9
TSY MAINTSY HANDRE VE IZAO TONTOLO REHETRA IZAO ? Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015

Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

TSY MAINTSY HANDRE VE IZAO TONTOLO REHETRA IZAO ?

Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015

Page 2: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

“Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31)

• Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?• Ny fiangonana Kristiana sasany ihany ve no ho

voavonjy?• Mety ho voavonjy ve ny olona iray na dia tsy

nahafantatra an’i Jesosy aza izy?

Fanambarana mazava ny amin’ny fomba ahazoana famonjena izany. Na izany aza, dia misy fanontaniana

sasatsasany ihany mipetraka:

• Hamonjy ny olona rehetra ve Andriamanitra satria Izy tia ny olona rehetra (universalisme)?

• Lalana ho amin’ny famonjena avokoa ve ny fivavahana rehetra (pluralisme)?

Olona an-tapitrisany no maty tsy nahalala na inona

na inona momba an’i Jesosy, fanontaniana maro

no mety mipetraka:

• Nahoana no tsy maintsy mandre ny Filazantsara izao tontolo izao?

• Afaka ho ren’ny olona rehetra eto ambonin’ny Tany ve ny Filazantsara?

Farany, fanontaniana roa momba ny fomba hitoriana

ny Filazantsara:

Page 3: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

NY KRISTIANA IHANY VE NO HO VOANVONJY?“Ity no vato izay nolavinareo mpanao tranao, nefa tonga fehizoro. Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asa 4:11-12)

Nohazavain’i Petera fa Jesosy irery ihany no lalana ho amin’ny famonjena. Toa milaza izany fa ny Kristiana ihany no hahazo famonjena.Misy fiangonana sasany mino fa ao aminy ihany no ahitana famonjena.Etsy an-kilany, dia nilaza koa i Petera hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa 10:34-35).Raha misy olona matahotra an’Andriamanitra ary manao ny marina kanefa tsy mahafantatra an’i Jesosy… tsy tokony hovonjena ve izy ireo na dia tsy Kristiana aza?

Page 4: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

Ny olona rehetra voavonjy dia avy tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy avokoa na dia mety ho tsy nahalala ny Filazantsara aza ny sasany.

Mety handray na handa ny famonjena ny olona tsirairay. Voasoratra ao am-pon’ny tsirairay ny lalàn’Andriamanitra, ary ny voary rehetra no vavolombelona (Romana 1:20).

Mety ho tsy nandre ny momba an’i Jesosy izy ireo, fa Izy no hamonjy azy raha mandray ny fahazavana nomeny izy (Jaona 10:16).

METY HO VOAVONJY VE NY OLONA IRAY NA TSY NAHITA AN’I JESOSY AZA IZY?

“Fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza izy ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza, - amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny filazantsarako amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Romana 2:14-16)

Page 5: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

“UNIVERSALISME” SY “PLURALISME”“mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.” (2 Tesaloniana 2:12)

Ny mpivoy ny Universalisme dia mino fa omen’Andriamanitra fiainana mandrakizay avokoa ny olona rehetra satria fitiavana Izy, koa tsy maninona izay nataon’izy ireo. Tsy hisy fahafatesana mandrakizay na fanamelohana ho azy ireo.

Tsy nampianatra an’izany i Jesosy. Nilaza Izy fa misy lalana ho amin’ny famonjena ary lalana ho amin’ny fanamelohana (Matio 7:13-14).

Ny mpivoy ny Pluralisme dia mino fa ny fivavahana rehetra dia mitondra ho amin’ny famonjena.

Kanefa isika efa nianatra fa iray ihany ny lalana ho amin’ny famonjena: Jesosy (Asa 4:11-12). Ny bodista dia mety ho voaovonjy amin’ny fankatoavany tanteraka ny feon’ny fieritreretany. Tsy midika izany fa Bodà no mamonjy azy, fa i Jesosy.

Page 6: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

TSY MAINTSY TORIANA VE NY FILAZANTSARA?

“Ary hoy Izy taminy:

Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka

mitoria ny filazantsara

amin’ny olombelona rehetra.” (Marka 16:15)

Tia ny olona rehetra Andriamanitra. Mpanota mila fahasoavana avokoa anefa ny olona rehetra. Nomena tao amin’i Kristy io fahasoavana io. Nantsoiny ny fiangonany mba hanaparitaka ny vaovao mahafalin’io fahasoavana io amin’izao tontolo izao.

Mazava ny baiko: “Asandrato mafy ny feonao” (Isaia 40:9). Tompon’andraikitra amin’ny fanambarana ny hany lalana tokana ho amin’ny famonjena—ny Vaovao Mahafalin’ny Filazantsara—ho an’izao tontolo izao mangetaheta isika.

Mety ho voavonjy ny Jentilisa noho ireo fanambarana “izay kely indrindra” noraisiny avy tamin’Andriamanitra. Na izany aza, dia irin’Andriamanitra izy ireo hahatakatra amin’ny fahafenoany ny famonjena.

Page 7: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

“Ny fiangonana no fitaovana notendren’Andriamanitra hilaza ny famonjena amin’ny olona. Nalamina ho amin’ny fanompoana izy, ary ny hitondra ny filazantsara ho an’izao tontolo izao no asa nanirahana azy. Hatramin’ny voalohany dia drafitra nataon’Andriamanitra ny hampitana amin’izao tontolo izao ny fahafenoany sy ny fahampiany. Tokony haneho miharihary ny voninahiny ny mambra ao amin’ny fiangonana, dia izay nantsoiny hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga. Ny fiangonana no nametrahana ny haren’ny fahasoavan’i Kristy; ary amin’ny alalan’ny fiangonana no hanehoana farany ny fitiavan’Andriamanitra ka hivelomany amin’ny fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ireo ‘fanapahana sy fahefana any an-danitra’ aza. Efesiana 3:10.” E.G.W. (Vavolombelona Mahery, pj. 9)

Page 8: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

AFAKA HO REN’NY OLONA REHETRA ETO AMBONIN’NY TANY VE NY FILAZANTSARA?

“Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao

ho tonga ny farany.” (Matio 24:14)Mety hahita sakana maro isika rehefa miezaka mandresy

lahatra ny tsy Kristiana:Drafitra tsy mifanaraka amin’izay ilaina.Fanabeazana, fitsabona, ary fanampiana ny hafa; fa tsy fitoriana ny Filazantsara.Tsy fahampian’ny mpiasa sy ny vola.Fandrarana ny fivavahana kristiana any amin’ny firenena sasany.

Kanefa, nomen’Andriamanitra teny fikasana mampahery isika:

Miaraka amintsika Izy (Matio 28:20). Tsy handresy antsika ireo fahavalontsika (Matio 16:18). Hiparitaka manerana an’izao tontolo izao ny Hafatra (Asa 1:8). Handroso ary hahatanteraka ny iraka nanirahana azy ny Tenin’Andriamanitra (Isaia 55:11).

Page 9: Lesona 13 ho an’ny 26 Septambra, 2015. “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Asa 16:31) Ny Kristiana ihany ve no ho voanvonjy?

“Betsaka no mitomany mitady an’Andriamanitra velona, ary maniry indrindra ny fanatrehany. Ireo vinavinan-kevitra araka ny filozofia na ireo famoaboasana araka ny haisoratra, na mamirapiratra toy inona aza dia tsy mampitony ny fo. Tsy misy vidiny ny fanantitranterana sy ny zavatra noforonin’ny olona. Aoka ny tenin’Andriamanitra no hiteny amin’ny vahoaka. Aoka ireo izay tsy nandre afa-tsy lovan-tsofina sy vinavinan-kevitr’olombelona ary teny zary ohabolana, handre ny feon’Ilay afaka manavao ny fanahy ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny teniny.” E.G.W. (Henoinareo ny Fanoharana, tk. 2, pj.24)