13
Lesona 10 ho an'ny 9 Desambra, 2017

Lesona 10 ho an'ny 9 Desambra, 2017 - fustero.es · Aho; ary ilay tsy malala hoe malala. Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hiantsoana azy

Embed Size (px)

Citation preview

Lesona 10 ho an'ny 9 Desambra, 2017

“Fa efa saiky niriko aza ho voaozona ho afaka tamin'iKristy ny tenako mbahahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo.” (Romana 9:2-3)

Toa an'i Mosesy, dia naleon'i Paoly namoy nyfamonjena ny tenany ho fanavotana ny vahoakaIsraely.

“Ary ankehitriny, enga anie kahamela ny fahotany Hianao! faraha tsy izany, mifona aminaoaho, vonoy eo amin'ny bokinaoizay nosoratanao ny anarako.”

(Eksodosy 32:32)

“Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsymandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'nyFanahy Masina koa ny fieritreretako, fa mafyny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra nyfahorian'ny foko.” (Romana 9:1)

Tsy nisy neken'Andriamanitra ireo “fisoloana” ireo, satria “na iza na iza nanotatamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.” (Eksodosy 32:33)

Nahoana i Paoly no sahiran-tsaina ny amin'ny vahoaka Israely? Vahoaka manokana ve izy ireo? (Romana 9:4-5)

Ny fananganana anaka.

Ny voninahitra.

Ireo fanekena.

Nomena ny lalàna.

Ny fanompoana an'Andriamanitra.

Ireo teny fikasana.

Ireo patriarika.

Ny Mesia.

Vahoaka manokana ny vahoaka Israely satria nananatombontsoa lehibe izy ireo. Ny lehibe indrindra amin'izany diany maha-toerana nahaterahan'i Mesia azy: Jesosy Kristy.

Nahoana no nifidy vahoaka manokana Andriamanitra?

• Nifidy an'i Seta Izy tamin'ny taranak'i Adama (Genesisy 4:25-26)

• Nifidy an'i Noa Izy tamin'ny taranak'i Seta (Genesisy 6:8)

• Nifidy an'i Sema Izy tamin'ny taranak'i Noa (Genesisy 9:26-27)

• Nifidy an'i Abrahama Izy tamin'ny taranak'i Sema (Genesisy 12:1-3)

• Nifidy an'i Isaka Izy tamin'ny taranak'i Abrahama (Romana 9:7)

• Nifidy an'i Jakoba Izy tamin'ny taranak'Isaka (Romana 9:10-13)

Rehefa niresaka ny amin'i Isaka sy Jakoba i Paoly, dia nohazavainy fa tsy nisy nainona na inona manokana avy amin'izy ireo rehefa nofidin'Andriamanitra ho anisan'ny olony izy [“fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbolananao tsara na ratsy, mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'Izay miantso.” (Romana 9:11)]. Nofidin'Andriamanitra izy ireo satria izay no no tiany atao.

“Samy zanak'i Abrahama, araka ny nofo, na Isakana Ismaela; fa, nomena an'Isaka sy ny taranany nyteny fikasana. Tsy tao anatiny i Ismaela, kanefa tsymidika akory izany fa tsy azo vonjena izy sy nytaranany; nofidin'Andriamanitra Isaka sy nytaranany hirahiny hitory ny Filazantsara amin'izaotontolo izao.

SDA Bible Commentary, Romana 9:7

Nantsoina hanambara ny fitsipiky nyfanjakan'Andriamanitra amin'ny firenanamaro izy, mba ho voataona ho eo amin'nyTompo ny olona tsirairay. An'Andriamanitrany zo hanendry izay hanao asa manokanaho an'ny olombelona na ny firenana.”

Nandà ny Mesia ny vahoaka Israely, ka tsynahatanteraka ny iraka nampanaovina azy.

Nanao fahadisoana ve Andriamanitratamin'ny nifidianana azy ireo?

“Kanefa tsy lazaiko fa foana nytenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsyizay rehetra avy amin'ny Israely no Israely. Ary na dia taranak'i Abrahamaaza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; faavy amin'Isaka no hantsoina izay taranakaho anao. Izany hoe: Tsy ny zanaky nynofo no zanak'Andriamanitra; fa nyzanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.” (Romana 9:6-8)

Tsy mba manao fahadisoana velivelyAndriamanitra. Na dia tsy nahatanteraka nyandraikiny aza ireo taranak'i Abrahama ara-nofo, dia notohizan'ireo taranany araka nyteny fikasana izany: ny Israely ara-panahy(anisan'izany isika).

MIFIDY VAHOAKA MANOKANA

“Fa hoy ny Soratra Masina tamin'iFarao: Izany no nanandratako anao, mbaho entiko mampiseho ny heriko, ary mbahanambarana ny anarako any amin'nytany rehetra. Koa izay tiany hamindranafo no amindrany fo, ary izay tianyhohamafìna fo no hamafiny fo.”

(Romana 9:17-18)

MIFIDY VAHOAKA

Indraindray ny Soratra Masina dia mampiseho an'Andriamanitra nanao zavatra izay raranyankehitriny. Ny hamafin'ny fon'i Farao dia naseho ho avy aminy ihany indraindray (Eksodosy, 8:

15, 32) ary indraindray avy amin'Andriamanitra. (Eksodosy 4:21) Fantatr'Andriamanitra mialohany fanapahan-kevitry ny tsirairay, koa dia afaka manambara mialoha izay ho anjarany Izy: “Jakoba no tiako, fa Esao no halako.” (Romana 9:13).

Manamafy fo ny olonasasany Andriamanitra

ary mamindra foamin'ny sasany. Tsy

marina ve Izy?

“Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany! Fa hoy Izy tamin'i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindrafo amin'izay hamindrako fo. Koa dia tsy avyamin'izay maniry na amin'izay mihazakazakaizany, fa avy amin'Andriamanitra Izaymiantra.” (Romana 9:14-16)

“Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? Ny mpanefy vilany va tsymanam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hataotsinontsinona? Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezeranavoavoatra hosimbana, mba hampahafantarina koa ny haren'nyvoninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboarinyrahateo hahazo voninahitra, dia isika izay nantsoiny koa, tsy nyavy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa?”

(Romana 9:20-24)

Manan-jo sy fahefana hifidy olona sasantsasany hanao anjara asa manokanaAndriamanitra.

Ohatra, nifidy mpanjaka sy mpaminany Izy. Nizara ny fanomezam-pahasoavanaaraka izay tiany Izy, araka ny anjara asan'ny mambra tsirairay ao amin'nyFiangonany. (1 Korintiana 12:11)

Nofidin'Andriamanitra hanao asa manokana ianao; mety ho zavatra goavambeizany, mety ho zavatra tsy dia mana-danja loatra eo imason'ny olona.

Zava-miafina ho antsika izany.

“Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalakonoho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.”

(Isaia 55:8-9)

“Araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe olokoAho; ary ilay tsy malala hoe malala. Ary any amin'ny tany izay nilazanataminy hoe: Tsy oloko ianareo, diaany no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona. AryIsaia milaza ny amin'ny Israely hoe: na dia toy ny fasika any amin'nyranomasina aza ny isan'nyZanak'Israely, dia izay sisa ihany no hovonjena.” (Romana 9:25-27)

Israely no vahoaka voafidy kanefa nandàan'Andriamanitra izy. Noho izany, nitarin'Andriamanitra ny safidiny ho any amin'ireo izay tsy olony: ny Jentilisa. Nafindratamin'ireo “Israely ara-panahy” ny safidy.

Manana sisa manokana Andriamanitra izay tsymaintsy mitahiry ny fahamarinana ary mitoryizany.

IZA NO FIDIN'ANDRIAMANITRA ?

OLONA MANAO AHOANA NO FIDIN'ANDRIAMANITRA HO AMIN'NY FAMONJENA?

“Ahoana ary no holazaintsika? Nyjentilisa, izay tsy nitadyfahamarinana, no nahazofahamarinana, nefa fahamarinana izayavy amin'ny finoana? Fa ny Israely, izay nitady lalàn'ny fahamarinanakosa, dia tsy nahatratra izany lalànaizany. Nahoana moa? Satria tsytamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vatomahatafintohina izy.” (Romana 9:30-32)

Mifidy ireo izay manaiky ny“fahamarinana amin'ny finoana” Andriamanitra mba ho vonjena, arymandà ireo izay mitadyfahamarinana “amin'ny asa” kosaIzy.

“Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro? Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza naiza no ianjerany dia ho mongomongo.” (Luke 20:17-18)

“Araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina syvatolampy mahasolafaka ao Ziona; ary izay mino Azy tsy ho menatra.” (Romana 9:33)

“Vato” (Jesosy) iray ihany no mitondrafamonjena sy fanamelohana.

Ireo izay mandà an'i Jesosy toy izaynataon'ny Jiosy dia ho “mongomongo.”

Ireo izay potraka eo an-tongotr'i Jesosy diatsy ho menatra, satria ho vonjena.

Efa potraka noho ny fitiavan'i Jesosy ve nyfonao? Efa nanapan-kevitra ny hamela nyfiainanao eo an-tanany ve ianao?

OLONA MANAO AHOANA NO FIDIN'ANDRIAMANITRA HO AMIN'NY FAMONJENA?

“Ho an'izay mino, Krsity no fanorenana mafy.

Ireo dia izay mianjera amin'ilay Vatolampy ka

torotoro. Ny fileferana amin'i Kristy sy ny

finoana Azy no aseho eto. Ny mianjera amin'ilay

Vatolampy sy ny torotoro, dia ny miala amin'ny

fanamarinan-tena sy ny manatona an'i Kristy

amin'ny fahatsoran'ny zaza ary ny mino ny

fitiavany mamela heloka. Ary toy izany koa

amin'ny alalan'ny finoana sy ny fankatoavana no

iorenentsika eo amin'i Kristy ho fanorenana ho

antsika.

Eo amin'io vato velona io, ny Jiosy sy ny Jentilisa

no samy afaka manorina. Io no hany fanorenana

izay ahazoantsika manorina amin'ny fomba azo

antoka. Ampy ho an'ny rehetra ny halehibeny,

ary ampy ny hamafiny hizaka ny lanjan'ny

havesatr'izao tontolo izao manontolo. Koa rehefa

mifandray amin'i Kristy Ilay vato velona, izay

rehetra miorina eo amin'io fanorenana io, dia

manjary vato velona.”E.G.W. (Ilay Fitiavana Mandresy, tk. 65, p. 639)