Upload
others
View
4
Download
0
Embed Size (px)
Citation preview
G A Z E T Y M I V O A K A I S A K Y N Y R O A V O L A N A L a h . 0 1 3 S e p t a m b r a - D e s a m b r a 2 0 1 2
ANALAMANGA
Fivelaran’ny Sehatr’asa Fihariana Vokatry Ny Fampiharana Ireo Tohana Azo
Hetsika Ara-Barotra Mampiavaka Ny Faritra Matsiatra Ambony
Ramatoa Tahina, Mpandraharaha Modely Ao Befandriana Nord
I Zefania Johnson, Mpanjono Mpiahy Tanora, Mipetraka Eo Ampasimeloka Kaominina Savana, Distrika Vohipeno
FANOHANANA ARA-BAROTRA ENTINA MANATSARA NY TSENA SY MAMPIRANTY NY VOKATRA VOKARINA
Taloha dia voatery nionona tamin’ny famarotana ny entana amin’ireo mpanelanelana na ireo mpanjifa efa
mahazatra izy ireo, zara raha misy tombony ny fikelezan’aina nataon’ireo tompona sehatrasa madinika sy tena madinika ireo tamin’izany. Noho ny fahavitrihan’izy ireo, izay mivondrona ao amin’ny Association « Art-Meva » dia nahazo tohana ara-barotra avy amin’ny FANOITRA izy ireo. Mpanao asa-tanana miisa fito ambin’ny folo (17) avy amin’ny zotram-pihariana samihafa, no mahazo tombontsoa mivantana tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa. Ankoatr’izay dia mbola eo koa ny tolo-tsaina sy ny tantsoroka avy amin’ny Fandaharanasa manampy amin’ny fanatsarana ny vokatra sy ny fitantanana.Maro ny tombontsoa azon’ireo nampiasa ny fotodrafitrasa, raha tsy hilaza afa tsy ny fahafahana mamelatra malalaka ny asany
avy ka mivarotra izany, eo koa ny firaisan-kinan’ireo mpanao asa-tanana eo an-toerana izay mihamafy sy mitatra amin’ireo hafa ato amin’ny Distrika Avaradrano. Fa ny tena zava-dehibe dia ny nahafahan’izy ireo nifanerasera mivantana amin’ny mpanjifa.Entina hampaharitra ity fotodrafitrasa ity dia manana fomba fiasa matotra ny Fikambanana, toy ny fandoavana ampahan’ny tombom-barotra (10%) sy ny latsakemboka ataon’ny fikambanana hafa mametraka entana ao.Ka ho anao izay liana amin’ny asa-tanana malagasy dia manasa anao ny Association ART-MEVA hitsidika ny toeram-pivarotany ao amin’ny Kaominina Alasora, eo amin’ny Mandikanamana : sampanana makany Ambohimanambola - manamorona ny «by-pass.
Mahery, CEJ Avaradrano
I TA S Y
VAT O VAV Y F I T O V I N A N Y
M AT S I AT R A A M B O N Y
S O F I A
© P
ROSP
ERER
Toy izao ny endriky ny toeram-pivarotana tena manara-penitra
T O E R A M - P I VA R O TA N A V O K AT R A :
Efa ela no nanirian’ireo mpanao asa-tanana ety amin’ny Kaominina Alasora hanana toeram-pivarotana ahafahan’izy ireo mivarotra ny vokany. Tanteraka ny nofin’izy ireo raha namaly ny hetahetany ny Fandaharanasa FANOITRA ka nametraka ny « Pavillon de vente » manamorona ny «By-pass»
© P
ROSP
ERER
Takelaka fanoroana ny toeram-pivarotana ho an’ny mpanjifa
KOPERATIVA MIARA-MIENTANA AMIN’NY FAMPIVELARANA NY SEHATRASA FAMOKARANA MANANASY
FA M O K A R A N A A R A - T S A K A F O :
Ao Ambalavao Antamboho Atsimondrano no misy ny koperativa Loharano.18 ny mpikambana ao amin’ny koperativa amin’izao fotoana ary ny iray amin’izany ihany no raim-pianankaviana fa ny sisa kosa dia vehivavy avokoa. Antony nananganana ny koperativa teny amboalohany ny mba ahafahana mizara tombontsoa ao anatin’ny fikambanana sy mba ho ara-dalana azy. Ny asa ifotoran’ny koperativa dia ny famokarana sy fanodinana ny mananasy. Efa manana toeram-pivarotana ao amin’ny tsena Mananasy, kaominina ambanivohitr’Ambalavao, distrikan’Atsimondrano ny koperativa. Ho an’ny vokatra indray dia efa samy mamboly ny azy any amin’ny taniny avy ny mpikambana tsirairay fa misy kosa ny fanangonam-bokatra amin’ny fotoana efa ifanarahan’ny mpikambana rehetra. Araka ny nambaran-dramatoa Ranoroarisoamalala Georgette, filoha mpitarika ny koperativa, dia efa ho ny fokontany Antamboho iray manontolo mihintsy no mivelona amin’ny famokarana
ny mananasy, izay isan’ny miteraka olana ho azy ireo eo amin’ny famarotana ny vokatra rehefa fotoana fiakarany. Ny karazana mananasy atao hoe zanzibara no ambolen’ny mponina any amin’iny faritra iny satria io karazany io no tena hitan’izy ireo ho mety amin’ny tany eny amin’ny fokontany misy azy. Maro ny fiofanana efa voarain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny koperativa toy ny fitantanana, ny fanodinana voankazo, ny mahakasika ny varotra. Ankoatr’ireo dia efa nisy ihany koa ny fitsidihana orinasa mpanodina voankazo nataon’izy ireo. Efa manana toeram-pivarotana manokana ny koperativa ao amin’ny Tsenan’ny mananasy, efa misy ihany koa ny trano fanodinana vokatra izay tosika azon’izy ireo avy amin’ny Fandaharanasa FANOITRA avokoa. Ho an-dramatoa Georgette manokana dia 200 isa isan-kerinandro ny mananasy azony amidy. Ho an’ny fanodinana mananasy kosa dia 20 bokala isan-kerinandro no vitany amin’ny «confiture» ary mahavita ranom-boankazo 10 litatra kosa. Koperativa Loharano: 033 01 630 00.
Tsanta
© P
ROSP
ERER
Ramatoa Ranoroarisoamalala mpitarika ny koperativa Loharano
© P
ROSP
ERER
Mananasy vokarin’ny koperativa Loharano
Manomboka mivelatra ary mampalaza ny faritra Itasy ankoatr’ireo ny famokarana ny
asa tanana. Raha hitsidika ny riandranon’i Lily ao Antafofo ohatra dia mahita irony asa tanana vita amin’ny vato kotròka irony. Maro ireo olona izay mifantoka amin’ny fikirakirana sy fanodinana ny vato kotroka ho lasa haingon-trano, ary isan’ireny i Tsikivy. Mivelona ary efa matihanina amin’io sehatrasa momba ny sikotra vato io ny tenany. Araka ny nambarany, amin’izao fotoana, dia nahazoany fahombiazana, fivoarana ary fandrosoana feno ny fidirany amin’io sehatrasa io; nanampy azy
tamin’izany ny tohana sy tantsoroka maro nentin’ny Fandaharanasa FANOITRA.Ny taona 2004 i Tsikivy no nanomboka niditra tamin’ity sehatrasa ity tao amin’ny faritra Ampefy. Amin’ny maha tany vôlkanika iny faritra iny mantsy dia tsy nanano sarotra ny fitadiavana ny akora ampiasaina. Taorian’ny fanantonana sy firesahana mivantana tamin’ny mpanolotsain’ny Fandaharanasa FANOITRA, ny taona 2010, no nirotsahany ho isan’ireo mpahazo tombontsoa avy amin’ny Fandaharanasa.Tsy nandalo fotsiny teo amin’ny fiainan’i Tsikivy ny tantsoroka sy toro-hevitra nomena azy fa kosa tena nitera-bokatsoa teo amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany toy ny:• Fivoarana teo amin’ny fitantanana ny
vola teo am-pelatanana avy amin’ny fiofanana azony momba ny fitantanam-bola;
• Foana tanteraka ny tahotra amin’ny firesahana sy fandresana lahatra ireo mpitsidika sy mpividy ny entana noho ny fiofanana hay varotra azony;
• Marobe ireo foara sy varotra fampirantiana natrehiny ka nahafahany naneho ny vokatra rehetra tamin’ny mpitsidika toy ny FIM, FIER MADA, SHOW GASY, JMA, TSIMOKA, TSENA FANOITRA ITASY. Nitombo noho izany ny olona nahafantatra ny sangan’asany ary tsapany ho nampivelatra bebe kokoa ny tsenany na ao am-Ampefy, na ao amin’ny faritra Itasy, na manerana ny Nosy eny fa na dia hatrany ivelany aza ny foara tahaka ireny. Betsaka
ireo fivarotana asatanana malagasy sy toeram-pivarotana ao andrenivohitra no nanao fifanarahana ara-barotra tamin’i Tsikivy hamatsy entana vita amin’ny vato kotroka isam-bolana ho azy ireo.
• Isan’ireo voasafidy nanao ny fitsidihana fikarohana tsena (voyage de prospection commercial) tany Mahajanga, SOFIA ary Nosy Be ihany koa izy ny volana oktobra teo niaraka tamin’ny Fandaharanasa FANOITRA sy ireo sehatrasa madinika maromaro.
Araka ny fanazavany dia tsapany ho tsy mena-mitaha amin’ny an’ny hafa ny asa tanana vitany ary efa azony antoka ihany koa ny hananany hoavy mamiratra. Manampikasana ny mba hanana ny fahaleovantenany, izany hoe tsy hiantehatra hatrany amin’ny fanohanan’ny Fandaharanasa FANOITRA, izy amin’ny famonjena ireo tsena sy foara isan-karazany ireo atsy ho atsy.Nitondra fiantraikany tsara ho azy sy ho an’ny mpiara-monina aminy ao amin’ny faritra Antafofo ny firoboroboan’ny asany satria noho ny habetsahan’ny kômandy azony, dia tsy maintsy nitady olona hafa ao an-tanana izy hiara-hiasa aminy amin’ny famokarana. Manodidina ny telopolo hatreto ireo olona miara-miasa aminy ary lasa asa fiveloman-dry zareo mihintsy ity sehatrasa momba ny sikotra vato ity. Ankehitriny dia hita mivantana ny fandrosoan’ny fiainan’i Tsikivy satria ankoatry ny fahazoany ny milina mandeha amin’ny herinaratra na meule, mba hampiroboroboany ny asa famokarana ataony, dia efa nividy tany ihany koa izy mba hanorenany trano any
2
Lah. O13 Septambra-Desambra 2012
VATOVAVY FITOVINANY
ITASYFIVELARAN’NY SEHATR’ASA FIHARIANA NOHO NY FAMPIHARANA IREO TOHANA AZO
S E H A - P I H A R I A N A M A N A R A - P E N I T R A :
I ZEFANIA JOHNSON, MPANJONO MPIAHY TANORA, MIPETRAKA EO AMPASIMELOKA KAOMININA SAVANA, DISTRIKA VOHIPENO
Miha mitombo araka izany ny isan’ny mpikambana anivon’ny fikambanana na ao Ampasimeloka
na eny Ambohitsara, torak’izany koa ny isan’ireo tanora mirotsaka amin’ny sehatry ny jono, na ny lahy io na ny vavy (mpanihika). Efa hita taratra ny fivoharana na eo anivon’ny
fiaraha-monina na eo amin’ny isan-tokantrano, satria efa tsy miverina intsony ny entana amidy fa lafo avokoa.
Raha ny fomba fanasalizana ny trondro no asian-teny dia nahitana fomba mro amin’ny fanatsarana azy. Taloha izy io dia natao tamin’ny fatana fotsiny, amin’izao kosa dia efa mampiasa barika sy lafôro, ary ifandimbiasan’ny mpikambana rehetra ny fampiasana ny fitaovana.Taloha tsy mbola nisy ny fiofanana mahakasika ny fikarakarana ny trondro, hany ka betsaka ny trondro simba. Amin’izao rehefa
avy nanaraka fiofanana na teo amin’ny fomba fitantanana, na eo tamin’ny tekinika fanasalezana sy fitehirizana ny trondro, dia hita fa mihatsara ny kalitaon’ny vokatra ary miakatra ny vidiny. Ny krevety aza teo aloha dia tsy hay natao tao anaty lafôro,
kanefa rehefa nomena ny fiofanana dia hita ihany koa fa nahazo endrika tsara ny krevety. Ny vily sy patsa dia tsy nety nasaly fa nandrahoina na namidy lena hany ka latsaka be ny vidiny, rehefa nisy ny fiofanana vao fantatra ny fomba fanamainana ny vily sy ny patsa. Nivoatra araka izany ny famarotana ny vokatra: taloha ny trondro natakalo vary satria ny olona manodidina ihany no nividy azy fa rehefa natsaraina kosa ny kalitao dia afaka nivarotra any amin’ny tnana manodidina toa an’i Vohipeno ny mpikambana.
Ny hany olana amin’ny fampiroboroboana ny zotram-pihariana jono dia ny fiovaovan’ny toe-trandro sy ny tsy fahampian’ny fitaovana, ka tsy ahafahana manitatra ny famokarana. Izany indrindra no mbola itrandrahan’izy ireo hatrany ny fiofanana manara-penitra amin’ny tekinikan’ ny jono mba hotombo lenta hatrany.
Tiola
© P
ROSP
ERER
Na dia vato be tahaka izao aza dia vitany ho haingon-trano manintona ny mpanjifa
© P
ROSP
ERER
Tsy vita amin’ny hazo akory izao sary izao fa vokatry azo avy amin’ny vato ihany koa
© P
ROSP
ERER
Ny krevety, santionan’ireo vokatry ny jonon’i Zefania ao Ampasimeloka
© P
ROSP
ERER
Lafaoro vita amin’ny barika tahaka izaono fomba tsotra ahafahana manasaly ny hazandrano rehetra
aoriana, efa nahazo omby roa ihany koa izy ary fanaka rehetra ilaina ao an-tokatrano toy ny fahitalavitra, ny fanaka fandraisam-bahiny. Ireo rehetra ireo dia azony tamin’ny fikelezan’aina amin’ny asa sikotra vato avokoa.Ny tsy fisian’ny herinaratra no olana iray mitondra fikorontanana eo amin’ny asa famokarana ataon’i Tsikivy. Miankina betsaka amin’izy io mantsy ny fampiodinana ny sehatrasa fihariany sy ny kalitaon’ny vokatra azo. Tanjony indray izao ny hanagana trano fiasana eto Antafofo sy hitady hevitra amin’ny ahazahoany herinaratra avy amin’ny Groupe électrogène. Marihina moa fa io faharoa io dia fiaraha-miasa amin’ny Fandaharanasa FANOITRA.
Bina LALAINA, CE Soavinandriana
Toerana mahasarika ireo mpizahantany ny faritra Ampefy. Maro ireo toerana afaka tsidihina toy ny lakan’Itasy, ny nosy kely misy ny tsangambaton’ i Masina Maria (Ilôt de la vièrge) ary ny riandrano Lily (Chute de la Lily).
N Y Z O T R A M - P I H A R I A N A J O N O :
“Hatramin’ny niarahako tamin’ny Ivo FANOITRA dia tsapako ny fivoharana sy ny zavatra tokony atao hanatra teo amin’ny fampivoharana ny asa fihariako. Efa miha mivoatra izao na ny fampiasana ny fitaovana na ny fomba fanasalizana ny trondro, satria efa betsaka ny fiofanana azonay teto na ho an’ny tanora, na ho an’ny fikambanana, na ho an’ny orinasa madinika. Raha eo amin’ny fanasalezana ny trondro dia efa miha-manara-penitra daholo na ireo orinasa madinika efa niasa tamin’ny sehatry ny jono, na ireo tanora izay vao nandranto fahaizana taminay orinasa mpiahy, satria efa samy manaraka ny toro-marika nampianarana azy avy”.
ihany koa hampiroboroboana ny varotra sy ho fampahafantarana ireo ezaka natao mahakasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mampiavaka ny Faritra.
Maherin’ny roanjato (200) ireo Mpandraharaha ara-bokatra nandray anjara tamin’ny hetsika. Karazam-bokatra nihoatra ny dimampolo (50) no naranty sy namidy nandritry ny telo andro. Nahatratra 16 000 000 Ariary kosa no vola niditra tamin’ireo mpandraharaha ara-bokatra nandritry ny hateloana ka mitsinjara toy izao :
Lah. O13 Septambra-Desambra 2012
3
HETSIKA ARA-BAROTRA MAMPIAVAKA NY FARITRA MATSIATRA AMBONY
MATSIATRA AMBONY
MatoandahatsoratraAraka ny fandinihana nataon’i Marcus Boni Teiga, tao amin’ny tranokala «Slate Afrique» dia isan’ny mahatonga ny tsy fandrosoan’ny tany Afrikana ny tsy fanomezan-danja ny sehatrasa eny ambanivohitra, izany hoe ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa tanana. Araka ny fanadihadina nataon’ny INSTAT kosa dia ny 85%’ny olona mahantra eto Madagasikara dia monina eny amin’ny tontolo ambanivohitra avokoa, izany hoe ny 77%’ny mponina eto Madagasikara manontolo. Ny ankamaroan’ireo no mivelona amin’ny sehatry ny famokarana toy ny fambolena, fiompiana, ny jono ary ny asa tanana avokoa. Raha izay anefa no zohina dia tokony hiroborobo fatratra ireo sehatrasa misy ireo noho ny fahamaroan’ny olona miasa amin’izany kanefa dia hita mivantana amin’izao fotoana ny mbola fahantrana misy eto Madagasikara. Mety avy amin’ny fitantanana ara-politika misy izany, mety ihany koa noho ny tsy fahazoana na tsy fahampiana amin’ny torolalana ho an’ireo tantsaha malagasy saasany, misy ihany koa ny tsy fanomezan-danja mihitsy ireo sehatrasa fihariana eny ambanivohitra ireo, araka ny efa nambaran’i Marcus Boni Teiga rahateo. Mba hisorohana sy hialana haingana amin’izay tsy fandrosoana izay , meteza haka tahaka ireto orinasa madinika voatanisa ato amin’ity laharana ity toa an’andriamatoa Tsikivy miezaka hatrany mampihatra ny fiofanana sy nahay nanararaotraa ny tohana azony, ramatoa Tahina izay niezaka hatrany ihany koa nikaroka vahaolana mba ahafahany manatsara ny fari-piainany sy ny ankohonany ka tsy nikely soroka nikaroka vahaolana hatrany . Noho izany mahaiza mba mangalatahaka ny ataon’ny hafa mba hanatsarana ny voktra sy ny asanao.
FANOITRA.
FA G N I N A 2 0 1 2 :
© P
ROSP
ERER
Ramatoa Tahina manjaitra lambam-pandriana ao an-tranony
© P
ROSP
ERER
Santionany amin’ny lay sy lambam-pandriana
ahavelomany ny tenana sy ny ankohonany koa. Manam-pikasana ny hanitatra sy hampitombo bebe kokoa ny isan’ireo zaitra vokariny izy atsy ho atsy mba hirosoany hatrany amin’ny fandrosoana.
Emelie
SOFIA
FAGNINA 2012, izany no anarana nomena ny hetsika ara-barotra notontosaina ny 06 ka hatramin’ny
08 Septambra 2012 lasa teo teto amin’ny renivohitry ny faritra ny andiany voalohany, izay niarahan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny Tranoben’ny Tantsaha Mahatsiatra Ambony nikarakara. FAGNINA satria nifanojo ny fijerin’ny mpikarakarana, dia natao indrindra hanentanana ireo mpandraharaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra, nentina
KARAZANY VOLA NIDITRAFambolena Fiompiana Asa tanana Famatsiana fitaovam-pamokarana Voninkazo Legioma sy voankazo voahodina
miverimberina natao teo ampidirana). Manampy izany, azo lazaina fa ara-drariny ny fandaniana natao raha ampitahaina amin’ireo vola maty nandritra ny foara. Ny hetsika rahateo moa natao indrindra mba hiarahan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fitadiavana sosokevitra entina hanatsarana ny paikady enti-mivarotra ary dia izany niarahan’ny rehetra nanapaka ireto sosokevitra manaraka ireto:
Nivoitra teny amin’ny endriky ny entana naranty ny fikajiana manokana ny kalitao sy ny hatsaràn’ny vokatra. Niavaka ihany koa izany isaky ny Distrika ary isaky ny seham-pihariana tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia tratra avokoa ny tanjona napetraka nandritra ity hetsika ity satria raha nanodidina ny telo arivo (3000) ny mpitsidina nandrasana dia nahatratra efatra arivo (4000) izany nandritry ny hateloana (fanisana
ASA HATAO FOTOANA FOTOANAFametrahana rafitra enti-mivarotra eto amin’ny faritra Novambra 2012Fametrahana sehatra ivondronan’ireo mpisehatra momba ny tohana sy ny fiseraserana ara-barotra.
Desambra 2012
Fametrahana antontan-kevitra momba ny varotra sy ny tsena Janoary 2013
Fametrahana tobim-pivarotana ho an’ny vokatry ny faritra May 2013
Teo ampamaranana dia niaiky ny mpikarakara rehetra fa mbola maro ny ezaka miandry amin’ny fanatsarana ny sehatry ny varotra ary adidin’ny tsirairay no mikatsaka hevitra entina manatratra izany tanjona lehibe izany manoloana ny fifaninanana izay sady mafy no tsy mamela hanao hadisoana.
Hery Frédéric CCI Mahatsiatra Ambony
RAMATOA TAHINA, MPANDRAHARAHA MODELY AO BEFANDRIANA NORD
S E H A - P I H A R I A N A Z A I T R A :
fotoana izany dia nindrana vola tamin’olona izy mba ahafahany miasa saingy tsy nitera-bokatsoa ho azy ny fikelezana nataony tamin’izay.Nanao fitsidihana isan-tokatrano ny mpanolotsaina any anivon’ny Ivo Fanoitra, ny taona 2009, mba ampahafantatra sy hanentana ireo mpandraharaha madinika vonona ny hiara-hiasa amin’ny fandaharanasa. Tsy nisalasala àry izy nanapa- kevitra ny hirotsaka ho mpisitraka amin’ny tetikasa ka tombotsoa maro no efa azony tamin’izany, toy ny fiofanana momba ny “ingiénérie de formation”, ny
fahaiza-mitantana, ary ny fandehanana tamin’ny foara tamin’ny taona 2010. Ankoatra izany, noho ny firoboroboan’ny asany dia niova ny fari-piainany, nahazo fanaka maromaro ao amin’ny tokantranony izy, afaka mampianatra ny zanany telo amin’ny sekoly tsy miankina, manana vola tahiry amin’ny banky sy ireo mpampindram-bola hafa ihany koa izy, ary efa an-dàlam-panitarana ny trano fonenany izy amin’izao. Noho ny fampianarana sy fiofanana azony dia niova nihatsara bebe kokoa ny kalitaon’ireo zavatra vokariny. Vokatra izany, dia lambam-pandriana sy lay miisa valo no vitany ao anatin’ny iray volana ary niova
nihatsara ihany koa ny fidiram-bola ao aminy satria 200.000Ariary ny vola miditra aminy isam-bolana. Raha momba ny komandy dia maro ny mpikômandy zaitra aminy ary efa tonga hatrany Fort-Dauphin sy Nosy be ankoatra ireo izay misy maka ao an-toerana sy amin’ireo faritra manodidina. Azo lazaina ho vehivavy môdely ramtoa Tahina eo amin’ny toerana sy faritra manodidina azy satria tsy mba mipetrapetra-poana amin’ny fiainana fa dia mikaroka hatrany izay hampandroso ny ankohonany. Tsy mba olona mora kivy sy miankin-doha lava amin’ny fanampian’ny olona ihany koa izy fa dia miezaka mitady vahaolana sy miezaka manatratra ny tanjona dia ny hampivoatra ny fari-piainany.Miara-miasa amin’ny Fandaharanasa Fanoitra amin’ny fanomezana fiofanana ireo mpanjaitra any am-banivohitra izy amin’izao fotoana, ka andiany efatra izay no efa vitany, ka telopolo isa ireo mpiofana isaky ny andiany. Ankoatra izany dia mbola mampiofana tanora amin’ny zaitra peta-kofehy sy fanjairana lay “04 portes” ihany koa izy ka efa telo andiany no nampianariny. Eto am-pamaranana dia azo sokajiana ho vehivavy modely tokoa ramatoa Tahina eo amin’ny fandraharahana. Mampirehareha azy ankehitriny ny vokatra vitany fa sady maharesy lahatra ny maro no sady
Mpandraharaha mbola tena ao anatin’ny fahatanorana tanteraka i Ramatoa TAHINARILALA Marie
Delphine. Manam-bady ary manan-janaka telo mianandahy monina ao Fiadanana, ao Befandriana Avaratra. Mpanjaitra mifototra tanteraka amin’ny fanaovana peta-kofehy ravehivavy. Efa nanomboka tamin’ny taona 2002 no nanombohany nanao ny asa fanjairana fa tsy dia tena niankin-doha tamin’izany tanteraka anefa izy noho ny tsy fananana vola ho enti-manomboka. Asa nolovainy tamin-dreniny ny fanjairana, na izany aza dia mbola nanokana fotoana nandalinana bebe kokoa io sehatrasa io izy nandritra ny telo taona. Tamin’izany
© P
ROSP
ERER
© P
ROSP
ERER
Talen’ny famoahana:RANARIVELO Lucien
Tonian’ny lahatsoratra:RAMAHAZO Andrianony
RAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.
Nanatontosa:RAHARIJAONA Andrianarizaka
Emelie MARINTSAINAR. Ellias André
Tsimimahery ZOFANIRINALAHery Frédéric SAMOELITIANA
Bina LALAINAVola RAZAFINDRATOANINA
ANDRIAMASOANDRO Medioma TiolaRAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.
Infographie: FAMPIONONA Joastin
RANDRIANARIVONY Mitantsoa
Tranoprinty:NEW PRINT, Route des Hydrocarbures.
B.P. 7581
Dépôt légal: Novembre 2009
Isan’ny natonta: 6000
Lah. O13 Septambra-Desambra 2012
M A H A S O A
4
FANAMBOARANA PATY
AGB TARATRA
Karazany Vidin’ny iray (ariary)
Fahafaha-mamokatra
Vanim-potoana famokarana
Coussin 4 000 1200/taona Mandritra ny taona
Koperativa Tantely Aina, Ambohimiarina
Karazany Vidin’ny iray (ariary)
Fahafaha-mamokatra
Vanim-potoana famokarana
Tantely NIAOLI 3000 - 5000/bocal 1.000kg/taona Mandritra ny taona
Voniandro Pascaline sy Vololonirina Isabelle Mananjary
Karazany Vidin’ny iray (ariary) Fahafaha-mamokatra
Vanim-potoana famokarana
Satroka vita amin’ny dara sy ravim-bia 1.800 20.000 isa/
taona Mandritra ny taona
Olina, Kaominina Mahela
Karazany Vidin’ny iray (ariary) Fahafaha-mamokatra
Vanim-potoana famokarana
Natte geante 5000 1500/taona Mandritra ny taona
TOLOTRA SY TINADY (VatoVaV y fitoVinany)
S A K A F O :
Marobe amin’izao fotoana ireo karazana paty miparitaka eny an-tsena eny. Misy amin’izy ireny no
efa lany daty na tsy azo antoka ihany koa amin’ny fahasalamana. Indro ary omena anao ny fomba fanaovana ireny paty ireny izay ilaina hay ihany koa.
Ho an’ny paty 1kg:Fikarakarana 45 mn + fanamainana 30 mn rehefa vita
Fitaovana ilaina:• milina fanaovana paty 1• hazo fisaka lehibe madio tsara 1• sotro rovitra iray
• rouleau fanaovana paty mofo 1
Zavatra ilaina:• lafarinina 350 g• potika varim-bazaha 350g• sira 1 sotrokely• atody 7• menaka 2 sotro fihinanana
1Araraka eo ambony hazo fisaka lehibe madio tsara ny lafarinina sy ny potika
varim-bazaha, avy eo afangaro tsara miaraka amin’ny sira iray sotrokely. Avangongoy ary asiana somary lavaka kely eo afovoany
3Amin’ny voalohany dia sady halemilemy no hivongambongana ny paty.
Potsipotsehana hatrany ny paty mandram-pahazoana azy ho malama sy azo roritina, izany hoe, raha tsindriana amin’ny rantsan-tanana dia miverina amin’ny laoniny ihany ny endriny avy eo. Fonosy amin’ny taratasy famonosana sakafo ireny avy eo mandritra ny 30 mn.
4Fisaho amin’ny alalan’ny rouleau avy eo ny paty mba ahatonga azy ho
mitarehin’atody sady manify. Mba ahafahana mampiditra azy anaty masinina ho fisahana dia azo atao ny manapaka ny paty. Atao amin’ny alalahany lehibe indrindra aloha ny rouleau ary averimberina eo imbetsaka eo ny paty.
5Atao miha-manify hatrany amin’ny masinina ny paty ka rehefa ahafahana
mahita ny ratsan-tanana any ambadiky ny fivelaran’ny paty dia efa mety tsara.
6Tapahina eo amin’ny 30 sm isan’isany eo ny paty ary atsofoka eo amin’ny milina(
decoupoir à tagliatelles) mba ho tonga paty. Alaina moramora ny paty efa voahety avy eo ary avela amainina mandritra ny 5mn eo ambony lovia lehibe fisaka. Tsara raha amainina tsara alohan’ny handrahoana azy.
2Vakio eo amin’ilay lavaka navela teo ny atody ary ampio menaka. Ampifangaroy.
Atambrao amin’ny alalan’ny sotro rovitra avy eo ny atody sy ny lafarinina. Ataovy mia-boribory avy eo ny paty ary raha hita fa somary maina dia ampiana menaka kely na rano.Raha tsy mety mitambatra tsara ny paty dia dia aleo ampiana lafarinina kely.
Adresse : Tanambazaha (en face Somacodis), 317 MananjaryPersonne contact : Monsieur RABERANDRAIBE Lucien (Directeur General) - Tel : 034 04 390 00 - E-mail : ccimjy@
gmail.com
Fivondronana koperativa telo (03) mpanenona lamba landy any Talatavolondry nahazo kômandy
lamba landy miisa 900 tamin’ny mpanjifa tany Louisiane any Amerika.Ny Vondrona na “Union” Landy Voajanahary izay fitambaran’ny koperativa telo dia niforona ny volana Aprily 2012 tao Talata Volonondry, distrikan’Avaradrano, Faritra Analamanga. Mpanenona lamba landy 42 no mandrafitra io vondrona io. Antony nananganana azy ny mba hamaliana ny fepetra nangatahin’ny mpanjifa lehibe iray any Louisiane, Etats-Unis na Amerika, izay nanafatra lamba landy mitontaly eo amin’ny 900 isa eo. Tsapa araka izany fa ny famaliana ny tsena amin’ny alalan’ny vondron’ny mpanao lamba landy dia nanamora kokoa ny fandefasana ny entana, ny fikarakarana ny taratasy rehetra, ny fanaraha-maso ny
kalitaon’ny vokatra, ny fandraisana fanapahan-kevitra maro natao teo anivon’ireo mpikambana ao anatin’ny biraon’ny kaoperativa telo, ny fandrotsahana ny vola vidin’entina eo anivon’ny Banky, ary indrindra koa ny findramam-bola teo anivon’ny PAMF, izay mpampindram-bola madinika niara-niasa akaiky tamin’ ity vondrona ity.Tsy ireo ihany akory no fepetra notakiana fa teo ihany koa ny lokon’ny lamba izay takiana mba ho loko voajanahary. Noho izany dia avy aminireo koperativa telo nivondrona ireo no nanaovana fangatahana teo anivon’ny Ivo Fanoitra ny fiofanana fandokoana voajanahary ny lamba landy sy nanatanterahana izany.Ny lamba landy novokarin’ity vondrona ity dia nalefa tany Amerika tamin’ny volana
I
TOVA
NA
TOERANA NATOKANAHO AN’NY MPAMAKY Ity faritra iray ity dia natokana hametrahantsika mpamaky ny Gazety MIOITRA ireo fanontaniana mety ilàntsika valiny mahakasika ny asa fihariantsika. Atero eny amin’ny Ivo FANOITRA akaiky anao ny fanontaniana ary hovalian’ireo tompon’andraikitra iantefan’izany ato anatin’ity Gazetim-pifandraisantsika ity.
Fanontaniana: IZA AVY NY OLONA TOKONY HATONINA EO ANIVON’NY IVO FANOITRA?- Olona faharoa tokony hatonina ireo mpanolotsaina na “Conseillers d’entreprises” (CE) roa :Izy ireo no mpiara-mikaondoho amin’ny orinasa madinika mikasika ny famahana ny olana rehetra mitranga amin’ny asa fihariana; izy ireo no manampy ny orinasa madinika amin’ny fanapahan-kevitra, mampifandray amin’ireo ety ho mpiara miasa toy ny mpampiofana sy ny mpampindram-bola ary koa mampifandray amin’ireo mety ho mpividy. Ireo mpanolotsaina, raha tao sarisary, no mpanazatra (toy ny min’ny lalao baolina kitra ohatra) ireo orinasa madinika,eny ambanivohitra, hanana toe-tsaina mpandraharaha sy hanana ny fihetsika mendriky ny tena mpandraharaha, hioitra, hanao izay hampitombona ny vola miditra sy hanatsarana fiainana ary hampiroboroboana ny toe-karena. Raha oharina amin’ny hopitaly indray, dia izy ireo indray zany no mpitsabo mpanaraka ny marary tsirairay ka izy araka izany no fotoana ifampiresahana amin’ny izy ireo.
Mbola hitohy
© P
ROSP
ERER
Ireo vokatra isan’ny nitadiavan’ny FANOITRA Vatovavy lalam-barotra nadritra ny foara
T O P I - M A S OUNION LANDY VOAJANAHARY: NY FIVONDRONANA NO HERY ENTINA MIATRIKA NY TSENA
Ny 13 ka hatramin’ny 18 novambra no nanatanterahana ny « FOIRE SIM » taona 2012 tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Nandray anjara tao avokoa ireo orinasa madinika amin’ny Fanoitra rezionaly miisa 5. Ny foara SIM ,izay nentina anentanana ny rehetra mba hanjifa ny vita gasy ho fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Karazany maro ireo entana hita tao:ho an’Analamanga dia niavaka ny asa tanana vita amin’ny hoditra, ny zaitra, ny rafitra hazo, ny rary ary ny vokatry ny ronono. Ho an’Itasy sy Matsiatra Ambony indray ny vokatra voamaina sy ny rary no natao varotra fampirantiana. Ny an’i Sofia indray dia ny “confiture” avy ao Anjiamangirana no nentina nandritra izany. Ary ny an’i Vatovavy dia ny tantely sy ny vokatra azo avy aminy no nentina tao.Araka ny mahazatra dia ahitam-bokatra hatrany ny famonjena foara tahaka izao. Ho an’i Sofia manokana dia nahalafo 174 bocals amin’ny confiture ireo koperativa roa nandritra iny foara SIM 2012 iny.
Nanomboka ny 13 ka hatramin’ny 17 oktobra 2012 kosa no nanatanterahan’ny tananan’i Manakara ny foara Ankarena 2012. Isan’ny nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka tamin’izany ny FANOITRA Vatovavy Fitovinany. Nankalazaina miaraka nandritra izay 5 andro izany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny koperativa, sy ny andro manerantany ho an’ny vehivavy tantsaha ary ny andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra ny maha foara azy dia marobe ireo atrikasa afaka natrehin’ireo mpandray anjara rehetra izay nokarakarain’ny FANOITRA Vatovavy toy ny atrikasa mahakasika ny koperartiva sy ny Vehivavy Tantsaha, ny atrikasa momba ny zon’ny vehivavy. Nisy ihany koa ireo fiofanana vitsivitsy nomena azy ireo toy ny fanamboarana mbizo na mofomamy, ny fanamainana trondro. Nandritra iny foara iny ihany koa no nanokanana ny toeram-pivarotam-bokatra iray ao Manakara be izay tohana avy amin’ny fandaharanasa FANOITRA ho an’ireo orinasa madinika.
Ho an’ny foara Tsiry izay naharitra 3 andro, ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra 2012 dia ny faritra Analamanga sy ny faritra Matsiatra Ambony no solontenan’ny Fandaharanasa FANOITRA nandritra iny foara iny. Ny fananana entana mifanaraka amin’ny filan’ny foara Tsiry na amin’ny maha «varotra ara-drariny», izay lohahevitry ny foara, na eo amin’ny kalitao no mason-tsivana nentina nisafidianana ireo orinasa madinika afaka ny hiatrika ny foara. Nosafidiana arakaraky ny fahatsapana ny fanjifan’ny olona ny entana novokarina sy nentina nandritra ny foara Tsiry ho an’ny Fanoitra Matsiatra Ambony ka ny vokatry ny rary toy ny harona sy ny satroka no nentin’izy ireo. Tsy nandiso fanantenana ny vokatra azo satria dia vitsy sisa ireo entana nentina nody. Ho an’Analamanga kosa dia naka olona iray isaky ny distrika tsirairay miisa 6 ny Fanoitra Analamanga, izay samy manana ny mampalaza azy avy toy ny crochet, ny lamba landy, ny “corne”, ny hodi-boay sy ny hoditra, ny rary, ny zaitra sy ny brodérie.
Aogositra 2012 lasa teo. Namidy ho 60 000 Ar ny lamba landy iray, izany hoe tonga dia vidy varotra indroa miantoana amin’ny vidiny eto an-toerana. Efa nahazo ny roa ampahatelon’ny vidin’entana izy ireo, ary manomankomana sahady ny handefasana ny entana manaraka izay itambarana amin’ny vondrona amin’ny taona 2013.
Vola, CES AVD
Z A I T R A :
F O A R A :SIM 2012, MAHAMASINATSIRY 2012, GARA SOARANO ANKARENA, MANAKARA
© P
ROSP
ERER
Ramatoa Céléstine mandresy lahatra ny mpitsidika amin’ny fahatsaran’ny confiture
© P
ROSP
ERER
Ny satroka sy entana vita amin’ny rary no nentin’ny avy any Matsiatra ambony
© P
ROSP
ERER
Ny trano fivarotana avy amin’ny FANOITRA notokanana nandritra ny foara
Fanomanana ny fandraisan’anjara alohan’ny hetsika
M isy drafitra maro tokony hifanaraka tsara amin’ny orinasanao vao azo atao ny
manapa-kevitra hisoratra anarana amin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ara-barotra. Voalohany indrindra dia tokony hahay hisafidy tsara ny hetsika ara-barotra atrehina. Ilaina fantarina amin’ny antsipirihany ny hetsika sy ny vaovao manodidina azy, izany hoe hadihadiana avokoa ny mombamomba azy toy ny tantarany, ny fiforonany, ny mpandrindra ny hetsika, jerena ihany koa ny toerana sy ny fotoana sao tsy ahitam-bokatra akory, fantarina ny toetoetry ny olona mpitsidika tamin’ny foara natrehina teo aloha ary faritana ny olona kendrena sy andrasana mandritra ny foara. Rehefa hita izay dia angonina ka arafitra anaty fafana ny vaovao rehetra azo mba hampahamora ny fisafidianana azy. Ohatra iray entina anazavana izany izao asehon’ny fafana manaraka izao
TOROLALANA HO AN’NY MPANDRAY ANJARA AMIN’NY HETSIKA ARA-BAROTRA (TOHINY)
Fafana atao ohatra, andrafetana ny vaovao rehetra voangona
N° 1
Anaran’ny hetsika FOARAN’NY RONONO
Tantarany Tamin’ny oviana no niforonina ny hetsika ary iza no mamaorona azy, nanao ahoana ny lazany
Sehatra Agribusiness
Vondrona kendrena Mpamokatra, mpanodim-bokatra, mpamatsy,mpiantoka,mpividy ny vokatra mifandray amin’ny sehatr’asa ronono
Fotoana Volana May
ToetoetraToetoetra fizarana vaovao, fampianarana, fivarotana: varotra
fampirantiana, seminera, fampisehoana, fifanakalozana ara-traikefa eo amin’ny mpandraharaha
Toerana misy azy Futura Busness Parc Andranomena
Faharetany 4 andro
Tetik’asa namorona azy Tetik’asa Land’O’Laxes USAID
Mpikarakara gence première ligne
Laharan-tarobia 261 20 22 212 40
Adiresy mailaka [email protected]
Lah. O13 Septambra-Desambra 2012
«Confiture» papay na mapaza
• Zavatra ilaina:- Papay na mapaza 1kg- Siramamy 1kg- Ranom-boasary makirana 10 sl
• Fomba fikarakarana azy:Alaina ary lanjaina ny papay mbola tsy voavaofy avy eo sasana tsara ary voasana. Rehefa voavaofy indray dia lanjaina faharoa mba ahafahana mamatra ny siramamy ilaina. Tetehina efa-joro kelikely ny papay avy eo ka atao anaty harona tsihy madio tsara azo ampiarahina azy ao am-bilany.Rehefa vita izay dia mampangotraka rano iray vilany, ka rehefa mangotraka tsara ny rano dia arotsaka ao ny papay efa anaty ilay harona. Antony anaovana azy ao anatin’ilay harona ny ahafahana manatsiaka tsara ny rano sy manala azy ao am-bilany rehefa masaka.Rehefa masaka tsara ny papay dia esorina anaty vilany ary atsiaka mba hialan’ny rano. Polesina tsikelikely amin’ny sotrobe hazo avy eo ny papay, raha misy milina fanapotehina ihany koa vao mainka tsara sy manamora ny asa rahateo.Averina atao anaty vilany indray avy eo ny papay efa voapotsitra ka aroharoina tsy ankijanona eo ambony afo. Azo atao ny mahandro azy amin’ny afo charbon na ihany koa kitay. Rehefa afaka antsasak’adiny dia arotsaka ny siramamy sy ny ranom-boasary mankirana ka aroharoina hatrany mandritra ny 30mn.Rehefa afaka izay dia alana ambony afo ny vilany.Rehefa vita izay dia azo tsinjaraina anaty bocal efa nampangotrahana nandritra ny 30mn ny confiture. Averina ampangotrahana mandritra ny 30mn indray avy eo ny bocal efa misy confiture mba ho ara-pahasalamana tanteraka ary hampateza azy. Azo tehirizina mandritra ny telo taona ny confiture avy eo.
Isaorana manokana ny Koperativa Mamy sy ny Koperativa Mahavonjy ao Anjiamangirana.Tel: 033 18 883 49,
032 63 999 46
Mazotoa homana Tompoko
NAHANDRO
© P
ROSP
ERER
Vokatra manara-penitra vita amin’ny tandrok’omby nandritra ny «Tsena FANOITRA Itasy» andiany voalohany tao Anaalavory
Rehefa
navadika
ny sary eto
ankavia dia
nisy zavatra
tsy nandeha
araka ny
tokony ho izy.
Aiza avy ary
izy ireo?
DISO
4
Ho hitanao amin’ny laharana manaraka ny valin’ny lalao.
TANTARAAN-TSARY
II
Valin’ny lalao diso 4tamin’ny laharana teo aloha
Ny F
ANDR
AHAR
AHAN
A
F I A L A M B O LY
IVO TOERANA FAMPIRANTIANA HO AN’NY ZOTRAM-PIHARIANA TANTELY:
Ambetindresaka tato ho ato ny fivoarana misy teo amin’ny zotram-pihariana tantely, teo ireo atrikasa
maromaro hanentanana ny mpiompy, ny fametrahana ny tambazotra misahana ny andraikitra rehetra “plateforme de concertation et d’appui filière PCAF”, ny fananganana ny fotodrafitrasa Miellerie de Pangalana, sns. Mbola mitohy ny fanohanana ny zotram-pihariana tantely, ho fanoitra ny fiveloman’ny ireo mponina eto amin’ny faritra. Tsapa mantsy fa anisan’ny zotram-pihariana mampiala olona maro amin’ny fahantrana izy io. Fantatra ihany koa fa efa
nisokatra ny lalana irosoan’ny Madagasikara ho amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny tantely, ary isan’ny mahazo tombony amin’izany ny faritra Vatovavy Fitovinany. Etsy andaniny nefa ny tantely vokarina dia mbola tsy maharaka ny fenitra sy kalitao ary habetsahana tadiavin’ny tsena any ivelany. Eo ihany koa ireo sakana eo amin’ny fampivoharana ny zotram-pihariana, toy ny tsy fanarahana ny fiompiana manara-penitra, ny tsy fananana fitaovana. Izany indrindra no namporisaka ny FANOITRA hanampy amin’ny fananganana Ivotoerana hampirantiana sy hamarotana ireo fitaovana
toerana mijery sy mianatra ny fomba fampiasana ny fitaovana, sady mahita ny voka-tsoa azo amin’ny fampiasana ireo. Fatatra fa sarotra ny fampitaovana eo anivon’ny orinasa ka nohezahina mba ny apaham-bidiny no alohan’ireo orinasa madinika zay efa miara-miasa amin’ny FANOITRA. Misy ankoatra izany indray ve hoy enao? Eto dia tsy mitsahatra manentana ireo mpiompy tantely mba hiroso amin’ny fampiasana ny tekinika moderina, ary voalohany amin’izany ny fampiasana ny tohotra manara-penitra sy ny fahadiovan’ny toeram-piompiana. Tongava manatona ny Ivo FANOITRA akaiky anao, hahafantaranao ny andinindininy mahakasika izany.
JAONA, TiolaFANOITRA Rezionaly
Miroso hatrany ny fametrahana ny Ivotoerana hampirantiana sy hamarotana ireo fitaovana manara-penitra amin’ny fiompiana tantely aty amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany
manara-penitra amin’ny fiompiana tantely. Na dia eo aza ny olana roa sosona izay tsy maintsy itadiavam-baha-olana hatrany hatrany dia ny : (i) fahapotehan’ny tontolo iainana, doro-tanety, izay mampihena ny hazo ahazoana mamin-tantely, (ii) ny fiarovana ny tsy hidiran’ny aretina Varoase aty amin’ny faritra.Hisy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy fitaovana any ivelany. Hisy ihany koa ny fanamorana ny fahazoana ireo fitaovana ireo. Rehefa nahazo fiofanana mahakasika ny tekinika fiompiana moderina ny orinasa madinika, dia mitsidika ny ivo