Upload
others
View
62
Download
12
Embed Size (px)
Citation preview
NY TETIKASA HO AN’NY FOKONOLONA
SAMPANA MENA
Bokikely avoakan’ny Foibe MiM © Mpamakilain’I Madagasikara – Antananarivo
Desambra 2003 Janoary 2015
Azon’ny rehetra adika fa ambara ny fihaviany.
Mpanoratra : Hetse Matsilo Sary amin’ny fonony sy anatiny : Mpiandalana Zazavavy FivOne
Kisarisary anatiny : Sabery Mivoy
Ry Zandry isany,
Ao amin’ny Fokonolona no iainan’ny Mpiandalana ny maha-skoto. Ka ataovy izay hahatsara ny
fiainan’ny Fokonolonareo sy izay hahavitanareo mpiray Fokonolona tetikasa miavaka maro. “Ny voa
no hamantarana ny hazo” ka inona koa izay “mpamakilay” tsy miasa ??
“Fampandrosoana ny fiaraha-monina” izany no fanamby hoentinareo miaina ny skotisma ary
hidiranareo amin’ny fahatanorana izay fe-potoana lazain’ny poety ho haingon’ny fiainana. Eo hiatrehana ny fiainana, ny fihariana, ny fanorenan-tokantrano sy ny ho avy. Mahatoky izahay Foibe
MiM fa ho amim-pahavononana sy amim-pahamendrehana no handraisanareo izany.
Ao amin’ny Fokonolona no hanamafisanareo sy hanovozanareo Talenta maro ilaina eo amin’ny
fiainana. Aoka samy hitrandraka talenta maro ny tsirairay ao amin’ny Fokonolona. Efa
nomen’Andriamanitra tombotsoa manokana afaka hanao izany isika, ka aza mba malaina mihitsy.
Ianareo mpitarika ny Fokonolona (Loholona) dia maka hevitra amin’ny mpiray Fokonolona, amin’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany, sns.), amin’ny ray aman-dreny ny hampahazoto ny mpiray Fokonolona.
Aza manao izay mampiady sy mampalahelo ny namana fa ampio sy tariho izy ho tonga skoto marina
tokoa tahaka anareo.
Mazotoa ary mamorona, ampandrosoy ny fanjakan’Andriamanitra, ny tena sy ankohonan’ise ary ny
Malagasy. Mikatroha Talenta maro daholo, dia ampiasao ireny ary mifanajà dia ho tonga tena skoto sy tena Mpamakilay ise ary ho vonona tsara hiatrika ny fiainana.
Mety ho an’ny sampana Mena Malagasy rehetra ity torolalana ity na inona fikambanana skoto misy
azy na inona. Ny sehatra nanoratra ihany no ato amin’ny MiM fa ny ambara kosa dia sahaza ho an’ny
rehetra. Koa aza misalasala mampihatra izany raha tonga eny am-pelatanan’ise ity bokikely ity.
HETSE Matsilo.
Firafitry ny Fokonolona
Ahitana zatovolahy na zatovovavy efatra (4) ka hatramin’ny (8) valo anatin’ny Fokonolona iray.
16 taona ka hatramin’ny 20 taona ny mpiray Fokonolona.
Inona avy no andraisan’ny mpiray Fokonolona anjara ?
- Fisahanana asa sy lalao - Filan-kevitry ny Fokonolona (F.K.S)
- Antenimieran’ny Fileovana
Mampiavaka ny Fokonolona :
Anarana :
Filamatra :
Hiaka :
Loko : Hira :
FANDAHARANA IRAISAN’NY FOKONOLONA MiM
Samy hanana fandaharan’asa mazava ny Fokonolona tsirairay ao anatin’ny telovolana. “TETIKASA
FAMPANDROSOANA NY MPIARA-BELONA” no handrafitra izany fandaharana izany.
Toy izao ny fandaharana iraisan’ny Fokonolona MiM rehetra mandritra ny telovolana iray :
FOTOANA SEHATRA ZAVATRA ATAO
Volana voalohany 1
Herinandro 1 Filankevitry ny Fokonolona
TOMBAN’EZAKA
DINIKA & FANDAMINANA
Herinandro 2 Filankevitry ny Fileovana ANTENIMIERAN’NY
FILEOVANA
FANDAHARANA TELOVOLANA
Herinandro 3 & 4 Sahan’asan’ny Fokonolona FIOMANANA
Volana faha-2
Herinandro 5 Filan-kevitry ny Fokonolona (Filankevitry ny Fileovana)
FANDAMINANA (FIHAONANA)
Herinandro 6 & 7 Sahan’asan’ny Fokonolona FIOMANANA
Herinandro 8 Fihaonan’ny Fileovana SEHONASA
Volana faha-3
Herinandro 9 Filan-kevitry ny Fokonolona (Fihaonan’ny Fileovana)
FANDAMINANA (FIHAONANA)
Herinandro 10 Sahan’asan’ny Fokonolona FIOMANANA
Herinandro 11 & 12 Sahan’asan’ny Fokonolona SEHONASA
Herinandro 13 Fihaonan’ny Fileovana Famaranana Sehonasa
Fanolorana Ambaratonga
Fanolorana Talenta Lanonana
Ny
Mpi
anda
lana
dia
fira
hala
hiam
be a
ny a
n-k
alam
anja
na s
y
amin
’ny
fano
mpo
ana.
(B
aden
Pow
ell)
’
- “FONGORY NY TAZOMOKA”
LOZA goavana mianjady eto amin’ity firenena mamintsika ity ny “tazomoka”. Maro dia maro ny olona matiny isan-taona, indrindra fa ny ankizy. Manana adidy amin’ny famongorana izany fahavalo
izany ise. Ity tetik’asa ity dia mikendry indrindra ny fanafoanana izany aretina izany manerana ny
toerana rehetra misy sy lalovan’ny mpikambana ao aminy.
- “EZAKA KOPIA HO AN’NY ANKIZY”
Maro ireo zaza malagasy any ambanivohitra indrindra indrindra izay tsy manana sora-pahaterahana.
Ny ahatonga ny zaza malagasy rehetra hanana sora-pahaterahana izay hananany ny zo ho velona eo anatrehan’ny fiarahamonina no kendren’ity tetikasa ity.
- “TOHANA HO AN’NY ZOKIOLONA”
- “TANANA MAITSO”
Andraisantsika anjara araka izay tratra ihany koa ireo sehatra ireto :
Fampandrosoana ny fiaraha-monina - ady amin’ny tsy fahalalana sy ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra - firotsahana ho amin’ny
fandriampahalemana - atrika loza ara-boajanahary - fanabeazana ho amin’ny demokrasia sy ny fitantanana mahomby - Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Talenta « Vita hatreo ny hanohanana » –
Fiarovana amin’ny lozam-pifamoivoizana -
Fahasalaman’ny mponina - Fitandroana ny fahadiovana - Rano fisotro madio – Vaksiny - Fiarovana amin’ny areti-mandoza - SIDA
Teknika sy Teknolojia fampandrosoana - Informatika eo amin’ny Fokontany
Fanatsarana ny tontolo iainana - Fambolen-kazo
Fampandrosoana ny fianakaviana - Zon’ny ankizy sy ny tanora - Zon’ny vehivavy - Fanabeazana ho amin’ny fiainam-pianakaviana
Fanatanjahan-tena, fialam-boly
Kolontsaina, riba, vakoka
Fampandrosoana ny Fikambanana iorenany
Fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Fiainam-pinoana
Maro dia maro ireo karazana sahanasa azo tanterahina amin’ireo tetikasa iraisana ireo. Ianareo
Mpiandalana no heverina fa ho tena mpitondra hevi-baovao mahasoa maro sy ho mpitarika amin’ny
fanatanterahana sahanasa isan-karazany hahatrarana ny tanjon’ireo tetikasa ireo.
Ity manaraka ity ny torolalana tsotra amin’ny fanomanana sy fitondrana tetikasa ho an’ny
Mpiandalana. Araho izay voarakitra ary hajao ny fotoana voafaritra (amin’ny Herinandro 1) dia hahazo tetikasa tsotra kanefa tsara isika. Ampitao amin’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany) ny
fanamarihanareo mba hahazoantsika manatsara izany.
(Torolàlana tsotra ho an’ny Mpiandalana)
Ety am-piandohana dia aleo hazava tsara ny amin’ny anjara-asan’ny
Mpiandraikitra (Ben’ny Tany) sy ny Mpiandalana mikasika ny tetikasa ataon’ny Sampana Mena MiM. Tokony hanaja ireto voalaza ireto ny tsirairay mba
hahatomombana ny zavatra atao rehetra. Tsotra izy ireo ary mila fahazarana sy
fanetren-tena ary fifandeferana dia mety.
Inona no anjara-asan’ny Ben’ny Tany amin’izany ?
Mandalina fatratra ny momba ny « tetikasa skoto »
Manangona fiaraha-miasa manokana amin’izay rehetra afaka hanohana tetikasa
skoto Mampianatra (ora 2, andrana, fizohiana, talenta, ...) ny fananganana tetikasa ny
Mpiandalana indrindra fa ireo Loholona
Manoro hevitra ny Fokonolona sy ny Loholona ary ny Mpiandalana tsirairay –
araka izay ilaina na ifanarahana na hita - amin’ny fananganana, fanomanana, fanantanterahana, fanombanan’ezaka ary fanaovana tatitry ny tetikasan’ny
Fokonolona na ny Fileovana
Tompon’andraikitra amin’ny fankatoavana sy fiahiana ireo tetikasa rehetra ataon’ireo fokonolona iandraiketany ka mampiditra izany ho isan’ny
fandaharan’ny Fileovana izay atolotra ny Tonian’ny Fivondronana (ka lasa
“fandaharan’ny MiM”)
Mametraka fanamby manokana ho an’ny tsirairay ho fanantanterahana ny tetikasa – ifanarahana aminy (mitohy amin’ny fanolorana Talenta)
Manao tatitra amin’ny Tonian’ny Fivondronana mikasika ireo tetikasa rehetra
natao tao amin’ny Fileovana iandraiketany Manolotra tatitra ankapobeny sy fisaorana amin’ireo mpanohana sy mpiara-
miasa rehetra tamin’ny tetikasa tsirairay notanterahin’ireo Mpiandalana
iandraiketany (tsy voatery ho izy no nikaroka sy nifandray tamin’ireo mpanohana sy mpiara-miasa ireo fa ny Fokonolona ihany amin’ny ankapobeny)
Inona kosa no anjara-asan’ny Mpiandalana ?
Mamantatra izay tetikasa ilaina sy tsotra, mitady izay tetikasa tian’ny Fokonolona hotanterahina (na tian’ny Fokonolona maromaro,
na ho an’ny Fileovana mihitsy)
Manangana ny tetikasa miaraka amin’ny mpiray Fokonolona Maka hevitra mitohy amin’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany)
Maka ny fankatoavan’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany) ny tetikasa
voatsangana (satria izy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany
eo anatrehan’ny Foibe MiM sy ny Fanjakana) Mandray sy manantanteraka ireo fanamby hafa (fanomanana
Talenta, Ambaratonga, tetikasa iombonana, ...) mety hapetraka na
ifanarahan’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany) amin’ny tsirairay ho fanantanterahana ny tetikasa
Manantontosa feno ny tetikasa hatramin’ny farany na tetikasan’ny
Fokonolona io na tetikasan’ny Fileovana
Manao tatitra antsipirihany sy ankapobeny amin’ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany)
INONA NO ANTSOINA HOE TETIKASA ?
Ny “tetikasa” resahantsika eto dia ireo sahanasa ataontsika ho an’ny mpiara-belona ka hitondra fampandrosoana ho azy.
Ny atao hoe “Sahanasa” ? - Fitambaran’ireo hetsika, asa aman-draharaha
tanterahintsika izay mirindra sy mirafitra tsara mba hanatrarana ny tanjona
ho “fampandrosoana” mazava izay napetraka mialoha. Ny hoe “mpiara-belona” ? – Rehefa vondron’olona azo asongadina ao amin’ny
fiaraha-monina; mety ho ao amin’ny fitandremana na sekoly na fikambanana io,
mety ho ao amin’ny fokontany, mety ho ao amin’ny sehatra hafa. Anisan’ny ampidirintsika ao anatin’izany ihany koa ianareo mpiray Fokonolona izay fiaraha-
monina feno sy tena izy ka ijerena ny momba ny mpikambana tsirairay ao.
Ny ambara hoe “fampandrosoana” eto ? – Izay rehetra
mampitombo ny fahafaha-mivelon’ny olona tsirairay ao amin’ny mpiara-monina. Azo tovanana mpamari-toetra maro io
fampitomboana ny fahafaha-mivelona sy miaina io toy ny hoe
“maharitra”,“haingana”, “ankapobeny”, “ny maha-olona” izay henontsika matetika.
Ny fampandrosoana ny mpiara-belona kendren’ny tetikasa dia
mety ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra, ho fampandrosoana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny
Fokonolona na/sy ny ankohonany tsirairay avy, ho
fampandrosoana ny fiaraha-monina iray.
Ho an’ny fiaraha-monina dia azo sokajiana ho tontolo dimy (5) no ivelaran’ny Mpiandalana ka itondrany fampandrosoana :
Tontolo ambonivohitra / Tontolo ambanivohitra / Tontolo
anelanelan’ireo / Tontolo amorontsiraka / Izao tontolo izao.
NY TETIKASA ATAON’NY MPIANDALANA ?
- Ny tetikasa “skoto” ary dia ireo tetikasa “ataontsika skoto”. Tsy moramora ny
manantontosa tetikasa iray fa mila ezaka mitohy, finiavana, faharisihana, faharetana,
fahafoizam-potoana, fahatozoana ary fandaminana avy amin’ny tsirairay ka
mendrika hifaliana ny fahavitana tetikasa iray. - Manana ny mampiavaka azy ny tetikasa ataontsika ato amin’ny MiM mba ho
tetikasa “skoto” tokoa no ataontsika fa tsy ho tetikasan’ny antoko mpihira na ho
tetikasan’ny Banky Iraisam-pirenena, na tetikasa hafa. - Amin’izao voalohany izao dia tetikasa iray fampandrosoana ny mpiara-belona
isam-bolana no hotanterahan’ny Fokonolona tsirairay avy ary SEHONASA amin’ny
herinandro fahaefatra no endrika anehoany izany eo amin’ny mpiara-belona
iantefany. Ny tetikasa ataon’ny MiM ary ataon’ny Mpiandalana manokana dia :
- fisahanan’asa iraisana (ny mpiray Fokonolona ohatra eto no miara-manapaka fa
hiara-hanantontosa tetikasa izao na izatsy) - manana tanjona mazava ( inona no zava-bita rehefa tontosa ny tetikasa)
- Raha tena ilaina, dia mikaroka sy mifandray amin’ny mpanohana sy mpiara-miasa
ivelany. Tsy mety anefa raha miankina amin’izany vao hahatomombana ny tetikasa skoto izay tsotra sy azon’ny Fokonolona tanterahina avy hatrany.
- Angonina ireo sary, fanomezana, soratra fankasitrahana, vokatry ny fanadihadiana,
sns., ka azo atambatra sy aseho amin’ny fotoana natokan’ny Fileovana,
Ny tarigetran’ny Mpiandalana dia « manompo ». (Baden Powell)
Fivondronana, Faritany ary/na Foibe MiM anehoana izany. Ireny no hanaporofo ny
maha-“Mpamakilay” antsika tokoa.
- Ny fanantanterahana ireo fanamby apetraky ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany) sy
ny anjara asan’ny Mpiandalana tsirairay isaky ny tetikasa no hampitombo ny Talenta ananany sy hahazoany mandrefy ny firosoany amin’ireo Ambaratonga ato
amin’ny sampana Mena.
- Ny fizaran’ny Mpiandalana manantontosa tetikasa madinika maro sy mihalehibe no antoky ny fahombiazana rahampitso eo amin’ireo tetikasa goavana ao amin’ny
Mahatsangy, ny asa aman-draharahany hiantsorohany ary eo anivon’ny fiaraha-
monina.
Ireto no anasokajiana ny tetikasa Mpiandalana amin’ny ankapobeny :
Fizahantany andraisana anjara sy
traikefa ifandraisana volintsaina
maro
Anjoria natiora
Asa ho an’ny fiarahamonina
Fidirana eo amin’ny sehatry ny asa
sy fihariana
INONA IREO DINGANA
AMIN’NY TETIKASA SKOTO ?
Ireto misy dingana mora arahina amin’ny
fananganana sy amin’ny fanantanterahana tetikasan’ny Fokonolona.
Herinandro Dingan’ny tetikasa Sehatra
H1 TETIKASA INONA NO HATAONTSIKA ? Filankevitry ny Fokonolona
H1, 5, 9 TETIKASA TSARA LAMINA ANTOKY NY
FAHOMBIAZANA
Filankevitry ny Fokonolona
H3, 4, 6, 7 MIVONONA TSARA Sahan’asan’ny Fokonolona
H8, 11, 12, 13 FANANTANTERAHANA NY SEHONASA Sahan’asan’ny Fokonolona
Fihaonan’ny Fileovana
H1 manaraka JERY TODIKA Filankevitry ny Fokonolona
1.- TETIKASA INONA NO HATAONTSIKA ?1
Fitsirihana ny tetikasa hatao
- mamaly olana na “fanararaotra” fantatra sy nofakafakaina mialoha
- vokatry ny fifanarahan’ny mpiray Fokonolona
- voadinika ny mety ho enti-miasa - jerena ireo fomba rehetra azo mety hahatongavana amin’ny antontanton’ny
tetikasa
10 mn
1.1.- „‘Ndeha isika hanonofy“
Fotoana hanofinofisana, samy milaza izay tiany sy nofinofiny, filàna tsapa eo
amin’ny fiaraha-monina ka heverina fa azo anaovana tetikasa. Raisina an-tsoratra ireo rehetra ireo. (Mety misy ilàna azy ireny amin’ny
manaraka hanampy amin’ny fanomanana tetikasa hafa.)
30 mn 1.2.- “Hazavao ny hevitra” Hazavao araka ireto masontsivana
2 ireto ny hevitra mivoaka rehetra :
- Heverin’ny mpiray Fokonolona fa mety ho zava-dehibe aminy ve ilay hevitra?
- Ilaina ve, izany hoe : misy zavatra miova “ho tsaratsara kokoa” no vokatra azo?
- Misy olana na hita ka mifandray amin’ilay hevitra ?
Ajanona avy hatrany izay tsy mamaly ny iray amin’ireo. Tohizana ny fanazavan-kevitra sy ny fanesorana mandra-pahazo hevitra 3 na 4 sisa no
mijanona.
1 Tsiahy ho an’ny Ben’ny Tany : Ny MiM dia mijoro ho “sekolin’ny Demokrasia”. Tetikasa mampandray anjara mampiseho ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ary mampihatra ny “anontanio ny ankizy (B.P.)” : ireo no ijeren’ny Mpiandraikitra ity dingana ity ka maha-zava-dehibe izany eo amin’ny asa fanabeazana atolotra. Fizotra handehanana ho amin’izany ny ambara eto. 2 Ity no anisan’ny mampiavaka amin’ny fisafidianana tetikasa isan-tsampana : Mahatsangy na Maitso na Mavo.
Inona no
hatao ?
Mandamina tsara
Mivonona tsara
Manantanteraka
Jery todika
1.3.- “Ity izany ny tetikasa ifanarahantsika”
20 mn
(tabilao 1)
Eto no misafidy izay tetikasa hatao ny mpiray Fokonolona. Fenoy ny tabilao 1.
Izay “eken’ny rehetra miaraka” ihany no asiana X. Ifanakalozy hevitra ny iray na ny roa (ohatra) amin’izay hevitra manana X maro
indrindra, ka valio mazava ireto fanontaniana ireto :
Tabilao 1 – SAFIDY TETIKASA (20 mn)
Asiana X izay maha-resy lahatra ny mpikambana rehetra
Masontsivana Hevitra Tetikasa
Lah.-1 Lah.-2 Lah.-3
- mampazoto antsika rehetra ny hirotsaka
amin’ity ?
- tena marina tokoa fa :
tiantsika hatao izy ity
Ahazoantsika mametraka fanamby
Ilaina mihitsy ?
- Tsy ataontsika any an-tsekoly, na sehatra hafa
?
- sns… (oh : anisan’ny tetikasa MiM ve,
laharam-pahamehana ato amin’ny fivondronana ve, …)
5 mn 1.3.1.- fifanarahana any amin’izay tetikasa tena hatao
* Sahintsika ve raha io hevitra io no irosoana ho tetikasa ?
* Inona daholo no seho na vahaolana hafa azo eritreretina fa ilaina amin’ny
fanaovana io tetikasa io ? * Hanao inona ary isika : ny tetikasantsika? Averina hatrany fa “Tetikasa
fampandrosoana ny mpiara-belona” no atao.
5 mn 1.3.2.- fandinihana ny enti-miasa
* Inona daholo no ananantsika hatreto hoentina hanantanterahana izany
(fotoana, olona, vola) :
* Ampy ve ny isantsika raha hanao io ? * Manana fahaiza-manao amin’io ve isika, ary aiza no mety hanovozantsika
fahaiza-manao vaovao hanampy ny ananantsika hatreto ?
* Mety amin’ny fotoana ananantsika ve io ? * Ho zakatsika ara-bola na manana fahafaha-mikaroka ara-bola ve isika
hanaovana io ?
5 mn 1.3.3.- fomba ankapobeny azo hitondrana ny tetikasa
* Inona avy no fomba atao sy tetika ankapobeny heverintsika hahavitana io
tetikasa io ?
* Misy fomba hafa hahazoana manantanteraka io tetikasa ve ? * Raha ilaina, averina faritana mazava tsara izay tetikasa hataontsika. (oh :
“Hanao asa anona any ananona mba hampananona.”)
* Raketina an-tsoratra izay hevitra voatana.
2.- TETIKASA TSARA LAMINA ANTOKY NY FAHOMBIAZANA
- VHT mazava miaraka amin’ny fambara - Sahanasa maro voarindra ara-potoana sy misy tompon’andraikitra voafaritra
- Tetibola mitombina sy voalanjalanja
- Fankatoavan’ny mpiandraikitra sy fanamby manokana apetrany
Nofidiana teo ambony ny tetikasa hatao, ary hitantsika izay fomba ankapobeny
hoentintsika anantanterahana izany. Eto kosa dia inona avy no dingana tsy maintsy aleha na fizaràna tsy maintsy atao mba hahatongavana tsikelikely
amin’izay tian’ny tetikasa hotratrarina.
Farafahakeliny dia ahitana dingana na fitsinjarana roa ny tetikasa iray. Faritana mazava tsara ireo vokatra kendrentsika ireo mba hanantanterahana ny tetikasa :
20 mn (tabilao 2)
* Inona daholo ireo “vokatra tian-kotratrarina” mba hahavitana ny tetikasa (io ilay antsoina hoe VHT) ?
* Inona avy ireo fambara azo refesina andrasantsika ka
ahazoantsika milaza fa “tratra” ny VHT tsirairay ?
Tabilao 2 – FAMARITANA VHT (20 mn)
Soraty mifanandrify ny VHT tsirairay ireo fambara azo ilazana fa hahatratrana izany.
VHT 1 :
Fambara :
- -
-
VHT2 :
Fambara :
- -
-
20 mn (tabilao 3)
* Volavolaina sy tanisaina antsipirihany araka izay tratra daholo ireo sahanasa (lahasa, raharaha, hetsika) mifanaraka amin’ny fomba
nofaritana teny aloha, heverina hatao hanatrarana ireo vokatra ireo.
* Faritana mazava ireo sahasa hatao mandritra ny SEHONASA
hatao eo anivon’ny mpiara-belona; * Ferana ny filaharam-potoana hanatanterahana ny sahanasa
tsirairay avy sy ny tompon’andraikitra amin’izany avy.
Tabilao 3 – LAMIN’ASA (20 mn)
Sahanasa Famaritam-potoana Izay ilaina Tompon’andraikitra
1 -
2 -
3 -
4 -
5 - SEHONASA
6 -
7 - Sns…
5 mn
(tabilao 4)
* Faritana ny mety ho tetibola ilaina isaky ny sahanasa sy
ankapobeny sy ny paika entina hanatrarana izany.
* Entina eo amin’ny Mpiandraikitra izany mba ankatoaviny sy hamerany izay fanamby manokana apetrany ho an’ny tsirairay.
Tabilao 4 – TETIBOLA (5 mn)
VOLA MIVOAKA
VOLA MIDITRA
Sahanasa :
Fitaovana :
Kojakoja :
10% fiandry :
sns. :
Fitambarany :
Fitadiavam-bola (asa madinidinika) :
Fandraisan’anjara Ray aman-dreny :
Fanomezana :
Mpiara-miasa :
sns. :
Fitambarany :
3.- MIVONONA TSARA3
* Fanantanterahana avy hatrany ireo anjara asan’ny tsirairay (fiomanana) araka
ny fitsinjarana natao.
* Fanatrarana ireo fanamby isan’olona nifanarahana na napetraky ny Mpiandraikitra (Ben’ny Tany).
* Fianarana sy fizàrana manao ireo sahanasa amin’ny SEHONASA (tsirairay sy
iraisana). * Fifandraisana amin’ny sokajin’olona sy mpiaramiombon’antoka.
* Fametrapetrahana sy fanomanana ny fanantanterahana hatramin’ny
3 Taridalana ho an’ny Ben’ny Tany : Ity dingana ity no tsy maintsy andaniana ny ampahany betsaka amin’ny fotoana. Fanabeazana mantsy no ataontsika ka eto amin’ity dingana ity no tena sehatra manokana amin’izany. Eto ilay fivononana mba ho “vonona” tsara ( “be prepared” – hoy ny skotisma). Amafisina fa tsy “fanabeazana miorina amin’ny vokatra” fa “fanabeazana eo am-piasana” ary “fanabeazana hivononana” no atolotsika ny ankizy sy tanora ato amin’ny skotisma. Eto ihany koa no ahitan’ny Mpiandraikitra ny fivoaran’ny isambatan’olona, ary eto am-piasana no ampiorenana ny fiaraha-miaina eo amin’ny mpiray Fokonolona, sns. Eto amin’ity dingana ity no tena miasa ny fomba fanabeazana skoto (“méthode scoute"). Ny sehonasa dia vokatry ny fiomanana tsara (na tsia).
fanangonana sy fampodiana ny entana avy nampiasaina (izay adino matetika fa
samy reraka na samy falifaly).
* Fanantanterahana ny paika hahafeno ny vola ilaina.
* Fanomanana ireo fitaovana hampiasaina.
4.- FANANTANTERAHANA NY SEHONASA - Atomboka sy arindra ireo sahanasa
- Vahana izay olana mitranga
- Angonina ireo vaovao manambara ny fizotra tsaran’ireo sahanasa
- Vita ny filazalazana (tatitry) ny zavatra natao rehetra
* Eny amin’ny toerana misy ny mpiara-belona iantefan’ny tetikasa.
* Mety ho fotoana iray na maromaro miverimberina na mitohy. * Fanajana ny fandaminana napetraka mialoha sy nifanarahana,
fifanampiana, fifandeferana, fampandraisana anjara, fifaliana eo am-
piasana : ireo no antoky ny fahombiazana eto
5.- JERY TODIKA
- Fanombanana ny fahatrarana ny VHT
- Fisintonana lesona - Fahazoana antoka ny fiantraika sy faharetan’ny asa natao
- fankasitrahana ny zava-bitan’ny tsirairay
Raha vao tapitra ny SEHONASA, dieny mbola mafana ny fahatsiarovana
(herinandro aoriana raha ela indrindra) dia atao ny fanombanan’ezaka. Tohizana
izany raha toa ka tsy vita eo no ho eo. Ny Tatitra atolotra ny Mpiandraikitra
(Ben’ny Tany) no mamarana ny tetikasa. * Inona no tsara tamin’ny natao ary inona no tsy nety ?
* Rehefa jerena ireo fambara napetraka dia tratra ve ireo vokatra nokendrena ?
* Inona no fampianarana azo tsoahina ? * Raisina ny ezaka nataon’ny isan’olona
Tabilao 5 – JERY TODIKA
1 - TATITRA ANKAPOBENY
2 - TATITRA ARA-TSAHANASA (Ahitana Sary, Kisarisary, Tabilao, Antontanisa, sns.)
3 - TATITRA ARA-BOLA
… apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-
trano … (Matio 5.15)
’
Mba hampilamina tsara ny asa hataonareo Fokonolona dia tsara ny anananareo farafaharatsiny ireto
Boky ireto.
1. Boky volamenan’ny Fokonolona
Ny Boky volamena dia firaketana maharitra sy ifandimbiasana izay rehetra mahakasika ny
Fokonolona: - Mpikambana tsirairay nandalo teo amimn’ny Fokonolona,
- Tantara,
- Zavatra nisongadina teo amin’ny fiainan’ny Fokonolona sy ny mpikambana ao aminy, - Fomba amam-panao,
- Dina sy fifampitondrana samihafa,
- sns…
Ao koa no iraketana ireo zavatra nisongadina teo amin’ny fiainan’ny Fokonolona sy ny mpiray
Fokonolona ao anatiny:
- Fitantarana ny sahan’asa mivaingana niainana, lasy samihafa, - Seho nahafinaritra sy nampalahelo teo amin’ny Fokonolona,…
Amboarina ho mafy sy tsara tarehy ny Boky volamena. Ravahina sary sy soratra, hira. Ny tsirairay dia tokony hitondra izay mba vetsovetsony sy tiany hosoratana ao anaty Boky volamena.
Ampitaina amin’ny mpitarika ny Fokonolona manaraka ny Boky volamena. Dia toy izany hatrany.
Ity no saina sy fitadidian’ny Fokonolona ka ataovy tsara tarehy ho hitan’ny zandry sy zanaka any
aoriana.
2. Bokim-bolan’ny Fokonolona
Amin’ireo sahanasa hotanterahinareo dia hohitanareo fa ho betsaka ny vola mivezivezy sy
ampiasainareo. Tsy maintsy manana fitantanam-bola mazava sy marina ary ara-potoana ny
Fokonolona araka izany.
Raiketina anatin’ny bokim-bola ny vola rehetra ananan’ny Fokonolona na miditra (rakitra,
tambatambatra, azo tamin’ny asa manokana, saran-dàsy, fanomezana, sns.) na mivoaka
(nividianana fananana, fitaovana, natao saran-dàlana, sns.).
Ezahina asiana taratasy kely fanamarinana avokoa ny vola mivoaka.
Amarinin’ny Mpiandraikitra isan-telovolana farafaharatsiny ny bokim-bolan’ny Fokonolona ary
anaovan’ny Mpiandraikitra tatitra amin’ny Fivondronana izany.
Toa izao no firafitra ankapoben’ny bokim-bola :
Daty
Antony
Fanamarinana
Fokonolona Nampitaina @ MP.
An-tànana
Miditra Mivoaka Totaliny
- …
- …
TOTALINY
Azo atao kahie voaefitrefitra ny bokim-bolan’ny Fokonolona. Ny zava-dehibe dia voarakitra ao
avokoa ny fivezivezen’ny vola nataon’ny Fokonolona, ary milahatra mitohy tsara sady madio ny
fomba nanoratana izany.
Tsara kokoa anefa raha ny bokim-bola avoakan’ny Foibe MiM no ampiasainareo (raha vao ampy
ny enti-mananareo ahafahana mividy izany) mba hisian’ny fitovian’ny fitanan-kaonty ato
amin’ny fikambanantsika iray manontolo ka dia ho azo antoka sy mora hamarinina ny fahaizantsika mitantana madio. Ilain’izay rehetra miara-miasa aminareo amin’ny
fanantanterahana tetikasa ny mahazo antoka anareo amin’io lafiny io.
3. Tahiry firaketana fananana
Manana fananana tantanina ihany koa ny Fokonolona. Manana kahie iray manokana izy
amin’izany ahafahany manara-maso ireo fananany ireo. Ireto avy no farafaharatsiny hita anatin’izany tahiry izany :
- Lisitry ny fananan’ny Fokonolona (fa tsy ny an’ny tsirairay manokana)
- Toerana misy ireo fananana ireo, - Faritra atokana anamarihana ny fivoahan’ny fananana sy ny fiverenany avy eo,…
Tsara raha tsy miova tànana ny fitehirizana ny fananan’ny Fokonolona na dia miova aza ny Mpitantana ny Fitaovana.
Tapany voalohany: Firaketana ny fananana
Karazany Isany Daty nahazoana Fiaviany Mpitahiry azy Fanamarihana
-
-
Tapany faharoa: Firaketana ny fivoahana sy ny fiverenan’ny fananana Daty Zavatra nivoaka Isany Naka Sonia Daty
namerenana Fanamarihana
-
-
Toy ny bokim-bola dia tsara raha ny bokim-pananana avoakan’ny Foibe MiM no
ampiasainareo.
Fiaviany: Fanomezana, novidian’ny Fokonolona,… Fanamarihana : ara-dalàna, nisy simba, nisy very, …
’ ’
MPAMAKILAY RAITRA
Dô dia F – Hiraina feo tokana – Famindràna Tonony sy Feo : ANDRIANTSIFERA Hery . Marsa 2003
.s, || m.,m : m.,r | d : d.,d || d.,r : d.,l, | s, : .s, || r : r., s, | r : r.,s || s.,l :s.,f | m : m.
1. Matoa ise mijoro, Manatrika eto anio Mikasa ny hiasa, Hilofo hatrany hatrany
2. ‘Reo lalàna mijoro, Sy ny asa marobe Toavo io, vitao io Ho filamatra ise
.,s, || m : m.,r | d : d.,d || d.,d : r.,m | f : || r : r.,f | m.,d : r.,t, || d. : | : ||
1. Tsy hiamboho adidy, Na hiala andraikitra Mpamakilay ho raitra
2. Hametraka ny fiainana Ho an’Andriamanitra Mpamakilay ho raitra
Isan’andininy:
|| l, : l, | l,.,d : t,.,l, || s, : l, | s, : d.,t, || l, : fi,.,l, | d,.t, : d.,m || r. : | : ||
Hiroso hiasa an-tsitrapo, Tsy terena fa vokatry ny fo
|| l, : l,.l, | l,.,d : t,.,l, || s, : l, | s, : d.,f || m : -.,d | r.,r : d.,t, || d. : | : ||
Mpamakilay ho vonona tokoa, Ho an’i Gasikara lovasoa
HANEFA ANTSO
Dô dia F – Mailamailaka Tonony sy Feo : SOKY- HETSE – SABERY . Jona 2003
Feo tokana
|| s,s,s, : m | d : || t,dr : d | l, : || l,.,l, : f | m : r || d : d | t, : |
1. Hanainga aho izao dia izao, Ka hanefa izay nekeko
2. Ny Fitoviana, Firahalahiana, Fampandrosoana araham-pinoana
| s,s,s, : l, | l, : t, || t, : d | : r.,m || -.f : m | d : r || t, : d | - : ||
1. Hanompo an’Andriamanitro, Ny hafa sy ny taniko
2. Atsangantsika miaraka, ‘Lay Gasikara sambatra
Farany
rit...
|| s,s,s, : l, | l, : t, || t, : d | : r .,m || -.f : m | d : r || t, : d | - : ||
|| s,s,s, : f, | f, : si,|| si,: l, | : l,.,t, || -.d : d | s, : t, || s, : s, | - : ||
|| s,s,s, : d | d : r || r : m | : f .,s || -.l : s | m : f || r : m | - : ||
|| s,s,s, : f, | f, : m,|| m,: l, | : r,.,m, || -.f, : s, | s, : s, || s, : d, | - : || 2. Atsangantsika miaraka ‘Lay Gasikara sambatra,
FANOLORAN-TENAN’NY MPAMAKILAY
Dô dia C – Milamina Tonony sy Feo : SOKY Mahavatra
|| s, : d : r | m : - : - | m : r : d | m : - : - | s, : d : m | r : - : - | r : d : t, | r : - : - |
1. In dro eke- ko Raiko ô, NyhanompoAnao mandrakizay
2. Fi tsi pi pia- inana ekeko Ho tia ny Ta- nindrazako
| s, : t,: d | r : - : - | r : d : t, | r : - : - | s, : t, : r | d : - : - | d : r : d | m : - : - |
1. Ny heriko, ny tenako Foiko ho Anao ry Ray Mpiahy 2. ‘Reo rahala- hy, namako Hasoaviko, hasandratro
Isan’andininy :
| d : r : d | f : - : - | l : - : - | d’: - : - | f : s : l | s : - : - | s : f : m | s : - : - |
Ka n’inona n’i- no- na Hosedraiko amin’ny fo
| s, : d : r | m : - : - | m : - : - | f : - : - | r : d : t, | d : - : - | d : l,: d | d : - : - ||
Hery mano- si- k’ ahy Hamela ma- my, hanasoa
LALÀM-PIAINAN’NY MPAMAKILAY
Ny Mpamakilay dia :
1 - Mitàna ny teny omeny,
2 - Azo itokiana,
3 - Manolotena sy manampy ny hafa,
4 - Havan’ny olona rehetra sady rahalahin’ny skoto rehetra,
5 - Manaja olona,
6 - Tia sy miaro ny zava-boahary,
7 - Manoa ny ray aman-dreniny sy ny zokiny, 8 - Mihira sy mitsiky lalandava na misedra ny sarotra aza,
9 - Mitantana tsara izay ananany,
10.- Madio tena, saina, fiteny ary amin’izay ataony.
FANEKEN’NY MPAMAKILAY
“Eo anatrehan’Andriamanitra, dia manaiky aho ny hiezaka mafy isan’andro, ka ny hasin’ny tenako no ho antoka
fa :
- hanefa ny adidiko amin’Andriamanitra, amin’ny tanindrazako sy amin’ny hafa ary amin’ny tenako,
- hiaina ny Lalàn’ny Mpamakilay. Jesosy Kristy Tompo anie hanampy ahy hahatanteraka izany.”
TENY FANORENANA (ataon’ny Mpiandalana)
“Eto anatrehan’Andriamanitra sy ny olona, ary noho ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo no anamafisako ny
fijoroako amin’ny maha-Mpiandalana Mpamakilay, ka anolorako ny heriko manontolo:
- hanefa ny adidiko amin’Andriamanitra, amin’ny tanindrazako sy amin’ny hafa ary amin’ny tenako,
- hiaina ny lalàn’ny Mpamakilay.
Jesosy Kristy Tompo anie hanampy ahy amin’izany.”
- La Route du succès. Lord Baden-Powell of Gilwell (B.P.).
- Sompitry ny Mpamakilay. Foibe MiM. Antananarivo. 2003.
- « Autonomiser les jeunes adultes » - Lignes directrices pour la Branche Route. Bureau Mondial du
Scoutisme - Education, Recherche & Développement. Décembre 2011.
- “Let’s Do a Scout Project !” - Introduction to a Project Approach in Scouting. World Scout
Bureau. Genève. Septembre 2000.
- Ending Hunger Challenge Badge. FAO – WAGGGS – WFP – WOSM. 2013.
- Le Programme Environnement du Scoutisme Mondial – Activités et Fiches d’information. Bureau Mondial du Scoutisme - Education, Recherche et Développement. Novembre 2009.
- Lignes directrices pour le programme « Le Brevet Scouts du Monde ». Organisation Mondiale du Mouvement Scout. 2006.
- “Climate change: Take action now!” A guide to supporting the local actions of children and
young people, with special emphasis on girls and young women. FAO – UNICEF - Alliance of Youth CEOs.
- 500 ideas for Venturers and Rovers. http://www.thedump.scoutscan.com.
- http://www.scout.org