Upload
others
View
13
Download
0
Embed Size (px)
Citation preview
NY SORATRA MASINA IRERY IHANY—SOLA SCRIPTURA
Lesona 5 hatao ny 2 May, 2020
Sola Scriptura:
Ny Fitsipiky ny Finoana
Ny hany fitsipika tokanahanazavana
Tota Scriptura:
Ny firindran'ny Baiboly
Ny hafatra mazavan'ny Baiboly
Ny asa soratr'i Ellen G. White
Ny fahamarinana tsirairaydia tsy maintsy porofoinaamin'ny alalan'ny Baiboly: ny Baiboly manontolo (TotaScriptura) ary ny Baibolyirery ihany (Sola Scriptura).
Tsy midika anefa izany fa tsymisy tsindrimandry hafaakoatry ny Baiboly, naloharano hafa izay ahazoanamahatakatra tsara kokoa nylohahevitra sasany.
“Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mbahianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho nyvoasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalazany anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.” (1 Korintiana 4:6)
Ny apostoly Paoly dia nanazava fa ny Soratra Masinaihany no tsy maintsy ho fototra iorenan'ny foto-pinoantsika (ny Testamenta Taloha raha ny tontolon-kevitra eto).
Misy loharano hafa izay afaka hanampy antsikahahatakatra bebe kokoa ny Baiboly, saingy tsy afakamanolo azy ireny. Ohatra: arkeolojia, rakibolana, konkordansa, boky, famoamboasan-kevitra…
“Ny Baiboly irery ihany no fara tampony amin'ny asasoratra rehetra sy ny fampianarana eto ambonin'nytany.” (Martin Luther)
Ary, i Petera kosa nampiditra ny asa soratr'i Paoly ho ao amin'nyfototra iorenan'ny foto-pinoana (2 Pet. 3:16). Ny bokin'nyApokalypsy dia mifarana miaraka amin'ny fampitandremanamba tsy hanovàna na hanesorana zavatra avy amin'nyTestamenta Taloha sy Vaovao (Apok. 22:18-19).
“Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetanasy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.” (Romana 15:4)
Inona no fitsipika tokony harahantsika rehefa mandinika ireosoratra ao amin'ny Baiboly isika?
Raha ny Baiboly no hany fitsipiky ny finoana, dia tsy maintsy izyihany koa no hany fitsipiky ny fanazavana azy.
Nampiasa ny Baiboly i Daniela hiarovana ny asa sorany(Dan. 9:2). Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra andalan-teny maro nalaina tao amin'ny Testamenta Taloha nentinananohana fampianarana na nanazavana toe-javatra (Lio. 24:27; Asa 2:16-21; 1Jao. 2:2).
Tokony hanao fampitahanaisika rehefa manazava nyBaiboly, eo amin'ny tontolon-kevitra misy izany ary avy eomandinika izay rehetravoalazan'ny Baiboly mombaan'iny hevitra iny (Isa. 28:10).
“mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizanyhananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny
mpanohitra.” (Titosy 1:9)
Andriamanitra no tena mpanoratrany Baiboly, koa dia misy firaisana syfirindrana tanteraka eo amin'ireoboky rehetra ao anatiny (2Tim. 3:16; 2Pet. 1:20-21).
Hahita firindra eo amin'ny foto-pinoanaHahay manavaka ny marina sy ny disoHandà ireo fampianaran-disoHampihatra fitsipi-pifehezanaHanitsy izay mifanohitra amin'nyfahamarinan'Andriamanitra
Manome hery mandresy lahatra symanafaka ho an'ny Baiboly ny firindrany.
Miorina eo amin'ny Testamenta Taloha nyTestamenta Vaovao, ary manazava ny TT ny TV. Tsy azo sarahina izy roa ireo.
Io firindrana io dia manampy antsika:
“Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny‘fahavetavetan'ny fandravana’ (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aokahandositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.” (Marka 13:14)
Na dia misy ihany aza andalan-teny izaymanana hevitra saro-pantarina (2 Pet. 3:16), dia mazava tsara tokoa ho an'ny rehetra nyBaiboly.
Ny lohahevitra momban'ny famonjena sy nyfiainana mandrakizay dia tena mora takarinaao amin'ny Baiboly. Na ny tsy nahitafianarana na ny manam-pahaizana dia samymahatakatra izany.
Raha toa ka feno faniriana marina hianatramisimisy kokoa an'Andriamanitra isikarehefa mamaky ny Baiboly, dia hanampyantsika ny Fanahy Masina hahatakatra izanytsara kokoa sy hahazo fahendrena.
Tsy misy filazana fa voafetra ho an'nyantokon'olona voafidy na mpitarikafivavahana ihany ny Baiboly. Ny rehetra diaafaka mahatakatra izay voalaza ao.
Misy mpaminany ao amin'ny Baiboly izay tsynanoratra na inona na inona, na tsyvoatahiry ny asa sorany (Nom. 21:14; Jos. 10:13; 1 Mpanj. 11:41; 1 Tant. 29:29; 2 Tant. 35:25).
Tsy midika akory izany fa kely nytsindrimandry azon'izy ireny. I Jaona mpanaobatisa no voalaza fa lehibe indrindra amin'nympaminany nefa tsy nanoratra na inona nainona izy (Lio. 7:28).
Nampanantena Andriamanitra fa mbola hisympaminany omena tsindrimandry amin'nyAndro Farany, amin'izao vanim-potoanaiainantsika izao izany.
Iray amin'izy ireny i Ellen G. White.
Ahoana no tokony handraisa ny asa soratr'iEllen G. White? Manana fahefana ve izyireny?
Araky ny fanazavan'i Ellen, dia tsy maintsyraisina araka ny Baiboly ny asa sorany fa tsyny mifanohitra amin'izany.
Tsy mbola nilaza na oviana na oviana izy fa afaka manolo toerana ny Baiboly ny asasorany.
Ny anton'ireo fahitana nomena ny rahavavy White dia nymba hampiharan'ny vahoakan'Andriamanitra eo amin'nyfiainany ny Baiboly amin'izao Andro Farany izao.
Tsy mahazo mampiasa velively ny asa sorany ho fototraiorenan'ny foto-pinoana na inona na inona isika. NyBaiboly ihany no fitsipiky ny finoana sy fampiharana ho an'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny AndroFahafito.
“Tokony hataonao tahaka ny sakafo sy
rano fisotro ny Baiboly, ary tokony ho
ampaham-piainanao ny fahamarinany sy
ny fitsipiny mba hahaizanao kokoa
mandray ny torohevitra avy
amin'Andriamanitra. Asandrato eo
anatrehanareo ny teny sarobidy anio, aza
averina izay nambarako ka hanao hoe
ianareo: ‘izano na izao no nolazain'i
rahavavy/anabavy White.’ Fantaro izay
nambaran'Ilay Andriamanitra
Tompon'ny Israely ka ny baikony no
araho.”
E.G.W. (Selected Messages, vol. 3, p. 33)
“Ampy ny porofo nomen'Andriamanitra
ao min'ny teniny ny amin'ny maha-avy
amin'Andriamanitra azy. Aseho mazava
ao ireo fahamarinana lehibe mikasika ny
fanavotana antsika. Mety ho takatry ny
olona tsirairay ho an'ny tenany ireo
fahamarinana lehibe ireo noho ny
fanampian'ny Fanahy Masina, Izay
nampanantenaina ho an'izay rehetra
mikatsaka izany amin'ny fo madio.
Nanome fanorenana azo antoka ny
olombelona hametrahany ny finoany
Andriamanitra.” E.G.W. (Hery Mifanandrina, tk. 32, p. 526)