11 An-tsary misongadina Ny Valosoa Vaovao ......hanao diabe ho eny amin'ny Lapan'ny...

Preview:

Citation preview

8Lah 1008 Talata 28 janoary 2020Samihafa - An-tsarywww.gvalosoa.com

An-tsary misongadina Ny Valosoa VaovaoHelisoa

Ny fikaonandohan’ny mpanohitra tao amin’ny Carlton ny sabotsy teo.

Nanao valan-dresaka tao amin’ny louvre Antaninarenina ny oNG Maha-olona.

11 tAoNA lAsA izAy

tsy maty ao an-tsain’ny rehetra ny

herisetra nitranga ny 26 Janoary 2009

Raha tsiahivina nyz a v a - n i t r a n g atamin’izany dia nisy

ny fanakatonana ny Televi-ziona Viva ny farampa-ran’ny taona 2008, satrianihoa-pefy teo amin’ny fa-moaham-baovao. Nanapa-kevitra Ingahy RajoelinaBen’ny Tanànan’Antanana-rivo Renivohitra tamin’izany, fa ny Kianjan’Ambo-hijatovo dia atao ho” kian-jan’ny demokrasia”, azon’ny rehetra hanehoan-kevi-tra tsy mila fanaovana fan-gatahana alalana amin’nyCua sy Préfet de Police, famisokatra ho an’izay ma-nan-kolazaina.Ny Sabotsy 17 Janoary2009 no natao ny fitoka-nana ny kianja, ka ny te-nan’Ingahy Rajoelina notonga nitokana izany, dianisy ny kabary nataotamin’izany, izay fanenje-hana bontolo ny Filoha Ra-valomanana no heno tao,ny Sabotsy 24 Janoary2009 dia mbola niverinateny Ambohijatovo ry Ra-joelina ary nanambara fatsy hijanona eny Ambohija-tovo intsony, fa hidina enyamin'ny Kianjan'ny 13 Meyamin'izay, ary ampahibe-maso no nilazan'IngahyRajoelina, fa izy no hibaikony mpitandro filaminana syny mpiasampanjakana. Ny Alatsinainy 26 Janoary2009 dia nifamotoana tenyamin'ny Kianjan'ny 13 Meyireo mpanao fihetsiketse-hana, nambara teny fahanao diabe ho enyamin'ny Lapan'ny fitsaranaAnosy, hamoaka ireompianatra voalaza fa voa-sambotra, kinanjo nony

tonga teny Anosy efa vot-sotra ireo mpianatra, kaniova hevitra indray ireoandian'olona tonga teny, fahandoro sy handroba nyRadiompirenena sy ny Te-levizionampirenena, dia ni-roso tokoa ireo tsy ma-tahotody, nony vita ny tenyAnosy dia ny Radio sy Te-leviziona MBS teny Anosi-patrana indray no nodo-rana sy norobaina ary avyeo dia teny amin'ny Tiko syMagro Tanjombato sy An-korondrano ary Behoririka.Ankoatr'ireo dia voaroba syvoadoro koa ireo fana-nan'olontsotra teny Behori-rika sy Ankorondrano.Nolalovan'ireo mpandrobafotsiny, fa tsy nokitihany nyBuilding Ramaroson, nySavonnerie Tropicale aryny haino amanjerin'IngahyEdgard Razafindravaha,marihana fa nisy ny fitso-fandrano nataon'IngahyRajoelina teny Anosy, hoan'ireo vonon-kandrobateny Andavamamba. Tonga avy any Afrika At-simo ny Filoha Ravaloma-nana ny Alahady 25 Ja-noary 2009, vahoaka ma-robe no tonga nihoby azyteny Ivato sy tamin'ny la-lana nolalovany rehetramandrapahatongany tenyFaravohitra, tamin'io androio no nivoaka ny fomba fi-tenenana hoe tonga nyDadanay ary nanombokateo dia i Dada no fiant-soana ny Filoha Ravalo-manana, ka hatramin'ireoray amandreny efa nahazotaona aza dia miantso azyhoe i Dada.Aleo dia tsorina fa ny fa-hombiazan'ny fitsenana

nataon'ny vahoaka ny Fi-loha Ravalomanana no na-haromotra ireompandroba, ka nahatongany fandorana tanàna syfandrobana fananana nyampitso Alatsinainy Maity. Nihorohoro tanteraka An-

tananarivo iray manontolotamin'io alatsinainy io, tatyaoriana aza moa dia nant-soina hoe "lundi noir"ny 26Janoary 2009.Hatramin' izao fotoanaizao, 11 taona aty aorianadia tsy mbola nisy ny fana-dihadiana, na fikarohanaireo nahavanon-doza na-nao ny fandravana, na nympanapotika, na ny mpani-raka, izay marihina fa ma-hazo fitondrana ankehi-triny. Ireo niharam-paha-voazana dia tsy mbola nisyny fanonerana ny fana-nana rava.Firenena mitonona ho tan-dalàna i Madagasikara,noho izany dia tokony tsyho afa-maina ny mpanaoratsy, efa mijoro rahateo nyHaute Cour de Justicenatao hitsarana ireo tom-pon'andraikitra ambonynahavita heloka teto amin'ny firenena, koa antenainafa hiasa araka ny tokonyho izy io fitsarana io satriatsy misy olona eo ambo-nin'ny lalàna, kanefa mbo-la lavitry ny afo ny kitayaraky ny fitenenana, satriambola mirehareha sy mi-hevitena ho tsimatima-nonta ireo nahavanondozaary ilay Haute Cour de Jus-tice, na Fitsarana Avo ra-hateo koa toa malaza tsyihinanana toa vilian-tsa-hona.

Ny Valosoa

Ny Rado Rafalimanana

Avelao ny Malagasy hifanome tanana fa aza asiana resaka politika

Nahafantarana ny ONG Fanahy no Ma-haolona tarihin’ny filohany, Ny Rado Ra-falimanana sady ambasadaoron’nyWFDP: World Fund Development for Ma-dagascar, ny resaka fanaovana asa soaindrindra rehefa misy ny loza voajanaharymihàtra eto amin’ny firenena. Tsy niresakamihintsy aho hoy Ny Rado Rafalimananataorian’ny fifidianana filohan’ny repoblika.Ankehitriny anefa, noho ny zavatra mi-tranga eto amin’ny firenena mahazo nympiray tanindrazana vokatry ny ranobemanerana ny Nosy dia mijoro izahay hoyizy hanampy sy hitondra fanampiana hoazy ireo. Re izany nandritra ny fihao-nan’ny ONG Ny fanahy no Mahaolona ta-min’ny mpanao gazety tao Antaninareninaomaly. Hisy hoy izy ny fiaramanidina hi-tondra entana 100 taonina raha mahazoalalana avy amin’ny fanjakàna, ankoatraizay, hisy ny fiantsoana faobe ireo inje-niera Malagasy hitety tanàna hijerenahandinihana ny fanampiana ireo ravatrano amin’izany. Tsy mitsabaka amin’nyasan’ny mpitondra izahay hoy Ny RadoRafalimanana amin’izao asa ataonayizao, fa tena voinkava mahatratra hoamin’ny mpiray tanindrazana no ataonay,ka ny WFDP hoy izy no hamatsy arabolany asa atao rehetra. Hiaraka amin’ireoteknisiana injeniera tanora ireo izahay, ka

15 andro hoy izy no hanaovanay izany,any Tanambe Amparafaravola, no hanom-boana ny asa, avy eo rehefa vita izany diahanampy amin’ny fanamboarana ny tranorava izahay. Nahitsy ny ONG Fanahy noMahaolona raha niresaka tamin’ny mpa-nao gazety, fa tsy afaka hanome ny fano-mezana omeny ny traboina eny amin’nyBNGRC izy ireo satria efa nisy ny zavatratsy nety niseho 2 taona lasa izay. Nisy nyentana iray kaontenera navela simba taoamin’ny port fotsiny. Koa raha tamin’nympitondra teo aloha no nisian’izany diaomeo alalana aloha izahay hizara io en-tana entin’ny fiaramanidina io hoy izy. Tsymila voninahitra sy dera izahay, fa ny fije-rena ireo traboina no mahamaika anayhoy hatrany Ny Rado Rafalimanana. Aokare mba tsy atao resaka politika ny fanome-zana fanomezana ho an’ny vahoaka, faavelao ny Malagasy hifamonjy. Aza ma-nana ahiahy ianareo fa ny skoto no ome-nay andraikitra hizara ny fanomezana, aryafaka hasiana miaramila betsaka hijery nyfizaràna ny entana amin’izany. Nilaza NyRado Rafalimanana, fa tsy ankasitrahanyny fanambaràna navokan’ny fanjakànaamin’ny fisakanana ny Malagasy hamonjyny mpiray tanindrazana aminy.

Helisoa

Recommended