24
1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA KAOMINALY MOMBA NY MIRALENTA SY NY ADY AMIN’NY HERISETRA HO AN’NY KAOMININA ALAKAMISY ITENINA » ny 20 hatramin’ny 23 oktobra 2011 Efitrano fivoriana, Kaominina ambanivohitra Alakamisy Itenina, Distrika Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony MADAGASIKARA

TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

1

TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA KAOMINALY MOMBA NY MIRALENTA SY NY ADY

AMIN’NY HERISETRA HO AN’NY KAOMININA ALAKAMISY ITENINA » ny 20 hatramin’ny 23 oktobra 2011

Efitrano fivoriana, Kaominina ambanivohitra Alakamisy Itenina, Distrika Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony

MADAGASIKARA

Page 2: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

2

Fizahan-takelaka

FAMINTINANA .................................................................................................... ERREUR ! SIGNET NON DEFINI.

ZAVA-MISY .......................................................................................................... ERREUR ! SIGNET NON DEFINI.

FIZOTRY NY ATRIKASA ......................................................................................... ERREUR ! SIGNET NON DEFINI.

VOKATRA ............................................................................................................ ERREUR ! SIGNET NON DEFINI.

DINGANA MANARAKA ....................................................................................... ERREUR ! SIGNET NON DEFINI.

Tovana A - Programa

B – Lisitry ny mpandray anjara C – Drafitrasa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy D- Tombana

Page 3: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

3

FAMINTINANA

Dingana faha-03 no notanterahana ny 19 hatramin’ny 23 oktobra 2011 tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Alakamisy Itenina.

Anaran’ny manampahefana nanatrika nandritry ny fanokafana ofisialy sy ny

lahateniny Nahitana ny Ben’ny Tanana, RAHARISON Roger Fidèle ; ny solontenam-panjakana, RAVAO Jeanne Pierrette ; ny solontenan’ny lehiben’ny borigadin’ny zandarmariam-pirenena, BERTRAND Nestor ireo manampahefana nanotrona. Ny Ben’ny tanana no nanokatra ny fotoana, nirary soa sy niarahaba ireo mpandray anjara rehetra ary nankasitraka ny fahatongavan’ny mpampiofana hitondra fandrosoana sy fiovan’ny fomba fisainana ho an’ny Kaominina ary indrindra ny vehivavy izay ho voajery manokana. Naneho ny fahavononana hiroso amin’ny Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny Ben’ny Tanana izay misolo tena ny Kaominina. Ny fahitana ny hery velona tonga dia manambara hoy ny Ben’ny Tanana fa vonona handray an-tanana ny fampandrosoana ny Kaominina Alakamisy Itenina.

Firafitry ny programa (jereo tovana A) Ny andro voalohany sy ny faharoa dia nihaonana tamin’ny ekipa eo anivon’ny Kaominina dia ny birao mpanatanteraka, ny mpanolontsaina ary mpiasa tsotra. Nandritra ireo andro telo nifanesy kosa dia namolavola ny drafitrasa hametrahana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra niarahana tamin’ireo herivelon’ny Kaominina. Nozaraina isan-tarika ny mpiofana ka tarika 3 no nifampizarana ny asa. Narahina ady hevitra sy fanitsiana ny drafitrasa norafetina. Ny andro farany dia nanolotra ny drafitrasa tamin’ireo solontenam-pokonolona ireo mpiofana niasa isa-tarika ka nandray ny fanamarinana avy amin’ny mpanatrika.

Mpandray anjara (ohatra: Mpanolontsaina, mpanatanteraka, fiaraha-monim-pirenena), jereo tovana B

Voasolo tena avokoa ireo ekipa kaominaly nanomboka tamin’ny birao mpanatanteraka, ny mpanolontsaina ary ny mpiasa izay andoavan’ny Kaominina vola (CSB II)

Drafitrasa, jereo tovana C Nohazavaina ny fomba famenoana ny drafitrasa izay miainga amin’ny fototra iaingana ahafahana mamaritra ny tanjona fototra ametrahana ireo asa atao sy ny tompon’andraikitra ahazoana tondro mazava milaza vokatra anaty fe-potoana ary ahitana teti-bola na tsia satria tsy voatery hampiasam-bola ny asa atao.

Tombana, jereo tovana D Amin’ny ankapobeny dia tafita ny hafatra fototra iompanan’ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ary tsapa fa efa mangetaheta ny fipetrahan’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny mponina indrindra fa eo amin’ny lafiny fanabeazana no asian-teny.

Irin’izy ireo ny hanohizana sy handalinana misimisy kokoa ny miralenta.

Page 4: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

4

ZAVA-MISY:

Tantara tsotra ny GL Alakamisy Itenina dia Kaominina ambanivohitra iray ao amin’ny Distrikan’i Vohibato, Faritra Haute Matsiatra, mirefy eo amin’ny 100km², misy mponina 22.400 ary Fokontany 14. Izy dia renivohitry ny Distrikan’I Vohibato, ary miala 36km an’I Fianarantsoa renivohitra. Ny fanadihadiana natao dia nahitana ireto fotodrafitr’asa ireto :

Paompin-drano isam-pokontany (14)

Biraon’ny Distrika

CSB II

EPP

CEG (+ annexe)

Lycée (an-dalam-pahavitana fa efa opérationnel)

CECAM

TIAVO

Borigadin’ny zandarmaria

Tsena (vary, akoho, toaka gasy)

Radio kaominaly

Toeram-pitrandrahana TOURMALINE

FIZOTRY NY ATRIKASA

Fizotry ny atrikasa nanomboka teny am-piandohana ka hatramin’ny nifaranany Nosokafan’ny Ben’ny Tanana ny fivoriana rehefa avy nanazava sy namintina tamin’ny mpanatrika izy ny anton’ny fiofanana sy ny fivoriana nandritry ny andro maromaro. Tsy nisy tantsoroka avy amin’ny SAHA (mpitantsoroka) nanatrika sy nanohana nandritry ny fiofanana. Tsy lavorary ny fitaovana nampiasana noho ny tsy fahampian’ny fifandraisana sy ny tsy fanarahana ny toro-marika teny am-piandohana (boky 20 isaky ny Kaominina) : ohatra 16 no boky voaray, tsy nisy dépliant afaka nozaraina tamin’ny mpiofana nanamafisana ny Tondrozotra FAA, tsy fahampian’ny taratasy solo-tsolaitrabe ka nahavoatery ny mpampiofana hividy hafa. Nanao asa isa-tarika ny mpiofana izay noezahana nampifangaroana mba hampivelatra kokoa ny hevitra sy hampisy ny ady hevitra. Notanterina tamin’ny mpizaika ny asa isa-tarika nahafahana nandroso soso-kevitra sy fanitsiana mifanaraka amin’ny filàn’ny Kaominina. Toy ny tamin’ny asa isa-tarika natao tamin’ny fandrafetana ny drafitrasa dia nifandimby ireo mpiofana nanolotra sy nanazava tamin’ny solontenam-pokonolona ny asa atao ao anatin’ny drafitrasa kaominaly momba ny fametahana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra izay notsindrian’ny filohan’ny mpanolontsaina mafy ny fanazavana izany. Nisy ireo nangataka ny hiditra anatin’ny fikambanana GL mba ahafahana mifanakalo hevitra sy manaraka fiofanana misimisy kokoa momba ny miralenta ary indrindra ny fifanakalozana traikefa amin’ny Kaominina izay napetraky ny GL ho ivo-toerana filamatra toy ny Kaominina Ialananindro.

Page 5: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

5

Nanome soso-kevitra ny solontenam-pokonolona tamin’ny lohateny vitsivitsy ohatra ny fananan’ny vehivavy zo amin’ny fandovana sy ny fananan-tany rehefa manangana ny vadiny ny lehilahy dia afaka mandova azy raha misy ny fahafatesany. Novalian’ny Ben’ny Tanana tamin’ny fanazavana araka ny lalana ilay soso-kevitra ka nanindriany fa azo atao tsara ny manao izany saingy samy hafa hoy izy ny manjanaka sy ny manangana satria ny zanahana azo ariana fa ny atsangana dia tsy azo atao ny manary azy ka tokony hitandrina. Nofaranan’ny Ben’ny tanana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa rehefa vita ny tatitra sy ny fandaminana ny ho tohin’ny fandaharana, nanantitrantitra izy mba tsy ho rano raraka an-tany ny fiofanana izay natao teto anivon’ny Kaominina sy ny tahirin-kevitra ary ho mpitarika sy ho fitaratra ireo izay nanaraka ny fiofanana satria izy ireo no komity hajoro hisahana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra. FAMINTINANA Nizotra an-tsakany sy an-davany amin’ny ankapobeny ny fiofanana ary nanao izay azo atao ny mpampiofana na dia nisy lesoka madinika aza toy ny fahataran'ny fotoana satria misy ireo mpiofana no mody lavitra ka nampiovaova ny fitsinjarana ny fotoana.

Famintinana isaky ny lohahevitra miampy ireo vokatry ny fampiasana sy ny asa isa-tarika

LOHAHEVITRA 1 NY FIFANARAHAN’NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY

FAMPANDROSOANA Tanjona : Fampahafantarana ny mpandray anjara ny votoatin’ny FAA Fomba fiasa : projection Mijery CD : Araky ny mpiofana tsara ny fizotry ny voarakitra ao anatin’ny kapila na dia tsy nisy dikan-teny Malagasy aza. Famenoana GMDC sy Quiz

LOHAHEVITRA 2 HEVITRA FOTOTRA IOMPANAN’NY MIRALENTA

Tanjona : Fanavahana ny mahalahy sy mahavavy, ny Miralenta Fanasongadinana ireo hevitra raiki-tapisaka novolavolain’ny FM Fomba fiasa : cartonnette, asa isa-tarika Toetra voajanahary mahalahy na mahavavy

- Lehilahy: volom-bava, filahiana, vaky feo,

- Vehivavy : miteraka, mampinono,tonga fadim-bolana,

Miralenta : ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy afaka manao ny asa rehetra andavanandro fa

fanavahana avy amin’ny fiaraha-monina no tsy mampirindra izany. Ka mametraka ny hevitra

raiki-tapisaka.

Ireo hevitra raiki-tapisaka novolavolain’ny fiaraha-monina :

Groupe 1: HIRA

- Dadazily (Ny Ainga)

- Soa ny manan-droa (Raindimby)

- Ny lehilahy (Henri Ratsimbazafy)

Groupe 2 : OHABOLANA/OHA-PITENENANA

- Vereza karan-doha

- Misao-bady tanora ka manome zara ny hafa

Page 6: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

6

- Akanga lahy tsa mitarika

- Aza manao resak’ampela

Groupe 3: TANTARA SY LOVAN-TSOFINA

- Ny tantara dia niompana tamin’ny tantarana tokantrano iray ao amin’ny

Fokontany anatin’ny Kaominina izay manambany sy mametraka ny asan’ny vehivavy

ao an-tokan trano ho ambany (ohatra ny fandroan-tsakafo sy ny fikarakarana)

Groupe 4: DOKAMBAROTRA

- Gazety iray misy dokam-barotra maneho vehivavy maromaro manao akanjo kely

toy ny mitanjaka nefa mameno pejy iray manontolo.

Groupe 5: FOMBA AMAM-PANAO :

- Raha misy fahasahiranana ao an-tokantrano dia ajanona amin’ny fianarana ny

vehivavy

- Raha maty ny lahy dia roahan’ny fianakavian’ny lahy ny vavy na dia efa niteraka

tamin’ny vadiny aza

- Tsenan’ampela

LOHAHEVITRA 3 MIRALENTA SY FITONDRAM-PANJAKANA

Tanjona : Fandrisihana ny vehivavy handray andraikitra sy hilatsa-ko hofidiana mba hitondra fanovana sy hampandroso Fomba fiasa : asa isa-tarika, ady hevitra FIDIRANA

a. Sakana:

- Habadoana

- Tsy avelan’ny lehilahy

- Tsy fifanohanan’ny samy vehivavy

- Vehivavy no tsy mazoto hirotsaka ho fidiana

- Ny mpanao politika tsy mijery ny vehivavy

FANDRAISANA ANJARA

a. Sakana :

- Tsy sahy maneho hevitra

- Matahotra ny ho diso amin’ny hevitra aroso

FANOVÀNA

a. Sakana:

- Vitsy an’isa ao anaty rafitra,

- Ara-politika

LOHAHEVITRA 4 HEVITRA SY TETIKA HAHATONGAVANA AMIN’NY MIRALENTA

Tanjona : Fahaiza-mamaritra ny atao hoe filàna fototra andavanandro sy ny filàna maharitra mila paikady Fomba fiasa : asa tarika, adi-hevitra Fampiasana 2:

Page 7: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

7

Teto dia nasaina namaritra ireo endri-pilàna mampiavaka amin’ny asa tokony ataon’ny Kaominina ireo mpiofana :

Filàna fototra andavanandro Filàna maharitra mila paikady

Fahazoana rano fisotro madio (ohatra paompin-drano)

Fampindramam-bola ny vehivavy izay tena miompana amin’ny fampiasana izany

Fisian’ny tsena ahafahana mamoaka sy mivarotra ireo vokatra

Fivondrona sy fananganana fikambanana ahafahana mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao

(ohatra : rary)

Trano fonenana sy zotram-pifamoivoizana Fampiofanana arak’asa sy fahaiza-manao hampiroboroboana ny asa famokarana

Fananganana foto-drafitrasa hitsinjovana ny fanabeazana, ny toeram-pidiovana (WC, douche)

LOHAHEVITRA 7

FAMOLAVOLANA DRAFITRASA HAMPIROBOROBOANA NY MIRALENTA

Tanjona : Fametrahana drafitrasa kaominaly momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra izay ahafahan’ny Kaominina manasongadina ireo fanao tsara (bonnes pratiques) Fomba fiasa : asa tarika, adi-hevitra Nohazavaina ny fomba famenoana ny drafitrasa izay miainga amin’ny fototra iaingana ahafahana mamaritra ny tanjona fototra ametrahana ireo asa atao sy ny tompon’andraikitra ahazoana tondro mazava milaza vokatra anaty fe-potoana ary ahitana teti-bola na tsia satria tsy voatery hampiasam-bola ny asa atao.

VOKATRA Nivoitra tamin’ny vokatry ny atrikasa ny fahavitan’ny Drafitrasa miralenta sy ady amin’ny herisetra voahitsy sy voatolotra (tovana C)

DINGANA MANARAKA

DINGANA 5 : Serasera sy teknolojia vaovao

DINGANA 6 : Fampandrosoana ara-toekarena sy ny Miralenta

DINGANA 7 : Fiovaovan’ny toetr’andro sy ny Miralenta

DINGANA 8 : 16 andro hiadiana amin’ny herisetra

DINGANA 9 : Fifaninana nasionaly

DINGANA 10 : Fifaninana rezionaly

Page 8: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

8

Tovana A: ATRIK’ASA MOMBA NY FAMETRAHANA DRAFITR’ASA MOMBA NY MIRALENTA SY NY ADY AMIN’NY HERISETRA

Firenena:Madagasikara Kaominina: ALAKAMISY ITENINA

Toerana: efitrano malaky ny Kaominina Daty: 17-23/10/2011

Ora Fandaharana Tomponandraikitra

17/10/2011

08h00-08h45

Fandraisana sy fifankahafantarana Ben’ny Tanàna Mpampiofana

08h45-09h15

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy Ben’ny Tanàna

09h15-10h15

Fanazavana ny fiaraha-miasa (SAHA, GL, AESG) sy ny fizotry ny fiofanana ary ny dingana

Mpampiofana

10h30-12h30

Fanadihadiana ireo fitaovana iraisam-pirenena, rezionaly sy nasionaly ahitana taratra ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra Tsiahy sy tsidiky ny fandaharana ny ampitso

Mpampiofana

12h30 Sakafo

14h-16h Fitsidihana ny Kaominina Mpampiofana

18/10/2011

08h00-09h15

Fanazavana ny famenoana ireo formulaires (etudes des attitudes, cartes des scores)

Mpampiofana

10h30-12h30

Famenoana ny etudes des attitudes Fifanakalozan-kevitra

Mpampiofana

12h30-13h Sakafo

13h-16h Famenoana ny cartes des scores Fifanakalozan-kevitra Tsiahy sy tsidiky ny fandaharana ny ampitso

Mpampiofana

19/10/2011

08h-10h Loh 1:Ny fifanarahan’ny FAA momba ny Miralenta sy ny fampandrosoana Mijery CD GMDC-Quiz

Mpampiofana

10h00-12h30

Loh 2: Hevitra fototra iompanan’ny Miralenta: -ireo toetra voajanahary mahalahy na mahavavy -stereotypes: toetra raiki-tapisaka novolavolain’ny fiaraha-monina Tatitry ny atrik’asa isa-tarika Ady hevitra

Mpampiofana

12h30-13h Sakafo

13h-16h Loh 3: Miralenta sy Fitondrampanjakana: -fidirana -fandraisana anjara -fanovana Tatitry ny atrik’asa isa-tarika Ady hevitra

Mpampiofana

Page 9: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

9

20/10/2011

08h00-10h Loh 4: Hevitra sy tetika hahatongavana amin’ny Miralenta: -filàna fototra -filàna maharitra (mila paikady) Tatitry ny atrik’asa isa-tarika Ady hevitra

Mpampiofana

10h00-12h30h

Loh 7: famolavolana drafitrasa hampiroboroboana ny miralenta sy drafitrasa mahomby hamongorana ny herisetra eny ifotony Tatitry ny atrik’asa isa-tarika Ady hevitra

Mpampiofana

12h30-13h Sakafo

13h-16h Fizarana tarika: -G1sy G2ary G3: drafitrasa hampiroboroboana ny Miralenta -G4: drafitrasa mahomby hamongorana ny herisetra eny ifotony Asa isa-tarika

Mpampiofana

21/10/2011

08h-12h Asa isa-tarika Mpampiofana

12h-13h Sakafo

13h-16h Asa isa-tarika Mpampiofana

22/10/2011

08h-12h Tatitra isa-tarika sy ady hevitra Mpampiofana

12h-13h Sakafo

13h-16h Tatitra isa-tarika sy ady hevitra Mpampiofana

23/10/2011

08h-12h Fanolorana ny drafitrasa anaty fivoriambe Mpampiofana

12h-13h Sakafo

13h-16h Famintinana sy fisaorana ireo mpandray anjara Fanakatonana ofisialy

Mpampiofana

Page 10: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

10

Tovana B:

Fandaharana: STAGE 3

Firenena: MADAGASIKARA Toerana : ALAKAMISY ITENINA

Daty: 19-21/10/2011 FANAMARINAM-PAHATONGAVANA

N° Anarana sy fanampiny Sexe Andraikitra sahanina tel

01 RAHARISON Roger Fidèle L Ben’ny tanana

02 RATSIMANDRESY Jean Louis L Filohan’ny filankevitra

03 RAZAFMAHATRATRA L Lefitry ny ben’ny tanana

04 FANOMEZANTSOA Jean Paul L Mpanolontsaina

05 RAMAHANDRIRAIBE Remi Charles L Mpanolontsaina

06 RANDRIANAIVO Alphonse L Mpitahiry vola

07 RASOLO Hilarion L Mpitantam-bola

08 RAZAFIMAHATRATRA Jean Fidèle L Mpitan-tsoratra

09 RANDRIANIRINA Alexandre Désiré L Sefo FKT

10 RASOARIMANANA Jeanne Fidelys V Personnel administratifa

11 RASOLOMAMPIANDRA J E L Sefo FKT

12 RAZAFIMAMONJY Gilbert L Sefo FKT

13 RAKOTOZAFY Jean de Dieu L CDC

14 RAVELO François Xavier L Sefo Fkt

15 RASOAMAMPIONONA V Mpikambana mpandrary

16 RAJOMAZAFINIRINAVAO Esther V Lefitra sefo Fkt

17 RAZANATSOA Bernadette V Mpikambana mpandrary

18 RANDRIANANDRASANA Joelson L Sefo Fkt

19 RAZAFINDRAIBE Samuel L Sefo Fkt

20 RANDRIAMIHAJA Armand L Sefo FKT

21 RAVAOHARINIRINA Liliane V Talen-tsekoly

22 RAJOMALAHY Augustin L Lefitra sefo Fkt

23 RAVOAVY Jean Paul L Lefitra sefo Fkt

Page 11: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

11

24 RAVOAJANAHARY Yolande V Mpitantana paompy

25 RAHARINIRINA Claude Joseph L Sefo Fkt

26 RATSIMBAZAFY Charles L Sefo Fkt

27 RASOANIRINA Charline V Talen-tsekoly

28 RAZANATSIMBA Antoinnette V Proviseur

29 RAVAO Jeanne Pierrette V CAA

30 BERTRAND Nestor L Zandary

Tahan’isa:

VAVY 08 17%

LAHY 22 73%

TOTALINY 30 100%

Page 12: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

12

Tovana C: Gender Action Plan for the Local Government of Antanamitarana council

DRAFITR’ASA HAMPIHARINA ENY AMIN’NY KAOMININA IFOTONY MOMBA NY MIRALENTA

SY NY HERISETRA ATAO AMIN’NY VEHIVAVY

Ny sehatra izay tokony ho fenoina : Iza – sampan-draharaha iza /inona no tompon’andraikitry ny asa na hetsika? Inona ny tahirin-kevitra na zava misy ho fototra iaingana – inona no iaingana, valio ireo fanontaniana? Inona ny tanjona /ny tondro zotra milaza ny vokatra– inona ny tanjona farany kendren’ ny kaominina ary ahoana ny tondro

hahafahana mandrefy fa tratra izany tanjona izany,valio ireo fanontaniana? Rahoviana – Ahoana ny fe-potoana hanatanterahana izany? Teti bola – Hoatrinona ny tetibola ilaina hanatanterahana izany hetsika na asa izany?

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-BOLA

DRAFITR’ASA MIKASIKA NY POLITIKA MOMBA NY MIRALENTA

Fametrahana rafitra ara-politika momba ny Miralenta

eto amin’ny Kaominina.

Fanentanana sy fampianarana ny

mponina ny hevitra fototry ny Miralenta.

- Kaominina - Fokontany

- STD - ACN (Agent

communautaire

de nutrition)

Tsy fahalalan’ny mponina any amin’ny Kaominina ny

atao hoe : MIRALENTA sy ny HERISETRA

-Voaentana ny mponina anatin’ny Kaominina

-Tanteraka ny fivoriambem-

pokonolona isaky ny

Fokontany

Novambra – desambra

2011

Kaominina SAHA Gender Links

I. FITANTANANA Representation Fampitombona isa ny vehivavy eo amin’ny

fitantanana ny Kaominina sy

ny Fokontany.

Fandresen-dahatra ny vehivavy mba hirotsaka

ho fidiana.

- Kaominina - STD

- Fokontany

- Boriboritany - ACN

- Mpanao politika

Komitin’ny Miralenta

Tsy nisy ny vehivavy no

voafidy teo amin’ny

fifidianana sefo fokontany

14 sy voatendry hisahana

andraikitra eo anivon’ny

Kaominina

20% ‘ny voafidy dia vehivavy

2012 Kaominina Mpanao politika

Famporisihana ny mpitondra eo anivon’ny

Kaominina hanendry vehivavy.

35% ‘ny voatendry dia

vehivavy

Famporisihana ny

vehivavy hifidy (hanantona biraom-

pifidianana).

Mitombo ny isan’ny vehivavy mandatsa-bato

Page 13: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

13

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Fandraisan anjara

Fanomezana sehatra ny vehivavy sy

fampandraisan’najara ny vehivavy amin’ny

fampandrosoana.

Fanentanana ny

vehivavy hamonjy fivoriana.

- Kaominina - Fokontany

- Mpanao politika

- Komitin’ny

Miralenta

Tsy fisian’ny Miralenta

amin’ny fandraisana anjara.

Miatrika fivoriana ny

ankamaroan’ny vehivavy ary hita taratra ao anatin’ny

”fiche de présence”.

2011 - 2012 Kaominina

Fanomezana fitenenana ny vehivavy mandritry

ny fotoam-pivoriana.

Mandray anjara mavitrika amin’ny fivoriana ny vehivavy

indrindra amin’ny fandraisana fitenenana.

Famondronana ny

vehivavy anaty Fikambanana.

Miditra anaty Fikambanana

ireo vehivavy mitovy sehatra.

Fandraisana anjaran’ny vahoaka

Fiaraha-mientanan’ny Lahy sy

ny Vavy ho amin’ny

fampandrosoana sy ny fitantanana ny tokantrano.

-Fampiofanana ataon’ny chef ZAP momba ny

fitantanana ara-bola ao

an-tokantrano mba hiaraha-mitantana ny

fandaniana

-Fanamafisana ny fahaiza-manao.

- Komitin’ny

Miralenta

Fisalasalana amin’ny fandraisana andraikitra.

-Mahavita fiofanana 3 isan-

taona momba ny fitantanana

(F4). (tokony iv outils hoenti-miasa)

-mahafehy ny fitantanana ao an-tokatrano ny vehivavy

2011 - 2012

Kaominina

Fitadiavana sy

famakafakana ireo sakana tsy handraisana

anjara.

Voafaritra anaty tahiri-kevitra

ireo sakana tsy ahafahan’ny vehivavy mandray anjara

II. LAMIN’ASA

Fananana lamin’asan’ny

komitin’ny miralenta niaraha-

nidinika sy voarafitra ary eken’ny rehetra, indrindra ny

vehivavy.

Famolavolana

lamin’asa’ny komitin’ny

miralenta.

- Kaominina

- Fokontany - Komitin’ny

Miralenta

Tsy mbola nisy ny

lamin’asa nataon’ny

Kaominina mahakasika ny miralenta.

Lamin’asan’ny komitin’ny

miralenta voarindra sy

vorakitra an-tsoratra mahakasika ny Miralenta.

Desambra

2011

Kaominina SAHA Gender Links Mpamatsy vola hafa

Fankatoavana ny

lamin’asa’ny komitin’ny miralenta amin’ny

alalan’ny fivoriam-ben’ny komity.

Fitananana an-tsoratra

fankatoavana ny lamin’asa (PV+bokin’andraikitra)

Desambra

2011

Fampiharana ireo Vita ny Tombana isa- Janoary 2012

Page 14: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

14

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

zavatra tapaka ao

amin’ny lamin’asa’ny

komitin’ny miralenta.

telovolana ataon’ny vaomiera

anatin’ny komity (suivi /

évaluation)

aprily 2012

III. NY MIRALENTA EO AMIN’NY LAMIN’ASA EFA MISY

Vonjy taitra

Fiomanana amin’ny fiatrehina ny loza mety hitranga,

indrindra ireo trano

hitoeran’ny vehivavy tsy ahitana lehilahy.

Fitiliana ireo mety ho tra-boina noho ny loza.

- Kaominina - Fokontany

- Komitin’ny

Miralenta - Croix rouge

Tsy misy ny rafitra ahafahana mamonjy ny

tra-boina sy ny

tandindonin-doza.

Azo ny antotan’isan’ireo mety ho tra-boina mila fanampiana

2011 - 2012 Kaominina Croix rouge

Fanomezana toro-

hevitra mialoha amin’ny alalan’ny fanaovana

fandaharana amin’ny radio kaominaly).

-Mahavita fanentanana

alohan’ny fiavin’ny loza

-Tafapetraka ny rafitra hitsinjovana ny vonjy taitra.

-Fametrahana sora-bola

hitsinjovana ny voina.

-Famindrana toerana

ireo izay hita fa mila

izany.

-Tafapetraka sy

nankatoavin’ny

mpanolontsaina ny sora-bola

-Mihena amin’ny ampahany

ny tra-boina (tombanana ho

40%).

Toe karena sy famoronana asa

Fahazoana antoka fa ho

an’asa ny rehetra ary mitovy

lanja ny lahy sy ny vavy eo amin’ny asa sy ny tambi-

karama.

Fanofanana arak’asa ny

vehivavy mikasika ny

asa tanana sy ny fambolena.

- Kaominina

- Mpampiasa

vola

Loha laharana hatrany ny

lehilahy amin’ny fahitana

asa.

Mahavita fiofanana 4 isan-

taona (mandritry ny

fotoanan’ny maintso ahitra)

Mai –

desambra

2012

Kaominina Mpamatsy vola ONG

Fampivelarana ny seham-pamokarana

tantely ka omena

sehatra ny vehivavy.

Tsy fitoviana amin’ny tambi-karana raisin’ny

lahy sy ny vavy amin’ny

asa mitovy.

-Tafatsangana ny

fikambanam-behivavy

amin’ny sehatra tantely

50% ny vehivavy no efa

an’asa raha tafatsangana ny

seham-pamokarana.

2011 - 2012

Fandresen-dahatra ny

mpampiasa vola hanohana ny

fampivoarana ny vehivavy.

Page 15: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

15

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Fanolorana sy fahazoana tolo-bidy (Soumission et contraction d’appels d’offres)

Fanomezan-danja ny vehivavy

amin’ny tolo-bidy rehetra.

Fampitomboana isa ny

vehivavy ao anatin’ny CAO (Commission

d’Appel d’Offres)

- Kaominina

- CAO

Ny CAO misy dia lahy

avokoa no mandrafitra azy.

40% ao anaty CAO dia

vehivavy.

2012 Kaominina Mpamatsy vola

Fanomezana ny tolo-

bidy ho an’ny orinasa tantanim-behivavy raha

mitovy ny naoty.

Tolo-bidy voadinika ary

notapahin’ny CAO ho ana orinasa tantanim-behivavy

Famongorana ny fahantrana

Fahavitan’ny vehivavy ny

ambaratonga faharoa amin’ny

fampianarana.

Fanentanana ny ray

aman-dreny hampian-

jaza.

- Ray aman-

dreny

- Mpanabe - Komitin’ny

Miralenta

Habadoana mahazo ny

vehivavy.

50% ny vehivavy mahatody

ny ambaratonga faharoa

(BEPC).

2011 – 2012 Kaominina Mpamatsy vola

Fanohanana ny

fampidirana an-tsekoly

ny lahy sy ny vavy toy ny fanampiana ara-

pitaovana.

Toe-tsaina raiki-tapisaka

(tsy ilaina ny

fampianarana ny vehivavy).

Hita soritra anaty teti-

bolan’ny Kaominina ny anjara

fanampiana natokana hanohanana ny

fampianarana.

-Fampihenana ny

mitsoaka an-daharana

any an-tsekoly (abandon scolaire – taux de

déperdition)

-Fanomezana sakafo

amin’ny maintso ahitra. (cantine scolaire)

Be ny tahan’ny vehivavy

mianatra mitsoaka an-

daharana

Mihena ny fitsoahana an-

daharana any an-tsekoly

rehefa voatohana ara-pitaovana sy ara-tsakafo ireo

mpianatra.

Fandraisana an-tanana ny vehivavy mahay.

Mahazo fankasitrahana ireo vehivavy mazoto mianatra sy

mahazo naoty tsara

Fanohanana ny asa fandraharahana

Fampirisihana ny vehivavy

amin’ny fandraharahana.

Fandresen-dahatra ny

lehilahy hamela ny vehivavy hanao

fandraharahana.

Komitin’ny

Miralenta

Sakana ho amin’ny

fahafahan’ny vehivavy hanao fandraharahana ny

lehilahy noho ny tsy

fahatokisana ny

2011 - 2012 Kaominina Mpamatsy vola

Page 16: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

16

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

fahafahan’ny vehivavy

mivelatra.

20% ny vehivavy mandray

andraikitra ka miditra

amin’ny fandraharahana noho ny fandrisihan’ny

lehilahy sy ny faharesen-dahatra.

Fanentanana ny vehivavy hiditra ho

mpikambana sy hanao findramam-bola

madinika.

- CECAM - TIAVO

Tsy sahy mampiasa vola ny vehivavy ary vitsy ny

mandray anjara.

Fitadiavana mpamatsy vola ivelany ahafahan’ny

vehivavy miditra amin’ny

fandraharahana.

Kaominina Fifanarahana vita sonia amin’ny Mpamatsy vola

vaventy na madinika vonona

hanohana ny vehivavy amin’ny fandraharahana.

Sehatr’asa tsy manara-penitra

Fametrahana sehatr’asa manara-penitra.

Fanomezana fiofanana sy fitaovana ny vehivavy

mivondrona anaty Fikambanana.

- Kaominina - Mpamatsy vola

Tsy matihanina ny asa atao’ny ankamaroan’ny

vehivavy.

Manara-penitra ny 60% ny vokatra taorian’ny fiofanana

sy ny fampitaovana ny vehivavy.

2011 - 2012 Kaominina Mpamatsy vola

Fananganana tsena

manara-penitra.

Sahirana ny vahoaka

amin’ny famoaham-bokatra.

Voatsangana ny tsena

mamaly ny filàn’ny vehivavy araka ny seham-

pamokarana.

INFRASTRUCTURE

Toeram-ponenana

Fanatsarana ny toeram-

ponenana sy ny manodidina

Fanentanana ny

fanamboarana sy fanamafisana ny tafo.

- Komitin’ny

Miralenta - Tompon’ny

trano

Fisian’ny trano fonenana

tsy lavorary sy tandindonin-doza.

Voaentana ny isam-

pokontany amin’ny fikarakarana ny trano

fonenana.

Mey – oktobra

2012

Tompon-trano Kaominina

Fijeren’ny Kaominina trano tsirairay itoeran’ny

vehivavy irery ahafahana mamaritra ny

filàn’ny tsirairay.

- Komitin’ny Miralenta

Manana antotan’isa isam-pokontany mikasika ny

toeram-ponenana mila fanamboarana (tafo,

lalotra,..).

Fiarovana ny toe-pahasalaman’ny zaza sy ny

herisetra mety manimba ny

toe-tsain’ny zaza noho ny

Fanorenana trano manara-penitra misy

efitrano maromaro

hiavahan’ny rayaman-

- Ray aman-dreny

- Komitin’ny

Miralenta

Fisian’ny trano tsy manara-penitra sy tsy

ara-pahasalamana.

Fananana toeram-ponenana ara-pahasalamana

mifanaraka amin’ny isan’ny

olona miaina ao.

Aprily 2012 - 2013

Page 17: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

17

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

fitambarana efitrano. dreny sy ny zanaka ary

ny lahy sy ny vavy.

Fihenan’ny herisetra amin’ny

ampahany izay ateraky ny

ohatra hita ao an-tokantrano.

Fanomezana vahana ny

fitovian-jo ho an’ny vehivavy eo amin’ny fananan-tany

Fampahafantarana ny

vehivavy ny zony.

- Kaominina

- Mpitondra fiangonana

- Ray aman-

dreny ara-drazana

- Komitin’ny Miralenta

Ny vehivavy maty vady sy

misaram-panambadiana dia very zo.

Tafita tamin’ireo vehivavy ny

zo araka ny lalana momba ny fizaka-manana ny tany.

2012 (6 mois

de mariage)

Kaominina BIF

Fanamorana ny

fahazoan’ny vehivavy ny fananan-tany.

Vitsy ny vehivavy

misoratra amin’ny tany.

30% ny vehivavy ato

anatin’ny Kaominina no misoratra amin’ny tany.

Fanamorana ny

fanoratana ny tany.

Tapaky ny Filankevitra ny

fanomezana fihenan’ny saran’ny kara-tany misoratra

amin’ny vehivavy.

Fanentanana ny isan-tokantrano amin’ny

fisoratam-panambadiana.

Maro ny vehivavy tsy vita fanambadiana ara-

panjakana.

Mitombo isa ny mpisora-panambadiana eo anivon’ny

Kaominina taorian’ny fanentanana.

2012 (3 mois de

coexistence)

Rano sy fahadiovana ary herin’aratra

Fahazoana antoka fa manana rano fisotro madio sy

herin’aratra ampy ny Kaominina.

Fitadiavana mpamatsy vola.

- Mpamatsy vola - Kaominina

- Fokontany

Misy ny valan’aretina ateraky ny tsy

fahampian’ny rano fisotro madio.

Tsy mahasahana ny

filàn’ny mponina ny

paompy efa mipetraka.

Voafaritra ary vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa

amin’ny mpamatsy vola.

2011 - 2013 Kaominina Mpamatsy vola

Fananganana foto-

drafitrasa momba ny

rano fisotro madio amin’ireo Fokontany na

boriboritany tsy manana.

Paompy 14 no voatsangana

ao anatin’ireo boriboritany

araka ny elanelan’ny mpanjifa amin’ireo paompy

efa napetraka isam-pokontany.

Fitantanana sy

fikojakojana ny foto-drafitrasa napetraka

amin’ny Fikambanam-behivavy.

Voafaritra ny fifanarahan’ny

Kaominina sy ny Fikambanam-behivavy

hitantana ireo paompy ary voasonia ny

bokin’andraikitra.

Fanitarana ireo foto-drafitrasa efa misy

indrindra ny fanazavana

ireo lalana.

Tsy ampy ny “éclairage public” ka mbola misy ny

lalana anaty haizina.

Mirehitra avokoa ireo jiro manazava ny elanelan-trano

rehetra eto amin’ny

renivohitry ny Kaominina.

Page 18: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

18

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

TOTONLO IAINANA MANARA-PENITRA SY AZO ANTOKA

Fikajiana ny tontolo iainana Fanentanana ny

mponina hirohitra amin’ny fambolen-kazo

indrindra fa ny fikambanam-behivavy.

- Kaominina

- Fokontany - Hery velona

- Mpiray dina

Miha-ringana ny ala noho

ny doro tanety.

Zana-kazo 20.000 fototra

voavoly manerana ny Kaominina.

Febroary –

martsa 2012

Kaominina Fokontany Ministera tompon’andraikitra

-Fanentanana ny

mponina ampiasa aro afo sy hifanome tanana

amin’ny famonoan’afo.

-Fampiharana ny DINA

amin’ireo mandoro ny ala.

Mihena 80% ny velaran-tany

may.

2011 - 2012

Fanomezana loka ny

Fokontany izay mavitrika amin’ny fambolen-kazo.

Fahazoan’ny Fokontany

mendrika famatsiam-bola ahafahana manao tetikasam-

pokontany, io teti-bola io dia lanin’ny Filankevitra.

Fahasalamana

Fahazoana antoka fa manantona tobim-

pahasalamana ny vehivavy

ary mahazo fitsaboana sahaza.

Fanentanana isam-pokontany amin’ny

maha-zava-dehibe ny

fahasalamana.

- Kaominina - Komitin’ny

Miralenta

- ASV

Betsaka ny vehivavy miteraka any am-bala

(ambanivohitra)

Mahavita fanentanana iray (01) isam-pokontany

mandritry ny taona

2011 - 2012

Ministera tompon’andraikitra Mpamatsy vola Fananganana CSB I

amin’ny toerana lavitra.

Mitsabo tena ny

ankamaran’ny olona fa

tsy manantona tobim-pahasalamana.

Mahatsangana CSB I iray

(01) ao amin’ny Fokontany

izay ahitana tranga fiterahana am-bala maro sy

lavitry ny renivohitry ny Kaominina.

Fametrahana ASV

(agent sanitaire villageois) vita fiofanana

isaky ny Fokontany.

Tsy ampy ny

fandraisan’andraikitry ny lehilahy amin’ny fitsaboana

ny ankohonany.

Mihena 60% ny tahan’ny

miteraka any am-bala sy ny fahafatesan’ny reny sy ny

zaza eo am-piterahana.

NY MIRALENTA SY NY VIH/ SIDA

Fisorohana

Fitsaboana

Page 19: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

19

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Fanatan-jahatena -Fivoarana ara-piharahamonina (ara tsosialy)

IV. FIFANTENANA SY FANDRAISANA MPIASA ARY FAMPIASANA AZY IREO

Fampitomboana isa ny

vehivavy miasa ao amin’ny

Kaominina sy ny Fokontany

Fandrisihana ny

vehivavy hametraka

fangatahan’asa.

- Kaominina

- Komitin’ny

Miralenta

Vitsy an’isa ny vehivavy

miasa amin’ny Kaominina

sy ny Fokontany.

20% dia mpiasa vehivavy ao

anatin’ny Kaominina sy ny

Fokontany.

2012 Kaominina

Fifantenana sy fandraisana mpiasa

Fisondrotana amin’ny asa sy fanamafisana ny fahaiza-manao

Tontolon’ny asa

V. RAFI- PITANTANANA NY MIRALENTA

Rafitry ny miralenta

Fiarovana ny vehivavy tsy hiharan’ny herisetra na ara-

batana na ara-tsaina.

Fametrahana rafitra hiadiana amin’ny

herisetra sy ho

hampiroboroboana ny Miralenta amin’ny

fametrahana ny Komity.

- Ray aman- dreny

-Mpitondra

fivavahana - Olom-boafidy

(Kaominina, Fokotany)

- Mpitarika

fikambanana - Mpitandro ny

filaminana

Tsikaritra ny fisian’ny fanolanana vehivavy sy ny

sinto-mahery.

Voatsangana ny Komitin’ny Miralenta ary miasa

manaraka ny

bokin’andraikitra.

2011 - 2012 Kaominina

Fampahafantarana ny

isam-batan’olona ny hevitra fototry ny

Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra.

Fisian’ny didy jadona. 90% ireo mponina ao

anatin’ny Kaominina no mahalala ny Miralenta sy ny

herisetra.

Fametrahana ”boite à

idée” eo anivon’ny Kaominina sy

Fokontany.

Fampiasana zaza tsy

ampy taona.

Ampahany amin’ny tranga

mampiseho herisetra amin’ny vehivavy sy ny zaza no

voatatitra anaty ”boite à idée”.

Fametrahana làlana

vaovao amin’ny alalan’ny DINA.

Fanerena amin’ny

fanambadiana.

Voapetraka sy laniera ny

Dina ary mihatra avy hatrany. Kapoka tsy ara-drarirny

atao amin’ny zaza.

Page 20: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

20

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Fananganana rafitry ny

Miralenta

-Fananganana

Komitin’ny Miralenta eo

anivon’ny Kaominina, Fokontany ary

Boriboritany.

-Fanapahan-kevitry ny Mpanolontsaina amin’ny

fananganana ny

Komitin’ny Miralenta.

- Kaominina

-Mpanolontsaina

- Fokontany - Boriboritany

Tsy misy ny rafitry ny

miralenta ao amin’ny

Kaominina

-Tafapetraka ny Komity isam-

pokontany miisa 14

-Fanapahan-kevitra nahazoana fankatoavana sy

natao peta-drindrina

Novambra –

desambra

2011

Kaominina GL SAHA

Tetibola, fanaraha-maso sy tombana

Fanokanana teti-bola ho

fampiroboroboana ny Miralenta sy fanatsarana ny

fitantanana isan-tokantrano.

Fandrafetana teti-bola

ifarimbonana (budget participatif).

- Kaominina

- Fokontany - Komitin’ny

Miralenta -Mpanolontsaina

Tsy fahaiza-mitantana ka

miteraka herisetra eo amin’ny mpivady.

Vehivavy mahavita fiofanana

ny fitantanana.

2011 - 2012 Kaominina

Fampianarana ny

vehivavy hanao teti-bola sy fanaraha-maso ary

tombana.

Voasoratra ao

amin’ny”budget communal” isan-taona ny sora-bola.

Fanamafisana ny fahaiza-manao

Fanofanana mahakasika ny

Miralenta ho an’ireo manana andraikitra rehetra.

Fitadiavan mpiara-

miombon’antoka hanome fiofanana.

- Kaominina

- Mpitantsoroka (prestataire)

- Komitin’ny

Miralenta

Vahoaka tsy mahalala ny

atao hoe MIRALENTA ka miambakavaka.

80% ny tompon’andraikitra

eo anivon’ny Kaominina mahalala ny Miralenta.

Novambra

2011 – janoary 2012.

Kaominina SAHA GL Mpamatsy vola

TETIKASA FILAMATRA/LOHANY – HO FAMONGARANA NY HERISETRA ATAO AMINY VEHIVAVY

Fanohanana sy fanampiana

Fametrahana drafitr’asa hiadiana amin’ny herisetra.

Fananganana ny Komitin’ny Miralenta sy

ny ady amin’ny

Herisetra.

- Kaominina - Fokontany

- Boriboritany

- Komitin’ny Miralenta

- Centre MIFOHAZA

Fahatsapana ny herisetra sy ny fahoriana mianjady

amin’ny vehivavy.

Voatsangana ara-dàlana ny Komitin’ny Miralenta sy ny

ady amin’ny herisetra.

2012 Kaominina Mpamatsy vola Tsara sitrapo Fametrahana ”Centre

d’écoute” eo anivon’ny

Kaominina.

Centre d’écoute voapetraka

eo anivon’ny Kaominina

iaraha-miasa amin’ny centre MIFOHAZA.

Fanatanterahana

fandaharana fanentanana amin’ny

”radio communale”.

Misy fandaharana iray (1)

isan-kerinandro ao amin’ny radio kaominaly.

Page 21: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

21

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Fandraisana an-tanana

ireo iharam-

pahavoazana.

Sahy manantona ny

tompon’andraikitra ny 80%

ny olona na vavy na lahy iharan’ny herisetra.

Fandrindrana

Fametrahana fiaraha-miasa mahomby amin’ireo

tompon’andraikitra voakasiky ny ady amin’ny herisetra.

Fametrahana ny mangarahara.

- Kaominina - CSB II

- Zandarmaria - Quartier mobile

- Fokontany

- Komitin’ny Miralenta

Tsy mirindra ny fiaraha-miasa mahakasika ny

herisetra.

Voapetraka ny lamina sy ny fiaraha-miasa mangarahara.

2011 - 2012 Kaominina

Fampitàna ireo fitarainana any amin’ny

mpitandro ny filaminana.

Tsy misy ny fanaraha-maso ny fitarainana misy.

70% ny fitarainana dia nahazoana valiny mahafa-po

avokoa.

Fanaraha-maso ireo

fizotran’ny fitarainana.

Momba ny vola omena hiasana Fananan’ny Komitin’ny

Miralenta loharanom-bola sy fitantanana amin’ny fomba

mangarahara hoenti-miady amin’ny herisetra.

Fanokafana kaonty ho

an’ny Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra.

- Kaominina

- Zandarmaria - Mpiray dina

-Komitin’ny Miralenta

- Quartier mobile

Tsy misy fanokanam-bola

ho an’ny ady amin’ny herisetra.

Voasokatra ny kaonty.

2011 - 2012

Kaominina Dina Tsara sitra-po Fampiharana ny DINA.

Fananana tahiry ao amin’ny Fitadiavana mpamatsy vola.

Fametrahana sora-bola

ao amin’ny teti-bolan’ny Kaominina.

Nankatoavin’ny

Mpanolontsaina amin’ny alalan’ny Délibération ny teti-

bola.

Fanaovana tatitra ara-bola amin’ny alalan’ny

peta-drindrina.

Vita peta-drindrina eny amin’ny toerana mampety

azy ireo tatitra ara-bola.

Fanaraha-maso sy tombana Fahazoana toky fa

hampiasaina amin’ny ady amin’ny herisetra tokoa ny

vola voatokana.

Fananganana vaomiera

mpanara-maso ao anivon’ny Komitin’ny

Miralenta.

- Kaominina

- Komitin’ny Miralenta

Tsy misy ny fanaraha-

maso sy ny tombona natao hatrizay.

Tafatsangana ary miasa ny

vaomiera.

2011 -2012 Kaominina

Fiarovana

Fiarovana ny vehivavy sy ny ankizivavy tsy iharan’ny

herisetra.

Fametrahana fanamby. - Kaominina - Ray aman-

dreny - Komitin’ny

Fahatsapana fa tsy maontina ny fitondran-

tenan’ny vehivavy sasany.

Miatomboka ny fanamby ampihena ireo vehivavy

iharan’ny herisetra noho ny fiovan-toetra.

2011 - 2012 Kaominina

Page 22: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

22

TANJONA FOTOTRA ASA ATAO TOMPONANDR

AIKITRA

FOTOTRA IAINGANA

TONDRO MILAZA NY VOKATRA

FE-POTOANA TETI-

BOLA

Famakafakana ny

fototry ny herisetra eo

anivon’ny Kaominina.

Miralenta

- Mpitondra

fivavahana - Mpanabe

Fahazoan’ny fitafiana tsy

maontina vahana.

Voaangona ireo tahirin-

kevitra fototry ny herisetra.

Fisorohana ny herisetra

mety hitranga.

Miely amin’ny alalan’ny

fanentanana ireo fitaovana enti-misoroka ny herisetra.

Hetsika fanentanana mba hahatonga saina ny olona Fanomezana lanja ny hetsika

ho famongorana ny herisetra.

Carnaval.

- Kaominina - Komitin’ny

Miralenta

Tsy mbola nisy ny hetsika

fanentanana nataon’ny Kaominina.

Mahavita hetsika roa (2)

isan-taona ny Kaominina.

2011 - 2012 SAHA Mpamatsy vola

Fanomanana fifaninanana.

Fanatanterahana seho

sehatra.

Ireo fanao tsara mampahomby indrindra Fahalalan’ny mponina ny

fanao tsara amin’ny fomba hiadiana amin’ny herisetra.

Fandrafetana tahirin-

kevitra mahakasika ny fanao tsara

hamongorana ny herisetra.

- Kaominina

- Komitin’ny Miralenta

Tsy fananana tahirn-

kevitra hoenti-miady amin’ny herisetra.

Voarafitra ary naely ireo

tahirin-kevitra fanao tsara dimy (5) : Dina,

fanentanana, fifandraisana amin’ny mpitandro ny

filaminana, fisian’ny centre

d’écoute, fampiharana ny làlana.

2011 - 2012 Kaominina

Setriny

Page 23: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

23

Tovana D: Workshop Evaluation

FORMULAIRE D’EVALUATION

Information Administratif

Sexe Lahy : 17 vavy : 09

Firenena MADAGASIKARA

Kaominina ALAKAMISY ITENINA

Taona 12-17 : 00

18-30 : 02

31-40 : 03

41-50 : 09

51-60 : 09

60+ : 03

Fianarana Ambaratonga voalohany 04

Ambaratonga faharoa 20

Oniversite 02

Fanofanana arakasa 00

Fampianarana olon-dehibe 00

Tombana :

tena tsara

tsara eo ho

eo ratsy

tena ratsy

1 fizotry ny fandaharana 05 20 01

2 momba ny fandaharana 09 16 01

3 tahirinkevitra 07 15 04

4.fampitan’ny tomponandraikitra ny fiofanana 10 12 04

5 asa isam-baomiera 03 12 11

6 vokan-tsoa 05 20 01

7 vokan-tsoa eo amin’ny fizotry ny fandaharana 03 18 05

8 tombotsoa eo amin’ny fandraisana fahalalana 10 08 08

9 tombotsoa eo amin’ny fivelarana 05 13 08

10 momba ny toerana , sakafo sns … 04 14 08

Fanamarihana

1. Inona tamin’ny fandaharana no tena nahafinaritra anao? Antony?

Fehiny : Ny fampitan’ny mpampiofana ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra, ny fametrahana ny plan d’action satria hita fa ilaina amin’ny fampandrosoana ny Kaominina sy ny fiainana andavanandro izany.

2. Inona tamin’ny fandaharana no tena tsy nisy ny nilanao azy ? Antony?

Fehiny : Samy ilaina daholo satria mifampiankina ny fampiharana azy. Raha voahaja ny miralenta sy ny fampahalalana azy dia mety tsy hisy ny ady amin’ny herisetra

3. Ahoana ny fomba fampiharanao ireo fahalalana noratovonao teto amin’y fihofanana?

Page 24: TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA …genderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/attachments/... · 1 TATITRY NY ATRIKASA HO AMIN’NY “FAMETRAHANA DRAFITRASA

24

Fehiny: Fampiharana izany amin’ny fiainana andavanandro ary ho modely amin’ny

fiaraha-monina indrindra fa miainga avy ao an-tokantrano

Fanamarihana hafa ? Fehiny: Mangataka ny fanohizana ny fiofanana Tsy ampy ny fotoana