152

ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo
Page 2: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAIKO O !

Fa nahoana moa aho, no tsy hahatsiaro ka hisaotra AnaoRy Raiko mahery, izay nitantana ny diako

saingy mbola mafy ho’ahy, ‘lay fisarahana ka nandaonisintaka lasana ilay notiaviko sy nandrian’ny saiko.

Fa nangidy Ray o ! ilay kapoaka nosotroikotsy nosainiko akory, fa jambena izato masokohay ve Ray o ! hankosotra daholo izato loko

hifonako aminao Ray o! raha mahatsiaro anaty toloko.

Izao aho Ray o! ato anatin’ny fahatsiarovana mangidyno mahatsiaro menamenatra, fa raha fitiavana ny Anao

tsy mba miofo na ela aza, fa tiako loatra izy ka tsy tadidyny hisaotra sy hametraka ireo dina, zary tanisa …kilalao

Tiako loatra mantsy izy, dia nihanoka aho nitiatsy nahatsiaro mihitsy, fa izao rehetra izao

raha tsy teo Ianao ry Raiko, tsy nisy koa ny fitia‘lay natolotro ho azy, sa diso ka tsy sitrakao ?

Mifona re ry Raiko, mba tsinjovy ity foko,Fa manomboka izao, ny ho aviko rehetra,Hapetrako an-tananao, na tsiky na toloko

Sy ‘lay mba ho tiaviko, am-pelatananao no hitoetra

RakparfaitAnalakely 23 aogositra 2010 @ 9 ora sy 15 minitra

Page 3: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TOMPO Ô !

Tompo ô ! avelao aloha aniohivavaka aminao, hiantso hitaraina

fa marary hoa ny foko, jereo ka ampiofa reraka ny aiko, vizana ny saina

F’Ianao no niteny, fa Fitiavana no lehibesy tokony hitoetra, dia nino tokoa izaho

saingy indrisy fa lasana, tsy tana fa nandehailay tokana malalako, indro lasana nandao

Ka hifonako Tompoko ô ! raha ity vavako ityizay asandratro Aminao, tsy toy ny mahazatra

fa mijaly ny foko, ity foko mba nitiafa nilaozany e ! nisintaka nandao ka nandratra

Ka mifona Tompo ô ! fa fitiavana no foto-bavakoho alefako any Aminao sy antsoantson’ny tianofikiriko am-po ihany, mafy ka tsy zakako

ny fahanginana hiainana, tsy mba mety very dia

RakparfaitAnalakely 10 septambra 2010 t@ 4 ora folakandro

Page 4: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HIDERAKO ANAO

Ny masoandro ‘zay miposaka, mandefa izato taranynandresy aizim-pito nampahory, ireo lavi-tiana singan-drery

hiderako Anao daholo, na tsy fantatro aza ny lalanyfa asan’ny tanànao ireny, hita maso tsy miery

Ny volana baliaka solon-jiron’ny tsy mananamanazava ny kianja, hiravoan’ny kilonga

hiderako Anao ihany koa, handefasa-kafatra ho an'ny namanaan-tany lavitra tsy hita, hirariana mba ho tonga…

Ny kintana an’alinkisa, an-danitra avo enytoy ny rado hiambozonana an-tendan-jazavavy kanto

hiderako Anao foana, tsy hisafidianako ny tenyhikaloako ny fitiavana amin-kira izay milanto

Fa ny adin’ny fiainana, sedraiko isan’andro vakyindraindray mandreraka, mila hahakivy izany fohiderako anao hatrany, na mafy mila tsy ho tanty

fa efa nosoritanao ho anjarako, dia anjarako tokoa

Fa na iny olon’iny ilay notiaviko tsy nihambatanatin’ny an’alin’alina, notsongain’ny fo tia

hiderakao Anao mihitsy, fa tsy nasiako angambafa ny hiran’ny samy tia, no ventsoina ho doria

Ireo adalana samihafa, tsy nety resiko indraindraynoheveriko fa ho ravaka amin’ito fianana mandalo

hiderako Anao na izany aza, fa nandoro sy nahamayka nanitsy izany lalako, fa nandreseko fahavalo

Ireny rehetra ireny sy ny sisa tsy voatanisalarolaron’ny fiainako, namolavola ny ho avy

hiderako Anao mandram-pialako, hamonjy ilay paradisaantenaiko ho fonenako, rehefa hody ity mpiavy.

RakparfaitAnkadivato 14 desambra 2010 @ 11 ora atoandro

Page 5: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBA SAINO

Impiry moa ianao no niantso, fa tsy nisy izay namalytoa kiakiaka an-tany efitra, ka na ny ako aza tsy nanoina

singan-drery tsisy namana, fa tontolo mampijalyno manodidina hiainana, tsy mba misy azo antsoina.

Dia indro fa mitoloko, o ! ry fiainana mavanyny andro nahavelomako ve no tsy tsara takon’ila ?

fa faniriako lalandava ny hisavan’ny tomanyhitarafam-panantenana, ny androko sisa tsy ho dila.

Dia mikaroka tontolo, tsy takatry ny fisainanahampisinda alahelo sy hanamaivana vesatra toloko

saingy indro misy tsy vidina “fanavotana”hatolotra ho anao, ambongadiny tsy ami-toko

D’ilay Jesoa nanolotra ny ainy, tsy nanisy tambinyfa foiny tanteraka na dia nangirifiry aza

hanavotana ny olona, noho ny fahotana vitanyho amin’ny fiainam-baovao, d’ilay Paradisa fanta-daza.

RakparfaitAmpahibe 08 martsa 2011 @ 4 ora folakandro

Page 6: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

JESOA NO FANANTENANA

Fa na inona sedra, na inona mihatra,na mangirifiry io, na mamy na mangidyady foana, eny tolona tsy ombi-tratra

mijoroa, tokana ihany ny safidy

d’ilay teny tonga nofo, nanolotra ny ainy,nanaiky ho faty, ho fanadiovana ny ota

tsy nanavaka ny tsy tia, na isika nolalainy,fa nalatsany ny rany, hihavaozan-tsika tsy ho tonta.

Fa fitsapana maro, eny adin-tsaina hampivena,Lalan-tsarotra migodana, fisentoana koa hahamay,Jesoa Kristy, Efa Izy ‘lay Mpamonjy ‘zay nekena,

No hazony mafy fa fiainana mandrakizay.

Ho be ny hamiratra, hisy hampanantenaina,Hihamaro ihany koa ny antso hilaza famonjena,

Mahereza, aza mety havily na halemy saina,F’ilay nandatsaka ny rany, Jesoa no Fanantenana.

RakparfaitAnkadifotsy, 02 aprily 2011 @ 01 ora folakandro

Page 7: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MINO AHO SATRIA

Ny kaikitry ny ady atrehana isan’androtsy hay afenina, toa fofona manitra

tsy hahakivy tsy akory, fa laro – nahandroho dingam-piainana, làlan’Andriamanitra

Ny endrika kivy, angamba aloky ny fona manjohy lalandava, tampisaka tsy miala

rakofana tsiky, f’inoako Jesoahampitsiky rahampitso, hanandratra hanala

Ny lala-mideza, mbola ho diaviko foanatsy hahakivy tsy akory fa inoako hatranyf’I Jesoa Tompo ilay namoky ny noanadia inoako fa vatsy, tsy ritra tsy ho lany

Mino aho satria ny lasako omalyna aloka mainty seha-tomany

ny vesatry ny ady na dia nampijalydia lanjan’ny Mino, natoky hatrany

Dia mino aho satria na rakotra azalamba fisaonana ny androko anio

ny Tompo Mpamonjy hanome ny sahazahampifaly ny fo, hampitsiky ny Mino

RakparfaitAmpahibe 06 May 2011 @ 09 ora maraina

Page 8: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAHOVIANA ?

Mitapikitra, mikiry mankamamy ny eto an-tanyRa olombelona ka mikimpy falifaly aok’izanyka raha tojo sedra dia mikiaka Ray o ! ampiofa tsy zakako ny onja, mahery mafy ny tadio.

Mihevitra mihitsy fa eto an-tany paradisadia milanona tokoa, tsy mitsinjo ny ampitso

tojo olana nefa indro, Ray ho aiza Ianaonahoana no avela fa mijaly ‘ty zanakao ?

Raha mba mibaliaka ny andro, korana kalokaloka ny anio dia anio ihany, ny ampitso ve tsy handalo.

tsarovy anefa, fa mety ho raho-mainty no hitataoizay ve vao hiantso: Ray o ! nahoana no avelanao !

RakparfaitAmpahibe, 24 May 2011 amin’ny 09 ora sy 32 minitra

Page 9: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

DERA

Tompo o! tsy ho haiko refesina, ho lanjainaNy fitiavanao mitobaka, isan’andro lava izao

Fa ny tombon’andro azoko, hampitombo ny fisainanaHiasako lalandava, hankalazako ny Anaranao.

Ny teninao vatsiko no sakafon’ny fanahyMampisinda tahotra, rehefa tojo sedra

Fitanisako ihany koa, hijoroako tsy manahyNy tontolon’ny fiainana sy ny ady izay mangeja.

Ho inona moa ity izaho, lavitra Anao ilay MpiahySingan-javatra bitika, eo anivon’ny migodanaF’ilay fitiavanao mitafotafo izay nomenao ahy

No hisiako mba hijoro, vavolombelom-pahafahana

Iny olon’iny izay niantefan’ny fitiavakoHo zava-poana ihany anefa, raha tsy Ianao

No hankasitraka, hamela, hampisokatra ny vavakoHiantso azy ho malala, hitoetra an-kianjako ao.

Fa lehibe mitafotafo, Tompo o! ny fitiavanaoTsy takatro refesina, na eritreretina ihany koaK’izay rehetra vitako, sy izay mbola ho atao

Ho voninahitrao daholo, fa notoloranao ny soa.

RakparfaitAmpahibe, 09 jolay 2011 mitatao vovonana

Page 10: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TOMPO O! HIFONAKO

Tompo o ! hifonako ny kiry, hifonako tokoaf’ity foko mantsy maniry, maniry mba ho soany ampitso hilofosako, hiadivako androany

ka zary tsy tsaroako, Ianao ilay nanao ny tany.

Tompo o ! hifonako ny ady, hifonako tokoafa na dia ny andro alahady, mbola hiasako ihany koa

hadinoko mihitsy, izay mba andro fitsaharanafa dia asa lava, fivelomana e ! fitadiavana.

Tompo o ! hifonako ny hira, hifonako tokoasanatria tsy hoe maniratsira, fa manentana ny fohiatrika ny sedra, sy ito làlana mbola ho diavina

ka mikalo izay voakalo, tsy mba nisy izay nolavina.

Hifonako daholo ry Tompo, eny hifonako tokoany lasako omaly tsy tsaroana, niotazako ny soa

sy ny maro sesehena, tsy takatry ny saikoizay nomenao mba ho ahy, hamelomana ny aiko.

Koa raiso ry Tompo, aza lavina izato fifonakofa avy anatin’ny fo, nokotrehin’ity lohakomibebaka fa diso, ka ny androko ho sisa

hatokako ho anao, hihirana fiderana, fiderana an-tapitrisa

RakparfaitAmpahibe, 09 Aogositra 2011, @ 11 ora sy 20 minitra atoandro

Page 11: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HANKALAZAO

Ravoravo ery ny saina,tojon’ito andro maraina

henika hafaliana tsy voambarafa mbola tsy diso anjara.

Tsy tsaroana hoe avy aizafa dia faly fotsiny mitaiza

ny vatana, bika sy ny endrikanefa anie io mety ho rendrika.

Tsarovy fa na analin-kisa azany anjaranao mety tsy ho sahazaraha tsy Izy nanome no hisaorana

Deraina hatrany, eny fa na dia fisaonana…

no hatolony hamenoana ny foho sedra ny hafaliana sy ny soa

niainana isan’andro, naha ravoravokoa aza adino fa derao, hankalazao ny Avo.

RakparfaitAmbolokandrina 15 Aogositra 2011 @ 7 ora sy sasany alina

Page 12: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBOLA HIJORO

Mbola indro fa mijoro, hidera Anao ry Tompo, ihany izato tenako

na dia mila ho torotoro, ilay voady hoe hanompo, fa mafy ny fiainako.

Ny teninao tsy sarak’ahy, fijery sy famaky, mampahery sy ampingako

no mamelona ny fanahy, isan’andro vaky sy manitsy ny famindrako.

Ny rivotra iainana, na tsy hitako aza, manempotra ihany,

mamily fisainana, misy ako toa milaza, fa mandalo ny eto an-tany.

F’ireo teninao anatra, mitamberina an-tsaina, ho fanilon’ny tongotra

hanazava izay lahatra, anjaram-piainana, sy ho tononin’ny molotra.

Kaikitra ny tsiahy, ny omaly nodiaviko, vonoiko ao an-tsaina

nampilofika fanahy, ankehitriny ho laviko, fa manaisotra aina.

K’ireo teninao fanilo, voatahiry tsy miova, vatsy sy sakafo

hijoro tsy an-drarak’ilo, ito tenako fa lova, tehiriziko fa novidianao lafo.

Ny ampitso andrandraiko, anilanao ry Ray, haharitra doria

ka ny paradisa ho lalaiko, dia ilay mandrakizay, hanjakan’ny fitia.

Ambaran’ny teninao, fa ho lovan’ireo manoa, dia ilay any an-danitra

hitoeran’ireo sitrakao, dia ireo izay niova fo, dia ny vahoakanao Andriamanitra.

Ka ny androko sisa, izay tombony omenao, mandra-pialako ety

hitadiavako ilay paradisa, nampanantenainao, sy hanitsiako ny dia.

Ka ireo teninao voatahiry, nilazana famonjena, ho aro fanina sy hanoro

hampitraka ahy haniry, ilay fanavotana efa nomena, ary ho andry hampijoro.

Rakparfait

Page 13: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

Ampahibe, 30 septambra 2011 @ 02 ora folakandro

EKEKO

Ekeko fa misy ny fanadinoanaMety hanakona izay vita omaly

Kanefa, hoy aho, izao no tsaroanaRehefa iny mahatsiaro mijaly

Ilay Tompo mahery miandry eo foanaIlay nohadinoina rehefa iny ka sambatra

Izy tsy miala no tsy resim-potoanaMiandry anao hatrany, miandry fatratra

Ny fifaliana handalo sy hiseranaNo tsy haharitra mandrakizay

Ka hoy aho hoe : aoka tsy ho feranaNy anjaran’ny Tompo, ilay Zoky sy Ray.

Ekeko, hoy aho, fa tsara ny androanyTsy semban’ny rahona, na aizina mainty

Kanefa, hoy aho, aza rehefa tomanyVao miantso ny Tompo f’andrao tsy ho tanty.

RakparfaitAmbolokandrina -182 15 Ocotbra 2011 @ 1 ora sy 15 minitra folkandro

Page 14: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBA KRISMASY

Ataoko ahoana moa, raha mbola velon’aina, no tsy hahatsiarofa na nangidy tao am-po, na namelona taraina, tsy maintsy nafangaro

ny endriko sariaka, tojo fitahiana, tara-pahazavanasy izy ilay nikentrona, ketram-pahoriana, tsy azoko nofafana.

Tonon-taona toy izao, toa rivo-pifaliana, no nandrakotra ny tanyfa tena hoe lavim-pahoriana, ny tontolo niainana, tsy misy mitomany

fa nokoboniko tao anaty, tsy ho endri-kitarafana ny ady izay nolalovanailay tavako nitsiky, tojo krismasy, fa androm-panavotana.

Satria hoe teraka tamin’io, tao an-tranon’omby, ilay hoe Kristyhitondra fanafody, ho an’ny olombelona, indrindra ireo izay nania

k’ireo kaikitry ny ady, voka-pahotana, anjara nolovainaho resiny sahady, IZY hitondra hazavana izay ho ampy zaraina.

K’ito tranom-bongoko, tsy misy fanilo, inoako tsy ho adinoinyfa tonga, hono, IZY, hizara sy hitsilo, ny lalan’ireo mpino

dia ireo izay manantena, niandry hatrizay, f’ilay teraka aniono lalam-pandresena, hizorana amin’izay, ka ndeha hifalio.

Kanefa na izany aza, na teraka ho antsika, ilay zanaky ny Raytompom-pahefana, tompon’ny anio sy ny mandrakizayrahoviana ihany, ito vilany nongoko, no mba hisy vary

fa na dia laoka anamamy, ankasitrahan’ity foko, fa avy amin’Ilay Nahary.

Fa mba krismasy ihany koa mantsy, ho an’ny tsy manana, ito ankalazainaka na dia hoe tsy misy vatsy, na ho laoka anana, aleo tsy hitaraina

fa mba vavaka no asandratra, ho an’ilay ao ambony, inoako marimarinafa ho krismasy hahasambatra sy taona mba ho tony, ny ho avy ka hanarina

ny androm-pitarainako, nigoako ny mangidy, nilaozan-torimasonanimba ny fisainako, nandiso ny tadidy, fa tena mafy ny ankasoka na iainako aza, ny ratsy sy ny soa, dia lalam-piainana ihany

Fa mba krismasy, hampifalifaly ny fo no hisy androany.

RakparfaitAmpahibe, 11 novambra 2011 @ 3 ora sy 36 minitra folakandro

Page 15: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBA HO TAONA

Fa miodina ny tany tsy mahalala fahorianana ny ady sy tomany tsy nataony nahavariana

fa niodina izy dia izao, vitany ihany ny anjaranyka tonga indray ny taom-baovao, mbola hitohy ny tantarany.

Ireo kiaka nameno ny tany, nanakoako tsy hay noperanatsy nanakana azy tsy ho any, hiroso ho amin’ny fanaperana

ka hamita 365 andro, nekeny ho taona irayka ny volana sy masoandro no mpitsara azy amin’izay.

Ny tsiky sy ny hehy, endri-piravoravoananoekeny koa mba handeha hiaraka aminy mandavan-taona

tsy nosakanany tsy hisy fa nilainy mba hampahatsiaroireo ady maro mbola misy, tsy mitsahatra….hihamaro ?

Fa mbola hiodina ihany, tsy azontsika hosakananana ho hehy na tomany ito tany fiafaranahitaritarika tsiahy, hikalokalo haravoana

fa mbola hampangotsoka fanahy sy hampitafy koa fisaonana

Fa iriko ho famaranana ito taona vao miandohamba hampisava izay ho làlana sy hampitobaka ny soa

ka ny nofiko rehetra, vetsovetso avy ao am-poho ankasitrahan’Andriamanitra sy ho atolony avokoa.

RakparfaitIsoraka, 05 Desambra 2011 @ 2 ora folakandro

Page 16: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NY LAKA - KELIKO

Tompo o ! hitety onja indray ity lakan-kelikohisedra rivotra...tafiotra

ny fanahiako tsy miafina no tsy afenikofa ho tafita ve tsy ho lany ritra ?

Handao ny seranana... ny lasako omalyizato lakam-piainako

tsy maintsy miainga mandao izay mba nahafalyhisedra ny tsy fantatra, ranomasin’ny fiainako

Hiroso aho ka hitety izato alon-dranoho atopatopan'ny onjan’ny fiainana

midadasika eny mantsy tsy tratran’ìto masony lalan-kodiavina...tsy takatry ny fisainana

Tsy miafina aminao ny vatsy am-pelatananaf’ireo sisa tavela...ambin’ny omaly

izato diako anefa, miroso tsy azo tananany ampitso tsy mba fantatro...hiadana sa hijaly ?

Na izany aza anefa, Tompo o ! hisaorako izaony omaly sy ny anio tombony ho ahy

nahafahako nidera ary mbola hankalazako Anaoniaro ito lakako fa nampahery ny fanahy.

Ka raha hitety indray, izato ranomasi - midadasikaito lakan-kelin’ny fiainako,

matoky aho fa ny Fanahinao hirotsaka hikasikahitsilo lalandava sy ho fanilon’ny fisainako

MiseVonjyAmbolokandrina 10 Febroary 2012 amin’ny 3 ora folakandro

Page 17: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAISO TOMPO O !

Fa na dia hoe, efa noloarako aza, izay mba varin’ampangokotsy navelanao aho handeha, fa notoloranao ny sahaza ny isan’androko,

Ry Tompo be fitia, mahalala ny miafina, anatin’ny vilanikoka narovanao tsy hania na koa ho valalanina amin’ireto vinaniko.

Tsy miafina aminao, ireo mba nahandroko na sarona takotrana tsy lazaiko anao, na hoe ho atondroko, dia tena ady sarotra

ny hameno izato rano, mba hisy ventiny ho ody ambavafofa maso manganohano sy sento no mba nentiny... nangotraka tokoa.

Fa na matsaboka aza, na matsatso hoy ny teny, ny tsiro tato am-bavaizaho tsy maintsy hilaza, raha mbola afaka hiteny, ireo soa lalandava

nomenao ho ahy na tsy nangatahiko akory, tsy takatry ny saikofa nampifaly ny fanahy, nampatanjaka raha ory fa mamy sy lalaiko.

Ny hasoavanao, nitobaka tsy niato, teo amin’ny fiainakonoraisiko tsotr’izao, na tsy novidiako lafo, fa efa sitrakao.

Ka mbola apetrako aminao, ny ampitsoko tsy hay, tononon’ito vavakoka aoka Ianao tsy handao, Ry Tompoko sy Ray, raiso ny FIAINAKO.

MiseVonjyAnkadifotsy 17 Martsa 2012 amin’ny 4 ora folakandro

Page 18: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

METEZA

Fa ny rivotra iainana, nomeny tsy nangatahinanefa misy tsy misaina na koa mody faninamilaza fa ny andro anio sy ny asa efa vita

herin-tsandriny madio fa hianao no tsy mahita

Dia mirehaka fa mahay tsy mila intsony fanampianaka raha hiresahana fa ny Ray no nahatonga ny fitahiana

dia mitraotra avo teny no sahy mihitsy milazafa resa-be raha ireny, fa aza manao resa-jaza.

Saingy izao no tsarovy fa ny volabe sy ny harenamety hahafaka ny rofy no mety hahatsara koa ny tenafa ny fanahinao nandevoziny nobaboiny ho miaramila

dia hivesatra lonjony... nefa aoka tsy ho dilan’

ny fiverenana amin’ny Ray, ilay nahary ny tontolosy ilay fiainana rahatrizay dia ilay tsy mety bobongolo

sy Jeso Kristy Tompo, ilay ho Edena vaovaoka miverena etsy ho dioviny ny loto, meteza...ndao.

MiseVonjyAmbolokandrina 18 Martsa 2012 amin’ny 11 ora alina sy sasany

Page 19: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FA TORIO NY FILAZANA TSARA

Indraindray ny saina voasarika haminanyvoasinton-kira kanto, dia te-handeha ho anytsy voasakana tsy tana mieritreritra fa injaoilay voalaza ho Kanana...ilay Edena vaovao.

Atongilano ny sofina, hihaino izay mba tsarafa tontolo hafa mihitsy ny fitoriana Filazantsara

toa dokam-barotra ny antsoantso hoe aviafa famonjena be dia be no miandry anao aty.

Laroina an-dalana teny, lokoina fahagaganatontolo andro dia ireny no vaovao ampitainany fijaliana anaty tambesarana ho vokatr’ota

tongava, hisy rojom-bavaka ho an’ny mpanota.

Ny fijalian’ny fanahy toa iainanao isan’androvesatra taritina mandra-maty masoandro

ho tsapanao fa hisinda ka tongava mankatyhivavahantsika io, dia hisava hiala ery.

Ny adim-piainana ve no mafy ka tsy laitrafa dia maro no voasarika mirodorodo fa raitra

izato antso ho famonjena ato anaty fijalianahisinda ny raho-mainty ary hisy fifaliana.

Tsy hay intsony ny manavaka izay antsofa mamiratra avokoa dia jambena izany maso

dia mamiratra tokoa tena kanto ny fitafin’ny mpitarika manjelatra, hitanao fa tsy mihafy.

Fa fitaratra vita ho azy, mampiseho izay fitahiananantsointsoina hatrizay tena lavi-pahoriana

raha ny hita no resahina, tena marina izay voalazafa izao no famonjena ka ndeha hankalaza.

dia miroborobo fatratra ny onjam-peo fideranatontolo andro tsy mitsahatra, fa anio ny famonjena

ka tongava, ka tongava, tsy manavaka fa aviafa ho hitanao ao ny fiasan’i Kristy...

Nefa anie ny voalaza voatahiry anaty bokydia ilay tsy mbola niova, ary mbola azo toky

ilay nezahina lotoina fa mbola voarakitra madiono mamaritra mihitsy... jereo anie ny Matio.

Toy izao no voasoratra, ao amin’ny toko faha 24andininy vitsivitsy na dia tsy izy manontolo:

Page 20: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

«Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareofa ho maro izy ireo no hilaza fa izao :

Izaho no Kristy, ka ny voafitaka ho maronoho ireo mpaminany sandoka mitsangana mifangaro.

Koa raha misy milaza manao hoe aty Kristyny finoana hamafiso fa mbola hisy hilaza : Indro ary

Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany ihany koahaneho famantarana sy fahagagana tokoa

fa raha mbola azo atao, toy izao ny safidinyna ny olom-boafidy aza anisan’ny hofitahiny.

Koa amin’izany, raha misy milaza manao hoe :Indro any an-efitra Izy, dia tandremo izay aleha

na ao amin’ny efi-trano Izy, mitandrema, aza minofa izao no lazaiko, tsarovy, tadidio, aza adino

Fa tahaka ny elatra avy any atsinanana tsy mitambolonaka hita hatrany andrefana, tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona

Fa ny amin’izany andro sy ora izany, dia tsy misy mahalalana ny anjelin’ny lanitra ary na ny Zanaka aza

Koa amin’izany, miambena tsara ianareohamafiso ny finoana, mivavaha aza leo

fa amin’ny ora tsy ampoizina, dieny izao miomanaaza resi-tory, mivonona ambeno ny tanàna

Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjenafa mbola hotoriana eran’izao tontolo izao ilay fanekena

dia ny FILAZANTSARAn’ity fanjakana ho vavolombelonadia izay vao tonga ny farany, dia ilay FAMONJENA...

Ka MIAMBENA....MIAMBENA ...»

MiseVonjyAmbolokandrina, 04 Aprily 2012 amin’ny 7 ora sy sasany maraina

Page 21: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo
Page 22: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ANTSO

Sendra mba nitopy, ity masoko nijeryhendratra ny foko, nahatsiaro ho irery

fa toa any aminao, 'lay fanalahidynotadiaviko hatry ny ela...tsy tadidy

Fa taiza ianao…notadiaviko efa elatao anatin'ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavelafa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty

velombelombolo aok’izany, tondrak'orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojofa ny lahatra mihitsy no vintana voatondroanjarantsika ny ampitso ka hiainana anio

koa raiso 'zany foko, ny antsony valio

RakparfaitAnalakely 28 jolay 2010 @ 5 ora folakandro sy 31 minitra

Page 23: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MISY FOTOANA

Misy ny fotoana hitamberenan’ny lasa, manditsoka ny fohisampotenan’ny tsiahy, mandratra ny ao anaty

k’ireo nohadinoana rehetra sy nalevina ho lono manangatra maha-ory fa mitsangana amin’ny maty

Tsaroako ‘lay fotoana toy ny sasakalinanilazanao ‘lay teny nampirotsaka tomany

f’izao tontolo izao na atoandro aza dia faninaity foko mba nitia, ontsaontsa valalanina

Eny misy ny fotoana, itamberenan’ny tsiahydia ireo fotoana mamy mba niarahantsika.

Eny tiako hiainana ihany na mankarary ny fanahyfa mba fiainana iny mantsy na dia lasa nangatsiaka

Fa ny sentosenton’ity fo nianjadiam-pahoriananotsindriako vato sy noperako hoe manginasaingy injao ao anaty midobodobo-kafaliana

noserananao…dia tsy haiko mahavariana

RakparfaitAnalakely 4 aogositra 2010 @ telo ora folakandro

Page 24: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ANY AMINAO NY MAMY

Fa fitiavana izany, tsy hay ny hanginaraha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana.

Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafitoVoaanika hatrany, mety ho tonga im-pito

Fa adala izay tia ka tsy mitango 'lay voasarynotadiavina hatry ny ela, notehirizina toa saryireo volony misafoto, mandrakotra ny ondana

dia fitiavana ihany koa, handravana izay olana.

F'ito masony mijery, anaty rahon'ny fitiahitarafako ilay ahy, mitazana mankafyizato adin'ny fitia tsy ady anaty hakatafa ianako mihitsy toy ny basy mitatata.

fa ny fofon'ainy miantefa mafana amin'ny hatokomampitsangana ny volo rehetra amin'ny vatako

Ny hatsembohona mikoriana, mitsotsorika mandadytsy mahafaty izany afo mandoro vatana miady

Fa na fiakarana io, na koa fidinanatsy manempotra mihitsy fa sakafo fihinana

rehefa tojo ilay tiana, notsiriritina hatry ny elana miaka-midina aza io, tsy hasiako zay tavela

Eny amin'iny olona iny, 'lay notiaviko mamonono hitosahan'ny fitia, ranonaina toa ronono

fa kanto ianao sady tokana aman-tanyka hilalaovan'ny fitiavako...fa avy aminao ny mamy.

RakparfaitAnalakely 05 Aogositra 2010 @ 5 ora folakandro sy 47 minitra

Page 25: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAKI-TSAROBIDY

Fa na niezaka aza aho, ka nikosoka ny lasaNamadika mihitsy, ny pejin’ny fiainako

Ireo zava-bita niainana, indro toa mandatsaFa kanto sady mamy, tsy takatry ny fisainako

‘Lay ranomasoko nirotsaka, nofaonao malefakaTsy nahatanty ilay safo, nasetrinao ny oroko

Zary lasa tondra-drano, nandrakotra ny tenakoDifotr’hafaliana, ao anatin’ny tontoloko

Fa ny zavatra tsy takatro, nosakanan’ny fisainakoIreny lasantsika ireny, dia zeziky ny ho avikoKa na navadiko aza, izato pejin’ny fiainako

Ny tandindon’ny lasa, raki-tsarobidy ny fanahiko

RakparfaitAnalakely 05 Aogositra 2010 @ 5 ora folakandro sy 08 minitra

Page 26: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ILAY HIRA

Nisy hira nolokoiko, hokaloiko ho anaosaingy indrisy, fa sompatry ny tany

k’ilay feony aza, zary lasana nandaofa akon’ny taraina konaina-tomany

Niangaliako mantsy izy izaynolaroiko sento, aingam-po

nefa indrisy, tsy fantatra fa maylavenona sisa, tavela an-doha

ireo sentontsika, kiakin’ny tiaizay nandrakotra fahanginana

no zary mozika nohenoina satriatsisy feo nivoaka…fa gina

Iny ilay hira, izay nohiraintsikaTanaty fahanginana, samy tia

Nokoboniko an-tratra, tsisy nahay nandikaSompatry ny tany fa nalia

RakparfaitAnalakely 07 Aogositra 2010 @ 3 ora sy 45 minitra folakandro

Page 27: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBOLA HISY VE ?

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny fitiavakofa tsisy miafina aminao, ny tontoloko rehetra

eny hatramin'ny tomany, nampangovitra ny vavakosy ny hiakam-pifaliana, nanao amboletra

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny tantaraniainako irery, nozaraiko taminao

fa fantatrao daholo, na ny tsy ambaraniafina tanaty, tsiambaratelo tao

Mbola hisy ve ny teny, hilazako ny ampitsofa ny lasako rehetra efa any aminao

lay saina verivery sy lay hevitra nandisono indro nahitsy rehefa tanilanao

Koa mbola hisy ary ve ny tenyhilazako ny tsy fantatra

mampangovitra ny fo, mampitosaka ny enyfa safidiko ianao, ilay tokana fatratra

RakparfaitAnalakely 09 Aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 22 minitra

Page 28: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSIAHY

Rehefa iny folaka iny, ka mihilana ny androdia lasa lavitra ny saiko, mahatsiarotsiaro

ireo izay mba notiaviko sy nanokatra masoandroindrindra ilay tokana, nohavahako tamin’ny maro

Mitamberina ny tsiky, mialoalo ny tarehymanokatra tsiahy, mangolingoly ny ao anaty

fa sary kanto loatra, noravahany hehyno tahiry nokoboniko, fahatsiarovana tsy maty

Dia tsy tanako ny saiko, tsy hahatsiaro ny omalyfa volon’andro toy izao, nangatsiaka tokoa

no nifalian’izany foko, falifaly afa-jalynotolorany fitia, nahatorovana ny fo

Fa jambena mihitsy, ito masoko nijeryny tontolo manodidina, fa kanto aok’izany

k’ito masoandro izay nihilana sy ‘lay siokan’olon-dreryno nandrako-bolamena, ‘lay fitia tena mamy

Nobanjiniko ny endriny, tarafim-bolamenad’ilay nofiko mihitsy, tanaty sasakalina

fanaperana daholo, tena kanto ka nekenafa io ilay notadiaviko, tao anatin’ny alinalina

k’ireo nofy sesehana, nikarohako ilay tiananandrotsahako tomany, tsy nahitako tory

tojo azy nanantena, fa dia ho androm-pifalianany androko sisa, indrisy fa mahaory

fa ny làlana nofidiana ve no tsy tsara nodiavinasa ny vintana mihitsy no nanao ho tsy anjara ?

f’ilay fitiavana toa nangidy sy toy ny ravinamainan’ny andro ka indro, zakan-drivotra dia rava

fa isak’izay mihilana toa io ny masoandroka mandefa ny tarany, mandrako-bolamena

ny tontolo mampisento, mikarakara ny nahandrodia tsy tana ny foko, miventsoventso manantena

RakparfaitAnalakely 10 aogositra 2010 @ 11 ora atoandro sy 35 minitra

Page 29: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

‘LAY MALALAKO

niantso ahy lay olon-tiako, fa tomany, hono, ny fonysendra olana anaty, mankarary mahalonilonyna dia lavitra aza izy, ilay fitia nifanolorana

nampitambatra ny aina, ka mankarary raha voatohina

nolazainy fa tsy rariny, fa miangatra ny tanyraha fitia ho fato-maty no sakana tsy anjary

fa toa sakana hono mantsy, ny tontolo izay iainanadia tomany ho’aho ny fony, ketraka ny fisainana

efa fantatra eny mantsy, fa kiry no ataof’ilay fitiavana nirehitra, tsy manaiky avelaodia marary ihany koa, ity malalany tomanyfa mahalasa adala, ny fitiavana eto an-tany

fa niantso ahy ‘lay malalako, lavitra tsy anilakony feony tomany, nampisaina hoe aiza ny lalakofa tomany ho’aho lay tiako, miantsoantso avia

ry malalako, ry malalako, mbola ho avy aho akia.

RakparfaitAnalakely 10 aogositra 2010 @ 6 ora hariva sy 35 minitra

Page 30: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY HO RESY

Fa fo ngolingoly, trotram-pitiavanano tsy maintsy hikalo, hiezaka hanadinofa ireo lasana rehetra, mety ve ho Avana

ho maro lokom-pifaliana, asa...tsy mampino

'reo teny mamy rehetra, izay mba nifanolorananampisinda ny taraina, dia ho ako ve no sisa

tsy te-hino aho kanefa, satriko eny voronahitady toeran-kafa, izay mba mety ho paradisa

fa hafaitra ny ampitso, hitadiavam-panafodysaingy làlana hizorana, ho an'izay nitia

fa na marary aza ny fo, hangina tsy hiantso todyho ngolingoly izy anio, ny ho faty sanatria

RakparfaitAnalakely 11 aogositra 2010 @ 06 hariva sy 31 minitra

Page 31: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

KANEFA E !

Resy aho akia, ka tsy tanako tsy hirotsakaNy ranomasoko hikoriana hamonto ito tavakoFa nikiry ihany isika, nisintona tsy ho latsaka

Kanefa e! indrisy, resy re rahavako.

Nantsointsika ny vintana, hanitsy izany diaFa mamy tamintsika, ny lasa izay niarahana

Na volana na kintana, nantsoina ihany koa aviaKanefa e! indrisy, tapaka ny làlana

Ireto tanantsika roa, nifamikitra nalainaHisaraka hanamarika, fisarahana hangidy

Ny tananao notanako, ny ahy savolainaKanefa e! indrisy, f’izao angaha ny didy.

Ny molotro nangovitra, nanoroka ho faranyNy molotrao natolotra, mamiko aok’izanyNamerina ny lasa, mampirotsaka tomanyKanefa e! indrisy, izany no eto an-tany

Dia iny ianao no dify, tsy ho hitako intsonyHo aloka daholo, ny lala-nombana rehetraTsy maintsy hialoalo, ny bikanao tsy foiny

Kanefa e! indrisy, hatreo akia ny fetra

RakparfaitAnalakely 12 aogositra 2010 @ 11 ora atoandro sy 22 minitra

Page 32: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FA TIAKO LOATRA IANAO

Fa tiako loatra ianao, ka tsy foiko ho an’olon-kafaSatriko tazonina, tsy ho simban’ny tontolofa tiako ho ahy irery, ilay feonao mitafamikalo ilay fitiavana, tsy nety bobongolo

Tanaty ady sarotra, ilay feonao nohenoikonampitsimoka indray, ilay fanantenana efa maty

nampamelon’aina, ny lasa tsy hay novonoikofa tojo anao, voambarako ny rehetra sy izay mba tsy tanty.

Fa ny ady nosedraiko, nitolomako fony irerytanaty alina mangina, nozaraiko taminao

ny senton’ny fo dia nody fifaliana, tsy foiko ho very Ireny teny mamy sy ilay fitiavana izay natolotrao

Ilay ranomasoko nirotsaka namonto ny tarehikoNezahiko nafenina ho tomany voka-tsetrokaFa ny masoko bongo, porofon’izay nafenikoPorofon’ny fitiavako, ‘lay marina tsy meloka

Fa tiako loatra ianao, ho radon’ny fiainakoHamiratra eo foana, sy voahangin’ny tontoloko

Ka tsy ho zaraiko, fa kanto sy lalaikoFa ianao no tena tiako, ahy ka hiambozonako

RakparfaitAnlakely 16 aogositra 2010 @ 3 ora folakandro sy 15 minitra

Page 33: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

‘LAY HAZO

Fa eto am-pototr’ity hazo nialofana iny,ilay nidanika iny, ingahy be masoandro

no miainga moramora, avy ny fahinymandoro mahamay, manaloka ny andro.

Tamberina ao an-tsaiko, ny omaly r’ilay tiakofa kanto iny andro, nifanolorana fitia

ka ny alok’ity hazo, nanafina tsy nahiakoantsika roa nifaly sy sambatra ery.

Dia mbola eto, am-pototr’ity hazono miainga moramora, izany embon’ny fofom-pitiavana, tavela tsy nalazo

na ny lasantsika aza, … lavenona

dia vazivazy marina, ity sary nosokirinatamin’ny vatany, ho mari-pahatsiarovana

f’ity hazo mbola mijoro, ianao izay nirianadify lavitra, an-tanim-piravoana ?

fa eto am-pototr’ity hazo, renoka natoryny lasako omaly, fongarin’ny tsiahyno mampamelovelo, ity foko oriory

mbola mikatsaka hatrany, ‘zay mba anjara ho ahy.

RakparfaitAnalakely 16 aogositra 2010 @ 5 ora folakandro

Page 34: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

EMBONA

Ato anaty fiara ndeha hiasa no indro fa mipoitraNy embon’ny lasa nototofako hangina

Fa ny rivotra mitsoaka no vao mainka mampivoitraNy lasana niainana, tsy mety hampanginina.

Anivon’ireto olona maro toa vonona hiasaNy fofonao tsy foiko, mipololotra manim-pofona

Manenika ny oroko, mamikitra tsy lasaManjohy lalandava, ny adiko sy tolona.

Fa fitaka ny tazana, ny endrikao mitoetraNy manodidina mitsiky, mampahatsiahy ny fahiny

Ny fiara izay mizotra, mampahatsiahy ilay toetran-Tsika tsy mahatombina, mila vaniny iny.

Mahavariana ny embona, aingain’ny tsiahyFa na anaty fiara aza, manempotra fiaina

Resiresi-tory, voarotsirotsy tsy manahyMianoka ny embona sy ny lasa mba niainana

RakparfaitAnalakely 17 aogositra 2010 @ 12 ora atoandro

Page 35: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HISAONA

Dia lamba ny fisaonana no indro handrakotraity foko izay nitia, vontovonton’alahelo

nefa tsy ho mainty na dia mafaitra loatrano hanarona ny fianako sy handroaka avelo

Fa ezahiko ho hafa, tsy ho fotsy akorysatria ny foko naratra tsy maintsy hanolatra

ho vato fehizoro ny foko oriorysy ny sentosentom-poko, tsy omby tratra

Ny mena tsy ho mety na naratra aza ahofa mba nisy ihany ny fitia izay natolony

sy mba niainako izany tia..tsy mba nankalaonanofisako ny ampitso…saingy teo imolony

Ny maintso ary ve fa hoe fanantenanany ampitso vaovao, hitondra rivo-pitsikiana

saingy ity foko, njao mihanahanatsy te-hiova loko na rako-pijaliana

Fa ny any azoko lazaina, hisaona aho alohahangina tsy hiteny, hanofy ny andro lasak’ilay fitia ‘zay toro, halako tsy an-doha

ho vata-patin’ny fitiavako, halevina tsy handatsa.

RakparfaitAnalakely 18 aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 40 minitra

Page 36: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY HANGINA

Fa tsy hangina ity fo izay nikoly ilay fitiaNa marary sy marofy, tolefim-pahoriana

F’ireny lasantsika ireny, dia nanatsara izay ho diaHo amin’ny andro ho avy, hiarahana am-pifaliana

Mino aho fa ny fivavako, izay nasandratro isan’androDia tsy hiveri-maina akory, tsy ho tody any an-danitraF’ilay fitiavako anao, raha mbola misy koa masoandro

Tsy ho faty velively, fa ho eken’ilay Andriamanitra

Fa ireny onja mahery, safotofoton’ny fiainanaIndraindray nandreraka fa nitsatoka tam-po

Tsy nataontsika nahakivy, fa nakana fisainana Hiatrehana ny ady, hiotazam-bokatsoa.

Fa raha fitia akia no hifanolorana ka valiana fitiahisalorantsika ihany koa sy iainana manontolo

Ny ali-mahaory singan-drery, tsy anilan’olon-tianaHo zary lohataona ny ririnim-pitia ho voasolo.

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @ 7 ora alina sy 15 minitra

Page 37: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

LOKO MAINTY

Rakodrakom-pisentoana izany androm-pitiavanaMalomaloka daholo, izay tazanin’ito maso

Kivikivy ny finoana, tokan-doko izato avanaFa jambenan’alahelo, mitsotsori-dranomaso.

Valabalaka ny vatana, tsy natohitra resy an’adyTorovandrovana ny rantsana, toa mihaiky faharesena

Tsy afa-mihetsika fa hana, mainamaina ka mitadyRanomamy hakoriana amin’ny vatana ho lena.

F’izato manodidina, toa zavon’ny fandaozanaMaizimaizin’ny veloma, voatery ka natao

Fa zary poizina fihinana sy natao alaolanaReny lasantsika ireny, na mafaitra aza izao.

Mitamberina toa ako, ny endrikao nihomehyNikarantsana tam-poko, nampitsangam-bolo ahy

Fa mamy akia tamin’ireny, tsy mba nisy izay namehyIlay fitiavana madio, niainantsika samy sahy.

Saingy indrisy ankehitrio, fa vesatra ato am-pokoIlay fitia nifanolorana, ho doria tsy mandrakizay

Eny mantsy, eny mantsy, fa mainty sisa lokon’Izato avana notazanina fony isika tafaray.

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @8 ora alina latsaka fahefany

Page 38: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

INY VOLANA INY

Tsaroako tsy afaka an-tsaiko, ilay isika mba nijerysady nino mihitsy, f’izato endrika nasehony

dia olona mitia, tsy mba niafina nieryfa izao tontolo izao, no zary vavolombelony.

Fa na ny tarany niantefa, nanazava izay malokadia ninoantsika ihany koa fa fanilon’izay ho lalana

ka nampisinda ahiahy, sy nampamarina ‘zay melokatanatin’iny alina iny nisakambinantsika nahalana

F’izato sary nojerena, dia nazava novakianafa tsy olona anankiroa, dia ilay hoe mitoto varyfa tontolon’ny fitiavana, olon-droa mifamihina

an-danitra avo eny, ‘zay tontolo lavorary.

Mitamberina ‘lay teny, voalaza tsy nahy ?fa eny an’habakabaka eny, fiririavan’izay tiaventsoventso moramora : ianao dia ho ahynangorintsina ny sofiko, ilay vatako nalia.

Dia indro aho mbola mijery iny habakabaka inymamisavisa samirery, mahatsiaro ny fahiny

fa kanto ny mitia, tarafin’iny volana inyfihinin’olon-tiana…o ! ry lasa tsisy tsiny

RakparfaitAnalakely 19 aogositra 2010 @8 ora alina.sy 10 minitra

Page 39: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MATORY

Tsy mety akia ny fo, fa mikiry biby ihanyHiaina sy hankafia ‘reo lasana omaly

Norarako fa tsy nety, tsy nahoany na tomany No setrin’ity embona, mitampody mampijaly.

Ny fiemponempony toa sary, sarisarin’ireo adyMandrakotra ny vatako, tsy mahetsika efa resyZary ravina maina, mitady seranana sahady

Hiantsonan’ny fo tia, tsy te hiampita ho etsy…

Noperako mafy hitony mba tsy hitroatraFa efa lasa ireny, tantara tsy hitampody

Fa eh eh !, njao izy mivonto mameno tratraMikiry foana tsy kivy, fa izy mbola hody

Mahery ianao ry foko, resinao koa ny sainaindro mikarenjy, mibalady an-tanin’ny nofy

mikatsaka ilay tiany, safidin’ny fiainananotehirizina an-doha, fandresena ireo rofy.

Dia indro fa asehony, toy ny hita masoireny lasantsika, nototofana ho tantara

indrindra ianao ‘lay nitsiky, novaliako andraso‘zao mba nitia, gina tsy nahita ambara…

teo anilanao fa nanonofy, tsy nety ninof’ianao ilay nosainiko, hiankinako tia

no indro sakambiniko…malefaka fiteny: fihinozato vatako anao, r’ilay tiako doria

aoka re ry saiko, fafao izato sarymitoneha koa ry fo, aoka ny tsiahy

fa mamy ireny ka mamy, aok’izay sao maharary‘lay fitiavako manolatra, avelao ho ahy.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 3 ora sy sasany

Page 40: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

DIARY SY TAHIRY

Dia nody indray ‘lay masoandro, mangingina ny tontoloIndreny miara-dia mikopak’elatra, andiana tsirirySaingy kosa ato anatiko, injao manangatra daholo,

Izy mianakavy, dia i Diary sy Tahiry.

Ito taratr’andro, miantefa faramparanyHakana hafanana, ho enti-miatrika ny alina

Lasa lavitra ato anaty, manazava izay ho lalanyHipololotra moramora, anaty fahatsiarovana lalina

Tsy fantatro mihitsy, na i Diary na TahiryIzato manao amboletra, mampitsinkafona ny lasa

Valalanina ny foko, fa ny embona mitsiryMahatsiaro ny omaly, ventsoventso sy fikasa.

Hilaza aho hoe Diary, ‘zato tonga mampahatsiahyNy lalana nodiavina, niarahana niharitra

Dia ny fisentoana mangina, tsy mba nety sarak’ahyVoasoratra an-taratasy, kalokalo tsy mba ritra.

Nefa izato sento iainako, volombolom-pahatsiarovanaVoarakitra mihitsy, no tsy ananako firy

Tsy lavitra fa akaiky, matoa ny foko torovanaInoako mihitsy io, dia ekeko fa Tahiry

Saingy indrisy, saingy indrisy, na Tahiry na DiaryIzato mampirotsaka rano, mitsotsorika amin’ny tavako

Dia ianao ‘lay lasana iny, no tontoloko voaaryHilasian’ny fitia, hokaloin’ito vavako

Fa ny andro izay niarahana, noraiketiko an-tsoratraAntontan-taratasy maromaro, maneho ilay mba nitsiry

Natambatambatro ho boky, ho Diarin’ilay naratraHo fahatsiarovana anao sy ‘lay fitia voatahiry.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 7 ora sy 12 minitra

Page 41: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

SAINA

Fa adala hoy aho ny saina, tsy mba mahatombo-tsirakaFa na rivotra mandalo, eny hatramin’ny bozakaHanehoany lalandava sary, olona iray nofinidiny

Tsy lasan-davitra mitoetra, mbola ao foana, tadidiny.

Ny volana baliaka an-danitra avo, maneho fenomananaLokolokoiny ho sary, endrikao tsisy mpanana

No indro havoitrany anoloako, ho tsapain-tananaHampitony samboaravoara, r’ilay nekeko ho namana

Ito ravina misidina, sara-taho entin-drivotra malainaDia ‘lay lambanao mihitsy, notsiriritiko halainaSaingy ny rivotra nitsoka, nitondra azy lavitra

Ny tanako nitsotra, nisarika finaritra

Fa adala hoy aho ny saina, tsy ampoizina akoryMandefa sentosento, indraindray tena mahaory

Rehefa tokana iny aho, ka lasalasam-boronaDia hatodiny hahatsiaro, ilay fitiavana natao sorona.

RakparfaitAnalakely 21 aogositra 2010 @ 7 ora sy 40 minitra

Page 42: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

IZAHO IRERY SISA

Izaho irery sisa akia, no mikalo ireo hira fihiranaoMiezaka mihira miangola, saingy indrisy ranomasoNo gadon’ilay hira nankafizina, nandrotsirotsy anaoTeo an-tratrako nihanoka, tsy nahalala hoe andraso

Fa kanto akia iny hira iny, hiangolan’ny feonaoNampangovitra fanahy, nampiakatra ny ventsoSaingy izaho irery sisa akia, no miezaka manao

‘lay feonao lalaiko, nanidinako tsy ho teto.

Fa na ny tonony aza, ilay tsy afaka am-bavakoIlay fanonoko rehefa, eny an-tanin’ny nofyTsy tsaroako intsony, lasanao re rahavako

‘lay andalana kanto indrindra, fiarahana mitosy.

Dia izaho irery sisa re, r’ilay hany notiavikoNo miventso ilay hiranao, noforonintsika

Nefa efa trotraka, saingy hitanondrika ho lavikoHo hafanaiko ny ho avy, tsy avelako hangatsiaka

RakparfaitAnalakely 23 aogositra 2010 @9 ora alina sy 15 minitra

Page 43: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FIVAVAKO

Fa raha vao mifoha aho, ka manandratra ny fivavakoDia ny sarinao, ny fitiavantsika no tonga ao am-bavako

Tononiko hatrany sy hampiakariko any an-danitraHo tafita sy voaray ka ho eken’ilay Andriamanitra

Ny andro izay misandratra, hanatontosako izay lahasaDia hapetrako tanteraka amin’ilay tompon’ny asa

Fa ny fitiavako anao, ilay tsy lefy ato am-poAntom-pivavahako manokana sy hitafako amin’ilay Tsitoha

Mahery ka manempotra, ezahina ihany ny hamehyNy fitiavako anao, mba ho tsiky ravahana hehy

No hameno ny androko nefa, fantatro ny ady ato anatyKa vao mifoha aho, manandratra ilay fitiavana tsy maty,

Ho ren’ilay Andriamanitra, izay fitiavana tokana mandidyFa ny fitia izay nokoloiko ho anao, vita sedra ka safidy

Tsy ho an’alinkisa maro, fa singa tokana voafaritraFihiniko ato an-tratra, hasandratro ho ren’ny lanitra

K’isan’andro vao mifoha, injao anaty fivavakoMisoka moramora, velon’aina ihany koa ‘lay fitiavako

Miara-miakatra amin’ny tonom-bavako, ilay tokana ato am-poRahoviana re ry Ray, rahoviana no ho ekenao tokoa

Ny hiarahanay mba ho finaritraFa nekenao ‘lay fitia, ry Tompo Andriamanitra ?

RakparfaitAmbolokandrina 24 aogositra 2010 @ 7 ora maraina sy 15 minitra

Page 44: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ERITRERITRA

Niezaka aho ny hangina, tsy hieritreritra faireny lasantsika ireny, tsy mba hisy izay hitoetra.

Ho zavona tratr’andro, ka handena ito sahaKa ho tany karankaina, ny fontsika tsy nifametra

Sarotra ny hino, fa mbola hisy fanadinoanaraha ny embona sy sento no sakaiza tsy mahafoy

na hanolatra aza ity fo, ito saina dia mino,fa ny rivotra iainana, hitondra fitiavana matoy

Angamba mety ho hafa, tsy hitovy aminaony tontolo izay ho avy, iza no mahalala

fa ny azoko lazaina, tena tsoriko dia izaombola hafa ilay omaly, r’ilay tiako malala

Hafa mihitsy mantsy ireny, lasantsika irenySarotra tahafina, eny mety hisy ny mitovy

Fa teo anilanao aho, tena tsy ampy, hoy aho, ny tenyFa mamy sady kanto, te-hiteny aho hoe tsarovy

Rediredy sisa lazaiko, fa matoa ianao no lasaTsy mba semban-drahona intsony, ny fitiavantsika roa

Fa rano be mikoriana, tsy hay tohaina ka nanasaIzay mba niarahana rehetra, ka lasana avokoa

RakparfaitAnalakely 24 aogositra 2010 @ 4 ora folakandro sy 50 minitra

Page 45: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ESO

Zary eso ato am-poko, mankararirary ny fanahyIreo teny hoe “mamy”, nifanolorana fahinyTsy tantiko mihitsy, fa mandreradreraka ahyMahasavolaina, mandrakotra ny ankehitriny

Te-hivadika voambolana, hiantsoako izay malalaTsy hampiasa intsony, ireo izay fitenintsika

Tofoka tanteraka aho, ary aleoko tsy mahalalaIzay mety ho lazaina ataonao mety ho bitsika.

Fa ho inona moa ankoatra izay voalazaTamintsika niaraka ireny, no mbola tsy fantatroFa izaho tena tia, saingy ianao toa mbola zaza

Manao kilalao, manokonoko toa katro

Anio tiako ianao, avonavona omalyRehefa eo akaiko indray, o ry tiako malala

Nefa anie ‘zato fihetsika, ‘zay lazaina misy havalyTsy fantatra intsony, fa mampisalasala

Ka aleoko miova, hamadika ny pejyTsy haditra akory, ka ndeha hiofo toy ny lolo

Fa ito foko naratra, tsy ho sakana tsy hikarenjyMba hitady ilay tiany sy ilay mba mety hisolo

RakparfaitAnalakely 25 aogositra 2010 @ 1 ora atoandro sy 30 minitra

Page 46: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FANILO

Fa jiro mitsilopy, no manazava zato efitraMiezaka ho fanilo, hijoro tsy hilefitra

Na avenavenan-drivotra, ato anaty aizinaMikiry hatrany tsy manaiky, tsy azo laizina

Fa na taratra kely, hazavana mitsilopyNo mba hananany hiady, dia mijoro mahatoky

Mba ho fanilon’ny aizina, hanazava manodidinaHianteheran’ny tontolo anaty fahanginana

Fa am-poko ao koa, misy jiro mba mirehitraMitsilopy anaty embona, tsy manaiky tsy mandefitra

Mitsilo lalandava, izay lalana hodiavinaHitaratra ny ho avy, handresy zato aizina

F’ity jirom-pitiavantsika, mbola arehitro eto foanaArovako amin-drivotra, mety hitsoaka hanafoana

Izato tara-pitiavana, nanazava hatrizay‘lay fitia nifanolorana, tsy nandoro na nahamay.

Ho fanilo hanazava, izato lalana ombanaDia ireo dina nifanolorana, ny voady tsy hangalana

Fa na nitsilopy aza, ny ho avy tamintsikaDia ny hazavana entiny, hamiratany hibaliaka

F’ilay fitia nifanolorana, no fanilo tamintsikaMirehitra lalandava, ao am-po tsy mangatsiaka

Ny hafanan’ireo teny, nokasaina ho doriaNy tontolo iainantsika, dia tontolon’ny samy tia.

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 27 aogositra 2010 t@ 5 ora folkandro sy 45 minitra

Page 47: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

LAINGA

Lainga fotsiny ny hoe, hiezaka aho hanginaFa ato anatiko ilay feo, mikiakiaka anao ry tianaTsy voasakana hampanginina, hanadino ny omaly

Fa injao mitroatra foana, mitomany mampijaly

Raha vao mitamberina, ato an-tsaiko ny endrikaoKa mitsinkafona ‘lay sary, ireo lasa mba nataoDia mikiry manadino, mati-kambo tsy hahalala

F’ity fo injao mitroatra, miantsoantso hoe malala

Fa sarotra ny manadino, na dia hoe mafy azaNy niarahana farany, fa toa voalobo-jaza

Ny fitiavana niainana, hatrizay nosintoninaDia omeko ihany indray, ‘lay fitia tsy nokobonina

Ireny rehetra ireny, no hilazako fa sarotraSy lainga ny hilaza hanadino tsy hiady varotra

Sao mba misy hirika ihany, hiverenana tamin’ny fahinyFa sarotra ny mamafa, ireny lasantsika ireny

Fa lainga ny hitenyHo adinoko ireny

Fitia nifanomezanaMamy ireny fa tsy nateza

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 27 aogositra 2010 @ 1 ora maraina

Page 48: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FARA VODILANITRA

Indro dify ambadik’ito havoanaIlay masoandro, mpanjakan’ny hazavana

Mandefa faramparany, izato tarany fa hisaonaNy tontolon’ny hazavana, hodimbiasina tsy tana

Rivodrivotra mangatsiaka, no injany mitsokaMampitsangam-bolo ahy, hitady hafanana

Anatin’izato aizina, tonga mora ka mandrotsakaFahanginan’ny voary, hisentoan’ny tsisy namana

Indreo ireto rahona, mitara-bolamenaMitsitokotoko mitandavana, tsy taka-maso

Mampahatsiahy ny any lavitra sy ‘lay tokana nekenaAnaty embonembona, entin-drivotra manasohaso

Fa manina hono hoe ‘lay tokana an-tany lavitraKa misento samirery, mahatsiaro ny tanàna

Izay nilaozana an-tomany, fa mbola hiverina finaritraEo anivonao ihany, marary tsy tamana

Fa any ianao r’ilay tiako, ‘lay tokana malalakoEto am-pitazanana iry vodilanitra iry

Ary te hamihina ilay vatanao ny tanakoHifanolotra fitia, kilalaon’ny fahiny

RakparfaitAndranofeno (Ankazobe) 28 aogositra 2010 @ 5 ora folakandro

Page 49: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AOKA RE !

F'ireo teny nolazainy, tsara rindra avokoanampiesona fanahy, saika raikitra am-potsy lainga f'efa roboka, falifaly aok'izany

fa nihevitra mihitsy, fa dia tokana aman-tany

Fa ny gadon'izany feony, toa vorona mikalosiotsioka vao maraina, mampiherika mpandalodia nisonenika nihira, nampitovy tadin-dokanga

teo am-pihirana teo, teo vao hita fa janga

Ireny visavisa nolazaina nivoaka imolonytsara rafitra aok'izany sy tonga dia natolony

saingy indrisy fa tsy nety, indro kely, hoy ny mpandrafitrafa raha ilay fitiavako tsy omeko, ho voageja sy voafatotra

Fa dia teny ireny dia teny, namboariny ho lazainahandokoana aizim-pito, hanofisana maraina

ho misandratr'andro tsara, handrohizana kofehyny andro rehetra ho avy, ajanony, aoka re !

RakparfaitAnalakely 31 aogositra 2010 @ 10 ora sy 44 minitra

Page 50: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

VAO MARAINA

Fa vao nifoha maraina dia ianao no tao an-tsaikor’ilay tokana notiaviko, ‘lay tokana lalaikotsy anilako hofihinina, an-tany lavitra anymiarina malaina aho, malaina aok’izany

Firy andro no hiandrasako, mety ho amam-bolana ve ?fa hiarina maraina, ka tsy ho afaka handre

‘lay feonao mozikako, manafosafo ny fanahyhifohazako malaina, hampavitribitrika ahy

Ireto bodofotsy ‘zay fitafy, nampafana antsikaizaho irery no koboniny, hafanainy tsy hangatsiakamampahatsiaro ireny lasa, nafeniny tsisy hahalala

tsiambaratelon’ny fitia, tehiriziny tsy miala.

Rehefa iny aho ny alina, mahatsiarotsiaro anaote hamihina ilay vatana, notiaviko hatramin’izao

dia ito ondana iray, ilay lavalavantsika inyno fihiniko mafy, ondana tsy manan-tsiny

Dia injao fa mitosaka, ilay fofona tahirydia ilay mena-bolonao, tsy mba fahita firy

no mampîakatra ny sento, sy ny embona matoryhanenika ny oroko, sy ilay foko oriory

Dia indro tazako ianao, anaty aizim-pitomialoalo mampifoha, anaty fahanginana

mampisinda torimaso, toa miantso hoe itony tanako raiso, ry malalako fihinina

fa dia izaho irery sisa, no indro mifoha marainavalabalaka vizambizana, hanatontosa ny adidy

f’ilay fanaoko isa-maraina, d’ilay vavaka tsy sandainasaika adinoko raha tsy ny embona anao no namerina tadidy

RakparfaitAnalakely 02 septambra 2010 @ 02 ora folakandro sy 20 minitra

Page 51: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

VATO FEHIZORO

Ito vato izay nipetrahana, fony nandalo teto isikaValabalaky ny dia, niato nitady fitsaharana

Dia indro mbola eo, tsy lasana, tavela toa vatofantsikaHitahiry ny andro rehetra, ny andron’ireo mila namana

Isika koa mba isany, nanamarika ny fiainanyNanamafy orina ihany koa, izato toerana nipetrahany

Saingy izaho irery sisa, indro mampahatsiahy ny fisainanyF’ilay namako iny mantsy, efa dify lavitra zany lalany.

Tsaroako ‘lay vazivazy, nifanaovantsika ho dinaFa tsy ho fasika ny fitia, ho mafy fototra fa vatoKa eto ambonin’ito seza ito, no afatotra ry tiana

Ny tadim-pitiavantsika, tsy hivaha, tsy hiato

Fa ho vato fehizoro, hanorenana ny ho avyIto vato ito, hifanolorana ireo voady

Ka na inona midona, tsy hamparary, tsy hampanavyFa izato dina nifanaovana, no ampinga enti-miady

Fa dia izaho irery sisa, no indro mbola miverinaMipetraka maminany, ireo andro izay nodiavina

Amin’ito vato mangatsiaka, toy ny vatom-pandevenanaIreny lasantsika ireny, efa maty ka nalevina.

RakparfaitAnalakely 02 septambra 2010 @ 03 ora tolakandro sy 30 minitra

Page 52: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HIVAVAKA

Hivavaka aho ka hiantso ilay Ray any ambonyFa tsy maintsy ho Hainy ny hanasitrana ity fo

Inoako mihitsy, fa na latsa na lonjonyHo voafafa daholo, ho voasolo avokoa

Fa marary ity foko, eny mahatsiaro mijalyFa sarak’olon-tiana, ‘lay notiavina tokoa

Nefa moa raha tsy anjara, ‘lay Ray hampifalyHanome andro vaovao, hifalian’izany fo

Na hikiry aza aho, Izy mahalala izay mahasoaHikimpy hiroso ihany, amin’ny lalana tsy fantatra

Na ho azo aza ilay niriana, hampifaly ity foRaha tsy eken’Izy Tompo, fitiavana an-dratra

K’hivavaka aho fa mafy, fa atao ihany ny mitiasy hanadino iny olon’iny, ho fafana ao an-tsaina

ho tononiko ihany koa, ilay vavaky ny tiafitalahoan’olon-dresy, manantena ilay maraina

RakparfaitAnalakely 04 septambra 2010 @ 1 ora folakandro

Page 53: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NDAO HANDIHY

Efa nangatsiaka ve ilay fo izay nitiano dia avonavona no hasetry ito tsiky

fa tsy nisy mihitsy, fony isika niara-diasombitsombim-pifaliana, fa toa fankahalana no mikiky ?

ito endrikao ilay vola-baliakan’ny fokotaratra hasambarana izay niainana anaty

zary malomaloka tarehy, hianjadian’ny tolokono lazain’ito foko, resy miantso faty

zary toa hantsana makadiry tsy hay hiampitanany omaly sy ny anio antsika, hiainana

fa toa nofinofy ireny isika roa, nifampitantanamandrotidrotika fo tsy mety eken’ny fisainana

iza no diso izaho ve sa ianao, nampisarakasa ny vintana na ny anjara no tsy laitra

fa sarotra ny hino fa isika roa tsy afaka hiarakadia hamarana ny dia, ny rovitra tsy ho voazaitra.

Koa ndeha izany havako izany, atao ahoana moaIzato endrika toa vinitra, ndeha hihatsaravelatsihyHo rakofan-tsiky, na dia lonjony aza ny ao am-po

Mba ho endrika sariaka no hiarahana, ndao handihy.

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 09 ora sy sasany maraina

Page 54: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NANGINA ILAY FEO

Fa nitsahatra ilay feo Fiventesany ilay hoe tiaKa fahanginana no injao

Mameno ny tontolon’ny fitia

Fa na ny akon’ny hehyIlay nampitombo ilay fitiavanaDia sina ihany koa toa voafehy

Tsy hitamberina ho namana

Fa fahabangana no sisaAnilako eto tsy mahasarakaMampahatsiaro paradisa

Nofinofy tsy tanteraka

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 12 ora sy sasany atoandro

MAHAJANGA

O ry Mahajanga, tsy ho adinoikoNa inona hitranga, efa ato am-pokoFa firy taona aho no nikolo ilay fitiaRaha tsy teo ianao, tsy ho tafara-dia.

F’ilay tiako iny, ilay niriako hatrizayNy torapasikao, nampangotraka, nahamay‘lay fitiavana tahiry, nokobonina an-tratraNosafosafoinao malefaka, k’indro tsy tratra

Niantoraka taminy, niantefa tsy hoe tsy nahyFa tojo ilay tiana, niantsampy tsy nanahyNibitabitaka tsy tana, falifaly aok’izany

Page 55: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

Fa indro anilako eto, ilay niriako hatrany.

Anatin’ny alin’ny nofy, ventsoventsoNo valianao tsio-drivotra, nandroaka sento

Ito moron-tsirakao, tototr’olona falyTonga fanafody, ho an’ireo mijaly

Ito onjanao atopatopan-drivotraMalefaka manamando tsy rototra

An-taona maro ito torapasikaToy ny fitiavako, midadasika

Hanenika ny tenany, hameno ny bangaFa tiako ianao, tena mamiko ry Mahajanga

Fa tanteraka ny nofy, tsy mba sary ilay nirianaFa ito anilako eto, ilay efa nantsoiko hoe tiana

Na hody aza aho, hamonjy ilay akanyHitsinjaka ho faly, atao veloma ny tomanyFa efa ahy ilay niriako, nanaiky ho malala

Ry Mahajanga ny foko, am-poko ianao tsy miala.

RakparfaitAnalakely 07 septambra 2010 @ 01 ora tolakandro

Page 56: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MIONONA !

Fa inona moa no ho azoko atao,fa raha ianao ilay nantenaiko no toa indro

toy ny fatana eny lavitra, tsy anilako eofa dia fo mangatsiaka, afo lavitra hamindroana

Nanantena aho androany, niandry teto foanatsy mety mino mihitsy, fa ho vitanao

ny hikosoka hamafa, hampanjary ho moana‘lay horakora-tsika ireny, rehefa milalao

Mitamberina ato an-tsaiko, ireo eson’ny namananitsiriritra ilay fitia, nezahantsika tsy ho vakynieboeboako mafy fa tsy hisy koa ny lalanahidiran’ny tsy tia, ary hahazoan’ireny laka

Fa dia tratra aho izao, manaiky fa misyny ambadikin-tsika, tsy mbola nisy nahalalafiry taona no niarahana, no toa dia indrisy

no teny hivoaka ny vavako, hasolo ilay malala ?

Tsy maintsy miaiky, fa mbola tsy fantatro ianaona dia teo anilako foana, nifamboraka ny tao am-po

f’izao vao tena tsapako, fa olon-kafa ilay teoanilako notiavina, nantenaina hitondra soa.

Tsy hikiry aho mbola hitia, f’efa fantatro f’efa lasaIanao nandrasako, efa lasa niampita onyTazako ato an-tsaina, tsinjoko manasa

Amoron-drano ilay fitafy, tsy hisy fofoko intsony?

Ndeha hody zany izaho, f’efa dify ity masoandroHitondra samirery ny alahelo ato am-po

Manantena kosa anefa fa mbola hisy ny androHitatazako ny mamy, higoako ny soa

RakparfaitAnalakely 09 septambra 2010 @ 07 ora alina sy 15 minitra

Page 57: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AOKA ALOHA

Tsaroako ilay teny, mitotoa koba hatavyFa tsy ho very an-kazo tokana ianao akory

Te hihomehy aho, raha mba fantatr’izy ireny fa ny ho avyNo indro fa nafoy, tsy azo atao hoe sambory.

Te hiezaka aho ny hino, fa hisy fanafodyEntin’ny ampitso, tsaratsara noho ilay teo

Fa ny fantatro aloha, dia malaina aho ny hodyHamoha varavarana, ka ho gina tsisy feo.

Ilay tontolon’ny omaliko, nanamboarako ny ampitsoNokoloiko tamintsika, nandreseko ady mafyDia hilaza ilay feo, fa tsy misy tsy ho diso

Ilay fitiavako ve ? tena kanto gasigasy.

Rehefa iny izahay tafaraka, tsofin-drivotra malefakaIreto volony olioly, haevaevan-drivotra

Ny ao anatiko ao injao, tsy tafatombina tsy mipetrakaBitabitaka aok’izany, velon-kira miovitrovitra.

Izany bikany ve re olona, bakobako aok’izanyMilatsilatsika famindra, mampientana fanahy

Mampanadino ny tontolo, fa eto anilako eto ihanyNo paradisa eto an-tany, tsy misy mampanahy.

Koa aza mbola hiresahana teny fampiononanaIty foko vao nitia, nilaozan’olon-tiana

Fa maharary ahy loatra, ny hanadino hanafoanaIreny lasanay rehetra, ho tontolom-pahoriana.

RakparfaitAnalakely 10 septambra 2010 t@ 2 ora folakandro

Page 58: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ILAY PENINA

Fa lany sy ritra ny ranomaintin’ity peninailay tokana namako, nilazako izay nafeninad’ireo alahelo maro, nokoboniko tao am-po

tsy nisy nahalala, nosoratany avokoa

ireo fifaliana niainako, naha-maitso ny tontolotsy nahalalako fijaliana, fa fitia tokam-bolo

no noraiketina an-tsoratra, notehiriziny ho ahynovakiako rehefa iny aho, mitady ho resy ka manahy

izaho ilay kivy reraka, nitsinjo faravodilanitranifandao vetivety tamin’ilay malalako hanitramameno ny tontoloko rehefa iny aho manireryizy nanoratra teny kely : azy aho, izy ahy irery

ireo adiadinay nitarika fisarahana, noraiketinyan-tsoratra ho tsiahy, am-pitsiky ny tarehiny

fa laro ny fiainana ireny, sedra ihany koahitsapana hoe hatraiza, ilay fitia ao am-po

fa mba nisy ihany koa, ny fotoana indraindraynitokona tsy nanoratra, ity namako hatrizayrehefa iny aho sendaotra, tsy mahatsindry fo

entanin-katezerana, ka mavesatra ny loha

tsy fantany intsony izay ho raiketina ho tsiahy'ty zaho malahelo ve sa ny fijalian’ny fanahy ?

indro izy mitoetra, tsy mahetsika ambony latabatramiara-ory amiko, gina sina fa mahafantatra

ny anton’ity ady anaty, mahasendaotra ahyfa adim-pitia, matetika alahelo ahiahy

f’ilay tokako iny, lasan-davitra tsy anilakoka marary aho, tsy mahafantatra ny lalako.

Fa efa maro no nosoratany, pejy maro voatahiryfa vitsy no namaky, ireo ventso tsy fahita firytsy nekeny ho soloina, na printy na solosaina

ny ranomainty nakorisany, fa ventso tsy zaraina

Nefa indrisy fa tsy maintsy, fa ritra ilay ranomaintynamelona azy teo, nandraiketana izay tsy tanty

koa indro fa ho soloina, ranonaina vaovaohandrakitra an-tsoratra, izay ady mbola atao.

Page 59: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

Tsy ho hariako akory ianao, r’ilay penina tsy foikofa hovelomiko indray, fa nanaiky tsy niova loko

hanoratra ireo fifaliana sy ny sento izay ho diavikodia ny tontolom-pitiavako sy ny ampitso ho aviko.

Ireo nofinofiko an’alina, revirevy tsy mbola fantatraizay tiako hotontosa, mba ho tontolo tena fatratrany ampitso hiarahanay, izay ho diarin’ny fiainako

ho soratanao ry penina sy izay mameno ny fisainako

Ka mifalia ry penina, r’ilay namako tsy mahafoyfa mbola hiaraka isika, handrafitra ny tantaran’ny fo

ilay nofo kely anaty tratra mitahiry voatsinapyhovokisana finoana, hiara-velona tsy ho faty.

RakparfaitAnalakely 17 septambra 2010 @ 5 ora folakandro

Page 60: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NY MASONAO

Fa toy ny volana baliaka, anaty aizim-pitoIto masonao mijery, anivon’ny takolaka

fanilo hafa mihitsy, vitsy no mahitany hakanton’ny tarany, hazavana miantoraka

fa ny aizin’ny tsiahy, sokafam-bentsoventsotarafin’ito maso, mitahiry fahatsiarovana

dia indro fa tazaniko, tsy lavitra fa etoanilan’ny anio, tomorim-pandalovana

ny lasa voatahiry, nokobonin’ny fonafenin’ito maso, baliaka lalandava

ampangain’ny masonao, manafina tokoaireo ady nolalovana, ho fanilo manazava

‘lay sento nitamberina, nampirotsaka tomanynezahina nafenina tamin-tsiky sy ny hehyd’izato masonao mitsiky miezaka hatrany

mampifaly ny ao anaty hahakanto ny tarehy

tsaroako ilay tsianjery fony mbola zazasy ny dobo manga roa, taratry ny ao am-poizao vao tena tsapako, rehefa tojo ny sahaza

fa ireto masonao, diarintsika tena soa

saingy izao anefa, ireto masonao baliakafiafenako rehefa iny tojo hakiviana

mba semban-drahona ihany, tsy ora-mangatsiakahafanain’alahelo fa lavitr’olon-tiana.

RakparfaitAnalakely 08 oktobra 2010 @ 4 ora folakandro sy 10 minitra

Page 61: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HABAKABAKA

Malomaloka ny andro, tandindonin’oranaMafanafana manempotra, maina rivotra mitsoka

Sempotsempotra embonembona, tena hana mahatoranaAlokalok’olon-tiana an-tany lavitra mampisioka

Maizimaizina ny tontolo, mihilan’andro ho alinaKopak’elatra tsiriry, mifindra lasy tsy tamanaKaikikaikitra tsiahy olon-tiana mahamanina

Tontolo sina mampangovitra, singan-drery tsisy namana

Hovitrovitry ny fo entanin’alahelo miloatraHeni-pitiavana tokam-bolo, fotsy tara-pahazavana

Manaka-danitry ny nofy, fitiavana mitroatraManenika ny vatana, safononoky ny fahafahana

Fa ambadiky ny havoana, lavitra tsy taka-masoMialoalo ny omaly, tambesatry ny tia

Miandry mafy ‘lay malala, tsy mety resin’ny ankasoElanelan-kasomparana, ho resena ho doria

RakparfaitAnalakely 23 Octobra 2010 @ 3 ora sy telo minitra

Page 62: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TANTARA

Ringidringitry ny fiainana, ‘lay fitia nifanolorananiaritra adim-piainana, indraindray toa novolena

noresena tamin-tsiky valabalaka hasosorananefa dia niaraka ihany nitady famonjena

Rovidrovitry ny rivotra nitsoka mafy toa tadionanilika tahirim-pitiavana voatahiry mitampify

tanaty fo misalasala manaiky resy ny aniomanantena ny ampitso na dia fitiavana manify

Bemiraim-pitiavana no indro fa natambatrahamerina indray ilay hafanana niainana fahiny

vitrambitrana nalahatra, antenaina hahasambatraito androm-pahanterana, efa iainana ankehitriny

Tokotokom-pahatsiarovana, volavolaina ho irayatambatambatry ny sento, ho tontolo tsara

vesabesatry ny fiainana nandoro sy nahamayny omaly, ny anio, ny ampitso…bokin’ny tantara

RakparfaitAnalakely 27 Octobra 2010 @ 12 ora atoandro

Page 63: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

LASAN’IZY

Halamiko ny foko, tsy hitroatra intsonyHiantsoantso ilay notiavina, hikiakiaka mbola tia

Fa lasan’izy mantsy, nodioviny ny foTsy hisy ny tavela, ny lasa fony nifankatia

Zary toa kely ny lalam-pofonainaIainako isan’andro nony lasa izy

Tsy haiko intsony, fa toa zavona marainaNo tazan’ito masoko manao hambozizy

Hitazana iny lalana, nodiaviny faramparanyManantena topi-maso, na kopakopa-tananaFa lasana izy iny, nitondra ilay tantarany

Ny ahy navelany eto, ho sakaiza sy ho namana

Dia sentosento foana, tsy laitra hampangininaZary vady andefimandry, tsy mahasaraka amin’ny alina

No mameno ilay toerany, tsy azoko fihininaAnaty alina mangina, mangeja mahafanina

Fa na dia ho sento, no sakaiza tsy mahasarakaSary hitoetra, hambomba izay ho diaviko

Tsy maintsy mitraka, f’ilay mamy tsy mba rarakaDia ilay mba fitiavanay, tahiry tena mamiko

RakparfaitAnkadivato, 25 novambra 2010 @ 08 ora sy 35 minitra

Page 64: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY ALOKA

Tsy aloka miserana, hambomba hainandroIlay fitiavantsika mamy, nitampikitra tsy niala

Fa tandra vadin-koditra, namana alina sy androDia haingo sy bika, vitsy mpahalala

Na satritsika aza izao tontolo izao hahafantatra,Ilay fitiavana niainana, nokombonina tanaty

Dia sarotra lazaina, fa mety ho maro mpisompatraIlay fitia nifanolorana, velomina tsy ho faty

Nentintsika ny andro, ho ravaka harentyHamirapiratra fanantenana, hiambozonana doria

Nefa natahorana hisy haka ka zary vetivetyNielatra tazanina, hazonina malia

RakparfaitAnalakely 30 Novambra 2010 @ 3 ora folakandro

Page 65: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ADALA VE NY TIA

Adala ny tia, tsy mahalala avonafa na hiafenana aza, misisika ihanyvery saina ve sa ilay fitia efa lavony

fa mijoro tsy amin-kenatra, mifika ny tomany

Ny sarin’ny lasa, tampikirana mafymikaroka hamamiana, ho enti-mandresyalahelo ny omaly, tsy hitamberina ho avyfa nalevin’ny fony, mihira fa mpandresy

Izay teny kely, mba nalefany ho setryny antso mba natao, noheverina fitia

hay takon’avona miery, mametsyny fo mbola tia, marary sy malia

adala hoy aho ny tia, manofy vorona an-danitranolalovany dia hendratra, namorona vohitra hafa

nefa dia aloka niserana, izay niainana mba manitrafa nentin-drivotra nisinda, hamonjy toeran-kafa

hatraiza ny adala, no hametra ny nofinysy tsy hihevitra ny nofy, fa ho tanteraka

fa harary anaty irery, hisento fitia nahifinyhitampikitra amin’ny fitia, vizana sy reraka

hisedra avona mantsy, hitsena sakanaraha hikiry hitia, hamboly rivotra

ho entin’ny tadio, faohan’ny fandavanahangasihasy samirery, hafana hangovitra

hihevitra fa mbola ho tiana, dia ho sahyhiantso foana tsisy farany, hanantena hisy hamaly

ho vizana hitazana, izy tsy ho avy lahyfa vohitra hafa no tontolony, ianao no hijaly

ka hijanona hitia na tsy hamaly aza izysa hikiry hanadino na marary aza ny fo

fa ny adala mantsy, hono, lazaina mpanao hambozizysa ho hendrin’ny fitiavana, hiriaria amin’ny toloko ?

RakparfaitAntsakaviro, 18 Desambra 2010 @ 12 ora atoandro sy 15 minitra

Page 66: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FAHALEMENA VE ?

Te hiezaka tsy hampiseho fahalemenaity foko izay nitia, te hijoro ho matanjaka

saingy vao mielatra ny tsiahy, tsy azo terenany fidobony mandratra, injao fa mihanjaka

Ilay fitiavana nokoboniny, nanofisany tontolonezahina totofana tsiky sy hehy ivelany

fa mbola azy ilay fitia, tsy banga manontolotsy hanombinana na kely, tsy tapany fa erany.

F’izay atao rehetra, misy tandindony avokoana ny soratra soratana na ny teny vakiana

mampahatsiahy ireo angola, nipololotra avy ao am-pogado-kiram-pitiavana, tonga ho azy nahavariana

Fahalemena ve no mbola mitia, na ho fandavana azano ho setrin’ny hira ventesina sy mbola kaloinafa sarotra eny mantsy, ny hikosoka dia hilaza

fa efa lasan’ireny, ka ndao ilay fitia ho vonoina.

RakparfaitAntsakaviro, 21 Desambra 2010 @ 10 ora sy 48 minitra maraina

Page 67: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

SASAK’ALINA

Fa na maizina aza, ny tontolo manodidinatoa lokon’ny fisaonana, fandaozana mahory,

ny foko izay nitia, tsy hay hampangininafa miantso foana, ilay malala tsy hatory

Hiantsampy an’habakabaka, anatin’iny alinahitodihan’ny eritreritr’ireo lavi-tiana

mba hihaino izany kalo, fitia tena lalinahingaim-betsovetso, lasa lavitra variana

Miverina mitety, ireny habakabaky ny omalyizay tontolo nifaliany, nasandratry ny fitia

tsy te-hiverina an-tany, f’izato iainana mahafalysaingy tsy lasa lavitra fa mbola eto am-pandriana

na mikimpy aza, ireto maso mba nijery‘lay endriny kanto, namoronana hira

An-tsaina foana ilay tsiky, ny bikany ilay nahaveryHisedra fahanginana, ho kely tsy hakadiry

F’ity torimaso natao hialana sasatraIndro fa lasa, dify anaty vetsovetso

Zary fahavalo, tsy namana, marary izany tratraHavadibaky ny sento…manimanina tsy eto

RakparfaitAntsakaviro, 22 Desambra 2010 @ 10 ora maraina

Page 68: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY AMBARAKO

Ilay foko nitomany, nitady ilay silanyniefonefona fidoboka, marary tsy anilanykoboniko ihany, afeniko na tsy zakako…

ny sentony….

TSY AMBARAKO

Ny alina mangina, ilay fanaingako nofyfitsinjovako anao, indro mitondra rofy

mampivadika am-pandriana, eny tsy zakakony akom-pitiavana tsisy…..

TSY AMBARAKO

Ito ondako, vonton-dranomaso mikorianafihiniko malefaka, sao ny ventsoko hanginasy hitony fa mafaitra, ny alahelo tsy zakako

ny torimaso lasa….

TSY AMBARAKO

Ny foko mitomany, ny alina manginany ventsony mankany, ny ranomasoko mikoriana

ny alahelo ilay tiana, eny mafaitra tsy zakakoho koboniko, afeniko ….

TSY AMBARAKOR’ilay Malalako

Fa anjarakoKa ho tazomiko Rahavako

RakparfaitAntsakaviro, 07 janoary 2011 @ 08 ora alina sy 20 minitra

Page 69: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MITOMANY ILAY FITIA

Ny orana mikoriana, toa ritsoka an-tafon-tranoNy volon’andro maloka, rivotra arahin’erika

Lokon’ny fitiavako, ranomaso toy ny ranoMandena ny fitiavako, resy mila ho rendrika.

Injany ny filatsany, gadogadona kotabaManindrona ny foko, ilay nitia tsy mba tony

Toa akora manenji-dresy, manamaina izato vavaMainan’oroka nomeny…toa voninkazo nihintsam-bony.

Tsy mba tafo mantsy zany foko, ho fiaro raha avy oranaKa na erika io na havandra, tsy mihontsona, mahatanty

Fa nofo kely mitahiry, ilay notiavina, ‘lay tokanaKa injao mararim-pitia, mitomany izany havany.

Ny fahanginana ato an’efitro, kotabain’izato oranaSatriko hisy embona, entin-drivotra avy any

Fa fofon-tany no injao, manempotra mahatoranaIty foko mila ho resy, miady mafy tsy hitomany.

F’izato ranon’orana, mitsotsorika amin-drindrinaToa latsa zary sary, manoritsoritra ny foko

Tsy hay fafana mba ho lasa, tsy hisy feo mba ho sinaFa mitomany ‘lay fitia, ranon’orana maro loko.

RakparfaitAmpahibe, 02 May 2011 @ 12 ora sy 50 minitra

Page 70: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

SIOTSIOKA

Siotsioka tsy hay fiaviana,Tononkira tonga ho azyZary kalon’olon-tiana

Miverimberina toa sazy.

Sarisary mialoalo,Manalokaloka fijery,Mitoetra tsy takalo

Zary namana tsy very.

Embonembona mandaloMandrakotra fisainana

Tompon-tany tsy mpandaloLarolaron’ny fiainana.

Fa rivotra mitsokaMitondra embona…manitra

Sentosento misononokaAnilan’andriambavilanitra.

RakparfaitAmpahibe 02 May 2011 @ 3 ora folakandro

Page 71: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ILAY HIRANAO

Rehefa iny harivariva, mihilana andrefan’eny ny hazavanadia injao mipololotra ivaiva, anatiko aho ilay hiranao tsy tana.

mampisento olon-drery, lavitr’olon-tiana mitomanyanatin’ny tontolo toa very, lasan’embona vinany.

Kanto manko raha kanto, iny hiranao fikalonampihetsika milanto, ilay vatako nimalo

nihaotraotra hampidera, ilay fitia nokoboninaeny nihaotra sao mianjera, ilay fitia safomorina.

Tsinjoko anaty embona zato bikanao lalaikomitampody mitamberina, tsy mety maty ao an-tsaiko

fa ny lasana omaly rehetra, dia indro tadidy ankehitriotsy nisy foana…nitoetra, fanilom-pitiavana nadio.

Eny iny harivariva iny, mitsotsorika hazavanarehefa dify lasan’iny, ilay masoandro ka tsy tanadia injao miakatra anaty alina, ny lasako tsiahymitampody mahafanina, mahaketraka fanahy

Ilay hiranao tsy haiko, toka-gadona an-tanysy ireo teny nolazaiko, fa raha mbola tany koa ny tany

ny fitiavako anao, tokam-po toy ny sinysafononoka aminao, r’ilay malalako tsy misy tsiny.

RakparfaitAmpahibe 09 May 2011 mitatao vovonana

Page 72: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ADY SY TOLONA

Ny foko ve no hampanginina tsy hitempo fitia intsonysa ny masoko mijery no akimpy tsy hahita ny endrikao

fa ady sy tolona isan’andro ny miady amin’embonatsy mahasaraka, misento lava te ho anilanao.

Sa ny tahiry mitoetra an-tsaina tsy maty kosehinano endahina hiala ka atsipy lavitry ny vetso

fa ady sy tolona isan’andro ny miady tamberinamialoalo mamikitra, tsy miala fa namako eto.

Sa ny lalana nizorana, nampiarahana famindrano tsy ho diavina intsony, fa manditsoka maso

fa ady sy tolona isan’andro ny miady ny tsara indrindrailay nitiavako anao na dia nampirotsaka ranomaso.

Sa ny fiainako mihitsy, ilay efa natolotro tanterakahiara-dalana aminao na ho mora na ho sarotra….

fa ady sy tolona isan’andro mantsy no sedraiko rerakamamelona ny fitiavako, am-pelatananao….miady varotra.

RakparfaitAmpahibe, 30 May 2011 @ 04 ora sy 40 minitra

Page 73: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FAHAVARATRA

Mavesabesatra ny fo, kendakendan’embonamararirary anaty, misentosento irery

fa kotroka andro maina, nanaitra voronailay teny voalaza, fa ny ho avy aleo ho very

Navesatra ny maso, tsy tana fa indroraho-maintin’alahelo no nanarona

ny tontolo notazanina tsy hahafahana mamindroilay afom-pitia kotsan-drano….f’ilay fitia sarona

Petsapetsan’alahelo ito tava miran’inynohalamain’ny ventso, tsy tana fa nivoaka

fa taiza ho aiza tamin’iny lalan’inyno nalama ka nibolisatra ity fitia toa folaka ?

Fahavaratra indray ny tontolon’ny fitiavakokotsakotsa daholo ny lalan’izoran’ity foko

ranomaso mikoriana ka mamonto ito tavakomampihetsika ny vavako mangovitry ny TOLOKO

RakparfaitAmpahibe, 30 May 2011 @ 05 ora folakandro

Page 74: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HO AN’I DADA

Vita indray iny ilay andro izay natokana ho an’iNenyfa ilay natokana ho anao no handrasana higadona

na izany aza anefa, tsy kotaba vitsy mpitenyny fiandrasana aza io, sa tsy ilaina ny milanona ?

Na izaho koa aza, tsy te hiresaka ka hampahatsiahyfa misy io daty io, izay natokana ho an’i Dadamba iza moa no ho tolorako, fa raha ny ahy

ianao tsy eo intsony, efa lasana tsy hono na koa angamba.

Tohina ny foko, fa saronako tsiky ny alahelofiry taona izay no lasa nandaozanao anay

indraindray aho mahatsiaro ny fofonao mialoaloanaty sary an’eritreritra, tsy mahasarak’ahy.

Toa ho inona moa, hoy aho, raha mbola teo ianaono hankalazako izato daty, eo anilan-dray ?

tsy ho takatry ny saiko, nofinofy sisa izaoireo taona vitsivitsy, niriariavana fahizay.

Tao anaty fisandratana, izato zanakao niandryny hamaly ilay babena, izay mba zaka valim-pitiasaingy indrisy, resy an’ady ito Dada nodimandry

tsy nioty kely akory, ilay nafafy fony tety.

Ngolingoly izany foko, ka minia tsy hankalazatsy asiako mitanila, ka ho hadinoako ihany koafa na i Neny nantenaiko, tsy nahita ireto zaza,zafikely ho trotroina sy hanamaivana ny fo.

Izaho irery sisa eto, hotronin’ny ankohonanano mandimby anaran-dray tsy satry, tsy manadino ny lasa akory

O ! ry Dada, O ! ry Neny….mbola hisy ve fiombonana!!!!f’indraindray aho misento, mahatsiaro tsy matory.

RakparfaitAmpahibe, 06 jona 2011 @ 07 ora hariva sy 15 minitra

Page 75: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HIRA HAFA

Injay ilay hira mba fanao, fikalontsika fony tiambola henoko eto foana, na sina aza ny tontolo

mitamberina ao an-tsofina, toy ny miantso hoe avia,saingy izato toniny, efa niova manontolo.

Injany ilay angola, noheveriko ho tokana aman-tanyfa hoe ianao irery, no niangaran’ny natiora

mameno fahanginana, saingy indrisy, ny tomanytsy nirotsaka akory, f’efa divy mantsy ny ora.

O ry tiako! ry malala, tononkira nolalaiko,nankafizako ny mitia, nanofisako ny ho avy

toa migadona hafahafa, tsy mety takatry ny saikofa loko hafa indray no indro, mandoko toa miangavy.

Fa hira hafa mihitsy kay, no henoko mandrotsyity foko izay nijaly, mbola tia, nosakanana

tononkira toa mitovy, f’ity mikalo tsy volafotsyfiravaka an-tratrako eo, volamena tsy nananana.

RakparfaitAmpahibe, 29 jona 2011 mitataovovonana

Page 76: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MANGIDY

Tsy iainako ny lasa,fa mandratra ny anio

avelako ny ho avy no hanasany ratran’ity foko mba hadio.

Fa mamy no sady kantony omaly izay niainana

tononkira tsara rindra no milantony lasantsika tsy nampalaina.

Ny feonao niangola, niangalyilay hirantsika tsy mety maty am-bava

nokaloina foana, tsy mba hiran’ny omalyfa ny anio marevaka, ny ampitso ho meva

Saingy indrisy, eny indrisyilay raozy novoleko tato am-pofeno tsilo, nandrava tsy ho nisy

ilay saham-pitiavana ho an’olon-droa.

Maratra izany foko, mitoreoka tsy iainako ny omaly.F’ireto fery avelako eo

hanolatra fitia ho taratry ny jaly.

Hiezaka aho tsy hisainany lasa na dia kanto aza

tsy iainako, halako an-tsainafa fitia tsy nety, tsy sahaza.

RakparfaitAmpahibe, 09 jolay 2011 mitataovovonana

Page 77: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

KINTANA sy VOLANA

Fa satriko omena anao ny kintana sy volanahamirapiratra hanazava ny endrikao lalaiko

ka ho rado hanjopiaka, firavaka hiambozonanany volana an-tendanao, tazaniko ho sary an-tsaiko

Ny kintana an’alin-kisa, ho firakotra hanjelatrahandrakofako ny vatanao, tsy ho tojo aizinahitahiry ilay fitia, ho tontolo hampivelatra

ny nofinofintsika, natory ka fohazina.

Ka na maizina aza ny tany, ianao hanjopiakahitari-dalana ahy, hamakivaky aizim-pito

tsy hihaotra ny tongotro, ny famindrako tsy hitriatraho tokana hanitsy, ilay tokana nofinidiko.

D’ireo kintana sy volana, atolotro ho anaoTsy ho takon-draho-mainty, hanaloka fiainana

Fa hibaliaka lalandava, fanilo mba nataoHitsilo ilay fitiavana, dia ireo voady nifanomezana.

Fa satriko eny satriko, ny kintana sy volanaMba ho izaho sy ianao, hamiratra eny foana

ka na alina aza, tsy hifankafoy, miaraka milanonany lanitra midadasika, ho kianjan’ny fitia, ho tany filalaovana.

RakparfaitAmpahibe, 15 jolay 2011 @ 10 ora maraina

Page 78: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FETINAO ANIO

Vao nifoha aho ny maraina, niarina am-pandrianadia toa verivery saina, nahatsiaro anao ry tiana

fa misy inona, hoy aho, namerina tadidysa mbola be ny atao, mbola maro ny adidy?

Niverina aho am-pandriana, nakimpiko indray ny masokonitadidy izay nariana, na izay tokony andrasako

dia indro anaty tsiahy, ny endrikao lalaikonanokatra fanahy, tamberina efa haiko

Izay tokoa, hoy aho, niarina malaky, lokin'ny hehyno tokony atao, no hilaozako matory, f’izaho tsy nahafehy

ny fotoana sy ny ora, ny andro sy ny volana, nandalo mba ho taonanikorisa moramora, ny lalana nombana, ny lasa tsy mba foana.

Fetinao anio, tsingeri-nahaterahana, ry tokana notiavinatokana mantsy io, fa mari-pamantarana, ny lalana nodiavina

dia hoy aho nisento, niarina mora, nandamina fisainanafa raha mba teto, ilay hanitra miora, menaky ny fiainana.

Mihomehy aho an-tsaina, mahatsiaro anao, mitodika ny lasasy ity foko tsy afa-miaina, miefonefona ao, mitadidy ireo fikasa

nofinofintsika, hirahira kanto, ventso takarivaangola toa mozika, ho fiainana milanto, manako toa antsiva.

F’ito fetinao, tsarovana androany, fetiko ihany koatsy mba kilalao, na zava-mora lany, fa rakitra ao am-poilay fitiavanao, natolotrao ho ahy, ilay tokana sarobidikoao an-tratrako ao, mamelona fanahy, tokana nofinidiko

Firy taona moa, izaho sy ianao, nifanolotra fitianentanin’ny fo, noheverina ho lalao, ny antsan’olon-tia ?ny tsingerin-taonanao, tsarovana anio, vitsy mpahalala

amboara vaovao, fitiavana madio, no atolotro ry malala.

Hamafisiko androany, ho vatofehizoro, haharitra doriaIlay fitiavana tsy lany, tsy mba torotoro, natokako ho an-dri

Fa ito daty nahaterahana, tsy maty mbola hitoetra, ambadiky ny anioHo fanavaozam-pitiavana, tsy hisy fepetra, fitiavana madio.

Koa arahabaiko ianao, ry Soa malalako, ilay hany notiavikoTratry ny anio izao, ry tiako sy havako, iriako mba ho aviko

Ilay Tsitoha, nampisy anao, hifanitsy amin’ny lalakoHiahy anao ry Soa, ny andro hiainanao, ho SOA ry Malalako.

RakparfaitAmpahibe, 15 jolay 2011 @ telo folakandro

Page 79: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ILAY FOKO

Anatiko ao tsy hita, voarakotr’ito tratraMisy fo mila hitriatra, mitomany feno ratra

Ny fitempony injao, miefonefona manempotraMitomany mitalaho, kendakenda mila hanafotra.

Ny rà izay mikoriana, manenika ito vatakoToy ny ony mahavariana, miakatra an-doha ka tsy zakako

Mila anao ho fanafody, hampitsahatra ity fiakaranaMiantso miverena mody, fa marary ity namana.

Koboniko ato an-tratra, ny kiakany mitoreoMitoloko mila antra, tongava ka vonjeo

Henoy izany antsony, miangavy miverenaFa efa anao izany fony, ry malala izay nekena.

Ho triariko ve ity tratra, hijerenao ity foMiefonefona maratra, malahelo anao tokoa

Ka ireo rà hikoriana, hipololotra avy ao anatyHo porofom-pahoriana, hamelomana ny maty ?

Ity tratra mitahiry, ity fo izay mijalyMitoloko mba maniry, ilay fonao hampifalyIty fo nokoboniny, mba ho tokana fitempo

Ho anao ilay nofihininy, fony ianao mbola teto

Ka miverena ry malala, hoy ity fo malaheloNy adintsika aoka hiala, ndeha horoahina ny avelo

Ka fitia vaovao, ho koloina hifanoloranaNo hitoetra am-pontsika ao, andao hifamatorana

Ka ito tratra mitahiry, ilay fo izay nalaheloHo velombelona haniry, hiaro ilay tsiambaratelo

Fitiavana vaovao, vita sedra ny tolokoKa ny rà hikoriana ao, hanao sary hosodoko

Fitiavana mamiratra, tarafim-panantenanaFitiavana tsy ritra, tokana io tsy hanalana

Dia ho anao r’ilay safidy, nosinganina anaty maroRy tokam-bolo tsy mangidy, singany ihany tsy mifangaro.

RakparfaitAmpahibe, 18 jolay 2011 @ 10 ora maraina

Page 80: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ILAY HIRA

Injay ilay hira, nolazaiko anao, atao fahatsiarovanaFa na lavitra an-dakira, mbola an-tsaiko ao, ny ora nolalovana

Tsaroanao ve, saika lasa vazivazy, ireo tonony nohirainaEny nampihomehy, saingy zary toa lasa sazy, fa tsy afaka an-tsaina.

Ianao nibanjina, nitongilana fijery, toa manontanyIzaho nangina, ianao toa irery, izaho lasana vinanyF’ireo tonony, angolain’ny mozika, mampandaingaKanto tsisy tsininy, natao ho antsika, ….sa lainga ?

Fitiavana madio, safidy tokam-po, ho anao ireryFa na rivotra tadio, hasomparana ihany koa, tsy nahasakana ahy hiteny

Hitanisa ho antsika, ny vetsovetso izay nambarany, fa maninona moaNa hafanana na hatsiaka, eny na tsiky na tomany, ilay fitiavana efa am-po.

Aiza indry izao ? mba mihaino koa ve ? sa an-tany lavitra,F’izaho ‘ty efa lao, manirery te handeha, manembona ilay hanitra.

Tokam-pofona lalaiko, hanitr’ilay tiana, lasa vadin-koditraK’izato hira tsy haiko, kanto mahaliana, ity vatako….mangovitra.

Mitamberina ato an-tsaiko, asa ianao, ilay nampihomehyIreo tonony novaiko, natao kilalao, tsy nisy nandre

Ny malala natao “ianao”, tena marina, ilay tiana dia “izaho”Ny angolany toa lalao, tena lalina, fa ravina sy taho…

Miorim-paka anaty fo, tsy tsaroana, ny tananao noraisikoRy tokana tsy roa, tsy ho foana, ny fitiavanao tsy nalaiko

Fa natolotrao am-pitsikiana, hasambarana, no nandraisako azyTsisy feo…nangina, fahalalahana, nataoko anaty vazy.

F’ito hira entin-drivotra, manako, mampahatsiahyNy lasantsika tsy rovitra, ry malalako, fa efa ahy

Ny lasa nolalaiko, ny endrikao tsy maty, voatahiry anaty bokyNy tonony tena haiko, voatahiry hatramin’ilay daty, nifanomezantsika toky

K’injay hoy aho ry malalako, ilay hirantsika, toa mitanisaNy omaly tsy navelako, hanafana ny hatsiaka, tontolo paradisa

Ny loko entiny anio, baliaka aok’izany, endrey izany gadonyDia ilay fitiavantsika nadio, na dia kotsan-tomany, mbola nofonosiny.

RakparfaitAmpahibe, 18 jolay 2011 @ 11 ora sy 40 minitra atoandro

Page 81: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ROA TAONA

Roa taona no niarahana, nanambarana fitiafa saingy izao fisarahana, no mamarana ny dia.Nandramantsika daholo, ny fitia tsy nisy fetrafa dia fo torotoro, no fitambaran’ny rehetra.

Ka na hikiry hifankatia, hifanolotra izay voady,Isika mihitsy no minia, manakatom-bavahady.

Koa ndeha halevina ny lasa, ho rakofan’aizina tsy hisyFa fitia tsy hay nampiasa, ho hadinoina toy ny tsy nisy.

Ho lazaina ho toy ny nofy, izay mety ho tamberinaRediredy mitondra rofy, hialana tsy ho nenina.

Fa na hanangatra aza ireny, hisarangotra hikiryEfa foana ilay fiteny sy ilay fitia tsy nananam-piry.

Roa taona izao no dify, ho kosehina handaoFa fitiavana manify, tsy naharitra fa lao

K’ireo sary izay voatahiry, natao ho fahatsiarovanaHaleveno tsy haniry, ho sakaizam-pahalovana.

Ny anaranao fiantsoko, nangolaiko raha tononinaHo foanako ao am-bavako, eny ataoko ho soronaMba hahazoako hery indray, hiatrika ny ho avySy ho fanefitra hahay, hanome tontolo tena favy.

K’izay roa taona lasa izay, nianarana nitiaHo dingam-piainana iray, hilaozana satria

Ny fitiavana dia nisy, nandoro aza indraindrayFa isika roa mihitsy, no tena tsy nahay.

RakparfaitAmpahibe, 05 Aogositra 2011 @ 11 ora sy 20 minitra maraina

Page 82: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBOLA RIRININA

Mihilana indray ny andro, malomalo-doko, mitondra hatsiakafa efa ho resy ilay masoandro, lahatra tsy zoto, ny hazavana dia ho vita.

Mampanainga moramora, anaty vololon’aina tsiahy, hipololotra anaty aizinaKa ho tonga tsisy ora, ny lasa efa sahy, nandao nefa tonga tsy azo laizina

Volon’andron’ny ririnina, mafana mangatsiaka, tsy hay hamindroanaToa fitia tsy hay tazomina, malama miporitsaka, lasana tsy mijanona.

Ozonon-tsy hiverina, halevin’ny alahelo mitady hiantsampazanaTsy toloko mitamberina, fa hain’andro mila elo, hialofana ho namana.

Ny ampitso hibaliaka ve ? hitondra hafanana, loko manja vaovao ?Ho lohataona ka endrey, ny tontolo maitso mavana, ho fifaliana vao.

Ka ny tokontanin’ity fo, rakotr’ando ny ririnina, mainamaina kinaHo mandomando ho soa, k’ireo voankazo fihinana, hitrebona hampitombo vina.

Fa mbola ririnina izao, ngolingoly foana, na ilay fitia koboninaMitampify an-tratra ao, miandry lohataona, hafanan’olon-tiana.

Ka andeha ny firakotra hampitomboina, hatevenina, sao ho lava ny ririninaHiatrehana hatsiaka ho loloina, hanaovana be marenina, hiandrasana olona ho fihinina.

RakparfaitAmpahibe, 08 Aogositra 2011 @ 05 ora sy sasany mody masoandro

Page 83: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

VOALOBO-JAZA

Hahodiko ny maso, aleoko tsy mijerysao voatahiry an-tsaina ka hitoetra ho sary

ito toerana nitosiana, nitanisana toky tsy ho fitakafa vao rivotra nitsoka dia niboridana nihahaka.

Iny lanitra iny, ny volana sy kintana,ho tohazako ho anao, ka ho kianja filalaovanafa vao raho-mainty nitatao, tonga dia oranamandon-dranomaso ilay toky nifanolorana.

Ny rivotra mitsoka, mampandihy ireto ravinamibitsika mangina tsiahy, feo anaty lalina

“Tiako ianao, tiako ianao, ry tokana an-tany…”fa vao sedra iray dia indro mitomany.

Ka aleoko tsy mijery, sao mbola misy izay tavelailay fitia nifanolorana, nanamando ilay seza

k’ilay nitoerantsika, ho antsika voafaritrafa fitia voalobo-jaza, fitia tsy maharitra.

RakparfaitAmpahibe, 08 Aogositra 2011 @ 06 ora hariva

Page 84: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FITIAVANA IO

Fitiavan'io indraindray lakalaka,fangalam-piery toy ny voalavo sy ny sakany fitiavana tolorana amin'ny fo madio

no mankarary sy mampirotsaka lio.

fa raha voarara mantsy izy,sarobidy tena lafo, tsy takatra devizymaningotra ny aina, mampitomany

mahavery saina, mampiakatra vinany.

fa efa misy any ho anymiandry fotsiny 'lay malalany

fa midadasika ny kianjan'ny fitiaka na miantso aza, tsisy maheno ilay avia

fa na ilay tia, nosakanana voararana ilay mba notiavina, tsy nanaiky hanambara

fa tsara ny mitia, raha tojo ny lalainaparadisa ny fitiavana, tsy voavidim-pofon'aina.

RakparfaitAmpahibe, 09 Aogositra 2011 @ efatra ora sy sasany folakandro

Page 85: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FIONONANA

Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambaranailay notiavina am-po, nantenaina ho namanaka na ireo teny tiana, am-bava nifanoloranazara latsa fahoriana, fangady hamongorana.

roa taona no nitiavana, safononoka ny fosaingy indrisy fa ny lalana, nisaraka ho roa

mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitiaindro tany babangoana, no anjarako nitia.

soa ihany fa ny fo, tsy tanalahy akoryfa mahay mikaroka ny soa, ilay tsy maha ory

hisaona izy anio, hitafy lamba fisaonanainoako kosa fa ambadik'io, tsikitsiky no fihaonana

fa any ho any, ilay fitiavana mila namanambola hiandry ihany, miandry tanana

hotolorako ilay tsy tiana, tsy ho roa taonafitiavana hifamaliana, hiaina zato taona.

RakparfaitAmpahibe, 09 Aogositra 2011, @ Dimy ora Folakandro

Page 86: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

IREO RINDRINA

Ny rindrina niafenana, nanakona antsika nifankatiambola indro fa mijoro, mampahatsiahy irony lasa akia.

Ny akon’ny feo tsy tana, nosakanany tsy hihoatrany tontolontsika niainana, rehefa sendra ka mitraotra.

Izy manko tsy niteny, tsy hoe tsy niloa-bava,fa naleony mihitsy mba nangina sy tsy nanazava

inty tontolontsika mba hamiratra, na hitsilopy aza satriany afom-pitiavana nirehitra, no fanilon’ny fo tena tia.

Ankehitriny, indrisy, f’ireto rindrina mijoro, niafenanano zary lasa fonjam-pitiavana, managadra ilay niainana,

dia ilay fitiavana nifanolorana, tsy nasiana honohonofa noraisina tanteraka, tsy noheverina hamono.

Ilay afom-pitiavana nirehitra, nandoro tao anatynasandrantsika roa, nohiraina ho mandra-matyno mitsilopy manary aina, tontolo mangatsiakarindrin’efatra mijoro, hazavana tsy hibaliaka.

Somambisambin’ny fandaozana, no mandrakotra indrisy,tsikelikely ireto rindrina mijoro, fa efa levona tsy misy

ilay fitiavana niraisana, f’ireto rindrina tsy hokoroho rindrim-batom-pasana, handevenana fo torotoro

ilay fo mba nitianitsaha-nitepo satriany omalim-pifalianatontolom-pahoriana

RakparfaitAmbolokandrina, 15 Aogositra 2011 @ 7 ora alina sy 50 minitra

Page 87: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TAMBERINA

Vao nifoha aho maraina io, dia nahatsiaro anaoNanembona, nikarokaroka tahirim-pahatsiarovanaToy ny zaza sara-dreny, mitomany mitady kilalao

Mahatsiarotsiaro ho irery ito fo ka torovana

Sento kely tsy hay, tsiahy ny omaly ve ?Maso mandon’alahelo, nofaohana ho maina

Embonembona anao, ilay tiana nandehaTsy anila intsony, ka lasalasa ny fisainana.

Taratr’andro mitsoriaka, mitondra hazavanaManaisotra torimaso, hiaina ny tontoloSiokam-boronkely, manaitra mahalana

Ny eritreritro mitopy aminao ry tokam-bolo.

Manaikitra ny tsiahy, ireo tsiky nolalainaIlay feo fihainoko, nampody tsiky tam-poHo ezahina resena, sao tsy zakan’ny aina

Ka hanempotra hankarary, hamaky izany loha.

Fa mbola hifoha aho maraina, ka ho hitako eoNy sento mitoetra hivadika ho tsiky

Fa mamy ny fiarahana nafoy samy tsy leoFitiavana fa efa izay no anjarantsika

RakparfaitAmpahibe 16 Aogositra 2011 @ 5 ora sy 45 minitra folakandro

Page 88: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

EFA LASA

Ny teny mamy nifanolorana, fahiny fony nifankatiamitamberina tsy hifanolorana, manakenda olon-tia.

Manelingelina eritreritra, hahifika tsy mialatsy voabata tsy mavesatra, tsisy lanja manadala.

Ny malala, o ! ry tiako, tsy afaka am-bava ilay fitenymitamberina ao an-tsaiko, toy ny omaly izy ireny.Mamerina sarintsary, hafaliana mba nodiavinasaingy latsa mankarary, anaty fo tsy azo lavina.

Hisarangotra aho hihazona, fa mba fiainana irenysaingy efa lasa na tsy mivalona, toy ny maty tsy miteny.

Ny endrikao ilay nitsiky, volana baliaka anaty aizinatsy voakosoka mikiky ilay fitiavako tsy mangina.

Ny lasantsika mitamberina, tsy mitondra hafalianaFa kaikitra sy nenina, tsy nahatazona olon-tiana.

Na dia ireo teny mamy, mba fiventy rehefa tiaLasa sentosento sy tomany, manapak’aina, mankahia.

Ny fotoana nikoriana tonga ora, nigohana ny mamyNitambatambatra ho volana moramora, nampirotsaka tomany.

Nivalombalona ho taona tsy tanty, niaretana, nampijalyFa adim-po lavareny, nankarary ny tao anaty, fo efa resy, tsy mba faly.

RakparfaitAmpahibe, 08 septambra 2011 @ 01 ora folakandro

Page 89: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NY SARINAO

Eto am-pijerena, izato sarinao, no lasa ny eritreritraTsy haiko terena, avy ao anatiko ao, embona tsy aritra.

Hiampita ambadika any, ny omaly lasantsika, mielina tsaroanaMampiakatra vinany, ventso miampita, tsy voafetran’ny fotoana

Izato bikanao, nandresy lahatra ahy, hikalo fitiavanaKalo vaovao, nateraky ny fanahy, handray anao ho havana.

Sambatra eny aho, tojo ‘zato kanto, tokana aman-tanyInoako fa natao, ny hira izay milanto, hiderako izato mamy.

Tsy nofy ka hielina, anaty torimaso, ilay fisianaoKa hanelingelina, hampivonto ny maso, raha dify ianao.

Fa ito sary jereko, porofo tsy azo lavina, avy taminaoSy ilay fitiavana nekeko, tanatin’ny alinalina, noraisiko avy tao.

Izato tsiky kely, mandravaka tarehy, manindrona ny foAsa hoy aho ny anjely, raha tsy voafehy, raha haharesy anao tokoa

Babonao ny maso, mijery maharitra, mando kely mihitsyTe hanasohaso, fa kanto mahafinaritra, ireo teny toa vitsy.

Ireto volonao, mandrakotra ny loha, toa diademaTsy tefy ka natao, feno vatosoa, na didy ka nekenaFa voajanahary, ho anao mihitsy, tena sarobidy

Fa tsara ito sary, vitsy tena vitsy, tahiry tsy hamidy

Ka eto am-pijerana, no lasa ny fisainana, eny mahatsiaroFa fitia tsy noterena, avy dia niainana, tsy mba nafangaro.

Tokana iray, tsy nisy be ambara, fa efa samy tiaNa nandoro nahamay, fitia tsy voarara, maharitra doria.

RakparfaitAmpahibe, 09 septambra 2011 @ 5 ora folakandro

Page 90: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MODY MASOANDRO

Indro fa nihilana indray ‘lay masoandro, andrefam-bohitra enyfa nahavita izato lalana, fanao isan’andro, tsy mba niteny.Saingy anatiko ao, tsy tana fa mifoha, ny andro lasantsika

misandratra toa vao, manetsika ny fo, toa entanin’ny mozika.

Mihilana ny andro, misandratra ny lasa, tara-pahatsiarovana,na maty ny masoandro, tsy nety ho voasasa, ny akanjo nisalorana.

Fa lamba fitafy, ho entina mijoro, ny lasa izay nidifysy voa mba nafafy, ilay fitia ‘zay nikoro, firakotra nanify.

Maloka ny omaly, kotsan-dranomaso, namonto izany tavasento nampijaly, resin’ny ankaso, nandrakotra mazava.Ny adin’ny fo, nikiry mba hitsiky, hitraka tsy manahy

fa ny lasa dia nikoa, ny nenina no mikiky, akory moa ry lahy.

Taratra hazavana, miady mba hijoro, ery andrefam-bohitrailay fitia nalana, narefo toa zozoro, resy tsy nahatohitra.

Nilofika nanaiky, nijoro tsisy hery, nijery tsy mahitany lasa toa akaiky, manokatra ny fery, ny fiainana mba vita.

Mirotsaka mora, mandrakotra ny tany, ny aizina tsy tanakotaba toa akora, ny zaza mitomany, ny foko efa hana,

sempotry ny sento, mahatsiaro ny andro lasa, reraka ny fisainanailay tiako tsy mba eto, sa diso aho nikasa, fa resin’ny fiainana.

Fa rakotry ny aizina, ny tontolo ka mangina, hanjaka ny alinafa ny foko tsy azo laizina, mahatsiaro ilay mba tiana, midoboka fa manina.

Fa resy ny hazavana, rakotry ny mainty, tsy maintsy nandeha,ny ampitso ho avy tsy hanalana, hamiratra hirenty, toa jiro lehibe…

Hanaitra ny tontolo, hikalo sy hihira, fa mbola velon’ainaf’ilay fitiavako torotoro, handositra andakira, efa tsisy aina.

Hilentika andrefam-bohitra, ho rakotry ny aizina, ilay fitia izay niainanany foko tsy hihovitra, fitiavana efa sina, lamban’ny fisaonana

RakparfaitAmpahibe, 23 septambra 2011 @ 05 ora sy sasany mody masoandro

Page 91: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AKO

Ilay hira tokana fikalo, nandrotsirotsy, tsy afaka am-bavainjao henoko mandalo, toa mamotsifotsy, lasa akora lavaManako an-tsaina ao, manao tampody fohy, ako mielina

tsy mahasaraka mandao, tahiry sarotra hafoy, akon’ako miverina.

Ny feony dia kanto, gadona tsara, miavaka indrindratoa feonao milanto, mihira tantara, ilay sarotra afindra

Fa raki-tsarobidy, tokana aman-tany, tsy hain’ny tontoloeny sarotra amidy, vonton’ny tomany, fa fitia bobongolo.

Manakatra ny saina, mitady endrika, anaty fahatsiarovanamamaritra lalaina, fitia tsy rendrika, tamin’izay nolalovana

F’izany hira manako, enti-drivotra mandalo, mitondra tsiahyefa ela no nialako, mba tsy hialoalo, fa mandreraka fanahy

Tsy ho voasakana ny omaly, tsy hiverina anio, hamelona ny maty.F’ilay fo izay nijaly, niantsoantso mba ampio, tsy maintsy mba nahatanty,

ilay ora fisarahana, tsy maintsy nolalovana, na dia mbola tianampirotsaka mahalana sy nahatotoravana, ilay voady ho doria.

RakparfaitAmpahibe, 06 Octobra 2011 @ 3 ora folakandro

Page 92: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AMBARA NOHO NY TENY

Teo am-pamakianailay boky

dia lasa ny fisainana

Nahatsiaro ny omaly ka varianano sady loky

fa tsiambaratelo no lazaina

Nitia ianao dia nanirymangina

fa tsara ny voaary

Na lavitra aza nitsiryho an’ilay tiana

ilay fitia mankarary

Na tsy ambaratelo azano narindra

hipololotra tsy tana

Nosoratana ho tahiry, voalazaRaRija

‘reo nofinofintsika namà.

RakparfaitAmbolokandrina 22 Oktobra 2011 @ 11 ora alina

(nosoratana tsy setrin’ny Boky “Tsy Tsiambaratelo” an-dRakotomalala Rija)

Page 93: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ETO

Eto am-pandriana ahono manoratra

entanin’ny fanahy

ny alina mangina injaomampangovitratoa mampanahy

ho an’iza anefaizato sento mipololotra

manosika ahy hanoratra

ho azy izay nilefatsy nihazona ilay natolotra

nandratra indray ilay nanolatra ?

ho raiketiko ihanyhindramako ny penina

ny sento

ho porofon’ny tomanytsy afa-nafeninaho an’ilay tsy eto

RakparfaitAmbolokandrina 22 Oktobra 2011 @ 11 ora alina sy 15 minitra

Page 94: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MIJALY

Ny antsoko maro, niampita ho anaotsy fantatro intsony

fa toa mifangaro, ka ambarambaraofa ndrao tsy mitony...

ny hiran’ny fo mamaky tratramibaiko tomany

fa marary ny loha, mila hitriatrahandevina an-tany

RakparfaitAmbolokandrina 22 Oktobra 2011 @ 11 ora alina sy 25 minitra

Page 95: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY RESY TSY AKORY

Tsy hoe resy akory raha toa manginafa misaina ny ho avy

ny ady atrehana na mafy aza tsy ho sinany antson’ny tany fa mbola miangavy

Miantso ahy hitraka hiatrika foanaireo miseho ho mpandresy

ka ny fahanginana tsy hoe nanafoanany ady nasesy.

Fa mila mandinika ireo paik’adyhisedrana ny tolona

ho an’ny taniko izay mitadytsy tsangan’olona

Hiady anio ho an’ny ampitsomba hahamiratra

Ity tanindrazako, ilay tena tiakoHomban’Andriamanitra

RakparfaitAmbolokandrina 22 Oktobra 2011 @ 12 ora alina

Page 96: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY METY MITONY

Tsy mety mitony ny forehefa injay

mitamberina an-dohaireo lasanay.

Ho aloka hiseranahialoalo

sa tontolom-pitseranatsy maintsy mandalo ?

Ito lasa mipoitrahiainana ve ?

sa embon-tsy ritratsy mety mandeha ?

RakparfaitAmbolokandrina 23 Oktobra 2011 @ 1 ora folakandro

Page 97: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NA RESY AZA

Raha resy ny fo tsy mahatohitrailay fandavana

marary ny loha no sady mangovitrafa mangamangana

ny atin’ny fo mbola mitahiryfakam-pitia

kanefa ry Soa tsy voron-tsiriryka hanohy izany dia

Tokana ihany ilay fanomezanatsy misy faharoa

ka na kotsa tomany na hihomehezanaefa resy ilay fo

Ho sitrana ihany ilay ratrafa mety ho rahoviana ?

fa ny holatr’izany ho rakitra an-tratraendri-pahoriana

RakparfaitAmbolokandrina 23 Oktobra 2011 @ 5 ora mody masoandro

Page 98: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AMBOHIDEMPONA

Rehefa iny lasa ka mikarenjy an-tanin’ny nofy ny eritreritroDia mibosesika ao an-dohako ny teny maro be ka raisiko ny peniko

Raketiko an-tsoratra izay tonga aloha ho tsiahy sy tadidyNa ny mampihomehy na ny mampalahelo indrindra ireo mangidy.

Ilay andro voalohany nitiavako anao tsy maty vonoinaIndrindra koa moa isika ilay nifandao fa tonga ny fotoana.

Ny ranomaso nikoriana namonto ity tavako nezahiko nofafanaFa sao hihomehezanao izaho sy ny fitiavako ka hihanahana

Ny ora sy minitra hatramin’ny segondra tena sarobidyKa rehefa eo anilanao aho satriko ho ariana ilay fanalahidy.

Tsy hisokatra intsony ny vavahadim-pisarahana hisy eo amintsikaDia hihidy ao anatiny isika samy tia….masoandro mibaliaka.

RakparfaitAmbohidempona 27 Oktobra 2011 @ 09 ora sy 45 minitra maraina

Page 99: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NY ANDROKO SISA

Ny androko sisa satriko ho laniana eo anilanaoKa na tsy paradisa, ataoko ho mahaliana fa tontoloko ianao.

Ny andro fahavaratra hirotsahan’ny tomany raha hiarahantsikaK’ireo sento tsy ho omby tratra, hamonto ny tany ho kalo sy mozika.

Ny adin’ny fiainana ho larom-pitiavana hiarahana miatrikaHanamafy ny fisainana, ny tontolom-pijaliana tsy hampivaloarika.

K’izay androko sisa, tombony anilanao, ho rakotra fahazavanaSy ho kintana alinkisa hamiratra ianao fanilom-panantenana.

RakparfaitAnkadifotsy 29 Oktobra 2011 @ 06 ora sy 45 minitra maraina

Page 100: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBA KRISMASY

Ataoko ahoana moa, raha mbola velon’aina, no tsy hahatsiarofa na nangidy tao am-po, na namelona taraina, tsy maintsy nafangaro

ny endriko sariaka, tojo fitahiana, tara-pahazavanasy izy ilay nikentrona, ketra-pahoriana, tsy azoko nofafana.

Tonon-taona toy izao, toa rivo-pifaliana, no nandrakotra ny tanyfa tena hoe lavi-pahoriana, ny tontolo niainana, tsy misy mitomany

fa nokoboniko tao anaty, tsy ho endri-kitarafana ny ady izay nolalovanailay tavako nitsiky, tojo krismasy, fa androm-panavotana.

Satria hoe teraka tamin’io, tao an-tranon’omby, ilay hoe Kristyhitondra fanafody, ho an’ny olombelona, indrindra ireo izay nania

k’ireo kaikitry ny ady, voka-pahotana, anjara nolovainaho resiny sahady, IZY hitondra hazavana izay ho ampy zaraina.

K’ito tranobongoko, tsy misy fanilo, inoako tsy ho adinoinyfa tonga hono IZY, hizara sy hitsilo, ny lalan’ireo mpino

dia ireo izay manantena, niandry hatrizay, f’ilay teraka aniono lalam-pandresena, hizorana amin’izay, ka ndeha hifalio.

Kanefa na izany aza, na teraka ho antsika, ilay zanaky ny Raytompom-pahefana, tompon’ny anio sy ny mandrakizayrahoviana ihany, ito vilany nongoko, no mba hisy vary

fa na dia laoka anamamy, ankasitrahan’ity foko, fa avy amin’ilay nahary.

Fa mba krismasy ihany koa mantsy, ho an’ny tsy manana, ito hankalazainaka na dia hoe tsy misy vatsy, na ho laoka anana, aleo tsy hitaraina

fa mba vavaka no asandratra, ho an’ilay ao ambony, inoako marimarinafa ho krismasy hahasambatra sy taona mba ho tony, ny ho avy ka hanarina.

ny androm-pitarainako, nigoako ny mangidy, nilaozan-torimasonanimba ny fisainako, nandiso ny tadidy, fa tena mafy ny ankasoka na iainako aza, ny ratsy sy ny soa, dia lalam-piainana ihany

Fa mba krismasy, hampifalifaly ny fo no hisy androany.

RakparfaitAmpahibe, 11 novambra 2011 @ 3 ora sy 36 minitra folakandro

Page 101: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RESY

Tsy hoe resy akory rehefa mangina ka tsy mitenyfa mety ho mafy ny lala-nodiavina ka mbola sina

fa hisy ny andro mety ho ora hialan’izy irenydia ho tsiky sy hehy no ho heno handresy mangina.

Marina, ekeko fa mafy ny ady tsy zakan’ny fonanaloka mihitsy izay mba anjara nitsilopy tety

kanefa na izany aza, ny fery sy ratra ireo ve moatsy hanolatra ihany rehefa tojo izay mba mety ?

Diso aho raha hilaza hiambo fa hoe zakako ihanyilay fandaozana izay nisy tsy hoe mbola hiverinafa mafy iny ora tsy tanako mihitsy ny ora-tomany

nandena ny tavako namonto mosara, izaho nivembena.

Niezaka ihany aho nandresy tomany, nitsiky morafa ito mosara vonto sy lena tsy haiko nafeninaporofon’ny foko resy an’ady maheno akoran’

ny aok’izay faranana hatreo, aleo tsy miverina

ny androntsika sarotra hialana fa paradisaizay tany Edena tsy haiko aloha fa kanto aok’izany

fa tamin’io ora fanaovam-beloma tsy nisy izay sisan’ny fitiavantsika nivoadivoadiana haharitra hatrany.

Fa mety hoe resy ihany aho aloha ka aleoko manginaeny triatra mihitsy ny lamba fitafin’ilay fitiavantsikanirakofan’ny fo…nihanjaka teo…ka indreo fahoriana

fa resy aho manko resy mihitsy ka tsy sariaka.

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ telo tolakandro

Page 102: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HISAFIDY

Hisafidy ny foko,hiantso anao

fa dia ho toloko,no ho valiny ao.

Hiezaka ihany,hametra koa

fa dia ho tomanyno ho hiran’ny fo

Ho vitany ve,ny hivadi-dela

na koa tsy handreilay antso “malala” ?

Ho sarotra izanysafidy mangidy

sa lalànan’ny tanyna koa didy ?

Ny endrikao miranasikotra am-po

fa dia ho sahiranamarina moa.

Sadaikatra ihanyny lelako hiantsohanova fa izanyve tsy ankaso ?

Dia ho iza indrayno hiantsoako anao

Ry namako izayMalalako tao ?

Sa namako fotsinytsy misy fangarofa Soa ny fahinytokan-tsy maro.

Hisafidy ihany ahohiantso ihany koa

fa ho malalako ianaoMalalako Soa.

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ 6 ora sy 25 minitra hariva

Page 103: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBOLA HISENTO

Mbola hisento ihany ny fokona dia anilanao azafa ndrao hosodokona hoe tsy sahaza.

Ny omaliko zezi-pitiavananamolavolako ny fo

sy tondra-tomany mazanananiry nitia tokoa

Nikiry aho nikasanitia mangina

fa ity foko tany voaasamiandry ilay olo-tiana

Ny rivo-mitsoka ndraohitondra fofona hafahanempotra ka saoho veloma no tafa.

Na izany aza anefatontoloko ianao

ka tsy avelako hilefaMalalako izao.

RakparfaitAmpahibe, 15 Novambra 2011 @ 7 ora alina

Page 104: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY METY

Tsy mety ny fo fa mbola mahatsiarony tsikin’ny omaly tsy hay hadinoina

k’injao fa misento, mampifangaroembon’ny tia tsy maty vonoina.

Ny fidobony injao, miakatra an-tendasy mievotra anaty, toa mikalo

hiran’ny manina, izay manakendany fiainako resy, mifona mivalo.

RakparfaitAmpahibe, 17 Novambra 2011 @ 6 ora hariva

Page 105: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBOLA HISY VE ?

Mety mbola hisy ve ny fiverenanany lasa niainana voatery nilaozanasa zavona ihany mameno ny lalanahisinda rehefa tojo izay hazavana ?

Kepoka mantsy ny fo izay nitiatsy nihevitra mihitsy izay ho avyizaho nitia, ianao tsy nanao tsia

kanefa indrisy, rava sahady.

Sarotra inoana kanefa dia nisyisika nitia, nigoka nifaly

saingy izao ny tsiaro ve hisysa holatra angamba sy fo izay mijaly

no ho tahiry, ho fijeriko lavaraha sendra iny ka mba mahatsiaro

ny lasa niainana, fitia efa ravaresy ny vintana, maty nalazo.

RakparfaitAmpahibe 17 Novambra 2011 @ 6 ora sy 10 minitra hariva

Page 106: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NA MALOKA AZA

Maloka indray ity volon’andro, ho ora-mikija vesa sento iray mba tratr’andro, tsy mety mandeha

manakona taratra tsilopy mitarika tsiahy hitamberinamangeja tratra sy fo hanamarika ny lasa miverina ?.

Kotroka izany, fambara fa ho avy ny oran’ny tanyfa ny foko mitomany mbola miangavy midoboka hatrany

mitempo miantso mandefa taraina mba ho reny ve ?tsy hira milanto na fitia hozaraina fa sento tsy voafehy.

Hiakatra am-bava tononin’ny molotra toa hira fikalotsy akoralava fanaon’ny sosotra na sioka mandalo

fa hiran’ny manina saraka tiana mitoetra ireryembo-mahafanina tsy hay nariana mitoetra tsy very.

Fa maloka, hoy aho, ny raho-mitatao toa mitafy fisaonanafa sempotra izaho manembona anao mandefa fisainanamamelona sary tsy afaka an-tsaina mamiko indrindra

tsy anaty diary no sarotra alaina tsy mety afindra.

Fa efa voafantsika anatin’ny fo ny lasa niarahanaka tsy hisy hipika eny na ho lo ilay fahasambarana

fa na dia maloka aza ny lasantsika tsy maty vonoinambola hisy hilaza ireo zava-bita tsy hay hadinoina.

RakparfaitAmpahibe, 22 Novambra 2011 @ 5 ora sy 15 folakandro

Page 107: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

22 NOVAMBRA

Ho inona moa no azako atao fa dia tsiahy fotsinyr’ilay tokan’ny fo izay efa natao ho namako iny

no ho setrin’ny andro tamberina androany izay nahaterahanafa na ny nahandro dia torak’izany tsy maintsy noferana

Tsy miafina indro ny ato an-trano hainao tsarafa mbola afa-mamindro tsy hoe angano ka atao ho tantara

amin’izay misy, izaho sy ianao koa andeha hifalianany andro sisa ho tontolo vaovao sy mbola havariana

Satriko mantsy mba tontolo hafa no hisy antsikaho henika vatsy, korana sy tafa sy tsy hangatsiakasaingy tsy mety ny fo fa mafy loatra ny zava-misy

ka nankarary ny loha nahatonga ahy hitroatra fa olona vitsy

no indreo fa mibodo mangeja safidy milaza ho mpamonjyfa dia zaza bodo no tsy refesi-mandidy amin’ireo mila vonjy

ren’ny sofiko hitan’ny maso mijaly aok’izanyka ilay tokako nataoko hoe andraso fa miantso ny tany.

Izay mba tahiry tokony ho anao tsy haiko noferanafa tonga nitsiry tanatiko tao tsy hoe fanaperana

ny tsimoka hiady hivono-kandresy hijoro hatranyka mba hitady sy ho mpandresy na dia hitomany.

Ka hifonako akia, tsy hoe manadino, tsaroako tsarafa na dia mahia sy tsy mampino mbola azoko ambara

ka atao fanomezana mariky ny androany tsingerin-taonaito tenako tsy mivena na vonto tomany fa ho afa-tsaona

ny fiainantsika ka hamiratra indray ilay afo tsy matyka ho samy sariaka hisaotra ny Ray sy hivavaka anatyfa ny taona ho avy ireo andro sisa izay mbola omeny

ho antsika mivady, ho lavitra kisa, ka hanjakan’ny TENY.

RakparfaitAmpahibe, 22 novambra 2011 @ 6 ora hariva

Page 108: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAVINA

Nisy ianao dia nisy izahoToy ny ravina amin-taho

Rehefa lany ny tsiry niarahanaMihintsana miala, fisarahana.

Nifankatia nifanolotra nofyIlay hazo nakadiry tsy narofy

Nefa sendra hain’andro mahamayNiaritra ihany…kila may.

Fa ny tany lasa lanitra kianjaNanirian’ilay hazo nifaliavanjaSaingy tsy nisy orana dia maina

Dia ilay fo nitia…karankaina

RakparfaitAnkatso 23 Novambra 2011 @ 8 ora maraina

Page 109: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TIAKO FOANA

Hihomehezan-dry zalahy aho mitia anaoFa hoe toy ny tanalahy ny tavanaoK’ireto maso mivontirika aok’izany

Nefa anie mitsirika izay any ambadika any.

Dia lazaina fa raha mihira, hono, ianao vorondoloTsy mikarantsana toa sodina fa manimba tontolo,

Ka na ny voalavo aza lasana misitrikaIzay mijoro dia lavo na lehibe na ny bitika.

Ny famindra, hono, bakabaka mampihomehyFa hoatran’ny misy hafahafa an’elakelam-pehy

Mihaotraotra tsy sahy toa matahotraHanahirana mihitsy raha vady fa hamatotra.

Raha mitsiky, oadray, eny indrisyAzo isaina sisa ireo nify

Tsy hahatsako, hono, fa miboridanaHanao telimoka tsy hisivana.

Nefa anie tsy hainy fa izaoIzato maso tanalahy anananaoIo mihitsy no tena itiavako azy

Tsy ilàko fitaratra ny eo aloha, ny ao aoriana vita ho azy.

Ka raha izay feonao, maninona moaRaha haneno toy ny siny vaky roa

Na dia tsy higoboka toy ny ampongaTiako foana rehefa manome…kilonga.

RakparfaitAmpahibe, 25 Novambra 2011 @ 7 ora alina

Page 110: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NY ALIKO

Nivadibadika aho tsy nahita toryNieritreritra ny ampitso tsy mbola hayNa ny lamba norakofako aza mba oryKotsakotsan-dranomaso indraindray

Ho toy ny inona ny ampitsoko fa maizinaIzay ezaka natao toa very maina

Ka ity aliko mampijaly sy manginaMahaketraka sy maha very saina

Taiza ho aiza tamin’izay mba nokinasaNo nisy sakana na koa tsy nety

Fa toa tany hay ny tazana ny omaly ny lasaFa midadasi-pisentoana hazavana vetivety.

K’izato alina natao mba hialana sasatraNilaozan-torimaso tsy miverina

Toa lava tsy zaka fa mitambesatraNy ahiahy ny ampitso…ny omaly tsy telina.

RakparfaitAmpahibe 25 Novambra 2011 @ 7 ora sy 10 minitra alina

Page 111: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

MBA HO TAONA

Fa miodina ny tany tsy mahalala fahorianana ny ady sy tomany tsy nataony nahavariana

fa niodina izy dia izao, vitany ihany ny anjaranyka tonga indray ny taom-baovao, mbola hitohy ny tantarany.

Ireo kiaka nameno ny tany, nanakoako tsy hay noperanatsy nanakana azy tsy ho any, hiroso ho amin’ny fanaperana

ka hamita 365 andro, nekeny ho taona irayka ny volana sy masoandro no mpitsara azy amin’izay.

Ny tsiky sy ny hehy, endri-piravoravoananekeny koa mba handeha hiaraka aminy mandavan-taona

tsy nosakanany tsy hisy fa nilainy mba hampahatsiaroireo ady maro mbola misy, tsy mitsahatra….hihamaro ?

Fa mbola hiodina ihany, tsy azontsika ho sakananana ho hehy na tomany ito tany fiafaranahitaritarika tsiahy, hikalokalo haravoana

fa mbola hampangotsoka fanahy sy hampitafy koa fisaonana

Fa iriako ho famaranana ito taona vao miandohamba hampisava izay ho lalana sy hampitobaka ny soa

ka ny nofiko rehetra, vetsovetso avy ao am-poho ankasitrahan’Andriamanitra sy ho hatolony avokoa.

RakparfaitIsoraka, 05 Desambra 2011 @ 2 ora folakandro

Page 112: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TOPI-MASO

Firy andro firy volanano nangina foana ilay feo

nezahina tsy ho olanaizany fahanginanao.

Saingy topi-maso tsy aritrasendra niantefa taminao

no nandoko indray ny lanitraho hosodoko vaovao.

Nosakanako tsy hitempoilay foko nitia naratrafa ny lasa mampisentomangeja izany tratra.

Fa ny volana sy ny taonan’inon’inona mitranga

mbola mitahiry tsy misaonafeon-kira, feo manga.

Fa ny fijerintsika nifanenaonjan-dranomasina mahery

ka ny tavako torapasika …lenarakotra tomany…mahatsiaro irery.

RakparfaitAmpahibe, 08 Desambra 2011 @ 7 ora alina

Page 113: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ARAHABA TAOM-BAOVAO

Hivoaka hipololotra, ny arahabam-pifaliana fa tratry ny taonatsy hikombona ny molotra, ireo teny havariana, fa ny omaly tokoa dia nimaona

tsikitsikim-pifaliana, no mandrakotra ny tava, tsy misy raho-mitataofa mba adino ny fahoriana, ka ity andro anie ho lava sy hitohy tahak’izao.

Tsy hisainana tsy misy, hitadiavana ny very, fa mba hamiratra ny ampitsony sento mba ho vitsy, ka hitsiky ireo irery fa ny anjara tsy mba diso

dia ho hazavam-pifaliana no handrakotra ny tany ka ho hobin’ny tafitano hanako tsy hangina, handresy ny tomany k’izay ho kasaina dia ho vita.

Dia tiana hitohy, ny arahaba taom-baovao, ho mandritry ny fiainanaka ny aizina hihafoy, ny fahanginana ho lao, dia hiasa ny fisainanahieriteritra hafaliana, handresena fisentoana, hampitony izany fofa ho lavi-pahoriana ireo andro sy fotoana hikatsahana ny soa.

Saingy indrisy ny omaly, tampisam-piainana, vatsy ny ho avyka na mangidy mampijaly, tsy azo hialana, fa ampinga ho enti-miady

hisandratana vaovao, hitadiavam-pandresena, amin’izay ho ataofa ny anio aloha dia izao, arahaba sesehena ho an’ny taom-baovao.

RakparfaitAmpahibe, 13 Desambra 2011 @ 3 ora folakandro

Page 114: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

HO AIZIM-PITO VE ?

Mbola mety hisy ve ny fotoana,ka hitsahatra ny tomaniko

k’ireo alahelo ho foanasy ho “efa” ireo laniko ?

Mety mbola ho hisy ve izanyka ho antenaiko ny mamiratra

ny hazavana tsy ho lanysy ny fitiavana tsy ho ritra ?

Fa ny anio aloha dia sentotoloko anaty mitambesatra

no kalo sy mba ventsohirahirain’ity fo sasatra

Fa ny masoko jambenasafomorin’ny tomanyilay foko manantena

ilay silany any ho any.

Resy izy, nahoana moa,mitomany ny ao an-tratra

resin’ilay tiany tsy mba roa….hanolatra ve ny ratra ?

Ka mbola hisy ary veny tara-pahazavana ho an’ny tia

sa ho aizim-pito izay alehaho loko mainty ho doria ?

RakparfaitAmpahibe, 15 Desambra 2011, @ efatra ora sy sasany folakandro

Page 115: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ARINDRINO

Ndao,

Arindrino moramora izato varavarakoaleo ihany koa hanjaka izato aizina

fa resy ny foko, angamba izao no anjarakotsy hiteny aho, sakazaiko ny alina

Arindrino moramora sao hisy ihany akon’ireo lasa niarahanay, hitampody an-tsaina

sy sary hialoalo ho tsinjovin’ito masokoanaty fahanginana ho sakaizam-piainana

Fa ho arindriko ihany koa na tsy sitrako azany varavaran’ity fo nitahiry ireo voady

fa ny molotro ho maina, hangina tsy hilazaireo teny mamy izay natao, orokoroka mandady

Ndao,

Fa akimpiko ny masoko, hibanjina an-tsainany andro lasa omaly kosehina tsy hisy

na fangirifiriana no entiny manindrona ny ainatontolon’ny fitiavako, mamiko nefa indrisy…

Ho arindriko moramora ny varavaran’ny fokomba tsy hitempo intsony, fitiavana hafaaleo ho faty ny fitia, fa marary ny tolokonilaozan’olon-tiana, hitsahatra ny tafa.

RakparfaitAmpahibe, 22 Desmbra 2011, @ 4 ora sy 22 minitra folakandro

Page 116: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RANOMASOKO

Hirotsaka mora, tsy ho tana hikorianahandena ny tavako ny ranon’ity masokotsy hanasa anefa fa porofom-pahorianazakain’ity fo resy, malahelo sy mitoloko

Aleo hirotsaka fa marary ny ato anatymangeja ny fo ny alahelo sara-tianafa na ny mosara aza ho lambam-paty

hamonosana ilay fitia maty ka mangina

Ho jambena ny maso, tondra-dranony tontolo tsy ho hay, rahom-potsy

fa hamonto izany tavako, safo-dranoRanomasom-pahoriana, resy loko fotsy.

RakparfaitAmpahibe, 23 Desambra 2011, @ 4 ora folakandro

Page 117: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

LOKON'EMBONA

Aty an-tany lavitra, no tsy tana ny eritreritra, fa miampita habakabaka.

hetsehin'ny embona tsy aritra, mandoko sary izany hevitra, ho loko tokana miavaka

hosodokon'olon-tia, lavi-tiana velon-tsento, manireryhodidinin'ny tsiahy

ka miantso hoe avia, eto anilako eto, fa tena veryity olon-tia manahy

Iny voro-mikopak'elatra, miankandrefana ndeha ho aizaetsy kely azafady

ito ventsoko mavesatra, mba ho ento ry sakaizamalahelo ka miangavy

ianao mantsy mba afaka, hiampita izany elanelanamampisaraka fo mifankatia

hilazao ilay olon-tiako tafasaraka, hilazao fa tsy mihenailay fitiavako doria

raha nanan'elatra, hono, mantsy, izy aty an-tany lavitra

nikopak'elatra nisidinahamonjy ilay akany fa tsy tanty, fa mandrangitra

izato fahanginana

loko hafa mantsy akia, ny tontolo an-tany lavitralokon'embona tsiahy

MiseVonjyAmbolokandrina 07 febroary 2012 @ 9 ora sy sasany alina

Page 118: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

NIFARANA

Fa nitsahatra nitempo, ilay fo mbola tia,resy an’ady novesaran-tsento, ka nifarana ny dia.

Onaonan-dranomaso, tontolom-pisentoanaizay fifaliana tsy mba azo, fa lasa foana ny fotoana.

Ilay olona mba notiavina, nokasaina ho malalatsy niteny fa nangina, tsy mba nety nahalala.

Tsisy topi-maso kely akory, ho an’ity izay nijaly,fa fitiavana oriory, no mba setrin’izy faly.

Fa ny andro izay nisandratra, nantenaina hitondra tsikyka hampisy olon-tsambatra, no indro nampiviky,

eritreritra nanantena, fa ity andro vaovao,angamba mba ho an’ny tena sy ilay fitia anaty ao.

Fa nihilana ihany ny andro, noresen’izany alina,tsy nalatsaka nahandro, ilay fitia zary fanina.Ilay nantenaina tsy azo, ny fitia rakotr’aizina.

Ilay nitsiry indro fa nalazo, tsy nisy intsony izay vina.

...fa nitsahatra nitempo, ity fo izay nitahiryka ho entiny tsy ho eto, ilay fitia tsy ananam-piry

tsy ho atolony intsony, na fitia nampitomanyfa hilevina ao am-pony, nenti-nody ambany tany.

MiseVonjyAmbolokandrina 24 Febroary 2012 amin’ny 7 ora sy 24 minitra maraina

Page 119: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

TSY ILANA

Tsy ilana teny, na koa hoe ambara,

ho ren’izao tontolo izao,

ilay nekena ho «eny», fa rakitra tantara,

natokana ho ahy sy ianao.

Tsy ilana anjomara,hanairana ny tany,izay nifanolorana.

fa fitia efa anjara, na dia nisy tomany

fa lamba hisalorana.

Saingy ...

ilako famantaranafa amboaran’olon-tia

ny andro anio

ka etsy izany tanana, meteza ka avia

ry Malala tadidio

tsy atolotro ny peratraho hitan’ny tontoloho mari-pitiavana

fa fitia tsy asiako fetrana koa hoe ho bobongolo

no omeko Rahavana.

MiseVonjy Ambolokandrina 24 Febroary 2012 amin’ny 8 ora maraina

Page 120: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

JACARANDA

Fa namelana indray ireto Jacaranda, ilay hazon’ny fotoanatsy mba eny anivon’ny saha, fa an-tsisin-dalana eny foana.

Volana Oktobra eny mantsy, izato volana ho diavinatonga ho azy tsisy mihantsy, fandaharana tsy lavina

Mandomando avokoa ny manodidina azy rehetratena vokatry ny fo, no harotsany tsisy fetra.

Tsy mba andon’ny maraina, tratr’andro dia ho mainafa famantarana lalaina, fa mbola samy velon’aina.

Endrey ireto felany, miloko volomparasyfa na rivotra aza tsy noferany, tsy navelany hangasihasy,

mba hioty sy hitango, hitondra hanenika ny tanyfa tsara ny vary sy ny lango...ny Jacaranda hafa ihany.

Fa mba namelana ihany koa, volana Oktobra toy izaoilay fitiavana tao am-po, saingy noheveriko ho lalaotoy ny sangisangy ihany, no nandraisako ny fidobony

fa fiainana hoy aho izany, ilay fitia izay natolony.

Ny ranomasony nirotsaka, tsy noheveriko tanatyfa ny endriny tsy afaka, mbola velona tsy maty.

Volana Oktobra tamin’izay, namony ny Jacarandafa izaho tsy mba nahay, nanaiky sy nanda...

Fa mbola hamony ihany, ho mariky ny fotoanany Jacaranda tsy ho lany sy irariako tsy ho foana

ka rehefa mba mandalo sy mitazana ny felanyny fahanterako mbola hikalo ilay fitia izay natolony.

MiseVonjyAmbolokandrina 28 Febroary 2012 amin’ny 12 ora sy 51minitra atoandro

Page 121: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

ERITRERETO

Alaivo an’eritreritra, f’izato bikanao io, meva sady kantovoninkazo tsara tsiry, anivon’ny saha, manintona mpandranto,dia ho tototry ny tany, rehefa tonga ilay ora, f’izay no anjaraho ao am-pasa-mangina, hihintsana mora, fa vita ny tantara.

Ny tsikinao malefaka, nambabo izay nijery, nahangoly izay niantefanyfialovan’olon-tia, raha sendra manirery, nandrakotra tomanydia ho endrika sy sary, tahiry anaty fo, ho tsiaro indraindrayanaty ny tamberina, izay tsara sy mba soa, nolalaina fahizay.

Ny bikanao nankafiziko, tsy fahita firy, tokana eto an-tanynameno izany tanako, raha sendra mba nikiry, hilalao ny malalany,

dia hanjavona tsy ho hita, ho rakitry ny ela, tahiry anaty diaryho tototra molaly, ireo sisa mba tavela, ho embona hankarary.

Ka alaiko an’eritreritra, ny fiainako ampitso, tsy ho anilanaoho dobon-dranomaso, ho fako...angamba hasiso, tsy hisy izay azo atao.

F’ianao ilay paradisa, tendrin-janahary ho namako tety,ho fahatsiarovana sisa, marika fa hary, ilay fitia vetivety.

Hilofika fa resy, tojo ny seranana, tsy maintsy hijanonanaka ny fiainanao tety, raha tonga ny fiantsoana, tsy maintsy nofaranana.

MiseVonjy182 - Ambohijatovo - 08 Martsa 2012 tamin’ny 11 ora sy 50 minitra atoandro

Page 122: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RAKITRA

Ho raiketiko an-tsoratra, ny senton’ny fo, nateraky ny tsiahyhisolo ireto holatra, tsy mba nety lo, tsy nahasaraka ahy.

Ho soratako ao, ny kiakan’olon-tia, tojo fifalianafa tsy mba kilalao, ilay isika niara-dia, tsy mba nokaliana.

Ka rehefa iny, mitamberina ny lasa, tonga tsy nantsoina,ho raisiko ilay episitily, feno ny fikasa, tsy mba nokaloina.

Ventesiko irery, ireo sento niarahana, tanatin’ny lanitravoarakitra tsy very, tsy nisy nangalana fa namerovero manitra.

MiseVonjyAmbolokandrina, 08 Martsa 2012 amin’ny 8 ora sy 32 minitra alina

Page 123: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

FA TONGA INDRAY

Fa tonga indray ny hazavana, amin’ny masom-baravarankeliko

misisika tsy azoko hialana, hamerina an-tany ny eritreritro,

hiampita ho amin’ny anio sy ny fiainana mbola ho diaviko

tsy azoko hiantsoana ampio na raha tsy zaka dia ho laviko.

MiseVonjyAmbolokandrina, 14 Martsa 2012 amin’ny 9 ora alina

Page 124: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

IZAHO ALOHA

Izaho aloha androany no misento sy mijalytsy misaraka tomany, sara-tiana ka tsy faly.

Ilay fitiavana no triatra, ilay fitafy fony tiailay noheverina tsy ho ritra sy nofisina ho doria.

Ho sotroiko na mangidy ´ty veloma tsy nampoizinafa na lahatra na didy, nanala aina toy ny poizina.

Tsy ho antsoiko izany tody na hampiakarako ny feofa tsy maintsy hisy fanafody hikosehako ilay tsy eo.

Fa androany aloha dia izaho no kianjan-dranomasofa ravina saraka ami-taho entin-drivotra ankaso.

Hievaeva tsisy faka, tsisy fototra hamikirananefa dia fitia lalim-paka no toa niainana nahamirana.

Fa na tiako na tsy tiako, izany hira fifandaozanano handrotsy izany diako, izaho ilay tia izay nilaozana.

Eny, fa izaho aloha androany no misento sy mijalynilaozan-tiana ka tomany, valabalaka tsy faly.

Fa ny ampitso tsy maintsy ho avy, tsy hay sakanana ioho tontolo tsy miangavy, ho tontolo tena hadio

Dia ho fitiavana vaovao, no hitsiry hanorim-pakatsy hisy ny tandindonao na ny lasa no hanjaka

fa toy ny tara-bao maraina, hanazava ny alikohampisinda ny taraina, hazavana tena mamiko...

fa...

IZAHO ALOHA ANDROANY...AVELAO HITOMANY

MiseVonjyAmbolokandrina, 22 Martsa 2012 amin’ny Folo ora alina sy 21 minitra

Page 125: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo
Page 126: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

AIZA E !

Firy taona izay no lasa, tsy mbola misy izay niavakaNefa be atidoha be fikasa, nampiaiky fa mpandavaka

“Indro fa tonga ny famonjena, harodany fa jadona”Izay nolazaina dia nekena fa izao ilay ora fa migadona.

Hikiaka ho mpamonjy fa hanavotra ny gasyDia maro no natoky fa teo koa moa ny basy.

Injao ny feo ndao avia, mamenoa ny laharanaNy AKFM, ny AVI, tsy adino Ho tonga anie ny Fahafahana

Tsy nitsaha-nitombo ireo izay nety ho resy lahatraNa ny reny nampinono eny hatramin’ireo mpianatra.

Tsy nahafantatra akory izay tena tao ambadikaFa ny isan’andro aloha nahaory ka dia andao io avadika.

“Ny ampitso dia antsika, aok’izay ndao harodanaFa mpitondra mampihiaka, tsy mba misy fahafahana

Ety an-dalana no sehatra hanaovantsika fitakianaAoka hivonona hisedra, ny tahotra aoka hariana.

Fa Iny lalana iny aoka isika no hanorinaVita hatreo ny fahiny, resabe lomorina

Fa isika izao mijoro no atao ho reharehaTsy lamasinina efa hikoro fa handeha TGV.

Tsy hihemotra fa handroso, lasa izao aviaRatsirahonana, Andriamandroso…efa maro ny AVI

Resy lahatra handrava ilay naoriny taona firy ?Ka na mbola hisy Ratsimandrava aleo ho any fa tsy mampangirifiry.”

Dia roboka ireto gasy nihevitra fa vahoakaTsy hay koa moa ireto be basy fa namporisika tsy hitsoaka

“Faranantsika io anio, antsika izao” hoy ry vàvànaToy ny rivotra tadio, ny fananan’olona noravana.

Natomboka tamin’ny vaki-trano, ilay lazaina hoe tolona

Page 127: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

Tena marina tsy angano fa nisy may koa ny olona.Nihorohoro ny tanàna, feno dahalo an-dalambeNiantsoantso fahafana, misaotra anao ry TGV

Tanjombato, teny Anosy eny hatrany AnosipatranaIreto vahoaka milaza fa voahosy no nandrava fananana

Izao hono ilay fahafahana notadiavina hatry ny elaNosakanan-dRavalomanana, Haleloia…aza misy atao tavela.

Dia nibata sy nangorona eny tsy hay nosakananaNy miaramila moa namono izay nilaza fa tsy izao ilay fahafahana

Sy nibitaka fa hoe nandresy ilay mpangeja mpampahoryKa ny halatra nasesy tsisy bedy tsisy tahotra akory.

Dia nivadika ny andro, nikorisa tonga volanaTsy nitombo anefa ilay nahandro, fa nihafongana ny an-tanana.

Ireo resabe teny an-kianja, nampatoriana ireo vahoakaTsisy tanteraka mihanjahanja, lasa resaka mampanoaka.

Ny tantara anefa miroso tsy azonao sakananaDia lazaina fa hiroso amin’ny fifandraisan-tanana

“Saingy ianareo efa resy, aoka hangina manarahaFa Rajoelina no mpandresy, ianareo vasalahy.

Ka tongava Ambohitsorohitra, mivoha ny varavaranaSaingy izaho no lohavohitra, ianareo no tsindry hahazana

Ento daholo izay hevitra fa ho ritra ihany ity ny volaF’ilay kabariko toa mihevotra, lasa hira tsisy angola.

Ianareo mpanolotsaina misia mankany am-pitaIlazao ireo akama maina fa izy ity toa tsy ho tafita

Nefa misy “donne” vaovao, tena “bonne” sy “cause”Misy tsena hitako ao, vola be ny Bois de rose.

Izaho hibetroka hoe tsy mety, hiantsoantso hoe tsaraoNefa tapaho vetivety an’hekitarany efa hainao

Ampirimo aloha modio fanina, aleo hilamina ny tanyFa haondrantsika mangina, aza adino ny am-pahany.

Dia hijoro aho ho filoha, mampiray ny MalagasyKa ho teteziko avokoa ireo miaramila manam-basy

Hizarako fanamiana, ho tolorako fiara ihany koaAmin’izay tsy misy ahiana, fa hanaraka ao ivoha.

K’izay miseho ho maranitra, hitsikera hoe tsy metyHandefasana manamboninahitra, antsoina vetivety

Ho lazaina ihany koa fa mpamadika ny gasy

Page 128: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

Tsy maintsy folaka io rasoa rehefa tojo vody basy.

Ny amin’ny any am-pita, ry SADC sy ny namanyMilamina ry kala ngita, haintsika ny tantarany

Madagasikara tsy Mozambika na koa hoe AngolaFa ny fiandrianam-pirenentsika no haroso oh la la!

Ny eto an-toerana amin’izay, hihaiky tsy teneninaFa hoe tena milay ilay prezida Rajoelina

Dia mamory koa mpanao gazety, hanafarana hafatraFa ny vitantsika nety, izao vao tena lafatra.

Ny amin-dRavalomanana sy izay hoe fodianyNy 07 Février hanana, tsy avelantsika ho kilasiany

Ho dradradradraina isan’andro vaky, fa ny rà izay latsakaBe ireo fianakaviana no mitaky sanatria tsy vali-kitsaka

Ka ny SADC aza rehefa miseho ho be mokon-dohaOmentsika ny sahaza, angatahantsika ihany koa

Handefasantsika miaramila hisambotra azy any am-pitaDia tsy maintsy hivaralila, Ravalomanana eo no vita.

Fa ny tena mahavaka mila hampivadika ny lohaTsy hianareo irery no te haka fa ny ao an-trano ihany koa

Izaho anefa prezida tsy voafidy kely akoryKa io no tena mampanahy, sao dia Tsiafahy aho no matory.

Ka ny hevitra hitako, mino mihitsy aho fa metyAndeha izay mba vitako no ankalazaina hanaovam-petyAtao makotroka mihitsy ny fahatsiarovana ilay tolonaFety be tsy ankitsitsy na dia nisy aza ny vonoan’olona.

Ho variana ny gasy, ny Tetezamita hitohyRy miaramila manam-basy ho andrin-dRajoelina hanohy

Hilaza fa milamina ny tany, ravoravo ny vahoakaRy Zafy avelao ho any, fa isika hihinan-daoka.

Dia roa taona izay no dify, inona no ho lazainaSa ireto gasy miha manify sa ireo mivarotr’aina

No harangaranga ho hita hitadiavam-pahatokisanaSa ilay fandravana vita no entina hamokisana

An’izao tontolo izao, tsy mitsaha-manontanyMbola misy ve ao olombelona ihany ?

Page 129: ekladata.comekladata.com/FzwSY5qTv9kxMfvY7Zi_mKZzN1Y/corrige.docx · Web viewraha ny hita no resahina, tena marina izay voalaza fa izao no famonjena ka ndeha hankalaza. dia miroborobo

RakparfaitAmpahibe 06 Oktobra 2011 t@ mitatao vovonana