Upload
andrianarivo
View
1.061
Download
179
Embed Size (px)
Citation preview
1 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nalaina tamin’ny
“Fampianarana ny Bokin’ny Apokalypsy”
Radio Fanambarana, FM 98.4 nataon’i
Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné
Foibe F.A.M., Ambodin’Isotry,
Antananarivo 101, Madagascar.
Fianarana ny Bokin’ny Apokalypsy
2 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fizahan-takelaka
Fampidirana ankapobeny
Sarinteny na Codes samihafa
Firafitry ny Boky Apokalypsy
I.- Fampidirana: Apokalypsy1: 1 – 8
II.- Famelabelarana:
Apokalypsy 1
1. Fahitana momba fiangonana fito: Apokalypsy1:9 – Apokalypsy3.
Apokalypsy 2
Apokalypsy 3
2. Fahitana momba ny tombo-kase 7: Apokalypsy4 – Apokalypsy8
Apokalypsy 4
Apokalypsy 5
Apokalypsy 6
Apokalypsy 7
Apokalypsy 8
3. Fahitana momba ny trompetra 7: Apokalypsy8:2 – Apokalypsy11.
Apokalypsy 8
Apokalypsy 9
Apokalypsy 10
Apokalypsy 11
4. Ivom-besatry ny boky Apokalypsy: Apokalypsy12 – Apokalypsy14.
Apokalypsy 12
Apokalypsy 13
Apokalypsy 14
5. Loza 7 sy kapoaka 7: Apokalypsy15 – Apokalypsy16
Apokalypsy 15
Apokalypsy 16
3 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
6. Babylona: Apokalypsy17 – Apokalypsy19
Apokalypsy 17
Apokalypsy 18
Apokalypsy 19
7. Jerosalema: Apokalypsy19:11 – Apokalypsy22:5
Apokalypsy 19
Apokalypsy 20
Apokalypsy 21
Apokalypsy 22
III.- Famintinana: Apokalypsy 22:6 – farany
Famintinana amin’ny teny anglisy
References
Contacts
4 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fampidirana Ankapobeny
Mifandray ny Bokin’ny Apokalypsy sy Daniela. Tsy mitovy amin’ny boky
rehetra ny Bokin’ny Apokalypsy. Sarotra vakiana, misy zava-miafina be dia
be ao anatiny. Tsy resahina mivantana fa afenina ny tiany hambara ao. Ka
rehefa manandrana mamaky azy isika dia mijanona satria tsy misy azo izay
lazainy.
Misy lazaina ara-bakiteny, ara-panoharana sy ara-paminaniana ao
anatiny ao.
Milaza ny zavatra lasa, ankehitriny ary ny ho avy koa izy. (passé,
present, future). Nisy zavatra future, present ary ho avy tamin’ny andron’I
Jaona ao anatiny.
Misy hevi-teny ara-panoharana betsaka koa ao anatiny. Ohatra: ny
fiangonana dia lazaina hoe vehivavy. Misy koa ny atao hoe Vehivavy mitafy
masoandro, vehivavy janga lehibe mipetraka anaty rano. Misy karazana biby
maro koa voalaza ao ary isa sy loko maro samihafa izay samy manana ny
heviny avy. Ohatra amin’ny Malagasy: izay mena valala, izay tiana malala,
mavo adala, maitso no fanantenako, manga ny lanitra, avo ka tsy takatra.
Tsy afaka misaraka ny bokin’ny Apokalypsy sy Daniela. Ireo no antsoina hoe
livres apocalyptiques na bokin’ny andro farany. Ny bokin’I Ezekiela koa
anefa dia manambara zavatra ho avy ihany.
Ny olona sasany manazava ny boky dia na manazava amin’ny ho avy
daholo, na lasa daholo, na zavatra ratsy sy mitera-doza fotsiny, misy milaza
fa secte ny apokalypsy. Nefa tsy fantany akory ny atao hoe secte. Toy izany
koa ny amin’ny Malagasy, raha vao hoe fomban-drazana dia ratsy izay,
sampy izay. Nefa ahoana ary ny famangiana manjo atao hoe fomban-
drazana izay tsy hit any maharatsy azy?
5 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy nianaran’I Pasteur ity fampianarana ity, tsy nandalo college
theologique koa izy. Ka ny plan entina manazava azy izany dia unique, tsy
misy manana. Efa misy rindran-damina napetraka manokana hanazavana
azy.
Andro farany:
Daniel 2:28: Andriamanitra any an-danitra mampahafantatra zava-
miafina amin’ny andro farany.
Daniel 8:17-19: fahitana milaza ny andro farany.
Daniel 11:27: mpanjaka roa miresaka lainga fa ny farany dia atao
amin’ny farany ihany. (politique mandainga izany, famitaham-bahoaka)
Daniel 11:35: hamotsiana azy amin’ny andro farany.
Daniel 14: asio tombon-kase ny faminaniana mandra-pahatongan’ny
andro farany.
Apok 1:3: sambatra izay mamaky … fa antomotra ny andro.
Antomotra ny andro tamin’ny andro nanoratan’I Jaona azy
Apok 22:20: eny avy faingana Aho. Amena
Hevitry ny Apokalypsy sy ny bokin’I Daniela:
Ny “Apokalypsy”: Hita ao amin’ Testamenta vaovao izay nadika tamin’ny
teny Grika. Ny Testamenta Taloha kosa dia teny Grika sy Hebreo no
nandikana azy.
APOKALYPSY = APO (ala) + KALYPSY (sarona) = ala sarona na
fanambarana ny zava-miafina (revelations). Izay no mahatonga azy ho
livre codé satria misy sarin-teny sy sary an’ohatra betsaka ao anatiny. Toy
ny bokin’ny miaramila misy codes, na ny morses izay ampiasain’ny scoutes.
Ny dokotera dia manana ny codes mampiavaka azy. Toy izany koa ity boky
ity izay ahitana ny codes manokana. Misy ny olona tsy te hamaky ny
6 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Bokin’ny Apokalypsy satria matahotra izy ireo fa milaza loza ity Boky ity. Ny
fléaux sy loza voa-janahary dia lazaina hoe c’est de l’Apocalypse. Nefa atao
inona ato amin’ny Baiboly io raha zava-doza? Izany dia noho ny tsy
fahalalana. Ary ny Fiangonana Apokalypsy dia mety heverin’ny olona ho
secte zava-doza noho ny tsy fahalalana.
Daniela = Jehovah no mpitsara ahy. Fitsarana = famaranana ny
tantara rehefa tapitra izao tontolo izao: na ho amin’ny fanamelohana
na fiainana mandrakizay.
Fomba fanazavana ny Boky
1. Preteriste na passé na zavatra lasa
2. Futuriste na zavatra ho avy.
3. Histoire continue. Ity no endrika tsara indrindra rehefa manazava ny
bokin’ny Apokalypsy:. Mila mahay tantara tsara nefa rehefa mampiasa
ity. Moyen age, faham-panjaka, empire, civilization tandrefana,
tatsinanana, ny tantaran’ny fiangonana, ny lasa, ankehitriny ary ny ho
avy.
Apok 1:19: koa soraty izay zavatra efa hitanao na ny zavatra ankehitriny
na izay mbola ho avy rahatrizay.
7 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
LANGAGES CODES maro samihafa ao anatin’ny boky na sary
an’ohatra.: LOKO (couleurs), SARY (images), ISA (chiffres)
Sary Heviny References bibliques
na Soratra Masina
Rano na
ranomasina
Vahoaka na firenena;
olona betsaka
Apokalypsy17:1 sy 17:15:
vehivavy janga lehibe mipetraka
ambonin’ny rano maro.
Rano = olona sy vahoaka
betsaka ary ny samihafa fiteny.
Isaia 17:12-13: ny feon’ny
firenena maro mirohondrohona
tahaky ny feon’ny ranomasina.
Rano = firenena
Bibidia
manana loha
fito, bibidia
taingenan’ny
vehivavy
Mpanjaka;
mpanapaka eo amin’
firenena.
Fanjakana; firenena
Daniel 7: 1-3 sy 17: bibidia
efatra avy amin’ ranomasina
Bibidia efatra nivoaka avy
amin’ ranomasina: mpanjaka
nofidian’ny vahoaka; na
fanjakana iray amin’ firenena
Daniel 7:23: bibidia dia
fanjakana amin’ tany
Tandroka Fanjakana
Mpanjaka, filoham-
pirenena
Daniel 7:24: ny tandroka 10
dia mpanjaka 10
Daniel 7:7: bibidia manana
tandroka fito = fanjakana
manana mpanjaka fito
8 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Daniel 8:24: ondrilahy
manana tandroka = mpanjaka
Rambo Mpaminany sandoka;
mpaminany mampianatra
lainga na diso
Isaia 9:14: ny loholona sy ny
manan-kaja no loha; ary ny
mpaminany izay mampianatra
lainga no rambo.
Vehivavy fiangonana Apokalypsy 12: vehivavy
Apokalypsy 17:
Efesiana 5:22-25: ianareo
vehivavy, maneke ny vadinareo
tahaka ny aneken’ny fiangonana
an’I Kristy; ny vadin’I Kristy dia
fiangonana
Jeremia 3:14: Miverena ry
zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa
Izaho ihany no vadinareo.
Vehivavy janga = fiangonana
mampirafy, manompo sampy,
misy vadiny hafa tompoiny ao,
sady miantso an’Andriamanitra
no manompo zavatra hafa
Apokalypsy17:1: vehivavy
janga lehibe mipetraka eny
ambony rano maro =
fiangonana lehibe iray janga
mipetraka eny amin’ firenena
maro na vahoaka maro.
Apokalypsy 17:3: nentin’ny
9 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fanahy tany an’efitra aho ka
nahita vehivavy mitaingina
bibidia mivolon-jaky =
fiangonana mitaingina fanjakana
mivolon-jaky = fiangonana
baikon’ny fahefan’ny fanjakana
iray
Dragona Devoly, satana Apokalypsy 12:9: ary nazera
ilay dragona dia ilay menarana
ela dia devoly sy satana, ary ny
anjeliny koa niaraka nazara
taminy.
Tatouage dragon; akanjo
misy sary dragon = an’i Satana
sy Devoly ny fony sy ny tenany
Kintana Anjely Apokalypsy1: 20: ny kintana
7 dia anjelin’ny fiangonana 7
Mety ho anjely tsara na ratsy
io
Apokalypsy9:1: kintana iray
latsaka avy tany an-danitra .
Apokalypsy12:1-9: nazara
ilay dragona dia ilay menarana
ela, nazara tamin’ tany izy ary
ny anjeliny koa niaraka nazara
taminy.
Anjely latsaka an-tany =
devoly izany
Rivotra Ady, guerre mondiale Jeremia 25:31-32: Jehovah
10 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manana ady amin’ tany; hisy
tafio-drivotra mahery
Jeremia 49:36-37: haeliko
amin’ rivotra efatry ny tany izy
ka hahatonga loza aminy ary
ampanenjehiko azy ny sabatra
Daniel 7:2-3: ny rivotra
efatry ny lanitra nibosesika teny
amin’ ranomasina lehibe = izany
hoe ady amin’ireto firenena
efatra ireto.
Ary nisy biby efatra lehibe
samy niakatra avy tamin’
ranomasina
Apokalypsy7:1:
LOKO HEVINY TOKO SY ANDININY
Fotsy Fahadiovana,
fahamarinana,
fandresena
Apokalypsy7:13-14:
miankanjo ankanjo fotsy lava =
ny ankanjony nosasany sy
nofotsiany tamin’ ran’ny
Zanakondry
Apokalypsy19:8: ireo mitafy
rongony fotsy madinika sady
madio no mangatsakatsaka dia
ny asa marina ataon’ny olona
masina.
Apokalypsy3:5: izay
maharesy dia hitady lamba
11 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fotsy.
Ny zavatra ataon’ny Baiboly
foana no ataon’ny olona satria
ny olona resy indray no asainy
mitondra saina fotsy
Mena Ra mandriaka Isaia 63:2-3: nahoana no
mena ny fitafianao? Nanosihosy
ny famiazam-boaloboka aho ka
Nipitipitihan’ny rany ny fitafiako.
Soavaly
mena
Fanjakana mampiasa
ra mandriaka
Apokalypsy3-4: soavaly
mena nivoaka nomena sabatra
hifamonoan’ny olona
Soavaly
fotsy
Fahamarinana,
fandresena, fahadiovana
Apokalypsy:3: soavaly fotsy
Politika na fanjakana madio,
fifidianana marina
Mainty Fisaonana Isaia 50:3: tafiako
fahamaintisana ny lanitra ary
lamba fisaonana no ataoko
fisaronana. Mainty no lamba
fisaonana.
Jeremia 7
Hatsatra Fahafatesana; fianan-
tsi hita
Apokalypsy6:8: soavaly
hatsatra nantsoina hoe
fahafatesana sy fiainan-tsi-hita
manaraka azy. Fotsy hatsatra
ilay faty.
ISA HEVINY TOKO SY ANDININY
1 na iray Fiandohana na
12 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
genesisy, fiantombohana
3 na telo Isan’Andriamanitra Taloha sy ankehitriny ary ho
avy, alpha sy omega
Miverina betsaka ny isa 3 ato
amin’ Baiboly. Izay no
mahatonga ny fiangonana
katolika mampiasa ny trinite.
Telo: Andriamanitra ray,
Zanaka ary Fanahy Masina.
Mation 28:19: manao batisa
azy ho amin’ anaran’ny Ray,
Zanaka ary FANAHY MASINA
Apokalypsy1:4-5: ilay
Ankehitriny sy Taloha ary ho avy
(Ray), ary avy amin’ Fanahy fito
eo anoloan’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra
(fito = fahafenoana), ary avy
amin’ I Jesosy Kristy
Vavolombelona Marina,
Lahimatoa amin’ maty ary lehibe
amin’ Mpanjaka amin’ tany.
4 Isan’olombelona Apokalypsy7:1: indro nisy
anjely 4 nitsangana teo amin’
vazan-tany 4 nihazona ny
rivotra 4 amin’ tany mba tsy
hisy rivotra hitsoka amin’ tany
na amin’ ranomasina . Izany hoe
ity planeta tany ity izany. Eto
13 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin’ tany ihany no misy
rivotra. Misy ny points 4
cardinaux koa eto. Tsy misy
rivotra any amin’ ranomasina na
any amin’ planeta hafa any.
12 = 4 x 3 Isa
ifandraisan’Andriamanitra
sy olona
Apostoly 12, zanak’israely 12,
vavahadin’I Jerosalema 12. Tsy
nisy firenena nanompo
an’Andriamanitra afa-tsy ny
Israely. 12 no nofidian’I Jesosy
ho mpianany.
Apokalypsy12: 3 vavahady
antsinanana, andrefana, atsimo
ary 3 avaratra.
6 Chiffre du mal,
imperfection, isa ratsy,
isan’ny devoly, isa tsy
fahatanterahana
Apokalypsy13:18: milaza ny
bibidia sy ny 666. Tsy zakan’ny
olona ny fahalalana ny marina
ary izay no mahatonga an’I
Satana hamadika ny marina.
Indro ny fahendrena, aoka izay
manan-tsaina hanisa ny isan’ny
bibidia fa fanisan’ny olombelona
izany ary ny isany dia 666.
666 Isan’ny devoly Tri-6 = 666 amin’ny loka na
lotterie, SELOTO 6-36, isan’ny
bibidia
7 Perfection na
fahatanterahana
Fiangonana 7, kintana 7,
fanaovan-jiro 7, loza 7; fanahy
14 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
7, …
Apokalypsy1:4, 1:11; 1:20:
fanahy fito, fiangonana fito,
kintanan 7, anjelin’ny
fiangonana 7, tombonkase 7
1000 Fahamaroan-javatra
na multitude, alinalina
Apokalypsy5:11: anjely maro
arivoarivo alinalina;
Daniel7:10: arivoarivo no
nanompo azy ary alinalina.
144.000 =
3 x 4 = 12
12 x 12 =
144
144 x
1000
Apokalypsy7
15 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Firafitry ny Boky Apokalypsy
I.- Fampidirana: Apokalypsy1: 1 – 8
II.- Famelabelarana: Apok1:9 – Apokalypsy22:5
1. Fahitana momba fiangonana fito: Apokalypsy1:9 – Apokalypsy3.
Voaresaka ao ny musulman, catholique, protestant, sectes, Apokalypsy, sy
izay fiangonana mbola ho avy. Na histoire de l’Eglise
2. Fahitana momba ny tombo-kase 7: Apokalypsy4 – Apokalypsy8
3. Fahitana momba ny trompetra 7: Apokalypsy8:2 – Apokalypsy11.
Trompetra = mozika mitsoka mafy
4. Ivom-besatry ny bokin’ny Apokalypsy: (Pivot de l’Apocalypse):
Apokalypsy12 – Apokalypsy14. be dia be no tsy mahazaka ny fanazavana
eto satria hivoaka eon y momba ny 666. Tsy tokony hiantso olona hihaino
intsony raha tsy nanaraka ny fanazavana hatramin’ voalohany ny olona. Tsy
zakan’ny devoly ny fanazavana ny secret-ny 666.
5. Loza 7 sy kapoaka 7: Apokalypsy15 – Apokalypsy16: tsunami,
terroriste, kamikaze na olona mamono tena amin’ bombe ary mamono olona
maro be manodidina azy any amin’ faritra Arabie, Algerie, Iraq, Afghanistan,
Israel, Egypte, na tamin’ andron’ny premiere guerre mondiale. Ireny no
evenement apocalyptique, horohoron-tany loza aman-tany, ady an-trano
amin’ firenena iray.
6. Babylona: hira babyloniana, akanjo, sofina babyloniana manao
kavin’ila, fandihy, fatory babyloniana, film vetaveta sy mamoafady
babyloniana, fiteny babyloniana, Apokalypsy17 – Apokalypsy19, sakafo,
fisotro, fitafy. Faharatsiana rehetra ara-nofo sy ara-panahy.
16 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
7. Jerosalema: Apokalypsy19:11 – Apokalypsy22:5. Mifanatrika ny
mponin’I Babylone sy Jerosalema. Mety ho voasariky ny fomba babyloniana
ny mponina any Jerosalema. Manana sakafo, fitafy, fiteny sy ny sisa.
Mampiavaka azy ny mponina any Jerosalema.
Ho mponina any Babylona izay tanàna horavaina sy haringana ary ve
ianao sa ho any Jerosalema izay Tanana fiadanana sy fandriam-
pahalemana? Iza no tena mahasarika olona koka, ny Babyloniana sa
Jerosalema? Din Rotsaka, Tsiliva, Viavy Chila, sa ny mpihira evanjelika? Nefa
Kristiana daholo no mijery azy ireny.
III.- Famintinana: Apokalypsy 22:6-farany
17 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO 1
FAMPIDIRANA
Apokalypsy1:3: Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny fa antomotra ny
andro.
Ao ny olona mitady fahasambarana amin’ fananana taranaka. Sambatra
ny mpivady rehefa manana zanaka, ary malahelo kosa ny tsy manana. Ao
ny mitady fahasambarana amin’ vola aman-karena, ny trano be. Nefa ny
tena ahazoana fahasambarana dia ny mamaky sy mihaino ary mitandrina
izay voalazan’ity boky ity.
Apokalypsy 1:1-8: 1.1 Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay
nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay
zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy
hanambara amin'i Jaona mpanompony, 1.2 izay nanambara ny tenin'
Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay
efa hitany. 1.3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana
ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
1.14 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy;
ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany;
1.5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa
amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'Izay tia antsika
ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany,
18 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1.6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho
an'Andriamanitra Rainy-- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana
mandrakizay mandrakizay. Amena. 1.7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary
ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany
Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. 1.8 Izaho no Alfa sy
Omega hoy ny Tompo Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy,
dia ny Tsitoha. …
Ny Sonia amin’ny boky na ny mpanoratra azy:
“Ny fanambaran’I Jesosy Kristy izay nomen’Andriamanitra Azy”
Andriamanitra no nanome ny fanambarana an’I Jesosy Kristy. Nomena
an’I Jaona indray io fanambarana io izay avy amin’ Andriamanitra, sy ny
Fanahy Fito ary Jesosy Kristy. Mbola misy Sonia koa avy amin’ ny Alpha sy
Omega, ny anarany: Ny Tsitoha, ny faharetan’ny fahefany. Tsy hevitra na
fahalalan’ olombelona ity boky ity fa tena avy amin’’Andriamanitra mihitsy.
Iza marina moa ary I Kristy izay nomena io fanambarana io?
Misy miresaka Azy ihany ity Apokalypsy1 ity.
Apokalypsy1:1: Ny fanambaran’I Jesosy Kristy dia tenin’Andriamanitra
ary milaza ny amin’’I Kristy koa sy ny filazana Azy. Ka raha ohatra ka hoe
tsy manana boky afa-tsy ity Apokalypsy ity ianao dia afaka mahalala Azy.
Izy no Vavolombelona Marina, Lahimatoa amin’ maty ary lehibe amin’
mpanjakan’ny tany. Hihanjahanja eo daholo izany ny fahadisoan-kevitra
noho ny fitaky Satana sy ny fampianaran-diso. Hiresaka ny nahafatesany
koa isika. Hiresaka koa ny maha mpanjakan’ny tany Azy. Ary koa ny
nandatsahany ny rany nanavotany antsika. Rehefa atao ny fandinihana ny
rany dia hita fa tsy hitovy amin’ ran’ny olon-kafa Izy, na ny ran’i Kristy
sandoka. Kristy sandoka dia ilay tsy araka ny Soratra Masina.
19 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy1:7: Indro Izy avy amin’ rahona, ary ny maso rehetra hahita
Azy… Efa maty I jesosy nefa velona indray mandrakizay, ary ny maso
rehetra hahita Azy. Maty, nilevina ary nitsangana Izy araka ny Soratra
Masina. Fampianarana sandoka izay tsy araka ny Soratra Masina nefa milaza
fa manambara an’I Jesosy sy ny nahafatesany, ny nilevenany ary ny
nitsanganany.
Izay rehetra manana fanahy ratsy ao anatiny na fanahy tromba na
fivavahana mamitaka dia tena tsy mahazaka ity fampianarana momba io
nahafatesana sy nilevenana ary nitsangana’I Jesosy ity ary be no
mihovitrovitra sy matahotra ireo miaramilan’I Satana ireo. Tsy tiany ho hita
miharihary ny marina.
NY FILAZANA AN’I JESOSY KRISTY
Ahoana ary ny momba Azy, avy aiza no fihaviany? Oviana izy no
maty? Nahoana Izy no novonoina? Nankaiza ary Izy rehefa nitsangana
tamin’ maty?
Mino an’I Jesosy ny olona fa tsy mahalala akory momba Azy. Mety milaza
matoritory fotsiny any an-danitra I Kristy ary miandry ny fotoana
hiverenany, fa tsy manao na inona na inona.
Misy ny Kristy sandoka ary koa ny Kristy Mpamonjy izao tontolo izao. Tsy
afaka hino Azy nefa ianao raha tsy nahazo fampianarana momba Azy. Raha
fampianarana momba an’I Kristy sandoka no voaray dia io no hinoana. Ary
rehefa ampianarina ny olona ny tena momba an’I Jesosy Kristy Mpamonjy
dia sarotra ho azy satria fampianaran-diso no nahazatra azy ireo.
20 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jesosy Kristy dia tenin’Andriamanitra tonga nofo. Raha mino ny
olona fa misy Andriamanitra tokana, dia io Andriamanitra io no tompon’ity
fanambarana ity. Rehefa nitsangana tamin’ maty Izy dia nanafatra ny
mpianany hoe:
Lioka 24:44-46: ]24.44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko
taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay
rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny
Salamo.
Lioka 24.45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra
Masina.24.46 Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka
hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
Ny Soratra Masina tamin’ny andro taloha dia ny Testamenta
Taloha, ny lalàn’I Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Mbola tsy
nisy ny Testamenta Vaovao tamin’ andron’I Jesosy.
Sahirana ny olona noho ny amin’ I Jesosy. “Raha mbola tsy ary izao
tontolo izao dia efa izy Aho.”
Jaona 8:51-56: 8.51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha
misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy
mandrakizay. 8.52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa
manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy
Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana
fahafatesana izy mandrakizay. 8.53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama
rainay izay efa maty? Sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza
moa Hianao? 8.54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia
tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy
no mankalaza Ahy. 8.55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy, ary
raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa
Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny. 8.56 Ravoravo
21 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 8.57 Dia hoy
ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa
nahita an'i Abrahama va? 8.58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina
tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. 8.59 Dia naka vato
hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan'ny tempoly.
Lazain’izy ireo fa manana demonia Izy rehefa nilaza fa “fony tsy mbola
teraka I Abrahama dia efa Izy Aho.
Ohabolana 8:22-30: 22 Jehovah nahary [Na: nahazo.] ahy ho
fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.
23 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany
indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny
loharano miboiboika be,
25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy
havoana, no efa teraka aho,
26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-
tany ambonin'izao rehetra izao.
27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny
hababakaka tambonin'ny lalina Izy.
28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra
ny loharanon'ny lalina,
29 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny
rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
30 Dia mpità-marika [Na: notezaina] teo anilany aho Sady ravoravo isan-
andro isan-andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
Mpanjaka Solomona dia efa nahalala fa I Kristy no zava-boahary
nohariana voalohany fony tsy mbola ary akory ny zavatra rehetra. Io Kristy
22 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tsy azon’ny olona rehetra hatry ny taloha io mihitsy no tompon’ny
fanambarana io.
Fa angaha zava-boahary indray I Kristy? Fa angaha tsy
Andriamanitra Izy?
Tsy nomena ny mpaminany hafa ny hafatra Apokalypsy fa I Kristy ihany
no nomena azy. Nefa ny momba ny filazana an’I Jesosy no matetika
mampisy ny olana. Ho an’ny fivavahana hafa ivelan’ny Kristiana tahaka ny
musulman, borah, kojah, bodista, sy ny sisa., dia tsara ihany no
hamakafakana tsara ity filazana an’I Jesosy ity. Ary na dia ny Kristiana aza
dia mila mahafantatra ny marina mba tsy ho voafitaky ny Kristy sandoka.
Isan’ny mpamorona ny tany sy ny lanitra I Jesosy.
Misy zavatra tsy azon’ny olona momba an’I Kristy. Izy no nahariana ny
zavatra rehetra. Mpaminany koa Izy. Ny olona sasany dia mihevitra fa
mpaminany madinika ihany I Kristy. Nilaza ny mpankaja Solomona anefa fa
fony tsy mbola ary akory
Jaona 1:1-4: 1.1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao
amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 1.2 Izy dia tao
amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 1.3 Izy no nahariana ny zavatra
rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia
iray aza. 1.4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny
olona.
Genesisy 1:26-27: 26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika
hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy
hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy
ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany. 27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny
23 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy
no namoronany azy.
Raha tsy ny Tenin’Andriamanitra dia tsy ary izao rehetra izao. Misy teny
ao amin’’Andriamanitra ary ny teniny no nahariana izao rehetra izao. Ary
misy Fanahy koa Izy. Toy izany koa no naharian’Andriamanitra antsika.
Nahoana isika no manana vatana sy teny ary fanahy? Satria tahaka
an’Andriamanitra no nahariany antsika.
Jaona 1:14: “Ny teny dia tonga nofo”. Izany
hoe noforonina natao tonga nofo ny
tenin’Andriamanitra
Boribory = teny,
Carrée = Fanahy Masina,
Triangle = Andriamanitra.
Oviana ary izy io no natao tonga nofo?
Talohan’ny namoronana izao tonotlo izao ve sa taoriany?
Genesisy: Andeha isika hamorona olombelona tahaka antsika. Sy ny
Ohabolana 8:22: Jehovah nahary Ahy ho fiandohan’ny alehany. Izaho
notendreny hatramin’ fahagola, fony tsy mbola ary ny tany …
“Mbola tsy àry Abrahama dia efa Izy Aho”. Mbola tsy àry akory izao
tontolo izao dia efa ary io tenin’Andriamanitra io. Izy izany no nahatonga ilay
Jaona 1:1-4: Izy dia tao amin’Andriamanitra taloha ary natao tonga nofo io
teny io avy eo ka nonina teto an-tany.
Raha mbola ao amin’Andriamanitra io dia misy fahefana na pouvoir.
Niaraka taminy avokoa io fahefany io rehefa tonga olombelona izy. Ahoana
no fomba nahatonga io teny io ho olona? I Maria Virjina no bevohoka nefa
mbola tsy nahalala lehilahy. Ka ny fofom-badiny aza dia saika hametraka
azy mangingina . Nefa ny Anjely no nilaza ao amin’ Matio1:18-21: hoe aza
Fanahy
Masina
24 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
matahotra hampiakatra an’I Maria vadinao fa ny zaza ao an-kibony dia zaza
avy amin’ Fanahy Masina.
Nivadika tsirin’aina vehivavy sy lahy io Tenin’Andriamanitra io, fa tsy avy
tamin’ny firaisan’ny mpivady akory no nahatonga io tenin’Andriamanitra io
ho nofo. Ary efa maty koa io Tenin’Andriamanitra io.
Jaona 16:28-30: 16.28 Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga
amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao, indray Aho ka
hankany amin'ny Ray. 16.29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao
ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. 16.30 Ankehitriny dia fantatray
fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao;
izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.
Ny mpianatr’I Jesosy ihany no mahalala sy mino fa avy
tamin’Andriamanitra Izy, ka miverina hankany.
Jaona 7:38: 7.38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika
avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 7.39 Ary ny Fanahy,
Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny FanahyNa:tsy
mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
Nananany ny fahefana sy voninahitra tany an-danitra, fa nialany
izany rehefa nidina tety an-tany Izy.
Filipiana 2:5-11: 2.5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i
Kristy Jesosy koa, 2.6 Izay na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia
tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra 2.7
fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny
nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; 2.8 ary rehefa hita fa
nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny
fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. 2.9 Koa izany no
25 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana
izay ambony noho ny anarana rehetra, 2.10 mba ho amin'ny anaran'i Jesosy
no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-
tany, na ny any ambanin'ny tany,
2.11 sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho
voninahitr'Andriamanitra Ray. Inona no anton’izay: tsy hisy olona afaka
hifampiresaka sy hifanerasera taminy raha tsy nofoanany ny tenany sy ny
voninahiny sy ny fitoviany amin’’Andriamanitra ka nakany endrik’olona.
Jaona 7: ary ny Fanahy no nolazainy tamin’izany rehefa milatsaka ny
Fanahy Masina dia tonga any amin’ny voninahiny I Jesosy Kristy.
Nirotsaka tamin’ny mpianatr’I Jesosy ny Fanahy Masina tamin’
andro Pentekosta. Midika izany fa tamin’ andro Pentekkosta no
nahatongavan’I Jesosy indray tany amin’ voninahiny izay toerana nialany.
Ary izao no nahitan’I Jaona an’I Jesosy Kristy tamin’ny voninahiny:
Apok 1:12- : 1.12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa
rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro (f) volamena fito; 1.13 ary teo
afovoan'ny fanaovan-jiro (f) dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'
olona(*)niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-
bolamena teo amin'ny tratrany. 1.14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy
tahaka ny volon'ondry fotsy, (f) dia tahaka ny orampanala, ary ny masony
tahaka ny lelafo; (f) 1.15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano,
hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny
firohondrohon'ny rano be. (f) 1.16 Ary nitana kintana fito (f) teny an-tànany
ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela (f) (f) (f) (f) nivoaka
avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra
amin'ny heriny. (f) (f) (f) 1.17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka
tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny
26 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy
Farany, (f) (f) 1.18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona
mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy
ny fiainan-tsi-hita. (*) (f) (f) 1.19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na
izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 1.20 dia
ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako
ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny
anjelin'ny (f) (f) (f) fiangonana (*) fito; ary ny fanaovan-jiro fito dia
fiangonana (f) (*) fito.
Lavo tahaka ny maty I jaona rehefa nahita an’I Kristy tamin’ ny
voninahiny. Efa tahaka izany ary ve ny endrik’I Jesosy taloha? Tsy tahaka
ny nahitan’I Jaona Azy fony Izy mbola Apostoly io endrik’I Jesosy amin’
voninahiny io. Ka lavo niankohoka tahaka ny maty tamin’ tany izy raha
nahita Azy. Tahaka izany koa no nahitan’I Daniela azy ao amin’ Testamenta
taloha raha mbola tsy teraka akory Izy.
Daniela 10:4-9: 4 Ary tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny
volana voalohany, raha teo amoron'ny ony lehibe aho (Hidekela izany), 5 dia
nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony
fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany; 6 tahaka ny krysolita
ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra
ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony;
ary ny feony toy ny feon'olona maro be; 7 ary izaho Daniela ihany no nahita
ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-
kovitra indrindra izy ka nandositra niery. 8 Ary dia nilaozana ho irery aho ary
nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko;
fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko. 9
27 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny
torimaso niankohoka tamin'ny tany.
Zavatra roa ihany no voalaza fa nampiasain’Andriamanitra ny
tanany: dia ny olombelona sy ny Didy Folo.
Tao amin’Andriamanitra I Kristy ary nirahina ho amin’’ izao tontolo izao.
Jaona 7:28-29: 7.27 Nefa fantatsika izay nihavian'Ilehio, fa raha avy
Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
7.28 Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka
nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary
tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
Irak’Andriamanitra Izy ka nivoaka avy taminy.
Jaona 10:36-38: 7.36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy
hianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha? 7.37 Ary
tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia
nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta,
aoka izy hanatona Ahy ka hisotro,
7.38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-
kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
Andriamanitra Ray dia ao amin’ I Jesosy ary Izy dia ao amin’ Ray.
Izany hoe ilay teny izany dia ao amin’Andriamanitra.
Jaona 17:18-21: 17.18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo
izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 17.19 Ary ho
an'ireto no nanamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao
azy. 17.20 Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy
koa noho ny teniny; 17.21 mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray
ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba
hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
28 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rehefa mandray ny tenin’Andriamanitra isika dia ao amintsika koa Izy.
Voalohany noharian’Andriamanitra dia ilay Teny. Niseho tamin’’I Daniela
izy fony izy mbola tao amin’ voninahiny. Tsy nisy nofon’olombelona
nahazaka an’izay. Nentin’ny fanahy Masina indray izay ary
novolavolain’Andriamanitra ho lasa olona. Ary rehefa nofoanany ny fitoviany
amin’’Andriamanitra dia lasa
Jaona8:26: 8.26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho,
satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko
amin'izao tontolo izao.
Izao no fiainana mandrakizay dia ny mahalala sy mino an’Andriamanitra
tokana sy hinoana an’I Jesosy Kristy izay teniny nirahina
Jaona 14.6: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay.
Tsy misy mankany amin’ Ray afa-tsy amin’ alalako.
Rehefa natao tonga olona io Tenin’Andriamanitra io dia miresaka. Ary izay
tsy manaiky an’io Kristy io dia tsy manaiky ny teni’Andriamanitra. Tsy misy
olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ alalan’ny Tenin’Andriamanitra.
Andriamanitra Tokana, misy Teny sy Fanahy. Ny Teniny dia nohariany
talohan’ny zavatra rehertra. Misy fahefana sy voninahitra lehibe izay tsy
zakan’ny olombelona fa lavo tahaka ny maty amin’ tany izay mahita azy. Ny
endriny: ny masony tahaka ny lelafo, ny tarehiny tahaka ny masoandro, ny
feony tahaka ny rano be, ny ranjony sy ny sandriny tahaka ny varahina
manganohano, ary ny sabatra maranitra roa lela no ao am-bavany, manao
ankanjo fotsy lava ary misy fehin-tratra volamena.
KRISTY SANDOKA
29 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Koa raha misy izany Kristy mitranga na miseho amintsika, ka tsy
manaraka ireo description ireo, manao ankanjo fotsy fa tsisy fehikibo
volamena, zakanao soa aman-tsara ny mahita azy ary miresaka aminao
tsotra toy ny olombelona, dia tsy izy izay fa sandoka.
Matio 24:3-5, 23-26: Ny amin’ I Kristy Sandoka. 24.3 Ary nipetraka teo
an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka
nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho
famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. 24.4 Ary
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka
anareo, 24.5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no
Kristy, ka maro no ho voafitany. 24.23 Koa raha misy manao aminareo hoe:
Indro, at`y Kristy, na: Indro, ar`y; aza mino hianareo. 24.24 Fa hisy Kristy
sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe
sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
24.25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany. 24.26 Ary amin'izany, raha
misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo;
Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. 24.27 Fa tahaka ny helatra avy
any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny
fihavian'ny Zanak'olona.
Misy mihitsy izany ny Kristy sandoka, mety misy olona holaza mihitsy
izany hoe “Izaho no Kristy”, ary miteny amin’ olona mihitsy mivantana izy fa
tsy hisy hankany an-danitra afa-tsy avy amin’ alalany.
I Jaona 1:22-23: Efa tong any ora farany, hisy hilaza hoe indro ety na
indro ery I Kristy. Satana sy fanahy mamitaka no miafina ao
ambadik’io. Ary maro no ho voafitany. Izany noo ilay antikristy efa tonga
sahady. Mety hiseho any am-piangonana izy, na any an’efitra, na any
an’efitrano. Aza mino an’izany ary aza mankany ianareo.
30 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Be dia be ny olona milaza fa isehoan’io Kristy io. Nefa tsy hain’I Satana
mihitsy ny haka tahaka an’io fisehoan’I Jesosy Kristy io. Lavo tahaka ny
maty izay mahita ny Zanak’Andriamanitra. Aza mijanona iray minitra akory
eo akaikin’izany Kristy sandoka izany fa ho very sy hahita loza aamin’’izany.
Misy olona milaza hoe Kristy no velona ato anatiko, ka Kristy hono izy, ary
ny olon-kafa rehetra dia tsy kristy.
I Kor.15:1-4 : 15.1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny
filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 15.2
izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko
taminareo, raha tsy nino foana hianareo. 15.3 Fa natolotro anareo ho isan'ny
zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny
fahotantsika araka ny Soratra Masina, 15.4 dia nalevina, ary
natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
Misy Jesosy torian’ny olona koa any tsy mba maty na nilevina na
nitsangana araka ny Soratra Masina. Hanao fahagagana koa ireo ka maro no
ho voafitany.
II Korintiana 11:12-15: Fa izay ataoko no mbola ataoko ihany…11.12 Fa
izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan'izay
mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izy amin'izay ireharehany.
11.13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova
ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. 11.14 Ary tsy mahagaga izany, fa
Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
11.15 Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no
mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa
ny farany ho araka ny asany ihany.
Misy tokoa ny anjely sy mpanompo ary ny vahoakan’io Kristy sandoka io.
31 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Inona ary ny Soratra Masina miresaka ny nahafatesany sy
nilevenany sy nitsanganan’I Jesosy Kristy nivoaka sy niverina avy
tamin’ Ray io?
Saika nalain’ny satana tahaka foana izay rehetra ataon’Andriamanitra.
Ohatra tamin’ andron’I Mosesy, nanome baiko Jehovah fa hitondra biby
hatao fanatitra. Ny mpanompo sampy koa dia manao izany.
Nomen’I Jehovah baiko I Abrahama hanatitra an’Isaka zanany hatao
fanatitra ho an’I Jehovah. Ny mpanao magie noir sy blanc koa dia asain’I
Satana hamono izay tiany indrindra sy olona maro be mba ahampanan-
karena. Kristy sandoka koa dia mangala-tahaka ny fampianarana momba
an’I jesosy nefa feno fitaka sy lainga. Nefa avy amin’ voany no ahitana ny
hazo.
Ny fototry ny famonjena
Maty, nilevina ary nitsangana I Jesosy Kristy araka ny Soratra Masina. Iza
io Jesosy tompon’ny fanambarana io?
Tsy maintsy misy Jesosy 2 izany fantatra: dia ny tena Izy sy ny sandoka,
izay samy manana ny vahoakany sy ny miaramilany avy. Samy manazava
ny Apokalypsy izy ireo.
I Kor.15:1-3: maty Izy, nilevina ary nitsangana araka ny SORATRA
MASINA
Inona ary ny SORATRA MASINA tamin’ andron’I Kristy?
Lioka 24:44-46: tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy eo
amin’ lalan’I Mosesy, ny mpaminany ary ny Salamo. Ireo no SORATRA
MASINA tamin’ andron’I Jesosy. Efa niresaka azy ny bokin’ny lalan’I Mosesy,
ny mpaminany rehetra koa dia efa niresaka Azy, ary ny Salamo koa dia
32 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ahitana filazana momba Azy. Tsy maintsy hofantarina io mba ahatonga
antsika tsy ho voafitaka.
1. Ny nanoratana an’I Kristy tany amin’ lalan’I Mosesy
izay tanteraka ao amin’ Soratra Masina:
Ny momba ny nahafatesany:
Kristy = Zanak’ondry tsy maintsy vonoina amin’ Paska
Eksodosy 12:5-6,11:
Jaona 1:29: Kristy no Zanak’Ondry novonoina io. 1.29 Nony ampitso dia
nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny
Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao!
Vonoina rehefa tonga ny Paska ny Zanak’Ondry. Kristy mihitsy io
Zanak’Ondry novonoina amin’ Paska io. Rehefa 14 Nisan ny Paska.
Jaona 19:14-16:
Eksodosy 12:46: Tsy hotapahina ny taolan’ny Zanak’Ondry.
Rehefa maty koa Kristy dia tsy nisy notapahina ny taolany. Ny olona
niaraka nohombohina taminy teo amin’ hazo fijaliana nefa dia notapahina ny
taolany ranjony.
Jaona 19:31-36: 19.31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia
nangataka tamin'i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon'ireo, ary
hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin'ny hazo
fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. 19.32 Dia tonga ny
miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ny anankiray koa
izay niaraka nohomboana tamin'i Jesosy tamin'ny hazo fijaliana. 19.33 Fa
nony nankeo amin'i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy
mba notapahiny ny ranjony. 19.34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny
lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nandeha. 19.35 Ary ilay
33 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary
fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
19.36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masian hoe: "Tsy
hisy hotapahina ny taolany" (Eks.12.46;Sal.34.20).
Ankehitriny koa dia tsy misy intsony Kristiana mitondra biby hatao
fanatitra
Ny momba ny nahaterahany:
Isaia 7:14: hanan’anaka ny Virjina
Isaia 9:5: fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no
Matio 1:18-23 dia milaza ny fiantsoana Azy:
Ny iantsoana Azy:
Jesosy = Jehovah no mpamonjy.
Jesosy Kristy = mahagaga, mpanolo-tsaina, Andriamanitra
mahery, rain’ny mandrakizay, zanak’olona, zanak’ondry, Tompo,
Ny asa sy fahagagana maro nataon’I Jesosy:
Isaia 35:3-6: 3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho
ny lohalika malemy.
4 Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro,
Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra,
eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
5 Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny
marenina.
34 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny
moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny
tany karankaina.
Matio 15:29-31: 15.29 Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny
Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka
nipetraka teo;
15.30 ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny
jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy
teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
15.31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny
kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia
nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
Firesahan’ny Mpanao Salamo Azy sy ny nahafatesany:
Hofantsihana amin’ hazo fijaliana Izy:
Salamo 22:16: 16 Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny
ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy*
[Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
Hanaovana loka ny fitafiany:
Salamo 22:8: 8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny,
aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i
Jehovah izy]
Narabian’ny olona Izy hoe mamonjy ny hafa nefa tsy mamonjy ny
tenany:
Salamo 22:7-8: 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro
molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:8 Ankino amin'i Jehovah*, dia
aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy
Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
35 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nampisotroana vinaingitra Izy:
Salamo 69:21: 21 Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra
no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
Jaona 19:21-27: 19.21 Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny
Jiosy dia nanao tamin'i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan'ny Jiosy; fa
izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho. 19.22 Pilato namaly hoe:
Izay voasoratro dia voasoratro. 19.23 Ary rehefa voahombon'ny miaramila
tamin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra,
samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy
nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. 19.24 Dia niresaka hoe izy:
Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an'izay hahazo azy; mba
hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: "Nozarainy ny fitafiako, ary
nilokany ny akanjoko" (Sal.22.18) Izany zavatra izany no nataon'ny
miaramila. 19.25 Ary nijanona teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesosy ny reniny
sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin'i Klopa, sy Maria Magdalena. 19.26
Ary nony hitan'i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia
hoy izy tamin'ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao! 19.27 Ary hoy koa
Izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin'izany ora izany dia
noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nangetaheta Izy ka nomen’ny miaramila vinaingitra
Ny sakaizany no hamadika Azy dia I Jodasy:
Salamo 55:12-14: 12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany,
dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely
ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; 13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga
amiko, namako sy sakaizako indrindra, 14 Dia isika izay nifankamamy
resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
Jaona 13:21-27: 13.21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny
fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa
fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. 13.22 Dia nifampijerijery ny
36 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. 13.23 Ary nisy mpianatra
anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy. 13.24
Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. 13.25
Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i
Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? 13.26 Dia namaly
Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary
rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy,
zanak'i Simona Iskariota. 13.27 Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao
aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
Ny filazan’ny Mpaminany momba an’I Jesosy Kristy:
Daniela 9:24-27: 24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny
firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy
hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy
hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana
sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy
tombo-kase][**Heb. mpaminany]
25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy
hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia
Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**;
hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro
mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro
roa amby enim-polo, dia etc]
26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny
Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny
mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina;
ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy
fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
37 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
27 Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary
hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny
antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no
nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina
amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]
Maty izy rehefa tamin’ 62eme herinandro.Nampitsahatra ny fanatitra
alatsa-dra tamin’ antsasaky ny herinandro Izy.
Ny nitsanganany:
Hitsangana amin’ andro fahatelo Izy
Matio 16:21: 16.21 Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany
fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny
lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana
amin'ny andro fahatelo.
Hovonoina ary hatsangana izy amin’ andro fahatelo.
Ny nilevenany:
Matio 12:38-40: 12.38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-
dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita
famantarana avy aminao izahay.
12.39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy
sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana
homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
12.40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao
an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona
hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
Hateloana andro sy hateloana alina anaty tany. Kristy tenany
mihitsy no nilaza io. Tsy maintsy maty sy milevina ary mitsangana araka ny
38 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Soratra Masina Izy. I Jona dia tsy maintsy nipetraka 3 andro sy telo alina tao
an-kibon’ny hazan-drano lehibe. I Kristy koa dia nijanona 3 andro sy 3 alina
taso an-kibon’ny tany mba hamonjeny izao tontolo izao.
Novonoina talohan’ny Paska ny Mesia, tamin’ 62eme herinandro.
Nampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra tamin’ antsasaky ny herinandro Izy
ary nitoetra tao am-pasana 3 andro sy 3 alina. Famantarana ho an’ny ratsy
fanahy sy ny mpijangajanga no nomeny antsika io: dia ny mpandainga,
mpifosa, mp;ijangajanga, sy ny sisa.
Izy io no tompon’io fanambarana io. Raha tsy Kristy manaraka io Soratra
Masina io dia Kristy sandoka izy.
Misy olona gasy milaza fa izy no Kristy. Milaza izy fa Kristy no velona ao
anatiny ary izy no Kristy velona mandehandeha.
Fantaro ny Jesosy inoana sy torian’ilay olona mitondra ilay hafatra. Sao
dia voafitaka isika. Koa mivavaha isika mba tsy ho voafitaka.
Apokalypsy1:1-3:
Ny fanambarana ao amin’ny Apokalypsy dia Tenin’ Andriamanitra nomeny
an’I Jesosy ary nampitondrainy ny mpanompony toy
izao:
Tenin’Andriamanitra, na Dieu – God – Allah – Theos – Elohim –
Andriamanitra
=> Jesus = Jesus = Jesosy Zanak’Andriamanitra
=>Anjely
=> Jaona nanoratra tamin’ 2000 taona lasa
=> Pasteur Mailhol no miteny izao
=> Radio henointsika izao
39 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tenin’Andriamanitra
Apokalypsy1:3: 1.1 Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay
nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay
zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy
hanambara amin'i Jaona mpanompony, 1.2 izay nanambara ny
tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra
izay efa hitany. 1.3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny
andro.
Sambatra izay mamaky sy mihaino ka mitandrina ny tenin’ity
faminaniana ity.
Ny olona dia mitady fahasalamana, vola sy harena mba ho sambatra. Fa
anisan’ny mahasambatra koa ny mihaino sy mamaky ary mitandrina izay
voasoratra ato anatin’ny Bokin’ny Apokalypsy.
Tenin’iza io voasoratra io? Tenin’Andriamanitra. Na didy ion a lalana na
fitiavana dia tenin’Andriamanitra
100 taona taorian’ny taona voalohany no nahazoan’ny Apostoly jaona ity.
amin’ fotoana ihainonatsika koa dia antomotra ny andro satria isika tsy
hiaina mihoatra ny 100 taona.
MAMAKY = teny grika: ko wana ginaskona => anagunoskon =
manovo fahalalana
Sambatra izay mamaky na manovo fahalalana
MIHAINO = teny grika :akuntes, akoonto = manongilan-tsofina
40 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny fonao, masonao, ny sofinao sy ny sainao dia mihaino sy mifantoka
tanteraka. Ohatra ianareo mihaino tantara amin’ radio, manongilan-tsofina
mihitsy ary malahelo rehefa misy mampalahelo, mihomehy rehefa misy
mahafaly. Dia ohatr’izay izany no tiany lazaina ao. Rehefa misy mahasosotra
ao dia sosotra koa ianao.
MITANDRINA = teny grika: tereo = zavatra lehibe amin’ fiainana
no tandremana ka kenankenaina, tahaka ny anakandria-maso ary
ankatoavina tanteraka izay baiko voasoratra ao sy izay voalaza ao.
Anovozana fahalalana ity bokin’ny Apokalypsy ity, milaza ny amin’’I Kristy
sy ny amin’ faminaniana.
ANTOMOTRA NY ANDRO = fohy ny andro iainantsika fa tsy mihoatra ny
500 taona tahaka ny tamin’ andron’I Noah intsony. Rehefa mitandrina ny
teny dia maty am-piadanana.
Apokalypsy1:4-5:
Averina eto indray ilay Sonia na cachet: avy amin’ilay ankehitriny sy
taloha ary ho avy = Andriamanitra Ray,
Avy amin’ Fanahy Fito eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra =
Fanahy Masina.
(Misy koa ny fanahy mamitaka)
Ary avy amin’ Jesosy Kristy ilay Vavolombelona Marina, Lahimatoa amin’
maty, Lehibe amin’ ny mpanjakan’ny tany.
(Misy koa ny Kristy sandoka, vavolombelona mandainga, mpisoloky,
mpamitaka)
Io Kristy io dia maty, nilevina ary nitsangana. Tsy zakan’ny devoly sy
menarana ela sy dragona ity fanazavana ity, ary izay olona misy fanahy
41 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mamitaka ao anatiny. Ilay fanahy ratsy io no tsy mahazaka ity fanazavana
ity, ao nefa ny fototry ny famonjena.
Maty Zoma sa Alarobia I Kristy?
Ho an’izay tia antsika ka nanafaka antsika tamin’ ràny: hiresaka betsaka
momba ny ràny koa isika. Ny olona mpanompo sampy dia mitondra biby koa
tahaka ny zanak’Israely hatao sorona. Ny mpanompo sampy manao sorona
ho an’I devoly sy satana; ny zanak’israely kosa manao sorona ho an’I
Jehovah.Hiresaka momba ny fahotana koa isika eto.
Ny fahotana:
I Jaona 3:4 sy I Jaona 3: 8-9
Mandika lalana foana ny zanak’olombelona. Izany no mahatonga azy
handrava ny lalana mba tsy hanota, mba tsy handika lalana. Foanany fotsiny
ny didy dia afaka mandika lalana izy. Ohatra ny mpivaro-tena dia efa
nanafoana ny lalana hoe aza mijangajanga; ny dahalo maka vady dia efa
manafoana ny lalana hoe “Aza mangalatra” mba hahazoany mangalatr’omby
homena ny rafozany. Manelingelina azy ny didy ka foanany tsy hisy intsony.
Apokalypsy1:6:
Natao mpisorona isika = mpanelanelana eo amin’ zanak’Israely sy
Andriamanitra. Mpitondra ny sorona na vavaka eo anatrehan’Andriamanitra.
Ankehitriny koa dia tsy mila mpanelanelana intsony isika rehefa mivavaka
amin’ Andriamanitra. Izany hoe tsy mila mikaonfesy amin’olombelona
intsony isika vao mahazo famelan-keloka. Ny ran’ny zanak’ondry no
nanaovana fanavotana ho antsika ho afaka amin’ny fahotana rehetra
amin’nyalalan’I Jesosy ilay maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra
Masina.
42 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy.1:7:
Ny Sonia amin’ toko voalohany dia milaza ho efa maty izy, ary velona
nefa hiakatra ho any an-danitra ary mbola ho avy indray.
Farany:
Apokalypsy1:8:
Izay no mamarana ny fitarihan-teny.
Manao Sonia ato daholo ny momba an’Andriamanitra rehetra, na ny
heriny, n any fahefany, na ny voninahiny, sy ny momba azy: Alpha sy
Omega, ankehitriny sy taloha ary ho avy, Tsitoha; Jesosy kristy
vavolombelna marina, lahimatoa amin’ maty, nandatsaka ny rany
hanafahana fahotana, lehiben’ny mpanjakan’ny tany, mbola ho avy indray,
Halan’ny Satana indrindra ity bokin’ny Apokalypsy ity, ka ezahiny afenina
mihitsy mba tsy hazava amin’ olona. Nefa ato no tena misy ny fototry ny
famonjena.
FIZARANA FAHAROA amin’ FAMPIDIRANA:
Apokalypsy1:9-20: ny fisehoan’ny voninahitr’I Kristy
Apostoly zandriny indrindry I Jaona. Izy no niondakondana teo amin’’I
Kristy foana rehefa mitokana any an-tendrombohitra ny Apostoly. Izy no
antitra indrindra.
Jaona 21:20-24: Dia nitodika I Petera ka nahita …
Nisy zavatra be dia be nataon’I Jesosy fa tsy voasoratra ao amin’ Baiboly.
Efa antitra dia antitra ny Apostoly Jaona no nigadra tao amin’ Nosy Patmosy
ary tao izy no naharay ity fanambarana ity. Any Azia Minora ity Nosy ity.
43 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tahaka ny hoe NosyLava eto Madagascar, toerana igadrana tsy ahafahan’ny
mpifatotra mitsoaka.
“Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ andron’ny Tompo”.
Apokalypsy1:10:
Inona no andron’ny Tompo araka ny Baiboly?
Misy milaza fa rehefa andro rehetra dia andron’ny Tompo.
Misy koa milaza fa andro voatokana tany an-danitra tany io andron’ny
Tompo io.
NY ANDRON’NY TOMPO
Aiza ny toko sy andininy milaza izany araka ny Soratra Masina?
Heviny ara-paminaniana:
Andron’ny Tompo = fihavian’I Kristy
Andron’ny Tompo araka ny Testamenta Vaovao:
2 Petera 3:10-13
Napetrak’Andriamanitra tamin’ andro farany izany I Jaona raha nadray ity
fanambarana ity. Afo mandevona ny tany sy izay rehetra tsy mety mandray
ny filazantsara no atao hoa andron’ny Tompo
Lioka 7:22-24: Ny nilazan’I Jesosy ny amin’ fanjakany sy ny ihaviany
indray:
Matio 24:27
Hisy helatra hita hatrany atsinanana ka hatrany an-danitra rehefa avy
eny amin’ rahon’ny lanitra I Kristy.
Andron’ny Tompo araka ny Testamenta Taloha:
Joela 1:15:
44 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Joela 2:1-3, 2:10-11:
Zefania 1:7, 1:14-15:
Andro antomotra izany, manjombona sady maizina, misy afo mandevona,
mihorohoro ny tany eo anoloany, ny masoandro sy ny volana ho tonga
maizina. Lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’ny Tompo.
Amin’ny andro lehiben’I Jehovah: andro fahalelovana, fandravana,
fahalevonana hamelezana ny manda sy ny tilikambo.
Heviny ara-bakiteny:
Andron’ny Tompo = Sabatan’i Jehovah Andriamanitra ny andro
fahafito
Ao amin’ Didy Folo, inona no andron’i Jehovah?
Eksodosy 20:9-10:
Isaia 58:13-14:
Tsy an’ny Advantista na an’ny Apokalypsy na an’ny fiangonana voatokana
ny Sabata, fa an’I Jehovah.
Ezekiela 20-11-12:
Ny Sabata dia famantaran’I Jehovah ny olony. Jehovah mihitsy no
manamasina io andro Sabata io.
Misy nefa olona milaza fa ny mpanompo sampy izay manamasina andro.
Raha iray ihany Jehovah sy Kristy, dia samy Tompon’ny Sabata Izy.
Jaona 10:30: Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Jaona 15:9-10
Ny didin’I Kristy dia ny didin’I Jehovah.
Lioka 6:5: “Tompon’ny Sabata ny Zana’Olona.”
Jehovah = Tompon’ny Sabata
45 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
=> Jehovah sy Jesosy dia iray ihany
=> Tompon’ny Sabata ny Zanak’Olona
Ny didin’I Kristy izany dia iray ihany amin’ didin’y Ray.ny Didy Folo no
didin’ny Ray notanterahin’I Kristy. Iza no milaza antsika fa nangalatra I
Kristy? Nijangajanga? Sy ny sisa.
Fanahin’ny demonia sy fanahy mamitaka no mampanota an’I Kristy satria
tsy nandika ny didin’I Jehovah Izy.
Andron’I Jehovah = Andron’ny Tompo = Sabata
Tsy misy samihafa akory ny didin’ny Ray sy ny didin’I Kristy.
Sabatako hoy Jehovah. Jesosy koa dia milaza fa Tompon’ny Sabata ny
Zanak’Olona. Tsy maintsy ny baikon’ny Tompo izany ny mpianany.
Aiza no misy toko sy andininy milaza fa fety be tao an-danitra ny
Andron’ny Tompo? Tsy misy an’izany akory.
Izay voasoratra ao amin’ Baiboly ihany no hamarinina.
Apokalypsy1:11:
Alefaso an-taratasy ho an’ny fiangonana 7 ny fanambarana voaray. Araka
ny hevitry ny teny no filazana momba ny fiangonana voalazan’ny Baiboly io.
NY FOMBA FISEHOAN’I JESOSY
Inona no hevitr’io?
Mahita an’I Jesosy Kristy eo amin’ ny voninahiny I Jaona eto.
Apokalypsy1:12-17:
Jesosy io resahiny eto io. Nahita an’i Jesosy Kristy i Jaona, nefa tsy
tahaka ilay nahitany Azy fony Izy mbola tety an-tany.
46 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra, ny masony
tahaka ny lelafo, ny tarehiny mazava toy ny masoandro, ny feony
tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ny tongony tahaka ny varahina
manganohano.
Nahoana ity fisehoany ity no tsy tahaka ny nahitana Azy tamin’
nitsanganany tamin’ maty.
Ahoana ny fisehoany tamin’Izy nitsangana tamin’ maty?
Jaona 20:24-29:
Tsy nino I Tomasy raha nahita an’I Jesosy nitsangana tamin’ maty. Samy
menatra no afa-baraka izy. Misy ny olona dia tsy mino mihitsy na dia
ampahafantarina azy aza ny momba an’I Jesosy maty tamin’ antsasaky ny
herinandro. Aza minomino foana ny fampianarana ny Baibly ataon’ny
filazan’olona any fa sao dia mety hamitaka ireny. Ary avy eo dia miteny hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro.” Miampita miampita ilay fampianaran’
olombelona ka mety hiova.
Jaona 7:38-39: izay mino Ahy dia hisy onin’ny ranovelona hiboiboika avy
ao an-kibony… ary ny Fanahy tsy mbola nomena satria mbola tsy tonga
tamin’ voninahiny I Jesosy Kristy.
Jaona 21:15- Ny nanontanian’I Jesosy an’I Petera hoe “Moa tia Ahy va
ianao?
Asa 1:9-11:
Niakatra ho any an-danitra I Jesosy nefa mbola hiverina indray.
Mbola tsy tonga tany amin’ voninahiny I Jesosy ka noho izany dia naka
endrik’olona ary azo nifampiresahana mivantana.
Fa rehefa tonga tao amin’ voninahiny I Kristy dia nomena ny Fanahy
Masina. Nanomboka teo dia tsy tahaka ny fahitana Azy taloha intsony no
nahitana Azy. Ny masony tahaka ny lelafo, sy ny sisa. Noho izany dia tsy
47 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
misy mahazaka ny fahitana Azy. Lavo tahaka ny maty eo amin’ tany izay
rehetra mahita Azy tahaka ny nisehoany tamin’I Daniela sy I Jaona. Tsy
azon’ny maso jerena intsony Izy.
Jesosy dia avy tamin’ Ray, avy tany ambony Izy no nidina tety.
Nisy fisehoan’I Kristy taloha fony Izy mbola tsy tonga nofo. Io ilay
hitantsika ao amin’ Daniela:
Daniela 10:4-9:
Tahaka ny helatra (flash, tselatra) ny fahitana Azy, ny feony tahaka ny
feon’ny rano be ( vahoaka netsaka). Nitsoaka daholo ny olona rehetra izay
nahita ny fahitana. I Daniela irery ihany no nijanona teo.
Rehefa maty I Lazarosy dia nolazain’I Jesosy hoe
Jaona 11:14: ny nanangana;I Jesosy an’I Lazarosy tamin’ maty.
Jaona 11:11: matory I Lazarosy sakaizantsika fa handeha hamoha azy
Aho.
Tsy nahazaka io voninahitr’I Kristy io koa I Daniela ka maty.
Filipiana 2:5-8:
Tsy nifikitra ny fitoviany tamin’ Andriamanitra I Jesosy. Nofoanany izay
fitoviany amin’’Andriamanitra izany ka tonga tahaka ny olombelona. Nanetry
tena Izy ka maty teo amin’ hazo fijaliana.
I Jaona dia nahita Azy. Nahita Azy koa I Saoly izay nanenjika fatratra ny
Kristiana. Nahita mazava avy tany an-danitra Izy ka raiki-tahotra. Ny olona
niaraka taminy dia nandre feo fa tsy nahita. Ny tarehin’I Jesosy tahaka ny
masoandro fotsiny no hitan’I Saoly, nefa dia lasa jamba I Saoly.
Asa 9:1-6
48 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
NY FAMANTARANA NY AMIN’NY KRISTY SANDOKA
Ahoana ary no ahalalanao fa Jesosy io mipoitra aminao io, na any am-
piangoanana, na ao amin’ efi-trano?
Tsy maintsy tahaka ny masoandro ny tarehiny, ny masony tahaka lelafo,
sy ny sisa. Ary miteny malefaka aminao izy ireo. Mety hanao famantarana
mamitaka izy, mety hitory fiadanana aminao izy. Tsy torana ianao, tsy lavo
tahaka ny maty, tsisy fisikinam-bolamena, ary zakanao tsar any miresaka
taminy. Aza mba mino ireny ianao.
Nanambara I Jesosy fa maro no ho avy amin’ anarany ka maro no ho
voafitaka: Matio 24:3-5.
Raha toa ka misy jesosy mipoitra aminao, na Pasteur ianao, na diakona,
na inona na inona, ary tsy manao fisikinam-bolamena akory izy, ny tarehiny
tsy tahaka ny masoandro akory, ary afaka miresaka mivantana aminy ianao.
Mety hilaza mihitsy izy hoe “Izaho no Kristy”. Ary milaza fa “Satria I Jesosy
no velona ato anatiko.’ Misy olona mihitsy any amin’ny faritany na any
ampitan-dranomasina manao ankanjo lava ary mitety tokan-trano. Ary
manao fahagagana mamitaka. Mino azy ny olona. Mivoaka boky mihitsy ny
momba io tantara io. Tsy mahalala akory ny olona fa tsy I Jesosy izany,
satria Jesosy dia efa eo amin’ voninahiny.
Matio 24:23: koa raha misy manao aminareo hoe “Indro aty, na indro ary
I Kristy dia aza mino ianareo. Raha misy manao aminareo hoe indro aty I
Kristy dia aza mino ianareo. Satria efa tonga eo amin’ voninahiny I Kristy.
Raha mipoitra amintsika ilay Jesosy sandoka io dia zakanareo tsara ihany ny
fahitana azy. Raha ny Pasteur-ntsika n any mpampianatra antsika no
manao toy izany dia aza mijanona ela amin’ izany toerana izany akory.
Tsy fantatry ny olona fa sandoka io Jesosy mipoitra amin’ olona io. Maro
ny mpivavaka no voafitany. Maheno feo sy mahita fahitana izy ireo, nefa
49 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mamitaka izany. Raha toy izany no mipoitra aminao dia tondroy amin’ny
anaran’I Jesosy maty 3 andro 3 alina izy.
Matio 24:5: maro no ho avy amin’ anarako ka ho maro no ho voafitaka.
Raha mbola mino an’izany nefa efa nampahalalaina dia ho very.
Tsy fisehoana teny amin’ rahona no nahitan’ny Apostoly Jaona Azy. Nefa
ny Apokalypsy 1:7 dia milaza hoe :”Indro Izy avy amin’ ny rahona…”
Apokalypsy1:7: Indro Izy avy amin’ rahona
FIHAVIAN’I KRISTY
Raha miseho eny amin’ ny rahon’ny lanitra indray I Jesosy no
mipoitra, dia ahoana no ahalalana Azy hoe Izy ve sa tsy Izy io?
Matio 24: 23-27:
Helatra avy any antsinanana ka hatrany andrefana no hisehoany.
Matio 24:29-31:
Ho avy amin’ hery sy voninahitra lehibe eny amin’ rahon’ny lanitra ny
Zanak’Olona. Hisy anjely manaraka Azy, hitsoka trompetra izy ireo. Ka raha
misy Jesosy izany tonga nefa tsy mbola angonina akory ny olom-boafidy dia
tsy izy izay.
Anjely firy no hiaraka aminy?
Matio 25:31:
Arahan’ny anjely rehetra izany Izy. Izay no mahatonga ny hoe
hamirapiratra avy any antsinanana ka hatrany andrefana, hanangona ny
olom-boafidiny izy ireo, ary mandritra io fanangonana ny olom-boafidy io dia
hisy fanavahana ny ondry amin’ ny osy. Hisy ny ho eo amin’ fitoeran’ny osy,
hisy koa ny ho any amin’ fitoeran’ny ondry.
50 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ka raha misy Jesosy tonga izany, ka isaina ny anjely dia vitsy kely ohatra
hoe 35 fotsiny, ary ny olona rehetra tsy mahita Azy akory, dia efa tsy Izy
koa izany izay.
FEHINY: Ny volana tsy hazava, ny kintana hiraraka, hanavaka ny olom-
boafidiny Izy, ny mponin’ny lanitra iray manontolo no manaraka ny
Zanak’Ondry eny amin’ rahon’ny lanitra, ary ho avy amin’ hery sy
voninahitra Izy, ny maso rehetra hahita Azy, ary hitomany Azy ny firenena
rehetra.
Lioka 18:27: “hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ny olona dia
hain’Andriamanitra.”
Tsy miady hevitra ny amin’’izany isika hoe omby eto amin’ tany ve izany
kintana hiraraka izany fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Amin’ny fihavian’I Kristy dia hisy fizarana roa: misy ny maty ary misy ny
velona.
2Tesaloniana 2:7-12:
Haseho ilay tena mpandika lalana ary hofoanany amin’ fofonain’ny
vavany.
Raha misy miseho ho Kristy nefa ny mpijangajanga, ny mpangalatra, ny
mpisandoka, sy ny sisa dia tsy hisy intsony satria holevonin’I Jesosy Kristy
amin’ fofonain’ny vavany.
Ny fihavin’ilay mpandika lalana dia amin’ fahagagana mandainga entiny
mba hamitahany olona momba ny tsy fahamarinana ho an’izay ho very. Efa
toriana aminy ny marina nefa mbola miavonavona ihany izy, na pastera io,
na mompera, na presbytera, na loholona, na direktera, na tantsaha, na
inona na inona ka manetsi-tadiny tsy mihaino sy mino ny marina, dia
Andriamanitra mihitsy no hampiditra fahadisoan-kevitra aminy ka ho any
amin’ fahaverezana izy.
51 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izay rehetra maheno ity fampianarana ity izany ka tsy mety mibebaka
miala amin’ hevi-disony milaza tena fa izy no kristy, dia holevonina izy satria
mpandika lalana.
2Tesaloniana 2: 11:
I Tesaloniana 4:13-17: Ny hihavian’I Kristy sy ny toetry ny Kristiana efa
nody mandry:
Izay maty ao amin’’I Kristy no hitsangana aloha. Jesosy ilay maty,
nilevina, ary nitsangana araka ny Soratra Masina Misy olona tsy handalo
fahafatesana mihitsy, misy olona kosa mpandika lalana dia holevonina, izay
manaraka an’I Kristy ka velona dia tsy handalo fahafatesana mihitsy. Izany
hoe isika izay mino sy manaiky an’io Jesosy maty/nilevina/nitsangana araka
ny Soratra Masina io no hitsena azy.
Ary ianao mba ahoana? mpandika lalàna ianao sa mpanaraka ny lalana?
Apokalypsy20:7-20:
Hatsipy any anaty farihy afo ireo olona ireo, ary hisy fitsanganana amin’
maty faharoa dia mbola ho voafitak’I Satana indray satria tsy manana anjara
amin’ fitsanganana amin’ maty voalohany. Ka izay tsy tafiditra amin’
anjaran’ny fitsanganana amin’ maty voalohany dia ireo ihany no hitsangana
amin’ faharoa.
Izay mpandika lalana kosa dia hohelohina, ireny olona manamafy ny fony
sy ny sainy ka tsy mino ny marina izay efa toriana sy ampahafantarina azy,
dia Andriamanitra mihitsy no hampiditra fahadisoan-kevitra aminy. Ireny no
mpandika lalana izay tsy hanana anjara amin’ fitsanganana amin’ maty fa
holevonina.
Tapitra ny 1000 taona dia hisy fitsanganana faharoa.
52 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mangataha amin’Andriamanitra mba hananao anjara amin’
fitsanganana voalohany.
Ny velona ratsy fanahy dia ireo mpandika lalana sy mpandrava Didy Folo
ka ireny no holevonin’I Jesosy amin’ fofonain’ny vavany.
Apokalypsy20:4-5: 20.4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy
nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na
teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na
ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona; 20.5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-paha-
tapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 20.6 Sambatra sy
masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba
ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy
Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Ireo nitsangana voalohany dia hanana anjara amin’ fiainana mandrakizay.
Tandremo fan a dia olom-boafidy aza dia mety ho fitahiny raha toa ka tsy
manaiky ny marina ka miala amin’ izany. Aoka tsy ho voafitaka intsony izany
isika.
Voalazan’ny Soratra Masina nefa fa MARO NO HO VOAFITAKA. Raha vitsy
izany no voafitaka dia diso ny Baiboly. Efa nilaza mialoha I Kristy hoe
tandremo sao hisy hilaza aminareo hoe Izaho no Kristy ka maro no ho
voafitany.
APOKALYPSY TOKO 2 sy APOKALYPSY TOKO 3
53 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
TANTARAN’NY FIANGONANA FITO
Apokalypsy1:10-11: 1.9 Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo
amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy,
dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny
filazana an'i Jesosy. 1.10 Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo
aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra, 1.11
nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray
ho any amin'ny fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy
Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia sy Laodikia.Apokalypsy1:19:
Koa soraty 1.19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra
ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 1.20 dia ny zava-
miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana
sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny (f) (f) (f)
fiangonana (*) fito; ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana (f) (*) fito.
Fito = fahafenoana
Kintana = anjely mety ho ratsy na tsara
Fanaovan-jiro = fiangonana
Vehivavy = fiangonana
Misy endrika roa ny fiangonana :
1)Ny olona mihitsy no fiangonana . Ny fiangonana = Zanak’Israely
Eksodosy 19
2)ny Fiangonana dia trano = ecclesia (trano, amin’ teny Grika)
Tantaran’ny Fiangonana Fito
(Apokalypsy 2-3)
Tombo-kase Fito
(Apokalypsy 6)
54 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fiangonana Voalohany:
Efesosy
Tombo-kase
Voalohany:
Soavaly Fotsy
Apokalypsy2: (1) Efesosy2.1 Soraty ho
amin'ny anjelin'ny fiangonana (*) any Efesosy.
Izaho no lazain'Ilay mihazona ny kintana fito
eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo
afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito:
2.2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao
aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao
izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra
izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy
ary hitanao fa mpandainga izy;
2.3 ary manana faharetana hianao ka
niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
2.4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria
efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany hianao.
2.5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy
mbola lavo, dia mibebaha (f) , ka manaova ny
asa voalohany (f) ; fa raha tsy izany, dia ho
avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-
jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy
mibebaka hianao.
2.6 Kanefa izao no toetranao (*) :halanao
ny asan'ny Nikolaita (f) , izay halako koa.
2.7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino
izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana (*)
.Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy
Apokalypsy6: 6.1 Ary
nahita aho, rehefa
novahan'ny Zanak'ondry
ny anankiray tamin'ny
tombo-kase fito, ary reko
ny anankiray tamin'ny
zava-manan-aina efatra,
tahaka ny fikotrokotroky
ny kotrokorana, nanao
hoe: Avia.*
6.2 Ary hitako fa, indro,
nisy soavaly fotsy; ary izay
nitaingina azy dia nanana
tsipika, ary nomena satro-
boninahitra izy; dia
nivoaka izy ka naharesy
sady mbola haharesy.
Iza ary ity resahina eto
ity?
Ny heviny:
Ny soavaly =
Firaisan’ny
vahoakan’Andriamanitra
ao amin’ fiangonana
Fotsy = toe-piainana
55 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin'ny hazon'aina (f) (f) (f) , izay eo amin'ny
Paradisan'Andriamanitra.
Ny hevitry ny teny: Efesosy = mahatsiriritra
Vanim-potoana: Taon-jato voalohanay
Fiangonana niorina tamin’ taona 50
Naorin’I Apostoly Paoly ary rehefa maty
martiora izy dia ny Apostoly Jaona no nitondra
azy mandra-pahafatiny.
Fanazavana:
Sonia:
Apokalypsy2:1: ilay mihazona ny kintana
fito eny an-tananay ankavanana sady mandeha
eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito
Apokalypsy1:16
Apokalypsy1:12-13:
Jesosy Kristy eo amin’ voninahiny io manao
sonia io.
Fiderana na fankasitrahana:
Apokalypsy2:2: 2.2 Fantatro ny asanao sy
ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny
tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao
efa
nizaha toetra izay milaza ny tenany ho
Apostoly, kanjo tsy izy ary hitanao fa
mpandainga izy;
2.3 ary manana faharetana hianao ka
niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
ananan’ilay fiangonana
Ny mpitaingina azy =
fahefana mifehy ny
fiangonana
Ny marika ahafantarana
ilay mitaingina azy =
Mifanandrify amin’
tantaran’ny fiangonana
Efesosy izy ary maneho ny
ara-panahy. Fiangonana
Apostolika, notarihin’ny
Apostoly ary nivoaka ho
mpandresy mihitsy ny
fiangonana mahatsiriritra.
Fotsy = fahadiovana,
fahamarinana, fandresena.
Nanana tsipika sady
nomena satro-boninahitra
ilay mitaingina azy, ary
nivoaka izy ka naharesy
sady mbola handresy.
Iza no homena
satroboninahitra ao amin’
Soratra Masina?
I Kor.9:24-27: 9.24 Tsy
fantatrareo va fa izay
mihazakazaka eo amin'ny
tany fihazakazahana dia
56 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanankianana:
Apokalypsy2.4 Kanefa manan-teny aminao
Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao
voalohany hianao.
Toro-hevitra avy amin’’I Jesosy:
Apokalypsy 2.5 Koa tsarovy izay nitoeranao
fony tsy mbola lavo, dia mibebaha (f) , ka
manaova ny asa voalohany (f) ; fa raha tsy
izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny
fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha
tsy mibebaka hianao.
LESONA AZO TSOAHINA:
Fiangonana niorina tamin’ taona 50 ny
Efesosy. Tanana iray ny Asie Mineur ary misy
fiangonana ireay tao.
Fantatr’I Kristy ny asa nataon’ity fiangonana
ity. Nanao ny asa fanompoana tamin’ fony
manontolo izy, nandeha tongotra lava, nikely
aina nanao ny asan’ny Tompo.
Fantatr’I Jesosy koa ny tsy fahazakanao ny
mpanao ratsy ary nananatra azy aianao. Misy
koa ny Apostoly mandainga mihevitra ny
tenany ho manana fiainam-panahy ho tena
ambony, nefa rehefa tezitra izy dia tafintohina
ary misandoatra be.
Manana faharetana ianao amin’’izany
fanompoana ny Tompo izany. Tsy maharitra ny
fahalavan’ny fivavahana ohatra, na dia toriteny
tsy manjary aza ny eo dia eo ihany izy. Manao
samy mihazakazaka
avokoa, nefa ny iray ihany
no mahazo ny loka?
Mihazakazaha toy izany
mba hahazoanareo.
9.25 Ary ny
mpihazakazaka rehetra dia
mahonon-tena amin'ny
zavatra rehetra. Kanefa
ireny dia mitady
satroboninahitra mety ho
lo ihany, fa isika kosa ny
tsy mety ho lo.
9.26 Raha izaho ary,
dia mihazakazaka, nefa tsy
toy ny manao kitoatoa; ary
mamely totohondry aho,
nefa tsy toy ny mamely ny
rivotra
9.27 fa asiako mafy ny
tenako ho mangana ka
andevoziko, fandrao, na
dia efa nitory tamin'ny
sasany aza aho, dia
holavina kosa ny tenako.
Ny mpihazakazaky ny
fiainana an-tany dia
mahazo satroboninahitra
mety ho lo. Fa ny
57 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny asa fanompoana
Hebreo 6:10: Andriamanitra tsy mba tsy
marina hanadino ny asanareo, ny fikelezana
aina,…
Izay no nahatonga an’I Jesosy hidera ity
fiangonana ity.
Ary manana fiaretana ka niaritra noho ny
anarako.
Nefa nisy ihany ny fanankianana azy satria
niala tamin’ fitiavana voalohany izy. Ohatra hoe
raha vao nanaraka ity fampianarana ity tamin’
voalohany ianao dia tena nafana fo be mihitsy.
Ary nefa taty aoriana dia lasa matory am-
pitoerana. Ao koa ny mamonjy fotoam-
pivavahana tonga aloha be mihitsy tany am-
boalohany nefa nony taty aoriana dia lasa
miditra tara satria efa niala tamin’ ilay fitiavana
voalohany. Lasa kamo nony aty aoriana. Toy
izany koa ny fanatitra any am-piangonana,
miha-tsy mahafoy ny mpivavaka.
Fampaherezana: Apokalypsy2: Izay
maharesy dia
Teny fikasana: Apokalypsy2:7: 2.7 Izay
manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny
Fanahy amin'ny fiangonana (*) .Izay maharesy
dia havelako hihinana ny avy amin'ny
hazon'aina (f) (f) (f) , izay eo amin'ny
Paradisan' Andriamanitra.
mpanompon’Andriamanitra
dia hahazo
satroboninahitra tena
volamena.
Jakoa 1:12: 1.12
Sambatra izay olona
maharitra fakam-panahy;
fa rehefa voazaha toetra
izy, dia handray ny
satroboninahitra fiainana,
izay nolazain'ny Tompo
homena izay tia Azy.
Izay maharitra fakam-
panahy ka nivoaka ho
mpandresy dia hahazo
izany.
Apokalypsy4:2-3:
Satroboninahitra
volamena no anaovan’ny
mpandresy manao fitafiana
fotsy.
Maniry koa isika mba
hahazo ny satroboninahitra
tena volamena. Ny
vahoakan’Andriamanitra
mivoaka ho mpandresy no
hahazo io satroboninahitra
volamena io.
Mpitaingina: vanim-
58 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
potoana niasan’ny Fanahy
Masina ny nipoiran’ny
fiangonana voalohany. Koa
tsy ny kristy sandoka izany
io.
Indroa ihany no
miverina ao amin’ Baiboly
io mitaingina soavaly fotsy
io;
Apokalypsy19:11-13:
Mahatoky sy Marina no
anaran’ilay mitaingina azy.
Fotsy = fahamarinana
Ny masony dia lelafo,
Ny tongony dia varahina
manganohano, sabatra
maranitra roa lela no eo
am-bavany,
tenin’Andriamanitra no
anarany.
Maro be no anarana
iantsoana an’I Jesosy:
Mahatoky sy Marina, ny
Tenin’Andriamanitra.
Mazava ho azy fa I Kristy
ihany io mitaingina soavaly
fotsy io.
Izy no lohany amin’
zava-boahary, voaloham-
59 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
bokatra, nadresy ny
fahafatesana ary mbola
handresy.
Apokalypsy1:18: ilay
velona, efa maty aho nefa
velona indray sady
manana ny fanalahidin’ny
fahafatesana sy ny fiainan-
tsi-hita.
Ny zana-tsipika:
Mpandresy Izy. Manana
tsipika eny an-tananay Izy.
Salamo 18:13-14:
Nandefa zana-tsipika
Jehovah ka nampiely ny
fahavalony. Maneho ny
Tenin’Andriamanitra io izay
tsy iza fa I Kristy.
Naharesy izy rehefa maty
ka nitsangana tamin’
maty. Ary rehefa tong any
hanafoanana ny ratsy
rehetra dia io ilay ady
lehibe farany, nadresen’I
Kristy (Apokalypsy20) ka
nandefasana an’I Satana
any amin’ farihy afo.
Fampianarana sandoka
mihitsy ny filazana fa
60 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mpaminany sandoka ity
mitaingina soavaly fotsy
ity.
Fiangonana Faharoa: SMYRNA SOAVALY MENA
Heviny = fangidiana, fiainana mangidy
Taona nisiany: 100 – 313
Smyrna = zava-mangidy rehefa hohanina
nefa rehefa kosehina dia mamoaka fofona
manitra be.
Ny zavatra hita = fanenjehan’ny Roman any
fiangonana kristiana. Nisy nodorana velona,
notapahin-doha toy ny Apostoly Paoly, Petera,
ary nalefa tany an-davaky ny liona ny sasany.
Nampiady ny gladiateur mihitsy ny Romana ary
izay resy dia tapahin-doha ary omen any lion
any rany. Alefa indray ny Kristiana enjehin’ny
liona sy hohaniny tamin’izany. Mihorakoraka ny
Romana amin’’izany mahita ny Kristiana
enjehina sy nohanin’ny liona. Nangidy tokoa ny
fiaian’ny Kristiana. Nefa ny ran’izy ireo no lasa
zezika fofona manitra nampiroborobo azy taty
aoriana.
Apokalypsy2:
Sonia: Apokalypsy2: ny voalohany sy ny
farany izay efa maty nefa velona indray.
Fankasitrahana na fiderana azy:
Apokalypsy2:9: fahoriana sy fahantrana =
fanjenjehana, fahoriana, fandosirana ny
Mena = ra mandriaka.
Apokalypsy
Opaopain’ny Jiosy izy
ireo satria nino an’I Jesosy
maty araka ny Soratra
Masina, nilevina ary
nitsangana. Nefa izy ireo
no synagogan’I Satana.
Fiangonan’I Satana: io
mampiteny azy io izany dia
amin’ maha-synagogan’I
Satana azy.
Fampaherezana: aza
matahotra azy. Nogadraina
hafoloana daholo ny
kristiana nandritra ny
vanim-potoan’ity
fiangonana ity.
Nandresy hatramin’
fahafatesana I Jesosy sy
ny Apostoly ka nahazo
satroboninahitra
volamena.
Ireny miteny ratsy
61 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahavalo, nilaozana hy harena sy ny trano.
Nefa manan-karena izy ireo satria mino
an’Andriamanitra. (heviny ara-panahy)
antsika isanandro ireny
izny no atao hoe
synagogan’I Satana. Misy
olona Jiosy betsaka mety
hivavaka Sabata, tsy
mihinana kisoa, manaraka
an’Andriamanitra nefa
amin’ lalana tsy izy dia
synagogan’I Satana
avokoa.
Firifiry moa isika no
enjehin’ny ankohonana,
mpiray Tanana, sy ny sisa
noho I Jesosy maty tamin’
antsasaky ny herinandro
io. Nefa aoka hatoky
hatramin’ fahafatesana ka
haharitra fanenjehana sy
fanaratsiana fa fahavalo
efa resy ireo synagogan’I
Satana ireo.
Ezekiela 4:6 / Nomery
14:34: andro 1 = taona 1
Niaritra fahoriana
hafoloana izy. Izany hoe
folo taona.
Tsy mba nisy
fanankianana nahazo azy.
62 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fiangonana fahatelo: Pergamosy
= Katolika Romana Soavaly mainty
Mipetraka ao amin’ seza fiandrianan’I Satana
Mandray fampianaran’I Balama sy Nikolaita,
tambazam-bola ka adino avokoa ny
sitrapon’Andriamanitra rehefa misy vola
Nikolaita = vavaka + fanompoan-
tsampy
Mihazona ny maha-Kristiana azy nefa
manafangaro fomban’ny jentilisa sy izao tontolo
izao. Ady sy korontana rehefa tsy manaiky
izany. Transition entre Apostolika sy Kristina no
nisian’ity fiangonana ity.
313 - 538 : nametrahana ny Papa (Ray
Masina) ho filohan’ny eglise voalohany. Ny
fanjakana romana dia tsy nandripaka Christian
intsony fa lasa mpivavaka kristina ny emperora
romana. Nefa ny fomba fanao nolovainy tamin’
razany dia nentiny niditra tao am-piangonana.
Ohatra amin’’izany ny varotra am-
piangonana, fanakalozam-bola, fanararaotana
sy fifanambakana vokatr’izany.
Efesiana 2:1-7
Maty ara-panahy = fahadisoana, manaraka
ny fomban’izao tontolo izao, araka ny
mpanapaka ny fanjakana eny amin’ rivotra.
Ohatra: hira malaza : kilalaka. Raikitra koa
ny hira evangelique kilalaka. Dihy rock no
Apokalypsy6:5-6:
Apokalypsy1:3:
Sambatra izay mamaky sy
mihaino ary mitandrina ny
tenin’ity faminaniana ity
Soavaly = firaisan’ny
mpino
Lokony = toetry ny
mpino
Mpitaingina =
organization sy
programme ao amin’
fiangonana, rafim-
pandaminana mifehy sy
mibaiko ny fiangonana.
Soavaly Mainty =
fahamaizinana, fisaonana.
Ny zavatra hitranga
amin’ fiangonana dia
handalo fahafatesana ara-
panahy sy fahamaizinana
ny amin’ fahazavana.
Nilaza I Jesosy Kristy fa
Izaho no fahazavan’izao
tontolo izao.
Jaona 8:12-13:
63 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
malaza, hiran’ny mpihiran’izao tontolo izao
malaza: din rotsaka, toraka kapoaka, etc., dia
tonga any am-piangonana koa izany fomba
fandihy sy fomba fanao izany. Be dia be ireo
fomban’izao tontolo izao niditra ao am-
piangonana, nanaovan’ny mpino ny danin’ny
nofo: mpifoka sigara, mamo lava, mankany
ampiangonana fa ny fombany ihany no
fombany, araka ny voalazan’ny Isaia:
Isaia 4:1:
Vehivavy 7 mihazona lehilahy 1 =
fiangonana 7 mihazona an’I Jesosy. Misy
fiangonana 7 milaza f amino an’I Jesosy Kristy.
Mihinana ny biby rehetra na madio na maloto,
na omby na ondry, na kisoa na rameva, na
inona na inona. Ny fitafiany ihany no anaovany
any am-piangonana, juste-au corps mifinjifinjy,
mini-jupe misy dakany avo be, ary te-
hotononina ihany izy hoe Kristiana.
“Ny haninay ihany no haninay, ny fitafianay
ihany no itafianay, ny fisotronay ihany no
sotroinay; nefa ny angatahanay dia …”
Misy hery anankiroa mifanadrina ao izany ka
maty ara-panahy ny fiangonana. Moramora
kokoa ho an’ny olona ny mino lainga tsara
lahatra noho ny marina. Aleon’ny olona mijery
izao tontolo izao toy izao hihaino ny
Tenin’Andriamanitra.
Mitondra fahazavana sy
fahamarinana Izy. Nefa tsy
zakan’ny olona izany.
Jaona 3:19-21:
Aleon’ny olona ny
maizina satria ratsy ny
asany. Tsy mandray ny
mazava izy ireo. Maizina =
zavatra ratsy.
Nisy fahamaizinana tao
amin’ fiangonana.
Nihamaizina ny
fahazavan’ny fiangonana
satria tafatsofoka tamin’
fiangonana kristiana ny
fomba Jentilisa.
Misy mizana eny an-
tanan’ilay mpitaingina
soavaly. Rehefa misy
vesatra manindry ny
ankavia dia miainga ny
havanana, ary vice versa.
Ny mazava sy maizina
ireo lanja ankavia
syankavanana ireo. Nisy
nihazona ny
fampianaran’ny Nikolaita
(fomban’izao tontolo izao
sy fomban’Andriamanitra):
64 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ohatra ny varotra natao
tao am-piangonana,
fanakalozam-bola, …
Tezitra ny olona raha
naongan’I Kristy ny
latabatra nisy ny vola sy
ny varotra tao am-
piangonana tao.
Jaona 2:13-16:
Niverina daholo izany
fomba izany tamin’
tantaran’I Pergamosy:
lavanty atao ao am-
piangonana hangalana
vola mihoam-pampana, sy
ny resaka spiritisme
rehetra.
Mizana = maneho ny
fanarahana an’I balama sy
Nikolaita (fahamaizinana)
izay mifanohitra amin’ny
Finoana an’I Jesosy
(fahazavana).
Nitsindry be loatra ny
tsindrin’ny fahamaizinana
ka niteraka fahafatesana
ara-panahy teo amin’
fiangonana.
65 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
FIANGONANA FAHAEFATRA:
TYATIRA = Katolika
SOAVALY HATSATRA
Apokalypsy2:18-29
Tyatira = famonoam-panatitra
Taonjato 5 – 17: 538 – 1517
Teo no nisian’ny Papa voalohany.
Nakan’I Kristy ohatra ihany koa izy hilazana
fiangonana ho avy. Zavatra ho avy izy tamin’
andron’I Jaona, fa efa lasa kosa amin’’izao.
Sonia: Apokalypsy2:18b: Ilay manana maso
tahaka ny lelafo ary ny tongony tahaka ny
varahana manganohano. Kristy eo amin’
voninahiny io voalaza io.
Hanaporofo ny faminanian’I Kristy io voalaza
amin’’ity fiangonana ity. Tsy I Pasteur Mailhol
no nanao ny fanambarana fa I Jesosy Kristy sy
izay voalaza.
Fankasitrahana: Apokalypsy2:19: Fantatro
ny asanao
Fanankianana: Apokalypsy2:20-23: Kanefa
manan-teny aminao Aho…
Apokalypsy6:7-8
Loko = hatsatra =
maty= fahafatesana
Mpitaingina azy dia atao
hoe fahafatesana.
Ny fianan’ny mpino =
maty ara-panahy, ara-
nofo, satria fahafatesana
no ho an’izay rehetra
manohitohitra ny
fampianaran’I Tyatira. Nisy
martyora koa teto M/car:
Ranavalona no namono ny
Kristiana. (Fiangonana
Pergamosy). Fa tamin’
andron’ny Tyatira kosa dia
mpivavaka ihany no
namono Kristiana.
Ampahefatry ny tany =
66 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nandefitra tamin’’ilay vehivavy Jezebela
mpanompo sampy ity fiangonana ity.
Toro-hevitra:
Apokalypsy2:24-25: 2.24 Fa aminareo izay
sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany
fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny
ataon'ireo hoe 'sain-dalin'i Satana', dia izao no
lazaiko: tsy hovesarako entana hafa hianareo;
2.25 kanefa izay anananareo dia tano mafy
mandra-pihaviko.
Nisy teteza-mita avy tamin’ Pergamosy
nankao amin’ fivavahana Kristiana. Ny 538 –
517 no nipoiran’ny fiangonana katolika ka
nahatonga azy ho lehibe sy hieli-patrana
manerana izao tontolo izao.
Fantatr’I Jesosy ny asa sy fiantrana , ny
finoana sy fanompoana ataon’ity eglise Katolika
ity. Ohatra ny fanafodin’I Masera no mora
indrindra, sady manana trano be dia be, sekoly
be dia be mamoaka olo-manga betsaka, mino
an’I Zezo kristy, mino an’Andriamanitra, mino
masim-bavy sy masin-dahy, ary manana asa
fanompoana sy fitiavana lehibe tokoa.
Maneran-tany ny fiangonana katolika
ity(Tyatira). Ny asany farany dia lehibe noho ny
asany voalohany. Be ny finoany, faharetany,
ary ny fanompoany an’Andriamanitra:
fiompiana, fambolena, hopitaly, trano,
fanampiana ny mahantra, ….
Europe. Izay rehetra teo
ambany fahefany dia
nananany fahefana avokoa
namono azy, rehefa tsy
manaiky ny fomba
fampianarany na doctrine.
Fahafatesana ilay soavaly,
ary ny mpitaingina azy koa
dia fahafatesana.
67 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanankianana :
Apokalypsy2:20: Kanefa manan-teny
aminao aho fa ianao
Vehivavy jezebela = vehivavy Jentilisa
nalain’ny mpanjaka ho vady.
Vehivavy = fiangonana. => fiangonana
jentilisa.
I Mpanjaka 18 - 19
Nanana fahefana izy ka izay rehetra nikitika
ny tombontsoan’ny mpanjaka dia novonoiny.
Nisy zavatra nitranga teo amin’ fianan’ny
mpanjaka Ahaba sy mpaminany Elia.
I Mpanjaka 18.21-24: nanao defi ny
mpanjaka sy mpaminany Elia hahitana izay
tena Andriamanitra mamaly vavaka.
Bala = Andriamanitra masoandro
Io Bala io no notompoin’ny mpanjaka Ahaba.
Na dia efa nitsidika azan y andro dia tsy nisy
namely ny vavaky ny jentilisa tamin’ Bala. Nefa
nony nivavaka anefa I Elia dia nampilatsaka afo
I Jehovah. Ary rehefa vita izany dia nalain’I Elia
ny mpaminany Bala rehetra ka naringany.
I Mpanjaka 19:
Nanapa-kevitra ny hamono an’I Elia koa I
Jezebela raha naheno ny nahafatesan’ny
mpaminany Bala rehetra.
I Mpanjaka 20:21:
Nanao izay hahazoany ny tanin’I Nabota ny
mpanjaka Ahaba. Nefa tsy nahazo. Ka dia
68 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nanapa-kevitra I Jezebela hiampanga lainga
hamonoana an’I Nabota.
Sady jentilisa no mpanompo sampy I
Jezebela, ary nampamono izay sahy maminany
amin’ anaran’I Jehovah.
538 – 1517: naripaka daholo izay
fiangonana heretique, izay sahy nanohitohitra
ny fampianarana efa naorin’I Tyatira, ary
naripany daholo izay sahy milaza ny marina. Na
dia ny Emperora aza dia miankohoka eo
anoloan’I Tyatira. Izay tiany atao amin’
fitondrana ihany no mitondra firenena. Na izy
tapahan-doha na dorana velona izay sahy
manohitra io vehivavy Jezebela io.
Fanampin’izany, dia mivavaka amin’ maty,
amin’ sary, amin’ tsangam-bato ary manao
spiritisme moderne ny fiangonana Tyatira.
Hatramin’izay no efa nisy izany fanenjehana
izay sahy milaza ny marina izany ka
hatramin’izao vanim-potoana izao. Nefa aoka
hatoky hatramin’ fahafatesana ianao dia
homena anao ny satro-boninahitry ny fiainana.
Miara-dia amin’ hena aterina amin’ sampy
ny vehivavy Jezebela. Ohatra hoe raha
mamono biby ianao, ondry, oakoho, ka
mangataka hery hafa ivavahana alohan’ny
hamonoana azy na manao joro, fanompoan-
tsampy dia sampy avokoa izany.
Fijangajangana = mampifangaro sampy
69 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin’ fivavahana.
Nomena andro hibebahana izy nefa tsy mety
ary tsy hety hiala amin’’io toerana misy azy io.
Ny fiangonana Tyatira dia tsy miova mihitsy, n
any doctrine, na fombafombany. Ohatra hoe,
ny ankabeazan’ny olona mpanompo sampy dia
any Tyatira daholo no mivavaka. Izay no
itiavan’ny olona makany Tyatira satria
mandefitra amin’ izany izy.
Nefa kosa misy olona sasany ihany ao tsy
manaiky izany hanompo sampy izany mihitsy,
na hanatona cartomacienne, na mpanao sikidy,
etc. Ireo no lazain’I Kristy hoe Tano mafy izay
anananao mandra-pihaviko. Ireo no tsy mba
mahalala ny atao hoe sain-dalin’I Satana.
Izay maharesy no hahazo ny lanitra. Nisy
tokoa vahoaka nanao martyora ary tsy
nikitikitika sampy, mpisikidy, mpanandro
mihitsy. Ireny no maharesy ka tsy
hosimbain’ny fahafatesana faharoa.
FIANGONANA FAHADIMY:
SARDISY = Protestanta
Tombo-kase
Fahadimy
Hevitry ny teny:
Sardisy = Sisa. Fiangonana sisa ny Sardisy.
Taonjato 15: 1517- 1798
Apokalypsy3:1-6: Sardisy3.1 Ary soraty ho
amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy:
Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy
Apokalypsy6:9-11: 6.9
Ary rehefa novahany ny
tombo-kase fahadimy, dia
hitako teo ambanin'ny
alitara ny fanahin'izay
voavono noho ny
70 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro
ny asanao, fa manana anarana ho
velona hianao, kanjo maty ihany.
3.2 Miambena,* ka aoreno tsara ny zavatra
sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako*
tanteraka ny asanao eo
anatrehan'Andriamanitro.
3.3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy
ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka
mibebaha. Koa raha tsy hiambina* hianao, dia
ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka
tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.
3.4 Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty
Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-
mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria
miendrika izy.
3.5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy
tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo
amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky
ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo
anatrehan'ny anjeliny.
3.6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino
izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana* .
Sonia: ilay manana ny Fanahy Fito
Fanakianana avy hatrany no nomen’I Kristy
azy. Rehefa tong any fanoherana eglise katolika
dia nipoitra ny reformiste tany France, Suisse,
Angleterre, toa an-dry Calvin, Luther, JenHus,
Jerome, nitondra fanavaozana ara-pivavahana
tenin'Andriamanitra sy ny
filazana izay nohazoniny.
6.10 Ary niantso
tamin'ny feo mahery izy
nanao hoe: Tompo masina
sy marina ô, mandra-
pahoviana no tsy
hitsaranao sy hamalianao
ny ranay amin'izay monina
eny ambonin'ny tany?
6.11 Ary samy nomena
akanjo fotsy lava izy
rehetra; ary nasaina niala
sasatra kely aloha izy
mandra-pahatapitry ny
mpanompo namany sy ny
rahalahiny, izay efa
hovonoina tahaka azy koa.
Efa misy 15.000
personnes eo no ho eo no
isan’ny protestanta natsipy
tanaty lavaka. Ary nisy
Emperora iray koa niseho
niavonavona tamin’ Papa
Ray Masina raha niantso
azy ny Papa. Nifompona
tamin’ Papa mihitsy izy
vao tafaverina tamin’
71 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nihatra tamin’ aina mihitsy sy fahafatesana.
Nitondra anarana heretique izy ireo. Niroborobo
tokoa ny fanoherany ny fivavahana tsy araka
ny Soratra Masina, ary nahatsangana
fiangonana lehibe dia lehibe izy ireo. Nefa tsy
nitovy avokoa ny fomba fijerin’izy ireo. Nisy
ady sy fifandonana koa aza teo amin’’izy ireo.
Tsy nitambatra ny hery sy fomba fijerin’izy ireo.
Ampahan’ny marina daholo nefa no hitany.
Maty ihany ny niafaran’ity fiangonana ity noho
ny fisarasarahana. Rehefa maty ny mpitarika
tsirairay dia vao mainka tsy nety nitambatra
mihitsy. Ohatra hoe ny fihirana no iraisana fa
ny litorjia sy ny doctrine ary fombam-
pivavahana dia samy manana ny azy. Ny
Luthirgie Anglikana dia tsy mifanalavitra amin’
Katolika. Ao koa ny Orthdoxe izay toy izany
ihany. Nafaran’I Jesosy ihany ny fitazomany io
fanavaozana notadiavin’I Jesosy io. Ka noho
izany ny Protestanta dia tsy mety manaraka
fampianaran’ny Katolika intsony, toy ny
fivavahana amin’ olo-masina efa maty, afo
fandiovana, sy ny sisa. Mitanndrema ka aoreno
tsara izay efa saika maty fa tsy misy hitako
tanteraka ny asanao.
Vitsivitsy kokoa ny matin’ny fanjakana
Romana raha oharina amin’ isan’ny matin’ny
fiangonana Tyatira
Apokalypsy 6: hitako ny fanahin’izay efa
fitondrana, satria
naongan’ny Papa sy ny
vahoakany tsy ho eo amin’
fitondrana intsony.
Miaraka ny fahefan’ny
fiangonana sy ny
fanjakana. Ireo fanahy
ambany alitara izany no
olona maty novonoina
noho ny fanenjehana
mpivavaka. Izay miorina
amin’ fahamarinana sy ny
Tenin’Andriamanitra dia
enjehina foana. Toy izany I
Pasteur Mailhol izay
enjehina fatratra satria
mitory ny fahamarinana
voalazan’ny Soratra
Masina.
72 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nodimandry teo ambany alitara …
Batsaka tokoa ny maty noho ny tsy
nanekeny ny doctrine Tyatira. Mbola ho avy
izany zavatra izany tamin’ andron’I Jaona. Fa
efa lasa kosa izany amin’izao androntsika izao.
Tokony hisondrotra kilasy foana isika amin’
lafiny ara-panahy fa tsy hijanona ho classe
debutant foana akory. Izay no tian’I Jesosy
lazaina hoe Tano mafy izay anananao. Izay kely
ananana no ahiratra, ary mibebaha = miverena
lalana ka miala amin’’izay foto-pampianarana
tsy izy intsony.
Nisy fandrahonana sy fampitahorana ary
famonoana nihatra tamin’’izay niaritra
fanenjehana sy famonoana tato amin’’ity
fiangonana Sardisy ity. Izay naharesy ka
tafavoaka tao Tyatira dia tsy hamono ny
anarany ao amin’ Bokin’ny Fiainana I Jesosy
Kristy.
Raha sanatria maty ka tsy hita tao amin’
bokin’ny fiainana dia natsipy tany anaty farihy
afo izy:
Apokalypsy20:15:
Ireo no mikiry tsy mandray ny fitafiana fotsy
Fotsy = fahamarinana, fahadiovana,
fahamasinana
Izay manan-tsofina dia aoka izy hihaino.
Nisy asan’Andriamanitra tsy tanteraka tato
amin’ fiangonana Sardisy. Noho izany dia tsy
73 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tonga amin’ fahatanterahana ilay fanavaozana
ara-pivavahana vokatr’ilay fanenjehana.
Tsy hiverina intsony ny Protestanta
hanompo an’I Maria, hiankohoka amin’ sary
vongana, olona efa maty hatao mpanelanelana,
sy ny sisa.
FIANGONANA fahenina =
FILADELFIA = Filia + Delphia = Fitiavana
+ Rahalahy
Tombo-Kase
Fahaenina
= Sectes
=>Fifankatiavan’ny mpirahalahy. Misy
fitiavana Agape (an’Andriamanitra), eros (ara-
nofo), filia (rahalahy)
1755 – 1844: nifandrirotra tamin’
fiangonana Sardisy ny vanim-potoana nisiany.
Ny tantaran’ny fiangonana Sectes no hita
tamin’’ ity Filadelfia ity.
Adventista, Jesosy Mamonjy, Temoins de
Jehovah, Apokalypsy, Rhema, Rhefi,
Misy fiangonana Sectes miboridana sy
mitanjaka, mifamono, mifoka rongony, sy ny
sisa.
Nefa eto M/car dia mbola tsy dia misy sects
dangereux afa-tsy ilay an’Ingahy Ranaivo izay
mifoka rongony, nefa efa nakaton’ny
Fanjakana. Milaza izy fa mpandresy ka mitafy
rongony fotsy ka mifoka rongony.
Zava-doza no fieritreretan’ny olona ny
Apokalypsy6:12 – 17:
Volana => tahaka ny rà
Kintana => miraraka
amin’ tany
Ny olona rehetra =>
miery anaty lavaka
Misy fanambarana
tahaka izany koa voalaza
ao amin’ Matio:
Matio 24:29-31:
Lioka 21:25
Tantaran’ny fandravana
izao tontolo izao sy ny
fihavian’I Kristy.
Nanomboka nitory ny
Sectes fa hoavy I Kristy.
Nisy tokoa Sectes
nivarotra ny fananany,
nanao ankanjo fotsy
74 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fampianarana Sectes. Ny adala sy ny dondrona
no heverin’ny olona hoe voafitaky ny Sectes.
Raha vao ivelan’ny fiangonana tranainy dia
lazaina fa sectes. Misy mpanoratra boky manao
hoe “Vonjeo fa lasan’ny sectes ny olona.
Apokalypsy3:
Sonia = Izay Masina, Izay Marina, Izay
manana ny fanalahidin’I Davida izay mamoha
ka tsy misy hanidy, ary manidy ka tsy hisy
hamoha.
Fanankianana = tsy misy
Tsy mba nahazo fanankianana ity
fiangonana ity, toy ny fiangonana
Fiderana : Apokalypsy3:8-
Fantatr’I Jesosy ny asany, ary misy
varavarana mivoha eo anoloany. Varavaran’ny
filazantsara io. Talohan’ny 1755 dia tsy mbola
afaka namaky Baiboly ny olona; fa taorian’io
kosa dia voadika tamin’ fiteny maro samihafa
ny Baiboly: Sinoa, Arabo, Romana, Anglais,
Malagasy, sy ny sisa. Tsy voasakana intsony ny
olona hamaky sy handinika ny Soratra Masina.
Rehefa nanomboka namaky Baiboly ny olona
dia nitsangana koa ny fikambanana mampiely
Baiboly. Nefa taloha na ny fananana Baiboly
aza dia mampigadra tamin’ andron’ny Tyatira.
Mbola misy manoratra aza ankehitriny nilaza fa
fahadisoana be no nataon’ICalvin sy Luther
namela ny olona hamaky Baiboly. Izany no
nankeny an-
tendrombohitra tamin’
1948 milaza fa hitsena an’I
Kristy. Ary mbola misy
hatrany olona manao toy
izany hatramin’ izao. Misy
milaza fa izy no Kristy.
Tokony hitandrina isika
mba tsy ho voafitak’ izany.
75 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nahatonga ny fiangonana hiparitaka, tsy
hiotambatra intsony, na dia ny Protestanta aza:
Pentekotsita, Baptiste, Temoins de Jehovah,
Adventista, …
Nefa raha vao misy fahamarinana sy
fanavaozana mipoitra dia tsy maintsy miteraka
korontana eo amin’ fiangonana, fianakaviana,
fiaraha-monina. Miditra hatramin’ny hoe tsy
miditra am-pasan-drazana, tsy mahazo asa,
voaroaka tsy fianakaviana intsony izay
mivadika tamin’ Katolika. Ny Protestanta nefa
dia tsy natahotra fa niala tamin’.
Nisy fahamarianana vaovao hitan’ny sectes,
manao Batisa olon-dehibe izay efa mino an’I
Kristy, nianatra Soratra Masina. Izay mino sy
atao batisa no vonjena, izay tsy mety mino no
helohina. Nisedra fanenjehana indray izany tao
amin’ Protestanta. Izay nitondra ny
fampianarana batisan’olon-dehibe (après 1798)
no nantsoina hoe Sectes. Ireo koa dia niala
tamin’ fampianaran’ny Protestanta ka dia
lazaina fa zava-doza.
Ny nataon’I Kristy: Indro halaiko ny sasany
amin’ fiangonana
Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka
ny satro-boninahitrao. Tsy anaram-piangonana
io akory, fa ny fahamarinan’ny Soratra Masina
io asaina Tanana mafy io.
Vokatr’ilay varavarana miviha dia misy
76 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Sectes maro be tokoa niforona ary manaraka
foto-pampianarana ao amin’ Baiboly.
Varavarana mivoha = voatonta tamin’ teny
Allemagne ny Baiboly, Anglisy, Frantsay,
Malagasy, Katolika, Protestanta, Temoins, sy ny
sisa.
Sectes no namoaka ny fivavahana Sabata,
ny batisan’olon-dehibe.
Temoins de Jehovah, Moon, Scientologie,
Assemblee de Dieu, Jesosy Fitiavana, sy ny
sisa.
Apokalypsy3.9: Indro alaiko ny sasany
Mbola misy hatrany ny toe-tsain’ny olona ao
antin’ny synagogan’ny Satana: fanenjehana,
fankahalana, izay tsy maintsy hifona
hiankohoka eo amin’ vahoakan’Andriamanitra
Apokalypsy3.10:
Tamin’ andron’ny fanavaozana ara-
pivavahana nipoiran’ny Sectes izay nivoaka avy
tao amin’ fiangonana Protestant (Heresie) dia
Apokalypsy3.2-3 dia nomen’I Kristy hafatra ny
fiangonana: Tsarovy tamin’ nandrenesanao …
ary tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka
ny satro-boninahitrao.
Tsy fiangonan-drazana izany satro-
boninahitra izany fa ny fahamarinana, ny
finoana an’Andriamanitra.
Tsy voafetra intsony ny fitoriana ny
Filazantsara. Izay maharesy no atao andry eo
77 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin’ tempolin’Andriamanitra. Ady mihitsy
izany manaraka ny marina izany.
Nazera teto an-tany ny mpiampanga anareo.
Misy sectes miampanga izay manana ny marina
fotsiny. Ireny no zanaky devoly tsy manaiky
an’I Jesosy maty tamin’ antsasaky ny
herinandro voalazan’I Daniela ary nilevina 3J
3N.
FIANGONANA FAHAFITO = LAODIKIA -
Laodikia (Grika) = Laos (vahoaka) + Dikia
(fitsarana)
TOMBO-KASE
FAHAFITO
Apokalypsy1:3: Sambatra izay mamaky sy
mihaino ary mitandrina
Apo.3:14-22:
1844 – Ankehitriny
Vahoakan’ny Fitsarana no dikany.
Ny Tanana nisy ny fiangonana Laodikia dia
Tanana itray mihitsy. Misy karazana volcan
maty misy rano mafana mivoaka amin’ 6 km
miala ny tananan’I Laodikia. Notarihin’ny
mponina amin’ tuyaux 6km tonga ao an-tanana
io rano mamay io ka rehefa tonga ao an-tanana
dia efa lasa matimaty.
Tanana nanan-karena tokoa ny tao:
mpitrandraka volamena, mpanao fourrure
volon’ondry hatao fitafiana amin’ la neige,
manana orinasa mpanao fanafody maso koa ny
Tanana: vato fotsy kosehina dia aosotra ny
Apokalypsy8:1
Tsy voalaza tao amin’
Apokalypsy Toko fahafito
ny Tombo-kase fahafito.
Misy zavatra natsofoka tao
izany
78 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
maso. Izay no nahatonga an’I Jesosy hilaza ny
momba azy:
Apokalypsy3:16:
Tsy fantatrao fa ianao no ilay…
Izy mieritreritra fa manana izay rehetra
ilainy I Laodikia. Kanjo tsy fantany fa “Ianao no
ilay …
Sonia: Jesosy ilay Amena, Vavolombelona
Mahatoky sy Marina, niandohan’izao rehetra
izao.
Fanankianana mavaivay no voalaza momba
ity fiangonana ity fa sady tsy mafana no tsy
mangatsiaka ny asany. Mankaloiloy izy ity ka
haloan’ny vavan’I Jesosy. Toy ireny fofona
mankaloiloy ireny, na zavatra mankaloiloy ireny
ity fiangonana ity.
Apokalypsy3:18: Torohevitra: Manoro
hevitra anao aho mba hividy
Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko …
ary izy ho amiko.
Tsy misy fankasitrahana ity fiangonana ity.
Nefa mitsangana eo am-baravaran izy
mandondona.
Mizara roan y tantaran’I Laodikia:
1)Izay maharesy dia …: olona tafavoaka
mafan ka mividy odi-maso, mibebaka marina
tokoa izy, miala tamin’ fahamatimatesana,
nandondona I Jesosy dia novohany.
2)Misy olona kosa matimaty, tsy mandray io
79 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
torohevitra io, sady tsy mafana no tsy
mangatsiaka, miseho ho manan-karena, ka
rehefa mandondona Jesosy dia tsy mamoha
varavarana mihitsy izy fa lazainy fa Kristy
sandoka no ao.
Io no lazain’I Jesosy amin’ Virjina 10: 5
hendry, 5 adala, sy ilay vehivavy 2 nitoto vary:
ny iray noraisna, ny iray nolavina.
Laodikia = Vahoakan’ny fitsarana. Ny
fitsarana no manapaka ny sazy. Ao amin’
Baiboly dia amin’ andro farany ny fitsarana.
Laodikia = Vahoakan’ny fiavahana,
vahoakan’ny fahamarinana / vahoakan’ny
fahaverezana.
Avahany ny biby maloto sy madio, avahany
ny fitafiana mendrika sy tsy mendrika.
Vahoakan’ny fahaverezana koa izy satria ilay
sakafo tokony hahavelona no nariany.
Vahoakan’ny fahamarinana: \Milaza toy izao
ireo: Tsy misy fivavahana marina raha tsy ato
aminay, Milaza izy ohatra fa raha mivavaka
alahady dia very, sy ny sisa.
Sady tsy mafana izy no tsy mangatsiaka izy
ireo.
Ny fiangonana Advantista no milaza fa
Laodikia.
Advantista mitandrina ny andro fahafito
mandray ny fahazavana lehibe nefa tsy mahita
io fahazavana io. Izy no fiangonana mitandrina
80 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny Sabata, ary tsy mandoto ny tenany amin’
biby maloto satria tempolin’Andriamanitra.
Ellen Goldwritght no mpaminany Advantista
manambara fa ny fiangonana Advantista no
Laodikia. Ary manambara izy ao amin’ p.48
amin’ boky nosoratany fa io hafatra ao amin’
Apokalypsy3 io dia hanapotika ny avonavona sy
ny fitaky ny fanamarinan-tena izay mihevi-tena
ho manana ny ampy (Efa nihary fananana be
aho ka tsy manan-java-mahory). Manatombo
raha oharina amin’ sectes hafa ny Laodikia
noho io fitandremany Sabata sy ny
tempolin’Andriamanitra io. Nefa raha manana
fanamarinan-tena sy toe-panahy matimaty
sady tsy mafana tsy mangatsiaka fa matimaty,
izay tsy voatery hoe ny Advantista ihany no
sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, fa izay
mpivavaka na fiangonana rehetra toy izany dia
Laodikia daholo.
Vahoakan’ny Laodikia = vahoakan’ny
fahamarinana, vahoakan’ny fahaverezana.
Kororohina ny vahoakan’Andriamanitra +
izay olona rehetra nandray ny fanankianana
miseho azy ho manan-karena sy tsy manan-
java-mahory nefa izy no tena mahantra sy ory,
dia mila fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra mba
hialany amin’’io toe-panahy matimaty io.
Rehefa nivoaka io fanamarihana io dia tsy
mahazaka ny vahoakan’ny Laodikia ary tsy
81 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hanaiky mihitsy ny hiova; nefa kosa misy ny
hanaiky ny fanitsiana ka hiova hanaraka ny
fahamarinana.
Ny hafatra ho an’I Laodikia dia ho an’ny
vahoakan’Andriamanitra milaza ho tia
fahamarinana nefa tsy ampy hafanam-po.
Manaiky fahamrianana am-bava fotsiny fa na
ny fitafiany na ny teniny na ny ataony dia
manakana ny hafa tsy hiditra. Tsy manana
hafanam-po sy fitiavam-bavaka fa ny
avonavona no mameno ny fony, ny izaho no
mibahana ao anatiny ao. Miova lalana ho any
Babylona, miova lalana fa tapatapany, fomba
misy avona nefa misora-tena ho manana ny
marina. Misy avonavona izy amin’ fomba fiteny
sy firesahana, tsy miditra amin’ hafanam-po
amin’ asan’Andriamanitra. Mankaloiloy satria
tsy misy fibebahana. Mampalahelo an’I Jesosy
io toetrany io. Lasa vato fanafintohinana ny
hafa izy ireo.
Tamin’ fotoana nilazan’I Jesosy ny
fanambarana ity (mbola ho avy) dia nolazainy
fa haloan’ny vavan’I Jesosy ireo mpivavaka
matimaty io. Mihevitra io mpaminany vavy io fa
mbola ho avy foana io fanambaran’I Jesosy io.
Efa mahatratra ny hafanam-po ve ny
fiangonana misy anao io sa mbola matimaty,
raha 30 taona ianao no tao dia nahoana no tsy
miova mihitsy ny hafanam-pon’ny fiangonana
82 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
misy anao?
Inona no antony tsy mampafana ity
fiangonana ity fa matimaty foana izy?
Fony Jesosy tety an-tany dia niaraka tamin’
Jesosy izy. Nefa na dia miaraka tamin’ Jesosy
aza ireo dia tsy nanana Fanahy Masina ka
nifanditra lava izy ireo.
Jaona 7:38-39: Ny Fanahy Masina tsy mbola
nomena satria tsy mbola niditra tamin’
voninahiny I Kristy.
Rehefa mirotsaka io Fanahy Masina io dia
mitondra hafanana ho an’ny fiangonanaa. Raha
tsy misy Fanahy Masina dia sady tsy
mangatsiaka tsy mafana ny fiangonana. Izany
no nahatonga an’I Jodasy hamadika, I Petera
handa an’I Jesosy in-3
Rahoviana I Jesosy no tonga tamin’
voninahiny?
Asa 1:4-5:
Tsy mbola afaka manome ny Fanahy Masina
I Kristy raha tsy efa tonga tany amin’
voninahiny. Nanao batisa ny mpianany amin’
Fanahy Masina Izy rehefa tonga ao amin’
voninahiny.
Asa 2:
Ny nilatsahana’ny Fanahy Masina tamin’
andro Pentekosta. Nanomboka teo no nirotsaka
83 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ fiteny maro
samihafa ny mpianatra ary io no nitondra
hafanana lehibe tamin’ fiangonana. Maneho
hafanana ny tempolin’Andriamanitra sy ny
fiangonana ilay Fanahy Masina mitarehin’afo.
Ny foto-pampianarana ao Laodikia araka ny
boky nosoratan’ny mpaminany vavy Advantista
Ellen Goldwhite dia milaza fa tamin’ny 1844 no
nirotsaka ny ranonorana voalohany na ny
Fanahy Masina. Izany hoe izay vao niditra
tamin’ voninahiny I Jesosy ary miandry ny
ranonorana farany, izany hoe tsy ao ilay
Fanahy Masina. Nefa araka ny Soratra Msina
dia vao 50 andro taorian’ny niakarany tany an-
danitra no nirotsaka ny Fanahy Masina.
Pentekosta io fotoana io. Noho izany dia sady
tsy mangatsiaka no tsy mafana io fiangonana
Laodikia io fa tsy manana ny Fanahy Masina.
Nefa nanomboka tamin’ taon-jato 18 no efa
nirotsaka ny ranonorana farany io. Efa
nirotsaka tamin’ Pentekosta ny Fanahy Masina.
Fony vao nino ianao dia nirotsaka ny Fanahy
Masina.
Asa 19.1-2
Nandray fahasoavana be izay nino sy
nandray io Fanahy Masina io.
Efesiana 1:13-14:
Fanahy Masina = tombon-kase ho an’izay
mino.
84 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Vokatry ny Fanahy Masina dia foana ny
avonavona. Mbola miandry ny Fanahy Masina
ny vahoakan’I Laodikia ka izany no mahatonga
azy ho matimaty. Nefa izay nahatsapa izany
Fanahy Masina izany dia efa mandray ny
vokatry ny Fanahy:
Asa 4:27-31:
-Fahasahiana rehetra
-Famantarana sy fahagagana sy
fanasitranana rehetra
-Mihovitrovitra ny trano
-Sahy mitory ny tenin’Andriamanitra amin’
ny fahasahiana
tamin’ andron’I Jesosy dia efa nisy io Fanahy
Masina io ary Izy dia nanao famantarana sy
fahagagana ary fanasitranana maro. Nefa ny
Fariseo sy mpanora-dalana izay milaza fa
mpivavaka sy mahay Soratra Masina dia tsy
mba manana Fanahy Masina, ary nilaza fa
manana demonia I Jesosy raha namoaka
fanahy ratsy tamin’ mpifatotra Izy. Toy izany
koa no anenjehan’ny vahoakan’ny Laodikia ny
mpnompon’Andriamanitra ankehitriny izay
mamoaka demonia sy manasitrana ny marary
amin’ anaran’I Jesosy maty tamin’ ½
Herinandro. Izay no mahatonga ny Laodikia ho
jamba sy marenina sady ory sy mahantra na
dia mihevi-tena ho manan-karena aza: mino ny
fisian’ny Fanahy Masina izy nefa tsy mino fa efa
85 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nirotsaka amintsika ny Fanahy Masina fony vao
mino isika, ary ny Fanahy Masina no ahazoana
manao izany asan’Andriamanitra rehetra izany.
NY FANAHY MASINA
Fanahy Masina = Ranonorana manamasaka ny voa.
Jaona 16:12-13
Fanahy Masina = fanahin’ny fahamarinana hitari-dalana antsika
ho amin’ ny marina rehetra.
Araka ny fampianaran’ny Advantista dia “Rehefa mivoaka ny fanenjehana
ny fivavahana Sabata ataon’ny mpivavaka alahady vao hirotsaka ny Fanahy
Masina.” Izany hoe tamin’ 1844 ny ranonorana voalohany, ary tsy hay hoe
rahoviana vao hirotsaka amin’ fiangonana ny Fanahy Masina. Tsy mahagaga
raha matimaty ilay fiangonana ary tsy misy hafanana, tsy manana hetaheta
hahazo ny Fanahy Masina. Nefa tsy maintsy ialana io toetra matimaty io.
Misy olona tafavoaka miala amin’io fahamatimatesan’ny fiangonana io; misy
kosa ireo tsy mety hahazo io hafanana io dia ireo manana avonavom-
panahy, fiheveren-tena hoe efa ampy ny Soratra Masina ao aminy ka tsy
hianatra hafa intsony fa sao mijangajanga ara-panahy.
Misy koa ireo manana harena be ara-nofo ka miavonavona tsy mandray
ny Soratra Masina. Tsy hividy izay Fitafiana fotsy sy odi-maso intsony ireo
satria efa mihevi-tena fa manana ny ampy, mahalala ny
Tenin’Andriamanitra, mahiratra, tsy mahatsiaro tena fa diso sy
86 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
miavonavona. Ireo no tsy hovohain’I Jesosy varavarana ka ho very
tanteraka.
TORO-HEVITRA omena an’I Laodikia:
1.Mividy Volamena =
I Petera 1:7:
Volamena = finoana voazaha toetra.
Ny finoana no takiana amin’ vahoakan’I Laodikia. Samihafa ny finoana sy
ny fahalalana. Ohatra ianao mahalala fa ny dian-kapoka tamin’ Kristy
manasitrana ny aretina rehetra. Nefa ianao rehefa marasry dia lasa
mankany amin’ dokotera, maka fanafody. Mahalala ianao fa tsy mino!
Raha misy devoly ilay olona dia lazainy fa tsy ampy calcium. Nefa Jesosy
efa nanome fahefana ny mino handroaka devoly amin’ anarany.
Marka 16:16-18:
Misy famantarana be dia be manaraka izay mino. Hatrany amin’ maty aza
dia natsangan’I Jesosy. Nefa na dia tamin’ andron’I Jesosy aza dia tsy nino
ny Fariseo, fa lazainy fa demonia no androahana fanahy ratsy. Nefa izy ireo
dia mpivavaka Sabata, ary tsy mihinana biby maloto. Sady tsy mivavaka ho
anao ny vahoakan’I Laodikia, no tsy manome vola hitsaboana anao tany
amin’ hopitaly.
Matio 9:32-34:
Izay no mahatonga ny Laodikia ho jamba sy mahantra , ory sy malahelo.
Efesiana 1:13-14:
Mino = natao batisa rano => batisan’ny Fanahy Masina => famantarana
izay mino
Ao Laodikia izay marary dia mankany amin’ dokotera sady mametra-
tanana ihany. Nefa izay nividy volamena dia tsy mankany amin’ dokotera
izany.
87 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
2.Fitafiana fotsy = fahamarinana, fahadiovana, fandresena
Fitafiana mainty no novidian’ny Laodikia = matimaty ny fiangonana =
fahafatesana ny mainty
Galatian 3:17:
Natao batisan’I Kristy = Nitafy an’I Kristy.
Iza ary io Kristy atafy anao io?
Romana 6: 3-4:
Miara-maty, miara-milevina, ary miara-mitsanagana amin’’I Kristy araka
ny Soratra Masina.
Raha sanatria ka nitafy fitafian’I Kristy maty, nilevina ary nitsangana tsy
araka ny Soratra Masina ianao dia tsy mitafy an’I Kristy nandresy ny
fahafatesana.
Raha nanota I Adama sy I Eva dia nanao fitafiana ravin’aviavy izy roa.
Tsy izy io fitafiana namboarin’olombelona io ka nosoloiny fitafiana hodi-biby.
Misy biby novonoina izany tao. Misy ra latsaka natao sorona hamelana
fahotana
Genesisy 3:7-19:
Misy koa olona manao fitafiana tsy izy na dia sakaizan’I Jesosy Kristy
nasainy tamin’ fanasana aza izy. Inona no nanjo azy io?
Matio 27:11-14:
Raha diso ny Jesosy inoanao dia fitafiana tsy izy izay no anaovanao.
Manoro hevitra I Jesosy hividy fitafiana fotsy fa tsy hahavonjy azy io
fitafiany io.
3.Odi-maso
Jamba izy ireo ka mila fanafody.
88 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Isaia 6:9-10:
Miseho azy ho mahiratra sy manan-karena izy ireo nefa tena jamba.
Jaona 9:24-25:
Rehefa nanasitrana lehilahy teraka jamba I Jesosy dia nolazain’ny Fariseo
sy mpanora-dalana fa mpanota sy mpamitaka I Jesosy. Jiosy nefa ireo
Fariseo sy mpanora-dalana ireo. Tsy niraharaha izany nefa ilay jamba. Tsy
afaka nampahiratra ny masony akory ny Fariseo. Toy izany koa ny
mpanompon’Andriamanitra ao amin’ Apokalypsy izay mandroaka devoly sy
mametra-tanana manasitrana ny marary anaran’I Jesosy nefa enjehin’ireo
manompo an’I Jesosy maty Zoma.
Ho fitsarana no nahatongavan’I Jesosy teto amin’’ izao tontolo izao,
hahiratra ny tsy mahiratra, ary ho jamba any mahiratra izay tsy mety mividy
volamena sy fanahy Masina ary fitafian’I Kristy. Lasa tsy voavela ny helony.
Izay tsy mahalala no hahalala, fa ny miseho mahay kosa ka tsy mino dia ho
lasa jamba sy hohelohina. Nefa I Jesosy te handroso ao am-pontsika mba
handraisantsika ny fitafiana fotsy.
Ny olombelona dia mijery ny ivelany, fa Andriamanitra kosa mijery ny ao
am-po. Tsy mba toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’I Jehovah.
I Samoela 16:7:
Ohatra hoe mijery ny fitafiana ivelan’ny mpitondra fivavahana ny olona fa
tsy mijery ny fony. Mijery ny fahaizany sy ny diplomany fa tsy mijery ny
hosotr’Andriamanitra ho an’io olona io.
Matio 6:22-23:
Izay ratsy tao aminao foana no jeren’ny olona. Satria ilay maso mihitsy
no efa maizina, tsy mbola nividy odi-maso izy ireo. Nefa ny maso no jiron’ny
tena. Toy izany koa I Petera izay nampahatezitra an’I Jesosy satria tsy nino
izy fa hijaly I Kristy.
89 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Matio 6:21-23: ny nampijalina an’I Jesosy
“Sanatria aminao izany ry Jesosy … hoy I Jesosy: Mankanesa ao ivohako
ianao ry Satana fa tsy mivehitra izay an’Andriamanitra ianao fa izay
an’olombelona ihany.
I Satana no tsy manaiky an’I Jesosy ho faty. I Jesosy ho faty io no
hitondra ny aretina sy ny fahorian’ny olona rehetra mba hamonjena ny
olombelona. Izay no nahatonga an’I Jesosy hiteny azy hoe any ivohoko
ianao ry Satana. Manana odi-maso I Jesosy ka mahita ny hevi-petsin’I
Satana ny masom-panahiny.
Ny masom-panahin’ireo nitora-bato ilay vehivavy janga dia ny hamono
izay rehetra manota sy mijangajanga. Nefa mijery ivelany ihany izy ireo.
Rehefa nopitsipotserin’I Jesosy avokoa ny fahotan’izy ireo dia hita fa ireo
mihitsy no tena mpijangajanga sy mpanota. Rehefa ianao no iharan’ny ratsy
dia milaza fa tsara ny fisian’ny manam-pahefana. Nefa kosa rehefa manao
ratsy ilay olona dia milaza fa tsy ilaina ny lalàna.
Jaona 8:1-12
Romana 7:16
Raha tsy manana ny Fanahy Masina isika dia tsy hahazo ny odi-
maso izay ialana amin’ ratsy io mihitsy ka hanekena ny fahamarinana sy
izay tsara.
Efa ipetrahan’ny fanahy ratsy ireny olona manenjika ireny ka tsy fidiny ho
azy ny manao toy ireny.
Jaona 9:39-41.
Rehefa nanasitrana ny mason’ilay jamba I Jesosy dia nilaza ny Fariseo fa
mpanota izany lehilahy izany. Nefa hoy Jesosy: Ho fitsarana no
nahatongavako …
90 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny olona tao anatin’ny maizina tsy nahalala ny Soratra Masina dia
nampahafantarin’I Jesosy rehefa tonga Izy. Ka mahatsiaro fa jamba sy
mitanjaka sy ory sy mahantra. Ka mandray ilay fampianarana ka mividy odi-
maso. Toy izany koa ny manenjika an’I Pasteur. Ireo mpitondra fivavahana
mivavaka Sabata milaza ho mahay Baiboly mihitsy no tsy mety mividy odi-
maso fa manenjika sy manaratsy ity fiangonana Apokalypsy ity sy ny
mpanompon’ Andriamanitra ao aminy. Ary mahagaga ny olona tsy mahay
Soratra Masina akory izany fihetsiny izany. Ny anton’izany dia ny mba
hahiratra izay tsy mahiratra, ary lasa jamba ny mahiratra. Raha jamba dia
tsy mana-keloka, far aha milaza tena ho mahiratra kosa dia tsy voavela ny
heloka. Milaza hoe tsy izy io fampianarana Apokalypsy entin’I Pastera
Mailhol io, mpaminany sandoka io, diso io, tsy mahay na inona na inona io fa
tsy nandia sekoly teolojika tahaka azy ireo. Nefa tsy fantany fa izy ireo no
jamba sy tena malahelo voalazan’ny Soratra Masina.
Apokalypsy3:19-20
Tena fo feno fitiavana mihitsy no nentin’I Jesosy nananatra sy
nandevilevy ireny Fariseo ireny. Mila mibebaka= metanoia, strefo,
metamorphose. Mila miala tao amin’io toerana matimaty io isika. Mividiana
volamena, fitafiana fotsy, odi-maso, ary mila fiovana tanteraka koa ny saina.
Tsy hoe any am-piangonana ihany no hanaovana fitafiana mendrika toy
ny zanak’Israely fa rehefa any ivelany dia Babyloniana, miaina amin’
fialonana, fanenjehana, faharatsiana rehetra.
Mivavaha ho an’izay tsy manana ny fahamarinana , jereo ny fahotanao sy
ny fahalemenao, fa Jesosy tsy nanameloka antsika izay nanompo sampy,
nifoka rongony, misotro toaka, mpangalatra, mpijangajanga, sy ny sisa.
91 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Aoka hibebaka fa tsy hikororoka ny olona. Ianao rehefa afaka dia tsy
handeha amin’ lalan-dratsy intsonysady tsy hanenjika intsony. Ny manam-
pahaizana be dia tsy mirehareha fa manetry tena. Fa izay manana
tapatapany dia mikobana ka mitabataba ny hafa. Rehefa tsy misy toe-tsaina
afa-tsy ny miampanga olona dia devoly ary zanaky ny mpiampanga
(devoly). Ny Fariseo koa dia mba toy izany fahiny.
Apokalypsy3:20:
Raha tena mibebaka isika dia mandondona aty ambaravarantsika I Jesosy
ary manoro antsika ny marina rehetra. Ohatra hoe mivavaka ianao nefa
manana toe-tsaina manambany olona hoe tsy manana diploma ianao,
mpanota ianao ka tsy hiresaka aminao aho. Manana an’I Jesosy ve ianao
amin’izany? Nefa ianao milaza fa manana an’I Jesosy? Jesosy izany ve no
entinao manao toetra ratsy mihatsara ivelatsihy sy mikororoka ny namanao?
Ohatra hoe tsy tia an’I Pasteur Mailhol ilay Pasteur mpitondra fivavahana dia
hanenjika azy hilaza momba azy foana hanaratsy azy. Mila mibebaka miala
amin’’izany isika.
Tsy mora anefa izany.
Apok3:22: Izay maharesy…
Tsy maintsy miady isika izany ka izay maharesy dis hisrs-hipetraka eo
amin’ seza fiandrianan’ny Ray.
Boky Advantista (Ellen Goldwhite) “Fiomanana amin’ ranonorana farany:
p.9: Ny toetry ny fiangonana sy virjina adala dia lazaina koa fa toetry ny
vahoakan’I Laodikia. Rehefa nisintaka ny adala dia ny Hendry ihany no
tafiditra.
FEHINY
Lasa mizara valo izany ny fiangonana:
92 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fiangonana Advantista = Virjina.
-Virjina 5 adala = tsy ampy solika dia Ilay matimaty naloan’ny vavan’I
Jesosy satria matimaty, jamba, ory, malahelo, mahantra
-Virjina 5 hendry ampy solika = Nividy odi-maso ary nahita tena
matimaty tokoa ka nividy odi-maso, fitafiana fotsy, nibebaka, manana
Fanahy Masina.
Hitantsika izao fa andalana tokoa ilay fizarana roa eo amin’ fiangonana
Laodikia.
Efa betsaka izao ny fiangonana mivavaka Sabata. Ary efa mizara roa izao
izy ireo: misy mafana ary misy mangatsiaka, misy manao fitafiana maty
zoma mitsangana alahady; misy kosa manana fitafian’I Jesosy maty tamin’
antsasaky ny herinandro nitsangana Sabata.
Fibebahana = metanoia, strefo, metamorphose.
Fitafiana fotsy = fandresena, fahamarinana, fahadiovana;
fitafian’I Kristy Ilay Masina sy Marina izay raisina amin’ny batisa.
Fanahy Masina = ranonorana, solika
TAPITRA ny tantaran’ny Fiangonana
Inona marina no atao hoe FIBEBAHANA?
Fibebahana = Fitodihana, fialana amin’ fahadisoana rehetra.
Mibebaka = Strefo = miverin-dalana, miova
Ezekiela 18:30: Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra,
dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
93 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mibebaka = Meta noia = miova saina (toy ny hoe metamorphose,
metabolisme)
Miezaka miova toe-tsaina ny olona mibebaka. Izany no mahatonga ny
fandrosoana.
Romana 12:1-2: 12.1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry
rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra mba hatolotrareo ny
tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia
fanompoam-panahyNa:
fanompoam-pivavahanamety hataonareo izany.
12.2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny
fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny
sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
Ny saina ratsy mahatezitra ny hafa iny no miova, ilay saina tia lainga,
mpialona olona, mpisoloky, mpangalatra io no miova, ny toetra masiaka be
lozan-tany iny no miova. Ny zaza aza tsy marary fo intsony satria tonga
amin’ fibebahana marina, miova ny toe-tsaina. Tsy mamalivaly ray aman-
dreny intsony ny ankizy, manampy Ray aman-dReny, raha ny mpiasa, olon-
tsotra, ny mpitsara, ny mpitondra firenena no tonga amin’ fibebahana
marina dia misy fiadanam-po
Mibebaka = metamorphose = miova endrika / bika
Hita avy ety ivelany koa ny olona efa tonga amin’ fibebahana marina.
Miova fomba fitafy maontina, manao ankanjo maontina rehefa mivavaka,
miova fomba fiteny, lasa miova ny fomba fiteny ka tsy masiaka intsony. Tsy
manao ny fanaon’ izao tontolo izao intsony ny olona mibebaka marina.
AHOANA NO AHAZOANA FIBEBAHANA?
94 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy maintsy tenin’Andriamanitra sy fanomezana avy amin’’Andriamanitra
ny fibebahana.rehefa tena mitady an’Andriamanitra ianao dia omeny anao
ny fibebahana. Ianao koa ary gaga ary ny manodidina anao aza dia gaga
noho ny fibebahanao.
Asa 5:31: 31 Izy nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra ho
Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny
Isiraely.
Asa 11:18: 18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza
an’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny
fibebahana hahazoany fiainana.
Ny nandrosoan’ny tenin’Andriamanitra tao Antiokia, sy ny nampianaran’i
Barnabasy sy Saoly tao.
Rehefa azonao ny fibebahana dia tokony ho hita amintsika ny voa
mendrika ny fibebahana, miova foto-pisainana sy bika
Matio 3:8: 8 Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo;
Romana 12:1: 12.1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry
rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra mba hatolotrareo ny
tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia
fanompoam-panahy Na:
fanompoam-pivavahanamety hataonareo izany.
Rehefa vitantsika ny manolo-tena ho an’Andriamanitra dia
homen’Andriamanitra antsika io
Apokalypsy 2:5: 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia
mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy
aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha
tsy mibebaka hianao.
Raha toa ka nisy fangatsiaham-panahy tamintsika dia mbola misy
famindram-po omen’Andriamanitra ka tokony hiverina amin’’ilay
95 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fitiavana voalohany: matoky amin’ 1/10, manao ny asan’ny Tompo,
mametra-tanana, mifady hanina, …
FIAIKEN-KELOKA:
Manaiky fa nanota, mety hiverimberina matetika izy. Ny fibebahana kosa
dia tsy miverina amin’ lalan-dratsy intsony isika.
1 Jaona1: 7-10: 7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy
eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany
no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina
tsy ato anatintsika.
9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka
mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-
fahamarinana rehetra.
10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny
teniny tsy ato anatintsika.
Manota foana ny olona. Raha miteny isika hoe tsy manota intsony dia
mandainga isika. Fa raha mibebaka marina isika dia afaka amin’’ilay
fahotana.
Soavaly = firaisan’ny Mpino
Mpitaingina azy = fahefana mibaiko azy.
Tsy misy soavaly intsony taty amin’ fiangonana Sardisy. Tsy voafehin’ny
fiangonana Katolika intsony ny fiangonana vokatry ny fanavaozana ara-
pivavahana. Lasa nisy ny fiangonana Orthodoxe, sy ny sisa. Noho izany dia
tsy voafehin’ny fahefana iray intsony ny fiangonana fa samy manana ny
96 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
foto-pampianarany avy tsirairay avy. Izay no nahatonga ity tombo-kase ity
amin’ ny Apokalypsy Toko 6.
NY SEKTA (SECTES)
Inona marina no atao hoe sekta? Ilaina ve ny Sekta? Zava-doza ve
ny sekta?
Misy milaza fa mpangoron-karena ny secte Apokalypsy. Nefa raha ny
fiangonana hafa no manan-karena sy mitombo fananana dia tsy lazaina fa
zava-doza.
Tsy I Pasteur Mailhol no voalohany nandinika sy namakafaka ny atao hoe
Secte. Raha mihevitra fa tsy secte ny olona iray, dia mazava ho azy fa tsy
hilaza afa-tsy ny lafiratsin’ny sectes ihany izy. Ohatra ny fiangonana
Musulman, dia tsy hilaza mihitsy ny mahatsara ny fivavahana Kristiana. Ny
lafiratsy rehetra eo amin’ fiangonana Kristiana no ho resahiny mba tsy
hahatonga ny olona Musulman hivadika ho kristiana. Raha olona member ao
anaty secte no mandao fandalinana dia tsy hilaza ny lafiratsin’ny sectes koa
izy.
Tsy tokony hipetraka amin’ maha-fiangonana misy anao ianao raha
hanazava ny sectes. Fa tokony hipetraka amin’ maham-pivavaka tsotra anao
kosa.
Fanamarihana: ny mpitondra fivavahana matetika dia mialokaloka amin’
teny hoe fitarihan’ny fanahy, na ny hoe ny fanahy no mampianatra. Misy koa
Pasteur tsy nandalina akory ny hevitry ny Sectes ka dia miteniteny foana.
Tsy nandalina, tsy nanao fikarohana akory izy, nefa dia miseho mahalala be
ny momba ny sectes, ary manambany ny fandalinana efa nataon’ny
mpanadihady izy.
97 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Famaritana ny atao hoe Sectes:
Ny fijerin’ny ankamaroan’ny olona: na ny mahantra na ny manana, na tsy
mahay na manam-pahaizana, na iza na izy tsy te hisahirana hamakafaka dia
mihevitra fa Rehefa ivelan’ny fiangonana lehibe efa nisy tranainy dia izay
rehetra ivelan’ny FFKM
Fomba fijery Katolika:
Araka ny boky navoakan’ny edition Md.Paoly: “Inona moa ny Sekta?”,
Pere Andre Roger, edition jeune Chretien, :”La Tentation du Secte” no
nangalana io boky io. Secets => Latin: seki (manaraka), secar =
manasaraka, manapaka ny iray ho roa. Sectes = tafasaraka tamin’
fiangonana efa ela niorenana na sectes hafa, ary manaraka mpaminany iray,
manaraka fomba fiainana manokana ary manaraka ny hafatra entin’io
mpaminany io.
Raha raisintsika ny tantaran’ny fiangonana tamin’ andron’I Jesosy io
fanazavana io. Ny fiangonana nisy dia Jodaisma. Tao amin’ fiangonana
Jodaisma no nisy an’I Krsity. Voaazan’ny Baiboly koa fa mpaminany I Kristy.
Tsy afa-miala amin’’io famaritana io koa izany I Kristy, satria izy nisaraka
tamin’ fiangonana Jodaisma. Nanaraka azy ny olona amin’ maha-mpaminany
Azy. Nampianantra fomba fianana manokana ny mpianany koa Izy ary
nitondra fampianarana hafahafa be mihitsy. Ohatra nolazainy hoe “Izaho no
mofon’aina, izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no hanana faianana
mandrakizay. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Mbola tsisy Abrahama dia efa
izy Aho. Maso solon’ny maso … Nefa I Kristy dia nampianatra fomba hafa.
Efa 1000 taona no niorenan’ny Katolika, dia niala tao ny Protestant. Secte
koa izany ny Protestanta, torak’izany koa ny Lutheran, Anglicain, izay samy
niendaka niala tamin’ Protestant avokoa. Torak’izany koa ny Jesosy
98 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mamonjy, Rhema, Adventista, Apokalypsy. Satria izy rehetra ireo dia
niendaka niala tamin’ toerana nisy azy avy taloha.
Fomba fijery Protestant:
Boky nosoratan’i Pasteur Rabehantonina James: “SOS Sectes: Vonjeo tsy
ho lasan’ny Sectes ny olona.” Page 7: fomba hamantarana ny Sectes: ny
teny hoe sectes dia anarana mahafaoka be milaza olona mihevi-tena fa
manana ny marina. Ny Katolika dia mihevitra araka ny katesizy fa very izay
tsy miombona amin’ Eglizy. Izany no heveriny fa marina. Niala tao amin’
Katolika ny Protestant satria nihevitra izy fa diso ny Katolika ka izany no
nahatonga azy hiala tamin’. toa mifanipaka be mihitsy ny fomba famaritan’io
Pasteur ion y fanazavan’ny Pasteur ny sectes io. Nefa ny fiangonana lehibe
Katolika, Protestant, Lutheran ary Anglikana dia milaza fa izay rehetra
ivelan’izy ireo no atao hoe sectes.
Sequi = manaraka ny mpaminany vaovao
Secte = antoko iray na fikambanana iray nanangana antoko ka
misy olona manaraka azy
Famaritana ny Sectes, page 8: niandohany teny Sectes = Grika:
haeretisia, heresia, heretique.
Ao amin’ Testamenta Vaovao : haerestaii (matoanteny) = mifidy, tia
kokoa, mifamatotra amin’ zavatra iray. Hebreo 11.25
(Anarana) = haeresis: antoko na andaniny: Asa 24.25
(Mpamari-toetra) = haeretecos = ireo izay manao antokony na mitokana;
manao heresie.. Titosy 3.10
Page 9: ny sectes araka ireo dikan-teny fototra nahazoana azy ireo =
fihetsiketsehan’ny olona manaraka mpaminany iray sy ny fampianarana nefa
manaraka fombam-piainana hafahafa. Fisarahana amin’ fikambanana iray na
99 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fiangonana iray ny secte. 3) antokom-pivavahana izay miseho ho mpamaky
sy mpandinika ny Baiboly ary manaraka mpaminany iray.
Raha izany no famaritana dia ny Katolika ihany izany no tsy secte
Nieritreritra hoe asiana mafy amin’’ity definition ity ny sectes; nefa
miampanga tena ihany izy ireo.
Ny famintinana azy izany dia fikambanan’ireo niova fo ka manohitra ny
fiangonana ara-tantara ka manorina fiangonana vaovao. I Kristy dia toy
izany: Lozanareo ry fariseo sy mpanora-dalana, fasana madio ivelany, sy ny
sisa…
Teny Latina: Mpanoratra Protestant ihany. Sectus => sequi (tsy
mahaleotena, manaraka) / secar (manapaka ny fitohizana ho
samihafa); sectes = antoko, fikambanan’olona manaraka
fampianarana iray rehefa avy niendaka tamin’ toerana nisy azy
taloha.
Mitovy tsara izany ny famaritan’ny mpanoratra Protestant sy Katolika ny
teny hoe Sectes. Midika izany fa secte izany I Kristy, satria niendaka tamin’
Jodaisma. Sectes koa ny Protestant satria niendaka tamin’ Katolika. Ny
Apokalypsy izany dia torak’izany koa.
Mazava be ny famaritana ny Sectes ao amin’ Baiboly.
Asa 24.1-5: Ny nitsarana an’i Paoly teo anarehan’i Feliksa, sy ny
nifatorany roa taona tao Kaisaria.
1 ARY rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe
mbamin’ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay
nanambara tamin’ny mpanapaka ny niampangany an’i Paoly.
2 Ary rehefa nantsoina izy, dia niampanga azy Tertylo ka nanao hoe:
100 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
3 Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa
nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ny fankasitrahana
mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
4 Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, tratrantitra hianao, henoy
kely amin’ny faharetana izahay.
5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny
Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dàlan’ilay antoko atao hoe
Nazarena.
Vakio tsara ny andininy faha5: mpitari-dalana ny antoko atao hoe
Nazareana no niampangana an’I Paoly.
Peste no nilazan’ny Baiboly frantsay an’I Paoly. Secte Nazareana no
niampangana azy, tahaka ny aretina Peste, nanimba ny fiangonana
Jodaisma, tena ratsy fanahy mampikomy ny Jiosy rehetra eny rehetra eny.
Iza moa iio Nazareana io?
Matio 2:23: 23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna
atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany
hoe: ,,Hatao hoe Nazarena Izy.’’
I Jesosy no atao hoe Nazareana. Zava-doza amin’ fiangonana Jiosy I
Jesosy sy I Paoly satria sahy nilaza ny marina. Mihanjahanja eo daholo ny
fitaka nataon’ireo milaza azy fa fiangonana mitana fampianaran-drazana.
I Kristy dia niendaka tamin’ fivavahana teo aloha Jodaisma. Nitondra
fampianarana iray izy rehefa nifidy mpianatra 12, ary nanangana fivavahana
vaovao atao hoe Kristianisma. I Kristy dia naminany zavatra hafahafa
momba ny hahafatesany, hihaviany, momba Azy: Ny amboahaolo manan-
davaka, sy ny sisa, nivoaka avy tamin’ Ray Aho ary hiverina any amin’ Ray,
izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Tantaran’ny fiangonana tamin’ andron’I Kristy:
Asa 24.1-5:
101 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nitondra fahavoazana tamin’ fiangonana Jodaisma I Paoly satria
nanakorontana ny fivavahan-drazana ka tokony hofongorina.
Asa 24:14-15: 14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana
izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’Andriamanitry ny razako, sady
inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalàna sy ny mpaminany,
15 ary manantena amin’Andriamanitra aho, izay antenain’izy ireo koa, fa
hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.
Araka ny famelabelaran’I Pasteur R. James, ny Fampianaran’I Paoly =
fampianarana mitondra fikomiana sy fanakorontanana ary fahavoazana teo
amin’ fivavahan-drazana. Nanomboka nahafantatra ny antony nahafatesan’I
Kristy sy ny fitsanganan’I Kristy tamin’ maty I Paoly. Nandrara mafy
Asa 5:17-18: Ny namatorana ny Apostoly rehetra sy ny nitondrana azy
teo anoloan’ny Synedriona:
17 ARY nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra (izay
antokon’ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-trano-maizina.
Feno fialonana ny mpitondra fivavahana ara-tantara. Ny fahefan’ny
fanjakana no nentin’izy ireo nampiditra am-ponja ny Apostoly. Mbola misy
koa ankehitriny ny manana toe-tsaina tahaka ny Sadoseo, Fariseo,
miampanga ny mpaminany, manery ny mpitondra fanjakana hampiditra ny
Apostoly am-ponja.
Asa 5:25-30: 25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay
nataonareo tao an-trano-maizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-
kianjan’ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26 Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka
nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy,
fandrao hotorahany vato.
102 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ny Synedriona ireo,
ary ny mpisoronabe nanontany azy
28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra
amin’izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny
fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany
Lehilahy izany.
29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no
tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, Izay
novonoin’ny tànanareo nahantonareo teo amin’ny hazo.
Nitory an’I Jesosy ny Apostoly. Lotika ny fon’ny Jiosy raha nandre ny
fitoriana an’I Kristy satria namono an’I Kristy ny mpitondra fivavahana
tamin’’izany fotoana izany.
Tsy voatery ho famonoana mivantana no ataon’ireny mpitondra
fivavahana ireny ankehitriny, fa feno fialonana izy ireo ka mihendry
miampanga lainga.
Jaona 11:47-53: Ny nikendren’ny lehibe hamono an’I Jesosy.
47 ARY ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka
nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao
famantarana maro.
48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny
olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny
firenentsika.
49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’izany taona
izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty
hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
103 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’izany
taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny
zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
53 Koa hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
Naminany I Kaiafa mpisoronabe fa Jesosy dia ho faty mba hamonjena ny
firenena maro. Nialona ny lohan’ny fiangonana rehetra satria feno ny
fampianarana I Jerosalema iray vohitra. Torak’izany koa ny Apokalypsy izay
miely eran’I Madagasikara sy hatrany ampitan-dranomasina ary tsy zakan’ny
fiangonana sasany izany.
Tamin’ny andro taloha dia tsy nisy fiangonana afa-tsy Katolika. Nefa
mpivavaka avy tao amin’ Katolika ihany no lasa Protestant: nanohitra ny
mariologie (fanompoana an’I Maria), indulgence (famelan-keloka sandaina
vola), … Zava-doza ho an’ny Katolika izany satria lasa nihena ny olona
nanaraka azy. Torak’izany koa no mahasosotra ny fiangonana hafa amin’ny
fiangonana Apokalypsy izay sahy milaza ny marina.
APOKALYPSY TOKO FAHA 4
Ny seza fiandriana’ Andriamanitra
Apokalypsy Toko Faha-4: Fideran’ny any an-danitra an’Andriamanitra,
Mpanao ny zavatra rehetra.
1 REHEFA afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany
an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an’ny
104 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra
tsy maintsy ho avy rahatrizay.
2 Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho; ary indro seza
fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo
ambonin’ny seza fiandrianana.
3 Ary ny tarehin’Ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary
avana mitarehin’emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana
efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ireo seza fiandrianana ireo dia nisy
loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka
satroboninahitra volamena.
5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ny seza
fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia
Fanahy fiton’Andriamanitra ireo.
6 Ary teo anoloan’ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra
tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ny seza fiandrianana sy manodidina
azy nisy zava-manan-aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny
ivohony.
7 Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-
manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak’omby, ary ny zava-manan-aina
fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’olona, ary ny zava-manan-aina
fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8 Ary ny zava-manan-aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady
feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy
mitsahatra andro aman-alina izy manao hoe:
Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha,
Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
105 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
9 Ary raha ny zava-manan-aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana
ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, dia Izay velona
mandrakizay mandrakizay,
10 dia hiankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo ambonin’ny seza
fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin’Izay velona
mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satroboninahiny eo anoloan’ ny
seza fiandrianana ka hanao hoe:
11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray,
No mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery;
Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra,
Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
Apokalypsy1:3: “Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny; fa antomotra ny
andro.”
Ny fisehoan’ny Seza fiandrianana: misy Avana manodidina azy.
Ny mpaminany Ezekiela dia efa nahita azy io.
Tahaka ny Jaspa sy Karneola ny endrik’ilay mipetraka eo amin’ seza
fiandrianana.
Ezekiela 1:26-28:
Mitovy ny fahitan’I Jaona sy ny mpaminany Ezekiela ny seza
fiandrianana: Toy ny tarehin’ny Avana amin’ orana, mitarehin’emeralda ny
manodidina ny seza fiandrianana.
Iza koa no nahita ny seza fiandrianana ankoatry ny mpaminany Ezekiela?
Misy zava-manan’aina 4 manodidina io seza fiandrianana io:
Apokalypsy4:7:
Ezekiela 1:5,10:
106 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Sahala amin’ny tarehin’ Omby avy amin’ ny ankavia, olona avy amin’
ankavanana, liona avy eo anoloana, voromahery avy eo ivohony.
Apokalypsy4:8:
Feno maso avokoa ary manana elatra enina ny zavamanan’aina efatra.
Asa na ahoana no fomba fisehon’izany. Mba eritrereto hoe nisy zaza teraka
tao amin’ hopitaly tsy nitomany mihitsy izy raha vao teraka ary rehefa
nokapohin’ny sage femme dia nihiratra daholo maso be dia be amin’ny
vatan’ilay zaza ka torana mihitsy ilay sage femme.
Manana elatra enina ary feno maso ny zavamanan’aina efatra ary tsy
mitsahatra ny midera an’I Jehovah izy ireo:
Isaia 6:1-3:
Apokalypsy4:8:
Olona 3 samihafa tamin’ ny vanim-potoana samihafa no nahita io seza
fiandrianan’Andriamanitra io.
Apokalypsy4:4-
Misy loholona 24 mipetraka amin’ny seza 24, manao satro-boninahitra
volamena:
Nahoana no 24 no isan’ny Loholona mipetraka manodidina ny seza
fiandrianana?
1 Tantara 24:1-4: Ny nizarana ny mpisorona ho 24 toko: “Ary ny lohany
tamin’ireo dia …
Isa 12 + 12 = 24 = Zanak’Israely 12 sy ny Apostoly 12 ireo no
nandray ny famonjena ka mahazo seza fiandrianana,
Manao fitafiana fotsy = mivoaka mpandresy, niaina tamin’
fahadiovana sy fahamarinana.
107 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Natao batisan’I Kristy ary nivoaka Mpandresy ka mitafy an’I Kristy,
manao fitafiana fotsy = niara-maty sy niara-nilevina 3 andro sy 3 alina tao
am-pasana ary naira-nitsangana tamin’’I Kristy.
Ny amin’ny Loholona:
Tamin’ andron’I Kristy dia niampanga Azy ireo, mpamadika an’I Kristy,
fahavalon’ny fahamarinana ka mitondra ozona sy fandringanana.
1 Petera 5:1-5: Fananarana ny Loholona mba hanetry tena sy mahatoky:
Andriamanitra manohitra ny miavonavona fa manome fahasoavana ny
manetry tena.
Miandry ny ondrin’Andriamanitra amin’ fitiavana sy zotom-po fa tsy amin’
fitiavan-karena ny Loholona.
Atao ahoana ny Loholona izay manao tsara ny asany?
1Timoty5:17-18: Izay mikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana dia
tokony hajaina avo roa heny.
Na dia tsy mikarama aza ny Loholona dia tokony hajaina sy ampiana
mihitsy, mba omena sakafo kely izy na saran-dalana kely.
Nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana handroaka devoly sy
hanasitrana ny marary amin’ ny fametrahan-tanana ny Loholona. Raha mino
isika dia ho sitrana.
I Timoty4:13-14:
Natao hametra-tanana sy handroaka devoly koa ny Loholona, tsy tokony
hatahotra ny Loholona satria tsy izy no hanao asa fa Andriamanitra.
Tokony ekena ny tenin’ny Loholona ary hajaina izy ireo. Nomen’I
Jehovah seza fiandrianana, fitafiana fotsy ary satro-boninahitra tena
volamena izy ireo.
108 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy koa anefa ny Loholona sy mpisorona mitady ny fomba rehetra
hiampangana an’I Kristy sy niampangana an’I Paoly. I kristy dia ampangaina
ho filohan’ny sekta Nazareana. Misy Loholona izay tsy mahavita ny adidiny
fa milefa raha vao misy fivavahana ho an’ny marary, na fitorian-teny, ary
misy koa ireo mbola fatoran’ny sigara sy toaka, misy mbola miteny ratsy, na
mijangajanga, sns. Nefa na izany aza dia “Aza malaky miampanga
Loholona”, fa mahaiza manaja Loholona na dia manana fahalemena aza izy.
SATRO-BONINAHITRA:
Ny satro-boninahitra toy ny volamena sy ny tena
volamena
Iza no mahazo satro-boninahitra tena volamena?
2 Timoty4:7-8:
Misy ady tsy maintsy atrehina ka Izay miady tsara sy maharesy no
mahazo satro-boninahitra volamena. Misy ao amin’ ankohonana manohitra
tsy mahazaka ny hanarahana ny fampianarana ny Bokin’ny Apokalypsy, ary
na ny ao anatinao ao aza dia misy fanahy manohitra manakana anao tsy
hihaino ny fampianarana. Rehefa mihaino anefa ianao, na fanahin’ny
fanoherana aza ny ao anatinao dia ady tsara izay ka raha mandresy ianao
dia hahazo ny satro-boninahitra. Mitahiry ny finoana ny mpandresy. Misy
mazoto sy mafana fo amboalohany ny mpianatra ny bokin’ny Apokalypsy,
misy kosa nefa maharitra hatramin’ farany. Misy lavo raha vao voakitikitika
ny tombontsoa ara-nofo sy firehana ara-pivavahana efa ninoany hatrizay.
1 Korintiana 9.24-27:
Ny Apostoly Paoly dia efa nanambara fa ny mpihazakazaky ny tany dia
iray ihany no mahazo loka, dia izay mahavita fanomanan-tena, mahafady
109 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
toaka, sigara, mifady hanina be menaka loatra, mifoha maraina manoman-
tena tsara mialohan’ny fotoana hanaovany course. Nefa satro-boninahitra
mety ho lo ihany izany.
Ny antsika kosa dia mamaky tenin’Andriamanitra, mivavaka ho an’ny
hafa, mampianatra Soratra Masina, mandroaka devoly, manampy amin’ny
ezaka fanorenana fiangonana, fitoriana teny, fanaovana asa soa sns.
Mila miezaka hatrany fa sao dia mitory amin’ hafa ianao nefa tsy
mahatanteraka ny fanomanan-tena sy fanahy ataonao handraisanao
ny satro-boninahitra tena volamena sy ny fitafiana fotsy. Ka rehefa
tong any fotoana hahafatesanao dia ho sahy hilaza ianao fa efa
nahatanteraka ny hazakazaka sy nahavita ny ady tsara nampanaovina anao.
Efa vitanao ve ny adinao?
1 Korintiana 9.13-14:
Apostoly Paoly dia tsy sahy nirehareha fa nahavita ny adiny; miezaka
hatrany izy ny hihazona izay nihazonan’I Kristy Jesosy azy ka manohy ny
ady hatrany hatrany isan’andro. Tsy hoe vita ny fitorian-teny manerana ny
Nosy dia vita ny hazakazak’I Pasteur, fa mbola maro no mila ny
fanampianao eny fa na dia ny any am-pitan-dranomasina any aza.
Tsy ny hifanaratsy sy hifanenjika amin’ fiangonana hafa na mpanompon’
Andriamanitra, na ny fankahalana sy avonavona akory no ady nasain’ny
Tompo hataontsika. Fandriky ny devoly izany ka azon’ny devoly sambo-
belon izay manao an’izany.
Ny Satro-boninahitra TOY NY volamena:
Apokalypsy 9.5-7:
Na isika izany mahazo satro-boninahitra tena volamena, na isika mandray
ny satro-boninahitra toy ny volamena.
110 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jakoba 1.12: Sambatra izay maharitra fakam-panahy fa rehefa voazaha
toetra izy dia hahazo ny satro-boninahitry ny fiaianan izay lazain’ny Tompo
homena izay tia azy.
Fakam-panahy amin’ny : vola, vehivavy, lehilahy, zava-pihinana sy
fisotro
1 Kor.10.13:
Tsy hamela antsika ho azon’ny fakam-panahy mihoatra izay zakatsika
anefa Andriamanitra. Asiany lalana ahafahantsika mahazaka sy manohitra
ny fakam-panahy foana rehefa mametraka ny fianantsika eo ampela-tanany
isika. Tsy hanome izay tsy zakan’olombelona akory Andriamanitra.
Jakoba 1.13-14:
Tsy Andriamanitra akory no maka fanahy. Andriamanitra tsy mba
azon’ny ratsy alaim-panahy sady tsy maka fanahy. Fa ny fakam-
panahy rehefa tsy toherina dia miteraka filana; ary ny filana rehefa
torontoronina dia miteraka ota; ny ota miteraka aretina, fankahalana sy
fahafatesana.
Ny Loholona voalazan’ny Apokalypsy dia naharitra fakam-pahany ary
voazaha toetra ka nandray satro-boninahitra tena volamena.
Misy koa ny fampianarana toa marina izay miteraka fahadisoan-kevitra sy
fahaverezana:
Kolosiana 2.4-5:
Ao amin’ Kristy ao daholo ny fototry ny famonjena. Mandehana mandray
an’I Kristy ka mamaka tsara sy tafa-toetra tsara ary miorina amin’ finoana
an’I Kristy.
Kolosiana 2.6-8:
Mitandrema isika amin’ny fampianarana toa marina entin’ny filozofia sy
ny famitahana foana araka ny fampianarana voatolotry ny razana sy ny
abidiam-pianaran’izao tontolo izao.
111 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Sedrao daholo ny fampianarana toa marina rehetra mba tsy
hahavoafitaka anao. Tsy maintsy manana asidra ianao hisedranao ny satro-
boninahitra toa volamena atolotr’ireo mpamitaka ireo.
Kotrokorana sy feo sy ranomasina fitaratra, zava-mananaina
efatra:
Apokalypsy 4.5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy
tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza
fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo. 4.6 Ary teo anoloan'ny
seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly;
ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-mana-
aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
Mikotroka be sy mitselatra be ny eo anoloan’ny seza fiandrianana io.
Tamin’ andron’ny zanak’Israely dia mipararetra sy matahotra mihitsy rehefa
mandre io kotrokorana io.
Exode 19.9:
Feo sy helatra sy kotrokorana ary rahona matevina, feon’anjomara,
nivoa-tsetroka ny tendrombohitra ary nihorohoro ny olona.
Exode 20.19-20:
Tora-kovitra ny olona raha nadre ny kotrokorana ary nahita ny helatra sy
ny tendrombohitra nivoa-tsetroka. Rahona matevina . aza mba hipoahan’ny
varatra ihany ianao fa tena mahafaty eo no ho eo mihitsy. Courant firy volte
mihitsy iny varatra iny. Koa mainka moa fa izany seza fiandrianana izany.
Apokalypsy4:6:
Nisy jiro fito koa eo anoloan’ny seza fiandrianana.
Jiro = Fanahy Masina => manome hafanana ny afon’ny Fanahy Masina.
112 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy mahazaka mihitsy ny olona manana fanahy tsy izy rehefa
potsipotserina ny sain-dalin’I Satana sy ny secret n’io Fanahy Masina io. Tsy
maintsy fantarina hoe maninona no atao hoe “Fanahy Fito” izy io?
Apokalypsy5.6:
Apokalypsy1.4b:
Mbola tamin’ ny Apokalypsy toko voalohany dia efa nipetraka io Fanahy
Fiton’Andriamanitra io. Miseho amin’ny alalan’ny jiro fito izy io.
Eo amin’ toko faha 5 koa dia miseho io Fanahy Fiton’Andriamanitra io.
Entina mandroaka devoly koa io Fanahy Fiton’Andriamanitra io.
Isa fito = fahafenoana.
Ranomasina fitaratra tahaka ny vato kristaly = vahoaka
mpandresy Nosasaina tamin’ ran’ny Zanak’Ondry ny fitafiany ary mandray
fitafiana fotsy sy satro-boninahitra tena volamena. Izany no antony
ianarantsika ny bokin’ny Apokalypsy, mba ho tena mpandresy tokoa isika.
Inona indray no sary asehon’ny zava-mananaina efatra?
Apok4.7-11: 4.7 Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona,
ary ny zava-manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-
manan-aina fahatelo dia nanana tava tahaka ny tavan'olona ary, ny zava-
manan-aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina. 4.8 Ary ny zava-
manan’aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny
tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro
aman-alina izy manao hoe:
Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy
ankehitriny ary ho avy.
4.9 Ary raha ny zava-mana-aina hanome voninahitra sy haja ary
fisaorana ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananana, dia Izay
113 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
velona mandrakizay mandrakizay, 4.10 dia hiankohoka eo anoloan'Izay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona* efatra amby roa-
polo ka hivavaka amin'Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny
satroboninahitra eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:
4.11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny
voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra,
ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
Ezekiela 1.5,10:
Efa nasehon’I Mpaminany Ezekiela koa io zava-mananaina efatra io.
Maninona no efatra fa tsy 24 ohatra? Maninona no liona sy zanak’omby sy
zanak’olona ary voro-mahery. Misy filaharany koa ireo fa tsy alefalefa foana
akory.
Misy sary sy hevi-panahy asehon’ireo zava-mananaina ireo.
Liona = mpanjakan’ny biby. Sarin’ny Liona = maneho mpanjaka.
1. Ny Hevi-panahin’ny Liona:
Liona = maneho an’i Kristy amin’ny maha-mpanjaka azy.
Apokalypsy5.5:
Apokalypsy22.16: Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo
ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida,
ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
I Kristy no asehon’io Liona io.
Apokalypsy17.14:
114 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny Liona dia haharesy ny fahavalony rehetra, handresy ny 666 na bibidia
. ireo olona miaraka amin’ zanak’ondry ireo dia olona voaantso sy voafidy.
Ohatra misy Pasteur, mpiandry, masera, olona mamo-lava, saofera,
direktera, mpitondra fanjakana,, ben’ny Tanana sns mihaino izao
fandaharana izao. matoa mihaino dia voaantso. Fa ny olom-boafidy dia
vitsy satria tsy izay rehetra voaantso akory no voafidy.
Fa rehefa ny fanahin’ny fanoherana no manjaka ao anatinao izay mihaino
dia lasa tanteraka amintsika ity faminanian’ny Mpaminany Isaia ity:
Isaia 6.7-10:
Olona maro no handre mandrakariva nefa tsy hahalala satria tsy voafidy
izy fa nantsoina fotsiny. Lasa mivadika adala ny fony satria idiran’ilay fanahy
manohitra izy. Mahita ihany izy fa tsy mahafantatra satria tsy tafiditra ho
anisan’ny olom-boafidy izy ireny. Milaza izy raha mahita fahagagana fa
mazia ireny, demonia ireny,…
Ny olona mahiratra tahaka ny Mpisorona sy Mpanora-dalana sy ny
Loholona dia mahita mandrakariva ihany fa tsy mahalala. Ilay jamba
nampahiratina kosa dia tsy nilaza fa tsy fantatro izany fa ny fantatro dia
jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho ankehitriny.
Matio 22.14: 22.14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina.
Tsy maintsy mahatoky ilay vahoaka voafidy mba handraisana ny satro-
boninahitra tena volamena. I Kristy no Mpanjakan’ny Mpanjaka io izay
manjaka mandrakizay mandrakizay.
Apokalypsy11.15: 11.15 Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy
tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa
lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay
mandrakizay.
115 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1 Petera 5.8-9: 5.8 Mahonôna tena, miambena; fa ny devoly
fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay
harapany;
5.9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana hianareo, satria
fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra
eran'izao tontolo izao.
Liona = Kristy mpamonjy, mpanavotra, tenin’Andriamanitra,
mpandresy,…
Miseho amin’ny endrika Liona koa ny devoly. Mahay maka endrika
isankarazany ny devoly, maka ny endriky ny olona efa maty izy. Izy koa dia
maka ny endriky ny Liona miherona mitady izay harapany. Miasa amin’ ny
fiteny tsy fantatra koa ny devoly. Tsy mba manao fizahan-toetra ny fanahy
akory ny olona sasany, fa izay rehetra milaza fa miteny amin’ fiteny tsy
fantatra dia lazainy fa hoe Fanahy Masina io.
Tsy manao fanatitra kisoa izany ny devoly, satria manao copie ny
fomban’Andriamanitra izy. Anisan’ny biby maloto ny kisoa. Ny ondry, omby,
osy na akoho no fanao fanatitra ho an’Andriamanitra. Dia toy izany koa ny
devoly izay maka tahaka izany. Tempolin’Andriamanitra ny tenantsika, ka
tsy tokony hampidirana na hihinanana biby maloto. Raha araka ny
eritreritrao, dia iza ary no atao hoe masina: ny doany sy tempolin’ny sampy
ve? sa ny tenanao izay tempolin’Atra?
Etsy andaniny koa, raha ohatra hoe mitory filazantsara ny zanak’
Andriamanitra dia mba manao koa ny devoly fa avadiny ny azy. Ohatra hoe,
raha manazava Apokalypsy ny zanak’ Andriamanitra dia mba manao
mitovitovy amin’izany koa devoly, ka manao fampianarana toa marina. Tsy
mahagaga izany satria efa mpangala-tahaka hatramin’ andron’I Jesosy ny
devoly sy ny mpanara-dia azy. Ka raha tsy mahay tsara isika ary raha tsy
116 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mangataka tari-dalana amin’ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny Soratra
Masina dia ho voafitany tokoa. Tahaka ireny mpivarotra manao piraty ireny
ireo devoly sy mpanara-dia azy mamitaka ireo.
Tsy azo ampidirana zava-maloto ny tempolin’
Andriamanitra. Izany no andraran’ Andriamanitra
antsika tsy hihinana biby maloto. (Levitikosy 11).
Misy nefa olona te hihinana biby maloto toy ny
kisoa sy ireo biby maloto samy hafa anaty
ranomasina ka milaza fa “madio avokoa ny
zavatra rehetra.” Raha izany no izy, dia maninona
ary izy ireny no tsy mihinana alike, voalavo, sy ny biby hafa maloto ireny?
Naninona no tsy nodiovin’ Andriamanitra koa ny alika ka azo ohanina raha
milaza ianareo fa efa nodiovin’ Andriamanitra avokoa ny biby rehetra ?
Maka tahaka ny zavatra rehetra ataon’Andriamanitra ny devoly. Izany no
antony ilaintsika ny Fanahy Fiton’Andriamanitra mba hanavahana ny fanahy
rehetra, fandrao isika dia ho voafitaky ny fanahy ratsy ka hanaonao foana.
2. Ny hevi-panahin’ny Zanak’omby:
Nahoana no zanak’omby? Rehefa misy fifaliana any an-danitra dia
mamony zanak’omby mifahy.
Biby atao fanatitra = famelan-keloka amin’ ny rà alatsaka.
Ireo biby tokony hatao fanatitra:
Levitikosy 1.1-2: 1 ARY Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao
amin'ny trano-lay fihaonana hoe:2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe:
Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia
omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
117 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
3 Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no
hateriny; eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany
azy, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy.
Omby tsy misy kilema tsy misy aretina no atao fanatitra izany mba
hankasitrahan’ Andriamanitra.
Hitantsika amin’ tantaran’ny zanaka adala ny fampiasana zavatra tsara
indrindra:
Lioka 15.22-25: 15.22 Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe:
Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary
asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
15.23 ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika
hihinana sy hifaly; 15.24 fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa
very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
Ao amin’ Apokalypsy dia misy betsaka manambara fiaraha-misakafo
indrindra izay maharesy.
Raha misy mpanota iray mibebaka dia mifaly ny mponin’ny lanitra iray
manontolo. Indro ny mpanota iray iringiriny miova fo sy mibebaka; ka mifaly
ny mponin’ny lanitra iray manontolo.
Ilay zanaka adala dia te hanao izay danin’ny kibony ka nandray ny anjara
lovany ary naniry handeha hahaleo tena. Rehefa ela dia resy lahatra ny
rainy ka lasa ilay tovolahy nandany ny fananany rehetra, ary voatery
niandry kisoa rehefa lany ny fananany.
Lioka 15.
Resy tamin’ny fiainana ilay tovolahy. Ny Jiosy dia nihevitra fa izay
faraidiny indrindra no lasa mpiandry kisoa. Nefa ny kisoa mihinan-kanina,
mihinana varin-dolana, vary masiso. Tsy misy kisoa mihinana hanim-
pitoloha, na sakafo mafilotra, na koa mipetraka ao amin’ ny seza ao an-
trano fandraisam-bahiny, sns. Ny fomba fiainana sy sakafon’ny kisoa dia
118 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
maloto, rano maloto no ilomany. Ilay zanaka adala koa dia naira-niaina
tamin’ny kisoa. Nefa rehefa nody ny sainy dia niainga izy ka nody tamin’
rainy. Ary faly ny rainy raha nahita azy:
“Aoka isika hihinana sy hifaly fa inty zanako ity dia efa maty ka velona
indray, ary efa very ka hita indray.” Tsy mba kapoka naharary tamin’ny hazo
be na karavasy no niandrasan-drainy azy, fa zavatra mifanohitra
amin’’izany, dia fifaliana sy hanim-pitoloha tokoa. Soa lavo hahay mamindra.
Raha tsy nisy fahavoazana mahazo ilay zanaka adala, ka nahatonga azy ho
mpiandry kisoa dia tsy tonga saina mihitsy izy. Mafy izany hoe ianao
manana diploma be sy zanaka mpanan-karena sy olona ambony, nefa dia
lasa mpiandry kisoa.
Lioka 15.17-21: 15.17 Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy! Maro
ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty
mosary eto! 15.18 Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy
hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho15.19 ka
tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray
amin'ny olona karamainao aho. 15.20 Dia niainga izy ka nankany amin-
drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka
nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. 15.21 Ary ilay
zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo
anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony.
Io ilay fibebahana amin’ fo manontolo. Nialany ny kisoa nandrasany.
Hevi-panahin’ny miandry kisoa:
Isanandro dia toaka no sotroinao. Izay rehetra manandevo anao na toaka
na sigara na paraky, na filma vetaveta, lamaody, sns, dia io ilay miandry
kisoa. Mahavita mandany andro mijery sy mamaky tantara lainga sy filma
119 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
vetaveta ireny, nefa raha ny hitady an’ Andriamanitra sy ny
sitrapon’Andriamanitra dia tsy mety hanao izany. Ny kisoa dia tena biby
maloto tsy mahasoa ary manimba tanteraka, mitondra aretina ny fihinanana
azy. Mihinana maloton’ olombelona ny kisoa. Rano maloto no fisotrony, ary
zavatra masiso no sakafony. Misy Pasitera na mpitondra fiangonana
(mpitondra fivavahana) tsy mety miala amin’ kisoa ary manamafy ny fony
ka mangata-bavaka tokoa mba hihinanana kisoa. Ary isanandro izy ireny dia
mampirisika ny mpivavaka ao aminy hihinana kisoa. Nefa biby maloto ny
kisoa ka tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany ny fihinanana azy. Tsarovy fa
ny fanahy maloto noroahin’I Jesosy tamin’ilay demoniaka dia nalefany
tamin’ny kisoa.
Ny olona tonga saina dia mandray fanapahan-kevitra miala amin’’io kisoa
io. Miala amin’ny fanandevozan’ny kisoa sy izay rehetra manadevo azy. Ny
olona tsy tonga saina dia tsy mety miala, ary ny fivavahana mikitikitika ny
fihinanany kisoa sy ny fiompiany kisoa dia laviny tanteraka.
Manana peratra sy ankanjo tsara indrindra Jehovah Andriamanitra
homena anao rehefa miala amin’ ny fiandrasana kisoa ianao. Na
mpangalatra ianao, na mpimamo lava, na mpanao tokantrano maso, na
mpijangajanga na mpanompo sampy, dia tsy manameloka anao
Andriamanitra, mety handatsa anao ny manodidina anao sy ny namanao.
Nefa raha mibebaka marina ianao ka miala amin’ ny fanandevozana sy ireo
zavatra manandevo anao dia vonona hamela anao Andriamanitra. Hanampy
anao Izy raha mangataka aminy ianao. Raha manaiky hatao batisa ianao ary
esorina ny fitafian-kisoa nanaovanao ka hosoloina vaovao dia tsy mandatsa
na manameloka anao Andriamanitra. Ary hovonoina ny zanak’omby mifahy.
Hanome peratra ho anao izy, mariky ny fanambadiana izany dia ny
fampakaram-badin’ny zanak’ondry.
120 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
3. Hevitra ara-panahy tavan’olona:
Genesisy 1.26-28: 26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika
hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy
hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy
ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na
mikisaka amin'ny tany.
Andriamanitra raha namorona ny olombelona dia lahy sy vavy ary tahaka
ny endrik’Andriamanitra izany. Ka izany no nahatonga ny zava-mananaina
iray tahaka ny endrik’olombelona. Nisy gazety iray nampiseho sarin’olona
roa loha, n aloha iray fa vatana roa, olona manana loha-kisoa (Mr. Le Porc).
Izany aloha dia tsy endrik’Andriamanitra izany.
Nahoana ary Andriamanitra no nahary olona fotsy, mena, mavo, mainty,
bobo? Ny endrik’Andriamanitra ary ve izany toute couleur toy izany? Ary ny
endritsika koa dia misy njola maso, be maso, be molotra, ranga sofina, lava
sofina maranitra, volo ngita, tsotra, olioly, sns. Nahoana ary no samihafa toy
izany ny endrik’olombelona? Maro ihany koa ny mponina ka tsy velona
intsony ka ferana koa ny isan-jaza?
Tsy mitombina mihitsy raha hoe I Adama sy Eva dia niteraka zanaka
samy hafa loko avokoa, ka ny zanany voalohany mainty, faharoa, tena
mainty tanteraka, fahatelo fotsy, fahaefatra maron, ary ny sasany dia mavo,
mena, … Voalazan’ny manam-pahaizana fa I Adama sy Eva dia 3 metatra
mahery, 500 – 900 taona vao maty, fa amin’’izao kosa dia 50 – 80 taona,
misy olona 2 m, misy 1 m, misy 50 cm?
Nihavery ilay endrik’Andriamanitra vokatry ny fahotana. Misy olona tsy
ahitana endrika tsara izany, fa tena ratsy. Misy be orona be, misy lava
121 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
saoka, lava nify mampatahotra toy ny hanaikitra ary hatao ao aloha
mahamenatra, orona toy ny tongolo gasy, sns.
Izay no antony nanavotan’I Jesosy ny olona tamin’ny ràny mba
hampiverina io endrik’Andriamanitra very io. Nodioviny tamin’ny rany isika
ary io no nanamarinana antsika ka tsy misy fanamelohana ao aminy. Ny
endritsika nefa dia ao ihany na dia nodiovina tamin’ ran’ny zanakondry aza
isika. Fa rehefa tonga amin’ ny fiainana mandrakizay kosa isika vao hovàna
io endritsika io.
1 Kor.15.51-53: Tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, ary hovana isika
rehetra, nhy mety lo hitafy ny tsy fahalovana, ny mety maty hitafy ny tsy
fahafatesana.
Tsara tarehy daholo ny olona taloha, lava ary manam-pahaizana sy
fahendrena. Ankehitriny kosa na ny fifananjana eo amin’ ray aman-dreny sy
zanaka dia tsy misy intsony, ny fihavanana dia very fa aleon’ny olona
manompo ny vola, very ny soatoavina Malagasy, sns.
2 Timoty 3.1-7: Ny amin’ fihemorana any am-parany:
Any am-parany any, ny olona dia ho tia tena, ho tia vola…
Ka tsy maintsy miseho I Kristy asehon’ny Liona eo amin’ seza
fiandrianana, ny zanak’omby hatao fanatitra hanadiovana ny olona vokatry
ny fahotany, toy ilay zanaka adala maimbo tsy nisasa firy volana na firy
taona, misy parasy lafirika sy vakivaky, ny volo tsy mibango. Nefa rehefa
nody ny sainy ka niverina tao amin’ rainy izy dia nasiana peratra sy kappa
ary ankanjo tsara tarehy.
Very ny endrika sy sain’Andriamanitra fa lasa maloto saina, mihinana biby
maloto ary maloto fo noho ny fahaverezan’ny endrik’Andriamanitra io.
122 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Namindra fo Andriamanitra ka nandalo ilay Liona nanafaka, namela heloka
nanadio, ary namerina ilay endrik’Andriamanitra.
4. Hevi-panahin’ny Voro-mahery:
Joba 39.27-29:
Ny voromahery = Manao ny ankaniny eny andringiringy, izany hoe eny
an-tampon’ny tendrombohitra vato lehibe izay tazana avy alavitra, ary
Mahatsinjo lavitra ny masony. Mahita ny zavatra rehetra eny ambany, sady
manalehibe izay hitany avy alavitra eny izy. Ny mason’Andriamanitra dia
mahita izao tontolo izao, mahavaky ny am-po sady mahita ny miafina .
Joba 28.23-24:
Mitsinjo hatramin’ ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao
amban’ny lanitra reherta izao Andriamanitra. Sary anehoana fa rehefa
novidian’I Kristy tamin’ rany isika dia ny mason’Andriamanitra no mitsinjo
antsika avy eny alavitra eny, hitan’Andriamanitra ny feonao mitaraina
marary io, main’ny varatra, misy cancer, sepotry ny kohaka, vay sy fery
amin’ tena manontolo, hitan’Andriamanitra ireny ary manana faharetana fa
hitsinjo anao izy.
Ny karazana satellite any ambony tsy taka-maso any 20.000 km dia
afaka maka sary any amin’ 1m miala amin’ tany. Ny Amerikana dia afaka
manao izany. Izay tsy mahalala izany dia tsy mino izany. Na ny zavatra any
ambanin’ny tany aza dia azon’io alaina sary. Tsy hita avy ety ivelany ny
zava-miafina, fa rehefa jerena amin’ rayon laser dia hita miharihary avokoa
izay rehetra ao anatin’ny conteneur hitondrana entana. Hita amin’ camera
raha misy basy na tanky na fitaovam-piadiana. Koa mainka va fa ny
mason’Andriamanitra no tsy hahita ny zavatra ataontsika. Manidrona toy ny
sabatra roa lela ny tenin’Andriamanitra ka mampisaraka hatramin’ aina.
123 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mahatsinjo lavitra Andriamanitra, mahita ny miafina ary mandamina tsar any
hoavy sy izay momba antsika.
Apokalypsy 4.8:
Feno maso avokoa ny tenany rehetra hatrany anatiny ka hatrany
ivelany = hitan’Andriamanitra avokoa ny zavatra maizimaizina
ataontsika amin’ miafina. Ohatra I Ananiasy sy Safira izay nangalatra ny
vola vidin’ny tany namidiny, ka nanafenany ho azy ny vola vidin’ny tany.
Asa 5.1-11:
Nandainga tamin’ Andriamanitra I Ananiasy fa tsy nandainga tamin’
olona. Niray tetika haka fanahy ny fanahin’ny Tompo izy ka niankarapoka
tamin’ tany maty izy mivady. Tsy I Petera no nahita azy fa Andriamanitra.
Be dia be koa ny mpanisa rakitra miray tetika mangala amin’ vola harotsaka
hanaovana ny asan’ny Tompo. Inona ny zavatra miandry azy ireo? Tena
fahafatesana satria mandainga amin’’Andriamanitra. Mila mandeha amin’ny
fahatsorana isika ary mibebaha malaky amin’ Andriamanitra fa zava-doza io.
Feno maso daholo ny tenan’ny zava-mananaina efatra ka mahita ny miafina
rehetra izy. Fantatr’Andriamanitra avokoa ary hitan’ny masony ny
ataonao rehetra na tsara na ratsy.
Manome fisaorana an’Andriamanitra tsy mitsahatra ny zava-mananaina
efatra ka manao hoe Masina Masina sady miankohoka no mivavaka. Ny
loholona koa dia manetry tena ka manala ny satro-boninahitra milaza fa tsy
mendrika aho Andriamanitra o! tsy hita maso Andriamanitra, ary tsy mahita
Azy isika. Fa ny fanahy masina no mahavaky ny eritreritsika sy ny
fisainantsika io ka mampiteny ny mpanompony mba hibebahantsika hiala
amin’ny tsy fahamendrehana sy fahotana rehetra.
Apokalypsy toko faha-5
124 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny ràn’ny Zanak’ondry
Apokalypsy 5
5.1 Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony,
voapetaka mafy tamin'ny tombokase fito, teo an-tànana ankavanan'Ilay
nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
5.2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy
hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
5.3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny
tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
5.4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny
boky na hijery azy.
5.5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* nanao tamiko hoe: Aza
mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen' i Joda, dia ny Solofon'i
Davida no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny
fito.
5.6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-
manan-aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry
nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny
Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
5.7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tànana ankavanan'Ilay
nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
5.8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manan-aina efatra sy ny
loholona,* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny
Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo
manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
5.9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe:
Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa
voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona
125 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona
ary ny firenena rehetra;
5.10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ireo;
ary manjaka ambonin'ny tany izy.
5.11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza
fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona,* ary ny isany dia
alinalina sy arivoarivo,
5.12 nanao tamin'ny feo mahery hoe:
Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy
harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
5.13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety
ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina
mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe:
Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny
Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny
fanjakana mandrakizay mandrakizay.
5.14 Ary ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona*
dia niankohoka ka nivavaka.
Maneho hevitra ara-panahy momba ny
tantaran’ny fiangonana ny famahana ny
tombo-kase. Ny tombon-kase fahafito dia
tsy vahana raha tsy amin’ny Apokalypsy
toko faha 8.
Famahana tombo-kase = mivoha ilay varavarana, miseho ny
mazava
Daniela 12:4:
126 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nasaina tombo-kase ilay taratasy ka tsy nahazo novahana raha tsy efa
antomotra ny andro farany. Maro no hazoto handinika ny Soratra Masina ka
hitombo fahalalana. Rehefa tapitra ny bokin’ny Apokalypsy 22:10 dia milaza
hoe Aza asiana tombo-kase ny teny fa antomotra ny andro.
Izay no nampitomany an’I Jaona tao amin’ny Apokalypsy faha5 satria tsy
hita izay hamaha ny tombo-kase.
Ny Zanak’ondry irery ihany izay efa voavono no afaka mamaha ny
tombonkase fito. Iza moa ny Zanak’ondry io? Ary ahoana no ahafahany
mamaha ny tombonkase?
Ny Ràn’ny Zanak’ondry:
Apok.7.13:
Nanasa ny fitafiany tamin’ Ràn’ny Zanak’ondry ireo Loholona eo
anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.
Ny ràn’ny zanak’ ondry no ahazahoana manadio ny fitafiana izay
voaloton’ny fahotana, ary izany no ahazahoana famonjena sy
famelan-keloka. Jesosy Kristy no tandindon’ny Zanak’ondry novonoina
tamin’ andron’ny zanak’Israely.
Zanak’ondry tamin’ andron’ny zanak’ Israely:
Tamin’ andron’I Abrahama izay nasain’Andriamanitra nanao fanatitra
an’Isaaka zanany.
Gen.22.1-3:
Zanany tiany lahitokana io Isaaka io. Efa nanana an’I Ismaela ilay zanany
tamin’ mpanompovaviny Hagara izy talohan’io. Nefa ny teny fikasana dia tsy
nomena azy io fa nomena an’I Isaaka zanak’I Abrahama sy Saraha ihany.
127 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Zaza nampihantain’I Abrahama mihitsy Isaka satria lahitokana. Nefa io no
nasain’I Jehovah hatao fanatitra ho Azy. Tsy nifanditra tamin’’I Jehovah izy
fa nanaiky avy hatrany.
Gen.22.10-13:
Tsy navelan’I Jehovah hamono ny zanany I Abrahama fa nizaha toetra
azy ihany izy raha nanao izany. Nomen’I Jehovah ondrilahy Izy.
Gen.22.
Nanao fanekena tamin’ Abrahama I Jehovah ary nitso-drano azy satria
nanaiky ny tenin’Andriamanitra izy.
Jaona 3.16-17:
Tandindon’ny Zanaka tian’Andriamanitra indrindra I Jesosy izay natolony
hovonoina hamonjy izao tontolo izao tahaka ny nanoloran’I Abrahama
an’Isaka zanany ho an’I Jehovah izany. I Jesosy no nanolotra ny ainy mba
ho sorona hanao fanavotana hanafaka ny olona amin’ fahotana sy
fahafatesana mba hananany fiainana mandrakizay.
Nanaovana lalana tamin’ andron’ny zanak’Israely isan-taona ny
famonoana zanak’ondry ary ny ràn’ny Zanak’ondry dia hatao amin’ tolana
ary izay tsy manao izany dia ho ringana ny lahimatoa rehetra. Mba ho
fanavotana ny zanak’Israely rehetra izany ho afaka amin’ fandringanana ny
lahimatoa ny Ràn’ny Zanak’ondry.
Eksodosy 12.1-2:
Eksodosy 12.5-6:
Eksodosy 12.11-14: Ary izao no hataonareo raha mihinana azy:
Vonoina alohan’ny andro Paska ny zanak’ondry. Ny ra no
famantarana hiarovana ny zanak’Israely rehetra. Nifarana tamin’ Paska
tamin’ herinandro namonoana an’I Kristy ny famonoana ondry. Jesosy
indray no Zanak’ondry novonoina rehefa tonga Izy.
I Jaona 1.29-30:
128 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Miaro antsika amin’ loza rehetra ny ràn’ny Zanak’ondry. Kristy io
Zanak’ondry nalatsa-dra io mba ho fanavotana ny maro. Tsy maintsy misy
ra latsaka rehefa novonoina Izy.
Jaona 19.14-16:
Hevitry ny rà latsaka:
1.Manadio sy Famelan-keloka
Hebreo 9.22:
Rà latsaka = fanadiovana, famelan-keloka.
Ny ankanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ràn’ny Zanak’ondry.
Vavaka: sasao amin’ ràn’ny Zanak’ondry aho mba ho afa-keloka. (Satria
nanota isika)
2.Manamarina antsika
Romana 5.8-9:
Ràn’ny Zanak’ondry = manamarina antsika.
3.Manamasina
Hebreo 13.12:
Ràn’ny Zanak’ondry = manamasina ny olona.
Rehefa tontosa ireo rehetra ireo dia vita ny famonjena antsika.
Isaia 59.1-3:
Ota = efitra fisarahana amin’’ Andriamanitra => Tsy mihaino Izy
4.Mampihavana antsika amin’’ Andriamanitra.
Kolosiana 1.20:
129 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ràn’ny Zanak’ondry = mampihavana antsika amin’ Andriamanitra.
Na dia ny firenena hafa aza dia mahazo ny famonjena, fa tsy ny
zanak’Israely ihany akory. Taloha dia ny firenena Israely ihany no mahazo
famonjena. Fa rehefa maty Kristy dia rava io efitra mampisaraka ny rehetra
amin’ Andriamanitra io.
Apok. :
Ny firenena sy fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny no hanompo an’I
Jehovah.
Efes.2.11-18:
Ny Jentilisa sy hafa firenena dia tsy mba isan’ny teny fikasana. Fa noho
ny ràn’ny Zanak’ondry no mahatonga ny famonjena ho an’ny rehetra.
Efes.2.14-18:
Misy lalana mipetraka mihitsy fa tsy mahazo miray amin’ hafa firenena ny
zanak’Israely. Rava ny efitra mampisaraka rehefa tonga I Kristy.
Efes.2.15:
Nisy didy natao hotandremana, dia tsy mahazo mifampiraharaha ny Jiosy
sy Jentilisa, fa tao amin’ny nofony no nandravana ny fandrafiana. Sarotra
raisina ny filazantsara torian’I Apostoly Paoly. Milaza izy fa misy didy sy
lalana mapisaraka ny Jiosy sy ny hafa firenena, fa rehefa tonga I Kristy dia
nandrava io fisarahana io izy rehefa maty teo amin’ hazo fijaliana.
Fa na iza na iza natao batisa tao aminy dia mitafy an’I Kristy ka
lasa taranak’I Abrahama koa, tsy ara-nofo akory fa ara-panahy. Tsy
misy intsony na andevo na tsy andevo, na Jiosy na Jentilisa, …
Galat.3.27-29:
Apok.7.9-15:
130 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nandrava ny efitry ny fisarahana teo amin’ Jiosy sy Jentilisa I Kristy
tamin’ nandatsahany ny rany. Tsy mila mikonfesy intsony fa tonga dia afaka
manandratra vavaka amin’’Andriamanitra avy hatrany.
Apok.5.9-10:
Ny ranao no nanavotana …
Nitondra biby ny zanak’Israely hatao fanatitra ary nikonfesy teo amin’
mpisorona milaza ny fahotany rehetra.
Fa rehefa tonga I Kristy dia tsy mila mitondra biby hovonoina intsony, tsy
mila mikonfesy amin’ Mompera na Pasteur intsony.
I Jaona 1.7-9:
Izay mitsotra ny helony ka mandeha amin’ mazava dia voadio amin’
ràn’ny Zanak’ondry ho afaka amin’ ota rehetra isika.
APOKALYPSY TOKO FAHA 6
NY NAMAHANA NY TOMBO-KASE ENINA
Apokalypsy 6: 1-17
6.1 Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray
tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan-aina
efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.*
6.2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia
nanana tsipika, ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka
naharesy sady mbola haharesy.
6.3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-
manan-aina faharoa nanao hoe: Avia.*
6.4 dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia
navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamoan'ny olona; ary
nomena sabatra lehibe izy.
131 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
6.5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-
manan-aina fahatelo nanao hoe: Avia.* Ary hitako fa, indro, nisy soavaly
mainty; ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.
6.6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan-aina
efatra nanao hoe: Venty* ny vary tritrika eran'ny fatam-bary kely,* ary
venty* koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary;* ary aza manimba ny
diloilo na ny divay hianao.
6.7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny
zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia.*
6.8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay
nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy.
Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny
sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia ety an-tany.
6.9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo
ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy
ny filazana izay nohazoniny.
6.10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy
marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay
amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
6.11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala
sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny
rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
6.12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy
horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana
ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
6.13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny
aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery
izy.
132 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
6.14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny
tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
6.15 Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny
mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy
andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny
an-tendrombohitra;
6.16 ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà
aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
6.17 fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo* , ka iza no
mahajanona?
Tombo-kase enina no voavaha eo amin’ny toko faha6. Tsy fantatra
mihitsy ny soratra anatiny sy ivelany io satria tsy misy mahay mamaha azy
afa-tsy ny Zanak’ondry irery ihany. Tsy maintsy manaiky an’ Andriamanitra
tokana sy ny Zanakondry ary ny herin’ny Ran’ny Zanak’ondry vao azo
vahana ny tombon-kase enina.
Taiza no nisy ny kotrokorana ? Ilay zavamanan’aina efatra dia hita ao
amin’ny Tombo-kase 4 voalohany.
Manomboka amin’ny Tombo-kase faharoa dia tsy misy kotrokorana
intsony.
Apokalypsy Toko Faha-6: TOMBO-KASE 1,2,3,4,5,6 sy ny tantaran’ny
fiangonana ary ny fiainam-panahin’ny fiangonana..
Tombo-kase Voalohany
133 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 6.1 Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny
anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-
manan-aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe:
Avia.*
6.2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia
nanana tsipika, ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka
naharesy sady mbola haharesy.
Tombo-kase Voalohany = soavaly fotsy = fiangonana Efesosy. Kristy sy
ny Fanahy Masina. Mifanandrify amin’ilay Liona avy amin’ny firenena Joda ny
famahana ny Tombo-kase voalohany.
Soavaly = firaisan’ny mpino; mpitaingina = mpifehy azy; loko =
fiaimpiainan’ilay fiangonana ara-panahy. Manana ilay fitiavana voalohany ny
fiangonana.
Kotrokorana = seza fiandrianan’ Andriamanitra.
Fotsy = fahadiovana, fahamarinana, fandresena.
Olona tia loko fotsy = tia fahamarinana, fahadiovana ary fandresena.
Ilay mitaingina azy dia Mpandresy. Iza no mpandresy? Tsy i Kristy
sandoka no maharesy. Taiza io Kristy sandoka io no efa mpandresy? Ary
ovian izy no mbola handresy?
I Krsity Jesosy io mpandresy io. Ny fahafatesana no resin’i Kristy fa ny
devoly dia mbola eo. Voazera tany an-danitra io Satana io. Fa ao amin’ny
Apokalypsy 20 no aseho ny tena faharesen’io Satana io. Tsy I Kristy ihany
anefa no mpandresy sy mbola handresy ny Devoly fa izay rehetra tia ny
fisehoan’ny Zanak’Andriamnitra koa dia handresy ny fanahy ratsy. Ary
amin’izany koa dia tehirizin’i Kristy ho azy ny satro-boninahitra.
2 Timoty 4:2-8: 4.2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy
amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny
fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
134 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
4.3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy
misy kilemaGr,
salama; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka
ny filany;
4.4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho
amin'ny anganongano.
4.5 Fa hianao kosa mahonòna tena amin'ny zavatra rehetra, miareta
fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
4.6 Fa izaho dia efa hatolotraGr, haidina , ho fanatitra aidina sahady, ary
efa mby akaiky ny andro fialako.
4.7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako
aho; nitahiry ny finoana aho;
4.8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny
fahamarinana, izay homen'ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy
amin'izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia
ny fisehoany koa.
Tombo-kase Faharoa
Apokalypsy 6.3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny
zava-manan-aina faharoa nanao hoe: Avia.*
6.4 dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia
navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamoan'ny olona; ary
nomena sabatra lehibe izy.
Tombo-kase Faharoa = soavaly mena = fiangonana Tyatira na Katolika
Romana = Ny Romana nifehy no ny fiangonana. Ahitana ilay zava-
manan’aina faharoa: zanak’omby izay novonoina. Misy ra izany eo. Nasaina
nanaisotra ny fihavanana tamin’ny olona ny mpitaingina ny sovaly mena.
135 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Vokatr’ilay foto-pampianarana jodaisma niampanga an-dry Paoly sy ny
mpanara-dia aminy, milaza fa mpanongam-panjakana ry Jesosy ilay
llehiben’ny sekta nazareana, dia nenjehana ny Kristiana rehetra,
anisan’izany ry Paoly, nampangaina izy ireo. (Asa 14:5) nodorana velona,
nofantsihana tam hazo fijaliana, nomena ny liona, ampiadiana amin’ny
gladiatera koa aza. Ireo Romana ireo dia manana gladiatera, izay
ampiadiany amin’ny oficier romana. Ilay kristiana mbola miziriziry amin’ny
finoana dia hosorana menaka dia dorana velona ary atao jiro manazava ilay
kianja satria amin’ny alina ny adin’ny gladiatera no atao. Ny zaza amam-
behivavy kosa dia avoaka hohanin’ny liona. Nihoraka daholo ny Jiosy, ary
manaraby ireo Kristiana izay sahy nijoro tamin’ny finoany hatramin’ny
fahafatesana.
Navela nanaisotra ny fihavanana amin’ny olona ilay mitaingina ny soavaly
mena ary nomena sabatra lehibe izy.
Ny tantaran’ny fiangonana Smyrna dia manambara izany satria ny
fahefana nisy dia navela hanaisotra ny fihavanana tamin’ny olona tamin’ny
famonoana ireo Kristiana, izay nijoro hatramin’ny farany tamin’ny finoana
an’I Jesosy.
Tombo-kase Fahatelo
Apokalypsy 6.5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny
zava-manan-aina fahatelo nanao hoe: Avia.* Ary hitako fa, indro, nisy
soavaly mainty; ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.
6.6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan-aina
efatra nanao hoe: Venty* ny vary tritrika eran'ny fatam-bary kely,* ary
venty* koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary;* ary aza manimba ny
diloilo na ny divay hianao.
136 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tombo-kase fahatelo = fiangonana synagogan’i Satana = Pergamosy
nofehezin’ny soavaly mainty na fahafatesana ara-panahy. Mifanandrify
amin’ny tantaran’ny fiangonana Pergamosy ity.
Mainty = fahamaizinana, fisaonana. Maizina ny fiainan’ny fiangonana, ny
fahazavana sy ny soratra masina. Ny lovantsofina sy fomban-drazana no
nanjaka. Milaza ny lehiben’ny fiangonana Pergamosy fa tery saina izay tsy
mampiditra fomban-drazana ao am-piangonana. Misy hery anankiroa
mifanandrina ao: fanompoan-tsampy sy fivavahana. Misy koa ny bibidia
manao toy izany, satria sady manompo sampy izy no mivavaka. Soavaly
mainty koa izany bibidia izany => misy hery anankiroa mifanohitra koa ao,
ka izany no tsy mampandroso ilay firenena.
Tombo-kase Fahaefatra
Apokalypsy 6.7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko
ny feon'ny zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia.*
6.8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay
nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy.
Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny
sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia ety an-tany.
Tombo-kase Fahaefatra = fiangonana Tyatira = tamin’ny moyen age
(538-1517) = Ny soavaly hatsatra no nifehy azy. Mbola tsy nisy nefa ny
fiangonana katolika teo, fa ny fiangonana Tyatira ara-bakiteny no nisy
tamin’ny andron’I Jaona nanoratana ny Apokalypsy 6. Ny mpanjakavavy
Jezebela no nanjaka tamin’izany, ary ny fampianarana nomeny no nifehy ny
fiangonana. Misy fahafatesana manaraka ny loko hatsatra io. Nisy tokoa ny
fahafatesana nitranga tao amin’ity fiangonana ity raha niezaka nanohitra ny
137 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fanompoan-tsampy izy ireny tamin’ny moyen age. Niharan’ny famonoana sy
fampijaliana izy ireny. Tsy maintsy mianatra ny tantaran’ny fiangonana isika.
Mbola ho avy ny tantara tamin’izany, fa ankehitriny ny fiangonana katolika
dia tsy ahitana izay famonoana amin’ny sabatra izay. Ny ampahefatry ny
tany dia ny kaontinanta eropeana, satria mbola tsy nisy eglizy tany amin’ny
kaontinanta hafa tamin’izany fotoana izany: croisade, guerre de cent ans,
famonoana ny heretique sy ny mpanohitra ny foto-pampianaran’ny eglizy
tamin’izany fooana izany noho ny tsy fitovian-kevitra ara-tSoratra Masina.
Rehefa tsy mitovy hevitra mantsy izany ny olona amin’ny lafiny ara-
pivavahana dia mifamono mihitsy. Rehefa niezaka naneho ny marina ohatra
ny protesatanta taloha dia nandringana azy ny katolika. Ao koa ny
mozilmana sy ny kristiana izay tsy mitovy firehana ara-pivavahana aryy
henontsika amin’ny vaovao ny zava-misy vokatr’izany. Mbola hitranga koa
any aoriana any izany fandringanana. Fahefana fahafatesana sy fiainantsi-
hita no mifehy ny soavaly hatsatra na fiangonana Tyatira. 538-1517.
Tombo-kase Fahadimy
Apokalypsy 6.9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako
teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra
sy ny filazana izay nohazoniny.
6.10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy
marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay
amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
6.11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala
sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny
rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
138 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tombo-kase Fahadimy = Vanim-potoan’ny Sardisy na Protestanta
(1517-1798). Nisy fisintahana sy fizaran’ny fiangonana ho maro toy ny
loterana, kalviniste, etc. Tsy misy zavamanan’aina intsony eto.
Nivoahan’ny mpanavao fivavahana, nitrangan’ny fanoherana ary ny
fiangonana atao hoe mpanohitra na protestanta, na mpanda ny Papa sy ny
foto-pampianaran’ny eglizy. Anisan’izany ny Mariologie (fangataham-
pitahiana amin’i Masina Marie), ny kaonfesy amin’i Mompera koa dia
notoheriny, ny indulgence na famelan-keloka vidiam-bola, ka arakaraky ny
fahotanao ny vola alohanao, ny afo fandiovana, ny fivavahana amin’ny olona
maty, ny fanaovana sarin’olona masina ao amin’ny toeram-pivavahana izay
andoalehan’ny Katolika, sns.
Tsy manao izany intsony ny Protestanta fa ny Katolika kosa dia mbola
mihazona izany fomba rehetra izany. Nihatra aman’aina izany fandavana
izany tamin’ireo vanim-potoana voalaza ireo. Ny fiangonana Katolika ireny
no nisy tamin’izany fotoana izany. I Luther dia manana these napetrany
tamin’ny university izay nianarany ka nanaporofo fa tsy ara-tSoratra Masina
ireny fomban’ny eglizy voalaza etsy ambony ireny. Rehefa novahana io
Tombo-kase io dia hitan’I jaona tao ambany alitara ny fanahin’izay nody
mandry noho ny filazantsara. Mitaraina ireo olona ireo noho ny famonoana
azy satria nihazona ny filazana an’I Jesosy.tsy ilay fanahy efa maty akory no
nitaraina tamin’Andriamanitra fa fahitana io hitan’I Jaona io, dia fahitana ny
zavatra izay ho avy tamin’io vanim-potoana io. Ao koa ireo sahy mijoro
amin’ny fanavaozana ara-pivavahana sy ny finoana an’I Kristy amin’ny
andro farany koa, izay rehetra tsy mety mandray ny mariky ny bibidia sy tsy
mety miankohoka amin’ny sariny koa. Samy nomena ankanjo fotsy lava izy
ireo. Mbola hitranga ny famonoana Kristiana araka izany satria izay mijoro
amin’ny fahamarinana dia henjehina sy asiana teny ratsy. Nefa lehibe ny
valim-pitiany any an-danitra na dia izany aza no fahoriany ety an-tany. Aoka
139 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ary hatoky hatramin’ny fahafatesana isika mpanompon’ Andriamanitra mba
ho mpandresy ary hahazo ny satro-boninahitry ny fiainana.
Tombo-kase Fahaenina
Apok 6.12-17: 6.12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase
fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba
volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny
volana.
6.13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny
aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery
izy.
6.14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny
tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
6.15 Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny
mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy
andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny
an-tendrombohitra;
6.16 ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà
aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
6.17 fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo* , ka iza no
mahajanona?
Tombo-kase Fahaenina = fiangonana Filadelfia na ny sectes ahitana ny
fiomanana ny amin’ny fihavian’I Kristy (takona ny masoandro, ny volana
hampodiana ho ra avokoa, ny kintana rehetra niraraka tamin’ tany.
Matio 24.29-31:
140 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Milaza ny fanomanana ny olona amin’ fihavian’I Kristy ity Tombo-kase
fahenina ity.
Nanomboka nisy ny batisan’ny olon-dehibe, ny batisan’ny Fanahy Masina,
ny fiteny tsy fantatra. Misy fiangonana izay milaza fa miteny tsy fantatra,
nefa dia izany Ali Baba na Sara Baba izany foana no lazain’ireo mpivavaka
ao aminy; ary tsy hay akory ny dikan’izany. Misy koa miteny aminy fiteny
tsy fantatra dia milaza izay Baba izay foana. Nefa dia misy nampianatra
tamin’izany fotoana izany fa ny fiomanana amin’ny fihavian’I Kristy dia
fiteny aminy fiteny tsy fantatra.
Satan = Setoany hoy ny Musulman.
Tsy fantatry ny olona akory anefa fa devoly na fanahy mamitaka no ao
ambadik’io fitenenana tsy fantatra io satria toy io no fanaon’ny devoly. Nefa
tsy midika akoryizany fa izay rehetra fiteny tsy fantatra dia avy aminy
devoly na fanahy mamitaka. Misy koa amin’ireny ny Fanahy Masina. Misy
koa milaza fa izay mpaminany ivelan’ny fivavahana misy azy dia sandoka
avokoa. Nefa tokony ho fantarina tsara aloha ny marina.
Anisan’ny fanambarana ny fihavian’I Kristy koa ny filazana loza sy ady
izay efa voalaza mialoha ao amin’ny Soratra Masina.
Lioka 21.25-28:
Milaza famantarana amin’ny masoandro sy fahaverezan-kevitra noho ny
fanonjan’ny ranomasina ka ho reraka ny fon’ny olona. Reraka ny fon’ny
olona noho ny antony samihafa amin’ fiainana: loza voa-janahary toy ny
cyclones, tsunami, tondra-drano, haintany, risoriso, halatra isan-karazany, …
reraka koa ny fo mieritreritra ny loza izay mety hitranga eny ambony sambo
eny na eny ambony fiara-manidina eny, eo koa ireo manana tokantrano
misavoritaka ireny, ny any ambanivohitra reraka ny fony amin’ny dahalo, ny
141 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
risoriso sy ny fanambakana maizina isankarazany. Izany rehetra izany dia
manambara fa efa akaiky ny fihavian’I Kristy. Fa ny tokony hatao dia ny
miverina amin’Andriamanitra sy mibebaka tanteraka mba hahazo fiadanana.
Miandrandra ka … fa akaiky ny fanavotana anareo.
Matio 24.6-8: 24.6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa
mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola
tonga ny farany. 24.7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy
fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany
amin'ny tany samy hafa. 24.8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny
fahoriana.
Hisy koa ady sy filazan’ady isankarazany, mosary, horohoron-tany, areti-
mandringana tsy sitra-panafody isan-karazany: izany no fiandohan’ny
fahoriana. Ny fomba iadiana amin’ny SIDA izao dia ny fizarana ny kapaoty.
Nefa ireny dia mbola afaka manaparitaka ny aretina amin’ny olona salama.
Manambara ny fiandohan’ny fahoriana avokoa izany rehetra izany.
Ny Apokalypsy6.12-14 dia milaza fahoriana ho avy toy izany koa.
Apok 6:12-14 : 6.12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase
fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba
volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny
volana. 6.13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy
ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra
mahery izy. 6.14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny
tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
Hiery ao an-davaka sy ambany tendrombohitra daholo ny olona rehetra
samihafa karazana sy fihaviana ary hiantso ny loza sy fahafatesana ho avy
aminy vokatry ny fahadisom-panantenana sy fahakiviana, satria tsy
142 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manana an’ Andriamanitra izy ireny. Ny tanora dia tsy tokony hilalao
fitiavana satri tsy hisy fianarana ho vanona amin’izany, ary hahita loza
amin’izany, ka mety hamoy fo vokatry ny fahadisoam-panantenana ary tsy
mahazaka ny onjam-piainana. Tsy fahalalana no mahatonga izany, satria tsy
tokony hamoha ny fitiavana mialoha ny fotoana ireny ankizy tanora milalao
fitiavana ireny.
Ho avy Jesosy; nefa tsy fantatra ny andro hihaviany. Koa ianao ve
vonona amin’ny fahatongavany sa kosa hiantso ny tendrombihitra sy ny
vatolampy hianjera aminao? Mino aho fa hiomana tsara ianao amin’ny
fahatongavan’I Kristy ka tsy ho latsaka amin’ny fahadisoam-panantenana sy
ny famonoan-tena toy izany. Izany fanoloran-tena amin’Andriamanitra izany
no lalana hamonjena antsika ary hampionona ny fontsika amin’ny ady sy
olana isankarazany izay mitranga eo amin’ny fiainantsika isanandro.
Tombo-kase fahafito
Fa nahoana ary ny Tombo-kase fahafito no tsy hita tany amin’ny
Apokalypsy toko faha6?
Tsy novahana io raha tsy novahana ny toko fahafito izay nanasiana
Tombo-kase ny mpanompon’Andriamanitra. Misy dikany ny nanatsofohana
toko iray manontolo teo anelanelan’ny Apokalypsy 6 sy 8.
Ny Apokalypsy 8 no manazava ny namahana tombo-kase fahafito sy
nitsofana ny trompetra efatra.
Maninona ny Tombo-kase fahafito no tsy novahana raha tsy any amin’ny
Apokalypsy toko faha8?
Misy toko iray natsofoka anelanelan’ny toko fahenina sy fahavalo. Ny
Apokalypsy toko fahafito dia miresaka ny Tombo-kasen’ Andriamanitra. Misy
143 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
dikany sy heviny matoa natsofoka io toko iray manontolo io mialoha ny
namahana ny Tombo-kase fahafito. Ny trompetra efatra koa dia tsofina ao
amin’ny Apokalypsy 8. Nefa ny trompetra sisa hafa dia amin’ny toko faha 11
vao tsofina
Apokalypsy11: trompetra 5 sy 6
Notsofina ny trompetra fahafito sy loza faha3. Tsy nataotao foana io fa
efa misy planina sy tolo-tsaina ambony nomen’Andriamanitra mihitsy.
Tsy maintsy vakiana aloha ny Apokalypsy7 vao sokafana ny Tombo-kase
fahafito.
144 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA 7:
NY NAMAHANA NY TOMBO-KASE FAHAFITO
Tsy mbola azo vahana mihitsy ny Tombo-kase faha7 raha tsy mazava ny
Apokalypsy toko faha7. Misy zava-miafina lehibe ato anatin’ny Apokalypsy
toko faha7 ity.
Apokalypsy 7:
7.1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra
nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra
amin'ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny
ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
7.2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny
fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra
velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny
ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
7.3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-
panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'
Andriamanintsika.
7.4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby
efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny
Zanak'Isiraely rehetra.
7.5 Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy
tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy
tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
7.6 Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny
firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa
arivo amby iray alina.
145 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
7.7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy
tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina.
7.8 Avy tamin'ny firenen'i Zebelona roa arivo amby iray alina. Avy
tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i
Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
7.9 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy
tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny
olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana
sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana
sampan-drofia teny an-tànany,
7.10 dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie
ho an'Andriamanintsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy
ho an'ny Zanak'ondry
7.11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana
mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan-aina efatra, dia niankohoka teo
anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin' Andriamanitra
7.12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy
ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie, Ho
an'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
7.13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe:
Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
7.14 Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy
tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy
nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
7.15 Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza
fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin'ny
tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra
ny tranolainy handrakotra azy.
146 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
7.16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny
masoandro na izay hafanana akory.
7.17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho
Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary
hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.(Isa.25.8)
Ireo sarin-teny miafina ao amin’ny Apokalypsy toko faha7:
Ny niarovana ny Israely marina mba tsy hosimbain’ny loza ho avy:
Anjely 4 eo amin’ny vazan-tany 4 mihazona ny rivotra 4 mba tsy hitsoka
amin’ tany: misy isa efatra miverina in-telo ireo.
(4 x 3 = 12) 4 = isan’olombelona, 3 = isan’ Andriamanitra, 12 =
isa ifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra.
Rivotra = Ady
Rivotra mitsoka amin’ny tany = ady ety an-tany.
Mihazona ny rivotra tsy hitsoka amin’ny tany = mihazona ilay ady mba
tsy hipaoka tamin’izany vanim-potoana izany izay nanomezana ilay
fanambarana izany.
Nefa efa maro be ny ady na guerres efa nitranga: guerre atomique,
chimique, tribale, civile, etc.
Nefa tamin’ nanoratana io dia mbola tsy nisy ady. Ireo ady ireo nefa dia
efa nitranga avokoa, ary mbola misy hafa koa hitranga.
Tsy navela hanimba ny tany ny anjely fa nasaina hihazona ny rivotra 4
mba tsy hipoaka ny ady.
Misy Anjely iray koa avy amin’ ny fiposahan’ny masoandro = Anjely
nivoaka avy ao amin’ seza fiandrianan’ Andriamanitra
147 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Aza manimba ny tany, ranomasina, hazo ambara-panisy Tombo-kase eo
amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitra. Nirahina hanimba ilay Anjely
nefa amin’ny fotoana efa voatendry no hanatanterahany izany.
Israely marina = nanomboka tamin’ Abrahama
Masoandro = Jehovah fahamarinantsika.
Hojerena koa ny fanazavana ny momba ny Isiraely tamin’ny vanim-
potoana samihafa toy izao:
1.- Nanomboka tamin’ny vanim-potoanan’i Abrahama, Kristy hatramin’ny
andron’ny Apostoly.
2.- Apostoly – fanavaozana fivavahana
3.- Fanavaozana fivavahana - amin’’izao fotoana izao.
Efa simba ary ve ny tany, ny hazo, ny ranomasina, ary ny tontolo iainana
izao? eny satria efa mitsangana ny WWF miaro ny tontolo iainana, ny
ranomasina izay misy harena tsy toko tsy forohana izay mandrafitra ny
toetrandro sy fizaran-taona 4 dia vokatry ny masoandro sy hafanana ary
entona avy amin’ ranomasina. Nefa efa be dia be ny olona tratry ny mosary
ka mifamono noho ny doro tanety, sns.; ny fanandramana atomique any an-
dranomasina dia mamono ny biby an-dranomasina ary manimba / mamono
ny zava-mananaina rehetra ao anatiny. Misy bibikely mahasoa anaty
ranomasina, nef maty avokoa izy ireny noho ny fanandramana atomika izay
misy. Ny olona koa dia tsy mahita rano sotroina, tondraka ny rano, mafana
loatra ny toetr’andro na magatsiaka loatra, izay mahavalalanona ny
zanak’olombelona satria simba ny tontolo iainana.
Mbola tsy dia simba loatra ny tontolo iainana eto amintsika ka na dia
fiarakodia efa mandoto rivotra aza dia mbola afaka mifamoivoy ihany. Fa
any am-pitan-dranomasina kosa dia mandoa sazy be tokoa raha misy
fiarakodia mandoto tontolo iainana toy izany.
148 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy betsaka ny loza voa-janahary toy ny tsunami, tondradrano,
haintany, efa nambaran’I Jesosy ihany io fahasimbana io:
Lioka 21:25-28: 21.25 Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny
volana ary ny kintana, ary ety ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena
amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny
fanonjany
21.26 ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny
fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia
hohozongozonina.
21.27 Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo
amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
21.28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka
asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
Izany no mahatonga ilay hoe “Aza manimba ny ala mandra-panisy
Tombo-kase ny handrin’ny mpanompon’ Andriamanitra.” Ala firy hectare
moa no may eto amin’ity izao tontolo izao ity? Nefa mahavoasazy ny
mandoro tanety, ary tsy mijanona izy io. Inona moa no mahatonga ny doro
tanety eran-tany tsy mijanona ion a dia mahavoasazy mafy mihitsy azan y
manao izany?
Ezekiela 21.1-4: 1 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny
atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.
3 Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i
Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao
Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao;
149 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra
hatrany atsimo ka hatrany avaratra;
4 Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka
tsy hovonoina.
Efa voalazan’ny mpaminany Ezekiela ny momba io doro tanety tsy
mijanona io. Jehovah mihitsy no mandrehitra io, ka tsy hay vonoina io.
Ahoana marina ary ny zava-miafina momba ny Tombo-kasen’
Andriamanitra io? Inona io Tombo-kasen Andriamanitra io?
Ahoana no apetaka amin’ny handrina?
Ao amin’ny Apokalypsy 13 dia misy teny toy izao izay momba ny tombo-
kasen’ny bibidia, izay apetaka amin’ny handrina. Ny Tombo-kasen’
Andriamanitra koa dia apetaka amin’ny handrin’ny mpanompony.
Apokalypsy13.15-18: 13.15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy,
mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety
miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia .13.16 Ary ny olona rehetra, na
ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy
andevo, na ny andevo,
dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny
handriny avokoa,
13.17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny
marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.
13.18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny
bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no
isany.
150 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apetaka amin’ Tanana ankavanana sy handrina koa ny mariky ny bibidia.
Ny Tombo-kasen’Andriamanitra koa dia hapetaka amin’ny handrina sy ny
tanana ankavanana. Na izany manana ny tombo-kasen’ny bibidia, na ny
Tombo-kasen’ Andriamanitra, eo amin’ny handriny ny olona iray.
Inona ary no mampiavaka io tombo-kasen’ Andriamanitra io sy ny
tombo-kasen’ny bibidia? Inona no antony tsy hamahana io Tombo-
kase fahafito io raha tsy maharay ny Tombo-kasen’ Andrimanitra ny
mpanompon’I Jehovah?
Ny tombo-kasen’izao tontolo izao na tatouage dia mazana apetaka
amin’ny fo na fitombenana na amin’ faritra hafa amin’ vatana.
Nahoana nefa ny Tombo-kasen’ Andriamanitra no hapetaka eo amin’ny
handrina fa tsy amin’ny faritra hafa amin’ny vatana?
Izay rehetra tsy manana ny Tombo-kasen’Andriamanitra io dia ho
ringana avokoa.
Efa manomboka mamaha ny rivotra efatra angamba ilay Anjely satria efa
mihasimba tokoa ny tontolo iainana eran-tany.
NY TOMBO-KASEN’ANDRIAMANITRA
Inona avy no zavatra hita eo amin’ Tombo-kase iray?
Misy ny marika sy ny mampiavaka ny Tombo-kase
Ny toerana misy azy
Ny anaran’ny tompony sy ny mombamomba azy.
151 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Aiza no hametahana ny Tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’
mpanompony?
Apetaka eo amin’ handrina io Tombo-kasen’Andriamanitra io satria ao no
misy ny saina sy ny atidoha entina manapa-kevitra sy mibaiko ny vatanao
manontolo na commande. Saina manaiky, manda na mandray ny hafatra.
Mora hita io satria apetaka eo amin’ handrina. Efa nisy hatramin’ny andro
taloha io Tombo-kase io.
Deot.6.8: ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka
ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao, …
Fehezo ho famantarana eo amin’ tananao, ary ho fehy fampahatsiarovana
eo amin’ handrinao ary koa sorato eo amin’ tolam-baravaranao ny
famantarana.
Deot.11.8: 8 Koa tandremo ny lalana rehetra kay andidiako anareo anio,
mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo
holovana …
Apokalypsy 7.3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo,
mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny
mpanompon'Andriamanintsika.
Ny Tombo-kasen’Andriamanitra dia eo amin’ ny handrina. Ny Tombo-
kasen’I bibidia koa dia eo amin’ handrina sy ny tànana.
Apokalypsy 13.15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba
hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety
miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia .13.16 Ary ny olona rehetra, na
ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy
andevo, na ny andevo,
dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny
handriny avokoa,
152 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
13.17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny
marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.
Ny soratra hita anatiny sy ny marika mombamomba azy no maha-tombo-
kase ny tombo-kase, fa tsy ny tahony n any zavatra nanamboarana azy
akory.
Eo amin’ny handrina no mibaiko ny vatana iray manontolo. Raha sanatria
misy lalan-dra kely tapaka ao amin’ny loha ao dia tsy mandeha avokoa ny
zavatra maro amin’ny vatana.
Mora hita koa ny tombo-kase raha apetaka ao amin’ny handrina.
Ny tokony ho hita eo amin’ Tombo-kasen’Andriamanitra
araka ny Testamenta Vaovao:
Ny Fanahy Masina no lazaina fa Tombo-kase araka ny Testamenta
Vaovao:
Efes.1.13-14: 1.13 Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny
fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,--eny, ao aminy koa
hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka
ny teny fikasana.
1.14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotany
ny olona izay nalainy ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
Ny Fanahy Masina no Tombo-kase manambara fa azonao ny famonjena.
Apetaka amin’ny mino izany Fanahy Masina izany.
Efes.4.30: 4.30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra,
Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
Sady manao Tombo-kase no apetaka mba ho Tombo-kase ny Fanahy
Masina. Mety hisy ny atao hoe Fanhy Masina, ary misy koa etsy andaniny ny
153 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fanahy mamitaka, ny fanahin’ny demonia, fanahin’ny dragona izay tsy
mitovy amin’ Fanahy Masina. Ao koa ny fanahy miteny amin’ fiteny tsy
fantatra izay mety ho tsara na ratsy.
Ny Fanahy Masina dia mampianatra, mandrara, mitari-dalana, manolo-
tsaina, … Santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana sy famonjena ny
Fanahy Masina satria ny Tenin’Andriamanitra no milaza izany. Misy marika
sy famantarana mampiavaka ny Fanahy Masina amin’ny fanahy ratsy.
Inona ary izany marika sy famantarana izany?
Ny famantarana sy marika mampiavaka ny Fanahy
Masina amin’ fanahy hafa:
1. Ny Ran’ny Zanak’Ondry:
Araka ny Testamenta Taloha:
Efa nisy hatramin’ andron’I Adama sy Eva io raha nanota izy. Nomen’I
Jehovah fitafiana hodi-biby izy ireo. Efa hatramin’ny andron’i Kaina sy Abela
no koa nanao fanatitra biby tamin’ Andriamanitra ny olona.
Genesisy 20
Nasain’ Andriamanitra nitondra ny zanany lahitokana I Abrahama hatao
sorona hatolotra an’I Jehovah. 90 taona I Saraha vadin’I Abrahama vao
niteraka io zanany lahitokana io. Nefa dia nasain’ Andriamanitra hatolotra
Azy izany zanany lahitokana izany. Tsy mba nandà ny hanolotra ny zanany I
Abrahama fa nanaiky avy hatrany ny Tenin’ Andriamanitra izy. Tsy Ismaela
no nangatahin’ Andriamanitra, izay zanay tamin’I Hagara, fa I Isaka izay
zanany tamin’i Saraha. Efa zatra mifankazatra
154 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Genesisy 22:10-13:
Noraran’I Jehovah I Abrahama tsy haninjitra ny tanany hamono ny
zanany, fa fizahan-toetra no nataon’ Andrimanitra azy. Nisy ondrilahy nasolo
azy teo.
Genesisy 18:
Nanao fanekena hitahy ny taranak’ i Abrahama i Jehovah satria tsy nandà
ny teniny izy.
Zanaka tian’i Abrahama indrindra Isaka; Jesosy koa dia zanaka lahitokan’
Andriamanitra tsy foiny. Nefa novonoina Izy mba hahazoantsika famonjena,
ho afaka amin’ny ota.
Jaona 3:16-17:
Nanaovana lalàna avy eo ny fitondrana zanak’ondry iray hovonoina isaky
ny Paska ho famantarana ny famonjen’ Andriamanitra.
Ny ran’ ny zanakondry dia fanavotana ny zanank’ Isiraely, ary
fandringanana ny lahimatoan’ny Egypta .
Eksodosy 12.1-10:
Eksod 12.11-13: 11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny
valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo,
ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia hohaninareo faingana izy, fa
Paskan'i Jehovah.
12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka
hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka
hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko
avokoa: Izaho no Jehovah.
155 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay
itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza
handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Ny loza fahafolo nahafaty ny lahimatoa rehetra tao Egpta hatramin’ny
olona sy ny biby.
Novonoina tamin’ny andro Paska ny Zanak’Ondry mba
hiarovan’Andriamanitra ny olony tsy ho ringana. Ary apetaka amin’ny
handrina sy ny tolam-baravarana ny ràny mba famantarana io.
Araka ny Testamenta Vaovao:
Araka ny Testamenta Vaovao dia Kristy no Zanak’ondry. Rehefa tonga ny
andro Paska dia novonoina ny Mesia satria Izy no zanak’ ondrin’
Andriamanitra.
Jaona 1.29-30: Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy
Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay
manaisotra* ny fahotan'izao tontolo izao!
Kristy no Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay novonoina manaisotra ny
fahotan’izao tontolo izao. I Kristy no tandindon’ny Zanak’ondry novonoina
tamin’ny Testamenta taloha io.
Miaro antsika amin’ny loza rehetra ny ran’ny zanak’ ondry.
Jaona 19.14-15: 19.14 ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro,
tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny
Mpanjakanareo!
19.15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va ny
156 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka
afa-tsy Kaisara izahay.ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy mba
hombohina amin’ ny hazo fijaliana.
Ny hevitry ny ra latsaka na ran’ ny zanakondry:
1. Mba hahazoana famelan-keloka:
Andro fiomanana Paska no namonoana an’I Jesosy Kristy izay
Zanak’Ondrin’Andriamanitra io.
Izay manana ny Fanahy Masina dia mitaona ny olona hanaiky io Ran’ny
Zanak’ondry io ho fiarovana amin’ loza, hamelana heloka sy hanamasina.
Raha tsy misy ra latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Ny ankanjony
nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny zanak’ ondry. Rehefa mivavaka dia
manao hoe: “Sasao amin’ny ranao aho mba ho afa-keloka.”
2. Manamarina antsika ny ran’ny zanak’ ondry:
Romana 5:9
3. Manamasina antsika koa ny ran’ny zanak’ ondry:
Hebreo 13.12: 13.12 Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny
vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny rany.
Nanamasina ny olona tamin’ny rany i Jesosy. Navelany heloka isika,
nohamarininy, ary hamasininy avy eo.
4. Mampihavana antsika amin’ Andriamanitra ny ran’ny zanak’
ondry:
Kolosiana 1:20:
Ny ota no efitra mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra ka tsy mihaino
vavaka Izy.
157 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Isaia 59.1-3:
Nefa noho ny ran’ny zanak’ ondry dia nampihavanina tamin’
Andriamanitra indray isika. Ny firenena hafa dia tsy mba voafidy hovonjena
nefa noho ny ran’ny zanak’ ondry. Izany no mahatonga ilay hoe “olona avy
amin’ny firenena sy fokom-pirenena ary samihafa fiteny” izay hanompo an’
Andriamanitra araka ny Apokalypsy 7:9-15.
Efesiana 2:11-18
Izay lavitra an’ Andriamanitra fahiny dia efa nampanakaikena an’
Andriamanitra noho ny amin’ny ran’ny zanak’ ondry, ka mba ho isan’ny
firenena voavonjy koa. Nisy fisarahana teo amin’ny Jiosy sy ny firenena hafa
fahiny, nefa noho ny ran’ny zanak’ ondry dia rava ilay efitry ny fisarahana.
Nisy didy nampifandrafy sy nampisaraka ireo firenena hafa ireo tamin’ny
Jiosy.
Efesiana 2:14-18:
Ny hazo fijaliana no nandravan’i Kristy ny fifandrafiana nisy io. Tsy misy
intsony ny hoe ity grika, Jiosy.
Galatiana
Samy mpandova araka ny teny fikasana avokoa ny firenena rehetra noho
ny ran’ny zanak’ondry:
Apokalypsy 7:9-15
Rehefa natao batisa tao amin’I Kristy dia mitafy an’I Kristy ka lasa
mpandova ark any teny fikasana. Ary ny ankanjony dia nosasany sy
nofotsiany tamin’ny ran’ny zanak’ ondry.
5. Manao antsika ho mpisorona koa ny ràn’ny zanak’ ondry.
Koa tsy mila mpanelanelana intsony isika raha mivavaka amin’
Andrimanitra. Tsy mila mikaonfesy amin’ny mpitondra fivavahana intsony
izany. Afaka mitondra ny fivavahana mivantana eo anatrehan’ Andriamanitra
ny olona rehetra mino Azy.
Apokalypsy 5:9: 5.9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe:
158 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa
voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona
avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona
ary ny firenena rehetra;
Ny rànao no nanavotanao olona avy amin’ny firenena, sy fokom-pirenena
sy samihafa fiteny. Tsy isa ara-bakiteny ilay 144.000 fa milaza olona avy
amin’ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny.
Ny ran’ny zanak’ ondry no hahazoana famelan-keloka:
Ny biby no mitondra ny heloky ny zanak’Isiraely tamin’ny andro fahiny.
Apetraka eo ambonin’ny lohan’ny biby ny tanan’ny mpisorona dia lazaina eo
ilay heloka ary vonoina ilay biby avy eo. Nefa rehefa maty I Jesosy dia Izy
no nitondra ny helotsika ka tsy mila mamono biby hatao fanatitra noho ny
ota intsony.
1 jaona 1:7-9: 1.7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka
Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy
Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
1.8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny
marina tsy ato anatintsika.
1.9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka
mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-
fahamarinana rehetra.
Ny ràn’ny zanak’ ondry dia ampy manadio antsika ho afaka
amin’ny ota rehetra ka tsy mila mikaonfesy amin’olombelona (mpisorona)
intsony isika. Avy hatrany dia mivantana amin’ Andriamanitra ny vavaka sy
ny fifonana ataontsika fa tsy mila olona manalalana intsony sy mitondra
fifonana.
159 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hebreo 8:1-6: 8.1 Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no
fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo
amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, 8.2
Mpanao fanompoan-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena
tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona. 8.3 Fa ny mpisoronabe
rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia
tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.8.4 Koa raha ety ambonin'ny tany,
dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny
fanomezana araka ny lalàna,
8.5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny
zavatra any an-danitra tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa
hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny
endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra
rehetra"(Eks.25.40).
8.6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny
an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena
tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
Ny mpisoronabe ho antsika dia I Jesosy izay efa mipetraka eo amin’ny
seza fiandrianana any an-danitra (andininy faha6). Tsy mpisoronabe ety an-
tany intsony no mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra.
Hebreo 7.15 Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy
Mpisorona hafa miseho ho tahaka an'i Melkizedeka,…
Velona mandrakizay Izy ary mpanalalana amin’ilay fanekena vaovao, izay
tsy ilaina mitondra biby atao fanatitra intsony mba hahazoana famelan-
keloka.
Hebreo 9:15: 9.15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena
vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana
160 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny
fikasana, dia ny lova mandrakizay.
Hebreo 12:24: 12.24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena
vaovao; ary amin'ny rà famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an'i
Abela.
Hebreo 10:1-9: 10.1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy,
fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny
olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
10.2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria
rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny
fieritreretany ny amin'ny ota intsony izy?
10.3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
10.4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
10.5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny
fanatitra ala-tsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no
namboarinao ho Ahy;
10.6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
10.7 dia hoy Izaho: Inty Aho tonga--ao amin'ny horonam-boky no
nanoratana Ahy hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô"(Sal .40.6.8).
10.8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra
hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota"(dia ireny
aterina araka ny lalàna)" no tsy ilainao ary tsy sitrakao,"
10.9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao" Manaisotra
ny voalohany izy mba hampitoerany ny faharoa.
Misy lalana momba ny fanaterana fanatitra. Matetika dia afangaron’ny
olona avokoa ny lalan momba ny fanatitra, n any Sabata na didy folo. Nefa
ny momba ny lalana misy aloky ny zavatra ho avy no hambara fa nofoanana
rehefa nandatsaka ny rany Kristy. Tsy mila mitondra biby atao fanatitra
indray isan-taona intsony isika (manaisotra ilay voalohany Izy) satria tsy
161 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mahafaka heloka izany. Ilay faharoa dia ny fanatitra indray mandeha monja
nataon’I Kristy Jesosy ho famelana ny heloka (hampitoerany ny faharoa).
Nanala ny fanompoam-pivavahana tandindona sy aloky ny zavatra
ho avy I Kristy dia ny momba ny fanatitra noho ny ota izany.
Hebreo 10: 10.10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika
tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
10.11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao
fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra
ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
10.12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay
noho ny ota, dia efa mipetraka Na: noho ny eo an-tànana ankavanan'
Andriamanitra,…
ny mpaminany Jeremia sy Isaia dia efa milaza ny momba ny heloka natao
hatramin’ny razana sy ny valiny. Voasoratra eo anatrehan’ Andriamanitra
anaty boky ihany ny heloka na dia nitondra fanatitra ram-biby aza ireo
zanak’ Isiraely. Voasoratra ihany ny heloka. Fa I Kristy kosa nanao fanatitra
mandrakizay momba ny ota indray mandeha, ary tsy mipetraka anaty boky
intsony
Isaia 65:6-7:
Hebreo 9:10-11: 9.11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny
amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe
lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe, tsy isan'izao
zavatra ary izao, 9.12 ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby
Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny
fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay.
9.13 Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-
bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny
162 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fanadiovana ny nofo, 9.14 mainka fa ny ran'i Kristy, Izay nanatitra ny
tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy
mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty
mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
9.15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy,
rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny
fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny
lova mandrakizay.
Kolosiana 2:13-15: 2.13 Ary hianareo, izay efa matin'ny fahadisoana sy
ny tsi-fiforan'ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin'i Kristy, rehefa
navelany ny fahadisoantsika rehetra; 2.14 ary novonoiny ny sora-tànan'ny
didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka
nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, 2.15 ary nesoriny tsy ho eo amin'ny
tenany(na) ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia
nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy.
Raha tsy I Kristy no maty nandatsaka ny ràny dia tsy ho voavono mihitsy
ny sora-tanana miampanga antsika mpanota rehetra.
Sora-tanan’ny didy niampanga antsika = Documents accusateurs
Navela ny heloka, nefa ilay fahotana io dia voasoratra foana, na ny lasa
na ny ho avy na ny tamin’ny andron’i Kristy.
Inona no atao hoe ota ? Ota = fandikan-dalana
1 Jaona 3.4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no
fandikana ny lalàna.
Tambin’ny ota = fahafatesana.
Milaza ny mpino sasany fa rava ny didy folo araka ny Kolosiana 2:14:
163 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nefa ny sora-tanan’ny didy miampanga antsika noho ny fahotantsika no
voafafan’ny ran’ny zanak’ ondry, fa tsy ny didy folo akory araka ny lazain’ny
Vavolombelon’I Jehovah.
Sanatria izany, hoy I Paoly, raha handika lalàna isika ho amin’ny
fahafatesana.
Romana 7:8-9:
Misy milaza ireo Vavolombelon’I Jehovah ireo fa mahafaty ny lalana araka
io Soratra Masina io.
Roman 7:7: nefa milaza fa tsy ota ny lalana. Ny lalana no nampianatra ny
didy folo. Maty ny ota raha tsy misy lalàna. Raha mbola misy manota ny
olona dia mbola mitoetra ny didy folo. Any an-danitra ihany no tsy misy
olona manota, mijangajanga, mamono olona intsony ka tsy ilaina intsony ny
lalana. Raha nandika lalana ianao dia mitondra fahafatesana ho anao ny
didy. Ny didy dia marina, ny lalana dia masina satria miaro mba tsy hanota.
Fa ny ota no mahafaty satria mandika lalana izay manota, ary fahafatesana
no tambin’ny ota.
Romana 7.14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa
nofo, namidy ho andevon'ny ota. Manota ny olona satria ny nofo dia
andevon’ny ota.
Romana 8:33-34: 8.33 Iza no hiampanga ny olom-
boafidin'Andriamanitra, Andriamanitra no manamarina azy.8.34 Iza no
manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny sady nitsangana tamin'ny maty
koa ka mitoetra eo amin'ny tanàna ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho
antsika.
Rehefa ao amin’I Kristy ny olona dia foana ny didy miampanga
azy noho ny ran’ny zanak’ ondry.
Roman 4:13:
Ny lalàna dia mahatonga fahatezerana, satria raha tsisy lalana dia tsy
misy fandikan-dalana.
164 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1 Jaona 1:8-10: 1.8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-
tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.1.9 Raha miaiky ny fahotantsika
isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio
antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
1.10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny
teniny tsy ato anatintsika.
Mpamita-tena izay milaza fa tsy manota izy. Rehefa tsy mitoetra
antintsika ny tenin’I Kristy dia ny tenin’ny devoly no mitoetra ao. Tsy
tantin’ny fanahy ratsy sy devoly mpiampanga mihitsy ny mandre ny hoe
ran’ny zanak’ ondry satria io no andresena azy ireo.
Apoka 12:9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe
devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany
izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .12.10 Dia nahare feo mahery
tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny
hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria
nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay miampanga azy eo
anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
12.11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy
ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty
aza.
Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tabernakely
tamin’ny andron’i Mosesy (Fanekena taloka) sy ny fanompoam-
pivavahana any an-danitra (Fanekena vaovao)
Hebreo 9:15; Hebreo 12:24; Hebreo 10:1-9; Hebreo 10:8-10, Hebreo
9:11-14; Kolosiana 2:13-15
165 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanekena taloha Fanekena vaovao
Mitondra ran’ny zanak ondry isaky
ny misy manota. Misy fahatsiarovana
ny ota isan-taona. Tsy mahaisotra
ota ny ràm-biby.
Indray mandeha ihany no
nandatsaka ny ràny Jesosy. Ny ràny
no mamono / manaisotra ny
fahotantsika indray mandeha monja
rehefa maty I Kristy
Isanandro isanandro ny
fivavahana, olombelona eto an-tany
(ny mpisorona) no mpanalalana
antsika amin’ Andriamanitra
Fanekena taloha = ràn’ny biby,
fanatitra biby
Misy lalàna ny fomba fisoronana
izay aloky ny zavatra ho avy, izay tsy
sitrak’ Andriamanitra.
Mipetraka any an-danitra ny
mpisoronabe
Velona mandrakizay hanao fifonana
ho antsika Izy any an-danitra ary
mifona ho antsika amin’Andriamanitra.
Fanekena vaovao = ràn’ny zanak’
ondry na i Kristy, niditra indray
mandeha tamin’ny fitoerna masina,
manaisotra ny ota mandrakizay.
NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA
1. Famorana – Finoana – Batisa:
Gen.17.9-11: 9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama:
Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny
taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
10 Ary izao no fanekeko ho amiÂko sy ho aminareo sy ny taranakao
mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo
aminareo.
166 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
11 Dia hoforaÂna hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy
ho aminareo izany.
Famantarana ny zanak’Israely ny famorana ary efa nisy hatramin’
andron’I Abrahama izany. Ary mbola atao amin’ taranaka ankehitriny ity
famorana ity. Faneken’ Andriamanitra tamin’I Abrahama sy ny taranany
izany famorana izany.
Natao ara-bakiteny izany hatramin’ andron’I kristy. Niova anefa izany
taty aoriana.
Romana 2.28-29: 2.28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay
miseho eo amin'ny nofo no famorana;
2.29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo,
amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny
olona, fa avy amin'Andriamanitra.
Misy Zanak’ondry ara-panoharana indray no endrika isehoan’ny ran’ny
Zanak’ondry taty amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izany koa dia miseho
amin’ny endrika ara-panoharana no isehoan’ny famorana amin’’izao fotoana
izao. Tsy izay miseho amin’ nofo no atao hoe famorana, fa amin’ fo sy
fanahy. Tsy circoncision ara-bakiteny intsony no atao ankehitriny fa araka io
fahamarinana sy finoana io.
Romana 4.11: 4.11 Ary ny famorana izay famantarana, dia noraisiny ho
tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy
mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy
voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, …
Famorana = Tombo-kasen’ny fahamarinana.
Iza moa no taranak’I Abrahama ankehitriny izay foraina ny fony ?
167 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Galatiana 3.27-29: 3.27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i
Kristy dia nitafy an'i Kristy.
3.28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na
lahy na vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
3.29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova
araka ny teny fikasana.
Izay rehetra natao batisa ao amin’ Kristy no atao hoe taranak’I
Abrahama. Ka tsy maintsy forana ara-panahy izay rehetra taranany, izany
hoe famorana araky ny fo sy fanahy.
Romana 10.9-10: 10.9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny
vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy
tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
10.10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny
vava no anekena hahazoana famonjena.
Izay mino an’I Jesosy Kristy fa Kristy efa maty ary nitsanganaamin’ fo no
hovonjena ary hahazo fahamarinana, ny vava no anekena ahazoana
famonjena.
Romana 6.3: 6.3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao
batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
6.4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana
isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny
voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Batisa = niara-maty sy nilevina tamin’’I Kristy ho amin’ fahafatesany, ary
niara-nitsangana taminy ho amin’ fiainana mandrakizay ho olom-baovao. Ny
batisa no lazaina amin’izany zavatra izany. Misy ny Batisan’ny rano,
batisan’ny afo, batisan’ny Fanahy Masina. Miverina amin’ny Fanahy Masina
ihany hatrany hatrany izany ny famantarana ny Tombo-kasen’
Andriamanitra io.
168 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
I Kristy koa dia noforana ara-nofo satria lalan’ny Jiosy izany.
Lioka 2.21-23: 2.38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia
nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny
fanavotana teo Jerosalema.
2.39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia
niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
2.40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny
fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
Ny famorana, ran’ny Zanak’ondry, batisa dia miresaka momba an’I Krsity
Jesosy avokoa.
Inona no Soratra Masina sy famantarana momba an’I Kristy Jesosy?
2. Famantarana ny amin’’I Kristy:
Matio 12.38-40: 12.38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-
dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita
famantarana avy aminao izahay.
12.39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy
sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana
homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;
12.40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao
an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona
hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
Andro inona no ahafatesany?
Firy andro sy firy alina no nilevenany?
Andro inona no nitsanganany?
169 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Maro no tsy mahazaka io Fanahy manambara an’I Kristy nilevina 3 andro
sy 3 alina io. Nefa io no famantarana omena mazava sy marina momba an’I
Kristy. Ny fanhin’I Kristy dia Fanahy Masin’ Andriamanitra.
3. Sabata:
Famantarana ao amin’ny lalanan’ny didy folo ny sabata.
Ezekiela 20.11-12: 11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko
azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho
aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
Ezekiela 20.19-20: 19 fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa
mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
20 Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho
aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Sabata dia famantarana fa Jehovah no manamasina ny olony. Jehovah
koa dia manamasina ny Sabata ary antsoiny koa ny olony hanamasina ny
Sabata.
Jaona 15.9-10: 15.9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo;
tomoera amin'ny fitiavako hianareo.
15.10 Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
Nitandrina ny didin’ny Rainy ary nitoetra tamin’ fitiavany I Jesosy Kristy,
ka ny didin’ny Ray ihany izany no didin’I Kristy: Sabata, aza mangalatra, aza
…
Lioka 6.5: Tompon’ny Sabata ny Zanak’Olona.
4. Fanavahana ny maloto sy ny madio:
170 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy ny biby madio izay natao hohanina ary ny biby maloto tsy natao
hohanina: Levitikosy 11 sy 20.
Levitikosy 20: 25-26: 25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny
vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin'ny
biby, na amin'ny vorona, na amin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny
tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26 Ary aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehovah; ary
efa navahako tamin'ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy.
Noho ny Fanahy Masina mitoetra ao anatin’ny mpanompon’
Andriamanitra dia aoka ho masina ho Ahy hianareo, hoy Jehovah. Ireny
firenena izay manompo an’I Jehovah ireny dia navahana tamin;ny firenena
na fiangonana hafa. Ny firenena hafa dia tsy mba manavaka izany maloto sy
madio izany. Haniny daholo ny biby rehetra na alika, na kisoa, na bibikely
anaty tany na manidina, na inona na inona. Ohatra izao ny Sinoa tsy
manompo an’I Jehovah dia haniny daholo ny zavatra rehetra.
Misy olona mihinana kalalao, alika, voalavo, scorpions, etc. Tsy manavaka
ny maloto sy ny madio izy ireo. Ny firenena Israely izay nanompo
an’Andriamanitra dia efa nampianarin’Andriamanitra hanavaka ny biby
madio sy ny maloto. Ny firenena hafa tsy manompo an’I Jehovah
Andriamanitra tompon’ny lanitra sy ny tany dia mihinana ny biby rehetra.
Misy koa ireny olona hafa firenena ireny no mitompo teny fantatra fa avy
amin’ ny biby ny razambeny: gidro, rajako, bibilava, …. Koa izany no tsy
mba hanavahany ny madio sy ny maloto fa hohaniny avokoa ny biby
rehetra. Misy koa milaza fa mivavaka amin’ Andriamanitra nefa milaza izy
ireny fa madio avokoa ny zavatra rehetra ka dia azony hohanina avokoa ny
biby rehetra na maloto na madio, sy ny zavatra rehetra.
171 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Raha ny Fanahy Masina no miasa aminao dia ho hainao ny
manavaka ny madio sy ny maloto.
Ny vahoaka voafidin’I Jehovah Andriamanitra tompon’ny tany sy ny
lanitra dia nampianariny hahay manavaka ny maloto sy ny madio.
Fa raha ny fanahy mamitaka kosa no miasa aminao dia tsy ho
hainao mihitsy ny manavaka ny maloto sy ny madio. Tsy manompo
an’I Jehovah Andriamanitr’I Abrahama sy Isaka ary Jakoba izy ireo.
Levitikosy 11: (vakio manontolo)
Araka ny Testamenta Vaovao:
Apokalypsy 22.11: Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy
marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay
marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy; ary izay masina, aoka
mbola hihamasina ihany izy.
Maloto ny fony, fisainany, fijeriny, fitafiny, sakafony sy ny zavatra
hohaniny mampirisika ny namany hihinana biby maloto, ny teny aloaky ny
vavany manompa ny rahalahiny dia maloto,… Efa voalaza fa voaozona izy
mankahala ny rahalahiny, nefa izy dia tsy miraharaha an’izany. Mitarika
fivavahana ny sasany amin’izy ireny nefa tsy mahalala ny tokony hataony.
II Kor.6.15-18 – II Kor.7.1: 6.15 : Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy
Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
6.16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy?
Fa isika no tempolin' Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra
hoe:"Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho,
ary izy ho oloko" (Lev.26.11.12).
172 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
6.17 "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah.
Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.
Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy
Jehovah Tsitoha"(Isa.52.11.12).
7.1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka
isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na
amin'ny nofo na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana
amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Beliala = fampianaran’ny demonia sy ny fanahy mamitaka, sampy,
Kristy = fahamarinana, fanahin’ Andriamanitra
Inona no mampiavaka an’I Kristy sy Kristy sandoka?
Taiza koa no nisy tempolin’ Andriamanitra nampidirana kisoa, toaka,
sigara, nefa ny biby maloto tsy ankanavaka dia hohaniny avokoa. Mivoaha
malaky amin’’ireny toerana misy fampianarana mandainga ireny ,izay
mamitaka ny olona ka mampirisika azy hihinana maloto, ary mody asiany
epice ilay biby maloto dia voasarika hihinana ny olona.
Jehovah Tsitoha no manao io fanambarana eo amin’ II Korintiana 6 – 7
io: 6.17 "Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy hoy Jehovah.
Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.
Ary ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy
Jehovah
Tsitoha"
Isika no tempolin’Andriamanitra ka aza manendry izay zavatra tsy madio.
“Ry Malala”: izany no iantsoan’i Paoly antsika.
2 Korintiana 7.1 Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala,
dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra,
173 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
na amin'ny nofo na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana
amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
Tsy tokony hiaraka ny sampy sy ny vavaka, ny biby maloto sy ny Fanahy
Masina. Tsy manana Fanahy Masina izay tsy miala amin’ny fahalotoana
rehetra. : manao teny maloto, loto avy amin’ny fo, fanahy mamitaka,
maloto saina, mampihinana maloto avy amin’ sain’ny devoly, fitafy vetaveta,
zavatra henoina sy jerena, na raisina.
Jaona 17.17: Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no
fahamarinana.
Ny Tenin’ Andriamanitra manambara ny Tombo-kasen’ Andriamanitra no
manamasina antsika izay manaraka izany.
Ny Fanahy Masina irery no mitari-dalana antsika hanaiky ireo mariky ny
Tombo-kasen’ Andriamanitra ireo. Apetaka amin’ny handrin’ny mpanompon’
Andriamanitra ireo, satria ny saina no anekena ny zavatra rehetra.
Inona no hitranga amin’ireo izay tsy manaiky ny handray ny
Tombo-kasen’ Andriamanitra ireo eo amin’ny handriny?
Apokalypsy 9.3-5: 9.3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka
nakamin'ny tany; ary nomena hery* ireny, tahaka ny herin'* ny maingoka
amin'ny tany.
9.4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-
maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-
kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
9.5 Nefa tsy navela hahafaty azy izy, fa ny hampanaintaina azy dimy
volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny
maingoka, raha mamely olona.
174 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hitondra loza ho an’izay rehetra tsy manana ny Tombo-kasen’
Andriamanitra ny valala. (Jereo ny sarin-teny manambara ny “valala”).
Apokalypsy16.1-2: 16.1 Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly
aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao
amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
16.2 Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny tany; ny hanisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay
nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
Loza sy vay ratsy no hampidinana ho an’izay manana ny mariky ny
bibidia, izany hoe izay rehetra tsy manana ny Tombo-kasen’Andriamanitra.
Na izany manana ny Tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ny handriny,
na ny tombo-kase na mariky ny bibidia eo amin’ny handriny ny olona iray.
Tsy hahita an’ Andriamanitra izay tsy manam-pahamasinana, izany hoe izay
mandà ny Tombo-kasen’ Andriamanitra. Mitandrema isika amin’
fampianarana toa marina izay afafin’i Satana sy ny sain-daliny ary ny hevi-
petsiny amin’izao tontolo izao fa mitondra ho amin’ny fahaverezana
mandrakizay izany tsy fahamasinana izany.
Sarotra ihany matetika ny mahazo ny filazantsaran’i Paoly. Misy mandray
azy ara-bakiteny ka manolana ny fahamarinana. Kely fahalalana sady tsy
miorina tsara ireny olona ireny ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany
sy ny hafa izay manara-dia azy.
I Petera
175 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
I Paoly dia nilaza fa madio avokoa ny zavatra rehetra. Nefa tsy mijery ny
contexte akory ilay olona ka tsy mahalala ny antony nitenenan’ny Apostoly
Paoly izany zavatra izany.
Ireo olona voaisy Tombo-kase izay miisa 1440.000
Apokalypsy 7.4-8:
1. Ara-bakiteny:
Ny isa 144.000
Misy heviny ara-panoharana sy ara-bakiteny ary ara-paminaniana io isa
io.
Avy amin’ isa 3 x 4 = 12 = Isan’Andriamanitra x Isan’ny olombelona
12 x 12 = 144 = ny Israely 12 toko x Apostoly 12
144 x 1000 = 144.000 = 144 x isa fahamaroana.
2. Isa ara-panoharana ihany io
Apokalypsy7.9:
Vahoaka betsaka avy amin’ firenena sy fokom-pirenena ary ny samihafa
fiteny. Iza ireo?
Galat.3.27-29:
Ny firenena Israely ara-panahy dia izay rehetra natao batisa
amin’I Kristy ka mandray ny fanahin’I Kristy. Taranak’I Abrahama izy ireo
ary mpiara-mandova amin’I Kristy. Sady miankanjo ankanjo fotsy ireo ary
mitana sampan-drofia.
Apokalypsy14.4-5:
Nisy ra latsaka ilay Tombo-kase nanavotana azy ireo ka nino izy ireo ary
natao batisa => tsisy lainga sy tsisy tsiny intsony satria nakato ny
didin’Andriamanitra, nanaja ny fahamasinan’ny tenany tempolin’ny Fanahy
Masina satria masina ny tenany ary efa navahan’I Jehovah tamin’ hafa
176 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
firenena izy ireo. Tsy mandoto ny tenany amin’ biby maloto sy ny fanahy
maloto izy ireo.
Apokalypsy7.10-farany:
Ireto vahoaka miankanjo fotsy ireo dia tsy Israeliana fa avy amin’
firenena sy fokom-pirenena sy samihafa fiteny ary manome voninahitra
an’Andriamanitra miaraka amin’ anjely sy Loholona ary ny zava-mananaina
efatra. Ireo no efa nandalo tamin’ fahoriana lehibe izay ny fanenjehana ny
mpivavaka tamin’ andron’ny eglizy taloha ka nahazo famonoana. Ary amin’
Apokalypsy5 dia mbola misy hovonoina koa ny Kristiana sasany any aoriana
any. Tsy ny zanak’Israely no novonoina fa izay rehetra nino an’I Kristy maty
araka ny Soratra Masina, nilevina araka ny SM ary nitsangana araka ny SM.
Ireo no manana Tombo-kasen’Andriamanitra ka ho voavonjy. Izay vao azo
vahana ny Tombo-kase fahafito.
Fampitahana ny fivavahana any an-danitra sy eto an-tany:
Hebreo8.6-:
Apostoly Paoly nanambara fa misy mpisoronabe mipetraka amin’ seza
fiandrianana any an-danitra. Tsy olona ety an-tany intsony no mpanalalana
antsika amin’’Andriamanitra fa I Kristy
Hebreo 7.25:
Velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika Izy, mipetraka eo
ankavana
Hebreo 9.15:
Niaritra fahafatesana Izy hanavotany antsika ary mpanalalana
Hebreo 12.24:
Mpanalalana amin’ fanekena vaovao I Jesosy Kristy.
Fanekena taloha = lalana momba ny fisoronana nitondrana biby. Fitsipika
tamin’ zanak’Israely io mba ho famelan-keloka.
177 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanekena vaovao = I Kristy no nandatsaka ny rany novonoina ny
tenany ary foana ny fanekena taloha.
Hebreo 10.1-9:
Ny lalana dia misy aloky ny zavatra ho avy, nefa tsy tanteraka izy satria
averina isan-taona isan-taona.
Kolosiana 2.13-15
Romana 6.14
Ota = fandikan-dalana => fahafatesana
Ny herin’ny Ran’ny Zanakondry
Apokalypsy12.7-11:
Nazera tamin’ tany ilay dragona = devoly sy satana, menarana ela, izay
mamitaka izao tontolo izao, mpiampanga ny rahalahintsika andro
aman’alina. Rehefa nazera tety an-tany io dia mbola miampanga ny
rahalahiny hatrany, fanenjehana, fanaratsiana, fanompana. Izay tratran’io
fanahy ratsy io koa dia tsy mahatsiaro tena mihitsy fa tsy mety ny ataony fa
mbola manao izany ihany.
Raha vao manao deliverance isika ka miantso ny ran’ny zanakondry dia
tsy mahazaka ny fanahy ratsy ka mipararetra mangovitra izay rehetra misy
fanahy ratsy ka mahare io teny io.
Ny ran’ny zanakondry no anapotehana sy andravana azy.
Ny fahefan’I Kristy
Apokalypsy19.11-13:
Ny amin’’ilay mitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany manaraka Azy.
178 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny anarany = Tenin’Andriamanitra. Ireo miaramilany ireo ilay avy tamin’
fahoriana lehibe ary ny ankanjony nosasany tamin’ Ran’ny Zanakondry
Jaona 6.53-56:
Izay homana ny Nofo sy misotro ny Ran’ny Zanakondry no mitoetra ao
Aminy ary Izy kosa ao aminy. Maro tokoa ny mpianatra no nihemotra satria
tsy nahazo izany teny izany. Ny hevitr’izany nefa dia ny Tenin’Andriamanitra
no hohanina = ivelomana isanandro sy iainana.
TOMBO-KASE FAHAFITO sy ny TROMPETRA EFATRA
Rehefa voapetraka ny Tombo-kasen’Andriamanitra hamantarana ny
mpanompony sy ny vahoakany (Apokalypsy7) dia izay vao hovahana ny
Tombo-kase fahafito. Izay rehetra tsy manana ny Tombo-
kasen’Andriamanitra no hihanjeran’ny loza izay ho avy izay fonosin’ny
Tombo-kase fahafito.
Efesiana 4.13-15:
Firaisan’ny finoana sy fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra dia I
Kristy, mba tsy ho zaza intsony ka hahilangilana sy ampitambolimbolin’ny
rivotry ny fampianarana samihafa ataon’ny olona sy ny sain-dalin’I Satana
sy ny saim-petsiny.
Tokony hihorina tsara ka tsy manaraka ambokony izay lazain’ny
mpampianatra fa mba hamaka tsara amin’ fanompoana an’I Kristy sy ny
fahamarinana.
Fahoriana lehibe
Tamin’ andron’I Kristy, ny fahoriana lehibe dia ny niaretan’ireo Apostoly
izay maty martyora.
Tamin’ andro fanavaozana ara-pivavahana koa dia mbola nisy ihany maty
martyra novonoina.
179 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ankehitriny koa dia mbola hisy hovonoina ihany satria mitana ny filazana
an’I Jesosy.
Ireo no niaritra ny fahoriana lehibe ary nandray fitafiana fotsy ka hiara-
mipetraka amin’ Zanakondry eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Apokalypsy8.1:
Novahana ny Tombo-kase faha7, nangina antsasak’ora tany an-
danitra.
Raha vao vita ny fanambarana ny fiangonana 7 (Apokalypsy 2-3) dia
naseho ny lanitra sy ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Raha vao vita koa ny Tombo-kase 1-6 dia naseho ny fihavian’I Kristy sy
ny seza fiandriana’Andriamanitra.
Inona no anton’ny fahanginana antsasak’ora?
Misy mponina izany any an-danitra, dia ny anjely no tena any. Ao koa
Enoka izay mpanompon’Andriamanitra niakatra velona any an-danitra, tao
koa ny mpaminany Elia, tao koa I Mosesy izay rehefa maty dia tsy hita ny
fatiny ary hita indray izy rehefa niseho tamin’’I Jesosy I Elia sy Mosesy ary
teo afovoany I Jesosy.
Genesisy 5.21-24:
365 taona ny andro niainan’I Enoka, ary tsy hita izy avy eo.
2 Mpanjaka 2.9-14:
Niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra I Elia.
Tsy handalo fahafatesana daholo ny olona rehetra fa hisy hiakatra velona.
Matio 25.31-32:
Ny Zanak’Olona amin’ny voninahiny arahin’ny Anjely rehetra no hanavaka
ny firenena rehetra dia ny ondry sy ny osy.
Matio 24.30-31:
180 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny anjely rehetra no mponin’ny lanitra. Anisan’izany koa ry Mosesy sy
Enoka ary Elia.
I Kristy sy ny anjeliny rehetra niala tany amin’ lanitra ary nandeha tamin’
tany hanangona ny olom-boafidy, hanavaka ny ondry sy ny osy; ary
nandritra izany dia nisy fanginana antasak’ora (½ ora).
Nomery 14.34:
Ezekiela 4.6:
Andro 1 ara-bakiteny = taona 1 ara-paminaniana
1 andro = 1 taona
½ ora = ?
1 andro = 1 taona = 24 ora = 360 andro
½ ora = ? => 7 andro
7 7 7
Raha atao 7 – 1 = 6, ka tri 6 = 666
½ nidinany tety an-tany, ½ ora niverina tany an-danitra
3 ½ andro + 3 ½ andro = 7 andro (antsasaky ny herinandro)
Araka ny fanadihadiana dia mila Vitesse 12 km / seconde handehanana
any amin’ planeta feno volamena hitan’ny manam-pahaizana any ambony
tsy taka-maso any. Raha teraka tany amin’ andron’I Adama sy Eva ny olona
dia mbola tsy tonga any hatramin’’izao.
360,000 km/seconde ny vitesse de la lumiere => fito taona izay vao
tonga any amin’’io planeta feno volamena io.
Nefa tsy mbola io ilay seza fiandriana’Andriamanitra fa mbola alavitra
noho io, nefa 3 ½ andro no ahatongavan’ny Zanak’olona avy any. Tonga I
Kristy handray ny olom-boavonjy rehetra.
Mifampiankina avokoa ny zavatra voalazan’ny Baiboly ary misy hevitra
avokoa ny chiffres voalaza ao anatiny ao.
181 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rehefa vohana ny trompetra 4 dia miseho indray ny seza
fiandrianan’Andriamanitra io.
FIZARANA FAHATELO : APOKALYPSY TOKO FAHA-8 SY
FAHA-9
NY TROMPETRA 4
FIZARANA FAHATELO: APOK.8.2 – APOK.9 hatramin’ny
APOK 11.15-19
FAMINTINANA:
Ny Tombo-kasen’Andriamanitra
Ny Fanahy Masina: Ny Fanahin’ Andriamanitra no mitaona antsika mba :
Hanaiky ny herin’ny Ran’ny Zanakondry
Hanaiky ny herin’ny famorana ny fo => finoana => batisa
Mandresy lahatra antsika mba hino fa I Kristy dia maty, nilevina 3
andro sy 3 alina tao am-pasana ary nitsangana tamin’ maty tamin’ny
andro fahatelo. Izay no lalam-pamonjena ao amin’ I Kristy.
(Famantarana holavina)
Didy fitsipika sy lalana: iray ihany no nohamasinin’i Jehovah tamin’ny
lalàna sy didy dia ny Sabata. Izay manompo an’I Jehovah Andriamanitra
ihany no manamasina ny Sabata. (Famantaran’i Jehovah ny olony).
Ny fanavahana ny maloto sy ny madio ary ny maha tempolin’ny Fanahy
Masina ny vatanao. Tsy tokony hampidirana biby maloto ny tempolin’
Andriamanitra.
182 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOK.8.2-Farany: 8.2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo. 8.3 Ary nisy
anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'* ny alitara ary
nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-
kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona
masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo
manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. 8.4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo
manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny
anjely ho eo
anatrehan'Andriamanitra. 8.5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana
ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka
nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary
horohorontany. 8.6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia
niomana hitsoka. 8.7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo
miharoharo ra; ka nararaka tamin'ny tany izany; ary may ny
ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny
ahi-maitso rehetra. 8.8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa
tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga
ra ny ampahatelon'ny ranomasina; 8.9 ary maty ny ampahatelon'ny zava-
manan-aina tao an-dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo. 8.10
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo
latsaka avy tany an-danitra; ary latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy
tamin'ny loharano izany; 8.11 ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-
mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no
matin'ny rano satria efa nangidy izany. 8.12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka,
dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary
ny
183 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka
tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, ary mba ho toy izany koa ny alina.
8.13 Dia nahita sy nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny
lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay
monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo
izay efa hitsoka!
Loza no lazain’ity Apokalypsy toko faha8 ity.
Apok.8.13: nisy voromahery nanambara ny loza, ary naveriny intelo
mihitsy ny filazana loza. Zavatra apokalyptika mihitsy ny loza miseho eran-
tany ireny. Ny olona ipetrahan’ny fanahy voromahery dia manidina. Toy
izany koa ilay manana fanahy ratsy ireny toy ny mpamosavy dia manidina
ary tonga lavitra mihitsy izy.
Iza ireo olona masina ireo?
Araka ny bokin’ny Apokalypsy , ireo no voaisy tombo-kase, nanas any
fitafiany fotsy tamin;ny ran’ny zanakondry, nahatoky hatramin’ny
fahafatesana, nividy volamena sy odi-maso, namoha an’I Kristy raha
nandondona izy, maharesy ka mahazo mihinana ny hazon’aina, tsy
hosimbain’ny fahafatesana faharoa, mahazo mana miafna sy vatofotsy ary
hitafy lamba fotsy, voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana, hosoratana
aminy ny anarana vaovao, hahazo hipetraka amin’ny seza fiandrianana. Izay
manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.
Apok 12:14: mitandrina didin’ Andriamanitra sy mihazona ny finoana an’I
Jesosy Kristy.
Izay tsy masina dia tsy mitandrina ny fonoana an’I Jesosy Kristy sy ny
didin’ Andriamanitra.
184 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ireo no nividy lamba fotsy sy volamena ary namoha an’i Jesosy .
Ireo no niharitra fahoriana, nividy odimaso ka manao fitafiana fotsy
novohain’I Kristy varavarana, ireo no maharesy ka mahazo mihinana ny
hazon’aina, tsy hosimbain’ny fahafatesana faharoa, manana mana miafina,
manana anaram-baovao, mitafy lamba fotsy, voasoratra amin’ny bokin’ny
fiainana, voasoratra eo amin’ny Bokin’ny Fiainana, andry, miara-mipetraka
amin’ny zanakondry amin’ny seza fiandrianana.
Apok.14.12: mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny filazana an’I Jesosy
Kristy ireo olona masina ireo.
Trompetra fito:
Apokalypsy 8 – 9
Loza fito: Apokalypsy 16
Sonia: Apok.8.2-5
Ny Anjely fito mitsangana eo
anoloan’ny seza fiandrian ’
Andriamanitra miandry baiko avy
amin’ Andriamanitra.
Tsy fahefana na
fahaizan’olombelona no miasa eto
fa baiko avy amin’ Andriamanitra.
Nisy anjely iray nitondra lovia misy
ditin-kazo manitra betsaka
hanaterany azy mbamin’ny vavaky
ny olona masina eo
anatrehan’Andriamanitra,
ankoatr’ireo anjely fito no nomena
baiko hanatanteraka izany.
Rehefa mivavaka amin’ny fo
Apok 16:2: loza voalohany :nisy
avandra sy afo niraraka tamin’ny
tany.Ezek21:1-4 tonga tampoka ny
tenin’I Jesosy hoe : Indro ampirehetiko
afo ny masonao .Apoka 8:8-
9:Fahasimban’ny tontolo iainana
Loza Voalohany
Apok.16:
Mitondra loza 7 aidina amin’ny tany:
havandra sy afo miharoharo rà
nararaka tamin’ny tany. Nisy vay ratsy
nampahory ny olona manana ny mariky
ny bibidia sy miankohoka amin’ny
sariny.
Ezekiela 21.1-4: faminaniana ny
185 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
madio isika dia miakatra avy eo
an-tanan’ny Anjely ho eo
anatrehan’Andriamanitra izany.
Trompetra voalohany
Apok.8.6-7: Afo mandoro sy
manimba ny ampahatelon’ny tany.
Vay ratsy mampahory ny
olombelona izay manana ny
mariky ny bibidia.
May ny ampahatelon’ny tany sy
ny ampahatelon’ny ala. Simba
izany ny tontolo iainana. Mirehitra
ny ala, taona 1970-1980 dia efa
nanao antso avo mihitsy momba io
fahasimbana ion y Mpiaro ny
tontolo iainana WWF.
amin’ny ala may any amin’ny tany
atsimo ka hatrany avaratra. Mirehitra
ho azy ny ala. Jehovah mihitsy no
mampirehitra azy io ka tsy misy
mahavono azy.
Toy izany koa ny faritra eto
Madagasikara hatrany Tulear ka
hatrany avaratra. Ny faritra atsinanana
kosa nefa dia mbola misy ala kelikely
ihany.
Izay manana ny mariky ny bibidia no
voan’io vay ratsy io. Maro ny areti-
mandringana , mampangirifiry, tsy
misy fanafana izay mipoitra. Tsy
mitsahatra mitombo isa ny olona
voan’io aretina io hatramin’izao.
Trompetra Faharoa:
Apok.8.8-9: Fahasimban’ny
ampahatelon’ny ranomasina.
Mamono ny zava-mananaina ao
anaty ranomasina ao ny fako
simika ariana ao anatiny ireny.
Misy ny tsunami, sambo vaky
mandoto ranomasina. Manonja
loatra ny ranomasina ary
mampivarahontsana ny zanak’
olombelona. Maro ny
fanandramana atomika atao anaty
Loza faharoa:
Apok:16.3: fahasimban’ny
ranomasina . Maty daholo ny zava-
mananaina ao amin’ny ranomasina. Ny
ranomasina no mandrafitra ny toetr’
andro, ny fiainan’ny olombelona.
Simba tanteraka ny ranomasina,
maty avokoa ny biby sy zavamananaina
anatiny.
186 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ranomasina izay manova sy
manapotika ny ranomasina. Efa
manomboka mitsonika koa ny
glace any amin’ny pole nord.
Trompetra fahatelo:
Apok.8.10-11: fahasimban’ny
ampahatelon’ny rano sy loharano
sy renirano.
Apok.12.4:
Matin’ny rano ny
ampahatelon’ny olona satria tonga
mangidy ny rano. Simba ny rano
noho ny ataon’ny zanak’
olombelona ka mahafaty azy
izany. Sady anasana lamba ny
rano sy loharano no isotroan’ny
biby no anariana rano maloto WC
ary asiana fanafody dia sotroina
indray avy eo. Mankarary ny rano.
Tsy maintsy ampangotrahina ny
rano ankehitriny vao azo sotroina
fa feno mikraoba.
Loza fahatelo:
Apok.16.4: Mangidy ny rano sy
loharano sy ny renirano rehetra.
Tsy hisyintsony ny rano madio
hosotroina satria maloto tanteraka
izany. Betsaka no ho fatin’ny rano
satria mangidy avokoa ny rano na
renirano na loharano.
Trompetra Fahaefatra:
Apok.8.12: Ny masoandro sy
ny volana ary ny kintana no tratry
ny loza eto.
Loza fahaefatra:
Apok.16.8-9: ny masoandro indray
no mamely. Mandoro ny hafanana. Tsy
zaka ny hafanana.
187 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Vokatry ny ataon’ny olona,
simba ny atmosphere sy couche
d’ozone ary tsy milamina intsony
ny toetrandro. Lasa mandoro ny
hafanana satria simba ny couche
d’ozone. Na mangatsiaka be loatra
na mafana be loatra, na misy
tondra-drano, na koa misy ny
hain-tany.
Apok 8.15: mampiomana ny
voromahery fa mbola hisy loza,
loza, loza ratsy lavitra noho izany,
dia izay hambaran’ny Anjely
manaraka.
Simba tanteraka ny atmosfera, sy
couche d’ozone izay manakana ny
hafanana be loatra.
Apok.8.15-16: voromahery milaza
ny loza telo sisa farany izay mbola ho
avy feno faharavana sy fahasimbana
ary fahapotehana ny tontolo iainana sy
izay rehetra manodidina.
Ny fahafantarana ny vahaolana ao
amin’ny bokin’ny Apokalypsy irery
ihany no ahafahana miala amin’izany
loza loza loza ho avy izany.
Trompetra Fahadimy
Apok.9: 1-11:
Nisy anjely fahadimy nitsoka ny
trompetra. Samihafa mihitsy ny
“Anjely” sy ny “kintana”.
Anjely nitsoka trompetra =
Anjely manompo an’I Jehovah.
Kintana = mety ho anjely tsara
na ratsy
Kintana latsaka avy tany an-
danitra = anjely ratsy latsaka an-
tany.
Ny devoly dia tsy ratsy tarehy
araka ny fiheverantsika azy, fa izy
dia anisan’ny faran’izay tsara
Loza Voalohany:
Apok.16:10-11: 16.10 Ary ny
fahadimy nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibidia;
dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny
olona nitsakotsako ny lelany noho ny
fanaintainana, 16.11 dia niteny ratsy*
an' Andriamanitry ny lanitra izy noho
ny fanaintainana sy ny vainy sady tsy
nibebaka tamin'ny asany.
Satroboninahitra toy ny volamena =
fitaka, mody olon’Andriamanitra nefa
izy dia devoly miseho amin’ny endriky
ny olona. Miseho amin’ny endrik’olona
ny devoly. Misy olona manambady
188 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
indrindra tany an-danitra tany,
araka ny Soratra Masina.
Apok.12.3-4:
Famantarana ny amin’ny
dragona mena manan-doha fito sy
diadema; ny rambony nanala ny
ampahatelon’ny kintana ka nanjera
azy tety an-tany.
Apok.12.7-9:
Nisy ady tany an-danitra,
nazara tety an-tany ilay dragona
izay mamitaka izao tontolo izao sy
ny anjeliny.
Setroka = ny fahamarinana no
hamaizinina.
Valala = Satana
Tsy navela hanimba ny ahitra
na ny ahi-maitso ny valala
Lavaka tsy hita noanoa =
toerana tokony hisy ny devoly
Satana. Nefa ny demonia dia
nangataka tamin’ny’i Jesosy mba
handeha ho any amin’ny kisoa, ka
neken’i Jesosy izany; satria ny
kisoa dia tena biby maloto sady
mihinana maloto.
Lioka 8.26-33
Izany no antony anontaniana ny
devoly hoe iza no anaranao ary firy
vazimba, kalanoro, fanahy ratsy.
Manana endrika tahaka ny tavan’olona
ilay Satana ka tsy misy mahalala
mihitsy hoe tsy olona ilay miaraka
amin’ilay vehivavy izay vadiany.
Manam-bolo tahaka ny vehivavy izy
= mody miseho tahaka ny vehivavy na
fiangonana izy.
Tsy tafiditra teo amin’ny fiangonan-
drazana mihitsy ny fanavaozana ara-
pivavahana.
Manao fanaintainana tahaka ny
lanin’ny maingoka io. Manana satro-
boninahitra toy ny volamena izy,
manana nify tahaka ny liona = Satana
miherona tahaka ny liona.
Ny vatan’olombelona mihitsy no
tafihan’i Satana eto ka mitondra areti-
mandringana tsy azo sitranina izy.
Ny Tenin’Andriamanitra ihany no
vahaolana azo andosirana ny loza izay
efa hihatra.
Satana hampahory ny olombelona,
nampitondra fanaintainana ho an’ny
olona izay tsy manana an’I Kristy sy tsy
miorina amin’ny finoana Azy.
Rehefa latsaka tao anaty lavaka ny
dragona sy ny anjeliny, dia mbola tsy
nohidina ilay lavaka, ary nisy setroka
189 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ianareo no ao anatin’io olona io.
Jesosy dia nanao izany raha
namoaka ny demonia tamin’ilay
zazalahy Izy.
Apok 12:3-4: 12.3 Ary nisy
famantarana hafa koa hita tany
an-danitra, ka, indro, nisy dragona
mena lehibe manan-doha fito sy
tandroka
folo, ary misy diadema fito
amin'ny lohany.
12.4 Ary ny rambony dia
manala ny ampahatelon' ny
kintana amin'ny lanitra ka manjera
ireny ho amin'ny tany; ary ny
dragona nijanona teo
anatrehan'ilay vehivavy efa
hiteraka mba handrapaka ny
zanany, raha vao teraka;
12.7 Ary nisy ady tany an-
danitra: Mikaela sy ny anjeliny
niady tamin'ilay dragona; ary ilay
dragona mbamin'ny anjeliny kosa
dia niady,
12.8 nefa tsy naharesy, sady
tsy nisy fitoerana ho azy intsony
tany an-danitra. 12.9 Ary nazera
ilay dragona, dia ilay menarana
ela, izay atao hoe devoly sy
nivoaka avy tamin’ny lavaka, nanakona
ny masoandro ka nahamaizina azy.
Masoandro = Jehovah Andriamanitra
Nanamaizina ny fiangonana mihitsy
ny setroka nivoaka avy tamin’ny
lavaka. Io no nitranga nandritra ny
fotoana fanenjehana fivavahana izay
namonoana Kristiana maro. Niova ny
tetikadin’i Satana satria raha vao maty
martyora ilay olona dia voavonjy ka
manana ny fiainana mandrakizay.
2.Kor.11.13-15:
Mahay maka ny endriky ny
anjelin’ny mazava koa ireo devoly ireo.
Raha vao misy olona irahin’
Andriamanitra hitory ny mazava, dia
maniraka ny miaramilany koa I Satana
hampiova ny endriny ho tahaka ny
anjelin’ny mazava mba hamitaka olona
maro. Toy izany koa ny mpanao mazia,
mahay manova ny endriny ho toy ny
alika, bitro, saka, sns.
Setroka = Mitory ny
tenin’Andriamanitra koa ireo
miaramilan’I Satana ireo, nefa tsy
mitory ny fahamarinana izy fa manova
ny hevitry ny Soratra Masina.
Apok.9:
190 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Satana, izay mamitaka izao tontolo
izao; dia nazera tamin'ny tany izy,
ary ny anjeliny koa niaraka nazera
taminy .
Apok.20.1-3: ny amin’ny
namatorana an’I Satana
Nisy anjely nidina avy tany an-
danitra nanana ny lakilen’ny
lavaka tsy hita noanoa ary
nisambotra ilay dragona izy ka
nanipy azy ho any amin’ny lavaka
tsy hita noanoa ary nanidy azy
indray mba tsy hamitahany ny
olona.
Helatra = tselatra
Rambo tahaka ny maingoka =
mpaminany mampianatra lainga.
Ny heriny dia ao amin’ny rambony.
Manana ny anjeliny izy.
Izay olona rehetra tsy manana
ny tombo-kasen’Andriamanitra
amin’ny handriny (Tsy nandre, tsy
nanaiky, tsy nandray ny
fampianarana ny Soratra Masina)
dia iharan’ny loza. Nefa tsy navela
hahafaty azy fa ny mba
hampanaintaina azy dimy volana.
Mihatra amin’ny olona indray ny
loza manomboka eto. Izay no
Izay rehetra tsy manana na tsy
mandray ny Tombo-
kasen’Andriamanitra dia amin’ny
handriny, dia hampahoriana ary tsy
avela ho faty akory fa hanaintaina 5
volana, tahaka ny ataon’ny maingoka
raha mamely olona izy.
Velona 5 volana eo ho eo ny valala.
Mandrapahafatin’I Satana dia
hampahory ny olona izay rehetra tsy
manana ny Tombo-kasen’
Andriamanitra izy: halatra,
vonoan’olona, mosary, sabatra, …
Apok 12: 3-4 sy 7-9: Ilay anjely
latsaka an-tany dia ilay dragona,
menarana ela atao hoe devoly sy
Satana.
Ilay anjely nitsoka ny trompetra
ihany io nitondra ny lakilen’ny lavaka
tsy hita noanoa io. (Apok 20:1-3)
Mbola tsy mihidy ny lavaka fa
mivoaka ny Satana.
191 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mahatonga ilay hoa “Loza, loza,
loza!”
Izay olona rehetra tsy manana
asidra hisedrana ny fahamarinana
dia voafitak’I Satana avokoa.
Trompetra Fahaenina:
Apok.9.14-16:
Ny anjely fahenina: nomena
baiko ny anjely 4 mitana ny rivotra
4 mba hahafaty ny
ampahatelon’ny olona.
Rivotra = ady
Ny vanim-potoana nisy ady no
tena manan-tantara indrindra
taloha.
Taonjato 18 – hatramin’ny’ izao
: ny vanim-potoana tsisy ady
indray no manan-tantara satria tsy
mba misy fotoana tsy misy ady
intsony nanomboka tamin’ny ny
namahana ny rivotra 4 ny tany
ireo.
Matio 24.6-8:
Efa voalaza mialoha fa hisy ady
sy filazana ady, firenena hamely
firenena, fanjakana hamely
fanjakana, hisy mosary sy
haintany izay manambara ny
fiandohan’ny farany nefa mbola tsy
Loza Fahaenina:
Apokalypsy 16.12-16 – 16.12. Ary
ny fahenina nampidina ny tao an-
doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia
ritra ny ranony hanamboarana ny
làlan'ireny mpanjaka avy any
amin'ny fiposahan'ny masoandro.
16.13 Ary nahita aho fa indreo
fanahy maloto telo tahaka ny sahona
avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy
tamin'ny
vavan'ilay bibidia ary tamin'ny
vavan'ilay mpaminany sandoka.
16.14 Fa fanahin'ny demonia ireo ka
manao famantanrana sady mankany
amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo
izao, mba
hanangona azy ho amin'ny adin'ilay
andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
16.15 (Indro, avy toy ny
mpangalatra Aho. Sambatra izay
miambina (f) ka miaro ny fitafiany,
fandrao mandeha mitanjaka
izy, ka hita ny fahamenarany.)
192 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ho tonga akory ny farany.
Fiandohan’ny fahoriana izany ady
mitranga etsy sy eroa izany.
Efa trompetra mitsoka izao
vanim-potoana iainantsika izao.
Ny loza mitatao:
Apok.9.20-21:
Tsy mibebaka ihany nefa ny
olona sisa izay tsy matin’ny ady fa
mbola mivavaka amin’ny demonia
ihany, mbola mangalatra sy manao
ody ratsy sy mijangajanga ary
mangalatra ka miharatsy
miharatsy hatrany.
Filazana Ady efa niainan’ny
zanak’olombelona:
1re sy 2eme guerre mondiales,
guerre froide, nazi, lenine,
Imperialisme, silamo, …
Apok.9.16:
Roa alinalina no isan’ny
miaramila miady.
Apok.9:13-21
Vokatry ny ady:
1914-1918: 10 millions eo ho
eo no isan’ny olona maty tamin’ny
ady lehibe voalohany
nifanaovan’ny Alemana sy
Frantsay.
16.16 Ary nangoniny ho any amin'ny
tany atao amin'ny teny Hebreo hoe
Hara-magedona ireny.
193 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1939 – 1945: 78 millions no
isan’ny olona maty tamin’ny ady
lehibe faharoa.
1947: bomba atomika nazera
tany Hiroshima: mihoatra noho ny
tamin’ny ady lehibe faharoa no
maty. Entina miaro tena sy
mandripaka ny fahavalo ny
baomba atomika.
(Boky iray , Lenius Pauline,
1962-1966): mbola maro no
tokony ho faty raha
hampitomboina ny herin’io bomba
atomika io.
Misy karazany ny guerres na
ady:
atomika, nokleary, biolozika,
ideolozika, froide,…
Nefa izay tsy manana ny
Tombo-kasen’ Andriamanitra no ho
ripaky ny ady isan-karazany.
Anisan’izany ireo miavonavona
am-panahy ka tsy mety mitady ny
fahamarinana.
Jereo ny boky : « Le retour de
Jesus Christ » sy “Qui dominera le
monde”. Jereo koa ny momba ny
Conference de desarmement tao
Geneve (1967), armes chimiques
194 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sy bacteorologiques, sy ny
fitaovam-piadiana mahery vaika
haingam-pandeha sady
mahasahana elanelan-tany be koa.
Trompetra Fahafito:
Tsy mbola ho tsofina ny
trompetra fahafito ary tsy
mbola ho tonga ny loza fahafito
raha tsy mazava ny Apokalypsy
toko faha-10 sy faha-11.
Loza fahafito:
Mbola maro no tsy mety mibebaka na dia antomotra aza ny loza.
Apokalypsy 9.20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy
nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka
amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato
ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra; 9.21 ary tsy
nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy,
na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
Ny fo feno fankahalana sy fanenjehana ny mpanompon’ Andriamanitra
izay mitondra ity hafatra ity dia toy ny sampy ihany satria tsy araka ny
sitrapon’ Andriamanitra izany fanenjehana sy fankahalana ny mpanompony
izany. Koa tokony hanetry tena sy hibebaka hiala amin’izany faharatsiana sy
fankahalana ny herin’ Andriamanitra izany isika fandrao dia ho ringana araka
ny voalazan’ny Apokalypsy 9: 20-21.
195 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA-10
Hevi-dehibe:
CODE SECRET 666
MATY ZOMA VE JESOSY ARY NITSANGANA ALAHADY SA TSIA?
Hoy Jesosy, Izaho mahalala ny ondriko, ary ny ondriko mahalala ny
feoko. Raha ondrin’ Adrimantra ianao dia tsy maintsy hahazo ny fahazavana,
fa tsy hanam-pahefana hanakona izany io Satana miseho amin’ny endriky ny
andiam-balala io.
Raha tsy ondrin’ Andriamanitra ianao dia tsy handray ny fahalalana
fonosin’ny Apokalypsy toko faha 10 sy 11.
Apok.1.3: Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity
ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
Apokalypsy 10 - Ny teny entin’ny anjely iray sy ny amin’ny kotrokorana
fito.
10.1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina avy
tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany,
ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry
afo, 10.2 ary nitana boky kely nivelatra teny an-tànany izy; ary nabahany ny
tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany
tamin'ny tany; 10.3 ary niantso tamin'ny feo mahery izy tahaka ny fieron'ny
liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito. 10.4 Ary
rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare
feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa
notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana. 10.5 Ary ny anjely, ilay efa
hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany,
ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra10.6 ary nianiana
196 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tamin'Izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny
ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa
tsy hisy andro* intsony; 10.7 fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito,
rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra,
araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony.
10.8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray
hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely
mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.10.9 Dia
nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely
iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny
kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely. 10.10 Dia
noraisiko ilay boky kely teny an-tànan'ny anjely ka nohaniko avokoa, ary
raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony
voateliko, dia nangidy ny kiboko. 10.11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy
maintsy maminany indray hianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena
maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
Ny zavatra manaitra dia ity: Ny trompetra 1-6 dia notsofina tao amin’ny
Apokalypsy toko faha 8 sy 9. Tsy mbola notsofina mihitsy ny Trompetra
faha7 raha tsy ao amin’ny Apok.11.15. Nahoana no misy toko lava be
natsofoka alohan’ny hitsofana ny trompetra fahafito? Nahoana no tsy tany
amin’ny Toko 6 no notsofina ny Trompetra faha7? Ilaina ny vavaka
fandroahana devoly tena mifantoka tsara alohan’ny hianarana ity toko ity
satria mety ho tsy faly ny devoly amin’ny hahalalan’ny olona ny marina
momba ny Apok.10 sy 11. Misy zavatra miafina tsy takatry ny saina mihitsy
ao, satria misy zava-miafina lehibe ao anatin’ireo toko roa ireo. Apokalypsy
1.16
Apokalypsy 10.1-4:
197 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy misy manana fahefana afa-tsy Kristy irery misy Havana manodidina
ny lohany, ny tavany tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny,
ny tokony tahaka ny andry afo. Apok.10.1-2: miseho tahaka ny Anjely
indray I Kristy eto, ny tongony iray (ankavia) teto amin’ny tany, ny iray
(ankavanana) tany amin’ny ranomasina.
Inona no anton’izany tongotra mibahana izany?
Isaia 66.1 Hoy Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, ny tany no
fitoeran-tongotro.: iza no tany manana sarin-tongotra ankavia ety an-tany?
I Madagasikara irery no tany manana endrika tongotra ankavia. ny
sarintanin’ I Madagasikara ary misy hery mystery eto avy eto Madagasikara
no hipotran’ny hery sy voninahitr’Andriamanitra maneran-tany izany.
Mihazakazaka ny olona avy any ampitan-dranomasina any ho eto
Madagasikara satria misy finoana eto ka isehoan’ny fahagagana ssy
famantarana isankarazany na ny tsara avy amin’ny’Andriamanitra n any
ratsy koa aza izay avy amin’ny devoly. Eto no misy ny fitoeran-tongotr’I
Kristy, ka izany no mahatonga ny olona avy any ivelany hihazakazaka ho eto
Madagasikara eto, satria herin’ Andrimanitra no miasa eto. Ho ravarava ny
fanahin’ny devoly miasa eto Madagasikara eto.
Apok 10:3: Rehefa niantso tamin’ny feo mahery Izy dia nikotroka ny
kotrokorana fito.
Apok.10.4: Feo sy kotrokorana Fito:
Feo mahery + io radio sy televiziona io izany amin’izao fotoana izao, ka
na ny any alavitra aza dia mandre ny hafatra hazavaina ity. Nefa mbola
maro no minia tsy mihaino.
Kotrokorana = feo itenenan’Andriamanitra amin’ny zanany fa ny tsy mba
zanany tsy mahalala izany.
Asio tombonkase izay efa nolazain’ny kotrokorana 7 fa aza soratana: tsy
maintsy hiseho.
198 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy maintsy miasa ny tombo-kase manommboka eto, nefa inona moa io
nolazain’ny kotrokorana fito io? Rehefa avy natao batisa I Jesosy dia
nikotroka ny orana:
Jaona 12.27-30: 12.27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana
no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? Nefa izao no
nihaviako ho amin'ity ora ity; 12.28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy
feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza
azy indray.12.29 Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao
hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny
taminy.12.30 Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no
nahatongavan'izany feo izany, fa noho hianareo.
12.31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny
andrian'izao tontolo izao no horoahina.12.32 Ary Izaho, raha asandratra
hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.12.33 Izany
no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.12.34 Dia namaly
Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra
mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny
Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?12.35 Dia hoy Jesosy
taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana raha
mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina;
fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. 12.36 Raha
mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga
zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
12.37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo
anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo, 12.38 mba hahatanteraka ny
teny nataon' Isaia mpaminany hoe: "Tompoko, iza no nino ny teny
nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?"
(Isa.53.1) 12.39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia: 12.40
"Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy. Mba tsy hahita ny
199 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
masony, na hahalala ny fony, dia tsy hibebaka izy. Ka tsy hahasitrana azy
Aho" (Isa.6.10).12.41 Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny
voninahiny izy ka nilaza Azy. 12.42 Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza
no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka
hiala amin'ny synagoga. 12.43 Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy
ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
Andrian’izao tontolo izao = devoly sy Satana izay efa ho roahina.
Be dia be no resy lahatra sy mino ny fampianarana ny Bokin’ny
Apokalypsy nefa tsy mety manaraka satria tia ny voninahitra avy amin’ny
olona (Fariseo sy mpanora-dalana) izy ireo fa tsy ny avy
amin’ny’Andriamanitra. Na dia efa hita aza fa tsy misy fahamarinana ilay
lalana arahin’ny Fariseo sym bola tsy mety mibebaka sy miala amin’izany
ihany ny olona.
Efa eto Madagasikara nefa ny fahefan’I Kristy, efa eto ny dian-tongotr’I
Kristy. Nefa mila mibebaka isika ka mino an’I Kristy Jesosy.
Nomen’ Andriamanitra fahefana I Kristy amin’ny ranomasina sy ny tafio-
drivotra mahery. Ny feony tahaka ny kotrokorana.
Asio Tombo-kase izay efa notenenin’ny kotrokorana fito ka aza vahana.
Tombo-kase = misy lalana tsy azo ovaina, ary tsy maintsy ho tanteraka.
Fanambarana tsy maintsy hiseho.
Inona no zava-miafina voalazan’io Boky kely tazonin’ilay Anjely
manabahana ny tongony io, ka ny iray ankavia amin’ny tany, ary ny
ankavanana dia any amin’ny ranomasina?
Apok.10.5-7: 10.5 Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo
ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny
200 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tànany ankavanana ho amin'ny lanitra10.6 ary nianiana tamin'Izay velona
mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny
tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro*
intsony; 10.7 fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka
izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny
soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony.
Kristy miseho amin’ny endriky ny Anjely. Tsy hisy andro intsony fa
tsy maintsy hotanteraka izay zavatra efa nolazain’Andriamanitra.
amin’ny Andriamanitra no nanambara fa ho tanteraka ny zava-miafina
an’Andriamanitra amin’ny fotoana hitsofana trompetra fahafito (Apok.11.15)
izay efa nambaran’Andriamanitra tamin’ny mpaminany mpanompony na
mihaino ny olona na tsia. Trompetra fahafito koa no isehoan’ny loza fahatelo
izay efa ho avy tsy ho ela. Tsy hisy andro intsony = tsy ho ela intsony. Misy
zava-mihafina lehibe ambaran’I Kristy amin’ny mpaminany mpanompony.
Tsy ambaran’Andriamanitra amin’ny olona rehetra ny hafatra, fa
nafeniny ary natokany ho an’ny zanany irery ihany:
I Korintiana 2.6-16 : 2.6 Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka
izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao
tontolo izao, izay olona mihalevona. 2.7 fa milaza ny
fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena
izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahintsika talohan'ny
nanaovana izao tontolo izao; 2.8 ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka
izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo
fijaliana ny Tompon'ny voninahitra. 2.9 Fa araka ny voasoratra hoe:" Izay
tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-
pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay
tia Azy" (Isaia 64:3) .2.10 dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany
201 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny
saina lalina izay an'Andriamanitra aza. 2.11 Fa iza no olona mahalala ny ao
am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy
izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny
Fanahin'Andriamanitra ihany.2.12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao
tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika
izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.2.13 Izany koa no lazainay, tsy
amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny
Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona (*) araka ny Fanahy (*)
izahay.2.14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay
an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony,
satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 2.15 Fa ny olona araka ny
Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy
fantarin'olona.2.16 Fa "iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba
hampianatra Azy?" (*) (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain'i Kristy.
Fahendren’Andriamanitra = zava-miafina izay nafenina ny mpanapaka
izao tontolo izao, nambarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy izany. Raha
nahalala izy dia tsy nohombohana tamin’ny hazo fijaliana I Kristy ary tsy
nanimba ny hafatra ao amin’ny Soratra Masina.
Tamin’ny Fanahy no nanambaran’Andriamanitra antsika izany
fahendrena izany, fa tsy araka ny fahendren’ olombelona akory.
Mahafantatra ny zavatra rehetra izay araka ny Fanahy ary tsy mba fantarin’
olona izy. Lazain’ny olona araka ny nofo fa fahadalana ny fahamarinana
ambaran’ny Fanahy ampitondrainy ny mpaminany. Fahendren’
Andriamanitra na code secret na zava-miafina no ambara amin’ny hoe “tsy
hisy andro intsony na tsy ho ela.”
Teny nambaran’Andriamanitra tamin’ny Adama:
202 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Genesisy 2.15-17: 15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy
ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka nanao hoe: Ny
hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; 17 fa ny hazo
fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay
ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.
Noraran’I Jehovah tsy hihinana ny voankazo voarara I Adama sy Eva izay
famantarana ny tsara sy ny ratsy satria hahafaty azy izany.
Voankazo voarara = hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Andro iray ve no nafahatesan’I Adama sy Eva sa ahoana?
Genesisy 1:20: Nitso-drano azy ireo Andriamanitra mba ho maro fara, sy
hihabetsaka ary hameno ny tany. Mijaly tokoa ny olona mpivady rehefa tsy
miteraka izy ireo. Nefa ankehitriny dia misy fiirenena sasany izay mametra
ny isan-jaza hateraka. Tsy ny hoe nifampiteraka talohan’ny fotoana akory no
tian’ Andriamanitra holazaina amin’ny hoe voankazo voarara.
Genesisy 3.1- : dia manambara fa ny menarana dia namitaka an’I Eva sy
Adama ary nandresy lahatra azy hihinana ny voankazo voarara.
Ny nihinanan’I Adama sy Eva ny voankazo voarara: nofitahin’ny
menarana I Eva fa ho tahaka an’Andriamanitra izy ireo ary hahalala ny tsara
sy ny ratsy ka hahiratra ny masony. Nahatsapa fa nitanjaka izy ireo nony
laniny ilay voankazo. Nanjaitra ankanjo ravin’ aviavy notafiany izy ireo satria
nahatsiaro tena fa nitanjaka. Nifanilika izy mivady rehefa
nanontanian’Andriamanitra ny antony nihinanany ny hazo voarara. Tsy maty
teo noho eo izy mivady. Nanaovan’ Andriamanitra ankanjo indray aza izy
mivady.
Firy andro I Adama vao maty? Iza no be taona indrindra ao anaty
Baiboly?
Genesisy 5.5: 930 taona I Adama no maty.
203 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Genesisy 5.27: Metosela kosa dia velona 969 taona, izy no be taona
indrindra ao anaty Baiboly.
2 Petera 3.8: 3.8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy
hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny
arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Noho izany, 1 andro
amin’Andriamanitra = 1000 taona amintsika olombelona fa tsy 24 ora akory.
Salamo 90.4. Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny
omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina. 1000 taona eo
imason’Andriamanitra dia toy ny fiambenana alina iray ataon’ny olona.
Tsy nisy olona nihoatra ny 1000 taona tao anaty Baiboly.
Nahatratra ny olona rehetra ny ota, hatramin’ny Adama ka hatramin’ny
Mosesy, nidiran’ny fahafatesana ny olona rehetra hatramin’ny izao noho ny
fahotan’I Adama sy Eva. Niala tamin’izy ireo ny voninahitr’ Andriamanitra ka
hitany fa nitanjaka izy ireo. Ny taranaka mandimby rehetra no tratry ny
fahafatesana.
Tsy ho ela intsony na tsy hisy andro intsony = tsy andro ara-bakiteny iio
akory. Nitsahatra Jehovah tamin’ny andro fahafito. Ary raha hatao ny
fanisan-taona dia toy izao: misy arivo taona koa any an-danitra araka ny
Apokalypsy.
Adama – Mosesy = 2000 taona
Mosesy – Kristy = 2000 taona
Kristy – ankehitriny = 2000 taona
TONTALINY = 6000 taona
Efa 1000 taona latsaka izany sisa no andrasantsika dia ho tonga ny
farany. Ny arivo taona farany dia any an-danitra no hiainan’ny olon’
Andriamanitra izany araka ny bokin’ny Apokalypsy.
Enina andro no namoronan’Andriamanitra izao tontolo izao ary andro
fahafito no nitsahatra Izy. Ny 1000 taona farany amin’izao iainantsika izao
204 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
dia any an-danitra izany no iainana. 5800 any izao ny calendrier Jiosy. Efa
kely sisa izany dia tonga ny taona 6000.
Apok.10.4-6: 10.8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny
tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny
an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo
ambonin'ny tany.
10.9 Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy
iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia
hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny
tantely.
10.10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tànan'ny anjely ka nohaniko
avokoa, ary raha mbola teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely,
kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
10.11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray hianao
ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny
mpanjaka maro.
Rehefa tsofina ny trompetra fahafito dia efa manjaka mandrakizay I
Kristy.
Ho velona sy hiara-manjaka amin’ny’I Kristy 1000 taona ny rehetra
manompo Azy. Io ilay 1000 taona farany.
Ho mora amin’ny fanahy ratsy ny mamitaka sy mandringana antsika
rehefa tsy ampy vavaka isika. Tsy ho mora amintsika koa ny hanaraka ny
fampianarana nefa ny olana sy zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika dia tsy
mbola mivaha. Ary indraindray aza dia mahagaga ny mbola mahavelona
antsika rehefa tsy ampy intsony ny eo am-pelatanana sy ny hohanina
isanandro. Tsy tokony hisaraka amin’ Andriamanitra isika, ary ho ampy
vavaka sy fifandraisana amin’ Andrimanitra Izay mpanome vaha olana sy
mpanafaka antsika amin’ny alalan’I Jesosy Kristysy ny ran’ny zanak’ondry sy
205 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny hazo fijaliana niaretany. Mila mifampitondra am-bavaka koa isika tsirairay
avy.
Inona no anatin’io Bokikely io ary inona no mahatonga azy ho
mamy ao am-bava ary hangidy ao an-kibo?
Apok.10.8-11: 10.8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia
niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny
an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo
ambonin'ny tany.10.9 Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe:
Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io;
dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny
tantely. 10.10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tànan'ny anjely ka
nohaniko avokoa, ary raha mbola teo am-bavako izy, dia
mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
10.11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray hianao ny
amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka
maro.
Mamy ny Tenin’ Andriamanitra rehefa ao am-bava. Rehefa tonga ao an-
kibo indray dia mangidy be. Nefa ny kibo anie tsy mahalala tsiron-kanina e!
inona ary no sary asehon’izany?
Apokalypsy 20:4-6: velona izy ka naira-manjaka 100 taona… hiara-
manjaka aminy 1000 taona.
Io izany ilay 1000 taona farany. Tsy maintsy horefesina ny tempoly,
hohanina ilay bokykely ka mamy ao am-bava fa mangidy ao an-kibo, ary
haminany indray.
Nahazo ny taranaka rehetra ny fahafatesana noho ny fahotan’I Adama sy
Eva; ary dia avy amin’ny lehilahy iray koa no hahazoana fiainana
206 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mandrakizay amin’ny alalan’I Jesosy. Tsy nisy olona velona mihoatra ny
indray andro amin’ Andriamanitra.
Romana 5.12-14: 5.12 Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy
tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny
fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana satria samy
efa nanota izy rehetra; 5.13 fa hatrany alohan'ny lalàna aza dia nisy ota
tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna; 5.14 fa
ny fahafatesana nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia
tamin'izay tsy nanota tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'Ilay ho
avy.
Jeremia 15.16: Hitako ny teninao ka nohaniko …
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan’Andriamanitra.
Ezekiela 2.9-10 - Ezekiela 3.1-3: 9 Ary hitako fa, indro, nisy tanana
nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
10 Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy
teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.-
Ezekiela 3 1 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny,
hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny
taranak'Isiraely. 2 Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany
horonan-taratasy izany.3 Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny
kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia
nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
Fitomaniana sy fidradradradrana sy loza no voasoratra tao anatiny.
Nampivarahontsana an’I Jaona koa izay voasoratra tao amin’ny Apok. Nefa
tsisy afaka namoha azy na tany an-danitra na tety an-tany, ka nitomany
mafy izy.
207 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Eo anelanelan’ny trompetra fahenina sy fahafito no misy ity boky
kely mivelatra teo an-tanan’ny Anjely ity. Vita izay dia tsy maintsy
maminany indray ny Apostoly Jaona. Tsy maintsy mazava ny
voalazan’ny bokin’ny Daniela vao ho azo io.
FANAZAVANA NY BOKIN’I DANIELA TOKO FAHA 8 SY 9:
Daniela 8.13-14: 13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy
masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana
mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny
fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra
isan'andro] 14 Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro*; ary nony
afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina** ny fitoerana masina.
Daniela 9.24-27: 24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao
sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny
fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana
mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy
hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb.
mpaminany] 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny
hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka
hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo
herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro
mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro
roa amby enim-polo, dia etc] 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo
herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny
mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary
ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana
voatendry.[Na: ilay voahosotra] 27 Ary hanorina fanekena ho herinandro
amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra
208 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny
fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana
voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na:
ny efa lao]
Salamo 119.105: 105 [NONA] Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny
lalako ny teninao.
Soratra Masina any amin’ny Boky Apokalyptika hafa no voasoratra tao
anatin’ilay Bokikely, satria efa nisy zavatra voasoratra tao anatin’ilay
Bokikely izay tsy hita izay hamaky azy.
Rehefa afaka 2300 andro dia hodiovina ny fitoerana masina. Tsy manana
afa-tsy 70 herinandro nefa sisa tavela ny zanak’Israely. Mizara telo ny 70
herinandro:
1- Voalohany: 7 herinandro sy 62 herinandro = 7 + 62 herinandro = 69
herinandro.
2.- Rehefa afaka 62 herinandro dia hovonoina ny Mesia.
3.- Misy herinandro iray farany sisa (izany hoe rehefa tapitra ilay 69
herinandro), ary amin’io no hovonoina ny Mesia. Daniela 9.27: amin’ny
herinandro iray farany no hovonoina ny Mesia ary ny antsasaky ny
herinandro no nitsahatra ny fanatitra alatsa-dra.
Oviana marina no namonoana ny Mesia?
Mamy ny Tenin’Andriamanitra nefa mety hisy fangidiana eo amin’ny
fiainanao satria mety tsy heken’ny hafa manodidina anao ny fanarahanao ny
fahamarinana voalazan’ny Soratra Masina. Mety hisy fianakavianao na
mpiara-miasa aminao hanenjika anao noho ny fanarahanao io
Tenin’Andriamanitra io.
209 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nomery 14.34: 34 Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny
tany, -- ka ny andro iray hosoloana taona iray -- no hitondranareo
ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
andro 1 ara-bakiteny =soloina taona 1 ara-paminaniana
Araka ny Genesisy 1.3-5: Ny atao hoe andro dia ny fisarahan’ny mazava
sy ny aizina: Nisy hariva ary nisy maraina, andro voalohany izany.
Manomboka hariva izany ny andro anankiray.
Lalana tokony halehan’ny zanak’ Isiraely 40 andro dia nataony 40 taona.
Ezekiela 4.4-6: 4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka
ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny
andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony. 5 Fa Izaho dia
manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo
amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely. 6 Ary
rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana,
ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny
indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
Noho izany, raha 2300 andro dia soloina 2300 taona
2300 andro = 2300 taona
Mialoha ny hanadiovana ny fitoerana masina dia nomena 70 herinandro
no voatendry sisa ho an’ny zanak’Israely hahatapaka ny fahadisoana sy
hanampina fahotana = fahafatesan’I Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Ary
hampiditra fahamarinana hivoaka mandrakizay, izany hoe Hisy
fahamarinana hivoaka mandrakizay tsy azo disoina hivoaka izany anatin’io
70 herinandro io. Misy tombo-kase io fanambarana io ka tsy misy mahaova
izany fanambarana ny famonoana ny Mesia io. Ny teninao no fahamarinana
Jehovah o!
Ao koa no hanosorana ny Masina Indrindra, ary hanisy tombo-kase ny
faminaniana ka tsy azo ovaina intsony io faminaniana io. Zanaky ny Teny
210 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fikasana ny zanak’Israely. Hiseho amin’izay izany ny fahamarianana ka tsy
ho azon’ny Satana avilivily intsony na afenina ny marina.
70 x 7= 490 andro = 490 taona sisa no ananan’ny zanak’ Isiraely amin’ny
maha-zanaky ny teny fikasana azy ireo.
Apok.12.6: 12.6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay
nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any
enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
1260 andro = 1260 taona
Fahamarinana mandrakizay = Kristy mihitsy, ilay
Tenin’Andriamanitra tonga ho fahazavana sy fahamarinana sy
famonjena izao tontolo izao. Io fahitana io no nahatonga ilay Anjely iray
nitana bokikely ny tongony iray tamin’ny tany ary ny iray tamin’ny
ranomasina.
Daniela 9.25 dia milaza fa rehefa mivoaka ny didy hanamboarana sy
hanavaozana an’I Jerosalema ka hatramin’ny Mesia Andriana dia hisy
7herinandro sy 62herinandro. Tamin’ny fotoana faminaniana dia babo ao
Babylona ny zanak’Israely. 70 taona no naha-babo ny zanak’ Isiraely tao
Babylona. Rehefa mivoaka ny didy hanafahana ny zanak’ Isiraely dia
hiverina any Jerosalema indray ry zareo. Jereo ary:
Jeremia 25.8-14: hoy Jehovah: Hatsahatro ny feo miravoravo sy ny
feon’ny mpampakatra, ary ity firenena ity dia hanompo ny mpanjakan’I
Babylona 70 taona. Rehefa tapitra ny 70 taona dia hovaliako araka ny
nataony sy araka ny asan’ny tanany ny firenena rehetra, hoy Jehovah.
Jeremia 29.10-15: 10 Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-
polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko
aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity hianareo. 11 Fa
izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra
211 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny
amin'ny farany.[Heb. farany sy fanantenana.]
12 Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino
anareo Aho. 13 Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha
katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. 14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy
Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana hianareo, ka hangoniko
avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay
nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa
nanolorako anareo hobaboina. 15 Fa hoy hianareo: Jehovah nanangana
mpaminany ho anay ety Babylona.
Rehefa tapitra ny 70 taona dia tsy maintsy hiala avy any Babylon any
zanak’ Isiraely ka tsy maintsy hiverina any Jerosalema indray satria tenin’I
Jehovah izany ka tsy maintsy hotoviny na hotanterahiny.
212 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
FANAZAVANA NY 70 HERINANDRO
Ny Daniela 9.25-26 dia mamaritra ilay fizarana telo amin’ny 70
herinandro
7
herinandro
62
herinandro
1 herinandro = Fanekena
69e h =
Tonga ny
Mesia
Andriana
Rehefa afaka ny 62 herinandro dia
hovonoana ny Mesia.
Andro inona / fahafiry no amonoana n Mesia?
Daniela 9.27: 27 Ary hanorina fanekena ho
herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra
ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa
hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary
amin'ny elatry* ny fahavetavetana no
nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny
fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny
mpandrava**
Naoty: hampitsahatra ny fanatitra
alatsa-dra ao amin’ny antsasaky ny
herinandro.
Oviana moa no nitsahatra ny fanatitra
alatsa-dra? tamin’ny fanjakana Romana sy
vanim-potoana namonoana an’I Kristy no
nampitsaharana ny fanatitra alatsa-dra.
Rehefa maty I Kristy dia triatra ilay efitra
lamba nampisaraka ny fitoerana masina sy
fitoerana masina indrindra = Izany hoe, tsy
213 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
misy mpanalalana intsony ny vavaka.
Io ilay fanekena vaovao voalazan’ny Soratra
Masina.
7
herinandro
62
herinandro
Herinandro 1
3 andro sy tapany 3 andro sy tapany
Novonoina ny Mesia tamin’ny antsasaky
ny herinandro
Io fanekena vaovao nataon’I Kristy io dia voalazan’ny Hebreo 9.1-2:
Hebreo 9.1-2: 9.1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika
ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany
masina momba ny ety an-tany.9.2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny
efitra voalohany, ilay atao hoe 'ny fitoerana masina', izay nisy ny fanaovan-
jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
Tao amin’ny efitra masina indrindra no nanaovana fanompoam-
pivavahana ary ny mpisorona ihany no afaka miditra tao ary mitondra ra ho
an’ny tenany sy ny olona ho famelana heloka.
Hebreo 9.3: 3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny
tabernakely izay atao hoe 'ny fitoerana masina indrindra',
Tabernakely voavoatra misy efitra lamba faharoa. Fa rehefa maty I Kristy
dia rava io fitoerana masina io. Io no fanekena voalohany hahazoana
famelan-keloka. Indray mandeha isan-taona ihany no nahazo niditra tao ny
mpisorona taloha.
Ny fanekena vaovao dia voalaza araka ny:
Hebreo 9.15-22: 9.15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena
vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny
fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso
ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
214 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
9.16 Fa raha misy didim-pananana,Na: fanekenadia teny foana izany,
raha tsy efa maty ilay nanao azy. 9.17 Fa mafy ny didim-pananana,Na:
fanekenarehefa tonga ny fahafatesana, fa tsy mafy akory izany, raha
mbola velona ilay nanao azy. 9.18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia
tsy nohamasinina raha tsy nisy ra. 9.19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy
tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny
ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy
ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra; 9.20 dia hoy
izy: Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo
(Eks.24.8).9.21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao
fanompoam-pivavahana dia nofafazany ra toy izany koa.9.22 Ary saiky
diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy
misy ra latsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Mpanalalana izy rehefa niaritra fahafatesana mba hanamafy ny fanekena.
Toy izany ny didim-pananana dia tsy manan-kery raha tsy efa maty ilay
tompon’ny fananana. Diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra. Raha
tsy misy ra latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Tsy nanan-kery intsony ilay
fanekena voalohany rehefa maty I Kristy izay tsy nitondrana biby intsony
hatao fanatitra fa ny Mesia no novonoina.
Ao anatin’ny herinandro no nanorenana ilay fanekena vaovao ary ny
antsasaky ny herinandro no andro nanaovana ilay fanekena vaovao.
Ny fanekena vaovao amin’ny nahafatesan’I Kristy
Ny teny hoe Alarobia amin’ny teny Alemana dia tena midika hoe
antsasaky ny herinandro.
Voalaza fa amin’ny antsasaky ny herinandro no hovonoina ny Mesia ary
hitsahatra ny fanatitra alatsa-drà araka ny faminanian’I Daniela 9:25-27
215 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ara-paminaniana ve sa ara-bakiteny io antsasaky ny herinandro
io?
Oviana I Kristy no voaosotra ho Mesia ? Inona no nanosorana
Azy?
Ny Fanahy Masina no nosorana taminy. Raha vao vita batisa Izy dia
nidina tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina.
I Kristy no Mesia andriana voalaza. Ireto no Soratra Masina manambara
ny nanosorana an’I Jesosy ho Mesia andriana,
Mesia = Voaosotra
Jaona 1.40-42: 1.40 Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray
tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i
Jesosy. 1.41 Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy
taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika,
ny Kristy). 1.42 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery
azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona;
hianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika Petera = Vato).
Jaona 1.32-34: 1.32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny
Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka
nitoetra teo amboniny. 1.33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka
ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao
idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy
Masina. 1.34 Ary nahita aho ; ka dia nanambara fa Izy no
Zanak'Andriamanitra.
Izy no zanak’Andriamanitra, natao batisa tamin’ny Fanahy Masina ary
mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
Daniela 9.25: 7 herinandro sy 62 herinandro (7+62 = 69 herinandro)
hatramin’ny hivoahan’ny didy hanamboarana sy hanavaozana an’I
216 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jerosalema ka hatramin’ny nahatongavan’ny Mesia Andriana. Rehefa afaka
62 herinandro vao hovonoina ny Mesia (izany hoe amin’ny herinandro faha
69).
Raha vao teraka I Jesosy dia nenjehin’I Heroda hovonoina. Nefa mbola
tsy voaosotra ho Mesia Izy ka tsy maty fa zaza marobe no maty. Tsy
maintsy mandeha araka ny faminaniana momba Azy I Kristy ka izany no tsy
mbola nahafaty Azy raha nikasa hamono Azy I Heroda. Zava-doza raha toa
ka maty tsy mbola vita batisa ny olona na natao batisa fa zavatra diso no
nanaovana batisa azy.
Hevitra ara-paminaniana izany no hitondrana ny 70 herinandro satria
mbola tsy tonga ny Mesia raha nahazo ny faminaniana I Daniela, ary ry
zareo mbola babo, ny fanatitra alatsa-dra mbola tsy nitsahatra koa.
Ny andininy faha 25 io no marika ahafantarantsika io 70 herinandro io ka
amin’ny fotoana ivoahan’ny didy ao Babylona hanamboarana indray ny
lalana dia amin’io no ivoahan’io didy io, ary tsy manana afa-tsy 70
herinandro ny zanak’ Isiraely raha vao mivoaka io didy io.
Iza no namoaka ny daty 70 herinandro? Aiza no Soratra Masina
manambara izany didy nivoaka ivoahan’ny zanak’ Isiraely mba hiverina any
Jerosalema izany?
Ezra 6.14: miresaka momba ny nahavitana ny tempoly sy nitokanana
azy:
Ezra 6.14. 14 Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho
ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido.
Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny
Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy
ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
217 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy I Nebokadnezara intsony no mpanjaka tao Babylona. Efa eo am-
pelatanan’ny Mediana sy Persiana ny fahefana ary Mpanjaka Dariosy no
nitondra tamin’ny nahitan’I Daniela ny fahitana.
Daniela 9 no manambara izany nanjakan’I Dariosy, ary ny Daniela 10
kosa manambara ny amin’ny Kiriosy mpanjaka niaraka tamin’ny
Artaksersesy mpanjakan’I Persia.
Ezra 7.1 kosa manambara ny nanjakan’I Artaksersesy mpanjakan’I Persia
izay nanana ny zara-taniny niaraka tamin’ireo mpanjaka hafa ireo.
Ezra 7.1. 1 Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy,
mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i
Azaria, zanak'i Hilkia,…
Samy namoaka ny daty izy ireo. Oviana no namoahan’izy ireo ny didy?
Daty iray ihany sa samihafa?
Tamin’ny taona 536 talohan’I Jesosy Kristyno namoahan’I Kiriosy didy
mamela ny Jiosy hiala tao Babylona.
Tamin’ny taona 520 talohan’I Jesosy Kristyno namoahan’I Dariosy nefa
mbola tsy nampiharina ny didy.
Tamin’ny taona 456 talohan’I Jesosy Kristyno namoahan’I Artaksersesy
ny didy ary izay vao nampiharina ilay didy.
Mbola tsy nampiharina avy hatrany ny didy navoakan’I Dariosy sy Kiriosy
fa tsy mbola nampiharina izany. Fa tamin’ny Artaksersesy vao nampiharina
izany.
Ezra 7.10-20: 10 Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehovah
ka hankat&ygrave; izany ary hampianatra ny Isiraely ny didy sy
ny fitsipika. 11 Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy
mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny
tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely: 12 Artaksersesy,
mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay
218 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra. 13 Izaho manao didy fa na iza na iza
eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita
no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.14 Fa
hianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny
toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-
tànanao; 15 ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny
mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitra-po ho an'Andriamanitry ny
Isiraely, Izay monina any Jerosalema; 16 ary ny volafotsy sy ny volamena
rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny
olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny
tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema. 17 Koa amin'izany dia ividiano
omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny
fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo
ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema
ireny. 18 Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy
sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon' Andriamanitrareo.
19 Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-
tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any
Jerosalema. 20 Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao
ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny
mpanjaka.
Nahazo alalana handeha ho any Jerosalema ny Jiosy hanorina ny
tempolin’I Jehovah ary hitondra ny volamena rehetra izay ilainy rehetra
hanaovana ny tempoly.
Ezra 7.21: 21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho
amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-
dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-
dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina
izany,…
219 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny taona 456 talohan’I Kristy (BC) izany no daty mazava nivoahan’ny
zanak’ Isiraely avy tao Babylona.
Ezra dia mpisoron’Andriamanitra. Nomena alalana daholo ny rehetra
hiverina any Jerosalema ary hitondra ny fananany rehetra ka hanao ny
tranon’Andriamanitra. Tapitra tokoa ny fotoana fahababoana araka ny
nambaran’I Artaksersesy.
7h =7 x 7 = 49 andro = 49 taona = (7 herinandro)
Satria ny 1 Herinandro (h) = 7 andro.
62 h = 62 x 7 = 434 andro = 434 taona = (62 herinandro)
Ny nanosorana an’I Jesosy ho Mesia Andriana na ny nanaovana
Batisa Azy:
456 BC (taona nivoahan’ny didy) – taona 49 = 407 BC – taona 434 =
taona 27 aorian’I Kristy
Ny Taona 27 amin’ny calendrier gregorien no nanaovana Batisa an’I
Kristy. Misy fahatarana 3 taona eo ho eo ity calendrier gregorien
ampiasaintsika amin’ny’izao fotoana izao ity. Noho izany dia taona 27 + 3 =
taona 30 no nanaovana Batisa Azy.
Inona no nitranga rehefa vita ny batisa?
Manambara ny nanaovana batisa an’I Kristy:
Lioka 3.21-23: 3.21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary
Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
3.22 ary ny Fanahy Masina nidia teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka
ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra
nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. 3.23 Ary
tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany,
ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,…
Tokony ho 30 taona I Jesosy raha nandray ny raharahany.
220 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny antsasaky ny herinandro dia ny Alarobia. Niasa 3 taona ½ na 3 andro
½ I Kristy raha vao vita batisa vao nohombohana tamin’ny hazo fijaliana.
Izany hoe tamin’ny taona 30 + 3 ½ = 33,5
Fanampin’izany koa dia nisy Paska 3 natrehan’I Jesosy taorian’ny
nanaovana batisa Azy vao maty I Jesosy Kristy:
Paska voalohany natrehany taorian’ny batisany: Jaona 2.13: Ary efa
akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
Paska faharoa natrehan’I Jesosy raha vita batisa Izy: Jaona 6.1-4: 6.1
Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i
Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany. 6.2 Ary nisy vahoaka
betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa
nataony tamin'ny marary.6.3 Ary Jesosy niakatra teo an-
tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.6.4 Fa efa
akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
Paska fahatelo : andro fihomanana Paska io, ary natolotr’I Pilato
hombohona amin’ny hazo fijaliana Izy satria Izy no Paska tsy maintsy
hovonoina. Jaona 19.14-16: 19.14 ary andro fiomanana amin'ny Paska
ny andro, tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy:
Indro ny Mpanjakanareo!19.15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento,
homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako
amin'ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona
namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. 19.16 Ary
tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin'ny
hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy…
Io antsasaky ny herinandro na telo taona sy tapany na telo taona sy
tapany niainan’I Jesosy mialohan’ny namonoana Azy tamin’ny hazo fijaliana.
221 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fehiny: Ara-paminaniana, raha vao afaka ny telo andro sy tapany
amin’ilay herinandro farany voalazan’ny faminaniana, (na telo taona sy
tapany) dia novonona ny Mesia andriana.
Tena andro Alarobia tokoa ve I Kristy no maty, sa andro Zoma?
Maty tamin’ny antsasaky ny herinandro ny Mesia araka ny Daniela 9.27,
raha novonoina Izy dia nitsahatra ny fanatitra alatsa-dra, ny fitondrana biby
hovonoina hatao fanatitra satria Izy mihitsy no zanak’ondry novonoina
hanao fanavotana ho famelana ny heloky ny zanak’ olombelona. Misy milaza
ny mpandinika fivavahana sasany fa alakamisy ny Paska ka zoma Izy no
maty. Nefa lasa novonoina taorian’ny Paska indray ny zanak’ondry raha
izany no izy.
Antsasaky ny herinandro = 3 andro ½ = 3 taona ½.
Niasa telo taona sy tapany Izy taorian’ny batisany dia novonoina, maty
ary nohombohona tamin’ny hazo. Andro fiomanana Paska no nahafatesany
tamin’ny taona 30 ½ ary 3 taona ½ taorian’ny nanombohana Azy dia tapitra
ilay 70 herinandro voalaza. Tamin’ny andron’I Kristy dia mbola tsy tapitra
ilay 70 herinandro. Raha nifidy mpianatra Izy na naniraka ny mpianany dia
mbola tsy nandefa azy ireo tamin’ny hafa firenena,fa ho amin’ny zanak’
Isiraely irery ihany aloha:
Matio 10.5-8: 10.5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka
nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny làlan'ny jentilisa, ary aza miakatra
amin'izay tanànan'ny Samaritana, 10.6 fa aleo mankany amin'ny ondry very
amin'ny taranak'Isiraely.10.7 Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe:
Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 10.8 Sitrano ny marary, atsangano
ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana
hianareo, koa manomeza maimaimpoana.
Nibaiko I Kristy mba tsy handeha any amin’ny firenena Jentilisa na
Samaritana I Kristy fa ao amin’ny ondry very amin’ny Israely ihany. Fa raha
222 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tapitra ny 70 herinandro voafetra hoa an’ny zanak’Israely vao hivoaka
hankany amin’ny Jentilisa sy ny hafa firenena ny famonjena.
Matio 15.21-24, 28: 15.21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-
tanin'i Tyro sy Sidona. 15.22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray
nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo
amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia
loatra.15.23 Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka
nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
15.24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny
ondry very amin'ny taranak'Isiraely.
15.25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka
nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. 15.26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy
mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.15.27 Fa
hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba
mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony
ihany. 15.28 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny
finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanani-vavy
tamin'izay ora izay.
Tsy nirahina Aho afatsy amin’ny ondry very amin’ny taranaky ny Israely.
Mbola manao adidy amin’ny ondry very amin’ny Israely ihany aloha I Jesosy
fa tsy mbola nahazo namonjy ny hafa firenena. Nefa noho ny
fahalehibiazan’ny finoany dia namonjy ny hafa firenena ihany Izy na dia
noheverina tahaka ny amboakely aza ny hafa firenena. Rehefa tapitra izany
ny 70 herinandro dia tsy mijanona ho amin’ny Isiraely irery intsony fa
mivoaka ho an’ny hafa firenena koa ny famonjena.
Asa 10.1-6:
Nantsoina I Simona atao hoe Petera hanao asan’Andriamanitra tany
amin’ny’I Kornelio Jentilisa izay mpivavaka fatratra tamin’ Andriamanitra.
223 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nantsoina i Petera ka tonga tany an-tranon’I Kornelio. Tsy nanaiky
handoalihan’I Kornelio teo anatrehany I Petera. Fady azy ireo ny mian-trano
na manan-draharaha amin’ny hafa firenena. Nefa ny Anjely dia nirahin’
Andriamanitra haniraka an’I Petera ho any Jopa ho any an-tranon’I Kornelio.
Rehefa vita ny fanazavana dia nitory teny I Petera.
Asa 10.44-48:
Nilatsaka tamin’ny Jiosy sy ny Jentilisa ny Fanahy Masina ary natao batisa
koa ny Jentilisa. Tapitra ny 70 herinandro voatendry ho an’ny zanak’Israely
Jiosy, ary nandray ny Filazantsara sy ny Fanahy Masina ary ny teny fikasana
koa ny Jentilisa.
Tonga tamin’ny toeran iray nitoriany teny ry Paoly, ka maro ny vahoaka
Jentilisa sy Jiosy tafangona tao:
Asa 13.42:
Feno fialonana ny Jiosy raha nahita ny trano feno ny Jentilisa mba ho
famonjena hatramin’ny faran’ny tany. Ny tena mpivavaka Jiosy aloha no
nitoriana ny filazantsara, nefa satria tsy nandray izy ireo fa feno fialonana
dia misokatra ho an’ny rehetra koa ny filazantsara. Isika aty Madagasikara
koa aza dia mba mandray ny filazantsara. Noho izany dia mbola niasa 3
taona sy tapany taorian’ny batisa I Kristy vao novonoina. Andro Paska ary
taona nisian’ny fankalazana ny Paska io fotoana nahafatesan’I Jesosy io.
Marina ara-bakiteny fa tamin’ny antsasaky ny herinandro Izy, ary taona
nisy Paska io. Fa marina koa ve fa antsasaky ny herinandro (Alarobia) koa
ny nahafatesany sa Zoma? (Hevitra ara-paminaniana).
Ahoana no fomba anisantsika ny voalazan’ny Matio 12.38-40 raha
maty Zoma Izy?
Matio 12.38-40: 12.38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-
dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-
224 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hahita famantarana avy aminao izahay.12.39 Fa Jesosy namaly ka nanao
taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady
famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana
ny amin'i Jona mpaminany; 12.40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona
hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy
izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao
anatin'ny tany.
Hateloana andro sy hateloana alina no nandevenana an’I Jesosy
na nitoerany tao an-kibon’ny tany. Io no famantarana Azy
voalazan’ny Soratra Masina. Raha mbola mpijangajanga ianao na efa
nijangajanga, raha efa ratsy fanahy koa ianao, ary nahatsapa tena hoe
nanota dia io iray io ihany no famantarana nomen’I Jesosy hahalalantsika fa
Izy no mpamonjy antsika rehefa maty Izy. Tahaka ny nitoeran’I Jona 3
andro sy 3 alina tao an-kibon’ny hazandrano no nilevenan’I Jesosy tao an-
kibon’ny tany.
FIKAROHANA ASAINA ATAONAO MPANARAKA NY FAMPIANARANA:
Raha maty Zoma I Kristy ka nitsangana Alahady araka ny finoan’ny
maro, dia ahoana ary ny fanazavana io telo andro sy telo alina
nilevenany io araka ny Matio 12:38-40? Ataovy ny kaonty raha
nilevina 3 andro sy 3alina tokoa io Jesosy maty Zoma ka nitsangana
Alahady maraina io.
Nino ve ny olona tamin’ny andron’I Jesosy fa maty 3 andro sy telo alina
Izy?
Matio 12:41: 12.41 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity
taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa
nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho
Jona eto. 12.42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana
225 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy
tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren' i Solomona; nefa,
indro, misy lehibe noho Solomona eto.
Maro no tsy nino ny olona tamin’izany fotoana izany fa Kristy Jesosy no
Mesia andriana. Nefa efa mivoaka sahady ny fanamelohana azy ireo, satria
lehibe noho I Jona I Jesosy izay manambara fa tahaka ny nitoeran’i Jona telo
andro sy telo alina no famantarana an’I Jesosy Tompo mpamonjy io. sao
mba hatsangan’I Jesosy ny mponina tao Ninive hitsara antsika raha tsy mino
ny famantarana azy izay efa nomeny isika.
Ny fomba fanisana ny andro ara-tSoratra Masina dia araka ny
Genesisy 1.5:
Genesisy 1.5: 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny
maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,
andro voalohany izany.
Andro 1 = alina (maizina) + mazava ( andro)
Lioka 2.33-34: 2.33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana
Azy. 2.34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny
Zaza hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho
fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina2.35
ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra-- mba haseho ny hevitry ny fo
maro.
Ho famantarana holavina anefa io famantarana nomena momba an’I
Jesosy Kristy. Tsy zakan’ny devoly ity famantarana momba Azy ity satria
izay rehetra mandray ilay famantarana dia hekeny eo anatrehan’ny Ray any
an-danitra, fa izay rehetra manda azy kosa dia mba holavin’I Jesosy eo
anatrehan’ny Rainy any an-danitra.
Matio 7.21-23: 7.21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko,
Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny
226 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 7.22 Maro no hanao amiko
amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany
tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny
anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao
va izahay?7.23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro
akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Tsy izay rehetra manao hoe Tompoko tompoko no hiditra any an-danitra
fa izay rehetra manao ny sitrapon’ny Ray any an-danitra. Hoy Izy hoe Tsy
fantatro akory ianareo. Jesosy tsy nilevina 3 andro sy 3 alina no ninoanao sy
nanaovanao asa sy fahagagana. Tsy hamarinina amin’ny asa isika anefa fa
amin’ny finoana.
Koa very daholo ve izany izay tsy manaraka an’I Jesosy 3 andro sy 3
alina io?
Zava-doza raha Jesosy Kristytsy araka ny Soratra Masina no inoana sy
arahina satria izany no Kristy sandoka.
Mazava ny voalazan’ny Matio 7.21-23 io. “Tsy fantatro akory ianareo”,
hoy Jesosy KristyZanak’Andriamanitra.
Fanontanian’ny olona izay tsy mino fa maty tamin’ny
antsasaky ny herinandro I Jesosy:
1) Lioka 23.50-56, Lioka 24.1:
23.50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona,
dia lehilahy tsara fanahy sady marina. 23.51 Izany lehilahy izany tsy
nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny
Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra. 23.52 Izany lehilahy
izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. 23.53 Dia
nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny
fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
23.54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
227 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
23.55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo
aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. 23.56 Ary niverina
ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata
dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. Lioka 24 - 24.1 Fa nony maraina
koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny
fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
Efa antomotra ny Sabata. Nitsahatra ihany izy araka ny lalana. Fa ny
andro voalohany tamin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana Izy nefa
efa voakodia ny vato
Raha maty zoma hariva nitsangana alahady maraim-be i Jesosy :
Zoma hariva – Sabotsy hariva = alina voalohany
Sabotsy hariva – Alahady hariva = andro voalohany, alina
faharoa
Jesosy nilevina 1 andro 2 alina
(tsy nahazo 3 andro sy 3 alina)
2) Marka 16.2-6,9:
16.2 Ary nony maraina koa tamin'ny voalohan'andro amin'ny herinandro,
rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo. 16.3
Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin'ny
varavaram-pasana hisolo antsika? 16.4 Fa nony nitraka izy, dia, indro,
hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato. 16.5 Ary
raha niditra tao anatin'ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka
teo amin'ny ankavanana niankanjo akanjo fotsy dia talanjona izy.16.6 Fa
hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta,
Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, hianareo; efa nitsangana Izy; tsy
ato Izy, jereo fa teo no nametrahany Azy…. 16.9 Ary rehefa nitsangana
228 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho
voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito Izy.
Milaza io fa rehefa nitsangana Izy tamin’ny marainan’ny andro voalohany
amin’ny herinandro, ary andro fiomanana ny Sabata no nahafatesany ka
nandevenana Azy.
Mahazo 3 andro 3 alina ary ve io? Tsia satria mitovy amin’ny teo aloha
ihany no voalaza eo.
Raha maty zoma nitsangana alahady I Jesosy:
Alahady maraina – Sabotsy maraina = andro 1
Sabotsy maraina – Zoma maraina = andro 2
Nefa Zoma maraina izy no maty
3) Lioka 24.19-24:
“Androany ny andro fahatelo nahatongavan’ izany”
24.19 Fa hoy Izy taminy : Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy
roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery
tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
24.20 dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto
amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny
hazo fijaliana. 24.21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny
Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izany
nahatongavan'izany. 24.22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay
nahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy, 24.23 ary
raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho
kosa, izay nilaza fa velona Izy. 24.24 Dia nandeha ny sasany izay nomba
anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny
vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
4) Lioka 23.53 - Lioka 24.1:
229 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Miresaka menaka manitra indray ity versets ity. Zoma avy nandevina ireo
vehivavy no nandeha niverina nody nanamboatra menaka manitra. Sabata
izy nitsahatra. Alahady maraina izy nandeha tamin’ny fasana nitondra zava-
manitra izay efa namboariny.
23.53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia
naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola
nandevenana olona. 23.54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa
antomotra ny Sabata. 23.55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany
Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny
faty. 23.56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka
manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. Lioka
24 - 24.1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny
herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay
efa namboariny.
5) Marka 16.1-2:
Nividy menaka izy ireo rehefa afaka ny andro Sabata mba hanosorana ny
fatin’I Jesosy. Sabotsy hariva maty masoandro no nividy izy ireo.
16.1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra
Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin'i Jakoba, mba handeha
hanosotra ny fatin'i Jesosy. 16.2 Ary nony maraina koa tamin'ny
voalohan'andro amin'ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia
nankany amin'ny fasana izy ireo.
Koa iza ary no marina: nividy menaka ve ry zareo rehefa vita ny
Sabata, dia Zoma no namboariny ny menaka novidiany tamin’ny
andro Sabata, ary rehefa tong any Alahady dia nandeha tamin’ny
fasana hanosotra ny faty? Toy izany no fanazavana azo raha maty
Zoma I Jesosy. Mifandipatra ny fanazavana.
6) Matio 27.62-66: ny nandevenana an’I Jesosy.
230 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nasaina niambina mafy ny fasana 3 andro 3 alina ny miaramila nony
ampitson’ny andro fiomanana.
27.62 Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin' i
Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo 27.63 ka nanao hoe: Tompoko,
tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha
afaka hateloana, dia hitsangana Aho. 27.64 Koa asaovy hambenana mafy ny
fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka
mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny
maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. 27.65 Hoy
Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay
hainareo ny fiambenana. 27.66 Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny
mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.
Raha Zoma hariva no nandevenana an’I Jesosy dia Sabotsy hariva ve
izany no nomena baiko hiambina ny fatin’I Jesosy 3 andro 3 alina ny
miaramila; nefa Alahady maraina vao mangiran-dratsy Izy dia nitsangana?
Azo porofoina io fa 3 andro 3 alina no niambina tao ny miaramila.
Raha maty Zoma I Jesosy dia tsy nahazo 3 andro 3 alina tao am-pasana.
Noho izany dia tsy mety mirindra tsara mihitsy ny fanazavana ny
nahafatesan’I Jesosy sy nilevenany ary izay rehetra voalazan’ny Soratra
Masina momba ny menaka manitra sy ny fiambenan’ny miaramila Azy.
FEHINY:
Jesosy maty Zoma Jesosy maty Antsasaky ny
herinandro
Mark 14.12-16: Ny niarahan’I
Jesosy nihinana ny Paska.
Nihinana Paska niaraka tamin’ny
Tsy nanao ny Paska ary ve Izy raha
maty alarobia? Mety ho Zoma hariva
hifoha Asabotsy mihitsy ary ve ny
Paska satria raha maty Zoma Izy araka
231 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apostoly Jesosy vao nosamborina sy
nohombohana tamin’ny hazo fijaliana.
Raha maty Zoma Izy dia Alakamisy
hariva Izy no nosamborina. Noho izany
dia talohan’ny Alakamisy Izy no
nihinana Paska.
Ahoana no anaporofoina izany raha
hoe Alakamisy ny Paska?
Mark14.12: Nanao fanasana Izy.
Naniraka ny mpianany Izy mba
hanamboatra ny trano hihinanany ny
Paska. Aty nilaza Izy ny momba ny
iray izay hamadika Azy. Namaky ny
mofo Izy ary nilaza hoe “Raiso, inty ny
tenako.” Ary nandray ny kapoaka koa
Izy ka nilaza ny momba ny “ran’ny
fanekena vaovao.”
Nihira fihirana izy rehetra ary
niakatra tany an-tendrombohitra olive
rehefa avy naira-nisakafo. Nilaza ny
mpianatra fa tsy hiala amin’ny Tompo
na dia hihatra amin’ny fahafatesany
aza izany.
Ny alina iny ihany no nankany
Getsemane ry zareo. Tamin’ny io no
nisamborana an’I Jesosy.
Mark 15: ny nitsarana an’I Jesosy
ny voalazan’I Jaona dia Zoma
nahafatesany no Paska?
Simeona dia efa nilaza fa
famantarana holavina io zaza ho
teraka io (Jesoy Kristy).
Jaona 19.14-16: Ny nanombohana
an’I Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana.
Andro fiomanana Sabata sa
fiomanana Paska ve io ?
Fiomanana amin’ny Paska izany no
nanolorana Azy teo amin’ny hazo
fijaliana. Ny antsasaky ny herinandro
voalazan’ny mpaminany Daniela izany
dia andro fiomanana amin’ny Paska.
Araka ny Bokin’ny Eksodosy , dia
vonoina aloha ny zanak’ ondry, ary
hohanina amin’ny Paska ny
zanakondry.
Kristy = tandindon’ny
zanakondry.
Haka zanakondry iray avy ho an’ny
isan-trano, ary hovonoina amin’ny
hariva, hohanina amin’ny alina ny hena
voatsatsika tamin’ny afo, mofo tsisy
masirasira ary anana mangidy. Tsy
avela hisy ho tra-maraina ny ambiny,
ny valahana hisikina.
232 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sy ny nanolorana Azy teo amin’ny I
Pilato.
Nanontany ny vahoaka I Pilato hoe
“Iza no homena famotsoran-keloka? I
Jesosy sa I Barabasy?”
tamin’ny Zoma maraina ora
fahenina (12:00) no maizina ny tany
ary naharitra hatramin’ny ora fahasivy
(3:00).
Mark 15.45: Ny nandevenana an’I
Jesosy. Fiomanana ny andro Sabata io
nahafatesasny sy nandevenana Azy io.
Maty taorian’ny Paska izany ve I
Jesosy raha izany?
Ny Zanak’ ondry ve vonoina
alohan’ny Paska sa aorian’ny Paska
satri I Jesosy Kristy no tandindon’ny
zanakondry tamin’ny andron’ny
zanak’Israely?
Nanao ny Paska tamin’ny andro
Alakamisy hariva Izy.
Raha maty Alarobia ve Izy dia tsy
nihinana ny Paska?
Tsy alakamisy Izy fa Zoma hariva
no maty. Nefa Izy nihinana ny Paska
tamin’ny andro Alakamisy.
Tsy Jesosy mihitsy izany io zanak’
ondry novonoina taorian’ny Paska io
raha maty Zoma Izy.
Nanao Paska mialoha I Jesosy
Kristysy ny mpianany:
Jaona 2.13: Ny niakaran’I Jesosy
Kristy tao Jerosalema tamin’ny Paska
tamin’ny Paskan’ny Jiosy. (Paska 14
Nissan).
Jaona 6.1-4: Paska 14 volana, tsy
maintsy atao any Jerosalema io.
Jaona 13: Nanao fandraisana
fanasan’ny Tompo mialohan’ny Paska
Izy sy ny mpianany. Talohan’ny andro
firavoravoana tamin’ny Paskan’ny Jiosy
no nisehoan’izany. Fantany fa tonga ny
fotoana hialany ka nandeha nanas any
tongotry ny mpianany Izy. Efa
nomen’ny devoly saina hamadika Azy I
Jodasy teo.
Jaona 13.21-27: Nangorohoro ny
fanahiny satria ny iray tamin’ny
mpianany no nolazainy fa hamadika
Azy.
Rehefa nandray ny sombin-kanina I
Jodasy dia lasa nivoaka haingana niala
ny trano. Nihinana ny Paska Izy fa
233 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Raha ohatra ka vonoina aloha ny
Zanak’ ondry vao manao ny Paska, dia
tapitra izany ny Paska vao novonoina
ny Zanakondry.
Dia ahoana indray ary ity voalazan’I
Jaona ity raha maty Zoma I Jesosy ka
nihinana Paska Alakamisy?
Jaona 19.14-16: Ny nanombohana
an’I Jesosy tamin’ny hazo fijaliana.
Zoma tontolo ny andro Izy no
nosamborina, ary maty koa Izy Zoma
hariva. Ny Paska nefa Alakamisy. Dia
ahoana ary io voalazan’ny Jaona ity
izay manao hoe “Andro fiomanana ny
Paska ny andro tokony ho tamin’ny ora
fahenina. Indro ny mpanjakanareo.
Pilato nanolotra Azy hombohana
tamin’ny hazo fijaliana.” Io andro
fiomanana ny Paska io no andro
nanolorana an’I Jesosy nohombohana
tamin’ny hazo fijaliana.
“Andro fiomanana ny Paska no
nanolorana Azy tamin’ny hazo
fijaliana sy nahafatesan’I Jesosy
Kristy. Ka nangataka ny handevenana
Azy tao am-pasana ny mpianatra
satria Sabata lehibe” ny andro
talohan’ny Paska no nihinanany izany.
Mbola nitory tamin’ny mpianany ny
momba ny voaloboka sy ny
mpananatra sy nanao vavaka ho an’ny
mpianany Izy.
Jaona 17.10-11:
Nitory teny lava dia lava I Jesosy--
Jaona 13 – Jaona 17 ary, Jaona 18:
efa avy nandray ny fanasana Izy vao
nandeha tany Getsemane. Vita ny
fanasana, nanasa tongotra, nandeha
tany Getsemane, notsarain’I Pilato,
Jaona 18.20:
Efa voasambotra I Jesosy, nentina
ho any amin’ny Pilato Izy. Tsy niditra
tao anaty rova ireo satria efa hihinana
ny Paska. Andro Talata hariva no
nihinana Paska.
Jaona 19.14: Ny nanolorana an’I
Jesosy Kristy hombohana tamin’ny
hazo fijaliana tamin’ny andro
fiomanana amin’ny Paska.
Matio 26.1-5: Nihendry hisambotra
sy hamono an’I Jesosy ny Loholona.
Rehefa afaka 2 andro dia tonga ny
Paska ary ny Zanak’ olona hombohana
234 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manaraka ny nahafatesany.
Mark 14.12: milaza ny momba ny
nihinanan’ny mpianatra ny Paska
niaraka tamin’ny’I Jesosy.
Andro inona marina izany ny andro
Paska raha toa ka Alakamisy ny Paska
niarahan’I Jesosy nihinana Paska
tamin’ny mpianany, nefa andro
fiomanana ny Paska koa ny andro
nahafatesan’I Jesosy andro Zoma io?
Maty aorian’ny Paska izany I Jesosy
Kristy raha toa ka hoe maty Zoma.
Nefa ahoana indray io voalazan’ny
Jaona 19.14-16 io?
1 Samoela 30.11-14:
Lehilahy Egyptiana tany an-tsaha
tsy nihinan-kanina sy tsy nisotro rano
3 andro sy 3 alina, satria narary
afak’omaly. Tsy midika ho 3 andro 3
alina mihitsy akory ny afak’ omaly.
amin’ny hazo fijaliana.
Matio 26.6: Nosoran’ilay vehivavy
menaka manitra I Jesosy.
Matio 27: Ny nitsarana an’I Jesosy
ny nanenenan’I Jodasy. Ny
nandefasana an’I Barabasy: andro
inona io?
Lioka 22.7: naniraka ny mpianany
hamboatra ny Paska I Jesosy: “Naniry
koa aho raha naniry hihinana aminareo
ity Paska ity dieny mbola tsy mijaly
Aho.” Nanao ny Paska Izy vao
novonoina.
Lioka 23.47: Jesosy Kristy tao
Getsemane.
Mark 14.1-2: Roa andro sisa
talohan’ny Paska no niarahan’I Jesosy
nisakafo nihinana ny Paska tamin’ny
mpianany.
Famintinana:
Boky kely mamy ao am-bava fa mangidy ao an-kibo tokoa ny fahalalana
ny marina momba ny filazana an’I Jesosy. Mamy ao am-bava ny finoana an’I
Jesosy, nefa mangidy ao an-kibon’ny olona tokoa ny mahalala fa maty I
235 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jesosy Kristy araka ny Soratra Masina, nilevina Izy araka ny Soratra Masina,
ary nitsangana Izy araka ny Soratra Masina ary izany no hanamarinana
antsika. Jeremia 15.16: ny tenin’ Andriamanitra dia nohanin’I Jeremia ka
nampifaly ny fony. Nefa nampangidy ny kibony ilay izy taty aoriana. Toy
izany koa isika, mamy ny tenin’ Andriamanitra nohanintsika nefa rehefa
tratry ny fanenjehana sy fanaratsiana dia mangidy tokoa ny fiainantsika.
Misy koa ireo minia tsy mety mandray ny fahamarina momba ny filazana
an’I jesosy araka ny tenin’ Andriamanitra ka tsy mitombo mihitsy ny
fahalalana ny hevitry ny Soratra Masina ka diso fanantenana ary miteraka
fangidiana koa ny tsy fahalalana ny marina. Misy ireo mikiry be fotsiny tsy
misy fianarana ny marina amin’ny finoany nefa tsy araka ny Soratra Masina
akory ny zavatra inoany ary sahy milaza mihitsy fa vonona ho faty
amin’izany finoana lovan-drazana tsy araka ny Soratra Masina izany. Mino
izy fa maty telo andro sy telo alina I Jesosy, nefa tsy mety mino far aha
maty Zoma I Jesosy ka nitsangana ny alahady maraimbe dia tsy mety
hahafeno telo andro sy telo alina mihitsy izany fe-potoana izany. Hiteraka
alahelo sy fahadisoam-panantenana nefa ny fanarahana zavatra diso toy
izany.
Telo andro sy telo alina = maty tamin’ny antsasaky ny herinandro
(andro Alarobia) , ary nitsangana Sabata hariva I Jesosy Kristy
araka ny Soratra Masina.
Nisy olona maro ninoo fa ny taona 1948 no tonga ny farandro ary ho avy
I kristy. Maro no efa nivarotra fananana tamin’izany taona izany hitsena an’I
Kristy. Diso fanantenana nefa izy ireo fa tsy niverina tamin’io taona io akory
I Kristy.
236 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy maintsy haminany indray ianao: tsy maintsy manazava ny hevitry ny
Soratra Masina indray satria misy zavatra diso ninoan’ny olona maro vokatry
ny tsy fahalalana. Noho izany dia tsy maintsy hambara ny tena marina.
Jaona 3:18-20. 3.18 Izay mino Azy dia tsy helohina;Gr, tsaraina fa izay
tsy mino kosa dia efa voahelokaGr,voatsararahateo, satria tsy nino ny
anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamantra izy.3.19 Ary izao no
fanamelohana,Gr,fitsarana fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa
aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.3.20 Fa
izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny
mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 3.21 Fa izay manao ny marina
kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao
amin'Andriamanitra izany.
Rehefa mitady an’ Andriamanitra amin’ny fontsika isika dia tong any
mazava, na amin’nyalalan’ny radio, na toriteny na fahita lavitra. Nefa rehefa
tonga ny marina na mazava dia tsy zakan’ny olona indray ka nampangidy ny
kibony. I Kristy rehefa nilaza ny marina dia novonoin’ny olona satria tsy
zakan’ izy ireo ny fahalalana ny marina.
237 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA-11
AORIAN’NY FITSOFANA NY TROMPETRA FAHAENINA
ARY MIALOHA NY FITSOFANA NY TROMPETRA FAHAFITO
Hevi-dehibe:
- FANDREFESANA NY TEMPOLY
- NY FETY FITO VOATENDRIN’I JEHOVAH
- NY FILAZANA AN’I JESOSY
- NY RAN’NY ZANAK’ ONDRY
- NY BATISA
- NY FANAHY MASINA
Apokalypsy 1.3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny
andro.
Apokalypsy 11
11.1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko
hoe: Mitsangàna, ka refeso ny
tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao. 11.2 Fa
ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba refesina; fa
nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo
volana izy.11.3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-
polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
11.4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo
anatrehan'ny Tompon'ny tany.11.5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia
238 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy
ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy. 11.6 Ireo dia
manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana
amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy
hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany
na oviana na oviana.
11.7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibidia
miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty
azy.11.8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe,
izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no
nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana. 11.9 Ary ny olona sy ny
fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery
ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana
ny fatiny. 11.10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo,
ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany
ireo mpaminany roa ireo. 11.11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy
tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo,
ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
11.12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe:
Miakara aty. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary
nahatsinjo azy ny fahavalony. 11.13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy
horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty
tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny
olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.11.14 Lasa ny
loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo. 11.15 Ary ny anjely
fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana
amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy
no hanjaka mandrakizay mandrakizay. 11.16 Ary ny loholona* efatra amby
roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo
239 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra
11.17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha.
Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny herinao lehibe ka efa
manjaka hianao. 11.18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny
fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia
ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny
anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
11.19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny
fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy
kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
FANDREFESANA TEMPOLY
FIZARANA 1: FANDREFESANA NY TEMPOLY
FANAZAVANA:
Sarotra ny mahazo ny hevitry ny Soratra Masina. Nefa isika dia tokony
hitombo ara-panahy fa tsy hisotro rononom-panahy foana akory. Efa tokony
hihinana vetin-kanina rehefa mitombo ara-panahy.
Ny tombo-kasen’ Andriamanitra voalaza amin’ny toko faha-7 dia ny
Fahany Masina. Ireto avy ny famantarana ny tombo-kasen’ Andriamanitra :
ny ran’ny zanak’ ondry, famorana, batisa, sabata, fanavahana maloto sy
madio, Jesosy Kristy 3 andro sy telo alina.
Misy fandrefesana ny tempoly atao eo anelanelan’ny fitsofana ny
trompetra fahafito sy hahatongavan’ny loza fahafelo.
Mifandray tsara ny tombo-kasen’ Andriamanitra sy tempoly.
Kianja ivelany
240 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tabernakely misy efitra roa: fitoerana masina (fitoeran-jiro fito, ),
fitoerana masina indrindra.
Misy fefy manodidina.
Ivelany: Misy alitara fandoroana biby atao fanatitra, tavy fisasana,
Fitoerana masina indrindra: misy ny fiaran’ny faneken’I Jehovah misy
kerobima sy didy folo, vilia volamena fandoroana ditinkazo manitra,
Inona no ifandraisan’ny tempoly amin’ny tombo-kasen’ Andriamanitra?
Ny zavatra hita tao amin’ny tempoly dia tandindon’ny tombo-kasen’
Andriamanitra.
Tempoly = Fitoerana Masina: Tombo-kase = Fanahy Masina
ràn’ny biby natao fanatitra
tavy fisasana
tsy ampidirana biby maloto
didy folo : lalànan’ny Sabata
zanak’ ondry no novonoina,
ran’ny zanak’ ondry dia I Jesosy
batisa
fanavahana maloto sy madio
Sabata
Kristy no zanak’ ondry novonoina,
Apokalypsy 11.1-2: miresaka momba ny tempoly izay refesina ary isaina
izay mivavaka ao. Ny olona tafaverina amin’ny mari-drefy no hiatrika izay
fitsofana ny trompetra fahafito io.
Inona io tempolin’ Andriamanitra io izay averina amin’ny mari-drefy io?
Inona no fanaka ao anatiny ao? Inona no hevitry ny fanaka ao anatiny?
Mbola eo ve ilay tempoly amin’izao androtsika izao sa tsy eo intsony?
241 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny Tempoly
Ny tempoly tamin’ny andron’ny zanak’ Isiraely dia tsy eo intsony izao;
nefa efa misy tempoly amin’ny endriny vaovao amin’izao vani-potoana izao.
Hebreo 9: 9.1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny
amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny
ety an-tany.9.2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao
hoe 'ny fitoerana masina', izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny
mofo aseho. 9.3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny
tabernakely izay atao hoe 'ny fitoerana masina indrindra', 9.4 izay nisy
loviaNa:volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena,
izay voapetaka takela-bolamena alitara avokoa; ary tao anatin'io no nisy ny
vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka,
ary ny vato fisaky ny fanekena; 9.5 ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy
ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, --tsy
azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. 9.6 Ary rehefa voavoatra toy izany
ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely
voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
9.7 Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray
mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra ra, izay
ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny
tsi-fahalalana; 9.8 koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola
voaseho ny làlana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola
ao ihany ny tabernakely voalohany;
9.9 fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no
anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka
ny amin'ny fieritreretana 9.10 (fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra
hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendry
hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
242 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy fitsipika momba ny fitoerana masina. Misy ny efitra voalohany na
fitoerana masina. Lamba lehibe no manasaraka io amin’ny fitoerana masina
indrindra. Ny fiara dia vita amin’ny takela-bolamena, ary misy kerobima sy
filanjana roa volamena. Isanandro dia miditra ao amin’ny fitoerana masina
ny mpisorona manao fivavahna sy mamono biby atao fanatitra. Ny
mpisoronabe irery ihany kosa no miditra ao amin’ny fitoerana masina
indrindra indray isan-taona, ary mitondra rà izy hahazoana famelan-keloka
rehefa midiitra ao. Tsy mahazo midikiditra ao ny olona fa maty raha
mandeha mijerijery ao fotsiny, satria masina io fitoerana masina indrindra
io.
FANAZAVANA:
Eksodosy 25:8-9
Jehovah Andriamanitra no nandidy an’I Mosesy hanao ny tempoly.
Zavatra tsy mbola nisy tety ambonin’ny tany ary tsy mbola hitan;ny olona
ny tempoly sy ny fanaka rehetra tao anatiny.
Eksodosy 25:40:
Atao araka ny endriny izay naseho an’I Mosesy ny tempoly. Ny
orizinalin’ny tempoly dia any an-danitra. Efa misy any an-danitra ny tempoly
ka nalaina tahaka hatao ety an-tany ny tempoly.
Apokalypsy 11:19: Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-
danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy
helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Apokalypsy 16:17: Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny rivotra ; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo
amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe:Vita.
Ny fanaka ao anatin’ny tempoly:
Fanaka ao amin’ny fitoerana masina:
243 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- Latabatra misy ny mofo aseho: Eksodosy 25.23,30
- Fanaovan-jiro fito: Eksodosy 25:31-37. Volamena tsara ny fanaovan-
jiro, ary telo ankilany, telo koa andaninyy ary iray afovoany.
- Alitara fandoroana ditinkazo manitra: Eksodosy 30:1-6
- Efitra lamba manasaraka ny fitoerana masina sy fitoerana masina
indrindra: Eksodosy 26:31-34
Fanaka ao amin’ny fitoerana masina indrindra:
- Eksodosy 37:1-9:
- Eksodosy 25:10-16: fiaran’ny faneken’I Jehovah misy ny vavolombelona
na didy folo, lovia volamena, vilany volamena, tehin’I Aarona izay nitsimoka,
Fanaka ety ivelan’ny tempoly na ny kianja:
- Eksodosy 30:17-20: Tavy fisasana, Alitara fandoroana biby atao
fanatitra, tranolay fihaonana,
Tsy maintsy misasa eo ny taranak’I Aarona fara-mandimby mialohan’ny
hidirany anatin’ny fitoerana masina.
Ny hevitra fonosin’ny fanaka:
Fanaka ety ivelany:
- Alitara fandoroana biby sy ny fiaiken-keloka (confesse):
mametraka ny tanany eo an-dohan’ny zanak’ ondry ary miaiky heloka, ary
rehefa izany dia vonoina ilay zanak’ ondry. Angalan’ny mpisorona ny ra ary
afafy amin’ny alitara ao amin’ny fitoerana masina ho mariky ny famelan-
keloka.
Tandindona: ny ra izay afafy dia maneho an’I Kristy maty hamonjy izao
tontolo izao
Rano fisasana indray dia maneho ny batisa. Voasasa afa-pahotana vao
mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
244 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fitoerana masina:
- mofo aseho 12: maneho ny Isiraely 12. Kristy no mofonaina
Fanaovan-jiro 7: fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny alehako ny
teninao.” Ilay jiro 7 = fahafenoan’ny fahazavan’ Andriamanitra amin’ny
tenin’ Andriamanitra teny tonga nofo.
Fitoerana masina indrindra:
- fiaran’ny faneken’I Jehovah: misy lalana mifehy ny fanjakan’
Andriamanitra, ny mana maneho an’I Kristy ilay mofonaina mahavelona,
fiaran’ny fanekena, ny t ehin’I Aarona izay mitsimoka.
Tsy mahazo misotro divay na toaka izay miditra ao amin’ny fitoerana
masina:
Levitikosy 10: 9 Aza misotro divay na toaka hinao, na ny zanakao, raha
miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty hianareo (ho lalana
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany), 10 ary
mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy
ny tsy madio,…
Biby madio no azo entina atao fanatitra ho an’I Jehovah:
Levitikosy 1:1-4: 1 ARY Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao
amin'ny trano-lay fihaonana hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe:
Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia
omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo. 3 Raha omby no
ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo
anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba
hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah izy. 4 Ary hametraka ny tanany eo
amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany,
hanaovana fanavotana ho azy.
245 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Niaina tamin’ny tempoly araka izay nataon’I Mosesy ny zanak’ Isiraely
nandritra ny 4000 taona. Rava ny tempoly tamin’ny fanafihan’ny
Babyloniana. Rehefa tapitra ilay 70 hernandro dia naorina indray ny
tempoly. Rehefa tonga I Kristy dia nisy faminaniana indray ny haharavan’ny
tempoly. Rehefa maty I Jesosy dia tonga ny jeneraly nandrava ny tempoly
tao Jerosalema. Ka tsy misy intsony ny tempoly ao Jerosalema fa rindrina
sisa no tavela ao. Tsy misy intsony mitondra biby atao fanatitra rehefa maty
I Kristy fa izy no zanak’ ondry novonoina ary nandatsaka ny rany.
Rehefa mivavaka dia mifona ary mangataka ny ran’ny zanak’ ondry
hanadiovana antsika koa hoa fa-pahotana. Natao mpisorona isika ka afak
miditra ny fitoerana masina mitondra ny vavaka.
Hebreo 10: 10.19 Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana
fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
10.20 amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona,
namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 10.21 sady manana
mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 10.22 dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
manana fo voadioNa: voafafyho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena
voasasa tamin'ny rano madio; …
Ny tempolin’ Andrimanitra amin’izao vanim-potoana
izao:
Isika indray no tempolin’ Andriamanitra velona izay tokony horefesina sy
averina amin’ny mari-drefy.
1 Korintiana 6:19: Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia
tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'
Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo.
1 Korintiana 3:16-17: Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra
hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? 3.17 Raha
246 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban' Andriamanitra
kosa izy; fa masina ny tempolin' Andriamanitra, dia hianareo izany.
Rehefa tonga I Kristy dia nisy faminaniana indray ny haharavan’ny
tempoly. Rehefa maty I Jesosy dia tonga ny jeneraly nandrava ny tempoly
tao Jerosalema. Ka tsy misy intsony ny tempoly ao Jerosalema fa rindrina
sisa no tavela ao. Tsy misy intsony mitondra biby atao fanatitra rehefa maty
I Kristy fa izy no zanak’ ondry novonoina ary nandatsaka ny rany.
Rehefa mivavaka dia mifona ary mangataka ny ran’ny zanak’ ondry
hanadiovana antsika koa hoa fa-pahotana. Natao mpisorona isika ka afak
miditra ny fitoerana masina mitondra ny vavaka.
Hebreo 10: 10.19 Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana
fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
10.20 amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona,
namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 10.21 sady manana
mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 10.22 dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
manana fo voadio--Na: voafafy--ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy
tena voasasa tamin'ny rano madio; …
Isika indray no tempolin’ Andriamanitra araka ny 1 Korintiana 6:19 ary
horefesina ny tempoly ka haverina amin’ny mari-drefy marina alohan’ny
handraisan’I Kristy ny fanjakana sy hanjakany mandrakizay. Mitovitovy
amin’ny tombo-kase fahafito (Apokalypsy 7) ny fitsofana ny trompetra
fahafito (Apokalypsy 11), satria samy misy toko iray natsofoka teo
anelanelan’ny toko faha 6 sy 7, ary 10 sy 11.
Famerenana ny tempoly amin’ny mari-drefy
Tempoly ara-bakiteny Ny tenantsika no Tempolin’
Andriamanitra
247 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- Zanak’ ondry no novonoina
natao fanatitra
- Misy ra famafazana atao ho
fanadiovana.
- Tsy azo atao ny misotro toaka
na divay ny mpisorona sy levita; tsy
azo ampidirana toaka;
Satria ny mpimamo dia tsy mahay
manavaka ny madio sy ny maloto,
ary tsy mahay manavaka ny masina
sy ny tsy masina.
- Tsy azo itondrana na ampidirana
biby maloto hatao fanatitra noho ny
ota ny tempolin’ Andriamanitra: tsy
ampidirana alika, kisoa, voalavo,
bibilava, voay, sns. (Levitikosy 11).
- Jesosy no novonoina hanao
fanavotana.
- Ny ran’i Jesosy no fanadiovana
- Tsy azo ampidirana toaka sy
divay koa ny tenantsika fa rehefa
mamo dia tsy mahay manavaka ny
masina sy ny tsy masina, ny madio
sy ny maloto. Mandry an-tatatra ny
mpimamo, lian’ ady, ary manao
maloto amin’ny tenany ihany izy. Tsy
tokony hanao izany isika/
- Tsy azo ampidirana biby maloto
koa ny tenantsika. Biby maloto toy
ny vitsika, kankana, lalimanga,
afotsy, parasy, alika, bibilava, kisoa,
androngo, saka, voalavo,
kadradraka, scorpion,
NY FANAHY MASINA SY NY FANAHY RATSY
Andriamanitra niteny mivantana tamin’ny olombelona tamin’ny
Testamenta Taloha, fa nalefany mivantana tety an-tany kosa ny Teniny
tamin’ny alalan’I Jesosy – tenin’Andriamanitratonga nofo tamin’ny
Testamenta vaovao. Rehefa lasa niverina tany an-danitra I Jesosy dia ny
Fanahy Masina no nalefan’Andriamanitraety an-tany.
NY FANAHY RATSY: NY FANAHY MASINA:
248 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy karazany maro anefa ny fanahy ka
tokony ho fantatsika izany.
- Fanahin’ny demonia.
Lioka 4.33: 4.33 Ary nisy olona tao amin'ny
synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia
maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy 4.34
ka nanao hoe: Indrisy! Moa mifaninona akory
izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta?
Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay
Masin'Andriamanitra Hianao. 4.35 Fa Jesosy
niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao,
ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony
namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka
taminy, nefa tsy naharatra azy.
Apok. 16.13-14: 16.13 Ary nahita aho fa
indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy
tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny
vavan'ilay bibidia ary tamin'ny vavan'ilay
mpaminany sandoka. 16.14 Fa fanahin'ny
demonia ireo ka manao famantarana sady
mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo
izao, mba hanangona azy ho amin'ny adin'ilay
andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
- Fanahy maloto na fanahin’ny demonia:
fanahy maloto telo tahaka ny sahona nivoaka
tamin’ny vavan’ilay dragona sy bibidia ary
mpaminany sandoka. Fanahin’ny demonia ireo.
Ireo no antsoina hoe fanahy maloto”
Lioka 9.42: 9.41 Ary Jesosy namaly ka nanao
Fanahin’ Andriamanitra
tonga amin’ny olona iray:
Nomery 24.1-2: ny fanahin’
Andriamanitra tonga tao amin’i
Balama.
Mpitsara 11.29: tonga
tamin’i Jefta ny fanahin’i
Jehovah ka nitety tany maro
izy.
2 Tantara 15.1: tonga
tamin’i Azaria ny fanahin’i
Jehovah
Lioka 1.35: ny fanahin’
Andriamanitra ho tonga ao
amin’I Maria ka hanaloka azy
ary hanana anaka izy.
Ny fanahin’
Andriamanitra dia manindry
olona:
Mpitsara 6.36:
Notsindrian’ny Fanahin’i
Jehovah i Gideona.
2 Tantara 24.20: Zakaria
zanak’i Joda Mpisorona dia
notsindrian’ny fanahin’i
Jehovah.
2 Tantara 20.14-15:
notsindrian’ny Fanahin’i
Jehovah tao am-piangonana i
249 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy
handeferako aminareo? Ento ety ny zanakao.
9.42 Ary raha mbola nanatona izy, dia
nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy
ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy
maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony
tamin-drainy indray izy.
Nampifanintsosintona azy ny fanahin’ny
demonia.
Asa 8.7:
Lioka 7.21: Ary tamin'izany ora izany Jesosy
dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny
aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny
jamba maro.
Antsoina hoe “fanahy ratsy” koa ireo fanahy
maloto na fanahy demonia ireo.
Lioka 8.2: fanahy ratsy 7 nivoaka tamin’ny
Maria.
I Timoty 4.1: antsoina koa hoe “fanahy
mamitaka” izy ireo izay manao fampianarana
mamitaka.
Misy toetra ireo fanahy ireo: “fanahin’ny
lainga”:
I Mpanjaka 22.22-23: nisy “fanahy ratsy”
nivoaka ka nanao fanahy mandainga tao amin’ny
vavan’ny mpaminany rehetra. Ny devoly no efa
nandainga hatrany am-boalohany.
Jaona 8.44: ny devoly dia mpamono olona ary
Zahaziela ka nilaza Izy hoe
“Aza matahotra ianareo. Tsy
anareo ny ady fa an’i Jehovah.”
Asa 11.28: voatsindrin’I
fanahin’ Andriamanitra i Agabo
ka nitsangana ary naminany fa
hisy ny mosary.
Asa 21.4: voatsindrin’ny
fanahy hilaza amin’I Paoly mba
tsy hiakatra any Jerosalema.
Apok .4.2: voatsindrin’ny
Fanahy i Jaona ka nahita ny
seza fiandrianan’
Andriamanitra tany an-danitra.
Ny
Fanahin’Andriamanitra
milatsaka amin’ny olona:
Mpitsara 14.6: Samsona
nilatsahan’ny fanahy masina.
1 Samoela 10.10: Saoly
nilatsahan’ny fanahy masina.
1 Samoela 6.10: Davida
nilatsahan’ny fanahy masina.
Vanim-potoana samy hafa
no nitrangan’ izany.
Matio 3.16: Jesosy nony vita
batisa nilatsahan’ny fanahy
masina.
Asa 2: Ny Apostoly
250 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mpandainga izy sady rainilainga.
- Fanahin’ny fijangajangana:
Hosea 4.22: mila saina amin’ny tapa-kazo ny
olona, ka izany no idiran’ny fanahin’ny
fijangajangana ao anatiny. Mijangajanga ara-
panahy izay mila saina amin’ny tapa-kazo.
Hosea 5.4: izay manana ny fanahin’ny
fijangajangana dia tsy mba ao anatiny mihitsy I
Jehovah. Tsy mankasitraka ny fahamarinana
ireny mila saina amin’ny tapa-kazo ireny.
Fanahim-panandevozana: andevon’ny
paraky, sigara, lamaody, fihinanana biby maloto
toy ny kisoa sy izay biby efa voararan’
Andriamanitra tsy hohanina, toaka, sns…
Romana 8.14-15: fanahim-panadevozana ho
any amin’ny tahotra.
Fanahy moana sy marenina:
Marka 9.25-26: izay nodidian’i Jesosy hivoaka
hiala tamin’ilay zazalahy izay lasa moana sy
marenina. Toy ny maty ilay zazalahy rehefa
nivoaka tamin’ilay zazalahy ireo fanahy ratsy
ireo. Jesosy nandray ny tanany ka nampiarina
azy.
Ny fivavahana sy fifadian-kanina ihany no
mahavoaka io fanahy moana sy marenina io.
Fanahy osa: (mifanohitra amin’ny fanahy
mahery izay fanahin’ Andriamanitra)
II Timoty 1.7: tsy fanahy osa no nomen’
Andriamanitra antsika fa fanahy mahery sy
nilatsahan’ny fanahy masina.
Asa 10.44: nilatsaka
tamin’ny Jentilisa koa ny
Fanahy Masina raha nandre ny
tenin’I Paoly izy ireo.
Miteny, mandre ary
miresaka ve ny Fanahy
Masina? Inona no asany?
Jaona 14.26: Mampianatra
ny fanahy Masina: ny
mpananatra dia ny Fanahy
Masina, mampianatra,
mampahatsiaro ny zavatra
rehetra efa nolazain’I Jesosy.
Jaona 16.13: Mpitari-
dalana ho amin’ny marina
rehetra ny FANAHY MASINA
Tsy hiteny ho azy izy, milaza
zavatra ho avy
Jaona 15.26:
Vavolombelona hanambara
an’I Jesosy Kristy ny Fanahy
Masina
Asa 8.29: maniraka ny
Fanahy Masina, ary mitondra.
Niteny tamin’ny I Filipo ny
Fanahy Masina (nefa tsy hitany
akory). Nentiny izy ka tonga
251 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahononan-tena.
Lasa saro-tahotra izay manana fanahy osa ka
tsy sahy manao zavatra maro. Ohatra hoe
matahotra miseho vahoaka, matahotra mandeha
irery amin’ny hariva na alina, sy ny toy izany.
Maka tahaka ny zavatra ataon’ Andriamanitra
ny fanahin’ny demonia. Ohatra hoe nodidian’
Andriamanitra ny olona hitondra biby hatao
fanatitra. Dia maka tahaka izany koa ny
mpanompo sampy fa mangataka biby toy ny
omby, gana, gisa atao sorona ho an’ny sampy tsy
mba manao sorona alike na saka na kisoa izy
ireny.
Misy olona mandray ny fanahin’
Andriamanitra, misy koa olona voatsindrin’ny
fanahy ratsy.
Misy koa fanahy ratsy manindry, izay
manakenda sy mampatahotra: manindry amin’ny
alina, manalokaloka, tsy mampahita torimaso
ireny.
Misy koa ny fanahy ratsy mitondra olona toy
ny mpamosavy sy ireny olona voan’ny fanainga
lavitra ireny. Entin’ny fanahy ratsy ilay olona ka
tonga any an-tany lavitra be.
tany Azota.
Asa 16.6-7: Mandrara ny
Fanahy Masina mba tsy hitory
teny tany Azia I Paoly. Raha
misy zavatra tinao hatao nefa
tsy mahasoa anao dia
mandrara ny Fanahy Masina.
Romana 8.26: Mifona ho
antsika ny Fanahy Masina ary
mamonjy ny fanahintsika izy,
mifona amin’ny feon’ny
fitarainana tsy azo
tononina.
Mety malahelo koa ny
Fanahy Masina:
Efesiana 4.30: aza
mampalahelo ny Fanahy Masin’
Andriamanitra izay nanasiana
tombo-kase anareo tamin’ny
andro fanavotana.
Sady miteny no mandre no
maniraka ny Fanahy Masina.
Manana toetran’ olombelona
mihitsy ny Fanahy Masina.
Ahoana no hahalalana fa nandray ny Fanahy Masina ny olona iray?
Ahoana no hahalalana fa ny fiteny tsy fantatra dia avy amin’ny Fanahy
252 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Masina na avy amin’ny demonia? Inona no atao hoe batisan’ny Fanahy
Masina?
BATISAN’NY FANAHY MASINA SY NY FITENY TSY FANTATRA.
Samihafa ny olona tarihin’ny Fanahy Masina sy ipetrahan’ny Fanahy
Masina. Toy izany koa no tsy itovizan’ny olona tarihin’ny devoly (influencé)
sy ipetrahan’ny devoly (na possédé).
Tarihin’ny Fanahy Masina = avy ety ivelany no miteny ny Fanahy Masina
ary maniraka azy. Azon’ilay olona lavina ion a ekena, na fanahy mamitaka io
na fanahy masina. Izay no tokony ianarana. Toy izany koa ilay hoe isehoan’I
Jesosy. Mety ho jesosy sandoka no miseho aminy. Ny olona rehetra dia
azon’ny Fanahy Masina bitsihina; nefa tsy ny olona rehetra no ilatsahany. Ny
olona rehetra koa na mpivavaka izy na tsia dia azon’ny devoly influencer-na,
fa tsy ny olona rehetra akory no azony ipetrahana. Azon’ny devoly irahina ny
olona nefa azonao lavina koa izy na ekena. Fa rehefa ipetrahany kosa ianao
dia io Fanahy Masina io na devoly no mitondra anao amin’ny’izay tiany
itondrana azy.
Asa 8.39-40: nentin’ny Fanahy Masina I Filipo ka tonga tany Azota ary tsy
hitan’ny tompony intsony.
Toy izany koa ny olona ipetrahan’ny devoly, tsy ilay olona intsony no
miteny fa ilay devoly, mety ampiboridaniny izy, na akapokapony, etc. izay
nahavita contrat taminy ihany no azony ipetrahana.
BATISAN’NY FANAHY MASINA
Asa 1.4-5,8:
Nafaran’i Jesosy ny mpianany mba tsy hiala ao Jerosalema raha tsy
mandray ny Fanahy Masina.
253 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rehefa vita batisa tamin’ny rano ny Apostoly dia hoy Jesosy taminy:
Ianareo kosa atao batisa amin’ny Fanahy Masina afaka andro vitsivitsy, ary
hahazo hery ianareo amin’ny’izany ary hijoro ho vavolombelon’I Jesosy
hatrany Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.
Tsy matahotra ny loza na fahafatesana ary tsy menatra history an’I
Jesosy ny olona ilatsahan’ny Fanahy Masina.
Jaona 14.25-26: Teny nampiononan’I Jesosy ny mpianany momba ny
fihavian’ny Fanahy Masina, irahin’ny Ray amin’ny anaran’I Jesosy fa ho avy
hampianatra ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra
rehetra.
Nandritra ny toriteny nataon’I Jesosy teny an-tendrombohitra talohan’ny
nisamborana Azy izany.
Jaona 15.26-27: Fanahy Masina = Fanahin’ny fahamarinana,
vavolombelona manambara an’I Jesosy
Jaona 16.12-13: Fanahy Masina = hitari-dalana anareo ho amin’ny
marina rehetra.
Jaona 16.7,11: Fanahy Masina = mpananatra, hampiaiky izao
tontolo izao ny helony sy ny fitsarana, Raha tsy niala I Jesosy dia tsy
nandray ny Fanahy Masina ny mpianany.
Asa 1.8 sy 2.1-4: andro Pentekosta no nilatsahan’ny Fanahy
Masina, nisy rivotra mahery nifofofofo sy lela maro toy ny tarehin’afo, ary
niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa ireo mpianatr’I Jesosy.
Batisan’ny Fanahy Masina = nilatsahan’ny Fanahy Masina. Tao
Jerosalema ny Apostoly no nilatsahan’ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ny
fiteny maro samy hafa ny Apostoly ary nahazo hery ka nandeha nanao ny
asan’Andriamanitra. Samy hafa mihitsy ny nilatsaham-baratra sy ny
nilatsahan’ny Fanahy Masina. Hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny
Fanahy Masina ka handeha hitory an’I Kristy.
254 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Iza no mpanome io Fanahy Masina io? Fanahin’iza io?
Jaona 15.26: Fanahy Masina = mpananatra izay irahin’I Jesosy avy
amin’ny Ray, Fanahin’Andriamanitra.
Jaona 1.32-34: ny Fanahy dia hitan’i Jaona nidina avy any ambony
tahaka ny voromailala. Nahita izy ary manambara fa Jesosy Kristy no manao
batisan’ny Fanahy Masina ary Izy no Zanak’ Andriamanitra.
Fanahy Masina = vavolombelona manambara ny Ray. Izay rehetra
ilatsahany koa dia sahy manambara ny Filazantsara amin’ny olona rehetra.
Raha misy olona milaza hoe mankanisa aty fa handray ny Fanahy Masina
ianao, dia aza mino izany olona izany. Tsy misy afa-tsy Jesosy no mpanome
Fanahy Masina. Izy no mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. Koa
mitandrema isika fandrao mandray fanahy hafahafa na fanahy mamitaka
avy amin’ny olona izay milaza ho mpanome fanahy masina.
FAMANTARANA NY FANAHY MASINA
Ahoana no ahafantarana fa efa nandray ny Fanahy Masina ny mpino?
Asa 19.1-2: namaly ny mpianatra efa nino an’I Kristy izay nanontanian’ny
Apostoly Paoly hoe “Efa noraisinareo ve ny Fanahy Masina fony vao nino
ianareo?” dia namely ireo hoe: “Tsy renay akory fa efa nomena anay ny
Fanahy Masina.” Tsy fantany izany ny atao hoe nandray ny Fanahy Masina.
Raha misy olona nilatsaham-baratra dia tonga dia fantatra satria may izy.
Koa inona ary no famantarana ny fandraisana ny Fanahy Masina? Andeha
isika hijery olona nilatsahan’ny Fanahy Masina voalazan’ny Baiboly.
Olona nilatsahan’ny Fanahy Masina ao anaty Soratra Masina:
Mpitsara 14.6,19: Famantarana ny amin’ny’I Samsona nilatsahan’ny
Fanahy Masina: Nosamasamahany tamin’ny tanany ilay liona rehefa nahazo
hery izy. Nahazo hery be I Samsona rehefa nilatsaka taminy ny fanahin’I
Jehovah.
255 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mpitsara 14.19: Nilatsaka tamin’i Samsona any Fanahin’I Jehovah ka
namono ny 30 lahy izy.
Mpitsara 15.14: nilatsaka tamin’I Samson any Fanahy Masina. Afaka
tamin’ny tady mahazaka nifatorany izy ary valanoram-biby izay hitany no
nahafatesany 1000 lahy (Filistina) tanatin’ny indray andro.
I Samoela 16.13: Nilatsahan’ny Fanahy Masina koa I Davida rehefa avy
nohosoran’I Samoela diloilo izy.
I Samoela 18.6-7: Avy namono ilay Filistina I Davida, ary nihira ny
vehivavy hoe “Saoly nahafaty arivo arivo, fa Davida nahafaty alinalina”. Lasa
matanjaka be I Davida. “Jehovah no mampianatra ny tanako hiady” hoy izy.
Lasa naminany koa I Davida rehefa nilatsahan’ny Fanahy Masina.
Salamo 22.6-8, 22.16-18: Faminanian’I Davida momba an’I Kristy rehefa
nohombohana tamin’ny hazo fijaliana Izy. Naminany izy hoe “Manindrona ny
tongotro aman-tanako izy, ary ny ankanjoko nilokany.”
Milaza ny nanombohana an’I Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana I Davida.
Sady nahazo hery sy tanjaka ary naminany I Davida rehefa nandray ny
Fanahy Masina.
I Samoela 10.6, 9-10: I Saoly nilatsahan’ny Fanahin’ Andriamanitra ka
lasa naminany niaraka tamin’ny mpaminany ary voaova ho olom-baovao izy
satria nomen’Andriamanitra fo vaovao.
I Samoela 18.6-7: Nihira sy nandihy hitsena an’I Saoly ny vehivavy ka
nahazo hery nahafaty arivo arivo izy.
Misy famantarana hita tokoa amin’ny’ny olona nilatsahan’ny
Fanahy Masina.
Famantarana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’I Jesosy:
Matio 3.16-17: Rehefa vita batisa I Jesosy dia nidina tahaka ny
voromailala teo amboniny ny Fanahy Masina, ary naminany koa Izy.
Famantarana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly:
256 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Asa 2.1-4: nisy rivotra mahery mifofofofo nanenika ilay trano, nisy lela
maro mitarehin’afo mizarazara, ary niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa
araka izay nampitenenan’ny Fanahy Masina azy ireo avy.
Mahazo hery sy/na maminany olona ilatsahan’ny Fanahy Masina. Mety
manao famantarana sy fahagagana maro koa ny olona nilatsahan’ny Fanahy
Masina.
Inona ary ireo fiteny tsy fantatra ireo?
- Ireo dia fiteny maro samy hafa fantatra ny fihaviany sy ny
dikany.
Asa 2.5-13: samy nahare ireo lehilahy Galiliana mpianatry ny Tompo
niteny tamin’ny fiteniny avy mpivavaka maro izay tonga naira-nivavaka, dia
Mezopotamia, Kretana, Arabo, vahiny avy any Roma, sy ny sisa rehetra.
Voadikan’ny Fanahy Masina tamin’ny fiteny samy hafa ny asa lehibe nataon’
Andriamanitra ka samy nahazo ny tenin’ny Apostoly avokoa ireo hafa
firenena izay tonga nihaino ny fitoriana ny Filazantsara. Ny olona sasany
tonga nivavaka tao dia nilaza fa leon’ny divay izy ireo ka miteny amin’ny
fiteny hafa. Nefa ny fiteny nataon’ireo Apostoly ireo dia fantatr’ireo
mpivavaka hafa tonga nanantrika tao.
Fehiny: rehefa ilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona iray dia misy
famantarana maro hita.
Nanao famantarana sy fahagagana maro I Jesosy Kristy.
Famantarana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’I Elia mpaminany:
Elia rehefa nandray ny Fanahy Masina: nampitsangana ny maty, …
- fiteny tsy fantatra ny fihaviany sy ny dikany.
Asa 10.44-48: izay rehetra nandre ny teny na dia Jentilisa aza dia
nilatsahan’ny Fanahy Masina koa, ka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy
ireo. Tsy nisy olona nahalala izay teny nolazainy teo tamin’io fotoana io, na
ny niteny na ireo nihaino.
257 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Asa 19.1-6: “ Efa noraisinareo ve ny Fanahy Masina fony vao nino
ianareo?” Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany. Rehefa
nametrahan’I Paoly tanana izy dia nandray ny Fanahy Masina ary niteny
tamin’ny fiteny tsy fantatra sady naminany.
NY AMIN’NY FITENY TSY FANTATRA
Ahoana no ahalalana io fanahy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra
io, na fanahin’ Andriamanitra na tsia? Raha ao am-piangonana dia
inona no tokony hatao, raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantattra?
Tokony hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra daholo amin’ny fotoana iray
ve ny mpivvaka rehetra, sa misy hiteny ary ny sasany kosa hangina?
Sa ve mba misy lamina ihany io fiteny tsy fantatra ao am-piangonana
io? Ahoana no hahalalana fa batisan’ny Fanahy Masina marina tokoa io
mampiteny amin’ny fiteny tsy fantatra io, na fanahy mamitaka avy
amin’ny devoly io mampiteny io ?
Misy mihevitra fa ny fiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ihany mo mariky
ny fanandraisana ny Fanahy Masina. Tsy izany anefa no izy. Tsy tokana
ihany akory no hahalalana fa nandray ny batisan’ny Fanahy Masina ny olona
iray.
Asa 2.5-13: Samy nahare ny Apostoly niteny tamin’ny fiteny maro samy
hafa ny mpivavaka izay avy amin’ny firenena maro samy hafa tonga
nivavaka.
Misy milaza fa raha tsy mbola miteny amin’ny fiteny tsy fantatra dia tsy
mbola nahazo ny Fanahy Masina. Tokony mba dinihana ihany izany raha
marina na tsia.
258 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy tokana ihany akory ny famantarana ny batisan’ny Fanahy Masina.
Sokafana ny fijery rehefa mianatra Soratra Masina: jerena avokoa ny
filaharany, fipetrany, vanim-potoana, ohatra hoe jerena ny famantarana ny
Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao,
taorian’ny Hazo Fijaliana, ary tamin’ny andron’ny Apostoly.
Misy famantarana karazany dimy ny amin’ny batisan’ny Fanahy
Masina: manao famantarana sy fahagagana ilay olona, mahazo hery,
lasa sahy miatrika zavatra sarotra, maminany, ary miteny amin’ny
fiteny tsy fantatra.
Misy fiteny tsy fantatra avy amin’ny’Andriamanitra, misy koa avy amin’ny
devoly. Izany dia fantatra tamin’ny alalan’ireo olona navoaka devoly milaza
fa ipetrahan’I Jesosy avy any Nazareta, ary rehefa noroahina ilay devoly avy
eo dia miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Toy ny hoe misy Kristy sandoka /
misy Kristy tena izy, misy mpaminany avy amin’ny’I Jehovah / misy
mpaminany sandoka, misy koa izany fiteny amin’ny fiteny tsy fantatra avy
amin’ny devoly sy fanahy mamitaka/ ary misy kosa avy amin’
Andriamanitra.
Raha mihaino ny fampianarana ataon’ny Pasteur Mailhol André C.D.D.
amin’ny radio isika dia maheno olona ampitenenin’ny devoly amin’ny fiteny
tsy fantatra mandritra ny délivrance. Tena tsy misy fantatra mihitsy izay
lazainy na dia kely aza. Rehefa noroahina amin’ny anaran’I Jesosy maty telo
andro sy telo alina ilay fanahy ratsy dia nitomany ilay vehivavy.
Misy tsy te hahalala sady tsy te hisahirana hanavaka na hamantatra ny
fanahy ao anatin’ny olona ka manjary voafitaka, satria maro ny fanahin’ny
devoly mampiteny amin’nyfiteny tsy fantatra.
259 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy ny fiteny tsy fantatra avy amin’ny Soratra Masina, ary misy koa avy
amin’ny devoly.
Inona no tokony atao raha any am-piangonana no misy an’izany?
Ny Apostoly 11 lahy dia tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, fa ny
Apostoly Paoly no niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra taty aoriana. I Jesosy
koa dia tsy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra, fa naminany sy nanao
famantarana sy fahagagana lehibe.
I Kor.14:1-39: 14.1 Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny
zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. 14.2 Fa izay miteny amin'ny
fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin' Andriamanitra; fa
amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala; 14.3
fa izay maminany kosa miteny amin'olona ho fampandrosoana sy ho
famporisihana ary ho fampiononana.
14.4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny
tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana. (*) 14.5 Tiako
raha samy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra hianareo rehetra; nefa aleo
haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin'ny fiteny tsy
fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan'ny fiangonana (*)
fampandrosoana. 14.6 Nefa, ry rahalahy, raha mankeo aminareo aho ka
miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, inona moa no soa ho vitako aminareo
amin'izany, raha tsy fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na
fampianarana, no hitenenako aminareo?14.7 Ary ny zavatra tsy manana
aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy
hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony na amin'ny sodina, na amin'ny
lokanga?
14.8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?
14.9 Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny
vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany,
260 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
dia hiteny amin'ny rivotra hianareo. 14.10 Misy fiteny maro samy hafa
amin'izao tontolo izao, ka samy manana ny heviny avy. 14.11 Koa raha tsy
mahalala ny hevitry ny fiteny aho, dia ho vaka amin'izay miteny, ary izay
miteny ho vaka amiko kosa. 14.12 Ary toy izany ihany koa hianareo: raha
fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana (*) no
tadiavo indrindra.
14.13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba
hahay mandika teny koa.
14.14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko
ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. 14.15 Ahoana ary no
izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira
am-panahy no hihira an-tsaina koa aho. 14.16 Fa raha misaotra am-panahy
fotsiny ihany hianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao 'Amena' raha
misaotra hianao? Satria tsy mahalala izay lazainao izy. 14.17 Fa hianao dia
misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina. 14.18
Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra
mihoatra noho hianareo rehetra aho; 14.19 nefa raha ao am-piangonana,
(*) dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny
sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. 14.20
Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana: raha amin'ny lolompo dia
aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy
tokoa. 14.21 Voasoratra amin'ny lalàna hoe: "Amin'ny olona hafa fiteny sy
amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia
amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah" (Isaia 28:11-12)
.14.22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy mino fa tsy
amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy amin'ny tsy
mino. 14.23 Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra
samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay, na ny
tsy mino, tsy holazainy va fa very saina hianareo? 14.24 Fa raha samy
261 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho
voan'ny anatra ataon'izy rehetra izy sady hotsarain'izy rehetra; 14.25 ka dia
miseho ny zavatrra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka
amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina
tokoa. 14.26 Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona hianareo, misy
ta-hanao hira hianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana
fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny.
Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. 14.27 Raha misy miteny
amin'ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra
noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
14.28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin'ny
fiangonana; (*) fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra ihany
izy. 14.29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa
hamantatra. 14.30 Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia
aoka hangina kosa ny voalohany; 14.31 fa mahazo maminany tsirairay
hianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
14.32 ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy
mpaminany. 14.33 Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotranana, fa
tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan' (*) ny olona masina
rehetra, 14.34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana (*) fa
tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.
14.35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha
mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana (*) ny
vehivavy. 14.36 Ary aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao
aminareo ihany no nahatongavany? 14.37 Raha misy manao azy ho
mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa
didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo. 14.38 Fa raha misy tsy
mahalala, dia avelao tsy hahalala ihany izy. 14.39 Koa amin'izany, ry
rahalahiko, maniria fatratra ny haminany ary aza mandrara tsy hiteny
262 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin'ny fiteny tsy fantatra; 14.40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao
amin'ny fahamendrehana sy ny filaminana.
NY TOKONY HATAO AO AM-PIANGONANA:
I Kor.14.1-6: Miezaha mitady fitiavana, ary maniria koa ny zava-panahy.
Nefa ny fahaizana maminany no tena lehibe indrindra amin’ny zava-panahy
ka tokony angatahana amin’ Andriamanitra.
Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra = miteny amin’ny
Andriamanitra ka mampandroso ny tenany ihany, satria amin’ny
fanahy no itenenany zava-miafina ka tsy misy olona mahalala. Tsy
mampandroso ny hafa ny fiteny tsy fantatra raha tsy misy mpandika
teny ao am-piangonana, fa ny tenan’ilay miteny ihany no
ampandrosoiny.
Ny maminany kosa dia miteny amin’ny’ ny olona ka mampandroso
ny fiangonana sy ho fampiononana
I Kor.14.13-14: raha fatra-paniry ny zava-panahy ianao izay
hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra. Koa raha miteny amin’ny
fiteny tsy fantatra ianao dia tadiavo koa ny hahay handika teny.
Izany maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra
raha tsy misy mpandika teny.
I Kor 14.7-11: Raha tsy mazava ny teny aloaky ny vava dia miteny
amin’ny rivotra ihany. Raha tsy mazava amin’ny mpihaino ny hafatra dia ho
vaka amin’izay mihaino ilay miteny.
I Kor. 14.27-30: Avelao ho roa na telo ihany no hiteny amin’ny fiteny tsy
fantatra, ka aoka hisy mpandika teny. Raha tsy misy mpandika teny dia
aoka hangina ny mpiteny tsy fantatra. Ary hiteny hampifanarakarahana ireo
roa na telo ireo fa tsy miaraka miteny avokoa, ary tokony misy mpandika
teny manazava izay lazainy.
263 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
I kor.14.17-19: Misaotra an’Andriamanitra aho hoy I Paoly fa mahay
fiteny tsy fantatra, nefa aleo hoy izy manao teny dimy hampandroso ny hafa
toy izay fiteny tsy fantatra iray alina nefa tsy mampandroso.
Ny maminany no tokony hatao ao am-piangonana mba hananatra ny tsy
mino sy ny vahiny, fa tsy ny hitabataba be hiara-hiteny tsy fantatra.
NY TSY TOKONY HATAO AO AM-PIANGONANA:
I kor 14.31: Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana fa tompon’ny
fiadanana.”
Tsy mety raha mifaninana miteny tsy fantatra nefa tsy misy mahafantatra
sady tsy mampandroso ny hafa. Tsy tokony hiara-hiteny amin’ny fiteny tsy
fantatra amin’ny fotoana miaraka ny mpivavaka rehetra. I kor.14.23-24:
Raha samy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra ny mpivavaka rehetra, tsy
misy fanginana ao dia hoy ny vahiny sy ny tsy mino hoe “very saina
ianareo”, ary tsy mampandroso izany.
Mitandrema isika raha misy fiangonana toy izao: ny sasany mitehaka sy
misioka, ny sasany mitsambikina, ny sasany mivazavaza, ny sasany
mitomany, ny sasany toy ny manao fanatanjahan-tena, ao koa ny sasany
mikapokapoka latabatra na seza fa miantso fanahy masina hono, sy ny sisa,
dia mazava ho azy fa fanahy mamitaka sy fanahin-devoly izany miasa izany.
Tsy tokony hipetraka amin’izany fiangonana izany isika fa tokony hiala
amin’izany avy hatrany sao dia hidiran’ny fanahy ratsy amin’izany.
Tokony hoe misy maminany ary misy mandika teny raha misy miteny
amin’ny fiteny tsy fantatra, fa tsy tokony hisy korontana be toy izany ny
fiangonan’Andriamanitra. Ny naharava ny tilinkambon’I Babela dia vokatr’io
fiteny tsy fantatra io ihany. Tsy nifankahazo intsony ny mpiara-miasa ka
nizarazara sy nisaraka. Tsy mahagaga koa ny fiangonana manao izany fiteny
tsy fantatra tsy misy mpandika teny raha mizarazara tsy ankijanona ary ho
rava tsy misy hiafarany. Tokoy hisy mpandika teny foana rehefa misy
264 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
miteny fiteny tsy fantatra satria mety ho miteny ratsy sy manompa ilay
olona io, nefa ny fiangonana dia faly ery manao Haleloia sy Amena, ka ny
hiafarany dia hahazo ozona tsy roa aman-tany noho ny tsy fahalalana ny
hevitry ny fiteny ataony Amena.
1 Korintiana 14.39-40: 14.39 Koa amin'izany, ry rahalahiko, maniria
fatratra ny haminany ary aza mandrara tsy hiteny amin'ny fiteny tsy
fantatra; 14.40 kanefa aoka ny zavatra rehetra hatao amin'ny
fahamendrehana sy ny filaminana.
1 Korintiana 14.29 Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka
ny hafa hamantatra.
14.30 Fa raha misy tsindrian'ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka
hangina kosa ny voalohany;
14.31 fa mahazo maminany tsirairay hianareo rehetra, mba hianaran'izy
rehetra sy hamporisihana azy rehetra; 14.32 ary ny fanahin'ny mpaminany
dia manaiky hozakain'izy mpaminany. 14.33 Fa Andriamanitra tsy
tompon'ny fikotranana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny
fiangonan' (*) ny olona masina rehetra, 14.34 dia aoka hangina ny vehivavy
raha ao am-piangonana (*) fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara
araka ny lazain'ny lalàna koa. 14.35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka
izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny
ao am-piangonana (*) ny vehivavy.
Araka ny fanaon’ny fiangonana masina dia tsy mety ny vehivavy miteny
na mampianatra ao am-piangonana na mitory teny ao am-piangonana. Tsy
mety izany ny pasitera vehivavy. Didin’ny Tompo izany rehetra izany.
Ny voalazan’ny hoe tsy misy intsony vavy sy lahy na andevo sy tsy
andevo, na grika si jiosy: Raha vao nantao batisa tamin’I Kristy dia olona
iray ihany isika rehetra. Tsy misy fanavahana intsony rehefa vita batisa fa
lasa taranak’I Abrahama avokoa.
265 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy tokony hampianatra na hitoriteny ao am-piangonana ny vehivavy.
Tsy misy apostoly vehivavy, na mpitandrina vehivavy tamin’ny andron’I
Jesosy fa lehilahy avokoa ny mpianany Apostoly rehetra, na loholona na
evanjelistra na ho misionera. Tsy misy vehivavy izany. Fa afaka manao
diakona na dorkasy ny vehivavy na mitory filazantsara ivelan’ny fiangonana.
1 Korintiana 14.22 Koa ny fiteny tsy fantatra dia famantarana amin'ny tsy
mino fa tsy amin'ny mino; fa ny faminaniana kosa dia amin'ny mino, fa tsy
amin'ny tsy mino.
Ilay olona tsy mino, raha mandre ny hafatry ny fanahy manazava ny
fahotany sy ny tokony hibebahany, dia hino izy.
Aza manaiky hametrapetrahan’ny olona tanana izany fa mifindra ny
fanahy raha manaiky izany ka
Asa 19.4-6: rehefa nametrahan’I Paoly Tanana izy dia niteny tamin’ny
fiteny tsy fantatra izy sady naminany.
Mifindra ny fanahy miteny fiteny tsy fantatra raha vao nametra-tanana I
Paoly. Koa aza manaiky hametrahan’ olona tanana izany dia izay miteny
fiteny tsy fantatra nefa fanahy mamitaka no ao anatiny. Tsy misy mpandika
ilay fiteny, ka voafitaka ilay olona mihaino sy ilay miteny.
Toy izany ilay tovovavy iray miteny amin’ny fiteny tsy fantatra isanandro
raha vao mandre ny anadahiny miteny
NY VOKATRY NY BATISAN’NY FANAHY MASINA:
Ny vokatry ny Fanahy masina dia fitiavana, fahalemen-panahy, ka manao
soa amin’ny mpiara-belona aminy ny olona mandray ny fanahin’
Andriamanitra. Fa raha olona masiaka velona, kizintina, mpandainga, sy
ratsy fanahy, mpikotrakotrana na mpitababtaba dia mazava fa tsy mba
nandray ny fanahy masina velively, fa itoeran’ny fanahy ratsy.
1 Kor 12.4-17: 12.4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-
pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 12.5 Ary zarazaraina ho samy
266 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 12.6 Ary zarazaraina ho
samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra
rehetra amin'ny olona rehetra.12.7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny
fampisehoana (*) ny Fanahy hahasoa.
12.8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny
anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 12.9 ary ny
anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray
fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany
ihany, 12.10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, (*) ary ny anankiray
ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra
fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa
tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. 12.11 Ireo
rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy
araka ny sitrapony. 12.12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no
momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia
tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
12.13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena
iray, na Jiosy na jentilisa, (*) na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia
efa nampisotroina ny Fanahy iray. 12.14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa
maro. 12.15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho, dia tsy
mba momba ny tena,--amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 12.16 Ary
raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny
tena,--koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy? 12.17 Raha maso
avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana
avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
Tsy ny fitenenana fiteny tsy fantatra irery ihany akory no vokatry ny
Fanahy Masina. Miseho amin’ny endrika samy hafa ny vokatry ny Fanahy
Masina araka io voalaza etsy mbony io. Tsy ny faminaniana irery ihany koa
no vokatry ny Fanahy Masina.
267 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fisotroam-panahy iray ihany no raisin’ny mpino ao amin’ny fiangonana
iray. Raha Jesosy maty zoma no arahiny dia ny fanahin’I Jesosy maty zoma
no sotroin’ izy ireo. Raha Jesosy maty antsasaky ny herinandro kosa no
raisin’ny fiangonana dia izay fisotroam-panahy iray izay ihany koa no
sotroin’izy ireo tsirairay avy. Izay diso Jesosy dia misotro fisotroam-panahy
mamitaka ka hahita fahafatesana.
Maty Alarobia ve I Jesosy sa Zoma?
FANDALINANA MOMBA NY FILAZANA AN’I JESOSY SY
FANDREFESANA NY TEMPOLY
Efa hitantsika teo amin’ny Apokalypsy toko faha-7 momba ny Tombo-
kasen’ Andriamanitra avokoa ny mariky ny Tempolin’ Andriamanitra. Nefa
dia handalina izany misimisy kokoa ity lesona manaraka ity.
NY RAN’NY ZANAKONDRY
ZANAKONDRY = tandindon’I Kristy izay vonoina rehefa tonga ny Paska.
Jaona 1.29 : Indro ny zanak’ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny
fahotan’izao tontolo izao. tsy maintsy vonoina hatrany ny zanak’ ondry
rehefa Paska tamin’ny Testamenta Taloha.
Lioka 24.44-46: Tsy maintsy tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy tao
amin’ny lalan’I Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny
sain’ny olona Izy hahalala ny Soratra Masina.
Ny nahaterahany, nahafatesany, nilevenany ary ny nitsanganany no
ambaran’ny lalan’I Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo. Io no
Jesosy inoantsika. Ireo no Soratra Masina tamin’ny andron’I jesosy.
268 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Maty zoma nitsangana alahady ve I Jesosy? Sa maty tamin’ny antsasaky
ny herinandro nitsangana Sabata? Tsy misy afa-tsy Kristy 2 no voalazan’ny
Baiboly: Kristy sandoka sy Kristy Mpamonjy izao tontolo izao. ny maro anisa
no ho voafitaky ny Kristy sandoka araka ny Soratra Masina:
Matio 24.4-5: 24.4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema,
fandrao hisy hamitaka anareo, 24.5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako
hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
Misy milaza fa avy amin’ny I Kristy, solon-tenan’I Kristy, ary tsy vitsy no
fitahiny fa maro. Hisy hilaza fa izy mihitsy no Kristy satria hoe Kristy no
velona ato anatiko, hoy ny Soratra Masina.
Izay foto-pampianarana entin’ny mpitondra fivavahana tsy araka ny
Soratra Masina no hahavoafitaka ny olona, fa tsy ny fahitana olona
iray milaza hoe ary ananona ary I kristy ka ho any daholo ny olona.
Maro ny Kristiana mivavaka fa tsy hainy akory no manavaka ny Jesosy
inoany na sandoka na tsia. Ny devoly mba mino an’I Jesosy koa ka
mangovitra.
Izaho ve anatin’ilay maro an’isa voafitaka sa ilay vitsy tsy voafitaka?
Matio 24.23-24: 24.23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, at`y
Kristy, na: Indro, ar`y; aza mino hianareo. 24.24 Fa hisy Kristy sandoka sy
mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy
fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
24.25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
Mety ho samy manana ny foto-pampianarany ny Kristiana samihafa
fiangonana, mety ho mifanenjika na mifanaratsy aza ireo fiangonana
samihafa ireo. Kanefa raha dinihina dia iray ihany izy rehetra satria Kristy
iray ihany no inoan’izy rehetra.
Aleo ary ho porofoina fa maro an’isa no efa voafitaky Kristy sandoka, ary
vitsy anisa no tsy voafitaka.
269 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
MATY ZOMA VE SA ALAROBIA I JESOSY?
NITSANGANA ALAHADY VE SA SABATA IZY ?
Ny famantarana ny 3 andro sy 3 alina (3j3n) nilevenan’I Jesosy tao
an-kibon’ny tany:
Matio 12.38-42: 12.38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-
dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita
famantarana avy aminao izahay. 12.39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy
hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady
famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana
ny amin'i Jona mpaminany; 12.40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona
hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy
izany no
hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny
tany. 12.41 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity
amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny
nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. 12.42 Ny
mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity
amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny
tany izy hihaino ny fahendren' i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho
Solomona eto.
Ratsy fanahy = maloto saina, mpihatsaravelatsihy, miavonavona,
manopanopa olona, manaratsy ny rahalahiny, mijangajanga ara-nofo sy ara-
panahy, mandainga, … izay rehetra manota. Misy mijangajanga ara-panahy
sy ara-nofo. Nomena ny ratsy fanahy sy ny mpijangajanga io famantarana
an’I Jesosy io dia ny 3j3n. Raha tonga I Kristy dia tsy hamonjy ny olona
marina fa hitady ny mpanota ary hamonjy azy ireo mba tsy ho very izy ireo.
270 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Toy izany I Jona izay nitoetra 3j3n tao an-kibon’ny hazandrano lehibe
izay izy vao namonjy ny mponina tao Ninive ho afaka tamin’ny fahotany.
Nino ny olona tao Ninive fa 3j 3n no nitoeran’I Jona tao an-kibon’ny
hazandrano lehibe. Ary toy izany koa I Jesosy izay namonjy ny mpanota ho
afaka tamin’ny helony. Izay rehetra tsy mino izany famantarana izany dia
efa meloka sahady ary ny mponin’I Ninive dia hitsangana hanameloka azy
amin’ny andro fitsarana, n any mpivavaka n any tsy mpivavaka. Efa maty
daholo ny mponina tao Ninive, kanefa hitsangana hanameloka izay rehetra
tsy mino io famantarana an’I Jesosy io ireo mponin’I Ninive ireo. Fahendren’I
Jesosy no nanambara io famantarana Azy io, ka misora-tena ho olo-meloka
izay rehetra tsy mety mino izany. Tsy Pasteur Mailhol akory no nanoratra ny
Baiboly ka nanambara an’io 3j 3n io. Jesosy no nanoratra an’io famantarana
momba Azy io sy nanambara izany.
Koa raha maty zoma I Jesosy ary nitsangana alahady maraina vao
mangiran-dratsy, moa feno 3j 3n ve izany?
Alina: voalohany zoma, faharoa sabotsy. Dia oviana izany ny alina
fahatelo?
Andro: voalohany zoma, faharoa sabotsy, fahatelo alahady.
Raha misy olona maty tamin’ny 3:00 hariva ve dia feno indray andro
sahady ny nahafatesany raha vao maizina ny andro? Fa tsy 24 ora ve ny
andro iray?
Tsy voatery hoe izay zavatra inoan’ny besinimaro no marina izay milaza
fa maty zoma ary nitsangana alahady I Jesosy. (Jereo ny lesona Apokalypsy
toko faha-7 teo aloha momba ny filazana hoe maty zoma ve I Jesosy?) ny
marina dia: Jesosy dia maty, nilevina, ary nitsangana araka ny
Soratra Masina.
271 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny 3j 3n nilevenany sy nitsanganany tamin’ny maty tamin’ny
andro fahatelo dia famantarana fa Jesosy no mpamonjy izao tontolo
izao.
Raha misy olona milaza sy mino fa 3j 3n no nilevenan’I Jesosy nefa
rehefa manazava izy dia tsy manome 3j 3n akor, dia hino izany ve isika?
Rah misy milaza koa fa 40j 40n I Jesosy no maty sy nilevina, dia iza koa no
hino izany? Na hoe nilevina 1j 1n, dia araka ny Soratra Masina ary ve izany?
Tsia.
Matio 27.62 Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo
amin' i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo 27.63 ka nanao hoe:
Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao
hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho. 27.64 Koa asaovy
hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao
avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa
natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny
voalohany. 27.65 Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary
ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. 27.66 Ary nony lasa izy,
dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany
tombo-kase ny vato.
Andro inona io andro fiomanana voalaza io? Oviana ary firy andro
ny miaramila no niambina ny fasana? Andro inona ny Paska tamin’ny
nahafatesan’I Jesosy? Nihinana Paska niaraka tamin’ny mpianany I
Jesosy vao novonoina. Ny fiangonana rehetra dia mino fa maty zoma
nitsangana alahady I Jesosy. Raha toa ka maty Alarobia I jesosy, dia
maty tsy nihinana Paska ve izany Izy? Andro Alakamisy ve ny 14 Abiba
na 14 Nisana tamin’ny herinandro nahafatesan’I Jesosy?
Tabilao mampiseho fanazavana raha maty Zoma
nitsangana Alahady i Jesosy:
272 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny herinandro nahafatesan’I Jesosy sy ny andro nahafatesany:
Alarobia Alakamis
y
Zoma Sabotsy Alahady
+ Paska +
Nihinana
Paska niaraka
tamin’ny
mpianany i
Jesosy
Maraina:
notsarain’I
Pilato I
Jesosy.
Nohomboh
ana tamin’ny
hazo fijaliana,
ary maty i
Jesosy ka
nalevina
Nilevenan’i
Jesosy
Nitsangan
a Izy
Paska
isan-taona ve
io ?
Andro
fiomanana
amin’ny
Sabata
Andro
voalohany
amin’ny
herinandro
Raha Maty
zoma+
=Hariva
voalohany
Andro
voalohany
Hariva
faharoa
Andro
faharoa
Nitsangan
a
Andro 1 = 24 ora = 12 ora andro mazava + 12 ora andro maizina na
alina
Jaona 11.9-10: 11.9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora
amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba
tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.
273 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
11.10 Fa raha misy kosa mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy,
satria tsy misy mazava ao aminy.
Manaraka an’I Jesosy maty zoma mitsangana alahady avokoa ny
fiangonana rehetra: Katolika, Protestanta, Anglikana, Advantista, sy
ireo sekta maro vao niorina taty aoriana.
Alakamisy ve ny andro Paska tamin’ny nahafatesan’I Jesosy ?
Ary Paska isan-taona ve io, ilay ankalazaina isaky ny 14 Abiba?
Raha maty alarobia I Jesosy dia maty tsy nihinana Paska ve Izy?
Raha maty tamin’ny antsasaky ny herinandro (Alarobia) I Jesosy
dia toy izao no fanazavana:
Famantarana an’I Jesosy = nitoetra tao am-pasana / nilevina 3
andro sy 3 alina. (Matio 12.38-40)
Izay Kristy tsy nilevina 3j3n fa 2j2n na 40j40n na 2j/1n no atao hoe
Kristy sandoka. (J = andro, n = alina)
Koa aoka tsy ho voafitaka isika!
Maty tsy nihinana Paska ve izany I Jesosy Kristy raha maty Alarobia
satria io maty zoma io no arahin’ny besinimaro, ary alakamisy ny
andro Paska ilay nankalazaina isan-taona isaky ny 14 Nissan tamin’ny
herinandro nahafatesan’I Jesosy Kristy?
Jesosy maty zoma = io no arahin’ny besinimaro, ny mpivavaka rehetra
Laodikia = fiangonana misy fisalobonana, miseho ho manan-karena nefa
izy no mahantra sy ory sy jamba sy marenina (toy ny Advantista, izay
mitandrina ny Sabata sy manaraka ny didin’Andriamanitra, ary mahay
274 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Soratra Masina nefa diso amin’ny zavatra iray loha dia ny famantarana an’I
Jesosy izay voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina nefa laviny.)
Maro ireo manenjika sy miampanga an’I Pasteur Mailhol ho mpandainga
sy mpamitaka noho ny fanazavana fa maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro I Jesosy ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo. Milaza izy ireo
fa Pasitera tsy manana diplaoma sy miteniteny foana izy. Nefa voaporofo
araka ny Soratra Masina tokoa fa misy Jesosy karazany roa: ny iray no
lalana sy fahamarinana ary fiainana, ary ny iray kosa dia Kristy sandoka,
izay maty, nilevina ary nitsangana tsy araka ny Soratra Masina. Ny
itovian’ny fomba fijery nefa dia ny Paska: andro Alakamisy no inoan’ny roa
tonta fa andro Paska tamin’ny herinandro namonoana an’I Jesosy.
Fanazavana fa Alakamisy ny Paska tamin’ny
nahafatesan’I Jesosy Kristy:
I kor.15.3-4: 15.3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany
indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny
Soratra Masina, 15.4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo
araka ny Soratra Masina;
Manambara ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty: maty Izy araka ny
Soratra Masina, nilevina Izy araka ny Soratra Masina, nitsangana Izy araka
ny Soratra Masina.
Inona no Soratra Masina tamin’ny andron’I Kristy?
Lioka 24.44-46: 24.44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko
taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay
rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny
Salamo. 24.45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
24.46 Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka
hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; …
275 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny Soratra Masina tamin’ny andron’I Jesosy dia ny lalan’I Mosesy sy ny
Mpaminany ary ny Salamo.
Tsy ny Testamenta Vaovao akory ny Soratra Masina tamin’ny andron’I
Kristy.
Taiza no nisy ny Paska voalohany?
Tany amin’ny lalan’I Mosesy no nanomboka nitandrina ny Paska ny
zanak’Israely.
Niseho tamin’ny alalan’ny inona I Jesosy tamin’ny lalan’I Mosesy?
Tandindon’ny inona ny zanak’ ondry?
Jesosy Kristy = tandindon’ny zanak’ondry novonoina tamin’ny lalan’I
Mosesy. Vonoina aloha ny zanak’ ondry, izay vao atao ny Paska araka ny
lalan’I Mosesy, satria ny Paska dia fandalovan’I Jehovah.
Raha maty zoma I Jesosy ary alakamisy ny Paska, dia ahoana ary:
“Tany amin’ny lalan’I Mosesy, ny zanak’ondry ve vonoina aorian’ny
Paska sa alohan’ny Paska?”
Raha maty alarobia Izy dia vonoina aloha ny zanak’ondry vao
mihinana Paska.
Raha maty zoma kosa Izy, dia mihinana Paska aloha vao vonoina
ny zanak’ondry. Zanak’ondry vonoina aorian’ny Paska izany io maty
zoma io.
Aiza ny toko sy andininy manamarina io maty zoma io? Lalan’I
Mosesy aiza no manamarina an’io? Dia oviana ary izany I Jesosy sy ny
mpianany no nihinana Paska?
I
Marka 14.12: 14.12 Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinana ny mofo tsy
misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy:
Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
276 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Io andininy io dia manambara ny niarahan’I Jesosy sy ny mpianany
nihinana ny Paska tamin’ny andro voalohany famonoana ny zanak’ondry.
Izany hoe nihinana Paska ry zareo vao novonoina ny zanak’ ondry, na I
Jesosy.
Nefa raha io no arahina dia oviana indray Izy no novonoina? Satria
niaraka nihinana ny Paska tamin’ny mpianany Izy tamin’io?
Misy olona hafa manohana an’I Jesosy maty zoma koa, rehefa nahita io
voalaza tetsy ambony io, dia sahy milaza fa Jesosy tsy maty tamin’ny
Testamenta Taloha fa tamin’ny Testamenta Vaovao. Noho izany dia ny
zanak’ ondry (Jesosy) maty zoma dia vonoina aorian’ny Paska (andro
Alakamisy).
Aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao no manamarina izany fa
novonoina alohan’ny Paska ny Zanak’ondry? Izany hoe maty
alarobia (maty Izy izay vao Paska 14 Nissan)
Jaona 19.14-16: 19.14 ary andro fiomanana amin'ny Paska ny andro,
tokony ho tamin'ny ora fahenina dia hoy izy tamin'ny Jiosy: Indro ny
Mpanjakanareo! 19.15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin'ny
hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin'ny hazo fijaliana va
ny Mpanjakanareo? Ny lohan'ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana
mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
19.16 Ary tamin'izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana
amin'ny hazo fijaliana. Dia noraisin'ireo Jesosy.
Io andininy io dia manamarina fa andro fiomanana ny Paska tokony ho
tamin’ny ora fahaenina ny andro namonoana an’I Jesosy. Ary I Pilato
nanolotra Azy hombohana teo amin’ny hazo fijaliana.
Jaona 19.30-31:
Mazava be izany fa maty taorian’ny Paska I Jesosy maty zoma, satria I
Jesosy no zanak’ ondry novonoina, zoma, nefa ny Paska dia Alakamisy.
277 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Inona no voalazan’ny Mpaminany momba ny famonoana sy
fahafatesan’ny Mesia?
Daniela 9.24-27: 24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao
sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny
fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana
mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy
hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb.
mpaminany] 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny
hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka
hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo
herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro
mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro
roa amby enim-polo, dia etc] 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo
herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny
mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary
ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana
voatendry.[Na: ilay voahosotra] 27 Ary hanorina fanekena ho herinandro
amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra
hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny
fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny
fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo
an-tampon'][**Na: ny efa lao]
Fitopolo herinandro …
Faminaniana miresaka an’I Kristy io, fa ho tonga ny Mesia, ary hovonoina
amin’ny ½ herinandro. Efa nohazavaina tamin’ny lesona teo aloha ihany ny
momba ity 70 herinandro ity.
278 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
70 herinandro (h) = 7h + 62h + 1h = 69h + 1h
(Jereo azafady ny tabilao misy ny fanazavana teo amin’ny lesona taloha)
Rehefa afaka 62h dia hovonoina ny Mesia: izany hoe rehefa tapitra ny
69h. ny herinandro farany no namonoana ny Mesia. Tonga io fotoana io dia
nitsahatra ny fanatitra alatsa-dra rehetra. Ny fanjakana Romana no
nahantanteraka izany tamin’ny fandravana an’I Jerosalema.
Heviny ara-bakitenin’ny 70 herinandro:
Taona 456 BC – (7 x 7 = 49) = 344 andro na 344 taona
1 herinandro = 7 andro; 7 andro = 7 taona.
Ny andro iray dia soloina taona iray:
Nomery 14: 34 Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny
tany, -- ka ny andro iray hosoloana taona iray -- no hitondranareo ny
helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
Herinandro 1 sisa ary ny antsasany no hitsaharan’ny fanatitra alatsa-dra.
Izany hoe 3 taona 1/3
Niasa 3 taona ½ Izy taorian’ny batisany ary dia novonoina.
Raha maty zoma Izy dia lasa 5 andro ½ no novonoina, nefa tsy hoe niasa
5 andro sy tapany Izy vao novonoina tamin’ny hazo fijaliana fa niasa 3taona
½. Io maty zoma io izany dia tsy mitombina mihitsy na ara-bakiteny na ara-
panoharana.
Raha novonoina ½ herinandro Izy dia alakamisy ihany ny Paska. Tsy nisy
mpaminany nilaza fa maty izy amin’ny andro Sabata, na tamin’ny andro faha
5 sy ½ . izay rehetra voalazan’ny mpaminany dia tanteraka avokoa, koa io
filazana an’I Jesosy io irery ve no tsy tanteraka?
Voaporofo mazava tsara izany fa misy Jesosy karazany roa:
279 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1.- Jesosy maty zoma izay novonoina taorian’ny Paska,
2.- Jesosy maty alarobia na antsasaky herinandro izay novonoina
talohan’ny Paska.
Andeha mbola ho fakafakaina lalindalina kokoa ny fanazavana ireo Jesosy
karazany roa ireo, amin’ny fanazavana ireo miaramila nirahina hiambina ny
fasana sy ny menaka manitra hanosorana Azy.
Talat
a
Alarob
ia
Alaka
misy
Zoma Sabo
tsy
Alah
ady
+
Zanak’
ondry
maty
tamin’ny
½
herinandr
o
Daniela
9.24-27
Paska
14
Abiba
isan-
taona
+
Zanak’
ondry
maty
zoma
Andro
fiomanana
Sabata
Saba
ta
Tsy
tao
amin’ny
fasana
intsony
Izy raha
vao
nangira
n-dratsy
MAT
Y ZOMA
Jesos
y
Tompon
’ny
Alahady
=>
Nihina
na Paska
niaraka
tamin’ny
mpianan
y Izy
Nilevin
a:
Alina
voalohany
Nilevi
na:
Andr
o
voaloha
ny /
Alina
Marai
na:
Nitsang
ana (=
andron’
ny
Tompo)
280 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
faharoa
Paska
isan-
taona
Andro
faha-5½ :
teo ve
no
namonoan
a ny
Zanak’
ondry?
MAT
Y
ALAROB
IA
Jesos
y
Tompon
’ny
Sabata
=>
Raha
maty
Alarobia
hariva
Izy:
Alina
voalohany
Nilevi
na:
Andro
voalohan
y
Alina
faharoa
Nilevin
a:
Andro
faharoa
Alina
fahatelo
Nilevi
na:
Andr
o
fahatelo
Hariv
a:
Nitsang
ana
2
andro
mialoha
ny
Paska:
niara-
nihinana
ny Paska
tamin’ny
mpianan
Andro
faha-3 ½:
namonoan
a ny
Mesia
Andriana
Paska
isan-
taona
281 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
y i
Jesosy.
NY NANDEFASANA NY MIARAMILA HIAMBINA
Talat
a
Alarob
ia
Alaka
misy
Zoma Saba
ta
Alah
ady
+
Andro
nahafates
an’I
Jesosy.
Andro
fiomanana
ny Sabata
Paska.
Ampit
son’ny
andro
fiomanan
a no
naniraha
na ny
miaramil
a hiandry
ny
fasan’I
Jesosy.
Alina
voalohan
y
niamben
ana
Marain
a
voalohany
;
Alina
faharoa
niambena
na.
Marai
na
faharoa
Alina
fahatelo
amin’ny
miarami
la mbola
teo
amin’ny
fasana.
Tonga
ny
anjely
nanakod
ia ny
vato.
Marai
na
fahatelo
: Vao
maraina
dia
mbola
teo
ihany ny
miarami
la.
Matio
28:5-6
NY MENAKA MANITRA
Nividy
menaka
rehefa
avy
nandevina
Nitsah
atra
satria
Sabata
Paska
Nanam
boatra ny
menaka
manitra
rehefa
Nitsa
hatra
izy
satria
Sabata
Nank
any
amin’ny
fasana
hitondra
282 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
an’I
Jesosy
Andro
fiomanana
ny Sabata
Paska.
vita ny
Sabata
ny
menaka
efa
voavoat
ra. Tsy
tao
intsony
ny
Tompo
Matio 28: alahady maraina ny miaramila dia mbola tany amin’ny fasana
ka nahita ny anjely nanakodia ny vato.
Jaona 20:1-9: 20.1 Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia
nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria
Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana. 20.2 Dia
nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy
izy, ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy
fantatray izay nametrahany Azy.20.3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra
anankiray ka nankany amin'ny fasana. 20.4 Ary niara-nihazakazaka izy roa
lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka
tonga taloha tao amin'ny fasana. 20.5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia
nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra teo izy. 20.6 Ary avy
koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny
lambam-paty nipetraka teo, 20.7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy
mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.20.8 Ary
tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo
amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 20.9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra
Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
283 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nieritreritra ny mpianany fa nistangana alahady maraina I Jesosy, nefa
rehefa tonga teo amin’ny fasana izy ireo dia efa tsy taoo intsony I Jesosy
satria efa nitsangana Sabata hariva. I Jesosy maty zoma kosa no nitsangana
alahady maraina vao mangiran-dratsy.
Jaona 20:9-10: ny andro voalohan’ny herinandro no tany amin’ny fasana
ireo mpianatr’I Jesosy nefa efa tsy tao intsony Izy fa efa nitsangana
tamin’ny maty. Tsy io no fotoana nitsanganany, fa io no nilazan’ny anjely
azy ireo fa tsy ao am-pasana intsony nyTompo. Nanantena izy ireo ary tsy
nino fa hitsangana ny Tompo ka mbola nandeha tany amin’ny fasana ihany
na dia efa tapitra azan y 3j3n.
Nividy menaka manitra ny vehivavy hanosotra ny fatin’I Jesosy rehefa
voalevina I Jesosy. Andro fiomanana ny Paska , Sabata lehibe io andro io.
Marka 16.1-8. Nitsahatra izy ireo satria Sabata Paska(= ny andro
ampitson’ny andro fiomanana). Nanamboatra ny menaka izy ireo manitra
rehefa vita ny Sabata. Nitsahatra indray izy ireo satria Sabata andro
fahafito. Nankany amin’ny fasana hitondra ny menaka efa voavoatra ireo
vehivavy. Tsy tao intsony nefa ny Tompo fa efa nitsangana.
FEHINY:
Vokatry ny tsy fahalalan’ny olona no nanovany ny filazana ny momba an’I
Jesosy ary ao koa ireo manompa ny mpaminany milaza sy mitory an’I
Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro. Mila mibebaka izy ireo mba
tsy ho ringana sy ho very any amin’ny farihy afo sy solifara.
Jaona 11.47-53: 11.47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? Fa iny
Lehilahy iny dia manao famantarana maro. 11.48 Raha avelantsika hanao
toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny
Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.11.49 Ary ny
284 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao
taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, 11.50 na misaina
akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny
firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. 11.51 Ary tsy niteny izany
ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany
fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;11.52 ary tsy hamonjy io firenena io
ihany, fa mba hanangona ny zanak' Andriamanitra izay efa niely ho antoko
iray. 11.53 Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
Ny niendrehan’ny lehilahy hamono an’I Jesosy. Hoy Kaiafa mpisoronabe
naminany ny momba an’I Jesosy: Tsara ho anareo ny hahafaty ny olona iray
mba hamonjena ny firenena.
Matio 24.15-17: Filazana ny faminaniana nolazain’I Daniela 9.24-27
momba ny fotoana handravana ny fitoerana masina tao Jerosalema.
Daniela 9: 24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny
tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana,
ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana
mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy
hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb.
mpaminany] 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny
hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka
hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo
herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro
mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro
roa amby enim-polo, dia etc] 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo
herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny
mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary
ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny
285 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] 27 Ary
hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny
fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa
hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny
fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana
voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na:
ny efa lao].
Hitany koa fa mbola haorina indray io nefa dia hisy ady sy fandravana
voatendry hatramin’ny farany. Efa tanteraka io faminaniana io. Ny fanjakana
Romana niaraka tamin’ny Jiosy sy ny Fariseo sy ny mpisorona no niasa
nanatanteraka ny famonoana an’I Kristy. Rehefa maty tamin’ny hazo
fijaliana I Kristy dia nitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny
fanekena taloha. Natao batisa I Jesosy tamin’ny taona 27, niasa 3 taona
sy ½ (3 andro ½ araky ny fanisana amin’ny fitopolo herinandro) Izy, ary
maty Izy tamin’ny taona 30 ½. Soloina taona iray ny andro iray satria hevi-
teny ara-paminaniana io voalazan’ny Daniela io. Andro alarobia no antsasaky
ny herinandro. Ary ny Alakamisy izany dia Paska marina tokoa satria
novonoina ny zanak’ ondry vao natao ny Paska.
Raha maty zoma kosa I Jesosy dia andro faha-enina izany no
nahafatesany. Lasa niasa enin-taona sy tapany I jesosy vao novonoina raha
io fanazavana io no arahina. Tsy mety amin’ny hevitra ara-paminaniana,
sady tsy mety koa ara-bakiteny ny fanazavana ny nahafatesan’I jesosy
andro Zoma io. Ny antony dia satria voalazan’I Daniela mpaminany fa
amin’ny antsasaky ny herinandro no ho vonoina ny Mesia ary hitsahatra ny
fanatittra alatsa-dra, fa tsy amin’ny andro fahenina akory. Noho izany koa
dia tsy niasa enin-taona sy tapany Izy vao novonoina, fa telo taona sy
tapany taorian’ny nanaovana Batisa Azy.
286 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ao amin’ny Jaona 19 ihany no ahitana fa andro fiomanana Paska no
novonoina ny zanak’ ondry. Fa I Marka kosa no niresaka ny andro
firavoravoana tamin’ny nisamborana an’I Jesosy:
Marka 15.1-7: 15.1 Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny
lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny
Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra
Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato. 15.2 Ary Pilato nanontany Azy hoe:
Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe:
Voalazanao. 15.3 Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
15.4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va
Hianao? He! Izao hamaroan'ny zavatra iampangany Anao izao! 15.5 Fa
Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga
Pilato. 15.6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny
mandefa mpifatotra iray izay angatahin'ny vahoaka .15.7 Ary nisy anankiray
izay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin'ny mpikomy sasany, izay efa
nahafaty olona
tamin'ny fikomiana. 15.8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy
hanao araka izay fanaony aminy.
15.9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va raha ny
Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo? 15.10 Fa fantany fa fialonana no
nanoloran'ny lohan'ny mpisorona Azy. 15.11 Fa ny lohan'ny mpisorona
nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan'i Pilato ho azy. 15.12
Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko
amin'ilay ataonareo hoe: Mpanjakan'ny Jiosy?
15.13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana
Izy! 15.14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao
mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy!
15.15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin'ny vahoaka, ka dia nandefa an'i
287 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba
hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
Namatotra an’I Jesosy ny lohan’ny mpisorona ka nanolotra Azy tamin’i
Pilato. Ny lohan’ny mpisorona no nangataka tamin’i Pilato ny handefasana
an’I Barabasy mpamono olona. Fa I Jesosy nasainy nokapohana sy
nohombohana. Andro firavoravoana io andro io.
Jaona 18.38-40: 18.38 Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa
nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao
taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
18.39 Fa misy fanaonareo amin'ny Paska handefasako anankiray ho
anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?
18.40 Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy;
koanefa jiolahy Barabasy.
Efa avy nihinana ny Paska Jesosy vao voasambotra io. Hoy Pilato
tamin’ny lohan’ny mpisorona: Misy fanaonareo amin’ny Paska handefasako
anankiray aminareo.
Jaona 13 Izy no nanasa ny tongotry ny mpianany ary nanao ny Paska
niaraka tamin’ny mpianany. Ary nitory teny lava be Izy avy eo. Avy nihinana
ny Paska Izy vao nosamborina.
Afangaron’ny fiangonana mivavaka Alahady maty zoma ny
Paska nohanin’I Jesosy mialoha sy ny fanasana tongotra
niaraka tamin’ny mpianany sy ny Paska 14 Abiba ilay
ankalazaina isan-taona. Tsy mino ireo olona ireo fa tsy maintsy
vonoina alohan’ny Paska ny zanakondry.
Rehefa in-2 andro sisa no tsy tonga ny Paska dia nitady hisambotra Azy
tamin’ny fitaka ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana:
Marka 14.1-2: 14.1 Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan'ny
Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an'i
Jesosy tamin'ny fitaka ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba
288 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hamonoany Azy.14.2 Nefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fa
ndrao hampitabataba ny vahoaka.
Vita io dia nihinana ny Paska niaraka tamin’ny mpianany Izy. Avy eo vao
Marka 15.1: niara-nisaina hamatotra Azy ny lohan’ny mpisorona. Marka 19
vao milaza ny andro fiomanana Paska (Alarobia) ary nentina amin’ny’izay
Izy hombohana amin’ny hazo fijaliana. Roa andro mialohan’ny Paska Izy
izany dia efa nihinana ny Paska tamin’ny Apostoly. Rehefa nosamborina Izy
dia ny maraina ampitson’iny Izy vao nentina nohombohina.
Jaona 19.30-31: Maty Jesosy tamin’ny andro fiomanana ny Paska (andro
Alarobia io): (Jaona 20.1). Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba
hanesorana ny fatin’I Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Eo isika no hijery ny
fitaka ataon’ny mpaminany sandoka rehetra hanafenany ny marina.
Raha maty Zoma I Jesosy dia maty tamin’ny andro fahaenina. Izany dia
mba hahatanteraka ny tenin’I Jesosy ao amin’ny Lioka:
Lioka 24.25-27: 24.25 Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy
mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany. 24.26 Moa tsy tokony ho niaritra
izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
24.27 Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy,
ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra
Masina rehetra.
Ry adala sy votsa saina: Nanomboka tamin’ny Mosesy sy ny Mpaminany
ny filazana an’I Jesosy.
Tsy mitombina mihitsy izany ny hoe andro zoma no nahafatesan’ny
Zanak’ondry. Tsy mahazo 3 andro sy 3 alina ny zoma, fa ny zoma dia andro
fahaenina.
Jaona 19:32: ny roalahy naira-nohombohina tamin’I Jesosy dia
notapahina ny ranjony mba tsy ho tratry ny andro Paska Alakamisy, fa I
Jesosy kosa efa maty sahady ka tsy mba notapahina ny ranjony.
289 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Alakamisy = Sabata Paska tamin’ny herinandro nahafatesan’I
Jesosy
Tsy nihinana ny Paska tamin’ny andro Paska 14 Abiba na 14
Nisana i Jesosy fa roa andro mialoha, satria Izy no ilay
Zanak’ondry vonoina amin’ny Sabata Paska:
Ny niarahan’I Jesosy nihinana ny Paska tamin’ny mpianany. Hoy Izy
taminy:
Lioka 22.14-18: 22.14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana
Izy mbamin'ny Apostoly.
22.15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity
Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. 22.16 Fa lazaiko aminareo
fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao
amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 22.17 Ary nandray kapoaka Izy, dia
nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; 22.18 fa lazaiko
aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony
Aho mandra- pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
Nihinana ny Paska mialoha niaraka tamin’ny mpianany I Jesosy: Naniry
koa raha naniry Aho hiara-mihinana ny Paska taminareo dieny mbola tsy
mijaly Aho.
Matio 24.4-5: Hoy Jesosy: Mitandrema sao hisy hamitaka anareo fa maro
no ho avy amin’ny anarako ka maro no ho vofitaka.
Tokony harahina ara-bakiteny avokoa ny fahamarinan’ny Soratra Masina
manambara ny filazana an’I Jesosy ara-paminaniana sy ara-bakiteny, milaza
fa amin’ny antsasaky ny herinandro no hovonoina ny Mesia, ary koa niasa
telo taona sy tapany Izy vao novonoina ka nandatsaka ny ràny.
Maro be no manaraka an’I Jesosy maty zoma. Raha manaraka sy mino
an’I Kristy sandoka ianao dia tsy misy afa-tsy fanamelohana no ho anjarany.
Satria tsy ny asa no anamarinana antsika fa ny finoana an’I Jesosy. ka raha
290 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jesosy sandoka no inoanao dia voafitaka ka ho very tsy hahazo famonjena
ianao.
Ny Eglizy Katolika no nampiely ny fampianarana momba ny nahafatesan’I
jesosy maty Zoma. Nandova izany ny Protestanta taty aoriana, ny
Anglikana, Adventista, Loterana, ary ny sekta rehetra na ny manao batisan’
olon-dehibe na ny mivavaka Sabata: Jesosy maty zoma avokoa no arahin’izy
ireo, nefa dia milaza fa tsy mitovy finoana izy ireo. Nefa rah any marina dia
tsy misy finoana hafa henjehin’izy ireo afa-tsy ny finoana an’I Jesosy maty
tamin’ny antsasaky ny herinandro izay arahin’ny Apokalypsy ihany.
Koa mivavaha isika mba hampahiratan’ Andriamanitra ny mason’ireo
voafatotry ny fanahy mamitaka sy devoly ka misy fisalobonana ny sainy, ary
tsy mba mahalala ny marina, fa manenjika sy manaratsy be fotsiny ihany ny
mpanompon’ Andriamaniitra izay nirahiny hanambara ny marina momba ny
filazana an’I Jesosy sy ny nahafatesany tamin’ny antsasaky ny herinandro.
Ny Matio 27 koa dia manazava ny fiambenan’ny miaramila ny fasana
3j3n. ny ampitson’ny andro
Mifanipaka avokoa ireo fiangonana manaraka an’I Jesosy maty zoma,
nefa dia Jesosy iray ihany no tompoiny dia ny maty zoma. Efa nisafidy ny
hanaraka an’io izy ireo ka tsy mety miala amin’ny’izany ary tsy mety mino
ny Soratra Masina na dia efa atoro aza izy.
JESOSY MATY ZOMA JESOSY MATY ALAROBIA
- Maty tamin’ny andro 6e
(fahaenina) na Zoma
- Nilevina 1 andro sy 2 alina
tao am-pasana
- Nitsangana Alahady vao
mangiran-dratsy
- Maty tamin’ny ½ (antsasaky)
herinandro na Alarobia
- Nilevina 3 andro 3 alina tao am-
pasana
- Nitsangana Sabata hariva
- Tompon’ny Sabata : Mivavaka
291 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- Tompon’ny Alahady:
Mivavaka Alahady ny mpanara-
dia azy, ary miasa Sabata.
- Tsy manaraka izay lazain’ny
lalàn’i Mosesy, ny mpaminany,
ary ny Salamo momba an’I
Jesosy.
- Maty taorian’ny Paska
Sabata ireo mpanara-dia Azy, ary
mitsahatra tanteraka amin’ny
Sabata.
- Mahatanteraka izay filazan’ny
lalàn’i Mosesy, ny mpaminany, ary
ny Salamo momba an’I Jesosy.
- Maty talohan’ny Paska
Ireo manaraka an’I Jesosy
maty zoma :
Ireo manaraka an’I Jesosy maty
½ herinandro :
Katolika, protestanta,
advantista, sectes manao batisa
olon-dehibe, mpivavaka sabotsy
manaraka an’I Jesosy maty
zoma, ny sectes mpandrava
didy folo, Temoin de Jehovah, …
=> MARO AN’ISA
Fiangonana Apokalypsy irery
ihany.
=> VITSY AN’ISA
Ny Asan’ny Apostoly 4.8-12 dia manambara fa ny anaran’I Jesosy Kristy
avy any Nazareta no nananganan’I Paoly ilay lehilahy malemy, ary tsy
misy anarana hafa hahazoana famonjena afa-tsy ny anarany irery
ihany. Noho izany raha vao diso ny Jesosy inoanao sy arahinao dia tsy misy
famonjena intsony. Tsy ny lalàna no manamarina sy mamonjy antsika, fa I
Jesosy irery ihany. Koa na dia mivavaka Sabata sy mitandrina ny didin’
Andriamanitra sy ny lalàna aza ianao, nefa Jesosy diso no inoanao, dia ilay
maty zoma nitsangana alahady, dia tsy ho voavonjy mihitsy ianao.
Raha ny maro an’isa no hovonjena dia marina ny famantarana an’ilay
Jesosy maty zoma nitsangana Alahady izay nilevina 1 andro 2 alina. Efa
292 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
voalaza fa maro no ho voafitaka. Fahatanterahan’ny Soratra Masina avokoa
no mahatonga izany.
1 Jaona 1.7-10 – Jaona 2.1-2. 1.7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava
isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i
Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.1.8 Raha
hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato
anatintsika.1.9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina
Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-
fahamarinana rehetra.1.10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia
mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
Jaona voalohany 2 2.1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo
mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava Gr,
Parakleto, izahao Jao 14.16ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay
Marina; 2.2 ary Izy no avotra Na fanatitra fampiononam-pahatezerana,
izahao Rom 3.25 noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa
noho ny amin'izao tontolo izao koa.
Tsy hamarinina amin’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’I Kristy
Jesosy. I Kristy dia tsy mpanompon’ny ota, izany hoe tsy mpandika lalàna.
Galatiana 2:16-17: 2.16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny
asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i
Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy
amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny
lalàna. 2.17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny
tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy ? Sanatria
izany !
1 Jaona 2:4: ny ota no fandikan-dalàna.Mamita-tena izay milaza ny
tenany fa tsy mpanota ary ny marina dia tsy mba ao anatiny:
293 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1 Jaona 1.8: 1.8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena,
ary ny marina tsy ato anatintsika.1.9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia
mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho
afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. 1.10 Raha hoy isika: Tsy nanota
isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika. Jaona
voalohany 2 - 2.1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy
hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana ao amin'ny Ray isika, dia
Jesosy Kristy, Ilay Marina; 2.2 ary Izy no avotra ny fahotantsika, ary tsy
noho ny antsika ihany, fa noho ny amin'izao tontolo izao koa.
Ny didy folo toy ny aza mangalatra, aza mandainga, sy ny hafa rehetra,
dia tsy afaka miteny mifona ho antsika eo anatrehan’I Jehovah hahazoana
famonjena; ary tsy afaka misolo vava, na manamarina antsika ny
fankatoavana ny lalàna rehetra. Fa I Kristy irery ihany no mahavonjy. Izy
irery no mifona ho antsika raha sanatria ka mandika lalàna na manota isika.
Manana an’I Kristy maty araka ny Soratra Masina hifona ho antsika eo
anatrehan’I Jehovah Andriamanitra isika.
Raha I Kristy sandoka kosa no inoanao dia tsy hisolo vava anao hifona eo
anatrehan’ny Jehovah Andriamanitra Ray izy.
Galatiana 5.10: 5.10 Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy
hisaina zavatra hafa akory hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no
hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
Jaona 15.9-10: 15.9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo;
tomoera amin'ny fitiavako hianareo. 15.10 Raha mitandrina ny didiko
hianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny
Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
Nitandrina ny didin’ny Ray I Jesosy, ary nahatanteraka izany. Nanasitrana
tamin’ny andro Sabata I Jesosy ary milaza ny mpino an’I Jesosy maty Zoma
294 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sasany fa tsy nandika ny Sabata I Jesosy ka tsy ilaina intsony ny mitandrina
ny Sabata.
Jaona 9.13-16: 9.13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin'ny
Fariseo. 9.14 Ary tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesosy ny feta sy
nampahiratany ny mason-dralehilahy. 9.15 Ary ny Fariseo koa nanontany
azy izay nahiratan'ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho. 9.16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy
amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata
Izy. Hoy ny sasany: Hataon'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao
fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
Roa miavaka tsara izany ny fivavahana:
- Ireo mino an’I Jesosy maty zoma ka miampanga an’I Jesosy ho
mandika ny Sabata ka tsy tokony hotandremana intsony ny Sabata. Ireo no
maro an’isa araka izay efa voasoratra anaty Baiboly.
- Ireo mino fa I Jesosy dia maty tamin’ny antsasaky ny herinandro ka
mitandrina ny Sabata. Ireo no vitsy an’isa sady miaritra fanenjehana sy
fankahalana avy amin’izay tsy mety mino.
Ny mpanara-dia Jesosy koa dia nisy niala taminy ny sasany koa tsy atao
mahagaga raha misy miala amin’ny fiangonana Apokalypsy koa ny olona
sasany.
Raha misy olona manao fahagagana dia mba anontanio tsara aloha ny
Jesosy anaovany izany fahagagana izany, na ilay maty Zoma izany na maty
tamin’ny antsasaky ny herinandro. Tsy mety ny minomino fotsiny be
fahatany ireny mpanao fahagagana ireny fa ho voafitaka izay tsy mba
manadihady ny marina momba ny Jesosy. misy ireo miteny sy manizingizina
fa rehefa maty ho azy I Jesosy, na andro inona na inona no nahafatesany
dia ampy azy izay. Ary tsy hivadika amin’ny finoany an’I Jesosy maty zoma
nitsangana alahady izy ireo. Tsy mety mino izy ireo fa efa tonga I Kristy
295 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sandoka ary miasa amin’ny fomba rehetra mba hahavoafitaka ny maro izy
io.
2 Tesaloniana 2.8-11: 2.8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay
holevon'i Jesosy Tompo (*) amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany
amin'ny fisehoan'ny fihaviany; 2.9 ny fihavian' ilehiny dia araka ny fiàsan'i
Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga
rehetra
2.10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very,
satria tsy nandray ny fitiavana ny
fahamarinana izay hamonjena azy izy. 2.11 Koa izany no
ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny
lainga, 2.12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa
nankasitraka ny tsy marina.
Mpandika lalana = mpanota
Andriamanitra mihitsy no mampiditra fahadisoan-kevitra rehetra ho
an’izay rehetra tsy mety mino, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy mino
an’I Jesosy maty amin’ny ½ herinandro ilay nahatanteraka ny Soratra
Masina.
296 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
FANDREFESANA NY TEMPOLY
Fizarana faharoa amin’ny fandrefesana ny tempoly:
Ny tavy fisasana na batisa.
“Izay mino sy atao batisa no hovonjena.”
Ny Tavy Fisasana na Batisa
Ny famantarana an’I Jesosy ilay mpamonjy dia ny telo andro sy
telo alina (3j3n) irery ihany. Famantarana holavina io 3j3n io; kanefa izay
rehetra mandà izany famantarana izany ka mino Jesosy hafa tsy maty sy
nilevina araka ny Soratra Masina dia mba holavin’I Jesosy koa:
Matio 7.21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no
hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay
any an-danitra. 7.22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:
Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? Ary
tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao
asa lehibe maro tamin'ny anaranao
va izahay? 7.23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba
fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao
meloka.
Izay atao batisa dia mitafy an’I Kristy:
Matio 22.11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia
nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny
fampakaram-bady. 22.12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no
idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny
fampakaram-bady? Dia sina izy.
297 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
22.13 Ary dia hoy mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony
aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny
fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 22.14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no
fidina.
Izay atao batisa amin’ny anaran’I Jesosy maty zoma dia manao fitafiana
sandoka (mitafy an’I Kristy sandoka), ka dia holavin’i Jesosy zanak’
Andriamanitra ilay maty telo andro sy telo alina.
Nanafatra ny mpianany I Jesosy mba hampianatra ny Soratra Masina
aloha vao hanao batisa ny hafa.
Matio 28.18-20: 28.18 Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao
hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et`y an-tany;
28.19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra,
manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy
Masina28.20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako
anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-
pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
Efa nomena Ahy hoy Jesosy ny fahefana rehetra ety an-tany sy any an-
danitra. Nanome baiko ny mpianany Izy hampianatra ny olona rehetra
aloha vao hanao batisa. Raha vao miresaka batisa dia I Kristy no
voaresaka voalohany indrindra.
Asa 2.37-38:
Mibebaha ianareo ary aoka hatao batisa amin’ny anaran’I Jesosy Kristy
mba hahazo famelan-keloka. Raha Kristy Jesosy sandoka izany no
inoanao dia batisa sandoka no nataonao.
Romana 6.3-4: 6.3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao
batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 6.4
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika,
298 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny
voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
Inona no fototry ny batisa?
Natao batisa ho amin’ny fahafatesany sy ny nilevenany ary nitsanganan’I
Kristy Jesosy tamin’ny maty izay rehetra atao batisa amin’ny anaran’I
Jesosy. Mba ho tahaka ny nitsanganan’I Kristy tamin’ny maty koa no
hitsanganantsika.
Galatiana 3.27: Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy
dia nitafy an'i Kristy.
Batisa ho an’I Kristy = mitafy an’I Kristy.
Izay rehetra natao batisa nefa tsy tamin’ny anaran’I Jesosy maty,
nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina (izany hoe 3 andro 3 alina)
dia sandoka ary mpampianatra sandoka no nampianatra izany. Koa tsy
maintsy esorinao izany fitafiana sandoka izany ary mandray an’i Kristy tena
izy ianao raha te ho voavonjy. Na dia mitandrina Sabata aza ianao, nefa
Kristy sandoka tsy araka ny Soratra Masina no nanaovana batisa anao, dia
diso izany ary tsy hahavonjy anao.
Tsy hotsofina ny trompetra fahafito raha tsy voarefy ny tempoly. Isika no
tempolin’ Andriamanitra horefesina io.
Ny Fanahy Masina noraisinao io, avy amin’ny Jesosy maty zoma
nitsangana alahady ve, sa avy amin’I Jesosy maty ½ herinandro
nitsangana Sabata?
I Kor.12.12-13: 12.12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no
momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia
tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 12.13 Fa Fanahy iray ihany no
nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na Jentilisa, (*) na
andevo na tsy
andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
299 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanahy iray ihany no sotroin’izay natao batisa tamin’ny anaran’I Jesosy:
Jesosy maty zoma ve anefa sa ilay araka ny Soratra Masina ka maty
tamin’ny ½ herinandro? Koa na hifanaratsy eo aza ireo rehetra manompo
Jesosy maty zoma, na Katolika, na Protestanta, na Sekta, na Advantista, na
inona na inona fiangonana misy azy, dia iray ihany izy ireo. Fanahy iray
ihany no nanaovana batisa azy ireo na dia samihafa aza ny fiangonana misy
azy, dia Jesosy maty zoma izany. Tsy maty araka ny Soratra Masina anefa I
Jesosy maty zoma ka tsy hitondra velively amin’ny famonjena. Izay rehetra
nisotro ny fanahin’I Jesosy maty zoma dia mankahala ary mitsangana ho
fahavalon’ ireo mpanompon’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro.
Ny antony hanaovana batisa – ny hevitry ny batisa.
Batisa = batisene na batiseau = immerger, immersion =
manatsoboka / mandetika anaty rano.
Batisa = Miara-maty, milevina ary mitsangana amin’i Kristy.
“Na iza na iza natao batisa amin’ny’I Kristy dia niara-maty sy niara-
nilevina tamin’i Kristy.
Nidina tanaty ranon’I Jordana ireo nataon’I Jaona batisa fa tsy naka rano
tamin’ny seau na koveta lehibe izy akory ka nandena ny lohan’ny olona.
Famonoana ny fianinana taloha (fiainana ara-nofo) ary
fitsanganana ho amin’ny fiainana vaovao (araka ny Fanahy Masina)
ny batisa.
Romana 6.3-4: 6.3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao
batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 6.4
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny
voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
300 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tahaka ny nitsangana’I Kristy tamin’ny maty no itsanganan’ny olona ho
amin’ny fiainana vaovao. Miala amin’ny fiainana taloha izay vita batisa.
Asa 22.16:
Batisa = Fanasana ny fahotana
Asa 2.38: mibebaha mba hahazo famelan-keloka
Batisa = famelan-keloka.
Batisa = fahateraham-baovao.
Jaona 3.3-6: 3.3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia mahazo
mahita ny fanjakan'Andriamanitra. 3.4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny
olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-
dreniny indray va izy ka hateraka? 3.5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao
marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny
Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. 3.6
Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Raha tsy ateraka indray ny olona, ateraky ny rano sy ny fanahy, dia tsy
mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
Ateraky ny rano sy ny fanahy = Atao batisa amin’ny rano (ho
amin’ny fibebahana) + atao batisa amin’ny Fanahy Masina (ho
amin’ny fiainana mandrakizay).
Jaona 1.32-34: 1.32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny
Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo
amboniny. 1.33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao
batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy
sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. 1.34 Ary
nahita aho ; ka dia nanambara fa Izy no Zanak' Andriamanitra.
Jaona nanao batisa amin’ny rano, Jesosy kosa no mpanao batisa amin’ny
Fanahy Masina.
301 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny fisehoan’ny batisan’ny rano tamin’ny andron’I Jaona dia toy izao:
Matio 3.5-8: 3.5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra
amoron'i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona, 3.6 Ka nataony batisa
tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
3.7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany
izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra
anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
3.8 Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo.
Maneho fahateraham-baovao ny batisa satria ateraka indray izy.
Misy fepetra 4 tokony harahina vao tokony hatao batisa ny olona iray:
1 - Matio 28.19-20: 28.19 koa mandehana hianareo, dia ataovy
mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray
sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina 28.20 sady mampianatra azy hitandrina
izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo
mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.
=> Mianatra Soratra Masina:
Ampianaro ny firenena rehetra izay izy ireo vao azo atao batisa. Ataon’ny
zazakely ahoana moa no hianatra sy handinika ary hahalala ny Soratra
Masina? Izany no tsy mahamety ny batisan-jaza.
Ny fahotana fototra dia tsy manameloka raha tsy ampiasaina izy. Rehefa
mianatra Soratra Masina vao atao batisa.
2 - Asa 2.27-38:
=> Mibebaka:
Tsy maintsy mibebaka vao atao batisa ny olona iray.
3 - Marka 16.16: Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety
mino no hohelohina.
=> Mino:
302 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izay mino sy atao batisa no hovonjena sy hahazo famelan-keloka. Tsy
maintsy mino nefa fa hahazoana famonjena io batisa atao amin’ny’alalan’I
Jesosy maty tamin’ny ½ herinandro, nilevina 3 andro telo alina
4 - Asa 2.11: Nisy 3000 no natao batisa rehefa nandray tsara ny teniny.
=> Fanoloran-tena:
Izay nandray tsara ny tenin’Andriamanitra dia manolo-tena hatao batisa
rehefa nibebaka sy niala tamin’ny faharatsiany. Tsy misy ray aman-dreny
mitrotro na mibaby intsony izy fa ny fanoloran-tena sy ny finoana no entiny
manao batisa.
Matio 3.13-15: 3.13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga
teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. 3.14
Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka
Hianao indray va no mankaty amiko ? 3.15 Fa namaly Jesosy ka niteny
taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika
hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Nanantona an’I Jaona I Jesosy mba hataony batisa. Tsy ny ray aman-
dreniny akory no nitondra azy tany.
Nanao ohatra faka tahaka mihitsy I Jesosy mba hahalalan’ny olona ny
marina. Tsy zaza I Jesosy raha natao batisa fa efa 30 taona. Tsy raharahan-
jaza ny batisa, fa raharahan’ny mpanota mba hibebaka.
Inona àry no antony nitondrana zazakely teo amin’I Jesosy?
Matio 19.13-16: 19.13 Ary tamin'izany dia nisy zazakely nentina teo
amin'i Jesosy mba hametrahany ny tànany sy hivavahany ho azy; fa ny
mpianany niteny mafy ireny.19.14 Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny
zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny
lanitra. 19.15 Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.
Mba hametrahany tànana no antony nitondran’ny ray aman-dreniny ny
zaza teo amin’I Jesosy. Ary nitso-drano azy koa Izy avy eo. An’ny toa ny
303 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
zazakely ny fanjakan’ny lanitra. Raha tsy miova toy ny zaza isika dia tsy
mahazo ny fanjakan’ny lanitra. Samihafa ny fanaovam-batisa sy ny
fametrahan-tànana. Firariana soa ny fametrahan-tànana, fa famelan-
keloka kosa ny batisa. Ny olon-dehibe izay nandray tsara ny tenin’
Andriamanitra ka mino no atao batisa; fa ny zaza kosa dia horariana soa ka
hametrahana tànana.
Ny famonoana voalohany dia ny batisan’I Jaona. Ny famonoana faharoa
Azy dia ilay nanombohana Azy tamin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny
rany.
Asa 9.1
Rehefa nibebaka I Saoly dia nirahina I Ananiasy hametra-tanana aminy
ary niteny ny Tompo fa fanaka voafidy izy, ka tsy manenjika ny Kristiana
intsony. Tsy zaza I Saoly raha natao batisa.
I Saoly no niova ho Paoly. Natao batisa koa ny Apostoly Paoly rehefa
niova fo.
Asa 16.30:
Nasain’I Paoly nino an’I Jesosy Tompo ireo mpiambina fonja, ka natao
batisa izy sy ny ankohonany.
Tahaka ny hanatrika fampakaram-bady ny olona hanatrika batisa. Misy
fitafiana raisiny ao, tsy ara-nofo fa ara-panahy. Be dia be ny olona nasaina,
manao fitafiana iray mitovy. Nisy lehilahy anankiray nefa teo izay tsy mba
nanao ny fitafian’I Kristy. Nitafy ny Jesosy maty zoma tsy araka ny Soratra
Masina izy nefa dia sakaizan’I Jesosy. Fantatr’ilay sakaiza ihany ny momba
an’I Jesosy maty ½ herinandro, mino Azy izy, mitory Azy, nefa tsy nety
nanao batisa, fa nihazona ny batisany taloha tamin’ny maty zoma. Fitafian’I
kristy maty zoma izay tsy araka ny Soratra Masina no notafiany. “Na iza na
iza atao batisa araka an’I Kristy dia mitafy an’I Kristy.” Tsy nahazo nanatrika
304 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny fampakaram-badin’ny zanak’ ondry izy ka sina, ary voaroaka niala
tamin’ny fanasana.
Mety ho azon’I Satana atao ny mamitaka: ataony miady hevitra amin’ny
anarana, na fanononana anarana na didy, ary tsy hitany intsony fa ao
amin’ny’I Kristy ny famonjena. Ny iafarany dia mitory an’I Kristy ihany
izy nefa diso.
Matio 24.
Raha misy olona miova fiangonana, ary manao batisa amin’ireny finoana
norisiny ireny tamin’ny anaran’I Jesosy maty zoma, na inona na inona
anaran’ilay fiangonana, dia mandray nyfitafian’ilay Jesosy maty zoma
nitsanagana alahady. (Galat 3:17 sy Apok 11)
Inona no mety ho antony tsy nandraisany io fitafian’I Kristy maty
1/2H, nilevina 3j 3n io?
* Efa manana ankanjo lovan-drazana izy. Efa nafaran’ny razana fa tsy
mahazo mivadi-pinoana.
* Ananany toeram-boninahitra eo amin’ny fiaraha-monina, na firenena na
eo amin’ny fiangonana: mety ho efa pastera, diakona, loholona, mompera,
evanjelistra, katekista, sy ny sisa manaraka an’I Jesosy maty zoma izy. Tsy
mety manova ny ankanjony intsony izy satria efa manana voninahitra.
* Ho very ny tombontsoany raha vao manova ny fitafiany izy: menatra
izy fa tsy hiara-hiosona amin’ny maloto, hihinana biby maloto, menatra an’I
Pastera, menatra ny havana, mpiara-miasa sns.
* Fantany tsara fa marina io Jesosy maty tamin’ny antasaky ny
herinandro nitoetra tao am-pasana telo andro telo alina ary
nitsangana andro Sabata io, nefa noho ny fatahorany olombelona dia tsy
mety manaraka Azy izy. Mahafantatra tsara izy ireo, sady efa vavolombelona
fa nandre izany fahamarinana momba ny Filazantsaran’ny famonjena izany,
nefa tsy mety mandray ny fitafiany, tsy mety manao batisa, na dia mino
305 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ihany aza. Tsy hamela azy handray ny fahamarinana ny fanahin’I Jesosy
maty zoma rehefa manamafy ny fony ny mpanompony.
* Maro no antsoina fa vitsy no ho fidiana. Izay olom-boafidy ihany no ho
afaka hiala ny fampianaran-diso sy ny fitaka. Ireo mpitandrina azy ireo kosa
dia efa voapetaky ny vy mamay ka tsy afaka miala intsony.
* Jehovah mihitsy no manamafy ny fonao raha tsy mety mino ianao,
tahaka ny nanamafisany ny fon’I Farao.
Mbola tokony hatao batisa ary ve ny olona iray na dia efa batisa
tamin’ny fiangonany taloha aza rehefa mahafantatra sy mino an’I
Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro?
Inona no antony tsy maintsy andraisana ny fitafian’I Kristy maty
½ herinandro, nilevina 3j 3n?
Matio 22.8-14: 22.8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny
fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy mendrika. 22.9 Koa
mankanesa hianareo any amin'ny sampanan-dàlana, ary izay hitanareo any
amin'ny sampanan-dàlana, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. 22.10
Dia nivoaka ho any amin'ny làlana ireny mpanompo ireny ka namory izay
rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara;
ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. Matio 22.11 Ary nony efa
niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. 22.12 Dia hoy
izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny
akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.22.13 Ary dia hoy
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario
any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny
fikitroha-nify. 22.14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina.
306 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny olona hidiitra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tahaka ny
manatrika fampakaram-bady: Koa tokony hanao fitafiana mendrika izay
rehetra hanatrika fampakaram-bady. Tsy tokony hanao “Jeans” tonta sy
rovitra, na fitafiana tsy mendrika isika raha hanatrika fampakaram-bady.
Fitafiana mihaja sy madio ary mifanaraka amin’ny zavatra atrehina no
tokony hanaovana raha manatrika fampakaram-bbady. Izay no nahavoa io
lehilahy voalazan’I Jesosy amn’ny fanoharana io satria tsy mba nanao
fitafiana mendrika izy. Noho izany dia natsipy any ivelany izy satria tsy mba
nanao fitafiana mendrika ny fampakaram-bady izy.
Torak’izany koa isika. Raha misy te-hiditra ny fanjakan’
Andriamanitra nefa tsy mety mandray ny fitafian’I jesosy maty 3j3n
dia holavina izy.
Sakaiza = olona akaiky an’I Jesosy ary mahafantatra tsara Azy.
Fantany tsara ny fomba hahazoana famonjena, ary koa ny fitafiana
hahazoana famonjena. Raha vao diso ny fitafiana raisinao amin’ny
famonjena noho ny fitak’i Satana sy ny mpaminany sandoka, fa ataony
miady hevitra amin’ny anarana na fanononana anarana, dia tsy ho hitanao
intsony ny famaritana ny famonjena. Tsy ao amin’ny abidim-pianarana
(ABCD) akory ny famaritana ny “famonjena.”
Raisina amin’ny batisa ny fitafiam-pamonjena, ary amin’ny
anaran’I Jesosy maty tamin’ny ½ herinandro no andraisana azy.
Misy mpitoriteny manambara fa rehefa averina atao batisa isika dia
manombo indray ny zanak’ Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana.
Marina ve izany? Sa inona no tian’izany holazaina?
Moa manombo an’I Jesosy indray ve ny famerenana batisa?
307 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hebreo 6.4-6: 6.4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa
nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy
Masina6.5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny
fiainana ho avy, 6.6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho
amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak' Andriamanitra indray
amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
Fanazavana ny hoe “Rehefa nohazavaina / navaozin’ny tenin’
Andriamanitra”:
Ohatra izany hoe olona iray mpangalatra, mpisotro toaka, mpijangajanga,
ary efa afaka tamin’izany, efa niova fo sy fitondran-tena tanteraka, sady
niala tamin’ny faharatsiana rehetra, efa niala tamin’i Jesosy maty zoma, efa
niala tamin’ny fihinanana biby maloto toy ny toaka misy bibilava, kisoa sy
biby maloto isan-karazany sns…, nefa dia niverin-dalana ka niverina nanao
ny hadalana rehetra indray, dia izany no atao hoe manombo indray
mandeha an’I Jesosy eo amin’ny hazo fijaliana. Izay efa nahalala ny
fahamarinana nefa nihemotra no atao hoe manombo indray mandeha ny
zanak’Andriamanitra eo amin’ny hazo fijaliana. Izany olona izany no tsy azo
havaozina intsony satria efa nihemotra izy.
Mandroso = manaraka ny tenin’ Andriamanitra. (Mifanohitra amin’ny hoe
“mihemotra”)
Misy olona efa natao batisa in-droa ve ao anaty Soratra Masina?
Eny, misy tokoa.
Asa 19.1-6:
Efa vita batisan’I Jaona izy ireo, dia batisan’ny fibebahana. Ary mbola
natao batisa indray mandeha indray izy ireo, dia batisan’I Jesosy maty araka
ny Soratra Masina. Satria mbola tsy nino Azy izy rehetra raha nahita an’I
308 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jesosy. Nametrahan’I Paoly tànana izy rehefa niala ny tsy finoana an’I
Jesosy; ary nilatsaka taminy ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ny fiteny tsy
fantatra izy ireo, ary naminany tamin’ny anaran’I Jesosy maty tamin’ny ½
herinandro.
Rehefa mahalala isika fa tsy marina ny batisan-jaza dia tsy maintsy
miverina atao batisa indray rehefa olon-dehibe mahafantatra sy mino, satria
izay mino sy atao batisa no hovonjena. Ary rehefa fantatrao koa fa fitafiana
tsy izy tsy mahavonjy ny fitafian’I Jesosy maty zoma, dia tsy maintsy atao
batisa indray ianao mba handray ny fitafian’I Jesosy maty 3 andro 3 alina.
Raha tsy izany dia ho sina ianao rehefa manoloana ny fanjakan’
Andriamanitra satria tsy fo tafiditra ao mihitsy izay rehetra tsy mety
mandray izany fitafian’I Jesosy maty 3 andro 3 alina izany.
FEHINY: Safidy malalaka no omena antsika:
Na handray ny fitafian’I Jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro nilevina tao am-pasana telo andro telo alina nitsangana
Sabata izay arahan’ny vitsy an’isa sady enjehin’ny olona;
Na handray ny fitafian’ ilay Jesoy maty zoma nitsangana alahady
nilevina iray andro sy roa alina nitsangana alahady arahan’ny maro
an’isa.
Adama sy Eva raha nanota dia nanao ankanjo fitafiana ravin’aviavy,
ravin-kazo ho azy mivady. Nefa tsy misy rà latsaka ny nahazoana
ravin’aviavy. Noho izany Jehovah Andriamanitra dia nampanao ankanjo
fitafiana hodi-biby azy ireo mba hamelana ny fahotany. Tsymaintsy nisy biby
novonoina tao mba hahazoana ireo fitafiana hodi-biby ireo, ary nisy rà
latsaka koa izay tandindon’ny zanak’ondry novonoina.
309 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny Biby Maloto sy Biby Madio:
1.- Azo hohanina daholo ve ny biby rehetra araka ity Soratra Masina ity?
Marka 7.17-23: 7.17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra
tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana
izany. 7.18 Ary hoy Izy taminy: Hay! Hianareo koa aza mba tsy
mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka
miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, 7.19 satria tsy miditra ao am-pony
izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no
nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. 7.20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka
avy ao amin'ny olona dia izany no mahaloto azy. 7.21 Fa avy ao anatin'ny
olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny
fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,
7.22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso
ratsy, ny fitenenan-dratsy,Gr,
blasfemiany avonavona, ny fahadalana;7.23 izany zava-dratsy rehetra
izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
“Mba hadio ny hanina rehetra”, izay mivoaka avy amin’ny olona dia izany
no mahaloto azy. Avy ao am-pony no mivoaka ny toetra ratsy rehetra, dia
avonavona, lolom-po, sns.
TORO LALANA ARAHINA REHEFA MANDINIKA SORATRA
MASINA:
Mba tsy hamitahan’ny olona antsika rehefa mamaky
toko sy andininy Soratra Masina dia mba jereo tsara
mihitsy ny contexte iray manontolo, dia ny texte mialoha
310 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sy ny aorian’ilay hevitra hofakafakaina. Jereo inona no
lohateny, votoantin-dresaka, iza no miteny, iza no
iresahana, iza no mandefa hafatra, iza no mandray ny
hafatra? Iza no miresaka? Jentilisa daholo ve, sady jiosy
daholo sa mifangaro ao ny jiosy tsy mihinana sy ny jentilisa
mihinana biby maloto?
Vanim-potoana inona no niresahana? Tamin’ny andron’I
Mosesy ve, sa talohany, na taoriany, sa ve tamin’ny andron’ny
Testamenta Vaovao, sa ve rehefa nitsangana I Jesosy?
Fotom-pampianarana: satria ve I Jesosy efa maty tamin’ny
hazo fijaliana dia foana ny lalan’I Mosesy ka azo hohanina daholo
ny biby rehetra?
Raha hanatsoaka ny hevi-dehibe voalazan’io Soratra Masina Marka 7 io
dia jereo tsara ary ny context rehetra amin’ity Soratra Masina ity vao
manatsoaka ny hevitra tiany holazaina isika. Voalohany: Marka 7: mbola tsy
maty tamin’ny hazo fijaliana I Jesosy, noho izany dia dia mbola mipetraka
daholo ny lalan’I Mosesy. Tsy mbola nisy olona avy amin’ny firenena Israely
nihinana biby maloto tamin’ny izany andron’I Jesosy izany.
Faharoa: ady hevitry ny jiosy sy ny jentilisa mihinana mihinana biby
maloto ve ity?
Iza no olona miresaka eto?
Marka 7.1-4: 7.1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-
dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema 7.2 ka nahita ny mpianatra sasany
fa nihina-kanina tamin'ny tànana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. 7.3 (Fa
ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa
tsaraGr,
311 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sasàny amin'ny totohondry ny tànany, satria
mitana ny fampianarana voatolotry ny razana izy.
7.4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana
izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa
izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy
famarana Gr,sekstaria mbamin' izay fanaka varahina.
Iza no miresaka? Jiosy samy Jiosy ve sa Jentilisa sy Jiosy? Valiny:
Niangona teo Aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalana, ary nahita ny
mpianatra sasany nihinan-kanina tamin’ny tanana tsy misasa. Jiosy samy
Jiosy izany izy ireo. Noho izany, tsy hiady hevitra mihitsy izy ireo hoe azo
hohanina ny alika, na gadradraka, na menarana, na kisoa, na scorpions, na
voalavo. Efa fady azy ny biby maloto ka tsy izany no hiadiany hevitra. Ny
Malagasy ve ohatra dia hiady hevitra hoe azo hohanina ny alika, lalitra,
voalavo, sns? torak’izany koa ny hoe any amin’ny lalana ve no adi-hevitra
hahazoana famonjena? Zavatra tsy tokony hiadiana hevitra izany satria tsy
izany no ahazoana famonjena fa ny finoana an’I Jesosy sy ny Filazana
momba Azy.
Ny ady hevitra eto izany dia momba ny fisasana tanana alohan’ny
hihinanan-kanina. Mampaloto ny Jiosy ny fihinanana tsy misasa tanana. Misy
verset synoptique koa milaza momba an’io:
Matio 15.15-20: 15.15 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao
aminay ny hevitr'izany fanoharana izany. 15.16 Ary hoy Jesosy: Hianareo
koa va mbola tsy mahafantatra ihany? 15.17 Tsy fantatrareo va fa izay
rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny
fivoahana? 15.18 Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo,
ka izany no mahaloto ny olona. 15.19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-
dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny
halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy Gr, blasfemia, 15.20 izany
312 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tànana tsy misasa tsy mba
mahaloto ny olona.
Tsy ny mihinana amin’ny tànana tsy misasa no mahaloto ny olona fa izay
rehetra mivoaka avy ao am-po, toy ny toetra ratsy isan-karazany no
mahaloto azy. Talohan’ny hazo fijaliana no niresahana io resaka io. noho
izany dia ny Jiosy samy Jiosy ihany no nifampiresaka teo. Ary tsy mihinana
buby maloto izany mihitsy ny Jiosy. Ny tànana tsy misasa sy ny teny maloto
avy ao am-po no anton’ny resaka adi-hevitra eto, fa tsy ny fihinanana na tsy
fihinanana biby maloto akory.
2.- Azo hohanina ve ny biby rehetra araka ity verset anankiray?
Momba an’I Kapiteny Italiana Kornelio sy ny Apostoly Petera.
Asa 10.10-16:
Fotoana iresahana: taorian’ny hazo fijaliana.
Ny miresaka dia Apostoly Paoly Jiosy sy Kapiteny Kornelio Italiana izay
Jentilisa. Nahita fahitana tamin’ny tsindri-mandry I Petera ka nahita biby
rehetra izay manan-tongotra efatra tanaty lamba lehibe avy tamin’ny lanitra
nisokatra, nampidinina teo anoloany ka nahare feo izy hoe vonoy ka hano.
Noana loatra I Petera tamin’io nefa nalaina fanahy. “Efa nodiovin’
Andriamanitra ny biby rehetra, ka aza ataonao ho fady izay efa
nodiovin’Andriamanitra” hoy ny feo ren’I Petera.
Indreto misy ohatra vitsivitsy mampiseho ireo biby manan-tongotra
efatra: ny katsatsaka, tanalà, fosa, androngo, tarondro, piso, alika, ondry,
osy, omby, soavaly, hippopotame, elefanta, kisoa, sns, izay biby rehetra
manan-tongotra efatra rehetra na madio na maloto.
Tao daholo koa ny zava-mandady sy mikisaka rehetra ety an-tany koa dia
tao: ohatra ny menarana, sahona, foza mihinana maloto sy ny karazany
rehetra, lizard, vipere, kadradraka, voangory, sifotra,
313 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tao koa ny voro-manidina rehetra: goaika, fody, tsipoy, ramanavy
(voalavo misy elatra), sy ny sisa.
Ahoana moa no hihinanan’I Petera alika, kisoa, dragona, sahona, omby
sy ny sisa miray vilany ao? In-telo no nandrenesan’I Petera hoe “Aza
ataonao ho fady izay efa nodiovin’Andriamanitra.” Ary nakarina ho any an-
danitra indray ny biby rehetra fa tsy nohaniny.
Nefa dia manamafy tokoa ireo mpino an’I Jesosy maty zoma sasany sy
mpino sasany izay mihinana sy mankafy biby maloto fa azo hohanina avokoa
ny biby rehetra araka io toko sy andininy io. Nefa araka ny context dia diso
hevitra izy ireo.
Koa inona ary no hevitra sy anton’ny fahitana?
Asa 10.17-21:
Raha mbola nieritreritra ny fahitana I Petera dia nisy hafa firenena tonga
nitady azy. Hoy ny Fanahy Masina tamin’ny I Petera hoe aza misalasala fa
Izaho no naniraka azy. Hatrizay dia fady tamin’ny Jiosy ny hian-trano sy
hanan-draharaha amin’ny Jentilisa.
Asa 10.18-19: hoy I Petera taminy: Fady amin’ny Jiosy ny hanan-
draharaha na hian-trano amin’ny olona hafa firenena (Jentilisa). Tsy hoe
Fady amin’ny Jiosy ny hihinana kisoa, na voalavo na amalona na bitro,
kraby, kalamara, kankana sy ny biby maloto hafa rehetra, no soratra
voasoratra eo. Tsy milaza akory io Soratra io fa tsy misy biby atao hoe
maloto intsony. Tsy resaka biby maloto no ambara fa efa nodiovin’
Andriamanitra eto, fa fanoharana ny hafa firenena amin’ny biby maloto
no voalaza eto.
Hoy I Petera: “Nefa izaho efa nampahafantarin’ny Tompo mialoha
tamin’ny fahitana fa tsy misy olona azoko atao hoe fady.”
Fotaka sy maloton’olombelona anie no hohanin’ireny biby maloto ireny e!
ny kraby mihinana fotaka sy diky eny amoron-drano sy ranomasina rehetra
eny, ary torak’izany koa ny kisoa sy ireo biby maloto hafa ireo.
314 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jesosy aza dia niteny mihitsy tamin’ilay vehivavy Samaritana fa “Tsy
mety raha manome ny mofon-jaza ho an’ny alika.” Heverina ho toy ny biby
maloto mihitsy izany ny Jentilisa. Aodin’ny olona kely fahalalana ny marina,
ka izay tsy mandinika tsara ny context izy fa mitoky be fotsiny amin’ny
fahalalany sy ny filan’ny nofony no ho voafitaka ka ho very.
Asa 10:33-34: Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ary izay rehetra
mivavaka amin’ Andriamanitra amin’ny fony dia henoin’ Andriamanitra
avokoa.
Ny tempolin’ Andriamanitra tamin’ny zanak’ Isiraely dia tsy mba
nampidirana biby maloto izany hatao fanatitra. Ankehitriny dia isika no
tempolin’ Andriamanitra velona. Noho izany dia tsy tokony hampidirana biby
maloto ny tenantsika satria tempolin’ny Fanahy Masina isika. Aza ampidirina
ao ny toaka, ny sigara, ny biby maloto isan-karazany, ary tokony hiala
faingana amin’ny fiangonana mampihinana biby maloto isika satria
mpamitaka izany. Voaota fady ny tempolin’ny Fanahy Masina raha mihinana
maloto isika, ary noho izany dia miala ny fahamasinana ary tsy ho ao
mihitsy ny Fanahy Masin’ Andriamanitra.
Efesiana 4.13-16: 4.13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny
firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho
lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
4.14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolen'ny
rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny
olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; 4.15 fa
mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra
rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy; 4.16 Izy no itomboan'ny tena rehetra
(izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony,
araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy
ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
315 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mandra-pahatongatsika ho lehilahy lehibe mahatratra ny fahalebiazana sy
ny fahafenoan’I Kristy, ka tsy ho zaza intsony ka hovoafitaka sy hailangilana
sy ampitambolimbolen’ny fampianaran-diso, fa mba hanaraka ny marina
amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny’izay loha dia I Kristy.
Kristy iza no arahantsika io? Io Jesosy maty araka ny Soratra Masina sy
nilevina io no itomboantsika.
II Petera 3.15-16: 3.15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho
famonjena tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo
koa araka ny fahendrena nomena azy, 3.16 tahaka ny ataony ao amin'ny
epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary
amin'ireo dia misy
zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy
miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina
koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
Tsy ny didy sy lalana sy fitsipika na koa ny fety no fototry ny famonjena,
fa ny finoana an’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro irery ihany
ilay nilevina 3 andro sy 3 alina tao an-kibon’ny tany nitsangana tamin’ny
maty tamin’ny andro fahatelo no famonjena.
FANDREFESANA NY TEMPOLY
FIZARANA FAHAROA: NY FETY FITO VOATENDRIN’I JEHOVAH
Tokony mbola atao ve ny fankalazana ny fety firavoravoana sa
tsia?
Ny boky mitondra ny lohateny hoe “Ireo andro Sabata sy fety fito
notendren’I Yaweh” (na « Le jour de Sabbat et les sept fetes ordonnées par
316 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Yaweh”, na “The Shabbat and the seven feasts of Yaweh”), nosoratan’ny
mpanoratra Malagasy dia manambara fa tokony hankalazana ireo fety fito
ireo. Ny pejy 12 dia manome ny andinindininy momba ireo fety ireo toy izao:
1. Paska na Passover - 14 Nisana na Abiba
2. Fihinanana mofo tsy misy masirasira – hafitoana, manomboka
hampitson’ny Paska
3. Ny herinandro fito sy andro fahadimam-polo atao hoe Pantekosta:
fanevaevana ny voaloham-bokatra, Alahady mandrakariva ny Pantekosta
4. Ny fetin’ny Trompetra.
5. Andro fanavotana
6. Andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano ratsan-kazo na
tabernakely
7. Andro farany lehibe hanaovana fivoriana masina aorian’ny fetin’ny
tabernakely.
Levitikosy 23.14b sy 21b ary 31b sy 41b: Nambara fa ho lalana
mandrakizay ho an’ny taranaka rehetra fara-mandimby ireo fety ireo.
Voalaza koa fa misy ozona ho an’izay rehetra tsy mankalaza ireo fety fito
ireo araka ny Soratra Masina.
Zakaria 14.16-19: 16 Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay
niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona
hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy
hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. 17 Ary
na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho
any Jerosalema hiankohoka eo
anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy
ranonorana mivatravatra any aminy. 18 Ary raha ny firenen'i Egypta tsy
mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny
317 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra
hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. 19 Izany
no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy
miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
[na: fahotana]
Araka izany dia tsy maintsy miakatra any Jerosalema isan-taona ny
zanak’ Isiraely mba hankalaza ny fety. Raha tsy izany kosa dia ho tonga
aminy ny ozona.
Tsy maintsy jerena foana ny context rehetra nanoratana ny didy
sy lalàna ireo raha hanazava ny momba izany isika. Ity lalàna
mandrakizay napetraka ity sy ny ozona ve taty alohan’ny hazo fijaliana sa
taoriany? Mihatra talohan’ny hazo fijaliana ve ny lalàna ary mbola mihatra
koa taoriany? Inona ny loza mihatra talohan’ny hazo fijaliana? Mbola misy
loza na ozona mihatra koa ve taorian’ny hazo fijaliana sa tsia? Mba tsy ho
voafitaka isika dia tsy maintsy mijery izany rehetra izany.
Tamin’ny Testamenta Taloha dia ny lalàna no fototry ny
famonjena. Izay rehetra tsy manaraka lalana dia voaozona.
Taty aorian’ny hazo fijaliana kosa dia I Jesosy Kristy irery ihany
no fototry ny famonjena.
Ity boky mandalina ny fety fito ity dia manambara fa ny Paska dia
voatendrin’I Yaweh ireo dia misy heviny ara-paminaniana amin’ny
fiverenan’I Yeshua sy ny famonjeny ny zanak’olombelona. Planin’ny
famonjena ny Paska. Tandindon’ny planin’I Yaweh ho amin’ny famonjena
izao tontolo izao ny nanorenany fanekena tamin’I Abrahama.
Ny fankalazana ny mofo tsy misy masirasira koa dia nasaina
notandremana fito andro mba hahazoantsika ny fototry ny planin’ny
famonjena nataon’I Yeshua. Ny fety rehetra nasain’I Yaweh dia planin’ny
318 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
famonjena avokoa. Samy amin’ny filaharany avy anefa ny fankalazana azy
ireo. Tsindrin’ity mpanoratra ity izany fa ireo fety rehetra ireo dia planin’ny
famonjena avokoa ka tsy maintsy notanterahan’ny zanak’Isiraely raha te ho
voavonjy izy.
Tahaka antsika manao trano ihany izany. Tsy maintsy manao planina
isika mialoha ny hanaovana trano. Tsy maintsy arahina amin’ny
antsipirihany ny planina mba ho vita tsara ny trano.
Ahoana no filazan’ny Testamenta vaovao momba ny fety fito?
Hebreo 10.1: 10.1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa
tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona
manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. Hebreo 8.4-
6: 8.4 Koa raha ety ambonin'ny tany, dia tsy mba ho mpisorona akory Izy,
satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, 8.5 dia
ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra
any an-danitra tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao
ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika
izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra"(Eks.25.40).
8.6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny
an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena
tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra.
Voalaza fa aloka sy endriky ny zavatra any an-danitra ireo karazana fety
fito ireo.
Kolosiana 2.16-17: aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia I
Kristy.
I Kristy ho vonoina no antony anaovana ny Paska. Mbola I Kristy ihany
koa no anton’ny Pantekosta. Ny fitsofana ny trompetra koa dia fanairana ny
319 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
olona amin’ny fihavian’I kristy. Ny andro fanavotana na tabernakely
hamonoana ondry sy osy roa dia mbola I Kristy nanafoana sy nandroaka ny
fahotana koa no antony. Ny fitoerana amin’ny trano ratsankazo koa dia
torak’izany ihany. Ny andro firavoravoana farany koa dia manambara fa
vitan’I Kristy ny famonjena. Tsy maintsy mitondra biby atao fanatitra isaky
ny mankalaza ireo fety ireo ny zanak’Isiraely taloha. Planin’ny fanavotana
avokoa ireo fety rehetra ireo. Aloky ny zavatra ho avy ireo fety rehetra ireo
ary natao tanteraka tao amin’I Kristy avokoa.
Jaona 19.30: Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra I Jesosy dia nanao hoe
VITA…
Rehefa vitan’I Jesosy antsakany sy andavany ny asa famonjena
nanirahana Azy dia niteny izy hoe “Vita”. Vita ny trano naoriny hampidirana
ny olona hovonjena. Tsy ilay planina akory no nampidirana ny olona fa ilay
trano efa vita. Ny planina dia toy ny sary entina manao modelin’ny trano
haorina. Ny trano izay aorina kosa no hipetrahana fa tsy ny taratasy misy ny
planina akory. I kristy no tranon’ Andriamanitra izay hamonjena antsika ary
ny famonjena dia efa vita.
Raha ny Baiboly no jerena, dia izao no famintinana ny Fety:
Tsy tokony hankalazaina isan-taona intsony ireo fety fito ireo, fa
isanandro isanandro no tokony hiainana izany.
Lioka 24.44-46: 24.44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko
taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay
rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny
Salamo. 24.45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
24.46 Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka
hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;…
320 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny anton’ireo fety fito manambara an’I kristy ireo dia lalana tsy maintsy
niveloman’ny zanak’ Isiraely tamin’ny androny, ary talohan’ny hazo fijaliana.
Na I Kristy aza dia nanaja sy nankalaza ireo fety rehetra ireo. Rehefa vitany
avokoa ny fanatanterahana ny zavatra rehetra dia niteny amin’izay Izy hoe
VITA. Anton’ireo fety ireo dia I Kristy hanatanteraka ny planin’ny famonjena
ho an’izao tontolo izao.
Isanandro dia tokony hotsarovana sy ankalazaina ireo rehetra ireo satria
efa tanteraka ny fanavotana.
Isanandro dia miaina amin’ny:
- Paska: isanandro no manadio ny fontsika amin’ny ran’ny zanakondry I
Kristy ary ho an’izao tontolo izao izany; fa tsy indray mandeha isan-
taona.
- Isanandro no mandray ny Fanahy Masina isika fa tsy isan-taona;
- Fitsofana ny trompetra, andro fanavotana (fiandrasana an’I Kristy ho
avy amin’ fitsanganana)
- Isanandro no andro fanavotana fa tsy lalana isan-taona intsony tahaka
ny tamin’ andron’ny zanak’Israely;
- Isanandro ny fetin’ny Tabernakely ary ho an’izao tontolo izao fa tsy ho
an’ny Israely ihany intsony.
- Mofo tsy misy masirasira dia ny fialana ny toetra ratsy rehetra ao
anatintsika, dia ny loto avy ao am-po rehetra: lolom-po,
fiavonavonana, fankahalana, sy ny faharatsiana rehetra.
- Isanandro no hankalazaina ny fetin’ny andro farany satria tokony
hiandry sy hanantena izany isanandro isika; fa tsy isan-taona akory.
Misy sorona daholo ny fankalazana ireo fety ireo, izany hoe mila mamono
biby hatao fanatitra ho an’I Jehovah.
Raha tsy maty I Kristy dia tsy ho an’ny zanak’Israely intsony ireo fety
ireo.
321 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Efa nitsahatra tamin’ nahafatesan’I Kristy ny fankalazana ireo andro fety
ireo.
Tsy isan-taona no manao fanavotana I Kristy, fa isanandro isanandro. Tsy
ny firenena Isiraely ihany no nandatsahan’I Kristy ny ran’ny zanak’ondry fa
ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny samihafa fiteny rehetra na
izao tontolo izao. isanandro isanandro I Kristy dia manafaka antsika
amin’nyfaharatsiana avy ao am-po ka dia tandindon’ny mofo tsy misy
masirasira izany.
Galatiana 2.10: voasoratra izay rehetra tsy maharitra mankato ny
voasoratra amin’ lalana; izay mahatandrina ny lalana no ho velona aminy.
Ho an’izay manankina ny famonjeny amin’ny lalàna sy ny fety dia voaheloka
sy voaozona izy raha vao tsy mahatandrina ny iray amin’ireo. Ny ozona dia
mihatra amin’izay manankina ny famonjena azy amin’ny lalana sy ny fety
fito. Nefa kosa izay manankina ny famonjena azy amin’I Kristy dia ho afaka
amin’ny ozona na dia tsy tanteraka aza.
Galatiana 3: Efa nentin’I Kristy ny ozona rehetra tamin’ tsy
fahatanterahana ny fanarahana lalana satria “Voaozona izay rehetra
miantona amin’ny hazo.”
Aloka sy tandindon’I Jesosy kristy ireo fety rehetra ireo, ary
tsy tokony hankalazaina isan-taona intsony satria efa vitan’I
Jesosy Kristy avokoa ny planin’ny famonjena.
Koa ahoana ary ilay hoe “Lalàna mandrakizay”?
Hebreo 7.10-13: 7.10 satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny
nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama. 7.11 Koa raha nisy fanatanterahana
tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna),
322 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka
ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona? 7.12 Fa raha ovana
ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. 7.13 Fa Izay nolazaina
amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona
manompo eo amin'ny alitara.
Ny olona taloha hafa firenena dia tsy nisy nanompo teo amin’ alitara.
Raha miova ny fisoronana dia miova koa ny lalana. Tamin’ andron’ny
zanak’Israely dia mitondra biby atao sorona foana. Fa rehefa maty kosa I
Kristy dia tsy mitondrazanak’ondry hatao fanatitra intsony satria efa vitan’ny
Ran’ny Zanakondry ny fanavotana sy ny sorona rehetra.
Hebreo 9.25-26: 9.25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany
matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-
taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; 9.26 fa raha izany, dia tsy maintsy
ho nijaly natetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny
dia efa naseho
indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota
tamin'ny nanaterany ny tenany.
Tsy nanatitra ny tenany matetika I Jesosy Kristy; fa ny
mpisoronabe kosa dia mitondra ra isanandro sy isan-taona
hanavotana ny olombelona. Raha mbola mankalaza ny fety voalaza teo
aloha ireo isika dia tsy maintsy mamono sy mijaly matetika ny Zanakondry
hatramin’ nanorenana izao tontolo izao. natolotra indray mandeha Izy
hitondra ny otan’ny maro. Echelle 1/100.000: ho an’ny zanak’Israely ihany
ny fanavotana taloha; fa ankehitriny kosa dia mitoetra ho an’izao tontolo
izao izany.
323 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hebreo 10.1,8-10: 10.1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho
avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka
ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. ----
10.8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra
hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota"(dia ireny
aterina araka ny lalàna)" no tsy ilainao ary tsy sitrakao," 10.9 dia hoy indray
Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao" Manaisotra ny voalohany izy mba
hampitoerany ny faharoa. 10.10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana
antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha.
Ny Lalàna dia misy aloky ny zava-tsoa ho avy ary tsy
mahatanteraka ny fanavotana.
Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerina ny faharoa: ny fety araka
ny lalàna taloha izany dia efa nesorina, mba hahatanteraka ny fanavotana
amin’ny alalan’ny finoana an’I Jesosy.
Ny fankalazana fety isan-taona izany dia toy ny fampijaliana ny
zanak’ondry isantaona.
Isika dia mankalaza ny Paska mba ho fahatsiarovana ny famonjena. Tsy
misy fotoana voafetra intsony ny fankalazana ny Paska. Isaky ny mihinana
sy misotro ianareo dia mahatsiaro ny nahafatesany:
Lioka 22.18-19: 22.18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro
ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny
fanjakan'Andriamanitra. 22.19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra,
dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena
ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
Tsy niteny izy hoe isan-taona no mankalaza ny Paska ho fahatsiarovana
Ahy.
I Kor.12.23-26: 11.23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay
natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana
324 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Azy, dia nandray mofo, 11.24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy
Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana
Ahy.11.25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity
kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho
fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo.11.26 Fa na
oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny
kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandra-
pihaviny.
Inty ny tenako ho anareo: Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Na
oviana na oviana no mihinana sy misotro ianareoo dia mahatsiaro ny
nahafatesany, na ny Paska.
I Kor.5.7: Fa voavono I Kristy: Paska ho antsika.
Gen.17.11-14: Ny lehilahy tsy mifora (circoncision) dia hofongorana
mandrakizay. Nefa ny filazan’I Paoly momba ny famorana dia toy izao
indray:
Galat.5.2-4: 5.2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety
hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. 5.3
Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa
mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.5.4 Dia tafasaraka
amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny
lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo.
Mpitrosa tsy maintsy Mankato ny lalana rehetra izy: izany no tsy
hankalazana ny lalana intsony satria tsy io no hametrahana ny famonjena.
Tsy foana akory ny famorana, fa endrika hafa indray no isehoan’ny
famorana:
325 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rom.2.28-29: tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho
amin’ nofo ny famorana, Avy amin’ fo ny famorana fa tsy ny nofo.
Tsy ara-bakiteny intsony ny famorana, fa ny fialana amin’ny faharatsiana
rehetra avy ao am-po no ahazoana famonjena. Io no tandindon’ny
fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
Asa 15.1-5: Ny nifandiran’ny olona sy ny Apostoly tamin’ famorana: Raha
tsy forana araka ny lalan’I Mosesy ianareo dia tsy hovonjena. “Tsy maintsy
forana ireny ka mitandrina ny lalan’I Mosesy.” Nefa hoy I Paoly hoe: “Aoka
tsy hihinana hena aterina amin’ sampy sy fahavetavetana ianareo.” Raha
miova ny fisoronana dia miova ny lalàna.
Nolazain’ Andriamanitra tamin’I Davida fa hanjaka mandrakizay ny
taranany. Iza ary ilay mpanjaka taranak’I Davida izay manjaka
mandrakizay?any Isiraely ve io sa aiza eto an-tany?
Valiny: I Kristy io. Na ny taranak’I Davida aza dia tsy mino an’I Kristy
hatramin’izao. Fa efa manjaka ho an’izao tontolo izao Izy.
Kristy maty zoma no hanaovana Paska isan-taona fa tsy I Jesosy Kristy
maty tamin’ ½ herinandro akory.
II Tesaloniana 2.8-12: 2.8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay
holevon'i Jesosy Tompo (*) amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany
amin'ny fisehoan'ny fihaviany; 2.9 ny fihavian'ilehiny dia araka ny fiàsan'i
Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga
rehetra 2.10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho
very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy
izy. 2.11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-
kevitra aminy hinoany ny lainga, 2.12 mba hohelohina avokoa izay rehetra
tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
326 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izay mankasitraka ny zavatra tsy marina sy mbola miverina mankalaza
ireny fety ireny dia mbola miverina manombo an’I Kristy isan-taona tahaka
ny namonoana ny zanak’ondry isan-taona intsony. Lasa mitondra ilay olona
amin’ny fahaverezana indray izany fahadisoan-kevitra izany. Aloky ny
zavatra ho avy izay efa vitan’I Kristy avokoa ireny fety rehetra ireny.
Tsy nandray ny fitiavana ny Jiosy satria feno fialonana an’I Jesosy izy.
Mbola manaraka ireo fety fito ireo izy satria Kristy sandoka no fiheverany
an’I Jesosy izay efa maty. Ny Jiosy izay tsy nino an’I Jesosy Kristy dia mbola
mankalaza ny Paska, Pentekosta, mofo tsy misy masirasira, etc. isan-taona,
sy ny fety rehetra, satria mbola miandry ny Mesia foana izy ireo. Nolazainy
fa tsy nitsangana tamin’ny maty I jesosy fa nangalarin’ny olona tao am-
pasana ny fatiny. Misy Soratra Masina manambara fa tsy mbola tonga ny
Mesia, nangalarin’ny mpianany tao ny fatiny fa tsy Mesia akory iny, ary
nanome vola be ny olona hampiely izany feo izany izy ireo
mandrak’androany.
Matio 28.11-15: 28.11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina
sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra
rehetra izay vao niseho. 28.12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona,
dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila 28.13 ary nanao hoe:
Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra
natory izahay; 28.14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay
dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
28.15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary
izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
Raha mbola mila fanazavana fanampiny mikasika ny fety fito voatendrin’I
Jehovah isika dia manantòna ny Foibe Apokalypsy tarihin’I Pastera Mailhol
André C.D.D. ao Ambodin’Isotry.
327 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
FANDREFESANA TEMPOLY
FIZARANA FAHATELO - NY ANARAN’ ANDRIAMANITRA
Ahoana ny momba ny fanononana ny anaran’ Andriamanitra? Azo
tononina sa tsy azo ny hoe “Jehovah”? maro ankehitriny no liaza fa satria tsy
voasotra anatin’ny Baiboly Frantsay sy Anglisy ny hoe Jehovah, dia tsy
tokony hotononina fa masina. Faharoa, ny fomba fandikan-teny ofisialy: tsy
adika amin’ny fiteny hafa ny anaran’olona rehefa mandika fiteny. Ohatra:
Razafindramboa, Ratalata, Ralakamisy dia tsy miova mihitsy na any Frantsa
ianao na any Japon na any Angletera sy ny firenena hafa. Tsy miova ho
Razafindralika akory sanatria ny anarana Razafindramboa, ary ny Ratalata
dia tsy miova ho Monsieur Mardi raha any Frantsa.
Koa tokony ho toy izany koa ary ve ny anaran’ Andriamanitra?
Inona no voalazan’ny Soratra Masina?
Isaia 51.8-10: 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy
mba lalako, hoy Jehovah.
9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako
noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. 10 Fa toy ny
ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina
any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy,
mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb;
nampiteraka] 11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy
hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary
ambinina amin'izay ampandehanako azy.
Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalako tsy mba lalanareo, hoyJehovah
Andriamanitra Tsitoha.
328 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny teny voalohany amin’ny Baiboly dia misy hoe Testamenta Taloha,
nadika avy tamin’ny Hebreo sy Grika. Ny soratra Masina Test Vaovao kosa
dia nadika avy tamin’ny Grika.
Tany amboalohany dia nifankahalala daholo ny fitenin’ny olombelona
hatra Adama sy Eva ka hatramin’ny safodrano tamin’ny andron’I Noah.
Rehefa niteraka indray I Noah taorian’ny safo-drano dia mbola fiteny iray
ihany.
Genesisy 11.1-9: 1 Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny
nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona. Ary ny tany rehetra dia iray
fanononana sy iray fiteny. 2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona,
dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo. 3 Ary
niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary
ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. 4 Ary
hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony
hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny
ambonin'ny tany rehetra isika. 5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny
tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona. 6 Ary hoy Jehovah: Indro, iray
foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny
hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay
saintsaininy hatao.
7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy
hifankahala teny izy. 8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny
ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. 9
Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no
nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny
olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
Tamin’ny fanaovana ny tilikambo tao Babela kosa dia nokororohan’I
Jehovah ny fiteny satria nikasa hanao tilikambo avo be ny olona tamin’izany.
329 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nanjary tsy nifankahazo resaka intsony ny olona nanomboka tamin’izany
fotoana izany. Samy nandeha niparitaka amin’izay avy eo na dia vita aza ilay
asa satria tsy mifankahazo resaka. Samy nahalala izy ireo fa misy
Andriamanitra, misy ny anjely, nefa samy nanana fiteny samy hafa fomba
nanononany an’Andriamanitra ireo firenena samy hafa ireo.
Andriamanitra ve dia tsy hahalala ny fomba fanononan’ny olona ny
anarany araka ny fiteniny avy izay nanavahany Azy ireo?
Any andrefana Izy dia manana ny fiantsoan’ireo tandrefana Azy, any
atsimo dia hafa koa no iantsoany an’ Andrimanitra. Samy manana ny
fiteniny avy ny firenena araka ny nanaovan’I Jehovah Andriamanitra azy.
Tsy misy milaza ao anaty Baiboly fa tsy nivavaka tamin’I Jehovah intsony ny
olona nanomboka teo. Nadika avy tamin’ny Hebreo sy Grika ny Testamenta
Taloha. Ary ny fiteny Armeniana no voalaza fa fiteny tamin’ny talohan’ny
safo-drano io.
Abrahama dia nanambady an’I Hagara, sy Saraha. Samy niterahany iray
avy izy ireo. Rehefa raikitra ny ady dia noroahina I Hagara sy Ismaela zanay
izay mpanompony. Nonina tany an-tany efitra izy mianaka rehefa niala.
Genesisy 17-20. 12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy
ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra
lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina
izay taranaka ho anao. 13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko
ho firenena, satria terakao ihany izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama
ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka
napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia
nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-
efitr'i Beri-sheba.
15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo
ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza. 16 Dia lasa izy ka nipetraka tery
330 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipika; fa hoy izy: Aza mba ho hitako
anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra
ny feony nitomany.
17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay
Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato
manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny
zaza eo amin'ny itoerany. 18 Mitsàngana, areno ny zaza, ka tantano; fa
hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i
Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny
siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza. 20 Ary nomban'Andriamanitra ny
zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia
tonga mpandefa tsipika.
Nomen’ Andriamanitra zanaka 12 I Ismaela zanak’I Hagara, ary 12 koa
ny isan’ny zanak’I Isiraely (Jakoba) zanak’I Saraha. Genesisy 25.12-15 sy
Genesisy 35
Samy lasa firenena lehibe avokoa izy ireo. Ny arabo sy ny Isiraelita no
taranan’izy ireo. Ny fiteny Arabo no fitenin’ny Arabo, ary manana Korany izy
izay Soratra Masina hi azy; fa ny fiteny Isiraelita kosa no fitenin’ny
zanak’Isiraely, ary ny Baiboly no Soratra Masina.
Jehovah no fiantsoan’I Hebreo an’ Andriamanitra, fa ny Arabo kosa
miantso Azy hoe Allah. Elohim Izy amin’ny fiteny Hebreo na Yaweh, God
amin’ny Anglisy, YHWH kosa amin’ny Grika na Theos. Efa nisy tamin’izany
vanim-potoana taloha izany izany fiteny samy hafa izany hatry ny taloha. Ny
anaran’ Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny anarantsika olombelona.
Naninona no tsy natao hoe Elohim ny anaran’ Andriamanitra raha nadika
tamin’ny fiteny Grika na Arabo? Ohatra hoe Rakotozafy rehefa adika teny
Anglisy dia Rakotozafy ihany. Torak’izany koa ny anaran;I Jesosy. Yeshua
rehefa Hebreo, Yesus amin’ny Grika, Isa kosa amin’ny teny Arabo, nefa ireo
331 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
firenena ireo dia samy teo amin’io toerana iray niainan’I Jesosy io avokoa
tamin’izany. Ny Frantsay dia manao hoe Jésus (Zezo), ny Anglisy kosa Jesus
(Jizesy). Samy manana ny fomba fanononany an’ Andriamanitra avokoa ny
firenena samy hafa.
Ny Malagasy dia miantso Azy hoe Andriamanitra (Andriana + manitra), na
Zanahary (Zana = Andriana + Nahary). Ny Andriana dia ambony firazanana
indrindra, ary velona ilay Andriamanitra ka natao hoe Andriamanitrany
anarany amin’ny fiteny Malagasy.
Hain’ Andriamanitra fantarina ve ny anarany amin’ny fiteny samy hafa?
Eny.
Asa 2.5-12: Rehefa nivory ireo olona hafa firenena niaraka tamin’ny
mpianatry ny Tompo (Apostoly) dia samy nandre ny asa lehibe ataon’
Andriamanitra amin’ny fiteniny avy izy ireo. Gaga izy ireo raha nandre ny
Apostoly niteny tamin’ny fiteny samy hafa nandritra ny fitoriana filazantsara
sy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra.
Isaia 51: Ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lalako tsy mba lalanareo,
hoy Jehovah Andriamanitra Tsitoha. Noho izany, dia tsy mitovy amin’ny
fomban’ olombelona ny fomban’ Andriamanitra. Ny anaran’ny olombelona no
tsy mahazo adika rehefa mandika teny; fa ny anaran’ Andriamanitra kosa
dia tsy mba toy izany, fa miova araka ny fanononan’ ny firenena azy sy ny
fiteniny izany.
Asa 27.19-23: milaza ilay Andriamanitra tsy fantatry ny olona izay
nitorian’I Paoly teny tany alavitra tany, dia tsy iza fa Jehovah Andriamanitra
izany.
Efesiana 4.11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany
ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy
mpampianatra, 4.12 ho fanatanterahana ny olona masina ho amin'ny
asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana,* ho amin'ny fampandrosoana ny
tenan' i Kristy,
332 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
4.13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy
ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe,
mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
4.14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy
ampitambolimbolen'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny
saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny
famitahana; 4.15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo
amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy; 4.16 Izy no
itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny
fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy
amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny
fitiavana. 4.17 Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo; ny tsy
mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny
fahafoanan'ny sainy; 4.18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny
fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny
hamafin'ny fony, 4.19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena
ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
Tokony hiorina tsara amin’ny fahamarinana isika fa tsy hanaiky
hatambolimbolen’ny fampianaran-diso mampirisika antsika hihinana biby
maloto na hifoka rongony araka ny ataon’ny sasany fa masio avokoa ny bibi
rehetra, ka izany no hihinanany kisoa, ary hoe ny olo-marina dia mitafy
rongony fotsy araka ny bokin’ny Apokalypsy, ka dia mifoka rongony izy.
2 Timoty 2.22-26: 2.22 Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary
miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay
miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 2.23 Fa mandava ny fanontaniana
adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. 2.24
333 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy
amin'ny olona rehetra, mahay
mampianatra, mahalefitra, 2.25 mananatra ny mpanohitra amin'ny
fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana
hahalalany tsara ny marina, 2.26 ka hody ny sainy ho afaka amin'ny
fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony ho
afaka amin'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona--hanao ny
sitrapon' Andriamanitra.
Adidy miandry antsika ny mamoaka ireny olona izay manao fanontaniana
adaladala ireny, satria rehefa toriana ny fahamarinana izy ireny dia tsy
mahazaka. Mankahala antsika izy noho ny fanarahantsika an’I Jesosy maty
tamin’ny antsasaky ny herinandro. Hany ka manjary manompa sy manozona
antsika izy ireny. Ireny olona ireny dia efa azon’ny devoly sambo-belona ka
mampalahelo satria tsy fantany izay ataony. Tokony hitondra am-bavaka
ireny olona azon’ny devoly sambo-belona ireny isika, fa tsy hiady aminy na
hamaly azy akory. Jehovah no hiasa hanafaka azy ireny rehefa entina am-
bavaka izy ireny.
Tokony hitombo ao amin’ny Loha isika, dia I Kristy Jesosy izany, ary tsy
hanaiky hatambolimbolenin’ ireny fampianaran-diso entin’ny mpaminany
sandoka efa azon’ny devoly sambo-belona ireny.
Apoklaypsy 11.1-2: 11.1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka
nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin' Andriamanitra sy
ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
11.2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba
refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa
amby efa-polo volana izy.
Isika izao no tempolin’ Andriamanitra velona, satria efa tsy eo intsony io
tempoly ilay teo aloha.
334 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 11.15: tsofina ny trompetra fahafito ary tonga ny loza
fahatelo. Lasan’I Kristy ny fanjakana.
Efa norefesina ny momba ny fanahy Masina sy ny fanahy mamitaka. Efa
noresahana koa ny momba ny biby madio sy biby maloto. Ny ran’ny
zanak’ondry, Jesosy maty 3 andro sy 3 alina, batisa na tavy fisasana, ny
Sabata koa dia efa nohazavaina satria fototra mahamarina ny tempolin’
Andriamantra koa izany rehetra izany. Alohan’ny hidirana amin’ny fiainana
mandrakizay dia averina amin’ny mari-drefy avokoa ny tempolin’
Andriamanitra.
Raha vao tsy I Jesosy tsy maty, tsy nilevina ary tsy nitsangana araka ny
Soratra Masina no inoan’ny olona miresaka fivavahana amintsika dia tokony
hiala malaky eo isika fandrao dia hifindran’ny fanahy mamitaka, ka ho
azon’ny devoly sambo-belona, ary hanjary hitsangana ho fahavalon’ny
fahamarinana.
Tandindon’ny fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny mofo aseho sy ny
fanaovan-jiro ao amin’ny fitoerana masina. Ny ràn’I Kristy no efa nalatsany
hamonjeny antsika, hisolovava antsika Izy raha nanota isika. Tsy mila
miaiky heloka na mikaonfesy amin’ olombelona intsony isika satria I Kristy
no efa mifona sy misolovava antsika eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny ràny
no famonjena antsika ary mivantana amin’ Andriamanitra ny vavaka
ataontsika amin’ny anarany. Tsy mila mpanelanelana ny vavaka na fifonana
ataontsika amin’ Andriamanitra fa mivantana ary atao amin’ny anaran’I
Jesosy maty 3 andro 3 alina.
FANDREFESANA TEMPOLY
FIZARANA FAHAEFATRA – TEMPOLIN’ ANDRIAMANITRA sa TEMPOLIN’I
BIBIDIA
FANAZAVANA momba ny 666 - Apokalypsy 13 - Daniela 2,7,8 Apok.13,14
335 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny 666 kosa no atao hoe dragona na Satana. Ny Testamenta Vaovao dia miresaka io isa io indray
mandeha monja. Ny Testamenta Taloha koa dia miresaka isa 666. Ny fanazavana ny momba ny 666
horesahana eto nefa dia miainga amin’ny Testamenta Vaovao araka ny boky Apokalypsy :
Apokalypsy 13.18: Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa
fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany. Apok 13.1-4 : 13.1 Ary
nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Ary hitako fa, indro, nisy bibidia niakatra avy
tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary
tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.* 13.2 Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona, ary ilay dragona
nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. 13.3 Ary hitako ny lohany anankiray,
izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra
nanaraka ilay bibidia. 13.4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny
fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibidia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka
ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy?
Dragona = devoly sy Satana
Voalaza fa tsy misy mahay miady aminy. Misy fery efa saika nahafaty azy , nefa tsy maty izy. Misy
vahoaka manaraka azy bibidia io, ary miankohoka eo anoloany ny vahoaka manaraka azy.
Apokalypsy 13.5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy* izy, ary
nomena fahefana mba hiasa* roa amby efa-polo volana. 13.6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an'
Andriamanitra izy dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
13.7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny
fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. 13.8 Ary hiankohoka eo
anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo
amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. 13.9
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino. 13.10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina (f) kosa izy;
ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny
faharetana sy ny finoan'ny olona masina. 13.11 Ary hitako fa, indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy
tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
336 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
13.12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny
tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan'ilay bibidia voalohany, izay efa sitrana
tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy. 13.13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy
any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
Efa lasa ve izany zavatra izany sa mbola ho avy?
Apokalypsy 13.14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay
nomena azy hatao eo imason'ny bibidia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao
sary ho an'ny bibidia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany. 13.15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny
bibidia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo
anoloan'ny sarin'ny bibidia .13.16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na
ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana
na eo amin'ny handriny avokoa, 13.17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny
marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.
Inona no atao hoe miankohoka eo anoloan’ny bibidia? Inona no atao hoe sarin’I bibidia?
Inona ny marika apetak’I bibidia amin’ny handrina sy tànan’ny olona io?
Nampitandrina ny olona nefa ny anjelin’ Andriamanitra mba tsy handraisana io mariky ny bibidia io
ary tsy hiankohoka eo anoloany na eo anoloan’ny sariny:
Apok 14.9-14: 14.9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo
mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny
handriny na amin'ny tànany, 14.10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay
naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin'ny afo
sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy; 14.11 ary ny setroky ny
fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina
izay miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. 14.12
Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i
Jesosy.
14.13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty
ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany
manaraka azy. 14.14 Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'olona (f) nipetraka teo
337 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-
tànany.
Ny olona rehetra izay tsy mahalala izany mariky ny bibidia izany sy ny hoe miankohoka eo
anatrehan’ny bibidia sy ny sariny, ka manaiky mandray ny marika 666 dia tsy ho afa-bela amin’izany
fahatezeran’ Andriamanitra io. Izay rehetra mandray ny marika 666 kosa no hiaran’ny fahatezeran’
Andriamanitra.
Mbola any an-danitra ve araka ny filazan’ny sasany vao ho tonga izany? TSIA.
Apok 15.1-2: 15.1 Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe no
mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, satria izany no enti-mahatanteraka ny
fahatezeran'Andriamanitra. 15.2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay
naharesy ka afaka tamin'ny bibidia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny
ranomasina fitaratra nitana ny lokangan'Andriamanitra.
Ny hevitry ny hoe “Izay naharesy ka afaka tanteraka” : Mila miatrika ady mihitsy ny vahoakan’
Andriamanitra, ary miatrika io fanamelohana ho faty rehefa tsy miankohoka io. Ety an-tany isika no
miady fa tsy any an-danitra akory. Izay efa mpandresy kosa no ho any an-danitra.
Apok 20.4-6: 20.4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary
nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy
sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny
ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-
nanjaka tamin'i Kristy arivo taona; 20.5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-paha-
tapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 20.6 Sambatra sy masina izay manana anjara
amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho
mpisoron' Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Izay tsy mba nandray ny mariky ny bibidia dia maty notapahin-doha noho ny faharetany amin’ny
filazana an’I Jesosy. Ireny no mpandresy ka hiara-manjaka amin’I Kristy 1000 taona.
Soratra Masina manazava ny isa 666: Daniela 2 sy 7 ary 8, Apokalypsy 13 sy
14
1.- Daniela 7.25 = Apokalypsy 11.1 = Apokalypsy 13.18 = 666
338 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apok 13.18.: Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona
izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
Daniela 7.25: Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra
ary hitady hanova fotoana sy
lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa
ary ny antsasaky ny
fetr'andro.
Apokalypsy 13.18: Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa
fanisan'olona izany; ary enina amby enim-
polo amby enin-jato no isany.
Iza io voalazan’ny Daniela 7.25 io? Inona izany isa 666 fanisan’ny olona izany?
Iza no olo-masin’ny Avo Indrindra ary hampahoriana ahoana izy? Fotoana sy lalana inona
no novain’I bibidia?
Daniela 2 Daniela 7.1-25 Daniela 8 Apokalypsy 13
1 Ary tamin'ny taona
faharoa nanjakan'i
Nebokadnezara dia nanonofy
Nebokadnezara, ka nitebiteby
ny fanahiny, ary tsy nahita
torimaso izy. 2 Dia nasain'ny
mpanjaka nantsoina ny
ombiasy sy ny mpisikidy sy ny
mpanana ody ary ny
Kaldeana hilaza amin'ny
mpanjaka ny nofiny. Dia
tonga ireny ka nitsangana
teo anatrehan'ny mpanjaka.
3 Ary hoy ny mpanjaka
taminy: Nanonofy aho, ka
mitebiteby ta-hahalala ny
nofy ny fanahiko. 4 Dia niteny
tamin'ny mpanjaka amin'ny
1 Tamin'ny taona
voalohany nanjakan'i
Belsazara, mpanjakan'i
Babylona, dia nanonofy
Daniela sady nahita
fahitana* tao am-
pandriany, ary
nosoratany ny nofy, ka
nambarany ny
fotopototry ny teny.[Ar.
fahitan'ny lohany]. 2 Dia
niteny Daniela ka nanao
hoe: Nahita tamin'ny
fahitako tamin'ny alina
1 Tamin'ny taona
fahatelo nanjakan'i
Belsazara mpanjaka dia
nisy fahitana niseho
tamiko, izaho Daniela,
taorian'ilay niseho
tamiko tamin'ny
voalohany. 2 Ary nahita
tamin'ny fahitana aho,
ka raha mbola nijery
aho, dia, indro, tao
Sosana tao amin'ny
lapan'ny mpanjaka izay
ao amin'ny tany Elama
13.1 Ary
nitsangana teo
ambonin'ny fasiky ny
ranomasina izy. Ary
hitako fa, indro, nisy
bibidia niakatra avy
tamin'ny ranomasina,
nanan-tandroka folo sy
loha fito, ary tamin'ny
tandrony dia nisy
diadema folo; ary
tamin'ny lohany dia
nisy anarana fitenenan-
dratsy. 13.2 Ary ny
339 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
teny Aramiana ireny
Kaldeana ireny ka nanao hoe:
Ry mpanjaka ô, ho velona
mandrakizay anie ianao,
ambarao aminay
mpanomponao ny nofy, dia
holazainay ny heviny. 5 Dia
namaly ny mpanjaka ka
nanao tamin'ireny Kaldeana
ireny hoe: Efa niloa-bava
aho*; raha tsy hampaha-
fantarinareo ahy ny nofy sy
ny heviny, dia hotetitetehina
ianareo, ary ny tranonareo
hatao trano fivoahana.[Na:
efa hadinoko ilay nonofisiko]
6 Fa raha milaza ny nofy sy
ny heviny kosa ianareo, dia
hahazo fanomezana sy valim-
pitia ary voninahitra be; koa
ambarao ahy ny nofy
mbamin'ny heviny.
7 Dia namaly indray ireo
ka nanao hoe: Aoka ny
mpanjaka hilaza ny nofy
aminay mpanompony, dia
hambaranay ny heviny. 8 Fa
ny mpanjaka namaly ka
nanao hoe: Fantatro
marimarina fa mandany
andro foana ianareo, satria
hitanareo fa efa niloa-bava
aho.19 Fa raha tsy
hampahafantarinareo ahy ny
nofy, dia lalàna iray monja no
hitondrana anareo; fa
ianareo miray tetika hilaza
teny lainga sy arirarira foana
aho, fa, indreo, ny
rivotra efatry ny lanitra
nibosesika teny amin'ny
ranomasina lehibe. 3
Ary nisy biby efatra
lehibe samy hafa
niakatra avy tamin'ny
ranomasina. 4 Ny
voalohany dia toy ny
liona ary nanana elatry
ny voromahery; nijery
aho ambara-
panongotra ny elany,
ary natsangana avy
tamin'ny tany izy ka
najoro tamin'ny
tongony roa toy ny
fijoron'ny olona, sady
natao manana
fon'olombelona izy. 5
Ary indro koa ny
faharoa, biby hafa
tahaka ny bera, izay
nampisondrotra ny ila-
tenany, sady nisy
taolan-tehezana telo
teo am-bavany
anelanelan'ny nifiny; ary
toy izao no voalaza
taminy: Mitsangàna,
homàna nofo be. 6 Ary
aho; ary nahita tamin'
ny fahitana aho, ka teo
amoron'ny ony Olay
aho. 3 Dia natopiko ny
masoko, ka hitako, fa,
indro, nisy ondrilahy
iray nitsangana teo
amoron'ny ony, izay
nanana tandroka roa;
lava ireo tandroka ireo,
ary ny anankiray lava
noho ny anankiray, nefa
ilay lavalava kokoa no
niposaka taoriana. 4
Hitako ny ondrilahy
manoto
miankandrefana sy
mianavaratra ary
mianatsimo; ary tsy nisy
biby nahajanona teo
anoloany, ary tsy nisy
naharombaka izay mby
teny an-tanany; fa
nanao araka izay
sitrapony izy ka tonga
lehibe*.[Na:
niavonavona] 5 Ary
raha mbola nandinika
aho, dia, indro, nisy
osilahy nivoaka avy tany
andrefana ka nitety ny
bibidia dia izay efa
hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny
tongony tahaka ny
an'ny bera, ary ny
vavany tahaka ny
vavan'ny liona, ary ilay
dragona nanome azy
ny heriny sy ny seza
fiandrianany ary
fahefana lehibe. 13.3
Ary hitako ny lohany
anankiray, izay toa voa
ka efa ho faty; nefa
sitrana ihany ilay feriny
saiky nahafaty azy; ary
gaga ny tany rehetra
nanaraka ilay bibidia.
13.4 Ary dia
iankohoka teo
anoloan'ilay dragona
ireo, satria izy no
nanome ny fahefana ho
an'ny bibidia; ary
niankohoka teo
anoloan' ny bibidia koa
ireo ka nanao hoe: Iza
no tahaka ny bibidia?
Ary iza no mahay miady
aminy? 13.5 Dia
nomena lela* miteny
340 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
eto anatrehako mandra-
pahatongan' izay andro
mahamety*; koa ambarao
ahy ny nofy, dia ho fantatro
fa mahalaza ny heviny amiko
koa ianareo.[Aramiana.
mandra-piovan'ny andro] 10
Ny Kaldeana namaly teo
anatrehan'ny mpanjaka hoe:
Tsy misy olona et?
ambonin'ny tany mahay
milaza izany nofin'ny
mpanjaka izany; fa tsy mbola
nisy mpanjaka, na dia izay
lehibe sy mahery aza, nila
zavatra toy izany tamin'ny
ombiasy sy ny mpisikidy ary
ny Kaldeana.[Ar. tenin'] 11
Ary sarotra ny zavatra
anontanian'ny mpanjaka, ka
tsy misy mahay milaza izany
eo anatrehan'ny mpanjaka
afa-tsy ireo andriamanitra,
izay tsy manam-ponenana
amin'ny nofo.
12 Dia vinitra sady
tezitra indrindra ny mpanjaka
noho izany, ka nasainy
naringana ny olon-kendrin'i
Babylona rehetra.
13 Ary navoaka ny didy
nampamono ny olon-kendry;
ary Daniela sy ny namany koa
mba notadiaviny hovonoina.
14 Dia novalian'i Daniela
tamin'ny fanahy sy ny
fahendrena Arioka lehiben'ny
mpiambina ny mpanjaka,
nony afaka izany, dia
nahita aho fa, indro,
nisy hafa koa toy ny
leoparda, izay nanana
ela-borona efatra teo
an-damosiny, ary io biby
io nanana loha efatra,
ary nomena
fanapahana izy.
7 Nony afaka izany,
dia nahita tamin'ny
fahitana tamin'ny alina
aho, ary, indro ny
fahefatra, biby
mahatsiravina sady
matanjaka sy
mahery indrindra, ary
nanana nify vy lehibe
izy; nihinana sy
nanotahota izy, ary ny
sisa tsy laniny dia
nohosihosen'ny
tongony; ary hafa noho
ny biby rehetra teo
alohany izy sady nanana
tandroka folo. 8
Nodinihiko ny tandroka,
ka, indro, nisy tandroka
iray kely koa nipoitra
teo aminy, ary
novohana teo
tany rehetra, nefa tsy
nikasika ny tany; ary
ilay osilahy dia nanana
tandroka lehibe teo
anelanelan'ny masony.
6 Ary izy nankeo
amin'ilay ondrilahy
nanana tandroka roa,
dia ilay efa hitako
nitsangana eo
amoron'ny ony, ka
nanazakazaka azy
tamin'ny fahatezeran'
ny heriny. 7 Ary hitako
nanatona ho eo
anilan'ny ondrilahy izy,
dia nisafoaka taminy ka
namely ny ondrilahy ary
nanapaka ny tandrony
roa, ka tsy nahajanona
teo anoloany intsony
ilay ondrilahy, fa
nazerany teo amin'ny
tany ka
nohitsakitsahiny; ary tsy
nisy nahavonjy ilay
ondrilahy teny an-
tànany. 8 Ary dia
nihahery indrindra ilay
osilahy; nefa nony
nahery izy, dia tapaka
zavatra mihoapampana
sy fitenenan-dratsy*
izy, ary nomena
fahefana mba hiasa*
roa amby efa-polo
volana. 13.6 Ary
nanokatra ny vavany
hiteny ratsy* an'
Andriamanitra izy dia
ny hiteny ratsy* ny
anarany sy ny
tabernakeliny, dia ireo
mitoetra any an-
danitra. 13.7 Ary
navela hiady tamin'ny
olona masina izy ka
haharesy azy; ary
nomena fahefana
tamin'ny fokom-
pirenena sy ny olona sy
ny samy hafa fiteny ary
ny firenena rehetra izy.
13.8 Ary
hiankohoka eo
anoloany ny olona
rehetra monina
ambonin'ny tany, dia
izay tsy manana ny
anarany voasoratra eo
amin'ny bokin'ny
fiainan'ny Zanak'ondry,
341 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
izay nivoaka
hamono ny olon-
kendrin'i Babylona; 15 eny,
namaly izy ka nanao tamin'i
Arioka, lehibe voatendrin'ny
mpanjaka, hoe: Nahoana no
dia mafy toy izany ny teny
avy amin'ny mpanjaka? Dia
nambaran'i Arioka tamin'i
Daniela ilay teny. 16 Dia
niditra Daniela ka nangataka
tamin'ny mpanjaka hanome
andro azy, dia holazainy
amin'ny mpanjaka ny hevitry
ny nofy. 17 Ary Daniela nody
tany an-tranony ka
nanambara ilay teny tamin'i
Hanania sy Misaela ary
Azaria namany,18 mba
angatahan'ireo famindram-
po amin' Andriamanitry ny
lanitra ny amin'izany zava-
miafina izany, mba tsy
haringana Daniela sy ny
namany mbamin'ny olon-
kendrin'i Babylona rehetra.
19 Dia naseho an'i
Daniela tamin'ny fahitana
amin'ny alina izany zava-
miafina izany, ka dia nisaotra
an'Andriamanitry ny
lanitra Daniela. 20 Eny,
niteny izy ka nanao hoe:
Isaorana anie ny
anaran'Andriamanitra
mandrakizay mandrakizay, fa
Azy ny fahendrena sy ny hery.
21 Ary Izy no mandahatra*
anoloan'io ny tandroka
telo tamin'ireo taloha;
ary, indro, nanana maso
toy ny mason'olona sy
vava miteny zavatra
mihoa-pampana izy. 9
Mbola nijery ihany aho
mandra-pametraka ny
seza fiandrianana, ary
ny Fahagola no
nipetraka teo, ny
fitafiany dia fotsy
toy ny fanala, ary ny
volon-dohany toy ny
volon'ondry madio; ny
seza fiandrianany dia
lelafo, ary ny kodiany
dia afo
mirehitra. 10 Ony
afo no nivoaka sy
nandeha avy teo
anatrehany; arivoarivo
no nanompo Azy, ary
alinalina no nitsangana
teo anatrehany;
nipetraka ny Mpitsara,
ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola nijery
ihany aho noho ny
feon'ny teny
mihoapampana
ilay tandrony lehibe; ary
nisy efatra
lehibenipoitra nisolo iny
nifanandrify tamin'ny
rivotra efatry ny lanitra.
9 Ary nisy tandroka kely
nipoitra avy tamin'ny
anankiray amin' ireny
ka nihalehibe indrindra
nianatsimo sy
niantsinanana ary
nankany amin'ny tany
mahafinaritra. 10 Ary
nihalehibe izy ka nihatra
tamin'ireo maro be eny
amin'ny lanitra; ary nisy
nazerany ho amin'ny
tany ireo maro be sy ny
kintana ka
nohitsakitsahiny. 11
Eny, nihalehibe izy ka
dia niady tamin'ny
Komandin'ireo maro be,
ary nesorina taminy ny
fanatitra isan'andro, ary
ny fitoerana masina
noravana. 12 Ary nisy
maro be mbamin'ny
fanatitra isan'andro
natolotra azy noho ny
fahadisoana, dia
Izay voavono hatramin'
ny nanorenana izao
tontolo izao. 13.9 Raha
misy manan-tsofina,
aoka izy hihaino. 13.10
Raha misy mamabo,
dia mba hobaboina (f)
kosa izy; ary raha misy
mamono amin'ny
sabatra, dia tsy maintsy
hovonoina amin'ny
sabatra kosa izy. Indro
ny faharetana sy ny
finoan'ny olona masina.
13.11 Ary hitako fa,
indro, nisy bibidia iray
koa niakatra avy
tamin'ny tany; ary
nanan-tandroka roa
tahaka ny an'ny zanak'
ondry izy sady niteny
tahaka ny dragona.
13.12 Ary ny
fahefana rehetra
nananan'ilay bibidia
voalohany dia asehony
eo anatrehany, ary ny
tany mbamin'izay
monina eo dia asainy
miankohoka eo
anoloan'ilay bibidia
342 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny andro sy ny fotoana; Izy no
manaisotra mpanjaka sy
manangana mpanjaka; Izy no
manome fahendrena ho
an'ny hendry sy fahalalana
ho an'izay mazava saina.[Ar.
manova] 22 Izy no
mampiseho ny zavatra lalina
sy miafina; Izy no mahalala
izay ao amin'ny maizina, ary
ny mazava mitoetra ao
aminy. 23 Hianao, ry
Andriamanitry ny razako ô,
no deraiko sy isaorako, satria
nomenao fahendrena sy hery
aho, ary ankehitriny efa
nampahafantarinao ahy izay
nangatahinay taminao; fa
nampahafantarinao anay ilay
nofin'3 ny mpanjaka. 24 Ary
noho izany Daniela dia niditra
nankao amin'i Arioka, izay
notendren'ny mpanjaka
handringana ny olon-
kendrin'I Babylona, eny,
nandeha izy ka nanao taminy
hoe: Aza mandringana ny
olon-kendrin'i Babylona; fa
ento ho eo anatrehan'ny
mpanjaka aho, dia
hambarako aminy ny hevitry
ny nofiny. 25 Dia nentin'i
Arioka faingana ho eo
anatrehan'ny mpanjaka
Daniela, ka hoy izy taminy:
Nahita lehilahy isan'ny babo
avy any Joda aho, izay hilaza
amin'ny mpanjaka ny hevitry
notenenin'ilay tandroka;
eny, nijery aho ambara-
pamono ny biby, ka
nolevonina ny tenany,
ary natao teo amin'ny
afo mirehitra izy. 12 Ary
ny amin'ny biby, sasany,
dia nesorina taminy ny
fanapahany; nefa
nohalavaina ihany ny
andro hiainany mandra-
pahalanin'ny andro sy
ny fotoana. 13 Ary
mbola nahita tamin'ny
fahitana tamin'ny alina
ihany aho, ary, indro,
nisy toy ny zanak'olona
avy tamin'ny rahon'ny
lanitra, ary nankeo
amin'ny Fahagola Izy,
dia nampanakekeny teo
anatrehany. 14 Ary
nomena fanapahana sy
voninahitra ary
fanjakana Izy, mba
hanompoan'ny fokom-
pirenena sy ny firenena
ary ny samy hafa fiteny
rehetra Azy; ny
fanapahany dia
fanapahana
nazerany ho amin'ny
tany ny fahamarinana;
ary niasa izy sady
nambinina. 13 Dia
nandre ny masina
anankiray niteny aho,
ary nisy masina iray koa
nanao tamin'ilay niteny
hoe: Mandra-pahoviana
ny fahitana
mandrakariva* sy ny
fahotana mahatonga
fandravana mba
hanolorana ny fitoerana
masina sy ireo maro be
ho fanitsaka? [Na: ny
amin'ny fanatitra
isan'andro] 14 Ary hoy
izy tamiko: Taon-jato sy
roa arivo andro*; ary
nony afaka izany, dia
amin'izay vao
hodiovina** ny
fitoerana masina.
[*Heb. hariva sy
maraina][**Heb. ho
marina]
15 Ary nony nahita
ny fahitana izaho
Daniela ka nitady
hahafantatra izany, dia,
voalohany, izay efa
sitrana tamin'ilay feriny
saiky nahafaty azy.
13.13 Ary manao
famantarana lehibe izy,
ka dia mampidina afo
avy any an-danitra ho
amin'ny tany eo
imason'ny olona aza.
13.14 Ary
mamitaka izay monina
ambonin' ny tany izy
amin'ny famantarana
izay nomena azy hatao
eo imason'ny bibidia,
sady milaza amin'izay
monina ambonin'ny
tany koa mba hanao
sary ho an'ny bibidia,
izay voan'ny sabatra,
nefa velona ihany.
13.15 Ary navela
hanisy aina ny sarin'ny
bibidia izy, mba
hahateny ny sarin'ny
bibidia, ary
hampamono izay
rehetra tsy mety
miankohoka eo
anoloan'ny sarin'ny
bibidia. 13.16 Ary ny
343 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny nofy. 26 Ny mpanjaka
namaly ka nilaza tamin'i
Daniela, izay atao hoe koa
Beltesazara, hoe: Moa mahay
manambara amiko ny nofy
izay hitako mbamin'ny heviny
va ianao? 27 Dia namaly teo
anatrehan'ny mpanjaka
Daniela nanao hoe: Ilay zava-
miafina anontanian'ny
mpanjaka dia tsy hain'ny
olon- kendry, na ny mpisikidy,
na ny ombiasy, na ny
mpanandro, nolazaina
tamin'ny mpanjaka; 28
kanefa misy Andriamanitra
any an-danitra, Izay
mampiseho zava-miafina ka
mampaha-fantatra an'i
Nebokadnezara mpanjaka
izay ho tonga any am-parany.
Ny nofinao sy ny fahitan'ny
lohanao teo amin'ny
farafaranao dia izao: 29 Ny
aminao, ry mpanjaka ô, raha
nandry ianao, dia tonga ny
eritreritrao ny amin'izay ho
avy rahatrizay; ary Izay
mampiseho zava-miafina dia
mampaha-fantatra anao izay
ho avy. 30 Ary izaho aza, dia
tsy noho ny fahendrena
ananako mihoatra noho ny
olombelona rehetra tsy akory
no nampisehoana tamiko ny
zava-miafina, fa ny mba
hampahafantarana ny
mpanjaka ilay hevitra, ka
mandrakizay ka tsy ho
tapaka, ary ny
fanjakany tsy ho rava.
15 Izaho Daniela
nalahelo tam-panahy,
ary ny fahitan'ny lohako
naharaiki-tahotra
ahy.16 Dia nanakaiky
ilay anankiray
tamin'izay nitsangana
teo aho ka nanontany
azy ny fototr'izany
rehetra izany. Dia
nambarany tamiko, ka
nampahafantariny ahy
ny hevitry ny zavatra. 17
Ireo biby lehibe efatra
ireo dia mpanjaka
efatra izay hitsangana
avy amin'ny tany. 18
Nefa ny olo-masin'ny
Avo Indrindra no hahazo
ny fanjakana ary
hanana ny fanjakana
mandrakizay alaovalo.
19 Dia naniry hahalala
izay fototra marina ny
amin'ny fahefatra aho,
dia ilay biby hafa noho
izy rehetra sady
mahatsiravina indrindra
indro, nisy nanana
tarehy tahaka ny olona
nitsangana teo
anatrehako. 16 Ary
nandre feon'olona tao
afovoan'i Olay aho, izay
niantso ka nanao hoe:
Ry Gabriela,
ampahalalao ny
fahitana ity lehilahy ity.
17 Ary dia nankeo
amin'ilay nitsanganako
izy; ary nony tonga izy,
dia raiki-tahotra aho ka
nikarapoka nihohoka;
nefa hoy
izy tamiko: Aoka ho
fantatrao, ry
zanak'olona, fa io
fahitana io dia milaza
ny farany. 18 Ary raha
niresaka tamiko izy, dia
renoky ny torimaso teo
amin'ny tany aho; fa izy
nanohina
nampitsangana ahy.
19 Dia hoy izy:
Indro,
hampahafantariko anao
izay ho tonga amin'ny
fahatezerana farany; fa
olona rehetra, na ny
kely na ny lehibe, na ny
manan-karena na ny
malahelo, na ny tsy
andevo, na ny andevo,
dia ampandraisiny
marika eo amin'ny
tànany ankavanana na
eo amin'ny handriny
avokoa, 13.17 mba tsy
hisy hahazo hividy na
hivarotra, afa-tsy izay
manana ny marika, dia
ny anaran'ny bibidia,
na ny isan'ny anarany.
13.18 Indro ny
fahendrena. Aoka izay
manan-tsaina hanisa
ny isan'ny bibidia, fa
fanisan'olona izany; ary
enina amby enim-polo
amby enin-jato no
isany.
344 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hahafantaranao ny eritreritry
ny fonao. 31 Hianao, ry
mpanjaka ô, nahita fa, indro,
nisy sariolona lehibe
anankiray. Izany sary izany
dia lehibe sady namirapiratra
tsara, nijoro teo anatrehanao
izy, ary ny tarehiny dia
nahatahotra. 32 Ny
lohan'izany sary izany dia
volamena tsara, ny tratrany
sy ny sandriny dia volafotsy,
ny kibony sy ny feny dia
varahina, 33 ny ranjony dia
vy, ary ny tongony dia vy sy
tanimanga.
34 Nijery ianao ambara-
pahanisy vato voaendaka,
nefa tsy nendahan-tanana,
ary namely ilay sary teo
amin'ny tongony vy sy
tanimanga iny ka
nahatorotoro azy. 35 Dia
niara-torotoro* ny vy sy ny
tanimanga sy ny varahina sy
ny volafotsy ary ny volamena
ka tonga toy ny akofa eo am-
pamoloana fahavaratra; ary
nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy
nisy hitoerany, ary ilay vato
namely ny sary dia tonga
tendrombohitra lehibe
nahafeno ny tany
rehetra.[Na: torotoro
tamin'ny indray mamely
monja] 36 Izany no nofy, ary
holazainay eto anatrehan'ny
mpanjaka koa ny heviny. 37
izay nanana nify vy sy
hoho varahina sady
nihinana sy nanotahota,
ary ny sisa tsy laniny dia
nohosihosen'ny
tongony; 20 ary ny
amin'ny tandroka folo
teo an-dohany sy ny
anankiray koa izay
nipoitra, ka nisy telo
potraka teo anoloany,
dia ilay tandroka
nanana maso sy vava
izay niteny zavatra
mihoapampana, ary ny
fijery azy dia lehibe
noho ny namany.21
Mbola nijery ihany aho,
ary izany tandroka izany
nanoto ny olo-masina
ka naharesy azy, 22
ambara-pihavin'ny
Fahagola, ka nomena
rariny ny olo-masin'ny
Avo Indrindra; ary tonga
ny fotoana nahazoan'ny
olo-
masina ny
fanjakana. 23 Izao no
nolazainy: Ilay fahefatra
amin'ny biby dia
ho amin'ny fotoana any
am-parany izany. 20 Ilay
ondrilahy hitanao
nanana tandroka roa
dia ny mpanjakan'i
Media sy Persia. 21 Ary
ny osilahy lava volo dia
ny mpanjakan'i Grisia;
ary ny tandroka lehibe
teo anelanelan'ny
masony dia ny
mpanjaka voalohany.
22 Ary ny amin'ilay efa
tapaka, ka nisy efatra
nitsangana nandimby
azy, dia hisy fanjakana
efatra hitsangana avy
amin'ny jentilisa, nefa
tsy mitovy hery aminy.
23 Ary ny hiafaran'ny
fanjakany, rehefa
tanteraky ny mpanota
ny asany, dia hisy
mpanjaka hitsangana,
izay masia-tarehy sy
mahafantatra zavatra
saro-pantarina. 24 Ary
ho be ny heriny, nefa tsy
amin'ny herin'ny
tenany; ary mahagaga
ny fanimbana hataony;
345 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hianao, ry mpanjaka ô, izay
mpanjakan'ny mpanjaka sady
nomen'Andriamanitry ny
lanitra fanjakana sy hery sy
fahaleovana ary
voninahitra,38 ka ny
zanak'olombelona sy ny bibi-
dia ary ny voro-manidina, na
aiza na aiza itoerany, dia
nomeny ho eo an-tananao,
ary nataony ho
mpanjakan'izy rehetra ianao,
dia ianao izany loha
volamena izany. 39 Ary
manarakaraka anao dia hisy
fanjakana hafa hitsangana
ambany noho ny anao, ary
hisy fanjakana fahatelo koa
izay varahina sady hanam-
pahefana amin'ny tany
rehetra. 40 Ary ny fanjakana
fahefatra dia ho mafy toy ny
vy; fa toy ny vy manorotoro
sy ahamongomongo ny
zavatra rehetra, ary toy ny
famakivakin'ny vy ireo
rehetra ireo, dia toy izany no
amakivakiany sy
anorotoroany azy. 41 Ary
satria hitanao ny tongotra sy
ny rantsan-tongotra, fa ny
tapany tanimangan'ny
mpanefy tanimanga, ary ny
tapany vy dia ho fanjakana
mizarazara izy; nefa hisy
herim-by ao aminy, satria
nahita vy miharo tanimanga
mbola fotaka ianao. 42 Ary
fanjakana fahefatra eto
ambonin'ny tany, izay
ho hafa noho ny
fanjakana rehetra sady
handrava ny tany
rehetra ary hanosihosy
sy hanorotoro azy. 24
Ary ny tandroka folo dia
mpanjaka folo izay
hitsangana avy
amin'izany fanjakana
izany; ary hisy iray koa
hitsangana manaraka
azy; hafa noho ny
voalohany izy ary
handresy mpanjaka
telo. 25 Ary hiteny
hanohitra ny Avo
Indrindra izy sy
hampahory ny olo-
masin'ny Avo Indrindra
ary hitady hanova
fotoana sy lalàna; ary
hatolotra eny an-tànany
ireo ambara-
pahatapitry ny
fetr'andro iray sy ny
fetr' andro roa ary ny
antsasaky ny fetr'
andro.
ary hambinina izy ka
hahefa ary hanimba ny
mahery sy ny olo-
masina. 25 Ary ny
fahafetseny koa no
hahatanteraka ny fitaka
eny an-tanany; ary izy
hiavonavona am-po ka
handringana ny maro
amin'izay tsy ampoiziny;
ary hitsangana
hanohitra ny
Andrianan'ny andriana
izy, kanjo ho torotoro
kosa, nefa tsy hisy
tanana hamely azy
tsinona. 26 Ary dia
marina ny amin'ireo
andro voalaza ireo, nefa
ahorony ny fahitana, fa
mbola ho andro maro
izany. 27 Ary izaho
Daniela dia torana ka
nandraiky narary andro
vitsivitsy; ary nony
afaka izany dia
nitsangana aho ka
nanao ny raharahan' ny
mpanjaka; ary ka aho
ny amin'ny fahitana,
nefa tsy nisy
346 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
toy ny rantsan-tongotra, ny
tapany vy, ny tapany
tanimanga, dia ho toy izany
ny fanjakana, ny tapany ho
mafy, ary ny tapany ho
malemy. 43 Ary toy ny
nahitanao ny vy miharo
tanimanga mbola fotaka, dia
ho toy izany no hiharoany
amin'ny taranak'
olombelona; nefa tsy
hitambatra izy, dia toy ny tsi-
fetezan'ny vy miharo amin'ny
tanimanga. 44 Ary amin'ny
andron'ireo mpanjaka ireo
Andriamanitry ny lanitra dia
hanorina fanjakana izay tsy
ho rava mandrakizay; ary
izany fanjakana izany tsy
havela ho an'olon- kafa, fa
ireo fanjakana rehetra ireo
dia hotorotoroiny sy
holevoniny, fa izy kosa
hitoetra mandrakizay. 45 Fa
toy ilay nahitanao ny vato
nendahana tamin'ny
tendrombohitra, nefa tsy
nendahan-tanana, sy ny
nanorotoroany ny vy sy ny
varahina sy ny tanimanga sy
ny volafotsy ary ny volamena,
dia ampahafantarin'
Andriamanitra lehibe ny
mpanjaka ny amin'ny zavatra
ho avy rahatrizay: marina ny
nofy, ary tsy maintsy ho tò ny
heviny. 46 Dia niankohoka
Nebokadnezara mpanjaka ka
nahafantatra izany.
347 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nivavaka tamin'i Daniela ary
nampanatitra fanatitra sy
hanitra ankasitrahana ho
azy.
Nitebiteby ny
fanahin’ny mpanjaka
noho ny nofy hafahafa.
Nandeha niantso ny
olon-kendry na
mpisikidy izy hilaza ny
hevitry ny nofiny. Tsy
nahavita namaha ny
olana ireo olon-
kendrin’I Babylona
satria tsy nisy nahay
nilaza ny hevitry ny
nofin’ny Mpanjaka izy
ireo.
I Daniela nefa
nanambara taminy fa
Jehovah Andriamanitra
izay tompoiny dia
mahay mahalala ny nofy
sy ny heviny.
Ankehitriny koa dia
mitebiteby avokoa ny
olona rehetra, tsy
mahita tory amin’ny
alina. Torak’izany koa
ny olona ankehitriny.
Rehefa manana olana
dia mihazakazaka
Nisamboaravoara
ny ranomasina =
Nifandona sy niady ny
firenena maro, vokatry
ny fanonganam-
panjakana tamin’ireo
Empire nanjaka.
Daniela 7.23-25 dia
manambara ny
fanjakana Romana, ary
hisy firenena 10
hitsangana avy ao
aminy, ary hisy tandroka
kely na firenena kely
koa hipoitra avy ao, ary
nanazera tandroka 3 na
firenena 3 izy io, , ilay
hiteny hanohitra ny Avo
indrindra, hanova fiteny
sy lalana, hanova
fotoana sy lalana anaty
fetr’andro 1+2+1/2
Io no manambara
ilay 666.
Misy fanjakana roa
matanjaka be ny iray ary
kelikely hery kokoa ny
iray.
Misy anaram-biby
voalaza koa amin’ity
Apokalypsy 13 ity.
Inona no hevitr’izany?
Daniela 7 dia
manambara biby 4
lehibe niakatra avy
tamin’ny ranomasina:
liona, bera, leopard ary
biby lehibe mana-
tandroka 10.
Ny Apokalypsy 13
koa dia milaza bibidia
niakatra tamin’ny
ranomasina manan-
tandroka 10 sy loha 7,
Ary ny bibidia dia izay
efa hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny
tongony tahaka ny
an'ny bera, ary ny
vavany tahaka
ny vavan'ny liona,
ary ilay dragona
nanome azy ny heriny
sy ny seza fiandrianany
ary fahefana lehibe.
(Apokalypsy 13.2)
348 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin’ny mpisikidy sy ny
mpanandro nefa dia
mpivavaka manana ny
fiangonana ivavahany
avokoa izy ireny. Misy
manontany ny maty sy
ny mpanandro koa izy
ireny. Manambara ny
vaninandro farany ny
nofin’ny mpanjaka ary
tsy maintsy ho to sy
tanteraka izany.
Ireo biby voalaza:
Liona manana loha
1, bera 1, leoparda 1,
biby mahatsiravina loha
4, tandroka kely
manana loha 1.
Tontalin’ireo = loha
7
Nihalehibe ilay
tandroka kely lasa
nanana loha 3
Tontaliny = 7+3 = 10
Ireo biby voalaza:
Manana loha 7 sy
tandroka 10.
FANAZAVANA
Loha volamena =
Nebokadnezara
mpanjaka. (603 -538
BC), fanjakana Kaldeana
Liona manana fon’
olombelona =
Nebokadnezara
mpanjaka, fanjakana
Babyloniana
Loha volafotsy =
Mediana sy Persiana
(538 – 331 BC). Kiriosy,
Dariosy, Aktarsersesy
mpanjaka
Bera = Mediana sy
Persiana.
Mampisondrotra ny
ila-tenany = matanjaka
kokoa ny tanany iray
raha oharina amin’ny
ilany.
Taolan-tehezana
telo teo am-bavany
anelanelan’ny nifiny =
firenena telo noreseny
izay sarotra noresena
Manomboka
amin’ny fanjakana
Mediana sy Persiana ny
fahitan’I Daniela.
Ondrilahy manana
tandroka roa =
fanjakana Mediana sy
Persiana izay nanoto
nianavaratra,
nianavartatra ary
nianatsimo (niady
tamin’I Egyptiana,
349 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Egyptiana, Lydiana,
Babyloniana
Lydiana ary
Babyloniana).
Daniela 8.20
Varahina = Grika
(331-145 BC)- Alexandre
Le Grand, mpanjakan’i
Grisia (Grèce)
Leoparda manana
loha 4 sy ela-borona 4 =
nizarazara ny fanjakana
rehefa maty ilay
mpitondra voalohany na
ny leoparda
Osilahy manana
elatra nanidinany tsy
mikasika ny tany, misy
tandroka lehibe
anelanelan’ny masony =
fanjakana Grika izay
nanjera ny fahefan’ny
Mediana sy Persiana.
Tapaka ny tandrony
lehibe, nisy tandroka 4
nisolo azy = ny
mpanjaka voalohany
Alexandre Le Grand
nanjaka, ary maty
tamin’ny 33 taonany izy,
ary nisy fanjakana 4
nisolo azy dia jeneraly 4
nizara ny fahefana :
Cassandre,
Syricus,Ptolomet,
Lizimac.
Daniela 8.21-22
Ranjo Vy = Empire
Romana (146 BC – 470
AD). Nahababo ny
zanak’ Isiraely.
Namonoana ny Mesia
Biby mahatsiravina
manana nify vy manana
tandroka folo, maso toy
ny mason’olona sy vava
miteny zava-mihoa-
papana, ary nisy
Biby mahatsiravina
manana nify vy,
tandroka kely
mihalehibe.
Tandroka 10 =
mpanjaka 10 hipoitra
“Ary ny bibidia …
dia tahaka ny leoparda,
ary ny tongony tahaka
ny an'ny bera, ary ny
vavany tahaka
ny vavan'ny liona,
350 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tandroka kely nipoitra
ka nanjera ny tandroka
10, nanoto ny olona
masina ka naharesy azy
ambara-pihavin’ny
Fahagola:
Tandroka kely
mihalehibe = fanjakana
Romana -Daniela 7.20-
25
Daniela 7.8
Nodinihiko ny tandroka,
ka, indro, nisy tandroka
iray kely koa nipoitra
teo aminy, ary
novohana teo
anoloan'io ny
tandroka telo
tamin'ireo taloha; ary,
indro, nanana maso toy
ny mason'olona sy vava
miteny zavatra mihoa-
pampana izy.
Manao blasfemia
ilay bibidia.
Araka ny Matio 9.1-
3: blasfemia = miteny
ratsy, miteny ratsy an’
Andriamanitra, na
mihambo hanana ny
fomban’ Andriamanitra.
avy aminy fanjakana
Romana
Daniela 8.9-12:
nihalehibe indrindra ilay
tandroka kely ary
nankany amin’ny tany
mahafinaritra. Nazerany
tamin’ny tany ireo
komandin’ny marobe.
ary ilay dragona
nanome azy ny heriny
sy ny seza fiandrianany
ary fahefana lehibe.”
(Apokalypsy 13.2,4)
Dragona = devoly
sy Satana.
Bibidia = fanjakana
na mpanjaka
13.5 Dia nomena
lela* miteny zavatra
mihoapampana sy
fitenenan-dratsy* izy,
ary nomena fahefana
mba hiasa* roa amby
efa-polo volana.
13.6 Ary nanokatra
ny vavany hiteny ratsy*
an' Andriamanitra izy
dia ny hiteny ratsy* ny
anarany sy ny
tabernakeliny, dia
ireo mitoetra any
an-danitra.
13.7 Ary navela
hiady tamin'ny olona
masina izy ka haharesy
azy; ary nomena
fahefana tamin'ny
fokom-pirenena sy ny
olona sy ny samy
351 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ilay marary dia
notenenin’I Jesosy hoe
“voavela ny helokao”,
ka nampangain’ireo
mpanora-dalana sy
Fariseo fa manao
blasfemia I Jesosy satria
namela heloka Izy. Tsy
nino izy ireo fa zanak’
Andriamanitra I Jesosy
ka afaka mamela
heloka. Jereo koa ny
Lioka 5.20-24.
Andriamaniitra sy I
Jesosy Kristy irery ihany
no mahay mamela
heloka, fa tsy olona
akory no hikaofesena ny
heloka nataotsika tany
ambadika tany. Tsy
mitovy amin’ny hoe
mifamela heloka akory
io voalaza io.
hafa fiteny ary ny
firenena rehetra izy.
13.8 Ary hiankohoka eo
anoloany ny olona
rehetra monina
ambonin'ny tany, dia
izay tsy manana ny
anarany voasoratra eo
amin'ny bokin'ny
fiainan'ny Zanak'ondry,
Izay voavono
hatramin'ny
nanorenana izao
tontolo izao.
Manana fahefana
izy ary nomena
fahefana heady
amin’ny olo-masina ka
haharesy azy.
13.5 Dia nomena
lela* miteny zavatra
mihoapampana sy
fitenenan-dratsy* izy,
ary nomena fahefana
mba hiasa* roa amby
efa-polo volana.
13.6 Ary nanokatra
ny vavany hiteny ratsy*
an' Andriamanitra izy
dia ny hiteny ratsy* ny
anarany sy ny
352 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tabernakeliny, dia
ireo mitoetra any
an-danitra.
Tanimanga sy
Tanimanga =
fizarazaran’ny fanjakana
ho folo, misy firenena
matanjaka toy ny vy, sy
malemy ohatry ny
fotaka. Eoropa (Frantsa,
Espana, Italia, Alemana,
etc.), Afrika (Rwanda,
Congo, sy ny sisa).
Nazeran’ilay
firenena kely io
tamin’ny tany ny
fahamarinana, niasa izy
ka nambinina. Be ny
heriny nefa tsy avy
amin’ny herin’ny
tenany. Avy aiza ary ny
heriny? Jereo ny
Apokalypsy 13
Nisy fery saika
nahafaty azy nefa
sitrana izy, ary gaga ny
tany rehetra ka
nanaraka azy sy
niankohona taminy sy
ny dragona. Izy no
bibidia manana hery
lehibe.
Ny bibidia faharao
no hanery ny firenena
rehetra hiankohoka eo
anoloan’ny bibidia
voalohany. Ary ny
olona rehetra dia
asainy miankohoka eo
anoloan’I bibidia. Ary
hampandray marika ny
olona rehetra eo
amin’ny handriny sy ny
tanany izy, ary
hampamono izay
rehetra tsy mety
hiankohoka eo
anoloany sy ny sariny.
Ny isany dia 666. Iza ary
io bibidia voalaza io?
Fe-potoana voalaza Fe-potoana voalaza
353 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hiasany :
Fetr’andro 1 sy 2
ary ½
hiasany:
42 volana
Ady hatrany hatrany no nataon’ny vahoaka hahazoana fanjakana, izany hoe fanonganam-panjakana.
Noho izany dia mitotongana miharatsy ny toe-karena. Farany dia misy fanjakana malemy oy ny
tanimanga, ary mafy toy ny vy, izay tsy hety hitambatra ho iray mihitsy.
Toe-karena volamena no naongana, dia lasa volafotsy. Naongana ny volafotsy dia lasa varahina.
Naongana ny varahina dia lasa vy. Ary rehefa naongana ny fanjakana toy ny vy dia lasa vy sy tanimanga.
Miharatsy hatrany hatrany ny toe-karena arakaraka ny hanonganana ny fitondrana misy napetraky ny
Tompo eo amin’ilay firenena. Tsy manome vahaolana mihitsy ny fanonganam-panjakana fa vao mainka
mampitontongana ny toe-karen’ny firenena.
Rehefa sitrana tamin’ny feriny ilay bibidia dia gaga ny tany rehetra ka lasa nanaraka azy. Be ny
heriny nefa tsy avy amin’ny tenany izany, fa ny dragona no nanome azy ny heriny. Ilay bibidia faharoa
koa dia hanery ny olona rehetra hiankohoka eo aminy afa-tsy ny manana ny anarany voasoratra ao
amin’ny bokin’ny fiainana ihany; ary izay rehetra tsy manana ny marika 666 dia tsy havelany hividy na
hivarotra.
Iza marina ary io bibidia manana isa 666 io?
Ny teny hoe “Bibidia” dia manambara Fanjakana ary ny “tandroka” dia manambara mpanjaka na
fanjakana.
Ireto misy boky maromaro manambara ny isa 666:
Ny dikan-teny Katolika milaza ny Apok 13 dia manambara fa milaza olona izany 666 izany. Mba
hahazahoana ny isa dia atambatra ny litera dia mahazo io isa io izany. Ohatra ny Emperora Romana na
Nerona. Alliance Biblique Universelle (1986) koa dia manazava tsara fa rehefa atambatra ny litera
amin’ny anaran’ny olona iray dia mety mahazo io isa io. Ny dikan-teny Le Retour de Jesus Christ (René
Passe, p.132, paragraphe 2) koa dia manambara fa misy fomba maro mety hahafahana mikajy ny litera
amin’ny anaran’olona iray mba hahazoana ny isa 666 izay isa manambara ny antiKristy.
Noheverin’nyolona maro fa ireto anarana ireto raha atambatra dia manome io isa io: Napoleon, Hitler,
Neron, Papa, nefa ny tena mpino marina dia tsy maintsy hahafantatra ny marina.
354 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny isa hoe Latinos koa dia mitontaly 666 araka ny hevitry ny mpanoratra sasany. Ny olona taty
aoriana koa dia manana izany fomba fijery izany araka ireto boky manaraka ireto:
Ny Marina Nafenina sy ny Sekta Monina (mpitandrina sy mpampianatra teolojia Rakotoarimanana
Milison): misy olona na antokom-pivavahana manondro olona ny isa 666. Nefa tsy azo afenina ny
marina, hoy ny mpanoratra. Misy isa omeny hikajiana ny anarana avy amin’ny teny Grika Euanthas,
Lateinos, Teitan ka manome ny isa 666 araka ny fomba fikajiany azy. Ny anarana Vicarius Filei Dei
anaran’ny Papa hita amin’ny satrony koa rehefa atambatra ny litera tsirairay ka kajiana ireo chiffre
Romain anoratana azy dia manome io isa io. Ellen Gould White koa hoy ny mpanoratra rehefa atambatra
amin’ny chiffre Romain dia mahazo io isa io koa. Ny mpanoratra iray atao hoe Jean Pierre Prevost koa
aza dia manome lisitry ny anarana izay heveriny fa manome isa 666, hoy ireo mpanoratra boky ireo.
Ny Dokotera F. Bota (1990) avy ao Afrika atsimo koa dia manazava ny fampiasana ny isa 666. Ary ilay
mpanao mazia niova fo koa dia nanambara ny zava-miafin’ny isa 666 toy izao:
- Ny karatra fandoavana vidin-javatra any Etazonia dia misy isa 666 rehefa hamarinina amin’ny
ordinatera ireo kaody tsipika ireny (code barre).
- Ny fiara vy namboarina ho fiarovana ny Prezida Carter dia misy io isa io.
- Ny karatry ny banky foibe any Aostralia
- Kaodin’ny banky iraisam-pirenena (banky mondialy) dia io isa 666 io.
- Ny minisitera samihafa any Etazonia dia mampiasa ny isa 666.
- Ny karatry ny mpiasa amin’ny kaontribosio direkta any Etazonia.
- Ny ordinatera ampiasaina koa dia mitondra io isa io hodidinin’ny teboka maromaro.
- Ny kaody hiantsoana any Isiraely dia 666.
- Ny lobaka amidy sasany any am-pitan-dranomasina any dia misy io isa io koa.
- Ny ordinateran’ny paositra sy fifandraisan-davitra any Afrika Atsimo
- Ny taratasy any amin’ny Cnaps any ivelany any koa.
- Sy ny sisa rehetra koa
- Kara-panondro vaovao apetaka ambany hoditra amin’ny alalan’ny puce apetaka amin’ny handrina
sy ny tanan’ny olona (araka io boky nivoaka tamin’ny 1990 io): fomba vaovao famantarana ny olonaizay
mora apetaka, mahari-drano ary afaka misolo ny fomba hafa hamantarana olona toy ny kara-panondro
taratasy izany. Fomba mahomby sy tsotra ahalalana ny zavatra rehetra momba anao izy io, n any
anaranao, n any fianakavianao, na ny toe-bolanao, ny karamanao, na koa ny asanao, sy ny sisa. Tsipika
karbona azo asisika ambany hoditry ny tànana io puce io, ary efa ela no nisian’io projet io fa tsy vao
haingana akory.
355 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny tanjon’ilay bibidia izany dia tsy mahazo mivarotra, na mividy, na mitsabo tena, na mampiana-
janaka, na mampiasa satelita, na mivavaka (afa-tsy amin’ny fiangonana iray manana ny isa 666) ny olona
rehetra izay tsy manana io marika io; ary izy dia hampamono izay rehetra tsy manana io marika io eny
aminy.
Inona inona no hahazo izay tsy mahalala ny zava-miafina momba io mariky ny bibidia io?
Apokalysy 14.9-11: 14.9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo
mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny
handriny na amin'ny tànany, 14.10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay
naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana amin'ny afo
sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry izy; 14.11 ary ny setroky ny
fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay
miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
Iza marina nefa no tena mahafeno ny fepetra manambara ny filazana io bibidia io ka
manana ny isa 666? Inona no zava-miafina ara-panahy tokony ho fantatra momba io isa io?
Ny zava-miafina momba ny bibidia sy ny isa enina amby enim-polo sy enin-jato:
Filazana ny bibidia manana ny mariky ny 666
araka ny Soratra Masina
Ny filazana araka ny daty sy ny tantara
manamarina ny faminaniana
Daniela 7.25: 25 Ary hiteny hanohitra ny Avo
Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo
Indrindra ary hitady hanova fotoana sy
lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo
ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny
fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
Ny asan’ilay bibidia:
- hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy -
- hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary
Mifanaraka tsara amin’ny zava-misy
manambara ilay manana ny marika io fe-potoana
voalazan’ny faminaniana ao ara-tSoratra Masina
io.
Ny toerana nitrangan’ny tantara: tsy maintsy
ny firenena Romana no raisina. Ny bibidia
fahefatra dia ao Roma, ilay manana tandroka
efatra. Misy olo-masina novonoina marobe tao
Roma, satria tamin’ny andron’ny fanjakana
356 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- hitady hanova fotoana sy lalàna
FANAZAVANA NY FETR’ ANDRO VOALAZA:
Endrika voalohany:
Fetr’ andro 1 fetr’andro 2 ary ½ fetr’andro:
Daniela 7:25:
Daniela 12:7: 7 Ary ilay lehilahy mitafy
rongony fotsy, izay teo ambonin'ny rano amin'ny
ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy
ny tànany ankavia ho amin'ny lanitra ka reko
nianiana tamin'Izay velona mandrakizay izy fa ho
fetr'andro iray sy
fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro; ary
rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin'ny
olo-masina, dia ho
tanteraka ireo rehetra ireo.
Apokalypsy 12.14: Ary ilay vehivavy nomena ny
elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho
any an-efitra, ho any amin'ny
fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy
fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy
ho hitan'ilay menarana
izy.
Endrika faharoa: Telo andro sy tapany
Apokalypsy 11.9-11: 11.9 Ary ny olona sy ny
fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny
firenena maro dia misy mijery ny fatiny
hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany
halevina ao am-pasana ny fatiny.
11.10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly
azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria
Romana no nisian’I Kristy ary nanenjehana sy
namonoana ny mpanompon’ Andriamanitra
Kristiana.
Ny fanjakana Romana dia rava nizara 10 taty
amin’ny taonjato fahefatra taorian’I Jesosy Kristy:
- Les Allemands
- Les Francs
- Saxon na Anglisy Saksona
- Les Visigotes na Espana
- Les Austrogotes (efa rava)
- Les Herules (efa rava)
- Les Vandales (efa rava)
- Les Bourgondes na Soisy
-Les Sueves na Portugal
- Lombarde na Italia
Ilay 1260 andro na 1260 taona no
nahatanteraka ny faminaniana rehefa jerena sy
dinihina tsara ny fizotry ny tantara rehetra.
Fanaporofoana ny faminaniana araka ny
tantara:
Taona 533 taorian’I Jesosy: ny emperora
Justinien no nifehy ny fanjakana Romana. Ny
Evekan’I Roma dia natao mpanitsy ara-pivavahana
maneran-tany (correcteur des eglises dans le
monde entier). Vanim-potoanan’I Pergamosy no
nisehoan’ izany. Rehefa niova ho Kristiana ny
Romana, dia nampiditra ny fomba Jentilisa
tamin’ny fiangonana Kristiana izy. Raha nijanona
ny tsy nandripaka ny Kristiana intsony i Satana izay
miseho amin’ny endriky ny fanjakana Romana dia
357 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nampangirifiry ny mponina
ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11.11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy
tapany, dia nisy fanahin'aina avy
tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo,
ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-
tahotra indrindra izay nahita azy.
Andro 1 + 2 + ½ = 3 sy ½ andro
Daniela 7.25 araka ny Baiboly Katolika dia
milaza modification du calendrier
Endrika fahatelo: 42 volana
Apokalypsy 11.2: 11.2 Fa ny kianja eo ivelan'ny
tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba refesina; fa
nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny
tanàna masina roa amby efa-polo volana izy.
Apokalypsy 13.5:
Endrika fahefatra: 1260 andro:
Apokalypsy 11.3: 11.3 Ary homeko hery ny
vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby
roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy
lamba fisaonana.
Apokalypsy 12.6:
Manambara fe-potoana iray ihany ireo
fetr’andro miseho amin’ny endrika efatra ireo.
FANAZAVANA NY FE-POTOANA:
Fetr’andro 1 = 1 andro
1 andro = 1 taona ara
1 taona = 12 volana
nampiditra fampianaran-diso indray tao am-
piangonana ka nahatonga ny Kristiana ho niala
tanteraka tamin’ny fahazavana. Izany hoe izay
rehetra fivavahana noheverin’I Roma fa tsy marina
na diso dia tsy navelany hitsangana fa potehina sy
ravana avy hatrany. Izany no nanenjehana ny
fivavahana manerana izao tontolo izao, sy ireo
fanjakana 10 nivoaka avy tao Roma. Tsy namono
ny Kristiana intsony izy satria ny ràn’ireo maty
maritiora noho ny finoana an’I Jesosy dia vao
mainka lasa zezika nampiroborobo ny fivavahana
Kristiana. Tamin’izany fotoana izany koa dia nisy
foto-pampianarana mikasika fa Jesosy Kristy
nivoaka, milaza fa tsy andriamanitra i Jesosy fa
zava-boaary ihany. Ilay lehilahy antsoina hoe Arius
no nitarika izany hevitra izany. Nanerana ireo
fanjakana 3 efa rava ireo izany foto-
pampiananrana nilaza an’I Jesosy fa tsy
Andriamanitra izany fa zava-boaary. Nefa ny
Romana dia nampianatra fa Jesosy Kristy dia
Andriamanitra. Ny fanjakana Romana izay efa
nahazo fahefana hanitsy fivavahana maneran-tany
dia nanenjika ireo tsy nino an’I jesosy. Ka raikitra
ny ady, ary rava tanteraka ireo fiirenena telo ireo.
Tsy nisy mponina sy tanàna niangana intsony
tamin’ireo fanjakana telo ireo.
Rehefa vita izany dia natao sefo fara-
tampon’ny eglizy maneran-tany izay tsy azo
toherina ny evekan’I Roma.
Tamin’ny taona 538 taorian’I Jesosy Kristy dia
napetraka voalohany ny Papa hifehy ny fiangonana
358 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
12 volana = 360 andro
Fetr’ andro 2 = 2 andro
2 andro = 2 taona
1 taona = 24 volana
24 volana = 720 andro
½ fetr’andro = ½ andro = ½ taona = ½ taona = 6
volana = 180 andro
Fetr’andro 1 + 2 + ½ = 3 sy ½ andro na 3,5
1 taona + 2 taona + ½ taona = 3 taona ½
3 taona sy ½ = 12 + 24 + 6 volana = 42 volana
360 + 720 + 180 andro = 1260 andro
Noho izany dia zavatra iray ihany no
ambaran’ireo fe-potoana efatra voalaza ireo.
Io fotoana io no voalaza fa hampahorian’I
bibidia ny olo-masin’ny Avo Indrindra.
Ny 3 taona ½ ve io, sa ny 1260 andro sa ny 3
andro sy ½ no hampiasaina hahafahana
manaporofo io faminaniana io?
Ilay feriny saika nahafaty ny bibidia, 3 andro ½
ve no niasany sa 3 taona sy ½ sa 1260 andro
manome 1260 taona no ho raisina hanazavana io
fotoana io?
maneran-tany. Nahazo fahefana feno I Vatikana ka
lasa firenena mahaleo tena mihitsy, misy filoha
mpitarika dia ny Papa. Nanomboka teo dia azo
ampiasaina amin’ny language codé hoe “bibidia”
ny Papa satria mifehy io fanjakana io. Fanjakana
kely izy tany amboalohany. Ny tandroka kely
nipoitra voalazan’ny faminanian’I Daniela 7 dia I
Vatikana, ary nanjera tandroka 3 na fanjakana 3 izy
raha vao nipoitra, dia ireo fanjakana telo rava
izany. Nomena fahefana sy hery seza fiandrianana
lehibe I Vatikana.
Nanomboka tamin’ny taona 538 dia
nihanitombo izany fahefana Papaly izany ; nefa
nianjera ny fahefany tamin’ny 1517.
538-1517 : vanim-potoanan’ny fiangonana
Tyatira na Katolika. Nantsoina hoe heretika izay
nitondra fampianarana hafa nanohitra ny
fampianaran’ny eglizy katolika, ka novonoina.
1517-1518 : fanavaozana ara-pivavahana na
reforme. Niitatra ny fahefan’ny eglizy katolika.
Nahita loza sy fahafatesana izay rehetra tsy
nanaiky ny foto-pampianaran’I eglizy. Ny boky
“Qui dominera le monde » (p.236-237, dia
mitantara ny fanenjehana (le persecutions) sy
famonoana (massacre) ireo Kristiana. Anisan’izany
I Saint Barthelemy tao Paris tamin’ny 1572. Niisa
3000 ny isan’ny mpivavaka protestanta na
fiangonana Sardisy novonoina satria nanavao
fivavahana izy. 100.000 no isan’ny maty tamin’ny
taonjato faha 16.
1798 : nisy varavarana nivoha araka ny
359 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tantaran ‘ny fiangonana Filadelfia. Nitombo ny
fanavaozana fivavahana, ary nampiely Baiboly ny
mpanavao fivavahana. Nefa sy nahazo alalana
hamaky Baiboly ny olona talmin’izany fotoana
izany, ary izay tratra dia nodorana velona, sy natao
hazalambo ary novonoina.
1798: nianjera ny fahefana Papaly. Nalefa tany
Roma ny miaramila Frantsay. Naka an-keriny ny
Papa ireo miaramila Frantsay (22 fevrier 1798) ka
dia rava ny fanjakana Papaly. Tsy nisy Papa intsony
nitondra fanjakana Vatikana. Nentina natao
sesitany tany Valence ny Papa Pie 6 ka maty tany.
1929: Traite du Latran. Tafaverina teo amin’ny
seza fiandrianana indray ny Papa Romana satria
nisy Emperora vaovao nitondra tao Roma.
Oviana marina izany io fotoana voalazan’ny
fetr’andro 1 sy fetr’andro 2 ary ½ fetr’andro
voalazan’ny faminaniana io?
Io fe-potoana 1798-1929 io ve izany ?
Ny blasfema ataon’I bibidia: Mitovy
amin’’A/tra izy, solon’A/tra sy zanak’A/tra eto an-
tany, tsy mety diso.
Mandray andraikitra mihitsy ny fanjakana
rehefa hitsidika firenena iray ny filohan’ny bibidia.
Manaiky ny fahefany daholo ny rehetra, ary
miankohoka eo anoloany ny olona rehetra
ambonin’ny tany (Eoccuminee, eoccuminisme). Tsy
ny Katolika ihany no manome voninahitra ny
Papan’ny Katolika fan a ny hafa fivavahana aza.
360 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Manaiky ny heviny sy ny fahefany ny rehetra.
Zavatra efa niainantsika izany. Izay rehetra tsy
manana ny anarany voasoratra eo amin’ bokin’ny
Zanakondry no miankohoka eo anatrehan’I bibidia
sy ny sariny.
Apok.20.15: ary raha misy tsy hita anatin’ny
bokin’ny fiainana dia hatsipy anaty farihy mirehitra
afo izy.
Efa vita ny didim-pitsarana an’ireo: farihy
mirehitra afo sy solifara. Fa izay rehetra miala
amin’ fahefan’ny bibidia kosa dia ho voavonjy.
Ahoana no ahalalana fa voavono hatramin’
nanorenana izao tontolo izao I Kristy?
Rehefa nanota I Adama sy Eva dia nisy bidy
novonoina tao mba hahazahoana hodi-biby atao
fitafiany. Ary hatramin’ izany dia tsy maintsy
mitondra biby avokoa na zana-kondry izay nanota
mba hahazo famelan-keloka. Tandindon’I Jesosy
Kristy ireny biby natao fanatitra ireny. Rehefa
tonga I Kristy dia tsy mila nitondra biby intsony vao
mahazo famelan-keloka.
Hiankohoka eo anatrehan’I bibidia izay rehetra
tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’
bokin’ny fiainana.
Apok.13.10: Raha misy mamabo dia hobaboina
koa izy, raha misy mamely amin’ sabatra dia
hovonoina koa izy. Izay manozona dia hozonina.
Tsy azo atao ny manompa ny mpanompon’A/tra
satria hivaly aminao ihany izany ary loza no
hiafaran’izany. Mibebaha malaky raha tsy te hahita
loza izay mihirim-belona manenjika ny
361 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mpanompon’A/tra nirahiny hanambara ny marina.
Ny tsy fahalalana Soratra Masina dia hitondra
fandringanana ho an’ny olona satria tsy fantany
izay ataony, miankohoka eo anoloan’I bibidia sy ny
sariny.
Hosea 4.6: “Ringana ny oloko noho ny tsy
fisian’ny fahalalana; satria ianao efa nanda ny
fahalalana dia mba holaviko koa tsy ho mpisoroko
intsony.”
Misy manova radio na mamono tele raha vao
mahare ny fampianarana mandeha. Tsy hoe
miankohoka ara-bakiteny amin’ bibidia akory izany
ny olona, fa fanjakana iray io bibidia io, Vatiikana.
Apok.13.11-18:
Ny momba ny bibidia faharoa miakatra amin’
tany, tandroka roa, tahaka ny an’ny zanak’ondry,
sady miteny tahaka ny dragona.
Fahefana rehetra ananan’ny bibidia voalohany
dia ananany, ary ny tany sy ny mponina rehetra ao
dia hotereny hiankohoka anoloan’ny bibidia
voalohany izay nisy fery saika nahafaty azy iny.
Hanao fahagagana lehibe mamitaka ny mponina
ambonin’ny tany izy. Sady manery hanao sarin’ny
bibidia izay saika matin’ny sabatra nefa velona
indray. Hampanao ny sarin’I bibidia voalohany io
bibidia faharoa io. Hampamono izay rehetra tsy
mety miankohoka eo anatrehan’ny sarin’I bibidia I
bibidia faharoa. Ary hampandray marika ny olona
rehetra izy dia eo amin’ handriny sy ny tanany
362 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ankavanana, mba tsy hisy hahazo hivarotra na
hividy izay rehetra tsy manana io marika 666 io.
Iza io bibidia faharoa io?
Tsy mba avy tamin’ ranomasina izy fa avy
tamin’ tany.
Raha avy tamin’ ranomasina izy = avy tamin’
vahoaka, voafidim-bahoaka.
Avy tamin’ tany izy = tonga dia nipetraka teo
fotsiny izy.
Amerika = vehivahy nandositra tany an’efitra.
Fanjakana tsy mba hoe vahoaka no nametraka azy
teo, fa vahoaka nandositra avy tany Europe
nandritra ny 1260 taona no nahatonga ny
fanjakana. Tahaka ny hazo iray mitsimoka izy ary
mitombo haingana dia haingana tokoa.
Nofidian’A/tra izy mba hahatanteraka ny
faminaniana. Vahoaka nipetraka fotsiny teo avy
tamin’ tany efitra I Amerika.
Manana tandroka roa tahaka ny an’I
zanakondry izy = malemy fanahy, tsy maneho hery
setra.
Zanakondry = biby vonoina isaky ny Paques
hanala fahotana. Biby malemy fanahy ny
zanakondry, manetry tena, tsy miteny betsaka.
Io toetrany io no tahafin’I bibidia faharoa.
Tandroka 2 = fahefana 2 = fahefana ara-
pivavahana + fahefana ara-politika.
Ireo no hahafahany mampiasa ny heriny
eran’izao tontolo izao: toe-karena, fandrosoana, …
Tsy mitombina raha hoe Anglisy ny tandroka
faharoa, satria efa tafiditra tamin’ tandroka 10 an’I
363 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
bibidia voalohany izy.
Ny fahefana ara-pivavahana ananan’ny
fanjakana voalohany dia aseho eo anatrehany ary
hanery ny olona hiankohoka eo anoloan’ny
fanjakana Vatiikana izy io. Tamin’ taona 1980 dia
mbola toy ny nofy izany, nefa efa mihatanteraka io
faminaniana io ankehitriny.
Maro ny teolojiana manam-pahaizana
nandinika milaza fa AMERIKA irery ihany no
mahafeno ny fepetra voalaza momba an’I bibidia
faharoa. Miseho amin’ endrika fitiavana sy
hamoram-panahy, nefa miseho amin’ endrika
maha-dragona azy tsy azo kitikitihana, manana
hery sy fahefana lehibe izy. Ny eocumine dia
hotereny hiankohoka anoloan’I bibidia voalohany.
Hanao famantarana lehibe izy ka hampidina afo
amin’ tany. Tsy mbola nisy bomba atomika na
afomanga tamin’ andron’I Jaona, n any helikoptera
na hydravion dia mbola tsy nisy ka izay fahitany ny
fahitana no lazainy. Hanao sary ny fanjakan’I
Vatiikana izy = ny fotom-pampianarany mifototra
amin’ Kristy maty zoma nitsangana andro alahady,
ary ny andro alahady andro hivavahany. Io no
sarin’I bibidia voalohany.
Isaia 66.23: isaky ny voaloham-bolana sy isan-
tsabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo
anoloan’I Jehovah.
Rehefa tonga koa ny alahady dia tonga ny
olona rehetra hiankohoka eo anatrehan’I bibidia
voalohany. Hanao ny sarin’I bibidia voalohany izy =
364 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hazavainy an=tsary mazava ny nahafatesan’I
Jesosy maty zoma nitsangana alahady.
Havela hanisy aina io sary io izy = homena aina
io fampianarana io. Tsy avy tany AMERIKA no
nihavian’io foto-pampianarana io voalohany fa
tany Europe. Harovany amin’ fomba rehetra io
foto-pampianarana io. Izay rehetra manome
porofo sy toko sy andininy manohana io maty
zoma nitsangana alahady io = manome aina io
foto-pampianarana io.
Izay rehetra tsy manaiky io fampianarany io
dia hovonoiny. Efa miha-tanteraka io faminaniana
io.
Apok13.16:
Tsy ny isa 666 akory no asiana soratra, fa ny
handrina no misy ny saina mibaiko ny vatanao
manontolo, ary marika amin’ Tanana = ny olona
rehetra dia hampianarina io doctrine io.
Efa famonoan’olona ny tsy fahatafidiran’ny
olona iray miasa satria tsy avelany tsy hiasa
asabotsy nefa tsy mahazo karama.
Mariky bibidia = alahady no andro
fiankohofana + maty zoma nitsangana alahady I
Jesosy.
Jereo “Les rescapees de l’enfer: Un grand
magicien quitte Lucifer pour server Jesus Christ.”
1992
Mpanjaka nanao mazia izy ary nanompo an’I
Lucifer; ary avy eo dia niala ka nanompo an’I Jesus
Christ.
Ny olona rehetra izany raha tsy manaiky io
365 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mariky ny bibidia io dia hovonoina avy hatrany.
Araka ny boky Le rescapé de l’Enfer, chapitre
16: 18: 24 nivoaka ny volana Aout 1985, dia nisy
procès verbaux nataon’I Papa Katolika sonia, misy
articles 16 izy io: Tsy mahazo manao ireto zavatra
manaraka iretomraha tsy manana ny mariky
bibidia 666:
1. Tsy mahazo mandefa taratasy na
mampiasa ny amin’ poste izay tsy manana
marika.
2. Tsy mahazo miasa amin’ enterprise izay tsy
manana ny marika.
3. Tsy mahazo mianatra ny ankizy raha tsy
manana ny marika ny ray aman-dreniny.
4. Fitaovam-piadiana rehetra dia tazonin’ny
hery iray ka tsy afaka mividy raha tsy
manana marika.
5. Tsy mahazo mividy na mivarotra raha tsy
manana ny marika.
6. Tsy mahazo mampiasa banque (code 666
ny banky sy poste) raha tsy manana
marika.
7. Raha misy olona manohitra na tsy manaiky
ny article dia hohelohina ho faty izy.
8. Tsy afaka manao voyage izay rehetra tsy
manana ny marika.
9. Zavatra rehetra any amin’ satelita sy fiara-
manidina
10. Tsy mahazo manangana orinasa na manao
366 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
business
11. Hisy vola tokana eran-tany.
12. Hisy fiangonana tokana maneran-tany izay
manamasina sy mivavaka amin’ andro
alahady. (Manompo an’I Jesosy maty zoma
io)
13. Esorina sy hofoanana ny fahantrana
14. Tsy mahazo manjono na miompy raha tsy
manana marika
15. Fitaterana eran’izao tontolo izao dia
hofehezin’ny bibidia. Izay manana marika
ihany no mahazo mandray an-tanana azy.
16. Tsy mahazo mitsabo tena amin’ hopitaly
izay tsy manana marika.
Ny fivavahana misy eran’izao tontolo izao izany dia mizara roa mazava tsara:
Mpino an’I Jesosy maty antsasaky ny
herinandro
Mpino an’I Jesosy maty zoma
Mivavaka Sabata
Miorina avy amin’ny Soratra Masina sy ny
famantarana momba an’I Jesosy sy famantaran’
Andriamanitra ny olony. Manaraka ny didin’
Andriamanitra sy ny filazana an’I Jesosy.
Famantarana an’I Jesosy = maty tamin’ny
antsasaky ny herinandro, nilevina telo andro sy
telo alina tao an-kibon’ny tany, ary nitsangana
tamin’ny andro fahatelo dia Sabata.
Famantaran’ny Tompony ny olony = ny Sabata
Miankohoka eo anatrehan’I Jehovah
Andriamanitra izay nanome ny famantarana.
Mivavaka Alahady
Miorina avy tamin’ny foto-pampianaran’ny
Katesizy Katolika. Ny Eglizy Katolika Romana no
nanova ny andro Sabata ho andro Alahady ka
mivavaka amin’ny Alahady
Tsy mahazo telo andro telo alina tao am-
pasana ny Jesosy ivavahany, satria maty zoma
hariva ary nitsangana alahady vao mangiran-dratsy
izy. Nilevina indray andro sy roa alina izy.
Famantaran’ny Tompony ny olony = ny
Alahady.
Miankohoka eo anoloan’I Dragona izay
367 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
=> mivavaka sy manamasina andro Sabata nanome fahefana ny bibidia faharoa sy ny
famantarana.
=> mivavaka sy manamasina andro Alahady
Tombo-kase mipetaka amin’ny handrin’ny
olona an’I Jesosy maty antsasaky ny herinandro:
Tombo-kase mipetaka amin’ny handrin’ny
olona mpanompon’ny Jesosy maty zoma:
Ny hery miasa ao dia herin’ Andriamanitra avy
amin’ny Fanahy Masina (Fanahin’I Jesosy maty 3
andro 3 alina), ny ràn’ny zanak’ondry ary Jesosy
Kristy maty 3 andro 3 alina.
Jesosy dia Mpanjakan’ny mpanjaka, mpamela
heloka, mpanjakan’ny lanitra sy ny tany ary ny
fianantsi-hita, mpitsara, ary manana fahefana
hanova ny lalàna fisoronana, mitandrina sady
tompon’ny Sabata.
Tsy mahenika izao tontolo izao I Jesosy Kristy
fa ny mpianany no mitory eran’izao tontolo izao.
Tsy mihinana biby maloto izay efa voararan’I
Jehovah Andriamanitra ireo mpanompony satria
tempolin’ny Fanahy Masina.
Ny vita batisa dia mandray ny fitafian’I Jesosy
maty tamin’ny antsasaky ny herinandro. Ny
tombo-kasen’ Andriamanitra no amin’ny
handrin’ny mpanompony.
666 dia nymariky ny bibidia. Ny hery miasa ao
dia avy amin’ny dragona, bibidia ary mpaminany
sandoka:
Apokalypsy 16:13-14: 16.13 Ary nahita aho fa
indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy
tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'
ilay bibidia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany
sandoka. 16.14 Fa fanahin'ny demonia ireo ka
manao famantanrana sady mankany amin'ny
mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona
azy ho amin'ny adin'ilay andro
lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
Vicarius Filii Dei koa dia mpanjakan’ny
mpanjaka, mpamela heloka, mpanjakan’ny lanitra
tany ary fianantsi-hita, mtsara ny anjely koa izy,
ary manana fahefana hanova ny lalana fisoronana,
nanova ny Sabata ho alahady.
Tsy mahenika izao tontolo izao ny bibidia fa ny
mpaminany sandoka no mitory eran’izao tontolo
izao.
Mihinana kisoa sy biby maloto izay efa
voararan’ Andriamanitra izy ireo satria tsy
manaraka ny Soratra Masina izy ireo.
Ny vita batisa dia mandray ny fitafian’I Jesosy
maty zoma ary izy no inoany. Izy no Kristy sandoka.
368 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny Sabata no famantaran’ I Jehovah ny olony.
Ny nilevenany 3 andro 3 alina no famantarana
an’I Jesosy Kristy izay inoan’ izy ireo.
Ny marikany dia 666, ary ny fahefany dia avy
amin’I bibidia.
Ny Alahady no famantaran’I bibidia ny olony.
Ny nahafatesany tamin’ny andro zoma sy
nitsangana alahady, maty sy nilevina 1 andro sy 2
alina no famantarana ny Jesosy inoan’izy ireo.
Hebreo 4.1-11: 4.1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika
dia aoka isika hatahotra, fandrao mba
misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. 4.2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny
ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay
nandre.Na: satria 4.3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe:
" Toy ny nianianako tamin'ny tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy fahatezerako hoe: Tsy
hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy"(Sal.95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao
aza ny asa. 4.4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary
Andriamanaitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito"(Gen.2.3). 4.5 Ary amin'izao
koa:"Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy"(Sal.95.11). 4.6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny
sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana, 4.7 dia
mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio",
araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo"
(Sal.95.7.8). 4.8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao
aorian'izany. 4.9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. 4.10 Fa izay
niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy Na: izykoa no nitsahatra tamin'ny asany tahaka
an'Andriamanitra tamin'ny Azy. 4.11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao
hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
Andro inona no andro nitsaharan’ Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany?
Andro Sabata io andro io.
Izay milaza ny tenany ho andriamanitra koa nefa dia mba manana andro hafa hitsaharany koa, dia
ny alahady izany satria izy efa nanova ny didin’ Andriamanitra sy ny lalana hatrany am-boalohany.
Izay rehetra tsy mino ny fahamariann’ny Soratra Masina dia tsy mety mino mihitsy, ka manamafy ny
fony ary tsy mety manaraka ny fomban’ i Jehovah Andriamanitra izay mitsahatra ny andro fahafito na
369 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Sabata. Noho ny tsy finoany dia mamingavinga ny mpanompon’ Andriamanitra izy ireo ary tsy mahagaga
iizany satria efa azon’ny devoly sambo-belona izy. Ny zavatra tena tsy zakan’ireo mpanara-dia ny
fivavahana amin’i Jesosy maty zoma ireo dia i Jesosy maty telo andro sy telo alina ary ny fivavahana
andro Sabata. Tsy manaiky ny famantarana an’i Jesosy izy ireo dia ny telo andro sy telo alina sy ny
Sabata izay famantaran’i Jehovah ny olony. Ny marina dia efa mandray ny mariky ny bibidia izy ireo dia
ny finoana an’I Jesosy maty zoma sy ny fivavahana amin’ny andro alahady. Ny marika apetaka amin’ny
handrina dia ny zavatra eken’ny saina ka inoana sy arahina. Ny dragona no nanome ny bibidia ny seza
fiandrianany sy ny fahefany ka milaza tena ho andriamanitra izy ety an-tany.
FAMINTINANA NY 666
Apokalypsy 13.1-8: 13.1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Ary hitako fa,
indro, nisy bibidia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny
tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.* 13.2 Ary ny
bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany
tahaka
ny vavan'ny liona, ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana
lehibe.
13.3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky
nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibidia. 13.4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay
dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibidia
koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy? 13.5 Dia nomena lela*
miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy* izy, ary nomena fahefana mba hiasa* roa amby
efa-polo volana. 13.6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an' Andriamanitra izy dia ny hiteny
ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. 13.7 Ary navela hiady tamin'ny
olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny
samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy. 13.8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina
ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny
Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
Manana maso tahaka ny mason’olona izy = masoivoho maneran-tany ny bibidia faharoa. Ny gazety
Misionera Ramarosandratana dia nanoratra momba ny Masoivoho Katolika Romana avy amin’ny
370 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
firenena Eropeana sy Amerikana, Japana, Rosiana. Ny firenena an-dalam-pandrosoana angamba dia
mbola tsy manana Masoivoho hoy izy, nefa afaka maka torohevitra avy amin’ny Vatikana ihany.
Izay ilay hoe manana maso tahaka ny mason’ ny olona izy.
Nisy fery saika nahafaty azy tamin’ny 1929 nefa sitrana ihany izy ka gaga ny tany rehetra, ary ny
firenena rehetra dia manaiky ny fahefany.
Miteny zavatra mihoa-pampana izy = manana satro-boninahitra telo miantaona ny Papa Katolika,
ary andriamanitra ety an-tany izy ka afaka mitsara olona sy ny anjely. Manana fahefana hamela heloka
koa izy.
Manao blasfemia = mihambo ho manana ny fomban’ Andriamanitra izay mamela heloka. (Lioka
5.20-23)
Manana fahefana be ny bibidia faharoa. Iza no nanome azy izany fahefany izany? Dragona no
nanome azy izany. (Apokalypsy 13.4)
Manova fotoana sy lalàna izy: nanova ny kalendrie ny Papa Gregoire, ary kalendrie gregoriana no
ampiasaintsika ankehitriny fa tsy ny kalendrie taloha intsony. Ary manova lalàna koa izy satria ny didy
folo dia miova tanteraka araka ny Katesizy katolika: ny andro alahady no hamasinin’izy ireo sy ivavahany,
fa tsy ny Sabata araka ny didin’i Jehovah Andriamanitra.
FANAMARIHANA FARANY:
Maro an’isa no manaraka ny lalana malalaka izay mitondra ho amin’ny fahaverezana;
fa ety sady tery kosa ny lalana mankany amin’ny fahamarinana.
Matio 22.11-14: 22.11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy
anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo
fitondra amin'ny fampakaram-bady. 22.12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto,
nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. 22.13 Ary dia hoy
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any
ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 22.14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no
fidina.
Matio 7.13 Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana
izay mankany amin'ny
371 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahaverezana, ka maro ny miditra any. 7.14 Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany
amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
7.15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo
amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
Matio 7.21-23: 7.21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny
fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny
sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.7.22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:
Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia
tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 7.23 Ary
dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko,
hianareo mpanao meloka.
Manao famantarana sy fahagagana mamitaka koa I Jesosy maty zoma sy ny mpanompony, ary izay
no handavan’I jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro ireo mpanompon’I dragona tsy
hiditra ny fanjakan’ny lanitra. Tsy fantany akory izy ireo satria mandà ny famantarana nomen’I jesosy azy
na dia maro aza no antsoina, ary mandà koa ny famantaran’I Jehovah ny olony. Misandoka ny anaran’I
Jesosy io maty zoma io satria tsy maty araka ny Soratra Masina ary tsy manana ny famantarana amin’ny
maha-Jesosy irak’ Andriamanitra azy akory. Nefa dia maro no voafitany sy manaraka azy.
Inona izany manao ny sitrapon’ny Ray izany?
Romana 8.7-8: 8.7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo, fa tsy manaiky ny
lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy
akory izany. 8.8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Maro no mandrafy an’ Andriamanitra satria tsy manaiky ny lalàny. Izay no nahatonga an’I Jesosy
hilaza fa tsy izay rehetra manao hoe Tompoko Tompoko no hiditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, fa
izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny filazana an’I Jesosy ihany.
Efa voalaza anefa fa tokana ihany no famantarana an’I Jesosy,
ary ao amin’ny didy / lalàna dia iray ihany no famantaran’ Andriamanitra ny olony.
372 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Matio 12.38-40: 12.38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy
ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-
hahita famantarana avy aminao izahay.12.39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka
ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-
tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; 12.40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy
hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona
hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.
Ezekiela 20.11-12 sy 19-20: 11 Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay
mahavelona ny olona manaraka izany.
12 Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho
Jehovah no manamasina azy…. 19 fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny
didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. 20 Ary manamasina sy Sabatako, mba ho
famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Lioka 6.5: Tompon’ny Sabata ny zanak’ olona, hoy Jesosy.
Tsy mahagaga izany raha mitsangana ho fahavalon’I Jesosy maty 3 andro 3 alina ny mpanompon’I
Jesosy maty zoma na ireo mivavaka alahady izany na Sabata. Efa voalaza mialoha tamin’ny faminaniana
fa ho famantarana holavina I Jesosy maty 3 andro 3 alina :
Lioka 2.33-34: 2.33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy. 2.34 Ary Simeona
nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho
fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina2.35 ary ny
fanahinao aza dia hotsatohana sabatra-- mba haseho ny hevitry ny fo maro.
Ny fototr’ilay ady farany dia ANDRO: raha ao amin’I Jesoy kristy no fototry ny adihevitra dia ny 3
andro 3 alina izany, ary raha ao amin’ny lalàna kosa dia ny andro Sabata no fototry ny ady.
Koa safidio anio ary izay hotompoinao sy harahinao, na:
- Dragona, bibidia ary mpaminany sandoka mitory an’I Jesosy maty zoma mivavaka alahady, izay
arahin’ny maro an’isa, malalaka ny làlana izay mitondra amin’ny fahaverezana; na
373 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- Jehovah, Kristy Jesosy ary Fanahy Masina, dia Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro
nitsangana Sabata, maty 3 andro 3 alina, izay arahin’ny vitsy an’isa amin’ny làlana ety sy tery fa mankany
amin’ny fiainana mandrakizay.
Efa hatramin’ny andron’I Adama sy Eva no nizara roa ny lalan’ny zanak’ olombelona raha resaka
fivavahana no lazaina. I Kaina dia nanolotra zava-maniry natao fanatitra izay tsy nankasitrahan’
Andriamanitra; fa I Abela kosa dia nanatitra biby natao fanatitra ka nankasitrahan’ Andriamanitra izany.
Misy roalahy koa ao an-trano, ny iray noraisina, ny iray navela. Misy roa vavy mitoto vary, ny iray
noraisina, fa ny iray kosa nolavina. Misy lalana roa koa amin’ny fivavahana, ny iray mivavaka Sabata, ny
iray kosa mivavaka Alahady. Ny lalana iray dia marina, fa ny iray kosa mamitaka. Bibidia sy mpaminany
sandoka dia miaraka amin’I dragona amin’ny lalana fivavahana sandoka ka mamitaka olona maro, maro
no voafitany. Ny mpaminany sandoka dia izay rehetra mihazona ny fampianaran’I bibidia mom,ba ny
nahafatesan’ I Jesosy sy ny filazana Azy. Ireo no 666 manaraka ilay bibidia sy miankohoka eo anoloan’I
Dragona satria mpanompony izy. Miaro ilay Jesosy tsy nilevina 3 andro 3 alina io izy ireo, ary manaratsy
ny fahamarinana. Ireo Fariseo sy mpanora-dalana fahiny koa aza dia efa niampanga an’i Jesosy fa ny
lehiben’ny demonia no namoahany ny demonia. Ny antony isehoan’izany rehetra izany dia ny
hanangonan’I Dragona ireo ny mpanompony ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ Andriamanitra. Ny ady
faharoa dia mifototra amin’ny Sabata satria tsy manaiky manamasina ny Sabata ny mpanompon’I
dragona. Ary ny fototry ny ady fahatelo koa dia ny 3 andro sy 3 alina. Andro no fototr’ilay adin’ilay andro
lehiben’ Andriamanitra. Ireo mivavaka amin’ny andro Alahady na Sekta aza dia mitsangana manohitra ny
mivavaka Sabata. Ary ireo mivavaka Sabata nefa manompo an’I Jesosy maty zoma sy ireo mivavaka
Alahady manompo an’I Jesosy maty zoma dia iray ihany fa tsy hafa, satria Jesosy mitovy ihany no
tompoiny, dia ilay maty zoma tsy nilevina 3 andro sy 3 alina. Vokatr’izany dia manenjika sy manaratsy ny
fahamarinana izy ireo dia izay mino sy mivavaka andro Sabata amin’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro Tompon’ny Sabata nilevina 3 andro sy 3 alina.
Tsy mety ho vitsy an’isa mihitsy ny isan’ny fiangonana mivavaka Alahady, ary tsy mety ho maro
an’isa koa ireo mivavaka Sabata. Tsy mety ho vitsy an’isa koa ny manompo an’I Jesosy maty zoma fa
maro an’isa na ireo mivavaka Alahady na Sabata; ary tsy mety ho maro an’isa koa ireo manompo an’I
maty tamin’ny antsasaky ny herinandro Tompon’ny Sabata nilevina 3 andro sy 3 alina. Izany dia mba
hanamarina ny Tenin’ Andriamanitra fa maro no ho voafitaka satria malalaka ny lalana, fa vitsy kosa no
hobonjena na dia maro aza no nantsoina. Maniraka ny mpanompony I Jesosy hampianatra ny
374 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahamarinana sy hitory ny Filazantsaran’i Jesosy maty araka ny Soratra Masina. Nefa naleon’ny olona
manaraka ny maizina, dia ny lalana malalaka efa mahazatra azy na dia tsy hita aza izay fahamarinany, ary
na dia tsy manaraka ny famantarana nomen’ Andriamanitra sy I Jesosy aza izany. Ny antony dia satria
efa voasoratra fa naleon’ny olona ny maizina, toy izay hanaraka ny mazava:
Jaona 3.19-20: 3.19 Ary izao no fanamelohana,Gr,Fitsarana fa tonga amin'izao tontolo izao ny
mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. 3.20 Fa izay rehetra
manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny
asany.
FANDREFESANA NY TEMPOLY
FIZARANA FAHADIMY - SABATAN’I JEHOVAH
Didy fahefatra ny Sabata ao amin’ny Didy folo. Didy fahatelo kosa izy
amin’ny katesizy Katolika, nefa tsy ny andro Sabata no nosoratany
hohamasinina fa ny andro Alahady.
Eksodosy 20.8-9: 8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
Sabata = andro fahafito. Sabatan’I Jehovah ny andro Sabata, fa
tsy sabatan’ny zanak’ Isiraely akory. Raha vao andro hafa izany no antsoina
hoe sabata dia efa diso sady fitaka be izany.
Sabata = andro fitsaharana
Genesisy 2.1-3: 1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony;
ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay
efa nataony.3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina
azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra
izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
375 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Voasoratra amin’ny didy folo ny andro Sabata izay tokony hamasinina.
Eksodosy 20. 8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. 9
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa
Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao
raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy,
na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny
vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan'i
Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao
aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i
Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Efa fantatr’ I Jehovah mialoha fa hisy olona hitsangana handrava didy
folo, ary hisy ny ady lehiben’ny andron’ Andriamanitra satria tsy hanaiky
hanamasina ny Sabata ny olona fa hanova izany ho andro hafa. Koa izany no
nanaovany ny Sabata ho ao amin’ny didiny izay nomeny izay rehetra
mivavaka sy manompo Azy.
Sabata = andro natokana hivavahana amin’I Jehovah. Mandritra ny andro
6 dia nilatsaka ny mana ka manangona manda ny olona, fa ny andro Sabata
kosa dia andro fitsaharana ka tsy mahazo manangona man any olona, fa
manangona avo sasaka noho izay fanaony isanandro ny olona mba hohaniny
ny Sabata. Jehovah no manome ny andro Sabata hitsaharana. Tsy tokony
mandeha miasa izany rehefa Sabata, fa tena andro fitsaharana mihitsy
izany.
Eksodosy 16.19-35: 19 Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho
tra-maraina. 20 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela
sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka
maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy. 21 Ary nanangona ny mana
isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny
376 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
andro, dia levona ireny. 22 Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona
avy sasaka noho ny isan-andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny
isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i
Mosesy. 23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso
dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay
hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia
avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. 24 Dia namela izany ho tra-
maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka
olitra izany. 25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah
anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. 26 Henemana no
hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy
amin'izany. 27 Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka
hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza. 28 Ary hoy Jehovah tamin'i
Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny
lalàko? 29 Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no
anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny
andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka
aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. 30 Dia
nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito. 31 Ary ny anarany dia
nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady
fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely. 32 Ary
hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata
omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho
hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra
anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho. 33 Ary hoy Mosesy
tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia
apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo
fara mandimby. 34 Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no
nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.
377 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
35 Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona
mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no
nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.
Ny zanak’Isiraely irery no nanompo an’ Andriamanitra tamin’izany
fotoana izany, koa mazava ho azy fa nomeny azy ireo koa ny Sabata ho
andro fitsaharana. Nomeny azy ireo koa ny didy folo sy ny fanavahana ny
maloto sy ny madio amin’ny sakafo. Noho izany dia mihinana ny biby
rehetra tsy ankanavaka izay tsy manompo Azy. Nefa raha misy firenena hafa
te hanompo Azy dia tsy maintsy mitandrina ny Sabata izy:
Isaia 56.6: 6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba
hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho
mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho
tsy masina sady mitana ny fanekeko.
Nefa maninona ary isika no lasa mitandrina ny Sabata aty aoriana?
Rehefa tona I Jesosy dia nilaza fa tsy nirahina afa-tsy tamin’ny firenena
voafidy ihany. Nefa rehefa maty Izy dia rava izany efitra izany.
Efesiana 2.11-18: 2.11 Koa tsarovy fa fahiny hianareo izay jentilisa araka
ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tànana teo amin'ny nofo hoe: 'tsy
voafora', 2.12 eny tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i
Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely, ary vahiny
tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy
nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; 2.13 fa ankehitriny
kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, hianareo izay lavitra fahiny dia efa
nampanakeken'ny ran'i Kristy. 2.14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray
antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 2.15 fa tao amin'ny
nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao
378 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany
ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
2.16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra
noho ny hazo fijaliana izay namonoany ny fandrafiana. 2.17 Ary tonga Izy ka
nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana*taminareo izay lavitra ary
fihavanana* tamin'izay akaiky koa. 2.18 Fa Izy no ananantsika roa tonta
fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
Ny jentilisa dia miasa isanandro isanandro, fa ny zanak’ Isiraely ihany no
mitsahatra Sabata satria tsy nomena ny Jentilisa izany lalana izany. Tsy
nanana an’I Kristy ireo jentilisa ireo sady tsy nanana an’ Andriamanitra ireo
hafa firenena. Fa rehefa maty I Kristy dia ny ran’ny zanak’ondry no
nampihavana antsika tamin’ Andriamanitra, ary nampihavana ny hafa
firenena tamin’ny Jiosy. Nandrava ny efitry ny fisarahana I Jesosy rehefa
maty.
Na iza na iza natao batisa tamin’I Kristy dia lasa taranak’I Abrahama, ary
rava ilay hoe jentilisa, Grika, Jiosy, hafa firenena, ary ny fitsipika arahana
dia iray ihany, ny didin’I Jehovah no arahina. Mino fa maty I Kristy araka ny
Soratra Masina dia ny antsasaky ny herinandro, nile
Romana 11.21-23: 11.11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie
ny Isiraely? Sanatria izany! Fa ny fahatafintohinany no nahatonga
famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy. 11.12 Ary raha ny
fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga
haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany. 11.13 Fa hianareo jentilisa no
itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny
fanompoako, 11.14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-
tsinay amiko,Gr, ny nofokomba hamonjeko ny sasany aminy.11.15 Fa raha
ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana
amin'ny maty va ny fandraisana azy? 11.16 Ary koa, raha masina ny
379 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia
masina koa ny sampany. 11.17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary
hianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy
ka mba niombona ny fakan'ny menaky Na: fàkany sy ny menaky ny hazo
oliva, 11.18 dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha
hianao, tsy hianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra
anao.11.19 Ary hianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany
hanatsofohana ahy. 11.20 Marina ihany izany: ny tsi-finoany no nanapahana
azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
11.21 fa raha ny tena sampany aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy
havelany koa hianao.11.22 Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra
sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia
fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-
panahiny hianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa hianao. 11.23 Ary
ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa
azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
Nisy ny Jiosy tsy nino an’I Jesosy, dia notapahina niala tamin’ny hazo
oliva izy ireo, ary nisy sampana hafa koa natsofoka teo. Ny fakany dia
Jesosy, ary ny sampan tsy mamoa dia ireo Jiosy tsy nino. Ny sampana
natsofoka dia ny hafa firenena izay manjary manompo an’I Kristy. Nefa raha
miavonavona ireo sampana natsofoka ireo dia tsy maintsy hesorina koa izy
ireo. Izany hoe rehefa tsy mankato ny didin’ Andriamanitra fa miavonavona
tsy manompo ny Sabata dia hesorin’ Andriamanitra tsy ho mpanompony
intsony koa.
Inona no fomba fanao rehefa tonga ny Sabata ?Inona no tsy tokony
hatao? Ahoana no fomba fanompoana ny Sabata talohan’ny hazo
380 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fijaliana (Testamenta Taloha)? Ary ahoana koa ny mitandrina sy
manamasina izany taorian’ny hazo fijaliana (Testamenta Vaovao)?
Ny fitandremana ny
Sabata
tamin’ny andron’ny
zanak’ Isiraely
Ny fitandremana ny Sabata
tamin’ny andron’I Jesosy
Tsy mahazo miasa
rehefa Sabata fa
hatao maty tokoa izay
manao izany:
Eksodosy 31.15
Tsy mahazo
mandrehitra afo:
Tsy mahazo maka
kitay rehefa Sabata:
Nomery 15.32.
notorahim-bato ilay
lehilahy tratra naka
kitay tamin’ny andro
Sabata.
Tsy mahazo mividy
zavatra amin’ny andro
Sabata : Nehemia
10.10
Tsy mahazo mitondra
entana/ mibata
entana na mivoaka na
Nampiseho fomba vaovao hitandremana ny
Sabata I Jesosy:
Tahaka ny fitiavan’ Andriamanitra an’I Kristy
ny fitiavan’I Kristy ny mpianany. Mitoetra
amin’ny didin’ny Rainy I Kristy : Jaona 15.9-
10, Jaona 10.30. iray ihany I Jesosy sy ny
Ray. Matio 5.17-18:Tsy tonga handrava ny
lalàna na ny mpaminany I Jesosy fa
hanatanteraka azy rehetra. Raha foana ny
lalàna dia tsy misy fandikan-dalana (Romana
4.15). Nefa raha tsy misy lalàna dia maty ny
ota: Romana 7.7-13.
Rehefa tonga I Kristy dia nanatanteraka ny
lalàna Izy, tsy nangalatra Izy, nitandrina ny
Sabata Izy, … Mifototra amin’ny fitiavana ny
lalàna, dia fitiavana an’I Jehovah
Andriamanitra (didy 1-4) sy fitiava-namana
(didy 5-10). Tsy ho foana ny didy rehetra
mandra-pahatanteraka azy rehetra. Nefa ny
olona rehetra dia mbola manota.
381 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
miditra amin’ny andro
Sabata, tsy mahazo
manao raharaha
akory: Jeremia 17.19-
23
Tsy mahazo
manosihosy
famiazam-boaloboka,
tsy mahazo mampiasa
boriky, tsy mahazo
mitondra entana sy
mivarotra koa:
Nehemia 13.15
Tsy mahazo
mampiditra entana
koa ny mpivarotra
rehefa andro Sabata:
Nehemia 13.19-21
Tsy mahazo
mivarotra ny
mpivarotra rehefa
Sabata.
Nanoty salohim-bary tamin’ny andro Sabata
ny mpianatr’I Jesosy satria noana: Lioka 6.1-
5. Araka ny lalana dia tsy mety ny miasa
amin’ny andro Sabata. Nefa nataony izany
mba ho fantatr’izy ireo fa tompon’ny Sabata
ny zanak’ olona, ka manam-pahefana hamela
ny mpianany hanao izany I Jesosy Kristy.
Nanasitrana ilay lehilahy maty tànana
tamin’ny andro Sabata I Jesosy: Lioka 6.6-12.
Manao soa sy mamonjy aina no tokony atao
amin’ny andro Sabata. Lioka 6.6-12. Azo atao
ny manasitrana sy mamoaka devoly; fa tsy
azo atao kosa ny asa andavanandro.
Nanasitrana ilay lehilahy malemy tamin’ny
andro Sabata I Jesosy ary nasainy nobatainy
ny fandriany avy eo: Jaona 5.2-5.
Nampangain’ny fariseo fa nandika ny Sabata I
Jesosy satria tsy fantany fa Tompon’ny Sabata
Izy. Jaona 8.45: milaza ny marina I Jesosy
nefa tsy inoan’ireo mpanora-dalana sy
Fariseo.
Nampahiratra ny mason’ilay lehilahy teraka
jamba koa I Jesosy, ary andro Sabata no
nanaovany izany, ka tezitra ny Fariseo satria
nolazainy fa tsy mitandrina ny Sabata I Jesosy
sady tsy avy amin’ Andriamanitra ary
mpanota Izy: Jaona 9.8-16. Natahotra ny ray
aman-drenin’ilay jamba sao dia horoahina
hiala amin’ny synagoga ka tsy sahy nilaza izay
382 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nampahiratra ny mason’ilay zanany.
Nanasitrana ilay vehivavy manana fanahy
maharofy nandritra ny 18 taona, tsy
mahatraka tamin’ny andro Sabata I Jesosy :
Lioka 13.10-17. Fidio foana ny Sabata raha
marary ianao mba hivavahan’ny Loholona sy
mpanompon’ Andriamanitra ho anao mba
hahasitrana anao. Tezitra koa ireo Fariseo
raha nanao izany Izy.
Fitandremana ny Sabata
tamin’ny andron’ ny Apostoly
Fandraisana fanasan’ny Tompo nialo Jaona 13,14,15,16,17: toriteny
nataon’I Jesosy tamin’ny mpianany
Jaona 16.13-15 : 16.13 Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana,
dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy
hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra
ho avy aza dia hambarany aminareo. 16.14 Izy hankalaza Ahy; fa
handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. 16.15
Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa
mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
Rehefa iray amin' Andriamanitra sy Jesosy isika dia mitandrina ny
didiny sy ny Sabata koa: Jaona 17.11
Asa 1.4-8 : Rehefa nahazo ny Fanahy Masina ny mpianatr’I Jesosy dia
mbola nitandrina ny Sabata ihany izy ireo. Asa 13.14-16 sy 42-48.
Niditra tao amin’ny synagoga tamin’ny andro Sabata izy ireo, namaky
383 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny lalana sy ny mpaminany ary nananatra ny olona na nitoriteny.
Nitandrina ny Sabata ireo mpianatr’I Jesosy, ary tafangona avokoa ny
tao an-tanàna hihaino ny Tenin’ Andriamanitra. Nefa ny Jiosy dia feno
fialonana raha nahita izany ka nanohitra ny teny nolazain’I Paoly. Ireo
Jentilisa voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino ny
Tenin’ Andriamanitra.
Isika izay mino no hiditra amin’ny fitsaharana, dia ny Sabata andro
fahafito: Hebreo 4.3-13. Ireo tsy mety mino dia tsy hiditra amin’ny
fitsaharana mihitsy. Hebreo 4.9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana
ho an'ny olon'Andriamanitra.4.10 Fa izay niditra tao amin'ny
fitsaharany, dia Izy Na: izy koa no nitsahatra tamin'ny asany tahaka
an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
Jaona 9.8-25: Rehefa tsy hitan’ny olona intsony izay hanoherana ny
fahamarinan’ny Soratra Masina dia miampanga ilay mpanompon’
Andriamanitra nirahiny hilaza ny marina ireo olona tsy mino.
Nefa tsy tokony hihaino izany tenin’ny mpanaratsy izany isika, fa tahaka
ny niampangan’ireo Fariseo an’I Jesosy nampahiratra ny mason’ilay jamba
ihany no ataon’izy ireo amintsika ankehitriny. Nolazainy fa nandika ny
Sabata I jesosy, mpandika lalàna, ka izay manaraka Azy dia tokony
horoahina hiala amin’ny synagoga. (Jaona 9.8-25)
Mpanota = mpandika lalàna.
Toy izany koa ny hanevatevan’ireo tsy mino ankehitriny antsika izay
mampahafantatra azy ireo ny marina momba ny 666 sy ny Kristy sandoka
ilay maty tsy araka ny Soratra Masina. Mahagaga izany, hoy ilay jamba, fa
angaha Andriamanitra mihaino ny mpanota? Rehefa niteny izany tamin’ny
Fariseo izy dia tezitra mafy ary noroahin’ireo hiala tamin’ny synagoga izy.
384 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ireo mpitondra fivavahana ankehitriny koa dia manenjika sy miteny ratsy
an’I Pasteur Mailhol satria milaza ny marina izy. Tsy mety mandray ny
fahamarinana izy ireny fa manamafy ny fony satria misy avonavom-panahy
be mhitsy ao anatiny.
2 Tesaloniana 2.9-11: 2.9 ny fihavian'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana
amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana
mandainga rehetra 2.10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana
amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny
fahamarinana izay hamonjena azy izy. 2.11 Koa izany no
ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny
lainga,…
Jaona 8.47: 8.47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny
tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy
amin'Andrimanitra hianareo. Izay no antony mahatonga ny olona sasany
tsy mahazaka ity fampianarana ity satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra
izy.
Jaona 5.28-29: 5.28 Aza gaga amin'izany; fa avy ny androGr, ora, izay
handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
5.29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana
ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any
amin'ny fitsanganana ho fahamelohana.Gr,ho fitsarana.
Rehefa tsy vitantsika amin’ny andro ahavelomantsika ny mandray ny
mazava sy fahamarinana araka ny Soratra Masina, dia ringana avokoa isika.
Rehefa maty dia miandry ny fanamelohana mandrakizay satria tsy nino ary
niavonavom-panahy, satria ny maty dia tsy mahefa na inona na inona
intsony.
NY NITSOFANA NY TROMPETRA FAHAFITO SY NY
NAHATONGAVAN’NY LOZA FAHATELO
385 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 11. 11.1 Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy
nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny
tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
11.2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba
refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny
tanàna masina roa amby efa-polo volana izy.
11.3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo
amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy
lamba fisaonana.
11.4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo
anatrehan'ny Tompon'ny tany.
11.5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny
vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-
handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
11.6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy
hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary
manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny
tany amin'ny loza araka izay andro tiany na
oviana na oviana.
11.7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibidia
miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka
haharesy sy hahafaty azy.
11.8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay
atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy
Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo
fijaliana.
11.9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny
firenena maro dia misy mijery ny fatiny
386 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny
fatiny.
11.10 Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary
hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina
ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11.11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina
avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo,
ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
11.12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy
hoe: Miakara aty. Dia niakatra ho any an-danitra
tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
11.13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny
ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany
horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka
nanome voninahitra an'Andriamanitry ny
lanitra.
11.14 Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
11.15 Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra
nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia
efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay
mandrakizay.
11.16 Ary ny loholona* efatra amby roa-polo, izay mipetraka eo
ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan' Andriamanitra, dia niankohoka
ka nivavaka tamin'Andriamanitra
11.17 nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha.
Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny
herinao lehibe ka efa manjaka hianao.
11.18 Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny
fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia
387 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny
anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao
izay manimba ny tany.
11.19 Ary novohana ny tempolin' Andriamanitra any an-danitra, ka hita
ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary
nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra
vaventy.
FANAZAVANA
Ny teny miverina matetika dia ny 42 volana na 1260 andro, na ny hoe
3 andro sy tapany (Apokalypsy 11.2, 8,11). Efa nohazavaintsika teo aloha
izy ireo. Miainga amin’ny 1260 andro ny fanazavana ary ny vanim-potoana
taona 538 ka hatramin’ny taona 1798 no mifanandrify aminy. Raha toa ka
tsy nandrefy ny tempoly isika anefa dia tsy ho nahalala ny marina momba io
andro io mihitsy.
1798 – 538 = 1260 taona = 1260 andro
Jereo ny fanazavana ny 666.
Ny fanaka ivelan’ny kianja:
Alitara fandoroana biby = mikaofesy amin’ny mpisorona ny zanak’
Isiraely, mitondra ram-biby ary mifona amin’ Andriamanitra.
Tavy fisasana = misasa rehefa vita ny fanatitra ram-biby sy ny fahotan’ny
zanak’ Isiraely = batisa na famelan-keloka, fahateraham-baovao.
Misy faminaniana sy lamba fisaonana koa .
Tsy maintsy mikaonfesy amin’ny mpisorona ny zanak’ Isiraely raha mbola
talohan’ny hazo fijaliana. Fa rehefa maty kosa I Jesosy dia tsy mila izany
intsony.
Ny 538 – 1798 kosa anefa dia naverina nikaofesy tamin’ny mpisorona
indray dia ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny eglizy ny kristiana.
388 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nianjera ny fahefan’ny Papa tamin’ny 1798, ka tsy nila nikaofesy
tamin’ny Papa intsony ny Protestanta.
Ny tavy fisasana tamin’ny 538 – 1798 koa dia batisan-jaza no niainana.
Fa hatramin’ny 1798 nitsanganan’ny mpampiely Baiboly kosa dia nitranga ny
fampiananram-baovao, milaza fa tsy mety ny batisan-jaza. Ny fiangonana
Sardisy no maneho ny fiangonana Protestanta. Nefa tsy tanteraka ny
fanavaozana ara-pivavahana nataon’izy ireo. Mbola manompo an’I Jesosy
maty zoma ihany izy, manao batisan-jaza koa. Rehefa maty ireo mpanavao
fivavahana dia tsy nanavao intsony ireo mpanara-dia ny Protestanta, fa tsy
nisy fanavaozana intsony.
Apokalypsy 3.2
Taorian’ny 1798 kosa vao nisy fiangonana maro nipoitra izay lasa nanao
batisan’ olon-dehibe, toy ny temoin de Jehovah, sy ny Advantista, …
Tsy nahazo namaky Baiboly ny olona avy eo, fa dorana ny Baiboly raha
tratra, ary nigadra avokoa izay rehetra tratra nanana izany.
Apokalypsy 11.3-6 dia manambara ny hazo olive roa dia ny Baiboly
Testamenta taloha, ary ny fanaovan-jiro dia Testamenta Vaovao rehefa
tonga I Kristy. I Kristy io hazo olive sy fananovan-jiro io. ny tenin’
Andriamanitra no handripaka izay miezaka hanapotika izany. Taorian’ny
1798 dia famonoana izay namono ny mpanompon’ Andrimanitra indray no
nitranga.
Apokalypsy 11.6 koa dia milaza fa ny tenin’ Andriamanitra vavolombelona
roa dia manana fahefana handrindrina nyh lanitra: Raha efanao izay lazainy
dia mivoha ho anao ny fanjakan’ny lanitra; far aha tsy manaraka kosa ianao
dia hikatona na hirindrina aminao ny lanitra.
Apokalypsy 16.5-6 : 16.5 Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe:
Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa
nitsara toy izany Hianao; 16.6 fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany
389 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
no nalatsany, ka dia ra kosa no nomenao hosotroiny; ary tandrifiny ho azy
izany.
Manana fahefana handatsaka ranonorana na hampiato izany koa ny
mpanompon’I Jehovah: 1 Mpanjaka 17.1. Ny mpanompon’I Jehovah dia
mivavaka Sabata, ary ny mpaminani’I Bala dia mivavaka Alahady (Sun-day,
andriamanitra Masoandro).
Ny Tenin’ Andriamanitra no manam-pahefana handrindrina ny lanitra na
hamoha azy, satria io no hazo olive roa sy fanaovan-jiro roa. Nampangirifiry
ny olona ny hazo oliva roa (Testamenta Taloha sy Vaovao, Filazantsaran’I
Jesosy Kristy) nandritra ny 1260 andro. Niaritra fanenjehana sy
fahafatesana ny mpanara-dia an’I Jesosy Kristy. Resy ny mpanavao
fivavahana nandritra ny 1260 andro (538 – 1798) satria nanana hery be ny
bibidia izay niady taminy:
Apokalypsy 11.7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa
ilay bibidia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka
haharesy sy hahafaty azy.11.8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe
amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy
Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
1798 – 538 = 1260 taona = 1260 andro = 42
volana = 3 andro sy tapany
Apokalypsy 11.7-10: 11.7 Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady
aminy kosa ilay bibidia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka
haharesy sy hahafaty azy. 11.8 Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe
amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy
Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
11.9 Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny
firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy
390 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
avelany halevina ao am-pasana ny fatiny. 11.10 Ary ny mponina ambonin'ny
tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry
ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
Kintana avy tany an-danitra = anjely latsaka an-tany = Devoly sy
Satana
Apokalypsy 9.1-2: 9.1 Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa,
indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary
nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa. 9.2 Ary
nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy
tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga
maizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka avy tao amin'ny
lavaka.
Apokalypsy 12.3-4: 12.3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-
danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka
folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany. 12.4 Ary ny rambony dia manala
ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny
tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba
handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Hita tany an-danitra io dragona io (= menarana ela, Devoly sy Satana,
mamitaka izao tontolo izao). Ny rambony dia nanjera ny 1/3 kintana ho ety
an-tany.
Tsy ny 1/3 anjely na 1/3 kintana ihany nefa no nilatsaka fa ny lohany
koa dia nazera tamin’ny lohany dia I dragona izany:
Apok 12.7-9: 12.7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny
niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny
kosa dia niady, 12.8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy
intsony tany an-danitra. 12.9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana
391 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia
nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .
Mikaela sy ny anjeliny dia niady tamin’ny Dragona sy ny anjeliny. Resy ny
devoly sy satana ary nisy io lavaka tsy hita noanoa io nandefasana azy
rehefa nazera avy tany an-danitra izy ireo.
Apokalypsy 13.2: 13.2 Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny
leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny
vavan'ny liona, ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza
fiandrianany ary fahefana lehibe.
Ilay bibidia nomen’ny dragona hery sy fahefana lehibe ary seza
fiandrianana.
Maty ny Baiboly nandritra ny 1260 taona (538-1798) nisian’ny
fanenjehana Kristianina. Izay rehetra manohitra ny foto-pampianaran’ny
Eglizy dia naringany avokoa. Nangirifiry avokoa ireo vahoakan’
Andriamanitra rehetra izay tsy nanaraka ny Katolika Romana, ary efa
hatramin’ny andron’I Kristy izany. “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho
ny anarako”. Mbola mitohy izany fanenjehana ny mpanompon’ny
fahamarinana izany na dia hatramin’izao aza. Maro ireo manaraka ny
fampianarana Apokalypsy sy mivavaka amin’ny fiangonana no miaritra
fanenjehana sy fahoriana amin’ny ankohonana sy ny mpampiasa ary ny
fiaraha-monina izay tsy mino sy tsy mahazaka ny fahamarinana.
Ny Sodomita dia manaiky ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy sy ny vavy
sy ny vavy. Rehefa io no manjaka amin’ny fiainan’ny olona dia efa ho avy
izay ny fandringanan’ Andriamanitra azy ireny satria mahatezitra Azy ireny.
Tany Egypta, dia andevo ny zanak’ Isiraely, ary tsy nahalala nanompo an’
Andriamanitra intsony izy ireo. Isika koa ankehitriny dia andevon’ny
fahotana.
392 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Famaranana ny Toko 10 sy 11, mialohan’ny hitsofana ny trompetra
fahafito sy loza fahatelo dia izao no nitranga:
Apokalypsy 11.11-14: 11.11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy
tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo,
ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita
azy.11.12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy
hoe: Miakara aty. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo;
ary nahatsinjo azy ny fahavalony. 11.13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy
horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty
tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny
olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra. 11.14 Lasa ny
loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
Nahazo fanahin’ aina indray ny Baiboly rehefa afaka hateloan’ andro
sy tapany (1260 andro), ary nijoro tamin’ny heriny sy fahefany ny
Baiboly, ary voadika amin’ny fiteny samihafa maro karazana. Tsy azo
foanana intsony ity Soratra Masina ity satria efa nomen’ Andriamanitra hery
sy fahefana vaovao.
Raiki-tahotra ny mpamitaka sy mpanompon’I dragona rehefa misy
fampianarana vaovao mitranga avy amin’ Andriamanitra, ka manao izay
hevitra rehetra hanafenana ny marina sy hanakanana izany. Rehefa
mahalala ny fahamarinana isika dia betsaka amintsika no manontany tena
hoe nahoana re no tsy fantatsika izany fahamarinana izany fahiny e? ary
hanao ahoana izany ny havantsika nodimandry tsy mba nahalala ny marina?
Aza manahy ny amin’izy ireny isika, satria tsy nahalala izy; satria loza kokoa
no hahazo antsika raha mahalala ny marina isika nefa minia tsy manaraka
izay voalaza.
Ny andininy faha 12 dia milaza fa nakarina tany andanita ny hazo olive sy
fanaovan-jiro. Jesosy Kristy no Tenin’ Andriamanitra tonga nofo, izy no
393 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
novonoina sady nanadatsaka ny ràny eran’ny tany. Maty tamin’ny hazo
fijaliana Izy, ary niakatra tany an-danitra tanatin’ny rahona, ary nahatsinjo
Azy ny fahavalony. Izy no hazo olive sy fanaovan-jiro fahazavana antsika.
Asan’ny Apostoly 1.9-11: Nakarina Izy raha mbola nijery izy ireo ary nisy
rahona nitondra Azy raha mbola nijery izy ireo.
Jesosy = Tenin’ Andriamanitra tonga nofo, nakarina any an-
danitra.
Ny fahavalon’I Kristy dia I Satana, izy no nahita an’I Kristy niakatra
voalaza io.
Rehefa maty I Kristy dia nisy horohoron-tany mafy koa araka io
voalazan’ny Apokalypsy 11.13 etsy ambony io:
Matio 27-51-53: 27.51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly
dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia
nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; 27.52 ary nisokatra ny
fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no
natsangana, 27.53 ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny
nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka
niseho tamin'ny maro.
Nanome voninahitra an’ Andriamanitra araka ny Apokalypsy 11.13 ny
olona sisa tsy matin’ny loza. Efa voalaza amin’ny Matio koa izany:
Matio 27.54: 27.54 Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an' i
Jesosy, raha nahita ny horohoron-tany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia
raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra
io Lehilahy io.
Karazana Sonian’I Jesosy izany io voasoratra eo amin’ny Apokalypsy 11
io, manambara fa Izy no manao ny fanambarana, Izy no Tompon’ny
fanalahidin’ny fiainana, efa velona ka niakatra any an-danitra. Izay rehetra
tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamantira dia hiharan’ny loza satria tsy
394 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tafaverina amin’ny mari-drefy. Ny mari-drefy tokony harahina dia i
Jesosy maty sy nilevina 3 andro 3 alina, ny Sabata, ny tsy fihinanana
biby maloto.
Rehefa tsofina ny trompetra fahafto dia efa manjaka I Kristy.
Apokalypsy 11.19 Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-
danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary
nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra
vaventy.
Ny Apokalypsy 16.17-21 koa dia milaza ny fihavian’ny loza fahafito, ary
ao amin’ny Tempoly sy seza fiandrianana dia manao hoe “VITA:. Nisy
helatra sy feo sy kotrokorana ary horohoron-tany lehibe koa, ary havandra
lehibe.
Apokalypsy 16.17-21: 16.17 Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-
doviany tamin'ny rivotra ; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny
tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe:Vita. 16.18 Dia nisy
helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola
nisy toy izany hatrizay nisian'olona teny ambonin'ny tany, eny tsy mbola
nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. 16.19 Ary ny tànana lehibe dia
vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona
lehibe dia
notsarovana teo anatrehan' Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky
ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany .
16.20 Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita
intsony. 16.21 Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho
amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy* an'
Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra
izany loza izany.
1 talenta = 42 na 43 kilogrammes
395 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Isaky ny vita ny fizarana tsirairay amin’ny Apokalypsy dia naseho ny seza
fiandrianan’ Andriamanitra sy ny olona izay ho very sy ny fitsarana miandry
azy.
Efa lasan’I Kristy ny fanjakana mandrakizay! Haleloia!
FAMINTINANA
Fiangon
ana
voalohany
Fiangon
ana
faharoa
Fiangon
ana
fahatelo
Fiangon
ana
fahaefat
ra
Fiangon
ana
fahadim
y
Fiangon
ana
fahaenin
a
Fiangon
ana
fahafito
Trompet
ra
voalohany
Trompet
ra faharoa
Trompet
ra fahatelo
Trompet
ra
fahaefatra
Trompet
ra fahadimy
Trompet
ra fahaenina
Trompet
ra fahafito
Loza
voalohany
Loza
faharoa
Loza
fahatelo
Loza
fahaefatra
Loza
fahadimy
Loza
fahaenina
Loza
fahafito
Indroa ihany ny teny hoe “VITA !” no miverina ao amin’ny Baiboly. Ny
voalohany dia rehefa nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana I Jesosy
rehefa vitany ny asany tety an-tany; ary ny faharoa dia rehefa vitany koa ny
andraikiny any an-danitra. (Jereo ny toko sy andininy milaza izany.)
1 Jaona 2.1-2: Kristy no mpisolovava ho antsika eo anatrehan’ny Ray.
Tsy misy famindram-po intsony ho an’ny olona tsy mibebaka rehefa
miteny Izy hoe “Vita!”
Eo anelanelan’ny trompetra fahaenina sy fahafito no misy ny fianantsika
amin’izao fotoana izao. Mametaka ny tombo-kase amin’ny handrina sy
tanan’ny mpanompony Andriamanitra amin’izao fotoana izao; ary etsy
andaniny koa dia efa mametaka ny tombo-kase amin’ny handrina sy
396 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tanan’ny mpanompony koa I dragona amin’izao fotoana izao. Ny tombo-kase
dia foto-pampianarana raisina sy ekena satria amin’ny saina no anekena izay
hotompoinao. Koa noho izany, na izany ny olona iray mandray an’I Kristy
Jesosy, na mandray an’I dragona sy bibidia.
Ny fandrefesana ny tempoly dia tsy inona fa ny fahafantarana ny Jesosy
izay tompoinao:
- Jesosy maty zoma nitsangana alahady nilevina 1 andro 2 alina izay tsy
araka ny Soratra Masina ve,
- sa Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro nitsangana Sabata
ary nilevina 3 andro 3 alina ?
Mety ho mivavaka Sabata na Alahady ireo mino an’I Jesosy maty zoma
ireo, nefa ny iraisan’izy ireo dia samy mino an’I Jesosy maty zoma daholo
izy ireo, dia ilay mpamitaka olona maro inoan’ny besinimaro. Raha vao izany
no inoanao sy mbola ifikiranao nefa ianao efa mahalala ny marina
ankehitriny dia mampalahelo ianao satria ianao no ilay mandà ilay zanak’
Andriamanitra, ary mandà koa ny famantarana Azy izay efa nomeny.
Inona ary no fanalahidin’ny fandresena tokony hananantsika
mba hiaro antsika amin’izany havandra vaventy sy horohoron-
tany ary afo sy solifara izany?
Ho hitantsika ao amin’ny pivot de l’ Apocalypse na ny
Apokalypsy toko 12-14 ny momba izany.
APOKALYPSY TOKO FAHA-12
Hevi-dehibe:
PIVOT DE L’APOCALYPSE na ivom-besatry ny boky
Apokalypsy: Apokalypsy toko faha 12-toko faha 14
397 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 12
12.1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy
mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy
satroboninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
12.2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary
fatratra efa hiteraka.
12.3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy
dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema
fito amin'ny lohany.
12.4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny
lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo
anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao
teraka;
12.5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka* ny firenena rehetra
amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any
amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.
12.6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy
fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby
roan-jato amby arivo andro izy.
12.7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay
dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
12.8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-
danitra.
12.9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly
sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy,
ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .
12.10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny
dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny
398 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia
ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
12.11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy
ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty
aza.
12.12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao
aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny
devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny
androny.
12.13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia
nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
12.14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe
hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy
fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho
hitan'ilay menarana izy.
12.15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka,
hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka izy.
12.16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka
nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.
12.17 Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady
tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny
filazana an'i Jesosy.
13.1Ary nitsangana teo ambonin’ny fasiky ny ranomasina izy.
FANAZAVANA:
Mifandray ny Apokalypsy12, 13 sy 14.
399 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy fanazavana preteriste, présent sy histoire continue ny fanazavana ity
Apokalypsy12 ity. Misy zavatra passée, présent ary mbola ho avy eo tamin’
andron’I Jaona izay nandray ity hafatra ity. Ny ankamaroan’ny passée sy
présent tamin’ andron’I Jaona dia efa passé amin’izao androntsika izao, fa
ny zavatra mbola ho avy tamin’ andron’I Jaona kosa dia présent izy
amin’’izao fotoana iainantsika izao. misy zavatra koa mbola ho avy tamin’
andron’I Jaona dia mbola futur koa amin’’izao fotoana izao. koa rehefa
mamaky ny Apokalypsy12 dia mila misaina tsara ny hafatra efa lasa, ny efa
iainantsika amin’’izao fotoana izao, sy izay mbola ho avy. Historire continue
(passé, présent, future) no fomba amakiana ny Apokalypsy 12.
Jaona 8.47: Izay avy amin’’Andriamanitra dia mihaino ny
tenin’Andriamanitra. “
Izay tsy mba avy amin’’Andriamanitra dia tsy mahavita mihaino ity
tenin’Andriamanitra ity, sy izay mino an’I Jesosy maty zoma.
Jaona 5.28-29:
Izay rehetra nandre ny hafatra dia isika mbola velona izao no afaka
manapa-kevitra amin’ fiainam-panahinao, far aha miala ny ainao dia tsy
misy azonao atao intsony momba ny fanahinao fa ho faty amin’ helokao
ihany ianao; ary rehefa tonga ny fitsanganana amin’ maty dia ringana
avokoa izay rehetra tsy mahalala ny marina, voaheloka mandrakizay.
Vovoka sy taolana ny any am-pasana ka tsy afaka manapa-kevitra intsony.
Fitaka fotsiny no hilazana fa rehefa nahavita soa ianao dia ampy hahavonjy
anao izany. Fa miandry fanadinana any tahaka ny besinimaro, vitanao tamin’
fahavelonao ve ny fanoloran-tena, sa tsia? Tsy misy terena io; nefa tsy
maintsy fantatrao kosa io lalana ion a hino ianao na tsia.
Apokalypsy12.1-2:
Fanazavana ny Codes rehetra:
400 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Vehivavy = fiangonana
Mitafy masoandro = Jehovah fahamarinantsika.
Salamo 84.11: Masoandro sy ampinga i Jehovah fahamarinatsika,
fahazavantsika. Fiangonana mitafy ny fahamarinana araka an’I Jehovah
Andriamanitra.
Rehefa miposaka ny masoandro dia ilaina ve ny volana? Ilaina ihany izy
amin’ny alina.
Ny volana teo ambany tongony:
Mandray ny taratry ny masoandro ny volana amin’ny alina ka mazava
matromatroka. Fa rehefa misy masoandro dia tsy hita mihitsy ny hazavan’ny
volana. Tahaka ny jiro electricite sy ny la bougie ny masoandro sy ny
volana.
Ny volana = fanompoam-pivavahana aloka sy tandindona nisy tamin’
Testamenta taloha, ka rehefa tonga ilay fahazavana dia Jehovah, izay
tafian’ny mino an’I Kristy dia tsy ilaina intsony io fanekena taloha io, satria
efa voasolon’ny famonjen’I Kristy. Ao anatin’izany ny fety isankarazany,
famorana, fihinanana mofo tsy misy masirasira, sns.
Volana = tandindon’ny fanekena taloha maneho ireo fety fito sy ny
fanatitra ram-biby
Masoandro = tandindon’ny fanekena vaovao ao ami’I Jesosy Kristy sy ny
ran’ny zanak’ondry.
Ka rehefa tonga ny tena fahazavana dia tsy nilaina intsony ny fivavahana
aloka sy tandindona. (Itsahin’ny tongotra)
Hebreo 10.8-10: 10.8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra
sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny
ota"(dia ireny aterina araka ny lalàna)" no tsy ilainao ary tsy sitrakao," 10.9
401 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao" Manaisotra ny
voalohany izy mba hampitoerany ny faharoa. 10.10 Amin'izany sitrapo izany
no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy
indray mandeha.
Tsy sitrakao ny fanompoam-pivavahana araka ny lalana izay aloka sy
tandindona, ka mampitoetra ny tena fahazavana.
Hebreo 9.15-18: 9.15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena
vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana
natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny
fikasana, dia ny lova mandrakizay. 9.16 Fa raha misy didim-pananana,Na:
fanekenadia teny foana izany, raha tsy efa maty ilay nanao azy. 9.17 Fa
mafy ny didim-pananana,Na: fanekenarehefa tonga ny fahafatesana, fa tsy
mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.9.18 Koa na dia ny
fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. 9.19 Fa
rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny
lalàna, dia nalainy ny ràn-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy
ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka
rehetra;
9.20 dia hoy izy: Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra
anareo (Eks.24.8). 9.21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao
fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. 9.22 Ary saiky
diovina amin'ny ra avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy
misy ra latsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Mpanalalana amin’ fanekena vaovao I Kristy rehefa niaritra
fahafatesana.; mafy ny didim-pananana rehefa maty ilay tompon’ny
fananana. Tsy maintsy Mankato lalana ny zanak’Israely, ireny no
hanamarinana azy. Fa tsy Kristy no manamarina azy na hahazoany
402 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
famonjena, fa ny lalana toy ny Paska sy Pentekosta sy ny sisa. Io no aloka
sy tandindona. Fa rehefa tonga I Kristy dia nofoanana ireny fombam-
pivavahana tandindona ireny.
Misy satro-boninahitra misy kintana 12 isatrohany:
Olona mpandresy izy. Kintana = anjely 12 hitondra sy hitarika ity
fiangonan’Andriamanitra ity.
12 = isan’ny Israely amin’ Testamenta Taloha.
12 = isan’ny Apostoly eo amin’ Testamenta vaovao.
Vehivavy efa hiteraka = efa passée tamin’ andron’I Jaona sy tamin’
andron’I Jesosy
Ny isa 12 dia efa passée satria efa maty ny Apostoly.
Noho izany dia angle mbola ho avy no handraisana ny fanazavana: ny
vehivavy taorian’I Kristy no resahintsika eto amin’’ity verset biblique ity.
Nisy feo mahery nivoaka avy teo amin’ny tempoly sy seza
fiandrianana hoe “VITA” (Apokalypsy 16). Nahoana no teo amin’ny
tempoly sy seza fiandrianan’ Andriamanitra no nivoaka io feo mahery
io?
Rambo = mpaminany mampianatra lainga.
Ny dragona mitady handrapaka ny zanak’ilay vehivavy efa hiteraka. Nefa
ilay zaza tsy maty fa navotana, ary nakarina ho any amin’ Andriamanitra.
Momba ilay bibidia koa: Nahoana koa no misy diadema 7 eo
amin’ny lohan’ny bibidia; ary lasa mikisaka eo amin’ny tandrony ireo
diadema ireo ao amin’ny Apokalypsy toko-13? Nahoana koa àry, araka
ny Apokalypsy 13.3 no tsy misy diadema intsony ny lohan’ilay bibidia
403 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manana loha fito sy tandroka 10 io? Nahoana no tsy hita intsony ny
diadema ao amin’ny Apokalypsy toko-17?
Heviny ara-bakiteny:
Vehivavy mitafy masoandro efa hiteraka, saika nohanin’ny dragona raha
vao teraka.
Tsy maty ilay zaza fa navotana ary nakarina ho any an-danitra any amin’
seza fiandrianana.
Ilay vehivavy dia Maria virjina renin’I Jesosy.
Ny nitondran’I Josefa an’I Maria nandositra tany Egypta, sy ny
nampamonoan’I Heroda ny zazalahy 2 taona midina.
Matio 2.13-18: 2.13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny
Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe : Mifohaza hianao,
ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera
any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
2.14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina,
dia lasa nankany Egypta ; 2.15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i
Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe:
" Nantsoika hiala tany Egypta ny zanako " ( Hos. 11.1) 2.16 Ary nony
fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka
naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina,
izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra araka ny andro izay
nofotorany fatratra tamin'ny Magy.2.17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i
Jeremia mpaminany hoe :
2.18 " Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra
; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra
ireny " ( Jer. 31.15)
404 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Raha vao teraka tokoa I Maria dia nitady fomba I Heroda hamonoana ny
zaza rehetra. Nefa efa voalaza fa hovonjena io zaza io. Ka nisy anjelin’I
Jehovah nampilaza an’I Josefa hitondra azy handositra ho any Egypta. Io
ilay hoe dragona mena nitady handrapaka ny zanany raha vao teraka izy.
Lioka 2.33-34 : efa voatendry hanapaka ny fahavalony amin’ny tehim-by
Izy, na dia famantarana holavina aza Izy. Nolavin’ny olona maro ary mbola
maro koa ankehitriny no mandà ny famantarana an’I Jesosy na dia efa
nolazainy mazava tsara aza izany.
Heviny ara-panoharana :
Vehivavy = fiangonana
Vehivavy mitafy masoandro, izay bevohoka efa hiteraka = fiangonan’ny
zanak’Israely tamin’ny androny izay hiteraka zazalahy. Teraka avy ao
amin’ny fiangonana Israelita I Kristy Jesosy, fa tsy Ismaelita na Egyptiana
Izy.
Efa lasa ny nahaterahan’I Jesosy tamin’ ny andron’I Jaona raha nanoratra
ity boky ity izy.
Heviny:
Vehivavy efa hiteraka mitafy masoandro nandositra nankany an’efitra
hovelomina any 1260 andro = Tsy ilay fiangonana Israeliana intsony, izay
tamin’ny taona 1948 vao nahazo fahaleovan-tena indray. Rava ny firenena
Israeliana, nataon’I Hitlera lany taranaka mihitsy ny Jiosy, ary tsisy mponina
afa-tsy 400,000 fotsiny tamin’ny fahaleovantenany.
Apokalypsy12.6: 12.6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra,
izay nisy fitoerany namboarin' Andriamanitra, mba hovelomina any enim-
polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
405 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fiangonana izany io nandositra io (538 – 1798: nisian’ny fanenjehana
fivavahana). Nahita loza avokoa ny mpivavaka, heretique no filaza azy. Ny
firenena ivelan’I Europa no azon’io fiangonana io nandosirana, satria
nandritra io vanim-potoana io (538 – 1798) dia tany Amerika (tany tsy
nahalala an’Andriamanitra, na Jesosy Kristy, ka karazan’ny hoe tany efitra
amin’ filazantsaran’I Kristy) mba hamonjen’ Andriamanitra azy. Izay no
mahatonga ny firenena Amerika malalaka amin’ fivavahana, tsisy
fanenjehana, ary avy ihany indray no nivoahan’ny fitoriana ny filazantsara,
ary notahian’Andriamanitra io ka lasa 1er puissance mondiale. Saika nipoitra
avy ao Amerika avokoa ny firenena Amerikana. hatramin’ taloha dia tsy
nifandray tamin’ Vatikana ny Amerika. Fa ny taona1985 no nanomboka
nanaraka ny Katolika tao Vatikana ny Amerika. Tany efitra = tany tsy
mahalala an’ Andriamanitra, tsy mahalala ny Soratra Masina. Tany no
nandehanan’ilay vehivavy bevohoka nandositra efa hiteraka ny zanany.
Maneho ny firenena Amerika izy io, izay toerana nandehanan’ny mpanavao
fivavahana nandositra noho ny fanenjehana Kristiana (538-1798).
406 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
IVOM-BESATRY NY BOKY APOKALYPSY
na PIVOT DE L’APOCALYPSE
Miditra amin’ pivot de l’Apocalypse isika. Ambara fa I Jesosy Kristy dia tsy
misaraka amin’ny fiangonana ; ary ao koa ny devoly izay tsy miala mihitsy
fa mitady handrapaka azy tahaka ny liona.
Filazana ilay ady tany an-danitra, sy ny nanjerana ilay dragona
tamin’ny tany:
Apokalypsy12.7-12: 12.7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny
anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa
dia niady, 12.8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony
tany an-danitra. 12.9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay
atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera
tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .12.10 Dia
nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny
famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny
Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay
miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. 12.11 Ary
izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny
filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.
12.12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy.
Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady
manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.
Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ny dragona.
407 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mikaela = iza no tahaka an’Andriamanitra. Kristy io Mikaela io,
izay miaraka amin’ny anjeliny.
Inona no fototry ny ady tany an-danitra?
Isaia 14.12-15: 12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay
fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry
ilay mpandripaka firenena.
13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary
ambonin'ny kintan' Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako;
Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny
Avo Indrindra;
15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-
vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
Latsaka avy tany an-danitra ilay Satana (Losifera), ilay anjely tsara
indrindra tany an-danitra, lohan’ny anjely taloha izay tsara indrindra. Nikasa
hiakatra ho ambonin’ny haavon’ny rahona ka ho tahaka an’Andriamanitra
izy. Kanjo nampidinina hatrany amin’ faran’ny tany izy. Coup d’état na
fanonganam-panjakana mihitsy izany no nokasain’I Satana natao. Mitovitovy
amin’izay ihany ny voalazan’I Ezekiela:
Ezekiela 28.13-19: 13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato
soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa,
ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny
volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao
aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]
408 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao;
Tao an-tendrombohitra masin' Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato
mirehitra no nitsangantsangananao.
15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro
namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoinao loza tao
aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny
tendrombohitr' Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima
manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.
17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny
fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao
sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia
voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao
aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany
ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga
fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
Tany Edena sahan’Andriamanitra I Satana taloha, feno vatosoa, kerobima
voahosotra izy (anjely voahosotra). Niavonavona izy noho ny fahatsaran-
tarehiny, ary nanao varotra faharatsiana feno heloka.
Tsy nisy tsiny izy taloha ary tsy nanan-keloka nefa niavonavona izy ary
nitady hitovy amin’Andriamanitra. Nisy fiampangana lainga nataony tao, ary
ireo anjely voafitaka dia nanaiky izany lainga niampangany ny olon’
Andriamanitra andro aman’alina izay. Izany no antony nahatonga ny ady
tany an-danitra. Tsy misy ataon’ireo olona taranaky dragona ireo koa afa-tsy
ny miampanga lainga ny mpanompon’ Andriamanitra koa ankehitriny. Izany
409 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
no aenjehany mafy sy iampangany lainga antsika izay mitory an’I Jesosy
maty 3 andro 3 alina.
Devoly avokoa izany no ao ambadik’ireny avonavona sy
fanonganam-panjakana. Hatrany amin’ fiangonana sy ny firenena ireny
fanonganana ireny. Avonavona no antony nahatonga an’io. misy koa ny
mpivavaka miavonavom-panahy, satria te hihoatra izay mpitarika eo izy, te
hanongam-panjakana izy. Izay no nahatonga ilay ady tany an-danitra, ary
nazera tety an-tany ilay Satana sy ny anjely mpikomy niaraka taminy.
Jaona 8.44-46: 8.44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay
sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny
taloha, ary tsy nitoetra tamin'Na: [mitoetra amin'] ny marina, satria tsy
misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria
mpandainga izy sady rain'ny lainga. 8.45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia
tsy inoanareo. 8.46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha
ny marina no lazaiko, nahoana hianareo no tsy mino Ahy? 8.47 Izay avy
amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy
ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andrimanitra hianareo.
Tsy menatra ny mandainga ny devoly sy ny mpanara-dia azy rehetra
ireo. Aryy maro no voafitany amin’izany. Tsy zakan’izy ireo mihitsy ny
mandre momba an’I Jesosy maty araka ny Soratra Masina 3 andro 3 alina;
ka miteny ratsy sy manenjika an’I Pastera Mailhol. Nefa tsy mahagaga izany
satria efa voasoratra anaty Soratra Masina fa Apostoly sandoka izy ireny,
mpanompon’I Satana sy dragona, mivavaka amin’I Jesosy kristy sandoka
maty zoma tsy nitoetra 3 andro 3 alina tao am-pasana.
2 Kor 11.13-15: 11.13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka,
ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. 11.14 Ary tsy
mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny
410 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anjelin'ny mazava. 11.15 Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny
mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny
mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
Andriamanitra mihitsy no mampiditra fahadisoan-kevitra amin’ireo izay
mihaino sy mamaky mandrakariva ity fampianarana ity nefa tsy mety mino,
tsy mety mihaino, fa manenjika sy manaratsy hatrany. Ilay devoly ao antiny
mihitsy no tsy mahazaka ny fahamarinana satria fanahy mamitaka,
mpandainga ary mikomy amin’ Andriamanitra. Nefa matoa mbola mihaino sy
mamaky ity isika dia famindrampon’ Andriamanitra amintsika izany.
2 Tes 2.8-12: 2.8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay
holevon'i Jesosy Tompo (*) amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany
amin'ny fisehoan'ny fihaviany; 2.9 ny fihavian'ilehiny dia araka ny fiàsan'i
Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga
rehetra 2.10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho
very, satria tsy nandray ny fitiavana ny
fahamarinana izay hamonjena azy izy. 2.11 Koa izany no
ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny
lainga, 2.12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa
nankasitraka ny tsy marina.
Mpandika lalana izy ireo, ary haseho ihany izy amin’ny farany ka
holevonin’I Jesosy Tompo amin’ny fofon’ain’ny vavany ireo Apostoly sandoka
sy mpaminany sandoka ireo ary ny mpananra-dia azy.
Apokalypsy 12.11-12: 12.11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny
ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy
intsony izy, na dia ho faty aza.12.12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy
hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina! Fa
411 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria
fantany fa kely sisa ny androny.
Ny ràn’ny zanak’ondry irery ihany no entina mandresy ity devoly sy
satana ary mpamitaka io. Rehefa mivavaka isika dia antsoy mihitsy ny
ràn’ny zanak’ondry amin’ny anaran’I Jesosy maty telo andro sy telo alina io,
io no handroahana ny fanahy ratsy rehetra hiala amintsika, mandevona ireo
fanahy mamatotra rehetra ny ran’ny zanak’ondry. Ny ran’ny zanak’ondry no
entiko mandoro sy mandevona ary mandroaka ny fanahy ratsy sy fanahy
mamitaka rehetra amintsika sy ny tokantranontsika ary ny ankohonantsika.
Rakofako amin’ny ran’ny zanak’ondry ianao, ny ankohonanao, ny
tokantranonao, sy izay rehetra momba anao, ary tsy hana-kery sy fahefana
hamitaka sy hamatotra anao intsony io devoly sy satana sy dragona io
manomboka anio. Amin’ny anaran’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro, nilevina teloa ndro sy telo alina, ary nitsangana tamin’ny maty
tamin’ny andro fahatelo ka niakatra any an-danitra. Mpandresy ianao
amin’ny anaran’I Jesosy . Haleloia! Amena!
FILAZANA SAMIHAFA MOMBA NY BIBIDIA SY NY FANJAKANY:
Apokalypsy12.3-6
Ny codes samihafa:
Dragona mena lehibe = menarana ela, devoly sy satana. (dragon
rouge)
Mena (lokon’ilay dragona) = rà mandriaka
Ny rambony manala ny 1/3 kintana tamin’ lanitra sady nanjera azy tety
an-tany:
412 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rambo = mpampianatra mampianatra lainga, mpaminany
sandoka.
Kintana = anjely ratsy, naman’I Satana
Manandoha fito = fahafenoana
Manan-tandroka 10 = isa fahafenoana
Diadema fito eo amin’ lohany = fahafenoana, = misy fahefana miasa ao
izany.
Ny ampahatelon’ny anjely no voafitak’ity Rambo tany an-danitra ity, ka
ny 1/3 anjely tany an-danitra no nanaraka azy.
Ny Apokalypsy toko 17 dia manambara nyzava-misy amin’’izao vanim-
potoana iainantsika izao.
Apokalypsy 16.17: Naninona no teo amin’ tempoly sy seza fiandrianana
no nivoaka ny teny hoe VITA?
Lioka 2.33-34: Zaza ho fandavoana ny maro ary ho famantarana holavina
no nilazan’ny mpaminany Zakaria an’I Jesosy. Manambara zavatra efa lasa
na passée koa io tamin’ andron’I Jaona. Maro no manda ny famantarana 3
andro sy 3 alina an’i Jesosy amin’izao fotoana izao, ka mifikitra kosa amin’i
jesosy maty zoma tsy nilevina araka ny Soratra Masina.
Ny Sonia mipetraka amin’ Fizarana fahaefatra amin’ Bokin’ny Apokalypsy:
Krsity mihitsy no manao Sonia.
Ny diadema eo amin’ny lohan’ilay dragona.
Apokalypsy13.1:
Bibidia manana diadema 10 Lasa 10 ny diadema ary eo amin’ tandrony
no misy azy.
413 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy17.10:
Bibidia manan-doha 7 sy tandroka 10:
Inona no code secret manazava izany? Nankaiza ilay diadema? Naninona
no nikisaka ilay diadema? Naninona no tsy hita intsony ilay diadema eo
amin’ Apokalypsy17
Diadema 7 mipetraka amin’ lohany dragona = hatramin’ nahaterahan’ilay
zaza ka hatramin’ nandosirany tany an’efitra dia vanim-potoan’ny Empire
Romana izay nanomboka hatramin’ bibidia 4 tamin’ andron’i Daniela: (Jereo
ny lesona teo aloha: Daniela 7)
- Liona (loha volamena 1)
- Bera (loha 1):
- Leoparda (loha 4):
- Biby mahatsiravina (1)
Ny diadema eo amin’ny loha fiton’ny dragona dia vanim-
potoanan’ny ampira Romanina: liona loha 1, leopard 4, bera loha 1,
biby mahatsiravina loha 1 sy tandroka 4, (tontaliny = loha 7), araka
ny bokin’ny Daniela 7 efa hitantsika tamin’ny lesona teo aloha. Ny
fanjakana no manana fahefana amin’ilay fiangonana.
Rehefa lasa amin’ny tandroka 10 ny diadema dia efa niparitaka
ny ampira Romanina, efa misy fanjakana hafa nandray ny fahefana.
Ary rehefa avy eo dia tsy misy diadema intsony ny lohan’ilay
bibidia. (Apokalypsy 17). Mijangajanga ilay vehivavy: Ny fiangonana
indray no mibaiko ny fanjakana ary tsy ny emperora intsony no
mitondra fanjakana ka tsy manana fahefana amin’ny fanjakana intsony
ny emperora, fa ny prezidà mpitondra fanjakana fidiam-bahoaka
414 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
indray no mitondra, ary ny prezida dia tsy mba manana diadema. Io
no ilay vehivavy mitaingina bibidia.
Kely sis any andron’ilay dragona ary manana fahatezerana lehibe
izy:
Ny andro iray amin’ Andriamanitra dia 1000 taona amintsika olombelona.
2 Petera 2.8, Salamo 90.4
Mahavita arivo taona isika olombelona, dia iray andro amin’
ANdriamantira izay. Enina andro no namoronany izao totnolo izao. ny andro
fahafito izy nitsahatra.
Andro 24 ora ve ny namoronan’ Andriamnitra sa 1000 taona?
Raha 6 andro no voasoratra ho namoronan’ Andriamanitra izao tontolo
izao dia 6000 taona amintsika olombelona izany no naharetan’ny
famoronana .
1000 taona (na 1 andro amin’ Andriamanitra) no nitsaharan’
Andriamantira rehefa vita ny famoronana.
Izao no hafatr’I Jehovah tamin’i Adama sy Eva raha namorona azy Izy:
Gen 2.16-17: 16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka
nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;17
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny
andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao
Io andro voalaza io ve 24 ora sa 1000 taona?
Kely sisa ny andron’ny devoly. Fetsy sady mpamitaka hatrany am-
boalohany ny devoly sy Satana. Jereo anie ny namitahany an’I Adama sy
Eva e. lazainy fa mpandainga Andriamanitra. Ny nanotan’I Adama sy Eva:
Genesisy 3.1-7: 1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra
izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky!
415 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny
saha?2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny
saha dia azonay ihinanana ihany; 3 fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha
kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo
izany, fandrao maty hianareo. 4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy:
Tsy ho faty tsy akory hianareo; 5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay
andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka
an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-
dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary
hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka
nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy. 7 Dia nahiratra
ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy
izy, ka nataony sikina ho azy.
Tsy maty teo no ho eo (24 ora) I Adama sy Eva. Nihiratra ny masony fa
930 taona izy vao maty tamin’ilay andro amin’ Andriamanitra izany no
nahafatesany. Nefa I devoly dia nandainga nanao hoe tsy ho faty tsy akory
ianareo. (Genesisy 5.5)
Metosela no lava andro niainana indrindra. (Genesisy 5.23)
Adama – Mosesy = 2000 taona
Mosesy – Kristy = 2000 taona
Kristy – vanim-potoana ankehitriny = 2000 taona
Tontaliny = 6000 taona
Ny andro fahafito dia mitsahatra Andriamanitra. Io ilay 1000 taona
hiarahan’I Kristy manjaka amin’ny olony izay voalaza ao amin’ny
Apokalypsy. Ny andro fahafito farany dia efa akaiky: Apokalypsy 20.4-6
416 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tezitra be mihitsy ny devoly satria fantany fa kely sisa ny androny, ary
miezaka mamitaka olona maro ihany izy mba ho very ireny.
Izay rehetra miankohoka amin’I bibidia sy ny sariny na mandray ny
marika 666 sy nanompo azy dia tsy hiara-manjaka amin’I kristy 1000 taona
ao Jerosalema vaovao mihitsy. Izany no maharombotra ny devoly satria kely
sisa ny androny.
Apokalypsy 12.13-14: 12.13 Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera
tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
12.14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe
hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy
fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho
hitan'ilay menarana izy. 12.15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny
vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka izy.
12.16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina
ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany. 12.17 Dia tezitra
tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa,
izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy.
Kristy sy ny mpianany indray izao no henjehina satria tamin’ny andron’I
Jaona dia efa nenjehina I Maria renin’I Jesosy saika novonoin’I Heroda. Nefa
nafenin’ Andriamanitra tany Izy ka tsy hitany.
Ny Apokalypsy 12.14 kosa dia manambara faminaniana ho avy tamin’ny
andron’I Jaona. Ny tany efitra dia ny any izay tsy nisy ny fiangonan’I bibidia.
Tany Amerika ihany no firenena nandosiran’ny mpivavaka Kristiana tamin’ny
538-1798 (1260 andro).
Apokalypsy 12.15: rano toy ny riaka: ny vehivavy nijoro tamin’ny
fahamarinana dia nandefasan’I bibidia vahoaka maro indray mba tsy
hanavao fivavahan intsony fa hampiditra fomba hafa tsy araka ny Soratra
Masina amin’ny fisoronana.
417 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mbola vitsy ny mpanara-dia ny mpanavao fivavahana tamin’izany fotoana
izany (538-1798). Nisy famonjena nataon’ ANdriamanitra nanavotana azy
ireo raha nenjehina izy ireo. Nivava ny tany ka namonjy azy ireo. Nifindra
monina tany Amerika izy ireo ary tany no nanohizany ny fanompoana an’
Andriamanitra. Tsy mahagaga raha mivelatra sy mahazo vahana tokoa ny
fivavahana any Amerika. Any Amerika dia samy matanjaka be avokoa ny
Sekta sy Protestanta, Batista, Bahi, Temoins, Pantekotista, Advantista.
Saingy ny ampahan’ny fanavaozana fivavahana anefa no vitan’izy ireo dia
tsy nanohy intsony ireo mpanara-dia taty aoriana.
Apoka 12.17: Ny zanaka sisa dia izay mitandrina ny didin’ ANdriamanitra
sy ny filazana an’I jesosy.
Apokalypsy 3.2 3.2 Miambena,* ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay
saiky maty; fa tsy nisy hitako* tanteraka ny asanao eo
anatrehan'Andriamanitro. 3.3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny
nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina*
hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao
izay ora hihaviako aminao. 3.4 Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty
Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy
lamba fotsy ireo, satria miendrika izy.
Ny fahazavana saika maty dia tano tsara. Tsy nisy tanteraka ny asanao:
tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fanavaozana fivavahana ho araka ny
fahamarinana.
Tsy nanenjika ireo mpanara-dia ny mpanavao fivavahana intsony I devoly
taty aoriana satria tsy tanteraka ny asany; fa ny zanaka sisa indray no
enjehiny sy iadiany.
Ny filazana an’I Jesosy no fanahin’ny faminaniana.
Inona io boky milaza ny fanahin’ny faminaniana io?
418 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Lioka 24.44-46:
Ny filazana an’iJesosy dia ny boky mpaminany sy lalan’I Mosesy ary ny
Salamo, izay rehetra nanoratana an’I Jesosy.
Ny zanaka sisa dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny
filazana an’I Jesosy. Atao hoe “olona masina” ny zanaka sisa araka
nyApokalypsy 14.12
Inona moa izany filazana an’I jesosy izany?
Ny famantarana momba ny nahafatesany sy ny nitsanganany izany: Maty
3 andro 3 alina Izy.
Inona no didy tandremana? Ny didy famantaran’I Jehovah ny olony io
dia ny Sabata izany.
Tsy boky soratanan’ny olombelona no fanahin’ny faminaniana, fa ny
Baiboly ihany no fanahin’ny faminaniana, dia ny lalan’I Mosesy, Salamo ary
ny mpaminany.
Famintinana
Zanaka sisa = mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny filazana
an'i Jesosy. Apokalypsy 14.12
Inona ny fototry ny ady?
Apok 16.13-14:
Dragona, bibidia, mpaminany sandoka no hery miaraka miady amin'
Andriamanitra, Kristy, Fanahy Masina sy ny zanaka sisa mpanara-dia
an'Andriamanitra.
419 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Andro lehiben'Andriamanitra no fototry ny ady. Io andro lehibe io dia ny
andro Sabata izay tsy eken'ny maro hohamasinina fa mifikitra amin'ny andro
alahady izy ireo.
Ary ao koa ny filazana an'i Jesosy: ny zanaka sisa dia mivavaka amin'i
Jesosy maty telo andro sy telo alina ka mivavaka Sabata. Ireo fiangonana
hafa kosa etsy andaniny dia mino an'i Jesosy maty zoma nitsangana alahady
tsy nitoetra telo andro telo alina tao am-pasana. Manenjika ny zanaka sisa
izy ireo.
Ireo antoko roa ireo no mifanandrina, ary izany no fototry ny adin'ilay
andro lehiben' Andriamanitra.
Na dia misy koa aza fiangonana mivavaka sabata nefa mitandrina ny
filazana an'i Jesosy maty zoma mitsangana alahady dia mitovy Tompo ihany
amin'ireo mpivavaka Alahady satria Jesosy iray ihany no inoany sy
tompoiny. Ary ireo dia samy manohitra ny filazana an'i Jesosy maty telo
andro telo alina.
Mpaminanay sandoka dia izay rehetra manaraka ny fampianaran'i bibidia
nefa milaza fa tsy manaiky azy. Manohitra an'i bibidia izy, milaza fa very
daholo izay manompo azy, nefa ny foto-pampianaran'i bibidia ihany no
ekeny sy arahiny dia ny alahady sy ny Jesosy maty zoma mitsangana
alahady ihany. Misy koa ireo miseho mampianatra teny Grika, Hebreo, sy hy
sisa, ary milaza fa ny fivavahany no fototra ka hany marina. Mitady hamono
olona izy ireny milaza fa tsy izy avokoa izay fivavahana ankoatry ny azy ary
manao fandrahonana famonoana izy ireny ary misy koa ireo antokom-
pivavahana hafa izay milaza fa rava ny didy folo. Mivavaka ho azy ireny isika
satria tsy fantany izay ataony.
420 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Andeha isika hisaotra an’ Andriamanitra amin’izay rehetra nomeny
antsika sy noho ny famindrampony amintsika isanandro.
APOKALYPSY TOKO FAHA-13
FANAZAVANA NY 666
13.1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.
Ary hitako fa, indro, nisy bibidia niakatra avy tamin'ny ranomasina,
nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema
folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.*
13.2 Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny
tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona, ary
ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana
lehibe.
13.3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa
sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra
nanaraka ilay bibidia.
13.4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no
nanome ny fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibidia
koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady
aminy?
13.5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-
dratsy* izy, ary nomena fahefana mba hiasa* roa amby efa-polo volana.
421 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
13.6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an' Andriamanitra izy dia ny
hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-
danitra.
13.7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary
nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa
fiteny ary ny firenena rehetra izy.
13.8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny
tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo
amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny
nanorenana izao tontolo izao.
13.9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
13.10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina (f) kosa izy; ary raha misy
mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa
izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.
13.11 Ary hitako fa, indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin'ny
tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny
tahaka ny dragona.
13.12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany dia asehony
eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka
eo anoloan'ilay bibidia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky
nahafaty azy.
13.13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any
an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
422 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
13.14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny
famantarana izay nomena azy hatao eo imason'ny bibidia, sady milaza
amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibidia,
izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
13.15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba hahateny ny
sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo
anoloan'ny sarin'ny bibidia.
13.16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena
na ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika
eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa,
13.17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny
marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.
13.18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny
bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no
isany.
FFFAAANNNAAAZZZAAAVVVAAANNNAAA:
Hosea 4.6: Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana.
Ny bibidia voalohany dia avy tamin'ny ranomasina
Ny faharoa dia avy taminy tany, manana tandroka 2 tahaka ny zanak
ondry fa miteny tahaka ny dragona.
Ny fahefana rehetra nananany bibidia voalohany dia eo anatrehany, ary
ny tany sy izay rehetra eo aminy na ekominia, dia tereny hiankohoka eo
aminy bibidia voalohany.
423 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apok.13.1-3
Bibidia faharoa ity. Niakatra avy tamin' ranomasina, tandroka 10 sy loha
7, diadema, ary misy fitenenan-dratsy.
Bibidia efa hitan'I Daniela 2, 7, 8 io voalazan'ny Apok.13 io. Bibidia
manan-doha tahaka ny Liona 1, bera1 , leoparda 4, bibidia manana tandroka
10 manan-doha 1. Ireo ihany no fahitana hitan'I Daniela.
Ranomasina = vahoaka na firenena.
Ny herin'ireo biby efatra ireo no mitambatra ho hery iray aty amin'
APok.13 raha resaka puissance na trone.
Misy diadema 10 amin' lohany = amin' fanjakana empire efa rava, ary ny
Eurpoeen koa dia tafis=ditra ao. Ny heriny anefa tsy avy amin' tenany.
Daniela 8.24: Be ny heriny nefa tsy avy amin' herin'ny tenany,
Apok.13: milaza fa ny dragona no nanome ny heriny ary tena fahefana /
fanjakana lehibe io. Grand pouvoir, grande puissance.
Nisy feriny saika nahafaty azy: tamin' 1798 no saika nahafaty azy ny
feriny; nefa tamin' taona 1929 no sitrana izy, ary tsy mitsaha-mitombo ny
firenena manaraka an'io bibidia io. Fanjakana ara-pivavahana sady ara-
politika izy ity.
Izay rehetra tsy mety miankohoka eo anatrehany bibidia voalohany dia
hampamono izany ny bibidia faharoa. Ny olona rehetra dia tsy maintsy
manana marika isany anarany 666 aminy handriny sy tanany ankavanana.
Mbola faminaniana io taminy andron'i Jaona, ary efa misy ampahany efa
tanteraka ary mbola misy ho avy.
424 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanjakana aminy tany = tsy napetraky ny vahoaka na nofidiany ny
fanjakana, fa napetraka teo avy hatrany. Ilay firenena amerikana amin izao
dia ireo vahoaka lasa nanorim-ponenana tany nandositra ny fanenjehana
nandritra ny 1260 andro no nahatonga ny fanjakana amerikana. Ireo
vahoaka nandeha nanori-ponenana tany dia efa nomanin' Andriamanitra,
mba hahatanteraka ny faminaniana. Tsy mba vokatry ny ady no nipoirany.
Manana tandroka roa tahaka ny zanak'ondry izy = misy fahefana roa
mitambatra, dia ny fahefana ara pivavahana, ary ny iray dia ara politika.
Mety politikan'ny fitantanana ara-toekarena io, na fiandrianam-pirenena na
fampandrosoana, sy ny sisa rehetra. Hahafahany mampiasa ny heriny
eran'izao tontolo izao izy noho izany, ary tsy misy firenena hafa mahafeno io
fepetra io ny firenena eran-tany afa-tsy Amerika. Manana fahalemem-
panahy izy tahaka ny zanak'ondry fa rehefa mihetsika izy amin'ny fahefany
dia miseho amin'ny endrika dragona. Rehefa mikitikitika ny tombontsoany
dia ampiasainy ny heriny sy fahefany.
Ny firenena anglisy dia tafiditra anatiny tandroka 10, ka noho izany dia
tsy angletera io tandroka iray io. Ity bibidia faharoa io no hanery ny olona
hiankohoka eo anatrehan'ilay bibidia voalohany. Mbola tsy hay fantarina sy
vinaniana izany tany aloha tany ka ohatry ny nofinofy. Nefa kosa ankehitriny
dia efa fantatra mazava fa manambara ny firenena amerikana ny bibidia
faharoa ary vatikana kosa ilay bibidia voalohany.
Niankohoka eo anatrehan'ny bibidia ny olona rehetra na ekominia. Hiady
amin' olona masina izy ka haharesy azy. Ny fiankohofana io, rehefa mino
Jesosy sandoka ny olona dia mino sy miankohoka eo anatrehan'io. Foto-
pampianaran'I bibidia io. Manome voninahitra an'I dragona nanome io
fahefana io izay miankohoka anoloan'I maty zoma.
425 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 13.13. Hanao famantarana lehibe izy ary hampidina afo avy
any an-danitra. Ny afo io dia manambara baomba atomika samihafa.
Misy fitaka hataony amin'ny mponina ambonin'ny tany na ekominia dia
ireo izay tsy manana ny anarany voasoratra anatiny bokin'ny fiainana.
Hampanao sary ny bibidia izy. Tsy inina io fa ny foto-pampianarana Jesosy
maty zoma sy alahady. Satria tsy manaiky ny Sabata sy ny zanak'ondry izy
ireo. Nefa efa voasoratra anaty Soratra Masina ny fiankohofanaa andro
Sabata:
Isaia 26.23. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata dia ho avy .
sarin'i bibidia = fanovana tanteraka ny lalam-pamonjena sy ny
fiankohofanaa amin' Andriamanitra, ho amin' I Jesosy maty zoma sy
alahady.
Ary navela hanisy aina ny sarin'i bibidia izy = miaro ny foto-
pampianaran'i bibidia manome porofo sy toko sy andininy manamarina fa
maty zoma I Jesosy ary nitsangana alahady. Ay rehefa misy manaraka izany
dia izay no atao hoe manome aina ny sarin'i bibidia.
Hampamono izay rehetra tsy mety kiankohoka aminy= tsy hoe kisy biby
miseho eo dia miankohoka eo anatrehany ianao, fa ny sainao no manaiky
ilay fampianarana ary manaraka izany. Mipetaka aminy ilay marika rehefa
manaraka izany izy.
Hampamono izay tsy mety miankohoka eo anatrehany izy : ohatra hoe
satria ianao mivavaka sabata fa tsy alahady dia tsy mahazo asa. Efa
famonoana izany satria rehefa tsy miasa ianao dia tsy maintsy ho fsty satria
tsy misy hanina.
426 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izay tsy mety mandray ny fampianaran'ny bibidia voalohany ka tsy mety
miankohoka eo anoloan'ny sariny dia hovonoina: hampamono azy ilay
bibidia faharoa.
Fanjakana kely 4ha no misy azy, ary manana ny politikany izy, ny volany,
ny fanjakany, …
Sarin-teny:
Bibidia = fanjakana
Tandroka = filoham-pirenena.
Iza no tahaka ny bibidia? Na ny Arabo, na Sovietika, Communiste, sns,
dia miankohoka eo anoloan'I bibidia (Vatikana).
Blaspheme ataon'I bibidia: Mitovy amin''A/tra izy, solon'A/tra sy
zanak'A/tra eto an-tany, tsy mety diso.
Mandray andraikitra mihitsy ny fanjakana rehefa hitsidika firenena iray ny
filohan'ny bibidia. Manaiky ny fahefany daholo ny rehetra, ary miankohoka
eo anoloany ny olona rehetra ambonin'ny tany (Eoccuminee, eoccuminisme).
Tsy ny Katolika ihany no manome voninahitra ny Papan'ny Katolika fan a ny
hafa fivavahana aza. Manaiky ny heviny sy ny fahefany ny rehetra. Zavatra
efa niainantsika izany. Izay rehetra tsy manana ny anarany voasoratra eo
amin' bokin'ny Zanakondry no miankohoka eo anatrehan'I bibidia sy ny
sariny.
Apok.20.15: ary raha misy tsy hita anatin'ny bokin'ny fiainana dia hatsipy
anaty farihy mirehitra afo izy.
427 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Efa vita ny didim-pitsarana an'ireo: farihy mirehitra afo sy solifara. Fa
izay rehetra miala amin' fahefan'ny bibidia kosa dia ho voavonjy.
Ahoana no ahalalana fa voavono hatramin' nanorenana izao tontolo izao I
Kristy?
Rehefa nanota I Adama sy Eva dia nisy bidy novonoina tao mba
hahazahoana hodi-biby atao fitafiany. Ary hatramin' izany dia tsy maintsy
mitondra biby avokoa na zana-kondry izay nanota mba hahazo famelan-
keloka. Tandindon'I Jesosy Kristy ireny biby natao fanatitra ireny. Rehefa
tonga I Kristy dia tsy mila nitondra biby intsony vao mahazo famelan-keloka.
Hiankohoka eo anatrehan'I bibidia izay rehetra tsy manana ny anarany
voasoratra eo amin' bokin'ny fiainana.
Apok.13.10: Raha misy mamabo dia hobaboina koa izy, raha misy
mamely amin' sabatra dia hovonoina koa izy. Izay manozona dia hozonina.
Tsy azo atao ny manompa ny mpanompon'A/tra satria hivaly aminao ihany
izany ary loza no hiafaran'izany. Mibebaha malaky raha tsy te hahita loza
izay mihirim-belona manenjika ny mpanompon'A/tra nirahiny hanambara ny
marina.
Ny tsy fahalalana Soratra Masina dia hitondra fandringanana ho an'ny
olona satria tsy fantany izay ataony, miankohoka eo anoloan'I bibidia sy ny
sariny.
Hosea 4.6: "Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana; satria
ianao efa nanda ny fahalalana dia mba holaviko koa tsy ho mpisoroko
intsony."
428 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Misy manova radio na mamono tele raha vao mahare ny fampianarana
mandeha. Tsy hoe miankohoka ara-bakiteny amin' bibidia akory izany ny
olona, fa fanjakana iray io bibidia io, Vatikana.
Apok.13.11-18:
Ny momba ny bibidia faharoa miakatra amin' tany, tandroka roa, tahaka
ny an'ny zanak'ondry, sady miteny tahaka ny dragona.
Fahefana rehetra ananan'ny bibidia voalohany dia ananany, ary ny tany
sy ny mponina rehetra ao dia hotereny hiankohoka anoloan'ny bibidia
voalohany izay nisy fery saika nahafaty azy iny. Hanao fahagagana lehibe
mamitaka ny mponina ambonin'ny tany izy. Sady manery hanao sarin'ny
bibidia izay saika matin'ny sabatra nefa velona indray. Hampanao ny sarin'I
bibidia voalohany io bibidia 2e io. Hampamono izay rehetra tsy mety
miankohoka eo anatrehan'ny sarin'I bibidia I bibidia faharoa. Ary
hampandray marika ny olona rehetra izy dia eo amin' handriny sy ny tanany
ankavanana, mba tsy hisy hahazo hivarotra na hividy izay rehetra tsy
manana io marika 666 io.
Iza io bibidia faharoa io?
Tsy mba avy tamin' ranomasina izy fa avy tamin' tany.
Raha avy tamin' ranomasina izy = avy tamin' vahoaka, voafidim-
bahoaka.
Avy tamin' tany izy = tonga dia nipetraka teo fotsiny izy.
Amerika = vehivahy nandositra tany an'efitra. Fanjakana tsy mba hoe
vahoaka no nametraka azy teo, fa vahoaka nandositra avy tany Eoropa
429 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nandritra ny 1260 taona no nahatonga ny fanjakana. Tahaka ny hazo iray
mitsimoka izy ary mitombo haingana dia haingana tokoa. Nofidian'A/tra izy
mba hahatanteraka ny faminaniana. Vahoaka nipetraka fotsiny teo avy
tamin' tany efitra I Amerika.
Manana tandroka roa tahaka ny an'I zanakondry izy = malemy fanahy,
tsy maneho hery setra.
Zanak’ondry = biby vonoina isaky ny Paska hanala fahotana. Biby
malemy fanahy ny zanakondry, manetry tena, tsy miteny betsaka.
Io toetrany io no tahafin'I bibidia faharoa.
Tandroka 2 = fahefana 2 = fahefana ara-pivavahana + fahefana ara-
politika.
Ireo no hahafahany mampiasa ny heriny eran'izao tontolo izao:
economie, developpement, …
Tsy mitombina raha hoe Anglisy ny tandroka faharoa, satria efa tafiditra
tamin' tandroka 10 an'I bibidia voalohany izy.
Ny fahefana ara-pivavahana ananan'ny fanjakana voalohany dia aseho eo
anatrehany ary hanery ny olona hiankohoka eo anoloan'ny fanjakana
Vatikana izy io. Tamin' taona 1980 dia mbola toy ny nofy izany, nefa efa
mihatanteraka io faminaniana io ankehitriny.
Maro ny teolojiana manam-pahaizana nandinika milaza fa Amerika irery
ihany no mahafeno ny fepetra voalaza momba an'I bibidia faharoa. Miseho
amin' endrika fitiavana sy hamoram-panahy, nefa miseho amin' endrika
maha-dragona azy tsy azo kitikitihana, manana hery sy fahefana lehibe izy.
Ny eocumine dia hotereny hiankohoka anoloan'I bibidia voalohany. Hanao
famantarana lehibe izy ka hampidina afo amin' tany. Tsy mbola nisy bomba
430 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
atomika na afomanga tamin' andron'I Jaona, n any helicopter na hydravion
dia mbola tsy nisy ka izay fahitany ny fahitana no lazainy. Hanao sary ny
fanjakan'I Vatikana izy = ny fotom-pampianarany mifototra amin' Kristy
maty zoma nitsangana andro alahady, ary ny andro alahady andro
hivavahany. Io no sarin'I bibidia voalohany.
Isaia 66.23: isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata dia ho avy ny nofo
rehetra hiankohoka eo anoloan'I Jehovah.
Rehefa tonga koa ny alahady dia tonga ny olona rehetra hiankohoka eo
anatrehan'I bibidia voalohany. Hanao ny sarin'I bibidia voalohany izy =
hazavainy an-tsary mazava ny nahafatesan'I Jesosy maty zoma nitsangana
alahady.
Havela hanisy aina io sary io izy = homena aina io fampianarana
io.
Rehefa manaraka ny voalazan’ny fampianaran’I bibidia momba ny
famitahana ataony dia izany no atao hoe manome aina ny sarin’I bibidia.
Tsy avy tany Amerika no nihavian'io fot-pamianarana io voalohany fa
tany Eoropa. Harovany amin' fomba rehetra io foto-pampianarana io. Izay
rehetra manome porofo sy toko sy andininy manohana io maty zoma
nitsangana alahady io = manome aina io foto-pampianarana io.
Izay rehetra tsy manaiky ioi fampianarany io dia hovonoiny. Efa miha-
tanteraka io faminaniana io.
Apok13.16:
431 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tsy ny isa 666 akory no asiana soratra, fa ny handrina no misy ny saina
mibaiko ny vatanao manontolo, ary marika amin' Tanana = ny olona rehetra
dia hampianarina io doctrine io.
Efa famonoan'olona ny tsy fahatafidiran'ny olona iray miasa satria tsy
avelany tsy hiasa asabotsy nefa tsy mahazo karama.
Mariky bibidia = alahady no andro fiankohofana + maty zoma nitsangana
alahady I Jesosy.
Misy boky itynosoratan'ilay mpanao mazia avy ao Afrika dia nanoratra
boky momba ny zava-miafina kasain'ny bibidia hatao any am-parany.
Nanatrika fivoriana niaraka tamin'i Papa Jean paul Ii izy momba ny marika
666 sy ny fametahana izany amin'ny ekominia na olona rehetra miankohoka
amin'i bibidia.
Jereo "Les rescapees de l'enfer: Un grand magicien quitte Lucifer pour
servir Jesus Christ." 1992
Mpanjaka nanao mazia izy ary nanompo an'I Lucifer; ary avy eo dia niala
ka nanompo an'I Jesus Christ.
Ny olona rehetra izany raha tsy manaiky io mariky ny bibidia io dia
hovonoina avy hatrany. Babazika Wanakumba no nanoratra ny boky Le
Rescapé de l'Enfer.
Boky Le rescapé de l'enfer, chapitre 16: 18: 29 Aout 1985, nisy process
verbal nantaon'I Papa Jean Paul Ii Sonia, misy articles 12 izy io. Tsy
mahazo manao ireto raha tsy manana mariky bibidia:
432 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
1. Tsy mahazo mandefa taratasy na mampiasa ny amin' Paositra na
poste izay tsy manana marika 666.
2. Tsy mahazo miasa amin' enterprise izay rehetra tsy manana ny
marika.
3. Tsy mahazo mianatra ny ankizy raha tsy manana ny marika 666 ny
ray aman-dreniny.
4. Fitaovam-piadiana rehetra dia tazonin'ny hery iray ka tsy afaka mividy
raha tsy manana marika.
5. Tsy mahazo mividy na mivarotra raha tsy manana ny marika.
6. Tsy mahazo mampiasa banky na paositra raha tsy manana marika. Ny
code banky iraisam-pirenena sy paositra dia 666.
7. Raha misy olona manohitra na tsy manaiky ny article dia hohelohina
ho faty izy.Apokalypsy 13.15
8. Tsy afaka manao voyage izay rehetra tsy manana ny marika.
9. Firenena iray ihany no mifehy ny Zavatra rehetra any amin' satelita sy
fiara-manidina
10. Tsy mahazo manangana orinasa na manao businessraha tsy manana
ny marika 666.
11. Hisy vola tokana eran-tany iraisan'ny olona rehetra.
12. Hisy fiangonana tokana maneran-tany izay manamasina sy mivavaka
amin' ny andro alahady. (Manompo an'I Jesosy maty zoma io). Io ilay
sarin'i bibidia izay homena aina sy hampitenenina.
13. Esorina sy hofoanana ny fahantrana rehefa manana ny marika.
14. Tsy mahazo manjono na mihaza raha tsy manana ny marika
15. Fitaterana eran'izao tontolo izao dia hofehezin'ny bibidia. Izay manana
marika ihany no mahazo mandray an-tanana azy.
16. Tsy mahazo mitsabo tena amin' hopitaly izay tsy manana marika.
433 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izany rehetra izany no manambara ny mariky ny bibidia sy ny sariny.
Maro be no olona hanaiky izany satria tsy hahazo asa ary ho very
tombontsoa tokoa izay rehetra tsy manana ny marika ary hiandry azy koa
ny fanamelohana ho faty.
Ny lalana mivantana hampamono izay tsy manana ny mariky ny vibidia
dia mbola tsy hita, fa ny endrik'izany ankolaka dia efa hita.
Atao aloha nynsarin'i bibidia, izay tsy inona fa ny fomba fiainany sy foto-
pinoana iankinan'ny famonjena.
Afaka manova lalana ny bibidia satria mitovy amin' Andriamanitra.
Ny lalana novainy dia ny didy fahefatra izay Sabata, ka novainy ho
Alahady no andro ivavahany. Didy fahatelo amin'ny katesizy katolika kosa ny
mivavaka sy manamasina ny andro fahatelo. Mankatoa izay nanome izany
didy izany izay rehetra mivavaka alahady.
Ao amin ny Apoka 4.9-11 dia milaza fa nynzava-mananaina dia
hiankohoka eo anoloan'i Jehovah Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra
mipetraka ambonin'ny seza fiandrianana.
Apok 5.13-14:
Manome voninahitra an'i Jehovah mipetraka eo amin'nynseza
fiandrianana nanao nynlanitra sy nyntany, ary Jesosy Kristy maty 3 andro 3
alina koa no iankohofana. Misy anankiroa nomiankohofana dia ny Sabata sy
Jesosy maty 3 andro 3 alina sy Jehovah Tompon'ny Sabata.
Etsy andaniny koa ny dragona, bibidia mpaminany sandoka nanome
fahefana ny bibidia dia iankohofan'ireo mivavaka Alahady sy manompo an'i
Jesosy maty Zoma nitsangana alahady.
434 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny firenena Amerikana dia mifandray ara-poto-kevitra tanteraka amin'ilay
bibidia voalohany, ara-toekarena, diplomasia. Afaka mamoritra sy mifehy
izao tontolo izao ny Amerikana ary manana hery be indrindra eran-tany. Ny
ao Vatikana indray kosa no fivavahana manana hery sy fahefana lehibe
indrindra erantany. Tsy manana fahefana hanafika ny Vatikana, fa ny
Amerikana kosa dia manana izay fahefana hifehy ny firenena hafa maneran-
tany. Izy indray nefa tsy manana hery be ara-pivavahana, nefa miseho
amin'ny endrika malemy fanahy, toy ny zon'olombelona, fanampiana ara-
tsosialy ny firenena mahantra, sns. Alahady daholo ny andro fivavahan'ireo
fiangonana matanjaka any Amerika.
Voalaza nefa fa hiaraka ireo hery roa ireo ka hifanampy. Hitondra
fampianarana hanomezana vahana na hanomezana aina ny fiankohofana
amin'ny andro alahady ny fiangonana any Amerika, ary hampamono izay
rehetra tsy mety mivavaka alahady izany bibidia izany.
Efa misy any Johannesburg ny puce aey efa misy koa any amin'ny
firenena lehibe hafa izany karapanondro puce asisika ambany hoditra izany.
Efa manaiky ny hanompo sy hiankohoka amin'i Jesosy maty zoma sy ny
fivavahana amin'ny andro alahady izay manaiky ny mariky ny bibidia miseho
amin'ny endrika puce io. Hisy karapanondro asisika amin'ny hoditry ny olona
amin'ny tanana na puce. Ny mpivarotra koa dia tsy ho afaka hivarotra andro
alahady. Izany no mahatonga ny mpivarotra atoby amin'ny toerana iray,
mba hanamora ny fanakatonana azy ireo rehefa alahady.
Ny fiainana manontolo kihitsy dia hovoagejan'ity 666 ity. Efa tafiditra
amin'ny vaninandro apocalyptic isika ka efa hita miharihary ny
fahatanterahan'izany zavatra izany.
435 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Efa famonoana olona ny tsy fanpmezana asa hy olona satria mivavaka
Sabata izy. Nefa, ireo kivavaka alahady na inona na inona fiangonanay na
foto-keviny dia tsy mba miaina amin'izany satria tsy mba kivavaka Sabata
izy ireo.
Tamin'ny 1985 dia mbola tsy nisy vola tokana izany tany Eoropa, fa
ankehitriny dia misy ny vola tokana Euro, izay efa diandohan'ny
faminaniana. Izay rehetra mivavaka andro alahady na inona fiangonana
arahiny, na Temoins de Jehovah, na Protestant, na Katolika, na sekta dia
manaraka hynproces verbal faha12 mifehy ny mpanompon'i dragona etsy
ambony io.
Lasa fahavalom-pirenena izay rehetra tsy manana ny mariky ny bibidia
satria tsy mahazo kivarotra na manondrana entana na miasa izay tsy
manana ny marika ka mampahantra ilay firenena izany. Noho izany, ireo
mpitondnra firenena misy mihitsy no haneey hy oona handray ny marika ary
hampamono izanyntsy manana ny marika.
Tsy mahazo mitsabo tena koa izay rehetra tsy manana ny marika 666.
Efa anisan'ny famonoana ihany koa izany satria raha marary nefa tsy misy
mitsabo dia maty.
Inona no hahazo izay olona manaiky ny bibidia sy miankohoka eo
anatrehany?
Apok 14.9-11:
Na iza na iza mandray ny mariky ny bibidia amin'ny sainy sy mampiasa
ny tanany hanompo azy dia hisotro nydivain'ny fahatezeran'Andriamanitra.
Ireo no resy ka hijaly mandrakizay izy ary tsy hitsangana amin'ny maty.
436 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apok 15.1-2.:
Izay tsy manaiky handray ny marika kosa ka hiharitra fahoriana be sy
fijaliana dia hovonjena. Izy no mpandresy ka hitendry ny lokangan'
Andriamanitra.
Apok 20.4-6:
Mpisoron' Andriamanitra izay rehetra tsy nandray ny mariky ny bibidia sy
ny sariny dia ho velona sy hiara-hanjaka amin'i Kristy 1000 taona. Ireo no
mpandresy ka ho velona mandrakizay.
APOKALYPSY Toko FAHA 14
Apokalypsy 14: 14.1 Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo
an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray
hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy
voasoratra eo amin'ny handriny.
14.2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny
rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia
tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
14.3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy
eo anatrehan'ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona* izy; ary tsy nisy
nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina
sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
14.4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy; Ireo no
manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy
tamin'ny olona no voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny
Zanak'ondry.
437 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
14.5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
14.6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny
lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina
ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa
fiteny ary ny olona rehetra,
14.7 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka
omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo
anoloan' Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
14.8 Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava!
Rava Babylona hehibe! Izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny
fahatezerana noho ny fijangajangany.
14.9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao
tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy
ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
14.10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay
naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady
hampijaliana amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo
anatrehan'ny Zanak'ondry izy;
14.11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay;
ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo
anoloan'ny bibidia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
14.12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny
didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
14.13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty:
Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny hoy
438 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka
azy.
14.14 Ary indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'olona
(f) nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satroboninahitra
volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
14.15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso
tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'Ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona
hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro (f) fijinjana; fa
masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
14.16 Dia naroson'Ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny
fijinjany, ka voajinja ny tany.
14.17 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-
danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
14.18 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary
nanana fahefana tamin'ny afo izy ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana
maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka
angony ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny
voalobony.
14.19 Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjana, dia nangoniny ny
voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny
fahatezeran'Andriamanitra;
14.20 Ary voahitsaka teny ivelan'ny tànana ny famiazana ary avy teo
amin'ny famiazana dia nisy ra nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly
ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.
FANAZAVANA:
439 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy14.6-12: Hafatr'ireo ilay anjely telo
Apokalypsy14.13-20 : Fijinjana farany
Apokalypsy14.1-6:
Tsisy lainga, virjina, tsy voaloto tamin' vehivavy
Apokalypsy7.10-15: ireo izay tsy nanota ka avy tamin' fahoriana lehibe
ary ny ankanjony nofotsiany tamin' ran'ny Zanakondry. Ireo no voaisy
tombon-kase.
Mizara roan y lehilahy: voaisy tombon-kasen'I bibidia / voaisy tombon-
kasen'Andriamanitra.
Ny tombon-kasen'Andriamanitra = Fanahy Masina, ran'ny
Zanakondry, Sabata, Jesosy maty ½ herinandro.
Izay rehetra tsy manaiky ny fampianarany no tsy voaloto tamin'
vehivavy, tsisy lainga intsony ao am-bavany ary ny ankanjony nofotsiany
tamin' ran'ny Zanakondry. Ireo no efatra arivo amby iray alina manaraka ny
Zanakondry amin''izay rehetra alehany.
Avy amin' firenena Amerikana no hitrangan'io fanjakana na bibidia
faharoa manome hery ny bibidia voalohany io.
Ny tsy fahalalana an'I Jesosy Kristy no mahavery.
Apokalypsy20.4-6:
Mitana ny filazana an'I Jesosy, tsy niankohoka teo anatrehan'I bibidia sy
ny sariny, maty notapahan-doha noho ny filazana an'I Jesosy. Ireo no
voaloham-bokatra, tsy nisy nahay nianatra ny fihirana izay nataony afatsy
ny 14000 ihany.
440 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
14000 = tsy isa ara-bakiteny akory io
Sambatra sy masina izay manana anjara amin' fitsanganana voalohany.
Izay maty talohan'ny hazo fijaliana
Misy hery sy fahefana roa mifanandrina voalaza, ary misy olona
miankohoka avokoa ireo hery roa ireo:
FAMPITAHANA NY FANJAKAN'I BIBIDIA (Apokalypsy 13) SY NY
FANJAKAN' ANDRIAMANITRA (Apokalypsy 14)
Apokalypsy13
BIBIDIA
Apokalypsy14
JESOSY KRISTY
Andininy7-8: Nomena fahefana ny
bibidia hiady tamin' olona sy firenena
sy fokom-pirenena sy ny samihafa
fiteny, ka navela niady tamin' olona
Andininy6: Manana filazantsara
hotoriana mandrakizay ho amin' olona
ambonin'ny tany sy firenena sy ny
samihafa fiteny, mesazy avy amin'
441 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
masina izy ka naharesy azy.
Hafatra avy amin' bibidia io.
Miankohoka eo anatrehan'ny bibidia
sy ny sariny avokoa ny olona rehetra
na ekominia.Ny sarin'i bibidia dia ilay
Jesosy maty zoma sy ny fivavahana
andro alahady.
Andininy4: Ninkohoka teo
anatrehan'ny dragona sy bibidia ny
olona ary nanao hoe :"Iza no tahaka
an'I bibidia ary iza no mahay miady
aminy?"
Toy izany koa I Daniela sy ny
namany roa izay tsy nety niankohoka
teo anoloan'ny sarin'i Nebokadnezara
ka natsipy tao anaty afobe. Nefa
Andriamanitra dia namonjy azy ireo ka
tsy maty izy.Rava, rava, rava I
Babylona lehibe: Efa fantatra mialoha
izany fa ho rava io Babylona tananan'i
bibidia io.
Ny bibidia faharoa koa dia
hampamono izay rehetra tsy
Andriamanitra mankany amin'
vahoaka tsy ankanavaka koa io.
Andininy7: Matahora
an'Andriamanitra ka omeo voninahitra
Izy, ary miankohofa eo anatrehany.
Miankohoka eo anatrehan'Izay nanao
ny tany sy ny lanitra sy ny ranomasina
ny olona masina, amin'ny anaran'i
Jesosy maty telo andro telo alina sady
Tompon'ny Sabata..
Andininy8: "Rava, rava, rava
Babylona lehibe!"
Efa fantatra fa ho rava I Babylona
lehibe io na dia ireharehana fatratra
aza ny heriny.
Andininy9-11: Ny anjely fahatelo
nitsoka tamin' feo mahery ka nanao
hoe: "Raha misy miankohoka eo
anoloan'I bibidia sy ny sariny dia izy
no hisotro ny divain'ny
fahatezeran'Andriamanitra ary hiakatra
mandrakizay ny setroky ny fijaliany, ka
hijaly eo anatrehan'Andriamanitra sy
442 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
miankohoka eo anatrehan'i bibidia sy
ny sariny.
Andininy15-17: Nasiana aina ny
sarin'I bibidia ary nasaina novonoina
izay rehetra tsy miankohoka amin'
sarin'I bibidia. Ny sarin'i bibidia dia ny
foto-pinoany sy fampianarana entiny
miorina amin'i Jesosy maty zoma sy
fanamasinana ny andro Alahady
(Hadesy). Ny foto-pampianarana
navoakan'io fanjakana io dia
voatohana amin' Soratra Masina ary io
no manome aina ny sarin'I bibidia, ka
mahatonga ny filazana fa maty zoma I
Jesosy ary nitsangana alahady
harahin'ny olona rehetra.
Tsy hahazo hividy na hivarotra izay
tsy manana ny mariky bibidia.
Sakafo no efa nahalavo an'i Adama
sy Eva, satria ny fihinanana voankazo
voarara no nahatonga azy nanota
tamin' Andriamanitra sy nahavoaroaka
azy ireo tao amin'ny saha Edena.
ny Zanakondry izy. Na nahalala na
tsia, ka efa nandray ny mariky ny
bibidia sy ny sariny dia izy no hisotro
ny divain'ny
fahatezeran'Andriamanitra.
Andininy12: Indro ny
faharetan'ny olona masina dia ny
mitandrina ny didin'Andriamanitra
sy ny filazana an'I Jesosy.
Ao anatin'izany ny fitandremana ny
Sabata (didin'Andriamanitra) sy ny
filazana ny nahafatesan'I Jesosy maty
tamin' antsasaky ny herinandro,
nilevina telo andro sy telo alina, ary
nitsangana tamin' maty tamin' andro
fahatelo ka niakatra any an-danitra
(filazana sy finoana an'i Jesosy).
Andininy13: Sambatra ny maty, dia
izay maty ao amin'ny Tompo
hatramin'izao. Eny hoy ny Fanahy, fa
hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa
ny asany manaraka azy.
443 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hisy olona hiaro hatramin'ny farany
ny doctrine entin'i bibidia sy ny sariny
ka hiankohoka eo anatrehany, ary na
dia mahalala ny marina aza izy dia tsy
hety hino mihitsy. Efa notorian ny
filazantsara sy fahamarinana fa tsy
mety mandray izy.
Hisy olona ho faty mihitsy amin'ny
fanarahana izao Tenin'Andriamanitra
izao, vita batisa tamin'izany izy, ka
niala tanteraka tamin'ny finoana ny
bibidia sy ny sariny. Ho voavonjy izy
na dia miaritra fanenjehana
syfamonoana aza.
Tamin' andron'I Daniela dia niankohoka teo anatrehan'ny andriamanitra
varahina ny olona rehetra. Daniela sy ny namany roa kosa tsy mba nety
niankohoka ka nasaina natsipy tanaty afo. Nefa novonjen'Andriamanitra izy
ireo.
Fitsanganana voalohany amin' fahafatesana ihany no ahazoana ny
fanjakan'ny lanitra, omen any olom-boavonjy. Izay maty notapahin-doha
noho ny filazana an'I Kristy, ireo izay tsy mandray ny mariky ny bibidia sy
ny sariny koa. Tsy misy ny famonjena amin' fitsanganana faharoa.
Bibidia 666 dia navela hiady tamin' olona masina ka navela haharesy azy.
Ny anjely koa dia nomena Filazantsara hotoriana mandrakizay amin' olona
ambonin'ny tany. Samy milaza izy ireo fa tokony hiankohoka eo anoloany ny
olona: anoloan'ny bibidia sy dragona / hiankohoka eo
anoloan'Andriamanitra.
Misy fiankohofana mivantana: vao tonga I bibidia sy dragona dia
miankohoka eo amin' tongony na tanany ny olona.
444 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rehefa mivavaka ny olona dia miankohoka eo anatrehan'I Kristy maty
Zoma ny mino azy; fa miankohoka eo anatrehan'ny zanakondry kosa izay
mino an'I Jesosy maty tamin' ½ herinandro.
Fitambarana fanjakana 4 no mitovy amin' hery sy fahefan'I bibidia ka iza
no tahaka azy ary iza no mahay miady aminy? Hampandraisiny marika eo
amin' handriny sy tanany ny olona, ka hampamono izay rehetra tsy mety
mandray ny marika izy.
Ilay anjelin'Andriamanitra koa dia milaza fa tsy hanam-pitsaharana ny
fijalian'izay tsy matahotra sady tsy miankohoka eo anatrehan'Andriamanitra.
Feo mahery no nilazan'io anjely io fa izay miankohoka eo anoloan'I bibidia sy
ny sariny dia izy no hisotro ny divay fahatezeran'Andriamanitra.
Tsy mety ho vitsy an'isa mihitsy anefa ireo manaraka an'I bibidia. Sakafo
no nahalavo an'I Adama sy Eva, ary sakafo koa no hahalavo ny olona tsy
hanaraka ny marina : tsy foin'ny olona ny tsy mihinana kisoa. Io no lazainy
fa tena matsiro.
Tsy mety ho maro an'isa mihitsy ny hanaraka an'I Jesosy maty
antsasaky ny herinandro sy manompo ny Sabata. Nefa izay olona maty
amin''izay finoana izay no afaka amin' fatotra sy laingan'I bibidia ka hahazo
fiainana mandrakizay.
Olona masina = tsy miala amin' didin'Andriamanitra sy ny finoana
an'I Jesosy. Apokalypsy14.12
Hery anankiroa mifanandrina no fototry ny ady voalazan'ny Soratra
Masina io.
445 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ankilany, ao ireo milaza fa mino an'Andriamanitra sy mankatoa ny didiny
nefa tsy mino ny Sabata; mino an'I Jesosy izy, nefa tsy mety mino fa maty
tamin' ½ herinandro Izy araka ny Soratra Masina, nilevina telo andro sy telo
alina ary nitsangana tamin' andro fahatelo. Manome aina ny sarin'I bibidia
izy ireo. Ny filazana fa tokony hivavaka alahady fa tsy sabata ny olona, sy
ny filazana sy finoana an'I Jesosy maty zoma nitsangana alahady no
fanomezana aina an'I bbidia sy ny sariny.
Fiankohofana sy fivavahana no fototry ny adilehiben' Andriamanitra. Misy
kilasiny roa izany ny olona, dia ny mino sy manaraka ny fampianaran'I
bibidia, sy izay maty sy manaraka an' Jesosy maty ½ herinandro.
Apokalypsy14.14-20:
Misy fijinjana roa karazana voalaza ao:
Fijinjana ho an'izay nandray ny mariky ny bibidia - izay miandry ny 1000
taona ho tapitra, mijanona ao ap-pasana.
.Fiijinjana ho an'ny olom-boavonjy dia ilay 144.000 ilay manao fitafiana
fotsy tambonin'ny rahona fotsa izay misy ny Zanakondry dia I Jesosy Kristy.
Miverina matetika ny teny hoe FEO MAHERY ao aminy Apokalypsy 14.4-6
Feo mahery = ny olona rehetra dia maheno izany. Izay rehetra mihaino
dia efa naheno ny Soratra Masina, fa Jesosy dia maty tamin'ny antsasaky ny
herinandro ary nitsangana Sabata.
Apokalypsy 14.4-6;
Rahoviana no manomboka ity 1000 taona ity?Amin'ny vanim-potoana
nisian'ny fitsanganana amin'ny maty no manomboka izay 1000 taona izay.
446 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tamin' nisian'ny maty nitsangana no niandohan'io fe-potoana io. Mety
hisy olona amin'ity aloha ka tsy hotratran'ny fanenjehana sy ny ady lehiben
'Andriamanitra. Misy kosa ireo efa vita tombo-kasen' Andriamanitra ka tsy
hiverin-dalana intsony izy. Misy karazany roa ny fitsanganana amin'ny maty.
jaona 5.28-29:
izay nanao tsara, nandray ny filazantsaran'I Jesosy, voaisy tombo-kase
no hitsangana amin' maty ho any amin' fiainana mandrakizay. Ny tsara
fanahy ihany aloha no hitsangana, ny ratsy fanahykosa dia mbola miandry .
Ireo dia tsy nandray ny mariky ny bibidia.
II Tesaloniana 4.13-17:
Izay maty ao amin''I Kristy no hitsangana aloha rehefa tonga ny
fihavian'I Kristy. Iza no maty ao amin'i Kristy? Io no voalazan'ny Apokalypsy
20.4-5:
Apokalypsy20.4-5:
Izay manompo an'I Jesosy maty zoma sy mandray ny mariky ny dragona
dia tsy ho velona ary tsy hitsangana mandrapaha-tapitry ny 1000 taona.
Fitsanganana voalohany = hananan'izay nanao ny tsara fiainana
mandrakizay, hiara-manjaka aminy 1000 taona. Ireo no tsy mba nandray ny
mariky ny bibidia sy ny sariny.
II Tesaloniana2.8-12:
Hahita ny fihavian'I Kristy koa anefa ireo mpandika lalana sy izay tsy nino
an'i Kristy rehetra, izay nanafoana ny didy 10, tsy nitandrina ny
Tenin'Andriamanitra sady niankohoka sady nandray ny mariky bibidia amin'
447 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tanany sy ny handriny. Ireo no holevonin'I Jesosy Tompo amin' fofon'ain'ny
vavany.
Ahoana no hahafaty ireo nandray ny mariky ny 666 ireo ka niankohoka
taminy?
II Petera 3.9-10: maharipo amintsika ny Tompo, tsy mahaela ny teny
fikasany Izy. Tampoka tahaka ny mpangalatra no hihaviany. Ho levon'ny afo
jy zavatra rehetra. Mbola hohazavaina bebe kokoa izany rehefa miresaka
momba ny loza fahafito isika.
Rehefa tapitra ny 1000 taona vao hitsangana ny ratsy fanahy nefa
holevonin'i Kristy amin'ny fodon'ain'ny vavany ireo.
Sambatra sy masina izay manana anjara amin' fitsanganana voalohany,
tsy mba anana'ny fahafatesana faharoa fahefana.
Rahoviana no hitsangana amin'ny maty ireo ratsy fanahy ireo?
Apokalypsy20.7-20 :
Izany dia manambara fa rehefa afaka ny 1000 taona dia hovahana I
Satana, handeha hamitaka indray.
Rehefa tapitra ny 1000 taona vao hitsangana amin' maty ireo tsy mba
nitsangana tamin' fitsanganana voalohany.
Fijinjana faharoa: Fijinjana ny ratsy fanahy.
448 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy14.17-20:
Ny fijinjana ny ratsy fanahy. Manome baiko ny anjely hijinja ireo izay tsy
manana ny tombo-kasen'Andriamanitra ka hanangona ny mba ho amin'
fahatezeran' Andriamanitra izy ireo.
Io fijinjana io ilay nolazain'i Jesosy mialoha:
Matio 25.31-33:
Ny hihavian'I Kristy ny ny hitsarany ny fireneny rehetra: Ny ondry dia ho
eo amin' ankavanan'i Kristy, ny osy kosa ho amin' ankaviany. Izay mivavaka
alahady manome aina ny sarin'i bibidia ary miaro an'i Jesosy maty zoma tsy
araka ny Soratra Masina no atao hoe osy.
Nametraka tsara I Jesosy fa maro no antsoiny nefa vitsy no fidiany:
Matio 22.24: Fa maro no antsoina fa vitsy no hofidiana.
Any amin' maro an'isa ve no misy anao sa any amin' vitsy an'isa? Tsy
mety ho vitsy an'isa mihitsy ny mpivavaka Alahady sy manaraka ilay Jesosy
maty zoma, izay mifototra amin'ny fampianaran'i bibidia. Etsy andaniny koa,
dia tsy mety ho maro an'isa mihitsy koa ireo manompo sy mino an'i Jesosy
maty antsasaky ny herinandro, nilevina telo andro telo alina nitsangana
Sabata, ary mivavaka andro Sabata.
Noho izany, raha maro isa ny mino ny fotom-pampianaran'I bibidia (izany
hoe mino an'i Jesosy maty zoma mivavaka Alahady )dia marina ny Soratra
Masina. Raha vitsy an'isa koa ny mino sy manompo an'I Jesosy maty
tamin'ny antsasaky ny herinandro dia marina ny Soratra Masina.
"Maro no ho voafitaka."
APOKALYPSY TOKO FAHA-15
449 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hevi-dehibe:
Ny Lovia Fito sy ny Loza Fito nentin’ny Anjely Fito ka nazera
tamin’ ny tany.
Apokalypsy 1.3: Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity
faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny
andro.
Apokalypsy 15 - 15.1 Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa
tany an-danitra, sady lehibe no mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny
loza fito farany, satria izany no enti-mahatanteraka ny
fahatezeran'Andriamanitra. 15.2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina
fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibidia sy ny sariny
ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra
nitana ny lokangan' Andriamanitra. 15.3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy,
mpanompon' Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy nanao hoe:
Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha,
Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
15.4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo
ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo
anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao. 15.5 Ary
rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia (f) ny
tabernakelin'ny vavolombelona tany an-danitra; 15.6 ary ny anjely fito izay
nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin'ny tempoly, ary niravaka vato
soa madio sy mamirapiratra* izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo
amin'ny tratrany. 15.7 Ary ny anankiray tamin'ny zava-manan-aina efatra
nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny
fahatezeran'Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. 15.8 Ary
ny tempoly dia feno setroka avy tamin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny
450 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin'ny tempoly mandra-
pahatanteraky ny loza fito nentin'ny anjely fito.
FANAZAVANA:
Ny Apokalypsy 15 dia fampidirana ny fizarana fahadimy. Miha-
lalindalina indray ny fanazavana. Ary misy sary roa aseho:
Sary voalohany: izay nivoaka mpandresy ka tsy niankohoka teo amin’
bibidia sy ny sariny ka mihira ny fihiran’I Mosesy. Izay nivoaka mpandresy
ka tsy niankohoka ary tsy nandray ny mariky ny bibidia no mitana ny
lokangan’ Andriamanitra.
Sary faharoa: ireo olona nandray ny mariky ny 666 sy niankohoka tamin’I
bibidia sy ny sariny dia iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ka iharan’ny
loza fito.
Efa nihatra taloha ny loza, ary mbola hihatra ankehitriny sy amin’ ho avy
koa.
Apokalypsy 15.1-2: Izay maharesy = izay afaka tamin’ I bibidia sy ny
sariny. Ireo no maharesy rehefa vita ilay ady voalazan’ny Apokalypsy 14.
Ireo no tsy mandray ny mariky ny bibidia, 666 amin’ handrina sy ny sandry,
tsy miankohoka eo anoloany na eo anoloan’ny sarin’I bibidia. Aleony maty
toy izay miankohoka eo anoloan’I bibidia sy ny sariny.
Ireo mandray ny marika kosa dia ho faly raha mahita ny fampahoriana
ireo mpanompon’ Andriamanitra. Hifaly sy hanatitra fanatitra ho
an’andriamaniny izy ireo mba hifaliany noho ny fahafatesan’ireo izay
enjehina noho I Kristy.
Jaona 16.1-4: 16.1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy
hahatafintohina anareo. 16.2 Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy;
eny, ho avy ny andro, hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra
fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. 16.3 Ary izany no hataony,
451 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
satria tsy fantany ny Ray na Izaho. 16.4 Fa izany teny izany efa nolazaiko
taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa
nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny
voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho.
Ny fanenjehana antsika, ny tsy fanomezana asa antsika sy ny
fampijaliana antsika no heverin’ireo mpanaraka ny fampianaran’I bibidia sy
izay miankohoka eo amin’ sariny ho fandreseny sy fifaliany. Misy foto-
pampianarana karazany roa samihafa mizara tsara arahin’ny mpino.
Voalohany : Ny andro fivavahana Sabata (didin’ Andriamanitra) mino an’I
Jesosy maty tamin’ny ½ herinandro nilevina telo andro sy telo alina
nitsangana Sabata (filazana an’I Jesosy).
Faharoa: Ireo mivavaka alahady (lalàna katesizy, fanovana didy folo),
mino an’I Jesosy maty zoma nitsangana alahady (nilevina tsy araka ny
Soratra Masina) araka ny foto-pampianaran’I bibidia sy ny sariny.
Tsy amin’ andro ivavahana nefa no mahavonjy, fa amin’ny finoana an’I
Jesosy. Na inona na inona andro ivavahan’ny olona, na alahady na sabata,
rehefa mino an’I Jesosy maty zoma ny fiangonany, na inona na inona
anaram-piangonana, dia iray ihany izy ireo. Samy mino an’I Jesosy maty
zoma nitsangana alahady ihany izy ireo. Ny fahavalon’izy ireo dia iray
ihany, dia ny zanaka sisa izay mino an’I Jesosy maty tamin’ny ½ herinandro
nilevina telo andro sy telo alina nitsangana Sabata.
Ireo andro roa ireo no fototr’ilay adilehiben’ Andriamanitra, dia ny Sabata
sy ny antsasaky ny herinandro. Efa raikitra ny ady ara-panahy amin’izao
fotoana izao fa efa kely koa sisa dia hipoaka ny ady ara-nofo momba izany.
Fa izay maharesy ka afaka amin’ny mariky ny bibidia sy ny sariny no
hitendry ny lokangan’ Andriamanitra sy hihira ny fihiran’I Mosesy. Efa misy
any amin’ny firenen-dehibe ny puce éléctronique asisika amin’ny tànan’ny
olona sy ny handriny sy ny lalàna mifehy izao tontolo izao, ary tsy ho ela dia
452 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
hiely maneran-tany ny fampiasana izany. Maro koa nefa ankehitriny isika
manaraka ity fampianarana ity no efa miharitra fampahoriana avy amin’ny
mpampiasa n any ankohonana izay tsy mino, ka manenjika sy manao toetra
tsy zaka amintsika. Roahin’ny mpampiasa izay tsy mety miasa asabotsy.
Efa marika 666 sahady izany na dia tsy mivantana aza. Tsy afaka
mampianatra ny zanakao ianao raha vao milaza hoe “Apokalypsy ny
finoako”. Tsy hampiditra ny zanakao hianatra any aminy ny fianarana
mivavaka alahady raha mahalala fa mitandrina ny andro fahafito ianao. Ety
sady tery ny làlana, fa raha tsy vonona hiaritra fahoriana dia tsy ho
mpandresy mihitsy isika. Isika mpanara-dia an’I Jesosy maty tamin’ny
antsasaky ny herinandro dia tsy afaka hanao ny fomban’izao tontolo izao
intsony, toy ny mamonjy alim-pandihizana, mihinana kisoa sy biby maloto,
misotro toaka, sy ny sisa rehetra.
Rehefa nivoaka mpandresy ireo olona ireo dia hita tao amin’ny
taberinakely tao an-danitra ny didy folo. Nefa dia misy ireo mpitondra
fivavahana mamitaka milaza fa rava ny didy folo ka tsy misy intsony. Diso
hevitra izy ary mpamitaka tokoa.
Apokalypsy 11.19. Ary novohana ny tempolin' Andriamanitra any an-
danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy
helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Fiaran’ny faneken’I Jehovah = Misy ny didy folon’ Andriamanitra.
1 Jaona 2.1: Kristy no misolo vava ho antsika mifona ho antsika
isan’andro amin’ny Ray.
Hebreo 10.19-25: 10.19 Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana
fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy,
10.20 amin'izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona,
namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 10.21 sady manana
mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 10.22 dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
453 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manana fo voadio Na: voafafy ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena
voasasa tamin'ny rano madio; 10.23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena
ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny
teny fikasana); 10.24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny
fitiavana sy ny asa tsara; 10.25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona,
tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa
mihantomotra ny andro.
Ireo izay mandray ny
Filazantsaran’
I Jesosy maty telo andro telo
alina
Ireo izay mandray ny
Fampianaran’
I Bibidia sy Dragona
Mitandrina ny didin’ Andriamanitra
sy ny filazana an’I Jesosy araka ny
Soratra Masina
Mitandrina ny tenin’ny Papa Ray
Masina Katolika, izay nanova ny
didin’ Andriamanitra sy ny filazana
an’I Jesosy
Manompo an’ Andriamanitra isan-
tSabata araka ny didy fahaefatra ao
amin’ny Teny Vavolombelona :
Manamasina ny andro Sabata. Tsy
miasa ary tsy manao raharaha koa.
Mivavaka isan’ Alahady araka
ny didy fahatelo amin’ny Katesizy
= Manamasina ny andro Alahady
(n’inona n’inona fiangonana misy
azy). Tsy miasa amin’ny andro
alahady izy ireo.
Mino an’I Jesosy maty tamin’½
herinandro, nilevina telo andro sy telo
alina ary nitsangana Sabata.
Mino an’I Jesosy maty zoma,
nilevina roa alina sy indray andro
ary nitsangana Alahady.
454 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mandray ny tombo-
kasen’Andriamanitra
Mandray ny marik’I bibidia sy
ny sariny
Hiharan’ny fanenjehana sy
famonoana mandritry ny fanjakan’I
bibidia.
Hiadana ety an-tany mandritra
ny fanjakan’i bibidia
Hahazo ny fiainana mandrakizay sy
hihara-manjaka amin’I Jesosy Kristy
1000 taona.
Hiharan’ny
fahatezeran’Andriamanitra ary
holevonin’ny fofonain’ny vavan’I
jesosy Kristy.
Mitsangana eo amoron'ny
ranomasina fitaratra nitana ny
lokangan' Andriamanitra.
Ary mihira ny fihiran'i Mosesy,
mpanompon' Andriamanitra, sy ny
fihiran'ny Zanak'ondry.
Ny setroky ny
fahatezeran’Andriamanitra dia
hiakatra mandrakizay.
Efa raikitra io ady io amin’’izao fotoana io: ireo miankohoka amin’ i bibidia
sy ny sariny mivavaka alahady mino an’I Jesosy maty zoma dia miady
amin’ireo manompo an’I Jesosy maty ½ mitandrina ny Sabata.
Avy any AMERIKA (bibidia faharoa) no ivoahan’io fampamonoana izay tsy
mety miankohoka sy manompo an’I bibidia voalohany sy ny sariny io.
Tsy hoe any an-danitra akory vao miseho io famantarana mariky bibidia
io, fa eto an-tany dia efa miseho io. Ny fitsaran’Andriamanitra dia mihatra
any an-danitra. Tokony hiomana izany fa hiharan’ny fanenjehana mafy izay
manaraka ny fivavahana Apokalypsy, manaraka an’I Jesosy maty
ampahatelon’ny herinandro sy mivavaka Sabata io: tsy hiditra am-pasan-
drazana, harian’ny fianakaviany, hiharan’ny fahatezeran’ny fianakaviana sy
455 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny ankohonana ary ny mpampiasa. Tsy hahazo mivarotra na mividy raha tsy
manana ny mariky bibidia ka ho azom-pahoriana.
Apokalypsy15.6-8:
Iza no miditra amin’ Tempoly? I Kristy. Mpisoronabe izy, ao amin’
fitoerana masina indrindra
I Jaona 2.1: Jesosy Kristy ilay Marina no mpisolovava ho antsika mifona
ho antsika isanandro.
Hebreo 10.19: Jesosy = Mpisorona lehibe mitandrina ny
tranon’Andriamanitra manadio antsika amin’ rany.
Tsisy terena ny olona hanompo alahady na sabata, tsy terena hanompo
an’I dragona na hanompo an’I Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra.
Apokalypsy TOKO FAHA-16
Hevi-dehibe:
Ny Lovia Fito sy ny Loza Fito nentin’ny Anjely Fito ka nazera tamin’
ny tany.
Apokalypsy 16 -16.1 Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny
tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino
amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
16.2 Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny
tany; ny hanisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny
mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. 16.3 Ary ny
faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody ra
tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina; ary maty ny zava-manan-aina
rehetra ao aminy. 16.4 Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany
456 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody ra ireny. 16.5 Ary nahare ny
anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha,
dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao; 16.6 fa ny ran'ny
olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia ra kosa no nomenao
hosotroiny; ary tandrifiny ho azy izany. 16.7 Ary reko ny alitara nanao hoe:
Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao. 16.8
Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia
nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy. 16.9 Ary main'ny hafanana be ny
olona, dia niteny ratsy* ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahefana
amin'ireny loza ireny, izay sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
16.10 Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza
fiandrianan'ilay bibidia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona
nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana, 16.11 dia niteny ratsy*
an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainana sy ny vainy sady tsy
nibebaka tamin'nyasany. 16.12 Ary ny fahenina nampidina ny tao an-
doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny
làlan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro. 16.13 Ary
nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny
vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibidia ary tamin'ny vavan'ilay
mpaminany sandoka. 16.14 Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao
famantanrana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba
hanangona azy ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
16.15 (Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina (f) ka
miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny
fahamenarany.) 16.16 Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny
teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny. 16.17 Ary ny fahafito dia nampidina
ny tao an-doviany tamin'ny rivotra ; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao
amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe:Vita. 16.18 Dia
nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy
457 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona teny ambonin'ny tany, eny tsy
mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. 16.19 Ary ny tànana
lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary
Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena
azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany . 16.20 Ary ny nosy
rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. 16.21 Ary nisy
havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho
lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy* an'Andriamanitra ny olona noho ny
loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
Efa navoakan’I Papa Ray Masina Benoit 16 fa ny andro alahady ihany no
ivavahana. Tsara ny anarahana ny vaovao avoakan’ny Amerikana sy Vatican
sy ny namany ireny mba hahafantarana ny fitapitak’I bibidia sy ny
fampianarany.
Potehina araka izay faraheriny mihitsy ny Baiboly; nefa izay manana ny
tombon-kasen’Andriamanitra dia tsy ho azo fitahina.
Feno setroka ny tempoly ary tsy misy nahazo niditra tao intsony. I Kristy
no ao amin’ tempoly. Izy no mifona ho antsika.
Apokalypsy8.3-5: Apokalypsy 8.1-5: 8.1 Ary rehefa novahany ny tombo-
kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
8.2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
8.3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'* ny
alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana
ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy,
hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra
eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo
anoloan'ny seza fiandrianana.
458 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
8.4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona
masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'
Andriamanitra.
8.5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia
nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany;
dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
Ny vavaky ny olona masina = ditinkazo mani-pofona miakatra eo an-
tanan’’ny anjely ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
Momba ny setroka miakatra ao amin’ Tempolin’Andriamanitra eo
ambonin’ny alitara volamena. Miakatra amin’ alalan’ny ditinkazao manitra ny
vavaky ny Olona Masina.
Miakatra ao amin’ tempolin’Andriamanitra io setroka io: Ny vavaky ny
Olona Masina dia ny setroky ny dintin-kazo miakatra eo an-tanan’ny anjely
ho eo anatrehan’Andriamanitra.
Apokalypsy8.8: 8.8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa
tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga
ra ny ampahatelon'ny ranomasina;
Niomana hitsoka ny Anjely. Rehefa miakatra tsara ny vavaky ny Olona
Masina dia miomana hitsoka ny trompetra ny Anjely. Mbola afaka miala
amin’ mariky ny bibidia sy ny sariny izay rehetra mitady an’I Jehovah, satria
mbola mitondra ny vavaka miakatra ho eo anoloan’ Andriamanitra ireo
anjely. Fa rehefa feno setroka ny tempoly, tonga ny loza fito dia efa tsy azo
idirana intsony ny tempoly, ary mitondra ny lovia fito misy ny loza fito
indray izy ireo.
Mandritra ny fitsofana ny Trompetra fito => mbola miakatra ny vavaky
ny Olona Masina. Ny ampahatelon’ny ny loza rehetra no mihatra satria
mbola ao amin’ Tempoly I Kristy mifona ho antsika. Mbola miakatra ny
459 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
setrooka = mbola miakatra ny vavaka ataontsika. Ary ny Anjely no mitondra
lovia volamena avy ao amin’ tempoly mitondra ny valim-bavaky ny Olona
Masina ary mandraraka izany amin’ tany.
Fa rehefa nivoaka ny Anjely hampidina ny loza fito dia efa tena feno
setroka io tempoly io, ka tsy nisy nahazo nijanona intsony tao.
Rehefa mitondra lovia volamena mitondra ny loza fito ny Anjely hararaka
ety amin’ tany dia tsy misy mandray vavaka intsony ao amin’ tempoly, efa
mivoaka ao ny Zanak’Andriamanitra izay manao fifonana ho antsika. Efa diso
tara loatra raha izay vao hiova fo hibebaka hiala amin’’I bibidia sy ny sariny.
Misy kosa ny manapa-kevitra avy hatrany na dia misy fanenjehana mafy aza
eo amin’ ny tokantranony sy ny fiaraha-monina misy azy.
Apokalypsy8.15-16: amin’ Loza fito kosa dia feno setroka ny tempoly,
tsisy mandray vavaka intsony ao izany, mivoaka avy ao amin’ Tempoly I
Jesosy. Midina amin’izay ny anjely mitondra ny loza fito. Efa diso tara loatra
raha eo vao hivavaka satria efa tsy hisy hifona ho antsika intsony. Tonga eo
amin’ny tantaran’ny virjina adala sy 5 hendry amin’ izay ilay fiangonana. Ny
antokon’olona voalohany dia tsy manapa-kevitra fa efa tara loatra vao
misaina ny mahasoa ny miala amin’ bibidia sy ny sariny. Antokon’olona
faharoa kosa dia manapa-kevitra ka miova fo miala amin’ fampianaran’I
bibidia sy ny sariny. Ny antokon’olona fahatelo kosa dia tsy mety hiova
mihitsy noho ny avonavom-panahy. Tsy miakatra intsony ny vavaka ataony
satria efa manamafy ny fony izy ka tsy hisy famindram-po ho azy intsony.
Misy milaza hoe “Ianareo irery izany no hovonjena? Ho very daholo izany ve
ny olona rehetra manaraka an’I Jesosy maty zoma mitsangana alahady?”
izany rehetra izany no misy dia tsy inona fa ny mba hahamarina ny Soratra
Masina hatrany hatrany.
Ny Soratra Masina dia manambara fa “Maro no antsoina fa vitsy no
hofidiana”. Rehefa feno setroka na vavaka ny tempoly dia tsy misy mandray
460 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
intsony ao, ka tsy misy azo atao intsony. Hilatsaka ny loza fito izay
mifanadrify ihany amin’ trompetra fito.
Zava-doza ny tsy fahalalana io mariky ny bibidia io. izay rehetra
miankohoka eo anatrehany no tratran’io vay ratsy voalaza amin’ny
Apokalypsy 16 io. Ohatra hoe ny ankamaroan’ny olona misy SIDA dia ireo
mivavaka alahady manompo an’I Jesosy maty zoma. Areti-mandoza sy
mandringana ny vay ratsy. Izay rehetra tsy mahalala ny fisian’io mariky ny
bibidia sy ny sariny io ka miankohoka eo anoloan’ny foto-pampianarany dia
efa tratry ny loza voalohany io.
Dragona, bibidia 666, sy mpaminany sandoka no mifanandrina amin’
Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny Fanahy Masina.
Ny andro lehiben’Andriamanitra no fototry ny ady. Misy andro roa
nomen’I Jehovah ho famantarana ho an’ny olony. Voalohany dia ao ny
Sabata izay notendren’Andriamanitra hohamasinina sy hivavahana. Ny
dragona kosa dia manendry ny Alahady ho andro fivavahana. Ao koa
faharoan’izany ny nahafatesan’I Jesosy sy ny nilevenany. Telo andro sy telo
alina no voasoratra fa nilevenany ary izany no marika ahafantarana ny Mesia
mpamonjy. Ny 666 kosa dia marika raisin’ireo manompo ny Jesosy maty
zoma nitsangana alahady ary tsy araka nySoratra Masina.
Ireo rehetra tsy mahalala ny marina sy ireo minia tsy mino anatra dia ho
ringana avokoa.
Hosea 6.4: Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana.
Jehovah Andriamanitra nefa dia tsy manao na inona na inona mihitsy
raha tsy efa mampilaza mialoha amin’ mpaminany mpanompony. Na isika
aza dia efa nampahafantarin’Andriamanitra mialoha ny mariky ny bibidia sy
ny tombo-kasen’Andriamanitra. Alohan’ny handrarahana ny loza fito no
nandrefesana ny tempoly mba tsy ho ringana izay manompo marina
an’Andriamanitra satria isika no tempolin’Andriamanitra. Tsy maintsy
461 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mivoaka miala amin’ fampianarana mamitaka rehetra sy ny fitaky bibidia.
Efa mahalala ny amin’ zanakOndry novonoina maty telo andro sy telo alina,
voalazan’I Mosesy sy mpaminany ary mpanao Salamo, nandray ny mariky
ny Sabata sy ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina, ràn’ny zanakondry, tavy
fisasana na batisa, fanaovan-jiro fito (= ny Tenin’Andriamanitra), mofo
aseho (= Kristy), alitara fandoroana dintin-kazo manitra (vavaka),
amafazan’ny mpisorona rà impito hanaovana fanatitra hanavotana ny olona
nanota.
Ny mpisorona no mandrehitra ny jiro fito isananadro isanandro. Ny
mpisorona koa dia mihinana isanandro ny mofo eo amin’ny mofo aseho.
Izany dia tandindon’ilay hoe Jehovah masoandro (Salamo 81.14), sy ny hoe
fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny alehako ny teninao.
Tsy mila mamono biby intsony isika izao mba hahazo famelan-keloka,
satria efa vitan’I Jesosy ny famonjena tamin’ nandatsahany ny ràny. I Kristy
no anolorana ny vavaka satria Izy no mifona ho antsika, fa tsy mila
olombelona intsony hanalalana antsika amin’ Andriamanitra na miaiky
heloka amin’ny olombelona (mikaonfesy). Efa mivantana amin’
Andriamnitra ny vavaka ataontsika.
Ao antin’ny tempoly ao avokoa no misy ny mana, ny tehin’I Aarona izay
mitsimoka, ny vilia volamena fandorana dintin-kazo manitra, fiaran’I
Jehovah izay misy ny didy folo.
Izay tsy mahafeno ny fepetra ka tsy manana ny tombo-
kasen’Andriamanitra, dia hita mazava fa manaraka ny fampianaran’I bibidia
sy ny marikany. Ny isa 666 dia miverina indroa ao anaty Baiboly, nefa ilay
voalaza ao amin’ny Apokalypsy ihany no manambara ny mariky ny bibidia.
Apokalypsy13.18: Ny isan’I bibidia dia 666 no isany. Milaza anaran’
olona iray na fahefan’olona iray ny isa 666, nefa mila manana
fahendrena isika vao mahafantatra ny zava-miafina momba izany.
462 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy13.1-4: 13.1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny
ranomasina izy. Ary hitako fa, indro, nisy bibidia niakatra avy tamin'ny
ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy
diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.* 13.2
Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony
tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona, ary ilay
dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
13.3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa
sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra
nanaraka ilay bibidia. 13.4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo,
satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo
anoloan'ny bibidia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza
no mahay miady aminy?
Apokalypsy12.9: Ny dragona = menarana ela = devoly sy satana. Io
no nanome ny seza fiandrianana sy ny herin’I bibidia voalohany izay efa
saika maty. Sitrana ny feriny saika nahafaty azy. Apokalypsy 12.9: Ny
dragona no nanome ny heriny sy fahefana an’I bibidia izay mamitaka olona
maro io. Io dragona io no namonjy azy nanome ny heriny mba
hanarahan’ny tany rehetra azy.
Apokalypsy13.5: Manana lela miteny zavatra mihoam-pampana izy,
miteny ratsy ny anaran’Andriamanitra, nomena fahefana heady amin’ olona
masina ka haharesy azy. Hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra
ambonin’ny tany dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’
bokin’ny fiainan’ny zanakondry. Hampamono izay rehetra tsy mandray ny
marika izy sy tsy mety miankohoka eo anoloan’ny sarin’I bibidia. Ny olona
rehetra na andevo na tsy andevo dia hampandraisiny marika eo amin’
handriny sy ny tanany. Ahoana no fomba hitenenany ratsy an’
Andriamanitra? Ahoana izany fomba hiankohofan’ny olona rehetra
ambonin’ny tany amin’ny bibidia izany?
463 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 13.15-16: Ahoana koa izany hoe hampamono izay reehtra tsy
mety miankohoka eo anatrehan’I bibidia izany? Efa misy olona mandray
izany mariky ny bibidia izany ve izao, sa miafina izany ka tsy miseho
miharihary?
Apokalypsy14.9-11: nampitandrina ny Anjely iray mba tsy handraisana
ny mariky bibidia sy ny anarany fa izy no hiharan’ny
fahatezeran’Andriamanitra. Tsy maintsy misotro ny divain’ny
fahatezeran’Andriamanitra ireo izy miankohoka eo anatrehan’I bibidia sy ny
sariny sy mandray ny mariky ny bibidia eo amin’ny tanany na ny handriny.
Apokalypsy15.1-2:
Iza maharesy ka afaka tamin’ mariky bibidia sy ny sariny ary ny isan’ny
anarany ka tsy miankohoka eo anoloany no hitana ny lokangan’
Andriamanitra sy hihira ny fihiran’I Mosesy. Miatrika ny ady sy fanerena
handray ny marika io ny vahoakan’ Andriamanitra. Ety an-tany no hisian’io
ady io fa tsy any an-danitra akory. Izay mandresy no ho velona sy hiara-
manjaka amin’I Kristy 1000 taona ary ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny
fiainana ny anarany. Noho izany dia tsy hisy ady intsony any an-danitra, fa
ety an-tany no hanaovana izany ady izany.
Apokalypsy20.4-6: Maharesy = izay notapahin-doha noho ny
fanompoana an’I Jesosy zanak’ondrin’Andriamanitra. Ireo maty sy izay
rehetra tsy niankohoka teo anoloan’I bibidia sy ny sariny no hiara-hanjaka
amin’ I Kristy arivo taona. Ireo no atao hoe mpandresy.
NY LOZA FAHAFITO
Apokalypsy 16.17-21: 16.17 Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-
doviany tamin'ny rivotra ; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny
tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe : Vita. 16.18 Dia nisy
helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola
464 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nisy toy izany hatrizay nisian'olona teny ambonin'ny tany, eny tsy mbola
nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. 16.19 Ary ny tànana lehibe dia
vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona
lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny
kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany . 16.20 Ary ny nosy rehetra
nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
16.21 Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho
amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy*
an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe
loatra izany loza izany.
Rehefa nampidina ny tao an-doviany ny anjely dia nisy feo mahery nanao
hoe : VITA! Izany no feo mahery nivoaka avy teo amin’ ny seza
fiandrianan’Andriamanitra teo amin’ ny tempoly. Inona no hevitry ny
hoe VITA? Taiza no nisian’ny teny hoe VITA voalohany?
Teo amin’ hazo fijaliana I Jesosy Kristy no niteny hoe VITA voalohany.
Jaona 19.30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao
hoe:Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny
fanahiny.
Ny fahotana nataon’I Adama hatreo amin’’I Jesosy, ary hatreo amin’’I
Jesosy hatramin’ faran’izao tontolo izao no nentin’I JESOSY KRISTY ary vita
ny famonjena. Ny fivavahana tandindona taloha ireny, izay niseho tamin’ny
endriky ny fety fito voatendrin’I Jehovah (Jereo ny lesona Apokalypsy toko
11) dia niankina tamin’ireny ny famonjena ny zanak’Israely taloha. Fa rehefa
tonga I Kristy dia Izy no ilay zanak’ondry novonoina nano fanavotana sy
famonjena.
Faharoa: niakatra any an-danitra iIzy. Ny vavaka rehetra ataontsika dia
mandalo eo aminy avokoa. Izy no mpanalalana antsika amin’’Andriamanitra.
Taloha dia ny mpisoronabe no nanelanelana antsika tamin’ Andriamanitra ka
465 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mifona ho antsika. Ny fiangonana Katolika koa dia mikaonfesy mandrakariva
amin’ny maopera ny mpivavaka vao mahazo famelan-keloka. Hatramin’izao
dia mbola eo amin’ ny fitoerana masina ny zanak’ondry mifona ho antsika.
Manao ny asan’ny mpisoronabe Izy, mifona ho antsika.
Fa rehefa miala ao amin’ tempoly Izy, dia vita ny asa fanelanelanany
amin’ ny maha-mpisoronabe Azy. Ary handray ny fanjakana amin’izay Izy,
mitsoka trompetra ny Anjely fahafito. Tafapetraka amin’ seza fiandrianana
Izy ary manjaka mandrakizay. Izay no mahatonga Azy miteny hoe VITA! Tsy
misy fanelanelanana azo atao intsony rehefa mandray ny fanjakany Izy. Efa
feno setroka ny tempoly raha niteny hoe VITA I Jesosy, ka vita ny asan’ny
mpisorona eo amin’ny tempoly, asa fanelanelanan’I Jesosy tao amin’ny
tempoly taorian’ny nahafatesany, ka mandray ny fanjakana amin’izay Izy
mandrakizay mandrakizay. Vita ny asany maha-mpanelanelana Azy
amintsika sy Andriamanitra, fa afaka mivavaka sy mifona amin’
Andriamanitra isika, tsy mila olombelona mpisoronabe manelanelana
intsony, na mampikaonfesy.
Hebreo 7.22-25: 7.22 dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho
Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. 7.23 Fa natao maro ireny mpisorona
ireny, satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy; 7.24 fa Izy kosa dia
manana fisoronana tsy dimbasana, satria maharitra mandrakizay Izy; 7.25
koa amin'izany dia mahavonjy tokoa Na: hatramin'ny farany izay manatona
an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao
fifonana ho azy.
Tsy navelan’ny fahafatesana haharitra ny mpisorona, fa I Jesosy kosa dia
velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika.
Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ tabernakely sy araka
ny lalan’I Mosesy. I Jesosy no mifona ho antsika mandrakizay any an-danitra
any.
466 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fampitahana ny fanompoam-pivavahana eo amin’ny fitoerana masina sy
any an-danitra:
Hebreo 8.1-2: 8.1 Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no
fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo
amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, 8.2
Mpanao fanompoan-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena
tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
Jesosy Kristy = Mpanalalana antsika amin’ny fanekena vaovao,
mpisoronabe. Mifona ho antsika, mipetraka eo an-tanana ankavanan’
Andriamanitra. Tsy I Maopera no manalalana antsika amin’ Andriamanitra fa
I Jesosy irery ihany. (Hebreo 12.24)
Mbola manao ny asany koa I Jesosy mifona ho antsika, ary raha tapitra
ny fe-potoana ahafahantsika mibebaka sy miverina amin’ Andriamanitra vao
hotononina indray ny hoe “VITA” faharoa ao amin’ny Apokalypsy io.
Romana 8.34:
Jaona 19.30:
Avy eo amin’ seza fiandrianana ny feo miteny mafy hoe VITA no re satria
sady Mpisoronabe I Kristy no Mpanjaka.
Fampitahana an’I Kristy sy Melkizedeka: Melkizedeka dia sady
mpisoronabe no mpanjaka. Mpanjakan’ny fiadanana (Mpanjakan’ny Saloma)
Izy, tahaka an’I Melkizedeka ihany koa. Hebreo 7.1-3. Sady mpisoronabe no
mpanjaka I kristy. Apokalypsy 11.15: efa lasan’I kristy ny fanjakana
mandrakizay mandrakizay.
Ny loza fahafito dia manambara loza tsy misy toy izany.
Apokalypsy16.17-21: Nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohoron-
tany ary havandra vaventy. Ny fitsofana ny trompetra fahafito koa dia
manambara loza toy izany ihany:
467 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy11.19: Nisy elatra sy feo sy kotrokorana ary horohoron-tany
ary havandra vaventy tokony hilanja talenta iray avy (40 kg eo ho eo).
Rehefa lasan’I Kristy ny fanjakana dia hilatsaka amin’izay ireo loza be tsy
mbola nisy tahaka izany ireo.
Inona no nataon’ny vahoakan’ny lanitra rehefa nivoaka ny loza fahafito
io? rehefa hanjaka mandrakizay I Kristy dia ho tonga ireo loza be ireo, dia
havandra vaventy tsy misy toa azy.
Trompetra fahafito:
Inona no nataon’ny vahoaka rehefa nandray ny fanjakany I Kristy? Efa
manjaka I Kristy Jesosy:
Apokalypsy11.16-18:
Nisaotra an’Andriamanitra ny Anjely , nidera sy nisaotra
an’Andriamanitra, nankalaza an’Andriamanitra. Niseho koa ny fahatezeran’
Andriamanitra ka nazera tamin’ny tany ny loza mafy mba hanimbana izay
manimba ny tany dia izay nanompo an’I bibidia sy dragona. Tsy misy azo
atao intsony hamonjena izay rehetra tsy nibebaka.Rava I Babylona lehibe.
Efa voaresaka tamin’ny Apokalypsy 6 ireo loza ireo novahana ny tombo-
kase fahenina:
Apokalypsy 6.12-17: 6.12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-
kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny
lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny
volana.
6.13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny
aviavy manintsana ny voany manta, raha
hozongozonin'ny rivotra mahery izy. 6.14 Dia lasa tahaka ny taratasy
voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra
niala tamin'ny fitoerany. 6.15 Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny
mpifehy arivo sy ny mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny
andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao
468 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra; 6.16 ary hoy izy tamin'ny
tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny
tavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny
fahatezeran'ny Zanak'ondry; 6.17 fa tonga ny andro lehiben'ny
fahatezeran'ireo* , ka iza no mahajanona?
Rehefa novahana ny tombo-kase fahaenina dia lasa tahaka ny taratasy
voaorona ny lanitra,
Niery tao amin’ lavaka sy ny vatolampy ny olona rehetra noho ny tahotra
ny fitsaran’Andriamanitra sy ny loza. Ny loza nanozonan’ireo ratsy fanahy ny
mpanompon’ Andriamanitra dia mihatra aminy ihany.
Efa nanambara izany loza izany I Jesosy tamin’ny taloha:
Lioka 23.25-28:
Izany dia manambara ny Famantarana ny amin’ hihavian’ny zanak’olona:
ary hisy fahorian’ny firenena noho ny fahatahorany ny zavatra hitranga sy
ny fahoriana. Mitebiteby fatratra sy very hevitra ny olona, matahotra mafy
noho ny loza sy ny firohondrohon’ny ranomasina. Nanamafy ny fony izy ireo
ka tsy nety nihaino ny fahamarinana raha mbola nisy ny fotoana.
Niavonavona ary mody tsy nandre, kanjo dia mihatra amin’izy ireo avokoa
ny loza ka matahotra mafy izy. Ho reraka ny fony ka hitsakotsako ny lelany
izy ireo.
Ny zanak’Andriamanitra kosa dia feno fanantenana, mibanjina sy
miandrandra ny lanitra, asandrato ny lohanareo fa manakaiky ny fanavotana
anareo.
Aorian’ny ady lehiben’Andriamanitra no hitranga io zavatra io. Ny
vahoakan’I bibidia dia ho reraka ny fony, hatahotra mafy, hiafina ambany
vatolampy sy anaty lavaka.
Io fandevonan’ny afo ny tany io dia efa nolazain’I Petera:
469 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
2 Petera 3.8-13: 3.8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka
tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona,
ary ny arivo taona toy ny indray andro. 3.9 Ny Tompo tsy mahela ny teny
fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo
Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebabana izy
rehetra. 3.10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary
amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho
levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra (*) , ka hodorana avokoa ny tany
sy ny asa izay eo aminy. 3.11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra
rehetra izao dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin'ny
fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 3.12
sady manantena no mampahafaingana (*) ny hihavian'ny
andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro
sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! 3.13 Kanefa isika, araka ny teny
fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny
fahamarinana.
Hisy afo mahery vaika handevona ny zavatra rehetra araka ny filazan’I
Petera azy.
1 andro amin’Andriamanitra = 1000 taona amintsika. Ny Tompo tsy
mahaela ny fikasany. Hodorany afo avokoa ny tany sy izay rehetra ao
aminy, handoro sy hampiempo ny zavatra rehetra Izy. Fantatsika
ankehitriny ny fisian’ny fitaovam-piadiana mahery vaika noforonin’ny zanak’
olombelona any amin’ireny firenena matanjaka ireny izay milevina any
ambany tany sy anaty ranomasina any. Ny mariky ny bibdia sy ny sariny no
mifehy sy iankohofan’ izy ireny. Rehefamin’ny vanim-potoana hisian’ny
horohorontany mahery vaika dia hifampikasoka mafy ireo fitaovam-piadiana
mahery vaika miafina anaty tany sy anaty ranomasina any, ary hamoaka
hafanana be, hipoaka mirefotra mafy, hanaparitaka radio actif, bomba
470 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
atomika io, izay mamoaka gazy mahafaty, deux cent million degree ny
hafanany. Izany dia ampy handevona firenena maro tokoa.
400 bombe atomika = mitovy hery amin’ny bomba hydrogène iray.
Bombe nucléaire
Rehefa mitsoka ny trompetra fahaenina dia holevonin’I Kristy amin’ny
fofonain’ny vavany izao rehetra izao. Ny anton’izany dia ny handevonany
izay rehetra nandray ny marika sy famantaran’I bibidia eo amin’ny handriny
sy ny tànany.
Koa Iza no ho afaka amin’izany fandringanana be izany?
NY LOZA FAHAFITO
Nisy horohoron-tany mafy
Rava ny tananan’ny firenena maro.
Nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ olona
Niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona.
Efa manjaka I Kristy Jesosy.
FAMINTINANA NY FILAZANA IREO LOZA FITO SY NY TROMPETRA
FITO:
Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny
anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito
feno ny fahatezeran'Andriamanitra. (Apokalypsy 16.1)
TROMPETRA FITO LOZA FITO
Trompetra voalohany Loza voalohany
471 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 8.7
nisy havandra sy afo miharoharo
ra; ka nararaka tamin'ny tany izany;
ary may ny ampahatelon'ny tany, ary
may ny ampahatelon'ny hazo, ary
may koa ny ahi-maitso rehetra.
Apokalypsy 16. 2
Ary ny voalohany nandeha, dia
nampidina ny tao an-doviany
tamin'ny tany; ny hanisy vay ratsy
sady nampahory tamin'ny olona izay
nanana ny mariky ny bibidia sy
niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
Trompetra faharoa
Apokalypsy 8.8-9
nisy toa tendrombohitra lehibe
mirehitra afo natsipy tany an-
dranomasina; ary tonga rà ny
ampahatelon'ny ranomasina; ary
maty ny ampahatelon'ny zava-
manan-aina tao an-dranomasina; ary
rava ny ampahatelon'ny sambo.
Loza faharoa
Apokalypsy 16.3
Ary ny faharoa nampidina ny tao
an-doviany tamin'ny ranomasina; dia
nody ra tahaka ny ran'ny olona maty
ny ranomasina; ary maty ny zava-
manan-aina rehetra ao aminy.
Trompetra fahatelo
Apokalypsy 8.10-11
nisy kintana lehibe mirehitra toy
ny fanilo latsaka avy tany an-danitra;
ary latsaka tamin'ny ampahatelon'ny
ony sy tamin'ny loharano izany; ary
ny anaran'ilay kintana dia atao hoe
Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny
ampahatelon'ny rano; ary maro ny
olona no matin'ny rano satria efa
Loza fahatelo
Apokalypsy 16.4-7
Ary ny fahatelo nampidina ny tao
an-doviany tamin' ny ony sy ny
loharano; dia nody rà ireny. Ary
nahare ny anjelin'ny rano aho nanao
hoe: Marina Hianao, Ilay ankehitriny
sy taloha, dia ny Iray Masina, satria
efa nitsara toy izany Hianao; fa ny
ran'ny olona masina sy ny
472 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nangidy izany. mpaminany no nalatsany, ka dia ra
kosa no nomenao hosotroiny; ary
tandrifiny ho azy izany. Ary reko ny
alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô,
Andriamanitra Tsitoha, marina sy
mahitsy ny fitsaranao.
Trompetra fahaefatra
Apokalypsy 8.12-13
nasiana ny ampahatelon'ny
masoandro sy ny ampahatelon'ny
volana ary ny ampahatelon'ny
kintana rehetra, mba ho maizina ny
ampahatelony, ka tsy hazava ny
ampahatelon' ny andro, ary mba ho
toy izany koa ny alina. Dia nahita sy
nahare voromahery anankiray
nanidina teny afovoan'ny lanitra aho,
izay nanao tamin'ny feo mahery hoe:
Loza, loza, loza ho an'izay monina
eny ambonin'ny tany noho ny feo
sisa an'ny trompetry ny anjely telo
izay efa hitsoka!
Loza fahaefatra
Apokalypsy 16.8-9
Ary ny fahefatra nampidina ny tao
an-doviany tamin'ny masoandro; dia
nasaina nandoro ny olona tamin'ny
afo izy. Ary main'ny hafanana be ny
olona, dia niteny ratsy* ny anaran'
Andriamanitra, Izay manam-
pahefana amin'ireny loza ireny, izay
sady tsy nibebaka mba hanome
voninahitra Azy.
Trompetra fahadimy
Apokalypsy 9.1-12:
indro, nisy kintana anankiray avy
tany an-danitra latsaka tamin'ny
tany; ary nomena ilay anjely ny
Loza fahadimy
Apokalypsy 16.10-11:
Ary ny fahadimy nampidina ny tao
an-doviany tamin'ny seza
fiandrianan'ilay bibidia; dia tonga
473 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fanalahidin'ny lavaka tsy hita
noanoa. Ary nanokatra ny lavaka tsy
hita noanoa izy, dia nisy setroka
niakatra avy tamin'ny lavaka, tahaka
ny setroka avy amin'ny lafaoro
lehibe, ary tonga maizina ny
masoandro sy ny habakabaka noho
ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny
setroka nakamin'ny tany; ary
nomena hery* ireny, tahaka ny
herin'* ny maingoka amin'ny tany.
Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny
ahitra amin'ny tany, na ny zava-
maitso, na ny hazo akory aza, fa ny
olona izay tsy manana ny tombo-
kasen'Andriamanitra eo amin'ny
handriny ihany. Nefa tsy navela
hahafaty azy izy, fa ny
hampanaintaina azy dimy volana; ary
ny fampanaintainany dia tahaka ny
fampanaintainan'ny maingoka, raha
mamely olona. Ary amin'izany andro
izany dia hitady fahafatesana ny
olona, fa tsy hahita; ary haniry ho
faty izy, fa mandositra azy ny
fahafatesana. Ary ny endriky ny
valala dia tahaka ny soavaly
voaomana ho enti-miady; ary
maizina ny fanjakany, ary ny olona
nitsakotsako ny lelany noho ny
fanaintainana, dia niteny ratsy*
an'Andriamanitry ny lanitra izy noho
ny fanaintainana sy ny vainy sady tsy
nibebaka tamin'ny asany.
474 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tamin'ny lohany nisy satroboninahitra
toy ny volamena, ary ny tavany
tahaka ny tavan'olona. Ary nanam-
bolo tahaka ny volom-behivavy izy,
ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny
fiarovan-tratra vy izy; ary ny
fikopakopaky ny elany dia tahaka ny
fikotrokotroky ny kalesy entin'ny
soavaly betsaka miriotra ho amin'ny
ady. Ary manan-drambo tahaka ny
maingoka izy sady misy
fanindronana; ary amin'ny rambony
no misy ny heriny* hampahoriany ny
olona dimy volana. Ary manana ny
anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho
mpanjakany izy; ary ny anarany
amin'ny teny Hebreo dia Abadona, *
fa amin'ny teny Grika kosa dia
Apolyona* no anarany. Lasa ny loza
anankiray; indreo, ho avy ny loza roa
hafa koa, rehefa afaka izao.
Trompetra fahaenina
Apokalypsy 9.14-21
Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia
nahare feo avy tamin'ny tandroky ny
alitara volamena eo anatrehan'
Andriamanitra aho, nanao tamin'ny
Loza fahaenina
Apokalypsy 16.12-16:
Ary ny fahenina nampidina ny tao
an-doviany tamin'i Eofrata, ony
lehibe; dia ritra ny ranony
hanamboarana ny làlan'ireny
475 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anjely fahenina, izay nanana ny
trompetra hoe: Vahao ny anjely
efatra izay mifatotra any Eofrata, ony
lehibe. Dia novahana ny anjely efatra
izay voaomana ho amin'ny ora sy ny
andro sy ny volana ary ny taona mba
hahafaty ny ampahatelon' ny olona.
Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly
dia roa alinalina; nahare ny isany
aho. Ary toy izao no nahitako ny
soavaly teo amin'ny fahitana sy izay
nitaingina azy: manam-piarovan-
tratra tahaka ny afo sy ny hyakinta
ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny
soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona;
ary misy afo sy setroka ary solifara
mivoaka avy amin'ny vavany. Ireo
loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny
setroka ary ny solifara izay nivoaka
avy tamin'ny vavany, no hahafaty ny
ampahatelon'ny olona. Fa ny herin'*
ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy
ny rambony; fa ny rambony dia
tahaka ny menarana sady manan-
doha, ka ireny no entiny
mampahory. Nefa ny olona sisa, izay
tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy
nibebaka hiala tamin'ny asan'ny
tànany, mba tsy hivavaka amin'ny
mpanjaka avy any amin'ny
fiposahan'ny masoandro. Ary nahita
aho fa indreo fanahy maloto telo
tahaka ny sahona avy tamin'ny
vavan'ilay dragona sy tamin'ny
vavan' ilay bibidia ary tamin'ny
vavan'ilay mpaminany sandoka. Fa
fanahin'ny demonia ireo ka manao
famantanrana sady mankany amin'ny
mpanjaka amin'izao tontolo izao,
mba hanangona azy ho amin'ny
adin'ilay andro lehiben'
Andriamanitra Tsitoha. (Indro, avy
toy ny mpangalatra Aho. Sambatra
izay miambina (f) ka miaro ny
fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka
izy, ka hita ny fahamenarany.) Ary
nangoniny ho any amin'ny tany atao
amin'ny teny Hebreo hoe Hara-
magedona ireny.
476 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
demonia sy ny sampy volamena sy
volafotsy sy varahina sy vato ary
hazo, izay tsy mahajery, na mahare,
na afa-mamindra; ary tsy nibebaka
tamin'ny namonoany olona izy, na
tamin'ny nanaovany ody ratsy, na
tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny
halatra nataony koa.
Vanim-potoana FANDREFESANA NY TEMPOLY
Sy FAMETAHANA NY TOMBO-KASEN’ANDRIAMANITRA
Trompetra fahafito
Apokalypsy 11.15-19:
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia
nisy feo mafy tany an-danitra nanao
hoe: Ny fanjakana amin' izao tontolo
izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy
ny Kristiny; ary Izy no hanjaka
mandrakizay mandrakizay. Ary ny
loholona* efatra amby roa-polo, izay
mipetraka eo ambonin'ny seza
fiandrianany eo anatrehan'
Andriamanitra, dia niankohoka ka
nivavaka tamin' Andriamanitra nanao
hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô,
Andriamanitra Tsitoha. Ilay
ankehitriny sy taloha, satria
nasehonao ny herinao lehibe ka efa
Loza fahafito
Apokalypsy 16.17-21:
Ary ny fahafito dia nampidina ny
tao an-doviany tamin'ny rivotra ; dia
nisy feo mahery nivoaka avy tao
amin'ny tempoly, teo amin'ny seza
fiandrianana, nanao hoe : VITA. Dia
nisy helatra sy feo sy kotrokorana,
ary nisy horohorontany mafy, izay
tsy mbola nisy toy izany hatrizay
nisian'olona teny ambonin'ny tany,
eny tsy mbola nisy horohorontany
mafy sy lehibe toy izany. Ary ny
tànana lehibe dia vaky ho telo toko,
ary rava ny tanànan'ny firenena
maro; ary Babylona lehibe dia
notsarovana teo
477 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
manjaka hianao. Ary tezitra ny
firenena maro, ary tonga ny
fahatezeranao sy ny fotoana
hitsarana ny maty, sy hanomezana
valim-pitia ny mpaminany
mpanomponao sy ny olona masina
ary izay matahotra ny anaranao, na
kely na lehibe, ary mba hanimbanao
izay manimba ny tany. Ary novohana
ny tempolin' Andriamanitra any an-
danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny
teo anatin'ny tempoliny; ary nisy
helatra sy feo sy kotrokorana sy
horohorontany ary havandra
vaventy.
anatrehan'Andriamanitra, mba
homena azy ny kapoaky ny divain'ny
firehetan'ny fahatezerany . Ary ny
nosy rehetra nandositra, ary ny
tendrombohitra tsy hita intsony. Ary
nisy havandra vaventy nilatsaka avy
tany an-danitra ho amin'ny olona,
tokony ho lanjan-talenta iray avy;
ary niteny ratsy* an'Andriamanitra
ny olona noho ny loza avy tamin'ny
havandra; fa lehibe loatra izany loza
izany.
APOKALYPSY TOKO FAHA-17
Hevi-dehibe : BABYLONA
Apokalypsy 17
17.1 Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia
fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia aty; dia hasehoko anao ny fitsarana
ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
17.2 dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny
divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
478 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
17.3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita
vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy*
sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
17.4 Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka
volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-
tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
17.5 ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-
MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-
BETAVETA AMIN'NY TANY.
17.6 Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran'ny olona masina sy
ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
17.7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga hianao? Izaho hilaza
aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibidia mitondra azy,
izay manan-doha fito sy tandroka folo.
17.8 Ny bibidia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao nefa efa
hiakatra avy tamin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny
fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo
amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho
gaga raha mijery ilay bibidia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho
avy indray.
17.9 Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia
tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy.
17.10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo
ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy
mitoetra kelikely.
17.11 Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny
fito mahavalo azy ka lasa ho amin'ny fandringanana.
479 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
17.12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy
mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora
miaraka amin'ny bibidia izy.
17.13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho
an'ilay bibidia.
17.14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy
azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy
azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
17.15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao, izay ipetrahan'ilay
vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary samy
hafa fiteny.
17.16 Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy
hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibidia mandra-
pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
17.18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka
amin'ny mpanjakan'ny tany.
FANAZAVANA
Na hiafara amin’ fiainana mandrakizay na ny fandringanana mandrakizay
ny tantara.
Ny sarinteny na ny Codes rehetra:
Apokalypsy17.1-5:
17.1 vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro:
vehivavy = fiangonana;
rano maro = olona sy vahoaka betsaka na firenena maro samy
hafa fiteny (Apokalypsy17.15)
=> fiangonan-dehibe janga lehibe miorina ao amin’ny firenena maro.
Janga = fivavahana sy fanompoan-tsampy, fampianaran-diso,
lainga rehetra.
480 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Eran’izao tontolo izao dia ahitana io fiangonana lehibe io, amin’ny
firenena samy hafa fiteny manerana izao tontolo izao , na maneran-tany.
17.2 ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny
divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany: misy firaisana ao,
tombontsoa iraisana, fahafinaretana iraisana. Miara-dalana ilay fiangonana
sy fanjakana.
17.3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita
vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy*
sady nanan-doha fito sy tandroka folo:
Bibidia no taingenany, manan-doha 7 sy tandroka 10 = bibidia dia sady
fanjakana no fiangonana tany aloha. Fa eto kosa dia misaraka indray ny
bibidia sy ny vehivavy.
Misy fiarahana amin’ireo mpanjaka maneran-tany ilay vehivavy janga,
ary mitana kalisy (calice) eny an-tanany izy. Mitafy lamba volom-parasy, sy
lamba jaky mena izy.
Iza indray ary ilay bibidia taingenan’ilay vehivavy io?
Apokalypsy17.18: ilay vehivavy hitanao dia Tanàna lehibe izay manjaka
amin’ny mpanjaka amin’ ny tany. => milaza Fiangonana lehibe manana
fanjakana eto an-tany izy, manana ny volany, fanjakany, repoblika mahaleo-
tena sy président, manana ny politikany izy, manana ny fiandrianany sy ny
fahefany. Ao Italie no misy firenena 2 dia ny an’I Roma sy Vatikana.
Vatikana dia 44 hektara, izay manana ny volany, ny fiandrianany sy ny
fanjakany. Ny president ao Italia dia tsy ambony noho ny president an’I
Vatikana. Noho izany dia manondro ny fiangonana Katolika Romana io, izay
fantatra sy miely maneran-tany.
Katolika = maneran-tany na universelle. Ary ny filoha ao Vatikana no
manome toro-lalana sy hevitra ho an’ny fanjakana maneran-tany. Zavatra
Apokalyptika ny momba io Vatikana io. Nasian’I Jehovah codes(= nafenina)
koa io mba tsy hahalalan’ny olona azy mivantana fa izay mazoto mandinika
481 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ihany no hahalala ny zava-miafina momba azy. Fa raha toa ka mivantana ny
filazana ny momba io vehivavy io dia mety ho efa ela no tsy hita tao anaty
Baiboly ity bokin’ny Apokalypsy ity. Nefa tsy misy mahasakana ny
fahendren’ Andriamanitra.
Vatikana dia anaty fanjakana Romana. In-3 miverina ny bibidia manan-
doha 7 sy tandroka 10 (Toko 11, 13, 17) fa saingy tsisy diadema intsony
rehefa ao amin’ toko 17. Diadema dia maneho fahefana tamin’ ny andron’ny
empire. Toko 13: nifindra tamin’ loha 7 ny diadema => nizara ilay fanjakana
Romana ary mbola ny mpanjaka no nitondra azy ka nipetraka tamin’ loha 7
ny diadema: nisy rava, tao ny Suisse, Portugal, allemagne. Eo amin’ toko 17
kosa dia tsisy monarchie intsony, tsisy mpanjaka intsony koa nohoizany dia
tsisy diadema eo ambony lohan’ny bibidia; satria efa president fa tsy
mpanjaka intsony no mitondra. Ny vahoaka no mametraka ny mpitondra
fanjakana. Ary mitaingina bibidia amin’ izay ilay vehivavy. Mitaingina ilay
fanjakana ilay fiangonana, izany hoe mifehy azy tanteraka.
Rehefa mitaingina soavaly ny olona iray, dia ilay mitaingina no mifehy
ilay biby, mitondra azy amin’ izay tiany haleha. Ny sary anehoana izany dia
ny fiangonana lehibe ion a vehivavy io dia mifehy ny mpanjakan;ny tany.
Mbola future io tamin’ andron’I Jaona. Fa ankehitriny kosa dia efa hitantsika
ny fanjakana miaraka amin’ fiangonana io. Manerana izao tontolo izao no
misy azy, ary fiangonan-dehibe, efa nisy hatry ny ela.
17.4 Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka
volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-
tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany :
Ireto avy ny mombamomba ilay vehivavy janga:
Kapoaka = kalisy (Katolika).
Ny ankanjon’ny cardinal dia na mena na volom-parasy.
482 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mitana kapoaka (kalisy) volamena izy, vatosoa ary perila.
Mpanan-karena indrindra ity vehivavy ity amin’ny vehivavy rehetra:
manana tany be, hopitaly tsara indrindra, sekoly tsara indrindra, fambolena
hary fomba indrindra. Na dia ny kalisy isotroany aza dia volamena, fa tsy vy
na chrome.
Mitafy lamba volom-parasy = fitafian’ny mpanjaka, fahamboniana faran-
tampony. Miaraka amin’ fanjakana izy io. Toy izany I Vatikana, manaiky azy
avokoa eny fa na dia hatramin’ Arabo, sy ny fitondram-panjakana rehetra
maneran-tany.
Apokalypsy 17.5 ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao
hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY
ZAVA-BETAVETA AMIN'NY TANY:
Fijangajangana ara-panahy no tiany lazaina eto fa tsy ara-nofo akory. Ny
famantarana rehetra ao amin’ny Baiboly dia novainy avokoa: 1) Ny
famantarana an’I Jesosy Kristy maty 3j3n dia novainy tanteraka. 2) Ny
famantarana momba ny Sabata koa izay nasain’I Jehovah hotandremana sy
hajaina dia novainy ho andro alahady. Ny fiangonana zandriny rehetra taty
aoriana dia mandova ny foto-pampianarana nentiny avokoa: Temoins,
protestanta, anglikana, sy ny sisa.
17.6 Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran'ny olona masina sy
ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra:
Tsy azon’ny Masera na Mompera atao ny miala raha tsy te-hanaraka ny
fivavahana Katolika intsony izy; fa fahafatesana no miandry azy raha manao
izany izy, satria nahalala ny zava-miafina izy ireo ka atahorana hamoaka ny
tsiambaratelon’ny fiangonany.
Tsy mitombina mihitsy ny filazana fa ny fiangonana Apokalypsy no
voalaza fa io vehivavy janga io satria izy aza dia tsy mbola nisy nandritry ny
1000 taona akory.
483 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 17.7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga hianao?
Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibidia
mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
Apokalypsy 17.8 Ny bibidia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao
nefa efa hiakatra avy tamin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho
amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy
voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao
tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia, izay teo ihany ary tsy eo
izao, nefa mbola ho avy indray:
Oviana I bibidia no teo ihany? Oviana indray izy no tsy teo? Inona ny fery
saika nahafaty azy?
Efa mivelatra amin’ ny vazantany efatra ny fahefana taingenan’ ilay
vehivavy, manan-doha 7 sy tandroka 10.
Manambara ny pouvoir temporel ao Vatikana izany (fanjakana ara-nofo):
538-1798: Nanjakan’I bibidia voalohany.
Io ilay fetrandro 1260 andro = 40 volana = 3 andro sy tapany nanjakany.
1798 – 1929: Nianjera ny fanjakan’ny Vatikana. Nisy fery saika nahafaty
azy izay niandoha tamin’ 1798. Teto izany no vanim-potoana nametrahana
an’I Jaona tamin’ny nahitany io fahitana io.
1929: Sitrana tamin’ilay fery saika nahafaty azy I bibidia. Tafaverina
tamin’ny fahefany sy ny heriny indray I bibidia.
Ny fiangonana indray no mibaiko ny fanjakana amin’izay itiavany azy.
Izany no hevitry ny faminaniana ny amin’ny vehivavy janga mitaingina
bibidia.
Izay rehetra tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra no
mandray ny mariky ny bibidia.
484 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Novahana ny lavaka tsy hita noanoa tany amin’ny Apokalypsy toko faha
9. Nisy trompetra fahadimy notsofina teo ary nisy loza nitranga koa:
Apokalypsy9: Novahana ny lavaka ary niakatra avy tao ny valala…
Novohaina indray ny lavaka eo amin’ny Apokalypsy 20:
Apokalypsy20.1-4: Natsipy ao anaty lavaka tsy hita noanoa ilay dragona
ary haverina hidiana ao indray izy mandrapahatapitry ny 1000 taona.
Apok… Niakatra avy tao anaty lavaka tsy hita noanoa ilay dragona,
novahana taorian’ny nahasitranan’ilay feriny.
Gaga ny olona ambonin’ny tany raha nahita an’I bibidia voafatotra satria
mihevitra izy ireo fa masina I bibidia ary hanavotra izao tontolo izao. Nino ny
hery sy fahagagan’I bibidia ireo mpanara-dia azy, ary gaga sy talanjona ireo
raha nahita an’I bibidia voafatotra. Ireo no tsy manana ny anarany
voasoratra amin’ bokin’ny fiainana.
Ny toerana misy ilay vehivavy janga ara-jeografia:
Apokalypsy 17.9 Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia
tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy.
Apokalypsy 17.18:
Vehivavy = Tanàna lehibe manjaka amin’ mpanjakan’ny tany. Etat
dans l’état. Firenena iray manana fahefana sy fiandrianam-pirenena anaty
firenena iray izay efa manana fiandrianam-pireneny sy fanjakany. Manana
ny volany, filoha, ambasadaoro, toe-kareny, politikany, sy ny sisa.
Iza no firenena toy izany afa-tsy Vatikana sy Roma eran’izao tontolo izao?
Loha fito = tendrombohitra fito.
Efa tsy mitovy amin’ny filazana ny bibidia teo aloha intsony ny fisehoan’I
bibidia eto amin’ny toko faha-17. Ny bibidia voalaza tao amin’ Apokalypsy12
sy 13 dia nisy diadema, ary tsy nisy resaka loha 7 mihitsy tany.
485 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fa ato amin’ Apokalypsy17 kosa dia eo amin’ny loha 7 no ipetrahan’io
vehivavy io. Tadiavo hoe aiza eran’izao tontolo izao no misy tendrombohitra
7 anaty firenena iray?
Ao Roma irery ihany no misy ny tendrombohitra 7. Ao anaty encyclopedia
no ahitana ny anaran’ireo tendrombohitra fito ireo: Avantin, Coelus, Esculin,
Vinimal, Quinimal, Capitolin, Palatin. Fiangonana lehibe ao Roma io vehivavy
io, misy tendrombohitra 7 ny tanàna misy azy. Ny fiangonana Katolika
Romana ao Vatikana irery ihany no fiangonana lehibe indrindra miorina
amin’ny Tanàna na firenena misy tendrombohitra fito eran’izao tontolo izao.
Ny amin’ireo mpanjaka fito:
Apokalypsy 17.10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray
mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia
tsy maintsy mitoetra kelikely. 17.11 Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo
izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo azy ka lasa ho amin'ny
fandringanana.
Iza ireo mpanjaka 7 ireo? Iza ny 5 lavo? Iza ilay iray mbola tsy tonga?
Iza ilay bibidia tsy teo nefa ho avy ka maha-8 azy?
Ny Apokalypsy 11 (fandrefesana ny tempoly) sy Apokalypsy 17
(Babylona) no sarotra hazavaina indrindra satria mila porofo mazava tsara
vao azon’ny olona. Raha tsy nanaraka fanazavana hatranyhamboalohany dia
tsy tokony hanaraka fampianarana raha izao vao hanomboka hianatra isika.
1798 – 1929: nisy fanjakana 5 efa rava, ny iray mbola eo, ny iray mbola
tsy tonga (Apokalypsy 17.11), ny bibidia mbola tsy eo no maha-8 azy.
1798: rava ny fanjakan’I bibidia. 1798-1929: tsy teo I bibidia
(Apokalypsy 17.11).
Iza indray ireo fanjakana 5 rava ireo?
Tsy iza ireo fa ilay bibidia voalazan’I Daniela ihany:
Fanjakana 5 rava teo amin’ tantara =
486 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
(1). Babylona (Liona),
(2). Mediana sy Persiana (Bera),
(3) Grika (Leoparda),
(4). Empire Romana na Romana Jentilisa (..)
(5). Fanjakana Rome Papal (538-1798). Teo no nametrahana an’I Jaona
amin’ny alalan’ny fahitana na faminaniana.
Bibidia loha 7 sy tandroka 10 voalaza tao amin’ Daniela ihany ireo
voalazan’ny Apokalypsy io.
(6). Fanjakana iray tavela = fanjakana Romana atao hoe Italia izay mbola
teo ihany na dia rava aza ny Rome Papal. Rome Papal no rava, fa ny Rome
Italia dia mbola teo ihany.
Rehefa rava ny empire romana dia nizara fanjakana 10 (= tandroka 10)
izy:
Tandroka 10 = Allemagne, Francais, Saxon, Vigigon (Espagne), Ostrogo,
Beryl, Vandal, Bourgonden (Swisse), Portugal, Lombard (Italie, Rome)
Bibidia teo ihany ary tsy eo izao nefa mbola hiverina:
(8). Rehefa sitrana sy tafaverina I bibidia dia lasa fanjakana 2 no tao
Italie, satria efa eo ny Rome Italie, ary I bibidia no maha-8 azy. Niverina tao
Italia ihany ny Rome Papal rehefa tafaverina ny fanjakany. Koa lasa misy
fanjakana roa izany ao Italie, dia Rome Papal (fanjakana faha-8) sy Rome
Italia (fanjakana faha-7).
Ny fanjakan’ireo tandroka 10
17.12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy
mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora
miaraka amin'ny bibidia izy.
Rehefa nizara 10 ny fanjakana Romana dia niteraka ny Europe modern,
ireo no tandroka 10. Ny Emperora rehetra tamin’ izany fe-potoana 1798 –
1929 izany dia teo ambany fahefan’ny Papa avokoa. Miankohoka eo
487 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anatrehan’ny fanjakana Rome Papal avokoa izy ireo. Nisy emperor tsy nety
nandeha nanatona ny Papa. Vokatr’izany dia nesorina tamin’ny fahefany io
emperor io. Rehefa tsy mety miankohoka eo anatrehan’I bibidia ny
mpanjaka dia esorina eo miny ny fanjakany.
17.13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho
an'ilay bibidia.
17.14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry
haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka
Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy
voafidy ary mahatoky.
Miantso antsika Andriamanitra hanompo Azy, mifidy ny olony koa Izy,dia
izay olona mahatoky no hanompo Azy mandrakizay.
Ny Zanakondry haharesy azy satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny
mpanjaka Izy. Misy olona ondrin’Andriamanitra maheno ny antso, misy ny
mbola anatin’ny valan’I bibidia sy dragona sy mpaminany sandoka, misy
amin’ ireo no mihaino sy mahatoky ary voafidin’Andriamanitra. Tsy mety
miala amin’ fampianarana marina sy manaraka an’I Jesosy maty tamin’ ½
herinandro sy nilevina 3J3N satria efa voaantso sy voafidy ary mahatoky.
Misy ny mpiandany amin’’I dragona sy bibidia ary mpaminany sandoka ka
mihaino ny fampianarana fotsiny mba hahazoany mitsikera be fahatany. Ireo
no fahavalo efa resy satria ny Zanakondry efa naharesy azy ireo. Ka na iza
na iza manaraka ny Zanakondry dia handresy ny fahavalo koa izy. Izay
rehetra momba an’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro dia
mpandresy ny fahavalo. Jesosy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny
mpanjaka. Izay rehetra te hivoaka ho mpandresy koa dia mivoaha malaky
sy miala ao amin’ny valan’I bibidia sy mpaminany sandoka io.
Jesosy = zanak’ ondry, Tompon’ny tompo, mpanjakan’ny mpanjaka, no
heady amin’I bibidia. Hiafara amin’ny farihy afo sy solifara ny bibidia satria
fahavalo efa resy izy.
488 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nantsoina isika hanaraka an’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro. Safidy nefa no omena antsika, fa tsy an-tery izany. Tsarovy nefa
fa horavaina I Babylona tananan’I bibidia, ny zanak’ondry dia haharesy azy,
ary izay rehetra manompo an’I Krsity Jesosy koa dia ho mpandresy. I bibidia
kosa dia hosamborina sy hogadraina araka ny Soratra Masina amin’ny
fotoana efa voalazan’ny Soratra Masina.
17.15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao, izay ipetrahan'ilay
vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary
samy hafa fiteny.
17.16 Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy
hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an'ilay bibidia mandra-
pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
17.18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay
manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.
NY SARON-DOHA AO AM-PIANGONANA
Tokony hisaron-doha ve ny vehivavy ao am-piangonana?
1 Korintiana 11.15: Raha lava volo ny vehivavy dia voninahitra ho azy
izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
Inona ary no antony ilain’ny vehivavy misaron-doha rehefa ao am-
piangonana satria ny volony no efa nomena azy ho fisaronana?
Inona no atao hoe manome voninahitra an’ Andriamanitra?
Apok. 14.6-7: 14.6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo
afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin' izay
489 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny
samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,14.7 nanao tamin'ny feo mahery hoe:
Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro*
fitsarany; ary miankohofa eo anoloan' Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny
ranomasina ary ny loharano.
Hoy ilay anjely :”Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy.” Io
no filazantsara torian’ilay anjely mandrakizay.
Misy karazany maromaro ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
1. Fihobiana an’ Andriamanitra amin’ny fitehafan-tanana:
Salamo 47.1-2: Fihobiana noho ny niakaran’ny Tompo: Mitehafa
an’Andriamanitra, matahora an’Andriamanitra, omeo voninahitra Izy ka
mitehafa tanana.
Tehaka = fanomezam-boninahitra
Naminany ny mpanao Salamo momba ny niakaran’I Jesosy any an-
danitra ary nilaza ny tokony hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.
Tokony hatokana manokana an’Andriamanitra ny fitehafan-tanana satria
fanomezam-boninahitra Azy. Nefa ny zava-misy dia tsy avelan’ny devoly
hitehaka ny fiangonana fa lazainy fa fomban’izao tontolo izao ao am-
piangonana. Rehefa mijery fetin’izao tontolo izao nefa ny olona dia mitehaka
sy mihoby azy ireo. Ny mihetsika tromba koa dia asain’ny devoly homena
tehaka.
Nefa Jehovah Andriamanitra no tokony homena voninahitra sy hitehafan-
tanana. Izay no mahatonga ny mpivavaka amin’ny fiangonana Apokalypsy
mitehaka rehefa midera an’Andriamanitra amin’ny hira izay atao.
2. Midera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zava-maneno rehetra:
Salamo 149.50: Midera Azy amin’ zava-maneno, kipantsona tsara feo,
sodina, lokanga, trompetra, …
490 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nefa misy olona mikatona ny fijeriny ary tsy mahalala Soratra Masina; ka
milaza fa ny orgue irery ihany no azo ampiasaina ao am-piangonana. Tsy
avelan’I Satana hampiasa zava-maneno maro ny miderana an’Andriamanitra
ny mpivavaka, fa tazoniny ho azy avokoa izany rehetra izany. Tsy mahagaga
raha mampatory ny hira ary tsy mazoto ny olona manao ny hira fiderana.
Ary izao tontolo izao koa no mampiasa ireny zava-maneno ireny.
3. Misaron-doha ny vehivavy ao am-piangonana:
1 Korintiana 11.15: Raha lava volo ny vehivavy dia voninahitra ho azy
izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
Ny volo lava dia voninahitra ho an’ilay vehivavy lava volo ihany ny
voninahitra , fa tsy ho an’Andriamanitra akory. Tokony hovakiana tsara
hatrany hatrany ny sora-mandry mialoha ny toko sy andininy vakiana, ary
koa ireo andinin-tSoratra Masina mialoha sy aorian’ilay teny ilaina
fanazavana; mba tsy hahadiso hevitra antsika ary koa mba hahazoana tsara
ny hevitra fonosiny. Misaratsara-tsaina tokoa ny olona na dia ny
mpianakavy azan oho ny fahamarinana, satria misy foana ireo tsy mety
manaraka ny fahamarinana.
Ny sora-mandry mialoha ity Korintiana voalohany 11 ity dia efa milaza
mazava tsara hoe “Ny tokony hisaronan’ny vehivavy loha ao am-
piangonana:”
1 Korintiana 11.1-20: 11.1 Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny
anahafako an'i Kristy. 11.2 Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy
amin'ny zavatra rehetra hianareo, sady mitana tsara ny fampianarana
natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo. 11.3 Ary tiako ho fantatrareo
fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny
vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. 11.4 Ny lehilahy rehetra, raha
mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
491 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
11.5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy
misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra
izy. 11.6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa
raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka
hisaron-doha izy. 11.7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria
endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry
ny lehilahy. 11.8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy
no nihavian'ny vehivavy. 11.9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy,
fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. 11.10 Izany no mahamety ny vehivavy
hisaron-doha Gr,hanana fahefana eo amin'ny lohany noho ny amin'ny
anjely.
Tsy natao ho an’ny vehivavy Korintiana manokana akory ny fisaronan-
doha ao am-piangonana satria ny zavatra rehetra voalazan’ny boky
Korintiana voalohany sy faharoa dia tsy natao ho azy ireo irery ihany. Ohatra
hoe ny 1 Korintiana dia efa misy toko 16 isa. Tsy natao ho an’ny vahoaka
tao Korinto irery nefa izany boky izany, fa ho an’izay rehetra mpanara-dia
an’I Kristy.
Raisintsika ohatra ity andinin-tSoratra Masina ity:
“I Kristy no lohan’ny lehilahy ary ny lehilahy no lohan’ny
vehivavy.”
Voalaza ao amin’ ny bokin’ny Korintiana izany. Nefa tsy natokana ho
an’ny vahoaka tao Korinto irery ny hafatra, fa natao ho antsika rehetra. Ny
lehiben’I Kristy dia Andriamanitra, ny lehiben’ny lehilahy dia I Kristy, ny
lehiben’ny vehivavy dia ny lehilahy.
Misy ambarantongam-pahefana ao. Jesosy dia manome voninahitra an’
Andriamanitra; ny lehilahy dia manome voninahitra an’I Jesosy; ny vehivavy
dia manome voninahitra ny vadiny raha manam-bady izy.
492 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny lehilahy dia tsy tokony hanao saron-doha raha mivavaka na
maminany ao an-trano na any am-piangonana satria maha-afa-boninahitra
ny lohany izany. Iza moa no lohan’ny lehilahy? I Kristy no lohan’ny lehilahy.
I Kristy no afa-baraka raha misaron-doha ny lehilahy, satria I Kristy no
lohany.
Ny vehivavy dia tokony hisaron-doha rehefa mivavaka na
maminany:
Andininy 5: Ny vehivavy rehetra kosa raha mivavaka na maminany ka tsy
misaron-doha dia maha-afa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaaratra
izy.
Raha manam-bady izy dia ny vadiny no lohany; fa raha tsy manam-bady
izy dia I Kristy avy hatrany no afa-boninahitra satria lohany Izy. Noho izany
dia tokony hisaronan-doha ny vehivavy mba ho fanomezam-boninahitra ny
lohany dia ny vadiny, I Kristy ary Jehovah Andriamanitra.
Andininy 6: Izay vehivavy tsy te hisaron-doha ao am-piangonana dia
tokony hetezana na haratana ny volony (hetezana atao sola be).
Ny lehilahy dia endrika sy voninahitr’ Andriamanitra ka tsy tokony
hisaron-doha.
11.8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no
nihavian'ny vehivavy. 11.9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa
ny vehivavy no ho an'ny lehilahy. 11.10 Izany no mahamety ny vehivavy
hisaron-dohaGr,hanana fahefana eo amin'ny lohany noho ny amin'ny anjely
Raha lava volo ny lehilahy dia ny tenany ihany no afa-boninahitra, fa tsy
Andriamanitra akory. Tsy ny lohany no afa-boninahitra fa izy tompony ihany.
Fa raha mivavaka kosa izy na maminany dia tsy tokony hisaron-doha satria
493 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ny lohany no afa-baraka, izany hoe I Kristy Jesosy izay lohany no afa-
baraka.
1 Korintiana 1.11.13 Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka
amin' Andriamanitra ka tsy misaro-doha ny vehivavy? 11.14 Tsy
mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava
volo ny lehilahy dia mahafa-boninahitra azy izany? 11.15 Fa raha lava volo
kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany; fa ny volo no nomena azy ho
fisaronana.
FEHINY:
Raha lava volo ny lehilahy dia ny tenany mihitsy no afa-boninahitra fa tsy
I Kristy. Raha lava volo kosa ny vehivavy dia voninahitra ho an’ny tenany
izany fa tsy an’I Kristy, tsy Andriamanitra, ary tsy ny vadiny. Ny fisaronan-
dohan’ny vehivavy kosa indray dia fanomezam-boninahitra ho an’
Andriamanitra sy I Kristy rehefa mivavaka aminy sy maminany.
Ny lehilahy kosa rehefa mivavaka sy maminany dia tsy mahazo misaron-
doha satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra ary mba ho voninahitr’
Andriamanitra sy I Kristy izy rehefa mivavaka sy maminany.
Koa mendrika ve ny vehivavy mivavaka ao am-piangonana sy maminany
nefa tsy misaron-doha? Ary ny lehilahy koa dia misaron-doha? Tsia, diso
izany. Ny tenany ihany no omeny voninahitra raha manao izany izy ireo. Tsy
matahotra an’Andriamanitra izy ka tsy manome voninahitra Azy. Lava volo =
misarona ny tenanao vehivavy, dia efa manam-boninahitra ny tenanao.
Raha ao am-piangonana kosa dia tokony hisaron-doha ny vehivavy mba
hanome voninahitra an’ Andriamanitra izy.
Inona no atao hoe Fiangonana tsy manome voninahitra ho an’
Andriamanitra?
494 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
- Ny fiangonana tsy misaron-doha ny vehivavy ao am-piangonana
- Ny fiangonana izay tsy miankohoka rehefa mivavaka.
- Ny fiangonana izay tsy miteha-tanana rehefa mihoby sy manome
voninahitra an’Andriamanitra rehefa mandre ireo asa lehibe sy mahagaga
nataon’ Andriamanitra, toy ny fanasitranana, fanafahana, famahana olana, …
- Ny fiangonana izay tsy mampiasa zava-maneno isankarazany entina
midera an’Andriamanitra.
- Ny fiangonana izay tsy mankalaza sy midera an’Andriamanitra amin’ny
dihy dia tsy manome voninahitra an’Andriamanitra izy.
Tsy mahagaga raha tsy manao izany ireo fiangonana hafa satria
manompo ny Jesosy maty Zoma nitsangana Alahady izy ireo ary tsy mba
manaraka tsar any tenin’ny Soratra Masina izy ireo. Izany no atao hoe
marina tapany.
Tokony hisy rindran-damina koa momba ny saron-doha ao am-
piangonana. Tokony hitovy loko avokoa ireny saron-doha ireny. Fa
maninona ny masera sy ny mpiandry ihany no misaron-doha amin’ny
fiangonana manompo an’I Jesosy maty zoma?
4. Fanomezam-boninahitra an’i Jehovah amin’ny alalan’ny
fanatitra sy ny ampahafolon-karena
Ny ampahafolon-karena no ahazoana fitahiana ara-bola avy amin’
Jehovah. Izay matoky amin’ ampahafolo-nkarena dia mahazo tso-drano avy
amin’ Jehovah, Izy no hanokatra ny varavaran’ny lanitra hitondra fitahiana
manana amby ampy ho azy.
495 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Malakia 3:7-12: 7 Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala
tamin'ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba
hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy
hianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo?
Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny
fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra]
9 Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao
hianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako,
mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy
Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho
anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11 Ary hasiako teny mafy ny valala [Heb. mpandany.] noho ny aminareo,
ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny
voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
12 Ary hianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany
mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Deotoronomia 16.16b-17: Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra
fanatitra eo anatrehan'i Jehovah; 17 fa aoka samy hanatitra izay zakany
avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
Raha notahian’I Jehovah isika dia tokony hitondra fanatitra isaky ny
mandeha any an-kianjan’Andriamanitra. Raha toa kosa ka tsy nandray
fitahiana mihitsy nandritra ny henemana dia rariny raha tsy hitondra
fanatitra hisaorana an’I Jehovah ianao.
Tsy maintsy mitondra fanatitra ve rehefa mivavaka ary tsy maintsy
manao ampahafolon-karena ve rehefa mandray fitahiana?
496 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mety ve raha homena ny mahantra ny ampahafolo-nkarena?
Ny vahoaka Isiraely ihany no manompo an’I Jehovah ary izy ireo ihany no
nasaina nanao fanatitra sy ampahafolon-karena. Olona efa voatokana no
omena ny ampahafolon-karena dia ny Levita izany.
Nomery 18.21-39: 21 Ary indro, ny taranak'i Levy efa nomeko ny
fahafolon-karena rehetra amin'ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana
izay ataony, dia ny fanompoana ny amin'ny trano-lay fihaonana. 22 Ary tsy
mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak'Isiraely,
fandrao meloka izy ka maty. 23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana
momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra[Na: hanaisotra] ny
helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka
fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely
izy. 24 Fa ny fahafolon-karen'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho
an'i Jehovah, dia efa nomeko ho an'ny taranak'i Levy ho fananany; izany no
nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.
25 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
26 Mitenena indray amin'ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin'ny
Zanak'Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy
aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an'i Jehovah izany.
Ny Levita dia tsy mba manana asa fivelomana voatokana hataony; fa
manompo an’ Andriamanitra mandrakariva izy ireo. Noho izany dia nasain’I
Jehovah nomena azy ireo ny ampahafolon-karena, ary hangalany
ampahafolon-karena kosa izany ho an’I Jehovah.
Nomery 18.27-32 - 27 Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo
toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana. 28
Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an'i Jehovah avy amin'ny
497 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin'ny Zanak'Isiraely; ary
avy amin'izany no hanateranareo ho an'i Jehovah, dia ho an'i Arona
mpisorona. 29 Ary amin'ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo
ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara
indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy. 30 Dia lazao aminy
hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy hianareo, dia hisaina ho an'ny
Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny
famiazana izany. 31 Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny fitoerana
rehetra hianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny
fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 32 Ary tsy hahazoanareo
heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy hianareo; ary tsy
holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty
hianareo.
FAMINTINANA:
Mba hahazoana famelan-keloka dia mitondra biby ny zanak’Isiraely
tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha mba atao fanatitra.
Mba hahazoany fitahiana ara-nofo kosa dia mitondra ampahafolon-karena
ny zanak’Isiraely dia ny ampahafolon-karena amin’izay rehetra vokatry ny
asany. Ny Levita koa dia manome ampahafolon-karena ho an’I Jehovah
araka izay rehetra azony avy amin’ny zanak’Isiraely.
Inona no mitranga raha mitsahatra tsy mitondra ny ampahafolon-
karena ireo zanak’Isiraely?
Ny zava-misy nefa dia rehefa nandray fitahiana betsaka ny zanak’Isiraely
dia tsy mety mandoa ampahafolon-karena amin’I Jehovah intsony izy ireo.
Tonga aminy amin’izay ny ozona ka lasa marary ny zanany, lasa mahantra
izy ireo, very ny fitahiana efa azony, feno olana sy fahasahiranana izy araka
ny Malakia 3.7-12.
498 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Rehefa nanan-karena ireo vahoaka Isiraely dia nanadino an’I Jehovah ary
tsy mety mitondra ampahafolon-karena ho an’I Jehovah. Tonga amin’izy ireo
ny ozona. Ravan’ny olana samihafa ny fiainan’izy ireo. Noho izany dia
niverina nivavaka sy nitaraina tamin’I Jehovah izy ireo. Nilaza izy ireo fa efa
nitandrina ny didy sy fitsipik’Andriamanitra rehetra, efa tsy mihinana biby
maloto intsony, efa niala tamin’ny mariky ny bibidia, efa mitandrina ny
Tenin’Andriamanitra, nefa dia mbola iharan’ny ozona ihany. Tsy fantany ny
tena antony nahatonga ny fahasahiranany raha tsy niteny taminy Jehovah
ka nampahafantatra azy vokatry ny tsy fanaovany ny ampahafolon-karena
dia manjary voaozona izy ireo. Tonga aminy ny aretina sy ny fahantrana ary
ny olana isankarazany satria tsy mba namerina ny ampahafolony ho
an’Andrimanitra izy ireo. Voalaza fa mandroba an’Andriamanitra ny tsy
fitondrana fanatitra sy ny tsy fanaovana ny ampahafolon-karena.
Koa raha vao manao ampahafolon-karena tsy marina isika dia tsy
amin’ny mpitondra fivavahana no mandroba isika fa amin’I Jehovah. Izy no
mahalala ny marina rehetra tokony hataontsika.
Malakia 3.10: … ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah,
Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka
hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Miala amintsika ny ozona (valala) ary miditra ny fitahiana raha toa ka
manaraka izany tenin’I Jehovah izany isika.
Ny ampahafolo-karena amin’izao vanim-potoana iainantsika izao:
Amin’izao vanim-potoana izao indray dia isika no tempolin’Andriamanitra.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra mivoaka avy
amin’ny vavan’Andriamanitra.
Salamo 96.7-9: 7 Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza
voninahitra sy hery ho an i Jehovah. 8 Manomeza an'i Jehovah nyvoninahitry
ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. 9 Miankohofa
499 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo
anatrehany, ry tany rehetra.
Arak’izany dia fanomezana voninahitra an’ Andriamanitra koa ny
fitondrana fanatitra ho Azy sy ny fanaovana ny ampahafolon-karena.
Akanjo voatokana koa no tokony hoentina mivavaka, fa tsy izay efa
entina mianatra sy miasa ihany akory no entina mivavaka. Ny anton’izany
dia ho fanomezam-boninahitra an’I Jehovah Andriamanitra.
Salamo 50.14: 14 Manatera fanati-pisaorana ho an'Andriamanitra; ary
efao amin'ny Avo Indrindra ny voadinao;
Salamo 50.23: 23 Izay manatitra fanati-pisaorana no manome
voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny lalany no hanehoako ny famonjen'
Andriamanitra.
Fomba mahomby hialana amin’ olana ara-bola sy ny sakana rehetra eo
amin’ asa sy ny fiainana ny fanaovana ny ampahafolo-nkarena. “Miverena
Amiko” hoy Jehovah, izany hoe mitondra fanatitra sy ampahafolon-karena.
Tokony ho marina tsara ny ampahafolon-karena entintsika amin’
Andriamanitra. Tsy miankina amin’ny toetry ny mpitondra fivavahana na ny
mpivavaka miaraka aminao no andoavanao ny ampahafolo-nkarena, fa ho
an’Andriamanitra tanteraka izany, ary hanaovana ny asan’Andriamanitra,
hitoriana ny Filazantsara amin’ ireo izay mbola tsy nahare izany.
Araka izay fitahiana nomena anao no tokony haloanao amin’’I Jehovah.
Tokony hatao torak’izany koa ny fanatitra: arakaraka ny fanambinana sy
fitahiana nomen’I Jehovah anao no tokony ataonao fanatitra. Tsy hoe na
kely vola azo na be dia tsy miova mihitsy ny fanatitra aterinao ho an’I
Jehovah. Izany no fanatitra misy kilema satria tsy mifanaraka amin’
fanambinana azonao no aterinao amin’’Andriamanitra. Ny ampahafolo
nkarena diso koa dia toy ny mamitaka an’Andriamanitra ka mitondra ozona
500 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
sy loza. Aleo tsy manao mihitsy toy izay manao ampahafolo nkarena tsy
marina.
Hebreo 3.6:
Isika no Tempolin’Andriamanitra, isika no asiana hanina. Kristy no zanaka
manapaka ny tranon’ Andriamanitra.
Malakia 3:7-15
Entonareo ny ampahafolo karena mba asian-kanina ao. Tsy sakafo ara-
nofo io fa ara-panahy. Ilay olona mbola tsy nahalala ny zava-miafina momba
ny nahafatesan’I Jesosy, ny 666, ny fitaka sy ny lainga rehetra ary izay tena
fahamarinana no mila fanampiana.
Rehefa tsy mitondra ampahafolo ny zanak’Andriamanitra dia tsy mahazo
hanina ny tranon’Andriamanitra, tsy misy teny hozaraina amin’ ireo izay
mbola tsy mandre izany.
Raha tsy mitondra ny ampahafolon-karena ao an-tranon’Andriamanitra
ireo nandray fitahiana dia ozona no miandry azy. Ny valala (=
mpisompatra amin’ny fomba rehetra, fantatra na tsy fantatra
antony, hita maso na tsy hita, ara-nofo na ara-panahy) no hanimba
ny asa fivelomany sy ny fidiram-bolany.
Efa fantatsika ny Andriamanitra tompointsika dia Marina; koa aoka isika
hatoky amin’ny ampahafolo-nkarena. Efa tsy manao fanatitra ho an’I
demonia sy ny Kristy sandoka intsony isika satria efa mahalala
an’Andriamanitra marina sy I Jesosy ivavahantsika. Koa noho izny dia
tokony hotandremantsika ny tenin’Andriamanitra izay manoro antsika ny
fomba hamahana ny olana sy hiadiana amin’ny fahantrana eo amin’ny
fianantsika.
Tombony ho antsika ny mahay manavaka ny mariky ny bibidia sy ny
mariky ny sariny ary momba ny Jesosy maty tamin’ ½ herinandro.
501 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mety ve ny mivoady amin’Andriamanitra? Tsy maintsy efaina ve
ny voady atao amin’Andriamanitra?
Azo atao ny manao voady amin’I Jehovah. Nefa tsy tokony ho ela fanefa
voady amin’I Jehovah isika.
Deotoronomia 23.22-24: Raha mivoady amin’’I Jehovah ianao dia aza ela
fanefa fa adininy aminao izany.
Tokony tsy hamitaka an’I Jehovah izany isika fa manjary mahita loza.
Mpitoriteny 5.3: Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia aleo tsy
mivoady toy izay tsy mahefa izany.
Tsy tokony hivoady amin’ Andriamanitra kosa isika, fa raha toa ka
tanteraka ny zavatra angatahintsika nefa tsy mahefa voady dia hanjary
hitondra loza sy ozona indray izany. Mety ny tsy fahatanterahan’ ny voady
no mampitontongana ny fari-piainan’ny olona iray satria namitaka an’
Andrimanitra izy.
Ny hoe asio hanina ny trano firaiketako dia midika fa isika tsirairay izay
tempolin’ny fanahy Masina dia mila sakafom-panahy na tenin’Andriamanitra.
Mahatsiaro faly isika mandray ny tenin’Andriamanitra satria mahazo hery,
fitahiana, vahaolana. Izany no tontosa dia noho ny fanaovantsika
ampahafolon-karena ho an’ireo Levita izay manao ny asan’Andriamanitra. Ny
ampahafolon-karena amin’ny fiangonantsika dia nentina nananganana ny
radio ampiasaintsika hitoriana ny tenin’Andriamanitra manerana ny Nosy,
hividianana tany hanaovana fiangonana, handoavana karaman’ny
mpitandrina eran’ny Nosy, hanaovana tafon’ny fiangonana, hividianana
zava-maneno, hanaovana asa fitoriana hatrany ampitan-dranomasina any,
hividianana fiarakodia hanaovana ny asa fitoriana any an-tany lavitra any
mba hasian-kanina koa any, …
502 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Raha tsy ny ampahafolon-karena izay averintsika dia tsy ho afaka nihaino
maimaim-poana ny fampianarana amin’ny Radio toy izao isanandro isika,
ary tsy afaka manao izany asa rehetra voalaza izany.
Tsy terena anefa ny olona hanao ampahafolon-karena, tsy terena
hitondra fanatitra isaky ny mandray fitahiana, fa manana safidy malalaka ny
olona tsirairay hanao izany. Nefa ampahafantarina ny olona izay manompo
an’I Jehovah far aha manao ampahafolon-karena izy dia handray fitahiana,
far aha tsy manao izany kosa, na manao ihany fa tsy amin’ny fahamarinana
dia ny ozona no miandry azy.
BABYLONA SY NY FITAFIANA
Ahoana no tsy mahamety ny ny vehivavy manao fitafian-dehilahy, ary ny
lehilahy manao fitafiam-behivavy? Tokony hiravaka volamena sy vatosoa ve
ny vehivavy raha mivavaka?
Deot.4: Aoka ny vehivavy tsy hanao fitafian-dehilahy.
I Timoty 2: Aoka ny olona hanompo an’I Jehovah amin’ fitafiana
Misy ny fitafiana any Babylona, misy ny fitafiana any Jerosalema.
I Petera 3.3-5: Aoka ny firavahanareo tsy amin’ endrika ivelany fa amin’
toe-po anaty feno fahamendrehana, tahaka ny niravahan’ny vehivavy
masina taloha dia toetra tsara ao am-po.
Ny mahasamihafa ny mponina any Babylona sy any Jerosalema
dia eo amin’ fihinana, fisotro, fiteny, fijery, fihaino, toe-po sy toe-
tsaina:
Zanak’Andriamanitra
Any Jerosalema
Zanak’izao tontolo izao
Any Babylona
503 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fitafiana mihaja, madio,
maontina, masina, tsotra.
Miravaka toetra tsara ao am-po fa
tsy manao firavaka amin’ny vatana
Fitafiana mamoha-fady, sarobidy,
manaraka ny fomban’izao tontolo
izao sy ny fomba ivelany.
Kavina, firavaka volamena,
volafotsy na vy
Isaia 4:1
Hira fiderana an’Andriamanitra,
feno fifaliana.
Fandihy maontina no entina
midera an’I Jehovah.
Ny jeren’ny maso: sary mihetsika
masina mampiseho ny hery sy
voninahitr’ Andriamanitra.
Hira feno fanentanana vatana sy
mihetsika be toy ny kilalaka,
Mandihy sady mampiseho faritra
mamohafady.
Ny jeren’ny maso: sary mihetsika
vetaveta, mifamono, feno habibiana
Sakafo voalazan’ny Baiboly. Ireo
biby maloto dia tsy azo hohanina.
Levitikosy 11.
Sakafo: hohaniny daholo ny biby
rehetra: scorpion, kadradraka,
bibilava, kisoa
Izay rehetra manimba vatana dia
tsy fisotr.
Fisotro: toaka, kafe, alkaola,
mahazo hohanina daholo ny zavatra
rehetra fa mivavaka fotsiny
Fomba fiteny feno fanajana Fomba fiteny feno fahatezerana,
avonavona, fihatsaram-belatsihy,
fitenenan-dratsy.
Ny dikan’ny kavina:
Any ampitan-dranomasina any, ny lehilahy mikavina rehetra dia
homosexual, na pede. Sofina ankavanana ny kavina raha maka ny toeran’ny
lehilahy ilay lehilahy , ary sofina ankavia raha maka ny toeran’ny vehivavy
ilay lehilahy. Ny vehivavy koa dia manao kavina daholo, manao lokomena sy
manjamaso na maquillage, sy ny sisa.
504 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA-18
18.1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina
avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny
voninahiny.
18.2 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! Rava
Babylona lehibe! Ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'* ny fanahy maloto
rehetra ary akanin'* ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
18.3 Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no
nahalavoan'* ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga
taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanan-karena noho ny
hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
18.4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà
aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy
hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
18.5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa
nahatsiaro ny ratsy nataony.
18.6 Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny
nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny,* dia fenoy* indroa heny ho azy.
18.7 Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-
mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa
izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy
mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
18.8 koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy
izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa
mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
18.9 Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-
nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra
sy hitomany azy, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
505 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
18.10 eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny
fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy ! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe!
Ry ilay tanàna mafy! Fa tamin'ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.
18.11 Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa
tsy hisy mpividy intsony ny entany:
18.12 dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy pèrila sy rongony
fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona,
sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-
bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
18.13 sy havozomamy sy zavatra mani-pofona* sy ditin-kazo sy menaka
manitra sy ditin-kazo mani-pofona,* sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto
sy vary tritrika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona.
18.14 Ary ny vokatra soa* nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary
ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao,
ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.
18.15 Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanan-karena
taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany
ka hitomany sy hisaona
18.16 ary hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nitafy
rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka
volamena sy vato soa ary pèrila.
18.17 Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany.
Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny
ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any
an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
18.18 ary raha nahita ny setroky ny fandoroana azy, dia niantso nanao
hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
18.19 Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy dia niantso sady
nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy ! indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay
506 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina
noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no
nahafoana izany.
18.20 Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo
olona masina, sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa
Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
18.21 Ary nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato
lehibe fikosoham-bary dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe:
Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka
tsy ho hita intsony izy.
18.22 Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny
mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony;
ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo
aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao
intsony;
18.23 ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary
ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa
lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka
ny firenena rehetra.
18.24 Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona
masina sy izay rehtra novonoina teny ambonin'ny tany.
FANAZAVANA:
Babylona = vehivavy janga ara-panahy. Fanahy sandoka avokoa no
miasa ao, miandany amin’ dragona sy
Azony entina ao am-piangonana avokoa ny fitafy rehetra.
Azo atao ao am-piangonana avokoa ny hira rehetra fa tsisy fady, tsisy
fahamasinana: kilalaka, mpihiran’ny Babylona no antsoina hitadiavana vola
507 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
ao am-piangonana. Malalaka amin’ izay tiany hatao izy, mandeha daholo ny
hira rehetra. Ao am-piangonana ihany no masina ny olona fa raha vao
mivoaka ao dia manao ny ratsy efa fanao sy ny zavatra mahafinaritra ny
tena.
Apokalypsy 18.7 Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-
mahafinaritra ny tena…
Tsy misy andro ivavahana fa mitady vola amin’ fomba rehetra izy na
halatra, na famitahana na fisolokiana.
Misotro toaka vao maraina, mamonjy bara, milaza ho kristiana nefa dia
miady aman’olona, mifanala baraka ao an-tanana, eran’ny tsena. Manao
fiteny tsy mendrika, feno teny ratsy.
Nefa ny olona mihezaka manana fiainana ara-panahy dia tsy mba manao
toy izany.
18.4 Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà
aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy
hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
18.5 Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa
nahatsiaro ny ratsy nataony.
Tonga ny antso ankehitriny ho antsika izay maheno ity sy mamaky azy:
tian’Andriamanitra ianao hivoaka amin’’io Babylona io. Tsy
fomban’Andriamanitra ny handringana ny olona raha tsy efa mahare ilay
olona mba tsy hiombonana ota amin’’ireo olona ireo. Ary mba tsy hisy
hahazo anao ny loza efa hihatra amin’ Babylona lehibe.
Article 16 amin’ny fivorian’ny devoly sy ny mpanompony: hohatsaraina
ny fitateram-bahoaka manerana izao tontolo izao.
Rehefa mahatsapa ianao fa olon’I Jesosy Kristy maty tamin’ ½ herinandro
dia tokony hivoaka faingana amin’ Babylona ara-panahy izay manompo an’I
Jesosy maty Zoma sy nitsangana Alahady tsy manaraka ny Soratra Masina.
Mivoaha koa amin’ Babylona ara-nofo izay mankafy ny fanompoan-tsampy,
508 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fahavetavetana, fitafiana mamohafady, fisotroan-toaka sy ny toetra tsy
mendrika rehetra.
Ho avy ny afo handevona an’I Babylona ka izay rehetra mikambana
aminy dia ho levon’ny afo.
Saotra ataon’ny any an-danitra noho ny fitsarana an’I Babylona.
Ny Anjely nidera an’Andriamanitra ka nanao hoe Haleloia, nidera
an’Andriamanitra. Nahare feo mafy avy any an-danitra I Jaona. Tonga ny
fampakaram-badin’ny zanakondry.
Midera an’Andriamanitra = miankohoka, midera an’I Jehovah,
amin’ feon-java-maneno isankarazany, mivavaka, ny vehivavy
manao saron-doha, mitehaka sady midera an’Andriamanitra, mihira,
…
Hisy fifaliana be sy firavoravoana be amin’ ny fampakaram-badin’ny
zanak’ ondry.
Galatiana 3.27: na iza n’iza natao batisa amin’ Kristy dia hitafy an’I
Kristy.
Mino = atao batisa mba hovonjena
Tsy mino = tsy atao batisa dia hohelohina.
Natao batisa = nino = miara-maty, miara-milevina ary miara-
mitsangana amin’i Kristy.
Raha ohatra ka Kristy maty zoma no nanaovanao batisa dia ny fitafian’io
no tafianao. Raha I Kristy maty araka ny Soratra Masina kosa dia ilay maty
tamin’ ½ herinandro, nilevina telo andro sy telo alina ary nitsangana tamin’
andro fahatelo. Io no ilay rongony fotsy madinika tafian’ny olona masina
voalazan’ny Apokalypsy.
Misy ilay miteny fa tsy tokony hatao batisa intsony rehefa vita batisa
tamin’ mbola kely. Nefa raha diso ny Jesosy Kristy nanaovanao batisa dia
fitafian’io no raisinao sy itafianao.
509 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Fanasana sy fampakaram-badin’ny zanakondry = batisa mitondra
ho amin’ny fiainana mandrakizay.
APOKALYPSY TOKO FAHA 19
Hevi-dehibe:
Fanambadiana – Fijangajangana – Fisaoram-bady
Apokalypsy 19.1 Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny
vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy
ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika; 19.2 Fa marina sy
mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy-- dia
ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany-- ary namaly azy noho ny
ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. 19.3 Dia niteny fanindroany
ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay
mandrakizay. 19.4 Ary ny loholona* efatra amby roa-polo sy ny zava-
manan-aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra, Izay
mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
19.5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao
hoe: Miderà an'Andriamanitsika hianareo mpanompony rehetra, dia hianareo
izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe. 19.6 Dia nahare feo tahaka ny
an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary
tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo
Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. 19.7 Aoka isika hifaly sy ho
ravoravo ka hanome voninahitra Azy; Fa tonga ny fampakaram-badin'ny
Zanak'ondry, ka efa niomana ny vadiny. 19.8 Ary nasaina nitafy rongony
fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy
madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina. 19.9 Ary hoy koa
izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana
510 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny
marin'Andriamanitra. 19.10 Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba
hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa
mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny
filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i
Jesosy no fanahin'ny faminaniana. 19.11 Ary nahita ny lanitra voasokatra
aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe:
Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
19.12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary
Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny
tenany ihany. 19.13 Ary miakanjo akanjo voafafy ra* Izy; ary ny anarany
atao hoe: Ny tenin'Andriamanitra. 19.14 Ary ny antokon'ny miaramila any
an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo
rongony madinika sady fotsy no madio. 19.15 Ary misy sabatra maranitra
mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy
hanapaka* azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny
divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. 19.16 Ary manana
anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy manao hoe:
MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. 19.17 Ary hitako fa,
indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro ary
niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra
teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangona ho amin'ny fanasana
lehiben' Andriamanitra; 19.18 mba hihinananareo ny nofon'ny mpifehy arivo
sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy
ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
19.19 Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny
miaramilany tafangona mba hiady amin'Ilay mitaingina ny soavaly sy
amin'ny miaramilany. 19.20 Ary nosamborina ilay bibidia mbamin'ny
mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay
511 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
nentiny namitaka ny efa nandray ny sariny; ary dia natsipy velona ho any
amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. 19.21 Ary ny olona sisa dia
matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina ny soavaly; ary
ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
FANAZAVANA
Ny rongony fotsy madinika dia maneho ny asa marina ataon’ny olona
masina.
Fitafiana fotsy = batisa ao amin’I Jesosy maty tamin’ny antsasaky ny
herinandro
Galatiana 3.27: N’iza n’iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia
nitafy an'i Kristy.
Ny Matio 24 dia manao fanoharana I Kristy milaza ireo olona nasaina tam
fampakaram-badin’ny zanak’ondry nefa tsy nanao ny fitafiana mendrika.
Izany dia maneho ireo efa natao batisa tamin’ny finoana hafa ohatra hoe
Jesosy maty zoma, ka rehefa nasaina izy, izany hoe rehefa nahita ny lala-
marina araka ny Soratra Masina, dia tsy mba nety natao batisa amin’I
Jesosy maty sy nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina, dia ilay
maty telo andro sy telo alina izany.
Inona no antony isaraham-panambadiana araka ny Soratra Masina?
Ary raha misaraka ve dia mbola afaka manam-bady indray?
A. Fanambadiana:
Romana 13.1-2:
Tokony hanaiky ny fahefana iray ny olona izany hoe ny fahefam-
panjakana eto an-tany. Fanjakana = lalana. Misy lalana ve mikasika ny
fanambadiana?
512 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Romana 7.1:
Miteny amin’’izay mahalala ny lalana, voatendrin’Andriamanitra ny lalana.
Lalàna = fanjakana manapaka ny olona raha mbola velona izy: lalan’ny
fiaraha-monina, fanmbadiana, tontolo iainana, ranomasina sy jono,
fitrandrahana harena an-kibony tany, sns.
Ny atao hoe mpivady araka ny lalana:
Taloha, misy ny mivady ara-pomban-drazana fotsiny. Io no ara-dalana
tamin’ny fiaraha-monina taloha. Misy fomba atao amin’ny fianakaviana toy
ny tapi-mason’ny anadahy, vola atolotra ny ray aman-dreny sy dadabe sy
renibe, sns.
Ankoantr’izany koa dia misy fanoratana ara-panjakana vao atao hoe vita
fanambadiana ara-dalana ny mpivady.
Mpivady araka ny fiangonana: voatsodranonin’ny pretra na pasitera. Tsy
azo sarahin’ olombelona. Hamasinina any am-piangonana koa ny
fanambadiana taty aoriana: misy fivavahana atao sy fombafomba isan-
karazany.
Raha misy olona vita vodiondry sy mariazy any am-piangonana nefa tsy
vita soratra ara-panjakana dia tsy mety amin’ny fomba Malagasy. Tsy
maintsy manaraka ireo filaharany ireo ny fombam-panambadiana.
B. Olona tsy manam-bady:
Ionoka = olona tsy manam-bady.
Misy ionoka noho ny nataon’ny olona, na izy teraka tsy hanam-bady, na
izy manolo-tena ho an’Andriamanitra ka tsy manam-bady.
Mety ho mbola mianatra na efa miasa nefa mbola mpitovo ka mety ho
mitady vady (celibataire). Misy koa manam-bady fa efa maty ny vadiny. Ao
koa ny nanam-bady fa nisaraka, ka tsy manam-bady intsony.
513 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
C. Fisaraham-panambadiana
Ny Matio 19.10-12 dia milaza ny antony tokony hisian’ny fisaraham-bady.
Tsy tokony hisara-bady ny mpivady afa-tsy ny noho ny fijangajangana
ihany. “Nefa tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany afa-
tsy izay nomena izany teny izany ihany… Aoka handray izany izay mahay
mandray azy.”
Matio 19.3-12: 19.3 Ary nisy Fariso nanatona Azy Na: [Ary nanatona Azy
ny
Fariseo] , dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny
lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?
19.4 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa
Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy
(Gen.1.27), ka dia nanao hoe: 19.5 " Ary noho izany ny lehilahy dia handao
ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray
ihany izy roroa " (Gen.2.24)? 19.6 ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray
ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy
hampisarahin' olona. 19.7 Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no
nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo.24.1). 19.8
Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no namelan'i Mosesy anareo
hisao-bady; fa tamin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. 19.9 Fa lazaiko
aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny
fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga; ary izay
mampakatra ny voasaotra dia mijangajanga koa. 10.10 Dia hoy ny
mpianatra taminy: Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo
tsy manambady. 19.11 Fa hoy Izy taminy: Tsy ny olona rehetra no mahay
mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; 19.12 fa misy ionoka, izay
teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny
olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny
fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
514 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tamin’ ny voalohany dia nomena vady iray ihany ny olona. Nefa noho ny
fahamafin’ny fon’ny olona dia mitady izay hisarahana izy. Ny antony
ahafahana misara-bady nefa dia tokana ihany: dia ny fijangajangana. Ao
amin’ny Testamenta Taloha dia tokana ihany ny vadin’I Jehovah dia ny
zanak’ Israely, ary I Kristy no vadin’nyfiangonana.
Jeremia 3.13-14: 12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao
teny izao hoe: Miverena hianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy
hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa hamindra fo Aho, hoy
Jehovah, Ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay. 13 Kanefa kosa ekeo ny
helokao, Fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, Ary nivezivezy
nankany amin'ny hafa hianao Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, Fa tsy
mba nihaino ny feoko hianareo, hoy Jehovah. 14 Miverena, ry zaza
mpiodina, hoy Jehovah, Fa izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako izay
isan-tanàna hianareo Sy roa isam-pokony, Ka ho entiko any Ziona hianareo;
Mamindra fo Izy ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay. “Miverena ry
zaza mpiodina hoy Jehivah fa Izaho ihany no vadinareo.”
Nisy ny fisaraham-panambadiana teo amin’i Jehovah sy nyzanak’Israely.
Fijangajangana = fanompoan-tsampy: fanompoana an’I Bala, sy
andriamanin-kafa.
Nanarin’I Jehovah izy ireo. Nifona ary nibebaka izy. Navelan’I Jehovah
ny helony. Niverina nijangajanga indray ary nokapohiny sy nofaizin’I
Jehovah ka nalefany andevo tany Egypta. Nifona indray izy, ka niverina
tamin’ Jehovah. Niverina nijangajanga indray izy ireo taty aoriana ka
nisaoran’I Jehovah, (nisao-bady) ka naringany mihitsy.
Naniraka an’I Jesosy Jehovah avy eo.
515 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Naniraka mpiasa ny tompon’ny tanim-boaloboka nefa novonoin’ny olona
ny mpiasa. Naniraka mpiasa iray koa ilay tompony tany nefa mbola
novonoin’ny olona ihany izy. Naniraka ny zanany lahitokana indrya ilay
tompon’ny tany avy eo kanefa mbola novonoin’izy ireo ihany. Toy izany koa
no nahazo an’I Jesosy. Nisaoran’I Jehovah amin’izay io vadiny io ka
nampakatra hafa Izy.
Iza ary io vehivavy hafa nampakarina io?
Galatiana 3.27-29: Na iza na iza no hianareo natao batisa ho amin’I
Kristy dia mitafy an’I Kristy.
Taloha ny Isiraely dia ilay taranaky ny 12 lahy. Nefa taty aoriana dia izay
rehetra mitafy an’I Kristy no lasa zanak’ Andriamanitra afaka mandeha amin’
fampakaram-badin’ny zanak’ ondry. Tsy ny zanak’ Isiraely ao Tel Aviv
intsony izao no vadin’I Jehovah satria izy ireo dia efa namono an’I jesosy
zanak’ Andriamanitra. Fa izay rehetra manaiky an’I Kristy ho tompo sy
mpamonjy ny fiainany dia vadin’I Jehovah avokoa.
Tsy antony tokony hisaraham-bady ny fisotroan-toaka, na ny aretina, na
ny ady na famonoam-bady, n any kilema ara-batana na ara-toetra.
Ny fijangajangana irery ihany no antony azo ekena amin’ny fisaraham-
bady. Nefa na dia misy aza fijangajangana, dia tokony hisy aloha ny:
1. Fananarana,
2. Kapoka,
3. Famaizana, ary farany vao tokony hisy ny :
4. Fisarahana.
Rehefa voamarina sy voaporofo mazava eo amin’ny fianakaviana sy ny
lalàna velona na fitsarana fa mijangajanga ny mpivady vao tokony hisy ny
516 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
fisaraham-panambadiana. Ny fitsarana no miandraikitra ny fanatanterahana
ny fisarahana. Mametraka koa ny fiangonana fa efa niala nenina ka
nampihatra ny lalàna tamin’ilay olona nijangajanga.
Izay manam-bady ny olona misara-bady dia mijangajanga ve sa tsia?
Tokony mbola hanambady ve sa tsia? Raha manam-bady misaraka, raha
maty vady,
Romana 7.1-3:
Raha mbola velona ilay rangahy na ramatoa ka manam-bady olon-kafa
dia mijangajanga izy. Nefa tsy ny olona rehetra no mahatakatra izany ka
mahay mandray izany. Raha maty kosa ny iray ka manam-bady olon-kafa
dia tsy mijangajanga izy.
Izay mahalala ny lalàna no nanoratan’I Paoly ity Soratra ity. Koa noho
izany, dia mety ho sarotra ho amin’izay tsy mahalala ny lalàna ny mandray
ny hevitra ambarany amin’izany.
Iza no atao hoe tsy manam-bady? Celibataire, na maty vady, na nisara-
bady araka ny lalàna velona sy ny araka ny Soratra Masina, nisara-bady
noho ny fijangajangana ka vita divorce, rehefa natao daholo ny
fampihavanana rehetra nefa tsisy vahaolana.
Ny Romana 7 dia milaza momba ny vehivavy manam-bady izay
fehezin’ny lalana ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy na ny vavy. Izay
manam-bady nefa mitady hanam-bady olon-kafa dia mijangajanga. Raha
mbola velona koa fa tsy maty nefa tsy vita ny divorce dia mijangajanga
satria mbola mihatra ny lalàna.
Romana 7.1-3: miteny ho amin’ izay mahalala ny lalàna I Paoly eto. Raha
mampakatra vady hafa ianao nefa tsy vita divorce dia mijangajanga izay. –
ny lalana lazain’I Paoly eto dia manambara fa tsy mahazo manam-bady
olon-kafa ny lehilahy na vehivavy efa manam-bady raha mbola velona ny
iray. Raha tsy izany dia atao hoe mijangajanga izy.
517 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Afaka manam-bady olon-kafa ve ary ve ilay lehilahy na
vehivavy rehefa vita ny fisaraham-panambadiana na divorce ?
Ny Romana 7 dia milaza fa ny vehivavy izay manam-bady ara-dalana dia
tsy mahazo manam-bady olon-kafa raha tsy vita divorce.
Ireo tsy manam-bady ara-dalàna koa dia mijangajanga koa izay
tokantrano izay satria tsy nisora-panambadiana ara-dalàna fa manao
tonkantrano maso. Savoritaka mandrakariva no iainany fa tsy misy
filaminana.
Manam-bady = efa voafatotra.
I Korintiana 7.1-3: Ny amin’ny fanambadiana.
Tsara amin’ lehilahy rehetra ny tsy mikasi-behivavy, nefa noho ny
fijangajangana dia tokony hanam-bady ihany izy. Toy izany koa ny
vehivavy. Tafiditra ao avokoa ny karazan’olona tsy manam-bady rehetra
voalaza etsy ambony. Ny maty vady sy ny mpitondratena koa dia tsara raha
mitoetra tokan-tena ihany. Nefa raha tsy maharitra izy ireo dia aoka hanana
ny vadiny ihany izy. Tsara ny manam-bady toy izay maimay. Tsy mety ny
manao sipasipa fotsiny maharitra taona maro nefa tsy mivady.
I Kor.7.8-10: Ny olona manam-bady koa (vita soratra ara-dalana), dia
aoka tsy hiala amin’ vadiny. Ary raha nisy niala tamin’ tokantranony ny iray
ka misara-tooerana dia tokony hitoetra tsy manam-bady izy roa.
Ny lahy tsy mino dia efa masina amin’ vavy izay mino, mba ho masina ny
zanak’izy roa. Voararan’ny Baiboly ny fisaraham-panambadiana. Raha mety
mitoetra ihany ny iray dia aoka tsy hisaraka amin’ vady. Fa rah any vady tsy
mino kosa no te hiala aminao dia avelao izy hiala. Raha tsy vita ny divorce
dia tsy afaka manam-bady hafa.
518 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA-20
FIZARANA FAHAFITO – JEROSALEMA VAOVAO
Apokalypsy 20
20.1 Ary hitako, fa, indro nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana
ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;
20.2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy
Satana izany) ka namatotra azy arivo taona,
20.3 dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany,
dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro
intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy
maintsy hovahana kelikely aloha izy.
20.4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo
amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay
notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy
izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny
ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany;
ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona;
20.5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-paha-tapitry
ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
20.6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana
voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho
mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
20.7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao
amin'ny trano-maizina nitoerany20.8 ka hivoaka hamitaka ny firenena any
amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any
amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
519 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
20.9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona
masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka
nandany azy.
20.10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo
sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary
hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.
20.11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay
mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany; ka tsy
nisy hitoerany intsony.
20.12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo
anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa
novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka
izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany.
20.13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia samy
notsaraina araka ny asany izy.
20.14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny
farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
20.15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana,
dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
FANAZAVANA
Arahabaina izay rehetra naharitra ny fampianarana hatramin’ ity toko 20-
21 ity ka afaka tao Babylona, naharesy ary afaka tamin’ fitaka sy ny
famatoran’I Satana.
Apokalypsy 9.1-2: Nomena ilay anjely ny fanalahidin’ny lavaka be tsy hita
noanoa rehefa latsaka tety an-tany I Satana. Tokony hipetraka tanaty
lavaka izy nefa nomena fahafahana handehandeha ary hamitaka.
Ny tany = lavaka tsy hita noanoa izay nihidy.
520 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Satana = kintana, anjely ratsy latsaka an-tany.
Mbola mifanerasera eto daholo ny olona tsara sy ratsy, ny mpivavaka sy
ny tsy mpivavaka. Rehefa vita ny asan’I Satana dia hidina indray izy
mandritra ny 1000 taona. Rehefa tapitra ny 1000 taona dia hovahana indray
izy hanohy ny asany. Rehefa tapitra ny 1000 taona namatorana azy dia
novahana indray izy.
Apokalypsy 9.2-5: Nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa ilay anjely
nanana ny fanalahidy.
Apokalypsy 20.1 Ary hitako, fa, indro nisy anjely nidina avy tany an-
danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny
an-tànany;
20.2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy
Satana izany) ka namatotra azy arivo taona,
20.3 dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany,
dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro
intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy
maintsy hovahana kelikely aloha izy.
Rehefa vitany ny asany dia gadraina ilay Satana.
Apokalypsy 20.7-10: 20.7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana
Satana ho afaka ao amin'ny trano-maizina nitoerany20.8 ka hivoaka
hamitaka ny firenena any amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga,
mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny
isany.
20.9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona
masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo* nidina avy tany an-danitra ka
nandany azy.
521 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
20.10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo
sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary
hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.
Aorian’ny 1000 taona vao misy ny devoly sy satana mankany amin’
afobe.
Raha namoaka devoly tamin’ demoniaka mipetraka amin’ fasana I Jesosy
dia nilaza ilay devoly hoe: “Tonga aty va ianao hampijaly anay alohan’ny
fotoana?”
Matio 8.28-34:
Fantatry ny devoly tsara ny fahefan’I Jesosy Kristy, fantany koa ny fe-
potoana tokony hireharehany sy handehandehanany ary ny fotoana
higadrany.
Matio 8.30:
Ka nalefan’I Jesosy tamin’ Kisoa andiany ny devoly tamin’’ilay demoniaka.
Ary niriotra ho any amin’ ranomasina ireo ka maty tany.
Matio 8.34:
Vao nahita an’I Jesosy ny olona rehetra dia niangavy azy hiala tao an-
tanana mba tsy hanimba ny kisoany. Torak’izany koa ny olona ankehitriny:
raha vao fivavahana mikasikasika ny kisoa dia mahatezitra ny olona ary tsy
mety hanaraka izany izy ireo. Maro ny olona mankasitraka ny fivavahana
mihinana kisoa. Laviny tokoa ny lalana voalazan’ny Levitikosy 11.
Ireto koa ny karazana kisoa ara-panahy: Fomba fitafy mitanjaka, fihinana
tsy araka ny didin’Andriamanitra, hira sy film vetaveta, fanompoana ny
jesosy maty zoma sy ny tsy fananana finiavana hahalala ny marina.sy ny
sisa.
Maro koa ny mpampiasa mandrahona ny mpiasa ao aminy raha
manaraka ny fivavahana mikitikitika ny kisoany voalaza eo ambony.
522 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny mpanara-dia azy koa dia manaraka azy rehefa afaka ny 1000 taona
Apokalypsy 20.4-6: 20.4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy
nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny
fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na
teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na
ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona;
20.5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-paha-tapitry
ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
20.6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana
voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho
mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Manambara ny fe-potoana iaingan’ny 1000 taona io: manomboka amin’
fitsnaganana amin’ maty ny 1000 taona. Maty tany aloha tany sy amin’ izao
andro iainatsika izao, maty ho amin’ hoavy, ny sasany kosa tsy ho faty
mihitsy amin’ fihavian’I Kristy. Hahita ny fitsanganan’ny maty ireo.
Jaona5.22-29:
Nanambara I Kristy fa hisy fitsanganana amin’ maty ho an’ny olona
nanao ny tsara sy ny nanao ny ratsy. Tsy hiaraka ireo akory. Nefa azo
antoka fa tsy maintsy hitsangana amin’ maty ny ratsy sy ny tsara fanahy.
Ireo maty notaoahin-doha noho ny filazantsara sy ny tsy mety nandray
ny mariky ny bibidia no hitsangana voalohany. Ireo velona ka tsy mba
nandray ny marika teny amin’ handriny/sandriny, tsy niankohoka teo
anoloan’ny dragona no hiara-hanjaka an’I Kristy 1000 taona. Izay mandresy
amin’ ady amin’ andro lehiben’Andriamanitra no hitsangana amin’ maty; ho
velona ary hakarina ho any amin’ Tompo mandritry ny 1000 taona.
523 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
I Tesaloniana 4.15-17: Ny hihavian’I Kristy sy ny toetry ny Kristiana
amin’ fihavian’ny Tompo.
Izay maty ao amin’ I Kristy no hitsangana aloha.
Satana kosa izany migadra eto an-tany mandritry ny 1000 taona
mandritry ny fotoana hanjakan’ny voaloham-bokatra miaraka amin’’I Kristy
1000 taona.
Ny maty tsy mitsangana dia tavela ao am-pasana dia ireo izay ratsy
fanahy, tsy hitsangana amin’ maty. Satana irery no eto amin’ tany 1000
taona. Ireo no ho tratry ny fahafatesana faharoa.
Ny olomasina kosa dia hakarina any an-danitra hiara-manjaka amin’’I
Kristy 1000 taona. ireo no handresy ka tsy ho tratry ny fahafatesana
faharoa.
1 Korintiana 15: Ny nofo aman-dra dia tsy hahazo handova ny
fanjakan’ny lanitra. Ny mety maty sy ny mety lo dia hitafy tsy fahafatesana
sy tsy fahalovana.
Rehefa tapitra ny androntsika dia tsy maintsy ho faty isika. Nefa hovaina
anatin’ny indray mipi-maso, izay vao hitsena ny Tompo
Matio 24.29-31:
Manambara ny fihavian’ny Tompo: ny volana dia tsy mazava intsony, ny
masoandro dia hohamaizinina. Ny sisa amin’ maty dia mbola tsy hitsangana
dia ireo mpanao ratsy rehetra ka tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra. Ny
mpanompon’I bibidia sy dragona sy mpaminany sandoka koa dia tsy
hitsangana amin’’io fitsanganana voalohany io. Torak’izany koa ireo
nanamavo ny fampianarana sy ny mpaniratsira. Hiara-maty amin’
fahamaizinana ireo. Satana sisa no eto an-tany mandritra ny 1000 taona.
1 andro amin’ Andriamanitra = 1000 amin’ny olombelona
Adama – Mosesy = 2000 taona
Mosesy - Kristy = 2000 taona
Kristy – ankehitriny = 2000 taona
524 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Efa kely sisa dia ho tonga ny 1000 taona fitsaharana. Rehefa tapitra ny
1000 taona dia hovahana kelikely indray I Satana.
Rehefa tapitra ny 1000 taona, ahoana indray ny momba antsika mbola
velona ankehitriny?
Apokalypsy 20.4-6:
Raha sanatria ka maty ka tsy nitsangana amin’ maty amin’ fitsanganana
voalohany ka tsy hitanao any ny fianakavianao na ny mpiara-mivavaka
aminao dia efa any amin’ fitsanganana faharoa izany angamba izy ireo.
Ireo no voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra
Apokalypsy 14.4-5: voaloham-bokatra ireo, tsy nisy lainga ary tsy nanan-
tsiny izy ireo.
Apokalypsy 7.13-17:
Ireo no avy tamin’ fahoriana lehibe, ny ankanjony nosasanhy sy
nofotsiany ary manompo an’Andriamanitra andro aman’alina izy.
Izay tsy manana anjara amin’ fitsanganana voalohany dia efa ananan’ny
fahafatesana faharoa sy farihy afo.
I Tesaloniana4.16-17:
Hitsangana amin’ maty avokoa ny olona rehetra n any nanao tsara na ny
nanao ny ratsy.
Jaona 5.28-29:
Manao ny tsara => hitsangana amin’ny maty ho amin’ny fiainana.
Manao ratsy => ho amin’ny fahafatesana faharoa sy farihy afo.
Misy fitsanganana amin’ maty faharoa ho an’izay rehetra tsy nitsangana
tamin’ fitsanganana voalohany:
Apokalypsy 20.7-10:
Vahana I Satana rehefa tapitra ny 1000 taona. Hiakatra hamaky ny tany
izy ary mbola hanangona ny azy hiady amin’’ilay andro
lehiben’Andriamanitra. Ary hisy afo avy any an-danitra handevona azy.
525 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Tahaka ny fasika an-dranomasina ny isan’ireo mpanompon’I dragona
ireo. Hitsangana amin’ maty koa izy ireo.
Apokalypsy 20.13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny;
ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia
samy notsaraina araka ny asany izy.
20.14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny
farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
20.15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana,
dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
Ny ranomasina aza dia hamoaka ny maty tao anatiny, hitsangana ny
maty rehetra na dia ireo very faty aza.
Rehefa vita ny 1000 taona dia hidina avy any an-danitra Jerosalema
vaovao:
Apokalypsy 21.1-2: 21.1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa
efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia
tsy misy intsony.
21.2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao,
nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny
ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
Eto an-tany no hiainana mandrakizay rehefa tapitra ny 1000 taona. Ao
daholo ny olom-boavonjy rehetra izay tsy mba nandray ny mariky ny bibidia
sy ny sariny.
Ho velona daholo indray ny olona efa maty rehetra : dia ny olon-dratsy,
mpisoloky, mpiavonavona, ny mpanenjika fivavahana, ny mpamono olona,
ireo manam-pahaizana amin’ lafiny matematika, siantifika, framasonina, sy
ny sisa. ireo rehetra nitsangana amin’ maty ireo dia mbola hofitahin’I Satana
indray koa. Hiseho ho Kristy izy ary hitarika ny olona tarihiny sy momba azy
hanafika ny Tanana masina. Potika daholo ny fitaovana rehetra ety an-tany,
ny fitaovam-piadiana rehetra, ireo mpanantona sikidy sy ombiasy sy ny sisa.
526 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ka noho izany dia hisy fotoana indray izany hanaovan’izy ireo fitaovam-
piadiana mahery vaika entiny hanafika sy hamotika an’I Jerosalema vaovao.
Apokalypsy 1.1: Hahita Azy ny olona rehetra eny fa na dia izay nandefona
Azy aza.
Hitsangana amin’ maty avokoa amin’ fitsanganana faharoa ireo, ary
hahita ny voninahitr’I Kristy.
NY BOKIN’NY FIAINANA:
Izay rehetra tsy ao anatin’ny bokin’ny fiainana dia efa tratry ny
fahafatesana faharoa ka atsipy anaty farihy afo sy solifara miaraka izay
rehetra nandray ny mariky bibidia sy ny sariny ary ireo rehetra mpanara-dia
azy.
Apokalypsy 20.11-15: 20.11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana
fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra
ny tavany; ka tsy nisy hitoerany intsony. 20.12 Ary nahita ny maty aho, na
ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary
novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny
fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo
anatin'ny boky araka ny asany. 20.13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny
maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny
maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. 20.14 Ary ny
fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo.
Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. 20.15 Ary raha nisy tsy
hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny
farihy afo izy.
Notsaraina araka izay voasoratra anatin’ny bokin’ny fiainana ny olona.
Apokalypsy 3.5: Sardisy: izay maharesy dia hitafy lamba fotsy ary tsy
hamono ny anarany ao amin’ bokin’ny fiainana Aho.
527 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Iza ireo mitafy lamba fotsy?
Apokalypsy7.13: Ireo no avy tamin’ fahoariana lehibe ary ny ankanjony
nosasany sy nofotsiany tamin’ ran’ny Zanakondry. Io fitafiana fotsy io dia
noraisina tamin’ny batisa araka ny Romana 3.4.
Mino izy fa niara-maty, naira-nilevina ary niara-nitsangana tamin’ I Kristy
tamin’ maty ary io batisa io no handraisantsika ny fitafian’I Kristy.
Etsy andaniny kosa, araka ny Apokalypsy 13.8 dia hiankohoka eo
anoloan’i bibidia sy ny sariny ny olona rehetra ambonin’ny tany
(eouccumine) dia izay rehetra tsy manana ny anarany voasoratra ao amin’ny
bokin’ny fiainana.
Izay rehetra miankohoka anoloan’I bibidia sy ny sariny dia efa mazava
tsara fa ho very ary tsy ho voasoratra ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana ny
anarany.
IREO BOKY VOASORATRA ANY AN-DANITRA
Misy boky 3 voasoratra any an-danitra:
Boky voalohany = Bokin’ny fahotana: anoratana ny fahotan’ny
olona rehetra.
Isaia 65.6-7:
Voasoratra anaty boky daholo eo anatrehan’I Jehovah ny helokareo sy ny
fahotan’ny razanareo. Koa raha tsy mibebaka isika dia tsy mahazo famelan-
keloka. Raha maty ianao ka tsy voasasa ny fahotanao dia olo-meloka tsisy
mpisolovava sy mpifona ho anao. Dia meloka izany ianao.
Boky faharoa = Boky fitadidiana ny soa nataontsika.
Malakia 3.16-18:
528 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Hanoratana sy hitadidiana ny miresaka ny fatahorana an’I Jehovah. Ireo
dia izay rehetra mitory ny filazantsara, manampy amin’ lafiny ara-pitaovana
na ara-bola, hanaovana asan’Andriamanitra, mahafoy vola sy zavatra
hanaovana ny fiangonana, mahafoy vola ho an’I Mpitondra fivavahana sy ny
ankohonany, manampy ny mahantra, manao ny asan’Andriamanitra rehetra,
ny fanompoana, sy fikelezana aina. Misy boky nosoratana any an-danitra ho
fahatsiarovana izay rehetra matahotra an’I Jehovah.
Boky fahatelo = Bokin’ny fiainana.
Hanoratana ny matahotra an’I Jehovah, olona vita fitsarana.
Apokalypsy 20.12:
Ny maty dia notsaraina araka ny asany.
Rehefa velona isika dia tokony hanao ny asan’Andriamanitra, sy
hatahotra an’Andriamanitra. Rehefa maty isika dia tsy afaka manao asa
intsony.
Apokalypsy 14.13:
Sambatra ny maty dia izay maty ao amin’ Tompo, fa hitsahatra amin’izay
nitsaharany izy ary ny asany manaraka azy ihany.
Maty ao amin’ny Tompo = maty nanompo an’I Jesosy maty
tamin’ny antsasaky ny herinandro, nilevina telo andro sy telo alina ary
nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
Izay tsy nahavita ny fanompoana an’Andriamanitra fony fahavelony dia ho
voasoratra anatin’ny bokin’ny fahotana avokoa ny helony rehetra ka entina
hitsarana azy. Tsy maintsy mandalo fitsarana isika, ka rehefa maty tsy vita
batisa dia tsy hanana anjara amin’ny fiainana mandrakizay, satria tsy
nandray ny fitafian’I kristy, ka noho izany dia miandry ny fahafatesana
faharoa, ary ny farihy afo solifara.
529 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mampatahotra ny fitsaran’ny lanitra. Raha vao maty isika dia mivoaka
avy hatrany ny didy. Fa raha maty vita batisa ao amin’I Jesosy maty telo
andro sy telo alina isika ka tsy niankohoka tamin’ny bibidia sy ny sariny, dia
Jesosy Kristy no hisolovava hifona ho antsika eo anatrehan’ny Ray.
Izay tsy hita anatin’ny bokin’ny fiainana kosa ny anarany dia hatsipy avy
hatrany anaty farihy afo solifara. Izay no tsy tokony hanaovana ny
fivavahana sy ny fahamarinana ho ambanin-javatra. Raha maty amin’
ambom-po sy fankahalana ianao dia ho very mandrakizay. Samy manapaka
izay anjarany sy ny ho aviny avy isika olombelona.
Apokalypsy 20.4-6:
Be dia be no olona henjehina noho ny Soratra Masina: hovonoina,
hotapahin-doha, hodorana velona, higadra mandrapahafaty, sy ny sisa.
Apokalypsy 2.9-11: Fantatro ny fahantranao sy ny fahorianao … Aza
matahotra izay efa hiaretanao aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana ianao.
Izay maharesy dia aoka tsy hosimbain’ny fahafatesana faharoa.
Inona moa io fahoriana io?
Esorina avokoa izay tombontsoa azonao raha manompo an’I Jesosy maty
telo andro telo alina ianao: roahin’ny pampampiasa amin’ asa, roahin’ny ray
aman-dreny tsy ho zanany intsony, ompain’ny olona tsy ahoan-tsy ahoana,
mahazo esoeson-teny, endrikendrehin’ny olona: izany ilay fahoriana lehibe.
Lazain’ny olona fa fivavahana sandoka no arahinao, sy ny sisa. io no ilay hoe
maty notapahin-doha. Naleon’ny Apostoly Paoly maty notapahin-doha. Raha
oharina ny fiainana eto an-tany dia zava-poana sy mandalo avokoa. Taim-
boraka avokoa hoy ny Apostoly Paoly. Tombony ho azy ny fahafatesana
satria tsy mahare maharary intsony ny maty, tsy miahiahy sy tsy mitebiteby
intsony ny efa maty. Tombony ho azy izany ny fahafatesana satria maty ao
amin’ny Tompo izy. Tsy maintsy mandalo io fisedrana io isika tsirairay avy
alohan
530 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny hanoratana ny anaranao anatin’ny bokin’ny fiainana. Izay rehetra
niainan’I Jesosy dia hiainantsika avokoa: nijaly Izy, Tsy maintsy ny
fahorian’I Kristy no hiainantsika koa, mba hiaretantsika toa azy koa ho
fizahan-toetra.
1 Petera 4.12-14:
Mifalia amin’ fahoariana rehetra hihatra aminao amin’ fanarahana ity
lalana sady tery no ety ity, mba hahita ny voninahitr’Andriamanitra.
Ry Malala => olona akaikin’ny fonao no antsoina hoe Malala.
Aza atao ho zavatra mahagaga ny fizahan-toetra mahamay sy fitsapana:
izany no fiaraha-mijaly amin’’I Kristy. Raha mitomany sy miondrika isika
rehefa mijaly dia mbola tsy mety izany. Ny tokony hatao dia hifaly sy
hiravoravo foana amin’ fahoriana iaretantsika.
“Sambatra ianareo raha haratsiana noho ny anaran’I Kristy fa ny
fanahin’ny voninahiny mipetraka anatinareo.” Mitoetra amintsika ny
voninahitr’Andriamanitra ka tsy zakan’I demonia ary manenjila mafy izy.
Matio 5.10-12:
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana fa azy ny fanjakan’ny
lanitra.
Rehefa tena anatin’ny fahamarinana ka miorina tanteraka aminy, tsy
hiankohoka eo anoloan’I bibidia sy ny sariny izay. Izay fanenjehana anao
izay no hahalalana fa marina ny Jesosy inoanareo.
Tsy misy olona enjehina any aoriana fa any aloha hatrany ny olona
enjehina. Tokony tsy hitomany isika rehefa enjehina, fa tokony hahatsiaro fa
sambatra araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
Sambatra ianareo raha haratsian’ny olona. Misaora an’izay
manenjika anareo fa aza manozona. Tevatevain’ny olona isika noho ny
marina. Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valim-pitianareo any an-
danitra. Toy izany koa no nanenjehany ny mpaminany talohanareo. Raha
531 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
vao tsy manompa antsika na manaratsy antsika ny fahavalo dia ireny no
antoka fa lehibe ny valim-pitiantsika any an-danitra. Tsy tokony hitomany
isika fa hiravoravo. Raha tezitra amin’izany kosa ianao dia mbola tsy ao
ianao izay.
I Korintiana 1.26-29:
Ny adala amin’izao tontolo izao no nofidian’Andriamanitra
hampahamenatra ny hendry, … mba tsy hisy hahazo hirehareha eo
anatrehan’Andriamanitra.
Be dia be ny olon-kendry sy avo razana izay mirehareha mahalala ny
fahamarinan’Andriamanitra. Nefa ny Soratra Masina dia milaza fa izay
heverina fa adala sy tsy manam-pahaizana sy tsy nandia fianarana no
nofidian’ Andriamanitra hanambarana ny marina.
Samia manapa-kevitra na hanaraka ny fampianarana tsisy kilema araka
ny voalazan’ny Soratra Masina manompo an’I Jesosy maty antsasaky ny
herinandro, na koa manaraka ny fampianaran’I bibidia ka mandray ny
marika 666 eo amin’ handriny sy ny tanany ka ho any amin’ny fahaverezana
mandrakizay. Toy izany no hitsarana ny olombelona tsirairay avy rahatrizay.
Vavaka: Jehovah Andriamanitra Ray o, mamindra fo amiko, ka mba
soraty ao amin’ny Bokin’ny fiainana ny anarako. Amin’ny anaran’I Jesosy
maty tamin’ny antsasaky ny herinandro, nilevina teloa andro sy telo alina
ary nitsangana tamin’ny andro fahatelo. Amena !
532 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
FITAHIANA SY OZONA
Ny antony mahatonga ny ozona:
Deotoronomia 28:Manambara ny fitahiana sy ozona.
Genesisy 3, 5
Galatiana
Asa 8.21: Voaozona izay mitady hirehareha amin’ny asan’ Andriamanitra
ka mitady hividy ny fahefan’ Andriamanitra amin’ny vola.
Inona no atao mba hahafahana amin’ny ozona?
Kristy no manao teny feno fahefana manafaka anao amin’ ozona. Ny
finoana milaza hoe izay mino sy atao batisa no hovonjena.
Tsy batisa akory ny rano araraka fa fitsofan-drano.
Kristy no efa nitondra ny helotsika.
Batisa = fandraisana ny fitafiana an’I Kristy. Niala tamin’ny fomba
ratsy taloha ka mandray fitafiana vaovao.
Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy. Miombona aminy isika rehefa atao
batisa asitrika anaty rano, satria miara-maty sy milevina aminy ary miara-
mitsangana ho olom-baovao aminy.
II Korintiana 5.14,17:
Izy no manafaka antsika amin’ ozona, na nanompo sampy ny razantsika
na namono olona na nangalatra, demoniaka, sy ny sisa, dia ny
Tenin’Andriamanitra io no manafaka anao amin’ ny toetranao taloha. Efa
lasa ny zavatra taloha, rehefa miara-maty amin’ Kristy ianao. Tsy hiverina
aminao intsony ny vokatry ny ozona, ka Kristy no velona ao anatinao, efa
lasa ny zavatra taloha ka tonga olom-baovao ianao. Tsy olona no
533 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
iantorahanao anambaranao ny olana mahazo anaoo fa ny Tompo mihitsy.
Izy irery no hanafaka anao amin’ teniny. Kristy Jesosy no efa tonga
voaozona rehefa niantona tamin’ hazo ka manafaka antsika amin’ ozona.
Ampy hanafaka antsika amin’ ozona ny tenin’Andriamanitra raha mino izany
isika. Voaozona I Kristy hanafaka antsika amin’ ozon’ny lalana.
Asa 8.9. Sitrana daholo ny marary, feno vay, paralyse, sy ny sisa. noho
ny finoana ny Tenin’Andriamanitra. Resy lahatra koa ny mpanao fanafody
raha nahita ny herin’Andriamanitra. Tsy misy mahavita mifanandrina amin’’I
Jesosy Kristy maty tamin’ ½ herinandro io. Misy ny dahalo mitana ody
milaza azy ho tena mafy, nefa niala maina ka nanaiky ny
herin’Andriamanitra.
Rehefa nino izy ireo dia natao batisa ary nametra-tanana taminy avy eo
ny mpanompon’Andriamanitra ka nandray ny Fanahy Masina.
Tsy mila vola ny fandraisana ny Fanahy Masina.
Asa 8.22-24: Mila mibebaka sy miaiky ny fahadisoana isika raha toa ka
diso lalana ka manota. Mila mibebaka amin’ fifadian-kanina isika raha toa ka
ilaina izany. Mangataha amin’ Tompo mba homeny fibebahana ianao.
Na dia vita batisa aza isika dia mety mbola ho voaozona indray rehefa tsy
madio fo isika tahaka io lehilahy Simeona voalazan’ny Asa 8.22 io.
FIFADIAN-KANINA:
Tsy terena io nefa sitrak’Andriamanitra. Nefa nisy tamin’ andron’I Jonah
tany Niniveh izay nanerena ny olona rehetra tsisy ankanavaka. Ampy ny 40
Sabata ho an’ny fiangonana hifadiana hanina izay nolazain’I Pasteur Mailhol.
Misy koa anefa manao 3 andro sy 3 alina, 7 andro 7 alina, sy ny sisa
arakaraky ny fiangonana. Ilaina ara-pahasalamana io fifadian-kanina io
amin’ lafiny iray. Vokatry ny tsy fahampiana hanina dia tong any aretina.
534 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Vokatry ny fihinanana be loatra koa nefa dia marary ny olona. Voavahan’ny
vavaka sy fifadian-kanina izany. Mila miala amin’ ratsy isika.
Fifadian-kanina 40 andro sy40 alina:
I Mosesy, I Elia ary I Jesosy Kristy no nahavita nifady hanina 40 andro
sy40 alina nisesy.
Ny F.A.M. koa dia mifady hanina 40 Sabata andro sy alina.
Ireto koa misy mpanompon’ Andriamanitra hafa nifady hanina: Davida,
Nehemia, Daniela (3 herinandro)
Ny antony ifadiana hanina:
Soratra
Masina
Antony nifadiana hanina
II Samoela
12.21-22
Mba hahavelona ny zanany no nifadian’I Davida hanina.
Ezra 8.21 Fangatahana fiarovana
Levitikosy23.
26-32
Lalana avy amin’I Jehovah ny fifadian-kanina, atao
amin’ny Andro Fanavotana izay ankalazaina indray isan-
taona.
Levitikosy16.
20-31
Andro Fanavotana no hanaovana fifadian-kanina:
“Mampahory ny tenanareo ianareo, aza manao raharaha
akory fa mitsahara; mba hadio ho afaka amin’ny
fahotanareo rehetra eo anatrehan’I Jehovah.
535 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Jaona 3 Nifady hanina ny mponin’I Ninive mba hiantran’I
Jehovah.
Matio 12.41 Nibebaka ny mponin’I Ninive tamin’ny nitorian’I Jona
teny.
Miala amin’ny ratsy fanao rehefa mifady hanina, ary
izany no hahazoana famonjena sy famindram-po.
Jeremia 18.7 Hanenina amin’ny ratsy kasain’I Jehovah hamelezana
ny olona Izy raha mibebaka marina ny olona, mifady
hanina ary miala amin’ny ratsy fanaony.
Sabatan-taona 7 araka ny Levitikosy 25: Taom-panafahana
1. 2010 – 2017 – 2024 – 2031 – 2038 – 2045 – 2052 = 49 taona
2. Mitsoka anjomara ho @ andro fanavotana, amin’ny andro faha 10
amin;ny volana faha 7 amin’ny taona 49 = 2052
3. Hamasino ny taona faha-50 = 2053, ary miantsoa taom-pahafahana
ho an’ny tany. Tsy mamafy amin’ny tany ary tsy mijinja; fa aoka kosa
isika hihinana izay voa maniry ho azy any an-tsaha.
536 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
APOKALYPSY TOKO FAHA 21
JEROSALEMA VAOVAO
Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy ho afaka ny hiditra amin’ny
fanjakan’ Andrimanitra.
Apokalypsy 21: Ny amin’ Jerosalema vaovao.
21.1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra
voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
21.2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao,
nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny
ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 21.3 Ary nahare feo
mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny
tabernakelin' Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo
aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho
Andriamaniny. 21.4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary
tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na
fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 21.5 Ary hoy Ilay mipetraka eo
ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy
koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. 21.6 Ary hoy koa Izy
tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny
fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho
an'izay mangetaheta. 21.7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany;
ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 21.8 Fa ny osa sy ny tsy
mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy
ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga
rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy
solifara; izany no fahafatesana faharoa. 21.9 Ary tonga ny anankiray
tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra* ny loza fito
537 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
farany ka nanao tamiko hoe: Avia ety, dia hasehoko anao ny ampakarina,
vadin'ny Zanak'ondry. 21.10 Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-
tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia
Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra, 21.11 sady
manana ny voninahitr' Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny
vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy manganohano toy ny vato
krystaly; 21.12 ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa
ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny
folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny
folo amin'ny Zanak'Isiraely: 21.13 eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra
vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
21.14 Ary ny mandan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo,
ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an'ny Apostoly roa
ambin'ny folon'ny Zanak'ondry. 21.15 Ary ilay niteny tamiko dia nanana
fandrefesana volotara volamena handrefasany ny tanàna sy ny vavahadiny
ary ny màndany. 21.16 Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy
ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy
iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony. 21.17 Ary
nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka
ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely. 21.18 Ary ny màndany dia vato jaspy;
ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. 21.19 Ary ny
fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra.
Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny
fahefatra emeralda, 21.20 ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola,
ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo
krysopraso, ny fahiraika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo
ametysta. 21.21 Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia pèrila roa ambin'ny
folo; pèrila iray avy ny isam-bavahady; ary ny làlambe tao an-tanàna dia
tena volamena, toy ny fitaratra manganohano. 21.22 Ary tsy nahita tempoly
538 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no
tempoliny. 21.23 Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana
hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr' Andriamanitra no nanazava azy, ary
ny Zanak'ondry no fanazavana azy. 21.24 Ary ny firenena maro no handeha
amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny
ho ao anatiny. 21.25 Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro
(fa tsy mba hisy alina ao). 21.26 Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena
maro dia ho entina ao anatiny. 21.27 Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy
masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao
anatin'ny ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.
FANAZAVANA
Jerosalema vaovao = Tanàna masina nidina avy any an-danitra
ary napetraka ety ambonin’ny tany.
Misy vavahady 12: 3 ny andrefana, 3 atsinanana, 3 ny avaratra, 3
atsimo.
Tanàna tena volamena io, làlana volamena no ao, ary mitovy ny halavany
sy ny sakany ary ny haavony.
Tsy misy volana na masoandro manazava fa ny Tsitoha no hanazava ao.
Tsy hisy ranomaso sy fahoriana ary fahafatesana intsony ao. Izany no
mahatonga an’I Satana hanao izay tratry ny heriny hanakanana antsika tsy
hiditra ao. Hanenjika anao antsika araka izay tratrany izy mba hanakanana
antsika tsy hiditra amin’izany.
Nefa kosa, ho sitraky ny Ray ny hidirantsika ao rehefa mahafeno ny
fepetra rehetra isika. Tsy misy afa-tsy Jerosalema vaovao sisa no tanana ho
hita eo an-tany, ary ho tany vaovao ity tany ity.
Apokalypsy 21.1-2: Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, … tsy misy
ranomasina intsony.
539 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Aorian’ny 1000 taona izay hanjakan’ny olona masina any an-danitra dia
tsy hisy ranomaso intsony. Ity tany ity dia hovaina ho tany vaovao: misy
heviny ara-bakiteny sy ara-panahy izany. Afaka mifandray ny mponin’ny
lanitra sy ny mponin’ny tany.
Ny ranomasina dia tsy hisy intsony. Mandreraka ny fon’ny olona io
ranomasina io araka ny Matio 21.25-28 izay milaza momba ny
firondrohon’ny ranomasina sy ny fahatahorana izay zavatra hitranga
ambonin’ny tany. Reraka ny fon’ny olona noho izany fahoriana sy
fahaverezan-kevitra noho ny fahatahorana ny zavatra ho avy vokatry ny
firohondrohon’ny ranomasina. Ny antony dia satria efa maro tokoa ny olona
efa maty ao an-dranomasina ao.
Matio 21.25 Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra
va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina Na nieritreritraka nanao
hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe
isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? 21.26 Ary raha holazaintsika
hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria
ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona.21.27 Dia namaly an'i Jesosy izy ka
nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza
aminareo izay fahefana anaovako izany. 21.28 Fa ahoana kosa no
hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin'ny
lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin'ny
tanimboaloboko anio.
Ary ho maro no ho very hevitra noho ny tsy fisian’ny ranomasina intsony:
Apokalypsy 18.17-19: 18.17 Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny
harena be toy izany.
Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny
ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any
an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny, 18.18 ary raha nahita ny
540 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
setroky ny fandoroana azy, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy
tahaka izany tanàna lehibe izany? 18.19 Ary nanopy vovoka hiraraka
tamin'ny lohany izy dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe:
Indrisy !
indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-
tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa
tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
Betsaka no tsy mihevitra afa-tsy ny hampanan-karena avy amin’
ranomasina, fa tsy mihevitra ny fiainana mandrakizay sy ny fiainana miaraka
amin’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny harena mandalo eto an-tany.
Jerosalema vaovao midina avy tany an-danitra voaomana tahaka ny
ampakarina. Voahomana tahaka ny vehivavy hanambady izy: tsy misy
zavatra homanina intsony izany fa efa vonona avokoa ny zavatra rehetra.
Matio 22.1-14.- 22.1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy
indray ka nanao hoe: 22.2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka,
izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zanani-lahy. 22.3 Ary izy
naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny
fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo. 22.4 Dia naniraka mpanompo
hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'izay efa nasaina hoe: Indro,
efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa
voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa at`y amin'ny
fampakaram-bady hianareo.22.5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa
nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any
amin'ny varony. 22.6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia
nisetrasetra taminy ka namono azy. 22.7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka
naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady
nandoro ny tanànany. 22.8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa
voavoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy mendrika.
541 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
22.9 Koa mankanesa hianareo any amin'ny sampanan-dàlana, ary izay
hitanareo any amin'ny sampanan-dàlana, dia asao ho ao amin'ny
fampakaram-bady. 22.10 Dia nivoaka ho any amin'ny làlana ireny
mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara;
ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. 22.11 Ary nony efa niditra
ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy
niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. 22.12 Dia hoy izy
taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny
akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. 22.13 Ary dia hoy
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario
any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny
fikitroha-nify. 22.14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina.
Nisy fanasana maro nalefa tamin’ity fampakaram-bady ity, nefa dia
nolavin’ny maro izany fanasana izany ka tsy nety nandeha izy ireo.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka manao fanasana. Nanasa
olona izy nefa tsy nety tonga ny olona nasaina fa samy lasa nandeha tamin’
lalany avy izy. Noho izany dia nasaina nankany amin’ sampan-dalana ny
mpanompo ary namory izay rehetra hitany n any ratsy na ny tsara ka feno
mpihinana ny fanasana. Nefa gaga ny mpanjaka raha nahita lehilahy iray
izay tsy mba nanao ankanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.
Maro be no nasaina hanaraka ity fampianarana ity, nampahalalaina azy
ny marina.
Tompon’ny fampakaram-bady = Jehovah Andriamanitra
Ny ampakarina = ny Zanany lahitokana
Ny mpitondra nyfanasana = isika vahoakan’ Andriamanitra izay mitory
ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny radio, tele, na eny ankalamanjana,
ao koa ny fampiasana banderole, na mitory Filazantsara any amin’ny
efitrano lehibe isankarazany ireny.
542 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nefa ny olona izay nantsoina sy nasaina dia tsy nandà ny fanasana,
milaza fa tsy misy dikany io, na efa manana ny vadiny koa izy (izany hoe
fiangonana misy azy), ary ao koa ireo milaza hoe mpaminany sandoka io
miantso io.
Nasaina daholo ny olona rehetra, ary fomba maro samy hafa no nentina
nanaovana izany: fiofanana batisa, fanafahana amin’ny aretina, toaka,
rongony sy paraky, sigara, fahoriana. Karazana fanasana daholo izany. Nefa
nyy olona nasaina dia manompa, manenjika ny mpanompon’Andriamanitra
izay mitory teny aminy; ao koa ny sasany izay mikomy ary mitarika ny olona
efa resy lahatra hivoaka anaty sambo (izany hoe hiala amin’ny fikambanana,
ary manenjika ny mpitondra ny hafatr’ Andriamanitra).
Mahita loza avokoa izay rehetra manenjika ny
mpanompon’Andriamanitra. Boka I Aaron sy Miriama raha namotsifotsy an’I
Mosesy. Ankehitriny dia tsy voatery fahabokana ara-bakiteny no hihatra
amin’ilay olona nanamavo ny tenin’Andriamanitra nampitondrainy ny
mpaminany mpanompony, fa fahabokana ara-panahy.
Boka ara-panahy = tsisy mandeha amin’ laoniny izay atao rehetra,
bokan’ny aretina, bokan’ny trosa, bokan’ny tebiteby sy korontana, bokan’ny
olana isan-karazany ka mihamahantra mihamahantra lalandava.
Tsy ireo namotsifotsy an’I Mosesy ihany akory no mitondra ozona sy
boka, fa hatramin’ taranany aty aoriana dia mizaka ny heloky ny razany
avokoa. Nisy koa natelin’ny tany velona ny sasany tamin’ireo namotsifotsy
an’I Mosesy. Zava-doza koa no miandry ireo taranany. Ho avy Andriamanitra
handringana ny mpamono olona ary ny ankohonany ihany no ho
fahavalony.
Noho izany, raha toa ka efa mby akaiky ny vavahadin’I Jerosalema ianao
dia tandremo sao dia lavo fa miandry andro aman’alina I Satana, miherona
543 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
tahaka ny liona mitady izay harapany. Mametraka fandrika hamandrihana ny
mpanompon’ Andriamanitra andro aman’alina io Satana io.
Ireo olona rehetra teny amin’ny sisin’ny arabe no namaly ny antso: dia
tsy iza izany fa ireo mahantra mipetraka eny antsisin-dalana rehetra, na ny
tsara na ny ratsy. Koa amin’izany fotoana izany, dia na isika ho isan’ireo
olona ireo izay namaly ny antso; na isika ho isan’ireo izay miavonavona ka
tsy mety mandray ny fanasana na dia natao sy nomena maimaimpoana aza
izany.
Izay maharesy dia ireo tsy mba nandray ny mariky ny bibidia ary
tsy niankohoka teo anoloany na teo anoloan’ny sariny:
Apokalypsy 21.3-4:
Misy feo mahery mivoaka avy amin’ny seza fiandrianana.
Eksodosy 25.8-9: Nandidian’Andriamanitra an’I Mosesy ny amin’ny
hanaovana ny tabernakely sy ny fanaka momba azy”
Endriky ny tabernakely any an-danitra io no nalaina tahaka nasaina
nataon’I Mosesy nanaovany ny fitoerana masina. Io tabernakely namboarina
io no fisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra ao amin’ny fitoerana masina ary
ao no ifampiresahan’ Andriamanitra amin’ olony. Rehefa tapitra ny 1000
taona dia hidina eto an-tany mihitsy ny tabernakely any an-danitra io. io no
nolazain’I mpaminany Zakaria araka ny Soratra Masina:
Zakaria 14.3-5 sy 14.9:
Amin’ izany andro izany ny Tompo dia hijoro eo an-tendrombohitr’I Oliva.
Honina eto amin’ny tany I Jehovah amin’izany fotoana izany. Hofafany ny
ranomasina rehetra ary tsy hisy fahafatesana intsony any Jerosalema
vaovao. Fifaliana hatrany no hita ao Jerosalema vaovao.
Isaia 65.17-19:
544 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Miravoravo mandrakizay ny mponina ao Jerosalema vaovao ary tsy ho
heno any intsony ny taraina sy ny tomany. Ny ranomaso hofafany. Tsy hisy
fahafatesana intsony any.
Apokalypsy 21.4-5:
“Matoky sy marina ireo teny ireo,” izany hoe tsy misy lainga na fitaka.
Rehefa tsy niankohoka teo anoloan’I bibidia sy ny sariny isika, ary tsy
nandray ny mariky bibidia sy ny sariny, ka nanao batisa ho amin’I Jesosy
araka ny Soratra Masina dia mandray ny fitafiana fotsy ary mahazo izany
teny fikasana matoky sy marina izany. Azo antoka fa hahazo ny fiainana
mandrakizay izay rehetra mandresy.
Apokalypsy 21.8:
Alfa sy Omega izay fihandohana sy fiafarana no manome ireo teny ireo ka
tsy maintsy tanteraka ireo. Efa hitantsika tany amin’ny Apokalypsy toko
voalohany izany Sonia manambara an’ny Alfa sy Omega izany, ary miverina
indray izany aty amin’ny toko faha-21.
Apokalypsy 1.8 sy 1.17: ny Alfa sy Omega na Voalohany sy farany dia
manao ny fanambarana eto amin’ny bokin’ny APokalypsy. Izy no efa maty
nefa velona indray. Izay maharesy hoy Izy no mandova izany fiainana
mandrakizay any Jerosalema vaovao izany. Mifanandrina ny herin’I bibidia,
dragona ary mpaminany sandoka eo andaniny, ary Jehovah Ray sy ny
Fanahy Masina ary ny Zanakondry kosa etsy ankilany.
Izay mitandrina ny filazana an’I Jesosy sy ny didin’Andriamanitra no
haharitra hatramin’ny farany ka handresy.
Apokalypsy 21.8-9:
Araka izany, ny kanosa no lohalaharana ho any amin’ny fahaverezana.
Kanosa = vao rahonana dia matahotra ny ho very tombontsoa, ho very
asa sy ho afa-boninahitra ka tsy mety mandeha manaraka ny finoana an’I
Jesosy maty tamin’ ny antsasaky ny herinandro. Te hanantona hanao batisa
545 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
amin’ alalan’ny Jesosy maty araka ny Soratra Masina izy nefa matahotra ny
fiaraha-monina, na matahotra ny ho very tombontsoa.
Ny mpandainga no laharana farany ho any amin’ny fahaverezana. Ao koa
ny tsy mino, ny vetaveta, mpamono olona (mamono olona mivantana sy
ireo izay mahatonga fahatezerana ho an’ny namany), mpijangajanga
(mpijangajanga ara-nofo sy ara-panahy). Ny mijangajanga ara-panahy dia
ireo sady manompo sampy no mivavaka, na koa sady manompo an’I Jesosy
maty zoma no manompo an’I Jesosy maty ny antsasaky ny herinandro,
noho ny henatra ny namana na ny fahatahorana ho very tombontsoa, na
tahotra hisara-bady satria rahonan’ny vadiny raha vao tsy manompo an’I
Jesosy maty zoma). Ao koa ny mpisikidy sy ny mpanompo sampy rehetra.
Ireny rehetra ireny dia samy ho any amin’ ny fahaverezana daholo.
Ny toetry ny Jerosalema vaovao:
Apokalypsy 21.9-14:
Fampakaram-badin’ny Zanakondry = fampakarana ny zanaka sisa
izay mitana ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy ho any
an-danitra hanjaka 1000 taona miaraka amin’ Zanakondry.
Tsy any an-danitra no iainan’ny olom-boavonjy ny fiainana mandrakizay
fa eto an-tany. Hidina eto an-tany ny Jerosalema vaovao. Efa nasehon’
Andriamanitra an’I Jaona io fahitana momba an’I Jerosalema vaovao io.
Ny fanahy dia afaka mitondra olona handeha any amin’ny toerana iray
faran’izay alavitra. Afaka manao izany ny fanahy ratsy, toy ireny olona
voan’ny fanainga alavitra ireny. Ny Fanahy Masina koa dia afaka mitondra
ny mpanompony any amin’ny toerana anirahan’ Andriamanitra ilay
mpanompony amin’ny fotoana ilainy azy.
Asan’ny Apostoly 8.29-31 sy 8.34-40:
546 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nentin’ny Fanahin’ny Tompo I Filipo ka vetivety dia hita tany Azota.
Torak’izany koa dia nentin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra avo dia avo
I Jaona ka naseho azy io fahitana an’I Jerosalema vaovao. Koa toy izao no
nahitany azy:
Misy vavahady 12, misy anjely 12 miambina ary ny anaran’ny vahoaka
Israely 12 voasoratra eo.
Misy ny anaran’ny Apostoly 12 koa amin’ny vavahady.
Mandan’ny Tanàna dia avo be, misy fanorenana 12:
Misy vatosoa mamirapiratra ny Tanàna, tahaka ny vato jaspy.
Misy anjely miambina ny vavahady.
Apokalypsy 21.15- :
Efa-joro ny tanàna ka mitovy ny halavany sy ny sakany ary ny
haavony: 12.000 km2.
60 m ny haavony tamboho.
Tena volamena madio manganohano ny Tanana iray manontolo.
Vato jaspy no nanaovana ny manda misy fanorenana 12:
Fanorenana voalohany: vato jaspy
Fanorenana faharoa: vato safira
Fanorenana fahatelo: beryla, topaza.
Ny vavahadin’ny tanàna dia perla (Vato tena lafo vidy)
Ny lalamben’ny tanàna dia tena volamena madio manganohano.
Tsy mba mila masoandro na volana hanazava azy ny tanàna ao
Jerosalema vaovao.
Tsy mbola misy manao vavahady vatosoa hatramin’izao eto an-tany. Tsy
misy manao firavaka volamena intsony any Jerosalema vaovao, fa
handehanana amin’ny tany ny volamena.
547 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
21.22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny
Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
Tsy misy tempoly intsony ao Jerosalema vaovao.
Tempoly = fitoerana hifonan’I Kristy ho antsika noho ny
fahotantsika.
Ilay tenin’Andriamanitra niala tao aminy dia hiverina ao aminy. Rehefa
tonga any amin’ny fiainana mandrakizay ny olon’ Andriamanitra dia vita ny
famonjena. Noho izany dia tsy mila an’I Kristy mpisolo vava hifona ho
antsika intsony isika, tsy mila Fanahy Masina hitari-dalana intsony. Noho
izany dia miverina amin’I Jehovah Andriamanitra avokoa ny teniny sy ny
Fanahy Masina rehefa vita ny asam-pamonjena tety an-tany.
Tsy hifona ho antsika intsony I Kristy any satria tsy hisy fahotana intsony
any Jerosalema vaovao. Ny Tsitoha sy ny Zanakondry no tempoly ary
hanazava ny Tanana Masina. Tsy hisy masoandro intsony na volana
hanazava ao. Izay rehetra voasoratra ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana no
hiditra ao Jerosalema vaovao fa mendrika hanana ny fiainana mandrakizay
izy ireo satria mpandresy.
FAMINTINANA
Apostoly 12 nitondra ny Filazantsara dia nitory tamin’ny firenena maro ka
izay mandresy no hiditra any Jerosalema vaovao efa-joro misy vavahady 12
sy manda 12 ary misy anaran’ny Apostoly 12 sy ny Israely 12. Vatosoa
karazany 12 no mandrafitra ny manda. Mitovy ny halavany sy ny sakany ary
ny haavony tanàna. Tsisy volana na kintana na masoandro manazava ao, fa
ny Tsitoha sy ny Zanakondry no manazava ao. Tsisy fahotana sy mpanao
ratsy intsony ao, tsisy mpangalatra, na mpamono olona ary tsy hisy ratsy
fanahy intsony ao Jerosalema vaovao. Lalana volamena no mankany amin’io
tanàna Jerosalema vaovao nidina avy any an-danitra io.
548 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Apokalypsy 21.5: Matoky sy marina izany teny manambara an’I
Jerosalema vaovao sy ny fihavian’ny Zanakondry izany.
MOMBA NY MATY SY NY FAMADIHANA
Mpitoriteny 9.4-6:
Tsy mahalala na inona na inona ny maty rehetra ary tsy mba hanana
valim-pitia akory izy. Tsy manana anjara intsony ny amin’ny ety ambany
masoandro ny maty. Tsy afaka malahelo intsony izy, tsy afaka tezitra na
noana, na manozona. Tsy afaka manao inona intsony ny maty na dia
vakiana aza ny fasana. Tsy mahavita zavatra intsony ny maty ary tsy
manana hery sy fahefana intsony. Ny devoly no maka ny endriky ny olona
efa maty.
Tsy olana amin’ny maty ny fomba hikarakaranao azy, na fonosina lamba
betsaka isan-taona na ahoana. Voararan’Andriamanitra ny mivavaka sy
mangata-pitahiana amin’ny maty ary tena fahotana be tokoa izany.
Deotoronomia 18.9-14:
Tsy ilaina ny mamaky afo: rehefa avy mandevona olona maty dia tsy
ilaina ny mandika afo vao miditra ao an-trano.
Raran’Andriamanitra ny manontany amin’ maty sy ny fanahy ratsy, ny
mpanao hatsarana, mijery karatra hahafantarana ny miafina, sikidy,
mpanandro rehefa hanao trano, na hanambady na manantona ireny amin’
zavatra atao.
Tsy tokony hamadika ny maty isika, tsy ilaina atao koa ny mamono
lamba ireo taolam-balo isan-taona. Azontsika atao kosa, raha ilaina, ny
mamono lamba ny taolam-paty; nefa tsy azo atao mihitsy ny mangata-
pitahiana amin’ny maty. Tsy raran’ny Baiboly nefa ny mitondra ny taolam-
paty mifindra toerana halevina. Deotoronomia 18.9-14.
549 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Ny mamaky afo koa dia voarara, izany hoe mandingana afo noho ny
amin’ maty.
Voararan’I Jehovah koa ny manantona mpisikidy, na mpanandro, na
mpanao hatsarana (ireo olona miseho ho masim-bava). Misy firenena
manompo sampy toy izany. Fahavetavetana eo imason’I Jehovah ny manao
fety miaraka amin’ faty. Ny faty dia maloto ka mandoto ny tenantsika izay
tempolin’ Andriamanitra ny fanaovana fety miaraka amin’ny faty sy ny
fandraisana faty izay ataon’ny olona rehefa mamadika. Voararan’
Andriamanitra koa ny mangataka fitahiana amin’ maty, mangataka hery
(pouvoir) na fahitana amin’ny maty.
Isika izay manompo an’I Jehovah dia raran’I Jehovah tsy hanontany
amin’ny maty, na handefa ny zanatsika hamaky afo,…
Marka 17.20: Tsy Andriamanitry ny maty I Jehovah fa Andriamanitry ny
velona.
Ireo maty tsy nahavita ny fanoloran-tenany tamin’ Andriamanitra dia tsy
ho afaka hanao na inona na inona intsony. Tsy an’ny maty ny fibebahana sy
ny fanompoana an’Andriamanitra, fa ho an’ny velona ihany.
Isaia 38.36-37: tsy mahazo manantena fahamarinana intsony ny fiainan-
tsihita. Tsy afaka hisaotra an’Andriamanitra na hidera Azy. Tsy afaka
mivavaka intsony ny maty, tsy afaka hianatra Soratra Masina intsony any.
Tsy afaka hihinan-kanina intsony ny maty ka tsy tokony hampanarahana
sakafo izy rehefa maty.
Tsy afaka hanantena ny fahamarinan’I Jehovah izay midina any am-
pasana (na ny efa maty). Izay rehetra tsy vitanao tety an-tany talohan’ny
fahafatesanao, toy ny batisa, fianarana Soratra Masina, dia tsy hahazo
hanantena na inona na inona ntsony.
Hitsangana amin’ny maty daholo ny olona rehetra. Apokalypsy 20.9: hisy
afo hivoaka ny vavan’I Jehovah handevona Azy. Izay rehetra tsy tafavoaka
550 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
avy tao Babylona, izany hoe ireo nanaraka ny fampianaran’I Bibidia,
Dragona ary Mpaminany sandoka dia tsy ho voavonjy intsony. Ireo no
hangonin’I Bibidia ho miaramilany amin’ ny andron’ilay adilehiben’
Andriamanitra.
Tsy afaka handa intsony izany izay rehetra mandre ity hafatra ity. Farihy
afo sy solifara no miandry azy raha mikiry hanompo an’I Bibidia sy
mpaminany sandoka izy. Be dia be no milaza fa ny mpitondra fivavahana
mitory sy mampianantra momba an’I Jesosy maty tamin’ antsasaky ny
herinandro no mpaminany sandoka. Diso hevitra izy ireny noho ny tsy
fahalalany ny Soratra Masina.
Apokalypsy 20.14:
Izay rehetra tsy hita ao amin’ bokin’ny fiainana dia hanana ny anjarany
any amin’ farihy afo sy solifara.
APOKALYPSY TOKO FAHA-22
HEVI-DEHIBE
Apokalypsy 22
22.1 Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny
vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny
Zanak'ondry22.2 teo afovoan'ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin'ny
ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa
isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
22.3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy
ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy 22.4 ka
hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny. 22.5 Ary tsy
hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny
masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka
551 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mandrakizay mandrakizay izy. 22.6 Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady
marina ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin'ny
mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra
tsy maintsy ho tonga faingana. 22.7 Ary indro, avy faingana Aho; sambatra
izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. 22.8 Ary izaho
Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita
aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy
ireo zavatra ireo. 22.9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa
mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy
izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
22.10 Ary hoy izay tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny
faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro. 22.11 Izay manao ny
tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto,
aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny
marina ihany izy; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. 22.12
Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny
olona rehetra araka ny asany. 22.13 Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany
sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. 22.14 Sambatra izay manana
ny akanjony mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny
vavahady ho ao an-tanàna. 22.15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody
ratsy sy ny mpijangajanaga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy
ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. 22.16 Izaho Jesosy naniraka ny
anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho
no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
22.17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare
hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy
hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. 22.18 Izaho dia manambara
amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha
misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto
552 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
anatin'ity boky ity ho azy; 22.19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny
amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin' Andriamanitra ny anjarany
amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra
eto anatin'ity boky ity. 22.20 Hoy izay manambara ireo zavatra ireo: Eny,
avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo! 22.21 Ho amin'ny olona
masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.
FANAZAVANA
Apokalypsy 22.1-5:
Ranonaina manganohano tahaka nyvato kristaly nivoaka avy tamin’ny
seza fiandrianana eo afovoan’ny lalambe ary misy hazo roa amin’ny
andaniny roa
Misy hazo mamoa voa 12 samihafa manasitrana firenena maro.
Ovaina anatin’ny indray mipi-maso isika: ny jamba sy marenina ary ny
kilemaina dia hovaina hatanjaka ary ho sitrana.
Ataovy izay hahatonga ny anarantsika ao anatin’ny Bokin’ny Fiainana dia
ho fantatsika ny tena marina momba izany. Nefa, azo hanaovana
fandalinana lalina io teny io.
Ranonaina miboiboika:
Jaona 7.37-39: 7.37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe
tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe:
Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, 7.38 Izay
mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka
ny voalazan'ny Soratra Masina. 7.39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny
mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy Na: tsy mbola nomena,
satria
Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
553 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Izay mino Ahy hoy I Jesosy dia hisy rano miboiboika ao anatiny.
Ranonaina = Fanahy Masina
Ny momba ny Isa 12:
Ny Apostoly 12, zanak’Israely 12, ny vavahady 12, ny anjely miambina
ny tanàna 12, ny mandan’ny tanàna 12, hazonaina mamoa voa 12 samihafa
ary mamoa isam-bolana. Ahoana koa no misy volana any nefa tsy misy alina
ary tsy misy antoandro any?
Isa 12 = 3 x 4 =( 3 = isan’Andriamanitra ) x ( 4 =
isan’olombelona)
Rehefa any Jerosalema vaovao izany dia efa voaomana avokoa ny
zavatra rehetra, toy ny fanasitranana. Mamoa voa 12 samihafa ilay
hazonaina ary ny voany dia fanasitranana.
Misy zavatra tsy mbola azo azavaina amintsika ety an-tany aloha ny
momba ny zava-miafina an’Andriamanitra . Ireo izay manana fiainam-
panahy ambony no afaka homena fahafantarana ny momba izany. Misy
fotoana ny hanazavana ny momba ny zava-miafina rehetra voalaza momba
ny Apokalypsy 22. Tsy hoe very akory isika raha tsy mahalala ny zava-
miafina momba ny hazo mamoa 12 sy ny ranonaina io. Fa rehefa tonga any
an-danitra isika dia hahalala momba izany. Koa ny tokony himasoantsika
mialoha dia ny hahalalana ny momba an’I Jesosy mpamonjy izay
voalazan’ny Soratra Masina, ary ny hahavoasoratra ny anarantsika ao
amin’ny Bokin’ny Fiainana. Izany hoe, ny tokony hahamaika antsika dia ny
hanaovantsika izay hahatongavantsika any an-danitra hananantsika ny
fiainana mandrakizay.
Izao fiainana izao raha ampitahaina amin’ny fiainana any an-danitra dia
zavatra tsy misy dikany loatra na zava-poana. Izao no filazan’I Paoly azy:
554 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Romana 8.18-19: 8.18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro
ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho
amintsika. 8.19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra
ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
Izao zavatra rehetra ary izao dia samy miandry ny fanehoana ny
voninahitr’ Andriamanitra. Tsy tokony hitaraina amin’ny fahoriana mandalo
ety an-tany isika fa tokony hanana faharetana haharitra amin’ny finoana
mba hananana fiainana mandrakizay mandrakizay izay maharitra ela sady
tsy voafetran’ny fepotoana. Miandry ao ny hazonaina sy ny ranonaina raha
mahazo ny fiainana mandrakizay isika.
Apokalypsy 22.3-6:
Izay tsy manana ny mariky bibidia sy ny sariny no hiditra ao Jerosalema
vaovao ilay tanàna masina. Koa tokony imasoana ny hananana ny tombo-
kasen’Andriamanitra mba hdirantsika ao amin’ny fiainana mandrakizay.
Apokalypsy 22.6-7:
Mifandray amin’ny Apokalypsy 1.1 ny Apokalypsy 22.6-7 : Matoky sady
marina ireo teny ireo izay nampitondraina ny Anjely avy tamin’
Andriamanitra nomeny an’I Kristy.
Apokalypsy 1.8: Manao Sonia ny Tompo Andriamanitra .
Miverina koa io Sonia io eto amin’ny Apokalypsy 22: Hoy ny Tompo
Andriamanitra
Apokalypsy 1.3: Miverina koa ny hoe “Sambatra izay mihaino ny tenin’ny
Toko 1: Sambatra izay mamaky sy mihaino ary mitandrina izay voalaza…”
Toko 22.7: Sambatra izay mitandrina ny tenin’ity faminaniana ity.
Tsy miverina intsony ny hoe mamaky sy mihaino voalaza tamin’ny toko1.
Fa tsindriana mafy kosa ny hoe mitandrina, izany hoe, miverina amin’ny
mari-drefy ny tempoly, tsy manaiky ny mariky bibidia sy ny sariny, tsy
miandany tamin’ny mpaminany sandoka, tsy niaraka tamin’ ilay vehivavy
555 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
janga lehibe fa niaraka tamin’ny zanakondry izay manana filazantsara
toriana mandrakizay. Tsy mba niankohoka tamin’ny bibdia sy dragona fa
tamin’ ilay velona mandrakizay mandrakizay. Efa novakiana daholo izany,
ary rehefa nino azy ka nandray ny fitafian’ny zanakondry amin’ny alalan’ny
batisa dia mahazo alalana hiditra amin’ny fampakaram-badin’ny zanakondry,
ka hahazo fiainana mandrakizay, rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra
sy io filazana an’I Jesosy maty tamin’ny ny antsasaky ny herinandro,
nilevina telo andro sy telo alina tao ankibon’ny tany ary nitsangana tamin’ny
maty tamin’ny andro fahatelo io. Apokalypsy 14.12:
Ho mirana tokoa ny mponin’ny lanitra mahita antsika mandresy ny fitaky
bibidia sy ny mpaminany sandoka ary ny dragona ka handray ny fitafian’ny
zanakondry io.
Tsy azon’ny ratsy fanahy hanaovana ratsy intsony ireo izay nandresy. Tsy
hananan’ny fanahy ratsy sy fanahy maloto fahefana intsony. Mbola maro
ireo mijalyy fatoran’ny toaka, paraky, sigara, rongony, voan’ny varatra,
mosavy isan-karazany ka mijaly andro aman’alina, marary, mahantra, tsy
mahita tory andro aman’alina vokatry ny fatotry ny ratsy. Nefa I Jesosy
maty tamin’ny antsasaky ny herinandro manafaka anao maimaimpoana ary
manafaka anao amin’ny ran’ny zanak’ondry izay efa nandresy ny ratsy ka
mbola handresy.
Izay nahavita ny hazakazaka dia mitandrina sy mankatoa izay rehetra
voalaza.
Efa nahavita ny mamaky, dia mihaino, ary farany dia mitandrina izay
voalaza.
1. Voaantso = Mamaky. Tsy midika fa ho voafidy izay rehetra
mamaky ny boky.
2. Voafidy = Mihaino. Ny olom-boafidy ihany no mahazaka
mihaino ny voalazan’ ity fampianarana tsisy kilema ity. Izay
556 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
mandray ny mariky bibidia sy manompo azy dia handa izay rehetra
voalazan’ ity fampianarana ity.
3. Mahatoky = Mitandrina. Ny olona mahatoky no afaka mitandrina
izay rehetra voasoratra ato anatin’ny boky Apokalypsy ity.
Apokalypsy 19.13-14:
Ny bibidia dia hiady amin’ny Zanak’ondry sy izay miandany aminy. Ny
Zanakondry dia haharesy azy satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny
mpanjaka Izy.
“Indro avy faingana Aho,” hoy Jesosy.
Apokalypsy 22.8-9:
Rehefa nasehon’ny Anjely azy avokoa ny faminaniana rehetra dia faly ny
fony ka lasa izy niankohoka hivavaka teo anoloan’ilay anjely. Nilaza sy
nandrara mafy an’I Jaona ilay Anjely fa “Tsy azo atao mihitsy ny
mandohalika eo anatrehan’ny olona hitanao maso na Pastora na Maompera
na mpitondra fiangonana, na ray aman-dreny na iza na iza. Sady tsy tokony
hampandohalika olona isika no tsy tokony handohalika eo
anoloan’olona. Fa na miara-mandohalika na miara-mitsangana. Izany no
atoron’ny Anjely antsika. Koa izay rehetra mamaky sy mihaino ary
mitandrina izay rehetra voalazan’ny boky dia tokony hitandrina izany koa.
Misy milaza fa tsy amban’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana. Ny anjely
manompo an’Andriamanitra any an-danitra dia masina satria mitandrina ny
didin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy Kristy.
Apokalypsy 14.12: olona masina = zanaka sisa mitandrina ny
didin’ Andriamanitra sy ny filazana an’I Jesosy.
Daniela 12.4:
Asio tombo-kase ny teny mandra-pahatongan’ny andro farany fa maro no
hazoto handinika ka hitombo ny fahalalany.
557 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Mitombo tsy takatry ny saina mihitsy ny fahalalan’ny zanak’olombelona.
tamin’ ny andron’I Daniela dia mbola tsisy ordinatera, mp3, mp4, telefona,...
Apokalypsy 22: kosa dia milaza hoe aza asiana tombo-kase intsony ny
teny fa antomotra ny andro.
Apokalypsy 22.
Izay masina dia mbola hihamasina, izay marina dia mbola hihamarina
hatrany.
Diniho ny tenanao na mihamasina na tsy mihamasina, mihamatoky sa
miha-tsy mahatoky, mihamarina sa miha-tsy marina? Ho voaozona izay
manao ratsy sy tsy marina ary mihamaloto sy miha-tsy mahatoky
an’Andriamanitra. Ary izay manaiky tarihiny dia hanaraka azy koa.
Anisan’izay niova ve ianao raha nanaraka ity fampianarana ity sa
dia mbola nanohy nanao ratsy ihany?
Izay maloto dia mbola hihamaloto ihany. Ireo mpanao ratsy dia tsy
hanana anjara any Jerosalema vaovao. Ny marina sy matoky
an’Andriamanitra kosa dia mbola hitombo fahamasinana sy hatoky hatrany
ka handeha amin’ fahadiovana sy fahamarinana.
Apokalypsy 22.: Sonia: Indro avy faingana Aho hoy ny Alfa sy
Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.
Ho avy hitsara antsika Izy, ka na isika ho any amin’ny fanamelohana
mandrakizay satria tsy nitandrina izay voalaza, na koa ho any amin’
fiainana mandrakizay
Apokalypsy 22.14:
Na iza na iza nanao batisa tamin’ny alalan’I Jesosy dia manasa ny
fitafiany ka mitafy an’I Kristy.
Apokalypsy 7.13-15:
Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny ankanjony nosasany sy
nofotsiany tamin’ny ràny.
558 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Iza no nanasana ny fitafianao ? ilay maty taorian’ny Paska sa ilay
maty talohan’ny Paska? Ilay nahazo telo andro sy telo alina sa ilay
maty zoma? Raha vao diso ny Jesosy inoanao dia Jesosy sandoka no
inoanao ary fitafiana sandoka no itafianao. Ran-kisoa ve satria
mihinana kisoa ny mpanara-dia an’io Jesosy sandoka io? Sa ran’ny
zanak’ondry araka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina?
Any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, mpijangajanga, mpamono
olona, mpanompo sampy, izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Sonia : “Izaho no Kintana mamirapiratra” izay naniraka ny Anjely
hanambara ity filazana ity.
Ka n amino ianao na tsia dia tadidio fa hafatra avy amin’I Jesosy io.
Apokalypsy 22.17:
Izay mino aoka Izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranonaina. Omena
maimaimpoana io ranonaina io. Mizara maimaimpoana koa ianao satria
vahoaka voaantso, voafidy, ary matoky. Rehefa ao aminao ny fanahin’ny
ampakarina dia lasa koa ianao mitory teny mampahafantatra sy mizara izay
azonao amin’ny hafa.
Apokalypsy 22.18:
Izay rehetra manampy izay voasoratra amin’ity boky ity dia hampian’
Andriamanitra ny loza hanjo azy, ary izay manaisotra na manala izay
voasoratra kosa dia hanalan’ Andriamanitra ny anjarany.
“Aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana hianao dia homeko anao
ny satroboninahitra fiainana.”
559 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Study of the Book of
the Apocalypse
Based on “The Teaching of the Book of the Apocalypse”
Broadcast on the Radio Fanambarana, FM 98.4,
By Pastor Mailhol André Christian Dieu Donné,
Founder of the Apocalypse Church,
F.A.M., Ambodin’Isotry, 101 Antananarivo, Madagascar.
KEYS TO SALVATION and BLESSINGS:
FACTS ABOUT JESUS’S DEATH
He was three days and three nights in the heart of the earth.
Matthew 12.38-40: {12:38} Then certain of the scribes and of the
Pharisees answered, saying, Master, we would see a sign from thee.
{12:39} But he answered and said unto them, An evil and adulterous
generation seeketh after a sign; and there shall no sign be given to it, but
the sign of the prophet Jonas: {12:40} For as Jonas was three days and
three nights in the whale’s belly; so shall the Son of man be three days and
three nights in the heart of the earth. {12:41} The men of Nineveh shall rise
in judgment with this generation, and shall condemn it: because they
560 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
repented at the preaching of Jonas; and, behold, a greater than Jonas [is]
here.
He died in the midst of the week.
Daniel 9.25-27: {9:25} Know therefore and understand, [that] from the
going forth of the commandment to restore and to build JerAmerikalem
unto the Messiah the Prince [shall be] seven weeks, and threescore and two
weeks: the street shall be built again, and the wall, even in troublous times.
{9:26} And after threescore and two weeks shall Messiah be cut off,
but not for himself: and the people of the prince that shall come shall
destroy the city and the sanctuary; and the end thereof [shall be] with a
flood, and unto the end of the war desolations are determined. {9:27} And
he shall confirm the covenant with many for one week: and in the midst of
the week he shall cause the sacrifice and the oblation to cease, and for the
overspreading of abominations he shall make [it] desolate, even until the
consummation, and that determined shall be poured upon the desolate.
OFFERINGS AND TITHES:
Hosea {4:6} My people are destroyed for lack of knowledge because
thou hast rejected knowledge.
Hosea {6:6} For I desired mercy, and not sacrifice; and the knowledge of
God more than burnt offerings.
Malachi 3.6-12: {3:6} For I [am] the LORD, I change not; therefore ye
sons of Jacob are not consumed. {3:7} Even from the days of your fathers
ye are gone away from mine ordinances, and have not kept them.] Return
unto me, and I will return unto you, saith the LORD of hosts. But ye said,
Wherein shall we return? {3:8} Will a man rob God? Yet ye have robbed me.
But ye say, Wherein have we robbed thee? In tithes and offerings. {3:9} Ye
561 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
[are] cursed with a curse: for ye have robbed me, [even] this whole nation.
{3:10} Bring ye all the tithes into the storehouse, that there may be meat in
mine house, and prove me now herewith, saith the LORD of hosts, if I will
not open you the windows of heaven, and pour you out a blessing, that
[there shall] not [be room] enough [to receive it. ]{3:11} And I will rebuke
the devourer for your sakes, and he shall not destroy the fruits of your
ground; neither shall your vine cast her fruit before the time in the field,
saith the LORD of hosts. {3:12} And all nations shall call you blessed: for ye
shall be a delightsome land, saith the LORD of hosts.
Leviticus 27.30-33
Numbers 18.25-32: {18:25} And the LORD spake unto Moses, saying,
{18:26} Thus speak unto the Levites, and say unto them, When ye take of
the children of Israel the tithes which I have given you from them for your
inheritance, then ye shall offer up an heave offering of it for the LORD,
[even] a tenth [part] of the tithe. {18:27} And [this] your heave offering
shall be reckoned unto you, as though [it were] the corn of the
threshingfloor, and as the fulness of the winepress. {18:28} Thus ye also
shall offer an heave offering unto the LORD of all your tithes, which ye
receive of the children of Israel; and ye shall give thereof the LORD’S heave
offering to Aaron the priest. {18:29} Out of all your gifts ye shall offer every
heave offering of the LORD, of all the best thereof, [even] the hallowed part
thereof out of it. {18:30} Therefore thou shalt say unto them, When ye have
heaved the best thereof from it, then it shall be counted unto the Levites as
the increase of the threshingfloor, and as the increase of the winepress.
{18:31} And ye shall eat it in every place, ye and your households: for it
[is] your reward for your service in the tabernacle of the congregation.
{18:32} And ye shall bear no sin by reason of it, when ye have heaved from
562 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
it the best of it: neither shall ye pollute the holy things of the children of
Israel, lest ye die.
HEALTH AND ILLNESSES:
We believe in the healing power of prayer and faith by the name of
Jesus who died three days and three nights.
Apocalypse {12:11} And they overcame him by the blood of the Lamb.
Isaiah 53: {53:4} Surely he hath borne our griefs, and carried our
sorrows: yet we did esteem him stricken, smitten of God, and afflicted.
{53:5} But he [was] wounded for our transgressions, [he was] bruised for
our iniquities: the chastisement of our peace [was] upon him; and with his
stripes we are healed.
{103:1} Bless the LORD, O my soul: and all that is within me, [bless] his
holy name. {103:2} Bless the LORD, O my soul, and forget not all his
benefits: {103:3} Who forgiveth all thine iniquities; who healeth all
thy diseases; {103:4} Who redeemeth thy life from destruction; who
crowneth thee with lovingkindness and tender mercies; {103:5} Who
satisfieth thy mouth with good [things; so that] thy youth is renewed like
the eagle’s.
563 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
References
Raha te handalina kokoa dia ireto misy sites afaka tsidihana:
http://www.toriteny.net/Pages/APOKALIPSY01.aspx
http://mg.wikipedia.org/wiki/Fiangonana_Apokalypsy_eto_Madagasikara
http://www.famfrance.fr/index.php?p=1_6_Etude-en-mode-vid-o
http://www.apocalypse-mada.com/tantara
http://wol.jw.org/mg/wol/d/r26/lp-mg/2004241
https://firaiketana.wordpress.com/2012/07/09/fampidirana-ny-boky-apokalipsy/
http://www.cogwriter.com/location.htm
http://en.wikipedia.org/wiki/Seven_churches_of_Asia
http://www.remnantofgod.org/666.htm
http://www.tldm.org/directives/d129.htm
http://www.spcm.org/iso_album/rescape.pdf
http://m.wattpad.com/587096-rescape-de-l'enfer
https://www.youtube.com/watch?v=1NstSkcvubM
http://www.amazingfacts.org/media-library/study-guide/e/4997/t/the-mark-of-
the-beast
Contacts
Foibe FAM Ambodin’Isotry, Antananarivo, Madagascar.
Jereo koa azafady:
https://fr-ca.facebook.com/apocalypse.revelation/info?tab=page_info
https://www.facebook.com/apokalypsy?sk=wall
http://www.famfrance.fr/
564 | P a g e - A p o k a l y p s y – F M 9 8 . 4 – P a s t e u r M a i l h o l
Nalaina avy tamin’ny
“Fampianarana ny Bokin’ny Apokalypsy”
Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné
Radio Fanambarana, FM 98.4,
Foibe F.A.M. Ambodin’Isotry,
Antananarivo 101, Madagascar.
Taona 2016
Ho an’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana anie ny saotra, ny
haja, ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay. Amena !