4

Click here to load reader

Ny faingondomotra na spiruline gasy

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Ny faingondomotra na spiruline gasy

Ny faingondomotra na spiruline ilay lomotra mangamaintso iorenan’ny

fanatenan’ny zanakolombelona sy ny malagasyDr Ing. RAZAFINDRAJAONA Jean Marie,

Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy, Mpampianatra Mpikaroka ao amin’ny IAA/ESSA

Tale n’ny ISTRAM, Ambositra

Adiresy hifandraisana :

- Dépt IAA, Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques, BP 175, Ankatso, Antananarivo (101)- Institut Supérieur de Technologie Régional d’Amoron’i Mania, Ankorombe, Ambositra (306)- Tél. 034 06 404 22 – 24 563 04 – 033 11 54004 - Email : [email protected]

1- Ny momba azy sy ny bikanyNy faingondomotra dia karazana lomotra zara fa hitan’ny maso ary mivelona ara-

boajanahary ao anatin’ireo dobo masira sy be karibonetra tsy lavitra ny sisin-dranomasina.Miloko mangamaintso izy, manahaka ireny vy miaina na ressort ireny ny bikany ka

izany no antony niatsoana azy hoe faingondomotra na “spiruline” amin’ny teny frantsay na koa “spirulina” amin’ny teny anglisy.

Mirefy ¼ mm (na 0,250 mm) ny halavany ary 0,009 ka hatramin’ny 0,025 mm ny savaivony. Tokana tsy roa aman-tany izy satria efa 3 lavitrisa na 3.000 tapitrisa taona (3 milliards d’années) izay no nisiany. Izy irery no hany zava-mananaina ela niainana toy izany eto ambonin’ny tany.

2- Ny fomba fiainanyMivelona toy ny lomotra sy ny zava-maniry rehetra izy: mampiasa ny tara-

masoandro na koa ny tara-pahazavana ho loharanon-kery ary afaka manodina ny enton’arina ao amin’ny rivotra (na CO2), na koa levona ao anaty rano ka lasa karibonetra (HCO3

- sy CO3

--) sy ny sira mineraly ho raha organika toy ny siramamy, menaka, zarinofo na protida, vitamina, sns, … Mora velona izy ary haingam-pitombo satria avo roa heny isan’andro ny fitombony.

3- Ny fomba nitrandrahana azyFahagolan-tany dia sakafo fihinan’ireo Aztèque (razamben’ny Meksikanina, nonina

naodidina ny farihin’i Texcoco izay toerana iorenan’i Mexico ankehitriny, tany Mexique, Amerika Atsimo) sy ny foko Kanembous (ao amin’ny Faritr’i Kanem, avaratra atsinana’i Tchad, ao Afrika) izy ary nampiasain’izy ireo ho fanafody sy otrikaina fanampiny ho an’ireo vehivahy miandry vohoka ihany koa.

Ny 1939 no nanomboka nanintona ny mpikaroka izy ary tamin’ny 1970 kosa no nanomboka namokatra azyny orin’asa Meksikanina iray. Ankehitriny dia firenena maro maneran’ny kaontinanta dimy (Amerika, Eoropa, Asia, Oseania ary Afrika) no efa mitrandraka azy.

Page 2: Ny faingondomotra na spiruline gasy

4- Ny nahitana azy kisendrasendra sy ny fivelarany teto MadagasikaraHitan’ny mpampianatra mpikaroka vietnamianina sy malagasy tao amin’ny IHSM

(Institut Halieutique et des Sciences Marines, Toliara) teny amin’ny faritra manodidina ny tanànan’i Toliara izy tamin’ny taona 1989.

Nohamarin’ny ekipan’i Ripley FOX, mamapahaizana fanta-daza eran-tany momba ny faingondomotra, na spiruline, izany fisiany eto Madagasikara izany tamin’ny taona 1994.

Ankehitriny dia vokarina any Toliara, Morondava, Antsirabe, Mahajanga ary anaty laboratoara izy ka mama-pahaizana malagasy maro no efa manao asa fikarohana aminy.

5- Ireo zavatsoa mety ho azo avy amino

Ny fikarohana maro natao maneran-tany sy teto Madagasikara dia nampiseho fa ny faingondomotra dia sakafo mahasalama, mampitombo, mampatanjaka, mampahiran-tsaina ary manakana ny fahatavezana.

Mampilamin-tsaina, mampavitrika, manamafy ny hery fiarovana ary manafaingana ny fahasitranan’ny aretina maro, ny fery ary ny fikatonana’ny faritra nodidiana izy.

Fitaovam-piadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza any amin’ny firenena maro ary fampanjarian-piainana ho lehilahy ny faingondomotra.

Azo ampiasaina amin’ny fikokokoloana ny vatana, manatsara ny volo sy ny hoho ihany koa izy.

Manatsara ny fiompiana biby sy hazan-drano izy ary mamadio ny tontolo iainana sy afaka mampihena ny fiakaran’ny hafanan’ny tany satria mitroka enton’arina.

Akora famokarana loko voajanahary sy singa maro ihany koa izy ary azo atao asa fidiram-bola maharitra sy mampivelatra ny sehatr’asa maro ny fitrandrahana azy.

FefinyZava-mahasoa maro mety ho azon’ny olombelona, fa indrindra ho antsika Malagasy,

avy amin’ny fihinanana, ny fampiasana ary ny fitandrahana ny faingondomotra.Tokony hanaram-penitra anefa izany fikirakirana azy izany araka ireo voka-

pikaronana maro efa eo am-pelantanana ka ho atolotra antsika etoana ao aorian’izao tahirinkevitra savaranonando izao, mba ho fandraisan’ny manam-pahaizana malagasy sy ny Akademia Malagasy anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny maharitra an’i Madagasikara.

“Mitrandràha Mihinàna, ary mampiasà faingondomotra dia ho to izay kasainao”

HafatraHafatra

NyNy faingondomotrafaingondomotra na spirulinena spiruline

dia zavaboary tsy roa aman-tany