133
Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Nosoratana ho an’ireo mpampianatra any amin’ireo sekoly eto Madagasikara sy any amin’ireo firenena toa azy Boky mifandray akaiky amin'ny 'Fomba Fampianarana Moderina' Nanoratra: Lara Dikha BEd Nampanonta: Robert MacGregor, BSc, PGDE Nandika teny: Danhy RATSIMBASON Nanao ny sary: Rosie Harriott

Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

  • Upload
    others

  • View
    2

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga FototraNosoratana ho an’ireo mpampianatra any amin’ireo sekoly eto Madagasikara sy any amin’ireo firenena toa azyBoky mifandray akaiky amin'ny 'Fomba Fampianarana Moderina'

Nanoratra: Lara Dikha BEdNampanonta: Robert MacGregor, BSc, PGDENandika teny: Danhy RATSIMBASON

Nanao ny sary: Rosie Harriott

Azo ampiasaina sy adika maimaimpoanaFandikan-teny 1.1.1Tsidiho ny http://www.mada-enseignants.org raha te hahazo ny dikan-teny farany sy ireo fitaovana hafa

Page 2: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Teny mialoha/PrefaceNy fampianarana dia asa mendrika. Ny mpampianatra dia manova izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanabeazany sy ny fanomezany ainga ireo tanora. Ny tanora nahazo fanabeazana tsara dia hanana fiainana tsara kokoa ary hahatonga ny fireneny hanan-karena sy hahomby kokoa.

Teto Madagasikara nandritra ny herintaona i Lara, mpanoratra ity boky ity, nanampy sy nanohana ireo mpampianatra. Nanapa-kevitra hiverina izy ny faraparan'ny taona 2017 ary nanoratra boky fiofanana sy fampianarana ho an'ireo mpampianatry ny garabola sy ny ambaratonga fototra.

Hanampy anao hivoatra sy hahomby kokoa amin'ny asa fampianarana ity boky ity. Natao ho an'ny lakilasy misy mpianatra betsaka (100 noho mihoatra) na koa vitsy izay fitaovana sy sahanasa na 'activités' voarakitra ato. Heverina ho manana boky ho an'ny ankizy sy solaitra be ny mpampianatra ary afaka mampiasa taratasy sy fitaovam-panoratana ny mpianatra.

Betsaka ireo hevitra azo entina any amin'ny kilasy zokiny kokoa na dia ho an'ny mpampianatra garabola sy ambaratonga fototra aza no nanoratana ity boky ity.

Ny 'Fomba Fampianarana Moderina' ampiasaina miaraka amin'ity boky ity dia azo alaina maimaimpoana ao amin'ny tranonkala http://www.mada-enseignants.org.

Zon’ny mpamorona/CopyrightIty boky ity dia nosoratana mba hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara ary amin’ny toeran-kafa koa. Raha mandika ity boky ity ianao dia iangaviana mba:

Hitazona ny anarako ho mpanoratra sy ity fanambarana ny zon’ny mpamorona ity. Hampahafantatra ahy ny fomba nanampian’ity boky ity anao na ny toerana misy anao.

Manomeza fanitsiana na hevitra. Mifandraisa amiko amin’ny alalan’ity tranonkala ity: http://www.mada-enseignants.org

Handika ity boky ity araka izay ilainao azy nefa angatahina mba hatao amin’ny vidiny mirary hatrany izany.

Hijery ny “version” farany ao amin’ity tranonkala manaraka ity ilay mpanonta ilay boky http://www.mada-enseignants.org

Hanohana ireo mpampiofana mpampianatra amin’ny alalan’ny fanomezana vola fanampiana.

Teny fisaorana/AcknowledgementsSitraka enti-matory no homena ireto olona voalaza anarana manaraka ireto. Hovaliana raha mahatsiaro:

Danhy RATSIMBASON, nandika teny tamin-pitiavana.RAJAOFERA M. Lilianah, nisahirana namerina namaky sy nanitsy ny boky voadika tamin'ny fiteny Malagasy.Colin and Kimberly Radford (http://www.helpmg.org), nampahery sy nanoro hevitra teny an-tsefatsefany teny.Ireo mpianatra nanatrika ny fiofanana izay nanome toro-hevitra sy soso-kevitra.Ireo namana sy fianakaviana nampahery, niady hevitra, nanolo-tsaina ary nanohana ara-bola ity tetik'asa ity.

2

Page 3: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Emma Stewart nanolotra ny aingam-panahy tamin'ny fanoratana ny toko momba ny 'Méthode phonique'.Ilay Andriamanitry ny Kristiana izay nanome hery nahafahana nanatontosa ity tetik'asa ity.

Mahakasika ny mpanoratra/About the AuthorNahazo 'Licence' momba ny Fampianarana Ambaratonga Fototra tao ao amin'ny Macquarie University, ao Sydney i Lara Dikha. Efa 9 taona izy no niasa ary nampianatra ankizy 5-12 taona. teto Teto Madagasikara i Lara nandritra ny taona 2015 manontolo ary nampivoatra sy nampitao ireo mpampianatra. Nanditra ny fotoana nahateto Madagasikara azy, i Lara dia nanofana sy niahy ary nanohana mpampianatra amin'ny andraikitra sahanin'izy ireo; nanao tombana sy nampivoatra ny fandaharam-pianarana ihany koa izy; ary nanomboka sy nandrindra fandaharana asa hamoronana trano famakiam-boky ampy fitaovana mifantoka kokoa amin'ny fiteny Anglisy. Nandray andraikitra hampianatra kilasy Garabola tamina Sekoly Kristiana iray i Lara rehefa nitodi-doha niverina tany Australie. Izy dia mankafy mihira, mandihy, mitsangatsangana eny amoron-dranomasina ary tia ny fiarahana miaraka amin'ny namana sy ny fianakaviana.

Momba ny mpampanonta boky/About the publisherNiforona tany Toamasina ny taona 2016 ny Centre de formation d'enseignants Robert MacGregor. Nampianatra tao amin'ny Mercy Ships i Robert ary nahita ny filan'ireo mpamianatra teo an-toerana te handray fiofanana takatry ny fahefa-mividy. Fampiofanana kely niarahana tamin'i Lilianah no niantombohany ary nanjary ho seha-pampiofanana mpampianatra lehibe izany ankehitriny. Tanjon'ny ivon-toerana ny hanofana mpampianatra sy mpampiofana eto an-toerana momba ny Fomba Fampianarana Moderina izay azo ampianarina amin'ny karazan-tsekoly fahita manerana an'i Madagasikara. Tanjona ihany koa ny hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'izany. Jereo ny fizarana momba ny 'Ressource Pédagogique' raha te hahazo fanazavana fanampiny mahakasika izay tetik'asa ataonay.

Andeha hifandray/Get in touchManomeza valiny anay raha toa ka nanampy anao ity boky ity. Mamelà hafatra ao amin'ny pejy facebook 'madaenseignants' na tsidiho ny tranonkala http://www.mada-enseignants.org

Nosoratana ho an'ny mpampianatra eto Madagasikara ity Boky ity.

3

Page 4: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fizahan-takelakaTeny mialoha/Preface............................................................................................................................2

Zon’ny mpamorona/Copyright..............................................................................................................2

Teny fisaorana/Acknowledgements.......................................................................................................2

Mahakasika ny mpanoratra/About the Author......................................................................................3

Momba ny mpampanonta boky/About the publisher...........................................................................3

Andeha hifandray/Get in touch.............................................................................................................3

1. Fitantanana kilasy/Classroom Management.....................................................................................7

Ilay lavaka fianarana/The learning pit................................................................................................8

Fankasitrahana na fitsikerana ireo mpianatra/Feedback to students..............................................10

Fitaovana enti-mamboly kilasy mitondra hafaliana/Tools for growing a positive classroom..........11

1. Fandaharam-potoana/Timetable.............................................................................................11

2. Tsipin-teny ho fandaminana ny lesona sy ho fandrindrana izany/Lesson organisation and planning tips................................................................................................................................12

3. Araho maso akaiky ny fotoana/Keep track of time..................................................................13

4. Arindrao ny tabataba/Manage noise levels.............................................................................14

5. Fitsipika ao an-dakilasy/Classroom rules.................................................................................14

6. Omeo ny 5/Give me 5..............................................................................................................14

7. Tabilaon’ny vonon-kianatra/Ready to learn............................................................................15

8. Tabilao fanomezana isa/Table points......................................................................................18

Famintinana/Summary....................................................................................................................19

2. Ny Fahazoan-dahatsoratra ho an’ny Ankizy Kely/Comprehension in the early years......................20

Nahoana isika no mamaky teny?/Why Read?.................................................................................20

Fahazoan-dahatsoratra/Reading Comprehension...........................................................................20

Mamaky teny = Manonona + Mahazo ny dikany/Reading = Decoding + Comprehension...............21

Mamaky teny mafy ho an’ny ankizy/Reading to children................................................................22

Ireo fahaiza-mamaky/Reading skills................................................................................................22

Izaho anie tsy mba manana boky!/But I don't have any books!......................................................23

Ahoana no fomba ampianarana fahazoan-dahatsoratra?/How do we teach comprehension?......23

1. Mialohan’ny hamaky/Before reading......................................................................................23

2. Mandritra ny famakiana/During reading.................................................................................24

3. Aorian’ny famakiana/After reading.........................................................................................25

4. Mamerina mamaky indray/Rereading.....................................................................................25

Fomba fanehoana an-tsary/Visual tools..........................................................................................26

4

Page 5: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

1. Ny ‘carte à bulles’ na antsoina koa hoe ‘carte mentale’/Bubble map......................................27

2. ‘Organigramme’/Flow chart.....................................................................................................27

3. Tsanganana na tabilao/Table...................................................................................................28

4. ‘Graphe’/Graph........................................................................................................................28

Ireo dingam- pahazoana (Niveau de compréhension)/Levels of comprehension............................29

Torohevitra ho an’ny fahaiza-manonona/Tips for Decoding...........................................................34

3. Ny Matematika ho an'ny Ankizy Kely/ Mathematics in early years.................................................36

Fahaizana mamantatra isa/Identification of numbers.....................................................................37

Manisa mandroso sy mihemotra/Counting forwards and backwards.............................................38

Manisa tsifolofolo, tsizatozato ary tsiarivoarivo/Counting by 10s-1000s........................................41

Fitsinjarana isa na ‘décomposition’/Partitioning.............................................................................43

Fiverimberenan-javatra na ‘modèle’/Patterns.................................................................................46

Ny ‘valeur de position’/Place value.................................................................................................47

Fifanampiana sy fifanalana/Addition and subtraction.....................................................................48

Fampitomboana sy fizarana/Multiplication and division.................................................................51

Ny ‘fraction’/Fractions.....................................................................................................................54

Fandresefesana/Measurement.......................................................................................................55

Fomba fito hahatonga ny Matematika hahafinaritra/Seven ways to make maths fun....................56

4. Ny Lalao ho Fampivelarana/Play in development............................................................................59

Inona no atao hoe lalao?/What is play?..........................................................................................59

Inona no soa azon’ny ankizy avy amin’ny lalao?/How does play benefit children?.........................59

Hafiriana isan'andro ny ankizy no tokony hilalao any an-tsekoly?/How much should children play each day?.........................................................................................................................................61

Ny fivoaran'ny lalao/Stages of play..................................................................................................61

Andraikitry ny mpampianatra ao anatin'ny lalao/Role of the teacher in play.................................62

1. Manamora ny fanaovana ilay lalao..........................................................................................62

2. Manao fandinihana..................................................................................................................63

3. Manolotra karazana sahanasa (''activités') mahasarika ny saina.............................................63

4. Mitandrina mba ho voaro amin'ny loza ny tontolo manodidina..............................................64

Kilalao/Toys.....................................................................................................................................64

Ireo karazana lalao/Different kinds of play......................................................................................65

5. La méthode phonique pour les débutants en langue......................................................................73

Manao ahoana ny fampiasana ny “méthode phonique”?/ How does Phonics work?.....................73

Lamina ampianarana ny “méthode phonique” anatin’ny adiny iray / Template for a 1 hour phonics lesson...............................................................................................................................................74

5

Page 6: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Annexe 1 Teny anglisy: Ny filaharan’ireo feo ampianarina sy ireo fihetsika mifanaraka amin’izany.........................................................................................................................................................79

Annexe 2 Teny frantsay: Ny filaharan’ireo feo ampianarina sy ny fihetsika mifanaraka amin’izany82

Annexe 3 Teny malagasy: Ny filaharan’ny feo ampianarina sy ny fihetsika mifanaraka amin’izany 86

6. Lalao fanao an-dakilasy/Games for class.........................................................................................89

7. Torohevitra 5 hampianarana Baiboly ny ankizy/5 tips for teaching the Bible to children...............91

8. Fitaovam-pampianarana na 'ressource pédagogique' sy toro-hevitra/Teaching resources and ideas.............................................................................................................................................................92

Tahirin-kevitra/References...................................................................................................................94

Ary farany ...........................................................................................................................................94

6

Page 7: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

1. Fitantanana kilasy/Classroom ManagementNy fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra entina manova izao tontolo izao' – Nelson Mandella

Resaho/DiscussInona no eritreretinao ho andraikitry ny mpampianatra raha mahakasika ny fomba fitantanana kilasy.

Ireto avy ireo andraikitry ny mpampianatra:

Tsy ny mampianatra ihany akory no andraikitry ny mpampianatra! Ny mpianatra dia saika any an-tsekoly foana, miaraka amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy mandritra ny andro. Midika izany fa misy fiantraikany goavana eo amin'ny fitomboana sy fivelaran'ny mpianatra hiadidiany ny mpampianatra.

Ny andraikitry ny mpampianatra eo amin'ny fiainan'ny mpianatra tsirairay dia sarobidy loatra. Tsy ny hahafahana fanadinana sy ny hahazoana naoty tsara ihany akory no antony mahatonga ny mpampianatra hanabe. Fa manabe ny mpianatra ary manomana azy hiatrika ny any ivelan'ny sekoly izy ireo. Ny mpampianatra dia manampy ny mpianatra hanjary olom-pirenena mahavita azy manao izay tratry ny heriny mba hitondra ny anjara birikiny sy fanovana tsara amin’ny ny fiaraha-monina.

Resaho/Discuss1) Inona no tiantsika ho tsapan'ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana?2) Inona no tsy tiantsika ho tsapan'ny ankizy mandritra ny fotoam-pianarana?

7

Andraikitry ny

mpampianatra

Mikarakara marina ary liana amin'ny mpianatra rehetra

Mampahery ny mpianatra hitohy

hiezaka hatrany sy tsy hilavo lefona.

Mampifantoka ny fo sy ny sain'ny

mpianatra rehefa mianatra izy ireo.Manome fahafahana

ny mpianatra tsirairay hiatrika

fanamby na ahoana na ahoana

fahaizan'izy ireo

Mamboly kolontsaina manohana ny

mpianatra hanam-pahasahiana hianatra na dia mandiso aza izy

ireo

Manoro hevitra sy mitantana ny

mpianatra raha sarotra ho azy ireo ny

mahatakatra zava-baovao

Page 8: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Valim-panontaniana vitsivitsy azo raisina:

Miaina zavatra tsara sy ratsy isan-karazany ny zaza any an-trano. Maro ireo ankizy mahazo ratra noho izay hitany sy reny ao an-trano sy eny amin'ny manodidina.

Ny ankizy dia mitondra kitapo tsy hita maso rehefa mandeha any an-tsekoly. Ilay kitapo dia misy ireo ratra sy olana atrehany any an-tranony sy amin’ny fiainany ivelan’ny sekoly. Izany kitapo izany dia mety havesatra. Araka ny fikarohana, raha feno tahotra na misy ratra mahazo azy ny ankizy dia misy mihidy na tsy afaka mandray fianarana ny ampahany amin’ny atidohany.

Izany no mahatonga ny efitrano fianarana tokony ho toerana voaro, toerana izay hatsapan’ireo mpianatra fa tiana sy omen-daja izy, toerana izay hanohanana ireo mpianatra mandritra ny fianarana. Amin’izay dia afaka mametraka ilay kitapo tsy hita maso eny am-baravarana izy rehefa hiditra ka tsy hila hiahy ny momba izany mandra-podiny.

Resaho/Discussa) Alaivo sary an-tsaina ny tokony ho endriky ny kilasy misy mpianatra faly? Inona avy ireo

zavatra tokony ho hitanao raha mitoditodika mitazana ianao?b) Alaivo sary an-tsaina ny tokony ho re ao an-dakilasy misy mpianatra faly? Inona avy ireo

zavatra tokony ho re raha mivezivezy ao ianao?c) Alaivo sary an-tsaina ny tokony ho tsapa raha miditra lakilasy misy mpianatra faly? Inona avy

ireo zavatra tokony ho tsapa raha mivezivezy ao ianao?

Eritrereto kely ary diniho ny lakliasy misy anao ary ampitahao amin’izay vao avy nalainao sary an-tsaina. Mitovy ve? Sa samy hafa? Inona no mampitovy na mahasamy hafa azy ireo?

Ilay lavaka fianarana/The learning pitIty ohatra manaraka ity dia maneho ny lavaka fianarana. Mandritra ny lesona, ny mpianatra dia mamaky lahatsotra ary miezaka manonona ireo teny araka ny tokony ho izy.

Rehefa mamaky teny mahazatra azy ny mpianatra iray dia mandeha eo amin’ilay mahitsy izy – ilay toerana 1 eo amin’io sary etsy ambony io. Milamina erỳ ny lalany!

8

* Mientanentana ny hianatra sy hihaona amin'ny namany* Voaro amin'ny ratra ara-pihetseham-po sy ara-batana* Manana fandavan-tena sy mahatoky tena ho sahy hanovo fahalalana* Misy manohana, manan-danja ary hajain'ny mpampianatra sy ny namana* Afaka ny hianatra ary ampy faharanitan-tsaina hahatakaran-javatra ara-potoana sy amim-paharetana

* Matahotra ny hianatra ary sahiran-tsaina rehefa mahita ny namana* Matahotra ny handray anjara ao an-dakilasy sao halaim-baraka sy tebahana manoloana ireo namana* Mikorontan-tsaina sy leo satria tsy mahavita mahataka-javatra* Mahatsiaro voailika ary tsikerain'ny mpampianatra sy ny namana foana* Tsy mahavita mianatra ary votsavotsa saina ka tsy mahataka-javatra

Page 9: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Rehefa tonga amina teny tsy mbola hainy izy dia hitsambikina ao amin’ilay ‘lavaka fianarana’. Rehefa ao amin’io toerana io izy dia mety hahatsiaro very sy sahirana ary mety halaim-panahy hiraviravy tanana ka handingana izany teny izany ary hitsambikina amin’ny teny manaraka. Izany dia hitantsika eo amin’ilay tarehimarika (2) eo amin’ny sary.

Rehefa mikiry ary misafidy ny hiezaka hanonona ilay teny vaovao ilay mpianatra ka mandrasa izany ho feo mitokatokana dia efa manomboka mihanika hiala amin’ilay lavaka izy. Mety hiaino ny fanononan’ireo namany izany teny izany na ny mpampianatra dia afaka mampahery azy ka manontany azy hoe 'Inona io feo voalohany io?', 'Inona ilay feo farany?', 'Inona no teny hitanao mifanaraka amin’io fehezanteny io?'.

Ary amin’ny farany, rehefa nahomby ilay mpianatra dia midika izany fa efa nahanika ilay 'lavaka fianarana' izy, ary eo amin’ilay dingana (4) amin’ilay sary izay. Efa vonona ny hitsambikina anaty lavaka fianarana hafa indray izy.

Amin’ny ankapobeny, rehefa miditra ny efitrano fianarana ny mpianatra dia eo amin’ilay lalana mahitsy ny misy azy. Rehefa mianatra izay dia atsipintsika ao amin’ilay lavaka fianarana. Any amin’ny fara-lalin’ny lavaka fianarana dia mety hahatsiaro hikorontana ny sainy, sahirana, hiasa saina izy...Kanefa tsara raha hatsiaro faly, hanana toe-tsaina tia karokaroka, hikiry sy ho faly ireo mpianatra rehefa ao amin’io lavaka io satria ao no misy ny tena fianarana.

Amin’ny mpampianatra antsika, ny asantsika dia tsy ny hamonjy ireo mpianatra hivoaka amin’ilay lavaka fianarana ka hisintona azy avy any am-pita. Fa ny anjara asantsika dia ny manampy azy amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fitaovana ilainy mba hahafahany mamoaka ny tenany amin’ilay lavaka. Ireto manaraka ireto dia mety ho anisan’izany fitaovana izany: Fametrahana fanontaniana toy ny hoe:

o Inona avy no efa hainao?o Inona indray izao no zavatra azo atao manaraka?o Efa nojerenao ve ny zavatra nataon’ireo namanao?o Efa nojerenao ve ireo lesona natao teo aloha?o Efa nangataka fanampiana tamin’ny namanao ve ianao?

Fampaherezana azy ireo mba tsy hiraviravy tanana. Fampahatsiahivana azy fa ilay lavaka dia toerana mahafinaritra ary mihitatra ny ati-dohany

amin’ilay fotoana mahasahirana azy mitady valim-panontaniana. Lazao izy mba hampiasa fomba samihafa. Ampahatsiahivo azy fa tsy maninona akory ny manao fahadisoana satria izany no fomba

hahaizana. Misy karazana fahadisoana roa:

9

Page 10: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

o Fahadisoana hitatra, izay fahadisoana ateraky ny fanandramana zavatra samy hafa.o Tsy fitandremana, izay vokatry ny tsy fahampian’ny fitandremana.

Mialohan’ny hanombohana ny lesona dia mahafinaritra ahy ny mampitsangana ireo mpianatra, mampifandray tanana izy ireo ka manontany azy hoe 'Vonona hitsambikina ao amin’ilay lavaka fianarana ve ianareo? Manisa 3 aho dia hitsambikina isika a! 1.2.3...'. Izany dia manomana ireo mpianatra ara-tsaina mba hianatra.

Fankasitrahana na fitsikerana ireo mpianatra/Feedback to studentsNy fikarohana dia maneho fa rehefa mifantoka amin'ny fitsikerana sy fanasaziana mpianatra ny mpampianatra dia mihena arak'izany ny fahavitrihana hianatra sy ny faniriana te handia ny fianarana. Ka tsy tokony ho ny fanasaziana ihany no hifantohantsika. Fa omeo fankasitrahana sy vokatra tsara izy. Izany dia hampazoto ny mpianatra mba hianatra sy hankafia ny any an-tsekoly. Raha feno tahotra ny ho bedy na ny ho afa-baraka manoloana ny namany satria mandiso ny mpianatra iray dia mety hivaingana ny ati-dohany ary tsy ho afaka handray fianarana. Kanefa rehefa tony, faly, mazoto ny hianatra ny mpianatra iray dia ho tahaka ny spaonjy ny atidohany ka hisokatra ary ho vonona ny handray zava-baovao toy ny fitrohan’ny spaonjy.

fa mahay kokoa ny mpianatra mahazo fankasitrahana. Ny tsikera dia tokony ho tsara hatrany, voafaritra tsara, misy heviny mazava ary atao matetika.

Tsy ny vokatra ihany no dokafana fa ny ezaka ihany koa/Praise the process, not just the end productEo an-dalam-piezahana no mitranga ny fanovozam-pahalalana fa tsy any amin’ny vokatra akory! Koa mila mifantoka kokoa amin’ny fankasitrahana ireo lalana sy fomba entin’ny mpianatra mahazo ny javatra ianarany izany isika. Santionan-javatra vitsy azonao ambara ireto: ‘Tiako ny fomba nanononanao izany teny izany.’ ‘Tsara ilay fanontaniana, inona no nahatonga anao hieritreritra izany?’ ‘Hitako saiky tsy tafavoaka ianao tamin’ilay fanontaniana momba ny kajy ary nitady fomba hafa

hamaliana azy, tia karokaroka!’ ‘Tsikaritro ianao nanampy ilay namanao hiala amin’ny toerany handeha teo anoloana.

Mieritreritra ny hafa!’ ‘Hevitra tsara! Mahay mamorona!’

Resaho/DiscussInona avy ireo zavatra ankoatry ny vokatra na valiny azonao handokafana ny mpianatra?

Karazan-javatra vitsivitsy azonao hankasitrahana ireo mpianatra:

10

Page 11: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fitaovana enti-mamboly kilasy mitondra hafaliana/Tools for growing a positive classroomMaka fotoana sy mila ezaka ny fananganana kilasy mitondra hafaliana kanefa misy zavatra vitsivitsy azonao atao hanamorana ny fandrindrana ny kilasy ampianarinao mba hahafaly kokoa. Ireo fomba mety hanampy no horesahana ato amin'ity toko manaraka ity.

1. Fandaharam-potoana/TimetableRaha mbola tsy tonga ao an-dakilasy ny mpianatra, soraty/sorito eo amin'ny solaitra be ny fandaharam-potoana hitranga mandritra ny andro, ohatra:

Vavaka & hira Famakian-teny Lalao momba ny paika(jeu rythmique) Fianarana manoratra Lalao - Ataovy ity, ataovy iry Kajy Fakan-drivotra maraina Siansa Lalao - fitaratra Tantara Lalao - fakana sary an-tsaina (jeu d’imagination) Sakafo atoandro Zava-kanto Lalao – mienjana (jeu d’étirement) Kilalao mampivelatra

Jereo ilay toko mikasika ny ‘lalao’ raha mila hevitra mikasika ireo lalao fohy azo atao ianao.

11

Ireo azontsika hankasitrahana na hananarana

toe-pon'ny mpianatra

fivoaran'ny mpianatra

toetry ny mpianatra

fiezahana atonton'ny mpianatra fitondran-tena

paik'ady ampiasain'ny

mpianatra ho enti-mamaha olana

fanontaniana apetraky ny mpianatra

hevitra zarain'ny

mpianatra

Page 12: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Mila manoratra fandaharam-potoana ianao isan'andro mba hahafahanao mivonona sy hahafahanao manana fotoana ampy ho an'ny taranja tsirairay.

Alatsinainy 01 janoary 2017Ampaham-potoana maraina

Fiarahabana, fiantsoana anarana,fitanisana ny fandaharam-potoana & vavaka (5-10 min)Famakian-tenyLalao momba ny paika na hira (1-2min)Fianarana manoratraLalao – ataovy ity, ataovy iry na hira (1-2min)

Fakan-drivotra marainaEo antenantenany

SVTLalao-fitaratra na hira (1-2 min)TantaraLalao –maka sary an-tsaina na hira (1-2 min)

Sakafo atondroAmpaham-potoana hariva

Zava-kantoLalao – mienjam-batana na hira (1-2 min)Kilalao mampivelatraJery todika ny tontolo andro, vavaka sy fanaovam-beloma (5-10m)

2. Tsipin-teny ho fandaminana ny lesona sy ho fandrindrana izany/Lesson organisation and planning tips Tian’ny mpianatra ny fananana ‘routine’ na lamina fanao mahazatra. Ampitovio ny fomba

fanombohana isan’andro - miarahaba, manonona anarana ary manao zavatra iray tsy mandany fotoana. Ireto avy ny zavatra tsy handaniam-potoana be loatra: Mangataka ankizy iray na roa hivavaka ho an’ny tontolo andro. Manao hira misy fihetsika. Mamaky ampahana tantara. Mametra-panontaniana iandrasam-baliny amin’ny mpianatra sy natao horesahiny amin’ny

namany, ohatra: Nanao inona ianao nandritra ny Sabotsy sy Alahady? Inona no sakafo tianao indrindra ary nahoana? Iza no olona tianao hihaonana indray andro any? sns...

Hahazo aina ary ho faly ny mpianatra mieritreritra ny tontolo andro raha zavatra mampientanentana no atao eny am-panombohana. Hanana fotoana hiomanany hiditra amin’ny fianarana ireo mpianatra ary hahomby kokoa raha oharina amin’ny hoe tonga dia nampianatra avy hatrany ianao.

Ataovy vain-dohan-draharaha ny fianarana mamaky teny sy manoratra raha vao miandoha ny andro. Ny ampaham-potoana maraina no mampifoha tsara ny mpianatra sy mahavonona azy hianatra. Arakaraka ny mampandroso ny andro no mahareraka sy tsy mampitom-bintsiraka ary mora mahavariana ny mpianatra. Aleo avela ho an’ny ampaham-potoaona hariva ireo taranja tsy hilana fifantohana sy ezaka be loatra.

Mampiasa hira na tsianjery hanelanelanana lesona roa. Mila ‘fakan-drivotry ny ati-doha’ ampy ny mpianatra kely taona mandritra ny andro mba hahafahana hitohy hifantoka amin’ny fianarana.

12

Page 13: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ho an’ny mpianatra 3-5 taona, ny fakana aina mialohan’ny hidirana amin’ny zavatra hafa dia tokony hatao isaky 20 na 30 min

Ho an’ny mpianatra 6-8 taona, Izany dia tokony hatao isaky ny 30-45 min Ho an’ny mpianatra 10-12 taona, izany dia tokony hatao isaky ny 45 min – adiny iray na isaky

ny miova taranja Ny ‘fakan-drivotry ny ati-doha’ dia manome fotoana ny mpianatra hamerina fifantohana mba tsy ho fandaniam-potoana fotsiny ny fizaram-potoana manaraka ary mba ho vonon-kiasa ny saina.

Alaivo sary an-tsaina ny ‘éponge’ iray vonton-drano. Hitsotsorika hivoaka ny ‘éponge’ ny rano raha toa isika mitohy mamonto rano izany. Kanefa raha fihazintsika aloha ilay spaonjy dia afaka hitroka rano indray izany. Toy ny ‘éponge’ ny ati-dohan’ny mpianatra, mila fotoana mazava hakana aina mba ho foana ka ho azo fenoina indray.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mila mandeha mamonjy toeram-pivoahana izy ireo mandritra ny fakan-drivotra mialoha ny ho any an-dakliasy, rehefa fotoam-pisakafoanana ary amin’ny firavana. Tsy fandehanana mamonjy toeram-pivoahana akory ny fotoam-pianarana. Fa raha toa ka tsy tantin’ilay mpianatra intsony ny miharitra izany dia alefaso mamonjy toeram-pivoahana izy. Ho an’ny mpianatra 7taona noho miakatra anefa, soraty eo amin’ny solaitra be ny anarany mba ho afaka ny hameno ny ‘fotoam-pianarana’ very mandritra ny fakan-drivotra izy. Afaka mandany 1-5 min manao famakian-teny mangina na mianatra manoratra ilay mpianatra hamenoany ny fotoam-pianarana very.

Rehefa hitan’ireo mpianatra efa lehibebe fa misy vokany ny fandehanany mamonjy ny toeram-pivoahana amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany dia hianatra hanamboatra ny fotoana fandehanany any izy. Mbola mianatra mifehy ny fivoahany kosa ny mpianatra kely ara-taona kanefa hanampy azy ireo ny fanazavantsika momba ny ozatra ao amin’ny vatantsika izay afaka mihazona ny filana mandeha mivoaka. Ampirisiho izy ireo fa hihazona ny filany anatin’ny 5 minitra mialohan’ny handehanany makany any amin’ny toeram-pivoahana.Zava-dehibe ny fahaizana mifehy ny fivoahana.

3. Araho maso akaiky ny fotoana/Keep track of timeMampiasa 'chronomètre' na famataranandro hanarahana maso ny fotoana ho an'ny sahanasa tsirairay. Raha manambara tsy tapaka amin’ireo mpianatra ny fotoana sisa tavela ananany ny mpianatra dia mety mba hahavita ny sahanasa ampanaovina azy ara-potoana.

Mialoha ny hanombo-javatra, lazao azy hoe: 'Manana 20 minitra ianareo hanaovana ity.' Ary ampahatsiahivo azy rehefa misasaka ny fotoana, rehefa 5 minitra sisa tavela, rehefa 1 minitrasisa tavela. Hanampy ny mpianatra efa mahatakatra ny resaka fotoana izany satria hiasa haingana na miadana kokoa araka izay ilaina izy. Hampivoatra ny fahazoana ny momba ny fotoana ho an'izay mbola tsy mahatakatra izany.

Zava-dehibe koa ny tsy hahatohana ny mpianatra raha toa mifarana ny lesona iray na miova ny la asa atao satria efa nampandre azy mialoha ianao ary efa vonona ara-tsaina ny hivadika zavatra hafa izy ireo.

13

Page 14: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

4. Arindrao ny tabataba/Manage noise levelsFomba mora handrindrana ny tabataba ao an-dakilasy ny fanomezana fitaovam-fandrefesana ny mpianatra. Ohatra:

Hamafisam-peo 0:mangina Hamafisam-peo 1:mibitsibitsika Hamafisam-peo 2:olon-droa mitafasiry Hamafisam-peo 3:amboara-peo Hamafisam-peo 4:miara-miredona Hamafisam-peo 5:kotaba an-tokontany

Afaka miteny toy izao ianao rehefa mivavaka ho an'ny kilasy iray manontolo ny mpianatra: ‘Josoa, afaka mivavaka ho anay amin'ny hamafisam-peo 04 (toy ny miara-miredona) ve ianao ho renay rehetra?’

Afaka miteny toy izao ianao rehefa manao fitsapam-pahaizana ny mpianatra: ‘Noho ny fitsapam-pahaizana rankizy dia aoka isika ho amin'ny hamafisam-peo 0 (na mangina) mandritra ity ampaham-potoana ity.’

Afaka miteny toy izao ianao rehefa mifanakalo hevitra amin'ny namany ny mpianatra: ‘Aoka isika, rankizy, ho amin'ny hamafisam-peo 02 (na olon-droa mitafasiry) rehefa mifampizara amin'ny namana.

Rehefa mandeha eny ny taona, ho zatra amin'ny hamafisam-peo ny mpianatra ka tsy hila hiteny akory ianao fa hampiasa ratsan-tanana hanehoana sy hampatsiahivana ny hamafisam-peo tadiavina.

Mila miasa mafy ianao mitantana tsara ny lakilasy raha vao miandoha ny taom-pianarana. Hioty ny vokatry ny hatsembohana kosa ianao anefa any am-piafaran'ny taom-pianarana satria ho zatra ireo rafitra sy fanao mahazatra ao an-dakilasy ny mpianatra.

5. Fitsipika ao an-dakilasy/Classroom rulesManampy ny fampahatsiahivana ireo fitsipika ao an-dakilasy isaky ny fiandohan'ny herinandro. Ilaina ihany koa ny milaza amin'ny mpianatra ireo fitsipika raha vao miandoha ny taom-pianarana mba hazava tsara izay handrasana aminy.Tsara ny manome ohatra fanarahana na koa fandikana ny fitsipika rehefa manao tomba-maso ireo fifampifehezana ao an-dakilasy. Ho faly ny mpianatra raha atao tantara kely mihitsy ny mety ho endrikendriky ny fanarahana na koa fandikana ireo fitsipika tsirairay:

1. Manangan-tanana aho ary miandry ny anjarako2. Manaraka toromarika 3. Manao ny tsara indrindra hatrany ary tsy milavo lefona mihitsy4. Tia namana5. Mipetraka amin'ny toerana tokony hisy ahy

6. Omeo ny 5/Give me 5Anisan'ny sarotra ho an'ny ankizy madinika ny mipetraka tsara ao an-dakilasy. Faly isika raha mifantoka mihaino antsika (écoute active) ny mpianatra ary mampiseho amin'ny alalan'ny vatany fa manongilan-tsofina izy ary vonona ny hianatra. Tia mikasikasika ny akanjony, ireo namany, na ny tany anefa ny ankizy madinika. Tia mijerijery ny manodidina azy izy ireo ary manonofy atoandro

14

Page 15: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

mitazana any an-tokontany. Tia mikodidia izy ireo ary manao izao karazam-peo rehetra izao. Amin'ny ankapobeny, sarotra ho azy ireo ny mipetraka mangina sy mijery any amin'ny mpampianatra. Ny 'Omeo ny 5' dia fomba hampatsiahivana ny mpianatra hifantoka hihaino (écoute active) sy ho vonona ny hianatra!

1. Mijery ny maso2. Mikombona ny vava3. Mihaino ny sofina4. Ny tanana apetraka tsara5. Ny tongotra apetraka tsara

Raha toa ka misy mpianatra tsy manome 5 anao dia afaka manao ireto manaraka ireto ianao:Mijere mpianatra iray mahafeno ny 'Omeo ny 05' ary lazao azy hoe: 'Oay, mahafinaritra ahy i Jonatana manome ahy ny 05. Misaotra indrindra, Jonatana. Mahafaly ahy ny mahita antsika vonona ny hianatra ary manome ny 05!'

Ny fisarihana ny saina hibanjina ilay ankizilahy kely manao ny tokony hatao no hitarika ireo mpianatra hafa hanitsy ny fihetsiny hahazoana sitraka avy aminao. Raha hitanao manao izany izy dia lazao aminy hoe: 'Oay, jereo Josoa mipetraka tsara izao! Manome ahy ny 05!'

Raha misy mpianatra mbola mitohy mitabataba sy mipelipelika eran'ny trano ihany, ampahatsiahivo moramora izy hoe: 'Josoa, adinonao angaha ny manao Omeo ny 05? Inona moa no tokony hatao? Mijery ve ny masonao? Mikombona ny vava? Mihaino ny sofina? Mipetraka tsara ny tongotra sy ny tanana? Nahafinaritra ahy ianao nipetraka tsara teo. Aleo averina indray izany.'

Izao lazaina raha mbola misy mpianatra maditra: 'Indrisy mantsy! Tena malahelo aho satria ianao tsy manome ahy ny 05. Afindrako toerana ianao ary hiala nenina farany aminao aho hahitako raha afaka manome ahy ny 05 ianao. Misy anarana ho lasa gisitra ao amin'ny "Lisitry ny ankizy vonon-kianatra". Mampalahelo izany.'

7. Tabilaon’ny vonon-kianatra/Ready to learnFomba hankasitrahana na hibedesana ny mpianatra ny lisitr'ireo izay vonon-kianatra. Miakatra toerana ny anarana ao amin'ny lisitra rehefa hendry ny mpianatra. Midina ambany kosa izany ho an'ny mpianatra maditra. Zava-dehibe ny hamerenana amin'ny laoniny ny lisitra isa-maraina, ka samy ho ao amin'ny vonon-kianatra avokoa ny mpianatra rehetra.

azo soratana amin'ny solaitra be na atao takelaka hafa ao an-dakilasy mihitsy ny lisitr'ireo izay vonon-kianatra. Ny sokajy tsirairay dia tokony hisy toerana ampy hanoratana ny anaran’ireo mpianatra ao amin’ilay sokajy.Mba tsy handaniana fotoana dia soraty fotsiny ny fiandohan’ny anaran’izy ireo (initiale). Avelao ho banga ny sokajy 'vonon-kianatra' raha maro ny mpianatra.

15

Page 16: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ohatra tabilaon’ny vonon-kianatraMahafatra-po

LD, DR, LDMendrika

RM, VM, THTsara

HHT, WVGVonon-kianatra

Ento moraFK, RJ

AjanonyDF, PB

Mahazo sazyHG,MP

Iantsoana ray aman-drenyIT, JA, AB

Izao lazaina ny mpianatra: 'Samy manomboka ao amin'ny "vonon-kianatra avokoa isika isan'andro saingy hiakatra na hidina ny lisitra ny anaranareo. Hiakatra ny lisitra ny anaran'izay indray. Hidina kosa ny an'izay maditra. Hiakatra na hidina dingana iray isaky ny mihetsika ny anarana.'

Fampiasana ny tabilaon'ireo izay vonon-kianatra ho fibedesanaMatetika no tsy manara-dalàna ny ankizy ao an-dakilasy. Noho izany, misy fotoana ilana ny fibedesana araka izay noresahana tetsy ambony mahakasika ny 'Omeo ny 05'.

Ireto dingana manaraka ireto dia azo arahina raha raha toa ka misy olana amin'ny fitondran-tenan’ny mpianatra, amin’ny fihetsiny sy ny ezaka ataony ary amin’ny ny toetrany.

Dingana voalohanySingano manokana ny fitondran-tenan'ireo mpianatra hendry. Matetika manaitra ireo mpianatra maditra hanitsy ny fitondran-tenany izany, satria te hodokafana koa izy ireo.Valio fampaherezana hatrany raha misy mpianatra manitsy fitondran-tena: 'Hendry izany a, faly aho mahita anao mifantoka sy mipetraka tsara.'

Dingana faharoaRaha toa ka mbola mitohy ilay ditrany dia ampahatsiahivo azy moramora ny fitondran-tena tokony hananany. ‘Mifantoka amin'ny fianaranao ve ianao io izao? Miezaka mikaly asa araka izay azonao atao ve ianao? Eo am-pofoana ve ny tananao sa mikitikitika ny namana? Manome ahy ny 05 ve ianao?' Sns...

Ankasitraho lalandava rehefa manitsy ny fitondrantenany ny mpianatra: 'Hendry izany a, faly aho mahita anao mifantoka sy mipetraka tsara.'

16

Page 17: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Dingana fahateloIzao tenenina raha mitohy maditra nympianatra: 'Indrisy mantsy, malahelo aho satria tsy manome ahy ny 05 ianao. Afindrako toerana ianao ary ampidiniko ho ao amin'ny 'Ento Mora' ny anaranao. Averina ao amin'ny 'Vonon-kianatra' ny anaranao raha mahavita manome ahy ny 05 ianao eny amin'ny toerana hamindrana anao.

Raha manitsy ny fitondrantenany ilay mpianatra dia teneno hoe: ‘Oay, tena faly aho satria manomboka hendry ianao. Andao andrasana 05 minitra ka haveriko ao amin'ny "vonon-kianatra" ny anaranao raha mitohy hendry ianao!' Aza adino ny mamerina ny anarany raha mitohy hendry izy.

Dingana fahaefatraIzao tenenina raha mitohy maditra ny mpianatra 'Tena diso fanantenana aho. Nampitandrina anao farany aho saingy nisafidy ny mbola haditra ianao. Afindra ery amin'ny 'toerana fisainana' ery ianao ary omena 10 minitra hieritreretana irery. Hahemotra koa ny anaranao ho ao amin'ny 'Ajanony' satria mila manajanona ny ditra ianao ary misaina ny tokony ho fitondrantena hovaina rehefa avela hianatra indray. 'Miataka amin'ny lakilasy ny toerana fisainana, mety ho ivelan'ny efitrano fianarana izany, na ho ao an-dakilasy ihany saingy misintaka amin'ireo mpianatra hafa.

Resaho mitokana ilay mpianatra rehefa afaka 10 minitra, ary ametraho fanontaniana toy izao: 'Fantatrao ve ny antony tsy maintsy namindrana anao teny amin'ny toerana fisainana? Inona no nataonao? Iza no voakorontana noho izany? Inona no anaovanao azafady? Maninona no ratsy izany? Inona no hovainao amin'ny manaraka? Te hifona amiko ve ianao?’

Hanampy anao hitarika ilay mpianatra handini-tena, hiala tsiny ary ho voavela heloka ireo fanontaniana ireo. Mety hila hiala tsiny amin'ny namany ilay mpianatra arakaraka ny zava-mitranga, indrindra raha nanakorontana azy ireo izy. Avereno mianatra indray ilay mpianatra ary haneho fahendrena vao asondrotra ny anarany ao amin'ilay tabilao. Omeo fankasitrahana ilay mpianatra izayy maneho fahendrena. Ataovy izay hatrarana azy manao ny tsara, satria hanosika azy hitohy haneho fahendrena izany.

Dingana fahadimyFamaizana mafy kokoa no omena raha toa tsy miala tsiny ilay mpianatra rehefa avy teo amin'ny toerana fisainana. Azo atao ny tsy mamela azy hilalao mandritra ny fotoana fisakafoanana.Tokony hiantso ny ray aman-dreny koa ny mpampianatra ka mampahafantatra azy ireo ny ditra nataon'ilay mpianatra sy ny tsy famelana azy hilalao mandritra ny ora fisakafoanana vokatr'izany.

Fampiasana ny tabilaon’ireo izay vonon-kianatra ho fankasitrahana:Zava-dehibe ny fifantohana amin'ny fahendren'ny mpianatra. Araka ny fikarohana natao dia tena mampivoatra ny toetry ny ankizy ao an-dakilasy ny fifantohana amin'ny fanomezana fankasitrahana.

Singano ny toetra tsara asehon'ny mpianatra hendry, omeo fankasitrahana izy, ary asondroty ambony amin'ny tabilaon'ireo izay vonon-kianatra ny anarany.

Ireo antony ampisondrotana ny anaran'ny mpianatra eo amin'ny lisitr'ireo izay vonon-kianatra: Milamina sy mifantoka Maneho toetra tsara amin’ny namanyManeho faharetana sy miandry tantana

17

Page 18: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Maneho fifantohana amin'ny fianarana Mampiseho fahaizana mampifandray rehefa mianatra Fahaiza-mamorona rehefa mieritreritra Mametraka fanontaniana tsara Manome anao ny 05 Fivoarana hita maso Mampahery namana na dia mandiso aza izy Miezaka mafy rehefa mianatra Miezaka mamaly fanontaniana.Omeo fankasitrahana ilay ezaka na dia diso aza ny valiny azo.

Rehefa misy mahatratra ny sokajy 'mpianatra mahafatrapo', dia azo omena fankasitrahana izy, toy ny fisafidianana kilalao ho an'ny iray kilasy na ny fanomezana fotoana malalaka hanaovana sary.

Mampahery sy manosika ny mpianatra hitohy ho hendry ianao rehefa mifantoka amin'ny fahendrena asehony. Araka izay voalaza etsy aloha rehefa tsy azo anoharana ihany vao tokony hifantoka amin'ny ditran'ny ankizy ianao.

8. Tabilao fanomezana isa/Table pointsFomba tsara azo ampirisihina ny mpianatra hanana toe-tsaina, fitondrantena, fiezahana, fisainana ary fianarana tsara ihany koa ny tabilao fanomezana isa.

Zarao tarika misy mpianatra enina eo ho eo avy ny mpianatra. Omeo anarana ny tarika tsirairay. Hahafaly ny mpianatra efa lehibebe raha avela hisafidy ny anarany miainga amina lohahevitra iray izy, ohatra: 'Misafidiana anarana voankazo ho an'ny antoko misy anareo.'

Soraty eo amin'ny solaitra be ny anarana tsirairay. Hazavao fa mahazo isa ny tarika iray rehefa manao zavatra tsara ny mpikambana rehetra ao aminy. Omena isa 04 ny ekipa mahavita mamoaka boky sy pensily voalohany ary vonona ny hianatra. Isa 03 ho an'ny faharoa. Isa 02 ho an'ny fahatelo ary 01 ho an'ny taraiky indrindra.Tsipika toy izao no anehoana ny isa eny amin'ny solaitra be:

MenaIIIIManga IIMaitso IIIIVolomboasary I

Ny tarika izay manana ny isa be indrindra amin’ny faran’ny herinandro dia azo omena 15 minitra fotoana malalaka ny tarika mahazo isa be indrindra ny Zoma tolakandro. Safidiana ny Zoma tolakandro satria ny maraina no ampaham-potoana tsara indrindra hianaran'ny ankizy ary tsy tiana ho very foana izany.

Afaka ampiasaina ampirisihana ny ankizy hianatra am-pahanginana sy am-pilaminana ny tabilao fanomezana isa. Hampahery azy ireo hahay handamina haingana izany rehefa mifindra lesona hafa. Ary hanampy azy ireo hahay hifanome tanana tsara ny fiarahamiasa ao anaty tarika kely.

Azo atao koa anefa ny manaisotra isa raha toa tsy mahay miara-miasa ny iray tarika. Ohatra, voatery miandry tarika iray hangina ny mpianatra rehetra satria ilaozany mimenomenona sy mivezika eran'ny trano fotsiny. Afaka miteny toy izao ianao: 'Miala tsiny ry tariky paoma, anesorana iray ny isanareo satria nampiandry ny iray kilasy ianareo ary nanary fotoana tokony hianarana.’

18

Page 19: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Famintinana/SummaryIanao mpampianatra no manapa-kevitra ny amin’ny kolontsaina tianao hisy ao amin’ny kilasy tandremanao. Ezaho ampiasaina entina hamolavolana kolontsaina tsara ireo hevitra naroso ireo. Hampandaitra ny fampianarana atao sy hahatonga ny mpianatra hanovo fahalalana betsaka izany tontolo tsara ao an-dakilasy izany.

Fampiharana sy fanontaniana/Activities and questions1.Impiry ianao no maneho fankasitrahana ireo mpianatra hendry? Ezaho ampitomboana raha toa ka mahalana izany.

2. Manaova drafitra hanandramana ireo paikady ireo farafahakeliny mandritra ny herinandro. Tohizo ireo paikady hita fa mandaitra.

3. Maka taratasy A4 dia zarao 4 izany ka atao ireo sahanasa amin’ireo fizarana tsirairay

Manavao sary roa mikasika izay voarainao tamin’ity toko ity ka hampiasainao any amin’ny kilasy ampianarinao

Mitanisà zavatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Manorata zavatra roa voarainao ka hitanao mahaliana

Manorata fanontaniana roa mikasika ity lohahevitra ity

19

Page 20: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

2. Ny Fahazoan-dahatsoratra ho an’ny Ankizy Kely/Comprehension in the early years

‘Nisokatra nanoloana ahy izao tontolo izao tamin’ny fotoana nahaizako namaky teny’ – Mary McLeod Bethune

ResahoInona avy ireo tombon-tsoa azo avy amin’ny famakian-teny? Nahoana no tena zava-dehibe izany?

Nahoana isika no mamaky teny?/Why Read? Mampitao ny ankizy hianatra ao an-tsekoly sy any ivelan’ny sekoly ny famakian-teny. Fahaizana-manao ilaina amin’ny fiainana ny famakian-teny. Na inona na inona no ataon’ireo

mpianatra amin’ny fiaianany dia tombony ho azy ny fahaizana mamaky teny. Mitondra ny mpianatra hitety kolontsaina, fotoana, fomba fijery ary toerana samihafa ny

famakian-teny. Ny famakian-teny Varavarana misokatra ho an’ny fahaizana maka sary an-tsaina, fahaiza-

mamorona, ary fananana saina mahay mitsikera. Ny ankizy manana fahaizana manokana momba ny tenim-pirenena dia mampitombo izany

amin’ny alalan’ny famakian-teny tsy tapaka.

Resaho1. Araka ny hevitrao, inona no atao hoe ‘fahazoan-dahatsoratra’?2. Inona avy ireo taranja miharatsy noho ny tsy fahazoan’ny mpianatra izay zavatra vakiany?

Fahazoan-dahatsoratra/Reading ComprehensionFahaizana mahatakatra izay zavatra vakiana no hamaritana ny fahazoan-dahatsoratra. Raha ny any am-tsekoly no resahana, ny fahazoan’ny ankizy izay zavatra vakiany no hampahomby azy na tsia amin’ny taranja rehetra. Amin’ireo taranja samihafa dia mila mahatakatra sy mahazo amin’ny fomba isan-karazany sy ho an’ny tanjona samihafa ny mpianatra. Tsy fanonona mafy karazam-peo fotsiny akory ny fahazoan-dahatsoratra. Misy ohatra vitsivitsy tanisaina etsy ambany.

Fahazoan-dahatsoratra amin’ny taranja siansaNy ankizy dia mila mahazo ny fanazavana ny fizotrin’ny zavatra iray (‘processus’), manaraka taridalana hanaovana fanandramana ary mamaky fanehoana an-tsary (schéma), “diagramme” na tabilao misy ireo tsara ho fantatra.

Fahazoan-dahatsoratra amin’ny taranja MatematikaMila mahazo ny voambolana fampiasa amin’ny Matematika ny ankizy: fifanampiana (plus), «additionner», fitadiavana ny fitambarany (total), fifanalana (soustraire), fitadiavana ny mahasamihafa, mihoatra, latsaka, mavesatra kokoa, maivana kokoa, fampitomboana (multiplier), fizarana (diviser) sns.

Fanampiny izany, ilaina hay ny mandika ireo voambolana sasany amin’ny laza olana – ohatra: Nanana paoma 12 Malala saingy tonga i Onja ka nihinana ny 07. Firy ny ambiny? Manana paoma firy avy izy roa?

20

Page 21: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fahazoan-dahatsoratra amin’ny taranja TantaraMaka sary an-tsaina vanim-potoana samihafa tamin’ny tantara ny ankizy. Indraindray lesona tranainy nitranga efa fahagolan-tany no vakiany. Rehefa mihalehibe ny ankizy dia takiana mba hamaky diary, firaiketana an-tsoratra ary boky ahitana fomba fanoratra samihafa. Mila mahavaky ‘chronologie’ ihany koa izy ireo.

Fahazoan-dahatsoratra amin’ny taranja Jeografia Tokony hahavita hahatakatra lesona ampitaina amin’ny alalan’ny fanehoana an-tsary toy ny sarintany, ireo “symbole” hita amin’ny sarintany sy ‘graphe’ ny ankizy.

Rehefa mamaky teny ny ankizy dia mila manonona ireo teny hita eo ambony pejy ary miezaka mandrafitra ny heviny izany ao an-tsainy.

Mamaky teny = Manonona + Mahazo ny dikany/Reading = Decoding + ComprehensionNy atao hoe fanononana dia ny famadihana izay voasoratra ho zana-peo kely indrindra ary ny fanambarana izany ho lasa teny feno. Vakio ny faran’ity toko ity sy ny toko momba ny ‘Méthode phonique’ raha mila fanazavana fanampiny.

Ny fahazoan-dahatsoratra kosa dia ny fandrafetana sy fanatsoahana hevitra avy amin’ireo teny vakiana na fanehoana an-tsary hafa.

Misy ankizy mahavita manonona saingy tsy mahazo ny dikany. Ny sasany indray mahazo tsara raha misy olona mamaky mafy ho azy ireo saingy tsy mahay manonona. Ny mpamaky teny mahay dia mahavita azy roa mitambatra!

Rehefa mamaky tantara foronina dia amin’ny alalan’ny fahazoana ny dikan’ireo teny eo amin’ny pejy sy ny fahaizana ny hevitry ny sary no hahatakaran’ny mpianatra ny hevitra izay vakiana.

Raha zava-misy marina kosa no vakiana, tsy izay tiana ambara avy amin’ny voambolana ihany no ilaina azo fa ireo zavatra samihafa eo amin’ilay pejy ihany koa. Izany no mahatonga ny fahazoana lahatsoratra milaza zava-misy marina ho sarotra kokoa noho ny tantara foronina. Ny “information” ao anatin’izany dia mety hiseho amin’ireto endrika manaraka ireto:

‘Graphique’ ‘Légende’ Fizahan-takelaka Fanazavana ireo voambolana mahakasika ny lohahevitra (glossaire) Lohateny Lohateny kely (sous-titre) Tsipika kely na teboka “Schéma”Tsanganana na tabilao ‘Graphe’ Sarintany ‘Chronologie’ Teboka Sary

Resaho

21

Page 22: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Raha vao manomboka mamaky teny ny ankizy, karazan-dahatsoratra manao ahoana no tokony hovakiany, tantara foronina ve sa boky manazava zava-misy marina? Nahoana?

Toa antsika mampianatra ny ankizy ireo litera sy ny feony mba hahafahany manonona teny dia tsy maintsy ampianarintsika azy ireo ihany koa ny mahakasika ny fahazoana ny vakin-teny raha tiantsika ho mpamaky teny mahomby izy ireo.

Mamaky teny mafy ho an’ny ankizy/Reading to children‘Ny famakian-teny mafy ho an’ny ankizy no fomba tokana sy tsara indrindra handrafetana ny fahalalana sy fahaiza-manao hilain’izy ireo any aoriana mba hahaizany mamaky teny.’ Marilyn Jager Adams

Betsaka ny fikarohana natao momba ny lalana hahatonga ny ankizy hahay hamaky teny tsara. Izany dia nahitana fa tena mahasoa ny ankizy raha mamaky teny mafy ho azy ireo ny mpampianatra.

Tsy maintsy manao izay zavatra rehetra ilaina hahatonga olona iray ho mpamaky teny mahay isika rehefa mamaky tantara ho an’ny ankizy mba ho ohatra halain’izy ireo tahaka. Ilaina tantaraina ny ankizy izay zavatra sainina sy eritreretina mba ho henon’izy ireo ny trangan-javatra miseho ao an-tsaina mpamaky boky tena mahay iray. Asehontsika azy ireo ny fiovan’ny feontsika rehefa mamaky teny na andianteny manokana. Asehontsika azy ny fomba hamantarantsika ny dikan’ny teny sasany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny manodidina izany.

Tia tantaraina tantara ny ankizy ary singa iray tena lehibe amin’ny fampianarana ataontsika izany. Tokony ho tafiditra amin’ny fandaharam-potoantsika ny famankiana tantara ho an’ny ankizy isan’andro.

Ireo fahaiza-mamaky/Reading skillsResaho:a) Alaharo ireto fahaiza-manao ireto ka ny mora indrindra no alefa aloha. b) Alaharo araka ny laharana tokony hampianarana azy ireto fahaiza-manao ireto.

Mamaky Manoratra Miteny

Maka tahaka ny fomba fitenin’ny olona manodidina azy ny ankizy rehefa mianatra miteny. Izany no maha zava-dehibe ny firesahana amin’ny zaza sy ny ankizy.

Mila mahay mamadika ny soratra ho lasa feo ny ankizy rehefa mamaky teny.

Tokony hahavita hamadika ny feo ho lasa soratra ny ankizy rehefa manoratra.

Ny miteny no tokony hampianarina voalohany, manaraka izany ny mamaky ary farany ny manoratra.

22

Page 23: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Izaho anie tsy mba manana boky!/But I don't have any books!Sarotra ho an’ny ankamaroan’ny mpampianatra sy sekoly eto Madagasikara ny mahita boky na lahatsoratra. Toro-hevitra vitsivitsy. Midira mpikambana amin’ny Tranom-bokin’ny Alliance Française eo an-toerana raha mitady

lahatsoratra Frantsay. Mora ny latsak’emboka aloa isan-taona. Misy fomba samihafa azo atao ho an’ny pejy na fizarana isanisany raha toa ka ny mpampianatra

ihany no manana boky:o Adikao ny ampahany amin’ny boky mandritra ny fotoana fianarana manoratra.o Mamakia ampahany amin’ny boky ho an’ny ankizy. o Soraty eo amin’ny solaitra be ny ampahany amin’ny boky hovakiana mandritra ny fotoana

famakian-teny. Ataovy ‘photocopie’ ny boky iray tsara nefa tonta sy rotika mba ho azo ampiasaina maharitra

kokoa. Maro ny boky manazava zava-misy marina amin’ny ‘internet’ raha manana finday arifomba ianao,

na misy cyber café eny akaiky eny. http://mada-enseignants.org/websites/ hanombohana sy hakana hevitra. Ataovy ‘impression’ izay lesona mety hanampy anao.

Maro ihany koa ireo tranonkala izay azo jerena maimaimpoana amin’ny tambazotra Orange na Bip. Jereo amin’ny findainao ity tranonkala manaraka ity mba hahitanao izay rehetra ao: http://freebasics.com. Ilay misy ny mikasika ny “Worldreader” no misy boky maimaimpoana maro.

Manàna namana mpampianatra betsaka araka izay azo atao raha mitady lahatsoratra Malagasy ary mangataha hanao ‘photocopie’ izay boky tsara mety hananan’izy ireo. Tsy mihoatra ny 50 ariary/pejy A4 ny fanaovana ‘photocopie’ any amin’ny cyber ny taona 2017.

Mampiasa gazety. Takatry ny fahefa-mividy ny Baiboly Malagasy sy Frantsay. Misy ihany koa ny Baiboly ho an’ny

ankizy. Maimaimpoana ny Baiboly sasany fanao amin’ny finday harifomba. Misy ireo tanan-dehibe manana tranomboky monisipaly. Tsara asiana maso ihany izy ireny satria

nisy fotoana nahazo fanomezana avy tany ivelany tamin’ny lasa.

Ahoana no fomba ampianarana fahazoan-dahatsoratra?/How do we teach comprehension?Misy fomba maro azon’ny mpampianatra hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsikelikely izay vakiana rehefa mamaky teny. Izany dia azo atao mialoha, mandritra, aorian’ny famakian-teny ary rehefa mamerina mamaky teny.

1. Mialohan’ny hamaky/Before readingMametraha fanontaniana momba ny boky na lahatsoratra:

23

MitenyMamaky

Soratra feoManoratra

Feo Soratra

Page 24: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Foronina ve sa milaza zava-misy marina ilay lahatsoratra? Marina ve sa noforonina ilay tantara? Ahoana no hahafantarana izany?o Ohatra: Tantara foronina satria misy sarin’akoho manao satroka eo amin’ny fonony.o Ohatra: Boky manazava zava-misy marina satria misy sari-na tanalahy tena izy eo amin’ny

fonony. Resaho ny momba ny lohateny ary hanontanio izay mety ho voarakitra ao anatin’ny boky. Fohazy ny fahalalana efa misy amin’ny alalan’ny fanontaniana ny ankizy izay fantany sahady

momba ny mpandray anjara, ny toerana nitrangany ary ny lohahevitra resahana ao. Ohatra:o Boky manazava zava-misy marina: Inona no efa fantatrao momba ny vatan’olombelona?o Tantara foronina: Inona no fantatrao momba ny mpandray anjara? Namana ve sa fahavalo

no fijery azy? Ahoana no hahafantarana izany? Afantohy amin’ny mpanoratra, mpanao sary na mpaka sary ny saina. Fotoana anaovana ‘mpitsongo dia’. Asaivo manao ‘mpitsongo dia’ ny ankizy, mijery ny

lahatsoratra ary ho hita eo izay zavatra tsikariny ao anatin’izany. Afaka mijoro manodidina anao ny mpianatra ary ianao kosa mampiseho azy ireo ny pejin’ny boky.

Lazao izay zavatra heverinao hitranga amin’io lahatsoratra io na io boky io. Hazavao ny hevitry ny voambolana vaovao. Entano ny mpianatra hazoto hamaky. Ohatra:

o Andeha ho vakiana ny tantara hahitana raha toa marina ny faminanianareo na tsia. o Andeha ho vakiana ny boky mba hahafantarantsika bebe kokoa ny momba ny

vatan’olombelona sy hahitantsika ny valin’ireo fanontaniantsika.

2. Mandritra ny famakiana/During reading Mamaritra sy manazava voambolana vaovao. Izao tenenina rehefa mampianatra: ‘Apetraho eo

amin’ny oronao ny fanondronao rehefa tonga amina voambolana tsy azonao ianao.' Manampy anao hijanona sy hanazava ilay voambolana izany.

Vinanio izay hitranga dia jereo raha marina izany. 'Nihevitra isika fa mikasika bitro roa sy bitro hafa koa ilay boky ... izany marina ve no mitranga ao?

Dokafy ny mpianatra raha toa ka marina ny faminaniana nataony. Ohatra:o ‘Marina tokoa ny anao fa momba ny akoho iray nahita satroka tao anaty toeram-piompiana

ilay boky. Inona ary no hitranga manaraka?’o ‘Marina tokoa ny anao fa momba ny vatan’olombelona ilay boky. Inona ary ny zavatra hafa

mbola azontsika hianarana mahakasika ny vatan’olombelona?’ Tantara foronina: Anontanio ny mpianatra raha efa niaina zavatra toy izany izy. Na

mampahatsiahy azy zavatra hafa ilay tantara? Na koa mampahatsiahy azy tantara hafa ve ilay tantara? Nahoana? Ohatra 'Efa niady kilalao tamin’ny rahalahy na anabavinao ve ianao?' Mahamora ny fahazoana ny tantara boky ny fanaovana fampifandraisana.

Boky manazava zava-misy marina: Anontanio ny mpianatra raha mampatsiahy azy zavatra efa hainy ilay boky? Mampahatsiahy azy boky hafa ve izany? Nahoana?

Miatoa indraindray hanairana ny aingam-panahin’ny mpianatra ary avelao izy haka sary an-tsaina ireo zavatra ambara (information) na ilay tantara:o Tantara foronina: ‘Akimpio ny maso, fohazy ny aingam-panahy ary alaivo sary an-tsaina hoe

tahaka ny ahoana izany akoho ao anaty toeram-piompiana izany. Tahaka ny ahoana izany mivezivezy ao anaty toeram-piompiana izany? Inona no zavatra tsapan’ny tongotra? Na fofona henon’ny orona?’

24

Page 25: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

o Boky manazava zava-misy marina: ‘Akimpio ny maso, tairo ny aingam-panahy ary alaivo sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana izany sakafo mamakivaky ny vatana izany. Tahaka ny ahoana ny ao anaty vatanao? Inona no zavatra tsapa na koa fofona mety ho ren’ny orona ao anaty vatanao?

Fintino izay voavaky: o Tantara foronina: ‘Inona no zava-nitranga hatreto? Iza no mpandray anjara fototra? Inona no

olana tantaraina ao? Ahoana no fomba tian’izy ireo hamahana izany?’o Boky manazava zava-misy marina: ‘Inona no zavatra hay hatreto? Inona avy ireo

fanontaniana efa voavaly? Inona avy ireo fanontaniana mbola tiana hapetraka? Inona avy ireo voambolana vaovao hay?’

Anontanio ny mpianatra raha azony izay novakiana: ‘Azonareo ve izay novakiana hatreto? Inona no fizarana tsy azonareo tsara?’

3. Aorian’ny famakiana/After reading Asaivo mamintina izay novakiana ireo mpianatra. Afaka mampiasa fanehoana an-tsary ianao,

izay hazavaina etsy ambany. Ny atao hoe famintinana dia ny fisintonana ireo hevi-dehibe avy amin’ny tantara.

Avereno jerena ireo voambolana vaovao. Tokony hanandrana hampiasa ireo voambolana vaovao ao anaty fehezanteny ny ankizy. 'Afaka manome fehezanteny misy ilay voambolana vaovao hoe ‘nendram-boalavo ve ianao’?' Raha mahavita izany izy ireo dia manomboka mahatakatra ny hevitr’ilay voambolana vaovao.

Ataovy jery todika ilay lahatsoratra. Mametraha fanontaniana toy izao:o Inona no fizarana nahaliana anao? Nahoana? o Inona no fizarana tsy nahafinaritra anao? Nahoana? o Inona no fizarana tianao hovana raha toa ka afaka manao izany ianao?o Misy fomba hafa azo hamaranana ilay boky ve?o Iza no tokony hamaky ity boky ity? Nahoana? o Naoty firy no omenao ilay boky (/5), ary nahoana?o Inona no zavatra hainao avy amin’ilay boky? o Manana fanontaniana ho an’ny mpandray anjara ve ianao na mahakasika ny lohahevitra?o Inona no mahasamy hafa na mampitovy ity lahatsoratra ity amin’ny hafa?o Tantara foronina: Alaivo sary an-tsaina izay mety ho fomba hafa azo hamaranana ilay

tantara.o Boky manazava zava-misy marina: Manampia lohahevitra roa azo ampidirina ao amin’ilay

boky. Ampitahao ireo zavatra izay noeritreretintsika talohan’ny namakiana ilay boky sy ny hevitrao

ankehitriny: 'Tany amboalohany aho nihevitra fa momba ny ... ilay boky ... Saingy fantatro ankehitriny fa mahakasika ny ... izany.’ Afaka mampiasa tsanganana ianao hanaovana fampitahana.

4. Mamerina mamaky indray/RereadingIreto dia misy toro-hevitra vitsivitsy azo atao rehefa manao jery todika boky na lahatsoratra iray. Manampy ny ankizy hanana fahalalana sy hahazo bebe kokoa lahatsoratra iray ny fanaovana jery todika.

25

Page 26: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

‘Marionette’ Fomba mahagaga hampivelarana ny fahazoan’ny ankizy ny ‘marionette’. Koa satria ny ankizy mankafy ‘marionette’ dia azo ampiasaina hamakiana tantara ho azy ireo izany ary mifantoka kokoa izy ireo rehefa ‘marionette’ no manao ny vakinteny noho ny tena olona.

Fomba tsotra hanamboarana ‘marionette’ ny fanaovana sary amin’ny ba kiraro fotsy na fanjairana izany ba izany. Mety haka fotoana ny fanamboarana ‘marionette’ sarotsarotra kokoa saingy azo averina ampiasaina indray izany.

Rehefa voavaky ny tantara dia afaka mampiasa rantsan-tanana ny ankizy hamelomana izany tantara izany na hanehoana hevitra (ohatra, afaka mampiasa rantsan-tanana izy ireo ho fanehoana zana-dandy miova ho lolo)

Manafaka tahotra sy mahafaly ny ankizy ny fampiasana ‘marionette’. Indraindray manomboka miteny tampoka na dia zaza tena saro-kenatra aza rehefa ny ‘marionette’, fa tsy ny mpampianatra, no manontany azy.

Mpamaky miantsehatra (Le théâtre des lecteurs)Mampisy aina ny tantara raha ny mpamaky no mamelona azy. Mampiasa ny vatany sy ny feony amin’ny fomba samihafa ny mpianatra mandritra ny fotoana hamelomana ny tantara. Ny fakana toerana mpandray anjara iray dia mahatonga ny mpianatra hahanana fahazoana bebe kokoa ny tantara satria mahita ilay tantara amin’ny fomba fijerin’ilay mpandray anjara alainy tahaka ary hahatsapa ny fihetseham-pon’izany mpandray anjara izany sy ny fomba famahany olana.

Mampiasa izany isa-maraina ny mpanoratra ity boky ity rehefa mamaky tantara avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny mpianany. Ny famelomana tantara no hankafizin’ny ankizy indrindra mandritra ny andro. Manampy ny ankizy hitadidy ny antsipirian’ny tantara ny famelomana tantara.

Seza mamayAtao ny seza mamay rehefa maka ny toerana mpandray anjara avy ao amin’ny tantara ny mpianatra iray. Manontany azy fanontaniana maro be ny iray kilasy ary tsy maintsy mamaly toy ny hoe ilay mpandray anjara mihitsy izy.

Ohatra: Miangavia mpianatra iray haka ny toeran’ilay saka volomboloina fotsifotsy. Ary asaivo mametraka fanontaniana toy izao ny iray kilasy: Nahoana ianao no nitsoaka ilay alika? Inona no eritreretinao hitranga raha toa nahatratra anao ilay alika? Aiza ianao matetika no miafina rehefa enjehan’ny alika? Efa nanenjika anao ve io alika io tany aloha? Impiry izay ianao no nenjehan’io alika io?

Fomba fanehoana an-tsary/Visual toolsNy fanehoana an-tsary dia manampy ny mpianatra handrindra, handamina ary hamintina hevitra ao an-tsainy amin’ny alalan’ny vokatsoa manokana entin’ny sary. Maro ireo mpianatra no mahita fa mora kokoa ny mitadidy sary noho ny mitadidy teny maro. Misy fomba fanehoana an-tsary vitsivitsy sy ny fomba fampiasana azy hazavaina eto. Manampy amin’ny fahazoan-dahatsoratra mantsy izany.

26

Page 27: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

1. Ny ‘carte à bulles’ na antsoina koa hoe ‘carte mentale’/Bubble mapFomba tsara manampy ny mpianatra hitanisa ireo hevi-dehibe mahakasika lohahevitra iray ny ‘carte à bulles’ Afaka ny hanampy azy ireo handrindra asa soratra koa izany, na handinika zavatra atao iray, na hizara fahalalana.a) Soraty ao anaty ‘bulle’ eo afovoan’ny pejy ny lohahevitra.b) Asio tsipika misandrahaka avy amin’ny lohahevitra.c) Manorata hevi-dehibe momba ilay lohahevitra eo an-tendron’ny tsipika isanisany. d) Afaka manampy sampana avy amin’ny hevi-dehibe isanisany ianao hanampiana hevitra hafa.

Ohatra, azo fintinina izay zavatra fantatsika momba ny toeram-piompiana:

Azo ampiasaina amin-javatra maro izany. Ity misy ohatra hafa, famintininana ireo fanontaniana manan-danja mahakasika tantara na lohahevitra iray:

2. ‘Organigramme’/Flow chartFitaovana tsara ampiasaina ny ‘organigramme’ rehefa mamintina ny fizotran’ny trangan-javatra ao anaty tantara iray na koa rehefa maneho ireo dingam-piofoana eo amin’ny fiainan’ny lolo.

Ohatra 1: Fanehoana ireo zava-niseho teny am-piandohana, ampovoany, ary ny fiafaran’ny tantara iray:

27

Toeram-piompiana

Omby

Akoho

GanaVary

'Letchis'

Fanontaniana

Nahoana no malok'endrika ilay

akoho?

Iza no anaran'ilay mpiompy?

Nahoana no misy omby ao

amin'ilay boky?

Miresaka ve ireo biby?

Firy ny biby ao anatin'ilay toeram-

piompiana?

Ataovy sary na soraty izay nitranga tany am-

panombohan'ny tantara

Ataovy sary na soraty izay nitranga teo ampovoan'ny

tantara

Ataovy sary na soraty izay nitranga tany am-paran'ny

tantara

Page 28: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ohatra 2: Ireo dingam-piofoana eo amin’ny fiainan’ny lolo

3. Tsanganana na tabilao/TableAzo ampiasaina hamintinana ireo hevitra mahakasika lohahevitra iray ny tsanganana na tabilao.

Ohatra 1: Afaka mampitaha mpandray anjara roa ianao amin’ny alalan’ny fitanisana ireo toetrany eo ambanin’ny anarany avy.

Zanaka vavin’ny mpanjaka SahonaTsara tarehy MaitsoTsara fanahy MaditidityMahakarakara Ratsy tarehy

Ohatra 2: Jery todika ireo zavatra hain’ny mpianatraIreo zavatra efa haiko taloha Ireo zavatra haiko izaoMisy ra ny vatantsika Ao amin’ny lalan-dra ny rantsikaMisy taolana isika Taolana manodidina ny ati-doha ny karan-dohaMisy fo ao anatintsika Ny fo no manosika ny ra.

4. ‘Graphe’/GraphNy ‘graphe’ fanehoana fientanam-po dia azo ampiasaina rehefa mamaky boky na rehefa mitantara trangan-javatra mba handrefesana ny fiovana fientanam-po arakaraka ny mampandeha ny fotoana. Manome fahafahana ny mpianatra hampiseho izay fantany sy eritreriny mahakasika ireo zava-nitranga izany. Tsipika marindrano no hanehoana misesy ireo zava-nitranga. Afaka manao ‘graphe’ faly na malahelo ianao hanehoana ny zavatra tsapa amin’ny fotoana samy hafa eo am-pamakiana ilay tantara amin’ny alalan’ny fanovaovana ireo teny hiakatra sy hidina ny tsipika, ho faly sy halahelo. Afaka mampiasa izany koa ianao hieritreretana mahakasika mpandray anjara iray sy ny mety ho fahatsapany eny am-piandohana, eny antenatenany, ary any am-piafaran’ny tantara.

28

Atody

'larve'

FandayLandy

Lolo

Page 29: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ireo dingam- pahazoana (Niveau de compréhension)/Levels of comprehensionSamy manana ny hahavon’ny fahazoantsika ny vakiteny atao isika rehefa eo am-pamakian-teny. Manazava ny ‘taxonomie de Bloom’ fa misy haavo enina ny fahazoantsika– avy amin’ny mora ho amin’ny sarotra kokoa. Iriana ny hampaherezana ireo ankizy hahatakatra lalindalina kokoa ary ilana fahatakaran-kevitra avo kokoa noho ny sasany izany. Eo an-tampon’ilay telozoro no misy ireo fahatakaran-kevitra avo kokoa. Any amin’ny fanambaniny kosa no misy ireo fahatakaran-kevitra ambany kokoa.

Fampiharana 1:Vakio ity tantara manaraka ity ary valio miaraka amin’ny namana eo akaiky ireo fanontaniana.

Tantara iray:

29

MAMORONA

MANAO TOMBANA

MITSIKERA

MAMPIHATRA

MAHAZO

MAHATADIDY

Fiafaran’ny tantaraFotoan

a

Fiandohan’ny tantara

Taha

m-

pien

tana

m-p

oMahaliana

Manakaleo

Page 30: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Roa ambiny folo volana lasa izay, nisy ramatoa iray antsoina hoe Soa nipetraka teo am-pandriana nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny taona manoloana azy. Nanontany izay sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny ho avy sy izay karazana tanjona ho an’ny taona manaraka izy. Betsaka ireo zavatra notenenin’Andriamanitra taminy – anisan’izany ny ho mpitantam-bola tsara sy hatoky an’Andriamanitra. Nanapa-kevitra ny hanangom-bola i Soa noho izany. Tsy nandeha lavitra hiala-sasatra na nandany vola tamin-javatra tsara tarehy izy.

Nahatsapa izy fa nandrehitra hafanam-po tao anatiny Andriamanitra rehefa nandeha teny ny volana ... ho an’ireo niangaran’ny vintana. Mpampianatra i Soa ka nanapa-kevitra toy ireo mpianany hampihatra izany hafanam-po izany. Nandeha tany amin’ny Sekoly Biblika iray izy ary nianatra momba ny Fampandrosoana. Tena nandona ny fony izany. Tena naniry hanao zavatra i Soa? Saingy inona ary amin’ny fomba ahoana?

Nipetraka izy ary nandinika ... nivavaka ... nanomboka nanadihady … Nijery tamin’ny ‘internet’ izay hahafahany mampihatra ny talenta maha-mpampianatra azy. Niresaka tamin’ny namany izy ... nila hevitra ... niandry …

Indray andro anefa, nanokatra varavarana Andriamanitra. Tany an-tany lavitra, nosy iray izay tsy fantatr’olona betsaka akory antsoina hoe ‘Diroma’. Fantatr’i Soa avy hatrany fa io ilay varavarana natokana ho azy hidirana. Koa nanomboka ny fiomanana handeha izy.

Nampientanentana azy ny hanampy ireo mpampianatra. Resy lahatra izy fa fitaovana mahery vaika hanatrarana ireo niangaran’ny vintana ny mpampianatra mahay mampianatra sy tia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fomba fampianarany, sy fampitaovany ny mpianatra, ary fampitany hafanam-po ho azy ireo.

Tena nanoka-baravarana ho azy tokoa Andriamanitra ary niahy. Nahatadidy ny vavaka natao tany am-piandohan’ny izy ary velom-pisaorana noho i Andriamanitra nitari-dalana azy ho hendry amin’ny fitantanana vola. Namatsy tokoa Andriamanitra ary afaka ny handeha i Soa ankehitriny.

Fanontaniana 1:1. Iza no anaran’ilay ramatoa?2. Inona no nataony teny am-piandohan’ny tantara?3. Hafiriana izy no nanao izany?4. Inona no nataony hanangonana vola?5. Inona no hafanam-po napetrak’Andriamanitra tao am-pony?6. Taiza izy no nianatra?7. Aiza izy no nanapa-kevitra ny handeha?8. Inona no niriany natao tany an-tany lavitra?

Fampiharana 2:Mamerena mamaky ilay tantara indray ary valio miaraka amin’ny namana eo akaiky ireto fanontaniana ireto.

Fanontaniana 2:1. Araka ny hevitrao, inona no nahatonga azy hivavaka?2. Araka ny hevitrao, inona no hevtry ny hoe mitantam-bola amim-pahendrena?

30

Page 31: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

3. Raha mivavaka amin’Andriamanitra momba ny taona ho avy ianao, inona no zavatra mety hangatahinao Aminy?4. Araka ny hevitrao, nahoana izy no tsy nividy izay tiany?5. Iza no hatoninao raha mila toro-hevitra ianao?6. Araka ny hevitrao, nahoana izy no niandry? Na inona no nandrasany?7. Araka ny hevitrao, nahoana izy no nobaikoin’Andriamantira hitatam-bola am-pahendrena tany am-piandohan’ny taona?8. Araka ny hevitrao, inona no hitranga manaraka?

Resaho: Inona ny andiam-panontaniana hitanao fa manitikitika, mampisaina ary sarotra kokoa?

Ilay andiam-panontaniana faharoa no ampiasana fahaiza-manao toy ny fampiharana, fitsikerana, fanaovana tombana, ary famoronana. Fahaiza-manao ambony kokoa amin’ilay telo zoro ireo.

Afaka manomboka manontany ireo mpianatra mahakasika ny fitadidiana sy fahatakaran-kevitra isika. Saingy ho tena marivo ny fahazoan-dahatsoratr’izy ireo raha karazam-panontaniana toy izany ihany no apetrantsika momba izay novakiany. Noho izany tsy maintsy mametraka fanontaniana ampiasana fahaizana mieritreritra toy ny fampiharana, fitsikerana, fanaovana tombana sy famoronana isika hahalalina ny fahazoan-dahatsoratry ny ankizy.

Ho an’ny isaky ny dingana, ireto avy ireo karazana fomba fanombohana fanontaniana:

Ireo dingana Inona moa izany? Fanombohana fanontaniana

1. FITADIDIANA (ireo sombim-pahalalana ao amin'ny boky na tantara)

Fitadidiana mira: afaka mahatsiahy ny tantara na mahatsiahy izay tsara ho fantatra novakiana ve ny mpianatra?

Farito… Soritsorito… Tadidio… Avereno tantaraina… Omeo anarana… Tanisao… Tadiavo… Teneno… Ampifandraiso… Fantaro… Ahoana no fiantso… Ahoana no fomba hanoritsoritanao… Iza no tantaraina ao? Momba ny inona izany? Oviana? Aiza no mitranga ny tantara? Iza no mpandray anjara tsara na

ratsy?

2. FAHAZOANA (afaka manazava ny momba ilay boky na tantara)

Fahazoana mira: afaka manazava ilay tantara na izay tsara ho fantatra novakiana

Avoay ireo hevi-dehiben'ny tantara… Avereno soratana ity hevitra iray ity.

Voambolana anao manokana

31

Page 32: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ireo dingana Inona moa izany? Fanombohana fanontaniana

ve ny mpianatra? ampiasaina Avereno soratana… Afaka manome ohatra ... ve ianao? Fintino ireo hevitra manan-danja … Vinanio izay hitranga manaraka… Resaho izay voambolana manokana

vaovao hainao… Hazavao… Ahoana ny fomba...? Nahoana no...? Inona no hevitra lehibe indrindra?

3. FAMPIHARANA (fampiasana ilay tantara sy sombim-pahalalana ao amin'ny boky)

Fampiharana mira: Afaka mampiasa ilay tantara na sombim-pahalalana novakiana amina tranga na fomba vaovao ve ny mpianatra?

Azonao aseho ve? Ahoana no fomba azonao ampiasana… Azonao fenoina ve...? Ahoana no fomba hanasokajiana… Manaova drafitra… Singano… Araka ny hevitrao, nahoana? Ahoana no fomba hamahanao… Inona no zavatra ho tsapanao raha? Alamino… Sokajio izay tsara ho fantatra… Ampiharo… Manaova modely … Inona no hataonao raha izany no

mitranga? Inona no hitranga raha toa ka? Ahoana no fomba hanovanao...?

4. FITSIKERANA (mandrasarasa ilay tantara na ireo “information” ao amin'ny boky)

Fitsikerana mira: afaka mamantatra ireo fizarana samihafa ao amin'ilay tantara na sombim-pahalalana novakiana ve ny mpianatra ka afaka mahita ny fifandraisany ihany koa?

Ahoana no fomba hanavahanao? Nahoana ianao no mihevitra fa? Inona no fizarana manan-danja

indrindra ao amin'ny tantara? Afaka mampitaha sy mampifanohitra...

ve ianao? Ahoana no azonao ampitahana… Hazavao ny fomba... Hazavao ny antony… Vakivakio hisaraka… Avondrony ireo hevitra mitovy… Voaboasy ny tantara na ny sombim-

pahalalana azo…

32

Page 33: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ireo dingana Inona moa izany? Fanombohana fanontaniana

5. FANAOVANA TOMBANA (mitsara ny lanjan'ilay tantara na ireo zavatra voalaza/”information”)

Fanaovana tombana mira: afaka manome sy manohana ny heviny mahakasika ilay tantara na sombim-pahalalana novakiana ve ny mpianatra?

Tombany, inona no nahaliana na nankaleo tao amin'ilay tantara …

Omeo naoty ny sombim-pahalalana azo …

Ataovy jery todika ilay tantara, nahaliana ve sa tsia ary nahoana?

Inona no lafytsara sy lafy ratsiny? Misy fiafarana na vahaolana tsara

kokoa ve? Ampirisiho ny olona sasany hamaky

ilay tantara ary hazavao ny antony mahamety ny hamakian'izy ireo izany …

Tsikerao ny lanjany…. Lazao na tsara na ratsy ny mpandray

anjara iray ary tohany ny hevitrao … Manapaha hevitra… Safidio ny mpandray anjara tianao

indrindra ary hazavao ny antony … Nankafizinao ve ilay tantara sa tsia?

Nahoana… Tanisao arakaraka ny lanjany ireo tsara

ho fantatra avy amin'izay novakiana na ireo an-tsipirian-javatra ao amin'ny tantara…

6. FAMORONANA (fanambarana ilay tantara na ireo “information”novakiana amin'ny fomba vaovao)

Famoronana mira: afaka mampiasa ilay tantara hamoronana fiafarana vaovao na tantara vaovao mihitsy ve ny ankizy? Na mandrafitra hevi-baovao avy amin'izay sombim-pahalalana novakiana?

Mamorona ... anao manokana Mandrafeta … vaovao Manaova drafitra hanaovana... Alaivo sary an-tsaina izay mety

hitranga raha toa ka … Manorata … anao manokana Hatsarao ny fiafaran'ilay tantara… Ovay ny fizarana iray ao amin'ny

tantara… Ampiasao amin'ny toerana misy anao

ny sombim-pahalalana azo… Mamorona … anao manokana Manorata … tokana aman-tany

33

Page 34: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, jereo ny toko mahakasika ny ‘Taxonomie de Bloom’ ao amin’ny ‘Fomba Fampianarana Moderina’. Azo alaina maimaimpoana ao amin’ny http://www.mada-enseignants.org

Sahanasa 3Avereno vakiana ny tantara ary manorata fanontaniana ho an’ny dingam-pahatakarana tsirairay avy.

Torohevitra ho an’ny fahaiza-manonona/Tips for DecodingNy fahaiza-manonona dia ny famadihana izay voasoratra ho lasa zana-peo vitsitsy sy ny fanambarana izany ho tonga voambolana feno.

Tadidio fa Famakian-teny = fanononana + fahatakarana

Raha mikatso ny ankizy iray tsy mahavita mamaky teny, izao arahana:

1. Ampiatoy. Aza manoro azy ny valiny na mandiso azy avy hatrany. Omeo fotoana izy ho tafavoaka samirery. Hanahirana ny ankizy ny hitadidy ilay teny amin’ny ho avy raha toa tsy omena fotoana toy izany.

2. Tariho. Mametraha fanontaniana hahatafavoaka ilay zaza samirery raha toa izy sahirana mitady izay fomba fanonona teny iray. Misy fanontaniana hanoroana hevitra anao etsy ambany.

3. Derao ny ezaka ataony rehefa mahavita manonona teny sarotra izy ary lazao azy izay zavatra nety nataony nahavitany izany. Raha toa mbola tsy mahay manonona ilay teny ihany izy na dia efa nampiana tamin’ny alalan’ny fanontaniana aza, andraso 10 segondra, teneno azy ilay teny ary lazao azy hoe: ‘tsara ny ezaka nataonao.'

Tokony ho zavatra mazava tsara no omena fankasitrahana. Ohatra:• Tena tsara ilay ianao manitsy tena.• Tiako ianao namerina namaky ilay fehezanteny satria nahalala fa tsy tena niteny loatra izany.• Tiako fa nataonao nahaliana kokoa ny feonao.• Tsara ianao nitandrina sy nijery tsara ny teny tsirairay avy mba tsy hanadino na dia zana-peo

iray aza. • Tsara ilay ianao niato rehefa sendra teboka.• Tsara ilay ianao nandinika tsara ny voambolana hatramin’ny farany mialoha ny hanonona azy.

Fanontaniana hitarihana ankizy raha sendra mikatso amina voambolana iray izy.Olana FitarihanaTeny diso fanonona Marina ve izany fomba fanonona izany?Teny diso famaky Misy dikany ve izany?Voambolana adino Afaka mamerina mamaky io ampahany io ve ianao?Tsy manaja mari-piatoana Inona no atao raha sendra faingo?Tsy manaja lantom-peo Maha-te hihaino ve ny feonao?

34

1. Ampiatoy 2. Tariho 3. Ankasitraho

Page 35: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Manadino famaranan-teny Avereno jerena ny faran’io teny io?Tsy mahavita mamaky teny iray Araka ny hevitrao, inona io voambolana io?

Sahanasa enti-manao jery todika ny toko/Review activityZarao efatra ny taratasy A4 ary toy izao manaraka izao no fomba hamenoana ny fizarana tsirairay:

Manaova sarin-javatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Mitanisà zavatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Manorata zavatra roa mahaliana anao tamin’izay nianarana

Manorata fanontaniana roa mahakasika ny lohahevitra

35

Page 36: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

3. Ny Matematika ho an'ny Ankizy Kely/ Mathematics in early yearsResaho1. Araka ny hevitrao, inona no zavatra tsapan'ny mpianatra manoloana ny taranja Matematika ary nahoana?2. Inona no tanjona amin'ny fampianarana ny taranja Matematika?

Teny fampidirana/IntroductionFahaiza-manao tena ilaina amin'ny fiainana andavanandro ny Matematika. Ny Matematika akory tsy fampianarana ny ankizy hahay hitanisa haingana ny 'table de multiplication' satria zavatra tsy hanontaniana azy akory izany rahatrizay izy mahavita ny fianarany. Ny taranja Matematika dia mampitao ny ankizy ireo fahaiza-manao ampiasaina amin'ny fiainana manontolo ary azo ampiharina amin'ny tranga tena misy marina.

Ny mpampianatra dia tsy tokony ho voafatotr’ilay hevi-diso hoe votoatin-desona sy sombim-pahalalana rano fotsiny no ampianarina ny ankizy. Ao ambadiky ny votoatin-desona dia misy ireo fahaiza-manao ampitomboina miandalana izay tiana ho volena any amin'ny mpianatra - fahaiza-manao sady mahomby no mandaitra ary azo ampiharina any ivelan'ny lakilasy.

Tsy azo ialana ny fampiasana ny taranja Matematika isan'andro, noho izany tokony ho sakaizan'ny Matematika isika ary hanampy ny mpianatra ho tonga toy izany koa. Mampiasa ny Matematika isika rehefa mamatra ireo taaro hanaovana mofo mamy, na rehefa milaza ora. Tsy maintsy mampiasa izany koa isika rehefa manombatombana ny faharetan'ny dia iray na rehefa mikirakira vola.

Ny hahay hisaina ara-matematika no tiana ampianarina ny ankizy fa tsy ny ho voalohany hamaly fanontaniana Matematika akory.

Resahoa) Mieritrereta santionana toerana ahitana ny Matematika eo amin'ny tontolo manodidina antsika?b) Mieritrereta santionana toerana ampiasana ny Matematika eo amin'ny tontolo manodidina antsika?

Ireto misy fahaiza-manao vitsivitsy ilaina amin'ny fiainana manontolo azontsika avy amin'ny lesona Matematika:1. Fomba fampitana eritreritra na lalan-kevitra ('raisonnement').2. Famahana olana ampiasana paik'ady na fomba fiatrehana samihafa.3. Famahana olana misosa sy haingana, mikatsaka hatrany ny fomba fiasa malaky sy mahitsy

indrindra.4. Fahaiza-mandinika, mahatsikaritra an-tsipirian-javatra sy mahavita manao tsoa-kevitra.5. Fanehoana tranga na fiverimberenan-javatra ampiasana isa na mari-pamantarana. Zavatra hita

maso (concrète) no hanehoana zavatry ny saina (abstraite).

Ny votoatin-desona ampianarintsika amin’ny taranja Matematika dia tokony hanaraka dingam-pahatakaran-kevitra, avy amin'ny fahaiza-manao fototra sy mora azo ho amin'ny sarotra kokoa. Ireny

36

Page 37: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

fahaiza-manao ireny - izay azo ampitahaina amin'ny elo be iray no tokony hifantohana. Misy fahaiza-manao maro mialokaloka ambanin'ny elo be iray.

Fahaizana mamantatra isa/Identification of numbers

Sahanasa hianarana mamantatra isaNy fanaovana sahanasa maro izay hampifandraisana ny anaran'ny isa iray tononina am-bava amin'ny isa mifandraika amin’izany no fomba tsara indrindra hampitomboana ny fahaizan'ny ankizy manavaka isa.

1. ”Flashcards”Manaova karatra ahitana isa samihafa. Atsangano mandritra ny 3 segondra ny karatra iray. Ary afeno rehefa avy eo. Farany, anontanio ny mpianatra hoe: 'inona ilay isa teo?' Azo atao fanafanan-tena mialohan’ny hanombohana lesona Matematika izany.

2. Lalao 'loto'Manomeza taratasy ahitana isa samihafa ny ankizy.

0 8 12 3 64 5 9

Saronan'ny ankizy vatokely na sombin-taratatasy ny isa voatonona. Vita ny lalao rehefa voasarona avokoa ny isa rehetra.

3. Fanoratana lamosinaManoratra isa iray ao an-damosin'ny namany ny mpianatra ary miezaka mamantatra ilay isa ilay namana. Na koa, manindry teboka ao an-damosin’ny namany ny mpianatra ary mila manisa izany ity farany.

4. Isa atao an-tsary amin’ny fomba samihafaManorata isa iray eo amin’ny solaitra be ary asaivo manao sary samihafa maneho ilay isa ny mpianatra. Afaka manao sary eo amin’ny solaitra izy na mandeha eny amin’ny solaitra be. Afaka mampiasa fomba samihafa izy hanehoana an-tsary ilay isa, ohatra sari-na kintana 5, paoma 5 eo ambony hazo, na rantsan-tanana 5.

5. Taiza no efa nahitanao io isa io?Manorata isa iray eo amin’ny solaitra be ary anontanio ny mpianatra ny toerana efa nahita izany. Tanisao avokoa ireo toerana efa nahitany io isa io. Ohatra: ‘Taxi be no nahitako ny isa 4 androany maraina’, 'Nomerao-na fiara no nahitako ny isa 4 androany maraina', 'Vidin-tsolika no nahitako ny isa 4 androany maraina', 'Tao ivelan’ny trano no nahitako ny isa 4 androany maraina'. Manampy ny mpianatra hitadidy ilay isa ny fampifandraisana izany amin-javatra hitany – ampiasaina any ivelan’ny sekoly ilay isa.

6. ‘Snap’ na pehoOmeo antontan-karatra misy isa ny mpianatra anankiroa. Azo atao ny mampiasa irony karatra filalaovana irony saingy halana ny ‘Vallé’, ‘Dame’ ary ny ‘Roi’.

37

Page 38: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Tsy aseho ny isa rehefa mitazona ny karatra ireo mpianatra. Avy eo izy ireo mifandimby manokatra sy mandatsaka karatra tsirairay. Rehefa mitovy ny karatra misokatra dia izay mpianatra mahita voalohany, miteny hoe ‘peho’ ary manarona ilay antontan-karatra amin’ny tanany no mahazo izany. Tsy maintsy azo avokoa ny antontan-karatry ny mpifanandrina rehetra vao maharesy.

Arakaraka ny mampandroso ny mpianatra amin’ny fahaizany mahafantatra isa no hanovaovana ireo karazan-dalao ireo ho lasa isa lehibe kokoa hatrany.

Fandrosoan’ny fahaizana rehefa mampianatra ny ankizy hahafantatra ireo karazana isa

Manisa mandroso sy mihemotra/Counting forwards and backwards

Sahanasa hianarana manisa mandroso sy mihemotra

‘Ligne des nombres’Rehefa misondrotra kilasy eny ny ankizy dia mivelatra toy izany koa ny fahatakarany ny filaharana isa mandroso sy mihemotra. Ny fanaovana fanazaran-tena maro be izay hanisan’ny ankizy mandroso sy mihemotra ary hampiasany ‘ligne de nombre’ sy ‘Tableau de Cent’ no fomba tsara indrindra ampitomboana ny fahaizany manavaka ireo karazana isa.

Toy izao no endrikyny ‘ligne de nombre’ 0 ka hatramin’ny 10:

38

Mahafantatra ny sasany amin'ireo isa eo anelanelan'ny 0-10

Mahafantatra ireo isa rehetra eo anelanelan'ny 0-10 ny mpianatra

Mahafantatra ny sasany amin'ireo isa eo anelanelan'ny 0-20 ny mpianatra

Mahafantatra ireo isa rehetra eo anelanelan'ny 0-20 ny mpianatra

Mahafantatra ny sasany amin'ireo isa eo anelanelan'ny 0-100 ny mpianatra

Mahafantatra ireo isa rehetra eo anelanelan'ny 0-100 ny mpianatra

Mahafantatra ny sasany amin'ireo isa eo anelanelan'ny 0-1000 ny mpianatra

Mahafantatra ireo isa rehetra eo anelanelan'ny 0-1000 ny mpianatra

Page 39: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Sahanasa ampiasana ny 'ligne des nombres'1. Mizara manisa mandroso sy mihemotra manaraka ny isa eo amin'ny tsipika amin'ny ratsan-

tanana. Asaivo mampitsambikina ny ratsan-tanany mandroso sy mihemotra toy ny gidro ny isa ny ankizy. Sarotra kokoa ny manisa mihemotra noho ny mandroso.

2. Mivoaha any ivelany, sady manisà no mitsambikina mandroso sy mihemotra manaraka ny 'ligne des nombres' nosoritana teo amin'ny tany.

3. Mipetraha maka endrika faribolana, dia asaivo mifandimby manonona ny isa rehetra eo amin'ny 'ligne des nombres' mandroso sy mihemotra ny ankizy tsirairay.

4. Afaka manoritra 'ligne des nombres' amin'ny taratasy iray nohetezana lavalava ny mpianatra. Azo atao manodidina ny tanana izany avy eo ho tonga 'bracelet'.

5. Omeo karatra misy isa samihafa ny mpianatra rehefa miditra ao an-dakilasy. Nony avy eo, asaivo milahatra manaraka tsipika iray izy ireo ka ny 0 no lohany ary ny isa lehibe indrindra no rambony. Afaka mampiasa zaza 6 ianao ho an'ny isa 0-5 raha tena mbola kely izy ireo. azo resahina ihany koa ny momba ny elanelana amin’ny filaharan’ireo mpianatra izay tokony hitovy tsara tahaka ny isa izay sahala ihany koa ny elanelany.

Mahaliana: Moa ve fantatrao fa 'ligne des nombres' 1 ka hatramin'ny 12 no natambatra ho faribolana amin’ny famantaranandro?

Rehefa matoky tena ny mpianatra manisa 0-10 dia halavao ho 0-20 na 0-30 ny 'ligne des nombres'.

Ny 'Tableau de Cent'

Sahanasa ampiasana ny 'Tableau de Cent'1. Mizàra manisa mandroso sy mihemotra ary ampanaraho ny 'Tableau de Cent' ny rantsan-tanana.2. Lokoy ireo fiverimberenana hita ao amin'ny 'Tableau de Cent' - ohatra: isa mitovy fiafarana.3. Mipetraha boribory, dia kapohy ny lohalika ary asaivo mifandimby manonona isa ao amin'ny

'Tableau de Cent' ny ankizy tsirairay, manisa mandroso sy mihemotra.4. Hetiketetezo ny 'Tableau de Cent' ary asaivo averin'ny mpianatra amin'ny laoniny toy ny piozla

(puzzle).

39

Page 40: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Tety andro na 'calendrier'Mampiasà 'calendrier' hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahaizana manisa mandroso sy mihemotra isa-maraina rehefa manoratra ny daty ho azy ireo eo amin'ny solaitra be ianao. 1. Manampia andro iray isaky ny mandeha. Manalà andro iray isanisany indray rehefa mandia

volana vaovao anaovana fanisana mihemotra:

2. Asio marika ny ‘calendrier’ isan'andro. Ary manomboka any amin'ny faran'ny volana, manisà mihemotra hatramin'ny daty androany. Manaova toy izany isan'andro.

Fandrosoan’ny fahaizana mampiasa tety andro na ‘calendrier’ Toy izao ny fandrosoan’ny fahaizana manisa mandroso sy mihemotra:

40

Afaka manisa mandroso na mihemotra ny mpianatra mampiasa isa sasany amin’ny 0-10.

Afaka manisa mandroso na mihemotra ny mpianatra mampiasa ireo isa rehetra amin’ny 0-10.

Afaka manisa mandroso na mihemotra ny mpianatra mampiasa ireo isa rehetra amin’ny 0-10 ary afaka manonona izay aorian'ny isa iray.

Ohatra: Inona ny isa alohan'ny 4? Inona ny isa aorian'ny 4?

Inona no isa alohan'ny 9? Inona no isa aorian'ny 9?

Mitovy amin'izay voalaza etsy ambony ihany saingy ho an'ny isa 0-20.

Mitovy amin'izay voalaza etsy ambony ihany saingy ho an'ny isa 0-30.

Mitovy amin'nizay voalaza etsy ambony ihany saingy ho an'ny isa 0-100

Page 41: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Manisa tsifolofolo, tsizatozato ary tsiarivoarivo/Counting by 10s-1000s

Fandrosoan’ny fahaizana manisa tsifolofolo, tsizatozato ary tsiarivoarivoNezahina natao matroka kokoa kokoa ny nanoratana ireo isa hita fa sarotra kokoa ho an’ny ankizy.

Manisa mandroso tsifolofolo sy tsizatozato ny mpianatraa) Manisa mandroso tsifolofolo:

0, 10, 20, 30, 40, 50, 60, 70, 80, 90, 100, 110, 120 etc.b) Manisa mandroso tsizatozato:

0, 100, 200, 300, 400, 500, 600, 700, 800, 900, 1000, 1100, 1200 etc.

Manisa mihemotra tsifolofolo sy tsizatozato ny mpianatraa) Manisa mihemotra tsifolofolo

100, 90, 80, 70, 60, 50, 40, 30, 20, 10, 0b) Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia isa lehibe kokoa hanombohana manisa mihemotra

150, 140, 130, 120, 110, 100, 90, 80 sns.d) Manisa mihemotra tsizatozato

1000, 900, 800, 700, 600, 500, 400, 300, 200, 100, 0e) Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia isa lehibe kokoa hanombohana manisa mihemotra

1500, 1400, 1300, 1200, 1100, 1000, 900, 800 sns.

Manisa mandroso tsifolofolo ny mpianatra – isa tsy mifarana amin’ny aotraa) Manisa mandroso tsifolofolo – isa tsy mifarana amin’ny aotra

6, 16, 26, 36, 46, 56, 66, 76, 86, 96, 106, 116, 126 sns.b) Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia isa lehibe kokoa hanombohana manisa mandroso

58, 68, 78, 88, 98, 108, 118, 128, 138, 148, sns.

Manisa mandroso tsizatozato ny mpianatra – isa tsy mifarana amin’ny aotraa) Manisa mandroso tsizatozato – isa tsy mifarana amin’ny aotra

0, 109, 209, 309, 409, 509, 609, 709, 809, 909, 1009, 1109, 1209 sns.b) Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia isa lehibe kokoa hanombohana manisa mandroso

336, 436, 536, 636, 736, 836, 936, 1036, 1136 1236.

Mba hahavitana izany dia tokony hahazo tsara ny momba ny “valeur de position” ny mpianatra. Ny toerana misy ilay isa no manambara ny “valeur de position”. Ohatra amin’ny isa 3591, ny “valeur de position”-n’ny 3 dia 3000, ny 5 dia 500, ny 9 dia 90 ary ny 1 dia 1.

Manisa mihemotra tsifolofolo ny mpianatra – isa tsy mifarana amin’ny aotraa) Manisa mihemotra tsifolofolo

96, 86, 76, 66, 56, 46, 36, 26, 16, 6b) Isa lehibe kokoa no hanombohana manisa mihemotra rehefa mahavita izany ny mpianatra

41

Page 42: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

177, 167, 157, 147, 137, 127, 117, 107, 97, 87, 77 sns.

Manisa mihemotra tsizatozato ny mpianatra – isa tsy mifarana amin’ny aotraa) Manisa mihemotra tsizatozato

909, 809, 709, 609, 509, 409, 309, 209, 109, 9b) Isa lehibe kokoa no hanombohana manisa mihemotra rehefa mahavita izany ny mpianatra

1345, 1245, 1145, 1045, 945, 845, 745, 645, 545, Eto indray, tsy hahavita hanao izany fanazarana izany ny ankizy raha toa ka tsy mahazo tsara ny momba ny ‘valeur de position’.

Sahanasa hanisa tsifolofolo, tsizatozato, ary tsiarivoarivo1. Mipetraka boribory ny iray kilasy, mikapoka lohalika ary asaina manonona ny isa manaraka ao

amin’ny fanisana ny mpianatra tsirairay. Izao tenenina:‘Anio isika hanisa mandroso tsifolofolo manomboka amin’ny aotra. Manao izany indroa miantoana miaraka aloha isika, avy eo manonona isa tsirairay ianareo mpianatra no sady mikapoka lohalika ihany isika rehetra.’

2. Manorata isa iray eo amin’ny solaitra be, avy eo apetraho ny fanontaniana ‘inona no isa manaraka raha manisa mandroso tsifolofolo aho?’ Mandefasa mpianatra vitsivitsy manoratra ilay isa manaraka eny amin’ny solaitra be. Mpianatra samy hafa hatrany tondroina mba ho maro ireo mandray anjara. Na koa, asaivo soratan’ny mpianatra ao amin’ny solaitra ny valiny, atsangany ambony nony avy eo mba ho afaka ny hanao ‘évaluation formative’ ianao.

3. Mampiasà ‘ligne des nombres’ hanisana tsifolofolo na tsizatozato mandroso na mihemotra. Asaivo mankeny amin’ny solaitra be ny mpianatra manoratra ireo isa manaraka.

4. Mampiasà ny ‘Tableau de Cent’ hampisehoana fa mifanao ambony ambany ireo isa raha toa ka manisa tsifolofolo mandroso na mihemotra isika. Tsotra no hanazavana izany, satria misy isa folo avy ny laharana tsirairay.

5. Feon-kira mahazatra ny sofina no hihirana ireo isa. Fomba haingana hitadidian’ny ankizy lesona mantsy ny hira.

6. Soraty eny amin’ny solaitra be ilay isa rehefa manisa tsizatozato mandroso na mihemotra ianao – ohatra: 134. Asio tsipika eo ambaniny toy izao 134 ny isa ao amin’ny ‘valeur de position’ zato ary miangavia mpianatra vitsivitsy handeha eny amin’ny solaitra be ary hanova misesy ny isa eo amin’izany ‘valeur de position’ zato izany.

42

Page 43: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fitsinjarana isa na ‘décomposition’/Partitioning

Fitsinjarana isa ho tonga singa maromaro no atao hoe ‘décomposition’.

Ohatra: Azo tsinjaraina ho 1 + 2 na 0 + 3 ny isa 3. Fahaiza-manao ilain’ny mpianatra amin’ny taranja matematika any aoriana mba hampandaitra ireo paik’ady ao an-tsaina ny fahavitana mikirakira isa amin’ny alalan’ny fanovaovana toerana ireo singa samihafa.

Fandrosoan’ny fahaizana rehefa mampianatra fitsinjarana isa na ‘décomposition’Toy izao ny filahatry ny fivoarana tokony ho hita amin’ny ‘décomposition’

‘Décomposition’ hatramin’ny isa 5Ireo sakaizan’ny isa 5 no azo hiantsoana izany. Ohatra: 3 + 2 = 5; 4 + 1 = 5; 5 + 0 =5Azon’ny mpiantra tohizana toy izao aza ny fitsinjarana: 2 + 2 + 1 = 5; 3 + 1 + 1 = 5 sns.

‘Décomposition’ hatramin’ny isa 10Ireo sakaizan’ny isa 10 no azo hiantsoana izany: 0 + 10 = 10; 1 + 9 = 10; 2 + 8 = 10; 7 + 3 =10; 6 + 4 = 10; 5 + 5 =10.Azo tohizana toy izao ny fitsinjarana: 2 + 2 + 3 + 3 = 10; 1 + 3 + 4 + 2 = 10.

‘Décomposition’ hatramin’ny isa 20Ireo sakaizan’ny 20: 0 + 20 = 20; 19 + 1 = 20; 18 + 2 = 20; 9 + 9 + 2; 0 + 15 + 4 + 1 = 20 sns...

‘Décomposition’ hatramin’ny isa 100 Lesona mitovy amin’ny fitsinjarana isa kely ihany izany saingy mampiditra isa roa fanampiny fotsiny. Ohatra: 0 + 100 = 100; 99 + 1 = 100; 20 + 20 + 20 + 10 + 10 + 10 + 10 = 100

Fanamarihana: Hampidirana ny fikajiana vola ny fampitomboana ny fanazavana momba ny fitsinjarana isa lehibe kokoa.

Sahanasa vitsivitsy hanaovana ‘décomposition’1. Mandraisa zavatra 5 na 10, avy eo asaivo mitady fomba samihafa hahafahana mitsinjara izany

zavatra 10 izany ny mpianatra.

2. Sofim-bitro. Rehefa mizatra manao ‘décomposition’ ny isa 5 ka hatramin’ny 10 dia afaka mibaiko ny mpianatra hampiasa rantsan-tanana hanehoana ireo karazana fanambatambarana azo atao ianao. Asaivo apetrany eo an-tampon-doha ny rantsan-tanany ho toy ny sofim-bitro. ‘Asehoy ahy amin’ny tanana ilany ny isa 4'. ‘Asehoy ahy amin’ny tanan-droa ny isa 4'. Misy mpianatra hampiasa rantsana 1 amin’ny tanana ilany ary rantsana 3 amin’ny tanana iray hafa. ‘Mampiasà fomba hafa hampisehoana ny isa 4 amin’ny tanana roa'. Tsy maninona raha toa mijery tanana aloha ny mpianatra mba ho afaka ny hanisa rantsan-tanana vao mametraka izany eny an-doha. Rehefa tsy mila mijery rantsan-tanana intsony ny mpianatra dia maneho ny fahazoana ambony kokoa izany.

3. Mampiasà ‘carte à bulles’ hanehoana ireo sakaizan’ny isa iray. Ohatra:

43

Page 44: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Mampiseho izany fa 4 = 2 + 2, na 4 = 1+1+1+1, ary azo ampifandraisina amin’ny fampitomboana 4x1=4 izany.

4. Afaka mibaiko ny mpianatra haneho an-tsary ireo fomba fanambatambarana isa samihafa ihany koa ianao. Ohatra: paoma 3 matromatroka sy paoma efatra mazavazava = paoma 7.

Fanamarihana: Manampy ny mpianatra hahazo kokoa ny taranja Matematika ny fanaovana sary satria mampifandray ny isa ao an-tsaina amin-javatra hita maso.

5. Antsoina hoe sakaizan’ny 5 ny isa anankiroa raha toa ka mira 5 izy roa mitambatra.

Afaka mampiasa havana na ‘arc en ciel’ isika hanehoana ireo sakaizan’ny isa 5. Toy izao ny endriky ny havana entina hanehoana izany:

Ny singan’ilay havana voalohany dia misy ny isa 0 etsy andaniny ary 5 kosa etsy ankilany hanehoana fa 0 + 5 = 5 ary 5 + 0 = 5. Ny singan’ilay havana faharoa kosa dia misy ny isa 1 etsy an-daniny ary 4 kosa etsy an-kilany hanehoana fa 1 + 4 = 5 ary 4 + 1 = 5 sns...

44

Page 45: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Asaivo manao sari-na havana na ‘arc en ciel’ ao anaty ‘cahier’ ny ankizy ary mampiseho ny fomba fampiasana izany eny amin’ny solaitra be. Afaka manao sary toy izany eo amin’ny tany any an-tokotany koa ianao.

Toy izao ny endriky ny havana maneho ireo sakaizan’ny isa 10:

6. Mampiasà ‘cadre’ 5 sy cadre 10 raha mikirakira isa toy ny 10, 20, 30….1000.

Ny ‘cadre’ 5 dia fafana misy fizarana 5.

Ny ‘cadre’ 10 dia fafana misy fizarana 10. Raha isa 20, 30, 40 sns no hiasana dia ampio ‘cadre’ 10 maromaro mba ho ampy ireo fizarazarana.

Fampiasana ‘cadre’ 10 hampianarana ny ‘décomposition’Asaivo manipy kodia kely ny mpianatra. Avy eo, fenoy vato kely araka izay isa hita eo amin’ny kodia kely ilay ‘cadre’. Ohatra: raha toa ka 3 no miseho rehefa atsipy ny kodia kely dia asiana vatokely avy ny fizarazarana telo ao amin’ny ‘cadre’:

X X X

Isao avy eo ireo ‘case’ na fizarazarana misy vatokely (3 izany amin’ny ohatra noraisina eto), isao ihany koa ny ‘case’ foana tsy misy vatokely (7 izany amin’ny ohatra noraisina eto). Satria miisa folo ireo ‘case’ nanombohana, dia azontsika tsoahana fa sakaizan’ny isa 10 ny 3 sy ny 7. Na ny mifamadika amin’izay: sakaizan’ny isa 10 ny 7 sy ny 3.

7. Asaivo manoratra ireo isa rehetra azo hatambatra ho lasa isa 10 ny mpianatra sady mampiasa vato kely sy ‘cadre’ 10 manomboka amin’ny vatokely 0 izay mampiseho fa 0 + 10 = 10, avy eo manampy vatokely iray isaky ny mandeha. 1 + 9 = 10; 2 + 8 =10; 3 + 7 = 10 sns.

8. Taratasy efajoro kely indray hamenoana ny ‘case’ tsirairay. Avelao ho fotsy ny lafiny iray amin’ilay taratasy kely efajoro, ny lafiny iray hafa kosa lokoy. Atsipazo ny kodia kely ary avadiho arakaraka

45

Page 46: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

izay isa miseho ny taratasy kely efajoro hiseho ny lafiny miloko. Asaivo milaza ireo isa sakaizan’ny 10 ny mpianatra ary manoratra ireo fifanampiana mifandray amin’izany.

9. Afaka manao sarin’ny ‘cadre’ 10 eny an-tokontany koa ianao ary mibaiko ny mpianatra hitsangana sy hampiseho ireo isa sakaizan’ny 5, sakaizan’ny 10, sakaizan’ny 20 sns.

Fanamarihana: Arakaraka ny mampandroso ny fahaizan’ny ankizy manao ‘décomposition’ dia tena zava-dehibe ny manindry mafy fa misy isan-karazany ny fomba azo anoratana ny fifanampiana. Ohatra: mitovy ihany ny 2 + 3 = 5 sy ny 3 + 2 = 5. Zava-dehibe ihany koa ny manantitrantitra fa raha hay ny hoe 2 + 3 = 5 dia tokony ho hay ihany koa ny 5 – 2 = 3 sy ny 5 – 3 = 2. Mampiasa vatokely hanaporofoana izany.

Fiverimberenan-javatra na ‘modèle’/Patterns

Fivoaran’ny fahaizana rehefa mampianatra fiverimberenan-javatra na ‘modèle’

Mamantatra, manoritsoritra ary mamerina ‘modèle’ irayMila mahavaly ireto fanontaniana manan-danja manaraka ireto ny mpianatra:1. Ho an’ny fiverimberenan-javatra: vavy, lahy, vavy, lahy...a) Inona no manaraka? (vavy)b) Karazana môdely inona no hita eto? Môdely AB satria A (vavy) sy B (lahy) no hita miverimberina.

2. Ho an’ny môdely: vavy, vavy, lahy, lahy, vavy, vavy, lahy, lahy, vavy ...a) Inona no manaraka? (vavy) b) Karazana môdely inona no hita eto? Môdely AABB satria hita miverimberina ny AABB.

3. Ho an’ny môdely: vavy, vavy, lahy, vavy, vavy, lahy, vavy, vavy, lahy, vavy, vavy …a) Inona no manaraka? (lahy)b) Karazana môdely inona no hita eto? Môdely AAB satria hita miverimberina ny AAB.

Fanamarihana: Ny fampiasana ireo litera A B D E hanehoana karazan-javatra miverimberina dia mampiditra ny ankizy sahady amin’ny lesona alzebra izay ampiasana litera ho fanehoana isa na fatra. Voambolana iraisana hanoritsoritana karazana ‘modèle’ ihany koa izany.

Mamorona ‘modèle’ ahitana singa miverimberina mitohyMitovy amin’ny ohatra etsy ambony saingy asaina mamorona ny ‘modèle’ AB azy manokana ny mpianatra? Na môdely AABB? Na môdely AAB? Na môdely ABD? Na môdely AABBDD? Na môdely ABDE?

Fanazarana hampitomboana ny fahaiza-mamorona môdely ahitana singa miverimberina mitohy:1. Manorata môdely isan-karazany eo amin’ny solaitra be ary asaivo manohy izany môdely izany ny

mpianatra ary manazava ny karazana môdely hitany.

46

Page 47: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

2. Asaivo mitsangana milahatra ny mpianatra hanamboarana ilay môdely indrindra raha vavy sy lahy izany môdely izany.

3. Asivo marika toy ny ‘maki’, tanalahy, fosa ny mpianatra ary asaivo milahatra mifanaraka amin’ny môdely iray. Raha ho an’ny marika miisa telo ohatra dia asaivo manao môdely ABD, na AABBDD, na ABBD ny ankizy.

4. Mampiasà zavatra isan-karazany ary asaivo miasa isan-tarika any ivelany ny ankizy mamorona môdely toy ny: vatokely samihafa loko na saron-tavoahangy maromaro.

5. Mampiasà hira hitadiavana ilay môdely.6. Mampiasà fihetsika hanehoana môdely. Ohatra: mihatokatoka, mitehaka, manetsika valahana

(môdely ABD izany).7. Mampiasà hamafisam-peo hanehoana môdely. ohatra: mafy mafy, mora mora, mafy mafy, mora

mora (môdely AABB izany)8. Mampiasà ny vatana amin’ny fomba vaovao hanehoana môdely. Ohatra: mipetraka, mitsangana,

matory, matory, mipetraka, mitsangana, matory, matory (môdely ABDD izany)

Ny ‘valeur de position’/Place value

Ny toerany no manambara amintsika ny ‘valeur de position’-na isa iray. Ohatra: Amin’ny isa 6439 ny 6 dia manana ‘valeur de position’ 6000, ny 4 dia manana ‘valeur de position’ 400, ny 3 dia manana ‘valeur de position’ 30 ary ny 9 dia manana ‘valeur de position’ 9.

Fitomboan’ny fahaizana rehefa mampianatra momba ny ‘valeur de position’

Mieritreritra ny fatra 10 ho toy ny singa 10 mandeha tsirairay. Tsy mahita ny 10 ho toy ny totalin-javatra iray fa zavatra misingatsingana.

Mieritreritra ny fatra 10 ho toy ny javatra iray. Noho izany, rehefa mijery ny isa 17 ny mpianatra dia afaka mahita fa ny tarehimarika ‘1’ anie tsy inona fa 10 – ampahany iray izay, ary ny tarehimarika 7 ampahany iray hafa. Izy roa mitambatra no manome ilay isa.

Mieritreritra ny ambiny sy ny ampolony ho singa azo kirakiraina, zarazaraina ary afindrafindra toeranaOhatra 1: Asehoy amin’ny ‘ligne des nombres’ ny isa 23 ary ampiasao ny fomba mitsambikina:Mitsambikina ampolony indroa ary ambiny indray mandeha.

Azo ampiasaina ny fomba mitsambikina satria miova araka ny toerana misy azy ny sandan’ny isa tsirairay. Ho an’ny isa 23 ohatra, ‘20’ no sandan’ny 2 ary ‘3’ kosa no sandan’ny 3. Ao amin’ny ‘ligne des nombres’ ny isa ‘2’ dia eo amin’ny toeran’ny ampolony noho izany mitsambikina ampolony in-droa isika. Ny ‘3’ kosa dia eo amin’ny toeran’ny ambiny noho izany mitsimbika ambiny intelo isika.

47

Page 48: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ohatra 2: Fomba mizarazara anaovana ity fifanampiana ity 23 + 14. Ny ampolony aloha hampifanampiana. Fantatra fa 20 no sandan’ny 2 ary 10 no sandan’ny 1. Noho izany 20 + 10 = 30. Avy eo, ataovy indray ny ambiny. 3 + 4 = 7. Ny valiny dia hanjary 30 + 7 = 37Azo ampiasaina amin’ny fifanampiana izany fomba izany satria tsy maninona izay filaharan’ny fifanampiana atao.

Mieritreritra ny an-jatony, ampolony ary ambiny ho toy ny singa azo kirakiraina, zarazaraina ary afindrafindraOhatra 1: Asehoy amin’ny alalan’ny ‘ligne des nombres’ ny isa 326

Azo ampiasaina ny fomba mitsambikina satria miova araka ny toerana misy azy ny sandan’ny isa tsirairay. Eo amin’ny toeran’ny an-jatony no misy ny ‘3’ noho izany 300 no sandany, tsambikina an-jatony in-telo no atao. Ny ‘2’ kosa dia eo amin’ny toeran’ny ampolony, noho izany 20 no sandany ary tsambikina im-polo roa no atao. Farany, eo amin’ny ambiny no toeran’ny ‘6’, noho izany tsambikina kely enina no atao.

Ohatra 2: Fomba mizarazara anaovana ity fifanampiana ity 123 + 345 Hampifanampiana aloha ny anjatony – noho izany 100 + 300 = 400 Avy eo hampifanampiana ny ampolony 20 + 40 = 60 Ary farany hatambatra ny 3 + 5 = 8 Araka izany, ny fitambarany dia 400 + 60 + 8 = 468

Fanamarihana: Ilaina hantitranterina fa manana ny sandany ny isa ‘0’ arakaraka ny toerana misy azy. Ohatra, ao amin’ny isa 208 ny 0 dia maka ny toeran’ny ampolony. Izany dia midika fa misy 0 miisa folo ao amin’ny 208.

Fifanampiana sy fifanalana/Addition and subtraction

Rehefa mampita ireo fahaiza-manao azo avy amin’ny taranja Matematika isika dia mila mandinika tsara ny fomba fikarohan’ny ankizy izay mety ho valim-panontaniana. Mampiseho ny haavo sy halalin’ny fieritreretan’ny ankizy ny fomba famahany olana. Karazam-panontaniana toy izao apetraka: ‘Ahoana no fomba nahitanao izany?’

Fandrosoan’ny fahaizana manao fifanampiana sy fifanalana

Mianatra manisa zavatra hita maso, manao fampifandraisana ny singa tsirairay ao anaty vondrona iray

48

Page 49: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Mianatra manisa zavatra ny ankizy eto. Matetika izy ireo no mandingana singa iray na koa manisa izany in-droa.

Fanazarana hampitomboana izany fahaizana izany:a) Manisa zavatra, mamindra etsy an-kilany ireo zavatra efa voaisa mba hahamora ny fahitana raha nisaina avokoa ny singa rehetra ary tsy misy adino.

b) Manaova kodia kely amin’ny taratasy, teboka ampiasaina fa tsy isa soratana. Asaivo manipy ilay kodia kely ny mpianatra. Avy eo asaina manisa ireo teboka mipoitra eo amin’ny kodia kely izy. Asaivo manisa zavatra hafa indray izy ka atao mitovy isa amin’izay mipoitra eo amin’ny kodia kely izany – zavatra toy ny saron-tavoahangy, vatokely, voa maina, voan-tsaramaso. Tsara raha atao isan-tarika ity fanazarana ity ka mifandimby manipy kodia kely sy manao ny fanisan-javatra ny mpianatra.

d) Afaka mampiasa karatra izay ahitana isa koa ianao. Avy eo, toy ny tao amin’ny fanazarana a) ihany, misintona karatra iray ny mpianatra ary manisa zavatra hafa (vatokely, ohatra) mitovy amin’izay voasoratra ao.

Mianatra manisa izay zavatra hita maso ny mpianatra – zavatra ao anaty vondrona roa noho mihoatra Manisa fitambaran-javatra ny mpianatra eto, na dia misy vondrona maromaro aza hita eo.

Fanazarana hahaizana izany:1. Misy antokona vatokely roa eo ambony latabatra. Misy vatokely 3 ny antoko iray ary 4 kosa ilay

iray hafa. Izao lazaina ny mpianatra: ‘Misy vatokely 3 amin’ity antokom-batokely iray ity, ary 4 kosa no etsy, firy izany no isan’ny vatokely raha hatambatra?' Izay vato hitan’ny mpianatra no isainy (mety hanondro ny vatokely tsirairay mihitsy aza izy), '1, 2, 3, 4, 5, 6, 7. Fito no isany.' Manana antokona vatokely avy ny vondrona mpianatra tsirairay, na koa azo atao eny anoloana ireo vatokely.

2. Raha izay ohatra izay ihany no raisina, vatokely 7 hanombohana. Nony avy eo hanesory 3. Anontanio, firy ireo vatokely tavela? Manisa tsirairay ireo vatokely tavela ny mpianatra ‘1, 2, 3, 4. Efatra no ambiny.’

Mianatra manisa mandroso sy mihemotra ny mpianatra amin’ny alalan’ny zavatra hita maso eo na ireo izay nafeninaZava-dehibe ny mahay manisa na dia zavatra tsy hita maso aza. Afaka mampiasa rantsan-tanana ny mpianatra hanisany.

Fanazarana hampitomboana ny fahaizana izany:1. Afeno any an-tanana, na sarony lamba na ataovy ao ambany kaopy plastika ny vatokely miisa 3.

Asivo vatokely 4 hita eo ambony latabatra akaikin’ny tananao. Izao tenenina ny mpianatra: ‘Misy vatokely 3 ao anaty lamba ao ary 4 hita maso eto. Misy firy ireo vatokely raha hatambatra?' Afaka manangana rantsan-tanana 3 ny mpianatra hanehoana ireo vatokely ao anaty lamba ary rantsan-tanana 4 kosa ho an’ireo vatokely hita maso. Avy eo dia isainy indray ny rantsan-tanany hahafantarany ny isan’ireo vato rehetra.

49

Page 50: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

2. Teneno izao indray ny mpianatra: ‘Misy vatokely 6 voasarona lamba na ao anaty tanana, esorina ny 2 ‘firy sisa izany no tavela? Raha roa no nesorina'. Manangana rantsan-tanana 6 indray mpianatra ary mampidina 2. Avy eo izy ireo manisa izay rantsan-tanana tavela: '1, 2, 3, 4...Efatra no tavela.' Ankasitraho ny ezaka ataony.

Mianatra manisa ao an-tsaina ny ankizyTsy mampiasa rantsan-tanana toy ny teo aloha intsony ny mpianatra hanisana.a) Mandraisa vatokely 2 tsy hita maso ary 3 hafa kosa aseho eo. Izao tenenina ny mpianatra: ‘Misy vatokely roa ato an-tanako ary 3 eo akaikiny. Firy no fitambarana izany? Amin’ity indray mitoraka ity, 3 hanombohana manisa, ny isan’ireo vato hita maso eo. '3, 4, 5... Misy 5 ny fitambarany.'

b) Toy izany ihany, izao lazaina ny mpianatra: ‘Manana vatokely 7 tsy hita maso aho.’ Esory ny 3 saingy aza aseho ny mpianatra. ‘Nisy vatokely nesoriko ary 4 sisa no tavela. Firy izany no nesoriko?'. Manangana rantsan-tanana 7 aloha ny mpianatra, avy eo sady manisa no mampidina rantsan-tanana mandra-paha 4 ny rantsan-tanana sisa tavela. Miisa 3 ireo rantsan-tanana nampidinina, 3 noho izany ny valiny.

d) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary manisa mandroso sady manampy rantsan-tanana iray isaky ny mandeha: '5, 6, 7. Rantsan-tanana 3 no natsangana mba hahazoana 7. Noho izany, 3 izany ireo nalana'.

Mianatra manisa mandroso sy mihemotra ny mpianatra – mampiasa paik’ady ao an-tsaina saingy tsy misy zavatra hita masoTena zava-dehibe ny fampianarana ny ankizy Matematika fototra ampiasana zavatra hita maso mba hampifandraisan’izy ireo ny lesona amin’ny tontolo manodidina azy. Eto anefa, manomboka ampianarina azy ireo ny manisa sy manao kajy tsotsotra tsy hitadiavana fanampiana amin’ny zavatra hita maso. Ao an-dakilasy, misy foana ireo mpianatra mila mampiasa zavatra hita maso mandritra ny fotoana ela, ao kosa ireo afaka mianatra manisa haingana tsy mila izany.

Ireto misy fanazarana azo ampiasaina:1. Milazà tantara: 'Manana vola madinika (vy) 5 aho ary nahita 4 fanampiny. Manana vola madinika

firy aho izany ankehitriny?' Mamaly tsy manisa amin’ny rantsan-tanana ny ankizy. ‘Manana vola madinika 9 ianao ankehitriny.’ Tena zava-dehibe ny hanontanianao hoe: ‘Ahoana no fomba nokajinao izany?’ ahitana ny paik’ady nampiasainy. Toy izao no mety havaliny: ‘Fantatro fa 5 + 5 = 10, noho izany latsaka iray fotsiny ny 5 + 4 => 9 no valiny', na koa 'fantatro fa 4 + 4 = 8, noho izany mitombo iray ny 5 + 4 => 9 no valiny’. Hahazoana valiny haingana kokoa ny fahaizana mampitombo roa noho ny fanisana.

2. Milazà tantara: 'Manana saron-tavoahangy 8 aho ary nahita 5 fanampiny. Manana saron-tavoahangy firy aho izany ankehitriny? Mamaly tsy manisa amin’ny rantsan-tanana ny ankizy. ‘Manana saron-tavoahangy 13 ianao ankehitriny’. Anontanio azy: 'Ahoana no fomba nanaovanao izany kajy izany?' - ‘Fantatro fa 8 + 2 = 10 miampy ny 3 tavela avy amin’ny 5 => 13 izany no valiny’ na koa ‘Raha manisa tsiefatrefatra aho dia fantatro fa 8 + 4 = 12. Noho izany, tokony hitombo iray ny 8 + 5 => 13 no valiny’, na koa ‘Satria mahay ny fampitomboana roa aho dia fantatro fa 8 + 8 = 16, ary fantatro koa fa 5 dia 8 miala 3 ka nanisa 3 avy amin’ny 16 aho. 15, 14, 13.’

50

Page 51: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fanamarihana: Manampy ireo mpianatra osa kokoa amin’ny fomba fanaovana kajy an-kandrina ny mpianatra mahay rehefa mamaly ny fanontaniana hoe: ‘ahoana no nanaovanao izany kajy izany?’. Any am-boalohany, mila mampianatra ny ankizy rehetra ny fomba fanaovana kajy an-kandrina ianao.

Ho afaka ny hamaha olana iray amin’ny fomba samihafa ny ankizy arakaraka ny fandrosoan’ny fahaizany mikirakira tarehimarika. Zava-dehibe ny fanomezana azy ireo fanamby hamaha olana amin’ny alalan’ny fomba vaovao hatrany. Izao hanontaniana ‘Misy fomba hafa hahazoana ny valiny ve? Inona amin’ireo no heverinao ho fomba tsara kokoa ary nahoana? Anontanio ny namanao ny fomba namahany ilay olana? Anontanio azy ny fomba tsara indrindra hamahana izany ary nahoana.’

Afaka manomboka mizaha isa lehibe noho ny 10 ianao ho an’ny ankizy efa mahazo tsara izany lesona izany.

Fampitomboana sy fizarana/Multiplication and division

Fandrosoan’ny fahaizana rehefa mampianatra Fampitomboana na Fizarana

Manandrana mizara ny mpianatra mba hahazo antokon-javatra mitovy isaHitantsika izany rehefa manandrana mizara kilalao amin’ny namany ny mpianatra saingy tsy mahavita mizara izany mitovy.

Hampitomboana ny fahaizana izany dia hazavao ny fomba hahazoana mizara voan-tsaramaso ho an’ny mpianatra roa ao an-dakilasy. Ohatra: ‘Manana mofogasy 6 hozaraina mitovy i Fitiavana, Sarobidy ary Onja. Mahazo firy avy izy ireo? Eritrereto hoe mofogasy ireo voan-tsaramaso.’ Manondroa mpianatra ao an-dakilasy hilalao ireo olona telo ao amin’ny tantara, ary asaivo mizara mitovy ireo mofogasy izy ireo.

Avy eo, asehoy azy ireo ny zara tsy mitovy iray mba hanombohany mahatakatra ny mahasamihafa ny zara mitovy sy tsy mitovy.

Afaka mizara mba hahazoana antokon-javatra mitovy zara tsaraManaraha ny ohatra hita etsy ambony. Asaivo mandeha mitady vato kely any ivelany ny mpianatra. Asaivo mizara mitovy ireo vato kely amin’ny namana iray izy. Avy eo namana 2 na 3 sns...

Hazavao fa mba hananan’ny rehetra fatra mitovy, indraindray misy vato kely tavela izay tsy omena na iza na iza.

Afaka manisa amin’ny ‘multiple’ ary mahita fifanampiana miverimberinaFanisana manaraka paika no fiantso izany indraindray. Manisa tsiroaroa, tsitelotelo na tsiefatrefatra ny mpianatra.

Hevitra vitsivitsy hampivelarana izany:

a) Manorita ‘ligne des nombres’ eo amin’ny solaitra be. Tsipiho, soraty matevina kokoa na lehibe kokoa ireo isa tafalatsaka ao anatin’ny paika. Mitenena mafy na mitehafa rehefa tonga eo amin’ilay

51

Page 52: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

isa misy tsipika eo ambaniny. Mitenena mora na peho ny oronao rehefa ao amin’ireo isa anelanelany. Amin’ny farany, ny mpianatra dia ho zatra ny hanindry mafy izay isa mitontona faharoa isaky ny mandeha rehefa manisa tsiroaroa na ny isa fahatelo isaky ny mandeha raha manisa tsitelotelo sns...

‘Ligne des nombres’ ho an’ny fanisana manaraka paika mandeha tsiroaroa:

‘Ligne des nombres’ ho an’ny fanisana manaraka paika mandeha tsitelotelo:

‘Ligne des nombres’ ho an’ny fanisana manaraka paika mandeha tsiefatrefatra:

b) Raha ‘Tableau de Cent’ no ampiasaina, amin’ny alalan’ny fandokoana izay isa tononina mafy no hanehoana ny fanisana tsiroaroa na tsitelotelo sns. Hiseho ho azy ny fiverenan-javatra matetika raha toa manao izany ianao. Ohatra, misy fotoana hifanindry amin’ny fanisana tsiefatrefatra, tsivalovalo na tsifolofolo ny fanisana tsiroaroa. Ny fanisana tsitelotelo kosa dia hifanindry amin’ny fanisana tsieninenina, tsisivisivy ary tsiroambifolo. Tsara ny firesahana amin’ny ankizy mikasika ireo fiverimberenan-javatra mipoitra ireo.

Afaka mandingana isa mitovy rehefa manisa mandingana ary sady manisa no mampiasa ‘marqueur’ hamaritana ireo tarika isanisanyManisa mandingana no atao rehefa afaka manisa tsiroaroa, tsitelotelo, tsiefatrefatra, tsidimidimy sns ny mpianatra. Ary koa rehefa mahatakatra ny fifandraisan’ireo isa ireo amin’ny fampitomboana.. Entina hanehoana ireo isa ireo ny ‘marqueur’.

Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia manisa mandingana ny ankizy: '0,5,10,15,20' raha tokony hanao fanisana manaraka paika: '0,1,2,3,4,5,6,7,8,9,10'.

Mampiasà fomba fanehoana an-tsary ho an’ny tarika isa tsirairay. Ohatra, raha hanisa tsidimidimy: 51015 204 8 12 1620

Ny andalana tsirairay samy manana bisikileta 5 avy ary misoratra ery amin’ny andalana farany ny fitambaran’ireo bisikileta. Toy izany ihany, misy bisikileta efatra ny tsanganana tsirairay ary misoratra eny amin’ny tsanganana farany ny fitambaran’ireo bisikileta rehetra.

Ny fanehoana ny isa 20 amin’ny alalan’ny andalana bisikileta 5 mitovy dia mahatonga anao ho afaka ny hanazava fa manome 20 ny fifanampian-javatra miverimberina:

52

Page 53: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Raha manisa ny bisikileta isaky ny andalana isika dia izao no azo: 20 = 5 + 5 + 5 + 5. Izany dia mitovy amin’ny 4x 5. Raha manisa ny bisikileta isaky ny tsanganana isika dia izao no azo: 20 = 4 + 4 + 4 + 4 + 4. Izany dia mitovy amin’ny 5 x 4.

Ny fampiasana ity fomba ity dia manampy hahatakaran’ny mpianatra fa fomba mora kokoa hanaovana fifanampiana miverimberina ny fampitomboana. Azo ampidirana ny lesona momba ny velarana ihany koa ity fomba iray ity. Sorito ao anaty taratasy voazarazara ho efajoro marobe ny mahitsy zoro iray. Avy eo, hisao ireo efajoro tafiditra ao anatiny. Farany, kajio amin’ny alalan’ny fifanampiana miverimberina ny isan’ireo efajoro.

Ohatra 2: Azo aseho amin’ny alalan’ny andalana roa misy tarehy mitsiky enina na tsanganana enina misy tarehy mitsiky roa ny isa 12.

2 4 6 8 10 12 6 12

Raha manisa ireo an-dalana isika dia 12 = 2 + 2 + 2 + 2 + 2 + 2. Mitovy amin’ny 2 x 6 ihany izanyRaha manisa ireo tsanganana isika dia 12 = 6 + 6. Mitovy amin’ny 6 x 2 ihany izany.

Afaka manisa mitsambikina vondrona mitovy tsy mampiasa ‘marqueur’ intsonyIzao isika dia hanisa tsiroaroa na tsitelotelo ary tsy mampiasa kintana na faribolana intsony hanampy antsika.

Ohatra: manisa mandingana tsiroaroa na am-bava na an-tsoratra - 0, 2, 4, 6, 8, 10, 12, 14 sns…

Anontanio ny mpianatra izay fifandraisana misy eo amin’ireo isa ireo sy ny fampitomboana. Asehoy toy izao ny fifandraisana misy amin’ny fampitomboana:

0 = 2 x 02 = 2 x 14 = 2 x 26 = 2 x 38 = 2 x 4 …

Mahita ny fifandraisana eo amin’ny fampitomboana sy ny fizaranaEto no hahaizan’ny mpianatra fa mifanohitra ny fampitomboana sy ny fizarana.

Ho an’ny fampitomboana dia vondrona mitovy maro no mitambatra hahazoana isa lehibe kokoa iray.

Mifanohitra amin’izany ny fizarana. Isa lehibe kokoa no hanombohana, zaraina izany hahazoana vondrona mitovy maro mba hahitana hoe firy ny isa ao anatin’ny vondrona tsirairayna miisa firy ireo vondrona.

53

Page 54: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ohatra 1: Asaivo manao ny mifanohitra amin’ity fampitomboana ity ny mpianatra:3 x 4 = 12

Roa no fomba hahafahana manao izany:12 ÷ 3 = 4 na 12 ÷ 4 = 3

Ohatra 2: Asaivo manao ny mifanohitra amin’ity fizarana ity ny mpianatra:36 ÷ 12 = 3

Fomba roa no hahafahana manao izany:3 x 12 = 36 na 12 x 3 = 36

Ny ‘fraction’/Fractions

Fanazarana vitsivitsy hampitomboana ny fahaizana ‘fraction’:1. Mampiasà taratasy ary asaivo mamalona izany roa mitovy tsara ny mpianatra. Avy eo, asaivo

mamoritra roa ilay taratasy izy ireo saingy tsy atao mitovy ny famoretana izany. Azo averina toy izao izany fanazarana izany: avalona hizara efatra mitovy tsara ilay taratasy ary aforitra efatra tsy mitovy kosa ny taratasy iray hafa.

2. Omeo endri-javatra samihafa ny mpianatra hanandramana, ohatra, faribolana, hampisehoana ny iray ampahadiminy. Avy eo, asaivo mampiasa mahitsy zoro izy ireo hanehoana izany iray ampahadiminy izany. Tiako ny mampiasa voambolana toy ny ‘pizza, gâteau, na tarte’ rehefa miresaka momba ny faribolana. Tiako ihany koa ny mampiasa voambolana toy ny ‘barre de chocolat, gâteau na esquimau’ rehefa miresaka momba ny mahitsy zoro. Toy izao ny endriky ny fanontaniana azo apetraka: ‘Azonao zaraina telo mitovy ve ity “pizza” ity? Azonao zaraina telo mitovy ve ity “barre de chocolat” ity?’

3. Manorita endri-javatra samihafa any an-tokontany. Avy eo, asehoy ireo fomba isan-karazany hahazoana mizary izany mitovy.

4. Asaivo mizara ny iray kilasy ho roa, telo, efatra na dimy ny mpianatra. Mahaliana ny miresaka amin’ny ankizy lehibe kokoa ny antony mampisy mpianatra ambiny raha toa te hahazo vondrona mitovy isa ianao.

5. Afaka mampiasa vatokely na saron-tavoahangy koa ianao hanazavana ny an-tsasany, ampahatelony, ampahefany, na ampahadimin-javatra.

6. Hevitra tsara ny mampiseho ireo mpianatra ny fomba fizarana voankazo iray ho antsasany, ary ny antsasany indray ho tonga ampahefany. Ohatra tsara amin’ny fiainana andavan’andro izany ampisehoana ny fampiasana ‘fraction’ rehefa mikarakara sakafo isika, na mihinana na mahandro!

Ny ampahany mitovy isa na mitovy habe no mahatonga ny ‘fraction’ mifandray akaiky amin’ny fampitomboana sy ny fizarana. Matetika isika no mampiasa ny voambolana ‘zara mitovy’ rehefa miresaka ny momba ny sombiny mitovy habe rehefa manao ‘fraction’ na vondrona maro mitovy isa rehefa manao fizarana na ‘division’.

Fandrosoan’ny fahaizana rehefa mampianatra ‘fraction’

54

Page 55: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fandresefesana/Measurement

Fanazarana hampitomboana ny fahaizana mandrefy1. Mampiasa kofehy na ‘ba’ handrefesana zavatra ao an-dakilasy toy ny boky, pensily, latabatra,

varavarankely.2. Alaharo ny saron-tavoahangy handrefesana ny halavan’ny zavatra iray.3. Mampiasa dian-tanana na dian-tongotra handrefesana halavàna.4. Rantsan-tanana atao ‘marqueur’ rehefa mandrefy halavàna.5. Asaivo matory eo an-tokontany ny mpianatra ary mampiasà tsaoka hanoritana ny manodidina

azy. Avy eo, refeso amin’ny alalan’ny dian-tanana na dian-tongotra ny halavany. Afaka mandeha tsiroaroa ny mpianatra. Ny mpianatra iray matory ary ny iray hafa manoritra sy mandrefy. Avy eo izy ireo mifamadika.

6. Mampiasà fitaovam-pandrefesana tena izy handrefesana elanelana isan-karazany.

Fanamarihana: Tena ilaina ny mampiasana ireo zava-misy manodidina antsika rehefa manao fandrefesana. Maro ny ankizy tsy mahazo an-tsaina mihitsy ny refy sasany satria izay mihitsy izy vao nandrefy.

Rehefa mampianatra momba ny lanja, mandraisa zavatra maivana sy mavesatra eo an-tanana hahatsapana ny mahasamihafa izany.

Rehefa mampianatra momba ny hadiry, asio rano ny fitoeran-javatra isan-karazany ahitana fa samy hafa ny fatra zakan’ny fitoeran-javatra tsirairay.

Rehefa mampianatra momba ny velarana dia ampiasao ireo faritra any ivelany sy ao anatin’ny efitrano fianarana ahitana izany velarana izany.

55

Manandrana mizara zavatra ho roa na dia tsy mitovy aza ireo sombiny voazara

Mizara zavatra ho roa ary manao izay hampitovy ireo antsasany

Mahay mizara vondron-javatra ho roa

Mizara zavatra ho efatra amin'ny alalan’ny fanapahana ny antsasany

Fahaizana mizara vondron-javatra ho lasa ampahadiminy

Mahay manao ny ampahatelony na ny ampahadiminy avy amin'ny faribolana na mahitsy zoro

Mahay mizara vondron-javatra ho lasa ampahatelony na ampahadiminy

Page 56: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Rehefa mampianatra momba ny ora dia resaho ny fotoanan’ireo trangan-javatra samihafa miseho ao an-tsekoly.

Ny fandrefesana dia ampiasaina amin’ny fiainana andavan’andro koa asaivo mizatra ny fahaizana mandrefy ny ankizy rehefa mampianatra ianao satria ilaina amin’ny fiainana manontolo izany.

Fandrosoan’ny fahaizana rehefa mampianatra mandrefy

Fomba fito hahatonga ny Matematika hahafinaritra/Seven ways to make maths fun1. Fampiasana anaran’ny mpianatra any anaty ohatraOhatra: ‘Namboly pibasy i Mandresy. 10 no voany. Tonga anefa i Gabriella ary naka 4. Firy sisa no pibasy tavela eo ambony hazo?’

2. Fampiasana sary

56

Mampitaha mivantana ny refin-javatra roa

Mitady zarazan-javatra roa tsy azo ampitahaina mivantana

Mampiasa zavatra toy ny tady na hazo lavalava hampitahana halavàna

Mahafantatra fa tsy àry hahita fitaovam-pandrefesana tena hitovy halava amin’ny zavatra refesina. Ohatra, raha toa fohy loatra ny hazo iray dia voatery tsy maintsy manao fandrefesana

kely vitsivitsy ary milaza hoe: ‘hazo kely efatra no halavan’ilay latabatra’.

Mahita fa ilaina ampitovizina ny ventim-pandrefesana. Misy mety hahita fa hazo efatra ny halavan’ny latabatra, ho an’ny hafa mety ho hazo telo izany. Tsotra ny antony: tsy mitovy

avokoa ny halavan’ny hazo rehetra.

Mahita fa rehefa mandrefy zavatra lava kokoa noho ny fitaovam-pandrefesana dia tsy tokony hisy fifanaingenana na elanelana. Tokony hatao mahitsy tsara ihany koa ny fitaovam-

pandrefesana.

Mahita fa tsy maintsy manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fandrefesana atao.

Mahita fa afaka manisy marika rehefa voarefy ny ampahany iray ary mamerina toy izany hatrany.

Mampiditra ny venty fandrefesana halavana (unité de mesure de longueur) ofisialy

Page 57: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

3. Fampiasana fitaovana azo tsapain-tanana Vatokely, ‘calendrier’, ‘Tableau de Cent’, ‘ligne des nombres’, kodia kely, karatra, ‘tourniquet’, vakana amin’ny kofehy, fisokirana nify, daomy. Afaka mahasolo kodia kely ny ‘tourniquet’ vita amin’ny karatra sy fisokirana nify.

4. Fampiasana vatana anaovana fihetsika Miangavia mpianatra hiroso eny aloha ary zarao tarika roa izay hanehoana fifanampiana.

Mampiseho olona 1 ny sary '': azo anehoana 1 + 3 = 4 azo anehoana 2+2 = 4

Toy izany koa ny fifanalana: azo anehoana 4 - 1 = 3 Ireo izay eo ankavia no ambiny tavela azo anehoana 4-2 = 2 Afaka maneho ireo fifanampiana ireo amin’ny alalan’ny fitsambikinana miakatra na midina ‘ligne des nombres’ iray ihany koa ianao. Na manaova tantara misy fifanampiana na fifanalana.

5. Fampiasana ohatra hita amin’ny fiainana andavan’androMiresaha momba ny fiantsenana, fandrahoana, fandrefesana elanelana na fotoana, vola. Mandrefesa zavatra tena misy ao an-dakilasy.

6. Milazà tantara tena nitranga taminaoHampifantoka ny sain’ny mpianatra izany ary hanampy azy hahazo ny lesona amin’ny fomba vaovao.

Ohatra: Indray andro aho nanao ‘gâteau’ ary nila nanapaka ny akondro hizara efatra. Afaka manampy ahy ve ianao ... ahoana no fomba tsotra indrindra hanapahana ny akondro iray ho efatra?

7. Mamorona tantara hampidirana lesona'Indray andro nisy ankizy vavy iray, Zo no anarany. Ankizy vavy tia tena izy. Tiany tazonina ho azy samirery ny ‘esquimaux’ rehetra. Hoy reniny taminy ‘Zo, aza tia tena ianao, mila mizara ireo “esquimaux” 12 amin’ny anadahy sy rahavavinao ianao. Ahoana no fomba hahazoan’ny Zo manao izany?'

Hafatra farany/Final thoughtsTaranja mahaliana sy azo ampiasaina tsara ny Matematika. Aza avela hieritreritra ny mifanohitra amin’izany ny ankizy. Tsy maintsy manao izay hampifantoka azy isika ary manombatombana ny dingam-pahatakarana misy azy mba amin’ny hafainganam-pandeha ilaina no hamakivakiana ireo dingana.

57

Page 58: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Izao no tadidio: tsy ny fahitana ny valiny marina fotsiny akory ny Matematika fa indrindra ny fahaizana misaina ara-Matematika. Midika izany indraindray fa ho diso ny valim-panontaniana azo voalohany, saingy tokony hamela ny mpianatra hieritreritra ho an’ny tenany isika ary hizaha irery ny valim-panontaniana fa tsy hilaza amin’ny ny valiny marina fotsiny.

Raha mila fanazarana fanampiny ianao, jereo ny tranonkala:https://nrich.maths.org/early-yearshttps://nrich.maths.org/teacher-primary

Amin’ny fiteny Anglisy ireo saingy afaka mijery ny http://translate.google.com ianao ary manoratra ny tranonkala dia hivadika teny Frantsay ho azy izany.

Zavatra ataoZarao efatra ny taratasy A4 ary toy izao manaraka izao no fomba hamenoana ny fizarana tsirairay:

Manaova sarin-javatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Mitanisà zavatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Misafidiana zavatra roa mahaliana anao tamin’izay nianarana

Manorata fanontaniana roa mahakasika ny lohahevitra

58

Page 59: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

4. Ny Lalao ho Fampivelarana/Play in development'Zava-dehibe loatra ny lalao hahatanteraka ny fampivelarana ny zaza ka nosokajian'ny "Haute Commission des Nations Unies" ho zo fototry ny ankizy tsirairay.'– Firenena mikambana

Resaho1. Inona avy ireo teny azonao ampiasaina hanoritsoritana ny atao hoe lalao?2. Inona avy ireo ireo teny azonao ampiasaina hanoritsoritana ny mifanohitra amin’ny lalao?

Mazàna ampifanoherina ny hevitry ny lalao sy ny asa. Mety ho toy ny zava-poana, tsy misy dikany na lanjany ny fijery ny lalao. Mety heverina fa zavatra fanaon’ny ankizy noho ny tsy fahamatorany ny lalao ka hialany ihany rehefa mitombo taona izy indray andro ho any. Kanefa misy fikarohana maro maneho fa tsy mitombona izany.

Inona no atao hoe lalao?/What is play?Ny lalao dia hetsika ('activité') izay ny fanatanterahana azy ('processus') no manan-danja kokoa noho ny vokatra azo ('produit fini'). Ny lalao dia hetsika atao ami-nahimpo, tarihin’ny tena kanefa mitana ny sain'ireo mpandray anjara. Izany dia atao amin’ny saina mavitrika, taitra tsara ary tsy misy fiasan-doha.

Rehefa milalao ny ankizy dia mampiasa ireo fahalalana azony avy amin'izay zavatra efa niainany tany aloha – zavatra efa nataony, na hitany nataon'ny hafa, novakiany na nojereny tamin'ny fahitalavitra. Ampiasainy mba hananganana lalao, hanaovana tantara, handraisana anjara amina sahanasa isan-karazany izany.

Ny lalao dia tsy ireo kilalao ampilalaovintsika ny ankizy fa ireo zavatra safidian’ny ankizy hatao an-kalalahana.

Inona no soa azon’ny ankizy avy amin’ny lalao?/How does play benefit children?ResahoInona avy ireo karazan-javatra hain’ny ankizy eo am-pilalaovana?

Ny lalao no fomba voalohany hampivelarana ny fakan-tsary an-tsaina ('imagination') sy ny haranitan-tsaina, ny fahaizana miteny sy mifandray aman'olona, ary ny fahafehezana ireo taovam-pahatsapana samihafa eo amin'ny zaza sy ny ankizy madinika.

Ny lalao no fomba tsara indrindra hianaran'ny ankizy mampitombo ny fahazoany sy maneho ny fahafantarany ny tontolo manodidina azy. Amin'ny alalan'ny lalao dia afaka mianatra fahaiza-manao vaovao alalan’ny ankizy ary mampihatra ireo fahaiza-manao efa ananany. Ny mpianatra dia mavitrika (actif) rehefa milalao.

Misaina, manatsara, manao fampiraharahana ary maneho fahasahiana ny ankizy rehefa milalao. Mamorona trangan-javatra izy ireo ary mampihatra fahaiza-manao ara-batana, ara-pifandraisana ary ara-tsaina toy ny hoe tena mitranga izany.

59

Page 60: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Soa azo avy amin’ny lalao/Benefits of play

60

Miteny irery na miresaka amin'ny namany ny ankizy.Ny fifaneraserana aman'olona no fomba tsara indrindra hahaizana miteny.

Fahaizana miteny

Mifampiraharaha sy mamaha olana. Miara-miasa sy manaraka fitsipika. Miandry tantana sy mizara. Mahay miteny sy mihaino. Misy ny fotoana hitenenana ary misy ny fotoana hanginana rehefa mana-namana. Tsy hana-namana isika raha be resaka loatra na koa be tsy miteny. Miara-miasa ao anaty tarika, tarika miara-manangan-javatra iray ohatra. Mianatra manaiky hevitra tsy mitovy na olona samihafa fijery.Mahay mandresy sy resy. Mahay mamorona sy mikolokolo finamanana.

Fahaizana mifandray aman'olona

Mampiasa vatana amin'ny fihetsika kely - ohatra: mampiditra kofehy amin'ny vakana, manao piozila na mitana pensily hazo, mampiasa lakaoly na hety. Mampiasa vatana amin'ny fihetsika lehibe - ohatra: mitsambikina, miala sakana, mihazakazaka. Mandrindra ratsam-batana, mijoro tsara, manana vovok'aina ary mahavita mienjana sy miforitra .

Tombontsoa ara-batana

Misaina izay atao manaraka. 'Hanangana rova aho aloha. Ary hanamboatra lalana avy eo.' Maneho fahasahiana, manandrana zavatra isan-karazany Mamorona sy mamaha olana. Mikirakira ny fifandraisana misy eo amin'ny anton-javatra sy vokany - ohatra: miova endrika ny fasika raha tapohana rano. Milentika ny vato rehefa atao ao anaty rano. Mitsingevana kosa ny mololo.

Fahaizana mampiasa saina

Mahalala izay tokony hatao manoloana ny fihetseham-po na zavatra ataon'ny hafa. Raha mamely totondry ny namako aho satria tezitra noho izy naka ny zavatro dia hamaly izy ary hitohy eo foana ny adinay. Raha tsy izany dia hitomany aho ary hiteny azy izay maharary ahy. "Natao hanampiana fa tsy handratrana ny tanana." Tonga saina amin'ny fihetseham-pon'ny tena sy ny an'ny hafa. Mianatra maneho fihetseham-po araka ny tokony ho izy. Mianatra mizaka fihetseham-po isan-karazany. Mahatsiaro tena ho mahavita azy. Manana fomba fijery tsara kokoa ny tena, matoky tena.

Fahaizana mifehy ny fihetseham-po

Manatsara. Mamorona. Miaina amin'ny zava-misy (souple). Mahay makasary an-tsaina.

Fahaizana mamorona

Page 61: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ara-boajanahary ho an'ny ankizy ny fahalianana. Eo am-pilalaovana izy ireo dia mizaha, mianatra ary miezaka mba hampitombo ny fahazoany ny tontolo manodidina azy. Mandray fahaiza-manao vaovao koa ny ankizy avy amin'ny lalao izay hanampy azy hahomby any an-tsekoly ary hanosika azy ho tia fianarana mandritra ny fiainany manontolo.

Hafiriana isan'andro ny ankizy no tokony hilalao any an-tsekoly?/How much should children play each day?Hafiriana ny ankizy tsirairay no tokony hanao izay lalao nofidiany tamin-kalalahana izay hahafahany manao izay rehetra safidiny?

Resaho:1. Hafiriana isan'andro ny ankizy latsaky ny 2 taona no tokony hilalao?2. Hafiriana isan'andro ny ankizy 3 sy 4 taona no tokony hilalao ?3. Hafiriana isan'andro ny ankizy 5 sy 6 taona no tokony hilalao?4. Hafiriana isan'andro ny ankizy 7 sy 8 taona no tokony hilalao?

Toro-hevitra momba ny lalao atao anatin’ny andro iray any an-tsekoly

Ny fikarohana dia maneho fa tsara ny milalao farafahakeliny 30 minitra tsy miato. Midika izany fa mandray anjara amina lalao sarotra sy hahitam-bokatsoa kokoa ny ankizy.

Raha fohy loatra ny fotoana hilalaovan’ny ankizy dia hihena ny hamasahan'ny lalaon'ankizy ary betsaka ireo tombontsoa manan-danja toy ny faharetana, fahaizana mifampiraharaha sy mamahana olana, fananana drafitra ary fiaraha-miasa aman'olona izay ho very.

Ny fivoaran'ny lalao/Stages of playResaho1) Ahoana no fomba filalaovan'ny ankizy any am-boalohany? 2) Araka ny hevitrao, ahoana no fiovaovan' ny lalao manomboka amin'ny 0-8 taona?

61

7-845mn-

1ora5-6 taona

1.5-2 ora isan'andro

3-4 taona6-8 ora isan'andro

0-2 taonaTsy misy fetra

Page 62: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Mivelatra ny lalao rehefa mihalehibe ny ankizy. Arakaraka ny mampitombo ny ankizy 0-8 taona no mampivadika azy avy amin'ny Lalao Irery ho amin'ny Lalao Iombonana.

Ny mahasamihafa ny lalao irery sy ny lalao ifampitazanana dia ireo zaza manomboka mahatsikaritra ny namana etsy an'ila amin’ilay lalao ifampitazanana.

Ny mahasamihafa ny lalao ifampitazanana sy ny lalao mirazotra dia ireo zaza manomboka mifampaka tahaka amin’ilay lalao mirazotra.

Ny mahasamihafa ny lalao mirazotra sy lalao ifandraisana dia ireo zaza manomboka mandray anjara amin'izay lalao ataon'ny hafa amin’ilay lalao ifandraisana.

Ny mahasamihafa ny lalao ifandraisana sy ny lalao iarahana dia ireo ankizy miara-manao lalao iray amin’ilay lalao iarahana.

Ny mahasamihafa ny lalao iraisana sy ny lalao ifaninanana dia ireo ankizy manao lalao iray saingy manao izay handresena ny hafa amin’ilay lalao ifaninanana.

ResahoEfa nahita ankizy nanao ireo sokajin-dalao samihafa ireo ve ianao?

Andraikitry ny mpampianatra ao anatin'ny lalao/Role of the teacher in playResaho Araka ny hevitrao, tokony hanao inona ny mpampianatrarehefa milalao ny ankizy?

Ireto manaraka ireto dia toro-hevitra vitsivitsy momba ny andraikitra raisin'ny mpampianatra.

1. Manamora ny fanaovana ilay lalaoTokony hanamora ny lalao ataon'ny mpianatra ny mpampianatra mandritra ny ora filalaovana. Sady tsy tokony hibahan-toerana no tsy tokony ho takona tanteraka ny mpampianatra fa hamoha ny saina tia karokaroky ny ankizy rehefa milalao izy ireo.

62

L a l a o i r e r y( j e u s o l i t a i r e ) :M i la la o i r e r y n y z a z a a r y s a h i r a n a e r y i z y m a n a o i z a n y .

L a l a oI f a m p i t a z a n a n a( c o m p o r t e m e n t o b s e r v a t e u r )M i j e r y n y h a f a m i l a l a o n y z a z a s a i n g y t s y m a n d r a y a n j a r a . M i f a n i la i z y i r e o n e f a m a n a o z a v a t r a s a m ih a f a .

L a la om i r a z o t r a ( j e u p a r a l l è l e )M i f a n i la n y z a z a m a n a o z a v a t r a s a m i h a f a s a i n g y m a n o m b o ka m a k a t a h a k a .

L a l a o i f a n d r a i s a n a( j e u e n g r o u p e )E f a m a n d r a y a n j a r a @ i z a y a t a o n ' n y h a f a n y a n k i z y n a d ia t s y m i t o v y z a v a t r a a t a o a z a . M a n o m b o k a e t o n y fi n a m a n a n a .

L a l a o i a r a h a n a( j e u c o o p é r a ti f )M a n a o l a la o m i t o v y n y a n k i z y a r y m a n a t r a t r a t a n j o n a i r a y .

L a la oi f a n i n a n a n a( j e u c o m p é ti ti f )A n e l a n e l a n 'n y 6 s y 8 t a o n a . M a n o m b o ka m i f a n i n a n a n y m p i a n a t r a .

Page 63: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Zava-dehibe ity: ny ankizy no mipetraka ho mpanapa-kevitra, misafidy ny lalao atao sy ny toerana ilalaovana, mizara ny andraikitry ny mpilalao tsirairay avy ary mametraka ny fitsipi-dalao

Fomba vitsivitsy hahazoanao manamora ny lalaon'ankizy: Ampirisiho ny ankizy hametraka fanontaniana sy hizaha izay mety ho valiny amin'ny alalan’ny

fandinihana, fanaovana drafitra ary fanandramana zava-baovao. Ampaherezo ny ankizy hahaleo tena sy ho tia karokaroka. Mipetraha eo anilany, araho izay ataony ary manaova modely hafa moramora. Indraindray, misy ankizy mila fanampiana hiara-hilalao amin'ny hafa na hamaha olana (tsy

mahavita mandravona disadisa irery). Ampirisiho izy ireo mba haka fahafinaretana miaraka amin’ny namany eo-pilalaovana. Mampidira lohahevitra iray ary asaivo manao kilalao mikasika izany lohahevitra izany ireo ankizy.

2. Manao fandinihanaNy fandinihanao an’ireo ankizy tsy tapaka isan'andro dia hanampy hanao hahalala ny fomba fivelaran’izy ireo.

Tsara raha manana kahie (carnet) handraisana naoty mahakasika ny mpianatra rehetra ianao. Ohatra mikasika ny zavatra mety ho soratanao: zaza mihatakataka tsy milalao, na zaza liana amin'ny fananganan-javatra sy fandokoana, na zaza tena mahay manety.Azonao raisina naoty ihany koa ireto manaraka ireto: Fahaiza-mamorona Fahaizana miara-miasa aman'olona Fanoherana Taranja manavanana na lalao tiana Fitondran-tena tsy fahita firy na manakorontana Fananana olana amin'ny fahitana na fandrenesana Fomba fifandraisana tsara na ratsy aman'olona Talenta Fahaizana mamaha olana

Ireo fanamarihana ireo dia azonao hanaovana ireto manaraka ireto: Fitiliana ireo ankizy manana olana manokana amin'ny fianarana Fanomanana karazan-dalao hatao any aoriana arakaraka ny fahombiazana sy izay mahaliana ny

ankizy Fandanjana ny tombon-tsoa azo avy amin'ireo fitaovana lalaovina Famaritana ny tanjaka sy fahalemen'ny ankizy tsirairay Fampitana izay tsara ho fantatra amin'ny ray aman-dreny Fanaraha-maso ny fivoaran'ny mpianatra Fampitana izay tsara ho fantatry ny mpampianatra an’ilay ankizy amin'ny taona ho avy

3. Manolotra karazana sahanasa (''activités') mahasarika ny sainaNy fikarohana dia maneho fa ao anaty tontolo mamela ireo ankizy hikaroka sy hahita zava-baovao ary hilalao no tena mampahay azy ireo. Tokony homen-danja manokana izy ireo rehefa mametra-panontaniana sy miezaka mitady ny valiny. Eritrereto izay mety hahaliana ny mpianatra ary ireo sahanasa manintona azy hatao - ohatra: vato, ravin-kazo, akorandriaka, fasika, rano sns.

63

Page 64: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ireo fanontaniana mety hanampy sy tokony ho eritreretina rehefa misafidy karazan-dalao atao: Ity karazan-dalao ity ve mifandray amin-javatra efa hain'ny ankizy ka afaka ny hahomby izy ireo? Hametraka fanamby kanefa tsy hitondra hasosorana ho an'ilay ankizy ve ny fianarana fahaiza-

manao vaovao? Ahitana zavatra mahaliana ny ankizy ve ilay karazan-dalao? Mampiditra ny ankizy ho amin-javatra hafa sy vaovao ve izany? Manome lanja ny fomba fandraisan-javatr’ireo ankizy tsirairay avy ve ilay lalao? Manampy ny ankizy hahita fomba fianaran-javatra vaovao ve izany?

4. Mitandrina mba ho voaro amin'ny loza ny tontolo manodidina Mila hazavaina matetika amin’ireo ankizy ny fomba tokony hampiasana ireo fitaovana misy sy ny isan'ny ankizy afaka miara-mikirakira izany, ny fahaizana miandry tantana, mizara ary koa manadio. Mila averimberina ny resaka toy izany satria misy ankizy mila ampahatsiahivina ny fitsipi-pifehezana foana.

Tokony hotandremana koa tsy hitera-doza ho an'ny ankizy ny karazan-dalao handraisany anjara. Ataovy an-tsaina ireto: Misy rindrina na zavatra maranitra ve? Misy akora simika mety hanapoizina ve? Lavitry ny biby mety hanaikitra toy ny parasy sy voalavo ve ny toeram-pilalaovana? Mitombina tsara ve ny zavatra hipetrahana na handehanan'ny ankizy? Misy zavatra mety hianjera amin'ny ankizy ve? Tafiditry ny olon-tsy fantatra ve ny toeram-pilalaovana? Madio ve ilay toerana? Misasa tanana tsy tapaka ve ny ankizy hisakanana ny tsimok'aretina tsy hiparitaka?

Resaho Inona avy ireo zavatra mety hitera-doza ao anatiny sy any ivelan'ny sekoly tonga ao an-tsainao?

Kilalao/ToysResahoInona avy ireo kilalao tianao nolalaovina tamin'ny ianao mbola kely? Inona avy ireo karazana kilalao hitanao lalaovin'ny ankizy ankehitriny?

Ny karazana kilalao tsara indrindra dia ireo zavatra izay azo ampiasaina amin’ny fomba maro samihafa amin’ny alalan’ny fampiasanao ny famoronan’ny saina (imagination). Maro ireo kilalao hita eny tontolo eny toy ny ravina, hazo, vato, akorandriaka, rano ary fasika. Azo lalaovina ihany koa ny 'matière recyclée' toy ny kodiarana, baoritra, sy tavoahangy plastika.

Izay rehetra mety ho azo lalaovina no atao hoe kilalao.

ResahoInona avy ireo zavatra azo ampiasana ny kodiarana, ny sombin-damba, ary ny baoritra ho kilalao?

Akora fahita andavanandro sy ny fomba ampiasana izany ho kilalao:

64

Page 65: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Akora Fomba azo ampiasana izany ho kilalaoBaoritra efajoro na boribory Fenoina sy ahoaka

Ananganan-javatra miaraka amin’ny ‘blocs de construction’ Anaovana lalana fiara kely, ‘jeu de bille’, toraka kapoaka Andravahana sy andokoana Trano kely, sambon-danitra sns…

‘Volant’-na fiara, kojakojam-piarakodia

Anaovana ‘scenette’ momba ny fiara Anaovana lalao any ivelany Ananganan-javatra na anaovana ‘construction’

Lovia, sotro, sotro rovitra, vilany, lapoaly, lovia jobo sns...

Anaovana ‘dinette’, na ‘scenette’ momba ny fandrahoana sy fanadiovana

Manosika ny ankizy hiresaka mikasika ny fandrahoana, fahadiovana ary fiarovana amin’ny loza

Hazo fisaka Itsambikinana na anaovana kilanjakilanja Iakarana sy idinana Mody atao lalana

Sombina akora Anaovana asan-tanana ho fanitaran-tsaina, apetaka lakaolyTavoahangy plastika Atao fitoerana fasika

Asiana fotsin-bary, voa maina ary vatokely hampanenoina atao korintsana

Dakadakana eny amin’ny tany Asiana rano hamenoana na hanafoanana zavatra iray hijerena

ny fatra zakany.

Lamba firakotra na fanaronana Hiakanjoana hanaovana ‘scenette’ Anafoana tranokely Atao lamba manasaraka lapihazo na ‘marionette’ Ipetrapetrahana Andokoan’ny ankizy maromaro, anaingoana, ahantokantona

Ondana Atao toeram-pipetrahana mangina sy hamakiana boky ireryKodiarana Atao sakana sy fefy itsambikinana, isitrihana, andadizana na

ikodiavan’ny ankizy Atosika any an-tokontany Fenoina fasika anaovana lavaka Fenoina tany hambolena hazo

Vatan-kazo na sampan-kazo Atao anaty rano hitsingevana na hilentika Atao fipetrahana na kilanjkilanja

‘Tuyau’ Asiana fasika, rano na tany hijerena ny fomba fikorianan-javatra

65

Page 66: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ireo karazana lalao/Different kinds of playAzo zaraina sokajy maromaro ny lalaon’ny ankizy arakaraka izay zavatra lalaoviny na izay ataony mandritra ny fotoana hilalaovany.

Ohatra, karazany iray ny lalao rano satria rano no lalaovin’ny ankizy.

Karazana lalao iray hafa ny fanaovana ‘mody atao hoe’ na ”jeu imaginatif” . Izany no anarana iantsoana azy satria ireo ankizy dia mandefa fisainana ho afaka ny hilalao anjara asan’olon-kafa na zavatra hafa.

ResahoInona avy ireo karazan-dalao misy fantatrao?

Karazan-dalao vitsivitsy:

Karazana lalao

Izay zavatra mety ho azo atao

Tombon-tsoa azon’ny ankizy Akora azo ampiasaina

Milalao rano Mianatra momba ny fitoeran-javatra lava sykely velarana raha oharina amin’ny fitoeran-javatra fohy nefa be velarana

Mianatra momba ny zavatra milentika sy mitsingevana

Mianatra momba ny rano trohan’ny tany, ‘éponge’, na lamba famafa

Manadihady ny asan’ny

Mianatra voambolana vaovao toy ny: mivaingana, mafana, mangatsiaka, mamay, entona, zavona, ando, orana, ranomandry, avandra, fanala, mavesatra, maivana, misava, manasa, manakobana, manasa, misotro, mangotraka, mahandro, mamafy rano, manatsifitra, ‘bulle’, misambotra, ranomasimbe, renirano, ony, ranomasina, manjono, milentika, mitsingevana, mandraraka, mameno, manafoana, tondraka, fantsakana, mikoriana,

Fitoeran-drano amin’ny habeny samihafa

Vatokely sy rantsan-kazo

‘Eponge’ Tany Zava-maniry,

masom-boly, hazo

Angady

66

Karazana lalao

Filalaovana rano Filalaovana fasika

/vovoka

Lanao entina manao andrana

siantifika

'Scenette' na "jeu imaginatif"

Mihira/mandihy

Mampiasa vatanaMifaninana

'Jeu de construction'

Lalao maneho fahaiza-

mamorona

Lalao momba ny vakiteny sy fanoratana

Lalao momba ny kajy

Page 67: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

rano manoloana ny zava-maniry

Mianatra momba ny fampiasana rano hisasana miaraka amin’ny savony

Mampiasa rano sy vato hananganana dobo na fantsakana

mitroka sns... Mampivelatra ny fifandraisana

aman’olona Azo ampifandraisina amin’ny lesona

momba ny fiainana tena izy toy ny fandrahoana, fanadiovana, fiompiana sns…

Mitondra fahasalamana ho an’ny ankizy satria mampitony azy ny fikasihana rano.

Savony Lamba famafa Tavoahangy

fitsifitsifirana

Milalao fasika

Mampitaha ny mampitovy na tsia ny toetoetry ny fasika samihafa

Mizaha ny fomba fitanan’ny fasika hafanana rehefa mangatsiaka na mafana

Mikaroka ny antony mahatonga ny fasika hanana loko samihafa

Fanapohana rano ny fasika ahitana ny fiovaovan’ny toetrany: hahavitana zavatra samihafa ny fasika maina sy mando

Manao fikarohana momba ny maivana sy mavesatra amin’ny alalan’ny fatrana fasika samy hafa

Mahazo voambolana vaovao toy ny mitsitaitaika, mikapokapoka, mandavaka, manatsatotsatoka, mameno, mandraraka, mandoatra, manarona, manosika, manao sary, mafy, mavesatra, maivana, refy, mihoatra, latsaka sns.

Mahasalama ny ankizy satria mampitony azy ny manao sary amin’ny rantsan-tanana eo ambony fasika maina

Fasika Karazana fasika

avy amina toerana samihafa

Rano Fitoeran-javatra

amin’ny habeny samihafa

Angady

Lalao hanaovana fanandramana

Mianatra momba ny zava-boary rehefa manangona ravin-kazo, hodi-kazo, rantsan-kazo, akorandriaka, vato sns.

Manara-maso ny fitombon’ny zava-maniry

Mikarakara biby ao an-dakilasy

Mahazo voambolana vaovao toy ny mitsitaitaika, mikapokapoka, mandavaka, manatsatotsatoka, mameno, mandraraka, mandoatra, manarona, manosika, manao sary, mafy, mavesatra, maivana, refy, mihoatra, latsaka sns.

Mitarika ny ankizy handinika ny tontolo manodidina azy

Mampitombo ny fahaizany

Pensily hazo kahie hanehoana

an-tsary ireo fandinihana atao mandritra ny taona – ohatra : tanim-bary amin’ny fotoana samy hafa mandritra ny

67

Page 68: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Mitsidika toeram-piompiana sy fambolena

Mijery izay mitranga rehefa hajanona ela ny ambin-tsakafo

Mandinika izay mitranga amin’ny ravin-kazo rehefa mandeha eny ny taona ary manao sary ireo fiovana hita

Mandinika izay zavatra volen’ny tantsaha mandritra ny taona. Ary manao sary izay hita amin’ny fotoana samy hafa mandavan-taona

mahatsikaritra antsipirian-javatra. Mandranitra ny fahaizany mandinika

rehefa mijery ny zava-boary manodidina azy

Manentana ny ankizy ho liana sy hametra-panontaniana mba hahalala zava-baovao

Mikaroka ny fifandraisana misy eo amin’ny antony sy ny vokany

Mandihady ireo fiovana misy eo amin’ny zava-boahary sy ny vatan’olombelona

Mampirisika ny ankizy hanao tombana ary hanaporofa raha marina izany na tsia

Mampivelatra ny fahaizana maka tsoakevitra hoe: ‘Mieritreritra aho ... satria ...’

Manampy ny ankizy hanao fampifandraisana ‘logique’

Mampianatra amin’ny alalan’ny fanandramana zava-baovao

taona

Laolao famelomana tantara na ”jeu imaginatif”

Mianatra andraikitra vaovao rehefa maka ny toeran’ny olona manao asa hafa – ohatra: dokotera, mpanao volo, mpanamboatra fiara

Manao kisarisarin-dakozia hanaovan’ny ankizy manao tsikonona sy mody manadio

Mamelona tantara efa hain’ny ankizy na noforoniny

Mampiasa saribakoly ary mody mitaiza zaza

Mampitombo ny fahaiza-mamaha olana

Mampivelatra ny fifandraisana, fiaraha-miasa, fifampizarana, fahaizana miandry tantana satria miandry izay anjarany ny ankizy rehefa mamelona ny tantara

Mampitombo ny fahaiza-miteny satria mila mampiasa voambolana, vatana, endrika ny ankizy rehefa maneho hevitra

Mampitombo ny fahatokisan-tena hisaina sy hampiasa vatana samirery

Mampitombo ny fahaizana mifehy tena sy faharetana

Fanampiana hahaizana manavaka ny tranga tena izy sy noforonina

Mampivelatra ny ankizy hahazo izay manjo ny hafa sy hahatakatra ny fomba fijerin’ny hafa rehefa milalao ny anjara andraikitry ny hafa izy ireo

Mampivelatra ny fahaiza-mamorona

Fanaka Akanjo Kitapo Satroka ‘Marionette’ Saribakoly Fiasana Lamba firakotra Mozika Na inona na

inona azo ampiasaina anoloana zavatra tena izy

68

Page 69: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

satria ny ankizy ohatra maka sary an-tsaina fa ‘micro’ ny fihogo ary fitafy tsara tarehy ny lamba firakotra sns.

Manome fahafahana ny ankizy haneho fihetseham-po sy fahatsapana ao anaty tontolo voaro rehefa manao ‘mody hoe’ olon-kafa izy ireo

Mampirisika ny ankizy hahay hitrandraka izay eo an-tanana sy hampiasa izany amin’ny fomba maro samihafa

Manao mozika sy mandihy

Manome korintsana (tavoahangy plastika misy fotsim-bary na voa maina) ny mpianatra anarahana mozika na hira

Manome zavatra azo ampiasaina ho amponga ny mpianatra hanarahana paika – ohatra: vilany, lapoaly, tavoahangy plastika, boaty, tampon’ny dablio

Manome lamba na ‘ruban’ ny mpianatra ahofahofa hanarahana mozika

Mandefa mozika ihetsehana na andihizan’ny mpianatra

Mandefa mozika moramora ary mangataka ny ankizy hihaino sy hanao sary mifanaraka amin’izany

Mahazo voambolana vaovao – ohatra: ambony, ambany, moramora, mafy, feo lava, feo fohy, hira falifaly, hira malahelo, haingana, miadana, mientanentana, amboaram-peo, feon-kira, hamafisam-peo, hahavon’ny feo, faharetana, ‘tempo’, zava-maneno, mihira, aponga sns.

Mamela ny ankizy haneho fihetseham-po sy fahatsapana ao anaty tontolo voaro amin’ny alalan’ny fandefasana mozika falifaly na malahelo ary fandihizana manaraka izany.

Mampirisika ny ankizy hitrandraka izay eo am-pelantanany ary hampiasa izany hanaovana zava-maneno sy feo samihafa.

Mampivelatra ny fahaiza-mamorona amin’ny alalan’ny dihy sy fanetseham-batana hanarahana mozika.

Mahasalama ny ankizy satria mampatory na mampitony azy ny fihainoana mozika sy ny fandihizana.

Tena hahazoana fahafinaretana ny mampiara-peo amin’ny ankizy na ny miara-mandihy amin’izy ireo.

Mandranitra ny fahaiza-mihaino sy fahitana an-tsipirian-javatra –

Rantsan-kazo Korintsana Vilany Lapoaly Mozika Feo Sarintsarina-

‘micro’

69

Page 70: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

ohatra: fihainoana feon-java-maneno samihafa ao anaty hira iray.

Mampihetsika vatana

Mampitombo ny fahaizana manetsika ireo rantsam-batana amin’ny alalan’ny fanipazana sy fisamborana baolina

Mahatonga ny ankizy hikiry sy hanana faharetana ny fanaovanana fifaninanana hazakazaka

Manatanjaka ny nofo amin’ny alalan’ny fianihana, fitsambikinana, fitaingenanana, fihazakazahana sns.

Fianarana voambolana vaovao Fampitomboana ny fahaizana

miforitra sy mienjana satria mampiasa ny vatany amin’ny fomba vaovao ny ankizy – ohatra: mikodiadia, mienjana miakatra sy miforitra midina sns.

Manazatra ny ankizy hiasa ao anaty tarika sy hiarahahiasa amin’ny namana rehefa milalao ao anaty toerana iray na mikirakira fitaovana iray.

Toerana voaro hihazakazahana na hianihana hazo sns.

Baolina ‘Bâton’ Kilalao

taingenana Dihim-bazaha Tohatra hazo Tohatohabato Fiakarana

‘Jeu de construction’ na lalao fananganan-javatra

Manangana trano kely, bisikileta kely, hôpitaly kely, na toeram-piompiana kely

Mitombo ny fahaizana manao drafitra sy mamaha olana rehefa manorin-javatra ny ankizy

Tonga saina amin’ny haben’ny toerana iray ary mahatakatra ny fomba tsara indrindra azo ampiasana izay toerana ananana – ohatra: mahay manangana eny an-tsisiny, miakatra, eo ambony, na ao ambany

Manjary mahay mampitovy, manavaka, mampifandanja, mampijoro mahitsy rehefa mifidy izay zavatra entiny handrafetana ny ankizy.

Mampivelatra ny fahaiza-mifandray sy miara-miasa amin’ny ankizy hafa rehefa manangana.

Mampivelatra ny fahaizana momba ny habe, endrika na loko rehefa misafidy izay singa ampiasaina

Baoritra Hazo amin’ny

habeny samihafa Plastika amin’ny

habeny samihafa ‘Lego’ Rantsan-kazo Kodia kely Bozaka Na inona na

inona azo atambatra hanangan-javatra

Fahaiza-mamorona

Manao asa-tanana Manamboatra

Fanatsarana ny fahaizana manety sy Borosy nify, rantsan-kazo,

70

Page 71: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

voninkazo, lolo, dragona sns.

Manao sary Mandoko sary Mampiasa tanimanga

hanaovana sary sikotra Mampiasa lamba

hanamboarana na hanaingona zavatra

mampiasa lakaoly Manatsara ny fahaizana maneho

hevitra satria mampiasa loko, sary, sikotra ny ankizy entina mampita fihetseham-po na hafatra

Mampirisika handefa fisainana lavitra: eo am-pamoronana ny ankizy dia mieritreritra fomba fanehoan-javatra vaovao

Mampitombo ny fahaiza-mandinika sy ny saina tia karokaroka: mamaha olana mantsy ny ankizy rehefa mamorona zava-kanto

kofehy, borosy fandokoana

Ovy na legioma hafa sasahana roa ampiasaina toy ny fitomboka

Taratasy ‘Mouchoir à

jeter’ Gazety Baoritra

Lalao hianarana mamaky teny sy manoratra

Manome karatra hanoratana ny abidia (karatra iray isaky ny litera). Manoratra izany eo ambony taratasy, tany, rivotra na tanana sns.

Manana toerana mangina hamakiana boky, hanoratana na hanaovana sary

Manana fotoana hitantarana angano

Mampivelatra ny fifandraisan’ny maso sy ny tanana rehefa manao sary na manoratra

Manome lanja ny lalao mangina sy mitabataba

Mampivoatra ny fahaleovantenan’ny ankizy hikaroka sy hahita izay tsara ho fantatra

Mampiseho ny ankizy ireo karazana fomba fampitam-baovao samihafa toy ny boky

Mampitombo fahaiza-manao toy ny fitazonana boky mahitsy tsara, sy manazatra ny ankizy amin’ny filahatry ny soratra havia miankavanana eo ambony pejy, sns

Mampivoatra ny fampiasana maso hanarahana ny vakin-teny satria miezaka mampifandray teny ny ankizy rehefa manao ‘modimody’ mamaky

Manampy ny ankizy hahay hitazona pensily hazo, hanindry tsara ny pejy rehefa manoratra, hiezaka hanao litera ho enti-maneho feo

Boky Penina Taratasy Sari-na litera Rakibolana ‘Magazine’ Gazety Pensily hazo

Lalao momba ny kajy

Miresaka momba ny fividianan-javatra sy ny fifanampiana isa

Miresaka momba ny fividianan-javatra

Manosika ny ankizy hiresaka momba ny isan’ny tongotra na rantsana biby isan-karazany ary hanao fifanampiana amin’ny fomba samihafa – ohatra: tongotra gana +

Kodia kely Karatra Dômy Famataran’andro Vola kilalao

71

Page 72: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

arakaraka ny lanjany Mandrefy ny halavan’ny

olona iray amin’ny alalan’ny kofehy

Mandrefy lanjan-javatra aamin’ny alalan’ny tanana na mizana

tongatra omby = tongotra enina / tongotra gana roa + tongotra omby roa = tongotra roa ambiny folo

Mandrafitra ny fahaizana isa na koa fahaizana manisa mihemotra amin’ny alalan’ny vakana

Mampivelatra ny fahaizana mampiasa ireo rantsan-tanana ho entina maneho isan-javatra

Kofehy Fitaovana

fanisana (vato kely, saron-tavoahangy plastika, sns.)

Rantsan-tanana sy tongotra

Vata kely ampiasain’ny sinoa anisana

Zavatra amin’ny endriny isan-karazany

‘Pinces’ Vakana

Azonao zarazaraina ho faritra samihafa ny efitrano fianarana mba hisy toerana isan-karazany azon’ny ankizy handehanana milalao. Azonao hametrahana ireo sokajin-dalao voalaza etsy ambony ny faritra tsirairay:

Filalaovana rano Filalaovana fasika Fanaovana andrana Fanaovana tantara an-tsehatra

Faritra ho an’ny mozika sy dihy

Efitrano fianarana

Toerana fananganana zavatra

Fanaovana lalao Fanaovana Fanaovana lalao Famoronana vakiteny sy fanoratana momba ny kajy

Sahanasa/ActivityZarao efatra ny taratasy A4 ary toy izao manaraka izao no fomba hamenoana ny fizarana tsirairay:

Manaova sarin-javatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

Mitanisà zavatra roa avy amin’ity toko ity izay hampiharinao any an-dakilasy

72

Page 73: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Misafidiana zavatra roa mahaliana anao tamin’izay nianarana

Manorata fanontaniana roa mahakasika ny lohahevitra

73

Page 74: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

5. La méthode phonique pour les débutants en langueMpanoratra: Emma Stewart, Robert MacGregor, Liliannah Rajaofera

Fampidirana/IntroductionMatetika dia ireo litera ao amin’ny “alphabet” no entina hampianarana mamaky teny. Ny “méthode phonique” kosa dia mampianatra ireo feo ampiasaina amin’ilay fiteny ka mampifandray ireo feo ireo amin’ny fanoratana azy.

Ohatra, ilay teny frantsay 'préférentielle' dia ahitana karazana feo 'e' efatra:

'é', 'e', 'ie' ary ilay 'e' muette.

Ho an’ireo izay mianatra mamaky teny amin’ny tenindrazany, ny “méthode phonique” dia mampifandray ireo feo izay efa mahazatra ireo mpianatra amin’ny litera ary avy eo manambatra ireo litera ireo ho tonga teny sy fehezanteny.

Ho an’ireo izay mianatra fiteny faharoa, ny “méthode phonique” dia sady mampianatra ireo feo amin’ilay fiteny vaovao ianarana no mampianatra ny litera mifandray amin’ireo feo ireo ary amin’ny farany, mampianatra ny fomba hanakambanana ireo litera ireo ho tonga teny sy fehezanteny.

Eto Madagasikara, ny fanononana ny teny malagasy dia mitovy amin’ny fanoratana azy ihany, na dia eo aza izany dia azo hatsaraina amin’ny alalan’ireo activité sasany atolotra ao anatin’ity boky ity ny fomba fampianarana ireo litera.

Ny fampiasana ity “méthode phonique” ity kosa anefa dia hisy fiantraikany lehibe amin’ny fampianarana teny frantsay sy anglisy.

Ny “méthode phonique” dia mampahay mamaky teny amin’ny fomba haingana. Be dia be ny andian-teny sy fehezanteny azo foronina na dia feo vitsy monja aza no hain’ny mpianatra. Ka ataovy haingana araka izay vitan’ny mpianatrao ny fampianarana azy ireo! Tsy voatery hiadana araka ny lamina izay napetraka ny fampianaranao raha toa ka mahay mamaky teny tsara ny mpianatrao...

Ny “méthode phonique” dia tsy fianarana “alphabet” akory. Ny anarana omena ny litera mantsy dia tsy mitovy amin’ny feony – Ny “méthode phonique” kosa dia fampianarana ny feon’ireo litera. Anatin’izany dia hisy fotoana ihany hampianaranao ireo anaran’ny litera, tsy izany anefa no ampianarina voalohany.

Amin’ny “méthode phonique”, ny feo rehetra dia ampiarahina amin’ny fihetsika. Izany dia hahatonga ireo mpianatra ho finaritra hianatra izany ary ny fianarana fihetsika dia hanampy azy ireo hitadidy ireo teny.

Manao ahoana ny fampiasana ny “méthode phonique”?/ How does Phonics work?1) Ampiarahina amin’ny fihetsika avokoa ny feo rehetra. Ilay fihetsika dia tokony hitovitovy amin’ilay feo. Ny fihetsika dia tokony hitovy avokoa amin’ny fitenim-pirenena rehetra raha tsy miova ny fanononana ilay feo.

74

Page 75: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ohatra, amin’ny teny anglisy: Ny fihetsika amin’ny 's' dia ny fihetsikin’ny bibilava. Ny fihetsika amin’ny 't' dia toy ny manokatra canette (na tavoahangy misy boisson gazeuse).

Amin’ny teny frantsay: 'oh': atao eo amin’ny vava ny tanana, tahaka ny fanao rehefa nanao zavatra tsy mety ka manao hoe “oh!” 'n': manetsiketsika rantsan-tanana toy ny fanaontsika rehefa tsy manaiky zavatra iray.

2) Mandritra ny fampianarana feo vaovao dia akambana avy hatrany ireo feo ireo mba ho tonga teny sy fehezanteny. Ohatra, rehefa mahay feo 6 ireo mpianatra teny anglisy dia efa azo mamaky sy miteny hoe:

An ant in a pan. (Une fourmi dans une casserole.)

Ary rehefa feo 5 amin’ny teny frantsay dia azo mamaky ny hoe:La Banane

3) Manao karazana activité active maro ao an-dakilasy. Fomba iray tsotra ampianarana ny “méthode phonique”: zaraina ho 6 ny adiny iray ianarana, 10 minitra isaky ny fizarana.

Lamina ampianarana ny “méthode phonique” anatin’ny adiny iray / Template for a 1 hour phonics lessonAzo soloina ho fotoana fampiharana ny “méthode phonique” ny fotoana fianarana “lecture” sy “écriture” anatin’ny programanao. Ity fizarana ity dia hanoritsoritra ny fomba azonao hitondrana ny ilay ora iray hampianaranao.

Zaraina ho 6 ny adiny iray, 10 minitra isaky ny fizarana.

Amin’ity ohatra ity dia ny teny anglisy no fiteny ampianarina. Raisina ho efa mahay ireo feo: 'a', 't', 'p', 'n' ary 'i' ny mpianatra. Androany dia hianatra ny feo 's' isika.

Fizarana 1: Mamerina ireo feo efa hay miaraka amin’ny fihetsika, mampiditra ireo feo vaovao (10 minitra)

Manao famerenana kely ireo fihetsika miaraka amin’ireo feo efa hain’ireo mpianatra anatin’ny 5 minitra:

'a': Fihetsika: Mampandehandeha ny rantsan-tananao amin’ny sandrinao toy ny hoe vitsika miakatra amin’ny tananao sady miteny hoe 'a'. 't': Fihetsika: Manao toy ny hoe manokatra “canette” na tavoahangy misy boisson gazeuse sady miteny hoe 't'. 'p': Fihetsika: Manao toy ny mitsoka labozia sady miteny hoe 'p'. 'n': Fihetsika: Manetsiketsika rantsan-tanana iray (fanondro) toy ny mibedy olona ka tsy manaiky ny zavatra ataony. 'i': Fihetsika: manao toy ny totozy, manetsiketsika tanana eo akaikin’ny orona sady manao feo kely hoe 'i i i'.

Avy eo, mampianatra ilay feo ‘s’ ao anatin’ny 5 minitra. Ataovy azo antoka hoe afaka manonona tsara an’izany avokoa ireo mpianatra tsirairay. Ho mora amin’ny mpianatra sasany ny hanao feo iray;

75

Page 76: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

ny sasany kosa dia tsy hahay izany raha tsy efa ampianarina matetika izany! Azo ampianarina ireo mpianatra ihany koa ny fomba fanoratana ilay litera.

Fanamarihana:Raha toa ka manana adiny iray/andro hanaovana ny “méthode phonique” ianao ary 5-6 taona ny mpianatrao dia afaka mahavita feo 4 isaky ny herinandro ianao. Mila manao famerenana ireo zavatra rehetra efa nianarana indray isaky ny herinandro: ireo feo efa nianarana sy ireo teny somary sarotsarotra.

Raha mahay ireo mpianatra dia afaka sady mampianatra ny feon’ireo litera ianao no mampianatra ny anaran’ireo litera.

Jereo ilay filaharan’ny feo ampianarina any amin’ny faran’ity toko ity mba hahafahanao mifidy ny feo tokony hampianarina voalohany. Raha manaraka io filaharana io ianao dia vetivety dia afaka mampianatra teny maromaro. Aza manomboka amin’ny 'a' ka manaraka ny filaharan’ny “alphabet” .

Jereo ireo fihetsika any amin’ny faran’ity toko ity mba hahafahanao mifidy ny fihetsika ampiarahina amin’ny feo tsirairay.

Fizarana 2: Fanatambarana feo (10 minitra)Manakambana feo samihafa anatin’ny 10 minitra, ohatra:

'pa' 'ass' 'pass' 'sn' 'ip' 'snip' 'an' 'nt' 'ant'

Asaivo manonona ireo feo mitambatra ireo ny mpianatra, miaraka manonona avokoa aloha ny mpianatra rehetra ary avy eo asaina miaraka manonona izany isan-tarika izy ireo. Raha hain’ireo mpianatra tsara ny manonona ireo feo mitambatra ireo dia ho hainy ihany koa ny hanonona ireo teny avy eo.

Fizarana 3: Famakiana fehezanteny (10 minitra)Amin’ny “méthode phonique”, vetivety dia afaka mamaky fehezanteny ny ankizy, afaka herinandro vitsivitsy hianarana fiteny iray izy ireo dia efa afaka mamaky teny.

Mifidiana fehezanteny iray na roa ampiasanao ireo feo sy fikambanana feo efa hain’ny mpianatra. Soraty eo amin’ny solaitra be ilay fehezanteny ary asio sary maneho ny dikany mba hahafahan’ireo mpianatra maka sary an-tsaina ny dikan’ilay fehezanteny. Azonao ampifandraisina amin’ny tenin-drazany ihany koa ilay fehezanteny raha toa ka ilaina izany.

Famakiana fehezanteny:'pass an ant.' (Passer une fourmi.) [eto dia tokony asiana sarin’olona maneho ireo zavatra voalaza ireo – manolotra vitsika; mametraka vitsika anaty vilany; Dada izay maka endrika vitsika]'an ant is in a pan.' (Il y a une fourmi dans une casserole.)'papa is an ant.' (Papa est une fourmi.)

Tsara ho marihina fa eto dia mbola ny “lettre minuscule” ihany no ampiasaina satria mbola tsy nampianarina ny “lettre majuscule”. Any aoriana kosa anefa dia azonao hazavaina ny fampiasana ny “lettre majuscule” sy ny “ponctuation” ao anatin’ny fehezanteny.

76

Page 77: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fizarana 4: Pratique active (10 minitra)Be dia be ny zavatra azonao atao eto. Ireto misy hevitra vitsivitsy:

Hevitra 1: Famoronana tenyMakà valopy ary asio taratasy/karatra kely maromaro (carte) misy ireo feo rehetra efa nianaran’ireo mpianatra ao. Valopy iray isaky ny mpianatra/tarika/mpianatra roa.

Mametraha fanontaniana toy izao:

Asehoy ahy ny 'p' na 'a' na 'n'. Ilay feon’ilay litera lazaina azy ireo, fa tsy ny anaran’ilay litera rehefa manonona izany ianao. Rehefa mahay ny anaran’ireo litera kosa ireo mpianatra dia afaka mampiasa ny feony na ny anarany ianao. Mety ho sarotra amin’ny ankizy madinika ny hahazo ny fomba fanaovana izany activité izany – Tany amin’ny kilasy iray hitako dia samy nanangana ireo litera REHETRA tany aminy avokoa ireo mpianatra... tsy azon’izy ireo loatra hoe inona ilay zavatra atao. Asehoy azy ireo aloha ny zavatra tokony hataony sy ny fomba hanaovana izany mba hahazava amin’izy rehetra ny tokony hataony. Ajanony ilay activité raha toa ka tsy mandeha araka ny tokony ho izy; andramo hatao indray amin’ny andro hafa. Hazavao amin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny hitandremany tsara ireo karatra misy ireo litera.

Akambano ireo litera ao anatin’ny valopy mba hanome hoe “pan” ka asehoy ahy. Akambano ireo litera ao anatin’ny valopy mba hanome hoe “nap” ka asehoy ahy.

Azonao ampiana ireo mpianatra, manaova sary eo amin’ny solaitra be ary atoroy azy ny litera voalohany:

PRehefa hain’ny ankizy ny manoratra litera dia afaka manao io activité io amin’ny ardoise izy ireo.

Hevitra 2:Manao “dictée” amin’ny ardoise. Tokony hanao izany indray isaky ny herinandro.

Hevitra 3:Asaivo mitady teny miady rima ireo mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitra be ny teny hoe “at” ary asaivo ampian’izy ireo feo hafa izany mba hahazoana teny miady rima (ohatra 'sat', 'pat' sns...)

Tena mety amin’ny mpianatra dyslexique izany satria manampy azy ireo ny fanambatambarana ireo feo.

Hevitra 4: Omeo fanontaniana 10 mihasarotra ireo mpianatra, atao anaty kahie ny valiny:

1. Soraty ny feo 'a'2. Soraty ny feo 't'3. Soraty 'at'4. Soraty ......10. Soraty 'A cat sat on a mat' – Fehezanteny feno.

“Question différenciée” ireo, aza antenaina hahavita ireo fanontaniana rehetra ireo ny mpianatra tsirairay.

77

Page 78: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Azonao asaina mifampitsara izany izy ireo avy eo, na ianao mihitsy no mitsara izany.

Fanamarihana:Miezaha manao activité iray avy amin’ireo hevitra tsirairay ireo indray isaky ny herinandro.

Fizarana 5: Activité écrite (10 minitra)

Activité écrite izay hampiasana ireo feo nianaran’ireo mpianatra tamin’iny andro iny sy ireo feo hafa efa hainy. Hevitra vitsivitsy (Mila ohatra maromaro kokoa noho ireo ianao isaky ny activité iray mba hahatonga izany haharitra 10 minitra):

Ny fomba fampianarana manoratra literaRehefa mampianatra ankizy madinika hanoratra litera iray isika dia tsara fantatsika fa tsy hahay hanoratra soratra kely avy hatrany toy ny olon-dehibe izy ireo. Ho an’ny mpianatra sasany dia mety afaka taona maromaro an-tsekoly mihitsy izy vao hahay hanoratra soratra kely.

Ka ireto ary misy dingana vitsivitsy azontsika arahina rehefa mampianatra manoratra:1. Manoratra litera amin’ny rivotra, araka izay lehibe indrindra vitany. 2. Raha misy fasika ny tokontaninareo dia ento any ireo mpianatra ka asaivo manoratra ilay litera

amin’ny fasika, atao lehibe araka izay tratra.3. Manoratra ilay litera amin’ny solaitra (ardoise), araka izay lehibe indrindra vitany.4. Manoratra ilay litera amin’ny solaitra ihany fa atao kely kokoa ny soratra.5. Manoratra ilay litera ao amin’ny kahie fampiasana, atao lehibe ny soratra.6. Manoratra ilay litera ao amin’ny kahie fampiasana ihany fa atao kely ny soratra.

Misy mpianatra mety ela kokoa noho ny mpianatra hafa vao hahavita hanoratra soratra kely. Omeo taratasy miaraka amin’ny tsipika misy elanelana lehibe ireo mpianatra sahirana manoratra mba hanoratany. Sarotra amin’ny ankizy madinika ny manoratra amin’ireo kahie mahazatra eto Madagasikara.

Mitaky fahaizana mandrindra tanana tsara ny fanoratana ka mila manao kilalao mampiasa tanana ny ankizy mba hahaizany manoratra. Noho izany antony izany, mila ampidirana amin’ny “pré-écriture” ny fanaovana kilalao.

Fampifandraisana teny amin’ny sary – ampifandraiso amin’ny tsipika ny sary sy ny teny sahaza izany.

Ant (fourmi) Cat (chat) Mat (tapis)

78

Page 79: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fanoratana feo ambanin’ny sary

_og

Averina ihany fa tsy ampy ny sary iray, mila maromaro!

Fanaovana sarin-javatra misy feo irayManaova sarin-javatra misy feo “n” ny anarany.

Fampifandraisana sary amin’ny feo voalohany hanombohana ny anaran’ilay zavatra.

Fampifandraisana “lettre majuscule” amin’ny “lettre minuscule”. Ampifandraiso amin’ny “forme majuscule”mifanaraka aminy ireo “lettre minuscule”- Ampifandraiso amin’ny tsipika ireo “lettre majuscule” sy “minuscule”:

A i

G p

P b

I g

B a

Fanazaran-tena amin’ireo teny sarotsarotraFanazarana ireo mpianatra hanoratra teny sarotsarotra.

Fizarana 6: Grammaire (10 minitra)Manokana fotoana kely ianarana Grammaire. Hevitra vitsivitsy:

Omeo fehezanteny iray ireo mpianatra. Ohatra 'The ant is on the tin.' (La fourmi est sur la boite de conserve). Asehoy azy ireo fa T majuscule no nanombohana ireo fehezanteny ary misy teboka amin’ny farany. Fafao avy eo ilay fehezanteny nosoratanao teo amin’ny solaitra be.

Soraty amin’ny taratasy A5 avy ireo teny tsirairay ireo sy ilay signe de ponctuation:

The ant is on the tin .

79

Page 80: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Ary makà mpianatra hitazona tady manaraka ny sakan’ny efitrano fianarana. Aforeto roa ireo taratasy tsirairay ka ahantony amin’ilay tady, fa akorontano fa aza atao amin’ny filaharany marina. Avy eo, asaina alamin’ireo mpianatra ireo teny ireo mba ho tonga fehezanteny marina. Asaivo manatona eny aloha, manamboatra ilay fehezanteny ny mpianatra. Afaka mametraka fanontaniana ianao, ohatra hoe: “Fa maninona no 'The' no nofidianao fa tsy 'the'? ” (Valiny: Ny litera voalohany dia atao sora-baventy rehefa manomboka fehezanteny).

Fidio tsara ny fehezanteny omenao mba hahafahanao maneho ilay hevitra tianao havoitra.

Afaka manao izany isan-tarika na tsirairay ireo mpianatra. Omeo karatra alahatra avokoa ny mpianatra/tarika tsirairay.

Famintinana / SummaryNy “méthode phonique” dia fomba iray ampianarana «langue» amin’ny alalan’ny fampianarana feo. Izany dia hahatonga ny mpianatra hahay hamaky teny tsara sy haingana.

Soloy lesona mikasika ny “méthode phonique” ny ora fianarana écriture sy lecture. Ampiasao ireo hevitra etsy ambony ireo rehefa mampianatra ianao mba hahomby kokoa ny fampianaranao.

Ireo hevitra etsy ambony ireo dia tsy feno/tanteraka. Tsy niresaka loatra mikasika ny fampianarana ny ankizy hanoratra ireo litera aho satria efa mety tsara ny fampianarana izany eto Madagasikara.

Annexe 1 Teny anglisy: Ny filaharan’ireo feo ampianarina sy ireo fihetsika mifanaraka amin’izanyIty fizarana ity dia hanambara aminao ny filaharana tokony harahinao rehefa mampianatra ireo feo samihafa. Kendrena mba hahavita feo 4 isaky ny herinandro raha 5-6 taona ny mpianatra ampianarina.

Mety tsy tena feno ity lisitra ity. Tadidio fa ny feon’ireo litera aloha no ampianarinao, fa tsy ny anarany.

Voarakitra ao ihany koa ireo fihetsika mifanaraka amin’ireo feo tsirairay.

(Ireo litera anaty fononteny dia ireo API ampiasaina amin’ny dictionnaire)

Groupe 1: s (s) Manao fihetsika bibilava miolakolana amin’ny tanana sady manao hoe sssssssssssa (æ) Mampandehandeha ny rantsan-tananao amin’ny sandrinao toy ny hoe vitsika miakatra

amin’ny tananao sady miteny hoe 'a'.t (t) Manao toy ny hoe manokatra “canette” na tavoahangy misy boisson gazeuse sady miteny

hoe 't'.i (ɪ) Manao toy ny totozy, manetsiketsika tanana eo akaikin’ny orona sady manao feo kely

hoe 'i i i'.p (p) Manao toy ny mitsoka labozia sady miteny hoe p, p, p.n (n) Manao feo toy ny an’ny fiaramanidina – atao toy ny elan’ny fiaramanidina ny tanana sady

manao hoe nnnnnn.

Teny vitsivitsy: pin, pit, sit, sat, pat, pan, tap, ant, ten.

80

Page 81: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fehezanteny: An ant in a pan.

Groupe 2: c k (k) Atao manakaiky ny vava ny totohondry, toy ny hoe hikohaka (mikohaka = cough amin’ny

teny anglisy).e (e) Manao toy ny mamaky atody amin’ny sisin’ny vilany ary mandraraka izany ao anatin’ny

vilany ary miteny hoe eh, eh, eh (toy ny amin’ny egg izay midika hoe atody).h (h) Atao anoloan’ny vava ny tanana, manao toy ny olona sempotra avy nihazakazaka sady

manao hoe h, h, h.r (r) Manao toy ny alika kely mihazona lamba amin’ny nifiny sady manifikifika ny lohany, ary

manao hoe rrrrrr.m (m) Koseho kely ny kibonao, manaova toy ny hoe misy sakafo matsiro be anoloanao sady

manao hoe mmmmmm.d (d) Ataovy toy ny mively amponga ny tananao ary manaova hoe d, d, d.

Teny vitsivitsy: cat, pet, hat, map, sad, man, can, rat, mat, kid, pen, men, kiss, hen.Fehezanteny: A cat in a hat. A sad man. A hen can peck. Kiss an ant.

Groupe 3:g (g) Manao toy ny mitana kaopy ka migoka (=gulp) ronono sady manao hoe g, g, g.o (ɒ) Mikopakopaka tena toy ny hoe mafana (=hot).u (ʌ) Manao toy ny mamelatra elo (umbrella) sady manao hoe u, u, u.l (l) Manao toy ny milelaka “bonbon sucette” sady manao hoe l, l, l, l, l, l.f (f) Akambano moramora ny tanana toy ireny trondro (= fish) kely kilalao vaky ireny ka

mivoaka ny rivotra ao anatiny sady manao hoe f, f, f, f, f, f.b (b) Manao toy ny mively baolina amin’ny hazo sady manao hoe b, b, b.

Teny vitsivitsy: leg, dog, run, fun, bit, hit, mud, sun, carrot, rocket, sunset, pocket, ticket, ball.Fehezanteny: Rats on a sack. An egg in an egg cup. A big cat and a fat rat. A red lollipop.

Groupe 4: ai (eɪ) Mitsambikimbikina sady mikopakopaka miantso olona no manao hoe ey, ey...j (dʒ) Manao toy ny misotro jus (=juice) amin’ny pipette (tandremo fa tsy mitovy amin’ny

feon’ny j amin’ny teny frantsay na Malagasy izany).oa (oʊ) Ataovy eo amin’ny vava ny tanana toy ny hoe nanao zavatra tsy mety ianao sady miteny

hoe oh!ie (aɪ) Manao toy ny nisy nikapoka ka manao hoe “ay!”.ee/ea (i) Mitsikia ary ataovy toy ny misintona ny molotrao hitsiky kokoa ny tananao sady manao

hoe 'i' NA ataovy toy ny sofina eo amin’ny lohanao ny tananao ary manaova toy ny feon’ny ampondra manao hoe eeyore, eeyore.

Ow (aʊ) Mody tsongoy ny tenanao sady manaova hoe 'ow'.

Teny vitsivitsy: rain, jug, coat, my, spy, hear, fear, afraid, now, cow, town.Fehezanteny: A cow in a town. I am afraid. My red coat. I see a goat. I can bake a pie today.

Groupe 5: z (z) Manao toy ny fihetsiky ny tantely amin’ny tanana sady manao hoe zzzzzz.

81

Page 82: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

w (w) Sokafy ny tananao ary tsofy tahaka ny hoe rivotra (=wind) ianao sady manao hoe wh, wh, wh.

ng (ŋ) Eritrereto hoe mibata fonjam-by ianao ka mampiakatra izany hihoatra ny lohanao ka manaova hoe ng...

v (v) Manao toy mitondra fiara, mihazona ny family sady manao hoe vvvvvv.oo/ue (uː) Ahetsiketseho toy ny akoho ny lohanao ka manao toy ireny famataran’andro misy akoho

kely ireny sady manao hoe u, oo; u, oo (oo fohy sy lava)al (ɔː) Manao fihetsika mandeha tongotra (=walk).

Teny vitsivitsy: buzz, zigzag, win, web, van, king, ring, sing, food, good, zoo, moon, ball, talk.Fehezanteny: Will a pen fit in a can? Has a cat got a web? Can a van go up a hill? I like to sing. A wet

ball in a zoo.

Groupe 6: y (j) Manao toy ny mihinana yaourt sady manao hoe y, y, y.x (ks) Manao toy ny manapaka hazo amin’ny tsofa sady manao hoe ks, ks, ks.ch (tʃ) Ahetsiketseho tahaka ny vy amin’ny lamasinina ny tananao dia manaova hoe ch, ch, ch.sh(ʃ) Ataovy eo amin’ny molotrao ny tananao, toy ny mampangina olona ireny sady manao

hoe sh sh sh.th (θ) th (ð) Manao toy ny clown mitranga lela, mananiany olona, atao mivoaka ny lela amin’ilay th

voalohany ary atao mivoaka be be kokoa amin’ilay feo th faharoa (this sy thumb).

Teny vitsivitsy: yell, yap, taxi, six, box, chicken, chip, shop, ship, fish, the, this, with, thin, thick, bath.

Fehezanteny: I am in such a rush to get to the shops. A man is rich if he has lots of cash. Natasha sang six songs to me. The ship hit the rocks. This is a good shop for yam chips.

Groupe 7: qu (kw) Ataovy toy ny vavan’ny gana ny tananao sady manaova hoe qu, qu, qu.oi (ɔɪ) Atao eo amin’ny vava ny tanana, toy ny hiantsoantso sambo lavitra anao sady manao hoe

oi! ahoy!er (ər) Ahodikodino tahaka ny mixeur (=mixer) ny tananao roa dia manaova hoe er er er.ar (ɑ:r) Sokafy tsara ny vava dia manaova hoe ah.

Teny vitsivitsy: queen, oil, coin, poison, father, better, ladder, star, jar, market, bark, farmer.Fehezanteny: The farmer got up at six because the queen will visit her farm. The water is boiling. Palm oil in a jar.

Groupe 8: Renintsoratra mitambatra: nk, bl, cl, fl, gl, pl, sl, br, cr, dr, fr, gr, pr, scr, sc, sk, sch, scr, sn, sb, sp, sph, spl, spr, str, tr, thr.

Teny vitsivitsy: think, thank, black, blink, clown, clock, fly, glue, slow, bring, cry, dry, frog, green, pray, screen, scale, snow, spoon, sphere, spray, strong, train, throne.Fehezanteny: I think snow and rain are part of our winter weather. You can see clowns at a circus. The black puppy was very playful.

82

Page 83: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Groupe 9: e magique, “e” manova ny feon’ny 'a' na 'i' raha eny amin’ny faran’ny teny no misy an’ilay “e”.

Teny vitsivitsy: pal/pale, mat/mate, hat/hate/win/wine.Fehezanteny: I hate this red hat. We ate at 7.

Annexe 2 Teny frantsay: Ny filaharan’ireo feo ampianarina sy ny fihetsika mifanaraka amin’izanyIty fizarana ity dia manambara aminao ny filaharan’ny feo ampianarina. Afaka mikendry ny hampianatra feo 4 anatin’ny adiny 5 ianao raha toa ka eo amin’ny 5 taona eo ny mpianatrao. Izany dia tsy fampianarana alphabet fa mampianatra ireo feon’ireo litera.

Voarakitra ato ihany koa ny fihetsika mifanaraka amin’ny feo tsirairay.

Amin’ireo sokajy tsirairay, miezaha mitady teny maro misy ireo feo ianarana ary rehefa ampy hamoronana fehezanteny izany dia ampiaraho amin’ny fehezanteny. Misy teny vitsivitsy misy ireo feo efa nianarana etsy ambany.

Amin’ny teny frantsay dia maro ireo fitambarana litera izay manome feo iray. Ohatra, amin’ny feo ‘eu’, nosoratana anaty fononteny eo akaikiny ny litera rehetra manome izany feo izany : eu (e,eu,oeu).

(Ireo litera ao anaty fononteny dia ireo Alphabet Phonétique International/API ampiasaina amin’ny dictionnaire)

Groupe 1:a/â/à (a) Manao toy ny olona faly, taitra ka manao hoe: “ah!”.b (b) Manao toy ny mively baolina amin’ny hazo sady manao hoe b, b, b.c (k) Manao toy ny akoho lahy maneno: “cocorico”.n (n) Manetsiketsika tanana toy ny mibedy olona.l (l) Manao toy ny milelaka “bonbon sucette”.s (s) Manao fihetsika bibilava amin’ny tanana.

Teny vitsivitsy: lac, sac, âne, ananas, balle, banane, la.andianteny: La banane, la balle, l’ananas, l’âne

Groupe 2: d (d) Manao toy ny mively amponga moramora.f (f) Akambano moramora ny tanana toy ireny trondro kely kilalao na baolina vaky ireny

ka mivoaka ny rivotra ao anatiny.

e/eu/oe/oeu (ə) Tazony amin’ny tananao ny oronao ary manaova tarehy ratsy toy ny hoe misy zavatra maimbo.

g/j (ʒ) Atao miserana mafy manoloana anao ny tananao toy ny hoe misy moto mandeha mafy be mandalo.

Teny vitsivitsy: de, je, feu, bleu, oeufs, salle de classe, le, noeud, plage, nuage.Andianteny: La salle de classe, le noeud bleu.

Groupe 3:au/eau/o/ô (o) Manaova tarehin’olona taitra ary ataovy eo amin’ny vavanao ny tananao.

83

Page 84: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

t (t) Manao toy ny hoe manokatra “canette” na tavoahangy misy boisson gazeuse.

Teny vitsivitsy: auto, jaune, taupe, eau, bateau, cadeau, tableau, gros, tôt, beau.Andianteny: Le bateau jaune, le beau cadeau.

Groupe 4: y (j) Ataovy tahaka ny sotro ny tananao ka handeha hamahanana anao amin’ny yaourt.m Koseho kely ny kibonao sady manao endrika falifaly no manao hoe mmm.Ireo “lettre muette” mamarana teny: d, p, s, t, x (Tsy asiana fihetsika !)

Teny vitsivitsy: d'accord, drap, dos, pas, mot, plat, yaourt, fauxAndianteny: Le beau drap jaune. La tomate.

Groupe 5: v (v) Manao toy mitondra fiara (=voiture), mihazona ny family (=volant).p (p) Manao toy ny mitsoka labozia sady manao hoe p.ch (ʃ) Atao eo amin’ny vava ny fanondro, toy ny mampangina olona sady manao hoe chut.

Teny vitsivitsy: chat, chocolat, cheval, chapeau, chameau, chateau, cache-cache, cloche, vache, pâte.Andianteny: Le beau cheval, les veaux nagent.

Groupe 6:r (ʀ) Manao toy ny olona matory miesona (=ronfler).g (g) Mibontsimbontsina tahaka ny olona matavy (=gros).

Teny vitsivitsy: rat, robot, robe, rose, bras, drôle, drapeau, caravane, beurre, gorille, gros.Andianteny: Le gros rat. La robe rose. Groupe 7: i/ie/y (i) Mitsikia ary ataovy toy ny misintona ny molotrao hitsiky kokoa ny tananao.ui (w; ɥ) Mihatokatoka manaiky toy ny manao hoe “oui”.

Teny vitsivitsy: lit, gris, pie, nid, midi, tapis, stylo, piano, si, oui, nuit, bruit, puit, huile, huit, pluie, fruits, conduireFehezanteny: Il y a huit stylos.

Groupe 8:é/et/er/ey/ez/es (e) Manao fihetsika orona elefanta (=éléphant) amin’ny tanana.

Teny vitsivitsy: fée, dé, bébé, vélo, canapé, béret, déjeuner, papier, jockey, j'ai, princesse.Fehezanteny: Le beau bébé rit.

Groupe 9:t/th (t) Manao toy ny hoe manokatra “canette” na tavoahangy misy boisson gazeuse.

Teny vitsivitsy : télé, titre, terrible, thé, théâtre, cathédrale, catrotte, batterie, maths. Fehezanteny: La matinée a été terrible.

Groupe 10: ou (u) Mikapokapoka tratra amin’ny totohondry tahaka ny fanaon’ny “gorille” sady manao

hoe ou, ou, ou.

84

Page 85: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

ng Mitsambikimbikina tahaka ny kangourou.

Teny vitsivitsy: loup, chou, douche, coucou, hibou, kangourou, souris, couteau, poubelle, poupée, mangue.Fehezanteny: Le gros rat nous a volé la mangue.

Groupe 11:u (y) Atao manao boribory eo amin’ny maso tahaka ny solomaso (=lunette) ny tanana.

Teny vitsivitsy: pull, rue, jus, lune, plume, but, sucre, bulle, salut.Fehezanteny: J’ai bu du jus d’ananas.

Groupe 12:è/ê (ɛ) Manondro ny loha (=tête).

Teny vitsivitsy: frère, père, mère, règle, flèche, fête, pêche, crêpe, vrai, lait, balai.Fehezanteny : Elle a mal à la tête.

Groupe 13: on/om ( )ɔ̃ Ataovy eo amin’ny orona ny tanana, atao toy ny orona kisoa (=cochon).

Teny vitsivitsy: ballon, lion, pont, cochon, bonbon, savon, compas, trompette, pompiers.Fehezanteny : Mon oncle est tombé de l’arbre.

Groupe 14:an/en/am/em ( )ɑ̃ Mandihy (=danser).

Teny vitsivitsy: france, français, france, blanc, gant, maman, champion, trente, vent, dent, enfant.Fehezanteny : Papa a dansé, il est tombé et a perdu ses dents.

Groupe 15: in/ain/ein/im/eim/aim ( )ɛ̃ Atao eo akaikin’ny sofina ny tanana, toy ny tsy naheno tsara ka

manasa an’ilay olona niteny izany hamerina ny teniny sady manao hoe « hein ? ».

Teny vitsivitsy: vin, singe, insecte, pain, main, train, important, faim, ceinture. Fehezanteny : Le train part tôt le matin.

Groupe 16: un/um ( )œ̃ Maneho ny isa 1 amin’ny tanana sady manao hoe « un ».

Teny vitsivitsy: brun, un, lundi, chacun, aucun, parfum.Fehezanteny: Un homme brun était venu lundi.

Groupe 17: oi (wa) Manao feon-gisa (=oie) manao hoe oi, oi, oi.

Teny vitsivitsy: oie, roi, trois, poire, toilettes, voiture, boisson, balançoire.Fehezanteny: Le roi a mangé trois poires.

Groupe 18:que/qu/k/c (k) Mikopaka olona toy ny miarahaba sady manao hoe “coucou!”

85

Page 86: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Teny vitsivitsy: chèque, banque, quai, paquet, quatre, romantique, raquette, biliothèque, coca, clé.Fehezanteny: Quiconque qui arrivera à finir quatre canettes de coca aura un cadeau.

Groupe 19: s/ss/ç/ce/ci/x (s) Manao fihetsika bibilava amin’ny tanana sady manao hoe sssssss.

Teny vitsivitsy: brosse, poisson, saucisson, français, leçon, garçon, citron, facile, glace, dix.Fehezanteny: La qualité des sacs français surpasse ceux des Américains.

Groupe 20:z/s (z) Manao fihetsika toy ny manifika lalitra mandalo sady manao z, z, z.

Teny vitsivitsy: gaz, zéro, onze, poison, valise, musique, oiseau, bisou, ciseaux. Fehezanteny : Le gaz a tué onze oiseaux.

Groupe 21:gn (ɲ) Atao manao tendrombohitra (=montagne) ny tanana roa, ampifandraisina

ambonin’ny loha.

Teny vitsivitsy: agneau, souligner, gagner, champagne, champignon, campagne, montagne, espagne, allemagne.

Fehezanteny : J’ai vu des agneaux à la campagne.

Groupe 22:y (j) Ataovy tahaka ny sotro ny tananao ka handeha hamahanana anao amin’ny yaourt.ille/ill (ij) Fitambaran’ny 'i' sy 'y'.

Teny vitsivitsy: fille, famille, gorille, billet, papillon, grenouille, yaourt.Fehezanteny : Ma famille a gagné des billets pour l’Espagne. La grenouille était couverte d’yaourt.

Groupe 23: eille/eille/eil (ɛj) Fitambaran’ny 'e' amin’ny 'belle' sy 'y' amin’ny 'yaourt'.

Teny vitsivitsy: abeille, soleil, oreille, marseille, bouteille, sommeil.Fehezanteny: Une abeille m’a réveillé de mon sommeil.

Groupe 24: ail/aille (aj) Fitambaran’ny 'a' amin’ny 'papa' sy 'y' amin’ny 'yaourt' .

Teny vitsivitsy: travail, ail, taille, paille, versailles, épouvantail.Fehezanteny: Il faut que j’aille au travail.

Groupe 25: o (ɔ) Atambatra ny tanana roa, manao toy ny matory (=dors) sady akimpio ny maso.

Teny vitsivitsy: corps, sort, minimumFehezanteny : Le trésor caché contenait des tonnes d’or.

Groupe 26:x (ks) Manao toy ny manapaka hazo amin’ny tsofa sady manao hoe ks, ks, ks.

Teny vitsivitsy: taxe, taxiFehezanteny: Les chauffeurs de taxi doivent payer une taxe.

86

Page 87: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Annexe 3 Teny malagasy: Ny filaharan’ny feo ampianarina sy ny fihetsika mifanaraka amin’izanyGroupe 1:a Atao eo amin’ny sofina ny tanana ka manao toy ny fihetsik’olona tsy naheno ka manasa

ilay olona niteny mba hamerina ny teniny ka manao hoe “a?”o Manao fihetsika mampitahotra, ampiakarina ny tanana ka manao toy ny matoatoa,

manao hoe “ooooo”.i/y Mitsikia ary ataovy toy ny misintona ny molotrao hitsiky kokoa ny tananao ka manaova

hoe “i”.m Koseho ny kibonao, ataovy toy ny hoe misy sakafo matsiro be eo anoloanao ka manaova

hoe “mmmmh”.s Manaova toy ny fihetsika bibilava amin’ny tananao sady manao hoe “sssss”.

Teny vitsivitsy: mama, mamy, misasa, osy, masoFehezanteny: Misasa i mama sy i soa.

Groupe 2:e Kitiho ny olona eo akaikinao dia antsoy izy ka manaova hoe “eh”!n Manetsiketsika tanana toy ny mibedy olona.r Manao fihetsika toy ny misotro rano.t Manao toy ny mandrora sady manao hoe “t”.

Teny vitsivitsy : neny, rano, tany, roa, iray, orona.Fehezanteny: Nitomany i neny. Matory i mino.

Groupe 3:l Mitranga lela.d Manao fihetsika toy ny mively amponga.f Akambano moramora ny tanana toy ireny trondro kely kilalao na baolina vaky ireny ka

mivoaka ny rivotra ao anatiny.v Manao toy ny mitondra fiara, mihazona ny family sady manao hoe vvvvvv.

Teny vitsivitsy: lelo, fo, volo, faly, kafe, \ lovia, vava, lalana, lolo, dada, sofina.Fehezanteny: Milalao rano i vola. Maloto ny lovia. Faly i dada.

Groupe 4: p Manao toy ny mitsoka labozia.b Manao toy ny mively baolina amin’ny hazo sady manao hoe b, b, b.ai/ay Kapohy amin’ny tananao iray ny tananao ilany ka manaova hoe “ay”.ia Mihatokatoka toy ny manaiky sady manao hoe “ia”.

Teny vitsivitsy: bedy, biby, papay, posy, paosy, paiso.Fehezanteny: Tia papay ilay biby. Bedy i Bodo. Tia paiso i dadabe.

Groupe 5:

87

Page 88: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

k Atao manakaiky ny vava ny totohondry, toy ny hoe hikohaka (mikohaka = cough amin’ny teny anglisy).

g Hatraka ny loha ary manao toy ny higararaka rano,.h Atao anoloan’ny vava ny tanana, manao toy ny olona sempotra avy nihazakazaka sady

manao hoe h, h, h.

Teny vitsivitsy: Kibo, kiraro, kapa, moka, saka, gana, gaga, gisa, gaga, harona, hala, lehilahy, vehivavy.Fehezanteny: Be kibo i koto. Gaga ilay lehilahy. Mikohaka ilay vehivavy.

Groupe 6:z Misambotra rivotra toy ny hisambotra lalitra sady manao feon-dalitra hoe “zzzz”.j Mitehin-kiho sady manao jejojejo.

Teny vitsivitsy: zaza, seza, foza, zoky, zoma, mazoto, jiro, mijoro, mijery, kajy.Fehezanteny: Mihinana foza izy. Manao kajikajy i zoky. Mijery ilay jiro ilay zaza.

Groupe 7:dr Manao toy ny feon’ny moto manao course: drrrr, drrrr...tr Mipaipaika tratra.io Manondrotondro olona na zavatra samihafa sady manao hoe « io, io... ».

Teny vitsivitsy: trano, maditra, tratra, solaitra, taitra, gidro, kadradraka, gadra.Fehezanteny: Migadra anaty trano ilay gidro. Tratra ilay zaza maditra. Nisy kadradraka teo amin’ny solaitra be.

Groupe 8:ts Mody mievina sady manao hoe « ts ».eo Fitambaran’ny “e” sy “o”.oe Fitambaran’ny “o” sy “e” NA manao fihetsika faly sady manangan-tanana no manao hoe

“oeeee!!!”

Teny vitsivitsy : patsa, tsia, tsara, ratsy, matsiro, betsileo, teo, omeo, feo, toerana, toetra, hoe, vitsikaFehezanteny : Tsara feo ny Betsileo. Hoy izy hoe: “Matsiro ilay patsa”. Feno vitsika ilay toerana.

Groupe 9:nt Fitambaran’ny “n” sy “t”.nd Fitambaran’ny “n” sy “d “.ntr Fitambaran’ny “n” sy “tr”.ndr Fitambaran’ny “n” sy “dr”.

Teny vitsivitsy: manta, fintana, tantely, antitra, fanday, tenda, ondana, mahantra, miantra, Andriamanitra, mahandro, havandra, tandroka, trondro.Fehezanteny: Nisy fanday nandady tamin’ny tendany. Nahandro trondro i tantely. Miantra ny mahantra Andriamanitra.

Groupe 10:mb Fitambaran’ny “m” sy “b”.mp Fitambaran’ny “m” sy “p”.

88

Page 89: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

ao Fitambaran’ny “a” sy “o”.oa Fitambaran’ny “o” sy “a”.

Teny vitsivitsy: Vatolampy, tompo, ampaly, rahampitso, sambo, omby, kambana, sambatra, ambony, soavaly, voaloboka, soa, noana, sosoa, saoka, vaovao, laokaFehezanteny: Manam-bola ilay tompon’ilay omby. Tampoka ny fiavian’ilay sambo. Noana i Soa ka nihinana sosoa tsy misy laoka.

Groupe 11:nk Fitambaran’ny “n” sy “k”.nj Fitambaran’ny “n” sy “j”.ng Fitambaran’ny “’’n” sy “g”.nts Fitambaran’ny “n” sy “ts”.

Teny vitsivitsy: voanjo, onja, akanjo, matanjaka, angady, angidina, tongolo, mangahazo, angano, antsantsa, miantsena, fantsika, antsy.Fehezanteny: Mihinana saonjo sy voanjo i Fanja. Naka angady hiadiana mangahazo izy. Manonja mafy ilay rano misy antsantsa. Notapahiny tamin’ny antsy ilay tongolo.

89

Page 90: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

6. Lalao fanao an-dakilasy/Games for classLalao fakana sary an-tsainaMandraisa zavatra iray ao an-dakilasy. Mety ho tavoahangy izany, na boaty, na zavatra hafa. Maka sary an-tsaina fomba hafa isan-karazany azo hanaovana ilay zavatra ny mpianatra ary maneho izany amin'ny alalan'ny fihetsika. Ohatra: Ny tavoahangy plastika iray dia azo atao 'sous-marin' na vy filalaovana 'golf', na koa zaza trotroina eny an-tanana.

Fomba tsara ampianarana fakana sary an-tsaina.

Ataovy ity, ataovy iryMitsangana avokoa ny rehetra. Manao fihetsika ianao. Maka tahaka sy manaraka ny sasany amin'izany ny mpianatra.

Teneno izao 'ataovy ity' ary manaova fihetsika – tokony haka tahaka sy hanaraka anao ny ankizy.

Izao indray tenenina 'ataovy iry' – tsy tokony haka tahaka sy hanaraka anao ny ankizy.

Mahafinaritra sady tsara atao hampakana rivotra kely ny saina!

Rian-dranoKilalao azo atao amin'ny ora rehetra mandritra ny andro izany mba hisarihana ny sain'ny ankizy hifantoka.

Izao ampianarina ny mpianatra, rehefa tenenina ny hoe 'rian-drano' dia manao hoe 'sssssshhhhh' ny ankizy ary manao fihetsika amin'ny tanany!

Fanaovana aponga ny vatanaKapohy hanaraka paika ny faritry ny vatana samihafa. Ohatra 'klap klap klik klik', sady mikapoka ny tanana, na soroka na lohalika.

Ianao no manao ny paika ary manaraka ny ankizy.

Fakan-drivotry ny saina tsara izany.

Fihirana ny anaran'ny lakilasyKilalao tsara hisarihana ny sain'ny ankizy hifantoka.

Izao hiraina 'Jardin d'Enfant', ary zarina mamaly ny ankizy 'Eny ry Madama'.

Lalao fitaratraMitsangana avokoa ny ankizy rehetra. Manaova fihetsika amin'ny tanana na ny vatana. Miezaka maka tahaka sy manaraka toy ny fitaratra ny mpianatra iray manontolo.

Fakan-drivotry ny saina tsara izany.

Lalao fanaovana sary ao an-damosinaMandeha tsiroaroa ny mpianatra. Manao sary ao an-damosin'ny namany ny mpianatra iray. Ary miezaka mamantatra ny sary natao ilay namana.

90

Page 91: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Fandeha mahatsikaikyAsaivo mandeha mamakivaky ny efitrano fianarana na ny tokotany ny mpianatra. Tokony ho samy hafa ny fomba fandehan’izy ireo. Ohatra: Toy ny 'robot' Toy ny mandeha eny ambony rahona Toy ny akoho Toy ny foza Toy ny 'penguin' Toy ny misy vy boribory mavesatra mifatotra amin'ny tongotra Toy ny voromanidina Toy ny zaza Toy ny 'clown'

91

Page 92: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

7. Torohevitra 5 hampianarana Baiboly ny ankizy/5 tips for teaching the Bible to children1. Zava-dehibe ny fampiasana Baiboly voatokana ho an'ny ankizy. Ho banga ny fahalalana ho azon'ny ankizy momba an'Andriamanitra raha toa mampiasa ireo voambolana sarotry ny Baiboly tsotra isika satria avo loatra ka tsy takatry ny sainy izany. Ampahany kely vakiana isan'andro.

2. Mitsongà hevi-dehibe iray avy amin'ny tantara. Hevitra iray ihany. Lesona betsaka no azo tsoahana avy amin'ny tantara tsirairay saingy tsy te hamesatra ny ankizy isika. Izao, ohatra, no azo tenenina momba ny tantaran'i Josefa sy ireo rahalahiny 'Miasa Andriamanitra na dia manao diso aza ny olona.'

3. Asaivo miara-mivavaka ny ankizy rehefa voazava ilay hevi-dehibe. Midika izany fa ny mpianatra no manao ny resaka fa tsy ianao. Zava-dehibe ny hahalalan'ny mpianatra fa afaka miresaka amin'Andriamanitra toa anao koa izy ireo. Ny fo no mahaliana an'Andriamanitra fa tsy voambolana avo lenta akory.

4. Mamelona tantara isa-maraina ireo mpianatro any Australie. Fotoana ankafiziny indrindra mandritra ny andro izany. Miditra aho, miarahaba ahy izy ireo ary manao tantara avy amin'ny Baiboly izahay. Tsy andrin'izy ireo mihitsy ny hahavitana ny vakiteny mba hamelomana ny tantara. Mora ho azy ireo ny mitadidy ilay tantara raha toa izy mihitsy no milalao azy. Rehefa tapitra ny taom-pianarana dia milaza aho hoe: 'Tsy tadidiko mihitsy izay nilalao an'i Josefa'; izy rehetra anefa mahatadidy.

5. Mampiasa zava-kanto hafa hanehoana ilay tantara – hira na asa-tanana. Ohatra: rehefa miresaka momba ny fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty sy Izy Mpanjaka manapaka ny fahafatesana dia azo atao ny mampanamboatra satro-boninahitra ny ankizy apetraka eny an-doha.

92

Page 93: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

8. Fitaovam-pampianarana na 'ressource pédagogique' sy toro-hevitra/Teaching resources and ideas

'Tsy ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory no lazaina hoe bado amin'ny taonjato faha-21 fa izay tsy mahavita mianatra, ka manadino izay nianarana taloha ary mandray fianarana vaovao.' Mpanoratra Amerikana, Alvin Toffler

Betsaka ireo lohahevitra tsy nidirana tamin'ny antsipiriany tato amin'ity boky ity. Mampahery anao aho mba hikatsaka ny fampivoarana ny fahalalanao sy fahazoanao ny fampianarana sy ny taranjaampianarinao hatrany.

Rohy hahazoana fitaovam-pampianarana amin'ny tranon-kalam-pifandraisanaManana tranonkala sy pejy Facebook izahay izay ahitana fitaovana tsara isan-karazany hanampiana anao amin'ny asa fampianarana: Tranonkala: http://www.mada-enseignants.org Pejy Facebook: madaenseignants http://www.facebook.com/madaenseignants

Ireto avy ireo fitaovam-pampianarana azo jerena ao: Azo alaina maimaimpoana ao amin'ny tranonkala ireo boky nosoratana ho an'ny eto

Madagasikarao Fomba Fampianarana Moderinao Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra.o 'Des Idées Pratiques sur la Physique Chimie en classe de 6ème'

Fitaovam-pampianarana azonao ampidirina ao anaty finday na solosaina:o 'Encyclopedie' amin'ny fiteny Frantsay na Anglisy.o 'Simulation interactive' entina mampianatra siansa.o Misy ireo fitaovam-pampianarana hafa azonao ampidirina mora foana ao anaty

solosaina. Lesona ho an'ny mpampianatra Siansa sy Matematika. Fitaovana ho enti-mampianatra tenim-pirenena Ny dikan-teny farany an'ity boky ity. Ireo maro hafa tsy voatanisa!

Manatòna cyber ary mangataha fanampiana raha tsy zatra mampiasa 'internet' ianao! Fomba tsotra hahazoana maka boky isan-karazany izany.

Alefaso aty aminay raha manana fitaovam-pampianarana tsara azo zaraina ianao!

BokyJereo ny fivarotam-boky tonta na efa nampiasaina sao misy mahasoa anao sy ny mpianatrao any.

93

Page 94: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

FikambananaEritrereto ny hanangana vondrona mpampianatra eo an-toerana izay hamokatra fitaovam-pampianarana ho an'ny taranja ampianarinao.

FiofananaManolotra fiofanana samihafa izahay:

Fomba Fampianarana Moderina 1Fiofanana maharitra 15 ora, zaraina ho ampaham-potoana 10 hianarana ireo fahaiza-manao fototry ny fampianarana. Ny boky Fomba Fampianarana Moderina no fototra hiaingana.

Natao ho an'ny mpampianatra rehetra amin'ny dingam-pampianarana rehetra izany fiofanana izany.

Misy ny fanampiana na fiantohana manokana ho an'ireo mpampianatra tsy mahavita mandoa ny sarany. Efa tafiditra ao anatin'izay vola aloha ny boky sy ny 'certificat' any am-piafaran'ny fiofanana.

Fomba fampianarana moderina 2Fiofanana maharitra 15 ora, zaraina ho ampaham-potoana 10, hanampiana ny mpampianatra hampihatra ireo hevitra voarakitra ao amin'ilay fiofanana voalohany. Misy koa ireo lohahevitra fanampiny toy ny:

'Auto-évaluation' sy fahaizana mampivoatra ny tena. Fametrahana fanontaniana sy fitsikerana hampivoarana ny fahaizana mieritreritra. Fanabeazana Kristiana amin'ny toerana hahazoana manao izany. 'Pensée abstraite et concrète'. 'Esprit critique' na toe-tsaina mahay mitsikera. Fomba fiaina mahasalama. Fanontaniana mivoha sy mihidy na 'question ouverte et fermée'. Ny fomba tsara azo ampiasana ny fotoana 'famakian-teny'. Fanampiana ny mpianatra amin'ny fianarana izay ataony na 'Echafaudage de l'apprentissage' Ny fahaizana manentana

Fomba fampianarana moderina eny amin'ny ambaratonga fototraFiofanana maharitra 7.5 ora hiresahana izay voarakitra ato amin'ity boky ity.

Misy fanampiana sy fiantohana ho an'izay mpampianatra tsy mahavita mandoa ny sarany.

Fampiofanana mpanofanaFampiofanana ireo mpampianatra hanofana momba ny Fomba Fampianarana Moderina 1. Maharitra 21 ora ary zaraina ho ampaham-potoana 14 ny fiofanana ary maimaimpoana. Misy boky fiofanana omena amin'izany. Tsy maintsy ho nahavita ny Fomba Fampianarana Moderina 1 sy 2 izay mpampianatra te hisoratra anarana.

Asa fampiharana mikasika ny taranja ‘Physique-Chimie’ ho an’ny kilasy any amin’ny Namokatra asa fampiharana (Travaux pratiques) mora vidy ho an'ny mpampianatra izahay. Ohatra, ny fiofanana novolavolainay ho an'ny mpampianatra kilasy faha-6 dia hahafahany manao asa fampiharana mandritra ny taom-pianarana manontolo amin’ny toe-bola tsy mihoatra ny 15 000 ariary. Andro iray (6 ora) no faharetan’ny fampiofanana izay hiresahana ny sasany amin’ireo asa fampiharana.

94

Page 95: Teny mialoha/Prefacemada-enseignants.org/wp-content/uploads/2018/05/MLG-WEB... · Web viewd) Fomba hafa azo hamaliana ny fanazarana b): Manangana rantsan-tanana 4 ny mpianatra ary

Fomba Fampianarana Moderina ho an'ny Garabola sy ny Ambaratonga Fototra Lara Dikha

Nanoratra boky mahakasika ny 'Physique-Chimie en classe de 6ème' izahay omena miaraka amin'ilay fampiofanana.

Misy fanampiana na fiantohana manokana azo omena ireo mpampianatra tsy mahavita mahaloa ny sarany.

Famandrian-toerana amin'ny fiofananaRaha hanao famandrian-toerana na mila fanazavana fanampiny dia antsoy i Robert (miteny Anglisy) - 032 870 8560, na i Lili (miteny malagasy) - 032 58 036 30/034 13 762 04. Ora tsy fiasana no iantsoana an'i Lili, azafady.

Tahirin-kevitra/ReferencesBloom, B. S. (1956). Taxonomy of educational objectives: The classification of educational goals. Handbook I: Cognitive domain. New York: David McKay Company

de Bono, E. (1985). Six Thinking Hats: An Essential Approach to Business Management. Little, Brown & Company.

Center, Y. (2005). Beginning Reading: A Balanced Approach to Teaching Literacy During the First Three Years at School. Crow's Nest, NSW: Allen and Unwin. Nalaina tao amin’ny http://allenandunwin.com. Nahazoana alalana avy amin’ny “Allen and Unwin Pty Ltd” ny fampiasana izany.

Crowther, I. (2015). Creating Effective Learning Environments 2nd Edition. Nelson College Indigenous

State of New South Wales Australia (Department of Education). The Numeracy Continuum. Nalaina ny volana Janoary 2017 tao amin'ny http://www.numeracycontinuum.com

Ary farany ...Ity boky ity dia nahitana karazana hevitra maro. Mila manandrana ireo hevitra ao anatin’ity boky ity any amin’ny kilasy ampianarinao ianao. Tsy afaka hampihatra ireo rehetra ireo indray mandeha ianao, ny sasany mety hila taona maromaro vao ho voafehinao tanteraka. Fa miezaha manandrana izany anatin’ny taona maromaro, tano izay hevitra hitanao fa mety aminao.

Ny fampianarana dia asa mendrika ary sarotra. Misaotra anao nisafidy ny ho mpampianatra. Ny hoavin’ny firenenao dia eo an-tanan’ny olona tahaka anao. Ny Malagasy dia manana harena anaty lehibe. Avoahy amin’ny alalan’ny fanabeazana izany!

95