaka sy andriana isan-tsokajiny, ireo tany na toerana
fady izay mifaningotra amina tantara toy ny farihy masina any andrefan’i
135
Madagasikara, ny fihamy ao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, ny ala fady
(fandevenana) any amin’ny faritra atsinanana… Misy finoana amam-pivavahana
mandrakariva miafitra ambadik’ireny toerana ireny, izay trandrahana ao amin’ny
kilasy voalohany sy famaranana.
Ny fitsidihana tranom-bakoka : misy toerana natokana hatao tranom-bakoka,
hitahirizana ireo rakitry ny ela. Mirakitra tantara sy lovan-tsofina maro izy ireny.
Mitahiry sy mivoy kolontsaina toy ny hita eny amin’ny rovan’Ilafy. Azo atao
tsara ny mitrandraka ireo riba fiampitana manamarika ireo dingam-piainana
lalovan’ny olona mandritra ny fiainany, tafiditra ao amin’ny fandaharam-
pianaran’ny kilasy fahefatra sy fahatelo.80
Ny firotsahana an-tsehatra : azo atao tsara koa ny mirotsaka an-tsehatra
mivantana, izany hoe manatrika fomba mivantana, manadihady eny an-tsehatra,
na manatrika na manao asa ifotony. Azo raisina ohatra amin’izany ny fitsidihana
tantsaha mpamboly, mpiompy, mpanao taozavatra mifandray amin’ny
lohahevitra : ny asa sy ny fihariana ao amin’ny kilasy fahafito, ny fandrosoana
ao amin’ny kilasy fahafolo. Azo atao koa ny manatrika fomba toy ny riba
fiampitana : famorana, famadihana…
Ny fitsidihana valan-javaboary : sehatra iray ahafahan’ny beazina
mifampikasoka amin’ny tontolo voajanahary : mianoka ny hatsarany ho
fahafinaretan’ny maso, misitraka ny soa omeny (ny rivotra madio, ny filaminana
entiny), mamantatra ny fiaimpiainan’ny olona amin’ireny faritra ireny (ny
kolontsaina izay mety miaro na manimba tontolo iainana). Azon’ny kilasy
rehetra isan’ambaratonga atao ny manatanteraka izany, fa ny lohahevitra sy ny
lafin-javatra trandrahana mandritra ny fitsidihana no miova, araka ny kilasin’ny
beazina. Indreto ohatra vitsivitsy :
80
Araka ny fanazavana nomen’ny mpiandraikitra ny rova eny Ilafy, Andriamatoa RAJOELINA
136
Karazam-pitsidihana
Ny toerana azo aleha Ny lohahevitra azo dinihina
Toerana manan-
tantara
Toerana ahitana rova
nonenan’ny mpanjaka
fahiny : Ambohimanga,
Antsahadinta,
Manjakamiadana…
Ny hasina, ny soatoavina malagasy, ny
finoana amam-pivavahana
Toerana manan-
kasina/tany fady
Doany (toerana mitahiry
ireo razan’andriana misy
manasina) : Ambohimanga,
Ambatofahavalo,
Ambatomirahavavy…
Ny hasin’ny razana, ny finoana amam-
pivavahan’ny Malagasy
Tranom-bakoka Ilafy -Ny fomba amam-panao Malagasy
mifandraika amin’ny riba fiampitana:
fahaterahana, famorana, fanambadiana,
fahafatesana, famadihana
-Ny dingam-piainana lalovan’ny
olombelona mandritra ny fahavelomany sy
aorian’ny fahafatesana
Firotsahana an-
tsehatra
Fitsidihana fomba fihariana
: fambolena, fiompiana,
jono…
-Ny Malagasy sy ny fihariany
Fitsidihana valan-
javaboary
Ireo valan-javaboary
arovana : an-tanety,
amorontsiraka ary an-
dranomasina
-Ny fiharian’ny mponina
- Ny maha-zava-dehibe ny faritra arovana
-Ny teny sy ny fitenim-paritra
-Ny teny sy ny kolon-tsaina
-Ny kolontsaina sy ny tontolo iainana
Fafana n°17 : Ny mpiadina , tolo-kevitra amin’ny fitsidihana azo atao
Ny fanaovana tetikasa sekoly maitso : isan’ny fikajiana sy fitsinjovana
mivantana ny tontolo iainana ny fanatanterahana ny sekoly maitso, izany hoe
fikarakarana ny zaridainan’ny sekoly, mety ho zaridaina lehibe na zaridaina kely
antsoina hoe microjardin (fomba fikarakaraina zaridaina amin’ny toerana tery ka
azo anatanterahana izany fambolena izany na amin’ny tavoahangy na volo na
siny…)81
3.3.3 Ny maha-zava-dehibe ny fampianarana eny anivon’ny tontolo
Maro ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampianarana eny anivon’ny tontolo.
Azo sokajiana anaty lohahevitra telo lehibe izany dia eo amin’ny lafiny fampianarana
teny, eo amin’ny lafiny fanabeazana momba ny tontolo iainana ary eo amin’ny lafiny
haifampianarana.
81
Jereo : 2.1.3.3 Maneho ny atao ho fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana, p.77
137
3.3.3.1 Eo amin’ny fandrantoam-pahalalana
Satria ny tanjon’ny fampianarana voalohany indrindra dia ny hanome fahalalana
ny beazina. Araka izany, na dia somary miendrika fialam-boly aza ny fianarana atao dia
kendrena hatrany ny hahazoan’ny mpianatra fahalalana, araka izay azo atao. Ny
fampianarana atao no miova endrika sy miova sehatra, fa ny asa atao dia mitovy ihany.
Koa ny mpianatra mandranto fahalalana eny anivon’ny tontolo dia tokony ho afaka :
Mampifandray ny fahalalana norantoviny tan-tsekoly sy ny endrika ahitana sy
iainana izany eo amin‟ny fiainana andavanandro
Ny endri-pampianarana toy itony dia azo raisina ho fampivainganana ny
fahalalana azo an-dakilasy na atao mialoha ny fampianarana teorika izy, na mandritra na
aoriany. Tsara, araka izany, raha mahay mampifandray ny fahalalana ananany amin’ny
zava-misy hitany ny mpianatra, mba hahafahany manome lanja azy roa ireo
hampahomby ny fianarana ataony.
Koa ny mpianatra manatanteraka fampianarana eny anivon’ny tontolo àry dia :
afaka mampiasa ny fahalalana teorika ananany mba hahafahany
mampifandray izany amin’ny zava-misy hitany,
afaka mitadidy ny zavatra hitany sy henony mba hahafahany mahazo
tsara ny fahalalana teorika nomena azy sy mba hahafahany koa manome
ohatra mivaingana hanohanana fanazavana na handresen-dahatra,
afaka manome lanja ny fahalalana ananany manokana, ny traikefa
niainany na henony, mba hahatsapany fa misy fahalalana tsy voatery ho
hita eny anivon’ny sekoly, nefa hita eny anivon’ny tontolo sy ny
fiarahamonina.
Lafin-javatra roa samihafa saingy mifameno ireo mba hahafeno ny fahalalana
ananana.
Mampifandray ny tontolom-piarahamonina misy sy ny tontolo iainana
Ny safidin’ny toerana entina manatontosa ny fampianarana ivelan’ny rindrina
efatry ny sekoly dia tokony hifanandrify tsara, araka izay azo atao, amin’ny lohahevitra
tiana hotrandrahana sy ho hitan’ny beazina mivantana. Araka izany, azo atao tsara ny
mitrandraka ny sehatry ny tontolo iainana sy ny manodidina, tsy eo amin’ny lafiny
mifandraika amin’ny lohahevitra ihany, fa eo amin’ny lafiny ifandringotany amin’ny
fiainam-piarahamonina toy ny fihariana, ny kolontsaina sy fomba amam-panaon’ny
mponina ao, ny finoana amam-pivavahany…
138
Vokatry ny fahitan’ny beazina ny tontolo iainana mivantana sy ny
hasarobidin’izany, dia tokony hanana toe-tsaina mandinika sy manahy izy, ka
hahatsiaro, fa tsy afa-misaraka amin’ny tontolo iainana ny fiainan’ny olona. Ny
fahatsapany izany no manampy azy hitandrina amin’ny hetsika rehetra ataony.
Maka fahafinaretana amin‟ny fizahana ombam-pahitana ataony
Azo ambara fa ny fiarahamonina dia miraki-pahalalana maro. Tokony hahatsapa
izany ny beazina ary hiaina izany mivantana mandritra ny fivoahana ataony.
Vokatr’izany, ny beazina dia tokony hahay hanararaotra handranto fahalalana amin’ny
fahaiza-manaony manokana sy haka fahafinaretana amin’izany, satria ny beazina
mahazo fy sy manao ezaka manokana amin’ny fianarana ataony, dia hahazo sy
hahatadidy ny fahalalana norantoviny tamin’ny herin’ny tenany, ary afaka manambara
izany amin’ny manodidina azy.
Koa ny mpianatra nanatrika ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia tokony
ho afaka mandinika ny zavatra manodidina azy am-pahatoniana sy am-pahalianana ary
ho afaka ihany koa maneho ny heviny sy ny fahitany izany.
3.3.3.2 Eo amin’ny fampivelarana ny maha-olona
Ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia sehatra iray ahafahan’ny beazina
maka traikefa amin’ny fiainana anivona vondrona. Rehefa any an-dakilasy dia tsy
maintsy misy fitsipika iombonana apetraky ny sekoly sy ny mpampianatra/mpanabe
hoenti-mifehy ny beazina sy mandrindra ny fiarahamonina an-dakilasy. Rehefa manao
fivoahana kosa anefa, dia toromarika no omena ny beazina, fa tsy fitsipika hentitra
mamehy toy ny any an-dakilasy. Ny ankamaroan’izany fitsipika izany aza, dia
manodidina ny fahaiza-miaina sy ny fitondran-tena eny anivon’ny fianarana an-
kalamanjana. Atao ifaneraserana amina olona maro samihafa izany, miampy
fampahatsiahivana fa asa fianarana no atao fa tsy fitsangantsanganana na lalao. Araka
izany, ny fampianarana ivelan’ny sekoly dia sehatra mamolavola ny beazina hahaleo
tena sy hanana ny maha izy azy. Koa ny beazina manatanteraka fampianarana eny
anivon’ny tontolo àry dia afaka :
mandray andraikitra eo anivon‟ny vondrona misy azy sady tompona andraikitra
amin‟ny tenany ihany koa
Any an-dakilasy, ny andraikitra dia nozaraina mazava tsara mba hanaraka tsingerina
tsy hampisy tombo sy hala ny beazina. Rehefa manao dia fibeazana kosa dia zaraina
139
vondrona fotsiny ny beazina dia anjaran’ny isam-bondrona no mandrindra ny
andraikitry ny tsirairay ao aminy na tarihin’ny mpampianatra ny fitsinjaran’asa.
Fiantombohan’ny fandraisana andraikitra sy fizakan-tena izany.
manatanteraka hetsika mitokana amin‟ny fiainany, fa tsy miandry baikoina, ary
ho afaka mangataka fanampiana amin‟ny olona manana fahafahana hanao
izany
Any an-dakilasy, ny mpampianatra irery ihany no olon-dehibe azo anontaniana
sy hakana torohevitra. Rehefa mandeha mivoaka kosa dia sokajin’olona maromaro no
miandraikitra ny beazina, izay samy manana ny andraikiny avokoa. Ao ny miandraikitra
ny lafiny fampitam-pahalalana, ny fitsipi-pifehezana toy ny mpitarika, ka ny andraikitry
ny mpampianatra dia manampy na manamafy ny fanazavana ; ao koa ny mpiandraikitra
manampy ny beazina amin’izay manahirana azy… Anjaran’ny beazina ny manatona
ireny mpiandraikitra tsirairay ireny araka ny toe-javatra ilainy. Anjaran’ny beazina,
ohatra, ny mitandrina ny fananany manokana, manontany ny mpiandraikitra azy
amin’ireo lafin-javatra manahirana azy.
mandrakitra sy mandrafitra an-tsoratra na am-bava ny zavatra hitany sy ny
heviny mikasika lohahevitra iray nanaovana fanadihadiana
Ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia sehatra iray ahafahan’ny beazina
maneho ny heviny sy ny fiheviny. Hifanehatra amina antontam-pahalalana izy ireo ary
tsy azo ferana ny fiheverany manokana mikasika ireny toe-javatra hita sy ambara azy
ireny. Aorian’ny fivoahana iray dia tsy tokony hohadinoina ny manontany ny fomba
fahitan’ny beazina tsirairay ny fianarana natao, mba hahafaha-manombana izany.
Tokony hisy ihany koa tombana an-tsoratra ataon’ny isam-batan’olona na isam-
bondrona.
Ho fehin’izany rehetra izany, ny fampianarana anivon’ny tontolo dia
fampivelarana ny mahaolona tokoa satria :
manaitra ny vavahadin-tsain’ny beazina ho liana sy hankafy ny fandrantoam-
pahalalana izay mampivelatra ny saina ;
mikolokolo ny vatan’ny beazina amin’ny alalan’ny dia eny am-pitsidihana ;
manome fahafinaretana ny beazina, mikolokolo ny fihetseham-pony vokatry ny
hafaliana ateraky ny fifampikasohana amin’ny natiora, ny fiarahan’ny samy
beazina, ny fahafahana eny am-pikatsaham-pahalalana ;
140
mampivelatra ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-mifanerasera amin’ny hafa,
mamolavola ny beazina hizaka sy hahafehy tena ;
mampivelatra sy mampivoatra ny fahaiza-mikirakira ny teny na am-bava izany
na an-tsoratra, izay singa manavaka ny olona amin’ny zavaboary hafa.
3.3.3.3 Eo amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana
Ny tanjon’ny fanabeazana ivelan’ny rindrina efatra dia famelana ny beazina
hifampikasoka amin’ny tontolony. Ny fanabeazana momba ny tontolo iainana anefa dia
fanabeazana manome lanja ny tontolo iainana sy miorina amin’izany. Azo trandrahana
eny anivon’ny tontolo daholo na ny fanabeazana mifototra amin’ny tontolo iainana na
ny fanabeazana mitsijo ny tontolo iainana,82
satria amin’ireny fotoana ireny dia mahita
sy mamantatra ny tontolo iainany ny beazina, ary misintona lesona sy fahalalana
miainga avy amin’ireny. Mitarika azy hahatakatra sy hahatsapa tsikelikely ny
hasarobidin’ny tontolony ireny fahalalana azony ireny ka manosika azy hikolo, hiaro sy
ho saro-piaro amin’izany.
3.3.3.4 Eo amin’ny haifampianarana
Ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia manome vahana ny haifampianarana
mavitrika, izany hoe atao mifototra betsaka amin’ny beazina ny asa fianarana. Amin’ny
endri-pampianarana toy itony, ny beazina no miezaka mandranto ny fahalalana ilainy, fa
ny mpampianatra/mpanabe dia mpanara-maso fotsiny ihany, mpanao fanamarihana na
mpanome fanampim-panazavana. Ny beazina no mihaino ny fanazavana omen’ny
mpitarika. Izy no mandray naoty sy mametraka fanontaniana. Izy koa no manao tatitra
amin’ny alalan’ny fandravonana ny naoty voarainy na an-tsoratra izany na amin’ny feo
na an-tsary miampy izay tadidiny avy amin’izay hitany sy reny.
Ity endri-pampianarana ity koa dia manome sehatra mivantana ny
fampifandraisan-taranja. Tsy amin’ny fitrandrahana fahalalana mifototra amin’ny
lohahevitra iray ihany, fa manetsika ihany koa ny fahalalana rehetra ananana sy ny
fahaiza-manao eo amin’ny karazan-taranja isanisany. Hahafahana mahazo toe-javatra
saro-draisina na manatanteraka hetsika manoloana seha-kevitra manjavozavo iray koa
82
Jereo : 0.3 Zava-kendrena, p.3
141
izany. Amin’ny fivoahana hitsidika toerana manan-tantara iray, ohatra, dia miditra an-
tsehatra ny fanabeazana ara-batana, ny tantara sy jeogirafia, ny siansa ary indrindra ny
fampianarana teny.
Ambonin’ireo rehetra ireo, ny fampianarana ivelan’ny rindrina efatra dia azo
lazaina, fa isan’ny fampianarana manome sehatra ny fizahana ombam-pahitana, izay
miteraka fihetseham-po sy fahafinaretana eo amin’ny beazina. Amin’izany dia azo
ambara fa mianatra eny am-pialana voly ny beazina. Mampitombo ny faharisihana
hianatra izany, satria mitarika ny saina ho tia karokaroka, ho liana hahalala ny tontolo
sy ny manodidina azy, izay manamafy ny fahalalana efa ananana sy mampitombo izany
hatrany. Tsy azo lavina, fa ho an’ny beazina, ny fivoahana toy ireny, na dia eo aza ny
maha-fianarana azy, dia hararaotina hatrany mba hialana voly. Anjaran’ny
mpampianatra/ mpanabe ny mamefy sy mitarika ny mpianany tsy ho variana amin’ny
zavatra hafa, fa hifantoka amin’ny fianarana atao, dieny any am-pianarana hatreny am-
panaovana fitsidihana.
Tsy tokony hohadinoina koa fa ny fivoahana toy itony, dia fotoana iray
ampianarana sy hanazarana ny beazina hiaina sy hahay hiaina anaty vondrona.
Manampy azy ireo ihany koa hahay hiaina sy hifanerasera amin’ny manodidina azy, tsy
amin’ny mpiara-mianatra aminy ihany, fa amin’ireo sokajin’olona ifaneraserany eny
amin’ny tontolo anaovany fitsidihana na fanadihadiana.
Araka izany, mamolavola ny maha olona ny beazina manontolo ny fivoahana
ary manery azy an-kolaka ho olona tompona andraikitra amin’ny tenany sy ny
manodidina azy, izay tsy voatery ho olona, fa mety ho ny tontolo iainana koa.
3.3.3.5 Eo amin’ny fampianarana teny
Ny fampianarana taranja malagasy, amin’ny maha-fampianarana teny azy, dia
mikatsaka mandrakariva ny famolavolana ny beazina hahafehy izany teny izany na am-
bava izany na an-tsoratra. Koa ny fanaovana fivoahana enti-mibe amin’ny alalan’ny
fanatanterahana ny fampianarana eny anivon’ny tontolo, dia manampy betsaka
amin’izany. tsy maintsy misy ny serasera atao : serasera an-tsoratra mialoha sy
aorian’ny fivoahana, serasera am-bava mandritra ny fitsidihana na fanadihadiana, rehefa
misy fivoahana toy ireny.
Misy fikarohana ataon’ny beazina mikasika ny toerana hotsidihana na ny
lohahevitra hohadihadiana, mba tsy hahatonga ny asa fianarana ho toy ny zava-baovao
142
tsy mbola hita na heno mihitsy, mialoha ny fivoahana. Ilaina koa izany mba hahafahana
miomana sahady amin’ny endri-panontaniana tokony hapetraka, mba hampahomby ny
fianarana atao.
Mandritra ny fivoahana kosa, mba hampahomby ny asa fianarana atao, dia misy
ny serasera atao. Misy hatrany ireo olona mpanazava sy mpitari-dalana, amin’ireny
fitsidihana na fanadihadiana ireny, ka miainga amin’ny fanazavana omeny no miteraka
ny fanontaniana samihafa manodidina ny toe-javatra hazavaina. Amin’ireny, mandray
naoty hatrany ny beazina mba hiraketana an-tsoratra ny fanazavana na mandray feo sy /
na sary. Famolavolana ny beazina hahafolaka ny serasera avokoa izany.
Rehefa aorian’ny fivoahana kosa dia misy tatitra atao ahafaha-manombana hoe
hatraiza ny tahan’ny fahombiazan’ny fivoahana? Inona avy ireo fahalalana voarakitra ka
tokony halentika tsara na ireo madilana tokony hotentenina sy tokony hohalalinina?
Mazàna no atao an-tsoratra ireny, nefa azo atao ihany koa ny manatanteraka izany am-
bava na an-tsary na an-tsary mihetsika.
Ambonin’izany, ny fampianarana ivelan’ny rindrina efatra dia natao indrindra,
mba hahafahan’ny beazina mampifandray ny fampianarana teorika amin’ny zava-misy
marina eo anivon’ny tontolo sy iainan’ny olona ao anaty fiaraha-monina, amin’ny
ankapobeny. Mety ho fototra enti-manorina ny fahalalana any an-dakilasy koa izany.
Any an-dakilasy tokoa dia fampianarana miendrika eva no omena ny beazina, fa rehefa
mirotsaka eny anivon’ny fiarahamonina sy eny anivon’ny tontolo izy, dia afaka mahita,
mahatsapa ary miaina ny tena zava-misy amin’ny endriny marina sy ny iainan’ny olona
azy. Mety ho hita eny koa ny ho fivoaran’izany na ny mifamadika amin’izay.
Vokatr’izany, ny fanatanterahana fampianarana eny anivon’ny tontolo dia asa
fandeteham-pahalalana sy fototra ahitana fahalalana vaovao, ary indrindra sehatra iray
ahafaha-mikirakira ny teny amin’ny endriny rehetra.
3.3.4 Ny fahaiza-manao isitrahan’ny beazina
Amin’ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia ny beazina no ivon’ny
fampianarana, izany hoe izy no miantoka feno ny fahalalana rantoviny amin’ny
alalan’ny fandinihana ny tontolo, ny fihainoana ny fanazavana omen’ny mpitarika, ny
fahalianany amin’ny asa ataony, ny fametrahany fanontaniana…
143
Araka izany, misy ireo fahalalana fototra izay tsy maintsy omena sy ananan’ny
beazina, mba hahafahany miatrika ny fivoahana. Azo sokajiana ho efatra izany dia ny
fahaiza-mandray naoty, ny fahaiza-mametraka fanontaniana, ny fahaiza-miaina ary ny
fahaiza-manao tatitra.
3.3.4.1 Ny fahaiza-mametraka fanontaniana
Manamora ny fanadihadiana ataon’ny beazina ny fahaiza-mametraka
fanontaniana, izay mety ho aorian’ny famelabelarana, nefa mety koa ho eny an-
tsefatsefan’ny fanazavana omen’ny mpitarika. Mety ho fanontaniana efa nomanina
mialoha izany, ka entina manokatra ny resaka na ampiasaina araka ny fotoana
mahamety azy na apetraka misesy, araka ny fahalalana tiana ho azo. Ireny fanontaniana
apetraka ireny dia sady manampy amin’ny fahazoana ny naoty raisina no mameno ny
fahalalana rantovina. Manampy amin’ny fifantohana sy ny fandraisana naoty ny
fananana sy fampiasana ireo fanontaniana ireo.
Raha raisina ho tranga iray ny fitsidihana atao dia tokony ahatarafana sy hiodina
amin’ny fampiasana ireto mpisolo manontany ireto :
Kisary n°13 : Ny mpiadina, paika enti -mametraka fanontaniana
Azo atao koa ny mitsinjara ny fanontaniana, araka ny toetrany sy mampiasa
izany, araka ny tanjona tratrarin’ny mpanontany, dia ny fahalalana tiany ho azo. Azo
sokajiana ho telo izany dia ny fanontaniana enti-manokatra sy mitazona ny
fifandraisana, ny fanontaniana enti-mahazo fahalalana voafaritra mazava ary ny
fanontaniana ilana fahamalinana.
TRANGA na ZAVA-MISY
Inona? : ahalalana ny hevitra fototra ifotoran’ny
famelabelarana
Ahoana ? : ahitana ny
fifandraisana eo amin’ny hevitra
vahavahana
Maninona/ nahoana? : ahatarafana ny
fanazavana sy ny fototra niorenan’ny
hevitra nambara na ny antony
nahatonga izany
Firy ? : manamora ny fahafantarana izay
rehetra mety isa na laharana mifandraika
amin’ny lohahevitra trandrahana
Iza ? : ahalalala izay olona na
zavatra ifantohan’ny lohahevitra trandrahana Oviana ? : ahitana ny fiseho
sy ny fisesin’ny fotoana
ambara
Aiza ? : ahitana ny toerana
voakasiky ny lohahevitra
trandrahana na mifandraika amin’izany
144
1- Ireo fanontaniana enti-manokatra sy mitazona ny fifandraisana
Misy karazam-panontaniana natao indrindra mba hampahomby ny fanokafan-
dresaka sy ho fitazonana fifandraisana toy ireto tanisaina manaraka ireto :
Ny fanontaniana mpanohy resaka izay manamora ny fitohizan’ny resaka.
Miainga avy amin’ny resaka teo aloha, io karazam-panontaniana io dia
manentana ny anontaniana hamelabelatra kokoa izay zavatra nolazainy. Azo
raisina ohatra amin’izany : Izany hoe? Amin‟ny fomba ahoana? Amin‟ny tranga
toy inona? Amin‟ny lafiny manao ahoana? Miaraka amin‟iza? Ohatra hoe…
Ny fanontaniana misokatra izay mitaky valin-teny somary mivelatra sy
voavahavaha kokoa toy ny : Ahoana? Manao ahoana? Maninona? Nahoana?
Ireo karazam-panontaniana ireo dia manery ny anontaniana hanome fanazavana
mazava sy ny heviny manokana.
Ny fanontaniana mitaratra izay fanontaniana miainga amin’ny valin-teny
omen’ny anontaniana atao amin’ny endrika manontany. Ny fanontaniana toy
ireny dia miteraka ady hevitra tsy miteraka olana na manapaka ny fifandraisana.
2- Ireo karazam-panontaniana enti-mahazo fahalalana voafaritra mazava
Misy indray karazam-panontaniana mivantana, tsy miteraka ady hevitra fa
mitaky valim-panontaniana hentitra sy mazava. Ohatra azo raisina amin’izany :
Ny fanontaniana mikatona izay fanontaniana mitaky valiny hoe eny na tsia toy
ny hoe :
-…ve… ?
-Ahoana ny hevitrao mikasika ny…?
-Azonao atao ve ny miresaka momba ny …?
Ireny fanontaniana ireny dia manana valiny misandrahaka izay manosika ny
anontaniana hanome ny heviny, izay mazana valiny roa mifangarika na mifanipaka
mihitsy. Miantoka fahazoam-pahalalana feno izany.
Ny fanontaniana hentitra na manome fahalalana toy ny : Iza ? (T)Aiza?
Ahoana? Oviana ? Firy ? …
Ny valin-teny azo amin’ny fanontaniana toy ireo dia mazava saingy mety
hanapaka ny resaka raha toa ka tsy hay ny mandrindra azy.
145
3- Ireo karazam-panontaniana ilana fahamalinana
Misy kosa karazam-panontanina ilana fahamalinana noho izy manana fomba
fijery mety haneho lafy ratsin-javatra, ka mety hanelingelina ny fisainana sy ny fomba
famalin’ny itenenana.
Ny fanontaniana mitaky soso-kevitra izay mifototra indrindra amin’ny lafin-
javatra mahakasika ny anontaniana toy ny hoe :
-Tsy mba nieritreritra izatsy na izaroa ve ianao?
-Inona no lafin-javatra manelingelina anao : ny … ve?
Araka izany, maka ny toeran’ny anontaniana ny mpanontany ka mahasadaikatra
ny anontaniana ny hamaly. Mitory fikaviaviana eo amin’ny mpanontany ny
fanontaniana toy ireny, nefa mety hahomby ihany amin’ny fitadiavana ireo lafin-javatra
tsy ambaran’ny anontaniana mihitsy.
Ny fanontaniana misy fandrika izay mikendry indrindra ny hahatonga ny
anontaniana hanana hevitra tsy marim-pototra fa misy fanahiana. Fampiasan’ny
mpampiasa hampiditra mpiasa, ny polisy mpanadihady olo-meloka izany
amin’ny fametrahana fanontaniana diso mampiseho ny marina sy ny zava-nisy
toy ity ohatra manaraka ity :
-Tsara ny andro tamin‟ny Alahady e!
-Tsia! Avy ny orana ka!
-Dia inona no nataonao tany…?
3.3.4.3 Ny fahaiza-mandray naoty
Satria fampianarana ivelan’ny rindrina efatra no tanterahina, vokatr’izany,
mitana anjara toerana lehibe amin’izany ny beazina. Miainga amin’ny fandinihana ny
tontolo sy ny zava-misy ary ny fahaiza-mihaino ny fanazavana omen’ny mpitarika ny
fampianarana, eto. Tokony hahay mandray naoty ny beazina, araka izany. Fa ahoana
tokoa moa ny fandraisana naoty? Inona no toetra takina hahombiazan’izany? Ary
ahoana ny paika hoenti-mampahomby ny fandraisana naoty.
146
Ny hoe mandray naoty raha faritana dia fisafidianana ombam-pandaminana ny
hevitra manan-danja avy amina fampahalalana iray arahin’ny fanehoana izany amin’ny
fomba mazava, mba hahafahana mampiasa izany indray.83
Araka izany, ny naoty raisina
izany dia mirakitra ireo hevitra fototra, izany hoe ireo tena ilaina amin’ireo zavatra heno
ihany.
Ny vontoatin’ny naoty raisina kosa dia ny tohan-kevitra (Azo atao ny mampiasa
marika toy ny teboka, kintana, tsipika… mba hanavahana ireny tohan-kevitra ireny)
izay arahina famaritana, fanazavana, ohatra. Tokony horaisina koa ireo teny manan-
danja izay mety ahitana fahasamihafan-kevitra na maneho hevitra hentitra.
Mba hampahomby ny fandraisana naoty dia misy lafin-javatra roa takina
amin’ny beazina, dia ny fahaiza-mandinika sy ny fahaiza-mihaino. Fianarana eny
anivon’ny tontolo no tanjona, fampivaingana ny fahalalana amin’ny zava-misy miainga
amina lohahevitra voafaritra tsara. Vokatr’izany, tsy maintsy manana fifantohana
tanteraka amin’ny zavatra atao sy ny andrasana aminy ny beazina : sady mandinika ny
tontolo manodidina ifantohan’ny fanazavana no mihaino ny fanazavana omen’ny
mpitarika. Tokony hisy zohin-kevitra tsy tapaka ao anatin’ny sain’ny beazina, fa raha
tsy izany dia tsy hisy heviny ny naoty raisiny.
Ambonin’izany, tena zava-dehibe mihitsy ho an’ny mpandray naoty ny mahazo
ny naoty noraisiny, mba hahatonga izany naoty izany hanampy azy amin’ny fitadidiana
ny fahalalana norantoviny sy hanamora ny fandrindrana izany, ho fahalalana
mivaingana azo ampiasaina indray. Mba hahamora izany dia azon’ny beazina atao ny
mamerina amin’ny fomba hafa nefa mifintina ny hevitra nambara ampiarahina amin’ny
fanafohezan-teny, ny tandindona, ny fampiasana teny hafa (frantsay na angilisy, ohatra).
Indreto ohatra vitsivitsy azo ampiasaina :
Eva (symboles)
Fanafohizan-teny (abréviations)
Findramana teny hafa
Anton-javatra @ : amin’ny
Voka-javatra Zvt : zavatra (relation) : fifandraisana
Sinton-kevitra b : olombelona In / dns : ao anatin’ny
< kely noho… FM : fiaraha-monina Pb (problèmes) : olana
> lehibe noho…. M/sy : Malagasy Ex (exemple) : ohatra
midina Aa : Andriamanitra Def° (définition) : famaritana
miakatra fan : fandrosoana Intro (intoduction) : teny fampidirana
! tandremo Oh : ohatra Dvpt (développement) : famelablarana
: sy Lht : lahatsoratra na lahateny C ° (conclusion) : teny famaranana
: misy Ltt : literatiora
Fafana n°18 : Ny mpiadina, ny fanafohezan-teny
83
http://w.w.w. wikipédia.com/prendre des notes : « Prendre des notes c’est sélectionner puis organiser
l’essentiel d’une information et de la présenter de façon claire pour pouvoir la réutiliser.»
147
Marihina fa ny fanafohizan-teny dia tokony ho famoronana avy amin’ny
tsirairay, ka ny tsirairay ihany no mahalala ny eva nampiasainy sy ny mety ho
dikan’izany ankoatra ireo efa fampiasa andavanandro iraisan’ny besinimaro. Tsy mety,
araka izany, ny mandika ny naotin’ny hafa. Ny tsirairay no mahita sy mahafantatra ny
zohin-kevitra nentiny nandray naoty, ka izy irery ihany no mety hahazo sy ho afaka
mampiasa izany indray amin’ny tatitra hataony na fandravonana ny fahalalana azony.
Toy izao manaraka izao raha fintinina an-tsary ireo paika enti-mandray naoty :
Kisary n°14 : paikam-pandraisana naoty
3.3.4.3 Ny fahaiza-miaina
Ny fampianarana eny anivon’ny tontolo dia tsy mikendry fotsiny ny tanjona ara-
pahalalana, fa mamolavola indrindra koa ny beazina ho olom-pirenena vanona. Isan’ny
sehatra iray hamolavolana ny beazina hahay hitondra tena, hahay hiaina eo anivon’ny
fiaraha-monina ny fampianarana ivelan’ny rindrina efatra. Amin’ny ankapobeny, ny
hevitra fototra mikasika ny fahaiza-miaina dia omena any an-tsekoly, eny anivon’ny
ankohonana sy izay mety ho toeram-panabeazana, fa ny fampiharana ireny mivantana
dia mandritra ireny fivoahana ireny. Azo atao tsara, araka izany, ny mandrefy sy
mamolavola ny fahaiza-miainan’ny beazina mandritra ny fivoahana. Azo itarafana izany
na ny fahaiza-miserasera amin’ny manodidina (fanajana ny olona ifaneraserana), na ny
fanajana ny tontolo manodidina (fanajana ny fady, ny tontolo iainana…).
Mampakatra ny
tahan’ny fahazoana
fahalalana
Mampifandray ny
tranga sy ny hevitra
mikasika izany
Hafatra na fahalalana omena
Mihaino sy mandinika
Mandray naoty
Manasokajy Manatsara ny fandraisana ny
fahalalana Manamora ny fahazoana ny
fahalalana
Teny fampidirana Teny
famaranana Famintinana …
Tranga, hevi-dehibe zana-
kevitra, famaritana …
Ohatra, fanehoana ,
fanazavana … Fampitahana,
fifanoherana, anton-
javatra ,voka-javatra…
Mandamina
Misafidy ireo
hevitra manan-
danja
Mampivelatra ny
fahaiza-mandinika
sy mandravon-
kevitra
Mitadidy
148
3.3.4.4 Ny fahaiza-manao tatitra
Mba hahafahana manombana ny asa fianarana natao dia misy ny tombana atao.
Amin’ny ankapobeny izany tombana izany dia mihodidina mandrakariva amin’ireto
tanisaina manaraka ireto : ny fahafehezana ny fahalalana norantovina, ny fahaiza-
maneho izany anaty tatitra am-bava na an-tsoratra na an-tsary na an-tsarimihetsika.
Ny atao hoe tatitra dia lahatsoratra na lahateny na fampirantiana an-tsary enti-
mitatitra na mampahafantatra zavatra iray: valandresaka, boky, fivoriana, fampisehoana,
fitsidihana toerana… Fitsidihana toerana no resaka eto. Vokatr’izany, ny tatritra atao dia
tokony hahatarafana ireto lafin-javatra manaraka ireto :
1- Ny mombamomba ny toerana : famariparitana azy ara-jeogirafia enti-
mamantatra ilay toerana : anaran’ny toerana, ny fokontany sy ny fivondronana
ary ny faritra ary ny faritany misy azy, ny tanàna manodidina azy (ao atsimo, ao
avaratra, ao andrefana, ao atsinanana)
2- Ny mombamomba ny mponina : ny isany, ny fivelomany, ny finoany…
3- Ny tantarany : ny nahatonga ny anarany, ny mpitondra nifanesy tao…
Ny fizarana voalohany amin’ny asa dia mifandray betsaka amin’ny tantara sy
jeogirafia
4- Ny vontoatin’ny fitsidihana : miankina amin’ny lohahevitra notrandrahana sy ny
drafitra ifanarahana na safidin’ny beazina tsirairay na ny isan-tsokajy.
Araka ny natsidika teo aloha dia azo sokajiana ho telo izany tatitra izany : ny
tatitra an-tsoratra, ny tatitra am-bava ary ny tatitra an-tsary na sarimihetsika, ka ny
vontoatin’ireo dia mitovy, fa ny fomba fanehoana azy no samy hafa. Misy drafitra
tokony harahina amin’izany : ny teny fampidirana, ny vontoatiny ary ny teny
famaranana.
Ao amin’ny teny fampidirana dia tokony hahitana teny milazalaza ny daty sy ny
toerana naleha, ny fototry ny fitsidihana, ny fizotry ny fitsidihana amin’ny ankapobeny
ary ny drafitra itondrana ny tatitra.
Ao amin’ny vontoatiny kosa no ahitana ny famahavahana ny drafitra naroso ary
ny teny famaranana dia tokony hahitana ny famintinana ny vontoatin’ny tatitra, ny
hevitry ny beazina manokana momba ny fitsidihana natao ( ny fihetseham-pony, ny ako
sy lanjan’ny fitsidihana natao amin’ny fianarany sy ny maha-olona azy), ary tolo-
kevitra na kiana hoenti-manatsara ny fitsidihana amin’ny ho avy.
149
Ny tatitra an-tsoratra
Raha eo amin’ny fanehoana ny vontoatin’ny asa no asian-teny manokana dia azo
ambara fa ny tatitra an-tsoratra no fototra iaingana. Ao amin’izany tatitra izany dia
ezahina ny hahafeno ny fanazavana na an-tsoratra izany na an-tsary. Tsy azo hadinoina
fa mora azo kokoa ny fanazavana omban-tsary. Azo anaovana tombana amin’izany
tatitra an-tsoratra izany avokoa na ny lafiny hevitra, ny lafiny fanehoan-kevitra na ny
fitsipi-panoratana.
Ny tatitra am-bava
Rehefa amin’ny tatitra am-bava kosa dia sorohina ny manao tatitra miendrika
vakiteny izany hoe ny tatitra am-tsoratra no vakina ranoray. Ny tatitra am-bava ambara
etoana dia tatitra miendrika famelabelaran-kevitra. Amin’izany, maka ny toeran’ny
mpampianatra ny mpanao tatitra ary manazava araka izay azo atao ny anjara lohahevitra
tandrify azy. Ny tsara indrindra, mba tsy hahavery ny mpanatrika ny tatitra dia mila
soratana eny amin’ny solaitrabe na amina afisy ny lohahevitra hanaovana tatitra sy ny
drafitra itondrana ny asa. Tokony haseho ao koa ireo hevitra mafonja saingy fintinina ka
ny fanazavana am-bava no mameno azy. Azo aseho an-tsary na an-kisary izany, izay
mampifandray toe-javatra na tranga (zava-misy) iray amin’ny antony, ny vokany ; ny
olana, ny vahaolana…
Ohatra : Nanao fitsidihana tany amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara ny
beazina tao amin’ny kilasy faharoa. Tafiditra ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny
kilasy fahafolo ny lohahevitra hoe: fandrosoana. Nodinihina manokana tamin’izany ny
momba ny jono sy ny ho aviny any amin’iny faritra iny ary ny fampandrosoana. Ny
vezo tokoa mantsy dia mivelona amin’ny jono. Miainga avy amin’ny zavatra hita sy
nambaran’ny mponina tany ny tatitra ka arindra mba hisy lojika. Tsy azo hadinoina fa
ny beazina dia volavolaina hanana fomba fijery siantifika hatrany amin’ny zavatra
ataony, indrindra amin’ireo lafin-javatra tsy miankina amin’ny finoana. Raha
ampanaovina tatitra mikasika ny toe-java-misy tany izy ireo ary asaina mitady
vahaolana manoloana izany dia toy izao no mety ho drafitra nitondrana ny tatitra :
150
Rehefa manao tatitra am-bava miendrika famelabelaran-kevitra dia azo aseho
an-kisary ireo vontoatin-kevitra misongadina ao ka ny fanazavana rehetra dia atao am-
bava. Atao hita mivaingana ao anatin’ny kisary ireo fifandraisana misy amin’ireo
hevitra aroso ka ezahina ho mora vakina ny kisary. Miditra an-tsehatra amin’izany na
ny endri-tsoratra na ny haben’ny soratra na ny loko hoenti-maneho hevitra. Ny hisintona
ny mason’ny mpihaino mantsy no tanjona. Azo ampiarahina amin’ny sary koa izany,
sary manampy ny fanazavana, manamora ny fahazoana ny famelabelarana.
NY JONO SY NY HO AVINY ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMO
ANDREFANA
1. Filazalazana ny mombamomba ny faritra sy ny mponina
2. Ny olana mipetraka eo amin’ny harena an-dranomasina
2.1. Ny haintany
2.2. Ny fahantrana
2.3. Ny fitomboan’ny mponina
2.4. Fanjonoana tsy manara-penitra
2.4.1. Ny fanapoizinana
2.4.2. Ny fampiasana harato kely maso
3. Ny vokatr’izany
3.1. Eo amin’ny harena an-dranomasina
3.1.1. Ny fahavitsian’ny harena an-dranomasina
3.1.2. Ny fahasimban’ny tontolo an-dranomasina
3.2. Eo amin’ny fiainan’ny mponina
4. Ny vahaolana hoenti-manarina izany
4.1. Fiarovana ny tontolo an-dranomasina : fananganana faritra arovana
4.2. Fikajiana ny rohivoaary an-dranomasina
4.3. Fanjonoana manara-penitra
4.3.1. Ny fampiasana fitaovana manara-penitra
4.3.2. Fanajana ny fotoam-panjonoana
151
Toy izao kisary manaraka izao no anehoana ny vontoatin’ny tatitra am-bava
saingy ampiarahina tohana an-tsoratra mba ho mora kokoa ny fahazoana azy:
Kisary n°15 : Ny mpiadina, olana mipetraka eo amin’ny harenan-dranomasina
OLANA MIPETRAKA EO AMIN’NY HARENA AN-DRANOMASINA
HAINTANY FAHANTRANA FITOMBOAN’NY MPONINA
MITOMBO NY ISAN’IREO
MPANJONO
Misy fifanin anana eo amin’ny mpanjono
Fampiasana FITAOVANA TSY MANARA-PENITRA
fanaPOIZINAna Fampiasana HARATO KELY MASO
SIMBA ny tontolo
iainan’ny trondro VOAJONO hatramin’ny
ZANA-TRONDRO
TSY afaka
MAMPITOMBO
TARANAKAintsony
ireo harena an-
dranomasina
MARARY ny harena
an-dranomasina
VITSY sisa ireo harena azo
JONOINA
Tsy ampy ny sakafo Mihena ny vola miditra
FAHANTRANA
VAHAOLANA
Fiarovana ireo faritra tena saro-
pady
FANJONOANA MANARA-PENITRA
Fikajiana ny rohioaary an-dranomasina fonenan’ny
hazan-dranomasina
Fampiasana fitaovana manara-penitra Fanajana ny fotoana fanatodizan’ny hazan-
dranomasina hahafahany mitombo
FAMPANDROSOANA MAHARITRA
152
Ny tatitra an-tsary na fampirantiana
Ny fampirantiana dia fitaovan-tserasera natao hanehoan-kevitra izay ahitana sary
omban-dahatsoratra, manazava ny sary, aseho mivantana amina toerana iray, mba ho
mora vakina sy raisin’ny mpamaky. Ny teny hoe fampirantiana dia avy amin’ny
matoanteny hoe mampiranty izay midika ho maneho ho hita maso.
Tsy mandeha ho azy izany fampirantiana izany fa misy fomba enti-manangana
azy mba hahomby sy ho mora vakina ary horaisin’ny mpamaky, izay mpandray ny
hafatra. Mila arindra avokoa na ny toerana antanterahana azy na ny zavatra ametahana
azy na ny endrika anehoana azy.
Ny toerana anaovana fampirantiana : zava-dehibe ny fisafidianana ny toerana
mba hahafahana mametraka ny takela-kazo na vy asiana ireo tatitra an-tsary.
Mila kajiana tsara ny elanelana misy ireo takelaka mba hanamora ny
fivezivezena sy hampahomby ny asa. Amin’izany, ny mpitsidika ny
fampirantiana dia tsy tokony hanana fahasiharanana eo amin’ny fijerena sy
famakiana ny takelaka tsirairay.
Ny fisafidianana ny sary sy ny soratra ampiarahina aminy : ezahina hatrany ny
hampifanaraka tsara ny sary amin’ny soratra enti-manazava ny sary, ka
amin’izany ny soratra dia ezahina tsy ho lava loatra fa ny vontoatin-dresaka no
ezahina asongadina. Ny fanazavana fanampiny dia tanterahin’ny mpampiranty.
Ezahina koa ny soratra mba ho mora vakina eo amin’ny endriny (tokony ho ireo
endri-tsoratra tsotra, tsy mandry) sy ny habeny (izay tsy tokony ho latsaky ny 24
caractères, atao matavy). Tsy azo hadinoina ny mampiasa ny loko mifandraika
amin’ny hevitra raketin’ny soratra.84
Ny fipetraky ny sary sy ny soratra ao anaty takelaka : tokony hisy rindra eo
amin’ny fametahana ny sary sy ny soratra ao anaty takelaka. Tokony hanana
endrika mitovy izany mba hanamora ny fomba famakian’ny mpitsidika azy,
indrindra ny haavon’ny sary tsirairay.
84
Jereo : 3.1.3.4 Eo amin’ny fampiasana loko, p.117
153
FEHINY
Araka izany, azo atao tsara ny manovaova ny fantsona entina mampita
fahalalana aty amin’ny fampianarana taranja malagasy : ny sary na ny sary omban-
tsoratra, ny tantara an-tsary ny kisary tsotra na ny kisary mandranitra saina, izay
tanterahina ao anatin’ny rindrina efatry ny sekoly. Fa mameno ireo ny fampianarana
eny anivon’ny tontolo, izay tsy vitan’ny hoe manome vahana ny beazina amin’ny
fandrantoam-pahalalana ataony sy ny fizakan-tenany amin’izany indrindra koa, fa
fototra iray ahafahan’ny taranja mifandray amin’ny taranja hafa mba hampivelarana ny
fampiarana amin’ny sehatra mivelatra kokoa.
Samy manana ny maha izay azy ireny karazana fantsona na fitaovana enti-
mampianatra ireny, izay samy ahafaha-mitrandraka ny tsilontsaina ao amin’ny beazina
izay mandranto fahalalana. Ambonin’izany manome aina kokoa ny fampianarana ny
fisian’iereny karazana fitaovana enti-mampianatra ireny, ka misarika hatrany ny
fahazoana, ny faharisihana, ny fifantohan’ny beazina amin’ny asa ataony.
Ambonin’izany, samy manetsika ny ati-doha manontolon’ny beazina izy ireo ka
azo antoka fa hampitombo ny taham-pahombiazan’ny fanabeazana azy sy ny fianarana
ataony. Amin’ireo karazana fitaovana enti-mampianatra ireo dia ny ny beazina no
ivon’ny fampianaranan ka miainga aminy na afototra aminy ny fianarana ataony.
Marihina manokana ny fampianarana eny anivon’ny tontolo izay sady ahazoana
tombony eo amin’ny lafiny fandrantoam-pahalalana, no mampivelatra ny
fahafehezan’ny beazina ny teny sy ny serasera amin’ny alalan’ny resaka sy ny an-
tsoratra. Manamafy orina ny fahaiza-manao ananan’ny beazina ihany koa izy. Tsy
hadinoina amin’izany ny fifampikasohana mivantana amin’ny tontolo iainana mba
hianohana ny hakantony sy hahalalana ny hasarobidiny.
Ambonin’izany, miezaka hatrany ny hizaka tena amin’ny lafiny maro ny beazina
nanatrika fanabeazana eny anivon’ny tontolo : fandrantoam-pahalalana, fahaiza-miaina
sy fifandraisana amin’ny manodidina.
Ireo karazam-pitaovana enti-mampianatra naroso ireo dia samy manome
vahana ny beazina amin’ny fandrantoam-pahalalana ataony, noho izy afototra indrindra
amin’ny fitrandrahana ireo tsilontsaina marolafy ao aminy. Tsy afototra fotsiny amin’ny
soratra izany, fa asandrahaka amin’ny sehatra andrantoam-pahalalana mba hanomezana
tombon-dahiny ny tiana hotrandrahana toy ny sary na kisary na fampianarana eny
anivon’ny tontolo, izay fampianarana manetsika ny atidoha manontolon’ny beazina.
TENY FAMARANANA
153
TENY FAMARANANA
Ny vontoatin’izao asa fikarohana izao, dia fampifanindranan-dalana ny
fampianarana taranja malagasy amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana.
Amin’izany, ezahina mandrakariva ny hampiditra ny resaka momba ny tontolo iainana,
araka izay azo atao, amin’ny asa fampianarana na eo amin’ny vontoatin-desona izany na
eo amin’ny fitarihan-desona na eo amin’ny fitaovana ampiasaina hoenti-mampianatra.
Endrika roa no mety isehoan’izany : na ny fampianarana afototra amin’ny tontolo
iainana, izany hoe lasa fitaovana enti-mampianatra ny tontolo iainana na ny hetsika
fampianarana dia mamolavola ny beazina hikolo ny tontolo iainana.
Olana telo lehibe no nezahina novahana tamin’izao asa fikarohana izao.
Fampidirana ny tontolo iainana anaty fampianarana no tanjona. Iaraha-mahalala, fa
olana iraisam-pirenena ny fahasimban’ny tontolo iainana ka ilana fanarenana haingana
sy maharitra. Vokatr’izany, rehefa nojerena hoe hatraiza ao amin’ny fandaharam-
pianarana ny anjara toerana nametrahana ny tontolo iainana dia tsikaritra fa misy ireo
lohahevitra azo itrandrahana izany tontolo iainana izany ao anaty fandaharam-pianarana
saingy mila halalinina izany raha tiana ho tratra ny tanjona.
Tsapa manaraka izany, fa ny taranja malagasy dia toa taranja mitoka-monina tsy
mifandray amin’ny hafa, izany hoe mikombona amin’ny tenany samy irery, amin’ny
ankapobeny : amin’ny fampianarana taranja malagasy dia izy irery ihany no teny
ampisaina ary mazàna ny mpampianatra dia tsy dia mampiseho ny fifandraisan’ny
taranja hafa (indrindra ny teny hafa) amin’ny fampianarana. Izy rahateo, tsy dia
ampiasaina firy amin’ny taranja hafa satria amin’ny ankapobeny ny teny frantsay no
teny enti-mampianatra. Tsy lavina anefa fa ny taranja malagasy dia afa-mivelatra amina
taranja maro, amin’ny maha teny ibeazana ho an’ny Malagasy azy fa ny mpampianatra
indraindray no tsy dia mahay mitrandraka izany, araka ny tokony ho izy.
Ilaina, araka izany ny fampifandraisan-taranja eo amin’ny fampianarana
samihafa mba hampisy lanja ny taranja tsirairay avy. Mila mahafehy izany ny mpanabe
tsirairay avy ara miara-miasa amina taranja hafa.
Ambonin’izany, tsy dia misy fivoarana loatra eo amin’ny fitaovana enti-
mampianatra fa amin’ny ankapobeny dia miainga amina lahatsoratra izany, araka ny
fanadihadiana natao tamina mpampianatra vitsivitsy amina toeram-pampianarana
samihafa (miankina ny tsy miankina amin’ny fanjakana, ambanivohitra sy
andrenivohitra). Toa lasa fahazarana fa tsy miaina sy iainana ny fampianarana ary lasa
tsy dia mahaliana loatra. Mila fanovaovana, araka izany, araka izany ny fitaovazna enti-
154
mampianatra mba tsy hahamonamonaina ny fampianarana sy hitrandrahana ny
tsilontsaina ifotoran’ny fahalianan’ny beazina.
Araka izany, lafin-javatra telo lehibe no nironan’izao asa fikarohana izao :
ny fitsikerana ny anjara toeran’ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy,
araka ny fandaharam-pianarana, sy araka ny fampiharana izany eny anivon’ny
sekoly, mba hahafaha-manatsara azy ;
ny fanolorana hevitra mikasika ny fampianarana taranja malagasy mirindra
amin’ny tontolo iainana, miainga amin’ny lahatsoratra, izay fitaovana mahazatra
ny mpampianatra amin’ny ankapobeny ;
tolo-kevitra mikasika ireo fitaovana enti-mampianatra hafa, mba hahafahana
mampivelatra ny taranja malagasy amin’ny taranja hafa, sy mba hahafahana
mitrandraka ny tsilontsaina ao amin’ny beazina.
Rehefa nodinihina ny momba ny tontolo iainana sy ny filôzôfia malagasy
mifaningotra amin’izany, dia hita, fa ny ankapobem-piainan’ny Malagasy dia miankina
amin’ny tontolo iainana avokoa: ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-pitantanana, ara-
panabeazana, ara-kolontsaina amam-pivavahana, hatramin’ny fandaminam-piainana
amin’ny ankapobeny. Noho ny filana andavanandron’ny olona anefa, dia nihasimba
tsikelikely izany tontolo iainana izany. Madagasikara rahateo, isan’ny tany mahantra,
izay miankina betsaka amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary ny ankapobem-
piainany, saingy mitrandraka fotsiny, fa tsy mijery ny mety ho fiantraikan’izany any
aoriana. Vokatr’izany, mihamikorosy fahana hatrany ny kalitaon’ny tontolo iainana.
Rehefa nojerena indray, ny anjara toerana nomena na azo itrandrahana ny
tontolo iainana ao anaty fandaharam-pianarana, izay nahitana, fa azo atao tsara ny
mitrandraka ny tontolo iainana ao amin’ny taranja malagasy. Ankoatra ireo fandaharam-
pianarana izay mijery manokana ny momba ny tontolo iainana, dia azo atao tsara koa ny
mampifandray ny vontoatim-pampianarana hafa (riba, literatiora), amin’ny tontolo
iainana fa ny tanjona no mila amboarina ary ny vontoatin-desona no mila ampiana
hifanaraka amin’izany tanjona apetraka izany.
Farany, ny fanadihadiana natao tamina mpampianatra vitsivitsy namantarana ny
anjara toerana nomena ny tontolo iainana rehefa mampianatra izy ireo. Tamin’izany no
nahitana fa tsy manana anjara toerana firy ao amin’ny fampianarana ny tontolo iainana,
ankoatra ny fandaharam-pianarana nitrandraka izany mivantana. Ny fitaovana enti-
mampianatra indray amin’ny ankapobeny, dia lahatsoratra na angon-kevitra na
155
famelabelaran-kevitra. Araka izany, tsy ampy ny fitaovana hoenti-mampianatra
hahafaha-mitrandraka ny tsilontsain’ny beazina, sy hahafaha-manetsika miaraka ny ila-
atidoha havia sy havanany, izay samy manana ny asany.
Misy àry ireo tolo-kevitra hahafaha-manatontosa ny fampianarana taranja
malagasy mirindra amin’ny tontolo iainana, ka ny lahatsoratra, izay fitaovana enti-
mampianatra mahazatra ny ankamaroan’ny mpampianatra no iaingana. Tamin’izany no
nanolorana ireo santionana lahatsoratra azo iaingana hahafaha-mitrandraka ny tontolo
iainana ao amin’ny taranja malagasy, na eo amin’ny fampianarana literatiora izany na
eo amin’ny fampianarana riba. Ao amin’ny fampianarana sokajin-dahatsoratra izay
fototra iorenan’ny famoronan-dahatsoratra (kilasy fahatelo), ny fanadihadiana sy ny
famakafakana (kilasy famaranana) anadinana any amin’ny fanadinam-panjakana sy
hoentin’ny beazina miatrika ny fiainany eny anivon’ny fiarahamonina misy azy.
Azo atao tsara ny mitrandraka ny tontolo iainana amin’ireo zana-taranja misy ao
amin’ny taranja malagasy, ka misy lafin-kevitra tokony havoitra amin’izany, izay samy
manome lanja ny tontolo iainana, na amin’ny fampianarana sokajin-dahatsoratra izany
na amin’ny fampianarana riba. Tsy hadinoina ny fitrandrahana ny lafiny kanto eo
amin’ny literatiora, indrindra eo amin’ny lahatsoratra mitantara.
Mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana dia misy ireo karazana
fitaovana enti-mampianatra hafa azo ampiasaina mba hahafahana mitrandraka ny
tsilontsaina ao amin’ny beazina, sy mba hahafahana mampihetsika ny atidoha
manontolony, hampiakarana ny taham-pahombiazan’ny fianarana ataony. Amin’izany
sady mivelatra ny mahaolona azy manotolo no hahomby koa ny asa ataony.
Isan’izany, ny fampianarana miainga amin’ny sary na sary omban-tsoratra, ny
fampianarana miainga amin’ny kisary mandranitra saina ary farany, ny fampianarana
eny anivon’ny tontolo. Amin’izany no itrandrahana ireo paika enti-manangana ireny
mba hahafaha-mitrandraka azy an-dakilasy : eo amin’ny lafiny fahazoana sy
famoronana, ny maha-zava-dehibe azy amin’ny lafiny haifampianarana, ary ny farany
ny azo itrandrahana izany ao amin’ny taranja malagasy.
Ireo fitaovana enti-mampianatra telo ireo dia samy manome tombon-dahiny ny
beazina avokoa, miala amin’ny mahazatra, ka mitarika fahalianana ary mampivelatra ny
mpianatra amina taranja hafa. Amin’izany, mijanona ho fitaovana enti-mampianatra, ho
fampitam-pahalalana ihany izany, satria ny endri-panadinana ofisialy dia efa fantatra fa
an-tsoratra mandrakariva.
156
Koa izao asa fikarohana izao dia azo ampiharina tsara, azo trandrahana
hampahomby ny fanabeazana atao sy amolavolana ny beazina ho olom-banona sy
tompona andraikitra amin’ny fiainany sy ny tontolo iainana.
Izao asa fikarohana izao koa dia sahaza ny mpianatra / beazina sady mifanetana
amin’ny filan’ny firenena sy ny fiarahamonina. Manome seha-panabeazana tena
ilain’ny malagasy manontolo, miainga amin’ny ankizy an-tsekoly, izay ho avin’ny
firenena : fikajiana, fitiavana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny teny sy ny
kolontsaina. Izany dia isan’ny mamaly ny fampiofanana ny mpianatra mandritra ny
androm-piainany.
Farany, manazava ihany koa ireo paikady tsy vitan’ny mpampianatra / mpanabe
an-dakilasy izao asa fikarokana izao, nefa vita amin’ny fampianarana ivelan’ny rindrina
efatra, dia eny anivon’ny tontolo. Mifameno ireo seha-panabeazana roa ireo. Manome
endrika vaovao ny fampianarana izany sady manome vahana ny beazina amin’ny
fandrantoam-pahalalana ataony. Sady ny fampianarana eny anivon’ny tontolo, amin’ny
maha haifampianarana mavitrika azy, dia manetsika ny tsilontsaina amam-pahaiza-
manao ao amin’ny beazina, indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana teny. Isan’izany
ny fahaiza-mihaino, ny fahaiza-mametraka fanontaniana, ny fahaiza-mandray naoty, ny
fahaiza-manao tatitra na am-bava izany na an-tsoratra na an-tsary, ankoatra ny fahaiza-
miaina, mariky ny fananam-panahy sy fahaiza-miaina ao amin’ny tsirairay.
157
1. BOKY NANOVOZAN-KEVITRA
ADAM (J.M.),
1990
AMONT (E.), BOMATI (Y.)
2000
Elément de la linguistique textuelle: théorie et
pratique d‟analyse textuelle, Liège Mardaga,
204p.
Méthodes et pratique du Français au lycée,
collection Bomati, Edition Magnard, 384p.
BAILLY (J.M.), SHILL (J.),
1988 Trois niveaux d‟interdisciplinarités dans
l‟enseignement secondaire, FNEC, Journée
pédagogique, Bruxelles
BENVENISTE (E.),
1966
BUZAN (Tonny et Barry)
1996
Problème de linguistique général, tome I, Paris,
Gallimard, 351p.
The mind-map book : “how to use radiant thinking
to maximise your brain’s untapped potential”
CLOUTIER (J.),
1975 L‟ère d‟EMEREC ou la communication audio-
scripto-visuelle l‟heure des selfs-média, 2ème
édition, Paris, Presse de l’Université de Montréal,
257p.
COURTEAU (J.) et BOULAY (H.),
2007
DHALE,
1984
Pour prendre de meilleures notes de cours, Paris,
Cégep de Saint Laurent, 16p.
Anganon‟ny Ntaolo, Antananarivo, Trano Printy
Loterana, 296p.
DUPONT (L.),
1993 1001 trucs publicitaires, Paris, Collection les
affaires, 294p.
DURKHEIM (E.),
1966
EDMOND (R.),
2005
Education et sociologie, Paris, Quadrige, 3ème
édition, P.U.F., 136p.
Manuel d‟écologie appliqué à l‟usage des
formateurs, Antananarivo, W.W.F., 58p.
ESTINE (R.S.),
1974
Ohabolana malagasy, Antananarivo, Librairie
mixte, 338p.
EYROLLES,
2009 Réussir ses comptes rendus : prise de notes,
rédaction du plan, présentation générale, Paris,
Edition d’organisation, 134p.
GENZEL (D.),
1984
De la publicité à la communication, Paris,
Rochevignes, 271p.
158
GIORDAN (A.), SOUCHON (C.),
1992
Une éducation pour l‟environnement, Paris,
Z’Edition, 235p.
HAAS (C.R.),
1970
Pratique de la publicité, Paris, Dunod, 578p.
HARRISON (I.J.), LAVERTY
(M.F.) et al,
2004
Qu‟est-ce-que la biodiversité ? Antananarivo,
REPC, 38p.
HOPKINS (C.),
1927
Mes succès en publicité, Paris, Edition de la revue
« La publicité », 202p.
HOULDER (J.A.),
1960
Ohabolana, proverbes malagasy, Antananarivo,
Imprimerie Luthérienne, 216p.
JAKOBSON (R.),
1963 Essai de linguistique générale, Paris, Les éditions
de Minuit, 260p.
LALA- RAKOTOSON RAOLISON
(J. A.)
2000
2001
2003
LovakoT10, Analamahitsy Antananarivo, Edition
Ambozontany, 248p
LovakoT11, Analamahitsy Antananarivo, Edition
Ambozontany, 240p
LovakoT12, Analamahitsy Antananarivo, Edition
Ambozontany, 288p
LARS VIGS
2001
Ny fireham-pinoan‟ny Ntaolo malagasy,
ANalamahitsy Antananarivo, Edition
Ambozontany, 192p.
LAVERTY (M.F.), MURPHY (L.),
2006
Aperçu sur les menaces directes sur la
biodiversité, Antananarivo, REPC, 54p
MACKEY (W.F.),
1992 « Langue maternelle, autres langues et langues
véhiculaires : leur signification dans un monde
en mutation », Perspective 81, Unesco, vol XXII
n°1, p.p. 105-104
MENRS,
1997
Programme officiel de l‟enseignement secondaire
à Madagascar (sixième au terminale),
CNAPMAD, Antananarivo 188p. (6ème
) ; 208p.
(5ème
) ; 202p. (4ème
) ; 215p. (3ème
) ; 164p. (2nd
) ;
282p. (1ère
) ; 282p. (Tle)
MENRS, MEEF, W.W.F.,
2004
Ny voary, L‟éducation à l‟environnement dans les
établissements secondaires, Guide pour
l‟enseignant, CNAPMAD, Antananarivo, 42p.
MORIN (E.),
1977
La méthode 1 : la nature de la nature, Paris, Seuil,
400p.
159
PENINOU (G.),
1972
Intelligence de la publicité, Paris, Robert Laffont,
304p.
RABARISON (R.),
ANDRIAMARO (L.),
2003
Gestion durable des zones humides et des
ressources halieutiques, Antananrivo, REPC, 54p
RABENANDRASANA (L.F.),
2005
Ny tontolo sy ny Ntaolo malagasy : fahalalana
fototra, Antananarivo, Imprimerie 2000, 258p.
RAHAJARIZAFY (A.),
1970
1998
Filozofia malagasy, Ambozontany Fianarantsoa,
2ème
édition, 158p.
Ohabolana malagasy, Ambozontany Fianarantsoa,
160p.
RAJAONA (S.),
2000
Takelaka notsongaina boky faharoa,
Ambozontany Fianarantsoa, 478p.
RAJEMISA RAOLISON (R.),
RAJAONA (A.R.)
2005
Mbà olom-banona, Antananarivo, Imprimerie
Tiana, 122p.
RANDRIAMAMONJY (F)
2006
Tantaran‟i Madagasikara isam-paritra,
Antananarivo, Trano Printy Loterana, 588p.
REPUSSEAU (J.),
1968
Pédagogie de la langue maternelle, Collection
S.U.P.-P.U.F., Paris, 146p.
ROMAN (K), MAAS (J.),
1976
How to advertise, New York, Saint Martin’s press
SAUSSURE (F.),
1978
Cours de la linguistique générale, Paris, Payot,
317p.
SCHNEWLY (B.),
1985
Texte de base en psychologie- Vygotsky aujourd‟hui,
Paris, Edition Delacheux et Niestlé, 238 p.
VIGNAUX (G),
1967
L‟argumentation, Paris, Collection Langues et
cultures, 304p.
W.W.F, MINESEB,
1995
Ny voaary, Fandaharam-pianarana fanabeazana
fototra sy fanatsarana ny tontolo iainana,
Antananarivo, CNAPMAD, 72p.
W.W.F., MENRES,
2007
Manuel d‟écopédagogie au primaire,
Antananarivo, New Print, 18p.
160
2. RAKIBOLANA
DUBOIS (J.)
1973
Dictionnaire de linguistique, Paris, Larousse, 516p
RAOLISON (R.R.),
2003
RAOLISON (R.R.),
2006
Rakibolana malagasy, Ambozontany Fianarantsoa,
1062p.
Dictionnaire: des synonymes malgaches traduits
en Français, Antananarivo, Librairie mixte, 320p.
LAROUISSE,
2008
Petit dictionnaire de français, Bordas, Paris,
1040p.
SIMC (J.) et KINGZETT,
2006
Dictionnaire français-malgache, Antananarivo,
Trano Printy Loterana, 364p.
ENCYCLOPEDIE DE DE LA
PLEIADE,
1968
Bruges, Edition Gallimard
3. BOKY AMAN-GAZETY NAKANA OHATRA
ANDRIAMALALA (E.D.),
2004 Zazavavindrano, Antananarivo, Librairie Mixte,
143p.
Andry ANDRAINA, 1987
Mitaraina ny tany, Antananarivo, MFZR, 258p.
BAKKE (J.E.),
2006 Madagasikara : ilay Nosy mbola nahatahiry ireo
lovany mandrake ankehitriny, Trano Printy
F.L.M., Antananarivo, 48p.
Collège Français de Tuléar,
2005 Guide touristique et culturel de Tuléar et sa
region, Tuléar, Impréssion Niag, 74p.
DHALE (L.),
1984
Anganon‟ny Ntaolo, Antananarivo, Trano Printy
Loterana, 296p.
Howard Gardner, 1997
Intelligences multiples, Revue « Educational
Leadership »
RABENANDRASANA ( L. F.),
2009
Angano vakina boky faharoa, Antananarivo,
Imprimerie 2000, 24p.
RAKOTOJAONA Job,
1993
Mahay mikabary, Antananarivo, Trano Printy
F.J.K.M., 92p.
RANDRIAMIADANARIVO,
2006
Sikajin‟Idadabe, Antananarivo, Librairie Mixte,
161
168p.
1977
1984 Isa ny Amontana, Antananarivo,Edisiona Salohy,
52p.
Sekolin‟ny Ntaolo, Antananarivo, Edisiona Antso
Imarivolanitra, 61p.
RAJAONAH Tselatra,
1994 Sangan‟asan-dRajaonh Telatra: vary
amin‟anana,
Ambozontany Fianarantsoa, 376p.
Siméon RAJAONA,
1992
2000
Zava-kanto vita amin‟ny teny, Ambozontany
Fianaranatsoa , 124p.
Takelaka notsongaina 2, Ambozontany
Fianaranatsoa,478p.
W.W.F.
1991 Vintsy n° 2, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
1993 Vintsy n° 7, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
1994
Vintsy n° 12, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
1997 Vintsy n° 20, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
1998 Vintsy n° 22-23, Antananarivo, Graphoprint, 52p.
1999 Vintsy n° 25, Antananarivo, Graphoprint, 24p.
1999 Vintsy n° 26, Antananarivo, Graphoprint, 24p.
1999 Vintsy n° 27, Antananarivo, Graphoprint, 24p.
1999 Vintsy n° 28, Antananarivo, Graphoprint, 24p.
1999 Vintsy n° 29, Antananarivo, Graphoprint, 24p.
2000 Vintsy n° 31, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
2000 Vintsy n° 31, Antananarivo, Graphoprint, 28p.
2003 Vintsy n° 40, Antananarivo, Graphoprint, 36p.
2003 Vintsy n° 41, Antananarivo, Graphoprint, 32p.
2005 Vintsy n° 48, Antananarivo, Graphoprint, 32p.
2005 Vintsy n° 49, Antananarivo, Graphoprint, 32p.
2006 Vintsy n° 50, Antananarivo, Graphoprint, 48p.
2008 Vintsy n° 58, Antananarivo, Graphoprint, 40p.
162
2013 Vintsy n° 68, Antananarivo, Graphoprint, 23p.
4- TRANONKALA NANOVOZAN-KEVITRA
http://ecole-et-nature.org
http://ecologie.gouv.fr
http://ecologie.gouv.fr
http://lamediatheque.be
http://maison.acceuil134.free.fr
http://w.w.w.classe-decouverte.info
http://w.w.w.enseignement.be
http://w.w.w.intelligences-multiples.org
w.w.w.edition-eyrolles. Com
w.w.w.edition-organisation.org
w.w.w.fao.org
163
Ny rohivoaary
an-tanety
TOVANA I : Ny karazana rohivoaary
Ny rohivoaary dia fitambarana adiam-biby sy zavamaniry monina amina faritra
iray ka ny faritra no mamaritra betsaka izany rohivoaary izany. Azo sokajiana ho telo
lehibe izany amin’ny ankapobeny : ny rohivoaary an-tanety, ny rohivoaary amoron-
tsiraka sy an-dranomasina ary ny rohivoaary an-dranomamy.
1 Ny rohivoaary an-tanety
Mizara efatra amin’ny ankapobeny ny rohivoaary an-tanety izay tsy inona akory
fa velaran-tany rakotra ala, dia ny ala maizina, ny savoka sy ny kirihitra amam-bozaka
ary ny fambolena. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny faritra an-tanety ny ala
voajanahary (antsoina koa hoe ala kitroka na maizina) dia ireo ala mbola tsy niharan’ny
fanovana vokatry ny asan’olombelona. Azo sokajiana ho roa izany dia :
- ny ala maina : ireo karazana ala fahita any amin’ny faritra maina, tsy dia
ahitana rotsak’orana firy mandavan-taona, toy ny fahita any amin’ny faritra
atsimo, atsimo andrefan’i Madagasikara. Kirihitr’ala maina no mampiavaka
ireny faritra ireny, ala tsy dia matevina sady tsy dia avo loatra, ala tsy dia misy
aloka, madini-dravina, mety misy tsilo, noho ny toe-tany maina sy mafana.
- ny ala mando : ireo ala fahita any amin’ny faritra be orana toy ny any amin’ny
faritra atsinanan’i Madagasikara na iny faritra avaratra atsinanana iny. Maitso
mandavan-taona ny ala fahita amin’ireny toerana ireny ary noho izy matevina
dia lasa maizina lalandava ao antiny ka antsoina koa hoe ala maizina antoandro
izy.
Ny fahasimban’ireo ala voajanahary ireo no mamorona ireo karazana rohivoaary an-
tanety isan-karazany :
Ny ala kitroka
Ny ala savoka
Ny kirihitra
amam-bozaka
Ny fambolena
Ala voajanahary mbola tsy niharan’ny
fanovana vokatry ny asan’olombelona
Mety ho voajanahary toy ny fahita amin’ny
tanety nefa mety ho vokatry ny
fahasimban’ny ala savoka
Fambolena ataon’ny olona hivelomany
Ala niharan’ny fiovana vokatry ny asan’ny
olombelona : fitrandrahana sy fitevena ala
(tavy, saribao), doro tanety, afon-kijana…
164
Kisary n°16 : Ny faritra an-tanety
NY ROHIVOAARY AN-TANETY
SARY20-21: Ala maina SARY22-23: Ala mando
SARY24 : Doro tanety SARY25-25-27: Ala savoka
SARY28-29: Bozaka SARY30 : Kirihitr’anjavidy
SARY31 : Fambolena
165
2 Ny rohivoaary amorontsiraka sy an-dranomasina
Ny rohivoaary amorontsiraka sy an-dranomasina dia misokajy maromaro ,
amin’ny ankapobeny: ny ala honko, ny tora-pasika, ny haran-dranomasina, ny ahi-
dranomasina, ny vatohara na ny vatovelona, ny nosy kely…
Kisary n°17 : Ny faritra amorontsiraka sy an-dranomasina
Ny rohivoaary
amorontsiraka sy
an-dranomasina
Ny alahonko na henihenin-
dranomasina
(Mangroves)
Ny tora-pasika
(Plages sableuses)
Ny ahi-
dranomasina
(Herbiers, lagons)
Ny vatohara
(Récifs corraliens)
Ny haran-
dranomasina
(Plages de galets)
Ny nosy kely
(Ilots)
Ny helo-drano
(Delta)
Fitambarana zavamaniry antsoina
hoe honko ka ny faritra ivelomany
dia eo amin’ny fihaonan’ny
ranomasina sy ny ranomamy.
Fasika mitomandavana manaraka
ny moron-tsiraka
Faritra mialoha ny vatohara ahitana
fotaka sy fasika ary feno zavamaniry,
toeram-pivelomana sy fialofan’ ireo
zana-kazandranomasina
Fitambarana zava-manana aina roa
antsoina hoe corraux sy algues marines.
Ny vatohara dia azo antsoina koa hoe
vatosokay
Vatovato mitsitokotoko na
mitomandavana manaraka ny moron-
dranomasina
Nosy kely manodidina nosy iray
Fihaonan’ny ranomasina sy ny ranomamy,
tafasisika na tafiditra anelanelan’ny tany,
fiompiana patsabe (crevettes)
166
NY ROHIVOAARY AN-DRANOMASINA
SARY32 : Alahonko SARY33 : Tora-pasika SARY34 : Ahi-dranomasina
SARY35 : Vatohara SARY36- Haran-dranomasina SARY37 : Nosy kely
SARY38: Helo-drano
167
3 Ny rohivoaary an-dranomamy
Misy karazany roa miavaka tsara ny rohivoaary an-dranomamy dia ny rano
ambanin’ny tany ny rano ambonin’ny tany.
Kisary n°18 : Ny faritra an-dranomamy
NY ROHIVOAARY AN-DRANOMAMY
SARY39: Ranomafana SARY40 : Loharano
SARY41 : Farihy SARY42: Heniheny
SARY43 : Ony SARY44 : Fompotra na arin-tany
Rohivoaary an-
dranomamy
Rano ambonin’ny
tany (eaux souteraines)
Rano ambanin’ny
tany (eaux territoriales)
Loharano
Ranomafana
Reninano sy ony
Dobo sy farihy
Heniheny sy honahona…
168
TOVANA II
Ny takela-by
Takela-by n° 1 : “Tsy hamono vorona intsony”
Takela-by n° 2 : “Tifitra filesy? Aok’izay!”
169
Takela-by n°4 : “Fantatrao moa fa…”
Takela-by n° 4 : “Arovantsika ny vorona satria…”
170
TOVANA III ( Valin’ny fanadihadiana natao tamina sekoly vitsivitsy)
Mba hahafahana mahafantatra ny anjara toeran’ny tontolo iainana ao amin’ny taranja
malagasy dia nisy ny fanadihadiana fohy natao tamina toeram-pampianarana sy
mpampianatra malagasy vitsivitsy, tamina toerana samihafa.
Sekolim-panjakana : CEG Ambatolampy ambonivohitra, Lycée Ambatolampy
Ambonivohitra, Lycée Antsampandrano (Ambatolampy ambanivohitra), Lycée
Jules Ferry Antananarivo
Sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana (kilasy fahenina hatramin’ny
famaranana) : Lycée Chretien AGORA Talatamaty (miankina amin’ny finoana
FJKM), Lycée Espoir Ambohimangakely.
Toy izao no vokatry ny fanadihadiana natao :
Zana-taranja Eny Ny lafiny iresahana ny tontolo iainana Tsia
Literatiora 7 -Kanto ao amin’ny literatiora : sarin-teny toy ny
fanoharana
-Ny fampianarana sokajin-dahatsoratra
Riba 7 -Ny riba fiampitana : ny tandindona amin’ny
alalan’ny fitaovana ampiasaina
-Ny fady sy ny tontolo iainana
-Ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana
-Ny tontolo iainana sy ny fihariana
-Ny tontolo iainana sy ny fanabeazana, ny
fialamboly
Fitsipika 0 x
Asa fampiharana 3 Kisary miendrika hazo anehoana ireo lafin-kevitra
tokony ho hita anaty fanadihadiana na
famakafakana
Fafana n° 20 : Vokatry ny fanadihadiana mikasika ny taranja malagasy sy ny tontolo
iainana
Fanamarihana : Amin’ny ankapobeny, ny sekoly any ambanivohitra no miresaka bebe
kokoa ny tontolo iainana, noho ny fiainan’izy ireo mbola mifototra amin’izany
Isan’ny olana koa eo amin’ny fampianarana taranja malagasy ny tsy fanampian’ny
fitaovana enti-mampianatra. Koa mba hahafahana manatsara izany no nanovana
fanadihadiana fohy koa mikasika ny fitaovana fampiasan’ny mpampiantra eny
anivon’ny sekoly.
171
Toy izao kosa ny vokatra azo :
Fitaovana enti-mampianatra Isan’ny
mpampianatra mampiasa izany/7
Tahirin-kevitra an-tsoratra 7
Angon-kevitra 7
Fanadihadiana ataon’ny mpianatra mikasika ny lohahevitra
ianarana
5
Firotsahana an-tsehatra 2
Trangam-piarahamonina volavolain’ny mpampianatra na
nohadihadian’ny mpianatra
3
Fanasana olona hanao famelabelarana 1
Horonan-tsary 2
Fanehoana an-tsehatra ny zavatra nianarana (kabary, riba
fiampitana…)
0
Famelabelaran-kevitra ataon’ny mpianatra 5
Fafana n° : Vokatry ny fanadihadiana mikasika ny fitaovana enti-mampianatra
Anarana : RASOAFARANIAINA
Fanampiny : Herinandrasana Harinivo
Adiresy : AK 35 Ankadikely Ilafy / Antananarivo Avaradrano
Lohatenin’ny asa fikarohana :
HAIFAMPIANARANA NY FANABEAZANA MOMBA NY TONTOLO IAINANA AO AMIN’NY TARANJA MALAGASY
Isan’ny takila : 171
Isan’ny fafana : 20
Isan’ny kisary : 16
Isan’ny sary : 44
Isa’ny tantara an-tsary : 2
Isan’ny takela-by : 4
Famintinana ny boky :
Fampifanindranan-dalana ny fampianarana taranja malagasy amin’ny fanabeazana
momba ny tontolo iainana ny ivon’izao asa fikarohana izao. Zava-droa loha no
natrandrahana tamin’izany : ireo fomba entina mampiditra ny resaka tontolo iainana
ao amin’ny fampianarana taranja malagasy sy ireo karazana fantsona enti-mampita
fahalalana mampivelatra ny tsilontsain’ny beazina, ka hampitombo ny taham-
pahombiazany. Paikady vitsivitsy no nampiasaina tamin’izany dia ny fampiasana ny
karazan-tserasera an-tsary omban-tsoratra, ny fampianarana eny anivon’ny tontolo,
ankoatra ny fikirakirana ireo lahatsoratra literera manome vahana ny tontolo iainana.
Ny zava-dehibe amin’izany dia ny mibe / manabe ara-tontolo iainana eo am-
pianarana ny teny malagasy.
L’objectif de cette recherche c’est d’introduire « l’éducation relative à
l’environnement » dans l’apprentissage de la langue malagasy en tant que langue
maternelle. Alors, nous l’avons basé sur les différentes manières d’insérer le concept
sur l’environnement dans la discipline malagasy, les outils didactiques qui
développent l’intelligence multiple des élèves, qui augmentent leur taux de réussite.
Diverses propositions de stratégies sont utilisés : analyse des textes litteraires,
utilisation des supports comme la communication scripto-visuelle, la carte mentale
ou mind-mapping , classe verte. L’essentiel est d’éduquer pour l’environnement et
par l’environnement en pratiquant la langue malgache .
« Education on the environment » in the teaching of the malagasy language is the
main topic of this research. Two major items were exploited : how to introduce the
concept of the environment in various educational tools (text, pictures, mind
mapping, green class) and also other way to develop multiple intelligence in the
learner thus ensuring both his or her educational and teaching curriculum. The
essential is that to have environment education in practising malagasy language.
Teny manan-danja : tontolo iainana, fahasamihafana ara-boajanahary, rohivoaary,
fanabeazana momba ny tontolo iainana, fanabeazana mirindra amin’ny tontolo
iainana, fanabeazana mitsinjo ny tontolo iainana, fampandosoana maharitra,
fampandrosoana ny maha olona maharitra, haifampianarana mavitrika, tsilontsaina
marolafy, sary, kisary, kisary mandranitra saina.