3
Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina... Vendredi, 20 Décembre 2019 05:41 - Maharante Jean De Dieu, miadana tsara ao Parisy ao... Manahirana mihitsy itony olona sendra nahazo fahefana (voafidy na voatendry) itony fa dia ho tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony izy na singam-bolo iray aza, kanefa toa mbola miseho azy ho zavatra ihany. “Qui s'excuse s'accuse” , hoy ny Frantsay. Amin'izao ianao mamaky ity lahatsoratra ity ary dia any Parisy, Frantsa, Ingahy Marahante Jean De Dieu no maka aina. Fa mety efa akaiky ho lany angaha ny “visa de séjour” -ny na fahazohan-dàlana ipetrahany any, ka mazava ny tetika. Hilaza fa maritiora izy ary hangataka fialofana ara-politika ( “asile politique” ) amin'ny fitondran'ny Filoha Emmanuel Macron. Toa tamin'ny taona 2002 fony izy governoran'ny faritany mazaka tenan'i Toliara, nandositra ny fahatezeram-bahoaka. Ho sarotra aminy aloha no mamerina izany satria niala teto an-tsitra-po izy vao lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, nialoha an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay nandositra tsotra izao. Efa hahatratra ny enim-bolana mahery izany ingahy Maharante no any Frantsa. Tsy fantatra mazava ny antom-pivelomany any fa dia hoe “any amin'ny zanany any” . Dia iny fa nipoitra tampoka niseho nanazava ny fijerin'ny raharaha ARTEC ( “Autorité de Régulation des Technologies de Communication” 1 / 3

Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka … · 2020. 9. 2. · tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony

  • Upload
    others

  • View
    6

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka … · 2020. 9. 2. · tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony

Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina...Vendredi, 20 Décembre 2019 05:41 -

Maharante Jean De Dieu, miadana tsara ao Parisy ao...

Manahirana mihitsy itony olona sendra nahazo fahefana (voafidy na voatendry) itony fa dia hotranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefanaintsony izy na singam-bolo iray aza, kanefa toa mbola miseho azy ho zavatra ihany. “Quis'excuse s'accuse”, hoy ny Frantsay.

Amin'izao ianao mamaky ity lahatsoratra ity ary dia any Parisy, Frantsa, Ingahy Marahante JeanDe Dieu no maka aina. Fa mety efa akaiky ho lany angaha ny “visa de séjour”-ny nafahazohan-dàlana ipetrahany any, ka mazava ny tetika. Hilaza fa maritiora izy ary hangatakafialofana ara-politika (“asile politique”) amin'ny fitondran'ny Filoha Emmanuel Macron. Toa tamin'ny taona 2002 fony izygovernoran'ny faritany mazaka tenan'i Toliara, nandositra ny fahatezeram-bahoaka. Ho sarotraaminy aloha no mamerina izany satria niala teto an-tsitra-po izy vao lany filoham-pirenena iAndry Rajoelina, nialoha an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay nandositratsotra izao.

Efa hahatratra ny enim-bolana mahery izany ingahy Maharante no any Frantsa. Tsy fantatramazava ny antom-pivelomany any fa dia hoe “any amin'ny zanany any”. Dia iny fa nipoitratampoka niseho nanazava ny fijerin'ny raharaha ARTEC (“Autorité de Régulation des Technologies de Communication”

1 / 3

Page 2: Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka … · 2020. 9. 2. · tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony

Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina...Vendredi, 20 Décembre 2019 05:41 -

). Tsy inona izany fa fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina hatramin'ny 5 miliara Ariaryniala avy tamina fanadiadiana nataon’ny IGE (“Inspection Générale de l'Etat”) izay nametraka fitoriana. Io vola be io dia nolazaina fa hividianana fitaovana informatika.Kanefa tsy nisy na bilao iray aza novidiana ary ireo hoe mpivarotra (“prestataires”) dia toa nanjavona daholo na koa orinasa noforonina an-taratasy fotsiny ihany. Voakasik'izanykoa Ingahy Andrianirina Briand Joseph izay notendren'i Maharante Tale jeneralin'io ARTEC io, fonyizy minisitry ny Paositra, amina fomba tsy ara-dalàna.

Izao aloha no nosoratan'ingahy Maharante, hita ao amin'ny pejiny Facebook : “ Gaga aho satriatsy nandalo teo imasoko ny antontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany. Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina”. Tsaroana f'efa amam-bolana izy no niala teto Madagasikara. Dia avy eo moa nanara-dia nyantoko TIM. Fa raha hala-bato ny litania an'ity farany, ny an'i Maharante kosa hala-tsonia noventesiny : “Tsotra ny famoaham-bola ao amin'nyFDTIC(- “Fonds pour le Développement des Technologies de l'Information et de la Communication”-) ao amin’ny ARTEC- satria sonian’ny minisitra sy Tale jeneralin’ny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona naohatrinona izany. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF(“Titre d'Engagement Financier”). Nohararaotin’ny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy nampandreahy. Mino aho fa 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signaturescannée no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany io”.

2 / 3

Page 3: Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka … · 2020. 9. 2. · tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony

Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina...Vendredi, 20 Décembre 2019 05:41 -

Mazava fa Filan-kevitry ny Minisitra no mamoaka ny anaran'izay ho Tale jeneralin'nyARTEC Fanadiovan-tena tsy misy tahaka io. Midika fa dondrona sy mpandainga daholo ireo olona aoanatin'ny rafitra teknika rehetra misy eto Madagasikara. Soa fa misy ny soratra ary, indrindraindrindra ny Lalàna. Eto dia ialan-tsiny fa amin'ny teny frantsay daholo moa ny lalàna misyetoan-toerana ka samia re mandika e! Izao ary no lazain'ny Loi N° 2005-023 du 17 octobre2005 (refonte de la loi N°096-034du 27 janvier 1997 portant réforme institutionnelle du secteur des télécommunications) Article 26 : (…) Le conseil d’administration est composé de sept membres. Ces membres sontnommés par décret pris en conseil des ministres. Au moins quatre (4) membres duconseil d’administration sont choisis dans le secteur privésans lien contractuel avec la fonction publiqueou avec le secteur des télécommunications et TIC... Article 27 : (…) Les membres du conseil d’administration élisent leur président parmi lesmembres issus du secteur privéet leur vice-président parmi les administrateurs. L’élection est constatée par décret pris en conseil des ministres.

Asa? Sonia sandoka izany io ambony io? Raha fintinina dia avy ao amin'ny Filan-kevitry ny Minisitra (“Conseil des ministres”) no mivoakany “décret”manendry ara-pomba ofisialy ireo mandrafitra ny Filan-kevitry ny ARTEC, indrindra fa ny Talejeneraliny. Tsy izany no nataon'i Maharante Jean De Dieu fa “Note de service”no nanendreny an'Ingahy Briand ho Tale jeneraly “noho ny amehana” (“en raison de l'urgence”. ). F'inona tokoa ilay“amehana”? Eto koa no hahitana fa sarotra ho an'izay tsy mahay ny teny frantsay. Satria ilay fehezan-tenyhoe “nonobstant l'adoption d'un décret en conseil des ministres”dia midika fa “na dia tsy nisy aza ny décret avy amina Filan-kevitry ny Minisitra”. Izany hoe notereny nanaraka io “Note de service”io ny Filoha tamin'izany dia Hery Rajaonarimampianina. Toa izany ny fomba nitondran'ny Hvmnanditra ny dimy taona be izao... Tsy ny voafidy no nitondra ny firenena fa ny voatendry. Dia hogaga ve isika raha nitsigindina any amin'ny laharana faha-5 eo amin'ny firenena mahantraindrindra maneran-tany i Madagasikara tao anatin'izay fe-potoana izay ? Dia hilaza izany Ingahy Maharante izao fa sonia nangalarina koa io amin'ny “Note de service” io? Manaraka : raha vakiana tsara ny “décret d'application”N° 2014-1650 an'io “Loi 2005 023 du 17 octobre 2005”io dia ny minisitra mpiahy ihany no mandidy sy manapaka ka afaka mamoaka vola ao amin'nyARTEC fa ny Tale jeneraly dia kofehy manara-panjaitra ihany. Ary tsy maintsy mandalo aoaminy daholo rehefa antontan-taratasy mikasika ny vola miditra sy mivoaka. Ka dia sonianangalarina daholo izany ny taratasy rehetra nosoniavin'Ingahy Maharante Jean De Dieunanomboka tamin'izy voatendry minisitry ny Paositra ka hatramin'ny nisolona azy? Satria minofotsiny ihany izy fa “95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannée”.

Onitiana Realy sy Briand Andrianirina tamin'ny mariaziny Miandry ny fiarovan-tenan'Ingahy Briand isika fa izy kosa ve dia hianjeran'ny rihatra rehetra eo? Efa tratry ny IST (Didy tsy afahana mivoaka an'i Madagasikara) i Briand mivady izao. Fa iMaharante Jean De Dieu kosa any Andafy any izao no migalabona. Tokony fantany tsara izanyny fisian'ny hoe “graphologue”. Inona izany? Ao Parisy ingahy Maharante ka ho mora aminy nomahalala ny dikan'ireto manaraka ireto : “L'expert graphologueou expert en fausses signatures est le professionnel chargé l'authentification de graphies et designatures, ainsi que de prouver la falsification de signatures apposée sur toute sorte desupports” . Fa rahamahalala ny “expert graphologue” fa sandoka ny sonia iray afaka mamoaka koa izy fa tena izy ilay sonia na atao “scanner”aza, araka ny voalazan'ingahy minisitry ny Paositra teo aloha. Hatreto izany aloha matoa mitady fanadiovan-tena toa io Ingahy Maharante dia tsy mizakazom-pirenena frantsay toa an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay mihevitra fatsy misy manara-maso... Ny manahirana koa, hatreto, dia toa zary dokam-barotra ihany ny mampiatra ny hoe Tanytan-dalàna sy ady amin'ny kolikoly, indrindra fa amin'ireo olona milaza fa “Malagasy” kanefamisary gaigy any ivelany any milaza fa tia tanindrazana, nefa manao vidéos manomboka aminahiram-pirenena sy fotoam-pivavahana kanefa avy eo lainga, ompa sy ozona ny zavatra lazainyany anatin'ireny vidéos ireny. Maninona kay no tsy mody daholo e !? Dia eto no mifanatri-tavafa tsy any amin'ny 10.000 kilometatra any no miseho manome lesona ? Soa fa misy farany rahajiaby... Jeannot Ramambazafy

3 / 3